Version imprimable

Transcription

Version imprimable
.J
't'tt
rÎfinf$'ji$;tr;t'H*. *ffi ifi
--=+;------l-;--d--
\ -ir,.,,É;#'
,.
,'^ """"' Y:
+o*Kb.
-':ï:.;=_"J/
{"9.}i
REPOBLIKAFAHAEFATRA
E-poroANA FANA9yAN-DALANAvoALoHANy
FOTOAM.PIVORIANA
ARA.POTOANAVOALOHANY
TAONA 2014
DELALEGISLATION
DIRECTION
S E R V I CDEE SP R O C E S - V E R B A U X
ETDESCOMPTES-RENDUS
ANATYTIQUES
FITAI{AITTA AN-:TISONATRANT TTYOruA}IBE
FAHA-36
TAHARANA
faha-18
Fivoriana
Nataony
Alarobiat8 Jona2OL4
- M a r a i n a-
r
: :;
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Alarobia 18 Jona 2014
- Maraina -
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………….… 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 02
- Fanoloran’Andriamatoa JULES Etienne ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny
Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa
Madinika sy Salantsalany ……………………………………………………………………………..….………….. 02
- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka sy valin-teny
avy amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy
Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany ………………………………………………………. 05
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
Laharana faha-002/2014, tamin’ny 21 may 2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement du Projet d’Urgence de Sécurité
Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » …………………………………………… 43
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 44
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………… 48
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna faha-002/2014,
tamin’ny 21 may 2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif
au financement du Projet d’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection
Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » …………….…………………………….. 56
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dàlana
laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui
d’Urgence aux Services essentiels d’Education de Nutrition
et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » …………………………………………… 57
- Famakiana ny tatitra ……………………………………………………………………………………………….…. 58
- Fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra …………………………………………………………… 61
- Adihevitra ankapobeny ……………………………………………………………………………………………… 61
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui d’Urgence aux
Services essentiels d’Education de Nutrition et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la
République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA) ».. 66
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
laharana faha-004/2014 hatramin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA) » ………………………………………………… 67
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 68
- Adihevitra ankapobeny ……………………………………………………………………………………………… 71
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana
faha-004/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt
relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA) » ………………………………………………… 78
- Fiatoan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………………. 79
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
MPITANTSORATRA: - Andriamatoa VANOVASON Jean Adrien
- RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina.
FOTOANA: Alarobia 18 Jona 2014, tamin’ny 9 ora sy 40 minitra, maraina.
FANDAHARAM-POTOANA:
- « Présentation des programmes du Ministère de l’Industrie, du Développement du Secteur
Privé et des Petites et Moyennes Entreprises ».
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra momba ny Volavolan-dalàna laharana faha002/2014 tamin’ny 21/05/2014 «autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au
financement du Projet D’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS)
entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement
(IDA)».
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra momba ny Volavolan-dalàna laharana faha003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au
financement additionnel pour le Projet d’Appui d’Urgence aux Services essentiels
d’Education de Nutrition et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar et
l’Association Internationale de Développement (IDA)».
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra momba ny Volavolan-dalàna laharana faha004/2014 tamin’ny 21/05/2014 «autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au
financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord conclu le 27/12/13 entre
la République de Madagascar et le Fonds Koweitien pour le Développement Economique
Arabe (FKDEA)».
-1- Fitohizan’ny fivoriana - Lakolosy Andriamatoa FILOHA
Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy ny fivoriantsika.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka tonga manatrika izao fivoriana izao.
Arahabaina toraka izany koa, Andriamatoa Minisitry ny Indostria ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina, ny Orinasa Madinika sy Salantsalany, sy ireo Teknisiana miara-miasa
aminy.
Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha dia iangaviana ny Mpitantsoratra hanao ny
fiantsoana anarana.
2
-2- Fiantsoana anarana Andriamatoa RANDRIANARISON Guy Rivoniaina Célin
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
21 ny Solombavambahoaka nandefa fialan-tsiny.
Andriamatoa ABDILAH
……………………………………………..
……………………………………………………
………………………………………………………….
ZAFIMAHATRATRA Abel
Amin’izao, amin’ny 9 ora, mahery 47 minitra, izao ny Solombavambahoaka tonga dia 38,
miampy ny 21 nametraka fialan-tsiny.
Andriamatoa FILOHA
Tompokolahy sy Tompokovavy, misaotra ny Mpitantsoratra isika nanao izay fiantsoana
anarana izay.
Ny fandaharam-potoanantsika izao marainan’ny Alarobia faha-18 Jona 2014 izao dia
fivoriambe anoloran’Andriamatoa Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra
tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany eto anoloan’ny
Antenimierampirenena, ny fandaharan’asan’ny Minisitera izay iandraiketany.
Koa dia an-kafaliana, Andriamatoa Minisitra, am-panajana, no andraisana anao eto amin’ity
Lapan’ny Demokrasia sy Lapan’ny Fampandrosoana ity, mba handray fitenenana, ka
hanolotra anay ny fandaharan’asan’ny Minisitera izay iandraiketanao.
Anao ny fitenenana, Tompoko.
-3- Fanoloran’Andriamatoa JULES Etienne Rolland ny fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny
Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina
sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa
Madinika sy Salantsalany Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena,
Andriamatoa Kestora Voalohany,
Andriamatoa sy Ramatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena,
Ianareo namana Solombavambahoaka, tonga eto androany.
Ny Voalohany indrindra dia fisaorana lehibe amin’ny nahafahantsika nahita izao ora izao,
mba ahafahako mamelabelatra ny Politikan’ny Minisitera izay tantanako, amin’izao fotoana
izao. Isaorana anareo rehetra izay tonga manatrika eto androany koa.
3
Faharoa, miala tsiny fa tsy ao anatin’ny programa, araraotiko eto satria izao isika rehetra vao
mifankahita, mamerina ny fankasitrahana ny tenako manokana, tamin’ireo
Solombavambahoaka izay nanohana ahy tamin’ny izaho saika hatolotra ho Praiminisitra teo.
Misaotra anareo, Tompokolahy sy Tompokovavy.
Angamba tsy ho ela ny resako, fa raha vonona ny teknisiana dia hamelabelatra kely
amin’izay. Hataoko amin’ny “diaporama” ilay izy.
Ny Politika Ankapoben’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy
miankina, ny Orinasa Madinika sy Salantsalany, dia nalaina tamin’ny Programa
Ankapoben’ny Fanjakana ihany, izay misy ny “objectif”-n’ny Filohan’ny Repoblika.
Dia ao ny :
- fametrahana Fanjakana matanjaka sy tan-dalàna
- ny “Relancement Economique”
- ny fitadiavana asa sy fanatsarana ny fomba fiasantsika eto Madagasikara
Noho izany, famoronana asa no andraikitray ao amin’ny Minisiteran’ny Indostria, fa mbola
ho “détaillé”-ntsika eo ihany izay.
Mizara telo ny zavatra horesahanay eto.
Voalohany indrindra, ny zava-misy ankapobeny mikasika ny Indostria sy ny sehatra tsy
miankina eto Madagasikara. Izany hoe ny “état de lieu”.
Faharoa, ny fanamby apetraky ny Minisitera.
Fahatelo, ireo sori-dalana lehibe hanatanterahana ny tanjona.
Ny zava-misy amin’ny ankapobeny mikasika ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina eto
Madagasikara.
Voalohany indrindra, raha ny “constat” dia maro ny Malagasy tsy an’asa. Potika ny sehatra
tsy miankina sy ny Indostria. Ohatra ny SOTEMA, ny HASIMA, ny TIKO, ny orinasa hafa izay
tsy voateny eto.
Sahirana ny sehatra tsy miankina. Ny antony dia efa fantatsika rehetra:
- Ny krizy politika; ny tontolon’ny fandraharahana tsy mazava; ny lalàna tsy mifanaraka
amin’ny toetr’andro.
- Ny fotodrafitrasa tsy ampy. Ohatra seranana, ny lalana, ny angovo, ny fifandraisana.
- Tsy misy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpampiasa vola na
eto an-toerana izany na any ivelany.
- Tsy misy famatsiam-bola ho an’ny mpandraharaha.
Vokatr’izany, tsy niova ny PIB hatramin’ny 1960 ka hatramin’izao, mitovitovy ihany: 30% ny
“secteur primaire”; 14% ny “secteur secondaire”; 50-60% ny “secteur tertiaire”.
Inona no fanamby apetraky ny Minisitera?
Tanjona:
Famoronana asa 500 000 araka ny voalazan’ny PGE, ka hahazo tombony amin’izany ny
vehivavy sy ny tanora izay hitsinjara isam-paritra;
Madagasikara ho lohalaharana eto amin’ny Ranomasimbe Indiana;
4
Ny anjaran’ny Indostria amin’ny fampiakarana ny harin-karena faobe;
Madagasikara mikajy ny tontolo iainana.
Izany hoe averiko kely, ny anjaran’ny Indostria amin’ny fampiakarana ny harin-karena faobe:
io 14% io no hampiakarinay 25% hatramin’ny taona 2018.
Ireo sori-dalana lehibe hanatratrarana ny tanjona:
• Fanapariahana ny Indostria manerana ny Faritra,
• Fanatsarana ny lalàna sy ny fampiharana azy,
• Fametrahana “zone industrielle” mifanaraka amin’ny filàna,
• Fanamafisana ny sehatra ifandraisana akaiky amin’ny mpandraharaha ara-toekarena.
Izany hoe hisy “ligne verte” mba ahafahana mifampiresaka raha misy “réclamation”
ataon’ny mpandraharaha ka avy hatrany dia miezaka izahay mamaha ny olana;
• Fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana;
• Famporisihana ny fampiasam-bola eto Madagasikara;
• Fametrahana ny lalàna hampiroboroboana ny fandraharahana ato anatiny, “code
d’investissement”;
• Fametrahana petra-bola ho an’ny orinasa madinika “fonds de solidarité”
Tranoben’ny Fandraharahana isaky ny Faritra;
Famelomana ireo orinasam-panjakana: IMI, SECREN, SIDEMA, SIRAMA, CNIA.
Filankevim-pirenena ho an’ny Indostria;
Famerenana ny AGOA.
Tetikasa entina manofana ny tanora mpandraharaha.
Fehiny Tompokolahy sy Tompokovavy, araka ny politika ankapobeny nosoritan’ny Filohan’ny
Repoblika dia ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina no fanoitra hampandrosoana ny
firenena.
Ho tratra ireo tanjona ireo rehefa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny
Indostria sy fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy
salantsalany sy ny Solombavambahoaka, ny sehatra tsy miankina ary mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Izay Tompokolahy sy Tompokovavy ny momba ny politika ankapoben’ny Minisitera
tantanako, mbola homena ny antontan-taratasy izay “plus détaillé” kokoa ianareo, mba
ahafahantsika manatsara an’ity tany masina misy antsika ity.
Misaotra, Tompokolahy.
Misaotra, Tompokovavy.
5
-4- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka sy valin-teny
avy amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra
tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’izay famelabelarana sy fanoritsoritana ny
fandaharan’asan’ny Minisitera izay tarihinao izay.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Izao ary isika dia hiroso amin’ny fandraisana fitenenana, amin’ny fanamarihana, na sosokevitra.
Marihiko
fa
tokony
hiompana
tanteraka
amin’ny
fandaharan’asa
izay
novelabelarin’Andriamatoa Minisitra tamintsika teo, ny fandraisam-pitenenana ataontsika.
Koa iangaviana izay manan-kambara hanangan-tànana handraisana ny anarany.
Misaotra, Tompoko.
Izao dia omena fitenenana Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE
Benjamin.
Anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka
Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Faly miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra sy ianareo rehetra mpiara-miasa aminy.
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’iny fanazavana iny na dia fohy aza fa tena
mazava tsara ary hentitra no nentinao teo.
Ny fanontaniana tiako apetraka, voalohany indrindra aloha dia momba ny fitsipi-dalao
amin’ity resaka “investissement” ity, indrindra ny fijerena ny mety ho tombotsoa sy ny
fijerena ihany koa ny fanomezana laharam-pahamehana an’ireo “investisseurs nationaux”.
Izay anankiray izay, satria nitobaka be ny “investisseurs” avy any ivelany amin’izao fotoana
izao, ka ny fitsipi-dalao amin’izany, ny “règlementation”-n’izany no voalohany indrindra tiako
ametrahana fanontaniana aminao.
Faharoa manaraka izany, ny amin’ny fitsipika fametrahana ny “investissement” eto
amintsika, amin’ireo PME, PMI.
Mety misy PME, PMI ihany koa avy any ivelany tonga eto, ka manaraka ny lalàna misy ve izy
ireny. Marina fa famoronana asa no tanjontsika amin’izy ireny. Ohatra fotsiny, any aminay
Faritra avaratr’Antananarivo iny, Avaradrano: maro ireo orinasa Sinoa avy ivelany tonga any
ary manao an’ireny fanodinana akora plasitika anaovana kapa ireny. Rehefa tena dinihina,
marina fa manome asa ho an’ny vahoaka, kanefa ny lafiny indostria nataony, ny PMI nataony
dia miteraka olana eo amin’ny ara-tsosialy, satria tsy voafehy ny “norme”; miteraka fofona
amin’ny fahasalamana ary tena mety hiantraika amin’ny fahasalamana izy ireny, ka vao
mainka manimba indray ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny fiaraha-monina.
6
Ny fanontaniana dia hoe: ahoana ny fiaraha-miasanareo amin’ny Minisitera sasany, toy ny
Minisiteran’ny Fahasalamana, hijery ny fiantraikan’ireny Indostria apetraka fotsiny ireny ary
marobe ireo Sinoa tonga manao izany zavatra izany.
Ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana, satria tena miantraika amin’ny
fiaraha-monina mihitsy ireny zavatra ireny raha tsy voafehy ara-dalàna. Ilaina ihany koa ny
hijerentsika an’izay zavatra izay. Raha vahoaka tsy ho salama na raha ara-tsosialy na aratontolo Iainana na ara-toekarena ihany koa dia tsy mety izany.
Ny fahatelo, tiako lazaina dia izao: sao mba tokony eritreretina ihany ny hisiany, satria isika
hamorona orinasa, ny orinasa potehina noho ny antony ara-politika. Sao dia mba
hanomboka amin’izay ny hisian’ny politika mazava mivoaka avy amin’ny Minisitera, hoe ny
orinasan’ny olona izay iveloman’ny Malagasy marobe dia tsy tokony potehina noho ny
antony ara-politika ary tokony hisy mihitsy aza “mesure d’accompagnement” hiarovana azy
ireny, fa tsy hoe noho ny antony politika dia potehina ny orinasa; rehefa avy eo ny Vahoaka
aman’hetsiny izay mivelona amin’ireny no lasa tsy an’asa, satria isika mamelona ity atao hoe
“relance économique” ity amin’izao fotoana izao.
Farany, momba ny AGOA: rehefa tafaverina amin’ny laoniny ary rehefa tonga ny
“reconnaissance”-n’ny firenena, fantatra fa hiverina ny AGOA; kanefa mbola misy ihany
fepetra apetraky ny fanjakana Amerikana amin’izy ireny. Inoana fa efa mandray fepetra
mifanaraka amin’izany ianareo ao amin’ny Minisitera.
Izay no fanontaniana avy atỳ amiko, Andriamatoa Minisitra, ianareo Tale Jeneraly sy
Sekretera Jeneraly miaraka aminy.
Misaotra indrindra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ho fandaminana dia fanontaniana 5 no horaisintsika ka omentsika fotoana, Andriamatoa
Minisitra, hamaly azy, satria eo amin’ny 15 eo isika no hametraka fanontaniana. Izay no
tonga etỳ ambony etỳ; koa iangaviana isika Solombavambahoaka, ferana ho 2 na 3 minitra
eo isaky ny fanontaniana.
Misaotra, Tompoko.
Omena fitenenana, Ramatoa RAHARIMANARIVO Voahanginiaina.
Ramatoa RAHARIMANARIVO Voahanginiaina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo ao amin’ny Birao Maharitra.
Miarahaba anao Andriamatoa Minisitra sy ireo “Staff” miaraka aminao.
Miarahaba ihany koa an’ireo Solombavambahoaka rehetra namako.
Mba tianay ho fantatra, Andriamatoa Minisitra, hoe aiza marina no misy ny Minisitera
iadidianao, ao Anosy ve, sa ao Ambohidahy sa ao Tsaralalana sa any Ambohitsorohitra, satria
mivezivezy izahay, fa hatramin’izao tsy hita hoe aiza marina.
7
Betsaka ireo Sehatra tsy miankina no mitaraina amin’ny fanaparam-pahefana; ahoana ny
eritreritrao, Andriamatoa Minisitra, mikasika an’izay?
Voalaza teo ny mikasika ny orinasa potika ny HASIMA, TIKO, sy ny sisa. Ahoana ny
eritreritrao, Andriamatoa Minisitra, ny amin’ny TIKO sy ireo orinasa hafa ireo amin’ny
fanarenana azy?
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Ny fanontaniana manaraka dia avy amin’Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Olivier
Anthony José.
Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Anthony José Olivier
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome anay ny fitenenana.
Miarahaba manokana anao, Andriamatoa Minisitra, ary faly koa izahay tamin’ny fisaorana
nomenao, satria maro tamin’ny Solombavambahoaka tokoa no nanohana anao tamin’ireny
fotoana ireny.
Andriamatoa Minisitra, mahafinaritra tokoa ity fifampitafana androany ity, satria anisan’ny
zava-dehibe eto anivon’ny firenentsika ny famerenana amin’ny laoniny ny orinasa simba
vokatry ny krizy politika niseho teto amin’ny firenena ary ny fanetsehana indray ireo orinasa
madinika, izay mizaka ny tsy eran’ny aina noho ny fiakaran’ny vidin’ny herinaratra fotsiny
ohatra.
Ny tenako dia avy ao Antsirabe faha-II ary ao aminay no misy ny orinasa antsoina hoe TIKO
ary nahita sy nahatsapa ny vokatr’izany amin’ny lafiny ara-toekarena, rehefa nisy ny
fahapotehan’ny orinasa.
Tsara ny mampahatsiahy, Andriamatoa Minisitra, mba ahafahan’ny rehetra tafiditra ao
anatin’ny tsara, fa ny orinasa TIKO dia namelona olona marobe. Porofon’izany ny ronono, ny
soja, ny paoma, ny trondro; ao anatin’izany ihany koa ny katsaka sy ny maro samihafa. Nisy
koa “vulgarisation” nataon’ny orinasa TIKO tany Ambanivohitra, anisan’izany ny famatsiana
zezika ny tantsaha, ny fikarakarana ary fanampiana ny tantsaha tamin’ireny omby be ronono
ireny. Ankehitriny, Andriamatoa Minisitra, potika ny orinasa TIKO ary potika niaraka
tamin’izay koa ny fanantenana efa niredareda tamin’ny lafiny ara-toekarena tao
Vakinankaratra. Fantatry ny olona mpahay toekarena tsara ny vokatr’izany taorian’ny krizy
2009.
Tamin’ny taona 2010, Andriamatoa Minisitra, dia tonga tany an-toerana ny “huissier” saika
hanao “saisi” ny orinasa TIKO ary efa nisy ny fepetra tamin’izay fotoana izay, saika
hanakatonana ny orinasa TIKO; saingy tsy nanaiky ny vahoaka fa nilahatra be tao ary
notohanana ny fanaovana “saisi”, satria ny olona mihitsy no nahatsiaro nangirifiry,
Andriamatoa Minisitra. Ny tompony moa iarahantsika mahalala fa mbola any ivelany
hatramin’izao.
Ny zavatra tianay resahina, Andriamatoa Minisitra, orinasa tena miezaka ny orinasa tahaka
ny TIKO sy ny orinasa maro izay voatanisa teo, tokony ho jerena akaiky aloha ireo, voalohany
indrindra. Lazaina fa ny orinasa TIKO dia nanana hetra be amina miliara; tsy idirantsika lalina
8
ny “montant” amin’iny, fa ny zava-dehibe dia ny hoe: ahoana no fomba hanampiana ireny
orinasa ireny, mba ahafahany miala amin’izay vesatry ny hetra izay. Tsy mety kosa raha hoe
ny orinasa matanjaka, an’ny Malagasy ary ny “slogan”-ny aza hoe “Vita Malagasy”, kanefa
potehina tahaka ireny. Lasa manapotika ny toekarentsika izany.
Andriamatoa Minisitra, efa nisy ihany ny fanolorana izay hevitra izay, mba hametrahana
lalàna hampisarahana tsara ny olona miasa ao amin’ny orinasa sy ny orinasa, satria ekena fa
“société anonyme” ny orinasa TIKO ary Andriamatoa Marc RAVALOMANANA no tompony.
Tokony hasiana lalàna mazava tsara mihitsy hampisarahana izany.
Efa nolazaina teto, Andriamatoa Minisitra ary raha ny ezaka lehibe ataonao amin’ireny
fitetezam-paritra ireny dia velom-bolo tanteraka tokoa ny vahoaka Malagasy, satria tena hita
fa mahatsapa tsara an’ilay zavatra mihatra amin’ny orinasa rehetra ianao.
Andriamatoa Minisitra, farany; noresahina teto ny fanarenana an’ireny orinasa simba ireny.
Mino izahay, tsy hatoro voanjo hadiana ianao, fa mahalala ny mavo ravina. Koa dia apetraka
aminao, Andriamatoa Minisitra, ny mikasika manokana ny orinasa TIKO, satria ny
Solombavambahoaka avy ao Vakinankaratra izay miara-miasa amin’ny vahoaka dia
mahatsiaro fa tena ilaina ny fanampiana sy famerenana izany orinasa TIKO izany sy ny
orinasa hafa.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka
Ny fanontaniana manaraka dia avy amin-dRamatoa MANANJARA Ruffine Aurélie.
Ramatoa MANANJARA Ruffine Aurelie
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Ombako manana ny fiarahabana nataon’ireo namako rehetra teo.
Ny tena nahavelom-bolo ahy teo, Andriamatoa Minisitra, dia momba ny famoronana asa
500 000. Maro ny vehivavy sy tanora tsy an’asa ao amin’ny Distrika misy anay, any
Mananjary. Tsy ao irery fa manerana an’iny Faritra Atsimo Atsinanana rehetra iny, hatrany
Toamasina mankany amin’iny Faritra Atsimo Atsinanana rehetra iny. Noho ny fahafatesan’ny
orinasa SICE, SOMACODIS, ny ROSO, very asa ny vehivavy satria ny asan’ny vehivavy sy ny
tanora tao aminay dia nitsimpona kafe, jirofo ary dipoavatra.
Koa manantena izahay, Andriamatoa Minisitra, fa hiantraika aminay any amin’ny Distrikan’i
Mananjary ny famoronana asa, satria tena miaina amin’ny fahantrana mangitsokitsoka ny
vahoaka any aminay, indrindra ny vehivavy sy ny tanora.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Ny fanontaniana farany amin’ny 5 voalohany dia fanontaniana apetrak’Andriamatoa DINAH
Romuald, avy ao Maroantsetra.
9
Andriamatoa DINAH Romuald
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra.
Miarahaba ny mpiara-miasa aminao.
Isaorana dia isaorana ianao amin’ny finiavanao hitady fivoarana amin’ity firenentsika ity
Ny zavatra tiako soritana manokana dia ity: mikasika ny orinasa miankina amin’ny Fanjakana
sy ny orinasa tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Raha miresaka mikasika ny orinasam-panjakana izay efa nandalo teto amin’ny firenena
hatramin’izahay mbola kely ka hatramin’izao isika, matetika dia mandalo fatiantoka. Tokony
efa mipetraka amin’izao programa ataonao izao ny hoe: inona no antony mahatonga ny
orinasam-panjakana matiantoka foana. Ny dikan’izay raha izaho no mamaly azy, misy tsy
maty manota amin’ny mpitantana ireo orinasam-panjakana ireo; satria eto amin’ny firenena,
tsara ho fantatsika fa raha ny zavatra no natao hoe fananam-panjakana dia misy ny misy
fitantanana gaboraraka. Ohatra fotsiny, misy fiara “à la disposition”-na tompon’andraikitra
anankiray. Iny fiara iny tsy maharitra firy taona dia efa simba. Toe-tsaina no mahatonga
izany.
Ny tiako ambara amin’izany, Andriamatoa Minisitra, dia tokony misy ady atao amin’ny tsy
hidiran’ny orinasam-panjakana fatiantoka; satria izay no mahatonga ny orinasa toy ny
SOTEMA sy ny sisa, tafiditra fatiantoka noho ny hoe fananam-panjakana ity, ahoana no
hangalarako ny volam-panjakana mihodina amin’ity orinasa ity. Mety ho ny fifampifehezana
ao angamba no mahatonga izany.
Miditra amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny Fanjakana indray aho.
Maro ny olona mangetaheta te-hanorina orinasa na teratany vahiny io na teratany malagasy.
Ny zava-misy, raha misy orinasa atsangan’ny teratany vahiny na atsangan’ny teratany
malagasy eto amin’ny firenentsika; rehefa tonga ny tolom-bahoaka, iny indray no simbain’ny
Malagasy; hany ka kivy, indrindra ireny teratany vahiny ireny ary isika koa satria vola amina
miliara maromaro no mihodina ao. Misy fanararaotana ataon’ny sasany; efa tokony
mipetraka koa ny ady atao amin’izany.
Mikasika ny angovo: any Maroantsetra dia misy ny atao hoe angovo azo havaozina. Mety
mahazaka Distrika roa ny herinaratra avoakan’io angovo azo havaozina io. Ny zava-misy dia
ity: mbola midangana dia midangana ny vidin’ny herinaratra. Misy mpanam-bola mba tehanorina orinasa madinika sy salantsalany; rehefa natao ny kajikajy amin’ny vidin’ny
herinaratra dia hitany fa miteraka fatiantoka ho azy izany. Tokony ho jerena manokana ny
hampidinana ny vidin’ny herinaratra mba ahafahan’ny mpanam-bola manorina orinasa
madinika sy salantsalany. Ohatra fotsiny, i Maroantsetra dia anisan’ny malaza amin’ny
lotisia, malaza amin’ny voasary, malaza amin’ny ronono; misy mpanam-bola te-hamorona
orinasa madinika sy salantsalany mba ahafahan’ny tsy an’asa, ahafahan’ny mpamokatra
mivelona amin’ny zavatra novokariny, kanefa ny vidin’ny herinaratra no olana.
Farany, Andriamatoa Filoha, eto amin’ny firenena, raha misy mpitondra ka misy olona
manana orinasa iray hitany fa tsy mitovy firehana aminy dia izao no ao an-tsainy hoe:
ahoana no hanapotehako an’io orinasan’ilay rangahy io. Izay no zavatra hitanay.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra, izay no zava-misy.
10
Resaka “compteur” no olana misy amin’ny JIRAMA. Raha te-hampiditra herinaratra any antokantranony ny olona dia mandà ny JIRAMA fa tsy manam-bola. Ny olona te-hampiditra
vola aminy indray no sahirana. Olana daholo izany.
Misaotra, Tompoko.
Nihoatra kely, fa Andriamanitra hanampy anao, nanome fotoana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tapitra izay ny fanontaniana 5 voalohany, koa omentsika sehatra, Andriamatoa Minisitra,
hanome valiny amin’ireo fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka ireo.
Andriamatoa Minisitra, anao ny sehatra.
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena.
Ianareo ao amin’ny Birao Maharitra;
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka;
Fanontaniana 5 moa izy ity fa hoatran’ny 20 raha jerena. Ezahiko valiana amin’ny
ankapobeny, samy ho hitantsika eo ihany ny valiny tandrify ny rehetra.
Momba ny “investisseur” ny voalohany hoe ahoana no hiarovantsika ny “investisseurs
nationaux”. Efa noresahiko teo hoe izahay dia hiaro ny “investisseurs” rehetra eto amintsika
na ny avy any ivelany. Eo amin’ny fanaovana azy no tena jerena fa tsy maintsy misy
“dialogue” miaraka io ary efa napetrakay ny “dialogue privé publique”. Tsy maintsy misy
“espace d’échange”, tsy maintsy ovana ny lalàna, ny “code d’investissement” araka ny
noresahiko tamin’ny famelabelarana nataoko teo.
Ny fomba fiasa miaraka amin’ny Minisitera, izany hoe ao amin’ny Governemanta dia misy ny
atao hoe: “comité inter-ministeriel”, arakaraka ny zava-misy. Raha misy olana anankiray
itambarana, tsy maintsy misy “comité ad’hoc” miara-mamaha ny olana. Matetika, araka ny
noteneninao teo dia ny Fahasalamana sy ny “Environnement”, ny Indostria, ny Rano sy ny
Angovo ary ny Fambolena, izay dimy na enina izy no miara-miasa. Amiko, aza dia manana
ahiahy
ianareo,
Andriamatoa
Solombavambahoaka
sy
ianareo
Ramatoa
Solombavambahoaka, amin’izany fiaraha-miasa izany.
Ny fiarovana an’ireo PMI sy PME “étrangers” tonga tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita
ireny. Iarahantsika mahafantatra fa tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita no tena nisy an’izany
olana noteneninao izany. Manomboka izao, efa Fanjakana tan-dalàna ny antsika, tsy maintsy
ara-dalàna, mandalo amin’ny IDBM ny fanampiana an’ireo orinasa ireo ary mipetraka sy hita
daholo ny “problème environnemental”; izahay no mi-“accompagner” azy. Tsy hisy intsony,
miala tsiny amin’ny fitenenana, ny fananganana orinasa “sauvage” izany, fa tsy maintsy tandalàna, mitovy amin’ny Fanjakana izay napetratsika rehetra izao, satria izay no hetahetan’ny
Filoham-pirenena.
