Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Zoma 18 Desambra 2015
Tolak’andro
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana ...........................................02
- Kabary nataon’Andriamatoa Filoha ......................................................................................02
- Fifaranan’ny fivoriana ...........................................................................................................10
1
FIVORIAMBE
FILOHA : Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA : Andriamatoa isany:
- MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
- Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann
FOTOANA : Zoma 18 Desambra 2015, tamin’ny 4 ora sy 40 minitra, tolak’andro.
FANDAHARAM-POTOANA : Lanonam-pamaranana
faharoan’ny Antenimierampirenena, taona 2015.
ny
fotoam-pivoriana
ara-potoana
-1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-mikambana ato amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa Filohan’ny CENI,
Andriamatoa Minisi-panjakana misahana ny Tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, ny
Fanajariana ny Tany ary ny Fampitaovana;
Ianareo solotenan’ny Lehiben’ny Andrimpanjakana;
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka hajaina isany;
Ianareo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Ianao Andriamatoa Mpanolotsaina manokan’ny Filohampirenena sady Filoha vonjimaikan’ny
Kabinetran’ny Filohampirenena;
Ianareo avy ao amin’ny haino aman-jery isan-tsokajiny
Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina isany.
Mitohy ny fivoriantsika.
Miarahaba antsika rehetra tonga manatrika izao lanonam-pamaranana ny fivoriana arapotoana faharoan’ny Antenimierampirenena, taona 2015 izao.
Iangaviana ianao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, mba hamaky ny
andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana.
2
-2- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana: Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny
Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia ferana ho enimpolo
andro.
Manomboka ny Talata voalohany amin’ny volana Mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny
Talata fahatelo amin’ny volana Oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana
indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
-3- Kabary nataon’Andriamatoa Filoha Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, namaky izay andininy
tao amin’ny Lalàmpanorenana izay.
Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa Filohan’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana.
Andriamatoa Filoha Lefitry ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy;
Andriamatoa Mpanolotsaina manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-mikambana ato amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Andriamatoa Minisi-panjakana;
Andriamatoa sy Ramatoa isany Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara hajaina;
Ianareo olo-manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila;
Ianareo avy amin’ny serasera sy haino aman-jery samihafa.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny mpanotrika atody no mandidy alohan’Andriamanitra; ny vatobe no miloloha lanitra fa tsy
mahalala ilay Nahary azy; fa izaho kosa hanao ho zava-dehibe mandrakariva ny fisaorana
an’Andriamanitra izay nanome hery sy saina nahazoana nanatontosa ny asa maro izay
natrehana. Lehibe ny fahasoavany; isaorana mandrakizay ny anarany noho ny fitahiany
mahagaga.
“Raha midona, hono, ny oran’Ankaratra, vaky tsipelana ny any Anjafy; mitsanga-mitoetra ny
tia sy ny manina”. “Ny aviavy sy amontana, hono, no samy hazon’andriana ka
mifampianjonanjona”. Isika kosa izay tafavory etoana dia samy entanim-pifaliana amin’ny
fifankahitana ka mifampiarahaba.
Koa arahaba Tompokolahy, arahaba Tompokovavy. Manakory aby isika mianakavy. Salama
aby e !
- Tehaka -
3
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ho faranana amin’ny fomba ofisialy kosa ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa
fanaon’ny Antenimierampirenena ity, ka faly mifanotrona indray isika “akanga mpiaramanjohy”, mpiara-miasa eto amin’ny Firenena.
Ny vary tsy arahin-dranon’orana no manakofa, fa ny lanonana tsy atrehinareo olo-manankaja amam-boninahitra kosa tsy manetriketrika. Tsapa tokoa izao fa ny haja ifanolorana, ny
voninahitra ifanomezana. Noho izany, faly mandray anareo vahiny manan-kaja izahay ary
misaotra ihany koa amin’ny fahatongavanareo.
