Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Alakamisy 22 Janoary 2015
Hariva
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………………………………………… 01
- Fiantsoana anarana …………………………………………………………………………………………………… 02
- Famakiana ny tatitra …………………………….…………………………………………………………………... 02
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………… 07
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 19
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014, anovàna sy amenoana ny fepetra
sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny
13 Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba
ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily ………………………………………………………….……………. 25
- Fiatoan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………………. 33
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA: - Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine
- Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
FOTOANA: Alakamisy 22 Janoary 2015, tamin’ny 6 ora sy 55 minitra, hariva.
FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny
volavolan-dalàna laharana faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014, anovàna sy
amenoana ny fepetra sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny 13
Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba ny fifamoivoizana
an’habakabaka sivily.
-1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Mandroso ianareo, Andriamatoa Minisitra.
Angatahana isika Solombavambahoaka mba samy handray toerana, azafady indrindra.
Mahazoa toerana, Tompoko.
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Andriamatoa Minisitra isany, mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Ianareo rahalahy sy anabavy, Solombavambahoaka hajaina isany;
Ianareo “Secrétaires Généraux, Directeurs Généraux”, sy teknisiana ambony avy amin’ny
Minisitera isan-tsokajiny.
Tompokolahy sy Tompokovavy, hajaina isany.
Mitohy ny fivoriantsika.
Manantitrantitra ny fiarahabana antsika Solombavambahoaka manatrika izao fivoriana izao
ary miarahaba torak’izany koa anareo Minisitra rehetra. Ao ny Minisitry ny Fitaterana sy ny
Famantarana ny Toetr’andro, ny Minisitry ny Fanofanana ara-teknika, ny asa sy ny
Fanofanana arak’asa, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Minisitry ny Tanora sy ny
Fanatanjahantena. Ianareo olo manan-kaja sy ny teknisiana ambony izay miaraka aminy.
Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-drahararaha, tahaka ny fanao dia hiroso vetivety
amin’ny fiantsoana anarana isika, koa miangavy anao, Andriamatoa Filoha Lefitra, izay
mpitantsoratra hanao ny fiantsoana anarana.
2
-2- Fiantsoana anarana Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Solombavambahoaka isany,
ABDILAH
TSIVOULANGNE Maximin
Tapitra ny fiantsoana anarana, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitra, manao ny fitanana an-tsoratra nanao izay
fanononana anarana izay.
Ny fandaharam-potoantsika izao tolak’andron’ny Alakamisy faha-22 Janoary 2015 izao dia
fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna
laharana-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014 anovàna sy hamenoana ny fepetra
sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny 13 Aogositra 2012
anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily.
Koa iangaviana am-panajana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera, hiakatra etỳ anoloana
hamaky ny tatitra momba izany.
Miangavy am-panajana, Andriamatoa Mpampakateny. Ny Filohan’ny Vaomiera mihitsy no
hamaky ny Tatitra.
Mahazoa toerana ianao ary tonga dia ento ny fitenenana.
-3- Famakiana ny tatitra Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ialana tsiny, nisy loza nahazo ny zanaky ny Mpampakatenin’ny Vaomiera ka voatery ny
tenanay no mandray ny fitenenana, Tompoko. Lasa any amin’ny hopitaly izy amin’izao
fotoana izao.
Manaraka izany, Andriamatoa Filoha, alohan’ny hanaovanay ity tatitra ity; tsara ihany ny
milaza eto fa tamin’ny fanaovana ny “ordre du jour” farany teo, ny vaomieranay no tokony
hanao ny asa ary ny tenako, noho ny faharatsian’ny lalana, tsy afaka tonga teto ka voatery
3
namela ny namana nanao ny asa. Vao tonga izahay dia nandray asa vaovao indray, nanohy
azy tamin’ny Alarobia tolak’andro.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Izao no voalazan’ny tatitra.
Nivory ny Alatsinainy faha-19 Janoary 2015 tamin’ny 3 ora sy sasany, hariva, sy ny Alarobia
faha-21 Janoary 2015 tamin’ny 4 ora sy sasany, hariva, ny Vaomieran’ny Fitaterana sy ny
Famantarana ny Toetr’andro, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-046/2014
tamin’ny 10 Desambra 2014 anovàna sy amenoana ny fepetra sasantsasany ao amin’ny
Lalàna laharana faha 2012-011 tamin’ny 13 Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna
Malagasy momba ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily.
Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel, Filoha Lefitry ny Vaomiera no nitarika ny
fivoriana, tamin’ny Alatsinainy.
Ireto avy ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika ny fivoriana,
Andriamatoa isany:
1. LEVAO Nitadiavina
2. RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel
3. HARINOSY R. Charlot
4. IJO
5. RAJAONSON Lantoarijaona
6. RANDRIANJANAHARY Soloniaina Olivier
7. RASOLOFO Samuelson Jean Baptiste
8. JEAN FRANCOIS Michel
9. NICOLAS Stephan
Ireo teknisiana nisolo tena ny Governemanta,
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. RAKOTOARINIRINA Rigobert Tina
2. RAKOTOMALALA Dina Hariniry
3. RAVONIHAROSON Voahangy
4. DAMASY Gervais
5. RAMANANTSEHENO Bary Zo
6. REDIA A.
7. ANDRIANALISOA James
8. MOISE Edgard
SG/MTM
DGTMFA/MTM
DJE/ACM
Dir BEAC -BRAC/MTM
DRG/ACM
SG/ACM
DG/ACM
DIA/MTM
Rehefa avy niarahaba tratry ny taona ny mpivory, Andriamatoa Filoha dia nanazava fa efa
nifampidinika tamin’ny Birao Maharitra ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera fa maro ireo
fanovàna izay natao tamin’ny fehezan-dalàna mikasika ny fifamoivoizana an’habakabaka
sivily ka tapaka fa handinika manokana izany ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera.
Nambarany fa ilaina ihany koa ireo “code de l’aviation civile” izay nisy teo aloha ho
fanampin’ireo antontan-taratasy izay efa nisy.
4
Nanambara ny teknisiana fa haterina atỳ amin’ny Antenimierampirenena io “code” io mba
hodinihan’ny Vaomiera.
Nomarihin’ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera fa tsy mbola vita ny fanadihadiana nataony
mikasika ity Volavolan-dalàna ity ka hangataka fanemorana ny fandinihana izany.
Na izany aza dia nanolotra fanovàna vitsivitsy ny Vaomiera:
- Exposé des motifs: alinéa 4:
“Des précisions sur la définition……. De l’Autorité de l’Aviation civile. En effet, la
supervision de la sécurité et de la sûreté relève de la responsabilité de cette dernière
avec la collaboration de la sécurité publique au niveau de l’aéroport.
- Article 2 : paragraphe 4 :
a) d’effectuer une enquête sur tout incident lié à l’utilisation d’un aéronef et la
soumettre à la Police de l’air et des frontières qui assure la continuité de la
procédure si besoin est. Le service central de la PAF et GN assure la continuité
de l’enquête relative aux accidents et incidents en fonction de leur zone
compétence.
paragraphe 5 : L’organisme chargé de l’arbitrage des conflits de l’aviation civile est
constitué par des représentants d’ACM, Police de l’Air et des Frontières, de la
Gendarmerie Nationale, des Douanes ou autre entité publique touchée par l’affaire
et il est chargé.
- Article 3 : 2) En matière …… A cet effet, il dispose de certaines prérogatives et en est
redevable devant l’Etat.
- Article 4 : Les fonctions « élaboration, application de la réglementation, supervision
de la sécurité et de la sûreté de l’aviation civile », « enquêtes sur les accidents et
incidents », « arbitrage des conflits » sont assurées par les responsables de
l’Administration de l’aviation civile chacune en ce qui la concerne avec la
collaboration des entités chargées de la sécurité et de la sûreté avec les entités
chargées de la police judiciaire.
- Article 5 : point 4 : à supprimer
- Article 7 : 1. L’Autorité de l’aviation civile institue un système de supervision de la
sécurité qui assure et respecte de manière adéquate les huit éléments cruciaux
suivants :
a) la législation aéronautique de base ;
b)
les règlements d’exploitation spécifiques ;
c)
le système d’aviation civile et fonctions de supervision des activités de
l’aviation civile ;
d)
la qualification et la formation du personnel technique ;
e)
les indications techniques,…..pour la sécurité aéroportuaires ;
f)
les obligations en matière de délivrance de licences, de certification,
d’autorisation en matière de l’aéronautique et d’approbation ;
g)
les obligations de surveillance des activités de l’aviation civile.
h)
la résolution des problèmes de sécurité avec la collaboration de l’autorité
publique.
i)
la fourniture des moyens matériels et équipements relatifs aux missions de
la sécurité et sûreté aéroportuaire.
5
-
Article 10 : 1. Pour une gestion……. et les personnes individuelles concernées ont à
alimenter et dont l’accès peut être autorisé à l’Autorité publique sur première
demande.
Nifarana tamin’ny 4 ora, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
Nitohy ny Alarobia tolak’andro, ny fivoriana ka Andriamatoa LEVAO Nitadiavina, Filohan’ny
Vaomiera no nitarika ny fivoriana.
