S.Sa.AF - FJKM Ankadifotsy
Transcription
S.Sa.AF - FJKM Ankadifotsy
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 1 TAFAHAONA ! Fanolorana ireo Sampana, Sampanasa sy Asa, Fikambanana ato amin’ ny FJKM Ankadifotsy “Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka…” Tit. 1. 5 Gazety natao hitaizana sy hampaherezana antsika mpianankavin’ny Finoana rehetra ato amin’ny FJKM Ankadifotsy ity Gazety Fafana ity. Amin’izao taom-pankalazana izao dia mety indrindra ny mampahafantatra antsika ireo sampana rehetra efa mijoro, sy ireo sampan’Asa teraka avy tamin’ireo ary ireo Asa sy Fikambanana isan-tsokajiny mitaona ny mpino rehetra hirotsaka an-tsehatra amin’ny fiaraha-manompo ny Tompo eto anivon’ny fiangonana misy antsika. Ao koa ireo Vaomiera samihafa sy komity natsangana hisahana tetik’asa ho fampandrosoana hatrany ity fiangonan’Andriamanitra ity. Koa fantaro àry izay sehatra hahefanao be (sy tsara) amin’ny fanompoanao ny Tompo, fa “Moa tsy fantatrao va, …fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?” Jak. 2:20. Indreto ary ireo Sampana Sampan’Asa Sy Asa, Fikambanana misy ato amin’ny FJKM Ankadifotsy, fantaro, dia mifidiana izay tianao hanompoana ny Tompo, fa miantso anao i Jesoa Kristy, Ilay Tompo sy Lohan’ny Fiangonana. Ny Mpitandrina Ranjakavola Indro atolotra antsika ao anatin’ny laharana manokana ity ireo karazana Sampana sy Sampanasa sy Asa, Fikambanana ato amin’ny Fiangonana. Hanampy antsika izay tsy mbola ao anatin’ny fikambanana ny fahalalana izany, mba ho zara fanompoana ihany koa. VAOMIERA Ireo vaomiera sivy ao amin’ny mpihevi-draharaha S.Sa.A.F Ireo seham-panompoana azo isafidianana Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 2 6 Aogositra 2014 S.Sa.A.F. Ireo Sampana eto amin’ny fitandremana Miisa valo ireo Sampana eto amin’ny fiangonana. Samy manana ny maha izy azy, izay aseho antsika amin’ny alalan’ny fampahalalana azy tsirairay avy. Manana safidy ny mpino amin’izay tiany sy manavanana azy. Araka ny fitaizana azontsika, tokony ho any anaty sampana avokoa ny mpianakavin’ny finoana rehetra. Sampana Tanora Kristiana Ny taona 1897 no niorina teto amin’ny FJKM Ankadifotsy ny Sampana Tanora Kristiana ka ny hitaiza sy hanabe ny tanoran’.ny fiangonana, hahery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy no antom-pisiany. Ny literatiora sy ny dihy no fitaovana hanabeazana amin’izany mba hahatonga azy ireo ho tanora feno. Ny isan’ireo mpikambana ankehitriny dia mahatratra 63 saingy manodidina ny 45 eo ireo mavitrika mamonjy fivoriana. Ny fotoam-pivoriana dia isaky ny Alahady hariva ao amin’ny IFR manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ka hatramin’ny 5 ora ary amin’ny 5 ora ka hatramin’ny 6 ora sy sasany ny fianarana sora-dihy. Ny Birao mitarika ny Sampana ankehitriny : ny Filoha dia Rakotoniary Rivonantoanina Jean Eric Johnson, Filoha mpanampy: Randriamalala Ramparany Johary sy Randrianalison Herizoa, ny mpitan-tsoratr a: Randrianarisoa Kanto sy Andrianaivoarisoa Jessy Michou, ny mpitambola : Rabeantoandro Lantomahefa Aslan ary Ravaoarisoa Rapitsaravola Francinah mpitantsoratry ny vola. Nandritra ny fankalazana ny Jobily faharoa ny taona 1997 no nisafidianana ny teny filamatra hoe «Tanora maharitra ao amin’i Kristy, mifaly amin’ny fanantenana », izay mbola ifotoran’ny Sampana hatramin’izao. Isan-taona dia mifidy teny filamatra iray ny Sampana hanankinana ny fandaharam-pitaizana mandritra ny taona. Ity 2014 ity dia: « Amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay » no andinin-tsoratra Masina notsoahana tao amin’ny IIKor 6: 4b no Misimisy ihany ny asa efa notanterahin’ny Sampana nandritra izay 120 taona latsaka izay fa tsongaina amin’izany ny « Fitoriana Filazantsara » tany amin’ny FJKM Imerinavaratra farany teo tamin’ny alalan’ny fitetezana tokantrano sy ny Fampisehoana tao ampiangonana ka nahafahana nanampy ny STK tany antoerana hanatratra ny ezaka « Zavamaneno » ampiasain’ny Sampana sy ny Fiangonana. Marihana manokana fa mitaiza Tanora ny Sampana. Amin’izao fotoana izao anefa dia maro ireo heverina fa mbola kely taona mihitsy tonga manantevin-daharana ary dia maromaro mihitsy izany ka miezaka ny mpitarika sy ny birao ny hisian’ny fiaraha-monina sy fiaraha-miaina amin’izany fahasamihafana izany, amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Ny adiresy hifandraisana sy hifaneraserana : ao amin’ny Facebook STK ANKADIFOTSY, ny +26133 19 844 04 Randrianarisoa Kanto ary ny +26133 18 240 71 Andrianaivoarisoa Jessy Michou Sampana Lehilahy Kristiana Ny alahady 30 Mey 1999 no najoro teto amin'ny FJKM Ankadifotsy ny Sampana Lehilahy Kristiana. Hitory ny Filazantsara amin'ny lehilahy rehetra ka mba hahatonga azy ireo ho lehilahy kristiana mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin'ny fampandrosoana ny olona rehetra ary maneho hatrany ny voninahitr'Andriamanitra, mijoro ho vavolombelona hampitraka ny fiainam-panahy sy ny fari-piainan'ny ankohonana ary maneho sy manaiky ho iraky ny Tompo no tanjona sy tarigetran'ny SLK. Noraisin'ny sampana ho teny filamatra ny hoe: «Fa raha izaho sy ny ankohonako, dia hanompo an'i Jehovah izahay». Mivory isaky ny zoma hariva amin'ny 6ora ka hatramin'ny 7ora eto am-piangonana, fa misy koa ny fivoriana isam-bolana sy isaky ny efa-bolana. Maro ny asa mivaingana natao nandritra izay fotoana nijoroany izay toy ny fanatsarana ny efitrano fonenan'ny ray aman-dreny Mpitandrina eto Ankadifotsy, fanadiovana ny salle de classe sy fanamboarana ireo latabatra sy ny seza ao amin'ny efitrano faha-5 tao amin'ny KTR ny taona 2002. Fanitarana sy fanamboarana ny Akanin'Aina, fanitarana sy fanatsarana ny rihana ambany haha- zoana mivory, hametrahana ireo arisivan’ny sampana rehetra ato amin'ny fitandremana, fanadiovana ny trano fisainana tamin'ny taona 2003 sy 2004. Asa fampaherezana sy fanohanana ny fanorenana ny trano fiangonana tany Ampasimbola ny taona 2006; fitsidihana sy fanohanana fanorenana trano fiangonana vaovao tany Va n g a i n drano ny taona 2007, fanajariana tany sy fitadiavambola maharitra tany Mahatsinjo (RN4) ny taona 