Eo ianao, Andriamatoa Praiminisitra, otronin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Misaotra amin’ny fanaovana ho zava-dehibe ny fanatrehana ho fanomezan-kasina izao
lanonana izao.
Eo ianareo Lehiben’ny Andrimpanjakana samihafa na ny solotenany sy ianareo olombe isantokony Sivily sy Miaramila, manome voninahitra ireto olom-boafidim-bahoaka ireto amin’ny
alalan’ny famaliana ny fanasana nataonay, ka tonga manovona hasina izao lanonampamaranana izao.
Misaotra anareo eram-po, eran-tsaina izahay.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Roa volana izay no nikatrohantsika Solombavambahoaka nandritra ity fotoam-pivoriana arapotoana faharoa izay faranantsika anio ity. Marobe tokoa ireo asa natrehina nandritra izany;
tsy ny fandinihana sy fandaniana ireo volavolan-dalàna sy tolo-dalàna isan-tsokajiny ihany, fa
ny fihaonana tamin’ny vondron’olona sy atrikasa, fiofanana ary fandraisam-bahiny avy any
ivelany koa. Raha ny hamaroan’ny asa natao, toa fohy ihany izay roa volana izay saingy raha
ny havesan-danjany sy fahasarotan’izy ireny kosa no heverina dia nandaniana hery betsaka
tokoa, ka tsaroana ho lava ihany izay valo herinandro nifamadibadihana izay.
Nahatratra telopolo (30) mahery ireo volavolan-dalàna avy amin’ny Governemanta
nodinihana teto amin’ny Antenimierampirenena. Iray (01) kosa ny tolo-dalàna avy amintsika
Solombavambahoaka.
Manan-danja lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ireny volavolan-dalàna sy tolo-dalàna
nolaniantsika ireny satria heverina fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka
andavan’andro. Sehatra maro mantsy no voakasik’ireny lalàna nolaniantsika ireny : ny
fambolena, ny jono sy ny harena an-dranomasina, ny asa tànana, ny varotra, ny fanajariana
ny tany sy ny tanàn-dehibe, ny momba ny tanora, ny fiarovana ireo harem-pirenena, ny
fiarovam-pirenena, ny fiatrehana ireo loza voajanahary izay saika mahazo antsika isan-taona,
sns…
Nodinihana lalina tokoa izy ireny. Samy naneho fahavononana tamin’izany asa izany ny
rehetra. Samy afaka naneho hevitra an-kalalahana na ny Solombavambahoaka tsirairay na
ireo Vondrona Parlemantera isanisany. Nisy tamin’ireny volavolan-dalàna nodinihana ireny
no nasiam-panitsiana noho ny fikendrena mandrakariva ny tsaratsara kokoa nialohan’ny
nankatoavana azy. Nisy koa anefa ireo tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panamboarana.
Zava-dehibe nanamarika ity fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ity sady antom-pisiany
rahateo ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona
2016 izay natolotry ny Governemanta. Iankinan’ny ain’ny Firenena ny lalàna mifehy ny
tetibola. Lalàna mandamina ny fitsinjarana ny fandaniana ataon’ny Fanjakana,
hanatanterahana ireo tetikasa samihafa hampandrosoana ny Firenena iray manontolo
4
ankoatr’izay efa tsy maintsy atokana ho fampandehanan-draharaha andavan’andro
amin’ireo Andrimpanjakana samihafa.