Ny AGOA: efa noresahinao ihany anie ny valiny ary mety ho ianareo no hanara-maso azy.
Marina ny anao, fa misy fepetra izy io. Isika aloha faly fa hiverina io mba ahafahan’ny olona
11
be dia be hiasa indray. Efa manara-maso an’izany ny teknisiana ao amin’ny Minisiteranay.
Manaraka ny fepetra izay apetrany ary inona no tombotsoantsika amin’io. Efa manara-maso
an’izay izahay, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Fanontaniana manaraka: aiza no misy ny Minisiteran’ny Indostria?
Miala tsiny fa SDF izahay, “sans domicile fixe”, hoy ny vazaha. Amin’izao fotoana izao, mbola
sahirana izahay, satria nitambatra ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Minisiteran’ny
Indostria teo aloha. Toerana nisy ny “Vice-Primature” teo aloha io toerana misy anay io.
An’ny Minisiteran’ny Toe-karena sy “Plan” io, mbola misy olonay ao, fa ny tenako manokana
dia miasa eny amin’ny IDBM. Ny Minisitra sy Kabinetra dia miasa eny amin’ny IDBM.
Ny “Directions” sasany mbola any amin’ny “Commerce”. Noho izany, mbola miparitaka
izahay, mbola mitady trano. Efa misy trano anankiray ao tokony ho anay ary ato ho ato dia
mety ho vita. Efa misy vato fehizoro natsangana ao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly. Misy
vato fehizoro efa nipetraka ao, angamba afaka enim-bolana dia ho vita ny tranonay; ao
akaikin’ny “Economie et Plan” ihany izy io. Miala tsiny, fa mbola mipariparitaka izahay. Izay
no nahatonga anay hanome an’iny “ligne verte” teo iny, mba ahafahana mifandray sy
mandray ny hetaheta. Raha misy olana, mba amin’iny “ligne verte” iny no ahafahantsika
mifandray, amin’ny tokony hamahantsika rehetra azy.
Ny orinasa TIKO, efa ao anatiny amin’izao fotoana izao. Nahazo “dossier”-n’izany aho. Ny
politikako dia efa noteneniko ihany hoe tsy maintsy mamelona ny Indostria ary tsy maintsy
miaro ny “secteur privé”, miaro ny mpiasa. Izany hoe: miaro ny orinasa na an’iza na an’iza
izany.
Marina tokoa ny noteneninao teo, Andriamatoa Solombavambahoaka, fa marobe ny olona
no tsy an’asa nanomboka tamin’ny nahafatesan’io orinasa io. Hojerena ny marimaritra
iraisana. “Dossier” ngeza be izay efa nojeren’ny Tetezamita teo no tonga ao aminay izao. Tsy
nandeha mihitsy izy angamba tamin’ny andron’ny Tetezamita. Amin’izao dia hojerena ireo
olona ireo, fa tsy olona anankiray no hojerentsika, fa ny orinasa. Tsy ny anaran’ilay olona, fa
mijaly ny olona ao Antsirabe.
Miombon-kevitra aminao aho, Ramatoa Solombavambahoaka, hanao izay azonay atao
izahay mba hampihodina an’io orinasa io na izay hita fa tokony hampihodina azy.
Ny “500 000 emplois”, ny vehivavy ao Mananjary moa no nangataka teo. Ny vehivavy
rehetra manerana an’i Madagasikara no hojerena. Programan’Andriamatoa Filoha io resaka
io.
Raha mandeha tsara io famoronanay asa io ary nametraka tanjona izahay, satria ny tanjona
dia ny “décentralisation industrielle” sy fiaraha-miasa amin’ny “secteur privé”. Efa
mahaforona asa be dia be izay. Izahay tsy hiteny tarehimarika, fa efa be io fanambin’ny
Filohan’ny Repoblika io ka angamba hahazo tombotsoa amin’izany ny vehivavy.
Raha tadidin-dRamatoa Solombavambahoaka, fa efa tany izahay, efa hanomboka hanangana
IMI ao Mananjary izahay. Mbola mety hisy zavatra hafa ihany koa, fa izaho aloha tsy hiteny,
rehefa mitsangana eo izy, ho hitantsika eo, ho an’ny Faritr’i Mananjary.
“Société d’Etat” sy “Société privée”: marina dia marina ny anao, Andriamatoa
Solombavambahoaka. Efa novalianao ihany, fa ny toetsaintsika ihany no mahatonga an’io.
Raha jerena tokoa, inona no tsy mampandeha ny « Société d’Etat »? Ny toe-tsaintsika dia
isika Malagasy ihany. Matetika rehefa antsika Malagasy dia ataontsika tsinontsinona,
12
simbaina tahaka izany, kanefa raha “privée” no tazonintsika dia mandeha tsara izany. Ny
dikan’izany dia tena ny toe-tsaina tokoa.
Miteny ianao hoe mba efa nisy zavatra nojerena. Amin’izao fotoana hamelomana ny orinasa
izao, miala tsiny aho, mety hi-“privilegier”-n’ny “partenariat” izahay, “Partenariat PublicPrivé” hanamora izany. Ny anay dia izay haingana ihany. Hitako tsara izany amin’ny SIRAMA,
“location gérance” no natao, nandeha ilay izy, tamintsika nitantana azy dia maty i Brickaville
sy i Nosy-Be. Hita mihitsy izany fa raha isika no mitantana dia hoatran’ny maty ny orinasa,
kanefa matoa ataon’ny olona “location gérance” dia mbola ahazoany vola angamba.
Izay no mahatonga hoe jerena ny marimaritra iraisana, fa ny fahitanay azy, fiaraha-miasa
amin’ny vahiny no metimety kokoa. “Partenaire privé” angamba, fa tsy vahiny;
“investisseur” Malagasy, satria raha izay, mety handeha tsara ihany.
Ny fanimbana fananan’ny “secteur privé”, iny ilay izy.
Iverenako kely ny an’ny TIKO teo. Efa nangataka “indemnisation” izahay. Efa nalefanay ny
“demande d’indemnisation”; tsy ny an’ny TIKO irery ihany fa ny orinasa izay simba tamin’ny
taona 2009. Efa nalefantsika, kanefa fantatsika ny volantsika amin’izao fotoana izao, ny
kitapom-bolantsika. Efa voaray iny angamba, satria efa nalefako tany amin’ny “Conseil du
Gouvernement” hoe mba “indemniser”-na ireo orinasa simba tamin’ny taona 2009 ireo. Efa
any am-pelatanan’ny Minisitry ny Fitatanam-bola sy ny Tetibola izay, Tompokolahy sy
Tompokovavy, fa anjarantsika rehetra no manara-maso azy.
Ny angovo: ity “politique énergétique” ity no tena manahirana eto Madagasikara. Marina
tokoa fa raha ny fahazoana herinaratra eto amintsika dia marobe. Gaga isika hoe inona
marina no tsy anaovana azy io, 5% fotsiny no ampiasaina hatramin’izao amin’io “7 800
Mégawatt”. Ahoana ny “cascade” atsy tsy ampiasaina, ny atsy mety ahazoan’ny orinasa
manao zavatra, tsy ampiasaina. Ny manam-pahaizana manao hoe roa na telo taona dia
mandeha io. Rahoviana ihany ity roa na telo taona ity vao hatomboka. Eo isika dia “bloqué”.
Inona no atao hi-“compenser”-na ny JIRAMA. Tena manahirana mihitsy ity “politique
énergétique”-ntsika ity, kanefa betsaka ny zavatra azo anampiana no sady mora kokoa.
Avelako eo iny, fa aleoko tsy miteny; rehefa tonga eto ny Minisitry ny Angovo mba any
aminy ianareo mametraka, manontany satria sao dia miteniteny foana eto Dokotera JULES
Etienne, ka hafa indray no iafarany.
Misaotra Tompokovavy sy Tompokolahy.
Izay no azoko amaliana ny fanontaniana dimy napetraka tamiko teo. Tsy haiko raha misy
hanampy ireto teknisiana tonga eto ireto, tamin’izay rehetra voalaza teo.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Mitohy ary ny fametrahana fanontaniana avy atỳ amin’ny Solombavambahoaka.
Iangaviana ny Solombavambahoaka TODY Arnaud, mba handray fitenenana.
13
Andriamatoa TODY Arnaud
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Faly miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminao rehetra.
Raha mijery an’ilay programa izahay, Andriamatoa Minisitra, dia gaga fa inona no tsy naha
Praiminisitra anao, tena hitanay fa tsara fipetraka daholo ireny.
-TehakaMiangavy, Andriamatoa Minisitra, tsy fanontaniana ity fa fiangaviana, asio “présentation”
kely ny “Staff” izay tonga eto, mba ifankafantaranay aminy, rahatoa ka mety.
Faharoa manaraka an’izay, resaka “création d’emploi”, angatahanay raha mety, tsinjarao
dieny amin’ny voalohany mihitsy io “500 000 emplois” io, atao isaky ny Faritra na atao isaky
ny Distrika, amin’izay tsy misy tombo sy hala. Ekena fa ny Faritra na ny Kaominina
mandrosondroso na betsabetsaka “entreprises” dia tokony ho maromaro ny «recrutement»,
na izany aza dia tokony samy hahazo ny anjarany daholo ny Faritra sy ny Distrika.
Fahatelo, amin’ny resaka “décentralisation industrielle” izay efa noresahan’Andriamatoa
Minisitra teo. Mangataka koa izahay, fa tokony jerena ireny Faritra na Distrika manana
“pontentiel économique” matanjaka ireny. Ohatra amin’ny Faritra Analanjirofo no
resahintsika: azo lazaina fa tsy misy any raha resaka Indostria, nefa matanjaka na amin’ny
resaka jono na fizahan-tany na “artisanat” na amin’ny angovo izay noresahintsika teo. Misy
“37 000 Mégawatt” izao ny “source hydraulique” ao Soanierana-Ivongo, mahavita mamatsy
Faritra telo: Faritra Analanjirofo, Faritra Atsinanana, Faritra SAVA. An’ny Minisitry ny Angovo
iny, fa raha resaka Indostria, tsy afaka miala amin’io isika; anisan’ny matanjaka manerana
an’i Madagasikara io, hamaha ny olan’ny JIRAMA, afaka mampandroso ny orinasa izay misy
olana amin’ny angovo. Tokony jerena manokana ny Faritra Analanjirofo, amin’ny resaka
“création d’industrie”, fa maro ny zavatra azo atao any.
Farany ny CSA, Andriamatoa Minisitra, ao anatin’ny programanao ato io, amin’ny pejy faha15. Miresaka CSA ianao, fa any Soanierana-Ivongo amin’izao fotoana izao, efa niala daholo
ny mpiasa rehetra tao amin’ny CSA, satria tsy misy vola mihodina intsony. Ny antsasaky ny
mpiasa dia efa nandeha nitady asa amin’ny toeran-kafa.
Manahy aho, ka amin’ity politikan’ny Minisitra ity, tsara raha mba jerena manokana ny
mikasika an’i Soanierana-Ivongo.
Mangataka fanazavana kely mikasika ny “pack relance”, Andriamatoa Minisitra, fa mbola tsy
mazava aminay io. Ny “pack relance” amin’ny resaka CSA io ihany izany.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoakan’i Taolagnaro, Andriamatoa IJO.
14
Andriamatoa IJO
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anao Andriamatoa Minisitra.
Mitondra ny tenin’ny tanora no olana amiko eto. Misy fahasarotany ny tanora, maro be ny
tanora manam-pahaizana, “ingénieur”, “économiste”, te-hanangana orinasa, te-hanangana
“bâtiment” ny sasany, te-hanao “entreprise”, manamboatra trano ny sasany. Ny olana
mipetraka dia hoe: sarotra ny hanangana “entreprise” amin’ny fikarakarana taratasy na
amin’ny “Contribution” sy ny sisa aza manahirana azy.
Faharoa, raha manam-bola ka hanao “prêt”, rehefa mampiditra “prêt”, tsy mahazo.
Angamba ny Karana sy ny Sinoa no mahazo, ny vahiny no mahazo, gaga ireo tanora ireo fa
ahoana izahay tanora no tsy mahazo an’ity zavatra ity?
Avy eo koa, rehefa manao “soumission”, manao “soumission”-na asa, tsy mahazo ihany koa.
Nampitondra teny anay izy ireo hoe raha mba mihaona amin’ny Minisitra ianao,
Andriamatoa Solombavambahoaka, mba teneno aminy fa tokony hisy zavatra hijerena anay
tanora, raha ampitahaina amin’ireo “entreprises” efa matanjaka izahay. Ny vola haloa
amin’ny “soumission” aza efa tsy ananan’izy ireo, kanefa afaka manao ilay asa izy. Tsy
manam-bola izy fa vao manomboka. Tokony ho jerena manokana ny “entreprise” aorin’ny
tanora.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo
Hanitriniaina.
Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Manantitra ny arahaba ho an’ny vahiny ihany koa.
Fanontaniana telo, efatra no apetrako.
Mikasika ny orinasa TIKO no voalohany.
Amafisiko ny voalazan’ny teo aloha rehetra, fa ny fantatra fa ny “feuille de route” dia efa
lalàna ary mazava ao anatiny hoe tsy maintsy “indemniser”-na ny “société” rehetra izay
nopotehana. Izany hoe: misy “base” iangana isika, “base juridique” iaingana mikasika an’izay
“indemnisation” izay. Anamafisana an’izay, “volonté politique” mihitsy no ilaina araka ny
voalazan’ny namana teo. Ombako manana ny voalazany. Tsapako fa “bref et concis” ny
zavatra izay novelabelarina teo, nefa azo tanterahana tsara, Andriamatoa Minisitra.
Izay “volonté politique” izay no entintsika amin’ny “action politique”, miainga amin’ny
orinasa TIKO, hoy aho, satria raha hamorona asa 500 000 ao anatin’iny PGE iny isika, ny TIKO
dia namoaka asa teo amin’ny “30 000 à 50 000 emplois indirect”. Anisan’ny nikarakara
manokana momba ny TIKO ny tenako, ka manana antontan’isa manakaiky ny marina. Izany
hoe: 10%-n’ny famoronana asa “en voie directe” dia avy tamin’ny TIKO daholo izany, ny
mpiompy, ny mpamboly, ny “fournisseur”, mpanodina ny madinika, zavatra maro be mihitsy
15
ary tsy ny tao Vakinankaratra ihany, fa nanerana an’i Madagasikara, satria nanerana ny Nosy
ny fivarotana.
Manaraka an’izay, mikasika ny “mesure” horaisina mahakasika ny TIKO. Mba angatahanay
ianao, Andriamatoa Minisitra, hododominay varavarana matetika, satria maika izahay ary
izay no antony nifidianan’ny olona anay ho Solombavambahoaka.
Manaraka, mahakasika manokana ny orinasa amin’ny ankapobeny, satria ny PMI sy PME ho
an’ny Malagasy dia resaka “mesure incitative, mesure protectrice, régime préférentiel”, izay
foana no “blocage” ho antsika hatramin’izay.
Raha misy “investisseur” tonga eto, vola kely no entiny, satria vazaha izy dia mahazo vahana,
fa misy “investisseur” Malagasy lehibe eto amintsika, mba te-hanao zavatra tsy avela. Izay
foana no sakana. Tsy misy izay “mesure incitative” sy ny “mesure de protection” izay ary
isika mahafantatra, iainana isan’andro izany. Maka ohatra aho mikasika ny “matière
première”. Orinasa iray manafatra “matière prémière”, mandoa “taxe” mihoapampana ary
rehefa vokatra ny entany, tsy afa-manoatra izy, tsy maintsy lafo ny zavatra amidiny; kanefa
ho an’ireo manafatra “produit fini” toy ny “pâte” sy “nouille” ireny, feno an’ireny eto
amintsika, anefa misy orinasa malagasy afaka manodina azy. Noho izay fandoavana “taxe”
amin’ny “matière prémière” amin’ny fitaovany izay dia tsy afa-manoatra izy. Mihena ampitoerana ny “potentialité”-n’ilay orinasa.
Angatahanay aminareo ao amin’ny Minisitera, ny hijery akaiky ny mikasika an’ireny.
Mikasika ny “régime préférentiel” izay efa noresahiko teo. Ohatra amin’ireny “zone minière”
ireny, misy Malagasy tena manam-bola ary mety manana “partenaire” koa izy any ivelany
any; “prioriser”-na na omena avara-patana kokoa ny avy any ivelany, fa ny eo am-potony
izay mahafantatra tsara ny “zone minière”, izay harem-pirenena araka ny nolazain’ny
manam-pahaizana, tsy jerena, kanefa raha io no entintsika hanarina an’ity Firenena ity dia
ampy antsika tanteraka ny harem-pirenena na ambanin’ny tany io na an-dranomasina.
Farany, Andriamatoa Filoha, satria “important” loatra. Mikasika ny resaka “fonds de
solidarité” io. Efa ela no nahenoantsika azy, efa ela ihany koa no nahenoantsika hoe Banky
Malagasy ho an’ny mpampiasa vola.
Mikasika an’io, angamba dia tena hisy fotoana manokana mihitsy angatahana aminareo
hanaovana “atelier” hiantsoana izay rehetra voakasik’io. Misy olona na eto amintsika na tehampiasa vola aza, fa noho ny tsy fahatokisana, noho ny tsy fisian’ilay lalàna miaro dia tsy
sahy, toy ny nahazo an’i BICM teo. Mba tsy hisian’ny zavatra tahaka ireny dia mila matanjaka
tsara isika.
Mahakasika ny JIRAMA. Tsy maintsy tenenina ny JIRAMA, satria izy hatramin’izay no fantatra
fa natao “vache à lait”; “vache à lait” io, ao no fakana vola tao anatin’ny fotoana maro.
Fantatsika fa tsy idirako lalina izay. Ao no fakana vola izay ny volan’ny “contribuable”
Malagasy, ny volan’ny Malagasy no ao.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Ramatoa Solombavambahoaka.
Ny mandray fitenenana manaraka dia ny Solombavambahoaka ROILAHY Jonah.
16
Andriamatoa ROILAHY
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anao sy ireo mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra.
Tsy fanontaniana ny ahy fa fiangaviana.
Andriamatoa Minisitra, isaorana sahady ianao tonga tany Toamasina, nijery an’ireny orinasa
izay efa tsy nihodina an-taonany maro ireny. Anisan’izany ny ZEREN, ny VERRERIE, miampy
ny orinasa atao hoe UCOFRUIT.
Anisan’ny orinasa anankiray niveloman’ny tantsaha tamin’ny Faritra Analanjirofo sy ny
Faritra Atsinanana, izay nivarotra ny vokany mivantana tany ivelany, tamin’ny alàlan’ny
“filière litchi” sy akondro ary ny “ananas victoria” ny UCOFRUIT. Amin’izao fotoana izao,
araka ny voalazan’ny Solombavambahoaka namana, noho ny fitantanana tsy tonga lafatra
dia potika io orinasa io, nefa orinasa nahafahan’ny vahoaka mivantana tsy nisy
mpanelanelana nanondrana ny vokatra tany ivelany.
Koa miangavy anao, Andriamatoa Minisitra, mba hijery manokana an’izay orinasa
nahafahan’ny tantsaha nivelona izay.
Manaraka an’izany, raha ao Toamasina II, izay nahavoafidy ny tenako dia anisan’ny misy
vokatra fary, papay ary akondro; ny “litchi” moa tsy ferana rahateo. Ny tiako resahina
amin’izany, mba miangavy anao izahay, Andriamatoa Minisitra, raha misy mpamatsy vola
mba hijery ny fomba hanodinana izany vokatra izany.
Te-hiresaka momba ny toaka gasy aho. Raha tsy omentsika alàlana ity toaka gasy ity dia
anjarantsika mpitondra Fanjakana no mitady hevitra hoe ahoana no fomba ahafahana
manodina azy, mba hanondranana fary ahafahan’ny vahoaka mivelona aminy, satria ny fary
dia anisan’ny betsaka ao amin’ny Distrikan’i Toamasina II.
Miangavy, Andriamatoa Minisitra, ny hijerena an’izay.
Angovo no resahina, mifampiankina ireo raha hanorina orinasa lehibe na madinika isika; tsy
maintsy misy resaka angovo na herinaratra izany. Toamasina II no mamatsy ny “Commune
Urbaine de Tamatave”, koa tsy isalasalana fa manana izany izy, raha angovo no resahina.
Izay angamba no avy atỳ amiko, ka dia misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Mba miangavy an’izay fiaraha-miasa izay, hanorina orinasa, hita fa mifandraika amin’ny
vokatra misy ao Toamasina II izahay.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny mandray fitenenana manaraka dia ny Solombavambahoaka HATREFINDRAZANA Jerry,
voafidy tao Taolagnaro.
17
Andriamatoa HATREFINDRAZANA Jerry
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra,
Miarahaba ihany koa ny mpiara-miasa aminao izay tonga eto,
Miarahaba ny Solombavambahoaka namana rehetra.
Amin’ny resaka famoronana asa sy ny fampitomboana ny tahan’ny PIB teo iny ihany no tiako
idirana.
Iaraha-mahalala, Andriamatoa Minisitra, fa ahitana an’ireto orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany ireto eto Madagasikara. Misy anankiray ao Taolagnaro, misy ao Ambatovỳ. Ny
mahagaga amin’izy ireo, fasika no aondrany any ivelany. “Produit brut” izany no tiako
resahina, kanefa raha manana “usine de transformation” isika eto Madagasikara dia sady
mamorona asa isika amin’izay ary mampitombo ihany koa ny toekarentsika, satria ny
Firenena sasany sady ahitana fitrandrahana tahaka an’io no ahitana “usine de
transformation”; amin’izay mba “produits finis” no alefan’ny “investisseurs” sy ny
mpitrandraka an’ireny harena an-kibon’ny tany ireny avy eto amintsika mankany andafy, fa
tsy ny “produits bruts” ny.
Azo atao ve ny mampiditra an’izay ao anatin’ny politikan’ny Fanjakana. Milaza amin’ny
“investisseurs” hoe tokony apetraka koa ny “usine de transformation”, miaraka amin’ireny
fitrandrahana ireny, mba ahafahantsika mahazo tombotsoa bebe kokoa.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tapitra izay ny tapany faharoa nametrahana fanontaniana, koa averina aminao indray
mandeha, Andriamatoa Minisitra, ny fitenenana.
Anao ny sehatra.
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ny zavatra nangatahan’Andriamatoa Solombavambahoaka voalohany dia ny fanaovana
“présentation”. Atao aloha ny «présentation» izay vao mamaly fanontaniana; ka avelako
hanao “autoprésentation”, izy ireo.
Andriamatoa RANDRIANARISOA Henri, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina.
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RASOARAHARISON Patrick, « Directeur Général de l’Industrie ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RAHARISON Mirana, « Directeur Général du Développement du Secteur
Privé ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
18
Andriamatoa TOTOBESOLA Eloge, « Directeur de la Compétitivité du Secteur Privé et des
PME».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RAMAROSON Ignace Romain, « Membre du Cabinet du Ministre ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RAJAOSON Bienvenu, « Membre du cabinet du ministre ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RANDRIAMANJATO Henri, « Directeur de Relation Interprofessionnelle du
Ministère ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RAKOTOMANIRAKA Eric, « Directeur du Grand Projet Industriel ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RAKOTONDRAHANTA Hajarivola, « Membre du cabinet du Ministre ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa RABENORO Hajatiana, « Directeur du Système d’Information et de la
Communication ».
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra betsaka.
Momba ny «500 000 emplois» ny fanontaniana voalohany.
Toy ny teo ihany, satria ny fanontaniana mety ho lasa folo; mety hisy hovaliako amin’ny
ankapobeny.
Marina dia marina ny fomba famaliako ny fanontaniana teo.
Tsy handeha raha tsy misy “politique énergétique” mazava ny “Industrie» sy “Entreprise”
hatsangantsika eto. Vato misakana ny fampandrosoana ity resaka “énergie” ity.
Efa niteny aho teo, fa tsy te-hiteny mialohan’ny tompon’andraikitra. Tsara ihany no
ampahafantarana antsika Solombavambahoaka eto, raha misy; tsy hoe raha misy fa efa
nivoaka, ny fivoahako voalohany tany ivelany, tany Maurice dia resaka angovo.
Noresahiko ny namako, niala tsiny taminy aho, fa tsy handeha ny Indostria ary fantatrao
tsara izany ary efa tao ianao taloha, hiara-hiasa isika mirahalahy, hiara-hanao sonia ny
“protocole d’accord”, satria tsy handeha ny Indostria hatsangantsika. Resabe fotsiny no eto
raha tsy mandeha tsara io “politique énergétique” io, satria lafo araka ny noteneninao teo
no sady tsy ampy; lasa miteraka “délestage”, simba daholo ny zavatra rehetra amin’ny
toerana anankiray sy ny tanàna anankiray.
Tohizako, marina fa tena misy “manque à gagner” tokoa ny eto Madagasikara, satria tsy
manao “transformation” araka ny notenenin’ny Solombavambahoakan’i Taolagnaro teo.
19
Ao anatin’ny programanay io, Andriamatoa Solombavambahoaka. Afaka manome asa io
“transformation” io sady ahazoana vola amin’ny “valeur ajoutée” araka ny noteneninao teo.
Atao io, fa tsy aondrana fotsiny amin’izao, sady tsy fantatsika akory ny zavatra aondrana.
Farafaharatsiny fantatsika ny zavatra aondrany.
Ao anatin’ny programanay izay, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Momba ny “500 000 emplois”: marina ny anao, satria matoa izaho miteny ny
“décentralisation industrielle”, tsy hivangongo amin’ny toerana anankiray io “500 000” io fa
tsy maintsy zaraina, satria izay no “objectif”.
Inona no fomba atao?
Efa nisy namaly ihany anie izy teo hoe hojerena ny “potentiel économique” sy ny
“potentiel”-n’ny toerana anankiray. Inona no mandroso eto amin’ny Faritra anankiray. Izay
no ataonay izao.
Efa vita io tamin’ny taona 2008. Nisy ny atao hoe PRD ny “Projet Régional de
Développement”. Ireo ihany no “réactualiser”-ntsika sy hohatsaraintsika. Izahay mandeha
mitsidika faritra ireny dia miresaka amin’ny «Chef de Région», mijery an’ireny “Projet
Régional de Développement” ireny, mba ahafahana mandinika hoe inona no azo apetraka
araka ny vina nataonay. Hiezaka izahay hametraka roa isaky ny Faritra. Miankina amin’ny
zavatra misy any amin’ny Faritra ny hanaovana an’izay.
Ny CSA, “Centre de Service Agricole” no fanalavana azy ary ao amin’ny PGE no ahitantsika
izany. Avelako ho an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ny hamaly azy rehefa avy eo, fa izy no
mahay azy kokoa.
Hiditra amin’ny «Jeune Entrepreneur» any Taolagnaro isika.
Olana manerana an’i Madagasikara io. Tsy ampy «communication» no olana misy amintsika.
Raha ny teto Antananarivo, efa niresaka sy nivory niaraka tamin’ireo “Jeune Entrepreneur”
sy ny “Groupement” etsy sy eroa ireo ny tenako. Tsy ampy “communication” isika any
amin’ny Faritra, ka izay no mahatonga anay mametraka an’ireny «Centre» na ny IDBM na
ireny “Directions Interrégionales” ireny, mba hahazahoantsika vaovao, satria eto
Tompokolahy sy Tompokovavy dia misy ny fanampiana an’izany tanora izany. Mety hisy
mihitsy aza ny “prêt zéro” araka ny firesak’izy ireo. Aleo tsy hovaliako izay. Hanampy an’ireo
tanora mijaly, araka ny noteneninao teo ireo isika.
Tsy ampy “formation” ihany koa ny tanorantsika, satria tsy ny asa no tsy misy any amin’ny
Faritra fa isika no tsy ampy “formation”. Ohatra no omeko anao, any Manakara dia nikatona
ny fanamboarana ny Hopitaly Manara-penitra, satria tsy misy mahay manao “carrelage” ny
tanora any, dia mijanona eo, miandry olona avy atỳ Antananarivo. Tsy ampy “formation”
isika, mbola asa marobe daholo izany. Anjara asantsika rehetra ato izany, fa tsy anjaranay
samy irery. Hojerentsika rehetra miaraka izay.
Ny TIKO, Ramatoa Solombavambahoaka, efa voaresaka ny “indemnisation” teo. Efa
narosoko tany amin’ny “Conseil du Gouvernement” iny. Marina ny anao, fa ny “volonté et
action” no sisa ary izahay efa vonona. Saika hiteny aho hoe ampio izahay hanafainganana ny
“procédure” mba ahafahantsika mamerina an’io orinasa io.
20
Niteny ianao hoe handondona varavarana. Tongava, Ramatoa Solombavambahoaka, fa
vonona izahay hanokatra ny varavaranay. Misy teknisiana afaka mandray anareo, hijery an’io
“dossier” io. Ny antsika, hoy aho, mbola averiko ihany, tsy hijery an’iza na iza isika, fa hijery
ny Malagasy izay tsy an’asa. Ny ahy ny tanjoko dia ny ahazoan’ny olona; satria araka ny
noteneninao teo nisy 30 000 ka hatramin’ny 50 000 ny mpiasa very asa. Efa ao anatin’ny
10%-n’ny “objectif”-n’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika izany. Hojerentsika miaraka io.
Fiaraha-miasa daholo izany.
Manantena anareo izahay, Ramatoa Solombavambahoaka, fa handefa olona ary izaho koa
efa nahita ny mpisolovavan’ny TIKO ary efa niresaka momba an’io “dissier” io izahay. Raha
misy “groupe”-nareo hiaraka amin’ny teknisiananay hijery an’io “dossier” io dia vonona
handray azy izahay.
“Fonds de Solidarité” sy “Banque de Développement”: marina ny anao, mba tsy ho resa-be
ny momba azy. Raha misy olona vonona hiara-hiasa amin’ny Minisitera sy ny IDBM ary ny ao
aminay dia tongava, fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Tongava fa eo am-panaovana
azy izahay izao. Matoa ny zavatra noresahina dia azo atao izay. Mbola fiaraha-miasa ihany
koa izay ary ianareo Solombavambahoaka, manantena anareo izahay, satria tsy maintsy ilàna
ny hevitrareo io zavatra io rehefa hotanterahina.
Ny JIRAMA efa noresahina teo ihany.
Efa niala ihany aho teo, tsy hita fa mbola miverina ilay izy. Marina fa olana be ny momba ny
JIRAMA. Nanome “chiffre” ny Minisitry ny Angovo, “deux milliards” isan’andro no vola
tokony haloa amin’ny JIRAMA, nefa tsy manana an’izany isika, maro koa no tsy mandoa.
Mamparary loha ny miresaka an’io, ka aleo apetratsika eo; rehefa tonga ny Minisitry ny
Angovo vao horesahintsika aminy, ahafantarantsika bebe kokoa ny fanatsarana ny JIRAMA sy
ny angovo.
Ny UCOFRUIT, avelako ho an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly, ihany koa ny hamaly an’iny.
Ny politikako dia izay “rattaché” tamiko no nojereko aloha. Izay “organisme rattaché” no
nojerena, izay no nahatonga ahy hijery ny SIRAMA ny ZEREN, ny SIDEMA, ny IMI. Nojereko
aloha ny “rattaché” tamin’ny Indostria, izay vao mijery ny Indostria sasany. Marina ny
anareo, fa ny tanjona dia ny famelomana an’ireo orinasa ireo sy ny ahazoan’ny vahoaka asa.
Mety mbola ho ao anaty programanay izay, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny fary no noresahinao. Tsy haiko izy ity na horesahiko na tsy horesahiko; efa ao anaty
vinavinanay ihany io. Toaka gasy, mety ny “éthanol” angamba no resahina, fa mbola ho avy
atỳ aminareo, Tompokolahy sy Tompokovavy ny programan’ny “éthanol” izay hahazoantsika
angovo. Tsy toaka gasy fa “éthanol”.
Efa noresahiko ny QMM, ny “usine de transformation” sy ny “création d’usine de
transformation pour avoir une valeur ajoutée”. Angamba voavaly daholo ny fanontaniana,
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Misaotra, Andriamatoa Filoha, fa omeko an’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera,
ny famaliana ny fanontaniana roa momba ny CSA sy ny UCOFRUIT.
Misaotra, Tompoko.
21
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa Sekretera Jeneraly.
Andriamatoa RANDRIANARISOA Henri, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Ny mikasika ny “pack relance”: fanontaniana napetraka tamin’Andriamatoa Filohan’ny
Repoblika izy io; ho an’ny tantsaha izany, satria sahirana tokoa izy ireo. Tsy ny indostria irery
ihany no sahirana taorian’ny krizy fa ny tantsaha ihany koa. Nangataka ny tantsaha mba
hasiana “pack relance”, sady mahazo “intrant” izy no mahazo masomboly. Misy fanampiana
azy amin’ny “équipement”. Hotantanan’ny CSA io zavatra io. Izay io “projet” io amin’ny
ankapobeny. Tsy an’ny Minisiteran’ny Indostria io, fa an’ny Minisiteran’ny Fambolena. Izay
no zavatra tiana apetraka, misy fanampiana ny tantsaha mba hialany ao anatin’izao krizy
izao.
Mikasika ny UCOFRUIT voalazan’Andriamatoa Minisitra teo.
Tiako ho fantatry ny Solombavambahoakan’Analanjirofo izay nametraka fanontaniana teo,
hisy amin’ny Sabotsy voalohan’ny volana Jolay izao, andro iraisam-pirenena ho an’ny
“Coopérative”. Hisy fankalazana an’izany any Analanjirofo, izay iarahan’ny Minisitera
mametraka. Amin’io fotoana io, ny “Coopérative” rehetra eran’i Madagasikara dia ho avy
any daholo. Any koa ny anaran’ny UCOFRUIT. Raha alavaina ny UCOFRUIT dia “Union des
Coopératives des Producteurs de Fruits”.
Raha mbola misy “coopérative” any amin’iny Fatritra iny mamokatra voankazo amin’izao
fotoana izao dia afaka manatrika an’izay foara izay izy, fa misy fotoana fampianarana ao
anatiny.
Manampy ihany aho amin’ny notenenin’Andriamatoa Minisitra hoe ny tanora hamorona
orinasa, tojo sahirana amin’ny famenoana taratasy. Hisy programa hiarahana amin’ny
“partenariat” anankiray eto Madagasikara, izay tontosain’ny Minisitera; roa isam-bolana
aloha no eritreretina hampianarana ny olona amin’ny famoronana orinasa, fampianarana
amin’ny famenoana taratasy ary ho santarina amin’io foara any Fenoarivo-Atsinanana io
izany. Isaorana sahady ilay “partenaire privé”, fa zava-dehibe izay fiara-miasa amin’ny
Minisitera izay. Marihina fa io “partenaire” io no mpamatsy vola. Noho izany dia horesahina
ihany ny fomba fahazoana famatsiam-bola ho an’ny tanora.
Izay angamba no tiako anampiana ny valintenin’Andriamatoa Minisitra teo.
Ny zavatra tena tiako tenenina eto dia amin’ny faha-4 sy faha-5 Jolay 2014, any FenoarivoAtsinanana ary amin’izao fotoana izao, efa any ny ekipa; koa raha misy “coopérative” tehanatrika an’izay, afaka manatrika any izy satria hisy fampianarana mandritra io fotoana io.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misy “Conseiller” anankiray hiresaka momba ny “éthanol”, azafady Tompoko.
22
Andriamatoa RAJAONARISON Bienvenu, Mpanolotsaina ao amin’ny, Minisiteran’ny
Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy
Salantsalany
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy resaka “éthanol” no holazaiko fa fanamafisana ny “énergie” teo.
Tsy ho tanteraka mihitsy ny tanjona “500 000 emplois” izay hoentin’ny Minisiteran’ny
Indostria hanatanterahana ny PGE iny, raha tsy misy herinaratra. Amin’ny teny teknika dia
hoe: “énergie intermédiaire”. Alohan’ny hametrahana ny herinaratra amin’ny “hydraulique”,
izay mila fotoana maro, izany hoe tsy ho tratra amin’ny taona 2018, afa tsy ireny zavatra
madinidinika ireny, dia hisy araka ny noresahin’Andriamatoa Minisitra teo, fifanarahana
miaraka amin’ny Minisitry ny Angovo, hametraka ao anatin’ny fotoana fohy izany “énergie
intermédiaire” izany, hirosoana amin’ny famokarana angovo madinika any amin’ny Faritra
manerana an’i Madagasikara. Tsy hoteneniko eto izay fa handeha haingana, satria rehefa tsy
mihodina ny angovo dia tsy misy famoronana asa.
Izay fotsiny angamba no tiako resahina.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra an’Andriamatoa Minisitra.
Misaotra ny mpiara-miasa aminao tamin’ny famaliana an’iny fanontaniana iny.
Hotohizantsika ny fandraisana fitenenana avy atỳ amin’ny Solombavambahoaka.
Manaraka ny Solombavambahoaka RABEKIJANA Solofo Hery.
Andriamatoa RABEKIJANA Solofo Hery
Misaotra betsaka,, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo namana Solombavambahoaka rehetra.
Miarahaba ny vahiny izay tarihin’Andriamatoa Minisitra.
Zavatra telo no tiako tenenina.
Voalohany, mikasika ny “poste” ao amin’ny Minisitera ao. Ity Minisitera ity dia azo lazaina ho
vaovao ihany. Betsaka ny mangetaheta amin’io resaka Indostria io, satria nisy fahavoazana
tamin’iny Tetezamita teo iny. Miangavy izahay, Andriamatoa Minisitra, raha mety ho an’izay
Faritra manana “potentialité”; miangavy izahay mba ho sokafana ny “Direction Régionale”n’ny Minisitera amin’izay toerana manana “potentiel” izany.
Faharoa, mikasika ny Indostria. Any aminay any Alaotra dia betsaka ny orinasa “victime”
vokatry ny “privatisation” toy ny SINPA, ny SOMACODIS, ny COROI ary ny SOMALAC; satria
tamin’ny Repoblika Voalohany sy Repoblika Faharoa, azo lazaina fa nandeha tsara ireo
zavatra ireo. Nahazo tombony ny tantsaha, nahazo tombony ny tompon’ny “Société”. Noho
izany tokony jerenareo akaiky ny mikasika ny “usine de transformation”, mba hisy tambiny
ho an’ny tantsaha mpamokatra.
Mikasika ny orinasa TIKO ao Vodiala.
Manerana an’i Madagasikara, tsy misy tsara afa tsy ny TIKO ao Vodiala. Ny zavatra
mampalahelo, vokatry ny hetraketraky ny mpisompatra tamin’ny andron’ny Tetezamita dia
tsy mihodina mihitsy ny orinasa. Tsy misy mpividy vary, satria ny TIKO no azo lazaina hoe
23
“régulateur” ho an’ny tantsaha. Matiantoka ny tantsaha raha nampidinin’ny mpanam-bola
ny vidim-bary, ny TIKO no nampiakatra izany mba tsy hahafatiantoka ny tantsaha. Amin’izao
fotoana izao, matiantoka tanteraka ny tantsaha, satria ny tenako mihitsy no nanainga ireo
mpividy vary sy ny “opérateurs” rehetra hoe ataovy 600 ariary io vidim-bary io, mba tsy
hahafatiantoka ny tantsaha. Ny “prix de revient”-n’ny tantsaha dia any amin’ny 800 Ariary na
700 Ariary, amin’izao fotoana izao, 500 Ariary na 550 Ariary, 450 Ariary no ividianan’ny
mpanam-bola ny vary. Mahatsiaro matiantoka ny vahoaka any amin’ny
Distrikan’Amparafaravola, ny vahoaka any amin’ny Faritra Alaotra mihitsy, Andriamatoa
Minisitra, raha ny tena marina.
Fahatelo, mahakasika an’Ambatovỳ. Mahatsiaro matiantoka noho ny fisian’io “société” ao
Ambatovỳ io izahay any amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro, satria ny hetra aloany dia 1,6 %n’ny tamberim-bidy mahakasika azy fotsiny. Manao ahoana ny “code minier” mikasika ny
tamberim-bidy ho an’ny Faritra misy an’ireny orinasa ireny. Mba jereo akaiky ny mahakasika
an’izay, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra anareo amin’ny famerenana ny AGOA, satria mahatsiaro matiantoka tamin’ny
nanafoanana azy ny vahoaka Malagasy, ny vahoaka very asa.
Farany, resaka politika; rehefa tsy voatendry ho Praiminisitra ve ianao, Andriamatoa
Minisitra, manao ahoana ny fipetrakao, ho lasa mpanohitra ve ianao, satria maro ihany ny
Solombavambahoaka nanohana anao tamin’iny.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RAZAFINANDRASANA Raulan, avy
any Vatomandry.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Arahabaina, Andriamatoa Minisitra, sy ireo mpiara-dia aminao.
Tsy dia hitako intsony ny zavatra hotenenina, satria efa voalazan’ny namana teo daholo
angamba ary voavalinao ny rehetra, fa soso-kevitra no apetraka.
Soso-kevitra: tokony atambatra ny Indostria sy ny Angovo raha ny fahitako, satria tsy hisy
indostria hiforona raha tsy misy ny “énergie” hanodinana azy. Mandeha izy eto. Teo ianao
niteny hoe any amin’ny Angovo izany, nefa tsy afaka mihodina ny indostria raha tsy eo ny
angovo.
Izay no mba soso-kevitra raha azo atao, satria miankina amin’ny angovo, eny fa na ny
“rabotage”-na hazo, izay heverina fa indostria faran’izay madinika, tsy vita io raha tsy eo ny
“énergie”.
Soso-kevitra manaraka, tokony mampiditra fitaovana madinika na salantsalany mba
ahafahana mampihodina ny indostria. Ohatra: fitaovana anaovana “conservation”-n’ny
“letchi” na akondro na voatabia, satria ny zava-misy rehefa tonga ny fotoanan’ny voasary,
24
400 Ariary ny iray kilao, nefa mandritra ny iray volana fotsiny iny dia efa tapitra. Raha misy
fitaovana, izany hoe “liberaliser”-na mihitsy ny fampidirana an’io fitaovana madinika sy
salantsalany io ary asiana fampiofanana isaky ny Distrika na isaky ny Faritra, mba afaka
manao tahaka ny any andafy hoe misy toerana na Fokontany afaka manodina ny ronono ho
lasa “beurre” na ho lasa “fromage”.
Farany, fanamafisana ny tenin’ny rahalahy tato hoe raha mbola “produits bruts”
aondrantsika, heveriko fa ho lavitry ny fampandrosoana isika, satria ny katsaka izao dia misy
“sur production”, kanefa ny “maïs doux” vidina 2 200 Ariary ny 250g.
Soso-kevitra ny ahy, mba tokony hafainganina izay zavatra izay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Minisitra sy ireo miaraka aminy, miarahaba anareo izahay.
Efa nisy niteny ihany teo ny zavatra saika holazaiko, kanefa ampiako kely ihany; mikasika ny
“valeur ajoutée” sy ny “transformation”-n’ny harena ankibon’ny tany eto amintsika. Vazaha
daholo no tonga eto manao azy, satria isika tsy manana “capital de départ”. Olona
“conseiller” ao aminao, lasa nivoaka moa izy teo, mahafantatra tsara izy fa ao amin’ny Banky
Iraisam-pirenena dia misy “branche” iray afaka mamatsy ny “secteur privé”. Miangavy anao
mba hijery an’ireto Malagasy afaka manodina ny “ressource naturelle”-ntsika ireo, satria
“valeur ajoutée” no tadiavina, izay mantsy no tena olana amintsika.
Faharoa, Andriamatoa Minisitra, azonao atao ve, ianao mandray Minisitera izao, mba manao
lisitry ny indostria misy eto Madagasikara, “liste d’industries existantes” dia mba jerentsika
rehefa vita ny “mandat”-nao hoe firy no indostria nitombo tamin’ny nandalovanao teo.
Fahatelo, mikasika ny JIRAMA: fantatra fa manahirana be io resaka io, nefa marobe ny vola
aloantsika isam-bolana amin’ny Karana. Tsy maintsy mitady “2 milliards” isam-bolana ny
JIRAMA,
satria
manofa
“matériel”
amin’ireo
Karana
ireo.
Hatramin’ny
nitondran’Andriamatoa Didier RATSIRAKA, ireo karana ireo no mandray ny hofan’ny
“matériel” izay ampiasaintsika. Azonareo atao ve ny manodina an’izay, ianareo Fanjakana no
mividy “matériels”, hiala tsikelikely amin’ireo Karana ireo isika, satria tena mambotry izy
ireo.
Farany, Andriamatoa Minisitra sy ianareo mpiara-miasa aminy, mba mangataka izahay ary
fiangaviana ity. Misy Firenena any Afrika, nanao Lalàna izy hoe tsy mahazo miditra ao
amin’ny taniny ny “sachet plastique”. Raha manao lisitra ianao, misy indostria mpanao
“sachet plastique” fotsiny ary mampalahelo, satria tena fahavalontsika ireny, tsentsina
daholo ny ranontsika ary efa Ben’ny Tanànan’Antananarivo aho, mahafantatra fa toy ny
“beton armé” mihitsy ny fotaka miaraka amin’ny “sachet plastique”. Raha ohatra isika mbola
te-hanana tany tsara, tsy ny eto Antananarivo ihany no lazaiko, fa any Toliara koa, feno
“sachet plastique” ny tsilon-draketa ary raha mandeha eto Antananarivo ianao, ny “fil
25
éléctrique” feno “sachet plastique” daholo. Lasa ratsy tarehy ny tanànantsika. Tsy hitako
intsony izay mahatsara an’i Madagasikara, raha mitohy izany.
Koa mangataka aho, Andriamatoa Minisitra, mangataka antanan-droa, mba manaova Lalàna
hoe tsy mahazo miditra eto amintsika intsony ny “sachet plastique”, fa ovaina “sachet
biodégradable”, satria efa tsy zaka intsony na dia ny mamafa azy satria zakan’ny rivotra izy
ireny ka lasa mankany anatin’ny lakan-drano daholo.
Misaotra, indrindra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Ramatoa Solombavambahoaka.
Manaraka, ny Solombavambahoaka RAVELOHANITRA Nirina.
Ramatoa RAVELOHANITRA Nirina
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo Birao Maharitra.
Miarahaba anao sy ny mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra.
Eo amin’ny fanarenana ny indostria no voalohan-teny, Andriamatoa Minisitra. Efa ao anaty
programan’asanao tokoa izay ary nahafinaritra be ny famelabelaran-kevitra nataonao,
mahavelom-bolo fa eo amin’ny fanatanterahana azy sisa no andrasanay.
Andriamatoa Minisitra, iarahantsika mahalala ary voalaza ombieny ombieny fa maro be ireo
indostria malagasy mikatona amin’izao fotoana izao. Tsy noho ny antony politika ihany araka
ny voalaza teo, fa eo koa ny fitobak’ireo entana avy any “Chine”, ohatra raha tsy hiteny aho.
Manana indostria mpamokatra bodifotsy isika; ohatra ny SOMACOU, ny COTONA, eo ihany
koa ny “Savonnerie TROPICALE”, raha jerena amin’izao fotoana izao, Andriamatoa Minisitra,
eny Anosy isakan-kariva, misy “solde” ny savony telo dimanjato. Tsy mety mihitsy ireny
zavatra ireny, Andriamatoa Minisitra, satria manana orinasa mpamokatra isika, kanefa
mitobaka eto Madagasikara izy ireny. Misy ihany fepetra efa noraisin’ny Fanjakana momba
ny fampiakarana ny haban’izy ireny izay tena midangana tokoa ao amin’ny seranan-tsambo
ao, ohatra: ny bodifotsy. Mahagaga anefa rehefa tonga atỳ amintsika dia mbola mitobaka
ary “solde” be.
Tokony jerena akaiky, Andriamatoa Minisitra, ny momba ireny mba ahafahantsika miaro ny
indostriantsika.
Eo koa ny “coton”, efa kely dia kely raha ny eto amintsika, mbola misy ihany manondrana
“coton” mankany ivelany, nefa isika manana orinasa mpamokatra. Ilain’ny SOMACOU izy
ireny. Fampahafantarana ihany ny ahy, Andriamatoa Minisitra.
Eo amin’ny AGOA: ao anatin’ny programan’asanao koa ny famerenana azy. Raha tafaverina
ny AGOA, Andriamatoa Minisitra, ny zavatra hita, ny fifanarahana amin’ireny tompon’ny
“commande” sy ny tompon’ny orinasa ireny, tena mbola ezaka be tokoa. Ny tiako tenenina,
Andriamatoa Minisitra, tokony misy fiaraha-miasa aminareo sy ny FOP. Ohatra raha tsy
hiteny afa tsy ny GAP aho, “commande” mankany Amerika io. Raha tonga atỳ manao “visite”
izy raha raikitra ihany io AGOA io, ka misy “condition” tsy mety aminy ao amin’ny orinasa,
tonga dia tsy raikitra ny “commande” ary tsy azon’ny orinasa intsony io AGOA io.
26
Tsara raha jerena akaiky, miaraka amin’ny “huissier” izany, satria ny fepetra misy amin’ireny
orinasa ireny dia matetika tsy manaja ny zon’olombelona.
Momba ny resaka “500 000 emplois” teo, Andriamatoa Minisitra, mba mangetaheta an’izay
koa izahay amin’iny Faritra Atsirabe II iny.
Fahefatra, eo amin’ny fiara karetsaka eto amintsika. Tiako tsindrina kely: mba tokony ho
jerena ny “qualité”-ny hoe mba hanaranara-penitra kely, fa toa hahamenatra ihany ny
hitaingina azy. Tsara anefa ny programan’asanareo satria manome asa ny Malagasy.
Farany, misaotra betsaka amin’ny fiaraha-miasa aminao, Andriamatoa Minisitra. Maniry
fiaraha-miasa mahomby hatrany izahay. Mirary anao hahavita be.
Matoa izahay Solombavambahoaka nanohana anao tamin’ny fanendrena Praiminisitra, mba
tsy ilazana hoe 100% fa 99% dia matoky ny fiaraha-miasa aminao.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka, Ramatoa Solombavambahoaka.
Manaraka, ny Solombavambahoaka MAHARAMBY Ndalana Espérant.
Andriamatoa MAHARAMBY Ndalana Espérant
Sintoniko ny fanontaniana, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao. Avy dia tohizantsika amin’ny manaraka, Solombavambahoakan’i Marolambo,
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina, laharana faha-31. Anao ny sehatra Andriamatoa
Solombavambahoaka.
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Efa betsaka ny fanontaniana nipetraka teo, ny fanontaniana saika nataoko efa nipetraka ary
voavalin-dry zareo teo; ny tsy voavaly angamba hovaliany rehefa avy eo.
Sintoniko koa ny fanontaniako.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka, ny Solombavambahoakan’i Toliara I, Andriamatoa RAZAHA Tondraha
Andriamatoa RAZAHA Tondraha
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo Minisitra sy ireo “Staff Technique” miaraka aminao.
Miarahaba ireto namana Solombavambahoaka ato amin’ny Antenimierampirenena koa.
Tsy ny vatan-tenanay, Andriamatoa Filoha, no hampatahotra anao, fa ataonay fohifohy ny
fitenenanay.
27
Voalohany dia mametraka fanontaniana izahay, Andriamatoa Minisitra, satria maro ireo
orinasa izay notsidihanao no efa tsy mihodina. Mametraka fanontaniana izahay, ny
SUMATEX ao Toliara I, ao koa ny TOLY, tsy voaresaka izy ireo. Ahoana no fandehan’ireo
orinasa roa ireo, satria izahay mba mamboly hasy koa.
Faharoa, Andriamatoa Minisitra, ny “investisseur” rehefa tonga mametraka soritr’asa any
amin’ny tanàna iray, ohatra hoe “Toliara Sand”, mba tokony ho olona ao anatin’io tanàna io
no ampahafantarina voalohany manoloana ny asa tokony atao, raha ohatra manavanana azy
ny asa; satria izay no mahatonga savorovoro etsy sy eroa, raha tsy omena asa ireo olona ireo
fa olona avy amin’ny tanàna hafa no entina amin’ny tanàna iray hiasa eo.
Farany, mangataka izahay, Andriamatoa Minisitra, mba apetraka ny “Centre de formation”
araka ny noteneninao teo iny. Tokony hisy “Centre de formation” ahafahana manatsara ny
asa tokony atao amin’ny orinasa iray.
Misaotra, Andriamatoa Filoha, fohifohy tahaka izay ny fitenenanay.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Raha sitrakao, Andriamatoa Minisitra, omena anao avy hatrany ny sehatra, mba hamaliana
ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka teo.
Anao ny sehatra, Tompoko
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha.
Ny fanontaniana voalohany teo dia momba ny “Direction Régionale” amin’ny “Industrie” sy
ny “secteur privé”.
Mbola “Direction Interrégionale” no misy amin’ny “organigramme”-nay amin’izao fotoana
izao. Tsy maintsy atao izany, Andriamatoa Solombavambahoaka fa aza matahotra, satria tsy
hifandray isika raha tsy mipetraka izay zavatra izay. Efa fantatrareo ihany ny antony tsy
nanaovana azy dia ny toe-bolam-panjakana; sarotra ny mamorona zavatra. Manjary hoe isika
izay mitsinjo ny Fanjakana indray no toa ny manery azy, dia aleonay ny “structure” teo aloha
ihany aloha ary ity Minisitera ity dia miankina amin’ny “secteur privé” sy ny PME; voatery
manao “Directions Générales” maromaro izahay aloha, avy eo vao midina any amin’ny
“Région”, fa ny “interrégionale” tazonina ihany mba ahafahantsika mifandray.
Ny “usine de transformation”, efa noresahintsika iny. Amin’ny akapobeny tsy iverenana
intsony, fa ny hetahetanao momba ny any Alaotra no hovaliana. Ny “objectif”-nay dia
hametraka “agence”-n’ny SIDEMA any amin’ny Faritra mamboly sy mamokatra vary betsaka,
toy ny any Alaotra, Marovoay. Misy dimy angamba izy izay fa tsy tadidiko loatra, i Manakara
koa tafiditra ao. Misy Faritra dimy momba an’io.
Ny TIKO: efa betsaka ny resaka momba azy ary efa novaliako teo izay, Andriamatoa
Solombavambahoaka.
Rehefa miara-miasa izahay sy ny olona avy amin’ny TIKO dia mety ho “régler”-na miaraka
daholo izany, Andriamatoa Solombavambahoaka.
28
Ny “code minier” momba an’Ambatovỳ no noresahintsika teo. Lasa toa iangarana ianareo
any Alaotra-Mangoro. Tsy fantatro loatra ny amin’iny, “effectivement” ny “code minier”ntsika anie tokony hovàna. Ianareo ato no manao Lalàna, ny fiaraha-miasa koa efa tokony
hiova. Betsaka ny tokony ho jerena toy ny QMM, ny SHERRIT fa androany, izaho aloha tsy
manan-kambara loatra amin’io, sarotra ny mandainga.
Momba ny fanambarana ny Minisiteran’ny “Energie” sy ny “Industrie”.
Andriamatoa Solombavambahoaka, ny “Industrie” amin’izao fotoana izao dia anisan’ny
Minisitera tena matanjaka. Ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny “Energie” no tokony
atao, araka ilay noteneniko teo, fa tsy hoe atambatra izy roa, manjary lasa lehibe loatra. Ny
zava-dehibe dia ny fiaraha-miasa amin’ireo Minisitera roa ireo.
Efa niteny aho teo hoe raha nivoaka tany ivelany voalohany aho tamin’ny nanendrena ahy,
resaka “énergie” no nojereko mba ahafahan’ny “Usine” sy ny “Enterprise” mba lasa
“compétitif”, ho moramora ny vidin’ny herinaratra.
Ny «conservation de fruits et légumes»: efa ao anatin’ny programan’ny «plate forme de
transformation» io. Miankina amin’ny «Région» izany. Raha mety aminay any Farafangana
dia apetrakay any, raha mety amintsika any Atsimo-Atsinanana apetraka any, tahaka an’izay
daholo. Jerena ny “potentiel économique” sy ny zava-misy any amin’ny “Région” araka ny
notenenintsika teo no ahafahana manao an’izay.
Efa noresahiko ihany izay ary efa mamaly ny fanontaniana sasany hoe arakaraky ny “Région”
ihany no ananganan-javatra. Izay no mety ho valiny, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ho an-dRamatoa Solombavambahoaka RATSIVALAKA, momba ny “capital”, omeko
an’Andriamatoa Bienvenu ny famaliana an’izay; satria ianao nanontany, izy koa miasa
amin’ny Banky Iraisam-pirenena.
Misy ary marobe ny vola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Banky samihafa, nefa
olona dimy ihany no mahazo azy, izay no fanontanianao teo; aza menatra isika, fa izay no
zava-misy, olona dimy ihany no mahazo azy eto Madagasikara. Fantatray izay, Ramatoa
Solombavambahoaka, koa hiarahantsika miasa ny amin’izay, hijery an’io akaiky izahay ary
mety mbola hanazava an’izay ny “conseiller” Bienvenu.
Nahazo vola tamin’ny BADEA, ny “secteur privé”, nahazo 47% dia harahantsika eo ny
mikasika an’izay; maro be anie izany vola izany. Harahantsika hoe iza daholo indray no
homena an’io vola io. Tokony ho any amin’ny Faritany sy ho an’ny olona rehetra izany, fa tsy
ho an’olona roa.
Ny lisitry ny indositria: marina ny anao, efa eo am-panaovana ny lisitra izahay, Ramatoa
Solombavambahoaka, amin’izao. Manao “recensement” hoe firy no isany, firy no mandeha
ary firy no handeha aorian’ny “mandat” na aorian’ny fialako indray andro any.
Ho hitantsika eo izay.
Ny fametrahana “observatoire”, efa noresahako teo ny amin’iny.
Ny JIRAMA angamba tsy hiresaka an’iny intsony aho, fa efa be ny voalaza teo.
Ny “sachet plastique”, marina ny anao fa iarahana miasa amin’ny Minisiteran’ny
Fahasalamana, ny Tontolo iainana iny; “sachet biodégradable” angamba no tokony atao.
29
Zava-baovao izany, raha manahirana tokoa ny “sachet plastique” eo amin’ny tontolo iainana,
maninona raha manao “biodégradable”. Azo atao izany, Ramatoa Solombavambahoaka.
Ramatoa Solombavambahoaka, voafidy tao Antsirabe sady Filohan’ny Vaomieran’ny
Indostria.
Sady fanamarihana no fanomezana ny azy teo; marina ny resakao momba ny
fanavakavahana teto tamin’ny fotoan’ny krizy ireny. Tokony ho isika rehetra no manaramaso an’ireo “Entreprises” mivarotra zavatra tsy ara-dalàna ireny. Izay no tena ady
voalohany, ireny “informel” ireny ampanjariana ho “formel” mba ahazoan’ny Fanjakana
vola.
Anisan’ny ao anatin’ny “recensement” daholo izany. Rehefa manao “recensement” dia
jerena hoe iza ity “entreprise” ity. Izay no mahatsara ny anaovana “recensement” mba
ahafantarana hoe iza no mandoa hetra sy ny tsy mandoa.
Ny AGOA dia homeko ny olona miara-miasa, manara-maso azy amin’izao fotoana izao, ny
fitenenana rehefa avy eo.
Ny any Toliara, marina ny anao, miala tsiny raha tsy voateny ny SUMATEX. Tsy maintsy atao
io rehefa hanao momba ny “textile” isika.
Efa niteny aho hoe any amin’ny Faritra sy any Faritany rehetra any, hatao izay efa misy ary
hatsaraina. Efa ao anatiny izany.
Mbola tsy fantatro ny TOLY, fa ny SUMATEX dia efa ao anatin’ny zavatra hatao.
Ny “recrutement” noteneninao teo dia ho “favoriser”-na ny any amin’ny “Région” ary tsy
maintsy izay no anaovana azy. Ny olona eo an-toerana no tsy maintsy omena asa voalohany
fa tsy ny olona avy any Antsiranana no alefa any Toliara, raha tsy hoe ny olona manampahaizana angamba. Tsy manavaka isika, fa misy mahatsara an’izay ihany. Izany hoe tsy
maintsy “local” aloha ny “recrutement”.
Ny “Centre de Formation” efa noteneniko ka tsy hiresaka momba an’iny intsony aho.
Ny valiny farany, ity no hoteneniko farany hoe raha tsy Praiminisitra aho dia ho lasa
mpanohitra.
Tsia, matoa aho nanome fanampiana an’Andriamatoa Filoha, tamin’izaho tsy nilatsaka ho
Filoham-pirenena, dia ny fiaraha-miasa izany. Tsy ho mpanohitra azy na oviana na oviana
aho. Amiko dia ohatry ny ekipa mpanao baolina ihany, satria “coupe du monde” izao. Ity no
“poste” nomena ahy, rehefa mahita “but” amin’ity aho ary mandresy i Madagasikara no
“objectif”, Tompokolahy sy Tompokovavy.
Misaotra anareo.
Omeko ny Teknisianina angamba ny fitenenana, Andriamatoa Filoha. Momba ny Banky
Iraisam-pirenena sy ny “secteur privé” ary ny AGOA.
30
Andriamatoa RAMAROSON Ignace, Mpikambana ao amin’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Indostria
Raha mikasika ny AGOA dia efa lasa lavitra be ny asa atỳ aminay. Fantatrao tsara angamba fa
efa misy ny atao hoe: “document de plaidoyer” efa eo am-pamitana azy ka hiaraha-miasa
amin’ny Minisitera vitsivitsy izahay. Efa an-dalana io “document” io ary tsy maintsy ho
“présenter”-na any “Washington” amin’ny tapaky ny volana Jolay. Tsy tara isika fa efa ao
anatiny tanteraka. Atỳ Madagasikara koa dia misy fiaraha-miasa teritery ihany miaraka
amin’ny GEFP, miaraka ny AFAZIA, miaraka ireo tompon’antoka isan-karazany rehetra
momba ny “Zone Franche”, indrindra ny “textile”. Efa lasa lavitra be ny resaka, saika efa
nahavita “documents” maromaro ary hatao “en annexe” amin’ny “document de plaidoyer”
miaraka amin’ny atao hoe “national statement”, izay ho “présenter” amin’ny “Sommet
Afrique-USA” amin’ny faran’ny volana Aogositra sy amin’ny fiandohan’ny volana Jolay any
“Washington”. Izay no toerana misy antsika amin’izao, mbola eritreretina hoe hisy
fanambarana hatao ato ho ato mba ahafahan’ny rehetra mahalala hoe aiza ho aiza isika
amin’ny “étapes” isan-karazany atao mandra-pahatonga antsika amin’ny atao hoe:
“commande concret” ilay notenenina teo. Ireo no ao anatin’ny adihevitra raha ohatra
eritreretina ho raikitra amin’ny volana Janoary 2015 ny AGOA. Resaka “commande” indray
izao no tenenina, amin’ny lafiny teknika atỳ aminay. Omena vaovao miandalana hatrany moa
ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RAZANISON Bienvenu,
Minisiteran’ny Indostria
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mpikambana
ao
amin’ny
Kabinetran’ny
Mikasika ny “plastique”: eran’izao tontolo izao dia efa misy “avancement technologique”
marobe. Izany hoe manafatra fitaovana isika hanodinana ireo “plastiques” ireo, nefa mbola
sarotra izany amin’izao fotoana izao. Efa eo am-pananganana an’izay “norme” izay ny
Minisitera; mialohan’ny volana Desambra izao hojerena hoe inona daholo no “norme”
entina iarovana ny tontolo iainana sy ny “pollution de l’air”. Miaraka amin’ny Minisiteran’ny
Tontolo Iainana io fiaraha-miasa io. Tsara ho fantatrareo koa fa ity Minisitera ity dia
Minisitera mijery ny “Innovations technologiques”. Ao anatin’izany ny fijerena fanampiana
ho an’ny “Université polytechnique” rehetra, hitady vahaolana isan-karazany hahazoan’ny
manam-pahaizana Malagasy miditra an-tsehatra hanampy, hijery ny alaolana arateknolojika. Ohatra: ny “sac plastique” sy ny zavatra hafa koa.
Mikasika ny resaka “Bio”, efa eo am-pandaminana an’iny isika, satria rehefa tsy misy ny
“matière première” anaovana “sachet bio” dia tsy ho tanteraka mihitsy izany. Hisy drafitr’asa
hataon’ny Fanjakana alohan’ny volana Desambra iny, mba hasiana “matière première” isaky
ny Faritany eran’i Madagasikara, mba hahazoan’ny Faritra mamorona asa eo amin’ny
famoronana “sac biodégradable”.
Izay angamba ny mikasika ny “plastique”. Tsy maintsy jerena akaiky ny “situation”-n’ireo
orinasa mamokatra ireo “pollution” ireo amin’izao fotoana izao, alohan’ny volana Desambra
ho avy izao, araka ny voalaza teo.
Mikasika ny vola: izay mihitsy, araka ny noresahin’Andriamatoa Minisitra teo, hoe ny “fonds
de solidarité”. Anankiray iny, fa ity Minisitera ity dia hamolavola “stratégie” iray, satria
hovàna ny famatsiana ara-bola eto Madagasikara momba ny fandraharahana. Tsy mety
31
mihitsy izy hatramin’izay, satria “Banque commerciale” daholo ireo namolavola ny fomba
fahazoana famatsiam-bola ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra madinika ary ny
salantsalany, avy eo tsy araka ny tokony ho izy. Tsy maintsy ho entina hiaraha-mandinika
alohan’ny volana Desambra ho avy izao, io tetika vaovao io, izany “système d’innovation
financière” vaovao izany mba hamatsiana an’ireo sehatra isan-karazany ireo, ao anatin’ny
“crédit carbone”, ao anatin’ny Banky sy ny “système de garantie et de risque” isan-karazany,
etsy ankilany.
Etsy andaniny, misy ny sehatra fampahalalana an’i Madagasikara eran’izao tontolo izao.
Mijery ny fandehan’ireo “secteurs” tsy miankina ny Minisitera, manatrika “foire” toy ny
“foire de “Montréal”, “foire de Chine”, tany Afrika Atsimo ihany koa, mba ahazoan’ny
mpandraharaha Malagasy mifandray amin’ireo fiaraha-miasa, amin’ireo mpamatsy vola any
ivelany.
Izay angamba no teny kely amaliana ny tenin-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO
Marie Michelle, teo.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka anao sy ireo mpiara-miasa akaiky aminao, Andriamatoa Minisitra.
Fandraisana teny 15 izay no voavaly ary raha sitrakareo avy dia ataontsika mitohy ny 8 sisa.
Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina Herisoa, anao ny fitenenana, Tompoko.
Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina Herisoa
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba ny Solombavambahoaka namana rehetra.
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra.
Miarahaba ny mpiara-miasa aminao rehetra koa.
Angamba tsy dia ataoko lava ny ahy; tonga dia fangatahana avy hatrany no atao.
Raha ny Distrikan’i Mandoto no resahina, fantatsika tsara fa manana “potentialité
économique” lehibe eo amin’ny resaka famokarana, satria “en millier d’hectares” maro ny
tany azo ambolena ao. Izany hoe mety tsara amin’ny resaka “agri-busness”. Ny olana dia efa
voalazantsika teo ihany, ao anatin’ny “énergie”; ato anatin’ny politikanareo koa misy “Feuille
de route à court terme” sy resaka 3P na “Partenariat Public Privé”. Efa voalazan’ny “membre
du cabinet” teo koa ny “énergie intermédiaire”.
Mangataka izahay, Andriamatoa Minisitra, mba hojerena akaiky ny hanampiana orinasa iray
ao Ankazomiriotra ao. Orinasa mamokatra herinaratra io, satria misy “barrage hydraulique”,
13km miala ny tanànan’Ankazomiriotra, “Power and Water” no anaran’io orinasa madinika
io. Mba angatahanay “subvention” io, satria araka ny zava-misy any an-toerana, “turbine”
iray no ao. Rahatoa ka ampiana “turbine” iray, araka ny voalazan’ny teknisiana any, afaka
mandrakotra ny antsasaky ny Distrikan’i Mandoto io raha misy izay “subvention” izay.
Anaovana fangatahana izay, Andriamatoa Minisitra, ary manantena ny fiaraha-miasa avy
aminao. Mety ho avy any aminao aho miaraka amin’ny Tale Jeneralin’io orinasa mpamokatra
herin-jiro io, aorian’ny faha-26 Jona raha sitrakao.
Misaotra, Tompoko.
32
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka JEAN FRANCOIS Michel.
Andriamatoa JEAN FRANCOIS Michel
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Manantitra hatrany ny arahaba ho antsika Solombavambahoaka rehetra ary miarahaba anao
ihany koa, Andriamatoa Minisitra, miaraka amin’ireto delegasiona mafonja manotrona anao
ireto.
Solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe.
Raha miresaka orinasa isika, Andriamatoa Minisitra, ao Antsirabe no atao hoe: «ville
industrielle». Ny zavatra hitanay hatreto, tiako ihany ny manindry kely an’ireto zavatra ireto:
tsara ny fanarenana ny orinasa rehetra sy ny fihazakazahantsika amin’ny fampidirana ny
olona hiasa, fa tokony jerena koa ny voka-dratsy ateraky ny orinasa. Ohatra iray omeko
anao, raisiko ny orinasa COTONA: mila jerena manokana io, Andriamatoa Minisitra, satria
tanimbary amina hekitara maro no potika, tsy afaka mamokatra intsony ny tantsaha noho ny
loko avy andokoana lamba mandeha eny amin’ny tatatra na any anaty rano mamatsy ny
tanimbarin’ny tantsaha. Hekitara maro no potika amin’io, tsy azo volena intsony.
Iray izay.
Faharoa, na ny trondro aza tsy azo hanina, mamofona an’ilay “produit” fandokoana lamba.
Manaraka, ny resaka «énergie»: noho ny fahalafosan’ny angovo, niarahantsika nahita
tamin’ny fotoan’androny fa nampiasa kitay ny COTONA. Ny fampiasana kitay tamin’ny
voalohany dia noeritreretina fa tsy hanimba ny tontolo iainana, satria izay manapaka hazo
dia mamboly. Tsy vahaolana anefa izany raha ny hitanay, fa vahaolana miteraka olana; satria
iarahantsika mahita amin’izao fotoana izao rehefa ambolena ny hazo, 10 taona mbola tsy
azo kapaina kanefa ny ala ripaka. Tena ripaka daholo ny ala ao Antsirabe ao, efa mila ho
tonga any Fianarantsoa raha tsy diso aho. Jereo iny RN7 iny, potika daholo ny ala.
Izay, Andriamatoa Minisitra, no tokony jerena akaiky, zava-dehibe io. Vahaolana miteraka
olana io, potika ny tontolo iainana.
Manarakaraka an’izay, ny zavatra tianay tsindriana dia malaza tsy ihinanana ny orinasa
indraindray. Maro orinasa any aminay, ao ny COTONA, ao ny MELIA, ao ny IBITY. Ny zavatra
hita, Andriamatoa Minisitra, tokony mba misy fanentanana, satria mampalahelo ihany ny
hoe malaza amin’ny fisian’ny orinasa, ohatra IBITY izay mamokatra «ciment», nefa ny sekoly
kely eo akaikiny, ny EPP eo akaikiny tsy milalotra «ciment» akory.
Tahaka izay koa ny orinasa ao afovoan-tanàna: ny EPP kely eo akaiky, malaza dia malaza
amin’ny fanaovana lamba any aminay, malaza amin’ny fanaovana sigara, kanefa ny zanabahoaka tsy manana kahie anoratana akory.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
33
Andriamatoa JEAN FRANCOIS Michel
Andraso kely aloha, Andriamatoa Filoha, rehefa miteny dia mba mihanta kely.
Tokony misy fiantraikany amin’ny tontolo manodidina azy ny orinasa, Andriamatoa Minisitra.
Tokony jerena kely izay zavatra izay.
Manarakaraka izay, eo amin’ny «traitement»-n’ny mpiasa amin’ireny “Zone Franche” ireny,
tsy voahaja mihitsy ny zon’olombelona, Andriamatoa Minisitra, satria raha marary ny mpiasa
ka mandeha any amin’ny SIMIA, dia toy ny misy tsikombakomba iarahan’ny orinasa sy ny
SIMIA. Tsy omena «repos médical» ny mpiasa, nefa hita izao fa marary. Tsy voahaja mihitsy
ny zon’ny mpiasa ao amin’ireny orinasa ireny; araraotin’ny orinasa ny tsy fananan’ny tanora
asa, «exploiter»-ny izay zavatra izay. Mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny zava-miseho.
Mila jerena kely izay, Andriamatoa Minisitra.
Farany, izaho tsy maintsy miteny an’ity, satria mba malahelo. Malahelo ny foko amin’ny
maha Solombavambahoakan’Antsirabe I ahy, momba ny orinasa TIKO, Andriamatoa
Minisitra: tena mankarary anay io, satria tena fampandrosoana lehibe tao Antsirabe I ny
fisiany. Izao tsy an’asa ny olona ary mamparary anay izany tsy mihinana «beurre margarine»
izany fa soloana «beurre Jadida». Tsy maintsy miteny an’izany izahay, Andriamatoa
Minisitra, manantena mba tsy hisy zanak’Ikalahafa, fa ho haingana ny fanokafana ny orinasa
TIKO. Tena malahelo izahay ao, indrindra ireo olona tsy an’asa.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mankasitraka anao sy ireo mpiara-miasa aminao, Andriamatoa Minisitra. Mankasitraka
antsika mianakavy.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka.
Ny Solombavambahoaka manaraka, RABEMANANJARA née RAMANANDRAISOA Célestine.
Ramatoa RABEMANANJARA née RAMANANDRAISOA Célestine
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anao sy ny mpiara-dia aminao rehetra, Andriamatoa Minisitra.
Izaho dia Solombavambahoakan’Arivonimamo.
Eto, Andriamatoa Minisitra, sady miangavy no mametraka fanontaniana ihany. Mikasika ny
hoe: inona moa no tena politika mazavan’ny Minisitera mba hanampiana ny orinasa
madinika izay maro be mihitsy ao Arivonimamo. Raha tsy hilaza aho, amin’ny Zoma izao,
matoky izahay fa ho any ianao hanome voninahitra ny «journée de petit matériel agricole»,
satria misy an’arivony ny fianakaviana mivelona amin’io, kanefa hitanao amin’ny sehatra
iraisam-pirenena, maro ny vokatra Sinoa izay miditra eto amintsika. Misy tolo-tànana, misy
fanampiana mba mety azo anampiana ireo mpanao asa-tànana ireo izay mivelona amin’io
asa-tànana io ve. Misy fanampiana mba hanatsarana ny vokatra vokariny ve. Tsy fantatro,
mba misy «subvention» mihitsy ve azo anampiana azy ireo hahafahany manitatra ny
ambaindain’ny asa-tànana Malagasy amin’izany «petit matériel» izany, satria raha
Arivonimamo manokana, maro ireo mpanao asa-tànana, ireo orinasa madinika mamokatra
an’io, hatrany amin’ny Faritr’Itasy hatrany Antsirabe rehetra any izay ho avy ao amin’ny
34
Zoma izao. Mino aho fa ho hitanareo ao ny olana atrehin’ny orinasa madinika sy mpanao
asa-tànana rehetra ireo.
Matoky ny fahatongavanareo sy hiaraka hijery ny vahaolana amin’ny olana sedrain’ny
mpanao asa-tànana marobe ao amin’ny faritra misy anay izahay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Ramatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka, manaraka mandray fitenenana dia RAKOTOSOLOFONDRAIBE
Zakamady.
Andriamatoa RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba ny Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka namana.
Efa voalaza amin’ny ankapobeny, efa voalazan’ny namana avy any Marolambo teo,
talohan’ny fitsanganan’ny Governemanta amin’ny fanambarana ny Minisiteran’ny Angovo sy
ny Indostria, satria tena vary sy rano izy ireo, mba tsy hisian’ny fifanilihana andraikitra noho
ny tsy fahatanterahan’ny programan’asa izay voalazan-dRamatoa RATSIVALAKA teo, amin’ny
resaka “sachet”.
Misy orinasa roa lehibe ao amin’ny Distrikan’Ambositra, ao ny HODIMA izay efa ela no
nitsangan’io. Ny nahatsara azy dia mba nisy an’ity IST ity, ny «Institut Supérieur de
Technologie» izay lasa Oniversitem-panjakana. Ahoana no fipetrak’io fa tena nandaniana
volam-panjakana tsy toko tsy forohana. Hipetraka ho an’ny IST ihany ve io ary azo antenaina
koa ny fisokafany.
Manaraka izay, miverimberina amin’ny programan’ny Minisitera ny hoe: “secteur privé
moteur du développement pour la croissance économique”. Ho an’ny AFOMA, tena tsara
aminay mihitsy ny “étude d’impact environnementale”, satria tsy misy «pollution» ateraky
ny «sachet» sy ny namany, fa tena miaro ny tontolo iainana izy. Orinasa «privé» matanjaka
izy matoa mahasahana an’i Madagasikara amin’ny famatsiana afokasika. Maniry izahay mba
hijerana ny herinaratra, satria anisan’ny olana izy io. Tapaka matetika ary no antony ilazana
hatrany fa tsy afa-misaraka amin’io ny «énergie».
Farany, efa notenenin’ny Solombavambahoakan’i Toamasina teo amin’ny resaka fary.
Tena mpamokatra fary any Ambositra indrindra i Fandriana, mivadika ho ambodivoara sy
galeoka izy amin’izao. Marobe ny fiantraikan’izay, satria misy «confusion mentale», raha tsy
hilaza afa tsy ny ao Amoron’i Mania aho, eo amin’ny 2 000 no tratran’io «confusion
mentale» io vokatry ny fisian’ny toaka, miparitaka be ny ambodivoara sy ny galeoka.
Manana rano ahazoana “28 Mégawatt” ny «falaise» Amoron’i Mania sy Ambositra iny, koa
mino izahay fa mba hananganana orinasa amin’iny toerana iny.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mankasitraka, Andriamatoa Minisitra.
Mankasitraka antsika, Solombavambahoaka namana.
35
Andriamatoa FILOHA
Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka AROSY Namiandrazana François,
voafidy tao Nosy-Be.
Andriamatoa AROSY Namiandrazana François
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo Birao Maharitra.
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra, sy ny namana miaraka aminao.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra tonga eto.
Mikasika ny SIRAMA ao Nosy-Be ny ahy, Andriamatoa Minisitra, aiza ho aiza ny momba azy
io, satria efa ela no nakatona, maro koa ny olona mpanam-bola mitady haka an’io orinasa io,
nefa tsy nisy valiny. Tamin’ny Tetezamita dia misy olona valo liana amin’io SIRAMA io, kanjo
hatramin’izao tsy hita ny fandehany.
Andriamatoa Minisitra, efa nisy fotoana niresahantsika nampanantena ianao tamin’izay, fa
mikasa hampandeha io orinasa io. Manontany izahay, Andriamatoa Minisitra, hoe aiza ho
aiza ny momba izay.
Tamin’ny andron’ny Tetezamita, nisy olona mpanam-bola be, saika hamelona azy. Tsy
nanaiky ilay olona, satria notadiavin’ny mpitondra tamin’izany ho azy ny antsasaky ny
tombotsoa tao. Izay no tsy nahatanteraka azy. Matoky aho fa tsy hanao an’izany ianao, satria
olona nametrahan’ny Praiminisitra fitokisana tsy hanana toe-tsaina toa izany. Matoky aho fa
hihodina amin’izay ity orinasa ity.
Farany, misy olona amin’izao liana amin’io; raha ohatra tsy mbola nahita olona ianareo,
azoko omena anareo ny anarany ary vonona hanatona anareo izy amin’izao fotoana izao.
Azafady, tsy dia miteny loatra aho ato, aoka mba hifanaja fa samy olon-dehibe isika.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Misy satroka, ny Solombavambahoaka RAZAFIMILY Constance.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Voalohany, lasa tara isika satria be resaka loatra. Resaka efa teo no mbola averina. Resaka
SIRAMA any Brickaville izany, resaka efa teo fa ianao no nivoaka.
Faharoa, ianao mpitarika fivoriana, tokony mba asianao fetrany ny fitenenana, satria isika
teo nanomboka tamin’ny 9 ora, ity zavatra ity tokony faranana amin’ny 10 ora, efa amin’ny
12 ora, mbola misy miandry, misy firy no tsy mbola niteny. Tsy fanambaniana ny Minisitry ny
Indostria izany, zava-dehibe amintsika rehetra izany na izahay any amin’ny Faritra “Sud-Est”
iny mba tia an’izany ary efa tokony misy orinasa manodina fary any aminay. Mba
dinihonareo fa mbola hitarika fivoriana aho, telo no “ratifications” hatao ao ary izahay tsy
hatory ato.
36
Misaotra, Tompoko.
Mba asio fetrany ihany ary efa mihavitsy ny olona avy eo isika tsy mahafeno “quorum”. Mba
jereo ny fitarihana fivoriana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka tamin’ny fanoloran-kevitra. Ahoana no
anaovantsika azy. Misy fandraisam-pitenenana telo sisa ato, 1 minitra isaky ny
Solombavambahoaka, 2 minitra.
Ny Solombavambahoaka manaraka, RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges.
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges
Aleo eto aho, fa tsy mahita ireto havako ireto.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra. Praiminisitra ianao aminay, satria Minisitra anankiroa
no niala nieritreritra hanao Praiminisitra. Tsara ilay toerana, satria havokavoka ipetrahanao
ho an’ny Firenena io.
Andriamatoa Praiminisitra, mahafinaritra ity zavatra nentinareo ity, fa manitsy fotsiny aho
miangavy, Malagasy isika ka aleo atao amin’ny teny malagasy. Tsara be izy tamin’ny
voalohany, nataonao teny malagasy, fa any ambadika dia teny frantsay daholo. Miangavy
izahay, mitaky mihitsy amin’ny sotoavin’ny teny malagasy.
Andriamatoa Praiminisitra, azafady, Minisitra, eo amin’ny “cabinet”. Ny “cabinet”-nao,
mangataka satria mahararirary anay ianao sy ity fitondrana ity. Misy zavatra tsikarikaritray,
sanatria mba jereo tsara izay aloha.
Hiditra amin’izay ary aho.
Mahafinaritra ny manaraka ny asa nataon’ny teo aloha izay hita tsara. Voalohany,
Andriamatoa Minisitra, ireo “cabinet”-nao ireo, ireo olona tia anao ireo; tsy fantatro firy no
isan’ny sonia natao ho fanohanana anao. Ireo jerena dia mandeha io asanao io, satria ireo no
mahita ny aretina rehetra any amin’ny Distrika misy azy any. Mora be ny asanao amin’izay.
Inona no olana any? Izao no olana eto Antananarivo: mety marary ny fonao, mitovy amin’ny
ahy, “immigré” eto Antananarivo daholo ny olona avy any amin’ny Faritra. Etsy aminay etsy
Arivonimamo, satria Solombavambahoak’Arivonimamo aho, RAKOTOMANJATO Rodin
Edmond Georges; ny seranan’Arivonimamo dia efa tapaka fa ho eo ny “cargo”, hatao
fanondranan’entana sy fampidiran’entana. Aleo ve mijery azy itaingainan-dry zalahy “moto”
sa fanasoavam-pirenena no tokony atao, Andriamatoa Minisitra.
Tsenan’ny AGOA efa notenenina teo, fa raha any aminay any dia resaka “agriculture”,
“matériel” apetraho any izany resaka “colloque”, “exposition” sy ny sisa izany fa tonga dia
hoe ahoana no anatsarana sy hanokafana ny asa-tànana, satria nianatra daholo ireo,
hametrahana ny tsenan’ny SADC, tsenantsika io. Azontsika anondranana “légume” io. Any
aminay ny angadin’omby hitanareo fa efa miparitaka eran’i Madagasikara, ny “herse”
amin’ny resaka “agriculture” iray manontolo dia mivoaka avy ao Arivonimamo. Inona no
37
olana tsy hanasoavana azy fa vy sy bilao fotsiny no ilaina dia mandeha tsara daholo ny
orinasa ao.
Omeko anao ny resaka “électricité” rehefa avy eo.
Ny JIRAMA: aleo omeko anao ity dia ianao no mitrandraka azy fa zavatra tsotra, tsy olana
aminay any amin’ny tapany andrefana iny; tsy mila izany Andekaleka izany izahay efa
natsangana ao Farahantsana ny trano be mijoalajoala hanodinana ny “hydraulique” hamatsy
ary tonga hatrany Faratsiho, Antsirabe iray manontolo izany.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges.
Vetivety fotsiny, tsy mba miteny aho, fa mahafinaritra ilay izy. Kely fotsiny.
Ajanony, Andriamatoa Minisitra, ny fampidirana “produits finis” eto amintsika. Any aminay
ny mananasy dakan’ny alika fotsiny, teto nisy orinasa mpanodina paoma, maro no nanao
an’izany teto. Rehefa mijery televiziona ianao marary ny fonao, satria isaky ny mihetsika dia
“jus de fruit” avy atsy sy atsy; maninona raha ny antsika no amboarina. Ireo rehetra nivory
niaraka taminao izay nilaza fa mpamatsy vola, “Usine” no atsangana eto aminay fa ny
“produits” avelao any aminao amin’izay mba mihena ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.
Ho any amin’ny Biraonao aho dia any isika miresaka, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka, ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Aza tapahanao ny teniko, Andriamatoa RAZAFIMILY Constance.
Tsy hiarahaba aho, fa sao lany ny fotoanako, Andriamatoa Minisitra.
Efa saika notenenin’ny namana teo fa tsindriako ny momba ny fiara karetsaka. Torohevitra
ny ahy: ampitomboy ny “budget”-n’ny “Centre de Recherche” eto amintsika, satria raha tany
ivelany aho, any no tena ahitantsika fa “bien motivé” ireo mpanao “recherches” ireo, mahita
zavatra be dia be atao ry zareo. Omeko ohatra kely fotsiny ianareo: resaka “perruque”-n’ny
vehivavy, 80%-n’ny vehivavy eto Madagasikara dia mametraka “tissage”, manao “perruque”;
maninona moa no tsy entanintsika ireo “entreprises” kely mahavita izany asa izany. Tsy dia
lafo loatra fa “2 millions fmg” fotsiny dia mahavita izany, satria mety tsy manao “recherche”
momba izany ireo olona ireo; tsy ampy “motivation” ireo. Ny tiako tenenina dia hoe:
ampitomboy ny “budget”-n’ny ireo “Centre de Recherche” ireo fa hahita vokatsoa isika.
Faharoa, ny “entreprises” tany aminay, Faritra SAVA, Tompoko, maty daholo raha tsy misy
dia asio; raha misy ny efa maty, azafady velomy, Andriamatoa Minisitra. Mangataka aminao
aho.
38
Fahatelo, resaka “biodégradable”: misy zavatra any aminay any “penja” no anarany, adiny
iray dia mahavita “sac” ny mpandrary azy. Raha amporisihantsika hamboly an’io ireo olona
ireo, “sac” kely fotsiny, adiny iray no havitany azy, iray andro izany ny tantsaha dia mahavita
20 na 30, izay azontsika ampiasaina any amin’ny “grande surface”. Io no ampiasain’ny olona,
toy izay hanafatra “sachet” isika. Manamarina ny tenin-dRamatoa RATSIVALAKA teo aho, fa
dobo ny tanàna.
Fahefatra, mety mivoana kely ity, fa misy fifandraisany ihany.
Fantatro fa misy “taxe de carbone” i Marojejy, izay tsy ambanin’ny “5 millions de dollars”
isan-taona raha tsy diso aho, nefa ny vahoaka ao Marojejy amin’ny lalana mankany Andapa,
fantatrao tsara angamba izany na handeha hivalan-drano sanatrian’ny vava, amin’ny lalan’i
Marojejy iny dia efa gadraina. Maka kitay ny olona ao dia efa gadraina na mba haka hazo
kely hanamboarana laona hamidy dia efa gadraina. Amin’io “taxe” io, Tompoko, raha tsy
ampy vola ianareo, tereo ry zareo ao amin’ny “Environnement” hanao “entreprise” ao
amin’io faritra io hampisy “mesure d’accompagnement”-n’ny olona, tsy avela miditra ao
Marojejy, fa alohan’ny hiaro zavatra hafa “important” ny ain’ny olombelona; alohan’ny hiaro
“makis”, alohan’ny hiaro ny aty ala, ny olombelona maty tsy mihinan-kanina.
Io “taxe de carbone”-nay io no angatahiko aminareo, mba anaovy “entreprise” amin’ny
«riverain»-n’i Marojejy mba hivelomany.
Farany, azafady Andriamatoa Filoha.
Io zavatra ataonareo any Fenoarivo io, zava-dehibe io ary isaorako ianao, Andriamatoa
Minisitra sy ny ekipanao, fa ataovy “parallèle” any aminay any SAVA io koa, fa maika izahay.
Io “formation” io no olana amintsika. Misy olona avy manao “formation”, mahatsapa zavatra
maro be izy. Raha mba mety, ataovy “parallèle” io, asio koa any amin’ny faritra SAVA,
mandeha “avion” ianareo, ny “formateur” mandeha arỳ sy arỳ. Torohevitra ny ahy, fa tsy
mandidy, azafady, Tompoko. Maika be io zavatra io, raha ataonareo isam-bolana io, tsy ho
tratranareo ny faritra. Maika izahay any SAVA amin’io, satria betsaka ny zavatra azo atao
any.
Farany, Andriamatoa Filoha, resaka “bio” indray ity. Nipetraka tany andafy aho nandritry ny
20 taona, fantatr’Andriamatoa Minisitra izany, “désert” ny any “Maroc”, nahoana i “Maroc”
no afaka mamatsy an’i Frantsa amin’ny voatabia sy amin’ny voankazo rehetra, nefa
«désert». Ny dikan’izany tsy “bio” ny zavatra any; ny antsika atỳ anefa malalaka ny tany ary
mety tsy handany “produit chimique” raha hamboly voatabia na hamboly zavatra hafa. Raha
niresaka tamin’ny teknisiana iray aho, dia hoy izy: ny fiaramanidina dia mandany betsaka
raha ao “Maroc” mankany Frantsa noho ny avy atỳ Madagasikara mandeha any Frantsa na
lavitra aza ny elenelany, satria ny fiakarana no mandany “carburant” ho an’ny fiaramanidina.
Voaonitry ny vidin’ny zavatra azo avy amin’ny “bio” eto Madagasikara ny vidin’ny zavatra
azo amin’ny “chimique” avy any amin’ny tany “désert”, mbola “rentable” ny “prix”-ntsika
avy atỳ, fa tsy nojerentsika akaiky.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka ny Solombavambahoaka KATHY, sady mamarana azy.
39
Ramatoa KATHY
Misaotra nanome ny fitenenana, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba, anareo Birao Maharitra.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka namana.
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra, miaraka amin’ny mpiara-dia aminao.
Ny ahy angamba, Andriamatoa Minisitra, ataoko mivantana.
Izaho angamba no anisan’ny nanohana, niara-dia taminao nametraka ity Repoblika faha-IV
ity. Anisan’ny nanohana mafy anao izany Faritra Vatovavy-Fitovinany izany tamin’ny
nahatongavana amin’izao Repoblika faha-IV izao. Anisan’ny nilokalokana nandritra ny
fampielezan-kevitra tany an-toerana ny fanomezan’asa ho an’ny olona any. Iaraha-mahalala,
Andriamatoa Minisitra, fa toerana tena manan-karena iny amin’ny resaka “matière
première”. Izahay izao dia manana “projet de société” miainga efa nahavitana “études”
maro, satria matetika tsy dia misy loatra ny fiaraha-miasan’ny “exécutif par rapport” amin’ny
olona any an-toerana, izay mahalala tsara ny zava-misy any amin’ny Faritra. Fangatahana ity,
Andriamatoa Minisitra: misy “projet” efa nataonay tamin’ny taona 2008-2009, nahavita
“études” tsara “sur place” hatramin’ny «agroalimentaire» amin’ity resaka «transformation»
sy «conditionnement» amin’ny «matière première» momba ny voankazo ity. Raha sitrakao,
angamba tsy dia horesahina ela eto izy ity, fa hangataka hihaona aminao izahay aorian’ny
faha-26 Jona, miaraka amin’ny teknisiana mba ahafahana mi-«concrétiser directement»
an’ilay «projet». Mandeha ny fotoana ka mety tsy ho hitan’Andriamatoa Minisitra ilay izy,
satria «petite entreprise» izay no «faisabilité»-ny. Mangataka fiarahana mijery akaiky an’ilay
«projet» izahay.
Farany, Andriamatoa Minisitra, araraotina ihany ny fotoana: misy an’ity “Société
Mozambique-Mada” izay miteraka olana lehibe mihitsy any Vatovavy, Distrikan’i Mananjary;
mba mangataka anao sy ny teknisiana ao aminareo handray andraikitra momba io orinasa io,
Tompoko.
Misaotra, Tompoko, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa FILOHA
Mankasitraka, mankatelina Ramatoa Solombavambahoaka.
Avy dia omena sehatra, Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy.
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indositria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra Tsy miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha.
Alohan’ny hamaliako ny fanontaniana rehetra, mba miangavy kely ny Solombavambahoaka
KATHY hanazava: inona no idiran’ny nanampy ahy ianareo tamin’ny fifidianana, azafady.
Ramatoa KATHY
Ny politika moa, Andriamatoa Minisitra, dia fitsinjovana foana amin’ny fampidirana
fampandrosoana. Nanampy, anisan’izay angamba, indroa aho nanampy tamin’ny
fanatanterahana izany fanovana lehibe teto Madagasikara, fampanantenana izany fanovana
hidirana amin’ny fampandrosoana, hidirana amin’ny Repoblika faha-IV izany. Anisan’ny
nijoro teo anilanao mihitsy aho tamin’ny fampandaniana an’Andriamatoa Hery
40
RAJAONARIMAMPIANINA, Filoha ankehitriny izao. Ny vahoakan’i Mananjary koa dia
anisan’ny nanantena zava-dehibe tamin’io fitondrana io, satria tafapetraka soa aman-tsara
izy ankehitriny. Anisan’ny nanohana anao koa izahay tamin’ny fanolorana anao ho
Praminisitra. Ny antony, Andriamatoa Minisitra, manantena izahay fa olona toa anao izao no
mahavita ny fampandrosoana any amin’iny Faritra misy antsika iny.
Izay no mahatonga anay hoe manana “projet” izahay; manantena fiaraha-miasa akaiky mba
ijerena akaiky an’izay “projet de société” any Mananjary.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa JULES Etienne Rolland, Minisitry ny Indositria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra Tsy miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany
Misaotra betsaka,.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anao Ranabavy, izay anie no tiako hazava, satria tsara ny zavatra mazava.
Isika aloha dia samy nanohana ny Filoham-pirenena tokoa tamin’ny nahalany azy ary
amin’ny vato ambony dia ambony.
Misaotra anao.
Tonga dia aminao no hamaliako azy. Momba ny «projet de société».
Efa noresahina teo ihany hoe izahay anie vonona handray ny «projet» izay tsara indrindra.
Raha nahavita ny Faritra na «privé» no mitondra azy any aminay, vonona ny handray anao sy
ny teknisiana izay nolazainao izahay, Ramatoa Solombavambahoaka. Hojerentsika ny fomba
hananganana azy raha mahita «partenaire» isika na miaraka mitady «partenaire». Tongava
aorian’ny 26 Jona, araka ny noteneninao teo.
Faharoa, momba ny «Société Mozambique-Mada». Efa tany Maurice aho, “Mauricien” no
tompon’io, hitako ary «identifié» tany ny olona tompony, ilay nandositra. «Compliqué» io, fa
efa manara-maso azy izahay.
Misaotra, Tompoko.
Mitovitovy ihany angamba izy ity, satria efa voaresaky ny sasany teo, efa voavaliko teo.
Miverimberina, tsy maninona fa ezahako ihany ny hamaliana azy rehetra.
Momba ny “agri-busness” any Mandoto sy ny «énergie». Ianao teo niteny hoe «subvention»,
ny «subvention» izany aza manonofy isika, tsy misy «subvention» fa hijery isika hoe ahoana
no ahitantsika olona hanampy azy ahazoana ny «énergie intermédiaire» momba ny resakao
teo, Andriamatoa Solombavambahoaka. Iarahantsika mijery izay ary mbola ho tonga any
amiko ianareo hanazava azy bebe kokoa.
Momba an’Antsirabe hoe «ville industrielle». Marina, Andriamatoa Solombavambahoaka, ny
anao, misy ny olana fa tsy hoe ahoana isika no tsy mijery ny «impact environnemental» na
dia tsara aza izany. Marina ny anao hoe hojerentsika ny «impact environnemental».
Hojerena miaraka amin’ny ONE izay. Araka ny teniko teo, tsy maintsy miara-miasa isika
rehetra mba hampandroso an’ity Firenentsika ity. Tsy olona iray no tompon’andraikitra fa
isika rehetra ary araka ny resakao teo hoe ny sekoly eo akaiky eo ve dia tsy hisy
Raiamandreny na tompon’andraikitra ao an-tanàna mba miresaka hoe tokony mandalotra
41
sekoly ny «usine de cimenterie». Ireo anie raha tsy resahina dia mody fanina. Mba
anjarantsika izany, Andriamatoa Solombavambahoaka. Efa eto ihany isika dia tsy
mampaninona no mangataka azy. Azo atao izay.
Ny «traitement»-n’ny mpiasa ataon’ny SIMIA izay noteneninao teo, horesahina amin’ny
Minisiteran’ny Mponina sy ny Fahasalamana angamba io zavatra io. Fiaraha-miasa amin’ny
Governemanta rehetra io, horesahina ny Minisitra ary tsy hanaiky an’io mihitsy ny Minisitry
ny Mponina, indrindra raha maheno an’izay zavatra izay, satria andraikiny ny fiarovana ny
zon’olombelona.
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka, naneho an’io olana io.
Tsy hiteny intsony aho fa mitovy amin’ny olana teo ity. Iaraha-mahafantatra io orinasa io ary
isika tsy mijery ny lokony na tarehin’iza, fa ny vahoaka izay mahita asa sy ny orinasa
mihodina no jerentsika. Tsy maintsy miafara amin’ny «impact environnemental» hoe inona
no olana. Mila fiaha-miasa amin’ny Minisitera rehetra izay, Andriamatoa
Solombavambahoaka.
PME, angamba tany Itasy, Arivonimamo. Ny fiaraha-miasa aminay anie amin’izao fotoana
izao dia manao “promotion”, manao ny “entreprenariat” amin’ny alàlan’ireo “salon des
enterprises”, ny «salon des industries», eo no fomba ahafantarana hoe ahoana no fiarahamiasa amin’ny Minisitera sy hanampiana an’ireo vahoakatsika ireo, Ramatoa
Solombavambahoaka. Araka ny teninao dia handalo aho, any isika afaka miresaka bebe
kokoa. Midadasika i Madagasikara ka tsy vita indray andro izany. Vao roa volana anie izahay
no teo, koa aza omena tsiny, Tompokolahy sy Tompokovavy.
Hojerena ny any amintsika any Itasy.
Ambositra, mitovy ihany io resaka io. Ny orinasa efa maty dia atao izay hijerena azy aloha;
inona no antony, inona no nahatonga azy tsy nisy mpiasa intsony. Ny anjaranay araka ny efa
voaresako teo dia hamelona izay maty. Tsy vita andro iray daholo ny zavatra rehetra fa
enjehina izay tratra, dimy taona isika mifankahita eto foana.
Momba ny «énerigie hydroélectrique», misy maromaro ihany no niresaka an’io. Efa
noteneniko teo ihany ny momba an’io: ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny «Energie».
Sarotra araka ny notenenina teo ny hanambatra ny Minisiteran’ny «Industrie» sy ny
«Enerigie». Azo atao ny manambatra ny “Energie” sy ny “Mines” fa tsy hiverina amin’izay
intsony isika. Io aloha no napetrak’Andriamatoa Filoha eo dia ahoana no hamokarana an’ireo
«source d’énergies» ireo.
Izay angamba, fa ny olana amintsika dia hoe ahoana; izahay moa efa niresaka tamin’i «Suez»
ihany izay «numéro un mondial» momba azy io; ny fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny
«Energie» ihany angamba no mety ka hatomboka ato ho ato izany raha eken’ny Minisitry ny
“Energie”. Efa nampanantena aho teo, fa hiara-hiasa izahay mirahalahy. Mety handeha
amin’izay angamba io.
SIRAMA any Nosy-Be, ny valiny dia tsotra: tamin’ny “transition” dia tsy nisy zavatra azo
natao. Izay angamba no nampikatso azy ary fantatrao koa sao nangataka vola be ilay olona.
Izaho tsy mpanao an’izany na dia tsy manam-bola aza, tsy mpanao izany aho. Ny ahy ny
olona ihany no jereko hoe hiverina hiasa ireo olona ireo. Amin’izao fotoana izao anie
Fanjakana madio, mazava ary Filoham-pirenena lany tamin’ny fomba madio. Vao roa volana
izay izahay no tonga teto ary efa notenenina hoe i Nosy-Be sy i Brickaville dia tsy maintsy vita
42
amin’ity taona ity. Ento ihany ilay olona hitanao mba ahafahana mampitovy hoe iza no
tsaratsara kokoa, tsy olona iray ihany no tokony entinao. Matoa izahay miteny hoe ho vita i
Nosy-Be sy i Brickaville dia misy olona afaka mamelona azy ireo. Tsy maintsy jerena ny
“gagnant-gagnant” hoe iza no tsaratsara kokoa amintsika Malagasy amin’izany zavatra izany.
Ny “Taxi” angamba tsy fantatro, iza no hamaly azy.
Ny “Centre de Recherche”, Andriamatoa Solombavambahoaka, “effectivement”, marina ny
anao. Izahay dia miara-miasa amin’ny IMI na ny “Institut Malgache d’Innovation”. Iarahanay
miasa amin’ny olona manana traikefa manao ny “recherches” rehetra mba ahafahantsika
mampandroso an’ity Tanindrazantsika ity. Efa misy ihany koa eritreritra momba ny any
amin’ny “Région”.
Miteny momba an’i Fenoarivo ianao, miezaka izahay ny amin’io hanao “deux fois par mois”
any amin’ny Faritra rehetra. Mety hahavita “18 Régions” angamba isika hatramin’ny faran’ny
taona.
Momba ny orinasa, averiko ihany hoe izay orinasa maty dia ezahina ny hamelona azy, izay
velona moa dia ezahina ny hanatsarana azy.
“Taxe carbone”: izaho tsy dia mahay an’izay “dossier” izay. Mety nahazo vola anie ianareo
raha ny fahitako azy, nahazo “5 millions de dollars”. Tsy tonga any aminareo any ny vola, izay
no olana angamba.
Tsy haiko, Andriamatoa RAJAONARISON Bienvenu, no mahafantatra an’izay “dossier” izay.
Izy no hanazava azy bebe kokoa.
Ny “interdiction” moa no tena olana aminao. Tsy maintsy arovana, Andriamatoa
Solombavambahoaka, satria ahazoana vola izany, fa ny vola angamba no jerentsika hoe
entina hanatsarana ny “secteur privé” sy ny PME araka ny noteneninao. Izay no tokony
jerentsika miaraka.
Ny “Marché”, nisy niresaka an’io. Hiezaka isika amin’ny “exportation”. Ny “exportation”
mankany Frantsa, isika tsy hijery lavitra be any intsony fa hahamoramora ny entantsika, ato
“La Réunion” anie dia efa Frantsa. Moramora ny “transport” ao ka hiezaka isika hijery an’ireo
tsenantsika toy ny COMESA, SADC, COI. Rehefa mahavita manao “exportation” any isika dia
mety handroso, fa amin’ny ankapobeny dia hiezaka hamorona orinasa, hanatsara ny orinasa
sy hamorona asa ho an’ny Malagasy aloha isika.
Misaotra betsaka, Tompokolahy sy Tompokovavy, ary manantena ny fiaraha-miasa
mandrakariva.
Aza misalasala fa tongava ao amin’ny Minisitera raha misy ifampitadiavana.
Misaotra betsaka, anareo Solombavambahoaka.
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha,
Misaotra, Andriamatoa Mambran’ny Birao Maharitra.
Misaotra, Tompoko.
- Tehaka -
43
Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa Minisitra, eto izahay dia manolotra fisaorana anao sy ny mpiara-miasa izay
nentinao teto. Misaotra amin’ny fandavan-tena ary misaotra betsaka koa tamin’ny valiny
nomenao tamin’ny fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka teto.
Mirary anareo izahay hahatontosanareo an-tsakany sy an-davany ny andraikitra makadiry
napetraka eo an-tsorokareo.
Miala tsiny koa izahay amin’ny fahabangana misy eto amin’ny toerana fivoriana, fa betsaka
ny “investiture” misy amin’izao fotoana na any Mahajanga io na any Manandriana. Koa dia
ialana tsiny amin’ny fahavitsian’ny Solombavambahoaka, satria fantatra fa tena zava-dehibe
tokoa no nentinareo androany.
Omen-dalana ianareo, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra betsaka, Tompoko.
Niato tamin’ny 12 ora sy 15 minitra, atoandro, ny fivoriana.
Nitohy tamin’ny 12 ora sy 55 minitra, atoandro, indray ny fivoriana.
-5- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna
Laharana faha-002/2014 tamin’ny 21 May 2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement du Projet d’Urgence de Sécurité
Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » Andriamatoa FILOHA
Mitohy hatrany ny fivoriantsika, Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka isany.
Hiato minitra vitsivitsy ve isika sa ahoana ny fahitanareo azy. Mitohy? Mitohy ihany isika ka
mahazoa fipetrahana raha azo atao.
Avy dia mitohy, misy fahatarana adiny iray eo isika raha oharina amin’ny “planning”.
Mahazoa toerana, Tompoko, avy dia mitohy ny fivoriantsika.
Ny solotenan’ny Minisitera angamba, afaka mandroso ianareo.
Mahazoa toerana isika, Solombavambahoaka, mitohy ny asantsika azafady.
Tolorana ny arahaba ianareo solotenan’ny Governemanta sy ireo Teknisiana miaraka
aminareo.
Ny tohin’ny fandaharam-potoanantsika izao atoandro izao dia fivoriambe handinihana sy
handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2014
tamin’ny 21 May 2014 «autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement
du Projet d’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la
République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA)».
Koa iangaviana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera hamaky ny tatitra momba izany.
44
-6- Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha,
Ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra,
Isika Solombavambahoaka,
Ianareo teknisiana, solotenan’ny Governemanta.
Nivory ny Talata faha-17 Jona tamin’ny 3 ora, tolak’andro, ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola
sy ny Tetibola sy ny Vaomieran’ny Fambolena sy ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra,
nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2014 «autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement du Projet d’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection
Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de
Développement (IDA)».
Ireto avy ireo tonga nanatrika ny fivoriana:
Avy amin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, Andriamatoa isany:
1- RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka
2- RAVELONANOSY Mamy Tiana
Avy amin’ny Vaomieran’ny Fambolena sy ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra,
Andriamatoa isany:
1- RABEKIJANA Solofo Hery
2- RANDRIANASOLO Dera
3- RAKOTONIMANANA Solonirina
4- RAVAHIMANANA Guillaume
5- RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady
Tonga nanatrika ny fivoriana Andriamatoa RAHOLIJAONA Narson na dia tsy mpikambana ao
amin’ireo Vaomiera ireo aza.
Nahatonga fialan-tsiny Ramatoa DELPHINE Florentine.
Ireto kosa ireo teknisiana tonga nisolo tena ny Governemanta, Ramatoa sy Andriamatoa
isany:
1- RANDRIANARITIANA Pierrot Serge
SG MINAGRI
2- RAJEMISA Haingotiana
MFB/DDP
3- RAMAROSON Lantonirina
MADR/BVPI
4- RATSIMA RASENDRA
FID
5- RAPANOELINA Mamisoa
FID
6- RAKOTONANDRASANA Joelisoa
MFB/DDP
7- RAZAFINDRATSIMBA Maminirina
MFB/DDP
8- RAKOTOMALALA Misa
MFB/DDP
9- RAHARISOA Clémence
MFB/DDP
45
Raha nandray fitenenana, Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fambolena sy ny
Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra, dia niala tsiny noho ny tsy fahatongavan’ireo
mpikambana sasany ao amin’ny Vaomiera noho ny fifanindrian’ny fotoam-pivoriana.
Taorian’izany dia niangavy ny teknisiana izy, mba hanazava ny mombamomba ity Volavolandalàna ity.
Ny solotena avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola no nitondra
fanazavana mikasika ny lafiny ara-bola ka tamin’izany no nanambarany, fa mitentina
42 500 000 DTS na 65 000 000 Dolara ny famatsiam-bola ho an’ity Tetikasa ity. Averina ao
anatin’ny 40 taona izany ka ny 10 taona voalohany dia tsy andoavana renivola fa ny zanabola
ihany no averina. Ny 30 taona manaraka no amerenana miaraka ny zanabola sy ny renivola.
Ny “commission d’engagement”, izany hoe ny saran’ny nitehirizana ny vola dia 0,50%-n’ny
vola tsy mbola nosintonina.
Ny “commission de service” dia mifanahantsahana amin’ny «taux d’intérêt» (crédit) ka
0,75%-n’ny vola nosintonina izay mbola tsy voaverina.
Raha nandray fitenenana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fambolena dia nanazava
ny lafiny ara-teknika. Nomarihiny fa ny BVPI (Programme National des Bassins Versants et
Périmètres Irrigués) izay miankina amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny FID (Fonds
d’Intervention pour le Développement), izay miankina amin’ny Primatiora no miara-miasa eo
amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa (Agences d’exécution).
Ny tanjon’ny tetikasa dia :
- fiahiana ara-tsakafo sy fiarovana ara-tsosialy ireo olona marefo noho ny fahavoazana
nateraky ny valala sy ny loza voajanahary;
- fanatsarana ny fahafahana mamokatra;
- fampiasana olona izay omena tambiny vola;
- fanatsarana sy fiahiana ara-tsakafo;
- fahafahana mamaha ny olana raha sendra misy krizy.
Mikasika ny fanatanterahana ny asa dia voatsinjara toy izao:
- “composante A”: fampiroboroboana ny fambolena amin’ny alàlan’ny fanomezana
zezika, masomboly, fitaovana enti-mamokatra; fanarenana ny fotodrafitrasa toy ny
fitarihan-drano; fiatrehana ny andiam-balala; fiarovana ny tantsaha amin’ny fananantany; famporisihana hamboly hazo iarovana ny sahan-driaka; fanaraha-maso ny
politikan’ny fananan-tany; fiatrehana haingana kokoa ny loza voajanahary mba tsy ho
tampoka amin’ny tantsaha ny fiatrehana izany.
-
“composante B”: ny FID no manatanteraka izany ka miompana amin’ny fampiasana
ny olona omena tambiny vola izany (cash for tree; cash for work)
-
“composante C”: tsy mbola misy ny vola mikasika ny «fonds d’urgence», fa raha
sendra misy ny loza voajanahary ka ilàna vola maika dia misy ampaham-bola afindra
ao amin’io “composante C” io.
46
-
“composante D”: fitantanana ny tetikasa ifandrimbonan’ny BVPI sy ny FID; ao
anatin’izany ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola (audit, évaluation).
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory:
1- Tokony hazavaina misimisy kokoa ny mikasika ny “remboursement du principal”.
2- Mety ve rahatoa ka ampidirina ato amin’ny Tetikasa ihany koa ireo teboka dimy ao
amin’ny “Révolution verte”?
3- Ahoana ny fomba nisafidianana ireo faritra iantefan’ny Tetikasa?
4- Manao ahoana ny fanaovana tatitra manoloana ny fahatanterahan’ny asa?
5- Ahoana ny amin’ireo faritra nandalovan’ny andiam-balala kanefa tsy voafidy ao
anatin’ity Fifanarahana ity (oh: Melaky)?
6- Ahoana ny fomba hisintonana ny vola amin’itony tetikasa itony?
7- Mangarahara amin’ny vahoaka ve ny fitantanana ny vola ary misy ve ny tatitra atao
amin’izany?
8- Manao ahoana ny fifandanjan’ny kitapom-bola ao amin’ireo “composantes” ireo?
9- Tokony ho tafiditra eto koa ny Ministeran’ny Fananan-tany sy ny Ministeran’ny
Tontolo Iainana, ahoana ny amin’izany?
10- Azo heverina ho fahavoazana vokatry ny voina ve ny vary potiky ny valala? Voafaritra
ato anatin’izao tetikasa izao ve ny fanadiovana ny tatatra manondraka ny tanimbary
any Ifanja?
11- Mety ve raha mba miditra ao amin’ilay “Comité Régional de Suivi” ny
Solombavambahoaka ary firy volana aorian’ny fankatoavana ity Volavolan-dalàna ity
ny fanombohana ny asa?
Toy izao ny valin-teny natolotry ny teknisiana:
1- Mikasika ny “remboursement du principal” dia nanazava ny teknisiana fa ny taona
2014 hatramin’ny 2023 dia ny “commission de service” ihany no averina.
Manomboka ny 2024 hatramin’ny 2063 dia isaky ny 15 Avrily sy ny 15 Oktobra no
fotoana amerenana izany. Izany hoe mahatratra “60 paiements” izany mandrapahavoaloa ny trosa nindramina.
2- Tafiditra ato avokoa ireo teboka dimy voalazan’ny “révolution verte” fa ny anarany
fotsiny no niova ary nohamafisina amin’ny “sous projets”ny andraikitry ny tantsaha.
3- Ny faritra iantefan’ny tetikasa dia ireo faritra voakasiky ny andiam-balala sy ny faritra
mamoka-bary (grenier à riz) mba hisian’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo (sécurité
alimentaire).
4- Momba ny tatitra dia ny DRDR no manatanteraka ny asa any amin’ny faritra ka
amin’izany dia tsy maintsy misy ny fandaharan’asa mandritra ny taona. Miainga
amin’ny tatitra tonga any amin’ny DRDR no ahafahana manara-maso ny
fanatanterahana ny asa.
5- Mikasika ny faritra tsy voafidy ao anatin’ity Fifanarahana ity dia efa misy Tetikasa
hafa atao amin’izany; any amin’ny Faritra Melaky izao dia tetikasa roa misahana izany
faritra izany; ny Faritra Analamanga sy ny Atsimo Andrefana dia misy koa tetikasa
misahana izany.
6- Ny faharetan’ny Tetikasa dia mandritra ny 4 taona fa ny famerenana ny vola kosa
mandritra ny 40 taona. Miankina amin’ny fahavitan’ny asa ny fisintonana ny vola ka
amin’izany dia na aloa mivantana amin’ny orinasa izany na arotsaka amin’ny
kaontin’ny Tetikasa. Izany rehetra izany dia mandalo fanaraha-maso avokoa. Volampanjakana madiodio no amerenana ny trosa.
47
7- Mikasika ny tatitra amin’ny fampiasam-bola dia mivantana amin’ny tantsaha ny
tetikasa rehetra (zezika, fotodrafitrasa, masomboly). Eo anivon’ny Faritra dia ahitana
ny “Comité Régional de Suivi” izay ahitana solotenan’ny Faritra, ny olom-boafidy,
solotenam-panjakana ka ireo no manara-maso ny fanatanterahana ny asa. Misy koa
ny tatitry ny Governemanta izay tsy maintsy entina eto anivon’ny
Antenimierampirenena ka ny Solombavambahoaka no mampita izany any amin’ny
tantsaha.
8- Ho an’ny tsirairay dia:
- “Composante A”: 39 000 000 USD.
- “Composante B”: 17,2 millions USD.
- «Composante C»: tsy misy vola ao amin’io “composante» io fa rehefa mitranga ny
loza vao amindrana vola ao.
- «Composante D» 8,8 millions USD (iarahan’ny FID sy ny BVPI).
Ny FID moa, hoy ny teknisiana, dia miankina amin’ny Primatiora nefa eto miara-mitantana
fandaharan’asa amin’ny Ministeran’ny Fambolena izy mba hanohanana ny Faritra izay
nandalovan’ny andiam-balala ho fampitambarana hery. Ny olona voasokajy ho latsaka
ambany fari-piainana no omena takalon’asa.
Ao amin’io 17,2 millions USD io dia misy ampahany 1,6 millions USD natokana ho an’ny
“projet pilote” hanohanana ny mpianatra mba tsy hitsoaka an-daharana. Tetikasa iarahana
amin’ny Fanabeazam-pirenena sy ny ONN izany ka singanina manokana ireo “fadiranovana”.
Omena vola (bourse) ny Ray aman-dreny hatao solon-tsakafo mba tsy hampijanonany ny
zanany amin’ny fianarany. Misy ny fanaraha-maso ka raha vao mitsoaka an-daharana ny
ankizy dia tapaka izany fanampiana izany.
9- Ny Ministeran’ny Fambolena ihany no miditra amin’ity tetikasa ity satria tsy ho
zakany raha ny momba ny “Bassins Versants” rehetra satria midadasika loatra izany.
Ny sahandriaka manamorona ny tatatra sy ny tanimbary ihany no sahaniny mba
hiarovana ny fihotsahan’ny tany.
10- Mikasika ny onitra noho ny fahasimban’ny vary dia marihana fa ny tanjon’ity tetikasa
ity dia ny fanampiana ny vahoaka hiarina fa tsy hizarana zavatra. Ny fanadiovana ny
lakan-drano any Ifanja dia anisan’ny asa maika tokoa ka tsy maintsy hisy ny
fanadihadiana hijerena izany.
11- Azon’ny Solombavambahoaka atao ny miditra ao amin’ny “Comité Régional de Suivi”.
Eo amin’ny iray (01) volana eo ho eo aorian’ny fankatoavana ny Volavolan-dalàna no
ahafahana manomboka ny asa. Mbola misy lalana maromaro arahina mantsy vao
tonga amin’izany.
Nangataka ny Solombavambahoaka, mba hisian’ny vokatra mahafa-po eo amin’ny ady
amin’ny andiam-balala mba tsy hiverenan’izany.
Nohamafisin’ny teknisiana, fa mba tsy hiverimberenan’ny andiam-balala dia misy ampahambola atokana amin’izany ato amin’ity Tetikasa ity. Marihina, hoy izy ireo, fa mbola ao
anatin’ny telo taona no iadiantsika amin’ny andiam-balala vao mety ho fongotra tanteraka
izany.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fankatoavana ny Volavolan-dalàna ny mpivory. Noho ny tsy
fahatratrarana ny fetrisa ahazoana manapa-kevitra anefa dia niato 30 minitra, ny fivoriana
ho fanajana ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Antenimierampirenena.
48
Rehefa izany dia nankatoavin’ny mpivory ny Volavolan-dalàna laharana faha-002/2014
“autorisant la ratification de l’Accord de Prêt au financement du Projet d’Urgence de
Sécurité Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar et
l’Association Internationale de Développement (IDA).
Nifarana tamin’ny 5 ora, hariva, ny fivoriana, rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
-7- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra an’izany tatitra izany.
Izao isika dia hiroso amin’ny fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana teo.
Fanamarihana sy fanitsiana momba ny tatitra aloha no ataontsika, fa mbola tsy miditra
amin’ny adihevitra ankapobeny.
Atsangano ny tànan’izay handray fitenenana, handraisana ny anarany.
Ny Solombavambahoaka RAZANAKOTO.
Andriamatoa RAZANAKOTO
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba an’ireo mpiara-miasa aminao sy ireo Solombavambahoaka, tonga manatrika ity
fivoriana ity.
Andramasina dia ao amin’ny Faritra Analamanga. Gagagaga ihany ny tenanay, satria raha
hiresaka ity “bassin versant” ity dia tena voa tanteraka ny Faritra misy anay. Asa ao amin’ny
Minisitera ao raha misy programa ihany na ahoana fa saika potika daholo ny lakan-drano
manamorona ny tanimbary, amin’iny Faritra misy anay iny, noho ny tsy fahampian’ny
fikojakojana.
Tamin’ny andron’ny Repoblika Voalohany sy tamin’ny Fanjanahan-tany dia nandray
andraikitra tamin’ny fikarakarana ny lakan-drano ny Minisitera, amin’izao fotoana izao tsy
misy fikarakarana intsony fa ny vahoaka no manao azy; ny vahoaka anefa iaraha-mahalala fa
sahirana, tsy vitany intsony izany. Miangavy anareo izahay na dia tsy tafiditra ao anatin’ity ny
faritra misy anay dia Andramasina izay ao anatin’ny Faritra Analamanga, miangavy anareo
mba jereo ihany aloha, mba ampidiro ao anatin’ny “Composante C”, raha azo atao fa tena
sahirana tokoa amin’ny fambolena. Raha tsy misy fikarakarana dia ho potika tanteraka ny
fambolena amin’iny faritra misy anay iny.
Izay angamba, Andriamatoa Filoha, ny fitenenana.
Misaotra betsaka, Tompoko.
49
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Efa noteneniko teo hoe fanitsiana ny tatitra aloha no ataontsika izao na famenoana raha
ohatra izay nivory tao no misy fanatsarana tianareo hatao, rehefa tsy misy izay, vao miditra
amin’ny adihevitra isika.
Fanamarihana kely fotsiny izay.
Satroka, Andriamatoa Lehiben’ny Vaomiera.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ho antsika Solombavambahoaka namana, “accord”, resaka “ratification” araka ny
voalazan’Andriamatoa Filoha teo izay. Raha ohatra misy tsy tafiditra ny zavatra nodinihana
tany amin’ny Vaomiera, ato ny Teknisiana, ato koa ny Solombavambahoaka nanatrika tany
hoe: tsy tafiditra ny zavatra tahaka izao.
Miangavy antsika, satria ity resaka “ratification” ity dia vola ampitrosaina antsika ka ny
zanabola ihany no efaina aminy. Laniantsika any ity, satria na tsipahana na ekentsika, izay
fotsiny no azo atao, fa tsy azo anaovana “amendement” ity.
Koa miangavy antsika, lanio any ity fa mbola misy roa tavela ao.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola nanao an’izay
fanamarihana izay.
Sao kosa misy fanamarihana avy amin’ny Teknisiana solotenan’ny Governemanta.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetra Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola
Misaotra, Tompoko, nanome ny fitenenana.
Rehefa avy eo angamba mbola hanao ny fiarahabana sy ny “présentation”-n’izao solotena
izao, fa eo amin’ny tatitra tany amin’ny “travaux de commission” izay novakiana teo no misy
fanamarihana vitsivitsy avy amin’ny Teknisiana. Raha mety dia arosonay ireny fanamarihana
ireny.
Voalohany eo amin’ny takelaka faha-2, ao amin’ilay “composante B”, voasoratra hoe ny FID
no manatanteraka izany ka miompana amin’ny fampiasana ny olona omena tambiny vola
izany (cash for tree). Eo no asiana “proposition” araka ny nambaran’ny Teknisiana, ampiana
kely eo aorian’ny “cash for tree” hoe: “cash for work”, ampiana koa hoe: “cash transfert
conditionné”.
Izay no fanamarihana voalohany.
Manaraka izany, Tompoko, eo amin’ny pejy faha-3, manao hoe: “Taorian’izany dia niroso
tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory:
50
1- Tokony hazavaina misimisy kokoa ny mikasika ny “remboursement principal”. Io,
Tompoko, dia ovaintsika hoe: “remboursement du principal”.
Izany hoe: famerenana ny vola “principal”, averina indroa isan-taona araka ny “accord de
prêt” ataontsika”.
Toraka izany koa ny fanamarihana eo amin’ny pejy faha-3 ihany, erỳ ambany misy hoe:
Toy izao ny valin-teny natolotry ny teknisiana:
1- Mikasika ny “remboursement du principal” dia mitohy ihany, nanazava ny teknisiana fa ny
taona 2014 hatramin’ny 2024 dia ny “commission de service” ihany no averina. Mba tianay
asiana fehezan-teny iray manaraka an’io, Tompoko, manao hoe: manomboka ny taona 2024
ka hatramin’ny taona 2053, izay vao mitohy hoe isaky ny 15 Avrily sy ny 15 Oktobra no
fotoana amerenana ny renivola. Ampidirina ao koa izay.
Averinay, Tompoko, ampiana fahezan-teny kely hoe: manomboka amin’ny 2024 ka
hatramin’ny 2053, dia tohizana hoe isaky ny 15 Avrily sy ny 15 Oktobra. “Texte” efa misy
amin’ny pejy faha-4 io, Tompoko, erỳ ambony.
Manomboka amin’ny 2024 ka hatramin’ny 2053, izay mba ampidirina kely eo alohan’ny
fehezan-teny hoe: “isaky ny 15 Avrily sy 15 Oktobra no fotoana amerenana ny renivola.
Hatramin’ny taona 2023 izany no ahataperan’ny ao aloha”. Amin’ny “point” voalohany no
ovaintsika hoe 2023. Mikasika ny “remboursement du principal” pejy-3, manazava ny
Teknisiana fa ny taona 2014 ka hatramin’ny 2023. Eo izany no ataontsika hoe 23, dia
ampiantsika ny ao amin’ny pejy manaraka hoe: manomboka amin’ny 2024 ka hatramin’ny
2053, isaky ny 15 Avrily sy 15 Oktobra no fotoana amerenana ny renivola.
Fanamarinana manaraka, Tompoko, pejy faha-5, “avant dernier paragraphe”, manomboka
amin’ny hoe: “Nohamafisin’ny teknisiana, fa mba tsy hiverimberenan’ny andiam-balala dia
misy ampaham-bola atokana amin’izany ato amin’ity Tetikasa ity”. Marihina, hoy izy ireo, fa
mbola ao anatin’ny telo taona no iadiantsika amin’ny andiam-balala vao mety ho fongotra
tanteraka izany. Izany andiam-balala izany no tiana tenenina amin’io; fanamafisana kely fa
tsy ny tetikasa akory no fongotra, sanatrian’izany. Mbola ao anatin’ny telo taona no
iadiantsika amin’ny andiam-balala vao mety ho fongotra tanteraka izany andiam-balala
izany. Pejy faha-5 io.
Tahatahaka izay, Tompoko, ny fanamarihana vitsivitsy avy atỳ amin’ny Teknisiana,
mahakasika ny tatitra nataon’ny Vaomiera teo.
Misaotra indrindra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra ny solotenan’ny Governemanta isika tamin’izay fanamarihana nataony izay.
Raha tsy misy fanehoan-kevitra ankoatra ny henontsika teo, avy amintsika
Solombavambahoaka, dia hiroso amin’ny fanapahan-kevitra isika raha sitrakareo.
Mbola misy? Alefa aloha ilay satroka, misy fanoloran-kevitra anankiray erỳ aoriana erỳ. Izay
ihany.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Manao azafady kely fotsiny, mety tsy izaho no olana amin’ity fa mety ho olan’ny
Solombavambahoaka sasany. Mba azavaonareo kely fotsiny, satria izaho moa tsy teo,
51
sarotra ny handray fanapahan-kevitra amin’ny zavatra tsy fantatra. Mba hazavao kely hoe
inona ireo “cash for tree” sy ny “cash for work”, ny “cash transfert conditionné” ireo.
Solombavambahoaka izahay, Tompoko, tena miala tsiny, fa maro aminay no tsy mahay teny
Anglisy. Izaho mety mahafantatra an’izany fa alohan’ny hanangan-tànana mba azavao kely
fotsiny, azafady.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges, anao ny fitenenana.
Avy eo dia averintsika amin-dry zareo ao amin’ny Governemanta, aorian’izay isika manapakevitra. Mety amintsika izay?
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Vola be no hotrosaina ary notrosaina hatramin’ny taona 1953. Henjana be izany na ny zafiafy
misondrotra ihany. Ny trosa tsy dia mampaninona fa ny zavatra ampiasana azy, satria
hitanao hoatran’ny mikorontana ihany isika; hoatran’ny halatr’omby, tsy halatra valala fa ny
valala misy.
Hisambo-bola isika, ny ahiahy mipetraka, araka ny zava-nisy teo, ny FAO ihany ve no
hitantana an’io vola io dia ny Malagasy no mandoa vola, nefa ny valala tsy maty. Sao dia
hanin-dry zalahy, satria Vazaha daholo no mamono valala any, ny Malagasy tsy mahalala.
Izaho mantsy manahy, lasa tsikera ilay izy, satria hisambo-bola isika. Isika ato amin’ny
Antenimiera no hanao sonia an’ity zavatra ity ny teknisiana malagasy tena mpamono valala
efa tsy mamono intsony, “chiffre” sisa mipetraka, kanefa isika misambo-bola.
Apetraho tsara, aminareo teknisiana milaza hoe isika no mampiasa ny vola fa tsy ny FAO
intsony. Tsy nisy valala matin’ny FAO tamin’io volabe io. Any aminay Arivonimamo, teneniko
anareo fa resaka fotsiny, mody mihodinkodina eny an-tampon-tanety ny “hélicoptère”, ny
ankabetsahan’ny valala tsy maty; vola be anefa no haloa eto, hatramin’ny zafikely hisambobola hamono valala, nefa ny FAO indray no hitantanana azy, ireo vazaha ireo. Etsy
Arivonimamo, mitaingina “hélicoptère”, rahampitso indray izy mandraraka; rehefa avy eo ny
valala mivoaka daholo dia hoe milaza ry zareo hoe mandehana indray ianareo henjehinay
any amin’ny toeran-kafa.
Aleo atao tsara ny marimaritra iraisana ry tompon’andraikitra isany; isika eto amin’ny
Firenena ve no hitantana an’io sa ny FAO indray.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Avy dia valiako angamba izay. Mamaly ny tatitra nataon-dry zareo teo: ao amin’ny pejy faha5, andininy faha-11, manao hoe azon’ny Solombavambahoaka atao ny miditra ao amin’ny
“Comité Régional de Suivi”. “Suivi” no fototr’izay, fanaraha-maso ary azo atao koa ny
manatsara ombieny ombieny ny programa.
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
52
Omena anareo teknisiana angamba ny fitenenana amin’izao fotoana izao, mikasika ny
fanontanian’ny Solombavambahoaka RAVELOARIVONY Behavana teo.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola
Eny Tompoko, alohan’ny hamalianay an’izay fanontaniana izay dia mamelà ahy ianao,
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena, mba hanolotra an’ireto “Délégation”
miaraka aminay eto, misolotena ny Governemanta ato anatin’ity volavolan-dalàna
atrehantsika androany ity.
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena,
Andriamatoa sy Ramatoa, Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena,
Andriamatoa sy Ramatoa Filohan’ny Vaomiera isan-tokony,
Andriamatoa sy Ramatoa isany, Solombavambahoaka.
Amin’ny hafaliana lehibe no iarahabanay anareo tafavory amin’izao Antenimiera manan-kaja
eto androany izao.
Araka ny Lalàmpanorenana, andininy faha-137, rehefa misy volavolan-dalàna atolotra
mahasahana findramam-bola ataon’ny Fanjakana dia tsy maintsy lalàna no mametra izany
ary amin’ny maha fahefana Mpanao Lalàna ny Antenimierampirenena dia ato aminareo no
atolotra ilay volavolan-dalàna, mba ahafahana mandany azy, anefa alohan’ny fandaniana dia
fomba fiasa atỳ amintsika hoe misy adihevitra ataon’ny Solombavambahoaka rehetra aloha
manodidina ny hevitra rehetra voakasik’io lalàna io.
Ny voalohan-teninay, Andriamatoa Filoha, dia fialan-tsiny avy amin’Andriamatoa Minisitry ny
Fitantanam-bola sy ny Teti-bola, ny tenany no tokony hitarika izao solotena izao, kanefa
voairaka tampoka izy ka izahay Talen’ny Kabinetra no tonga eto. Ao ihany koa ireo namana
avy amin’ny Minisitera sy Andrimpanjakana hafa voakasik’io lalàna io, miaraka aminay eto
hanolotra amintsika mianakavy an’izao volavolan-dalàna ankehitriny izao. Ao ny Sekretera
Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena. Ato anilako ato izy. Ao ihany koa ny Tale Jeneralin’ny
“Fonds d’Intervention pour le Développement”, izay “Agence d’exécution” hanatanteraka ny
findramam-bola voakasik’izao lalàna izao. Manaraka ao ny “Coordonateur National de
L’Office National de Nutrition”, izay «agence d’exécution » ihany koa, voakasika hanatontosa
ny fanatanterahana ny asa rehetra ao anatin’io findramam-bola rehefa avy eo io.
Ny amalianay ny fanontaniana mahakasika ny hoe inona no dikan’ny “cash for tree” sy ny
namany rehetra dia omenay ny Teknisiana angamba ny hamelabelatra an’izay fohifohy.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RATSIMA RASENDRA, Tale Jeneralin’ny FID
Andriamatoa Filoha,
Ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra,
Isika Solombavambahoakan’i Madagasikara.
Miteny amin’ny anaran’ny FID aho, satria raha fanontaniana mipetraka eo amin’ny
“Composante B”, ao amin’ny pejy faha-2 dia miantefa aminay. Misy fanazavana mety ho
tsara fantatrareo mialoha, satria sambany vao misy fiaraha-miasa eo amin’ny FID sy ny
Minisiteran’ny Fambolena, ato anatin’ity Tetikasa ity. Ny antony dia noho ny fiheverana fa
53
tsara raha mifanohana ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny FID amin’ny tanjona tiana
hotratrarina.
Ny tanjona tiana hotratrarina moa dia io voalaza ao amin’ny pejy voalohany io. Raha
fintinina, atao indray milaza dia ny ahazoana manarina, manampy ny olona niharan’ny
fahavoazana taorian’ny fandalovan’ny andiam-balala no tena votoatin’ny programa sy ny
fahasahiranana ara-tsakafo mety haterak’izay.
Raha ny mahakasika ny FID, voalaza eo tokoa ireo teny hafahafa tsy dia mahazatra ny sofina
ireo. Ialana tsiny, satria mbola tsy tena hita ny voambolana mahadika azy, kanefa zavatra
fanao eran’izao tontolo izao ihany izy ireo. Ny mahakasika ny hoe “cash for tree”, tonga dia
azonareo an-tsaina avy hatrany, raha ohatra manarina ny sahan’ny “bassin versant” ny BVPI
dia mitaky fambolen-kazo betsaka izay. Amin’izay fambolen-kazo betsaka izay dia ny BVPI no
mialohan’ny FID, ny FID avy ato aoriana, satria manana “réseau” betsaka izy dia ireo ONGs
niara-niasa taminy nandritra ny taona maro. Ny fisian’ireo ONGs ireo no iangavian’ny
Minisitera an’ny FID mba hifanohanana hahatomombana tsara ny fambolen-kazo. Ny FID no
hanisa ny hazo hanamarina ny toerana ambolena hazo ary ny isan’ny hazo tena maniry,
satria ny hazo maniry ihany no anomezana takalom-bola. Ny tombotsoan’ny FID amin’izay
lafiny izay dia ny fananany an’ireo “réseau”-na ONGs ireo, satria mitaky vola betsaka amin’ny
fanatanterahana an’izay fambolen-kazo izay. Ny FID avy ato an-damosina hanamarina ny
fanatanterahana ny asa ary handoa ny vola lany tamin’ny fambolena hazo.
Izay no mahakasika ny “cash for tree”.
Mbola miala tsiny ihany aho noho ny tsy fahavitana azy amin’ny teny malagasy, fa tahaka ny
hoe vola atakalo hazo. Raha atao indray miteny dia vola atakalo hazo.
Ilay faharoa, hoe “cash for work”. Io indray dia efa misy dikany amin’ny teny malagasy ihany,
efa mahazatra ny sofintsika hoe vola atakalo asa. Mbola fifanohanana amin’ny
Minisiteran’ny Fambolena ihany no antony anarahan’ny FID avy ato an-damosiny amin’ny
fanaovana vola atakalo asa. Atakalo asa ho fanohanana an’ireo olona tena hita fa trotraky ny
fandalovan’ny andiam-balala. Omena lelavola ireo olona ireo ary misy asa ary izy ihany no
misafidy azy. Omena lelavola izy mandritra ny telo taona mba ahazoany manarina ny
fahavoazana nateraky ny fandalovan’ny valala.
Ny faritra hidirana amin’izany, mazava ho azy fa ny faritra hita fa nandalovan’ny valala. Tsy
dia sarotra akory ny mamaritra azy fa ny Minisiteran’ny Fambolena no efa manana teknika
entina mamaritra an’ireny toerana ireny.
Mikasika ny “cash transfert conditionné” no mety ho vaovao amin’ny sofintsika. Io indray dia
endrika avy amin’ny fanohanana ara-tsakafo, fa ampidirina avy amin’ny fampianarana.
Hitanareo ao amin’ny pejy faha-5 ny fanazavana azy. Misy ampahany amin’ny anjaran’ny FID
amin’io tarehimarika io, misy “1,6 millions de dollars” hanaovana “projet pilote” ho faritana
amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana.
Ny tiana ahatongavana amin’io dia ady amin’ny fitsoahana andaharana. Hanao karazana
“projet pilote” amin’ity PURSAPS ity, satria heverina fa zavatra azo atao amin’ny sehatra
midadasika bebe kokoa izy any aoriana any. Efa miomana amin’izany ny mpamatsy vola ary
nanaiky ny tolo-kevitra niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fampianarana. Handramana aloha
ny “projet pilote”. Raha atao indray milaza dia ho faritana ireo fianakaviana tena atao hoe
fadiranovana. Manan-janaka izy ireo, ampidiriny mianatra nefa matetika tsy tonga hatrany
amin’ny faran’ny taona ilay zaza mianatra fa mitsoaka andaharana noho ny antony tsy
hazavaiko aminareo intsony.
54
Mba hisakanana an’izay dia homena “bourse” ireo fianakaviana ireo dia hamarinina isambolana isam-bolana, misy “bourse” homena azy isam-bolana izany. Rehefa mahazo “bourse”
izy amin’ny volana voalohany dia hamarinina amin’ny volana faharoa ny “assiduité”-ny. Raha
tanteraka ny “assiduité” nifanarahana, satria anaovana “contrat” ireo fianakaviana ireo dia
mitohy hatrany ny fifanarahana, hotohizana amin’ity ampaham-bola kely ity aloha,
hotohizana mandritra ny telo taona.
Ny tiana ahatongavana dia mba ahazoana manao programa mivelatra bebe kokoa amin’ireo
Faritra tena malaza betsaka ankizy mitsoaka andaharana.
Tahatahaka an’izay, Tompokolahy sy Tompokovavy, ny votoatin’ny antsoina hoe “cash
transfert conditionné”. Ny “conditionné” dia anamarinana fa tena manohy ny fianarany
tokoa ilay zaza. Iarahana amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ny fanamarihana hoe
mianatra, tonga any ampianarana ara-dalàna ilay zaza, fa raha vao tsy tonga any izy dia
hamarinina ny fomba tsy maintsy anapahana ny “bourse” mba hamindrana azy amin’ny zaza
izay hita fa mianatra tanteraka.
Misaotra, indrindra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Alohan’ny hirosoantsika amin’ny fandaniana, aleo ianareo Solombavambahoaka roa ihany
no omena fitenenana, avy dia miditra isika satria maika mantsy ity lalàna ity, maika be ity
volavolan-dalàna ity.
Andriamatoa DJAOSERA Irénée
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra sady miarahaba anareo avy amin’ny
Governemanta koa.
DJAOSERA Irénée, Solombavambahoaka voafidy tany Analalava.
Azo ny fanazavana mikasika ny findramam-bola hataontsika, mazava be.
Ny tiako anontaniana, amin’ny maha-“exécution” azy. Rehefa avy eo, ity ho lany fa ny
hampiasana azy, misy zavatra tsikaritro ato.
Marina ny voalazan’Andriamatoa Filoha teo, manao “suivi” no ataon’ny atỳ amin’ny
Parlemanta raha te-hanao, fa ny “exécution” dia anareo ao amin’ny “Exécutif”. Mazava izay.
Ity “zone d’intervention” izay nofaritanareo ato amin’ny “exposé des motifs” ity, misy
«critère» napetrakareo ve, satria ao anatin’ny tany mamokatra ihany koa ny Faritra Sofia,
kanefa tsy hita ao anatin’ny «zone d’intervention»-nareo. Ao amin’ny «exposé des motifs»
no misy an’izay.
Mangataka ny hampidirana ny Faritra Sofia amin’ny «exécution» noresahiko teo aho.
Misaotra betsaka, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha.
Ny Solombavambahoaka NIVO Rufin.
55
Andriamatoa NIVO Rufin
Solombavambahoaka NIVO Rufin, Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i
Farafangana.
Efa voalazan’ny Solombavambahoaka namako teo ny sasany fa ny anampiako azy angamba
dia fisaorana anareo ONN sy FID niasa ao amin’ny Distrikanay.
Izay ihany no anampiako azy ary tokony ankatoavintsika ity zavatra ity, satria ny vahoaka
Malagasy dia miandry amin’ny fandaniantsika azy.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Solombavambahoaka RAVELOARIVONJY Behavana, satroka antsasa-minitra.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Tsy te-handany andro anareo fa mba mangataka anareo ao amin’ny Vaomiera, rehefa misy
teny anglisy tahaka an’io ankoatra ny frantsay, mba asio “entre parenthèse”, satria na
ianareo aza tsy mahay ny dikany. Iza no mahafantatra ny dikan’ireo. Asio “entre parenthèse”
io fa manjary mahalava resaka.
Ho anareo Vaomiera manaraka no tiako tenenina, fa misaotra amin’ny fanazavana.
Raha misy teny anglisy tahaka an’io, mba asio “entre parenthèse” ary tonga dia hazavao ao
ny dikany fa mijaly izahay manaraka azy.
Tsy ho ahy izany, Tompoko, “I speak English very well”, fa ho an’ny namako sasany. Izahay
ato mantsy misy tsy mahay miteny anglisy.
Misaotra, Tompoko.
-8- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna faha-002/2014,
tamin’ny 21 May 2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au
financement du Projet d’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection
Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Aleo hiroso isika amin’izay.
Efa nambarako teo fa roa ihany no miteny. Andriamatoa Solombavambahoakan’i
Vatomandry, miala tsiny.
Koa satria tsy misy fandraisam-pitenenana intsony dia hiroso amin’ny fandraisana
fanapahan-kevitra mikasika ity «projet de loi N°002/2014, du 21 mai 2014, autorisant la
ratification de l’Accord de Prêt relative au financement du Projet d’Urgence de Sécurité
Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar et
l’Association Internationale de Développement (IDA)» isika izao.
Marihina fa ahitana andininy miisa roa ity volavolan-dalàna ity ary araka ny voalazan’ny
andininy
faha-163,
ao
amin’ny
Didim-pitondrana,
laharana
faha-67-n’ny
Antenimierampirenena mikasika ny Fitsipika Anaty Mifehy ny Antenimierampirenena dia tsy
56
azo kitihina ireo andininy ao anatin’ny fifanarahana, fa na ankatoavina na tsipahana na
ahemotra ny fandinihana azy.
Koa izay mandany an’io volavolan-dalàna io, atsangano ny tànana.
- Solombavambahoaka miisa 47 no nanangan-tànana Marihina fa raha ny isan’ny nametraka fialan-tsiny ato dia tratra ny fetr’isa.
Iza no mitsipaka aloha.
- Tsy misy Iza no milaza fa ahemotra.
- Tsy misy Iza no tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Koa ambara etoana fa lany ny volavolan-dalàna izay nodinihana teo.
Taorian’izay fandaniana ny volavolan-dalàna izay dia omena fitenenana ny solotenan’ny
Governemanta, rahatoa misy teny tiany ambara.
Omena anao ny fitenenana, Tompoko.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filohan’ny Antenimiera,
Ianareo Solombavambahoaka, tafavory eto androany.
Tsy misy teny maro ambara intsony avy atỳ amin’ny iraky ny Governemanta ankoatran’ny
fisaorana eram-po, eran-tsaina antsika mianakavy nanaiky nandany an’iny volavolan-dalàna
iny.
Tiana hifototra bebe kokoa amin’ny fanampiana ny ara-tsosialy, ny sosialim-bahoaka ny
politikan’ny Governemanta ankehitriny.
Mbola hisy lalàna anankiroa rehefa avy eo ho dinihantsika dia ho hitantsika tsara fa miezaka
hatrany ny Governemanta, mba hirona kokoa mankany amin’ny vahoaka sy ny fiainambahoaka ny asa atao.
Voaray daholo, Tompoko, ny fanamarihana rehetra nambaranareo teo na ny teny anglisy
izany na ny Faritra izay mbola tsy voakasika amin’izao lalàna izao. Tsy anjaranay angamba ny
manome toky fa ny azonay ambara dia i Madagasikara iray manontolo no tanjona. Tsy
maintsy mahazo ny tandrify azy avy ny isam-paritra amin’izao Fitondrana ankehitriny izao.
57
Koa dia mbola mamerina ny fisaorana sy fankatelemana.
Misaotra, Tompoko.
-9- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui
d’Urgence aux Services essentiels d’Education de Nutrition
et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » Andriamatoa FILOHA
Mankasitraka, mankatelina, Tompoko.
Arahabaina isika fa lany iny volavolan-dalàna iny ary enga anie ka ao anatin’ny fotoana
faran’izay fohy dia ho tonga ny vola “65 millions de dollars” satria tena ilain’ny vahoaka
tokoa io tetikasa io.
Tompokolahy sy Tompokovavy, izao indray isika, raha sitrakareo dia hiroso avy hatrany
amin’ny fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra manaraka.
Mikasika ny «Projet de Loi N°003/2014 du 21 mai 2014 autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt» izany ny tatitra.
Misy voakasika amin’ny volavolan-dalàna manaraka ve ianareo?
Izay ao anatiny dia iangaviana hipetraka, fa izay tsy ao anatiny kosa omen-dalana.
Raha sitrakareo dia tohizantsika, avy eo isika maka aina kely dia miditra amin’ny “projet de
loi” manaraka indray.
Avy dia vitaina daholo, vao maika mety.
Izao dia hiroso amin’ny fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny “projet de
loi n°003/2014 du 21 mai 2014 autorisant de la ratification de l’Accord de prêt relatif au
financement additionnel pour le Projet d’Appui d’Urgence aux Services essentiels
d’Education, de Nutrition et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar et
l’Association Internationale de Développement (IDA).
Koa iangaviana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera, hamaky ny tatitra momba izany.
- 10 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSONA Fanomezanjaka Pierrot
Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 5 ora sy 10 minitra, hariva, ny Vaomiera
mitambatra, niarahan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola sy ny Vaomieran’ny
Fanabeazam-pirenena, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-003/2014 tamin’ny
21/05/14 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel
pour le Projet d’Appui d’Urgence aux Services essentiels d’Education, de Nutrition et de la
Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de
Développement (IDA)».
58
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny
Tetibola, no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo Solombavambahoaka nanatrika ny fivoriana,
- Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola:
Andriamatoa isany:
1. RAZAFIMILY Constance
2. RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot
3. RAVELONANOSY Mamy Tiana
- Vaomieran’ny Fanavaozam-pirenena:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. ANDRIAMASIMANANA Auréline
2. RANDRIAMBOLAINA Gerry
Solombavambahoaka nahatonga fialan-tsiny:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. TSABOTOKAY Honoré
2. DELPHINE Florentine
Ireo teknisiana tonga nisolo tena ny Governemanta:
Ramatoa sy Andriamatoa isany
- RAJEMISA Haingotiana
- JEAN-FRANCOIS
- RAKOTOVAO François de Paul
- RAHARISOA Clémence
- RAKOTOMALALA Misa
- RAKOTONANDRASANA Joelisoa
- ANDRIAMIFIDY Soafaniry
- RAZAFINDRATSIMBA Harinirina
MFB/DDP
DNI-PNNC
RNAF Unité PNNC SEECALINE
MFB/DDP
MFB/DDP
MFB/DDP
MFB/DDP
MFB/DDP
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny avy hatrany ny
teknisiana ny fitenenana mba hanomezan’izy ireo fanazavana mikasika ity volavolan-dalàna
ity.
Nanomboka izany ny teknisiana avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny
Tetibola, ka nanambara fa ity famatsiam-bola ity dia iarahana amin’ny Banky Iraisampirenena. Famatsiam-bola fanampiny izy ity, fa efa nisy ny «financement initial» mikasika ny
“Projet d’Appui d’Urgence aux Services essentiels d’Education, de Nutrition et de la Santé»
(PAUSENS) tamin’ny taona 2012 fa fanampiny ity. Ny «financement initial» dia momba ny
fampianarana, ny tsy fanjariana ara-tsakafo ary ny fahasalamana; amin’ity kosa dia mikasika
ny tsy fanjariana ara-tsakafo fotsiny.
Ny Banky Iraisam-pirenena no mampindram-bola, izay mitentina «6 500 000 DTS na
10 000 000 USD na 22 956 700 000 MGA”. Hifarana amin’ny 31 Jolay 2016, ity tetikasa
nindramam-bola ity.
59
Mandritry ny 40 taona no hamerenana ny trosa, ka ny 10 taona voalohany dia tsy
amerenana renivola, fa ny “commission” ihany. Ny 30 taona farany kosa no handoavana ny
renivola sy ny “commissions”.
Indroa isan-taona no andoavana ny vola notrosaina (15 Aprily sy 15 Oktobra). Amin’ny 15
Aprily 2024 vao manomboka ny famerenana ny renivola, ka hatramin’ny 15 Oktobra 2053,
amin’ny tahany farany ambany.
Eo amin’ny 0,50% isan-taona ny “commission d’engagement” amin’ny vola tsy mbola
nosintonina, ka mitsahatra izany rehefa nampiasaina daholo ny vola.
Eo amin’ny 0,75% isan-taona ny “commission de service” amin’ny vola nosintonina mbola tsy
voaverina.
Anisan’ny fepetra faran’izay tsara ity famatsiam-bola ity, satria tsy mavesatra amin’ny
toekarentsika noho ny tsy fandoavana ny renivola mandritry ny 10 taona voalohany.
Nanohy ny fanazavana amin’ny lafiny teknika ny teknisiana avy ao amin’ny ONN, izay nilaza
fa findramam-bola natao hiadiana amin’ny tsy fanjariana ara-tsakafo izy ity. Misy Faritra 4 no
voakasika amin’izany dia: Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra, Itasy, ary
Distrika roa ao amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana.
Ireto avy no voakasiky ny tetikasa:
- Ny zaza vao teraka hatramin’ny enim-bolana, ny zaza enim-bolana hatramin’ny 24
volana ary ny zaza 25 volana hatramin’ny 59 volana;
- ny reny bevohoka;
- ny reny mampinono.
Ireo sokajin’olona ireo no iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo be indrindra.
Miisa 1651 ny toby SEECALINE, ka toby iray isaky ny Fokontany izany.
Misy ny fanohanana ny tokantrano eo amin’ny fitadiavana, satria mifandray amin’izany ny
tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana eny anivon’ny sekoly.
Ireto avy ireo asa hatao:
- fanomezana an’ireo tantsaha fanofanana sy fitaovana madinidinika momba ny fambolena
(zezika) sy ny fiompiana ao anatin’ny fotoana fohy, ka izy ireo no misafidy izay tiany
hanampiana azy. Haraha-maso ny fanatanterahany ny asa hatramin’ny fahazoany vokatra;
- “promotion de l’activité WASH”: rano, “hygiène” ary “assainissement”;
- famporisihana ny tantsaha amin’ny fihinanana “protéine animale” toy ny atody, ny akoho …
fa tsy hamidy foana izany;
- fitehirizana sy fanodinana ny vokatra;
- fizarana ody kankana sy vy (fer) any an-tsekoly;
- fanohanana ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny tetikasa;
- famerenana ny fampandehanana ny toby SEECALINE.
Mahatratra 47% ny “taux global de la malnutrition chronique” eran’i Madagasikara, fa
Faritra 4 no laharam-pahamehana iantefan’ny tetikasa, mba hialana amin’ny laharana faha10 avy any amin’ny farany izay misy an’i Madagasikara.
Taorian’izany dia tsy nisy ny fametraham-panontaniana, satria nazava sy nahafa-po ny
mpivory ny fanazavana nentin’ny teknisiana.
60
Niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory.
Ho fanajana ny andininy faha-50 amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena
dia naato 30 minitra, ny fivoriana.
Nankatoavin’ny Vaomiera mitambatra ny volavolan-dalàna laharana faha-003/2014 tamin’ny
21/05/14 «autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel
pour le Projet d’Appui d’Urgence aux Services essentiels d’Education, de Nutrition et de la
Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de
Développement (IDA)» ka hoentina eo anivon’ny Fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra
farany.
Nifarana tamin’ny 6 ora sy 10 minitra, hariva, ny fivoriana, rehefa avy nisaotra ny mpivory,
Andriamatoa Filoha.
- 11 - Fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay.
Izao isika dia hiroso amin’ny fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana teo.
Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny, fa fanitsiana ny tatitra aloha no
ataontsika izao.
Atsangano ary ny tànana ho an’izay handray fitenenana handraisana ny anarany.
Fanitsiana sy fanamarihana, fa mbola tsy ady hevitra.
Efa mazava.
Rehefa milamina ny avy atỳ amin’ny Solombavambahoaka dia omena antsika ao amin’ny
Governemanta indray ny fitenenana. Anareo ny sehatra.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Ny avy atỳ aminay, Tompoko, dia tsy misy fanamarihana intsony raha mahakasika ny tatitra
voalaza teo.
Misaotra, Tompoko.
61
- 12 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Raha izay no izy dia misokatra ho antsika Solombavambahoaka indray ny adihevitra, raha
misy hevitra tiantsika haposaka, mikasika izay voalaza rehetra teo.
Iza avy no handray fitenenana? Solombavambahoaka firy?
Andriamatoa Solombavambahoaka avy any Vatomandry.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Fanontaniana ny ahy no apetrako, satria voafaritra ato fa any Vakinankaratra, Itasy,
Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony no iasan’io tetikasa io. Raha heverina fa misy
“cyclone” mandalo tampoka any amin’ny Faritra Atsinanana, tsy azo ampidirina amin’io
tetikasa io ve izy amin’izay fotoana izay sa itadiavana vola manokana, satria raha ny fahitako
azy, ny Faritr’Itasy dia tsy anisan’ny toerana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo loatra eto
Madagasikara raha oharina amin’ny faritra sasany. Izay no “critique” apetrako. Raha ohatra
mandalo ny rivo-doza na ohatra izay, moa ve azo ampidirina amin’izay fotoana izay ny
toerana iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Filoha, anao ny fitenenana.
Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy fantatro na mbola anaty adihevitra isika izao na fanitsiana, tsy fantatro.
Andriamatoa FILOHA
Efa adihevitra isika izao.
Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles.
Miarahaba anareo teknisianin’ny ONN.
Izao no fanontaniana mipetraka: marina fa miresaka momba ny SEECALINE isika izao. Misy
vola ary misy faritra voatokana. Ny ahy ny zavatra apetrako aminareo tompon’andraikitra
amin’ny ONN, tsy mbola nahazo vola mihitsy efa ho iray taona izao ireo mpiandraikitry ny
SEECALINE ireo. Tsy fantatro na eran’i Madagasikara izany fa ny any aminay Faritra AlaotraMangoro, any Moramanga iny, mbola tsy nandray vola mihitsy. Tsy fantatra ny antony, satria
misy “projet” sahala amin’izao mandalo eto mikasika ny SEECALINE; misy foana io na
tamin’ny izahay CT aza. Ny olona miasa, nefa tsy misy vola. Tsy fantatro ny anton’izay, satria
miresaka an’ity isika dia tenenina izany. Misy foana ny “accord” tahaka an’ity, misy
“ratification” mandalo eto. Voasokajy fotsiny hoe “région” izao, “région” izao. Miala tsiny
62
aho, Andriamatoa Filoha, fa ataoko ankapobeny, satria mitaraina ny olona ary vao omaly
mihitsy aho no nisy nanontany hoe: aiza ihany ny karamanay fa hatramin’izao tsy misy vola.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Aleo feperantsika ihany ny fandraisam-pitenenana.
Isa, roa, telo.
Ramatoa Solombavambahoaka.
Ramatoa ANDRIAMASIMANANA Auréline
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo Teknisiana tonga manatrika eto.
Manamafy ny tenin’ny Solombavambahoakan’i Moramanga teo aho. Maro tokoa ny
mpiasan’ny SEECALINE any Mananjary no mbola tsy voaloa ny karamany hatramin’ny taona
2011. Mitondra ny feon’ny vahoaka moa aho eto koa manaitra anareo tompon’andraikitra
ny amin’izany.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka, anao ny fitenenana.
Andriamatoa DJAOSERA Irenée
Miala tsiny fa mateti-pihavy.
Lalàna no dinihantsika eto. Raha manao lalàna hoatran’ity isika ka terena, isika ihany no
voateriny rehefa avy eo.
Tsotra ny ahy ny fangatahana: raha manao “champ d’intervention de projet” tahaka ity isika
dia miangavy izahay mba hosokafana eran’i Madagasikara iray manontolo ny «champ
d’intervention»-n’io “projet” io. Izay no fangatahana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa NIVO Rufin
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo.
Miarahaba ny Solombavambahoaka namana.
Miangavy an’ireto Minisitera ireto aho mba hitady lalam-bola ho anay koa amin’ny
manaraka. Ity dia holanianay, satria ho an’ny vahoaka Malagasy mitovy aminay ihany.
63
Koa miangavy antsika Solombavambahoaka, aza miady ny anjaran’olona fa omeo ny
anjarany; avy eo isika miady ny anjarantsika koa.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Mazava angamba izay ho anareo avy amin’ny Governemanta.
Araka ny voalaza teo na tamin’ity volavolan-dalàna ity na ilay volavolan-dalàna teo, hita
ombieny ombieny fa samy mitady ny anjara masoandrony ny faritra rehetra eto amin’ny
Nosy. Tsy maintsy jerena ny fomba ahafahana manao “répartition équitable et optimale au
point de vue spatial” an’ireny tetikasa ireny.
Anareo ny fitenenana.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Voaresaka amin’ity volavolan-dalàna faharoa natolotra androany ity ny fanjariana aratsakafo, “nutrition”. Ao amin’io volavolan-dalàna io, niarahantsika nanaraka teo fa misy
faritra vitsivitsy voakasika mivantana amin’ny famatsiam-bola voasoratra ao anatin’ny
volavolan-dalàna. Tsy mahagaga rahatoa ka ny Solombavambahoaka tsirairay avy amin’ny
Faritra hafa, izay tsy mbola voatonona tao anatin’ilay narahantsika teo no manontany hoe:
aiza koa no mba anjaranay.
Misy fanazavana kely tokony apetraka amintsika mianakavy angamba eto:
Ny “Primature” eny Mahazoarivo dia toy ny hoe Minisitera, “rattachés” eny ny SEECALINE sy
ny ONN. “Rattaché” eny ihany koa ny BNGRC izay miandraikitra ny famonjena voina rehefa
misy ny loza voajanahary.
Nisy resaka nandeha teo hoe raha misy voina mahazo ny faritra hafa dia tsy hojerena ve izy
ireny? Tena jerena ireny Faritra ireny, satria eo anivon’ny Governemanta, araka ny
nambarako teo dia misy “institution en charge de l’intervention” rehefa misy voina mitranga
tahaka ireny. Tsy hisy, Tompoko, Faritra atao zanak’Ikalahafa fa rehefa mitranga ny voina, tsy
maintsy misy “entité” ao amin’ny Governemanta, mandray andraikitra mamonjy na manao
vonjy voina mankany amin’ireny Faritra ireny.
Ity volavolan-dalàna aroso antsika androany ity dia efa misy paik’ady madinidinika any
anatiny. Izay Faritra takatry ny “financement” ireo voalaza ireo.
Mbola afaka mandray fitenenana ihany moa ny “Coordonnateur de la SEECALINE” izay tonga
eto androany, ka hanazava amintsika hoe inona sy inona avy no «critères» noraisina
namaritana ireo Faritra vitsivitsy voalaza ao ireo. Na izany na tsy izany, mbola averinay
indray fa tsy hisy Faritra hatao zanak’Ikalahafa eto Madagasikara, indrindra amin’izany lafiny
famonjena voina eo anatrehan’ny loza voa-janahary sy loza hafa mety hitranga izany.
Manaraka izany, ny resaka nataon’ny Solombavambahoaka avy any Moramanga sy avy any
Mananjary teo, ao anatin’izay voalaza teo izay hoe tsy hisy Faritra havela, fa tokony manana
64
ny tandrify azy avy. Izay Faritra takatry ny findramam-bola aloha no tsy maintsy natao
laharam-pahamehana tamin’izao volavolan-dalàna findraman-bola androany izao.
Hoatran’ny te-homba kely ny teny nataon’ny namana Solombavambahoaka teo aho hoe aza
miady ny anjaran’olona fa andao isika mba hiady ny antsika rahampitso. Mety samy hahazo
ny anjarany ny Faritra tsirairay rahampitso fa ity volavolan-dalàna androany ity dia “sur le
plan technique” angamba no itenenantsika azy. Ireo no Faritra ho voakasiky ny pitsopitsony
amin’ny fanatanterahana an’ireo “projets” ireo ao anatin’ny volavolan-dalàna.
Asa raha manan-kambara ny avy ao amin’ny SEECALINE.
Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa “Coordonnateur”.
Andriamatoa JEAN François, DN/ONN
Misaotra nanome ny fitenenana.
Ny voalohan-teninay dia faly miarahaba antsika rehetra ato amin’ny Antenimierampirenena.
Marina ny voalaza teo raha ity volavolan-dalàna angatahana fanapahan-kevitra eto aminareo
androany ity. Voateny teo fa “financement additionnel” izy ity. Nisy tamin’ny taona 2012 ka
Faritra 5 no nahazo azy dia ny Faritra Androy, Faritra Atsimo-Atsinanana, Faritra VatovavyFitovinany, Haute Matsiatra ary Amoron’i Mania. Izay ireo Faritra 5 nahazo voalohany
indrindra an’io famatsiam-bola io tamin’ny taona 2012.
Inona no antony?
Ny antony, nisy fanadihadiana nataon’ny INSTAT tamin’ny taona 2008-2009, ka nahitana ny
tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo be indrindra tamin’ireo Faritra 5 ireo. Mbola nohamafisin’ny
fanadihadiana nataon’ny INSTAT indray io tamin’ny taona 2012: «enquête sur les Objectifs
de Millénaire pour le Développement» izany. Io tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo hitantsika 47%
io dia “moyenne”, fa ireo Faritra izay voalaza ireo dia manana mihoatra an’io. Ohatra iray
amin’izany any Amoron’i Mania izay mahatratra 73% izany taha izany. Ny any Haute
Matsiatra dia 62% any ho any. Ataontsika fa tsy rariny mihitsy izany. Raha dinihantsika
amin’ny isan-jaza, ny 2/3-n’ny zaza izany no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Izay no nifidianana an’ireo Faritra ireo, “projet d’urgence” izy io, ka amin’ny maha “projet
d’urgence” azy izay dia vonjy aina no atao.
Tonga dia hovaliako ny tenin’ny Solombavambahoaka faramparany teo hoe ahoana ny
Faritra sasany izay mitady ny anjara masoandrony?
“Projet d’urgence” no anaran’ity fa ny zavatra iangaviako antsika Solombavambahoaka
rehetra dia mba hangataka, tsy “projet d’urgence” intsony fa “projet de développement”,
satria mahantra dia mahantra ny firenentsika, mahantra ny Faritra tsirairay.
Izay zavatra izay no tokony hiainga avy atỳ amintsika Solombavambahoaka. Iangaviako ny
mba anaovanareo “projet de développement” fa tsy “projet d’urgence” intsony, satria tsy
vahaolana amin’ny fahantrana izany. Lasa raiki-tampisaka amin’izany “projet d’urgence”
izany foana isika.
Izay no entiko mamaly ny fanontaniana farany teo.
Ny tsy fahazoana vola ao amin’ny SEECALINE, napetraky ny Solombavambahoakan’i
Moramanga sy Mananjary teo: marina izany, Tompoko, satria mbola misy “arriéré” ny taona
2013 lasa teo iny. Mbola tsy voaloa daholo ny volan’ireo mpiasa miisa hatrany amin’ny 6 172
any angamba izy ireo. Mbola miampy ny amin’ity taona ity koa izay.
65
Ny antony dia tojo fahasahiranana ny Fanjakana, satria ny Fanjakana no mandoa ny
volan’ireo “Aceens” ireo. Tratran’ny tsy fisiana, ny “budget”-nay koa moa nihena tamin’ity
taona 2014 ity. Ny “arriéré” rehetra dia efa nanaovana fangatahana amin’ity “financement
additionnel” ity sy ny “loi de finances rectificative”. Koa raha mba tonga atỳ aminareo io,
mba iangavianay ao amin’ny ONN ny handoavana ny karaman’ny “Aceens”, izay efa ho
herintaona mahery izao; mba ampionareo izay fangataham-bola ataonay izay, satria any
daholo ny “arriéré” handoavanay an’ireo vola ireo; satria ato amintsika no manapaka an’izay
rehetra izay.
Koa fiangaviana ny anay, mba handoavanay ny karaman’ireo “Aceens” ireo. Tsy mitabataba
ry zareo, miasa mafy ry zareo, tsy manao gravy, saingy io hitantsika io, any aminareo
Solombavambahoaka izy no mitaraina.
Mitaraina aminareo koa aho mba mangataka aminareo Solombavambahoaka, mitondra
an’izay teny izay, ahafahantsika mijery an’ireo “Aceens” ireo, fa miasa dia miasa izy ireo
saingy ny zava-misy no mametraka izany rehetra izany.
Izay, Tompoko, fa dia misaotra antsika.
- 13 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
Laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui d’Urgence aux Services
essentiels d’Education de Nutrition et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République
de Madagascar et l’Association Internationale de Développement (IDA)» Andriamatoa FILOHA
Misaotra, anareo avy ao amin’ny Governemanta.
Satria tsy misy intsony ny fangataham-pandraisam-pitenenana ka hiditra amin’ny fanapahankevitra mikasika ity volavolan-dalàna PAUSENS-FA, izay hosoniavina eo amin’ny IDA sy ny
Repoblikan’i Madagasikara isika.
Marihana fa ahitana andininy miisa 2 ity volavolan-dalàna ity ary araka ny voalazan’ny
andininy faha-163 ao amin’ny Didim-pitondrana laharana faha-67, ato amin’ny
Antenimierampirenena, mikasika ny Fitsipika Anaty Mifehy ny Antenimierampirenena dia tsy
azo kitihina ny andininy ao anatin’ny fifanarahana, fa na ankatoavina na tsipahana na
ahemotra ny fandinihana azy.
Koa izay mandany an’io volavolan-dalàna io, atsangano ny tànana.
- Solombavambahoaka miisa 55 no nanangan-tànana Misaotra, Tompoko.
Izay milaza fa ahemotra.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy -
66
Izay mitsipaka.
- Tsy misy Koa dia ambara amin’ny fomba ofisialy fa lany ny “projet de loi n°003/2014 du 21 mai 2014
autorisant la ratification de l’Accord de prêt relatif au financement additionnel pour le Projet
d’Appui d’Urgence aux Services essentiels d’Education, de Nutrition et de la santé (PAUSENSFA) entre la République de Madagascar et l’Association Internationale de Développement
(IDA)”.
- Tehaka Taorian’ny fandaniana izay volavolan-dalàna izay dia omena fitenenana ny solotenan’ny
Governemanta, rahatoa misy teny tiany ambara.
Omena anao ny fitenenana, Tompoko.
Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice, Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy misy ambara intsony, Andriamatoa Filoha, fa fisaorana eram-po, eran-tsaina ny namana
Solombavambahoaka rehetra, nandany ny volavolan-dalàna naroso teo no azo ambara.
Manomboka izao dia lalàna ho tanterahina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara
iny lalàna momba ny «sécurité alimentaire» izay nolaniantsika teo iny.
Mbola mamerina ny fisaorana, Tompoko, ary ny Governemanta dia vonona ny hiroso bebe
kokoa araka ny nambarako tany aloha, amin’ny fisahanana ny sosialim-bahoaka.
Ny olana misy amintsika ankehitriny dia ny tsy fahampiam-bola. Koa araraotintsika
amin’ireto findramam-bola hiaraha-miasa amin’ny “partenaire technique et financier”, izay
miara-miasa amintsika ireto ny fanatanterahana ny «projet» izay mahakasika mivantana ny
vahoaka, sahala amin’ity natrehintsika androany ity.
Misaotra indrindra, Andriamatoa Filoha.
- 14 - Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
laharana faha-004/2014 tramin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA)» Andriamatoa FILOHA
Isaorana ianareo Teknisiana avy ao amin’ny Governemanta.
Araka ny hitanareo izao, miasa dia miasa tokoa ny ato amin’ny Lapan’ny Demokrasia,
Lapan’ny Fampandrosoana ary tsy nihetsika tato ny Solombavambahoaka nandritry ny ora
maromaro izay nandaniana an’ireto lalàna ireto.
67
Koa dia omen-dalana ianareo. Misaotra koa amin’ny fiaraha-miasa ary manantena fa hiarahiasa isika any anatin’ny “comité de suivi” isam-paritra any.
Mankasitraka, mankatelina, Tompoko.
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitry ny Asa Vaventy sy ny mpiara-miasa aminao. “Sans
transition” ity.
Tompokolahy sy Tompokovavy Solombavambahoaka isany, izao indray isika dia hiroso
amin’ny fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny «projet de Loi
n°004/2014 du 21 Mai 2014 autorisant la ratification de l’Accord de prêt relatif au
financement du Projet routier Soanierana Ivongo - Mananara Nord - RN5, conclu le 27
décembre 2013, entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien pour le
Développement Economique Arabe (FKDEA)».
Koa iangaviana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera izay misahana izany, hamaky ny tatitra.
Misy tatitra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Mba omeo rano izahay, Andriamatoa Filoha. Efa noana izahay kanefa ny asa mihamitombo
hatrany. Vonona ny hiasa izahay, Andriamatoa Filoha, fa karakarao izay.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Efa misy fikarakarana momba izany izao. Izay no mahatonga ny rano eto amiko io tsy
kasihiko, mba ahafahantsika miara-miaina amin’ny zavatra iray mitovy.
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Voaray iny ary efa misy ny fikarakarana
atao.
Andriamatoa Mpampakateny.
- 15 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra, sy ny mpiara-dia aminy izay tonga indray
ato amin’ny Antenimierampirenena.
Nivory ny Talata faha-17 Jona 2014, tamin’ny 6 ora, hariva, ny Vaomiera mitambatra,
nahitana ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, ny Vaomieran’ny Asa Vaventy
nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-004/2014 tamin’ny 21/05/14 «autorisant la
ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement du Projet routier Soanierana IvongoMananara Nord - RN5 conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds
Koweitien pour le Développement Economique Arabe (FKDEA)».
68
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny
Tetibola no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola tonga
nanatrika ny fivoriana:
1- RAZAFIMILY Constance
2- RANAIVOSON Fanomezanjaka
3- RAVELONANOSY Mamitiana
Vaomieran’ny Asa Vaventy:
1- RAZAFIMILY Constance
2- RANAIVOSON Fanomezanjaka
3- RANDRIAMBOLAINA Gerry
4- TODY Arnaud
Nametraka fialan-tsiny ny Solombavambahoaka ELITAFA Basile.
Tonga nisolotena ny Governemanta ireto Teknisiana manaraka ireto:
Andriamatoa sy Ramatoa isany:
1- RAJEMISA Haingotiana
MFB/DDP
2- RAMANAMISATA Jean Pascal
RM/MTP
3- RABE Antoni
DGTP/MTP
4- RAHARISOA Clémence
MFB/DDP
5- RAKOTOMALALA Misa
MFB/DDP
6- RAKOTONANDRASANA Joelisoa
MFB/DDP
7- RANOELINJANAHARY BARTHE D
MFB/DDP
8- ANDRIAMIFIDY Soafaniry
MFB/DDP
9- RAZAFINDRATSIMBA Harinirina
MFB/DDP
10- MASO Bruno Michel
MTP/DAF
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andramatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny
fitenenana, mba hanazavany fohifohy ny antonanton’ity volavolan-dalàna ity.
Ny “Fonds Koweitien” no mpamatsy vola ity tetikasa ity, izay mitentina “4 000 000 Dinars
Koweitiens” na 17 000 000 USD na 38 274 000 000 MGA. Ny efa-taona voalohany dia tsy
andoavana ny renivola, fa ny zanabola ihany no averina, ka 1,5% no tahan’ny zana-bola.
Mandritra ny 24 taona no amerenana ny vola indramina.
117 km no halaviran’ny lalana atao amin’ity tetikasa ity, izay ahitana tetezana fito.
112 000 000 USD no vola tena ilaina, fa ampahany fotsiny ity azo ity. Marihana anefa, fa ny
BADEA dia efa nanome “accord de principe”. Ny resaka tetezana no atao voalohany, satria
tsy ampy ny vola azo. Ny sasany dia mbola miandry ny vola fanampiny.
“Bac” efatra no hosoloina tetezana. Mangataka hanaovana fanadihadiana ny mpamatsy vola,
vao azo ny vola rehetra.
69
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory:
1- Marina ve fa amin’ny voalohandohan’ny taona 2015 no fanombohan’ity asa ity?
2- Inona no lazain’ny daty “31 desambra 2016”?
3- Hatramin’ny ohatrinona ny vola indramina vao mila fankatoavana etỳ amin’ny
Parlemanta?
Toy izao ireo valim-panontaniana naroson’ny teknisiana:
1- Aorian’ny fankatoavana ity volavolan-dalàna ity dia mbola hisy ny fanatonana
“bureau d’étude”, ka any ho any amin’ny volana Jona na Jolay 2015 no hatomboka ny
asa.
2- Ny 31 desambra 2016 dia «date de clôture de prêt», fa azo atao ihany ny manalava
izany.
3- Raha vola indramin’ny Fanjakana dia tsy maintsy mandalo fankatoavana etỳ amin’ny
Parlemanta, ankoatr’ireo fanomezana.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna ny mpivory.
Noho ny tsy fahatratrarana ny fetrisa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia niato 30
minitra ny fivoriana, ho fanajana ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Antenimierampirenena.
Rehefa izany dia nankatoavin’ny mpivory ny volavolan-dalàna laharana faha-004/2014
tamin’ny 21 Mey 2014 «autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif au financement
du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord-RN5 conclu le 27 décembre 2013 entre
la République de Madagascar et le Fonds Koweitien pour le Développement Economique
Arabe (FKDEA)».
Nifarana tamin’ny 7 ora, latsaka fahefany, hariva, ny fivoriana, rehefa avy nisaotra ny
mpivory, Andrimatoa Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
- 16 - Fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra an’izay tatitra izay.
Izao isika, raha sitrakareo, dia hiroso amin’ny fanamarihana na fanitsiana ny tatitra izay
novakiana teo.
Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny isika, fa toy ny fomba fiasa ihany
fanitsiana ny tatitra, fanampiana azy, fanampiana izay mety ho latsaka no atao amin’izao
fotoana.
Koa atsangano ary ny tànantsika izay handray fitenenana handraisana ny anarany.
Ato amintsika Solombavambahoaka aloha.
Omena ny solotenan’ny Governemanta indray izany ny fitenenana.
Andriamatoa Minisitra.
70
Andriamatoa RATSIRAKA Iarovana Roland, Minisitry ny Asa Vaventy
Andriamatoa Filoha,
Ramatoa Filoha Lefitra,
Andriamatoa isany Solombavambahoaka sy ny Mpampakateny.
Faly sy ravo izahay tonga eto ary misaotra amin’ny fiaraha-miasa amin’ity volavolan-dalàna
izay ilaintsika amin’ny toerana hanaovana ny asa ity.
Somary misy fanitsiana kely tamin’ny tatitra teo ary misy fanampiana koa, indrindra momba
ny resaka BADEA.
Ataontsika hoe: misy fanampiana tianan’ny “Abu dhabi” hoentina, efa misy “accord de
principe” ihany koa io. Raha tsy diso aho, eo amin’ny “30 millions de dollars” eo no vola
tadiavin’ny “Abu dhabi” entina anampiana an’ity “17 millions de dollars” ity. Raha ny tokony
ho izy, alohan’ny faran’ny taona dia efa hahazo “47 millions de dollars” isika. “112 millions
de dollars” no ilaina raha ny voalazan’ity lalàna ity. Raha tsy misy ny sampona, amin’ity
taona ity dia efa “47 millions de dollars” no azo ary mbola ho avy indray ny vola manaraka.
- Tehaka Omeko an’Andriamatoa Tale Jeneraly, izay niara-nivory taminareo ny pitsopitsony amin’ny
zavatra tokony ampiana.
Misaotra indrindra.
Andriamatoa RANOELIJANAHARY Barthe David, Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa
Vaventy
Andriamatoa Filoha,
Ianareo ao amin’ny Birao Maharitra,
Ianareo Solombavambahokan’i Madagasikara.
Mbola manantitra ny fiarahabana, Tompoko.
Ny fanitsiana tiana ho entina dia eo amin’ny pejy voalohany.
Misy an’ilay solotenan’ny Governemanta hoe: RABE Antoni. Tsy DGPT/MTP fa ARM/MTP.
Ilay fahafito, RANOELINJANAHARY Barthe David no DGTP/MTP fa tsy MFB/DDP.
Eo amin’ny pejy faharoa: “marihina anefa fa ny BADEA dia efa nanome “accord de principe”,
aleo atao araka ny tenin’Andriamatoa Minisitra teo, ampiana hoe: Abu dhabi. Efa nolazaina
omaly io.
Andalana faharoa, eo afovoany: “marihina anefa fa ny BADEA dia efa nanome “accord de
principe”, aleo ampiana hoe: Abu dhabi.
Manaraka, eo amin’ny “paragraphe” eo misy hoe: “Bac” efatra no hosoloina tetezana.
Mangataka ny hanaovana fanadihadiana. Famerenana io, averina ny fanadihadiana, fa efa
misy io. Famerenana an’ilay fanadihadian’ny mpamatsy vola, alohan’ny hanaovana ny tolobidin’ny asa. Aleo tsipihina ilay hoe: “vao azo ny vola rehetra”. Mazava ho azy fa aorian’izay
dia tsy maintsy angatahana koa ny fanampiana mba ahazoana an’ilay vola “112 millions de
dollars”.
Erỳ ambanimbany erỳ dia misy hoe: toy izao ny valim-panontaniana naroson’ny Teknisiana;
aorian’ny fankatoavana ity volavolan-dalàna ity dia mbola hisy ny fanatonana ny “bureau
71
d’étude”. Io ilay famerenana ny fanadihadiana. Atao anaty fonosana hoe: “actualisation
d’étude 2012”.
Aorian’ny fankatoavana ity volavolan-dalàna ity dia mbola hisy ny fanatonana “bureau
d’étude” hanao ny famerenana ny fanadihadiana. Atao anaty fonosana ny hoe:
“actualisation d’étude 2012”.
Izay sy izay, Andriamatoa Filoha, no fanamarihana avy atỳ aminay.
Misaotra, Tompoko.
- 17 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka anao sy ny mpiara-miasa aminao, Andriamatoa Minisitra.
Izao dia misokatra ny adihevitra, ho an’izay manana fanontaniana, mikasika ity volavolandalàna ity.
Koa manainga anareo aho hanangan-tànana ho an’izay handray fitenenana.
Firy no handray fitenenana. Harosontsika avy atỳ, enina no handray fitenenana.
Andriamatoa Solombavambahoaka, anao ny fitenenana.
Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA Benjamin, Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo
Avaradrano.
Faly miarahaba anao sy ireo mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra.
Ny teny tiana lazaina aloha dia misaotra anareo nametraka ity volavolan-dalàna ity. Tena
fanasoavam-bahoaka izy ity ary ho anareo any amin’iny Fatritra iny, manohana anareo
amin’ity zavatra ity izahay.
Ny fanontaniana mba tianay apetraka dia hoe: miditra amin’ity trosa ity isika izao. Izany hoe
“engagement”-n’ny Firenena iray manontolo ity. Mba tianay Solombavambahoaka ho heno,
izahay tsy hiditra loatra amin’ny teknika, fa na izany aza mba mahay teknika ihany,
Andriamatoa Minisitra. Mba tianay ho fantatra amin’ny “contrôle de qualité”: ianareo no
mametraka amin’ny «agence d’exécution» amin’io zavatra io rehefa avy eo, satria hita iny
lalana Soanierana Ivongo - Mananara iny fa tena ratsy. Rehefa tena hanao azy, manao
ahoana ny “indicateur de qualité” ny lalana hatao izany na ny tetezana hamboarina izany.
Tsara ihany raha fantatray izany, satria handray fanapahan-kevitra hatao lalàna io,
Andriamatoa Minisitra.
Izay angamba no fanontaniako, fa misaotra, Tompoko.
72
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka, alefaso atỳ ny “micro”.
Andriamatoa DJAOSERA Irénée
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny
Governemanta.
Ity volavolan-dalàna fanaovana lalana mankany Sonierana Ivongo ity dia tsy misy
“commentaire” azo atao. Ny olona rehetra miandry an’io. Zavatra maika io, heveriko fa ho
lany io rehefa avy eo.
Izay no nangatahako niteny farany, satria tsy mikasika an’ity ny resako.
Mba mangataka izahay, Andriamatoa Minisitra, satria tsy misy olona tsy mahafantatra ny
haratsin’ny lalana mankany Analalava. Mba jereo akaiky ny fangataham-bola, ny findramambola amin’ny fanamboarana ny lalana mankany Analalava iny, satria hitantsika ny “potentiel”
any ary mety hanavotra ny toekarentsika eto Madagasikara izy.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Henointsika ny fandraisam-pitenenana manaraka, Tompoko.
Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminao.
Ialana tsiny kely, fa manararaotra ny fiarahabana anao, satria izaho tsy teto tamin’ny
fiarahabana anao.
Ny andraisako fitenenana eto, Andriamatoa Filoha, dia mikasika ny fanaovana lalana, satria
soa ihany aloha, Andriamatoa Minisitra, fa efa misy Ny vola “30 millions de dollars”
hanampiana ny fanaovana an’io lalana io. Ny fiangaviana, Andriamatoa Minisitra, ny hijerena
raha misy, ao amin’ny “Fonds Européen pour le Développement”, ny XIème FED izany.
Matetika mantsy amin’ny fanomezana vola tahaka an’io dia misy maromaro ny
“investissements” ao anatiny, ka mety ho azo akana amin’iny RN5 iny. Eo koa ny
“contribution de l’Etat” izay efa kelikely ihany. Isaorana ianareo fa nahita vola maromaro.
Ny fanampiny, mba hotanterahina amin’izay io lalana io satria efa ela izay, Andriamatoa
Minisitra; efa tamin’ny Repoblika faha-II.
Aza matahotra fa lany io.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra, Tompoko.
73
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka avy any Vatomandry.
Misy manao satroka.
Andriamatoa DINAH Romuald
Mba angatahana isika izay miteny, mba mikasika an’ity “projet de loi” ity no resaka atao, fa
raha ivelan’izay aleo mankany amin’ny Biraon’ny Minisitra isika, mbola maro ny zavatra
hataontsika rehefa avy eo, sady isika tsy mbola nisakafo.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao amin’ilay satroka.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Na dia “hors sujet” aza izahay hiteny foana.
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Misaotra koa, Andriamatoa Minisitra.
Raha mazoto koa ary raha tsara vintana, misaotra fa vita ny lalana lozoka be any aminay any
Morarano.
Tohizo hatrany Vatomandry io.
Misaotra betsaka.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Fandraisana fitenenana farany.
Avelao izy hiteny, Lapan’ny Demokrasia ity. Alefaso, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa TODY Arnaud
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, amin’ny fahatongavana eto miaraka amin’ny mpiaradia aminao. Efa fanindroany izay ianao no tonga eto. Midika izany fa tianao tokoa izahay
Solombavambahoaka.
Misaotra ihany koa ny Solombavambahoaka rehetra tonga eto handinika ity lalàna ity. Izay
ny ahy no teniko.
Misaotra anareo izahay.
74
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ianareo Solombavambahoaka roa lahy izany no hamarana ny fandraisam-pitenenana etoana
androany, mikasika ity volavolan-dalàna ity.
Andraso aloha, ny Solombavambahoaka RAJAOZANANY Jean Claude, izay vao mandray
ianareo.
Anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAJAOZANANY Jean Claude
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Izany hoe miala tsiny, fa miala kely amin’ny volavolan-dalàna, izay no somary mahamaimaika
ahy io.
Eo amin’ny fiaraha-miasa, Andriamatoa Minisitra, izaho moa hiainga androany ho any
Mandritsara, koa miangavy anao aho mba omeo teny kely hoentiko ho an’ny vahoaka,
mikasika ny lalana Antsohihy-Mandritsara. Miangavy anao aho mba alefa alohaloha izy io, fa
maty izahay ao, sahirana tena sahirana. Mangataka teny mamy aminao aho, Andriamatoa
Minisitra, hotateriko amin’ny vahoaka any. Holazaiko hoe: nihaona tamin’ny Minisitry ny Asa
Vaventy aho, izao no teny nataony mikasika ny lalana atỳ amintsika.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Hiteny farany ny Solombavambahoaka miisa roa. Tsy hiteny intsony?
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges, anao ny fitenenana.
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anao sy ny mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra.
Mahafinaritra tokoa, fa mbola mamerina ihany aho ary ity zavatra ity na any am-pandriana
aza, Andriamatoa Minisitra, lany io androany, aza manana eritreritra ianao.
Ny angatahiko, satria vao omaly aho no tany, lalana tsy misy 1 Km akory nefa adiny iray sy
sasany no anaovana azy. Tsy misy ovy miakatra intsony atỳ, ilay noresahiko taminao hoe ao
atsimon’Imerintsiatosika, ao Mariarano no misy azy. Raha tsy vita io; tsy mila “goudron”
izahay aloha fa totofy fotsiny mba ahafahan’ny olona mandeha, hianjera hatramin’ny
tetezana no iafaran’io rehefa afaka iray volana any.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Omentsika fitenenana ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel
75
Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Isaorana antsika Solombavambahoaka namana rehetra, satria rehefa tonga ity taratasy
nalefan’ny Minisitera ity dia niara-nandinika teto isika, na ny «fiche technique» na ny
“exposé des motifs” izany; isaorana isika rehetra.
Fantatra fa ho lany 100% ny zavatra arovan’Andriamatoa Minisitra eto.
Isaorana, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fialan-tsiny nataony omaly.
Mitodika kely amin’Andriamatoa Minisitra aho, tonga tatỳ aminay ny hafatra napetrakao
tamin’Andriamatoa Filoha Lefitr’i Toamasina hoe: mety tsy ho tonga ianao ary nolazaina
tamin’ny namana izany. Efa nolazaiko tamin’Andriamatoa Filoha, ihany izany omaly hoe:
mety tsy ho tonga, Andriamatoa Minisitra, noho ny antony maro samihafa, kanefa dia tonga
eto ianao. Isaorana, Tompoko, ary mankasitraka ny fiaraha-miasantsika
Solombavambahoaka sahady. Samy mahafantatra ny olana misy any Soanierana Ivongo
hatrany Mananara Avaratra isika.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mialohan’ny hidirana amin’ny fanapahan-kevitra dia omena anao indray, Andriamatoa
Minisitra, ny fitenenana.
Andriamatoa RATSIRAKA Iarovana Roland, Minisitry ny Asa Vaventy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa sy Ramatoa Mambran’ny Birao Maharitra,
Ianareo Solombavambahoaka.
Momba ny “contrôle”, hoy ianao, marihina indrindra amin’ny asa goavana tahaka ireto mba
hahazo famatsiam-bola avy amin’ireo namantsika any dilam-bato, misy ny fanaraha-maso
tsy maintsy atao ary misy “appel d’offres” mihitsy anaovana azy. “Société” hafa mihitsy
manao ny “contrôle”. Eto amintsika dia efa maro ny “sociétés” na vazaha io na Malagasy izay
manana traikefa ary efa mahay manao an’io “contrôle” io. Jereonao fa misy “contrôle
périodique” eo am-panaovana an’io asa io. Ho vita tsara ary tsy hitsanga-menatra isika
amin’io asa io.
Momba ny asa toy izany ihany, somary asa hafahafa, somary manahirana ary efa nitranga
izany. Natao ny lalana RN34, nisy orinasa nahazo azy. Ny Mpitondra taloha nanara-maso be
fotsiny, nanahirana an’io orinasa io izany. Ny niafarany, tsy nisy “contrôle” intsony.
Fanahiniana avy atỳ amin’ny Fanjakana mihitsy no tsy nisian’ny “contrôle” tamin’io asa io.
Izay ihany no asa goavana nisy teto ary azontsika lazaina hoe tsy nirindra, satria ny Fanjakana
mihitsy no nangataka hoe aza asiana “contrôle”. Mazava ny antsika: misy “contrôle” daholo
ny asa izay atao, indrindra raha mahazo “financement” avy any ivelany tahaka ireto.
Manaraka izany, ny lalana mankany Analalava.
76
Raha ny tena marina, misaotra ny Solombavambahoaka nilaza hoe raha vao resaka ankoatry
ny RN5 dia tokony tsy miresaka isika. Marina ny azy, satria “ordre du jour” no resahina eto,
fa noho ny fiaraha-miasa, noho ny fihavanana misy amintsika dia manohy miresaka ihany
izahay. Aza adinoina, fa fanahinianay mihitsy no naka fotoana nandritra ny andro,
nanomboka tamin’ny 10 ora, maraina, isika no teto ka hatramin’ny 5 ora, hariva, niaraka
tamin’ny Solombavambahoaka mba ahafantaran’ny tsirairay any amin’ny Faritra misy azy
hoe: inona no zavatra afaka lazainy momba ny lalana misy any aminy. Mbola hanao an’izay
izahay afaka volana vitsivitsy, fa avelao aloha hiasa, miverina manao tatitra momba izany
indray amin’ny manaraka. Tiako ampahafantarina antsika izany, ho an’izay tsy teo, fa nisy
izay zavatra izay.
Manaraka, momba an’Analalava, 31A.
Fantatro Analalava ary izaho efa tany. Miala tsiny fa rehefa nojerena marina ny “dossier”
rehetra, hitako fa tsy mbola ao, tsy “programmé” Analalava. Ho “programmer”-ntsika izany,
ary afaka herinandro vitsivitsy dia hisy valin-teny homena anao momba ny “programmation”
any Analalava.
RN5 eo analenelan’i Soanieran’Iovongo - Mananara sy Mananara - Maroantsetra XIème FED:
raha tsy misy ny sampona dia hanomboka amin’ny taona ho avy, amin’ny enim-bolana
faharoa amin’ny taona 2015 io lalana io. Efa nahazoantsika vola tamin’ny “Union
Européenne” iny. Hitanareo fa efa nandalo teto ny “Commissaire” avy amin’ny “Union
Européenne” dia izy mihitsy no nanamafy tamin’ny nahazoana ny vola. Nangataka izahay
noho izany ny mba hahavitan’ny lalana malakilaky kokoa.
Manaraka izany Ambilobe - Vohémar, izay mitovy amin’ny RN5. Miaraka mihitsy ireo satria
na ny anarany aza dia RN5A, mitovy. Mety misy vahaolana hafa mety azontsika entina
amin’io rahatoa ela loatra ny XIème FED. Ny olana mantsy, tsara ho fantatsika ihany, indrindra
isika Solombavambahoaka, ary eto dia misaotra ny Minisiteran’ny Teti-bola sy ny
Fitantanam-bola izay miaraka aminay amin’ity volavolan-dalàna ity izay manana solotena
eto, misahana ny “dette publique”.
Mitrosa isika, ambany be “intérêt”, 1,5% izany amin’ity. Io no “taux” eken’ny FMI, kanefa na
isika na izahay ao amin’ny Minisitera aza dia afaka mahita vola, kanefa ny “taux” ambony dia
ambony. Mety ho 7% na 8% izany, mahita isika ary mety ho vita daholo ny lalana rehetra eto
amintsika, kanjo ny olana, tsy eken’ny FMI izany, satria ambony loatra. Mila mamerina 8%
amin’iny izany ny Malagasy. Tsy “possible” iny ary tsy eken’ny FMI, kanefa isika mahita vola
ihany. Raha vitantsika kosa ny manamafy amin’ny asantsika rehetra, mba bebe kokoa ny vola
miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Amin’izay fotoana izay isika, mety mahazo vola
be ary afaka manantena fa eken’ny FMI sady afaka mitrosa ambonimbony kokoa noho ny
ankehitriny.
Manaraka izay, momba ny “grenier à riz”. Izay no iantsoako an’Ambatondrazaka, Marovoay,
Mandritsara. Indraindray misy vary betsaka koa any Vohémar, any Andapa. Anisan’ny azo
tsapain-tànana ireo hatramin’izay nitantananay ny Minisitera izay. Azo lazaina fa nisy lesoka
ihany tamin’ny asantsika Malagasy sy ny Mpamatsy vola, satria ny sakafo hanintsika
isan’andro dia vary. Hafahafa ihany ny hoe amin’ny toerana misy vary, hatramin’izao mbola
tsy vita “goudron” ny lalana. Raha mitohy izao dia tsy hanantena ny hahaleo tena ara-bary
isika, tsy afaka hanantena mihitsy isika fa hidina io vidim-bary io mba hahafahan’ny
vahoakatsika hividy hena, handefa ny ankizy hianatra sy hividy fitaovana hafa. Hatramin’izao
77
isika dia tsy afaka manantena mihitsy, satria tsy vita “goudron” ny lalana sady ao anaty
fotaka tanteraka.
Koa mitodika amin’ny Solombavambahoaka niteny teo aho hoe rehefa tonga any ianao dia
lazao fa omaly noho omaly izahay dia niantso ny mpamatsy vola rehetra momba ny lalana
eto Madagasikara. Nivory, niaraka nisakafo tao amin’ny CARLTON, efa nanao toy izany
tamin’ny Solombavambahoaka koa izahay, fa tamin’ity dia ny mpamatsy vola indray no
nanaovana izany. Nisy solotenanareo koa tao.
Ny zavatra noresahina dia hoe: mba ataovy laharam-pahamehana ireto “grenier à riz” ireto
fa tsy afaka manantena mihitsy izahay ny hidinan’ny vidim-bary. Raha vita koa ireo ho
betsaka ny vokatra atỳ amintsika. Ny vary avy any ivelany aza ambany ny vidiny noho ny vary
vokatra eto an-toerana. Mampalahelo mihitsy izany, koa nanoloana izany, nihaino tsara ry
zareo ary mbola hifankahita izahay. Nisy valiny avy tamin’ny Banky Iraisam-pirenena hoe:
hamatsy vola ny RN44, hamatsy vola ny RN32 mankany Mandritsara, hamatsy vola ny lalana
any Marovoay. Ny olana, somary elaela ny vola vao avoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy
amin’ity taona ity fa farafahaingany amin’ny taona 2015 na amin’ny taona 2016. Izay no
jerena akaiky hoe ahoana no ahafahanay manantena fa halaky vita ireto lalana ireto, satria
mitebiteby isan’andro ireo namana Solombavambahoaka, sao tapitra ihany ny “mandat”-ny
kanefa ny lalana tsy vita. Tsy mety izany, fa alohan’ny hahataperan’ny “mandat”-nareo dia
tokony efa vita daholo ireo lalana rehetra noresahintsika ireo.
Ho an’Imerintsiatosika: amin’ny Alatsinainy aho mandefa olona any. Raha ohatra mora atao
dia vitainay alohan’ny faha-26 Jona izao. Araka ny resakao teo mantsy ohatran’ny mora atao
ihany. Raha ambony latabatra izany, fa amin’ny lafiny teknika mety ho hafa. Hojerentsika ny
amin’iny.
Izay Tompokolahy sy Tompokovavy, Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka isany,
Andriamatoa Filoha, no teny avy atỳ aminay.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
- 18 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana
faha-004/2014 tramin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt
relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA) » Andriamatoa FILOHA
Mankasitraka, mankatelina, anao sy ireo mpiara-miasa aminao, Andriamatoa Minisitra.
Araka ny hitantsika teo, tena liana tokoa ny Antenimierampirenena, rehefa resaka lalana;
satria anisan’ny aim-pirenena no resahina raha miresaka lalana.
Koa raha tsy misy intsony ny fangatahana fandraisam-pitenenana dia hiroso amin’ny
fandraisana fanapahan-kevitra momba ity « projet de loi n°004/2014 du 21 Mai 2014
autorisant la ratification de l’accord de Prêt relatif au financement du Projet routier
Soanierana Ivongo - Mananara Nord-RN5 conclu le 27/12/13 entre la République de
78
Madagascar et le Fonds Koweitien pour le Développement Economique Arabe » (FKDEA) ity
isika izao.
Tiana ny manamarika fa ahitana andininy miisa roa ity volavolan-dalàna ity ary araka ny
voalazan’ny andininy faha-163 ao amin’ny Didim-pitondrana laharana faha-67/ANP, mikasika
ny Fitsipika Anaty Mifehy ny Antenimierampirenena, dia tsy azo kitihana ireo andininy ao
anatin’ny fifanarahana, fa na akantoavina na tsipahina na ahemotra ny fandinihana azy.
Koa izay mandany an’io volavolan-dalàna io dia atsangano ny tànana
- Solombavambahoaka miisa 53 no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay milaza fa ahemotra.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny “projet de loi” mikasika ny lalana RN5 teo.
- Tehaka Taorian’ny fandaniana izay volavolan-dalàna izay dia omena fitenenana ianao, Andriamatoa
Minisitra, rahatoa misy teny tianao ambara aminay Solombavambahoaka.
Omena fitenenana ianao, Tompoko.
Andriamatoa RATSIRAKA Iarovana Roland, Minisitry ny Asa Vaventy.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ianareo Mambran’ny Birao Maharitra sy ianareo Solombavambahoaka rehetra tonga
manatrika eto.
Fankasitrahana no andraisanay ny fanapahan-kevitra noraisinareo ary misaotra amin’ny
fiaraha-miasa, hitohy lalindalina kokoa ny fiaraha-miasantsika isam-paritra, isaky ny toerana
misy ny Solombavambahoaka, izay mahatsiaro heo ao anatin’ny fijaliana ny vahoakany raha
lalana no resahina.
Mankasitraka, Tompokolahy.
Mankatelina, Tompokovavy.
- Tehaka -
;i,,tu
79
-19- Fiatoan'nyfivorianaAndriamatoaFILOHA
Misaotrabetsaka,AndriamatoaMinisitra.
O m e n - d a l a nT
ao
, m p o k oi,a n a r e o .
Rahaohatra misy ny tokony ifanatonanadia tsy hisalasala
izahay,AndriamatoaMinisitra,
h a n a t o n aa n a o .
Mankasitrakm
a ,a n k a t e l i n a
T,o m p o k o .
Momba ny zavatraatao rehefaavyeo, mikasikany "loi de règlement"izany.Ny "commission
de finances"dia ahemotraamin'ny3 ora sy 30 minitra,rahatoaka tokony ho amin'ny3 ora,
izany.
Ho antsikaSolombavambahoaka,
misy "sandwich"miandryantsikaao amin'ny"Cafétéria",
s a m ym a k an y a n j a r a n ya o .M a i m a i m p o a ni az a n y .
- Lakolosy
lzayfa misaotrabetsaka.Rahampitso
indrayny "séanceplénière"manaraka.
Niatotamin'ny2 ora sy L0 minitra,tolak'andro,ny fivoriana.
f'=!
FreddieRichard
FIZAHAN-TAKELAKA
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………….… 01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 02
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANARISON Guy Rivoniaina Célin ………………………….. 02
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 02
- Fanoloran’Andriamatoa JULES Etienne ny fandaharan’asan’ny
Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina
sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany …………….………………………………………….………….. 02
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa madinika sy salantsalany …. 02
- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka sy valin-teny
avy amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana ny
Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa madinika sy salantsalany …..………………………………. 05
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 05
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin …………….. 05
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 06
- Teny nataon-dRamatoa RAHARIMANARIVO Voahanginiaina ……………………………………… 06
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 07
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Anthony José Olivier ……………………. 07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 08
- Teny nataon-dRamatoa MANANJARA Ruffine Aurélie ……………………………………………….. 08
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 08
- Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ………………………………………………………………. 09
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 10
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa madinika sy salantsalany …. 10
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 12
- Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 13
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 13
- Teny nataon’Andriamatoa IJO ……………………………………………………………………………………. 14
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 14
- Teny nataon-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina ………………………………. 14
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 15
- Teny nataon’Andriamatoa ROILAHY …………………………………………………………………………… 16
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 16
- Teny nataon’Andriamatoa HATREFINDRAZANA Jerry …………………………………………………. 17
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 17
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany .. 17
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany … 18
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 21
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANARISOA Henri, Sekretera Jeneralin’ny
Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina
sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany ……………………………………………………………………. 21
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 21
- Teny nataon’Andriamatoa RAJAONARISON Bienvenu, Mpanolotsaina ao
amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiriboroboana
ny Sehatra Tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany …………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa RABEKIJANA Solofo Hery ………………………………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 23
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 23
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 24
- Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ………………… 24
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 25
- Teny nataon-dRamatoa RAVELOHANITRA Nirina ……………………………………………………….. 25
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 26
- Teny nataon’Andriamatoa MAHARAMBY Ndalana Espérant ……………………………………… 26
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 26
- Teny nataon’Andriamatoa LEVAO Nitadiavina ……………………………………………………………. 26
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 26
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAHA Tondraha …………………………………………………………… 26
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 27
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany . 27
- Teny nataon’Andriamatoa RAMAROSON Ignace, Mpikambana
ao amin’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Fampiroboroboana
ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany ……………………………….. 30
- Teny nataon’Andriamatoa RAZANISON Bienvenu, Mpikambana
ao amin’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Indostria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany .. 30
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 31
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina Herisoa ……………………….. 31
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 32
- Teny nataon’Andriamatoa JEAN FRANCOIS Michel …………………………………………………… 32
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 32
- Teny nataon’Andriamatoa JEAN FRANCOIS Michel ……………………………………………………. 33
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 33
- Teny nataon-dRamatoa RABEMANANJARA née RAMANANDRAISOA Célestine …………. 33
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………. 34
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady ………….………………….. 34
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 35
- Teny nataon’Andriamatoa AROSY Namiandrazana François ……………………………………… 35
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 35
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance ……………………………………………………. 35
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 36
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges …………………….. 36
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 37
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges …………………….. 37
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 37
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 37
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 38
- Teny nataon-dRamatoa KATHY …………………………………………………………………………………. 39
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 39
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indositria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra Tsy miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany . 39
- Teny nataon-dRamatoa KATHY ………………………………………………………………………………….. 39
- Teny nataon’Andriamatoa JULES Etienne, Minisitry ny Indositria, ny
Fampiroboroboana ny Sehatra Tsy miankina sy ireo Orinasa Madinika sy Salantsalany . 40
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 43
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna
Laharana faha-002/2014, tamin’ny 21 may 2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement du Projet d’Urgence de Sécurité
Alimentaire et Protection Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » …………………………………………… 43
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 43
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 44
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka ………………… 44
- Fanamarihana na fanintsiana ny tatitra ……………………………………………………………………… 48
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 48
- Teny nataon’Andriamatoa RAZANAKOTO ………………………………………………………………….. 48
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 49
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance …………………………………………………….. 49
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 49
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetra Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ………………………………. 49
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 50
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 50
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 51
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ……………………… 51
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 51
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 52
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIMA RASENDRA, Tale Jeneralin’ny FID ……………………… 52
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 54
- Teny nataon’Andriamatoa DJAOSERA Irénée ……………………………….……………………………. 54
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 54
- Teny nataon’Andriamatoa NIVO Rufin ……………………………………………………………………….. 55
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 55
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana …………………………………………… 55
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna faha-002/2014,
tamin’ny 21 May 2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt relatif
au financement du Projet d’Urgence de Sécurité Alimentaire et Protection
Sociale (PURSAPS) entre la République de Madagascar
et l’Association Internationale de Développement (IDA) » …………….…………………………….. 55
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 55
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 56
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalana
laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification
de l’Accord de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui
d’Urgence aux Services essentiels d’Education de Nutrition
et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la République de Madagascar
et l’Association internationale de Développement (IDA) » …………………………………………….57
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 57
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 57
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSONA Fanomezanjaka Pierrot ……………………….….. 57
- Fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra …………………………………………………………. 60
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 60
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 60
- Adihevitra ankapobeny ……………………………………………………………………………………………… 61
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 61
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 61
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ……………………………………… 61
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 62
- Teny nataon-dRamatoa ANDRIAMASIMANANA Auréline ………………………………………….. 62
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 62
- Teny nataon’Andriamatoa DJAOSERA Irénée …………………………………………………………….. 62
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 62
- Teny nataon’Andriamatoa NIVO Rufin ……………………………………………………………………….. 62
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 63
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 63
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 64
- Teny nataon’Andriamatoa JEAN François, DN/ONN…………………………………....……………… 64
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalana
laharana faha-003/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement additionnel pour le Projet d’Appui d’Urgence aux
Services essentiels d’Education de Nutrition et de la Santé (PAUSENS-FA) entre la
République de Madagascar et l’Association internationale de Développement (IDA) ». 65
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 65
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO John Brice,
Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ……………………….. 66
- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna
laharana faha-004/2014 hatramin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord
de Prêt relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA) » ………………………………………………… 66
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………….……………………..66
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 67
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 67
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 67
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot ……. 67
- Fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra ………………………………………………………… 69
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 69
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIRAKA Rolland Hiarovana Didier,
Minisitry ny Asa Vaventy ………………………………………………………………………………………………. 70
- Teny nataon’Andriamatoa RANOELIJANAHARY Barthe David,
Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ………………………………………………………………. 70
- Adihevitra ankapobeny ……………………………………………………………………………………………… 71
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………...71
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin …………….. 71
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 72
- Teny nataon’Andriamatoa DJAOSERA Irénée …………………………………………………………….. 72
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 72
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ……………….…………………….. 72
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 73
- Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ………………………………………………………………. 73
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 73
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 73
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 73
- Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud …………………………………………………………………… 73
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 74
- Teny nataon’Andriamatoa RAJAOZANANY Jean Claude ………………………………….…………. 74
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 74
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ……………………… 74
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 74
- Teny nataon’Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel …………………………………………………… 75
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIRAKA Rolland, Minisitry ny Asa Vaventy ………………….. 75
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana
faha-004/2014 tamin’ny 21/05/2014 « autorisant la ratification de l’Accord de Prêt
relatif au financement du Projet routier Soanierana Ivongo-Mananara Nord
conclu le 27/12/13 entre la République de Madagascar et le Fonds Koweitien
pour le Développement Economique Arabe (FKDEA) » ………………………………………………… 77
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 77
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIRAKA Rolland, Minisitry ny Asa Vaventy ………………….. 78
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 79
- Fiatoan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………… 79

Documents pareils