Raha vao tonga izahay dia voatery naka ny zavatra vitan’ny taloha satria ny “séance
plénière” atao androany ; nojerenay hoe misy zavatra mbola tsy voadinika ve ary voalaza
ato, niantso ny mpivory indray izahay, niantso ny namana Solombavambahoaka izany izahay
sy ireo teknisianina hivory miaraka aminay indray satria efa tonga tao ny « dossier » mikasika
ny fangatahan’ny namana. Voatery nampivory indray izahay, nangataka fivoriana, mba
ahafahana manohy azy. Izay no nahatonga anay, satria tsy nisy zavatra natao omaly hariva,
tapitra tamin’ny 12 ora, na tamin’ny 1 ora, teo ny « statut » momba an’Antananarivo dia
nanohy ny fivoriana izahay omaly tolak’andro, izay no fivoriana notarihiko.
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha dia nomeny ny teknisiana ny
fitenenana hanazavany ny antonanton’ny Volavolan-dalàna.
Nambaran’ny teknisiana fa araka ny fantatra dia mbola ao anatin’ny « annexe B » ny
fitaterana an’habakabaka malagasy ka misy ny fanaraha-maso matetika. Noho io antony io
dia misy ny fanamarihana nataon’ny OACI mba ahafahana mampifandrindra tsara ny didy
aman-dalàna (convention de Chicago).
Rehefa izany dia nitondra fanazavana ny teknisiana momba ireo fanovàna naroson’ny
Vaomiera:
- mikasika ilay « alinéa 4 » ao amin’ny famelabelarana ny antonantony dia efa misy rijan-teny
mifandray amin’ireo antontan-taratasy (document) izay navoakan’ny OACI milaza ny momba
ny fanaraha-maso. Rehefa namaky ny fanamarihana nataon’ny vaomiera ny teknisiana dia
nahatsapa fa misy ny tsy fahazoana loatra ny zavatra tiana ambara.
Raha ny rijan-tenin’ny OACI dia efa mamaritra tanteraka ny fanaraha-maso ka izany no tsy
ahafahana manampy io fanovàna io (avec la collaboration de la sécurité publique au niveau
de l’aéroport).
- Andininy faha-2 : efa misy “texte” mamaritra ny andraikitry ny zandary nasionaly,
polisim-pirenena ary ny fadintseranana raha misy ilàna ny fiaraha-miasa fa tsy hita
ato anatin’ny « code de l’aviation civile » izany.
- Andininy faha-3 : nomena ny Tale Jeneralin’ny ACM ny fahefana feno amin’ny
fitantanana sy ny fiarovana ny filaminan’ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily araka
ny soso-kevitry ny OACI mba tsy ahafahany miteny intsony fa tsy nananako daholo ny
fahefana rehetra.
- Andininy faha-4 : tompon’andraikitra feno amin’ny fitondran-draharahan’ny
fifamoivoizana an’habakabaka sivily ny ACM ka tsy afaka manilika andraikitra
amin’izany izy. Nisy ny fanovàna nentin’ny Vaomiera amin’io andininy io (jereo
tovana).
6
-
-
Andininy faha-5: miresaka momba ireo mpiasa misahana ny fanaraha-maso izay
fepetra notakian’ny OACI ka tokony hotazonina amin’ny endriny teo aloha.
Andininy faha-7: mametraka ny OACI eo amin’ny fanaraha-maso ny fiarovana ny
fifamoivoizana an’habakabaka sivily fa tsy maintsy manaraka ireo fepetra valo izay
nosoniavin’ireo firenena mpikambana.
Andininy faha-10: tokony hahafantatra loharanom-baovao mikasika ny
fandaharanasam-pirenena momba ny fiarovana ny manam-pahefana. Ireo teknisiana
dia tsy maintsy manao tatitra amin’izy ireo. Izany no mahatonga ny OACI ao anatin’ny
“annexe 19” milaza mazava fa ireo vaovao voahangona dia ho tsiambaratelo eo
anivon’ny ACM.
Taorian’izany dia nisy ny fametrahana fanontaniana avy amin’ny mpikambana ao amin’ny
Vaomiera:
1. Nahoana no tsy hita ao anatin’ity volavolan-dalàna ity ny fiaraha-miasa eo amin’ny
zandary, ny polisy ary ny fadintseranana sa atao lalàna hafa?
Valim-panontaniana naroson’ny teknisiana:
1. Mipetraka ao anatin’ny “code de l’aviation civile” izay tsy miova. Samy manana ny
fomba fiasany ny firenena tsirairay eo anivon’ny OACI satria tsy mitovy ny zava-misy
any an-toerana.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny isan’andininy ny Volavolan-dalàna ny
Vaomiera:
Famelabelarana ny antonantony: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna.
Andininy voalohany hatramin’ny andininy faha-3: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy
nasiam-panovàna.
- Andininy faha-4: lany nasiam-panovàna (jereo tovana)
- Andininy faha-5 hatramin’ny andininy faha- 15: lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy
nasiam-panovàna.
Nolanian’ny Vaomiera tamin’ny endriny nasiam-panovàna ny Volavolan-dalàna laharana
faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014 anovàna sy amenoana ny fepetra sasantsasany
ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny 13 Aogositra 2012 anaovana ny
Fehezan-dalàna Malagasy momba ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily ary hoentina any
amin’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany.
-
Nifarana tamin’ny 5 ora sy sasany, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
7
TOVANA
FANOVANA
Version originale
Version amendée
Article 4 :
Les fonctions “élaboration, application de la
réglementation, supervision de la sécurité et
de la sûreté de l’aviation civile », « enquêtes
sur les accidents et incidents », « arbitrage
des conflits » sont assurées par les entités
de l’Administration de l’aviation civile
chacune en ce qui la concerne.
Article 4 :
Les fonctions “élaboration, application de la
réglementation, supervision de la sécurité et
de la sûreté de l’aviation civile », « enquêtes
sur les accidents et incidents », « arbitrage
des conflits » sont assurées par les
structures qui composent l’Administration
de l’aviation civile chacune en ce qui la
concerne.
Izay, Andriamatoa Filoha, no zavatra nataon’ny vaomiera indroa miantoana tamin’ny
fanovàna ity lalàna mikasika ny « administration »-n’ny ACM ity.
Misaotra Tompoko.
-4- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Omentsika tehaka ny Mpampakateny, tamin’ny tatitra nentiny teo.
Misaotra anao nitondra izay tatitra izay.
Izao dia hiroso amin’ny fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana teo. Mbola
tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny isika fa fanitsiana ny tatitra na fanamarihana
aloha no atao.
Manao satroka ny Solombavambahoaka RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel, voafidy tany
Ikongo.
Andriamatoa RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunel
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Manaja anareo Birao Maharitra.
Miarahaba ihany koa ny delegasiona mafonja dia mafonja izay tarihin’ny Minisitra maromaro
sy ireo teknisiana ambony miara-miasa aminy avy.
Misy fanamarihana, Andriamatoa Filoha, mba tiako ho resahina satria ity volavolan-dalàna
ity dia tonga taty amin’ny Antenimierampirenena. Rehefa tonga taty amin’ny
Antenimierampirenena ity dia volavolan-dalàna fanitsiana ihany no nalefan’ny
Minisiteran’ny Fitaterana taty amin’ny Antenimierampirenena, fa ny vataben’ny lalàna
hovaina na ho hatsaraina tsy nalefan-dry zareo taty. Rehefa niasa izahay tao amin’ny
8
vaomiera momba ny fitaterana, nahatsapa izahay fa tsy hita ny “code existant” fa ny
“proposition”-n’ny “modification” ihany no tonga tato amintsika.
Tamin’izay fotoana izay, nangataka fanemorana aloha izahay hoe omeo ny
Antenimierampirenena ny “code existant” mba ahafahana manao ny “étude comparative”
mba ahitana hoe “amélioré” ve sa misy zavatra hafa tokony hatsaraina. Tonga taty ihany ny
“code existant” fa tara dia tara ny fahatongavany.
Iray izay.
Faharoa manarak’izay, isa vitsy satria raha ny tatitra henoko avy tamin’ny biraon’ny
“législation”, ohatran’ny hoe 15 fotsiny no nalefan-dry zareo avy ao amin’ny Minisiteran’ny
Fitaterana taty amintsika.
Nanomboka teo izahay tao amin’ny vaomiera vao nanomboka nandinika sy namakafaka azy.
Nahatsapa izahay, Andriamatoa Filoha, fa tena tsy ampy ny fotoana nandinihana ity
volavolan-dalàna ity. Izahay mambran’ny vaomiera aza tena nahatsapa hoe tsy ampy anay ny
fotoana, indrindra fa ianareo namana Solombavambahoaka izay tsy nandalo ny masonareo
mihitsy ny “code existant” fa ity “proposition” ity ihany no hitanareo. Koa amin’ny fomba
ahoana moa no ahafahanareo mijery hoe manatsara na manaratsy na mitondra an’i
Madagasikara mankaiza ny fandaniana ity lalàna ity?
Anisan’ny olona manam-pahaizana manokana mikasika an’ity “aviation civile” ity aho,
Andriamatoa Filoha; ireharehako izany satria roa izahay teto Madagasikara no nianatra izany
tany ivelany. Noho izany, manan-kambara betsaka aho, Andriamatoa Filoha, rehefa tonga ny
fotoana tena ijerena an’io amin’ny antsipiriany. Ity resaka “convention de Chicago” ity aza,
atao resabe fotsiny; mba tsara ihany isika Solombavambahoaka namana no mahafantatra
tsara hoe inona marina no voalazany, fa atsidiny fotsiny fa tsy resahiny mihitsy.
Miresaka ihany koa ato hoe: manaraka ireo fepetra valo izay nosoniavin’ny firenena
mpikambana. Inona ireo fepetra valo ireo. Izany rehetra izany tsy misy zavatra fantantsika.