Nafana tokoa ary naharitra ora, andro maro ny adihevitra na tany anivon’ny Vaomiera na teo
anivon’ny fivoriana itambarambe. Zava-dehibe ho antsika Solombavambahoaka mantsy ny
fijerena amin’ny antsipiriany ny mety ho vokatra azo amin’ny fampiharana ny tetibola
miainga amin’ireo sora-bola voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola. Rariny loatra
raha sarotiny amin’ny tombotsoa ho an’ny Faritra misy antsika avy isika; ady fiady rahateo
izany. Ny hiady ho an’izay hahasoa sy hahatsara izany Faritra misy antsika izany tokoa
mantsy no nifidianan’ny vahoaka antsika. Dingana iray lehibe irosoan’ny Firenena ary
nasongadina ato amin’ity tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2016 ity ny fanokanana ny
vola hoenti-miasa eny anivon’ny Distrika tsirairay manerana ny Nosy; mahatratra 200
tapitrisa Ariary izany. Dingana ho amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana eto amin’ny
Firenena, amin’ny fanaovana izay hanompanana ny fampandrosoana eny ifotony ary
hananantsika Solombavambahoaka andraikitra manokana amin’ny fampanjariana azy satria
isika no anisan’ny mpitarika amin’ny famolavolana ny asa hotanterahana amin’ny
fampiasana izany vola izany.
- Tehaka Isika rahateo no mahafantatra miaraka amin’ny vahoaka ireo izay tena laharam-pahamehana
any amin’ny faritra iadidiantsika. Koa isaorana eram-po eran-tsaina ny Filohampirenena Hery
RAJAONARIMAMPIANINA amin’izany finiavana izany. Voalaza rahateo fa fanombohana io
vola 200 tapitrisa Ariary io, mety mbola hitombo io vola io arakaraky ny fivoaran’ny harinkarena faobe.
- Tehaka Betsaka ny resaka nifanaovana momba ity lalàna mifehy ny tetibola 2016 ity. Ny mpanao
laza masaka koa manao ny ataony. Ny tsy maintsy ambara kosa dia izao : tsy ho vita indray
manezaka sy ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ifotony ny Firenena ary tsapantsika
Solombavambahoaka izany. Koa na teo tokoa aza ny hafanam-po tamin’ny famariparitana
ireo zava-maro mahadodona sy mahaporitra antsika tsirairay avy any amin’ny Faritra misy
antsika, izay tena ilana vola ary vola betsaka hanalana ny fahasahiranan’ny vahoaka,
haintsika ihany ny nifandamina sy nifandrindra tamin’ny fahefana Mpanatanteraka mba
hahatomombana ny lalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2016.
Miara-manaiky isika fa na maika toy ny inona aza, tsy fanao ny mitsoka endim-balala. Na teo
aza ny fahasamihafan-kevitra na teo ihany koa aza ireo fanehoan-kevitra mavaivay nanditra
ny fandinihana ity volavolan-dalàna momba ny tetibola ity, isaorana sy ankasitrahana antsika
Solombavambahoaka ny finiavantsika hijery mandrakariva ny tombotsoa iombonan’ny
Firenena manontolo, ka nampandeferantsika izay mety ho hambompontsika satria Firenena
iaraha-manana ity Madagasikara ity. Tamin-kitsim-po sy fahatsapana ny halehiben’ny
andraikitsika eto amin’ny Firenena no nandaniantsika ny lalàna mifehy izany tetibola izany.
Tao anatin’ny fiombonan-kevitra sy firaisan-tsaina ary firaisankina tanteraka no
nanaovantsika izany. Ny Vondrona Parlemantera rehetra izay misolo tena amin’ny fomba
ara-dalàna ireo ankolafin-kery politika samihafa eto amin’ny Firenena dia samy nanambara
tsy ampihambahambana ny fomba fijeriny. Nisy ny nanambara fa “sotroinay ny kapoaka
5
mangidy” raha izany no hitondra ny soa sy fitoniana ary mba ahafahana miroso amin’ny
raharaham-pirenena.
- Tehaka Raha ny filazan’ny mpitazana azy mantsy dia ohatran’ny hoe:kopa-damba anaty zavona
mihitsy ato an-dapa ka manao izay tsy ifankahitana; na antso an-dohariana ka manao izay tsy
ifandrenesana saingy vinavina ihany ny an’ny mpitazana fa toy ny vato ambany riana no tato,
ka tsy nikorontana fa naka toerana; tsy fitia te-hanakotaba, fa ny isavorovoron-kilantoana.
