Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Zoma 1 Jolay 2016
Alina
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana ...........................................02
- Kabariny nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena .....................................02
- Fifaranan’ny fivoriana ...........................................................................................................07
1
FIVORIAMBE
FILOHA : Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA : - Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard.
- Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine.
FOTOANA : Zoma 1 Jolay 2016, tamin’ny 7 ora sy 15 minitra, alina.
FANDAHARAM-POTOANA : Lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana arapotoana voalohan’ny Antenimierampirenena, taona 2016.
-1- Fitohizan’ny fivoriana - Lakolosy Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa sy Ramatoa isany namana mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara hajaina;
Ianareo olo-manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila tonga manatrika etoana;
Ianareo avy amin’ny haino aman-jery samihafa;
Tompokolahy sy Tompokovavy;
Mitohy ny fivoriantsika.
Miarahaba antsika tonga manatrika izao lanonam-pamaranana ny fotoam-pivoriana arapotoana voalohan’ny Antenimierampirenena, taona 2016 izao.
Iangaviana ianao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, izay manao ny
andraikitry ny Mpitantsoratra, hamaky ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana.
2
-2- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana :
“Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoampivoriana isanisany dia ferana ho enimpolo andro.
Manomboka ny Talata voalohany amin’ny volana Mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny
Talata fahatelo amin’ny volana Oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana
indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana”.
-3- Kabariny nataon’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, tamin’ny famakiana ny
andalana tao amin’ny Lalàmpanorenana izay.
Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry
Antenimierampirenena;
Andriamatoa sy Ramatoa isany Minisitra, mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara hajaina;
Ianareo olo-manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila manatrika etoana;
Ianareo avy amin’ny haino aman-jery samihafa;
Tompokolahy sy Tompokovavy.
ny
Misaotra an’Andriamanitra Mpandahatra ny zavatra rehetra isika noho ny nahazoantsika
nanatanteraka izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenana izao. Avy
Aminy ny hery nenti-niasa, koa isaorana mandrakariva ny Anarany.
Ny dihy, hono, ialohavan-tsaikona; ny soratra ialohavan-tsonenika; koa atao ho zava-dehibe
atỳ am-piandohana ny fiarahabana antsika rehetra amin’izao lanonam-pamaranana ny
fivoriana ara-potoana izao.
Ao ianao, Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governenamta, otronin’ireo mpikambana
maro avy amin’ny Governemanta izay tarihinao;
Ao ihany koa ianareo olo-manan-kaja Sivily sy Miaramila tonga manome haja sy manemitra
voninahitra izao lanonana izao.
Ataoko am-para-filaza kanefa mby amin’ny hoe : ny vodihena, hono, tsy miainga aloha, dia
ianareo Solombavambahoaka namana izany. Arahabaina ianareo rehetra. Ataonay tahaka ny
arahaban’ampanga ka ny fidoladola arahin’ny hofahofa; samy faly, samy ravo mifankahita
isika mianakavy. Koa mankasitraka sy mirary soa ho antsika rehetra izahay.
Manoloana izao fandraisam-pitenenana ho famaranana amin’ny fomba ofisialy izao fotoampivoriana izao dia saro-dazaina ho faly ny tenanay; tsy tezitra koa anefa fa manjombon-tava
fotsiny noho ireny zava-nisy niaraha-nahalala teto amin’ny Firenena vao tsy ela ireny.
3
“Ny manta am-bilany anefa mila mpanokona; ny masaka an-tokonana, mila mpandoatra; ny
voaloatra an-dovia, mila mpampandroso”. Koa ity no tonga amin’ny hoe: “tsy safidin’ny
angady ny hitrandraka andrin-tany fa asesiky ny zara harahara ary tsy nahim-pon’ny antsy ny
hikapa taola-mahery fa asesiky ny tàna-mandrasa”.
Nahazo vahana tato ho ato ny fifamonoana teo amin’ny samy Malagasy. Efa azo ho sokajiana
ho asa fampihorohoroana sy fihantsiana ny Fanjakana mihitsy aza moa izany raha ny
fisehony faramparany teo. Koa eto izahay, tsy hamoa fota-mandry akory sanatria fa
manamafy sy miteny amin’ny alalan’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara iray
manontolo, ho fanamelohana tanteraka ireny famonoana ny vahoaka Malagasy mpiarabelona sy mpiray Firenena ireny; na tany amin’ny Faritr’i Beroroha izany na tetsy
Mahamasina.
Tontosa moa ny fankalazantsika ny tsingerin-taona faha-56 niverenan’ny fahaleovantenampirenena. Tao anatin’ny fahamendrehana no nanatanterahana izany na teto an-drenivohitra
na tany amin’ny faritra samihafa rehetra tany.