2008, fanohanana ny fitandremana ao Mahatsinjo ny taona 2009 hatramin'ny 2012. Ny Birao ankehitriny dia ahitana ny: Filoha : Andriatsalama Claude Simon Filoha mpanampy : Andriamamonjiarison Roger sy Andriamanalina William Mpitahiry Vola : Andriamanivo Dadah Harison Mpitan-tsoratry ny vola : Rakotozanany Christophe Mpitan-tsoratra : Randrianantoandro Tiana Lovasoa Mpanolo-tsaina: Randrianah Hobiarison Hery sy Rabedaoro Fidy Sampana Vokovoko manga Tany amin’ny taona 1940 tany no niorina sy nitsangana teto anivon’ny fitandremana FJKM Ankadifotsy ny Sampana Vokovokomanga. Taty amin’ny taona 2004 kosa ny Rantsana Fanantenana. Anisan’ny Sampana mipetraka araka ny rafitra misy eo anivon’ny FJKM Foibe ny Sampana Vokovokomanga sy ny Rantsana Fanantenana ary najoro hiandraikitra sy hiantsoroka ireo adidy maro samihafa iandraiketan’ny fiangonana na anatiny na ivelany. A n i s a n ’ireny adidy sy andraikitra ireny ny « Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy » mba hahatonga ny olona ho kristiana sy handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary koa ny « Hitarika ka hahatonga » azy hifady ny zavadratsy rehetra, indrindra ny « Fifadiana ny zavamahamamo sy mahadomelina » araka ny voasoratra ao amin’ny Ohab. 20/1. Tsy adino koa ny « Fanampiana sy fitaizana » ireo izay efa « voageja » mba ho afaka amin’ny fahazarandratsy. Raha eo anivon’ny Sampana kosa, tanjona ny « manabe sy mitaiza » ireo mpikambana ka hahafahan’izy ireo « mitory mivantana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny asa sy fitondrantena ». Ankoatra ireo asa fanaon’ity Sampana ity mandritra ny taona dia isan’ny asa mivaingana vitany koa ny “Fananganana” ny Sampana Vokovoko manga sy Rantsana Fanantenana tany amin’ny FJKM Tankafatra Fitiavana sy ny FJKM Mahanoro sy ny FJKM Ambohibao Avaratra. Tao koa ny fanolorana “ny varavaram-be” eo amin’ny lafiny an- drefan’ny fiangonana FJKM Ankadifotsy tamin’ny fanamarihina ny faha-130 taona. « Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? ». Io tenin’ny Soratra Masina nalaina avy amin’ny bokin’ny Estera 8/6 io no teny filamatra ho an’ny Sampana Vokovokomanga sy Rantsana Fanantenana eto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. 98 amin’izao no isan’ny mpikambana ka Andriamatoa RABEHANTA Raymond no Filoha Mpitarika, hotronin’ireo mpikambana ao amin’ny birao valo ( 8). Tsara ny mahafantatra fa isaky ny Alahady fahatelo amin’ny 10 ora ka ao amin’ny Ankanin’aina Ambany no fotoam-pivorian’ny Sampana Vokovokomanga. Isaky ny Alahady hariva amin’ny 2 ora any amin’ny Kolejy IFR kosa ny an’ny Rantsana Fanantenana. Birao ankehitriny : Filoha : RABEHANTA Raymond Filoha mpanampy I : RANDRIANARISOA Herimamy Bernardin Filoha mpanampy II : RALAISAN Annick Mpitantsoratra I : HARIMAMPIONONA Tolotra Nomenjanahary Mpitantsoratra II : RAHARIVOLATIANA Fanomezantsoa Tahiry Mpitahiry vola : ANDRIAMIFIDY Ramananiasy Roger Mpitantsoratry ny vola : RAZAFINDRAOELINA Andriatahiana Rija H. Mpanolontsaina : RANDRIANOELISON Holiarisoa – RATSIMBA Razanampandry Tafika Sampana fifohazana (SAFIF) Ny 4 septambra 1961 no niorina teto amin’ny FJKM Ankadifotsy ny Sampana Fifohazana. Efa hatramin’ny 1951 no nisy vondrom-bavaka teto Ankadifotsy isaky ny alatsinainy hariva. Ireo mpitarika sy mpanatrika vondrom-bavaky ny fifohazana Farihimena no nanorina, anisan’izany Atoa Rapaoly Ernest (agent général Croix bleue). Antom-pisian’ny Safif eto anivon’ny fiangonana ny hitory an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy. Tanjona ny hanasitrana ny marary, hamoaka demonia, hamaha ireo voafatotry ny fanahy ratsy, hampahery ireo efa mino. Ny fandaharan’asa mandavantaonan’ny SAFIF aorian’ny taombaovaon’ny sampana ny alahady faharoa amin’ny Febroary; fanateram-bokatra ny volana Martsa, fitsangatsanganana ny volana Mey. Jona: famahanana ireo sahirana ny Alarobia mialoha ny fetim-pirenena. Ny volana jolay no famangiana fiangonana, ny fonjaben’Antanimora misy ny vehivavy. Ny Aogositra hamonjy toby lehibe na fihaonambe SAFIF foibe. Ny septambra dia fanotronana ireo hatokana ho mpiandry ato amin’ny SPIA. Ny Oktobra no herinandron’ny SAFIF, faranana amin’ny asa sy fampaherezana ao anatin’ny fanompoam-pivavahana faharoa. Ny volana Novambra: mandray ny fivoriana”komity lehibe” synodamparitany. Ary ny Desambra famahanana ireo sahirana, mialohan’ ny Krismasy Ny asa mivaingana nataon’ny SAFIF dia ny fanoloana ny lamban-tsezan’ny Diakona tamin’ny fankalazana ny faha-140 taonan’ny Fiangonana. Tamin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny SAFIF: fanolorana lakolosy éléctronique ho an’ny fiangonana sy fanadiovana ny biraon’ny talen’ny IFR ho tsangambaton’ny faha-50 taona. Fanorenana ny trano famantanana any amin’ny Toby Kristy manafaka Ibora Antsohihy. 153 ny mpikambana ka ny 45 amin’ireo no mpiandry, ny 10 mpiomana taona faharoa, 1 taona voalohany. Ny Sampana dia mivory isaky ny Alakamisy voalohany amin’ny 3 ora hatramin’ny 5 ora. Ny fotoam-pifohazana eto am-piangonana dia isaky ny Alarobia amin’ny 2 ora sy sasany hatramin’ny 4 ora sy sasany, ny alakamisy amin’ny 5 ora sy sasany hatramin’ny 7 ora ary isaky ny Alahady faharoa aorian’ny fanompoam-pivavahana faharoa. Isaky ny Alakamisy voalohany amin’ny volana no mandray fampianarana avy amin’ny Mpitandrina ny SAFIF. Amin’ny fotoana tsy mifanitsaka amin’ny efa fandaharam-potoan’ny sampana no hanatanterahana ny asa fampaherezana any anivon’ireo tokatrano izay mangataka izany. Birao ankehitriny Rajaona Soalambomanana no filoha, ny filoha mpanampy: Rakoto Andriamanaja, ny mpitantsoratry ny fivoriana: Ratsimandresy Niriana, ny mpitahiry vola: Andrianarisata Volatiana, ny mpitantsoratry ny vola: Rasoanaivo Anna, ireo mpanolo-tsaina : Razanabahoaka Adeline sy Ranivoarisoa Odette. Ny adiresy ifandraisana amin’ny sampana: Ny filoha : 033.02.408.90, ny mpitahiry vola : 032.04.683.76. Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 3 S.Sa.A.F. Ny Vondrona Fototra Laika Ny taona 1979 no niorenany ka ny hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba hifampitaiza sy hifanabe ary hifampahery eo amin’ny finoana, hahatonga azy ireo hanana ny fanahin’ny fahafoizana ka manjary mazoto manome an-tsitrapo ny tombom-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy (herim-po, fotoana, finoana, vola, fananana, harena, talenta, fahaizana, fahalalana, sns) ho fampandrosoana ny asan’ny fiangonana no kendreny. Hitondra ny anjara birikiny, hahatonga ny FJKM ho fiangonana malaza sy mahery tsy misy pentipentina na fikentronana, mit o m b o amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha no tanjony. 85 no isan'ny mpikambana ankehitriny ka ny fanohanana ny toeram-panomanana Mpitandrina Ivato no fandaharan’asa mandavan-taona. Isaky ny alahady fahatelo maraina, anelanelan’ny fanompoampivavahana roa, ao amin’ny Akanin’aina, efitra mifanila amin’ny Biraon’ny fandraharahana no fotoam-pivoriana. Teny filamatra : « Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany » Matio 5 :47b Ny asa mivaingana natao : (i) 1979 – 1984 : Fandrotsaham-bola mivantana ho fanatevenana ny Kitapo Iombonana, ambonin’izay efa fandrotsaky ny fiangonana Ankadifotsy rahateo. (ii) 1985 - 1991 : Fanohanana ny Toerampanomanana ho Mpitandrina eny Ivato tamin’ny alalan’ny voly kafe (1400 fototra). (iii) 2000 ka mandraka androany : fiantohana ‘Robes pastorales’ roa isan-taona ho an’ny mpianatra mivoaka ho Mpitandrina eny Ivato. (iv) 2003 : Fizakana ny 50% mahery ny fandaniana tamin’ny fikarakarana ny Zaikaben’ny Laika Foibe. (v) 2004 : fiaraha-miasa tamin’ny Fiangonana Antsahambavy ao amin’ny SP Antananarivo Atsinanana (dallage, polipitra). (vi) 2005 : fanavaozana ny trano fisainana FJKM Ankadifotsy. (vii) 2009 : Fanorenana Bungalow ho loharanom-bola maharitra sy ho fanohanana ny Poste d’Evangélisation Ranomafana Ifanadiana. (viii) 2011 : Fiantohana ny loko mahavita ny atitrano manontolon’ny FJKM Ankadifotsy, vita fanitarana. (ix) Ôktôbra 2011 : Fampitaovana ny Bungalow ao Ranomafana Ifanadiana ary fitokanana ny asa vita. (x) 2012 : Fanomezana fitaovam-pisakafoana (‘couvert’) zato isa, ho loharanom-bola ho an’ny Toeram-panomanana Fianarantsoa. Ny Mpitandrina Rabemanahaka Jean Williberton nonanorina azy Ireo Birao ankehitriny Filoha (032 04 603 76) : Atoa RALAIRIJAONA Zo Lalaina Filoha mpanampy-I (032 07 555 66) : Atoa RANDRIAMANALINA Aimé Filoha mpanampy-II (032 04 370 14) : Atoa RAMAROKOTO Faly Mpitahirivola (22 414 48) : Rtoa RAZAFINDRAMANANA Iharisoa Mpitantsoratry ny vola (032 04 099 28) : Rtoa RANOROVOLOLONA Francette Mpitantsoratra (032 44 840 14) : Atoa RABETRANO Seth Mpanolotsaina (033 11 668 40) : Rtoa RAZAFIMBELO Claudine Adiresy ifandraisana : [email protected] Sekoly Alahady Ny Sekoly Alahady (miainga amin’ny zaza vao telo na efa-taona monja, akanin-jaza fahizany ) no fototra (taninketsa) ho amin’ny finoana sy ny fahalalana an’Andriamanitra ary antenaina fa mbola ho fototra sy ho loharano tsy mety ritra ny Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM Ankadifotsy eo amin’ny fampielezana sy ny fitoriana ny Filazantsara. Efa tany amin’ny taona 1891 tany no niorenany, izany hoe efa 123 taona no nisian’ny Sampana Sekoly Alahady teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Afaka mirehareha ny sampana satria navelan’Andriamanitra hitombo amin’ny finoana hatrany raha afaka nankalaza ny faha-100 taonany tamin’ny taona 1991 sy ny faha-120 taona ny taona 2011. Manodidina ny 2000 eo izao ireo ondry ka mpampianatra 120 ary mpandraharaha 18 no mikarakara sy miandraikitra azy ireo. Azo lazaina fa taninketsan’ny sampana rehetra misy eto anivon’ny fitandremana Ankadifotsy ny Sampana Sekoly Alahady satria saika nandalo tao aminy avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana any anatin’ny sampana na fikambanana misy. Isaky ny alahady eo anelanelan’ny fanompoam-pivavahana roa no mianatra ny Sekoly Alahady, ankoatran’ny alahady Fandraisana, ary misy fanadinana telo ao anatin’ny taompianarana iray izay miafara amin’ny fizarana valisoa mialoha ny fakan-drivotra lehibe. Tsara no manamarika fa eo ambany fiahian’ny FA R I M BONA ny Sampana Sekoly Alahady ka ny alahady farany amin’ny volana jolay (izay iray volan’ny Farimbona) no fizarana ireo valisoa. Ireo mpikambana ao amin’ny birao Filoha : RANAIVO Andriamaroahina Tovonjanahary Filoha mpanampy : RAKOTOVAO Rija Nivoson Mpitantsoratra I : RAMISASOA Elia Mpitantsoratra II : RASOAZANAJAFY Nirina Mpitahiry vola : RANAIVOMAMPIANINA Lalaina Mpitantsoratry ny vola : RASOAZANAKOLONA Jerison Mpanolontsaina : RAJAONA Rakotonomenjanahary – RAKOTOVAO Ramarozaka Léon Aogositra 2014 7 Sampana Mpanazava sy Tily Ny taona 1951 no niorina teto amin’ny FJKM Ankadifotsy ny Sampana Mpanazava sy Tily Ny fanabeazana ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy no antom-pisiany, ary han o m a n a olom-banona no tanjona. “Tily, Mpanazava, hatrany hatrany vonona” no teny filamatry ny sampana. Amin’ny mahasampana azy dia manana ny fandaharan’asany izy ireo, toy ny fivoriana isaky ny sabotsy, ny lalao teknika, ny fiofanan’ny mpiandraikitra, loham-bondrona, komitim-pivondronana, ny fihaonam-be, ny lasy lehibe. Misy ny asa nataon’ny sampana teto aniIreto avy ireo nanangana io sampana io : - Sefo Bitro na Itpkl Rabakoson - Itpkl Aimée Raoeliarijaona - Sefo Sasà na Atoa Rasolonjatovo Georges Ireto indray no birao mitarika ny Sampana : Filoha: Rasoambolatiana Veromanitra Filoha mpanampy : Rakotobe Diarimampianina na Atsanga Mampifaly Mpitantsoratra : Andriamanantena Ravo Irène von’ny fiangonana, ao ny tsangambato faha50 taona “Chapiteau Fiangonana”, fanajariana ny efitra faha-8 ao amin’ny IFR teo amin’ny faha-60 taona. Marihina fa feno 90 taona amin’ ity ny Tily eto Madagasikara, feno 50 taona kosa ny Vo r o n k e l y. Ta m i n ’ n y 2011 no efa feno 70 Taona ny mpanazava eto Madagasikara. 