Koa mangataka aho, Andriamatoa Filoha, mba hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny
fandaniana ity lalàna ity, ahafahana mandinika azy lalina kokoa mba ho tombotsoan’ny
firenena. Ho tombotsoan’ny firenena, hoy aho.
Andriamatoa FILOHA
Mba hajaintsika ny namana izay miteny. Azafady indrindra, Tompoko.
Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel
Mba ho tombotsoan’ny firenena, fa aoka isika tsy hihinana am-bolony. Afaka miteny aho hoe
tsy ampy ny fahafantarantsika ity volavolan-dalàna ity, fa mangataka izay fanemorana izay
aho. Raha ohatra moa manohitra ny namana fa tsy maintsy miditra amin’ny famakafakana
amin’ny antsipiriany an’io, hanazava amin’ny lafiny teknika aho kanefa ny fangatahako
voalohany, Andriamatoa Filoha, aoka, Tompoko, ahemotra ity mba ho matotra kokoa ny
zavatra ataontsika.
Mankasitraka, Andriamatoa Filoha.
9
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’izay fanamarihana nataonao izay.
Moa ve mbola misy Solombavambahoaka hafa, manana fanamarihana.
Solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry.
Iza no manao satroka?
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy mandà izay voalazan’ny zoky tato aho, fa gaga ihany amintsika ato amin’ny Antenimiera
ato. Ry zareo avy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana, angamba isaky ny handeha atỳ
amintsika dia anisan’ny mitsangam-bolo. Inona loatra no olana ananantsika amin-dry zareo.
Ny mahagaga, androany isika nandany ny “Code de l’Environnement”. Nanaovana “refonte”
io ; tsy nentina teto anefa ny “code de modification” momba izany. Moa ve miankina
amin’ny “commission” tsirairay izy ity sa zavatra tokana mitovy ihany.
Ny fahitako azy, tokony ho azo laniana ihany ity satria heverina fa mba misy fantatsika ihany
izay tokony hovaina ary lalàna efa firy taona nipetraka teto Madagasikara izy io. Heverina
izany fa zavatra efa fantatsika ny zavatra eritreretina hovaina, fa ny fanovàna fotsiny no
nentina teto amintsika.
Eto indray aho dia miteny hoe raha ohatra mbola itadiavana fotoana hafa ny handaniana azy
ity; na ny fotoana hanaovantsika “extra” aza mbola tsy fantatra satria efa “extra” isika izao.
Hiandry amin’ny volana Mey indray ve ny hanaovana an’ity. Raharaham-pirenena izy ity, ka
tokony hieritreritra ihany isika amin’ny fahatarana amin’ny fitondrana ity raharaha ity.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manao satroka, Solombavambahoaka AROSY Namiandrazana François, voafidy tany Nosy Be.
Andriamatoa AROSY Namiandrazana François
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo Minisitra sy ny ekipa izay tonga eto.
Izaho saika mitovitovy hevitra amin’izay. Maninona ary isika tamin’ny maraina no nandany
an’iny lalàna iny kanefa izao tonga eto ny tompon’andraikitra rehetra hanazavazava mikasika
ity zavatra ity. Maninona no tsy henointsika ny fanazavana izay isika vao miteny hoe
hahemotra hahemotra, nefa isika izao tsy hisy fivoriana intsony raha tsy amin’ny volana Mey
ary ny fitondrana mitady fampandrosoana haingana. Raha amiko, aleo alefantsika ho laniana
ity lalàna ity.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
10
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manao satroka ny Solombavambahoaka HELSON Brisson Erafa.
Andriamatoa HELSON Brisson Erafa
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba ny Minisitra sy ny teknisiana miaraka aminy.
Andriamatoa Filoha, samy mpanao politika daholo no nahatongavantsika ato. Izahay tsy
nanao “aviation civile” fa nanao “aviation militaire”. Hiroso ary handany ny lalàna izahay,
Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Nanangan-tànana ny Solombavambahoaka isany RAVELOARIVONJY Behavana, MARA Niarisy
ary VELONTSARA Paul Bert.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba ny solotenan’ny Governemanta tonga eto.
Tsy hainay hoe inona no anton’izao zava-misy izao, Andriamatoa Filoha. Raha vao tonga ato
ny Minisitry ny Fitaterana dia anangam-bovona, nefa raha nisy ny olona nisokatra tamintsika
tao amin’ny “commission”, anisan’izany ny Minisitry ny Fitaterana. Vavolombelon’izany ny
asa nataon’ny “commission”, indroa nisesy. Omaly, mbola niasa ihany ny vaomiera nandinika
an’io zavatra io. Maro ny zavatra nandalo tato tamintsika ary rehefa manao zavatra ny
vaomiera, mitondra fanitsiana hatrany isika. Maninona indray androany, tsy misy dikany
amintsika izany ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fitaterana nilazana hoe azo alefa ity zavatra ity,
fa tsy henoina izy. Izaho kosa, Andriamatoa Filoha, tsy manaiky an’izay satria fifanajana no
zavatra ilaina ato. Henoina ny zavatra tenenin’ny olona; andao hifampitafatafa aloha. Eo ny
solotena, raha tsy mahita vahaolana isika izay vao ahemotra ny raharaha, fa tsy fomba fiasa
izany amiko ary isika koa tsy manana fotoana intsony. Raharaham-pirenena tsy miandry
antsika. Ataon’ny olona resaka no iafarantsika; tsy misy resaka fa ahemory; hafahafa ny
fahitako izany.
Faharoa manarak’izay, izaho no tena mifanerasera amin’ny olona ao amin’ny “sécurité”-n’ny
“aéroport” io kanefa tamin’ny farany teo, nahazo teny mafimafy aho. Tsy misy olona
hitomaniantsika amin’io satria tsy feno ny fahefanany. Ny Tale Jeneraly izay tokony
hitomaniantsika amin’io zavatra anefa mbola ampy ny fahefana ananany. Raha nihaino tsara
isika, misy an’izay ny zavatra notenenina tao. Eto indray isika miady ny fahefana feno ary iray
ihany no itomaniantsika manomboka androany, ahemory; na tianareo aza ny politika,
tsinjovy ny Firenena.
Azafady, Tompoko, aoka isika hifanaja. Andao isika mba hitaraina ny zavatra maharary
antsika eto, fa tsy mbola nisy “délégation” natao an’izao teto. Rehefa tonga teto ny Minisitra
11
iray, nitehatehaka isika rehetra; tsy nisy zavatra tsy nolaniantsika. Io ry zareo misolotena
amin’ny fiarovana an’ity zavatra ity, anontanio azy izay tsy mazava aminareo.
Koa mangataka antsika tsy hangataka andro lava, fa miandry an’ity ny fiainam-pirenena. Isika
te-handroso, tsy miandry amin’ny volana Mey izany no hanaovana azy ary izahay koa anie
misy zavatra miandry anay any, Andriamatoa Filoha. Ny vahoakanay taorian’iny fety iny mba
mila mahita anay koa. Hitohitohy foana ny fivoriana, lasa manahirana anay, Andriamatoa
Filoha.
Manentana antsika, Solombavambahoaka rehetra, mba tsy hitoditodika fa handinika
haingana an’ity zavatra ity ary hofidintsika izy aorian’izay.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Olona telo no nangataka fitenenana teo. Ny Solombavambahoaka MARA Niarisy, ny
Solombavambahoaka VELONTSARA Paul Bert, ny “Rapporteur” koa. Rehefa mandray
fitenenana ianao dia mba miverina eny amin’ny toeranao aloha.
Manao satroka, Ramatoa Filoha Lefitra RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina ary
RAKOTOMALALA Lucien.
Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa MARA Niarisy. Ny satroka ataon’ny Filoha Lefitra
RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, rehefa avy eo.
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha, izaho tsy miditra amin’ny hevitra tsy mifandray eo, fa hipetraka ho
elanelam-panahy aho. Raha azoko tsara ny an’Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean
Brunel teo, tsy misy eritreritra hoe tsy handany an’ity lalàna ity raha ny fahazoako azy. Raha
ohatra manao fampitahana ny an’ny namana tamin’ny maraina teo; raha tsy misy mi“soulever” azy, ahoana moa no ahafahantsika misakana an’izay mandany azy.
Mametraka ahiahy ihany izahay, tsy hoe ity lalàna ity tsy hitondra fandrosoana, fa ny lalàna
mifehy ny “aviation civile” amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy hita. Iza no mambra ao
amin’ny vaomiera, ao ny Filoha Lefitra. Izay hanaovana “amendement” hanatsarana azy izay
no atao. Io no mahatonga hoe misy ny nozaraina fa tsy ampy; na isika Solombavambahoaka
milaza fa handany azy io koa aza tsy manana. Noho izany, tsy misy mieritreritra tsy fitiavana
Minisitra eto fa aza avadika resaka hafa. Tsy misy tsy fitiavana an’i Madagasikara tsy
handroso izany eto fa aza avadika ohatran’izany ny fitenenana politika ato amintsika. Mba
tsaratsara kokoa ny “contenu”-n’ny “texte” iray manontolo, ny lalàna izany. Mba hita eto
hoe ity no taloha, ity no entinay manova azy, izahay no mahafantatra ny ato. Izay anie no
takiana. Inona no maharatsy an’izay. Midika tsy fitiavana ve izay. Maro ny lalàna tato
amintsika no nanao ohatran’io. Ny “Cybercriminalité” izao, tsy voafakafaka tahakan’io koa.
