Version imprimable
Transcription
Version imprimable
1 FIVORIAMBE FILOHA: Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard MPITANTSORATRA: - Andriamatoa ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo - Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Hanitriniaina Lobo. FOTOANA: Alakamisy 9 Jona 2016 tamin’ny 3 ora sy 25 minitra, tolak’andro. FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016, mikasika ny fandaminana ankapobeny ny Fiarovam-pirenena sy ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana sy ireo anjara raharahan’ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena. -1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy ny fivoriantsika. Miarahaba antsika Solombavambahoaka tonga manatrika izao fivoriana izao. Arahabaina torak’izany koa ny solotenan’ny Governemanta. Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha dia iangaviana ny Mpitantsoratra, hanao ny fiantsoana anarana. -2- Fiantsoana anarana Andriamatoa ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo Izay mihitsy no ataontsika amin’izay mba malakilaky; izay tonga dia manome ny laharany, ataontsika “présent”. Manomboka avy ato ankavanana. ABDILAH …………………... ……………………………………………….. ………………………………………………………. TSIVOULANGNE Maximin. Vita Andriamatoa Filoha. Misaotra Tompoko. 2 Andriamatoa FILOHA Misaotra an’Andriamatoa Filoha Lefitra isika izay misahana ny asan’ny Mpitantsoratra, tamin’ny fanatontosany ny fiantsoana anarana teo. Ny fandaharam-potoanantsika amin’izao Alakamisy 9 Jona 2016 izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ireto volavolan-dalàna manaraka ireto : - Laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016, mikasika ny fandaminana ankapobeny ny fiarovam-pirenena. - Laharana faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016, mikasika ny fandaminana sy ireo anjara raharahan’ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena. Hiroso amin’ny fampiakarana ny teny, famakiana ny tatitra avy amin’ny vaomiera izay misahana izany isika izao; koa iangaviana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera hamaky izany tatitra izany. -3- Famakiana ny tatitra Andriamatoa MARORIKY Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Manantitra ny fiarahabana ho anareo eny amin’ny pilopitra. Miarahaba anareo Minisitra telolahy sy ireo teknisianina miaraka aminareo. Miarahaba antsika namana Solombavambahoaka rehetra. Nivory ny Talata faha-7 Jona 2016 tamin’ny 10 ora, maraina, ny Vaomiera mitambatra nahitana ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Vaomieran’ny Lalàna, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 « portant Organisation Générale de la Défense Nationale ». Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas, Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1- RANDRIANASOLO Jean Nicolas 2- RAKOTONIRINA Joe Ernest 3- RAZAFINDRAKOTO Harifanja 4- MARORIKY 5- RAMAROLAHY Maurice 6- ELITAFA Basile 7- HANITRINIAINA 8- RAHOLIJAONA Harson 3 Ny mpikambana avy ao amin’ny Vaomieran’ny Lalàna tonga nanatrika ny fivoriana Andriamatoa TOVONAY. Tonga niatrika ny fivoriana na dia tsy mpikambana ao amin’ny vaomiera mitambatra aza Andriamatoa RAMAHASINDY KOKO Herisoa. Ireto avy ny teknisiana nisolotena ny Governemanta: 1. GCA PAZA Didier 2. GD VELOARISOA Poton 3. GD RALISON Nirina 4. GB RANDRIAMANARINA Christophe 5. GB RAZAFIMAHATRATRA Jean Jacques 6. Col RANDRIAMANESY André 7. Col RAJAONARY Théodore 8. Col BOTOTSARA N. James 9. Col ANDRIAMBELOSOA H. 10. LCl ANDRIAMBOLOLONA Mamy 11. CE MAKA T. Diogène 12. CE RANDRIANAOLOHARIVELO SEG MDN/SG SEG/COG A1/COMGN MDN/DEP COM/DOEGN COM/DPJ/ADM COM/DOE/SJD MDN/SG/DRH/SDC DEP/SESA COM/DRH/PSO COM/DRH/COPT Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hanazavany fohifohy ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Raha nandray fitenenana ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena izay nisolotena ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena dia nitondra ny fialantsinin’Andriamatoa Minisitra izay voatana tamin’ny andraikitra hafa. Nambarany fa ny « Organisation Générale de la Défense Nationale » dia tokony hampifanarahana amin’ny Lalàmpanorenana vaovao izay mifandraika amin’ny lalàna iraisam-pirenena. Ireto avy no tombotsoa entin’ity volavolan-dalàna ity: Fanajana ny tany tan-dalàna; Fanamby napetraky ny Filohampirenena mba hisian’ny tetika maty paika amin’ny fampandrosoana ny firenena; Fanamafisana ny hevi-dehibe roa: « Défense » sy ny « Sécurité » ; Fandravana ireo lalàna teo aloha izay efa lany andro; Ny mampiavaka azy dia ny fampidirana ny foto-kevitry ny fandriam-pahalemana amin’ny ankapobeny sy ny fametrahana ireo kitro vaovao ifaharan’ny fandriampahalemana dia: - Ny Filankevim-pirenena misahana ny fiarovam-pirenena; - Ny Filankevim-pirenena misahana ny fiarovana anatiny. 4 Rehefa izany dia niroso tamin’ny adihevitra ankapobeny ny mpivory. Fanontaniana avy amin’ny mpivory: 1 Inona no maha samihafa ny « défense nationale » sy ny « sécurité nationale » ? 2 Aiza ho aiza ny anjaran-toeran’ny polisim-pirenena eo amin’ny resaka fandriampahalemana ? 3 Fanomezana fahefana avy any ifotony ve io andininy faha-16 io? 4 Indraindray toa mifanohitra ny « fonctionnaire civil » sy ny « militaire » raha misy fanapahan-kevitra, iza no « haut fonctionnaire de l’Etat qualifié » ? 5 Mikasika ny “service national”: inona no vahaolana arosonareo mba tsy hanampy trotraka ny asan-dahalo ireo izay efa nahavita izany? Valim-panontaniana avy tamin’ny teknisiana: 1- Ny “défense nationale” dia ny Tafika no misahana azy, fa ny “sécurité nationale” kosa mety zavatra ho tonga na mihatra amin’ny vahoaka mivantana, ka isika rehetra no miara-misalahy misahana izany. 2- Ny fandriam-pahalemana sahanin’ny polisim-pirenena dia resaka fiarovana anatiny, izany hoe ny Praiminisitra no tompon’andraikitra voalohany misahana azy. 3- Marina io ary avy any ifotony ny fandriam-pahalemana no miakatra. 4- Ny manamboatra sy ny manomana ny zavatra atao mikasika ny fiarovana sy ny filaminanana dia ny “haut fonctionnaire de l’Etat” fa mba hialana amin’ny fampiasana tsy amin’ny rariny dia asiana fetra, aleo ny lehibeny ihany no mibaiko azy. 5- Fitaizana amin’ny fitiavan-tanindrazana ny “service national”, rehefa mahazo maripakasitrahana izy ireo dia afaka manao asa mifandraika amin’ny talenta ananany ary koa mety halain’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mba handrindra ny fandriam-pahalemana anatiny. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna ny Vaomiera mitambatra: FAMELABELARANA NY ANTONANTONY: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. “TITRE PREMIER: DISPOSITIONS GENERALES” Andininy voalohany hatramin’ny faha-9: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. « TITRE II: DE LA DIRECTION DE LA DEFENSE » Andininy faha-10 hatramin’ny faha-17: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. « TITRE III: DE LA RESPONSABILITE DES MINISTRES » Andininy faha-18 hatramin’ny faha-20: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. « TITRE IV: DE L’ORGANISATION TERRITORIALE ET OPERATIONNELLE DE LA DEFENSE » Andininy faha-21 hatramin’ny faha-23: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. « TITRE V: DU SERVICE NATIONAL » Andininy faha-24 hatramin’ny faha-26: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. 5 “TITRE VI: DISPOSITIONS DIVERSES” Andininy faha-27 hatramin’ny faha-29: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Nolanian’ny Vaomiera mitambatra tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 « portant Organisation Générale de la Défense Nationale », ka hoentina eny anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 10 minitra, atoandro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha. Izay ny tatitra, Andriamatoa Filoha. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra ny Mpampakateny isika nitondra izay tatitra izay. Sao dia misy manana fanamarihana na fanitsiana mikasika ny tatitra novakiana tamintsika teo. Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny aloha isika, fa fanitsiana ny tatitra no ataontsika; avy amintsika Solombavambahoaka aloha, aorian’izay omena andry zareo avy amin’ny Governemanta ny fitenenana. Koa atsangano ny tànantsika izay handray fitenenana handraisana ny anarany. Tsy misy. Vita ny an’ny Solombavambahoaka, koa omena anareo avy ao amin’ny Governemanta indray ny fitenenana. Afaka mipetraka, Andriamatoa Minisitra. Jeneraly PAZA Didier Gérard, Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimariam-pirenena Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filoha; Ianareo Mambran’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena; Andriamatoa Mpampakateny; Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Vaomieran’ny lalàna; ianareo Solombavambahoaka. Isika mpikambana ao anivon’ny Governemanta sy ny mpiara-miasa. Tompokolahy sy Tompokovavy. Tamin’ny tatitra teo, raha sitrakareo, mba hitondra fanitsiana kely izahay avy ato amin’ny Governemanta. Ny « Conseil de la Défense Nationale » raha adikantsika amin’ny tenindrazana dia toy izao : Filankevitra Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena. Tahak’izay koa 6 ny « Conseil National de la Sécurité Intérieure », adika hoe : Filankevim-pirenena misahana ny Filaminana Anaty. Raha sitrakareo, Tompoko, izay no angatahanay fanitsiana kely mba ho fanajana ny tenindrazantsika. Andriamatoa Filoha, izay ihany no tianay ambara fa misaotra indrindra. Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, vita izay ny fanitsiana ny tatitra. Manana sosokevitra izahay raha sitrakareo, raha ohatra ka vonona ny tatitra manaraka, mety azo atao ny momba azy sa ny iray ihany aloha no atao dia izay vao mandany isika amin’ny farany. Ahoana ny eritreritry ny Filohan’ny Vaomiera; afaka mandray fitenenana ianao, Tompoko. Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo mambran’ny Governemanta ny tenako na nifankahita aza isika teo, izao vao afaka miarahaba anareo sy ireto namana ireto. Izay mihitsy, Andriamatoa Mpampakateninay. Filoha, aleo atambatra izy roa satria vonona ny Araraotiko eto satria nahazo “micro” aho, mangataka antsika Solombavambahoaka namana satria sambanay nahazo “micro” teto ity “commission” misy anay ity; aza asianareo resaka fa tonga aleo holaniantsika ireto zavatra ireto. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, averina aminao ny fitenenana, Andriamatoa Mpampakatenin’ny Vaomiera. Andriamatoa MARORIKY Misaotra Andriamatoa Filoha, efa vita teo moa ny fiarahabana. Nivory ny Talata faha-7 Jona 2016 tamin’ny 11 ora sy 15 minitra, atoandro, ny Vaomiera mitambatra nahitana ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Vaomieran’ny Lalana, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 « portant organisation et attributions du Haut Conseil de la Défense Nationale ». Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas, Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany: 7 1 -RANDRIANASOLO Jean Nicolas 2 -RAKOTONIRINA Joe Ernest 3 -RAZAFINDRAKOTO Harifanja 4 -MARORIKY 5 -RAMAROLAHY Maurice 6 -ELITAFA Basile 7 -HANITRINIAINA 8 -RAHOLIJAONA Harson Ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Lalàna tonga nanatrika ny fivoriana, Andriamatoa TOVONAY. Tonga nanatrika ny fivoriana na tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera mitambatra Andriamatoa RAMAHASINDY KOKO Herisoa. Ireto avy ny teknisiana nisolotena ny Governemanta: 1. GCA PAZA Didier 2. GD VELOARISOA Poton 3. GD RALISON Nirina 4. GB RANDRIAMANARINA Christophe 5. GB RAZAFIMAHATRATRA Jean Jacques 6. Col RANDRIAMANESY André 7. Col RAJAONARY Théodore 8. Col BOTOTSARA N. James 9. Col ANDRIAMBELOSOA H. 10. LCl ANDRIAMBOLOLONA Mamy 11. CE MAKA T. Diogène 12. CE RANDRIANAOLOHARIVELO SEG MDN/SG SEG/COG A1/COMGN MDN/DEP COM/DOEGN COM/DPJ/ADM COM/DOE/SJD MDN/SG/DRH/SDC DEP/SESA COM/DRH/PSO COM/DRH/COPT Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hanazavany fohifohy ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Nambarany fa ny volavolan-dalàna mikasika ny « Haut Conseil de la Défense Nationale » izay voalazan’ny andininy faha-56 ao amin’ny Lalàmpanorenana, fa afaka maka hevitra amin’io Filankevitra Ambony io ny Filohan’ny Repoblika. Ny tombotsoa azo avy aminy dia: 1- fanajana ny tany tan-dalàna; 2- fanafoanana ny rafitra lany andro mikasika ny fiarovana. Ireto avy no andraikiny: Mankatoa ny volavolan-kevitra mikasika ny fiarovana; Manara-maso ny firenena sy ny lamina ao aminy; Miantoka ny fandriam-pahalemana; Manome hevitra amin’ny fampiasana ny hery raha mangataka izany ny Praiministra; Fampiasana ny hevitra iraisam-pirenena vao afaka mandefa miaramila any ivelany. 8 Mizara lohateny telo ny volavolan-dalàna ary misy andininy miisa 14. Fanontanina avy amin’ny Vaomiera 1-Mikasika ny andininy faha-9 andalana faha-2: azo atao ve ny mampiditra ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny fiarovam-pirenena hanatrika ny fivorian’ny “Haut Conseil de la Défense Nationale” raha sendra ka tsy eo ny Filohan’ny vaomiera? 2-Inona marina ny andraikitr’ireo manamboninahitra ambony any ivelany amin’ny tany miady toy ny any “Khartoum”? Valim-panontaniana avy amin’ny teknisiana: 1-Ny « Haut Conseil de la Défense Nationale » dia miankina amin’ny Filohan’ny Repoblika. Misy ny fisarahan’ny fahefana, ka midika ho tsy fanajana ny Lalàmpanorenana ny fanaovana izany, raha mety dia tovanana « ou son représentant » eo amin’ny andalana faha-2 ny andininy faha-9. 