- Tehaka Voarain’ny Solombavambahoaka koa ny hafatra tiana hampitaina eto amin’ny Firenena, fa
mila miroso amin’ny fampandrosoana isika, ka ny fikatsahana ny fitoniana hatrany no
fanoitra lehibe amin’izany. Dia niroso ny Solombavambahoaka rehefa avy eo tamin’ny
fankatoavana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Izany toe-javatra izany
dia mbola mampiharihary indray fa tsy isika Solombavambahoaka akory no sakana amin’ny
hahazoana miroso marina amin’ny fanarenana sy fanasoavana ny Firenena sy ny vahoaka
malagasy tsivakivolo.
- Tehaka Isika Solombavambahoaka dia vonona mandrakariva hifanolo-tànana amin’izay rehetra
mikendry ny hampandroso marina tokoa ity Tanindrazana iombonana ity.
Iverenako kely ny momba ny volavolan-dalàna nandraisana fanapahan-kevitra teto.
Niisa Enina amby telopolo (36) ny volavolan-dalàna tonga teto amin’ny
Antenimierampirenena. Nodinihana avokoa izy ireo ka ny efatra (04) tamin’izany no nasiampanitsiana izay nahatratra iraika amby sivifolo (91). Raha tetibolam-panjakàna taona 2016 no
atao bango tokana dia niakatra manodidina ny Iraika amby Roapolo sy Valonjato sy Dimy
Arivo (5 821) Miliara Ariary izany raha teo amin’ny Valonjato sy Efatrarivo (4 800) Miliara
Ariary izany tamin’ny taona 2015.
Ny hevi-dehibe mahakasika ity tetibola vao nolaniana ity moa dia ny firosoana sy ny
fampiharana tanteraka amin’izay ny PND na ny Politikam-pirenena momba ny
Fampandrosoana. Mbola namaritra sy niomankomana nitady ny enti-manana hatao
fitaovana ho fampiharana azy mantsy aloha hatramin’izay. Mampiavaka azy koa ny taratry
ny fandraisantsika ny fivoriamben’ny tany sy ny firenena miteny Frantsay (Francophonie)
izay hatao amin’ny taona ho avy. Misy vola hivoaka saingy hisy tombony koa raha tsy hilaza
afa-tsy ny tolo-draharaha na ny “Services” toy ny varotra eo amin’ny trano fandraisambahiny (Hôtellerie) sy ny fizahan-tany (Tourisme), ireo orin’asa amin’ny lafiny
“Agroalimentaire”, sns…
Vahiny maherin’ny telo arivo (3 000) avy amin’ny firenena valopolo (80) ary mpanao gazety
maherin’ny valonjato (800) mantsy no andrasana. Hiteraka asa mivantana sy ankolaka
hatrany amin’ny enina arivo (6 000) sy hahazo fotodrafitr’asa maharitra hipetraka koa isika
mandritra izany.
6
Lany àry iny ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2016. Anjaran’ny
fahefana Mpanatanteraka no mamadika azy ho asa mivaingana mipaka avy hatrany amin’ny
Malagasy isam-baravarana amin’ny fanatsarana ny toe-piainany andavan’andro.
Mitodika manokana aminao, Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy
ianareo mpikambana ao amin’ny Governemanta: eo am-pelan-tànanareo izao ny fitaovana
ahafahana miasa sy manatanteraka ny vina arak’izay efa nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika,
Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA ary nampanantenainy ny vahoaka Malagasy.
Efa nanomboka niasa ianareo. Mitaky ny hanohizanareo sy ny hanatevenanareo ary
hanatsaranareo hatrany ireny asa fampandrosoana ny Firenena ireny ny Malagasy isantokantrano. Ataovy mahatsapa ny vahoaka amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy, fa
mipaka any aminy ary manatsara ny fiainany ny asanareo amin’ny sehatra misy anareo
tsirairay avy. Tokana ihany mantsy ny zavatra andrasan’ny valala tsy mandady harona
aminareo; tsy inona izany fa ny fanalana ny vahoaka maro an’isa amin’ny fahantrana lalina
mianjady amin’izy ireo. Vonona ny hanome tànana anareo Mpanatanteraka amin’izany ny
Solombavambahoaka amin’ny sehatra any ifotony any.