Eo anatrehan’ny toe-java-nitranga nampalahelo teto amin’ny Firenena tamin’ny fisian’ny
hetraketraka namoizana ain’olona sy nandratrana olona ampolony maro dia manameloka
tanteraka ny fanaovana habibiana toy ireny ny tenako amin’ny anaran’ny
Solombavambahoaka. Manantitra ny fampiononana sy fankeherezana ireo fianakaviana trapahoriana ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra.
Na inona na ahoana moa ny tao ambadik’ireny asa ratsy ireny dia tsy misy mihitsy ny azo
hanamarinana ny fikitihana ny ain’olombelona. Mifanohitra tanteraka amin’ny soatoavina
Malagasy izay mandala mandrakariva ny fifankatiavana sy fihavanana izany ka tsy azo ekena.
Efa maro ireo naneho hevitra nahakasika ireny vono olona ireny na vahoaka tsotra na
mpitondra na mpanao politika na ny sehatra iraisam-pirenena, tamin’ny alalan’ireo
solotenany miasa sy monina eto amintsika. Ny nitoviany dia samy nanameloka sy tsy nisy
nanome rariny avokoa ireny fihetsika ireny.
Ny amin’izay tsy maintsy andraisana fepetra hentitra kosa manombok’izao no mila dinihana
lalina. Ilaina ny fampiharana ny lalàna, ilaina ny sazy hentitra, ilaina ny fanaraha-maso ny
fitaovam-piadiana sy ny fifehezana ny sisin-tany. Anisan’ny ady goavana tsy maintsy
irosoantsika rehetra koa ny fiverenana any ifotony mihitsy amin’ny alalan’ny fanabeazana ho
olom-pirenena vanona sy ny fitaizana. Tsy azo avela amin’ny Fanjakana irery mantsy ny ady
amin’ireo izay heverina fa tsy mahafantatra ny atao hoe maha olona intsony, ireo izay efa
matory na maty tanteraka ny feon’ny fieritreretany. Adidin’ny rehetra izany, indrindra fa ny
Raiamandreny sy ny seha-pitaizana isan-tokony. Ekena fa lavitr’ezaka kanefa tsy maintsy
atomboka sy atao satria raha izao no mitohy ka tsy ahitam-panafana dia ho potika sy ho rava
ity Firenentsika ity sy ny taranany ary zava-doza no hitranga satria hanjaka ny kolotsain’ny
fandatsahan-drà. Sanatriavina anie izany.
Sitrako ny hanamafy etoana indray amin’ny tokony hisian’ny fitoniana sy ny firaisankina
amintsika samy Malagasy mba hahazoana mandavovary araka ny tokony ho izy ny
fanarenana sy fampandrosoana ny Firenena, ho tombotsoan’ny besinimaro. Tsy mahasoa
antsika mianakavy ny hifanenjana sy ny hifandrafy madavan-taona eto. Tsy misy voka-tsoa
ho an’ity Firenena ity ny mbola hikorontana sy hifandrafy ary ny hifamonoana sy
hifandratrana toy izany. Mazàna mantsy amin’ny fihetraketrahana toy izany dia ny vahoaka
4
tsotra sy tsy manan-tsiny hatrany no iharam-pahavoazana. Dia ho sanatria ve ho faly hifanao
ratsy tahaka ny maingoka eto isika mianakavy ?
Ankoatr’izany, heverinay koa fa tsy tokony havelavela fotsiny amin’izao ireny trangan-javatra
ireny fa tokony hotomorina akaiky tokoa. Anaovanay antso manokana ianareo fahefana
mpanatanteraka mba hanao ho zokin-draharaha ny fanadihadiana hahitam-bokatra momba
ireny toe-javatra ireny.
Raha izay no rahona mainty nampanjombona teto amin’ny Firenena, manomboka mibaliaka
kosa ny masoandro ary misy tsirim-pahazavana izay miteraka fanantenana amin’ny ho
avin’ny Tanindrazana malalantsika ity.
Fahombiazana no sady fandresena miezinezina roa lehibe no nisongadina nandritra ity
fotoam-pivoriana ity ka tsara raha ampahatsiahivina satria vokatry ny asa sy ezaka ataon’ny
fitondram-panjakana iray manontolo eo ambany fitarihan’Andriamatoa Filoha Hery
RAJAONARIMAMPIANINA dia ny fahatongavana amin’ny fifanarahana amin’ny mpamatsy
vola mahazatra dia ny “Fonds Monétaire International” sy ny “Banque Mondiale” ary ny
fanesoran’ny tompon’andraikitry ny Fiombonambe Eropeana ny Kaompaniam-pitaterana
“Air Madagascar” tao amin’ny “Annexe B”.
Ho fisantarana ny fifanarahana dia eo ny fahazoana ny FEC na ny “Facilité d’Elargissement de
Crédit” izay tombanana ho any amin’ny “310 Millions de Dollars” (310 tapitrisa “Dollars”).
Torak’izany koa ny fanesorana ny Kaompaniam-pitaterana “Air Madagascar” tao amin’ny
“Annexe B” dia mety hitondra vahaolana goavana eo amin’io orinasa io.
Tsara ihany koa, ho an’ny vahoaka Malagasy, ny nahafantarany fa hay hatramin’ny taona
2008 no tsy nisian’ny fitokisan’ny mpamatsy vola ka nisitahany tamin’ny fanohanana ny
tetik’asa teto amin’ny Firenena. Torak’izany koa ny nahafantarana hoe tany amin’ny taona
2009 no nahatafiditra ny Kaompaniam-pitaterana “Air Madagascar” tao anatin’ny “Annexe
B”. Izany hoe, noho ny fitohizan’ny raharaham-pirenena na ny “continuité de l’Etat” sy ny
ezaka ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao no namerina amin’ny laoniny ny
fifanarahana izay iarahantsika mahafantatra fa nampitondra hirifiry tsy roa aman-tany ny tsy
nisian’izany tao anatin’ny taona maro ary niarahantsika niaina izany.
Anehoana fisaorana ny Filohampirenena, Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA,
amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy manontolo, tamin’ny nanapahany hevitra tamin’ny
fanalavana hatramin’ny faran’ity taona 2016 ity ny tsy fandoavam-bola amin’ny famindrampananana amin’ny mpandova. Isaorana izany satria zava-dehibe tokoa amin’ny fanatsarana
ny fiainam-bahoaka.
Koa azo antenaina ary manantena isika mpiray Tanindrazana, fa hizotra antsakany sy
andavany ny fahatanterahana ny Programan’asa amin’ny Ankapoben’ny Fitondrampanjakana izay ikendrena indrindra ny fanatsarana ny toe-piainan’ny vahoaka Malagasy tsy
ankanavaka ka ho tafapaka any anaty vilanin’ny tsirairay sy eo amin’ny fiainany
andavanandro ny vokatr’izany.
Singanina eto fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimierampirenena mpanao lalàna
sy ny Mpanatanteraka ary izay indrindra no antoka iray lehibe amin’ny fahatanterahan’ny
fifanarahana eo amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny Fitondram-panjakana.
5
Maro ireo volavolan-dalàna sy fankatoavana ireo fifanarahana iraisam-pirenena izay
nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teto amin’ny Antenimierampirenena nandritra
izao fotoam-pivoriana izao ka nifamatotra tamin’izany fifanarahana izany ary tontosa
antsakany sy andavany avy ny momba izany.
Anisan’ny nanamarika izao fotoam-pivoriana izao ihany koa, raha eo amin’ny lafiny
Andrimpanjakana no resahina, ny fiasan’ny Antenimiera roa tonta dia ny
Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena; koa mazava ho azy fa nosantarina
tamin’ity fotoam-pivoriana ity ihany koa ary nivezivezy teo amin’ny Antenimiera roa tonta,
samy nandinika sy nandray fepetra nifanaraka tamin’izany; fa ny Antenimierampirenena
kosa no mandray fanapahan-kevitra farany amin’ny fandaniana ny lalàna araka ny voalaza
amin’ny Lalàmpanorenana.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Teo ihany koa ny fihaonan’ny Governemanta notarihan’Andriamatoa Praiminisitra sy isika
Solombavambahoaka. Nanao tatitry ny asa vitany tao anatin’ny roa volana ny
Governemanta. Zava-dehibe ho antsika Solombavambahoaka ny fisian’ny tatitra toy izany,
mba ahafahana mahita ny vokatra azo mifanaraka amin’izay tetikasa nofaritana. Samy
naneho ny fahitany ny asan’ny Governemanta ny ankolafy samihafa sy ireo Vondrona
Parlemantera. Maro ihany koa ireo resaka nifanakalozana nandritra izany fihaonana izany.
Samy nahatsiaro isika fa nisy ny dingana vita na dia mbola zavon-tany tokoa aza ny asa
miandry, satria ady amin’ny fahantrana efa tena manenika no atao ka tsy ho vita indray
manezaka.
Eo anatrehan’izany, amporisihana hatrany ianareo Fahefana mpanatanteraka, mba tsy hikely
soroka fa hanao salaka fohy rambo sy hisikim-ponitra, hanao izay ain-tsy ho zavatra ka
hanamafy sy hampitombo hatrany ny ezaka atao. Ny Solombavambahoaka moa dia vonona
hatrany ny hiara-hisalahy aminareo amin’izay rehetra hahasoa ny Firenena ka hiatrehana ny
tena fampandrosoana marina.