Manomboka androany izao, ny sarin’ny Minisitry ny “Communication”, navoaka amin’ny
12
gazety indray satria tsy voatsakotsako tsara, tsy voadinika tsara, tsy hita daholo ny
antsipiriany fa nifidy ihany isika; tadidio fa any aoriana any, hiteraka olana ho an’ny Firenena
izany.
Andriamatoa Filoha, ny fanaontsika satria efa misy “camp” efa miaro izy dia ataovy tsangantànana. Izaho tsy “pour” an’Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel, na “pour”
an’iza fa ataovy tsangan-tànana. Raha manao an’izao namana maro an’isa hoe: alefaso fa io
no “blocage de développement de Madagascar”; asa tsy maninona fa eto isika mahita azy.
Raha milaza kosa ny sasany hoe tsy misy mahatara ny fampandrosoana an’i Madagasikara
izany; tsy miankina amin’ity “aviation” ity izay. Ao ny “bois de rose” izay lanin’ny olona. Izany
no tokony hahamaika antsika. Izany no mitondra fampandrosoana eto. Ny harenan’i
Madagasikara lanin’ny Sinoa. Ny ombinay lanin’ny Sinoa. Izany no zava-misy eto. Maninona
no tsy izany no atao laharam-pahamehana ary na ity aza tsy heveriko hoe ity no hatao
“blocage de développement de Madagascar”.
Izay no ilazako hoe atao tsangan-tànana, Andriamatoa Filoha. Tsy hoe rehefa avy niteny aho
dia atao ny tsangan-tànana, fa tsy misakana ny namana hafa hiteny aho. Tsangan-tànana
ihany, ka raha lanin’ny maro izany dia aroso. Tsy misy mankahala ny Minisitry ny Fitaterana
mihitsy eto. Alefaso fa izay no demokrasia.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tsy maintsy miafara amin’ny tsangan-tànana ihany, fa ny namana izay nangataka fitenenana
dia omena satria tsy misy tampenam-bava eto.
Azafady, Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert, nanao satroka ny Filoha Lefitra
RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina. Rehefa avy eo raisinao ny fitenenana, azafady
indrindra.
Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Raha azoko tsara aloha, fanitsiana ny tatitra no tokony hataontsika eto, fa lasa fitenenana
marobe no mitranga ka tsy maintsy manararaotra ihany aho miteny azy.
Ny fomba fiasa teto hatramin’izay ary mety lesoka ka mila arenina manomboka izao; fa na
inona na inona lalàna nentina teto, “modification” ihany no nentina fa tsy nahita ilay
“original” tany isika na “code original” izany. Tsy nisy mihitsy izany hatramin’izay. Ohatra,
androany iny, “Code de l’Environnement” no nentina teto, ny “modification” fotsiny no
natolotra. Tsy manome tsiny an’iza na iza aho fa izay no fomba fiasa hatramin’izay satria ny
antony; izay no tonga amin’ny fiteny frantsay hoe: “nul n’est censé ignorer la loi”. Efa
“censé” mahafantatra ny “code” daholo izany rehetra izany.
Ho antsika, “sensibilisation” ho an’ny Solombavambahoaka mihitsy ny ahy ity. Isika rehetra
rehefa omena lalàna, tsy misy mamaky azy fa rehefa tonga eto, maheno ny tatitra dia samy
mody fotsiny, mitabataba amin’izay avy eo. Ohatra, tamin’ny resaka “Cybercriminalité” iny.
Mitabataba ny any amin’ny gazety izay isika vao taitra.
13
Vao omaly noho omaly isika no nifidy ny lalàna momba ny “Haute Cour de Justice”. Mino aho
fa maro no tsy namaky azy, fa nandray an-tendrony fotsiny isika.
Ny tiako ho tenenina androany dia fomba fiasa foana hatramin’izay io, fomba fiasa tokony
harenina kanefa “jurisprudence” no misy. Androany, vao nanao “refonte du Code de
l’Environnement” izay nentina teto isika. Izao indray hanao an’ity “Code de l’Aviation Civile”
ity. Manana “droit” hanao “amendement” isika any aoriana any. Afabaraka indray isika raha
tsy hifidy an’ity androany satria tafiditra ao amin’ny “ordre du jour” amin’ity “session
extraordinaire” ity io lalàna io. Hangataka “ajournement” isika. Ho afabaraka indray avy eo.
Soso-kevitra ny ahy, Andriamatoa Filoha, tsy handany fotoana be isika fa ataovy ny tsangantànana. Iza no manaiky hanohy azy; iza no tsy manaiky. Izay no fanapahan-kevitra raisina fa
lany andro eto isika.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Angamba hotaperiko ny fandraisam-pitenenan’ny Solombavambahoaka roa izay nangataka
fitenenana teo. Rehefa avy eo isika miroso amin’ny dingana hafa.
Ny Solombavambahoaka VELONTSARA Paul Bert.
Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mahatsapa aho fa maro ny hevitra diso teo.
Ny hevitra anankiray tonga dia avy hatrany hoe ahemory ity raharaha ity. Misy zavatra
hafahafa izany.
Ny hevitra anankiray nivoitra teo koa ny hoe: lanio ity. Hafahafa izany.
Mieritreritra aho hoe inona no mahatonga azy ho “ajourné”. Tsy mahavita miasa, handinika
ve aloha isika. Ny zavatra ataontsika ato anie tsy tokony avy hatrany dia mandany izany fa
mi-“examiner” aloha. Vitantsika moa izy, ho hita eo; tsy vita noho ny antony maro arak’izay
voalaza izay, ho hita eo koa.
Aminay, ny hevitra marina, raha mbola mahavita miasa isika, andao aloha hiasa.
Farany, izaho indray ohatra ny tsy matoky hoe hisy Minisitera hamosavy
Solombavambahoaka amin’ny alalan’ny lalàna hasitrisitrika halefa ato. Raha mamosavy
Solombavambahoaka anie ka mamosavy Firenena. Tsy mino an’izany aho, Andriamatoa
Filoha.
Hoy aho hoe: raha mbola mazoto miasa isika, Andriamatoa Filoha, andao aloha hodinihana.
Rehefa tonga ny fotoana ka reraka isika, raha mbola tsy vita, ajanona. Raha vita moa,
arahaba soa, arahaba tsara.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
14
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Hamarana ny fandraisam-pitenenana, sa mbola misy hafa ihany koa. Tsy misy hiteny
intsony?
Andriamatoa Mpampakatenin’ny Vaomiera.
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo mambran’ny Governemanta sy ny teknisiana tonga eto.
Ny zavatra tsara ho marihina amin’ity zavatra ity, Andriamatoa Filoha dia tsotra: rehefa
tonga ny fotoana nieritreretanay hoe tokony mbola hodinihana ity zavatra ity satria izay no
nipetraka tamin’ny tatitra voalohany. Nipetraka nijery an’io tatitra voalohany io izahay ary
nijery ny “dossier” noresahana fa tsy eo am-pelan-tànana.
Efa tonga daholo ny “dossier”, Tompoko, ary “livre” iray ihany no nodinihanay tao fa tsy ity
boky be ity no itondrana fanitsiana. Tsy ity boky be ity fa “une partie” tamin’ny “livre”
anankiray mikasika ny “administration de l’aviation civile de Madagascar”. Ny dikan’izay,
marina fa tsy nianatra mikasika ny “aviation civile” izahay fa mba olona nianatra ihany ary
afaka mandinika; tsy nianatra teto fa tany andafy koa. Noho izany, fantatray ny zavatra
tokony hataonay fa aza atao tsinontsinona izahay rehefa nanao ny asa.
Faharoa manarak’izay, Andriamatoa Filoha, nantsoina daholo ny Solombavambahoaka,
indrindra ireo nilaza fa hanao ny fanemorana ny fandinihana azy. Nantsoina izy ireo ary
namaly hoe: “ajourné” foana io fa tsy hanao an’io izahay. Amiko, tsy mety izany. “Il faut
travailler ensemble” ary rehefa hitanao ny “dossier”, tokony hanatona ianao, manazava
amin’izy ireo, mihaino azy ireo; mijery izay tokony ho jerena satria nanam-potoana ny
“après-midi” iray manontolo nahafahana nanao azy izahay. Rehefa vita dia tenenina indray
izahay fa tsy ampy ny fandinihanareo satria tsy teo am-pelan-tànanareo ny “dossier”. Izany
akory tsy tahaka ny bokiben’ny “finances” fa “dossier” kely satria “une partie” no
nangatahan’izy ireo ho “amender”-na. Raha ohatra isika manana “amendement” vaovao dia
afaka manolotra “proposition de loi” isika hanaovana “amendement”-n’ity zavatra ity.
Amin’izao fotoana izao, adidinay ny manao ny asanay, fa asakasak’izay tsy nanao tamin’iny
fotoana iny satria tokony hatao io asa io ary nangatahan’ny Fanjakana hoe: ataovy ity
zavatra ity, mba jereonareo Solombavambahoaka ity. Raha mbola nanam-potoana ary isika,
inona no naharatsy anay nijery azy. Rehefa nijery izahay, nihaino tsara ny teknisiana
tamin’ny fanazavana nomeny fa tsy ekena kosa ny hoe: tsy mahay na inona na inona, fa
matoa ny Solombavamvahoaka tafiditra any anaty vaomiera, mahafantatra ny tokony ataony
izy ireo.
Noho izany, voalohany, tsy mifampihaino isika rehefa misy zavatra tokony amboarina. Naka
“dossier” aho izay no nahafahako nijery an’io zavatra io ary izaho rehefa manao zavatra, tsy
manao zavatra kitoatoa izany. Tadidinareo angamba fa tany amin’ny asam-baomiera farany
teo, inefatra nivory izahay, nivory tamin’io “dossier”io mba ahafahana mahita hoe ahoana
marina no fandehan’ity zavatra ity.
Koa raha miresaka amin’Andriamatoa Minisitra isika tonga dia hoe “ajourné”, tsy ekeko iny
satria naninona; mbola manana fotoana hivoriana ahafahana mandinika azy isika. Rehefa tsy
15
tonga tao ianao, sitraponao no tsy tonga tao fa ny olona aza tenenina hoe “ajourner”-na ity
zavatra ity satria be ny zavatra voadinika tao. Adidinao no niditra tao. Tokony hazava aminao
izay zavatra izay.
Noho izany, mangataka izahay, Andriamatoa Filoha, mba omena fitenenana ny teknisiana
rehefa avy eo hanazava bebe kokoa ny zavatra mety tsy ho azon’ny olona fa tsy hoe
ajourné”-na ity lalàna ity.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena satroka farany ny Solombavambahoaka RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel. Rehefa
avy eo isika mandray fanapahan-kevitra.
Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mahagaga ahy ihany ny firesaky ny Filohan’ny Vaomiera. Araka ny programa nofaritan’ny
Birao Maharitra ary lany tato amin’ny “séance plénière”, nisy “travaux de commission”
indroa nifanesy. Tsy tonga ny Filohan’ny Vaomiera fa izaho no ni-“présider” azy. Koa
maninona rehefa mamorona “séance” any ambadika izy no manana zavatra tenenina hoe
maninona ny sasany no tsy tonga. Tsy ao anaty “programme”, “accouché” ary mipetraka aradalàna, lany tato amin’ny “séance plénière” izany. Mipetraka any aminareo Birao Maharitra
izay, Andriamatoa Filoha, ka tsy tokony hanomezana tsiny anay mambran’ny vaomiera satria
tsy tao anatiny. Iray izay.
Ny fahalalako an’ity mihitsy no mahatonga ahy mangataka “ajournement” satria maro ny
zavatra mampiahiahy ato anatin’ ity. “Devoir” fotsiny no ato anatin’ity “modification” ity fa
tsy misy “droit” na iray aza. Nametraka “proposition” aho tany amin’ny “article 7”, namboly
an’io “petit i” io. Izaho no namboly an’io teny hoe: « la fourniture des moyens matériels et
équipement relatifs aux missions de la sécurité et sûreté aéroportuaire ». Tonga dia mamaly
izy hoe: mametraka an’io asa io amin’ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana an’habakabaka
sivily fa tsy maintsy manaraka ireo fepetra valo izay nosoniavin’ny firenena mpikambana.
Inona izany fepetra valo izany?
Tsy fantantsika ato izany, tsy fantantsika ary santionany izany, fa raha ohatra hoy ny
besinimaro hoe: izay tonga ato tsy maintsy atelina am-bolony; miala tsiny amin’ny Firenena
aho ary miala tsiny amin’ny Vahoaka malagasy izay mahafantatra, fa tsy atao an’izay foana
ny ato hoe hifidy zavatra tsy fantatra.
Izay, Andriamatoa Filoha, no zavatra tiako ampitaina, tao anaty “travaux prévus”, tsy hita izy.
Izy indray no mamboly fivoriana rehefa avy eo, mbola manan-kambara koa izy hoe aiza ny
mambra. Azafady, tsy tao anaty “programme initial” izany ary fantatrareo Birao Maharitra
tsara.
Misaotra Tompoko.
16
Andriamatoa FILOHA
Misaotra indrindra.
Hiroso amin’ny tsangan-tànana isika. Misy hevitra roa no nipoitra teo.
Aleo angamba miverina amin’ny toeranao, ianao Filohan’ny Vaomiera satria efa vita ny
fandraisam-pitenenanao.
Hevitra roa no nipoitra teo, ny anankiray milaza hoe “ajourner”-na ity lalàna ity.
Angatahana isika Solombavambahoaka, mba samy handray ny toerany, azafady.
Hevitra anankiray milaza hoe: atao amin’ny fotoana manaraka ny fandinihana an’ity
volavolan-dalàna ity. Ny faharoa indray milaza hoe: aroso ny fandinihana ity lalàna ity.
Hiroso izany isika.
Atsangano ny tànan’izay milaza fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandinihana ity
lalàna ity?
- Solombavambahoaka miisa 05 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay milaza fa miroso amin’ny fandinihana ity lalàna ity isika.
- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny
- Solombavambahoaka telo no nanangan-tànana Noho izany, miroso amin’ny fandinihana an’ity lalàna ity isika.
Koa izay mbola manana fanamarihana mikasika ity lalàna ity dia mbola omena fitenenana.
Ianareo ao amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana, sao misy fanamarihana mikasika an’ity lalàna
ity.
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny
Toetr’andro
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena;
Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao maharitra;
Ianareo Solombavambahoaka namana;
Ianareo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ianareo teknisiana rehetra izay
vory eto.
17
Ny voalohan-teninay aloha dia miarahaba antsika rehetra tratry ny taona vaovao. Mirary
fahasalamana ary enga anie hahitan’ny tsirairay fahasambarana ity taona 2015 ity.
Mikasika ny lalàna izay entinay eto aminareo; ny fanamarihana voalohany, tsy dia ny “code”
rehetra no hovaina fa misy andininy miisa 12 ihany. Izany hoe ny sivy nasiana fanitsiana ary
ny telo nampiana.
Satria misy an-kamehana, izany hoe eritreretina hialana amin’ity taona ity ny “Annexe B” ka
amin’ny faran’ny volana Martsa no farany itondran’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny ACM
ny ezaka rehetra natao tamin’iny taona lasa iny mba ahafahan-dry zareo manao
“évaluation”.
Ny manarak’izay lafiny mikasika antsika rehetra; mikasika ny manam-pahefana, indrindra
ianareo Solombavambahoaka izay iharan’ny zavatra tsy mendrika rehefa eny amin’ny
“aéroport”. Izany hoe misy an’ireny “fouille” isan-karazany ireny.
Manararaotra izany izahay tamin’ny “recommandation” nataon’ny OACI satria misy lesoka
tokoa ny lalàna nofidina teto tamin’ny taona 2012, ka nentina ny fanitsiana mba
hanomezana fahefana bebe kokoa ny Tale Jeneralin’ny ACM. Izany hoe, raha mbola
mipetraka ny karazana tsy fanajana amin’ny resaka “fouille”, raha ny “sécurité
aéroportuaire” no asian-teny, ny “interlocuteur” manam-pahefana amin’izany dia ny Tale
Jeneralin’ny ACM.
Izany hoe, izay lafiny roa izay no nahatonga anay ao amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana
mitady vahaolana izay misy eto amin’ny tany sy ny firenena ka nitondra an’ity fanitsiana ity.
Averiko indray: andininy miisa sivy ihany no nasiana fanitsiana ary andininy telo no
nampiana tamin’ny “Code de l’Aviation Civile” nolaniana tamin’ny taona 2012.
Mino sy matoky aho fa tao anatin’ny “commission” nandrafitra ny “Code de l’Aviation Civile”
tamin’ny tamin’ny taona 2012 ny Solombavambahoaka Zoky, RAZAFINTSIANDRAOFA Jean
Brunel satria Talen’ny PAF izy tamin’izay fotoana izay, lasa nivoaka moa izy teo.
Izay angamba no fanamarihana sy fanitsiana avy atỳ amin’ny Minisitera, Andriamatoa Filoha.
Ampy dia ampy ny tatitra nentin’ny Filohan’ny Vaomiera teo, izay isaoranay azy manokana.
Koa raha toa misy fanontaniana, vonona amin’izay izahay ato amin’ny Minisitera,
Andriamatoa.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fandraisam-pitenenana nataonao.
Izay no mikasika ny fanamarihana.
Amin’izao fotoana izao, mbola miangavy anao ihany, Andriamatoa Minisitra, hamelabelatra
amin’ny ankapobeny ny antonanton’ity volavolan-dalàna.
Marihina fa afaka mandray fitenenana hatrany ianareo mandritra ny adihevitra rehetra izay
handalo eto aorian’ny fandraisam-pitenenanao.
Omena anao ny fitenenana, hamelabelaranao mikasika ity volavolan-dalàna ity.
18
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny
Toetr’andro.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha;
Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra;
Ianareo Solombavambahoaka zoky namana;
Ianareo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta sy isika teknisiana rehetra ao
amin’ny Minisitera.
Ity volavolan-dalàna ity moa dia misy andininy 15.
Ny antony, tamin’ny taona 2013 ny “mission de l’OACI” izay nanome toromarika fa misy
lesoka vitsivitsy amin’ny volavolan-dalàna mikasika ny “Aviation Civile de Madagascar”
mitondra ny laharana faha-2012-011 izay lany tamin’ny 13 Aogositra 2012.
Natao mba ahafahana hanana lalàna manaraka ny toetr’andro sy ny fenitra iraisam-pirenena
ary hanamafisana koa ny andraikitry ny “aviation civile”, izany hoe ny “autorité de l’aviation
civile de Madagascar” eo amin’ny lafiny “sécurité” sy “sûreté aéroportuaire” eo amin’ny
lafiny famotorana amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana an’habakabaka sivily ary amin’ny
resaka “surveillance”.