Miandry ary izahay ho maso mijery ny firosoanareo amin’ny fanatanterahana ireo soritrasa
maro ho fanarenana sy fampandrosoana ny Firenentsika.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Eto izahay dia mbola manentana hatrany ny hisian’ny fitoniana manerana ny tany sy ny
Fanjakana mba ahafahan’ny Mpitondra tena miroso sy mampihatra tanteraka amin’izay ny
PND araka ny efa voalaza tetsy aloha. Efa manana izay fomba heveriny fa mahomby sy mety
hanatanterahany izany ny fitondram-panjakana satria efa ela izay niomanany izay.
Tsy misy asa ho tanteraka ao anatin’ny savorovoro sy korotan-dava; iza moa no tsy miaiky fa
ilain’ny Firenena ary tena iankinan’ny fahalavorarian’ny ezaka ho fampandrosoana ny
Tanindrazana ny fitoniana. Ilain’ny Firenena ny filaminana, ilain’ny Firenena ny fanambarana
ny hery. Tsy mahasoa antsika ny mbola hikorontana sy hifanenjan-tsandry lava eto; tsy
mitera-bokatsoa izany. Ekena fa ny tsy fitovian-kevitra moa rahoviana no ho foana raha
mbola ny loha koa no itsitokotokoana; saingy tsy ho afa-mandroso na oviana na oviana isika
raha mbola izay mampisaraka sy ifanolanana hatrany no arangaranga. Manajamba ny
masontsika tsy hahita ny tena fototr’ady lehibe tokony hatrehana eto amin’ny Firenena ny
fifandroritana amin’ny mety ho fahasamihafam-pijery azo ifandeferana sy ifanatonana. Ny
fanondro iray tsy mahatana mahazaka, ny firaisan-kina no hery.
Izany indrindra no anamafisanay ny antso avo ny amin’ny tokony hanaovana ho zava-dehibe
mandrakariva ny fifanomezan-tànana amin’ny ankolafin-kery politika rehetra eto amin’ny
Firenena, mba hiara-hisalahy marina tokoa amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny
Firenena eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Hery
RAJAONARIMAMPIANINA.
Nasehontsika Solombavambahoaka indray tamin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity, fa azo
atao tsara ny mampiombon-kevitra amin’izay hahasoa ny Firenena na eo aza ny
fizarazarantsika ho vondron-kery samihafa. Taratry ny ahazoana mampisongadina ny tena
firaisan-kina tokony hanjaka eto amin’ny Firenena izany. Izay rahateo no fototra mafy orina
hanorenana ny fampandrosoana marina ny Firenena. Ny anjarantsika, indrindra ny
Solombavambahoaka dia ny manara-maso ny fomba fampiharany sy ny fomba fiasany araka
7
ny voalaza ao amin’ny andininy faha-68 ao amin’ny Lalàmpanorenana. Nahoana isika no ho
toy ny valala an-karona ka hifanipaka antoerana lava izao. Fotoana amin’izay izao hanaovantsika toy ny verotsangy, tsenain-drivotra
ka miara-milefitra, tsy folaka, miara-mitraka. Amin’ny isan’ambaratonga sy sehatra rehetra
eto amin’ny Firenena mihitsy no tokony hanaovantsika ho zava-dehibe izany fitandrovana ny
hisian’ny fitoniana sy ny firaisan-tsaina izany. Tsy eo amin’ny samy mpitondra fanjakana sy
ny mpanao politika ihany, fa any anivon’ny ankolafin-kery samihafa eny anivon’ny fiarahamonina eny.