2-Ireo manamboninahitra ireo dia manao ny asan’ny “Union Africaine”, izany hoe: manao “mission d’obsérvation”. Taorian’izay dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna ny Vaomiera mitambatra. FAMELABELARANA NY ANTONANTONY: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. “TITRE PREMIER: DISPOSITIONS GENERALES” Andininy voalohany hatramin’ny faha-3: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. « TITRE II: DES ATRUBITIONS ET DE L’ORGANISATION » Andininy faha-4 hatramin’ny faha-8: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Andininy faha-9: lany nasiam-panovàna (jereo tovana) Andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-11: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiampanovàna. “TITRE III: DISPOSITIONS DIVERSES” Andininy faha-12 hatramin’ny faha-14: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Nolanin’ny Vaomiera mitambatra tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana fa nasiampanovàna ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 «portant organisation et attributions du Haut Conseil de la Défense Nationale » ka hoentina eny anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 11 ora sy 35 minitra, atoandro, ny fivoriana rehafa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha. 9 TOVANA (FANOVANA) Version originale Article 9 alinéa 2: En tant que de besoin, les Présidents de commissions en charge de la défense et de la Sécurité au sein du Parlement peuvent être invités aux sessions du Haut Conseil. Version amendée Article 9 alinéa 2: En tant que de besoin, les Présidents de commissions en charge de la défense ou son représentant et de la Sécurité au sein du Parlement peuvent être invités aux sessions du Haut Conseil Misaotra, Andriamatoa Filoha. Tapitra ny famakiana ny tatitra, Andriamatoa Filoha. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Atolotsika ny Mpampakateny ny fisaorana tamin’ny nitondrany izay tatitra izay. Mipetraka ihany ny fanontaniana teo, sao misy manana fanamarihana na fanitsiana mikasika ny tatitra novakiana tamintsika teo ; mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny aloha, fa fanitsiana ny tatitra no hataontsika izao. Avy amintsika Solombavambahoaka aloha, avy eo ry zareo Governemanta raha misy izany. Atsangano ny tànantsika izay handray fitenenana handraisana ny anarany. Andriamatoa RAKOTONIRINA Joe Ernest Fanamarihana kely fotsiny ny ahy, Andriamatoa Filoha. Tao anaty “commission” izahay; ao amin’ny “titre II” resaka tsipelina “des attributions” izay ihany no hita ato aloha. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo Minisitra telo mirahalahy sy ny mpiara-miasa aminareo rehetra. Ianareo no tokotelo mahamasa-nahandro eto amin’ny firenena ; izahay tsy ho lava resaka, araka ny fangatahan’ny Filohan’ny Kaomisiona teo satria raha nangataka ny an’ny vaomieranay izahay, mba nanaiky ry zareo. Koa mirary anareo telolahy amin’ny fanatanterahana ny andraikitra. Tsy ho lava kabary fa holaninay ireto. Ny ifampiresahana indraindray izay hisaorana anareo telo mirahalahy, rehefa mba miantso izahay, ianareo mambran’ny Governemanta, azo hatrany, mamaly na “message” izany na amin’ny “téléphone”, koa misaotra, mankasitraka, mankatelina, satria raha toa inona fiaraha-miasa tadiavin’ny Solombavambahoaka aminareo, raha ny fifandraisantsika dia tahaka ny mpirahalahy mianala isika ; ianareo Governemanta tokinay, izahay Parlemanta 10 kosa tokinareo. Koa manantena ny fiaraha-miasa tanteraka aminareo satria tsy ho vita irery ity fandriampahalemana ity raha tsy misy ny fiaraha-miasantsika. Vonona izahay hanome tànana lalandava anareo, koa raha mbola misy lalàna ohatran’ity, alefaso fa vonona 100% izahay hanatanteraka ny fiaraha-miasa. Ho lava fanapahana ianareo, andao ianareo fa eto ihany izahay hanohana. Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Tiako ny manamarika etoana, Andriamatoa Solombavambahoaka, fa miaraka amintsika eto amin’izao fotoana izao ny Jeneraly Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Misaotra, Andriamatoa Minisitra. - Tehaka Miaraka amintsika eto koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. - Tehaka Eo afovoany ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. - Tehaka Rehefa izany, omentsika ny Governemanta ny fitenenana ho an’izay mety ho fanamarihana mikasika ny tatitra. -4- Fanamarihana sy fanitsiana ny tatitra Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Mbola mamerina ny fiarahabana anao, Andriamatoa Filoha; ianareo mambra ao amin’ny Birao Maharitra; Andriamatoa Mpampakateny; Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovana; ny Filohan’ny Vaomieran’ny lalàna ary isika mambran’ny Governemanta sy ny mpiara-miasa rehetra. Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina isany. Mba ho fanajana ny Lalàmpanorenantsika, raha sitrakareo, tsara angamba raha ahitsy ny voalaza ao amin’ny andraikiny, teboka fahadimy, mivaky toy izao no voasoratra ato: Fampiasana hery iraisam-pirenena vao afaka mandefa miaramila any ivelany. Raha vakiantsika ny Lalàmpanorenana, andininy faha-56, izay mifanandrify amin’ny tenindrazantsika dia manao hoe: Ny Filohan’ny Repoblika no manavaka mandritry ny Filankevitry ny Minisitra, ny handefasana miaramila sy fitaovana amin’ny firotsahana any ivelany rehefa avy naka ny hevitry ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena sy ny 11 Antenimiera. Tsara raha ahitsintsika io teboka fahadimy io mba hanajana ny voalazan’ny Lalàmpanorenantsika. Manarak’izay, nitondra tovana ianareo hanatsarana ny andininy fahasivy na ny “article 9, alinéa 2” tamin’ny volavolan-dalàna izay natolotra anareo ary nolanian’ny asam-baomiera tsy nasiam-panovàna, fa tovana no natolotra. Mba mitondra fanatsarana ihany koa izahay eto anivon’ny Governemanta, raha sitrakareo, ka toy izao ny eritreritra satria ny tovana nentinareo dia sahala amin’izao : « En tant que de besoin, les Présidents des commissions en charge de la défense ou son représentant et de la Sécurité au sein du Parlement peuvent être invités aux sessions du Haut Conseil ». Raha sitrakareo, sahala amin’izao no itondranay azy « en tant que besoin, le Président des commissions en charge de la défense et de la sécurité ou leur représentent au sein du Parlement peuvent être évités aux sessionx du Haut Conseil ». Izay no mba fanirianay, Tompoko, ka apetraka hankatoavanareo. Mbola manantitra ny fisaorana ireo Solombavambahoaka izay nandray anjara mavitrika tamin’ny asam-baomiera ka nandany ity volavolan-dalàna ity tsy nasiam-panovàna. Mankasitraka Tompokolahy. Mankatelina Tompokovavy. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, vita izay ny mikasika ny tatitra; omentsika lalana, Andriamatoa Mpampakateny, mba hiverina eny amin’ny toerany ary ao anatin’ny fankasitrahana tanteraka. - Tehaka Omena fitenenana, Andriamatoa Minisitra, ianareo avy ao amin’ny Governemanta hitondra fanazavana ny antonanton’ny volavolan-dalàna; asesintsika ny voalohany, ny faharoa ary marihina fa afaka mangataka fitenena hatrany ny solotenan’ny Governemanta mandritry ny adihevitra rehetra. Fanazavana ny antonantony raha ohatra misy, fa raha tsy izany, avy hatrany dia miditra amin’ny adihevitra ankapobeny isika. -5- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Mbola mamerina ny fisaorana anao hatrany, Andriamatoa Filoha. Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Vaomieran’ny Lalàna; Ianareo Solombavambahoaka; Isika mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ny mpiara-miasa rehetra. Tompokolahy sy Tompokovavy. 12 Ny asam-baomiera dia efa nampahafantarina ireo izay nanatrika tao, efa fantatra ny antonantony itondrana eto aminareo ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana ankapobeny ny fiarovam-pirenena na ny antsointsika amin’ny teny frantsay hoe “projet de loi portant organisation générale de la défense nationale”. Amin’ny ankapobeny, fampiharana ny lalàna mikasika ny fandaminana ankapobeny ny fiarovam-pirenena mba hifanaraka amin’ny Lalàmpanorenena izay nofidiantsika tamin’ny alalan’ny fitsapana hevi-bahoaka ka nampitsangana izao Repoblika fahefatra izao. Ho fampiharana ihany koa ny andininy faha-56 ao amin’ny Lalàmpanorenana satria takian’izany lalàna izany ny fijoroan’ny “Haut Conseil de la Défense Nationale”, mba hifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna laharana faha-98-12 izay nanaraka ny Lalàmpanorenana tamin’ny Repoblika fahatelo, ka ilain’ny fitondrana izay no antony itondrana izao volavolandalàna izao eto anatrehanareo Antenimierampirenena. Ny antony manaraka dia ny fampidirana ny hevitra vaovao, ny fandriampahalemana ankapobeny izay apetraky ny lalàna iraisam-pirenena ary mifaningotra tanteraka amin’ny fiarovana ankapobeny. Ny mampiavaka azy dia ny fampidirana ny hevitra fandriampahalemana ankapobeny ao anatin’ity lalàna ity, ny fametrahana ireo kitro ifaharana, ireo fomba vaovao amin’ny lafiny fiarovana, ny voalohany dia ny voalazan’ny andininy faha-56 ao amin’ny Lalàmpanorenantsika. Faharoa, ny fampidirana ny Filankevim-pirenena momba ny filaminana anaty izay rafitra vaovao eo anivon’ny Governemanta, eo anivon’ny “Primature”. Ny tombotsoa azontsika amin’izany dia ny fanajana ny atao hoe fanjakana tan-dalàna izay fanamby napetraky ny Filohampirenena raha nanao kabary izy tamin’ny nametrahana azy ho Filohampirenena tamin’ny volna Janoary 2014. Hanafoanana ny lalàna laharana faha-94-018 izay hita fa efa lany andro noho ny fananantsika Lalàmpanorenana izay nofidintsika tamin’ny fitsapana hevibahoaka tamin’ny taona 2010. Izay ny antonantony, tsara ny hizarana amintsika ny firafitr’izany volavolan-dalàna atolotra eto aminareo mba ho laniana izany. Mizara enina ary misy andininy 29 ity volavolan-dalàna ity, izay mizarazara toy izao: Ny lohateny voalohany: ny fepetra ankapobeny; Ny lohateny faharoa: ny fitantanana; Ny lohateny fahatelo: ny andraikitr’ireo Minisitra; Ny lohateny fahefatra: ny fandrindrana ara-piarovana; Ny lohateny fahadimy: ny fanompoam-pirenena; Ny lohateny fahaenina: ny fepetra samihafa entina manatanteraka izany lalàna atolotra anareo mba ahazoana ny latsa-batonareo izany. Izay Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina isany no mombamomba ity volavolan-dalàna ity. Izahay mambran’ny Governemanta dia vonona hatrany ny hanome fahafam-po amin’izay zavatra tsy mazava aminareo ary hamaly ny fanontaniana izay tianareo apetraka. Mankasitraka Tompokolahy. Mankatelina Tompokovavy. 13 - Tehaka Andriamatoa FILOHA Raha sitrakao, Andriamatoa Minisitra, efa afaka manazavazava ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 ihany koa ianao. Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Mbola misaotra anao hatrany, Andriamatoa Filoha. Ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 indray dia mikasika ny fandaminana sy ny andraikitra ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena. Ny antony itondrana izao volavolan-dalàna izao holaninareo eto anivon’ny Antenimierampirenena dia mba ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-56 ao amin’ny Lalàmpanorenantsika. Ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena no fitaovana iray amin’ny fangatahan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny lafiny fiarovana sy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny. Ny andraikitra sahanin’izany Filankevitra Ambony izany dia ny fankatoavana ny rijan-teny mikasika ny hevitra iandrianan’ny saina, ny fiarovana, antsointsika amin’ny teny frantsay hoe: “concept de défense” sy ireo atontan-drijan-teny mikasika ny paikady amin’ny fandriampahalemana ankapobeny. Miahy ny fampandehanana ara-dalàna ny filaminana sy ny fiarovana; miantoka ny fitarihan-dalana, ny fanavaozana atao eo amin’ny sehatry ny fiarovana na ny “restructuration des forces armées”. Izay no andraikiny raha ny andininy faha-4 amin’ity volavolan-dalàna ity no asian-teny. Ny eo amin’ny andininy faha-5, ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenena no manome ny heviny amin’ny fampiasan’ny Praiminisitra ireo mpitandro filaminana mba ahafahana mametraka ny filaminana ara-tsosialy raha toa misy korontana goavana mitranga eo anivon’ny firenena ary mialoha ny hanambarana ny lalàna laharana faha-91-011 tamin’ny 11 Jolay taona 1991 mikasika ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka izay raisin’ny Filohampirenena rehefa avy nandray fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra izy rehefa avy nanatrika ny Parlemanta. Izay no lalàna nantsointsika tamin’ny teny frantsay hoe : « loi n°91-011 relative aux situations d’exception”. Fanekena ny fampiasana hery sy fitaovan’ny miaramila amin’ny fandraisana anjara any ivelany sy ny fanomezana ny heviny amin’ny lafiny rehetra mikasika ny fiarovana sy ny fandriampahalemana ankapobeny eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny tombotsoany dia ny fanajana hatrany ny fanjakana tan-dalàna ary mba ho fametrahana sy fanatanterahana ny fanamby izay nolazain’Andriamatoa Filohampirenena ny hananganana izany. Entina ihany koa hanafoanana ny rafitra tamin’ny andron’ny Tetezamita izay Filankevitra Miaramila mikasika ny fiarovam-pirenena satria efa manana rafitra vaovao isika izao noho ny fiveren’ny “ordre constitutionnel”. 