170 eo ho eo no isan’ny mpikambana. Isaky ny sabotsy tolakandro manombo ka amin’ny 2 ora no fotoam-pivoriana ao amin’IFR, EPP Ankadifotsy II, Ecole Ranaivosoa, indraindray any ivelany na ankalamanjana. Ratompolalinoro Patricia Mpitahiry vola: Rakotomalala Harimanana Mpitantsoratry ny vola: Ranaivoson Solo Mpanolotsaina: Razafinjatovo Mihanina Tomponiera Hery Randriambololona Ny adiresy hifandraisana kosa dia ireto : [email protected] 034 01 403 24 BP 3891 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo. (I Kor. 15 : 58) Sampana Dorkasy Ny Sampana Dorkasy eto Ankadifotsy dia niorina tamin’ny taona 1898. Ny tena antompisiany dia ny fanaovana asa soa. 186 ireo mpikambana ankehitriny. Noraisina ho teny filamatra ny hoe: “Dorkasy miasa amin’ny fitiavana”. Ta n j o n ’ n y sampana: “ny vehivavy mah a r i t r a amin’ny asa f a n o m poana”.Ny fotoana sy ny toeram-pivorian’izy ireo dia isaky ny Talata amin’ny 2 ora sy sasany eto am-piangonana. Ny fandaharan’asa mandavan-taona indray dia maro tokoa ary miova hatrany isam-bolana. Anisan’ireny ny taombaovaon’ny filoham-boninahitra amin’ny Janoary, ny fianarana hira sy fety, fampianaram-pinoana ataon’ny Raiamandreny Mpitandrina, ny fianarana Soratra Masina, ny fampianarana: “vehivavy mendrika”, “ny mahaiza mandray, mahaiza mizara”. Anisan’izany koa ny famonjena ny fiarahamivavaky ny Dorkasy 3 trano (FJKM Ankadifotsy, Antanimena andrefana sy Atsinanana), 4 trano (fiaraha-mivavaka sy mitsangatsangana…) ary 7 trano. Ny lasy tselatra, ny fivor i a m b e synodam-paritany. Marihin’izy ireo koa ny Alahadin’ny Dorkasy Foibe sady anaovany ny fanateram-bokatry ny sampana dia ny Alahady voalohany amin’ny volana Jona. Miavaka ny fetin’ny reny ao amin’ny sampana satria aorian’ny fiaraha-misakafo dia zaraina fanomezana avokoa ireo mpikambana rehetra. Ary ny volana Desambra, misy ny “sakafo Krismasy” izay fiaraha-misakafon’ny Dorkasy rehetra. Ny hifandraisana amin’ny sampana dia ny 033.14.140.53 Rtoa Landy mpitantsoratra. Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 4 8 Aogositra 2014 S.Sa.A.F. Ireo Asa eto amin’ny fitandremana Maro lafy ny asa eto amin’ny Fiangonana. Azo atao koa ny miditra any anatin’izy ireny rehefa tsy ao anaty sampana. Ohatra amin’izany ny Gazety Fafana, ny Site Web, ny VTM... (AFIFAB) Ahafahana manehy ny talenta entina hanompoana ny Tompo izany na heverina aza fa asa tena asa no atao ao. Ny Vaomieran’ ny Teknolojia Maoderina VTM Ny taona 2009 no niorenan’ny Vaomieran’ny Teknolojia Maoderina teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ny mpanorina dia ny Mpitandrina Ranjakavola. Ny antom-pisiany dia ny hiandraikitra ny teknolojia feo sy sary e t o amin’ny fitandreIreo birao ankehitriny : Andriantsalama Rakotobe Mbolatiana no filoha, ny filoha mpanampy : Randrianantenaina Gabriel, ny mpitahiry vola : Ramarokoto Rija, ny mpitantsoratry ny vola : Ratsimba Rantoanina Vahatra, ny mpitan-tsoratra : Rasoambolanoro Finoa- namalala ary ny mpanolo-tsaina : Ramaroson Satry mana. Anisan’ny Asan’ny fiangonana ny VTM.. Tanjona ny hanatanteraka ny fampandehanana sy ny fikojakojana ary ny fikirakirana ny fitaovana feo sy sary mba hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana. Asa mivaingana vao notanterahina farany t eo ny fanoloana ireo vidéoprojecteurs anankiroa simba . Ny teny filamatry ny VTM dia ny hira 432 : 2. Ny isan’ny mpikambana ankehitriny dia 27. Ny toeram-pivoriany dia FJKM Ankadifotsy. Ny adiresy hifandraisana dia ny : 033.11.007.09 [email protected] Gazety FAFANA Mpanao gazety maro avy amin’ny haino aman-jery sy gazety ary mpanoratra maro samihafa, no mandrafitra ny GAZETY FAFANA. Indreto ireo sombitsombiny amin’ireo mpikambana ao. Site Web na tranonkalam-pifandraisana www.fjkm-ankadifotsy.mg Ny voalohan’ny taona 2004 no nanapahan’ny mpihevi-draharaha fa hanangana ny «siteweb» n’ny fiangonana, katamin’ny Oktobra 2004 no nandehanany voaloh a n y . Anisan’ny mpanorina ry Ramarolahy José Sylvain, Nantenaina Rakotondrazafy, Ranaiv o s o n H e r i v o n j y, Christian Rabefaniraka, Rivoniaina Rija Rakotomalala. Antom-pisian’ny siteweb ny hananan'ny Fiangonana fitaovana hitoriana ny filazantsara hatrany amin’ny faran’ny tany. Tanjona : Ny tanjona voalohany dia ny hitory ny filazantsara manerana an’i Madagasikara hatrany amin’ny faran’ny tany. Eo koa ny fifampitaizan'ny mpikambana ny amin' ny fanompoana ao anatin'ny Fikirakirana ny Teknolojia Web (Fandinihana ny tenin'Andriamanitra, Asa fanamboarana teknika, Fanoratana, Fampianarana, ...) Fampahafantarana ny asa samihafa atao ato amin'ny Fitandremana, ahafahan'ireo izay tsy afaka manatrika mivantana ny fotoam-pivavahana Alahady maraina Manaraka ny ampahan’izany mivantana na tsy mivantana. Mba ho voatahiry ny toriteny, ny fampianarana ary ny asa ataon’ny fiangonana. Fandaharan’asa mandavan-taona : Manao ny ezaka rehetra hamelomana sy hanatsarana ny site web-n'ny Fiangonana. Mpikambana 20 eo ho eo no tonga mivory sy manao ny asa fanompoana. Teny filamatra : Fa hahazo hery i a n a r e o amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. Asa.1: 8 Ny asa mivaingana natao: nanova ny “design” teo aloha ho amin’ny endriny ankehitriny. Fandefasana tsy mivantana ary tsy tapaka ny toriteny Video ny Alahady. Fandefasana Mivantana ary tsy tapaka ny toriteny Feo isaky ny Alahady. Fandefasana ny toriteny azo raisina amin’ny iphone. Mitohy ny ezaka amin’ny hisian’ny feo amin’ireo fampianarana toy ny Katekomena. Fotoana sy toeram-pivoriana : Alahady fahatelo amin'ny Fidirana Faharoa na interculte rehefa tsy misy sekoly alahady, ao amin'ny ankanin’aina ambony Ireo Birao ankehitriny dia Ralainirina Dina Randriantsizafy, Iony Randriantsara, Rajo Ramiaranalison, Tokimahefa Rajaobelina, Rija Ratefiarivony, Veronica Andrianarison, ANDRIAMANIVO Tiana. Ny adiresy hifandraisana : [email protected]. Ireo Sampanasa eto amin’ny fitandremana Eo ihany koa ny sampanasa izay mifototra kokoa amin’ny fitoriana ny filazantsara mivantana. Maro ihany koa no miandraikitra izany eto ampiangonana. Raha manana faniriana hanao izany ianao, azonao atao tsara ny manantona ireo tompon’andraikitra amin’izany. Asa Fitoriana Filazantsara Sampan’asa mifototra amin’ny fitoriana ny Filazantsara an’i Jesoa Kristy ny AFF. Araka izany dia sehatra natao hiasa, hitory ny fitiavan’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ny nanomezany