Mbola mila fitoniana koa izany mba hisian’ny fitohizan’ny asa maharitra, fa tsy ho tapaka
am-pandehanana sanatria. Hoy indrindra mantsy ilay mpihira malaza avy any Atsimo hoe:
“Kenakenao zaiko ô! ty raha efa azo; Ty raha efa azo zaiko ô! Tambatambazo”
- Tehaka Ny filaminana sy ny fitoniana marin-toerana eto amin’ny Firenena no antoka voalohany ary
tena lehibe hahazoantsika mizotra marina amin’ny fanarenana ny Firenena. Zava-dehibe ho
an’ireo avy any ivelany efa naneho ny fahavononany hampiasa ny volany eto amintsika ihany
koa izany filaminana sy fitoniana izany. Zava-dehibe ho an’ireo mpiara-miombon’antoka
amin’i Madagasikara ihany koa io filaminana sy fitoniana io. Efa miroso izy amin’ny fiarahamifarimbona amintsika. Endrika azo itarafana izany ireo fifanarahana famatsiam-bola
nataon’ny Fanjakana Malagasy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika avy any ivelany
ary nankatoavintsika Solombavambahoaka tamin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity.
Mbola vokatr’izay fitoniana izay ihany ny niverenan’ny fifampitokisana sy fifanarahana eo
amin’ny firenena Malagasy sy ny Vondrona Eropeana ka nahazoantsika ireny famatsiam-bola
mitentina valo ambiny folo sy dimanjato (518) tapitrisa “Euros” ireny, amin’ny alalan’ny FED
andiany faha-11. Anisan’izany koa, ny avy amin’ny Tahiry Afrikana ho an’ny Fampandrosoana
na ny “Fonds Africain de Développement” (FAD), ny Banky Afrikana ho an’ny
Fampandrosoana na ny “Banque Africaine de Développement” (BAD), Ny Tahirim-bola
Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena na ny “Fonds International de
Développement Agricole” (FIDA), ny Tahiry Saodiana ho an’ny Fampandrosoana na ny
“Fonds Saoudien pour le Développement”, ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny
Fampandrosoana na ny “Association Internationale de Développement” (IDA), ny Banky
Arabo ho an’ny Fampandrosoana an’i Afrika na ny “Banque Arabe pour le Développement
Economique en Afrique” (BADEA), ny Tahirin’ny OPEP ho an’ny Fampandrosoana Iraisampirenena na ny “Fonds de l’OPEP pour le Développement International” (OFID).
Vola mitentina an’arivony tapitrisa ariary maro no raketin’ireny fifanarahana ireny ary natao
hamatsiana vola ireo tetikasa maro isan-karazany any amin’ny Faritra izay miantraika
mivantana amin’ny vahoaka. Ao ny fanamboaran-dalana, ao ny tantsoroka ara-bola ho
an’ireo orinasam-pihariana sy asa fanajariana ny eny ambanivohitra, ao ny fiahiana ny
mponina amin’ny fiatrehana ny fotoan-tsarotra, sns…
Ny Antenimierampirenena manokana koa dia nahazo ny fitokisan’ireo Parlemantera
namana avy any ivelany satria amin’io taona ho avy io dia handray ny fihaonana antampony eo amin’ireo Vondron’ny Parlemantera mampiasa sy miteny ny teny Frantsay,
“Sommet de l’APF” (Assemblée Parlementaire de la Francophonie). Vokatry ny fitoniana
avokoa izany ary mbola mitaky fitoniana bebe kokoa mba hahafahana mandavorary azy antsakany sy an-davany. Efa miomana fatratra amin’ny fandraisana io fihaonana an-tampony io
8
ny Antenimierampirenena mba ho voninahitr’ity Andrimpanjakana ity sy ny Firenena iray
manontolo.