14 Misy lohateny telo, ahitana andininy miisa 14 ny firafitr’ity volavolan-dalàna ity ary mizara toy izao: Ny lohateny voalohany: fepetra ankapobeny; Ny lohateny faharoa: fandaminana sy ireo andraikitra; Ny lohateny fahatelo: ny fepetra samihafa. Mbola vonona hatrany hanome fahafaham-po anareo amin’izay tokony holazaina kanefa mety tsy nazava ary hanome hamaly ny fanontaniana izay apetrakareo. Mankasitraka Tompokolahy. Mankatelina Tompokovavy. -6- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, misaotra an’Andriamatoa Minisitra isika tamin’izay fanazavana izay narosony teo izay. Izao isika dia hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny. Izay handray fitenenana, angatahana hanangan-tànana handraisana ny anarany. Andriamatoa Solombavambahoaka anao ny fitenenana. Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo mambran’ny Governemanta sy ny teknisiana miaraka aminareo. Eto aloha, mametraka fisaorana lehibe ho an’ny Jeneraly miadidy ny Zandarimaria tamin’ny nanampiany anay tamin’ny fanofanana ny “quartier mobile” tany aminay. Izay zavatra izay mihitsy no nandehanan’ny eritreritra hoe hanolotra sosokevitra ho anareo ao amin’ny Governemanta satria rehefa natao ny fampiofanana an’ireo “quartier mobile” ireo, raha azo atao, tokony haverina ambany faneva ireo zatovolahy Malagasy ireo satria fitaizana lehibe ny fitaizana ara-miaramila mba hisian’ny fifandeferana eo amin’ny mpiara-monina, hisian’ny fifanajana ny lehibe koa. Izay no fiangaviana raha azo atao, mba hamerenana ambany faneva ny zatovolahy Malagasy mba hampirindra ny rafi-piaraha-monina ankapobeny. Faharoa, misy soso-kevitra ihany: hita fa misy fahombiazana ny “service national” tamin’ny fotoan’androny satria tsapa ny tsy fahampian’ny mpampianatra tamin’izany. Moa tsy azo atao ve ny hamerenana ny ankizy afaka “bac” handalo “service national” hanampiana ny mpianatra na hanampiana koa ny zatovo amin’ny fanofanana ara-miaramila. Soso-kevitra ihany izay, fa tsy voatery hotanterahina. Misaotra Tompoko. 15 Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana, Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina Herisoa. Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina Herisoa Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Faly miarahaba anareo mambran’ny Governemanta sy ny teknisiana rehetra miaraka aminy. Raha ity lalàna ity, tsy iadian-kevitra intsony fa holaniana. Momba ny tsy fandriampahalemana no tiako handraisana fitenenana kely. Ny zava-misy, Andriamatoa Minisitra isany, iarahantsika mahalala fa maro ny ezaka ataonareo momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kanefa na eo aza izany, mbola hita ary mahatsapa isika fa anjakan’ny asan-dahalo na ny tsy fandriampahalemana tanteraka ny faritra ambanivohitra. Manoloana izany, maro ny paikady efa narosonareo; tsapanay koa fa maro ny fangatahana Miaramila nataon’ny Fokontany, Kaominina eny ambanivohitra ireny. Izany fangatahana miaramila izany dia miaraka amin’ny tambiny izay omen’ireo vahoaka eny ifotony ireo ihany. Raha any Mandoto fotsiny no resahana, vonona ny vahoaka hanome vary 4 taonina ho an’ny miaramila ary ny “carburant” mandritra ny volana izay hivezivezeny amin’ny “moto”, mbola vonona ny hamoaka izany ry zareo. Maro ny fangatahana izay natao nalefa tany amin’ny RM1 satria ao no andefasana izany, ny valin-teny azo: misy ny tsy fahampian’ny miaramila na eo aza ny fahavononan’ny vahoaka, eo koa ny tsy fahampian’ny “élément” alefa any ambanivohitra. Tahak’izao ny soso-kevitra avy aminay: tsy azo atao ve ny mieritreritra ny hanaovana “recrutement” faobe ho an’ny miaramila sahala amin’ny nanaovanareo ny an’ny zandary na ny “maître FRAM”. Ohatra hoe ho an’ny taona iray, raha mahazaka 1 000 isika, satria isika ihany no mahita ny toe-bola misy hoe mahazaka 2 000 na 3 000; izay no heverinay fa anisan’ny vahaolana akaiky ilain’ny vahoaka; aleo mba hisy miaramila eny anivon’ny Kaominina na Fokontany izay mahavita an’izay adidy takiana aminy. Izay no fandraisam-pitenenana koa mankasitraka, Andriamatoa Filoha. Manentana antsika rehetra mba handany an’ity volavolan-dalàna ity satria heverina fa mahasoa noho izy mikasika fandriampahalemana. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Omena fitenenana ny Solombavambahoaka RAKOTONIRINA Joe Ernest. 16 Andriamatoa RAKOTONIRINA Joe Ernest Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mbola manamafy ny fiarahabana efa vitan’ny namana teo ho antsika mambran’ny Governemanta izay tonga eto. Raha ny tena marina, mpikambana ao amin’ny vaomiera ny tenanay ka tokony tsy hiteny intsony satria raha nojerenay, lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna izy rehetra. Izany hoe ny volavolan-dalàna miisa roa izany; ny dikan’izay, hita fa tokony holaniana izy ireto. Araka ny resaka, ny fotoana hararaotina ihany satria sarotsarotra ny fahazoana anareo, Andriamatoa Minisitra. Ny anay dia efa mahamenatra, Andriamatoa Minisitra, ianareo aza mety ho valaka hilaza hoe ny an’io rangahy io dia ny sisin-tany sy ny korontana foana kanefa ny tadiavina amin’izany dia ny feom-bahoaka, Andriamatoa Minisitra. Izay no apetraka aminareo tompon’andraikitra telo mirahalahy momba ny filaminana. Tsy sanatria ny teniko no entiko eto na ny fahitako ny zavatra omaly fa ny feon’ny vahoaka any Iakora mihitsy. Raha manana fiarokodia isika, mi-“chauffe” ny fiara raha vao mirehitra ny “temoin” miloko mena. Raha ny fahitako azy aloha, raha ny zava-misy any amin’ny Distrikan’Iakora, efa hipoaka ny “ampoule” satria tsy azo iainana intsony ny “situation” any. Isaorana ny ezaka ataonareo; isaorana ianareo, Andriamatoa Minisitra. Teo aloha fony ianao niandraikitra ny SEMGAM ka hatramin’izao dia nanampy anay hatrany fa ny fahitanay azy, mbola tsy ampy ny isan’ny olona misahana ny fandriampahalemana. Misaotra an’Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandary koa izahay, satria tsy ny “renfort” nalefa avy tao Ihosy sy ny “compagnie” avy any Ivohibe, fa araka ny tenin’ny Solombavambahoakan’i Mandoto teo, tsy mahavoavaha olana izany. Sahala amin’izao ny olana mipetraka: rehefa eo ny zandary, milamindamina ny zava-misy. Amin’izao indray, maheno isika, taorian’ny Alahady teo fa nisy olona miisa 27 maty. Efa noresahana tato izay; malaso miisa 21 ary ny ambiny mpanaradia avy amin’ny Fokonolona; izay no maty tany Iakora. Misy “opération ponctuelle” ataon’ny Zandary any Iakora amin’izao fotoana izao, raha tsy diso aho, Andriamatoa Sekreteram-panjakana, ny olana, raha vao miala ny Zandary, rahampitso efa misy sahady ny asan-dahalo ary aorian’izay misy fahafatesan’olona marobe. Raha tamin’ny taona 2013 no mankaty, teo anelanelan’ireo no tena nisy faty olona be indrindra tany Iakora na malaso izany na olon-tsotra. Mety ho olona ao anatin’ny Distrika ihany koa, tsy fantatra hoe olona avy aiza fa amin’ireo olona miisa 21 ireo, tokony ho fantatra hoe avy atsy ireo olona ireo mba misy ahafahana manaraka azy. Izay no angatahanay, Andriamatoa Minisitra, tokony hisy “opération” hatao any aminay. Tena miantso vonjy ny vahoakan’Iakora, ny feony no entiko eto fa tsy ny ahy intsony satria raha atz Antananarivo aho, manao palitao, mivoaka avy ato aho miditra fiara, mandeha mody, matory milamina tsara fa tsy sahala amin’izay mihitsy ny fiainan’ny olona mifanerasera amiko any amin’ny Distrika misy ahy amin’ny maha 17 Solombavambahoakan’Iakora ahy. Olona efa somary mivindavinda tarehy, tezi-dava tsy afaka miasa intsony. Miezaka miasa saingy tsy misy asa mandeha amin’ny laoniny intsony fa mandositra; mbola misy matory anaty ala any aminay amin’izao fotoana izao. Izany rehetra izany no angatahana antso vonjy, fa raha ity volavolan-dalàna ity, hitanay fa tena mety ary ho fanantenana ho amin’ny ampitso fa androany aloha no mahamay, Andriamatoa Minisitra. Koa mangataka ny fijerenareo ny olana misy izahay; ohatra: ampiana 10 ny isan’ny Miaramila nomenao anay. Efa zava-dehibe izay satria raha misy 20 mba efa hafahafa satria rehefa misy hazolava dia mandeha ry zareo, tahak’izay koa ny isan’ny Zandary, aleo ampiana. Mbola fangatahana ihany, Andriamatoa Minisitra: tokony hofenoinareo ny isan’ny Zandary ao amin’ny “brigade” satria tena tsy ampy; miisa 12 no ao amin’ny “brigade” ao Iakora; tena tsy ampy izany. Efa tena marary ny olona, ny fitaovana moa tsy tenenina intsony fa raha mba misy fiarakodia, mba omeo izahay hanaovana ny asa fa marary ny vahoaka. Izaho tsy hisolo tena ny Distrika manodidina, fa samy eto ny Solombavambahoaka satria mitovitovy aretina aminay daholo izahay mifanolo-bodirindrina. Izay angamba no apetraka aminareo fa vonjeo ny Distrika satria misy Distrika anankiray amin’ireo 119 eto Madagasikara dia Iakora izany, raha tany mamokatra angamba, tsy misy afa-tsy Iakora saingy tsy afaka mamokatra intsony izahay ary ho maty mosary mihitsy. Misaota Andriamatoa. Misaotra anareo, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminareo. Rehefa namaky ny “projet de loi” aho, ao amin’ny « article premier » misy hoe : « défense nationale instituée pour assister le Président de la République ». Ao amin’ny « article-3 : le Haut Conseil de la Défense Nationale a pour mission principale d’assister le Président de la République dans l’exercice de ses fonctions » ; ao amin’ny « article-4 : valider le projet de concept de défense ainsi que le document de stratégie de la sécurité nationale ». Mba mangataka aminareo aho hoe rahoviana ianareo no mi-« assister » ny vahoaka satria ny vahoaka izao tena maty ; isan’andro vao mivoaka ny gazety, milaza fa nisy tranon’ny Jeneraly notafihana. Ny avy any Iakora milaza fa milamina eto Antananarivo. Tsy milamina mihitsy fa mandrimandry ratsy eto Antananarivo ary matahotra daholo izahay ao an-tranonay satria na tranon’ny Jeneraly aza tafihana. 18 Rehefa raisina indray ny Lalàmpanorenana, milaza fa fiarovana ny ain’ny olona, napetraka mihitsy hoe : « la préservation de la sécurité humaine ». Raha hamaly ahy ianao izao dia hiteny ahy hoe : tsy Ramatoa RATSIVALAKA Michelle ihany fa efa ao anatin’ny « sécurité nationale » izany. Ny « sécurité nationale » anie « globale » be kanefa ny ain’olombelona eto amintsika mihitsy no tena tsy misy dikany intsony satria maro ny olona maty. Ianareo ao anatin’ny « défense »; raha izany no resahana dia misy ny “ennemis” na fahavalo. Miditra ny “ennemis” dia manao « défense » ianareo, fa « défense contre la mort ». Inona ity atao ity, izahay Solombavambahoaka aza mahazo fitarainana hatrany fa novonoin’olona tao an-trano, misy mpanendaka, ny trano norobain’ny olona, trano efa feno fiarovana mbola tafiditry ny olon-dratsy foana. Mba ahoana ny fiarovanareo satria ity tena hitako mihitsy hoe « défense »: ny Filohan’ny Repoblika anie manana « garde de fil », izaho tsy manana kanefa izaho vadina miaramila. Manana firy izy, vao mivoaka izy na ny havany aza manana daholo. Ato indray, mbola « assisté le Président ». Mahay be mihitsy ianareo, sambatra be izy fa ny vahoaka mijaly satria « préservation de la sécurité humaine », tsy hitako ato izany; notadiaviko foana aiza no hampidirana azy. Mety hamaly tsotsotra ianareo, rehefa avy eo hoe: ampidiro ao anatin’ny « sécurité nationale » izay kanefa tsy ampy anay izany satria misy maty hatrany ny olona; ohatran’ny hoe tsy misy dikany ny aina eto amintsika. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAMAROLAHY Maurice. Andriamatoa RAMAROLAHY Maurice Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo mambra ao amin’ny Governemanta sy ireo mpiara-miasa mafonja dia mafonja. Andriamatoa Filoha, mambran’ny vaomiera ny tenako. Raha ny lalàna misy eto izao, tokony tsy holanilaniana amin’izao fa mametraka fanontaniana, manao adihevitra vao tokony ho lany. Ny dikan’izay, efa lany alohan’ny tsangan-tànana sahady raha izao no fandehany. Taorian’ny asam-baomiera, Andriamatoa Filoha, Andriamatoa Minisitra, nivory manokana izahay ; nisy Solombavambahoaka maromaro tao ; ohatra : ny Solombavambahoakan’i Beroroha, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo, Morafenobe, Tsiroanomandidy, Antsalova, Manja ary Miandrivazo. Mino aho fa nazava ny tatitra nentina tany amin’ny “Commandant de la Gendarmerie” sy tany amin’ny Minisitera izay miahy azy. Nangataka izahay ny hanaovana “opération mixte” amin’ireo Faritra sy Distrika voalaza ireo, mba tsy hilazako hoe ny faritra misy ahy ihany. Nangataka “complément d’effectif” ; izay tsy midika hoe manampim-bava ny Solombavambahoaka fa ho fintiniko kely ny zavatra nangatahanay tao. Nangataka “présence permanente” aorian’ny « opération » natao satria araka ny voalaza teo, rehefa vita ny « opération » somary milamina kely, avy eo miverina ary vao maika mamaivay ny fisehon’ny tsy fandriampahalemana. Izay no nangatahana ny “présence permanente” ho an’ny mpanao « opération » ; tsy izy rehetra fa ny sasantsasany ihany. « Motivation » no tsy misy amin’ireo mpanao « opération » ireo ; izay no zavatra noresahana teto, mba mila ampitomboina izany ary tokony hojerena manokana any anaty tetibolampanjakana izany. 