Misy andraikitra tsy ampy tao anatin’io “Code de l’Aviation Civile” io ka izay no nahatonga ny
“mission de l’OACI” hanome an’ireo soso-kevitra ireo.
Ny tiako ho marihina fotsiny, misy andininy vitsivitsy izay mahakasika indrindra antsika
Solombavambahoaka sy ny manampahefana.
Raha nojerena ny “ariticle 2, alinéa 2” izay milaza fa : « L’Administration de l’aviation civile
détermine et met en œuvre les moyens pour atteindre ces objectifs. Elle est composée de
trois entités à savoir l’Autorité de l’aviation civile; l’organisme chargé des enquêtes et
accidents et incidents de l’aviation civile et l’organisme chargé de l’arbitrage des conflits de
l’aviation civile ».
Io izany no tovana entina amin’ny “article L1.2.1.1”.
Izay no voalohany.
Atỳ amin’ny “article 3” no fanitsiana manaraka. Izany hoe misy “article” vaovao nampidirina,
« alinéa 1 : La gestion de l’Autorité de l’aviation civile est sous la responsabilité du Directeur
Général qui met en exécution les orientations, les décisions et recommandations de l’Etat ».
Izany hoe ny “Directeur de l’Aviation Civile” dia eo ambany fahefan’ny Fanjakana tanteraka.
Natao hanatanteraka ny “orientations” sy ny “décisions” ary ny “recommandations” avy
amintsika mpitondra Fanjakana.
Ny “alinéa 2” izany mbola manamafy an’izay.
« En matière de supervision de la sécurité et de la sûreté de l’aviation civile, le Directeur
Général est la personne responsable de la réalisation de l’Autorité de l’aviation civile de sa
19
mission et de ses fonctions. A cet effet, il dispose des pleines prérogatives et en est
redevable devant l’Etat ».
Izany hoe, raha ohatra misy tsy mety tsikaritsika, izy irery ihany no tompon’andraikitra,
“civilement et pénalement”, ka tokony hanao tatitra amin’ny fitondram-panjakana.
Raisiko ohatra, mikasika ny olana miverimberina ary tenenina eto foana ny momba ny
“fouille” eny amin’ny « aéroport ». Ny Minisitera dia sahirana indraindray satria raha
mankany amin’ny CSPI anefa « société privée », avy eo koa raha mandeha any amin’ny ACM,
miteny izy hoe tsy manam-pahefana amin’io izahay.
Izay indrindra no nahatonga anay nampiditra ity “article” vaovao ity, ka ny « Directeur
Général de l’Aviation Civile » no anisan’ny « interlocuteur » ary mpandrindra ny mikasika ny
« sûreté » sy ny « sécurité » izay.
Ny « article 5 » nisy fanitsiana koa ny “article original” ao amin’ny L.1.2.2-2, « Chapitre 2,
Titre II » ao amin’ny « alinéa 4 : Cette fonction de surveillance couvre aussi la surveillance du
personnel chargé d’assurer les fonctions de supervision de la sécurité et de la sûreté au nom
de l’Autorité. L’Autorité de l’aviation civile s’assure que ce personnel remplit en permanence
les conditions établies et opère au niveau de compétence et de sécurité requis par le présent
Code ».
Ny « article 8 », amin’ny « article » misy ny « code L.1.3.3-1, Chapitre 3, Titre 3 », mikasika
indrindra ny « programme national de sécurité », ny « alinéa 2 » miteny hoe: « Le
Programme National de Sécurité vise un niveau acceptable de sécurité et cherche
notamment à infuser une culture juste de la sécurité ».
Ankoatr’izay moa ny lafiny teknika sy ny “recommandation purement technique” izay
noeritreretina ahafahan’ny ACM sy Madagasikara miala amin’ny « Liste B » nataon’ny
« Union Européenne ».
Izay no fanamarihana ara-teknika sy politika sy fanitsiana nentina tamin’ity volavolan-dalàna
izay apetraka amin’ny fahendrentsika Solombavambahoaka, mba hankatoavina,
Andriamatoa Filoha.
Misaotra Tompoko.
-5- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny famelabelarana izay nataonao.
Amin’izao fotoana izao dia hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika, koa izay handray
fitenenana, iangaviana mba hisoratra anarana, ka omena fitenenana.
Mandray fitenenana voalohany, Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana, manaraka
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan, Andriamatoa RANDRIA Joseph ary Andriamatoa
IJO, manaraka Andriamatoa RANDRIARIMALALA Harijaona.
20
Andriamatoa REVELOARIVONJY Behavana
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa Minisitra, ny zavatra rehetra noteneninao teo, tahakan’ny notenin’ny
Solombavambahoakan’i Mampikony hoe sarotra, hoy izy, ny hino fa ny zavatra dinihinareo
avy any amin’ny Minisitera ka tonga no ilazana fa hamono ny firenena.
Andriamatoa FILOHA
Solombavambahoakan’i Port-Bergé.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Port-Bergé, azafady ary misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mazava loatra izy iny ary matoky azy ireo izahay amin’iny lafiny iny. Ny tiako ho tsindriana
amin’ny zavatra noteneninao fahatelo iny ary anisan’ny mamporisika anay
Solombavambahoaka handany an’ity volavolan-dalàna ity satria maharary anay
Solombavambahoaka ny zavatra nahazo anay.
Tsy sangy izany fa izay no antony mampiady anay ato io ary izay koa no iavian’ny tabataba
isaky ny mandeha fiaramanidina.
Mazava loatra ny fanazavanao azy teo iny. Any amin’Andriamatoa Tale Jeneraly izany ny
baolina ary matoky anao izahay, Andriamatoa, Tale Jeneraly, fa hiaro anay ary hanome
voninahitra anay amin’io zavatra io ianao. Ny zava-misy, hitsangana vavolombelona mihitsy
aho ary ny naharesy lahatra ny hifidiananay azy ity androany dia zavatra tsotra: nisy olana
aho raha tonga tamin’ny “avion” avy any Sambava. Tsy nampilazana mialoha ny “assistant”ko mba haka ahy any anaty “avion” aho ao fa kely ny entako, fa niteny fotsiny hoe aleo ao
anaty fiara. Rehefa tonga ny “avion”, Tompoko, nisy olana aho, ka niantso ny “assistant”
indray hoe: haingana ianareo fa misy olana aho ato amin’ny toerana fakana ny entana.
Nitondra karatra maha “assistant parlementaire” azy izy ireo. Naseho ny karatra izay milaza
hoe: “didiana ny Miaramila, ny Sivily hanome tànana an’ireto olona ireto”. Tsy haiko, fa tsy
laniko tsianjery ny soratra ao. Tsy navelan’izy ireo niditra fa mila maka “badge” hono. Tsy
azoko ny anoratana azy ato anatin’ity karatray ity, tsy hiditra ao anaty “avion” fa handeha
haka entana. Lazaina fa tsy maintsy mila maka “badge” ianareo. Ny olana, Andriamatoa Tale
Jeneraly, tsy vakian’izy ireo mihitsy ny soratra asehonay azy. Raha aseho azy ireo ny karatra
maha Solombavambahoaka ahy, tsy te-hahalala an’io izahay. Gaga aho ary mitomany
isan’andro amin’Andriamatoa Minisitra. Izao vao mazava ny resaka, ka holaniantsika ity
androany. Matoky izahay fa hanaja an’ity zavatra misoratra amin’ny karatra nomena anay ity
ny tompon’andraikitra.
Vakiako mihitsy ny zavatra voasoratra ato; tsy sanatria tsy fantatrareo, Andriamatoa Tale
Jeneraly, fa mba ampitao amin’ireo “responsable”. Hoy izy ato: “Didiana ny manampahefana Sivily sy Miaramila hamela malalaka ny tompon’ity karatra ity na aiza na aiza, ka
hanampy sy hanome azy ary hifarimbona aminy ka ampiasana hery raha ilaina”. Mazava
izany resaka izany anefa rehefa mamoaka ity izahay, tsy jeren’izy ireo mihitsy ny karatra. Tsy
mila an’io izahay. Mampalahelo izany.
Koa mangataka izahay, Andriamatoa Tale Jeneraly, raha hifidy an’ity izahay androany, araka
ny notenenin’Andriamatoa Minisitra teo hoe: amintsika izao ny fahefana fa tsy mifanilikilika
intsony hoe ry zareo vazaha no tompon’andraikitra. Marina io satria efa tratra koa aho
21
tamin’ny nanatitra ny vady aman-janako handeha any andafy. Noho izahay manana
“passeport diplomatique”, Tompoko, dia tokony mba hanana “faveur” sady
Solombavambahoaka koa ny tena, mba mandalo eny amin’ny toerana tsy milahatra.
Natsipitsipin’ilay zazalahy “sécurité” aho. Navoakako ny karatro, tsy noraharahiany.
Nampamakiako azy, tsy raharahiany. Farany, saika vaky ny ady. Solombavambahoaka moa ny
tena, ka tsy tokony hifanohintohina eny amin’ny “aéroport”. Nohazavaiko tamin’izy ireo hoe
inona no antony. Izahay tsy fehezin’ny lalànanareo eto Madagasikara hoy ny valiny.
Resy lahatra aho, Andriamatoa Minisitra, fa manomboka androany, efa atỳ amintsika ny
baolina. Matoky aho fa hampitainao any amin’izy ireo ny hafatra satria maharary anay io
zavatra io. Esorina hatramin’ny “ceinture”-nay. Mampalahelo izany.
