Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Talata 17 Novambra 2015
Atoandro
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Fiantsoana anarana ...............................................................................................................02
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny hanemorana ny fandaharam-potoana ...........02
- Famelabelarana ataon’Andriamatoa RABARY Andrianiana Paul,
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena .........................................................................................04
- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka .....................................................07
- Fiatoan’ny fivoriana ...............................................................................................................08
1
FIVORIAMBE
FILOHA : Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA : Andriamatoa isany :
- MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
- LIAHOSOA Malement
FOTOANA : Talata 17 Novambra 2015, tamin’ny 11 ora sy 5 minitra, atoandro.
FANDAHARAM-POTOANA : Fampahafantarana amin’ny ankapobeny ny Volavolan-dalàna
laharana faha-039/2015 tamin’ny 24 Oktobra 2015 mikasika ny Lalàna mifehy ny
Fitantanam-bolam-panjakana taona 2015, nasiam-panitsiana.
-1- Fitohizan’ny fivoriana - Lakolosy Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa sy Ramatoa isany namana mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena ;
Andriamatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, misolo toerana ny Minisitry ny Fitantanambola sy ny Tetibola, izay namita iraka any ivelany.
Andriamatoa sy Ramatoa isany, Solombavambahoaka hajaina;
Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola;
Ianareo Teknisiana ambony miara-dia amin’Andriamatoa Minisitra.
Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina isany;
Mitohy ny fivoriantsika.
Manolotra ny arahaba ho antsika Solombavambahoaka tonga manatrika izao fivoriambe
izao.
Arahabaina torak’izany koa, Andriamatoa Minisitra, misolo toerana an’Andriamatoa
Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ary ianareo teknisiana miara-dia aminy.
Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha, miangavy anao am-panajana,
Andriamatoa “Rapporteur Général”, hanao ny asan’ny Mpitantsoratra ka hiantso ny
anaran’ny Solombavambahoaka.
2
-2- Fiantsoana anarana Andriamatoa LIAHOSOA Malement
Hatao ny fanononana ny anaran’ny Solombavambahoaka izay manatrika ity fivoriana
androany ity.
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka:
ABDILAH
……………………………
…………..………………………………………..
…………………………………………………………………
TSIVOULANGNE Maximin
Vita ny fanononana anarana, Andriamatoa Filoha.
-3- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny hanemorana ny fandaharam-potoana Andriamatoa FILOHA
Misaotra ny Mpitantsoratra isika nanatanteraka ny fiantsoana anarana teo.
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka hajaina; ny fandaharam-potoanantsika
izao marainan’ny Talata faha-17 Novambra 2015 izao dia fivoriambe hanoloran’Andriamatoa
Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola amin’ny ankabobeny ny volavolan-dalàna
laharana faha-039/2015 tamin’ny 24 Oktobra 2015 mikasika ny fanitsiana ny tetibolampanjakana tamin’ity taona 2015 ity.
Marihina fa tsy eto an-toerana ny Minisitra tompon-toerana; koa noho izany, nandefa
taratasy taty amin’ny Antenimierampirenena manolotra an’Andriamatoa Minisitry ny
Fanabezam-pirenena hanatanteraka ny fanazavana amin’ny ankapobeny mikasika izany
volavolan-dalàna izany.
Araraotiko amintsika eto koa raha ohatra ankasitrahantsika araka ny fangatahana ato hoe:
“Cependant, Monsieur Le Ministre de Finances et du Budget étant en déplacement à
l’extérieur, son intérim, Monsieur Le Ministre de l’Education Nationale fera la présentation
générale du projet de loi n°039/2015 du 24 octobre 2015 portant loi de finances rectificative
pour 2015 ainsi que la présentation générale du projet de loi n°040/2015 du 24 octobre
2015 portant loi de finances pour 2016 à sa place.
Par ailleurs, nous vous serions reconnaissant de bien vouloir faire programmer la séance
plénière du projet de loi n°039/2015 du 24 octobre 2015 prévue le 19 novembre pour le
vendredi 20 novembre 2015 à 14 heures ».
Noho ny tsy maha eto an-toerana an’Andriamatoa Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny
Tetibola dia misy Minisitra misolo toerana azy, fa maniry izy raha mety amintsika mba
3
hakisaka ny Zoma 20 Novambra 2015 amin’ny 2 ora tolak’andro ny fandaharam-potoana izay
saika hataontsika ny Alakamisy tolak’andro.
Raha mety amintsika moa dia akisaka satria tsy misy fandaharam-potoana isika ny Zoma.
Raha tsy mety kosa, miroso ihany isika saingy ny Minisitra misolo toerana no namantsika eto
amin’izay fotoana izay.
Izay angamba no anaovantsika fifampierana araka ny mahazatra antsika
Atsangano ny tànan’izay manaiky fa hataontsika ny Zoma 20 Novambra 2015 izany
- Solombavambahoaka miisa 54 no nanangan-tànana Izay milaza fa tazonina amin’io Alakamisy faha-19 Novambra 2015 io ihany.
- Solombavambahoaka miisa 4 no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 5 no nanangan-tànana Ny fanapahan-kevitry ny besinimaro hatrany moa no raisintsika. Nekena izany, Andriamatoa
Sekretera Jeneraly, Andriamatoa Minisitra, ny fangatahanareo fa amin’ny Zoma 20
Novambra 2015 izao eto amin’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina no fandraisana
fanapahan-kevitra mikasika ny fanitsiana ny tetibola amin’ity taona 2015 ity.
Raha izay no izy, tsy ho lava resaka isika fa atolotro anao am-panajana avy hatrany,
Andriamatoa Minisitra, ny fitenenana.
Raha sitrakao, miangavy anao hiroso etỳ anoloana hanao izany fanolorana izany ho an’ireto
Solombavambahoaka ireto.
Raha ohatra tsy manahirana; Andriamatoa Sekretera Jeneraly koa angatahina mba
hanotrona azy eto satria sao misy zavatra hifanampianareo.
Omaninareo ny seza tokony hipetrahan’ireo teknisiana izay hanotrona an’Andriamatoa
Minisitra.
Manantitra ny fiarahabana anao, Andriamatoa Minisitra.
Omena anao am-panajana avy hatrany ny fitenenana, fa liana hihaino anao ireto
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka hajaina ireto.
4
-4- Famelabelarana ataon’Andriamatoa Minisitra Andriamatoa RABARY Andrianiana Paul, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena
Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena.
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena;
Ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra;
Ianareo Solombavambahoakan’i Madagasikara.
Ny voaloham-pitenenanay dia ny fialan-tsinin’Andriamatoa Minisitry ny Fitantanam-bola sy
ny Tetibola izay tompon-toerana. Fisaorana ihany koa amin’ny fanekenareo ny tolo-kevitra
izay noentiny hoe amin’ny Zoma ho avy izao no hanaovantsika ny fandaniana ny volavolampanitsiana ny tetibola taona 2015 ity.
Misy drafitra sahala amin’izao no entintsika manatanteraka ny fampisehoana ity volavolampanitsiana ity.
Voalohany indrindra, ny antony sy ny manodidina ny volavolan-dalàm-panitsiana.
Faharoa, ny famaritana ara-foibe.
Fahatelo, ny famariparitana ny ara-tetibola.
Fahefatra, ny famatsiana ara-fatiantoka ny teti-bola.
Fahadimy, ny soridalana ankapoben’ny tetibola.
Fahaenina, ny politika anatiny momba ny hetra sy ny fadin-tseranana.
Fahafito, ny politika momba ny fandaniana.
Fahavalo, ny fifandanjana ankapobeny.
Inona moa no antony itondrana ity volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2015
ity?
Ny antony voalohany, ny fitotonganan’ny vidin’ny vokatra avy amin’ny harena an-kibontany; ny faharoa, ny vokadratsin’ny fikorotanan’ny toetr’andro izay niseho tamin’ny
voalohandohan’iny taona iny. Ny antony fahatelo, ny faharisarisan’ny famokarana teto
amintsika; fahaefatra, ny fahakelezan’ny vola miditra teo amin’ny hetra. Ny antony
fahadimy, ny toe-danja ankapobeny tsy voatazona ka mila fanitsiana ny tetibola ary farany,
ny fepetra ara-dalàna manan-kery izay manery antsika hitondra ity volavolam-panitsiana ity.
Ny antony sy ny manodidina ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibola 2015.
Manodidina ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibola 2015: voalohany, ny paik’ady natao
din’asa, lasitra fototra eo amin’ny famolavolana ny tetibola 2015 ka hatramin’ny 2019. Ny
fanovàna ny famariparitana faobe, ny fanatevenana sy ny fametrahana laharampahamehana amin’ny fandaniana eo amin’ny sehatra sosialy, izay mitarika ny fanitsiana ny
tanjona napetraka tamin’ny volavolan-dalàna fototra 2015.
Ny antony sy ny manodidina ny volavolam-panitsiana ny tetibola 2015: ny ao anatin’izany
voalohany dia ny paik’ady natao din’asa, mifototra amin’ireto tondrozotra dimy manaraka
ireto.
5
Zotra voalohany: ny fitantanana ny fanjakana sy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna, ny
filaminana, ny fitsinjaram-pahefana, ny fametrahana ny demokrasia ary ny firaisan-kinampirenena.
Zotra faharoa: ny fitandroana ny fahamarinan-toerana ara-foibe sy ny fanohanana ny
fampandrosoana.
Zotra fahatelo: ny fitomboan’ny harin-karena ifandrimbonana sy ny fanorenam-paka eny
ifotony ny fampandrosoana.
Zotra fahaefatra: olona mifanaraka amin’ny asa fampandrosoana.
Zotra fahadimy: fanomezan-danja ireo harena voajanahary sy fanamafisana ny fahafahana
miatrika ireo loza voajanahary.
Mila fanitsiana ny famaritana ny tetibola 2015 mba hifanaraka amin’ireo tanjona sy laharampahamehana ao anaty paik’ady natao din’asa.
Ny antony sy ny manodidina ny volavolam-panitsiana ny tetibola 2015.
Voalohany: ny fanovàna ny famariparitana ara-faobe; tafiditra ao anatin’izay ny fanitsiana ny
taham-bolan’ny harin-karena faobe hidina ho 3,2% raha ohatra 5% ny vinavina teo aloha.
Faharoa: ny fihenan’ny tahan-tsindrin-ketra afakaratsaka izay lasa 9,9% raha toa ka 11,5% no
vinavina izay mitarika ny filana fanitsiana ny sora-bolam-pandaniana tao amin’ny tetibola
fototra 2015.
Antony manaraka: fanatevenana ny laharam-pahamehana amin’ny fandaniana eo amin’ny
sehatra ara-tsosialy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny rano sy
ny fanadiovana ary ny mponina .
Famariparitana ara-faobe: raha ny tombatomban’ny fitomboan’ny harin-karena faobe tao
amin’ny tetibola fototra 2015 dia 5%, izay hita fa nihena, ka napetraka ho 3% izany tato
amin’ity fanitsiana ity. Ny vidim-piainana amin’ny faran’ny taona dia 7,1%, izay nahitsy ho
7,9%.
Ny fihenan’ny sandam-bola Ariary raha oharina amin’ny “Dollar” Amerikana. Lasa 2 950
Ariary ny “1 Dollar” raha noeritreretina ho 2 525 Ariary izany.
Ny tahan’ny tsindrin-ketra afakaratsaka indray dia nihena 9%, raha noeritreretina ho 11,5%.
Raha ny fandaniam-bolam-panjakana dia niakatra 17% raha noeritreretina ho 16,5%. Izany
hoe, ny hany sisa ara-tetibola dia miiba 5,2% raha noeritreretina ho miiba 2,7%.
Nihena ihany koa ny tahatomban’ny harin-karena faobe, araka ny efa noresahantsika
tamin’ny tabilao teo aloha. Efa nohazavaina teo aloha ny fihenan’ny tahan’ny harin-karena
faobe, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fidinan’ny Ariary raha oharina amin’ny vola
Amerikana ary ny fitaran’ny fatiantoky ny tetibola.
Misy “cadrage budgétaire” entina eto amintsika ity: ny totalin’ny hetra miditra; amin’ny
milliara Ariary no resaka eto dia nihena 19%. Ny totalin’ny fandaniana, niakatra 8,1%. Tsy
maintsy manao fanovàna amin’ny “investissement” na hanam-pamokarana izany isika, izay
nihena 45% ny ato anatiny ary nitombo 22,1% kosa ny avy any ivelany.
6
Ahoana no fomba hamatsiantsika ny fatiantoka?
Ny vola miditra sy ny fanomezana avy amin’ny mpamatsy vola, nihena 11,5%; ny totalin’ny
fandaniana nitombo 1,7%. Ny fatiantoka amin’ny ankapobeny lasa nitombo 92% ary ny
famatsiam-bola avy any ivelany, tsy maintsy nampitomboana 106%, ny teto an-toerana
nampitomboana 24%.
Mila fandraisana fepetra vaovao ao anatin’ny sori-dalana ankapoben’ny tetibola eo amin’ny
lafiny hetra sy ny fadin-tseranana. Mila fitsinjarana voasaina ny fandaniana sy ny fanefana
ireo trosa sisa tsy voaloa ary mila tetibola manome sehatra ny ara-tsosialy.
Misy fepetra ara-ketra vaovao hoentina ao anatin’ity volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibola
ity.
Voalohany, ny fanafoanana ny tsy fandoavana ny hetra avy amin’ny fidiram-bola na ny
“impôt sur les revenus” ho an’ny orinasa vaovao.
Faharoa, famerenana ny fandoavana ny hetra farany ambany ho 2 000 Ariary amin’ny
famorian-ketra alaina amin’ny karama sy ny mifandraika amin’izany na ny IRSA.
Fahatelo, ny fanitsiana ny haba alaina amin’ny fanoratana anarana na ny “droit
d’enregistrement” sy ny haba alaina amin’ny fanomezan-dalàna na ny “visa”.
Fahaefatra, fampiharana sy ny fanitsiana ny taha sy ny tombam-bidin’ny hetra tsy mivantana
ilaina amin’ny fandaniana na ny “droits d’accises” amin’ny entana sasantsasany.
Fepetra vaovao momba ny fadin-tseranana. Fanokafana “compte” manokana amin’ny
tahirim-bolam-panjakana mba hanarahana ireo PPP sy ireo BVAPP averina amin’ireo orinasa
mpanafatra solika.
Ny fanalefahana ireo haba sy ny hetra amin’ny fanafarana arahina fepetra (franchise de
droits et taxes à l’importation sous certaines conditions); ny komitin’ny filankevitra iraisana,
ny fampitoviana ho 10% ny haban-tseranana amin’ny entana sasantsasany.
Eo amin’ny politika momba ny fandaniana: ny fampifanarahana ny tetibolam-panjakana
amin’ireo zotra paikady ao amin’ny PND; ny fametrahana ho laharam-pahamehana ireo
fandaniana mikasika ny sosialy sy miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny mponina; ny
fanohizana ny fanohanana ny sehatra “stratégique”, tafiditra ao anatin’izany ny JIRAMA ny
“Air Madagascar” ary ny angovo; ny fanatevenana ny kitapom-bola fisotroan-drononon’ny
mpiasam-panjakana; fanefana ny trosa sisa tsy mbola voaloa; fanatevenana ny tetibola
natokana ho an’ny fifidianana ho an’ny Ben’ny Tanàna izay nataontsika farany teo.
Ny fanamafisana ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Fanamaivanana ny fandaniana
momba ny mpiasa.
Hitantsika amin’ny tabilao manaraka ity ny fifandanjana amin’ny ankapobeny momba ny
volavolan-dalàna ho fanitsiana ny tetibolam-panjakana taona 2015.
Amin’ny ankapobeny, misy fiovàna manodidina ny “632 milliards Ariary” eo ho eo izany
titebola izany.
7
Hitantsika eo ny fiovàna amin’ny antsipiriany. Efa any aminareo ihany angamba iny
volavolam-panitsiana iny.
Izay sy izay raha amin’ny ankapobeny ny volavolam-panitsiana ny tetibola taona 2015. Raha
misy fanontaniana tianareo hoentina, ireto tonga miaraka amintsika ireto ny teknisianan’ny
Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, afaka hamaly izany fanontaniana izany.
Marihina fa mbola afaka mamaly sy mandalina bebe kokoa isika ao anatin’ny “commission”
manokana momba ny tetibola eto anivon’ny Antenimierampirenena.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anareo Birao Maharitra.
Misaotra ny Solombavambahoaka rehetra.
- Tehaka Teto dia Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard, indray no nitarika ny
fivoriana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’izay famelabelarana natao teo izay.
Araka ny teny teo, raha ohatra misy fanontaniana na “commentaire” avy amintsika
Solombavambahoaka, sokafana aloha ny fandraisam-pitenenana.
Andriamatoa Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges.
-5- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Misaotra, Andriamatoa Minisitra sy ny delegasiona mafonja be tonga eto androany.
Amiko, asa ny eritreritry ny Solombavambahoaka, fa efa volana Novambra isika izao, amin’ny
volana Desambra, efa tsy resaka tetibola izany intsony fa “loi de finances initiale” no resaka.
Koa tsy hitako izay andaniana andro amin’ity fa laniana fotsiny dia samy
tahian’Andriamanitra. Raha hiresaka betsaka eto isika, hitanisa zavatra eto isika kanefa ny
vola efa lany.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Fanamarihana kely mba tsara atao ihany aloha: mbola hisy, araka ny tenin’Andriamatoa
Minisitra teo, ny fivorian’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ato amintsika
handinihana lalindalina kokoa azy ity.
FIZAHAN-TAKELAKA
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................01
- Fiantsoana anarana ...............................................................................................................02
- Teny nataon’Andriamatoa LIAHOSOA Malement .................................................................02
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny hanemorana ny fandaharam-potoana ...........02
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................02
- Famelabelarana ataon’Andriamatoa RABARY Andrianiana Paul,
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena .........................................................................................04
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................07
- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka .....................................................07
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ..............................07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................08
- Fiatoan’ny fivoriana ...............................................................................................................08

Documents pareils