19 Momba ny « hélicoptère », inona no antony tsy ampiasana azy kanefa hita mandeha any amin’ny toerana hafa izany satria na ny mpandraharaha na amin’ny lafiny politika amin’ny fanaovana propagandy, manidina ny « hélicoptère ». Amin’ny ankapobeny, tsy hita loatra amin’ny fitandroana ny filaminana io fitaovana io. Mangataka ny sasany ny hamerenana ny “opération Tsy Mitsitsy” satria nahomby iny, tao ny nilaza ny fisian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny Zandary sy ny fampiharana ny Dina. Izany hoe, indraindray nisy tsy fitovian-kevitra satria mirona any amin’ny tsy fandriampahalemana izany zavatra izany. Momba ny “intervention aérienne”: izay indray dia ikambanan’ny Faritr’i Menabe, Menaky ary Bongolava ary nisy soso-kevitra tao hoe: apetraka ao Tsimiroro toerana misy an’i “Mada Oil” izay misy “infrastructure aérienne” kely sady toerana “stratégique” izany sady ho an’i Bemaraha, ho an’i Menabe, ho an’i Melaky ary ho an’i Bongolava. Misaotra manokana ny Jeneraly izay miandraikitra ny serasera ao amin’ny Zandarimaria, satria izahay no Filoha Lefitry ny Vaomieran’ny Fiarovana fa rehefa misy fiantsoana, mandray telefaonina izy na izy mihitsy no miantso rehefa avy eo na mamaly amin’ny alalan’ny “message”. Indraindray aza izy milaza fa tsy mitombina ny zavatra resahanao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Matetika koa izy no miteny hoe mitombina ny zavatra lazainao, fa handray andraikitra izahay. Misaotra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy Andriamatoa Minisitra vaovao, fa efa imbetsaka ianao no namaly “message” anay. Misy koa ny fitsarana; raha nametraka “quartier mobile” satria misy ny tsy fahampian’ny “effectif” na ny Zandary izany na ny Miaramila, namolavola ny olom-boafidy sy ny vahoaka ho an’ny taona iray, hiantoka ny akanjo sy ny sakafon’izy ireo, indraindray mety hisy tambinkarama kely mihitsy. Raha tany Antsalova, averiko eto fa tsy marina ny voizin’ny gazety hoe: namorona milisy Andriamatoa RAMAROLAHY Maurice. Tsy marina iny fa “quartier mobile de région” no nanaovanay an’iny. Matoa ny Minisitra RAKOTOVAO Rivo nanampy, ny Praiminisitra teo aloha ary ny SEG koa nanampy amin’ny hoe hanaovany “uniforme”, avy eo apetraka amin’ny fomba ofisialy, atrehin’ny “Préfet” sy ny “Chef de District” izany. Manarak’izay, eo ianao Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana: misy an’ireny basy “saisie” ireny, “fusil de chasse” izy ireny. Isika miaina ao anaty tsy fahampian’ny isan’ny olona sy ny fitaovana. Mieritreritra aho, maninona raha ohatra ka ampiasain’ny « quartier mobile » na kalony izy ireny; ofanin’ny Zandary izy ireo, rehefa mandeha ny “opération”, alefa hanamafy ny Zandary satria tsy fotoanan’ny lefona sy ny kobay intsony izao. Avoaka ny basy ary rehefa vita ny “mission” dia averina any amin’ny magazay, any amin’ny toerana tokony hisy azy fa hatao inona fotsiny ireo basy ireo. Fananam-panjakana ireny, mba ampindraminy ny mpitandro filaminana ho fiarovam-pirenena. Tsy omena fotsiny ka hoentiny any an-tranony, sao hivadika biby ry zalahy rehefa avy eo. Izay no mahatonga anay miteny hoe soso-kevitra izay raha mety amin’ny fanjakana. Manarak’izay, miezaka ny zandary ao Antsalova, Andriamatoa Minisitra, saingy tsy ampy. Tamin’ny andron’Andriamatoa Praiminisitra KOLO Roger, rehefa misy “opération” dia 20 nomena fitaovana ny Solombavambahoaka, entiny mandeha mianatsimo, miakandrefana manara-maso miaraka amin’ireo mpanao “opération”. Izao no zava-misy tao Antsalova sy Maintirano, nomen’ny Praiminisitra fitaovana izahay, rehefa nisy fanafihana, 100% tena tratra ny dahalo ary tratra ny omby rehetra. Azoko tenenina izany, ny dikan’izany, ilain’ny mpitandro filaminana ny fiara, izahay efa tsy hahazo ihany ka izay no angatahana izany. Izay no azo ambara fa mila tafika izahay ao Antsalova, Andriamatoa Minisitra, hiantohanay 100% ny sakafony ary raha misy fiara, hiantoka solika koa izahay. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mankasitraka anareo rehetra. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka voafidy tao Sainte-Marie. Omena anao ny fitenenana. Mialoha anao, ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovana. Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas Misaotra, Andriamatoa Filoha. Tsy manapaka ny teninareo aho fa mba tokony haompantsika amin’ny zavatra ataontsika ny resaka. Izaho anie tsy mandà ny teninareo fa aleo ny zavatra resahana no resahana. Andriamatoa FILOHA Ny Filoha, Andriamatoa Solombavambahoaka, mitarika fivoriana ihany no ataony fa ny tompon’ny fivoriana dia ny Solombavambahoaka rehetra. Misy Solombavambahoaka enina mbola handray fitenenana. Mba ahafahantsika manafaingana ny fivoriana, tokony hatao fohifohy ny fandraisam-pitenenana. Izay angamba no marimaritra iraisana, raha sitrakao Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovampirenena. Mandray fitenenana manaraka ny Filoha Lefitr’Antananarivo; tsia ny an’i Sainte-Marie azafady; omena anao ny fitenenana. Andriamatoa TSIVOULANGNE Maximin Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo Minisitra telo mirahalahy. Ny zavatra tsapa amin’ny volavolan-dalàna holaniantsika izay hita fa ho lany dia mety ho tany tan-dalàna ihany koa isika. Matetika na mipetraka aza ny tany tan-dalàna, avy amin’ny mpitandro filaminana koa no miala ny tany tan-dalàna, ka mety hitondra savorovoro any ifotony. Tiako tsipihana manokana eto ny tahaka ny any Sainte-Marie na tsy faritra mena ohatra ny toerana sasany aza izy. Misy antoko Tafika any, misy Zandary any ary misy Polisy ihany koa. Tsy hoe fitorahana voninkazo ny Zandary fa raha izy ireo, mora iresahana ry zareo. 21 Sanatria tsy hoe mitory fa milaza ny zava-misy, Andriamatoa Minisitra, indraindray ny Miaramila manahirankirana ihany ny miara-miasa aminy. Noho izany, mila fanarenana manokana ny fihetsiny. Fandriampahalemana no resahana eto, araraotinay, Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana, izay tonga eto, mifandray aminareo koa ny fanakatonana an’ireny fonja ohatran’ny any SainteMarie ireny. Ny mpitory no miantoka ny fandehanana any Toamasina rehefa misy olona toriana. Amin’izao anefa misy zava-baovao noho ny fiaraha-miasa amin’ny 3P. Voavoatra ny fonja ka tokony hosokafana, saingy ny biraon’ny mpitantana no sisa tsy vita. Miangavy anao izahay, Andriamatoa Minisitra, mba hialana amin’ny zavatra toy izany, mba jereo izany. Manarak’izay, araraotina ny maha eto anao, ahoana ny famerenana indray ny “audience foraine” satria tsy voatsara ny olona, lasa miteraka toe-tsaina hafa mety hitarika ny tsy fandriampahalemana izany. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Mankasitraka, mankatelina Andriamatoa Solombavambahoaka. Omena fitenenana Ramatoa Solombavambahoaka misahana ny Faritanin’Antananarivo. Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina Misaotra, Andriamatoa Filoha. Manantitra ny fiharabana anareo. Miresaka mikasika ny “défense nationale” isika. Ny zavatra hita, very tokoa isika amin’ny resaka fitaovana, raha ny “marine” ohatra, « vedette » fampiasa amin’ny ranomamy no ampiasaintsika amin’ny ranomasina na tsy misy mihitsy aza ; ny “aérienne”, lasa anarana fotsiny. Inona fotsiny no fitaovana ananan’ny Tafika an’habakabaka. Ny “terrestre” dia mampatahotra raha sanatrian’ny vava izany « défense nationale » izany, maty eto daholo isika. Raha tafatsangana ity, ianareo “membre d’office” tsy hiandry an’ity fanampiana ity, fa ny tena maha izy antsika no aseho satria izay no « souveraineté nationale »-ntsika ; raha ohatra ilana lalàna izany zavatra izany, eto ireo Solombavambahoaka ireo mba tsy hampitsangamenatra antsika mikasika an’izay “défense nationale” izay. Ny tena zava-dehibe indrindra dia ny “sécurité intérieure”, ny jiolahy indray no manana fitaovana raitra noho isika ; tànam-polo ny antsika raha oharina amin’ny an-dry zareo. Ny zavatra henonay ombieny ombieny amin’ireo vahoaka izay mifanerasera aminay, maro ny Polisy sy Zandary mihodikodina eran’ny tanàna fotsiny, ohatran’ny hoe mivangongo amin’ny toerana anankiray. Tsara raha jerena ny “répartition”-n’ireo olona ireo mba tsy hivangongo amin’ny toerana anankiray fotsiny, fa hiparitaka amin’ny toerana maro ; misy “sureffectif” izany amin’ny toerana sasany, indrindra etz andrenivohitra. 22 Tokony hatao « par décret » ny « composition et mission »-n’io rafitra io, marina fa mety efa manana vinavina ianareo hoe “consulter”-na ihany izahay satria any amin’ny Fokontany, any amin’ny Distrika, any amin’ny « décentralisation territoriale » mety hisy hevitra tianay avoitra ihany satria mety tsy hifanaraka amin’ny zava-misy. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Ramatoa Filoha Lefitra. Omena fitenenana ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambanja. Andriamatoa SOLAIMANA Mahamodo Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo Minisitra sy ireo teknisiana miara-dia aminareo. Mankasitraka ny ezaka ataonareo izahay satria tsy miankina aminareo ny zavatra rehetra na miankina aminay na amin’ny vahoaka kanefa ianareo no tompon’andraikitra voalohany. Izahay moa mipetraka amin’iny Faritr’i Diana iny; izay toerana tsy “zone rouge” loatra saingy ny zava-misy atz efa misy any an-toerana ihany koa; misy fanafihana satria manana “cacao” izahay; maro ny olona lasa manam-bola any ambanivohitra any. Misy fanafihana mitampiadiana koa any amintsika miteny izao; tamin’ny herinandro lasa teo, nisy olona nandeha nanao “collecte”, vola “200 Millions” no lasan’ny mpandroba. Izahay tsy hiampanga an’iza eto fa miezaka ihany izahay, raha ohatra samy vitantsika eto dia aleo vitaina satria ratsy io mifampiampanga amin’ny olon-dehibe io. Ny zavatra hitanay anefa mandringana ihany izany satria ao amin’ny fitsarana izao na any amin’ny mpitandro filaminana, raha tonga any ambanivohitra any ry zareo dia ohatran’ny Zanahary latsaka an-tany kanefa olona tsy mahay taratasy akory no miatrika azy any; tsy nianatra firy momba ny resaka fitsarana izy ireo; olona tsy mahalala daholo ny miatrika fitsarana. Mba tokony hahatsapa tena isika tompon’andraikitra tsirairay amin’izany zavatra izany. Ny mahagaga, asa inona no fiofanana azon’izy ireo fa mifampiaro foana ianareo na misy manao zavatra tsy manjary aza. Manaraka, ny resaka “poste avancé”: mangataka an’izany izahay mba hahamoramora ny fiarovana satria raha mahandro amin’ny kitay tsy mirehitra ianao, raha tsy mirehitra iny, tsy misy dikany raha ny fahitanay azy. Ny zava-misy, ireo ankizy mpianatra mody isaky ny faran’ny herinandro, satria renivohitry ny Distrika ao Ambanja, misy “Lycée”, mandeha maka vatsy ny ankizy, iny hararaotin-dry zalahy mifoka rongony, satria ao aminay ao no foiben’ny rongony rehefa ho tonga ny 26 Jona. Rehefa tonga ny 26 Jona sy ny taom-baovao, raharaha ny momba ity “police de la route” ity, ao anatin’ny lalana 2km misy “police de la route” efa ho valo; atao inona daholo izany. Inona loatra no zavatra andrasanareo kanefa rehefa alina ny tanàna feno dahalo. Ohatran’izay Andriamatoa Minisitra isany efa tsy kolikoly intsony fa efa “autriche” fa aminay, ny kolikoly dia “dindon”, kelikely izany; tsy “dindon” intsony fa efa “autriche” ary ny mpitsara mahasahy miteny amin’ny olona tsarainy hoe: raha tsy misy vola ianao…, sahy ny mpitsara; amin’izao fotoana izao anefa misy “cellule de coordination” any aminay, izahay no mifampiraharaha aminy. Izay ny ahy, Andriamatoa Filoha. 23 Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel, miomankomana ny Solombavambahoaka RAHOLIJAONA Harson, ny Solombavambahoaka TODY Arnaud. Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mankasitraka ny fahatongavan’ny mambran’ny Governemanta eto sy ireo teknisiana ambony miaraka aminy. Tsy ho lava resaka aho, Andriamatoa Filoha, satria fantatro loatra ireo mambran’ny Governemanta ireo fa olona manam-pahaizana. Raha resaka “conseil de défense” izany, dia tena hainy izany satria fantatro araka ny nambarako teo, fa ny soso-kevitra angatahako na mety ho zavatra latsaka angamba dia ny ao amin’ny “projet de loi n°008”, amin’ny “article 16” kanefa ao amin’ny “projet de loi n°009” izy tena mipetraka tsara ao amin’ny “article 7” hoe : “parmis les officiers généraux et officiers supérieurs en activité”. Mangataka aho hoe mba ampiana an’io koa ity « projet de loi n°008 » ity ao amin’ny “article 16”, aleo mba misy hoe « en activité » satria raha resaka “sécurité” na resaka “défense” izany, “ordre” izany. Ny dikan’izay misy « hiérarchie respectée », mila « commandement » ka aleo « en activité » daholo na amin’ity “défense nationale” ity na amin’ny “sécurité nationale” koa. Ao amin’ny « article 16 », « sous titre IV », Andriamatoa Filoha, no angatahako an’izay. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka Tsiroanomandidy. RAHOLIJAONA Harson, avy any Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba antsika rehetra. Miarahaba ny tompon’andraikitra izay tonga eto. Ny lalàna amin’ny « sous titre IV » nohamafisin’ny Filoha Lefitr’Antananarivo teo no tiako hamafisina kely. Ianareo telo mirahalahy sy ireo miaraka aminareo tonga eto ; raha ny tena marina, tokony ho ny Minisitry ny Atitany no tonga eto satria ny « sécurité intérieure » no tena olana eto amintsika. Io no misy fahasarotany ; tsy ampy ny Miaramila sy ny Zandary, amporisihana ianareo mba ho sahy hampitombo azy ireo ; ao amin’ny « aricle 16 » lazaina fa any amin’ny « Conseil du Gouvernement » no manapaka an’izay. Ombako manana ny tenindRamatoa Filoha Lefitra teo hoe : raha hanao an’io ianareo dia tsy maintsy maka ny hevitray Solombavambahoaka ; tsy hitanisa lalàna maro izahay, fa rehefa ampiharina io dia manao ny fampiharana azy tokoa ve ny Governemanta. Aleo mihitsy ifandinihana tsara ny rafitra 24 tokony hapetraka eny ifotony amin’ny fandriampahalemana satria fandriampahalemana no resahana. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka TODY Arnaud Andriamatoa TODY Arnaud Misaotra, Andriamatoa Filoha. Faly miarahaba ny Minisitra telo mirahalahy izay tonga eto sy ny mpiara-miasa aminy. Hikatsaka ny fitsinjovana ny vahoaka isika; raha tiantsika marina ny hiaro an’ireny “justiciables” ireny satria 75% ny ady hita eny amin’ny fitsarana dia ady tany daholo, tantsaha, tsy mahalala tsara ny lalàna izy ireo. Vao manomboka mamoaka didim-pitsarana dia efa amin’ny teny frantsay; rehefa manontany izy hoe inona no dikan’iny, trerona no valiny. Angatahanay mba hatao amin’ny teny malagasy ny fanononana ny didim-pitsarana avoaka. Manarak’izay, ny bokim-pitsarana dia averina amin’ny taloha mba hampihena ny tarainan’ny vahoaka eny amin’ny fitsarana. Fahatelo, resaka « affectation », Andriamatoa Minisitra: isaorana ny Governemanta manontolo, raha mamaly amin’ny resaka “affectation” izy, raha mitranga izay toe-zavatra izay, inona no fepetra tokony horaisina. Misy olana goavana mitranga ao Toamasina amin’ny “domaine militaire” izay mbola misoratra amin’ny fanjakana Malagasy izany hatramin’izao saingy “affecter” amin’ny miaramila. Ny olana mitranga ao, ny miaramila rehetra efa nisotro ronono dia saika nahavita trano ho azy manokana ao anatin’io “domaine militaire” io. Ny olana, mandroaka ny miaramila misotro ronono hiala amin’ireny trano ireny ny tompon’andraikitra voalohany, ny “Commandant de Groupement” fa izay olona mifankahazo aminy tsy kitihiny. Efa nisy nahavita trano vato mihitsy ao, lasa “titrer” amin’ireo miaramila ny tany sasany, ohatran’ny “Cercle Mess” manoloana ny moron-dranomasina. Manoloana ny “camp militaire” efa nisy nahavita trano vato, misy olona sasany anefa enjehina ary tena ady tonga hatreny amin’ny fitsarana mihitsy, na miady mihitsy. Hitanay fa tsy mety loatra ny fihetsik’io “Commandant de Groupement” io ka tokony handraisana fepetra hentitra. Manarak’izay, hazavao tsara ny “situation”-n’io tany io fa lasa miteraka olana, Andriamatoa Minisitra. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RABEKIJANA Solofo Hery. 25 Andriamatoa RABEKIJANA Solofo Hery Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo eny amin’ny “perchoir”. Miarahaba anareo Minisitra telo mirahalahy. Tsy ho betsaka ny teny ataoko fa saika hamafisiko fotsiny, Andriamatoa Filoha, izay voalaza teo. Eto angamba no sehatry ny fifanakalozan-kevitra ka tsy tokony hisy tampenam-bava satria araraotina ihany ny fahatongavan’ireto Minisitra ireto. Tokony havela hiteny ny Solombavambahoaka. Faharoa, misaotra manokana ny SEG tamin’ny resaka “quartier mobile”; ombako manana ny fisaorana nataon’ireo Solombavambahoaka namana ireo. Irariana ny hitohizan’izany. Fahatelo, te-hanamafy ny tenin’ny Solombavambahoaka teo ihany aho hoe: fanampiana an’ireo miaramila ireo, ny famerenana ireo zatovolahy satria ireny no tena ilaina, tsy ampy ny “élément”-ntsika, ka ny famerenana ny zatovo ho eo ambany fanevan’ny Miaramila no tiana resahana. Nisy ny “Programme Général de l’Etat” izay nataon’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta teto, ao anatiny ny fanaovana ireny “poste avancé”, “brigade”, “commandement de compagnie” ireny. Efa fantatry ny vahoaka daholo izany, koa iangaviana, indrindra Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny hijerena akaiky ny fananganana “poste avancée” na “brigade” isaky ny Kaominina, fa tsy ampy ny isan’ny Zandary amin’ireny toerana ireny. Mikasika ny fitsarana, matetika misy ady tany indrindra eny ambanivohitra, sady manao “plainte” any amin’ny Polisy ny andaniny, ny ankilany manao “plainte” any amin’ny Zandary any amin’ny “Brigade”; tsy hitan’ny mpitsara izay horaisina. Ahoana no fomba andaminanareo an’izany fa sahirana ny vahoaka satria samy manana ny marina indrindra ny resaka ady tany. Resy avy any, lasa manao “requête” any amin’ny Zandary indray, avy eo mandeha mankany amin’ny Polisy indray; tsy hitan’ny vahoaka izay atao. Ho an’ny Minisitry ny Fitsarana, amafisina ny didim-pitsarana mba hatao amin’ny teny malagasy satria mijaly ny tambanivohitra. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RANDRIANANDRAINA Théophile Christian. Andriamatoa RANDRIANANDRAINA Théophile Christian Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo Birao Maharitra. Miarahaba ihany koa anareo telo mirahalahy mambran’ny Governemanta sy ny mpiara-dia aminareo. 26 Ny “Groupe Parlementaire HIARAKA ISIKA” dia handany an’ity volavolan-dalàna ity ary iangaviana isika rehetra handany izany. Tonga eto ianareo koa tsara ny manararaotra izao fandalovanareo eto izao. Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, misaotra satria anisan’ny nahazo anjara tamin’ny fanomezana Zandary ny « Brigade » miisa roa ao Benenitra. Isika miteny hoe fanjakana tan-dalàna, saika tsy hiteny aho, Andriamatoa Minisitra, kanefa misy ny ohabolana hoe: “saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara”, manimba endrika izany. Iaraha-manana ny tenin’ny namana teo satria any ambanivohitra dia toy ny tany tsy misy fanjakana. Tsy natao ho an’olon-tokana na ho an’olom-bitsy ny fanjakana tan-dalàna fa ho antsika rehetra ary tokony ho ambanin’ny lalàna daholo. Tany aminay dia nisy trangan-javatra somary nahatsiravina, izaho efa niantso ny “Directeur de sécurité” momba ny vola sandoka. Marihina anefa fa ny mampilamina iny faritra atsimo misy anay iny dia ny Dina. Manamafy ny tenin’ny namako avy ao Mandoto aho hoe: tokony ho tonga teto ny Minisitry ny Atitany na ny solotenany. Ny zavatra mampalahelo ahy, raha lany ho Solombavambahoaka ny Lehiben’ny Distrikan’i Kandreho dia noho ny fifampikasokasohany tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny Dina. Nisolo azy ao ny Lefiny; ny nampalahelo, io Dina natsangan’ny Solombavambahoaka io no nentin’ny “Chef de District par intérim” tamin’izay fotoana izay nanohintohina ny Solombavambahoaka. Efa nanaovan’ny Solombavambahoakan’i Kandreho tatitra teto tamin’ny Praiminisitra amin’izao fotoana izao tamin’izy mbola Minisitry ny Atitany teo aloha. Taorian’izay, nafindra io “Chef de District” io, nafindra tany Benenitra ary mbola nanohintohina ny Dina indray; tsy fantatro hoe ny Solombavambahoaka HIARAKA ISIKA no any Kandreho ka alefa indray hifandona amin’ny Solombavambahoakan’i Benenitra amin’ny alalan’ny Dina. Nisy fiaraha-miasa, Andriamatoa Sekreteram-panjakana, tamin’ny “opération” nataontsika tamin’ny taona 2014; isaorana fa tamin’ny alalan’ny fifampiresahana no nahatonga an’i Benenitra nilamina. Nisy “message” nalefanao tamiko raha tadidinao ary mahagaga hatreto, sahy miteny io “Commandant de brigade” ao an’Alabe io fa manana olona zato hono izy. Mba tsara hojerena izay mba tsy hanimba endrika amin’ny fiaraha-miasa misy amintsika. Efa nifampiresaka tamin’ny “Directeur de sécurité” izahay ary ity raharaha ity koa efa fantatry ny “Commandant de Compagnie” sy ny “Commandant de Groupement” ary ny « Commandant de Région » sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena koa. Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena, te-hiteny momba ny “rengagement” izahay ; raha raisintsika ireo zatovolahy ireo, ny zavatra mampalahelo, aorian’ny fanompoampirenena, na ny “frais” hodiany mankany aminay aza tsy misy. Raha mba azo atao, tokony halaina tahaka ny ataon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ary ny Zandarimaria, tokony horaisana ireo zatovolahy nahavita « service national » ireo ; mba jerena araka ny toerana mafampana raha ohatra tsy ampy ny volam-panjakana. Ny anay moa efa nisy taratasy momba ny olana misy any aminay ity fa hajanoko amin’izay ny ahy, Andriamatoa Minisitra, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. 27 Tsara raha jerana izay zavatra izay fa ny Dina kosa, lasa mikorontana ao Benenitra kanefa nahitana fahombiazana izany raha ny fandriampahalemana no lazaina. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAKOTOZANAKOLONA Paul. Andriamatoa RAKOTOZANAKOLONA Paul Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Hataoko faran’izay fohy ny resaka eto: momba ny any Belo sur Tsiribihina sy Miandrivazo, Faritra Menabe izany no holazaina. Efa nisy resaka nataoko tamin’Andriamatoa Minisitry ny Zandarimaria mikasika ny omby novidian’ny mpividy omby tao Belo sur Tsiribihina, tsy nisy taratasy, tsy nisy “autorisation” akory, tsy nisy kavina. Tonga tany Miandrivazo, alefa eny an-tsena dia aondrana amin’ny alina, amin’ny sivy ora sy sasany, tao amin’ny tanàna atao hoe Betamotamo. Efa noresahako tamin’ny mpanao gazety izany teo alohaloha teo ary anisan’ny nahavoatifitra ahy tamin’izay fotoana izay. Notifirina mihitsy ny fiarako, loaka be mihitsy ny vatan’ny fiarako. Isaorana an’Andriamanitra fa tsy voa ny tenako. Efa noresahiko izany, ny tsininy tsy eto Andriamatoa Minisitry ny Atitany. Efa noresahako tamin’ny Praiminisitra, fa “Chef de District” roa ao Belo sur Tiribihina sy Miandrivazo sy ny “Capitaine de la Gendarmerie” ao Miandrivazo sy ny “Capitaine de la Gendarmerie” ao Morondava dia mpiray tsikombakomba amin’ireo mpividy omby halatra. Nisy omby miisa 100 niala tamin’ny Kaominina iray atao hoe Begidro; omby miisa 75 no tonga tany Miandrivazo, tsy fantatra na aiza ny sasany. Nampidirina tamin’ny vala “fourrière”-n’ny dahalo ao Miandrivazo; efa hainao ny anarany ka tsy hotononiko eto. Efa noteneniko taminao izay, aleo hoteneniko ny anarany: Martial no anarany. Hatramin’izay, tsy haiko intsony ny miteny azy eto, tsy misy tsy mahay azy. Raha ireo olona ireo no tsy miala tao, Andriamatoa Minisitra, tsy hisy fandriampahalemana hanjary amin’ireo Distrika roa ireo; voakasik’izay koa i Mahabo sy Antsalova. Horesahako kely eto koa ny “contrôle” amin’ny omby ataon’ny Zandary sy Polisy. Izy ireo no manao “contrôle” amin’ny omby eny an-tsena. Matetika izy ireny, Andriamatoa Minisitra, “paraphe” ihany no ataony, tsy apetraka eo ny anarany. Noho izany, misy taratasy amboamboarina fotsiny. Tokony hamoahana “arrêté” avy amin’ny Minisitry ny Zandarimaria io “contrôle” atao amin’ny omby io; tokony hatao sonia ara-dalàna mitovy amin’ny ao anaty karapanondro ary apetraka eo ambany ny anaran’ny mpanao Sonia; tokony hisy “ordre de service” omen’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Zandarimaria sy Polisy hoe olona iray ihany no mahazo manao sonia azy satria matetika, amin’ireny tsenan’omby ireny, mandeha any amin’ny Zandary sasany izay fantany any ny olona dia manao “paraphe” ry zareo dia vita ny “contrôle”, asiany soratra hoe: “vu et contrôlé”. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny aradalàna mihitsy, ka izay no mahatonga ny halatra ary mihamaro izany, torak’izany koa ny hosoka. Matetika voateniteny amin’izany ny “Délégué” sy ny “Vétérinaire” kanefa avy atz 28 amintsika, ny “contrôle” mihitsy no tsy mety. Rehefa mahita an’iny ny “Vétérinaire” sy ny solotenam-panjakana dia manao “établissement d’acte de vente” sy FIB sns… Farany, Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana : ao Miandrivazo dia misy olona nahatratrarana omby, tao amin’ny « capitaine de la gendarmerie », tao amin’ny « brigade » tao Miandrivazo, omby halatra avy any Belo sur Tsiribihina ireo tratra tao tamin’ny taombaovao ; omby anankiray io, izaho mihitsy no naka ny omby ary nomeko ny tompony. Omby miisa 260 no very ; hatramin’izao tsy hita hoe nankaiza ireo. Notoriana ny olona nahatratrarana ny omby, izay antsoina hoe Lezoky; nampidirina am-ponja roa herinandro ary nahazo “liberté provisoire”. Mangataka aminao aho, Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana, fantatra fa misy “président du tribunal” ao Miandrivazo, efa folo taona mahery izy no tao kanefa tsy mety miala. Maheno izahay fa mahazo fanomezana “bonne année, 50 Millions” isan-taona avy amin’ireo mpanao asa ratsy ao Miandrivazo izy. Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mamarana ny fandraisam-pitenenana ny Solombavambahoaka ANDRIAMASIMANANA Aureline. Ramatoa ANDRIAMASIMANANA Aureline Misaotra, Andriamataoa Filoha. Miarahaba anareo eny ambony eny. Miarahaba anareo manam-boninahitra rehetra sy isika Solombavambahoaka koa. Miantefa amin’Andriamatoa Minisitry ny Fitsarana ny fanontaniako: izahay avy any Ambatondrazaka dia manana tany be velarana ary mamboly vary betsaka ihany koa. Ny olana amin’izao miaka-bokatra izao, lasa miady ny vahoaka, miady ny Fokonolona, miady ny mpianakavy satria milaza ho tompon’ny tany daholo. Misy tany an-jatony hekitara, 50 hekitara na 60 hekitara; tampotampoka eo lasa misy olona roa samy milaza ho tompony. Rehefa tonga ny fotoana fiasana ny tany, ny andaniny aloha no manao azy, fa amin’ny fiakaran’ny vokatra, tampotampoka eo, misy tompony hafa indray no mandidy ny vary. Izany foana no zava-misy any amin’iny faritra iny, any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ka hatrany Amparafaravola iny no misy an’izany olana izany. Rehefa jerena ny taratasy, mandeha ny fitoriana any amin’ny Zandary, atao ny “enquête”, “tout est ok, tout est bon” kanefa amin’ny fotoana handidiana ny vary, tonga mitondra “Huissier” ry zareo; ny namboly vary manana “ordonnance” avy any amin’ny tribonaly fa azy ny tany; tampotampoka eo, tsy mahazo manapaka vary, fa ny olona tsy namboly indray no mahazo “ordonnance” hoe: ianareo no mahazo mandidy ny vary. Ohatran’izay foana no olana misy any amin’ny Distrikanay. Manana “dossiers” maromaro aho ao amiko ao saingy tsy nentiko izy ireo androany, fa raha mety, hateriko any aminao satria miteraka olana be any aminay ny zavatra 29 sahala amin’izany. Manjary izahay samy Sihanaka no miady. Tsy mety aminay izany, koa mamelà ahy ianao hanatitra izany “dossiers” izany any aminao. Mankasitraka Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anareo Solombavambahoaka izay nandray fitenenana rehetra teo. Omena anareo ao amin’ny Governemanta telo mirahalahy ny fitenenana; koa iza no handray fitenenana voalohany satria samy nisy fanontaniana sy fanamarihana niantefa aminareo avy izy teo. Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Mankasitraka, mankatelina anareo Solombavambahoaka koa tamin’ny soso-kevitra nentinareo sy ireo fanontanianareo marobe napetrakareo. Midika izany fa fikatsahanareo sahady ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena, indrindra fa ny fanaovanareo ho ambony ny fiarovam-pirenena ho lohalaharana. Midika koa izany, aminay mambra ambony ao amin’ny Governemanta vitsivitsy izay mifanatri-tava aminareo fa ny fanontaniana sy soso-kevitra nentinareo dia efa fiaraha-miasa entina manatsara ny fiainam-bahoaka izay soloinareo tena ato amin’ity Lapa ity. Raha omena valiny ny fanontaniana nentin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Mandoto izay mifampitohy amin’ny an’ny Solombavambahoaka voafidy tao Amparafaravola mikasika ny fanompoam-pirenena; raha ny volavolan-dalàna izay napetraka holanianareo, ny fanompoam-pirenena tany amboalohany dia “service obligatoire”. Izany hoe ny zatovolahy malagasy mizaka ny zom-pirenena malagasy rehetra dia tsy maintsy manao fanompoampirenena. Ankehitriny anefa « devoir d’honneur » indray no filazantsika azy. Izany hoe, afaka manao noho ny fitiavany ny tanindrazany izy ary mety fitiavana tanindrazana ihany koa no tsy anaovany izany. Ny tombony ho an’ireo manao fanompoam-pirenena dia ny fahafahany mahazo « certificat de situation militaire, de position militaire ». Raha olona tsy nanao, indroa miatoana ihany izy no mahazo izany; maka voalohany, avy eo afaka manavao fanindroany. Ny olona nanao kosa afaka manavao hatrany satria matetika ilaina amin’ny fitadiavana asa iny “certificat” iny. Ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena manokana anefa tsy afaka hanapakevitra irery hoe averina na hoterena ny zatovolahy satria efa voasoratra hoe “devoir d’honneur” ny azy. Ny famerenana ny fanompoam-pirenena ho an’ireo izay manana ny “diplôme Bacc”, ny tenanay izao dia anisan’ny nanao izany, mbola tsy nanao “salopette” maitso tamin’ny taona 1977 fa tamin’ny taona 1978 no nanomboka izany, taty aoriana moa nofoanan’ny fanjakana izay noho ny antony maro. Tamin’izany andro izany, mba hisakanana ny fahabetsahan’ny mpianatra miditra eny amin’ny anjery manontolo, naka tahaka ny firenena “Cuba” isika ka nanao fanompoam-pirenena izay afaka “bacc”. Betsaka ny lesoka mety azo narenina fa tsy nisy ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mbola averiko indray fa ny Minisiteran’ny Fiarovampirenena manokana, tsy afaka hamerina izany araka ny filàna ho famenoana ny tsy 30 fahampian’ny mpampianatra no namerenana ny fanompoam-pirenena manokana ho an’izay afaka “bacc”, hoy aho teo. Tohizako, ho an’ny fanompoam-pirenena ihany raha ny tenin’ny Solombavambahoaka avy any Benenitra hoe mangataka “rengagement”; ny Solombavambahoaka avy ao Mandoto, mangataka ny fampitomboana ny isan’ny Miaramila. Tsy hita izy ity fa tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra; raha ny marina, ny asa ataon’ny Miaramila manokana, tokony tsy hisy tambiny. Rehefa mandeha miala ny toby ny Miaramila, izay vao misy fifanarahana. Misy fandraisana anjara, aleo atao hoe fandraisana anjara fa tsy sanatria akory tamby ataon’ny vahoaka amin’ny fialan’ny Miaramila ao anaty toby. Mitovitovy amin’ny hoe: maninona raha ampitoviana amin’ny an’ny Polisy sy ny Zandary ny Tafika, ampitomboina koa ny isany ary ireo nahavita fanompoam-pirenena, tokony homena « rengagement ». Tiako ny milaza amintsika rehetra, fa ny fanaovana “rengagement”, ireo nivoaka ihany no ampidirina. Ny mivoaka aminay tafika dia tsotra. Tafika no lazaiko eto fa tsy Foloalindahy satria ny Foloalindahy dia fikambanan’ny Tafika sy ny Zandarimariam-pirenena. Raha eo anivon’ny Tafika, rehefa mivoaka ny Miaramila na maty izy na mandeha misotro ronono na voaroaka satria mety naditra izy. Ireo no akambana isan-taona dia izay no ampidirina, raisina amenoana an’ireo Miaramila nahavita fanompoam-pirenena. Izay no tsy maha ampy ny isan’ny Miaramila nahavita fanompoam-pirenena, ka mampimenomenona ny sasany hoe ianareo mamorona dahalo satria ny Miaramila raisinareo hanao fanompoampirenena marobe kanefa ny omenareo “reengagement” vitsy dia vitsy. Raha tapatsika eto anivon’ny Antenimierampirenena izay zavatra izay, azonay atao ny manao « dossier » dia tohananareo, ampandalovinay amin’ny ambaratongam-pahefana mahefa izany. Momba ny tenin’ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA Michelle teo. Manaja anao amin’ny maha vadin’ny manamboninahitra anao. Zokibenay izy ary hajainay, tena am-pitiavana sy am-pirahalahiana tokoa. Marina dia marina ny voalazanao satria raha ny “concept sécurité” no lazaina, misandrahaka be izany ary mahasahana zavatra maro, raha tsy hilaza amin’ny famaritan’ny “Nations Unies” ny azy fotsiny aho, mahasahana “domaine” miisa 7 satria ny “sécurité” tsy nijanona fotsiny hoe “sécurité militaire” na “sécurité” tsotra fa faritany hoe “sécurité humaine”. Izany hoe mahafaritra ny “sécurité sanitaire, alimentaire, environnementale, politique, communautaire, personne,” sns... Ny tsy fandriampahalemana dia iarahantsika mahafantatra na andrenivohitra na ambanivohitra misy daholo; raha tsy hiteny amin’ny ankapobeny aho, ianjadian’izany ny firenena rehetra na matanjaka na ny andalam-pandroasoana, indrindra fa ny firenena iray marefo. Isaorana an’Andriamanitra fa eto Madagasikara ary enga anie, raha isika rehetra izao no miara-mifarimbona, tsy ho tonga amin’ny asa fampihorohoroana ny tsy fandriampahalemana misy eto fa vokatry ny zavatra maro ihany. Miainga amin’ny “insécurité” madinidinika dia mivadika “acte terroriste” rehefa tena lasa lavitra. Raha ny ezaka efa natao, am-panetren-tena no itenenanay fa tsy vahaolana ny fampiasana Miaramila sy Polisy ary Zandary, fa ny ampiasana an’ireny hery ataoko hoe fitaovana eo am-pelantànan’ny fanjakana ireny dia ny Polisy, ny Zandary ary ny Miaramila izany; ny zavatra tsy maintsy arahana dia ny “projet” miteraka asa izay lasa miteraka vola. Mety mba hihena, hoy 31 aho, satria tsy ho vitantsika indray mandeha ny hanao “projet” marobe manerana ny nosintsika mba ahafahantsika manome asa ireo tanora na ireo zokinjokiny izay miditra amin’ny asa miteraka tsy fandriampahalemana. Lazaina izany rehetra izany mba iarahantsika mitady vahaolana, izahay ao amin’ny Mpanatanteraka ary ianareo Mpanao lalàna satria na any ambanivohitra, hoy aho, na atz andrenivohitra, izay tratra, rehefa mifanojo amin’ny mpitandro filaminana na maratra na maty. Ny mahagaga, rehefa maratra na maty ny mpitandro filaminana, tsy mihetsika ny “communauté internationale” amin’ny resaka “respect de droit de l’homme”. Raha ny mpitandro filaminana no mahafaty olon-dratsy anankiray, mitsangana sahady izy ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona, indrindra fa ireo “communauté internationale” mipetraka eto amintsika. Eo no tsy maintsy itoviantsika fomba fijery hoe: ny mpitandro filaminana irery ihany ve no tokony hiatrika ny tsy fandrimpahalemana sa miainga any amin’ny fanabeazana ny mpitandro filaminana, ny fitsarana, sns… Te-hiteny amintsika aho, raha ny vahaolana mikasika ny tsy fandriampahalemana andrenivohitra na ambanivohitra dia sehatra anankiray tokony hisy fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra eto amin’ny tany sy fanjakana, indrindra fa ny firenena mitovy amin’i Madagasikara. Resy lahatra izahay satria raha hanao an’izany “opération” izany, vola be no ho lany amin’izany; araka ny voalazan’ny Solombavambahoaka sasantsasany teo: mandeha ny “opération”, somary milamina kely ny tany. Vao miala ny “opération” hoy ny Solombavambahoakan’Iakora, mba apetraho any ry zareo fa manjary mijaly izahay. Fantatra fa raha vao “opération” no anarany, vola no manaraka an’izay ary ny vola indraindray dia ahazoana tsiny satria ny vola omena an’ireo mpitandro filaminana ireo raha sanatria marary na maty izy dia lasa resabe hoe vola iray alina ve no nahafatesana Miaramila na Zandary na Polisy. Horaisina ny andraikitra, misy mpitsikera; tsy ho raisina ny andraikitra, rehefa mifanatrika aminareo sahala amin’izao izahay, tsy miala maina ihany koa. Mikasika ny tenin’ny Solombavambahoaka RAMAROLAHY Maurice hoe: mila manao “opération mixte, complément d’efféctif, présence permanente d’hélicoptère”. Amin’izao fotoana iresahantsika izao dia manana “hélicoptère” miisa 4 ny Tafika an’habakabaka fa ny iray amin’ireo ihany no mandeha ary ny telo simba; ny mpanamory kosa miisa telo. Tokony hifandamina koa isika satria raha ny faritra mitady “hélicoptère” amin’izao fotoana izao, tamin’ny ianao niantso ahy ireny, hasesiko izy ireo: mitady Melaka, Bongolava, Menabe, Atsimo Atsinanana, Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Haute Matsiatra. Iza no atao mialoha, Andriamatoa Solombavambahoaka RAMAROLAHY Maurice, ianareo ve no atao mialoha? Izay no zava-misy ary resy lahatra izahay, fa ny fampiasana “hélicoptère” dia tsy manafoana saingy mba mihena kely ny hahavon’ny halatr’omby. Ny “effectif”, mbola mifampitohy amin’ny resaka nolazaiko teo ihany ary tsy afenina aminareo fa mitaky “droit” koa izany famindrana Miaramila izany satria raha hamindra Miaramila ka hameno ny toerana vitsy isa amin’izao fotoana izao isika; famindran-toerana no anaran’izay, omena azy ny “droit de déménagement-aménagement”, ny “indemnité de transport”. Mety ho azo atao “kopisoroka” ihany, hoy ny fitenin-jatovo, fa rehefa avy eo ohatran’ny harisika ve ry zalahy rehefa izay no fepetra raisina. 32 Ho an’ny Solombavambahoakan’i Sainte-Marie, misaotra anao nampahatsiaro an’izany. Tsy eo izy fa lasa nivoaka koa ampitao aminy ny hafatra; voaray ny mikasika ny Miaramila izay manao ny tsy fanao fa holazaina ny lehibe isan’ambaratonga mba hijery akaiky ny Miaramila izay mihoa-pefy. Ramatoa Filoha Lefitra avy eto Antananarivo; misaotra indrindra anao aho fa namana ianao ary mino sy manantena fa hanana mpisolovava izahay mpitandro filaminana mikasika ny fahatsapanao fa efa tsy arifomba ary mahamenatra ny hiteny ny hoe: “force navale, force aérienne”… Raha ny fitaovana eo am-pelan-tànan’ny Foloalindahy amin’izao fotoana izao no tenenina; resy lahatra izahay fa tsy “don” no tokony hampitaovana anay satria endriky ny fiandrianam-pirenena izany foloalindahy izany; endriky ny fahaleovatenan’ny firenena anankiray izany. Araka ny voalazako teo, namana ianareo ato anatin’ity Lapan’ny Demokasia ity, raha mba misy “dossier” entinay mikasika ny fampitaovana atz aminareo, amin’ny alalan’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena; mba manantena izahay satria ny fampitaovana ny foloalindahy dia tsy vitan’iray taona izany. Mila fiaramanidina isika, “hélicoptère” isika, mila sambo isika, izany no fitaovana ilaina ato aminay. Izany hoe “équipement lourd”, mandritra ny 5 taona angamba ny fampitaovana; 5 taona ny sorabola ka ho hitanareo eny ihany fa aza ailika raha ohatra misy sorabola mikasika ny fampitaovana ny foloalindahy amin’io “projet de loi de finances initiale” io raha miditra amin’ny volana Jolay any ho any. Voaray ny fanamarihanao mikasika ny andininy faha-16 nataon’ny Solombavambahoaka maromaro teo izay ho entina hanatsarana ny fandriampahalemana eny ifotony. Iarahantsika mahafantatra fa raha ny resaka fiarovam-pirenena sy izany filaminana anatiny izany no tenenina, izahay fitaovana fotsiny amin’ny maha olom-pirenena mitam-basy anay fa isika rehetra no tompon’antoka amin’ny fametrahana ny fiarovam-pirenena sy ny filaminana anatiny. Ho an’Andriamatoa Solombavambahoaka voafidy tao Soanierana Ivongo, mikasika ny “domaine militaire” sy ny filazana hoe misy ny fanamboarana trano ao anatin’ny tany miaramila. Tiako ny miteny aminao fa tsy any Toamasina ihany no isehoan’ny tranga sahala amin’ireo, ataoko hoe eran’ny nosy iray manontolo amin’ny tanin’ny miaramila rehetra no iharan’izay zavatra izay ary ny mampalahelo, ny olona mahafantatra lalàna ihany no mandika lalàna. Raha hanorina trano ianao, tokony hisy “titre” eny am-pelan-tànanao, tokony hisy “permis de construire”. Ny olona noteneninao teo dia olona efa misotro rorono, fa manao fanahiniana satria misy ihany ny didim-panjakana manome tany 5 hekitara ny miaramila rehefa nahavita ny asany izy. Angatahana ny tany fa tsy “acquisition d’office”. Ny namana sasantsasany moa manana fahasahiana dia nanamboatra trano kanefa hainy fa tsy aradalàna ny fanamboarana nataony. Ny tenako izay manatrika anao no manome baiko hoe: aoka hatsahatra ny zavatra sahala amin’izany, fa tsy misy lova tsara intsony napetratsika zokiny ho an’ireo miaramila zandry zanaka izay hisahana an’ity asan’ny foloalindahy ity amin’ny manaraka. Nifampiresahana ampirahalahiana ireny olona ireny izay vao niakatra teny amin’ny fitsarana ary izy no nanome baiko nisian’ny fandravana sasantsasany rehefa tsy nanaiky hatramin’ny farany ny manamboninahitra nisotro ronono tany Toamasina. 