Ho tohin’ny fitanisana ny asa natao ihany dia nisy koa famitana iraka nataon’ny
Solombavambahoaka tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy; toy ny tany
Tsiroanomandidy, nijerena manokana ny lafiny fandriampahalemana.
Notanterahina teto koa ny fifidianana izay hisolotena ny Antenimierampirenena eo
anivon’ny HCDDED na ny Filankevitra Ambony ho an’ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna.
Volavolan-dalàna miisa 42 no nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teto ka ny 8
tamin’ireo dia fankatoavana findramam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ho
entina manatanteraka fotodrafitrasa sy tetikasa fampandrosoana any amin’ny faritra maro
eto Madagasikara ka mitotaly 837 546 100 000 Ariary izany rehetra izany na “156 500 000
Dollars” izay miampy “92 000 000 Euros”.
Porofo mivaingana izany fa mandroso ny asa, mazava ny lalan-kizorana ary afaka manantena
isika vahoaka fa hisinda ny fahasahiranana mangitsokitsoka izay misy ankehitriny.
Vao omaly noho omaly no nandaniantsika Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna
fanitsiana ny tetibolam-panjakana teto. Iankinan’ny fampandehanan-draharaham-panjakana
6
sy fiatrehana ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny izany, ka natao ho zokin-draharaha
tokoa. Heverina fa hizotra araka ny tokony ho izy ny fitantanam-bolam-panjakana satria arapotoana tsara ny nanaovana fanitsiana izay tokony hahitsy. Mbola endrika iray manaporofo
indray izany, fa tsy vato misakana ny fampandrosoana tena tiana hatao eto amin’ny Firenena
akory isika Solombavambahoaka.
Volavolan-dalàna nandraisana fanapahan-kevitra vao androany noho androany ny momba
ny ady amin’ny kolikoly.
Misy koa ireo volavolan-dalàna sy fankatoavana fifanarahana iraisam-pirenena mbola ilaina
hodinihana sy handraisana fanapahan-kevitra ato ho ato. Koa tombanana fa mety hiroso
amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny Parlemanta.
Ato amin’ny Antenimierampirenena moa dia miezaka hatrany amin’ny lafiny fifanakalozankevitra sy fifampihainoana. Noraisina sy nohenoin’ny Solombavambahoaka tato amin’ny
efitrano fivoriana (Salle des séances) ny hetaheta sy fitarainan’ireo avy tamin’ny Afo
Sendikaly. Nisy fihaonana intelo miatoana koa tamin’ireo solotenan’ny mpanao gazety izay
nihainoana azy sy nandraisana ny soso-kevitra an-taratasy avy aminy.
Na izany na tsy izany, manainga mandrakariva antsika rehetra hikatsaka hatrany ny fitoniana,
ny firaisankina ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny firosoana mankany amin’ny fampandrosoana
ny Firenena malalantsika ity.
Satria efa maro izay voalaza izay; ka tsara ihany raha fintinina fa anisan’ny hanamarika ity
taona 2016 ity ny fandraisantsika ireo fihaonana an-tampony maro ka hisantatra izany afaka
andro vitsivitsy ny fivoriambe faha-42 (42ème session de l’APF) ny Fikambanamben’ny
Antenimiera miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay maneran-tany.
Manana anjara feno amin’io ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona izay
mampiatrano izany fivoriana izany. Koa manainga ny Solombavambahoaka rehetra mba
handray anjara mavitrika amin’izany. Eo ihany koa no hampisehoantsika ny fahaizantsika
mandray vahiny izay anisan’ny mampalaza antsika eran’izao tontolo izao.
Isaorana mandrakariva ny Solombavambahoaka tsy ankanavaka noho ny fahavitrihana teo
amin’ny anjara asa rehetra izay natrehana teto.
Apetraka ary ny rasavolana satria vita soa aman-tsara ny ampahany lehibe amin’ny asa ary
tsy maintsy faranana izao fotoam-pivoriana izao.
Tsy jerem-potsiny ianareo vahiny manan-kaja manotrona sy ianareo Solombavambahoaka
namana nahatontosa ny adidy fa mendrika anareo ny isaorana; omen-kaja, omemboninahitra.
Mamerina ny fisaorana ho antsika rehetra namaly ny antso sy nanotrona na ho anareo
vahiny manan-kaja izany na isika tompon-trano.
Ambarako ary fa mifarana izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena
izao.
Misaotra Tompokolahy.
Mankasitraka Tompokovavy.

Documents pareils