ny Zanany lahitokana dia i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra amin’ny alalan’ny TAFIKA MASINA . Manambara an’i Jesoa Kristy sy ny famonjena nataony no antom-pisiana sy tanjon’ny AFF. 30 eo ho eo ny mpikambana. Ny birao ankehitriny dia: Randriatsarambololomanana Hajason Mamy no filoha nitarika ny fikambanana efa ho 20 taona izao, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary no filoha mpanampy, Andriamose Rondrotiana Zoeliarilala no mpitantsoratra, Ranivoarisoa Odette, mpitahiry vola, Ramamonjisoa Oely Hanitriniony, mpitan-tsoratry ny vola. Ireo mpanolo-tsainz dia: Ramananjo Alain, Raharimalala Saholy, Randrianary Voahanginirina ary Razafiarizay Faliarisoa. Ankehitriny dia miditra amin’ny rafitra vaovao nohavaozin’ny Mpitandrina Ranjakavola ny AFF, rafitra izay natao hanakaiky ny tari-dalana nomen’ny Foibe FJKM.. Koa ny atao hoe AFF ankehitriny dia ny AFF (izay voalaza etsy aloha), ny Tafika Masina (izay iantsoana hatrany ny fiangonana manontolo miofana isaky ny sabotsy hariva eny amin’ny IFR), ny Mpamaky Teny Ankadifotsy ( MTA ), ary ny Fikambanan’ny Kilasin’ny Baiboly sy Mpitoriteny ( FKBM ). Io rafitra AFF vaovao io dia mihaona isaky ny sabotsy hariva amin’ny 4 ora aorian’ny fianarana Katekomena, miofana miaraka amin’ny Mpitandrina Ranjakavola. Ny asa fananganana fiangonana olona sy trano no asa mivaingana sy makadiry amin’izany anisan’ireny ny tany Anosibe an'Ala, Maromitety, Soalala, Sahatavy, Mandoto, Amborompotsy, Ambohidehilahy, nisy koa ny Tafika Masina teto amin’ny SPIA ..., nanampy tamin’ny fanorenana ny fiangonana Mandoto, esira, Ambohidehilahy... Amin'izao fotoana izao dia manampy amin'ny fanorenana ny fiangonana ao Ambodivonkely. Ny AFF teo aloha kosa dia mbola manohy ny vondrombavaka tsy tapaka isaky ny sabotsy maraina amin’ny 7 ora ao amin’ny Akanin’aina. Ary mbola mihaona manao ny dinik’asa isaky ny sabotsy voalo- han’ny volana any amin’ny tokantranon’ny mpikambana iray (sady famangiana ilay tokantrano io no fampaherezana azy ary fitaizana hanamafy orina ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpikambana Fifandraisanaamin’ny AFF : Randriatsarambololomanana Hajason Mamy (filoha) Tél. 034 20 356 53. Mailaka : [email protected] Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 5 S.Sa.A.F. Aogositra 2014 9 Ireo Fikambanana eto amin’ny fitandremana Tsy latsak’izany rehetra izany ny fikambanana maro samihafa, izay azo idirana koa. Mifototra amun’ny fitaizana sy ny fitoriana koa ireo fikambanana ireo fa tsy fikambanana fotsiny ihany. Manan-tsafidy koa izay mbola tsy anaty sampana, sampanasa sy asa ny ho any anaty fikambanana. Fikambanan ny Kilasin ny Baiboly sy Mpitoriteny (FKBM) Ny taona 1981 no niorenan’ny Kilasin’ny Baiboly ary ny Mpitandrina RABEMAHAHAKA Jean Williberton no mpanorina. Ny antom-pisiana dia ny mianatra ny Soratra Masina ary ny mizara izay notovozina ho an’ny hafa koa izany hoe : miaina sy mampihatra izay fampianarana nomena.” Ireo mpandrindra ankehitriny : RAMAMONJISOA, Lantovololona Bodomahefa, RANDRIAMIARINTSAINA Moïse ary ANDRIANORO Haingo. Teny filamatry ny FKBM ny hoe : Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny Teny vavolombelonao (Salamo 119.111a) Ny fandaharan’asa mandavan-taona dia miantomboka amin’ny fifampiarahabana taombaovao , fisindana ho fanomanan-tena amampanahy (recollection), lasin’asa, fitsangatsanganan’ny mpikambana miaraka amin’ny ankohonana, famangiana fiangonana, famelabelaran-kevitra. Ny asa mivaingana natao dia famelabelaran-kevitra isan-taona eto amin’ny FJKM Ankadifotsy. Fisindana ho fanomanan-tena amam-panahy isan-taona, famangiana FJKM Ambararatabe, Imeritsiafindra Filadelfia, FJKM Ambatomitsangana Fanantenana; FJKM Imerinavaratra. Fankalazana ny faha-30 taona ; tsangambato ny polipitra fitaratra ho an’ny fiangonana. Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ny fitarihana fotoana isaky ny alakamisy maraina, fiaraha-miasa tamin’ny vaomieran’ny filazantsara sy ny eokiomenisma FJKM Ankadifotsy. Fitsanganan’ny FKBM ao amin’ny FJKM Andohafarihy Andriamigodana Ambatolampy. Marihina fa : Nanana ny biraony manokana ny FKBM nanomboka ny jolay 2003 hatramin’iny taona lasa 2013 iny. Talohan’izay dia nianatra Soratra Masina toy ny Sekoly Alahadin’ny olon-dehibe fotsiny ihany ny mpikambana. Noho ny fandaminana tato amin’ny Fitandremana misy antsika dia nakambana tamin’ny Sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara ny birao (A.F.F.) nanomboka izao taona 2014 itsahintsika izao. Ireo olona mianatra ao amin’ny fikambanan’ny kilasin’ny baiboly sy mpitoriteny : - Ao ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra SekolyAlahady miandry ny zanany mianatra. - Misy ny tsy mbola mpandray mianatra ao satria arak’izay fahafahan’ny tsirairay sy ny faharesen-dahatra .Misy ireo mpianatra katekomena tsy afaka mianatra ny sabotsy hariva. Ireo olona vo nona hianatra sy handalina ny Tenin’Andriamanitra ka hizara izay azony amin’ny hafa. Maro an’isa ny mpikambana ao amin’ny FKBM no mandeha miantafika rehefa tonga ny fotoan’ny Tafika Masina iombonana eo anivon’ny fiangonana. A n i s a n ’ n y mampiavaka azy amin’ny S E FA L A sy SETELA ny fandaharan’asa tanterahina isantaona izay efa voalaza tetsy ambony. Tsy misy fepetra ny fidirana ao. Ny Mpitandrina no tomponandraikitra voalohany amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra, sy izay olona tendren’ny Mpitandrina. Tanjona ny hahamaro ny kristiana nandray tokoa an’i Jesoa Kristy, ka hijoro ho vavolombelony. Ny isan’ny mpikambana : 125. Ny fotoana sy toeram-pivoriana : eo an-tokontanimpiangonana isaky ny alahady, afa-tsy ny andro fety kristiana sy alahady fandraisana; eo anelanelan’ny fotoam-pivavahana voalohany sy faharoa Ny laharana hifandraisana dia ny 033 24 164 77 / 032 46 774 73 / 034 14 954 69 Farimbona Fanatanjahan-tena sy Fialamboly - 3F Tamin’ny 9 Desambra 2001 no niorenan’ny 3F teto anivon’ny FJKM Ankadifotsy. Ny Komitin’ny Farimbona no nanorina azy tamin’izany. Ny antom-pisiany dia ny mba hampiray ny tanora mpitia fanatanjahan-tena eto anivon’ny fiangonana. Ny tanjona ao anatin’ny 3F dia ny hahatonga ireo mpitia fanatanjahan-tena ho tia an’i Jesoa Kristy. Ireo birao mpitantana ankehitriny: ny filoha dia Rakotomalala Riva, ny filoha mpanampy: Razafindrazaka Heroda, ny mpitahiry vola dia Randriambololona Narison, ny mpitantsoratry ny vola dia Ranaivoarivelo Hery, ireo mpitantsoratra dia Ramanandraibe Lalaina sy Rabemanotrona Dina ary ireo mpanolo-tsaina dia Ravalison Miharimbola sy Andriamamonjisoa Dimby. Ny teny fila- matra dia ny ITim. 4: 8a Fa mahasoa amin’ny zavatra rehetra”. 