33 Tokony hazavaina mazava tsara ny mikasika ny tanin’ny miaramila: iarahantsika mahafantatra fa tany nolovana tamin’ny miaramila frantsay ireo raha nipetraka teto izy ireo. Lehibe sy midadasika ireny tany ireny ary iarahantsika mahalala fa raha izany no entina eny anivon’ny “service de domaine et de topographie” dia misy vola mivoaka. Ny sorabola nomena ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny “Etat Major”-n’ny Tafika Malagasy, raha tsy hiteny afa-tsy ny tanin’ny Tafika ihany izahay, tsy mahasahana an’izay zavatra izay fa mpiandry omby volavita ny tompon’andraikitra amin’ireny faritany miaramila misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireny ary nisy taratasy nanomezana baiko azy ireny ho fiarovana ny tany miaramila. Raha miteny ianao hoe: tany marobe no efa lasan’olona manodidina ny “cercle mess” ao Toamasina; marina ireny fa izay tratra ihany no atrehina, izay tsy tratra dia hisy fepetra horaisina mikasika izany. Mety ho lasany izany, mety ho vidiany ny tany satria iarahantsika mahafantatra fa raha vao manimba trano ny fiantraikan’izany dia mety hampikorontana fiaraha-monina. Hisy fepetra fa ny zavatra natao raha tany Toamasina ary tsy any irery no nisin’izany, nisy tao Mahajanga, tao Androva ka efa nandraisana fepetra ary ny tompony ihany no nandrava rehefa nifampiresahana izy ireo. Ireny tonga teny amin’ny fitsarana namoahana didim-pitsarana ireny dia ireo ataoko hoe tsy nihaino ny tenin’ny tompon’andraikitra ara-miaramila tao amin’ny faritany miaramila any Toamasina. Amin’ny ankapobeny, hofaranako amin’ny fanamarihana nataon’ny Solombavambahoaka tao Ambanja ny fandraisako fitenenana. Mety hanampy ny namako mpikambana ato amin’ny Governemanta raha misy tsy voalazako mikasika ny fiatrehana ireo olon-dratsy. Ny olon-dratsy dia tsy olon-kafa fa ny olom-pirenena malagasy ihany. Hatreto, miaramanaiky an’izany isika; mety hisy vahiny, raha tsy handainga aho dia hilaza hoe 10 no isany na 100 raha betsaka indrindra; ny ankamaroan’ny olona manao ratsy eto amin’ity nosindrazantsika ity dia zanak’ity nosy ity, olom-pirenena malagasy mitovy amintsika. Raha misy fifanatrehana amin’izy ireo ka tsy maintsy ampiasana hery, izahay foloalindahy, izahay mpitandro filaminana dia niezaka nanara-dalàna. Inona moa ny lalàna fa izay voasoratra ao anatin’ny “code pénal”-ntsika mikasika ny “légitime défense”; na tiana na tsy tiana, ny toe-tsaina Malagasy na ratsy ny azy dia ramalala foana rehefa maty. Mifototra aminay mpitandro filaminana foana io rehefa mandratra izahay ary indrindra rehefa mahafaty azy. Ny tiako ahatongavana, ny fiaraha-monina Malagasy dia mila fitaizana, mila fanabeazana izay vao tokony hisy fampiasan-kery. Koa raha miara-mientana isika rehetra, samy mitondra izay mety fahalalantsika sy ny fahasoavana nomen-Andriamanitra antsika, mitaiza sy manabe. Izaho tsy hanao hoe: tsy ho foana ny tsy fandriampahalemana na ny tsy filaminana, fa mety mba hihena satria zatovo Malagasy ireo, tanora Malagasy ireo. Mampalahelo izao raha ny tany Iakora, hatramin’ny vehivavy no manao asan-dahalo. Mivoatra ho amin’ny ratsy izany ny fiaraha-monina Malagasy. Samy tompon’andraikitra isika rehetra; na izahay Mpanatanteraka na ianareo Mpanao lalàna. Misaotra Tompoko. Mankatelina Tompokovavy. Mankasitraka Tompokolahy. - Tehaka - 34 Andriamatoa FILOHA Misaotra, Andriamatoa Minisitra. Misy manao satroka, tsy aleo ve miara-miainga isika; aza taitra ianao Andriamatoa Solombavambahoaka, folo minitra ny anaovantsika an’ity, fa omentsika minitra vitsivitsy koa ny Minisitra izay « interpeller » eto. Ny “Ministre de la Justice” ve izao no handray fitenenana, ny SEG koa ve handray fitenenana. Rehefa avy eo Andriamatoa Minisitra. Taperintsika aloha, miankina amintsika ihany, fa ny fampandaniana an’ity mety ho folo minitra. Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain Misaotra, Andriamatoa Filoha. Raha ny hevitro, aleo tonga dia atao ny tsangan-tànana, ka izay manana andraikitra amin’ny fanontaniana, nametraka fanontaniana amin’Andriamatoa Minisitra dia mijanona ary valian’Andriamatoa Minisitra ny fanontaniana. Misaotra Tompoko -7- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 sy ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 Andriamatoa FILOHA Andao ary isika izao hiroso amin’ny fijerena isan’andininy momba ity volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana ankapobeny ny Fiarovam-pirenena ity. Ahitana lohateny miisa 6, misy andininy miisa 29 ity volavolan-dalàna ity. “Titre I: Dospositions Générales” Ahitana andininy miisa 9: Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-9, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo. - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy - 35 Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany ireo andininy ireo. « Titre II: De la Direction de la Défense » Ahitana andininy miisa 8: Andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-17, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo. - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany ireo andininy ireo. « Titre III: De la Responsabilité des Ministres » Ahitana andininy miisa 3 : Andininy faha-18 ka hatramin’ny andininy faha-20, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy - 36 Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany koa ireo andininy ireo. « Titre IV: De l’Organisation Territoriale et Opérationnelle de la Défense » Ahitana andininy miisa 3 : Andininy faha-21 ka hatramin’ny andininy faha-23, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany ireo andininy ireo. « Titre V: Du Service National » Ahitana andininy miisa 3: Andininy faha-23 ka hatramin’ny andininy faha-26, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy - 37 Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany ireo andininy ireo. « Titre VI: Disposition Diverses » Ahitana andininy miisa 3: Andininy faha-27 ka hatramin’ny andininy faha-29, tsy nasiamp-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany ireo andininy ireo. Vita izay ny fijerena ny isan’andininy; izao isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahankevitra ankapobeny mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana ankapobeny momba ny fiarovam-pirenena. Ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena no ampiharintsika amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity. Atsangano ny tànan’izay mandany ity volavolan-dalàna ity. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy - 38 Ambarako fa lany ny volavolan-dalàna laharana faha-008/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana ankapobeny ny fiarovam-pirenena. - Tehaka Izao isika dia hiroso amin’ny fijerana ny isan’andiny amin’ny volavolan-dalàna laharana faha009/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana sy ireo anjara raharaha ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenenena. Ahitana lohateny miisa 3; misy andininy miisa 14 ity volavolan-dalàna ity. “Titre I: Dispositions Générales” Ahitana andininy miisa 3: Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-3, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany ireo andininy ireo. « Titre II: Des Attributions et de l’Organisation » Ahitana andininy miisa 8: Andininy faha-4 ka hatramin’ny andininy faha-11. Andininy faha-4 ka hatramin’ny andininy faha-8, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Solombambahoaka iray no nanangan-tànana - 39 Andriamatoa RANDRIAMAPIANAINA Ramilison Hangataka “confirmation” fotsiny aho, Andriamatoa Filoha, “rajout” amin’ny hoe “en activité”, heveriko fa tokony apetraka tsara ireo. Misaotra Tompoko Andriamatoa FILOHA Efa voaray iny Andriamatoa Solombavambahoaka. Mbola misy hafa handray fitenenana ve? Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany ireo andininy ireo. Andininy faha-9, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao ny andalana faha-2: « Article-9, alinéa 2: En tant que de besoin, les Présidents de commissions en charge de la défense ou son représentant et de la Sécurité au sein du Parlement peuvent être invités aux sessions du Haut Conseil ». Iza no manan-kambara amin’izay fanovàna naroson’ny vaomiera izay? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany io andininy io. 40 Andininy faha-10 sy ny andininy faha-11, tsy nasiam-panovàna. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany ireo andininy ireo. « Titre III: Dispositions Diverses » Ahitana andininy miisa 3: Andininy faha-12 ka hatramin’ny andininy faha-14, tsy nasiam-panovana. Iza no manan-kambara mikasika ireo andininy ireo? - Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambarako fa lany ireo andininy ireo. Vita izay Tompokolahy sy Tompokovavy ny fijerena isan’andininy; izao isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ankapobeny mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana sy ireo anjara raharahan’ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenenena ity. 41 Ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena no ampiharintsika amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity. Atsangano ny tànan’izay nandany an’izao volavolan-dalàna izao. - Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Ambara fa lany soa aman-tsara teto amin’ny Antienimierampirenena ny volavolan-dalàna laharana faha-009/2016 tamin’ny faha 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana sy ireo anjara raharahan’ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovam-pirenenena . Izay no mikasika ny fandaniana ireo volavolan-dalàna izay efa ampiakarintsika ho any amin’ny Antienimierandoholona ireo. Koa averintsika amin-dry zareo Minisitra ny fitenenana. Misy satroka, eny Tompoko, azafady. Andriamatoa RAMAHASINDY KOKO Herisoa Ho an’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena; fanontaniana ny ahy: ahoana ny “feu d’artifice” amin’ny 26 Jona, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misoatra, Andriamatoa Solombavambahoaka. Any aminareo Governemanta ny famaranana ny fandraisana fitenenana, Tompoko. Andriamatoa ANDRIAMISEZA Charles, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Ianareo mambran’ny Birao Maharitra, Ianareo Solombavambahoaka. Voninahitra ho anay ny hamaly ny fanontaniana mikasika ny Minisiteran’ny Fitsarana. Hovaliko tsirairay ny fanontanianareo Solombavambahoaka, fa resaka kolikoly, mitambatra satria maro izy ireo. Mikasika ny any Sainte-Marie hoe “prison” sy “audience foraine”. 42 Ny “prison” ao Sainte-Marie aloha efa nohavaozina saingy tohizana tsikelikely ny fanamboarana ny tranon’ny mpiasa. Ny “audience foraine” kosa horesahanay amin’ny mpitsara any Toamasina ny hamerenana izany amin’izao fiverenan’ny “greffier” sy ny “pénitentiaire” miditra miasa izao. Nisy Solombavambahoaka niresaka momba ny basy “saisie” hoe: tsy aleo ampiasainay rehefa manenjika dahalo izahay ary averina aorian’izay. Ny anay ato amin’ny fitsarana moa dia manao “saisie” ary rehefa mamoaka didy, eo no mi-“confisquer” azy. Mipetraka any amin’ny “camp” ireo basy ireo, ka angamba hifampiresaka izahay sy ny Minisitra efatra hoe ahoana no azo atao sy ny tsy azo atao amin’izany. Mikasika ny “recours”, efa fomba fanao taloha rehefa misy “grève” ka mihatra ny “situation exceptionnelle”; misy « circulaire » aparitakay eran’ny fitsarana eto Madagasikara saingy misy “cas spécial” ihany nandritra iny “grève” iny. Momba ny hoe: atao amin’ny teny malagasy ny didy avoaka. Raha ny tena marina, tokony ho izay tokoa no izy; na atao amin’ny teny frantsay aza ny didy, tokony havadika amin’ny teny malagasy ny didy teneniny eo amin’ny fitsarana. Tsapa anefa fa ny mamadika didimpitsarana amin’ny teny frantsay ho amin’ny teny Malagasy tena mbola sarotra fa na izaho izao aza mbola tsy nahatafavoaka an’izany, fa ny mpianatra taty aoriana no efa alefanay tsikelikely manao izany. Misy voambolana tena sarotra aloha ny mamadika azy, ny didy avoaka eo amin’ny fitsarana kosa tokony ho amin’ny teny Malagasy. Gaga aho mbola maheno hoe misy manao amin’ny teny frantsay. Tokony halefa ny fampilazana hoe: tsy maintsy atao amin’ny teny malagasy ny didy avoaka. Ny “affectation” izay efa nivoaka tsy asiantsika resaka intsony, fa rehefa tonga ny “notification” dia mandeha izy fa tsy haiko izany tsaho hoe tsy mandeha. Raha ny fahalalako azy, miandry “notification” aloha izy vao mankany amin’ny Zandary. Tokony hisy fitoriana nandeha tany amin’ny Polisy sy Zandary fa rehefa tsy afa-po tamin’ny Polisy izy vao mandeha any amin’ny Zandary na hoe ny iray mihazakazaka makany amin’ny Polisy ary ny andaniny mihazakazaka mankany amin’ny Zandary fa rehefa tonga any amin’ny fitsarana ireny dia atambany ihany. Raha aditany no alefan’ny Polisy any amin’ny fitsarana, mino aho fa “classer sans suite” izay. Mikasikka ny kolikoly: io no tena antom-pisianay eto, ny ady amin’ny kolikoly izany. Koa na “dindon” na “autriche” na “poussin” dia enjehantsika daholo kanefa mila fiaraha-miasa avy aminareo ihany koa. Izany hoe hisy “texte” ho avy iarahantsika miasa avy amin’io, ka mangataka izahay ny handaniana azy. Mangataka koa izahay hoe raha misy manao ny tsy mety any, izahay atz amin’ny Minisitera anie mety tsy haheno fa tsy maintsy misy fitarainana avy any aminareo mba mitsangana ho vavolombelona