Raha ny fantatra hatreto dia afaka hisitraka tsy ho ela amin’izay isika ny ampahany betsaka
efa nikelezana aina sy nandrasana hatry ny ela avy amin’ireo mpamatsy vola sy ireo mpiaramiombon’antoka. Koa raha hatambatra sy haravona ireo rehetra voalaza dia heverina fa
mba mahazo manantena fihatsarana sy fivoarana tsikelikely kosa amin’izay ny vahoaka.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tsara ihany ny milaza fa anisan’ny nanamarika ity fivoriana ara-potoana faharoa ity koa ny
fisian’ireo fihaonana sy fiofanana ary atrikasa samihafa izay nandraisantsika
Solombavambahoaka anjara. Anisan’izany ny nahatongavan’ny Masoivohon’ny Vondrona
Eropeana teto ka nanolorany antsika Solombavambahoaka ny fandaharanasam-pirenena
taridalana na “Programme Indicatif National”. Teo ny atrikasa momba lalàna mikasika ny
zom-pirenena sy ny tsy fananana zom-pirenena na ny “atelier d’information et d’échanges
sur le droit à la nationalité et l’apatridie” na momba ireo olona tsy manana zom-pirenena.
Rehefa tena dinihana lalina tokoa izy io, tranga somary mampalahelo ihany. Misy amin’ireo
olona tsy mizaka ny zom-pirenena ireo mantsy no efa “génération” maro nifandimby no teo
amin’ny firenena nefa tsy nahazo ny zo hisitraka izay maha olom-pirenena azy izay. Tsara
arak’izany raha jerena manokana ny mahakasika azy ireo saingy ambara kosa fa tokony ao
anaty fitandremana sy fahamailona tanteraka, indrindra manoloana ny zava-misy eran-tany
amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Mitodika amintsika mpanao Lalàna izay hafatra
izay, ka raha misy azo atao dia tsara raha mba handraisana andraikitra ihany. Tao ny
seminera nataon’ireo vehivavy parlemantera teo anivon’ny Antenimieran’ny Frankofonia,
sns…
Amin’ireo asa niseho teto ihany dia miarahaba an’ireo Vehivavy Parlemantera Malagasy
satria ankoatran’ny fiofanana isan-karazany dia nisokatra ny tranon-kala na « site internet »
manokana ho azy ireo. Maro ny tombotsoa ho azo avy amin’izany raha tsy hilaza fotsiny fa
afaka ampiasaina hitrandrahana fiaraha-miasa na mpiara-miombon’antoka na eto antoerana na any ivelany ho fampandrosoana ny Distrika nahavoafidy anareo.
Ankoatr’izay, manampy tosika amin’ny lafiny maro ny fampiasana io teknolojiampifandraisana iray io. Koa mirary fahombiazana ho anareo hatrany izahay Parlemantera
lehilahy namanareo. Araraotina eto koa ny fisaorana ny mpiara-miombon’antoka amin’ny
Antenimierampirenena, ny EISA; antoky ny fahalavorarian’izao fandaharan’asa izao izay
misandrahaka amin’ny lafiny maro. Mifandraika amin’izay koa mantsy ny nandraisana teto
amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ireo Tanora Parlemantera Vehivavy. Hita sy tsapa aloha tato ho
ato, fa tena miroso tanteraka amin’ny fampiharana sy ny fanajana ary ny fanandratana ny
miralenta ny eto anivon’ny Antenimierampirenena. Mbola nitohy noraisina teto koa ireo
Tanora Parlemantera eo anivon’ny SADC (Jeunes Parlementaires de la SADC). Koa raha ireo
karazana tanora parlemantera roa ireo no aravona, mazava ho azy fa mitsinjo lavitra isika.
Irosoana sahady mantsy ny famolavolana sy ny fitaizana tanora ho tia ny asa fanaovandalàna sy ny fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny safidin’ny vahoaka mivantana.
Tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona avokoa izany rehetra izany.
“Mamboly hazo raha tanora mantsy, hono, manan-kialofana rahatr’izay”.
9
Raha ny asa natao tany ivelany indray dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fiatrehana ny
fivoriana goavana izay natao tany Frantsa mahakasika ny “COP 21” ny
Antenimierampirenena. Manoloana ireo voka-dratsy mihamaro ateraky ny fiovaovan’ny
toetr’andro atỳ amin’ny tanintsika dia tsy nataonay ambanin-javatra io fivoriana io. Raha ny
fitrandrahana ireo karazan-karena sy asa fihariana atỳ amintsika tokoa mantsy, mbola tsy
azo lazaina fa mampiroborobo ny fahasimban’ny tontolo iainana loatra. Eo indrindra no
iraisantsika feo amin’ny tany andalam-pandrosoana sy ny firenena Afrikana amin’ny
ankapobeny, mampahafantatra ny fahavoazantsika ka mila jerena akaiky io olana io.
Efa miha-alohalika ny ranom-bary ka toa tsy mampino raha tantaraina ny aterany:
“mandainga ny rano hoy ilay boka nizaha ny tandindony”.
Ankoatran’io moa dia nisy koa atrikasa vitsivitsy maromaro natrehan’ny solotenan’ny
Antenimierampirenena tany ivelany tany. Ireny fihaonana sy atrikasa isan-tsokajiny ireny dia
mampiseho fa tsy miolonolona irery isika Solombavambahoaka, fa mivelatra amin’ny
fifandraisana amin’ny any ivelany, tsy amin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny Firenena
ihany, fa hatrany andafindriaka koa. Mampiseho ireny atrikasa sy seminera ireny fa tsy
mitsahatra manao izay hanatevenam-pahalalana ny Solombavambahoaka mba hahazoany
manatsara hatrany ny asa tanterahany sy ny fiantsorohany ny andraikitra ankinin’ny vahoaka
aminy amin’ny maha Mpanao lalàna azy.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Miroso hatrany ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ireo rafitra araka ny
Lalàmpanorenana. Miharihary ny finiavany ho amin’izany lalana izany, ka amin’ny faha-29
Desambra 2015 izao dia “tongotra mby an-dakana” ny firosoana amin’ny fifidianana ho
Loholon’i Madagasikara. Rehefa tafapetraka soa aman-tsara io Andrimpanjakana
mifanindran-dalana amin’ny Antenimierampirenena io, azo antoka fa hitombo bebe kokoa
ny fahatokisan’ny any ivelany antsika satria masontsivana fanampiny iray indray io hilazana
fa marin-toerana ny fahefam-pitondrana sy fahefana Mpanao lalàna eto amin’ny Firenena.
Ekena fa efa misy izay fahamarinan-toeran’ny fitondrana izay ankehitriny vokatry ny ezaka
niraisana saingy mbola tanora ka mila hamafisina hatrany. “Raha andry natao hianteherana,
ny tsara joro sy mafy orina no tsara indrindra”. Ho maro ny vokatra tsara aterak’izany na ato
anatiny na avy any ivelany.
Koa mirary soa sy fahombiazana ho an’io fifidianana Loholona hatrehin’ny Firenena tsy ho
ela io izahay.
Hafatra no alefa ho an’ny mpisehatra rehetra, fa tsy tokony hohararaotina intsony na ho
sakana raha misy ny indro kely na izay mety ho tsy fahalavorariana eny antsefatsefany eny,
fa aleo miroso am-pilaminana ka izay hahasoa ny Firenena no hobanjinina.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ren’ny mpitondra atỳ amin’ny foibe ny tarainanareo mpiray tanindrazana any Atsimo
mahakasika ny kere. Izay iantsoana azy na kere na tsy fanjarian-tsakafo dia samy ratsy
avokoa eo amin’ny lafiny maha olona. Koa manao antso avo izahay eto amin’ny anaran’ny
Solombavambahoaka. Efa be ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana sy ireo fikambanana
mpanao asa soa sy asa sosialy itondrana fanafana amin’izany saingy mbola ilaina hatrany ny
hetsika bebe kokoa mba tsy hahatonga azy ireo ho “zara-harena maty jiro ka vintana sisa
andrasana”. Tsy any Atsimo ihany no mizaka ny voka-dratsin’izany fa misandrahaka amin’ny
lafiny maro. Ny tena

Documents pareils