60 no isan’ny mpikambana. Ny birao dia mivory isaky ny Alakamisy voalohany sy fahatelo eto am-piangonana amin’ny 12: 15 mn. Ny fandaharan’asa eo anivon’ny 3F ankoatry ny fanatanjahantena isaky ny herinandro dia misy fiaraha-mivavaka isam-bolana tarihin’ny Raiamandreny Mpitandrina, ny regroupement, ny fiatrehana ireo fifaninanana eo anivon’ny synodam-paritany, Famelabelaran-kevitra, tournoi fialam-boly. Ny asa mivaingana natao dia ny nanangana na ny taranja ping pong sy tsipy kanetibe. Ny adiresy hifandraisana amin’izy ireo dia ao amin’ny Facebook 3F. Fikambananan’ny mpihiran’ny Farimbona zokiny Taona : Tamin’ny fankalazana ny faha-130 taonan’ny FJKM Ankadifotsy no niforonany fa ny taona 2010 no nijoroany ara-dalàna teo anivon’ny Fiangonana. Ny mpanorina dia ireo rehetra niara-nihira tao anatin’ny Mpihiran’ny Farimbona hatrizay. Itompokolahy fRASOLOFONIAINA Yvon (Papà) no nampivondrona azy ireo. Ny antom-pisiana : hampivondrona indray ireo zoky rehetra tia mihira. Teny filamatra : “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra” Marka 16:15 Tanjona ny fanohizana hatrany ny fiderana an’Andriamanitra an-kira, fitaomana ny vahoakan’Andriamanitra hidera Azy amin’ny alalan’ny hira na dia efa zokiny aza Tanjona : Fanohizana hatrany ny fiderana an’Andriamanitra an-kira, Fitaomana ny vahoakan’Andriamanitra hidera Azy amin’ny alalan’ny hira na dia efa zokiny aza Ny asa mivaingana natao : Antsa notanterahina teto am-piangonana sy ny fiangonana manodidina an’Antananarivo (Anjozorobe, Ambohidratrimo…) Ny isan’ny mpikambana : 70 eo ho eo Ny fandaharan’asa mandava-taona dia ny mitory ny Filazantsara an-kira. Misy koa fampianaram-pinoana iarahana amin’ny Ray aman-dReny Mpitandrina isaky ny sabotsy mialoha ny alahady fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Ireo birao ankehitriny : Mpandrindra ankapobeny : RAJAONSON Patrick, ny mpitantsoratra ANDRIANARISON RAOELIHARIZO Gisèle, ny mpitahiry vola dia RAVELOJAONA Elyse. Ireo pandrindra ara-teknika : Jean Célestin ANDRIAMANANTOANINA, Jean Solo RAZAFINDRAJERY, Modeste RANDRIANANTENAINA ary ny mpanolotsaina dia RABETRANO Alice. Fikambanan’ny SEMIA Sekolin’ny Misiona Ankadifotsy, sehatra nosokafan’ny Mpitandrina Ranjakavola hanofanana ireo rehetra izay hanao asa fanompoana eto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ireo nahavita ny fiofana teny amin’ny Sefala sy Setela…no miara-miofana ao isaky ny Sabotsy faha- telo eto ammpiangonana, ao ambony rihina. Ny Raiamandreny Mpitandrina no mpanofana. Mpamaky Teny eto Ankadifotsy Tafatsangana tamin'ny taona 1988 ny Fikambanana MTA ka ny mpitandrina Jean W. Rabemanahaka no mpanorina azy. Fampandraisana anjara ny isam-batan’olona ho vavolombelon’ny famonjen’i Kristy, ka miombona ho fanjakàmpisorona; ary koa ho fahalavorarian’ny vakiteny no antom-pisiany. Teny filamatr'izy ireo ny hoe : “Mandra-pihaviko, tandremo ny famakian-teny” I Tim 4 : 13 Tanjona tamin’ny nananganana azy ny fizarana ny Tenin’Andriamanitra, sy mba hahatanteraka ilay teny fanevan’ny Fitandremana FJKM Ankadifotsy hoe “Velona ho an’ny hafa”. Mahatratra 30 ireo mpikambana ao amin'ny MTA amin'izao fotoana izao ka isaky ny sabotsy maraina amin'ny 7ora eto ao ampiangonana no fivoriana. Ny fandaharan’asa mandavantaona : fampiofanana ao anatin’ny Fikambanana, eto amin’ny FJKM Ankadifotsy, ary koa any ivelany (ho an’ireo Fiangonana mangataka fiaraha-miasa momba izany), fanatanterahana ny hetsika Questions Pour Un Chrétien eto amin’ny FJKM Ankadifotsy na any amin’ny Fitandremana hafa. Fandaharampotoana miaraka amin’ny lisitr’ireo hamasinina ho Mpandray ny fanasan’ny Tom po sy ny fitaovana hoentimampahafantatra misimisy kokoa ny Baiboly no fandaharam-potoana hafa ataon'ny fikambanana MTA. Ny famakiana teny sy ny fampiofanana amin'izany ary ny torolalana sy fanatanterahana ny Question Pour Un Chrétien no asa mivaingana efa vita. Ny adiresy ifandraisana amin'izy ireo : [email protected] ; https://www.facebook.com/pages/Mpamaky-Teny-Ankadifotsy/383559868428922?ref_type=bookmark na ny laharan-tariby: 0 34 11 676 30 na 0 34 38 289 88 Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 6 10 Aogositra 2014 S.Sa.A.F. Fikambanan’ny Diakona tsy Amperin’asa sy Loholona « Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo ». Rom. 12/11. Io no teny fanevan’ny Fikambanan’ny Diakona Tsy Amperin’asa sy Loholona mijoro eto anivon’ny fitandrema FJKM Ankadifotsy, izay naorin’ny Mpitandrina Rabemanahaka tany amin’ny taona 1988, volana Oktobra. Ho fanohizana ny asam-panompoana efa nanoloran’izy ireo tena no antom-pisian’ny fikambanana ka sady miara-miasa amin’ny Mpitandrina sy ny Mpihevidraharaha amin’ny fotoana ilan’izy ireo izany no mandray anjara arak’izay azo atao amin’ny asa sahanin’ny fiangonana. Mijoro ho vavolombelona amin’ny maha-kristiana sy araka ny Filazantsara ary indrindra ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana. Ao anatin’izany fanohizana ny fanoloran-tena nataon’izy ireo izany no mbola hanampiany ny Sekoly IFR, ny Madiniky ny Tompo sy ny fampitaovana ny Tafika Masina ary ny Famangiana Fiangonana. Tafiditra ao ana tin’iza ny ny nanoloran’izy ireo “Lustres” anankiroa ho an’ny Fiangonana. 