ahazoanay manatanteraka azy. Vao niditra tao izahay dia efa hisy handalo “conseil de discipline”, tsy fantatra na ho voasazy izy na tsia. Iny arakaraka ny vavolombelona ihany. Efa misy fanaraha-maso ataon’ny “direction” roa koa ao amin’ny Minisitera; mandeha izany amin’izao; mandeha mitety an’ireny nahazoana fitarainana ireny. Izay no ahazoanay mampihetsika ny “direction de contrôle”, raha misy 43 fitarainana tonga atz aminay, alefanay ny “direction de contrôle”. Efa nandeha izy izao tamin’ny farany teo, nadeha tany Mananjary, izao izy manodidina ny faritr’Antananarivo. Mikasika ny an’ny Solombavambahoakan’i Miandrivazo teo : hojereko manokana hoe nahoana no tsy mahalasa azy, fa raha ny tena izy aloha, tokony hahatsiaro tena hoe : esory aho. Tamin’ny izaho tany amin’ny Faritany, isaky ny 5 taona aho dia manetsika foana. Ny an’ny Solombavambahokan’Ambatondrazaka, hitako eto tokoa ianareo avy ao Ambatondrazaka hoe maromaro saingy tsy mbola tadidiko mihitsy ianao, Ramatoa Solombavambahoaka. Faly mahalala anao fa ny Solombavambahoakan’Ambatondrazaka sasany ireto haiko daholo. Dimy taona aho no tany Ambatondrazaka, tamin’ny taona 2002-2007, tsy tany angamba ianao Ramatoa no tsy haiko ary tsy mahalala ahy, fa haiko tsara ny olana ao Ambatondrazaka, “ordonnance” no nataon-dry zareo teo alohako; marina tokoa fa ny olona ao Ambatondrazaka dia mahay ary tena fetsy satria “titrer” aminy ny tany ahofany. Rehefa mangataka “ordonnance” izy dia tsy miteny hoe nahofako ity tany ity, fa hoy izy hoe: ity no “titre”-ko, aleo aho mba hamboly ny taniko dia mamboly izy. Tonga indray ny iray rehefa kelikely, ity aho manana “contrat” mazava tsara fa nofaiko ity tany ity, koa mba omeo “ordonnance” aho hamboly ny tany. Rehefa jerena, mazava tokoa ny “contrat”, mpamboly roa izany no nahazo “autorisation” amin’ny tany iray. Izaho nandritra ny dimy taona nipetrahako tany, tsy nanao “ordonnance” aho fa “ordonnance à bref délai” no nataoko, fitsarana ady maika “à bref délai”, “préférer à bref délai” no nataoko; nirehareha aho, herin-taona taorian’izay hitan’Ambatondrazaka indray ny namaliana azy. Izao indray no nataon-dry zareo, izaho tsy nitsara mihitsy raha tsy mifanatrika eo ny mpiady roa tonta. Nipetraka herin-taona satria “préférer à bref délai” izany tonga dia mandeha amin’ny alalan’ny “huissier”, misy manao “étude” any, afaka herin-taona, tsy ny olona miady aminy intsony no alefan’ny “huissier” torian’ny atsy, fa olona manakaiky eo ihany. Hoy ny olona atsy hoe: izaho tsy miady amin’io, fa izaho tsy ho any amin’ny fitsarana izany; rehefa tonga any amin’ny fitsarana izy dia milaza hoe: hitanao, Andriamatoa Filoha: io misy hoe voaray tsara mihitsy ny fiantsoana. Izy angaha miraharaha fitsarana izany fa ataovy izay ataonao Filoha eo. Taitra ny hambompo dia alefa ny didy, hay olona tsy miady aminy io kanefa ny didy efa azony. Efa ho dimy taona aho no tany, koa matokia ianao fa hitako ny vahaolana. Nilamina izy tamin’izaho tany fa halamintsika io, Ramatoa Solombavambahoaka. Misaotra Tompoko. Jeneraly PAZA Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandamariam-pirenena Andriamatoa Filoha; Ianareo mambran’ny Birao Maharitra; Ianareo Solombavambahoakan’i Madagasikara manatrika etoana. Efa maro ny zavatra notenenin’ny namana teo. Marina tokoa fa nisy ny natao maimaika teo. Izany hoe “inversement proportionnel”. Raha ny fandehany, ireny “quartier mobile” ireny, raha ny hitanay tany Ambatondrazaka dia “ex-militaire” no mampianatra. Ny tiako hotenenina, tsy voatery ho lasa dahalo daholo akory 44 na ho lasa olon-dratsy izay olona nanao “service national” fa mba misy koa manohy an’izay fitiavan-tanindrazana izay, miaro ny voliny na ny Fokontany izay misy azy aloha. Noho izany, sarotra ny “incorporer” an’ireny olona ireny indray hanao an’io asa “vocation” vaovao io. Ny an’ny Solombavambahoakan’i Mandoto, voaray ny resaka “insécurité”, tena marina izany. Manao izahay, manao ianareo ary efa noteneniko teo; raha hiady amin’io “insécurité” eto Madagasikara io isika, tsy maintsy ataon-dry zalahy manam-pahaizana hoe: “système”, tsy maintsy miady amin’io, “systémique” izany, fa raha ohatra raisina fotsiny hoe “vol de bœuf”, tsy ho vita mandrakizay mihitsy izany Izaho manolotra soso-kevitra hoe: rehefa mitsangana ny “conseil national pour la sécurité intérieure” dia manao « états généraux » mihitsy ny firenena malagasy mandinika an’io; dinihana ao daholo hoe iza no « acteurs » na lesoka ao anatin’io “système” io, ho hita eo hoe misy Zandary ao sady miady amin’ny “insécurité” izy, misy tompon’andraiki-panjakana ao dia ho hita eo daholo, mametraka “résolution” iray isika ary izay mandika an’iny avy eo tonga dia gadraintsika. Izay angamba no mety amin’io, fa raha tsy izay tsy vita mihitsy, ny zavatra tena lehibe amin’io dia ny toe-tsaina ihany. Any no tokony hisy fianarana manokana fa raha hoe efa notazaina hangalatra dia tsy maintsy hangalatra foana. Rehefa notazaina hiady ianao, hiady ihany ny ao an-tsainao, fa raha isika indray no tazaina hitady dia mba mitady koa. Misy toetsaina izany; izay anefa tsy andraikitsika intsony fa andraikitry ny fianakaviana. Eo no idiran’ny “sécurité”. Ny “défense” anisan’ny kely ao anatin’ny “sécurité” dia ny “défense” ho an’ny “sécurité nationale” izany. Izay no mahatonga hoe “sécurité alimentaire”, “sécurité routière”, « sécurité humaine ». Izany no lamaody amin’izao fa ny « défense » izany kely fotsiny. Inona no mahakely azy kanefa ny vokany lehibe. Raha vao miady satria ny “intégrité de territoire Malagasy”, io no tenenintsika hoe: tsy azo animbinana ity Madagasikarantsika ity, tsy maintsy miditra ny « force de défense », hiady izany izy, tsy hitondra « la craie » izy fa hitondra « grenade défensive » ka na izy no potika na ny olona miady aminy. Izay no mahatonga azy hoe: “sécurité intérieure” no atao. Rehefa manao an’izay, tsy misy dikany ny itondrana basy satria hifamono izany fa zavatra hafa no entina, tahaka ny baomba mandatsa-dranomaso fotsiny fa tsy mahafaty. Noho izany tsy maintsy ataontsika izay; ny olana anefa ny iray mamono, ny anankiray tsy mahazo mamono. Eo no olana, ahoana no hatao kanefa maty ny vahoakatsika, maty ny miaramilantsika. Tsy mety satria tsy vitan’ny hoe mamono izy io; ny moara anie no mamono. Tsy eo intsony ny Solombavambahoaka voafidy tany Ambanja, fa rehefa maty dia mety hirotaka ny olona hoe: nahoana no novonoinao ny zanakay; maninona raha nosamborina izy dia nogadraina fa angaha tany tsy misy fanjakana eto. Ny Solombavambahoaka TSIVOULANGNE Maximin, moa niteny hoe: tany tan-dalàna, angaha moa ny lalàna eto mamono. Eo no olana; mila dinihantsika tsara hoe: inona no tokony hatao, tsy mety refesina ny zavatra ho entina kanefa matetika rehefa « légitime défense » ihany vao azo atao izay. Hitantsika ireny mifanenjika ireny anefa isika mangataka ny hanoavana “opération”. Tsy tian’ny “communauté Internationale” anefa izany; tsy tiantsika koa satria mifampitifitra ny vahoaka Malagasy; ahoana no hatao, izay no hodinihantsika izao. Ny tena 45 marina, ny fitaizana ihany no hitako fa mahomby. Hividy “hélicoptère” isika, ny 80%-n’ny vahoaka Malagasy anefa tantsaha, azo tsotsorina hoe mpiompy. Koa raha hisy “hélicoptère” manidina any ka hitifitra olona manisa omby, mety hisy “bavure”. Tsy maintsy misy izany dia enjehina ny olona nitondra an’iny “hélicoptère” iny avy eo hoe: maninona no novonoinao ny olona. Efa nisy izany ary tsy maintsy mbola hisy. Jereo ny tantarantsika. Izay no tiako tenenina: tokony manao “états généraux” isika mandinika hoe ahoana no tokony hatao, raha ny fieritreretanay azy, tsy misy afa-tsy ny fiarahana aminareo ihany. Ny fiarahana aminareo tiako tenenina dia ny fanaovantsika ireny dahalo miova fo ireny ihany. Tany Betroka izahay no nahavita tamin’ity taona ity, miisa 800 lahy, tonga dia niaiky fotsiny hoe: tsy hanao intsony. Ny Solombavambahoakan’i Benenitra moa tsy eo, fa izy koa manana ary manaiky azy aho na ireo mipetraka na ireo mitsangana. Isika ihany no tokony hahavita an’io satria isika araka ny tenin’ny Filoha Lefitra teo hoe: isika no mifanakaikaiky amin’ny vahoaka ary mahafantatra ny tokony hatao any amin’ny “quartier”, any amin’ny Fokontany ipetrahana any, any amin’ny “Région” any ary matoa isika lany, ny dikan’izay lanim-bahoaka; isika no tokony hahafehy an’izay. Raha izahay kosa voafetra ihany ary ho voaenjika foana na ahoana na ahoana satria tsy ho tafavoaka. Ny olana eto amintsika, raha miteny ny namana iray hoe esory ranona, misy Solombavambahoaka namana ihany milaza hoe: tsy azo esorina io fa zanako, tsy hitanay intsony izay hatao. Ohatra, ny Solombavambahoaka any Mananara izao niteny hoe: esory ny “commandant de compagnie” ao Maroantsetra kanefa tsy any aminy akory izany, rariny ny Solombavambahoaka rahalahiko ato raha hiteny hoe: tsy esorina izany io olona io. Izaho tsy miteny hoe misy “conflit d’intérêt” fa misy zavatra tokony halamina ao anatiny mba ahafahanay manao izay tokony hatao. Ny CB rehetra notenenin’Andriamatoa namana ato izao, izay rehetra any Toliara dia miteny hoe: io anie manaiky izay tenenin’ny Solombavambahoakan’i Benenitra, ity farany anefa miteny hoe: esory io olona io fa tsy misy ilako azy. Tsy hainao ny tena marina fa esorina izy. Io resaka “éfféctif” io na tiana na tsy tiana aloha, mbola ny any atsimo sy ny eto Antananarivo aloha fa aza omenareo tsiny izahay satria mamaivay ny any atsimo, ny eto Antananarivo koa tsy “opération” no atao fa resaka “maintien de l’ordre”. Tsy maintsy ampiarahana ireo roa ireo fa raha lasa any atsimo daholo ireto Miaramila eto Antananarivo ireto, tsy fantatra izay zavatra mety hiseho; aleo tantanana miaraka ireo. Mialatsiny fa ny any Mananara sy ny namany, aleo ataontsika “poste fixe” ihany, fa mbola tsy anaovantsika “poste avancé”. Izany hoe Zandary telo na efatra no tsy maintsy “renforcer”-na, tsy azo mety atao hoe be dia be eto noho ny maha renivohitra azy. Misaotra, Andriamatoa Filoha. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra anareo, Andriamatoa Minisitra. Taorian’ireo fandaniana ny volavolan-dalàna roa ireo, omena fitenenana Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena raha toa misy teny tiany ambara. 46 Jeneraly RASOLOFONIRINA Béni Xavier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Andriamatoa Filoha; Ramatoa sy Andriamatoa mambran’ny Birao Maharitra; Ianareo Solombavambahoakan’i Madagasikara; Isika namana eto anivon’ny Governemanta. Tompokolahy sy Tompokovavy. Misaotra indrindra anareo Solombavambahoaka izay nandany ny volavolan-dalàna mitondra ny laharana faha-008/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 mikasika ny fandaminana ankapobeny ny fiarovam-pirenena na ny antsoina hoe: “organisation générale de la défense nationale”. Torak’izay koa ny fandanianareo ny volavolan-dalàna faha-009/2016 tamin’ny 20 Mey 2016 mikasika ny Fandaminana sy ny Andraikitry ny Filankevitra Ambony momba ny Fiarovampirenena. Mino sy manantena izahay telo mirahalahy fa ny fiarahantsika miasa sy ny fiaraha-mientana, mba hisy vokany ary hiantraika any amin’ny vahoaka tokoa ny fampiharana an’ireto lalàna izay natolotra anareo ireto. Ny toky fitaka fa rehefa miaraka aminareo izahay, mino sy manantena fa tsy hiaina amin’ny fanampiana intsony ny mpitandro filaminana, hanana ny maha izy azy mba ho mendrika ny fanatanterahana ny asa izay ataony. Tianay ny milaza aminareo fa voaray daholo ny toromarika entina hanatsarana ireo volavolan-dalàna roa natolotra anareo ireo. Koa samia isika hotahian’Andriamanitra, mba hikatsaka hatrany ny soa sy ny tsara ho an’ity Tanindrazana iaraha-manana ity. Eto am-pamaranana, tiako ny mizara aminareo sahady fa efa tafakatra eto Antananarivo ny afo manga ka hanomboka ny fitsinjarana azy tsy ho ela. Izahay mpitandro filaminana koa manome toky anareo, fa hianoka am-pilaminana ny fety hatao ary mendrika izany koa ny vahoaka Malagasy. Fisaorana no atolotra ho anareo ary enga anie ka tsy ity volavolan-dalàna roa ity ihany no holanianareo fa ny manetsa be mbola ho avy araka ny voalazan’ny Minisitry ny Fitsarana teo; mbola hisy volavolan-dalàna haterina eto izay entintsika hiady amin’ny kolikoly. Ny kolikoly moa iarahantsika mahafantatra fa misy ny mpanome, misy ny mpandray; misy ny mpamporisika ka isika rehetra ihany no hiaraka na tsy ho rava aza ny kolikoly fa mba hihena, mba ho entina mampandroso an’ity Madagasikara ity. Mankasitraka Tompokolahy. Mankatelina Tompokovavy. - Tehaka- 47 -8- Fiatoan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Ankasitrahana tokoa ianareo Minisitra telo mirahalahy niara-nidinika teto sy namaly ireo fanontaniana napetraky ny Solombavambahoaka teo. Tompokolahy sy Tompokovy, mialohan’ny hiatoan’ny fivoriana, tiako ny mampahatsiahy antsika fa ny Talata faha-14 Jona 2016, amin’ny 10 ora, maraina, hisy ny fivoriana hataon’ny Birao Maharitra ary amin’ny 3 ora, tolak’andro, ny fivorian’ny Diniky ny Filoha. Ny Alarobia faha-15 Jona 2016, amin’ny 10 ora, maraina, fivoriambe handraisana fanapahankevitra mikasika ny ho tohin’ny fandaharam-potoanan’ny Antenimierampirenena. Koa manentana antsika samy havitrika amin’ny fanatrehana an’ireo fivoriana ireo. Miato hatreto ny fivoriantsika. Mankasitraka sy mankatelina, Tompoko. - Lakolosy Niato tamin’ny 6 ora sy 10 minitra, hariva, ny fivoriana. NY FILOHA MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard