GTV AVRIL 2012_GTV NOVEMBRE 2008.qxd.qxd

Transcription

GTV AVRIL 2012_GTV NOVEMBRE 2008.qxd.qxd
T S I M I H A T S A K A
A P R I LY 2 0 1 2
>
FIVORIAN'NY MPANDRAY
FANASAN'NY TOMPO
ALAHADY 25 MARSA 2012
I- MPANDRAY NIFINDRA
Rtoa ANDRIAMANANA Befaritra, avy ao amin’ny
FJKM Ankadifotsy, Synodamparitany Iarivo
Avaradrano.
II- MPIANAKAVIN’NY FINOANA HIDITRA AO
AMIN’NY TOERAM-PANOMANANA MPITANDRINA AO AMIN’NY FACULTE DE THEOLOGIE AMBATONAKANGA.
Atoa ANDRIANOROVELONA Rivo,
Mpandray ny Fanasan’ny Tompo eto amintsika,
dia maniry hiditra hianatra ao amin’ny ToeramPanomanana Mpitandrina ao Ambatonakanga.
III- FIHAONAMBEN’NY MPANDRAY FANASAN’NY TOMPO
Nisy hevitra nipoitra tamin’ny fiofanan’ny Loholona sy Diakona tamin’iny taona lasa iny
mikasika ny Fihaonamben’ny Mpandray
Fanasan’ny Tompo rehetra eto amintsika. Tsara
ny mampahatsiahy antsika fa tokony hatao izany
mba hisian’ny fifankahalalana bebe kokoa na dia
in-1 mandeha isaky ny 4 taona aza.
Fanapahan-kevitra: Tokony hoheverina ny fanatanterahana izany amin’ity taona 2012 ity satria
tsy mbola nisy mihitsy izany teto amintsika.
IV- FIANGONANA MIARA-MANDROSO
1- KOLEJY TEOLOJIKA IVATO:
Araka ny fivoriana izay nataon’ny vadin’ny Prezida Synodaly SPAA 10 niaraka tamin’ireo Fiangonana 6 miara-mandroso
amin’ny
Kolejy Teolojika Ivato, dia izao no tapaka tamin’izany:
- Hisy ny fampianarana ireo vadin’ny mpianatra
ho Mpitandrina eny Ivato isaky ny Alatsinainy
manomboka amin’ny 2ora – 4ora tolakandro, efa
vita ny tetiandro amin’izany ka ny anjaran-tsika
FJKM
Ambonin’Ampamarinana,
dia
ny
Alatsinainy 02 Aprily sy ny Alatsinainy 21 Mey
2012. Alatsinainy 04 Jona: tomban’ezaka. Zoma
15 sy Sabotsy 16 Jona 2012: Varotra
Fampirantiana,
izay
hanentanana
ny
vahoakan’Andriamanitra rehetra. Rtoa RASOLOMANANA Yvonne, vadin’ny Mpitandrina no
hiandraikitra ny fampianarana rehetra.
- Hisy vadin’ny mpianatra ho Mpitandrina 3 hitsidika ny Fiangonana, ka isika no hiantoka ny
sakafo sy ny saran-dalan’izy ireo.
- Tapaka ihany koa fa hamatsy Gazety ho azy
ireo ny Fiangonana, ka hanao Abonnement amin’ny Gazety Tsimihatsaka Vaovao.
2- FJKM ANDRANOMASINA:
Araka
ny
taratasy
nalefan’ny
Synodamparitany, dia isika no miara-mandroso
amin’ny FJKM Andranomasina. Efa nisy ny firesahan’ny Mpitandrina eto an-toerana sy ny
Katekista Delege nombam-bady avy. Izao no
hevitra tapaka tamin’izany:
Ny Biraom-piangonana no hiresaka amin’ny AFF
mba hanentana ny Sampana, Sampanasa,
Fikambanana, Komity, izany hoe ny hery velona
Vaovaom-piangonana <
rehetra eto am-piangonana, ka hanao Tafika
Masina in-1 mandeha any isika aloha ary faranana amin’ny atelier. Mandritra ny 2 taona izany fiaraha-miasantsika izany.
Fanapahan-kevitra:
1- Tanterahina ny fiaraha-miasa amin’ny Kolejy
Ivato ary ny Fiangonana izany no handray antànana ny abonnement GTV ho azy ireo.
2- Io hevitra io izany no hotanterahina, ary rehefa tafaresaka amin’ny S/SA/F/K rehetra ny AFF,
dia
miara-mandinika
amin’ny
FJKM
Andranomasina amin’izay ny daty hanatanterahina ny Tafika Masina.
V- FANOMEZANA AVY AMIN’NY MPIANAKAVIN’NY FINOANA
Misy mpianakavin’ny finoana hanolotra
sary ho an’ny Fiangonana, sarin’ny FJKM
Ambonin’Ampamarinana sy FJKM Faravohitra.
Mikasika ny 28 Marsa 2012, dia nampahatsiahy
ihany koa io mpianakavin’ny finoana io hoe inona
no hataontsika amin’ity taona ity?
Fanapahan-kevitra:
- Apetaka eo amin’ny secrine ilay sary avy amin’ny mpianakavin’ny finoana amin’ny 28 Marsa
2012 ary rehefa tapitra ny 1 volan’ny Maritiora
dia apetaka ao amin’ny efitra atsimo izany.
- Amin’ny Alarobia 28 Marsa 2012 dia hanatanteraka fotoam-pivavahana isika eto am-piangonana manomboka amin’ny 6ora 30 – 7ora 30
hariva, hofaranana amin’ny fandraisana ny
Fanasan’ny Tompo izany ary hanasana ny FJKM
Tranovato Faravohitra.
VI- AVY AMIN-dRtoa RAVELOMANAN-TSOA
Lala sy Rtoa RALISON Mirana
Noho ny asa aman-draharahan’izy
ireo, dia tsy afaka hanohy ny andraikitra maha
Filohan’ny Vovonana sy ny Taninketsa azy intsony izy fa mijanona ho mpanolo-tsaina.
Fanapahan-kevitra: Mirary fahombiazana ho
azy ireo isika. Ilazana izany ny Komitim-pifidianana hiandraikitra ny fifidianana izay ho Filohan’ny
Vovonana sy Taninketsa.
VII- AVY AMIN-dRtoa RAVELOMANANTSOA
Lala sy Rtoa RAMALA Tiana ary Atoa
RALAIARISOA Solofonirina
Misy amin’izy ireo tsy hipetraka eto antanindrazana intsony, misy koa ny miasa any
amin’ny Faritany, ka nametraka taratasy fiatoana
amin’ny andraikitra maha Diakona.
Fanapahan-kevitra:
Mirary soa ho azy ireo isika ary mivavaka ho azy.
Misaotra azy ireo tamin’ny fiaraha-miasa rehetra.
Ireto àry ireo Diakona an-tratra miakatra:
- RAJAONARIVELO Noromalala
- RAJAONARIVELO Claudine
- RAZAFINDRAMBOA Louis
Fanokanana azy ireo: Alahady Fandraisana volana Mey 2012 (06/05/12)
VIII- FANGATAHANA HANAO FOTOAM-PIVAVAHANA NY ALAHADY 25 MARSA 2012
Noho ny nahatraran-dRtoa RAVAOA-
3
RISOA Victorine (Dorkasy) ny faha-90 taonany,
dia mangataka alàlana amin’ny Fiangonana ny
fianakaviana hiara-hidera an’Andriamanitra ato
am-piangonana ny Alahady 25 Marsa 2012
manomboka amin’ny 3ora tolakandro.
Fanapahan-kevitra: Ekena.
IX- AVY AMIN’NY VAOMIERAN’NY FANETSIKE-TSEHANA SY FANABEAZANA
Mba hisian’ny firindrana sy ho fampandrosoana ny asa fanompoana eto amin’ny
Fitandremana dia mandroso izao soso-kevitra
izao izy ireo:
Averina arafitra ny fandaharana ny fihirana isaky
ny Alahady satria misy Antoko Mpihira mandritra
ny 3 Alahady mifanesy mihira foana. Eo koa ny
fisian’ireo Antoko Mpihira vaovao: G3A, GAM,
Taninketsa kely.
Fanapahan-kevitra: Ekena.
X- AVY AMIN’NY SYNODAMPARITANY ANTANANA-RIVO ANDREFANA
Araka ny fanapahan-kevitry ny Komity
Lehibe dia hanatanteraka Soritrasa EZAKA
FAHASOAVANA isika mba hampitaovana FIARAKODIA ny SP, ka ny 22 Mey 2012 no kasaina
hampisehoana izany FIARAN’NY FAHASOAVANA izany. Fiara tsy mataho-dalana iray, manakaiky ny vaovao, tena mbola tsara, tsy ilam-panamboarana, mahazaka mpandeha miisa fito (7)
raha kely indrindra. Ny vidin’ny fiara dia manodidina ny 50 000 000Ar na 250 000 000Fmg. Mba
hahazoana mividy io fiara io àry dia izao no tapaka:
- Hanome am-pitiavana araka izay hananana sy
araka ny fahasoavana nomen’ny Tompo azy ny
mpianakavin’ny finoana rehetra. Ho mora kokoa
ny hahatrarana ny tanjona raha mahafoy 5 000Ar
(Dimy arivo Ariary) ho an’ny Tompo ny isambatan’olona. Ny mihoatra tsy ferana.
- Amin’ny fifaliana no hanomezana izany.
- Tsy adidy vaovao midina ho an’ny Fiangonana,
fa fanomezana am-pitiavana sy asan’ny finoana
eo amin’ireo rehetra nahatsiaro fa efa nahazo
maimaimpoana.
Fanapahan-kevitra: Hotanterahina izany ny
EZAKA FAHASOAVANA, ka ny Alahady 22 Aprily
2012 no fara-fandraisana ny fanomezana avy
amin’ny mpianakavin’ny finoana.
XI- AVY AMIN’NY VAOMIERAN’NY
FANANANA
Maniry izy ireo ny hananganana Komity mikarakara ny Fisotroan-drononon’ny Mpitandrina, ka
ireto no handrafitra izany:
- Biraom-piangonana
- Solontenan’ny FLDAA
- Solontenan’ny Sampana, Sampanasa,
Fikambanana,…
- Solontenan’ny Mpandray
- Solontenan’ny mpianakavin’ny finoana sy ireo
izay tsara sitrapo hanatanteraka izany.
- Solontenan’ny FIZAA
Fanapahan-kevitra: Ekena.
FJKM Ambonin’Ampamarinana
ERROR: typecheck
OFFENDING COMMAND: restore
STACK:
-null-null-

Documents pareils