40 no isan’ny mpikambana amin’izao fotoana izao ka Andriamatoa Noëlson RAKOTONDRAZAFY no filoha mpi tarika otronin’ireo mpikambana 9 mandrafitra ny birao. Mivory indroa isan-taona ny fikambanana: alahady fahaefatra amin’ny volana Aprily sy Alahady fahaefatra amin’ny volana Oktobra ao amin’ny efitra fiandrasana Akanin’aina. “Aina no fetra” (Fihirana FFPM 298) no teny filamatra Birao ankehitriny : Filoha : RAKOTONDRAZAFY Noelson Filoha Mpanampy : ANDRIAMASINORO Charles Mpitantsoratra : RASOLOFONIAINA Olga Mpitantsoratra mpanampy : RAJAONARIVONY Laurette Mpitahiry vola : SAHONDRANIAINA Lydia Mpitantsoratry ny vola : RANIVOARIVELO Laurette Farasoa Mpanolontsaina : RAZAFINDRANGITA Odette - ANDRIATSALAMA Aimée ANDRIATSILAVO Réné - RASALAMA Sahondra. Fifandraisana 033 02 301 95 / 032 75 265 00 / 033 73 265 00 / 033 79 84 202 / 034 09 981 70 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. (Jak. 4 :8a) Ny mpihiran’ny Farimbona Natsangan’ny Mpitandrina Rabemanahaka Jean W. teto anivon’ny Fiangonana ny atao hoe FARIMBONA tamin’ny taona 1963 (Sehatra iray ivondronan’ireo Sampana rehetra mitaiza sy manabe ny tanora teto amin’ny FJKM Ankadifotsy). Tamin’ireo no nakàna izay mahay sy tia mihira miaraka amin’ireo katekomena vitsivitsy nazoto, ka nananganana ny Antoko mpihira « NY MPIHIRAN’NY FARIMBONA » ny faramparan’ny taona 1963 . Teo no nahaterahan’ NY MPIHIRAN’NY FARIMBONA. Maro ireo nifandimby nitarika ny Mpihiran’ny Farimbona : Heritsimba Ramarokoto, Maminiaina Razafindrabe, Aimé Raoeliarijaona, J. Célestin Andriamanantoanina, S.A Daniel Ramarokoto, Yvon Rasolofoniaina, Razafindrajery Jean, Randrianantenaina Modeste, Elisah Andriamanantoanina, Aina Rasoanaivo izay mbola mitarika ankehitriny ary i Johns Rajaobelimahefa. Ny antom-pisiany dia ny hitaizana sy hanabeazana ireo tanora ao amin’ny fikambanana aloha, ary indrindra ny asa fitoriana an-kira amin’ny mpiara-belona ; tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritany koa . Dimampolo (50) eo ho eo ireo mpikambana tena am-perinasa amin’izao fotoana izao. Mivory sy mianatra hira isaky ny sabotsy hariva amin’ny 4ora30mn ao am-piangonana. Efa manomana ny ho avy izay handimby azy ny Mpihira ka naorina ny Taninketsan’ny Mpihiran’ny Farimbona ny taona 1982. Ny ankizy manomboka dimy na enin-taona no efa ampianarina ao. Maro ihany koa no efa nifandimby nitarika sy nampianatra ka tao ry Chef Johnny, Chef Riri, Chef Dadah ... Maro amin’izy ireny no mandrafitra ny Mpihiran’ny Farimbona amin’izao fotoana izao. Mankalaza ny faha-50 taona niorenany izy ankehitriny. Ny teny faneva: « Haleloia, Fa tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika ; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana».(Salamo 147 :1) Tsangambato ho fanamarihana izany ny fanolorana Orgue Cathédrale ho an’ny Fiangonana. Ireoe birao mandrafitra sy mpitarika : - Filoha : RAJAOBELIMAHEFA Johns -Mpitantsoratra : ANDRIANJAFISON Sandra - Mpitahiry vola : RAZAFINIMPIASA Njaka Nirimampionona - Mpitantsoratra ny vola : ANDRIANAN- TOANDRO Claudia - Mpanolontsaina : RABEMANANJARA Nantenaina - Chef de chœur : RASOANAIVO Aina - Chef de chœur TNK : RAJEMIARIMIRAHO Lazaniaina - Mpandrindra ara-teknika sady mpitendry : RATSIMBAZAFY Anja Fikambanan’ny Mpiasan'ny Fahasalamana “Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho” (Lioka 10:35b) Ny taona 1995 no nandraisan’ireto mpitsabo vitsivitsy fanapahan-kevitra ny amin’ny tokony hamonjena mpiaramivavaka tsy salama mandritra ny fanompoam-pivavahana. Nentanina àry ireo nomen’Andriamanitra fahasoavana eo amin’ny sehatra ara-pitsaboana hanavao ny fanoloran-tenany amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ka handray an-tanana sy am-pitiavana izay andraikitra masina izay. Niorina teo ny fikambanana. Natomboka tamin’ny fividianana sy fanangonana fanafody hoenti-miatrika fitsaboana ny hetsika. Nihanazava koa ny tanjona fa tsy hianona fotsiny amin’ny fitsaboana. Tokony handraisana fepetra ny fisorohana mialoha izay mety hahasembana ny fahasalaman’ny mpiaramivavaka, ny fanomezana toromarika sy torohevitra. Ankoatr’izay ny fanoloran-tanana sy fanotronana ary famaliana ny antson’ny Sampana, Sampan’Asa, Asa, Fikambanana, Vaomiera isan-tokony ato am-piangonana. Manampy amin’ny fikarakaràna ireo sahirana koa ny fikambanana, amin’ny alalan’ny fia- raha-miasa akaiky amin’ny Sampana Fifohazana sy ny Vaomiera Sosialy. Mandritra izany no ampitàna ny farafahakeliny tokony ho fantatry ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe momba ny fitandroana ny fahasalamana. Tanjona masina sy lavitra ezaka kosa ny hananganana “Dispensaire” iray, hisokatra ho an’ny olona rehetra tsy salama, fa tsy ho an’ny mpiara-mivavaka ihany, ho fampiharana ny teny filamatra “Velona ho an’ny hafa”. Laharam-pahamehana tsy azo hihodivirana koa ny fanatevenana sy fanavaozana ny tahirim-panafody hampiasaina. Efapolo (40) ireo mpikambana amin’izao fotoana izao, ahitàna dokotera, mpitsabo mpanampy, mpampivelona, mpanindrona, mpandraharaha, sy ny sisa, izany hoe ireo rehetra miasa anivon’ny sehatry ny fahasalamana. Misokatra hatrany ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana tsy anavahana anefa ny fikambanana. Marihina fa azon’ny mpiara-mivavaka rehetra manana olana ara-pahasalamana mandritra ny fanompoam-pivavahana atao ny manatona diakona na mpandraharaha, hitondra azy eny amin’ireo mpitsabo izay efa manana toerana fipetrahana voatokana. Ireto ireo mpikambana mandrafitra ny Birao Mpandrindra ankehitriny : Docteur RANOHAVIARIVELO Gisèle RALIDININA Rasolomalala RAVOLOLONARIMANGA RABESON Andrianomenjanahary Andy Henintsoa RAKOTONINDRIANA R. Malala ANDRIANTOVO RAKOTONARIVO Onjalalaina RAKOTONDRAMANANA Bakoarisoa RALANTOMALALA Herisoa Verohanitra Saha Edena Tamin’ny taona 2007 no niorenan’ny fikambanana SAHA EDENA teto amin’ny FJKM Ankadifotsy. Ny mpanorina dia Ramatoa isany Ranjakavola Jacqueline, Ravalison Anjanoro, Ravololomboahangy Saholy, Rakotobe Bakoly, Rajaobelimahefa Liliane sy ireo namaly ny antso ka nahafeno 10 ny vondrona ny taona 2007. Ny 6 Mey 2007 no nanomboka ny asa ka vondrona roa no nanao izany. Ny fandravahana ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra no tena antom-pisiany. Ny teny filamatr’izy ireo dia ny Matio 6: 28 “Diniho ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha” Ny fandaharan’asan’izy ireo mandavantaona dia ny mandravaka ny fiangonana. Ny asa