“Doléance”-n’ny Solombavambahoaka rehetra izany teniko izany, fa izahay manome toky
anareo fa tsy izahay no hanao “tam-tam” amin’ity tany ity. Tsy izahay mihitsy no hanao
hadalana ka hampipoaka “avion”.
Na izany aza, mba manana “responsabilité” ihany izahay amin’ity firenena ity. Mba fantatray
ny zavatra tsy tokony ho entina amin’ny fiaramanidina, ka tsy hitondra an’izany izahay, fa
manome toky anareo. Ny “assistant”-nay, mba mangataka izahay satria ry zareo tsy
hitsofoka any anaty “avion” fa haka anay eo amin’ny fakana entana eo ihany.
Adiny roa no maka “badge” ao amin’ny Polisy. Raha mba mitondra karatra, avelao mba
handeha izy; raha tsy mitondra, avelao any, fa ny karatra anie misy soratra.
Izay no fiangaviako, ka averiko farany ny teniko. Faly aho satria tonga amin’ny tanjona isika
izao. Tsy hifanilikilika andraikitra intsony ary ianao no antsoinay raha mbola anaovan’izy ireo
toetra tsy zaka ohatr’izany izahay. Izahay tsy hifamaly amin’izy ireo, Tompoko.
Misaotra, anareo rehetra tonga eto.
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RAZAFINANDRASANA Raulan,
voafidy tany Vatomandry.
Andriamatoa RAZAFINDRASANA Raulan
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ny hirosoantsika amin’ny fandaniana azy ity no hiangaviana. Hita ny ezaka ataonareo ao
amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana. Izahay na tsy mikasika “avion”, tsy misy an’izany any
aminay. Izahay tsy mankany ivelany, tsy misy mikasika ny vady aman-janako ity zavatra
laniana ity fa noho ny fahatsapako ny ezaka ataonareo dia handany azy aho. Tsy olana amiko
ny mikasika izany “avion” izany na savaina na atao ahoana ny olona ao. Inona moa no
zavatra ataoko any fa ny andaniako azy dia ny ezaka ataonao, Andriamatoa Minisitra sy ny
ekipanao. Enga anie hanonofy, Andriamatoa Praiminisitra, rahariva, ka mbola ho ianao foana
no eo rahampitso sy afakampitso.
Izay angamba no azo lazaina fa mankasitraka mankatelina amin’ny ezaka nataonareo.
Holaniana izy ity fa efa firy andro izay no namakiana azy.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
22
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka RANDRIA Joseph, avy eo ny Solombavambahoaka IJO, mivadika ato
amin’ny Solombavambahoaka RANDRIARIMALALA Harijaona.
Andriamatoa RANDRIA Joseph
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo mambran’ny Governemanta tonga eto sy ny teknisiana miaraka
aminareo.
Tsotra ny any: lavalava ny fanazavan’ny namana teo, mahafinaritra daholo. Niezaka
nanazava, Andriamatoa Minisitra, koa raha nihaino tsara ny fanazavany teo aho, inona
indray no mbola ametrahana adihevitra amin’ny zavatra efa mazava izay.
Koa eto aho, tsy ho lava resaka intsony, Andriamatoa Filoha, fa miangavy ny namantsika
rehetra handany azy.
Andriamatoa Minisitra, aza manazava intsony ianao fa efa novakianay ambony ambany io,
efa hainay daholo. Andao isika handany an’io 100%.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka IJO, voafidy tao Fort-Dauphin.
Misy “avion” any fa tsy mitovy amin’ny any Vatomandry.
Andriamatoa IJO
Misy “avion” any aminay, marina izany.
Mafy ity asa ity, Andriamatoa Filoha, omaly efa niady hevitra tao. Androany tamin’ny 9 ora,
amin’ny 10 ora, mbola ato ihany. Isika Solombavambahoaka koa be resaka loatra.
Mangataka, Andriamatoa Filoha, alefaso ny tsangan-tànana hifidiananay azy fa ho lany ity.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RANDRIARIMALALA Harijaona.
Izaho efa saika hilaza hoe farany, nefa mbola misy manangan-tànana;
Solombavambahoaka VELONTSARA Paul Bert.
ny
Andriamatoa RANDRIARIMALALA Harijaona
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Faly miarahaba anareo avy ao amin’ny Minisitera isanisany avy sy ny delegasiona rehetra
miaraka aminareo.
23
Hita fa misy ny fanatsarana ary ny tenako koa dia manentana antsika Solombavambahoaka
rehetra handany azy ity.
Na izany aza, ao anatin’izay fanatsarana izay, nametraka zavatra maromaro ato isika. Tsy
hotanisaiko eto daholo fa samy mahita angamba isika. Ohatra ao amin’ny Titre IV: “Mesure
de sauvegarde”. Chapitre premier: « De la protection du domaine aéroportuaire ».
Ao anatin’izany koa ny “article-7”. Misy miteny koa ato, ao amin’ny andininy faha-3: Nomena
ny Tale Jeneralin’ny ACM ny fahefana feno amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny filaminana
sy ny fifamoivoizana.
Ity no tiako ambara: mangataka anao aho, Andriamatoa Tale Jeneralin’ny ACM, aleo
raisintsika, raisin’ny fitondrana Malagasy amin’izay ny fitantanana an’io « aéroport » io.
Tsoahy any amin’izay ireo CSPI sy SAMADA ireo satria miady ry zareo ireo noho ny fisian’ny
vola be kirakiraina ao. Raisinareo fanjakana amin’izay ny fitantanana an’io, amin’izay ny vola
azo ao afaka entintsika manatsara ny fanamboarana ny “aéroport”, anatsarana ny “système”
rehetra amin’ny “aéroportuaire” eto Madagasikara.
Izay no fangatahako; matoa miady foana ireo, misy zavatra tsy mety ao. Aza manaiky isika
satria raha ny feo henonay taloha, anisan’ny tsy nahafahantsika niala tao anatin’ny lisitra B
izany noho izy ireo olona avy any ivelany daholo. Aleo Malagasy amin’izay fa betsaka ny
Malagasy manam-pahaizana afaka hitantana an’io “aéroport” io. Betsaka ny Malagasy
manam-pahaizana afaka hisava ireo “passagers” ireo fa tsy voatery maka vahiny foana isika.
Vola be ho antsika io, aleo raisintsika an-tànana.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RAMAROLAHY Maurice. Dia
mamarana ny fandraisam-pitenenana ny Solombavambahoaka VELONTSARA Paul Bert
Anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAMAROLAHY Maurice
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo Minisitra sy ireo teknisiana ambony miaraka aminareo.
Ny fandaniana ny lalàna, Andriamatoa Filoha, tsy asiako olana intsony satria mazava ny teny
malagasy hoe fanatsarana. Izany zavatra hatsaraina izany moa atao ahoana no tsy handany
azy.
Manararaotra aho eto, aminareo tompon’andraikitra ao amin’ny “Air Mad”. Mino aho fa
misy manandrify anareo ity zavatra hoteneniko ity: nanomboka tamin’iny Tetezamita iny na
talohakelin’ny Tetezamita iny, foana ny “Air Mad”. Tsy nisy fiaramanidina intsony nandeha
tany amin’iny Faritr’i Melaky iny. Faritr’i Melaky irery, na i Maintirano irery no ataontsika
hoe “Chef lieu de Région” amin’ny sisin’ny ranomasina tsy misy “Air Mad” amin’izao fotoana
izao.
Inona ny antony: ny resaka lafiny teknika ve sa ara-bola. Efa nisy teto ny “vols sociaux”, nisy
ampaham-bola napetraky ny Fanjakana tamin’izay fotoana izay. Ity Fanjakana ity, Fanjakana
vaovao izay niarahantsika nametraka hanao “défi”. Izany hoe, ny zavatra tsy vitan’ny teo
aloha tokony mba hataon’ity fanjakana ity amin’izao fotoana izao. Ny Minisitra anie mpanao
24
politika satria amin’ny maha mpanao politika azy, rehefa manao fitsidiham-paritra izy,
anisan’ny tadiavina izany ary tanterahina izany na ny Filohampirenena na ny Praiminisitra,
tanterahiny izany dia mahazo “bravo” kanefa Ilay zavatra tsy misy. Averiko indray, iny Faritr’i
Melaky iny. Izany hoe mampitohy an’i Maintirano, Antsalova, Ambatomainty, Morafenobe,
Soalala, Besalampy, Mahajanga; nandeha ireo hatramin’izay nisian’ny fitondram-panjakana;
tamin’ny Tetezamita iny na talohakelin’izay ka hatramin’izao, tsy nisy.
Inona no antony, hazavaonareo izay.
Ity lalàna ity aloha, holaniana satria fanatsarana no atao eto.
Misaotra Tompoko.
Izahay rehefa mandeha fiaramanidina, manofa “40 millions, 50 millions”, manao
“cotisation”; tsy ny Antenimierampirenena no mandoa izany fa “ticket de carburant” kely iny
no andoavanay azy. Lany “40 millions, 60 millions” izay no atambatambatra. Tsy zakanay
izany.
Teo dia Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard, indray no nitarika ny
fivoriana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Miteny manaraka mamarana ny fandraisam-pitenenana
VELONTSARA Paul Bert.
ny
Solombavambahoaka
Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy manana ahiahy amin’ity “projet de loi” ity aho, fa mbola miverina amin’ity resaka karatra
ity satria nahare tamin’Andriamatoa Filoha teo. Eo ny Minisitry ny Polisy, ao koa ny
Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria.
Fanontaniana no apetrako, koa alohan’ny hametrahako fanontaniana, ahitsiko ny tenin’ny
Zoky RAVELOARIVONJY Behavana teo.
Izahay tsy hangataka aminareo hoe hajaina ve ity sa tsy hajaina. Tsy fangatahana ny anay fa
mazava ny voasoratra ato.
Ny fanontaniana apetrakay aminao Andriamatoa Minisitry ny Polisy satria ianao no
tompon’andraikitra voalohany amin’ireo olona mpisava anay ireo dia ny hoe: izahay
Solombavambahoaka ve rehefa mamoaka ity karatra ity dia alefan’ny olonao mandeha.
Izay fanontaniana izay no tiako hovalianao, Andriamatoa Minisitra.
Misaotra Tompoko.
Teto dia Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max, Filohan’ny Antenimierampirenena, no
nitarika ny fivoriana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka
Omena anareo ao amin’ny Governemanta ny fitenenana.
Omena am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
25
Andriamatoa RANDIMBISOA Blaise Richard, Minisitry ny Filaminana Anatiny.
Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena.
Ianareo namana Solombavambahoaka;
Isika mambran’ny Governemanta.
Tsara fipetraka ny fanontaniana saingy hitanao raha amin’ny lafiny “sécurité”; marina fa
rehefa mampiseho an’iny karatra iny ianareo, mino sy manantena aho fa tsy hisy olona
hisakantsakana na hametraka olana aminy saingy, saingy hoy aho, arakaraka ny
“comportement” miseho eny amin’ireny lalana ireny ihany no zavatra mety hisy. Miala tsiny
aho raha hiteny eto fa ny anay volan’imaso tsy mba kilema. Raha tamin’ny fotoan’andro teo
aloha, nisy tokoa Solombavambahoaka nametraka “cocard”, nampiseho karatra rehefa mba
savain’ny Polisy izy, tsy manaiky anefa izahay efa nahazo “renseignement complet”. Savaina
izy, ohatra ny tany Fianarantsoa tamin’izany fotoana, toaka gasy no ao anatiny. Angamba
aloha tsy amintsika izao izany fa izay no mahatonga ahy manavaka fotsiny hoe rehefa
mampiseho an’iny dia mitovy ny dikan’ireny, avela hivezivezy malalaka saingy mivezivezy
malalaka amin’ny lalana mahitsy sy mazava fa sanatria tsy handeha hivezivezy amin’ny
zavatra tsy mety, manohintohina ny filaminam-bahoaka.
Izay, Andriamatoa Filoha, no azoko amaliana ny fanontanian’ny rahalahy
Solombavambahoaka teo.
Misaotra Tompoko.
-6- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014, anovàna sy amenoana ny fepetra
sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny 13 Aogositra 2012
anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra
Moa ve mbola misy manan-kolazaina isika Solombavambahoaka.
Satria tsy misy manan-kolazaina intsony dia hiroso amin’ny fijerena isan’andininy an’ity
volavolan-dalàna ity isika.
Miangavy antsika Solombavambahoaka hanaraka tsara.
Ahitana andininy miisa 15 ity volavolan-dalàna ity.
Andininy voalohany: milazalaza ny fanovàna sy famenoana ary ny fampidirana indray ireo
andininy sasantsasany tao amin’ny lalàna laharana faha-2012-011, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy -
26
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy voalohany tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-2: fanovàna ny andininy L.1.2.1-1, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-2 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-3: famenoana andininy vaovao L.1.2.1-3, ao amin’ny Toko Voalohany,
Lohateny Faharoa, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana -
27
Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany izany ny andininy faha-3 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-4: fanovàna ny andininy L.1.2.2-1, ao amin’ny Toko Faharoa, Lohateny
Faharoa, ao amin’ny Boky Voalohany.
Nasian’ny Vaomiera fanovàna toy izao :
« Article 4: Les fonctions « élaboration, application de la réglementation, supervision de la
sécurité et de la sûreté de l’Aviation Civile », « enquête sur les accidents et incidents »,
« arbitrage des conflits » sont assurées par les structures » qui composent l’Administration
de l’Aviation Civile chacune en ce qui la concerne ».
Iza no manan-kambara mikasika an’io fanovàna naroson’ny vaomiera io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-4 nasian’ny vaomiera fanovàna.
Andininy faha-5: fanovàna ny andininy L.1.2.2-2, ao amin’ny Toko Faharoa, Lohateny
Faharoa, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasian’ny vaomiera fanovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana -
28
Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-5 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-6: fanovàna ny andininy L.1.2.2-3, ao amin’ny Toko Faharoa, Lohateny
Faharoa, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-6, tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-7: fanovàna ny andininy L.1.3.2-1, ao amin’ny Toko Faharoa, Lohateny
Fahatelo, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy -
29
Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-7 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-8: fanovàna ny andininy L.1.3.3-1, ao amin’ny Toko Fahatelo, Lohateny
Fahatelo, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-8 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-9: fanovàna ny andininy L.1.3.3-2, ao amin’ny Toko Fahatelo, Lohateny
Fahatelo, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-9 tsy nasiam-panovàna.
30
Andininy faha-10: fanovàna ny andininy L.1.3.3-3, Toko Fahatelo, Lohateny Fahatelo, ao
amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-10 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-11: fanampiana ny andininy vaovao L.1.4.1-4, ao amin’ny Toko Voalohany,
Lohateny Fahefatra, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-11 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-12: fanampiana ny andininy vaovao L.1.4.1-5, ao amin’ny Toko Voalohany,
Lohateny Fahefatra, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
31
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambara fa lany ny andininy faha-12 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-13: fanovàna ny andininy L.1.5.2-2,ao amin’ny Toko Faharoa, Lohateny
Fahadimy, ao amin’ny Boky Voalohany, tsy nasiam-panovàna.
Iza no manan-kambara mikasika an’io andininy io?
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Lany koa ny andininy faha-13 tsy nasiam-panovàna.
Andininy faha-14 sy ny andininy faha-15, tsy nasian’ny vaomiera fanovàna
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana -
32
Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Lany izany ny andininy faha-14 sy ny andininy faha-15 tsy nasiam-panovàna.
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka, vita izay ny fijerentsika ny
isan’andininy; izao indray dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny
ankapobeny mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra
2014, anovàna sy amenoana ny fepetra sasantsasany ao amin’ny lalàna laharana faha-2012011 tamin’ny 13 Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba ny
Fifamoivoizana an’Habakabaka Sivily isika.
Koa atsangano ny tànan’izay mandany an’ity volavolan-dalàna ity.
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Koa dia ambarako fa lany, tsy nisy nitsipaka, ny volavolan-dalàna laharana faha-046/2014
tamin’ny 10 Desambra 2014 anovàna sy amenoana ny fepetra sasantsasany ao amin’ny
lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny 13 Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna
Malagasy momba ny Fifamoivoizana an’Habakabaka Sivily ity.
Taorian’izay fandaniana ny volavolan-dalàna izay, omena fitenenana ianao, Andriamatoa
Minisitra, raha toa misy teny na indraim-bava aza tianao ambara.
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny
Toetr’andro
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha;
Ianareo ao amin’ny Birao Maharitra;
Ianareo namana Solombavambahoaka;
Ianareo Minisitra tonga nanontrona;
Ianareo Teknisiana angady nanana sy vỳ nahitana an’ity volavolan-dalàna ity.
FIZAHAN-TAKELAKA
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………………………………………… 01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 01
- Fiantsoana anarana …………………………………………………………………………………………………… 02
- Teny nataon’Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard ……………………….. 02
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 02
- Famakiana ny tatitra …………………………….…………………………………………………………………... 02
- Teny nataon’Andriamatoa LEVAO Nitadiavina …………………………………………………………… 02
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………… 07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 07
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunel ……………………………………. 07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 09
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 09
- Teny nataon’Andriamatoa AROSY Namiandrazana François ………………………………………. 09
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 10
- Teny nataon’Andriamatoa HELSON Brisson Erafa ………………………………………………………. 10
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 10
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 11
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 11
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 12
- Teny nataon-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina ………………………………. 12
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 13
- Teny nataon’Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert …………………………………………………….. 13
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 14
- Teny nataon’Andriamatoa LEVAO Nitadiavina …………………………………………………………… 14
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 15
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel …………………………………. 15
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 16
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich,
Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro ………………………..………………… 16
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 17
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich,
Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro ………………………………………….. 18
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 19
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 19
- Teny nataon’Andriamatoa REVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 20
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 20
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 21
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRASANA Raulan ………………………………………………… 21
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIA Joseph ………………………………………………………………. 22
- Teny nataon’Andriamatoa IJO ……………………………………………………………………………………. 22
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIARIMALALA Harijaona …………………………………………. 22
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 23
- Teny nataon’Andriamatoa RAMAROLAHY Maurice ……………………………………………………. 23
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 24
- Teny nataon’Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert ……………………………………………………. 24
- Teny nataon’Andriamatoa RANDIMBISOA Blaise Richard,
Minisitry ny Filaminana Anatiny ………………………………………………………………………………….. 25
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-046/2014 tamin’ny 10 Desambra 2014, anovàna sy amenoana ny fepetra
sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha-2012-011 tamin’ny
13 Aogositra 2012 anaovana ny Fehezan-dalàna Malagasy momba
ny fifamoivoizana an’habakabaka sivily ………………………………………………………….……………. 25
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 25
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTIANA Jacques Ulrich,
Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro …………………………………………. 32
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 33
- Fiatoan’ny fivoriana ……………………………………………………………………………………………………. 33

Documents pareils