Version imprimable

Transcription

Version imprimable
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA: Andriamatoa isany:
- MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
- RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina
FOTOANA: Alakamisy 13 Novambra 2014, tamin’ny 4 ora sy 15 minitra, tolak’andro.
FANDAHARAM-POTOANA: Fihaonana tamin’Andriamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny
Tetipivoarana ho fampahafantarana ny fanatontosana drafi-pirenena ho an’ny
fampandrosoana (Plan National de Développement).
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nilaza ny fandaharam-potoana
izay iarahana amin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Tetipivoarana, ho fampahafantarana ny
drafi-pirenena ho an’ny fampandrosoana na ny « plan national de développement ».
Andriamatoa RAVELOHARISON Herilanto, Minisitry ny Toekarena sy ny Tetipivoarana no
nisolotena ny Governemanta ka namelabelatra momba ny drafi-pirenena ho an’ny
fampandrosoana tamin’izany.
Nomen’Andriamatoa Filoha, avy hatrany ny solotenan’ny Governemanta ny fitenenana
rehefa avy nilaza ny fitohizan’ny fivoriana izy.
Notsiahivin’Andriamatoa Minisitra, fohifohy ny tantara nahatonga ny PND.
Izy no tompon’andraikitra amin’ny famolavolana ny PND satria ny Minisitera sasahaniny no
nametrahana izany araka ny voalazan’ny Didim-panjakana laharana faha-2014-365, andininy
faha-2.
Manome lanja manokana ny “croissance” ny PND. Samihafa ny « croissance » sy ny
« développement ».
Raha ny fanadihadiana natao mikasika ny OMD no jerena, hita fa any Sambaina, toerana
manan-karena no tena be mahantra indrindra eto Madagasikara.
Marihina koa fa samy manana ny famaritana ny “croissance” ny rehetra. Hafa ny an’ny
“Banque Mondiale”, ny PNUD, raha ireo no raisina.
Ny tanjona ho antsika dia harena avy amin’ny rehetra ho an’ny rehetra.
Marihina, hoy Andriamatoa Minisitra, fa “vision présidentielle” no nentina nandrafetana ny
PND. Izay no niaingana nanatontosana azy.
Zavatra telo lehibe (principes) no hita ao amin’ny PND:
Voalohany, ny « principes » ahitana ny:
- Inclusivité
- PGE
- Mobilisation du capital naturel
2
Faharoa, « les grandes orientations stratégiques du développement »:
- Réconciliation
- Décentralisation effective
- Démocratie raffermie
- Des mesures structurelles
- La croissance économique sera propulsée par des secteurs.
Fahatelo, « objectifs globaux »:
« Au plan macroéconomique: équilibre interne et externe ».
« Au plan sectoriel: développement de tous les secteurs ».
Eritreretina ho 7% no fitombon’ny harin-karena amin’ny taona 2015, 30% kosa ho an’ny PIB.
« Orientation et axes stratégiques ».
Ahitana « axes 5 » ao anatin’ity PND ity ka ireto avy izany:
« Axe 1: Gouvernance et Etat de Droit »: ahitana programa miisa 2, araka ny hita eo amin’ny
sary fanehoana.
« Axe 2: préservation de la stabilité », misy programa miisa 11 izay voalaza eo amin’ny sary
ihany.
« Axe 3: croissance inclusive et développement territorial »: ahitana programa miisa 20
ihany koa.
« Axe 4 : capital humain adéquat au processus du développement », ahitana programa miisa
22, araka ireo fanazavana amin’ny sary ireo ihany.
« Axe 5: valorisation du capital naturel », ahitana programa miisa 8.
Nanamarika, Andriamatoa Minisitra, fa hisy ny PND “intérimaire” izay ho tanterahana
amin’ny taona 2015 iny.
Teo dia Andriamatoa ANDRIANARIVO Harimampionina Razakarivelo, indray no nisolo
toerana an’Andriamatoa Filoha, nitarika ny fivoriana.
Nomen’Andriamatoa Filoha, fitenenana ny Solombavambahoaka, rehefa avy namelabelatra
momba ny PND, Andriamatoa Minisitra, ka toy izao no fizotran’izany:
Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Fréddie Richard: ny tanjona ao amin’ny PGE, firenena
mandroso sy matanjaka i Madagasikara. Mbola ao anaty firenena an-dalam-pandrosoana
anefa isika, noho izany mila an’ireo “volontariste” hitondra fiaraha-mientana.
Andriamatoa TODY Arnaud kosa nilaza fa resy lahatra tamin’ny fanazavana ny PND saingy
nitovitovy tamin’ny DSRP, ny MAP ihany izy ity.
Nametra-panontaniana izy hoe: rahoviana no hotanterahana ny PND.
Maro anefa ny olana, indrindra amin’ny lafiny tetibola, toy ny tetibola natokana ho an’ny
vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly; ka tsy
tokony hanonofinofy isika fa mila zavatra azo tsapain-tànana avy hatrany, ka ny “délestage”
no tokony ho vahana voalohany amin’izany.
3
Andriamatoa FAMINDRA Justin
Ny olana hatramin’izay anie, lazaina foana fa izao isan-jato no “croissance” nefa tsy mety
tonga any anaty vilany ny fandrosoana. Ny fanontaniana dia hoe: afaka manome daty ve
ianareo hoe rahoviana no ho tonga any amin’ny vahoaka ny fampandrosoana?
Mikasika ny “délestage” inona no olana tsy anesorana ny “facteur blocant” amin’io?
Andriamatoa LAISOA Jean Pierre
Ny Faritra Sava no anisan’ny tena manan-karena tamin’ny taona 2002. Nambarany fa
betsaka ny “source de pauvreté” ho an’i Madagasikara, anisan’izany ny banky eto amintsika,
ny zavatra nataon’ny « Communauté internationale » koa tahak’izany.
Noraisiny ohatra tamin’izany ny tany « Zimbabwe » izay nandalo krizy nandritry ny 2 taona
anefa nahazo famatsiam-bola “2 Millions de dollars”; i Madagasikara 5 taona tao anaty krizy,
« réconciliation » no dradradradraina.
Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina.
Tsara raha alefa mialoha ny « rapport » mba ahafahana manaraka tsara ny famelabelarana.
Ny tanjona ho antsika dia i Madagasikara mandroso, matanjaka, “Madagascar fort”. Tsara ho
fantatsika anefa fa misy firenena hafa tsy faly amin’izany. Marihina fa mbola ao anaty krizy
isika kanefa efa miresaka an’ity PND ity sahady. Izao no fanontaniana mipetraka: ahoana ny
fandehan’ny PND raha mitaha amin’ny “Loi de Finances 2015” satria mihevitra izahay fa
tokony « reconstruction » no resahana fa tsy « développement » aloha.
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Ahoana ny fahamarinan’ny « données » nentinareo nandrafitra ny PND satria raha ny any
aminay araka ny fahafantaranay azy zavatra diso daholo no misy any.
Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc.
Ny PND ve no vita aloha loatra sa ny « Loi de Finances » no tara?
Raha mijery ny tetibolan’ny Minisitera izahay, hita fa ny Minisiteran’ny Fizahan-tany no
anisan’ireo telo kely vola indrindra anefa io sehatry ny fizahan-tany io no tokony
hotrandrahantsika eto Madagasikara; tsy mila mpamatsy vola izany amin’io lafiny io.
Raha jerena ny atsy amin’ny nosy “Maurice” izay nosy kely noho i Madagasikara, mahatratra
« 1 million » isan-taona ny mpizahan-tany tonga mitsidika any. Eto amintsika anefa 70%-n’ny
Malagasy tsy an’asa daholo; ambony ny tahan’ny tsy an’asa, sao dia ny zava-misy marina no
tokony ho jerena sy trandrahana satria io no mitarika ny asan-dahalo sy ny fanendahana.
Andriamatoa RAVELONANOSY Mamy Tiana Télésphore Gerard
Tsara ny PND saingy tokony hiainga amin’ny zava-misy eto an-toerana aloha.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Tsy mijery ny resaka “décentralisation” loatra ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola tamin’ny
nandrafitra ny Tetibola 2015, izay no zavatra voamarika ka tsara raha mba mifanatona
ianareo Minisitra mirahalahy alohan’ny handaniana ny Tetibolam-panjakana 2015 io.
Mikasika ny Banky: efa nitazona andraikitra ambony tao amin’ny banky ny tenako, efa Tale
tao ary mahafantatra tsara fa i Frantsa daholo no ao ambadik’ireo banky ireo. Azo atao ve ny
mijery izay sehatra momba ny banky izay.
4
Andriamatoa RAKOTOSOLOFONDRAIBE Zakamady
Mangataka izahay raha mba azo fantarina ny « subvention » omena ny JIRAMA.
Andriamatoa ANDRIAMINTANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin
Fanamby tokony hotratrarina ny zavatra voalaza ao amin’ny OMD; maro ny zavatra mbola
tsy tratra ka tokony ho tanterahana. Maninona raha iny aloha no jerena vao miditra amin’ity
iray ity.
Andriamatoa MAROROKY.
Inona no tena mampiavaka ny PND ary inona no antoka amin’ny fanatanterahana azy?
Misy ny « secteur porteur » ahafahana mampandroso ny toerana na faritra tsirairay ka
tokony homena vahana ny Distrika sy ny Faritra. Tsapa mantsy fa misy « incohérence » ny
PND sy ny tena zavatra iainana. Maninona moa raha manao « monographie » isaky ny
Distrika.
Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel.
Raha vao tonga teo amin’ny fitondrana ny Jeneraly RAMANANTSOA Gabriel, nanafoana ny
“budget provincial” no nataony voalohany. Tokony haverina izany “budget” ho an’ny
vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany mba ahafahana mampandroso ny faritra.
Mikasika ny risoriso amin’ny fandraisana miaramila zazavao. Ireo nahavita fanompoampirenena kanefa tsy voaray no mampiroborobo ny asan-dahalo satria rehefa mahay
mampiasa basy izy ireo, lasa manao dahalo.
Ny soso-kevitra aroso: izay isa zakan’ny “budget” ihany no tokony hantsoina hanao
fanompoam-pirenena.
Mikasika ny fananan-tany: tokony hajanona ny fanomezana tany ny vazaha satria efa
betsaka ny tany lasany raha mitaha amin’ny an’ny Malagasy.
Momba ny « jeux de hasard », ny PMU izany, tokony ho foanana io satria betsaka no
manonofy, tsy manao na inona na inona fa miandry an’io fotsiny hoe mahazo dia afaka ny
fahasahiranany.
Momba ny “délestage”, soso-kevitra: ovay olona hafa ny mpitantana raha tsy mahomby fa
tsy hisy fampandrosoana vanona ao anatin’ny aizina.
Farany, manoloana ny zavatra nentina teto androany, tokony homena vahana ny
mpandraharaha Malagasy.
Andriamatoa RAPHAELIEN Solofoniaina Emilien Narison
Tsy mifanaraka amin’ity PND ity ny “projet de loi de Finances 2015” izay no zavatra tsapa,
Andriamatoa Minisitra.
Mikasika ny angovo: maizina tanteraka ao Port-Bergé amin’izao fotoana izao, noho izany,
mba omeo « groupe » vaovao izahay.

Documents pareils