mivaingana nataony dia fampianarana ny mpikambana ny atao hoe: “IKEBANA”, fampianarana ny fandaminana sy fandrindrana ny karazam-bonikazo ho tonga fehezana iray “bouquet” anaty vazy. Izany fampianarana izany dia nandritry ny 6 herinandro tamin’ny taona 2013. Nanamarika ny faha-7 taona nijoroany ny Saha Edena tamin’ilay famelabelaran-kevitra not arihin’ny Mpitandrina Ranjakavola “Ny fanambadiana miorina ara-tsoratra Masina” ny 11 Mey 2014 lasa teo. Ary natao ho fanaovan’ny Saha Edena hetsika ny Alahady faharoan’ny volana Mey tolakandro. Ny mpikambana ankehitriny dia 90 vavy (ny Eva) miampy ireo vadiny (Adama) ho an’izay manana. Mizara ho vondrona 21 izy ireo mifandimby isaky ny herinandro. Ireo birao ankehitriny : Ny filoha dia Ravalison Anjanoro, ny filoha mpanampy : Ranaivomampianina Harivola, ny mpitahiry vola : Bodo Ralison, ny mpitan-tsoratry ny vola : Rajaonarisoa Tiana, ny mpitantsoratra: Ranaivosoa Michelle sy Rajaonarison Niritiana. Ny mpanolo-tsaina : Rasoarimanana Niriniaina sy Rakotobe Bakoly. Ny Sabotsy voalohany amin’ny volana no mivory izy ireo ao amin’ny akanin’aina ambany “sous sol”. Ny adiresy hifandraisana amin’ny Saha Edena dia ny 034.01.309.86 033.12.404.17 – 033.12.227.18 – 033.11.877.60 – 033.11.251.11. Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. (Joba 22 : 21) Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 7 S.Sa.A.F. Tanora zokiny Tamin’ny taona 1967 no niforonan’ny fikambanana Tanora Zokiny teto anivon’ny Fiangonana FJKM Ankadifotsy. « Miorena tsara, aza miova » (I Kor 15 : 58a) no teny filamatra entin’izy ireo. Fikambanana natao ho an’ireo izay tsy afaka ho any amin’ny STK intsony, kanefa maniry hanohy ny fanompoana hatrany. Tanjon’ny fikambanana ny fitoriana ny filazantsara sy fitaizana ny finoan’ny tsirairay. Fijoroana ho vavolombelon’i Kristy hatrany ary velona ho an’ny hafa. Ny mpitandrina Rabemanahaka Jean W. mivady no nanorina ny fikambanana tanora zokiny. Nanampy azy ireo tamin’izany Atoa isany Rakotonirina sy Raharisoa Justine. Ramamonjisoa Ernest mivady. Randrianasolo Venance Thomas mivady. Mivory isam-bolana, ny alahady faharoa, ary manao vondrom-bavaka indroa isan-taona ny fikambanana. Mamangy ny fiangonana hafa ihany koa ny fikambanana. Mamang y n y z a z a k a m b o t y. Manampy ireo ny fisindana hombam-bady aman-janaka ary ny fisindana fialantsasatra. Asa maro no efa nataon’ny fikambanana teto anivon’ny fiangonana. Ny fikambanana tanora zokiny no nanao ny seza vato ao atsinanan’ny Fiangonana ho tsangam-bato faha 30 taonany . Ny trano fisainana faharoa tamin’ny tsangambaton’ny faha-40 taona. Po- Ny fikambanana sakaizan’ny Baiboly eto amin’ny fitandremana Ankadifotsy dia niorina tamin’ny taona 1980. Andriamatoa Ramamonjisoa Ernest mivady no mpanorina. Ny antom-pisiany dia ny hizara sy hampiely ny Baiboly ary hitaona ny olona rehetra ho tena sakaizan’ny Baiboly. Ny Salamo 119: 11 “Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao”. Ny tanjona eo anivon’ny fikambanana dia ny ahavitana mizara Baiboly amin’ireo fiangonana entina Katekista eto amin’ny SPIA misy antsika, izay raha ny lisitra avy eo anivon’ny synodam-paritany dia misy 39, ka vao ny 12 amin’ireo izao no tratra. Eo koa ny famangiana fiangonana any amin’ny faritra saro-dàlana, fizarana Baiboly sy fihirana amin’ny anaran’ny fiangonana Ankadifotsy. 38 ny mpikambana ka ny 5% ihany no lehilahy ary 90 taona no zokiny indrindra, 20 taona eo ho eo ny zandriny indrindra. Anisan’ny asa nivaingana vitan’ny fikambanana ny fizaran-tohatra eo am-bavahady, nanolotra lamba latabatra Masina. Ny birao ankehitriny dia Ratsimbazafy Eva Désirée no filoha, Ramihamintsoa Joséphine no filoha mpanampy, Fara Rasoavonindriaka sy Rakotobe Ony Zavasoa no mpitantsoratra, Rajaonera Aimée no mpitahiry vola, Raharindrazaka Lanto no mpitantsoratry ny vola ary Rakotonanahary Sahondra no mpanolotsaina. Fifandraisana : RATSIMBAZAFY Eva : 0341689892 Mpitandrina teny amin’ny kolejy Teolojika Ivato. Mamangy ny Fiangonana izay hita fa mila fanampiana sy fanohanana, izay fanao indray mandeha isan-taona. 90 ny mpikambana ankehitriny Mahatratra 90 ny isan’ny mpikambana ankehitriny, ka 80 taona ny zokiny indrindra ary 17 taona ny zandriny indrindra. Raoerasoa Lanto no 11 filoha ankehitriny. Raharimalala Claurette ny filoha mpanampy Raharimanana Norovola ny sekretera voalohany; Ramanarivo Nivo Aimée ny sekeretera faharoa. Rasoarindriana Jeanne Edwige ny mpitahiry vola. Rasoanirina Florine ny mpitan-tsoratry ny vola. Ireto avy ny mpanolotsaina : Andriamanantena Denis, Ramasomanana Raharisoa Lalao, Ravonimahefa Romy. VAOMIERA Ny asa fanompoan’ny Diakona sy ireo vaomiera misy azy ireo avy. S eha-panompoana mankadiry ny maha diakona eo anivon’ny fitandremana iray. Izy ireo no modely sy mpitarika ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. 15 minitra mialoha ny fanompoam-pivavahana dia manao fanomanam-panahy ny diakona mialoha ny hirosoany amin’ny raharahan’Andriamanitra. Fikambanan’ny Sakaizan’ny Baiboly FSB lipitra voamboana eo afovoany, Caisson eo amin’ny vavahady atsinanana sy andrefana. Namatsy ny mpanao tafika masina mandeha mitory ny filazantsara. Nandoko sy nanao “carreaux” ny salle 3 IFR. Raha ny asa ivelan’ny Fiangonana indray, mamangy sy manome fanampiana ny zaza kamboty eny Tangaina sy eny amin’ny Topaza. Nanohana ireo mpiomana ho Aogositra 2014 Fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny fanisana rakitra, ny fanasana ny veram-pandraisana, ny fikarakarana ny divaimpandraisana, fandaminana sy fitarihina ireo mpianankavin’ny finoana any amin’ny faritra misy azy avy, ny fandraisana adidy, ny fandaminana ny fidirana sy ny fivoahan’ny Ny vaomieran’ ny fitoriana ny filazantsara Manao ho vaindohan-draharaha ny fitoriana ny filazantsara amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo.Mandrindra ny asa fitoriana filazantsara ataon’ny fiangonana izay manao fanorenana fiangonana any Ambodivonkely ankehitriny. Manohana ny asa fitoriana ataon’ny synodam-paritany sy ny foibe FJKM. Ny vaomieran’ ny asa sosialy Izy ireo no mijery akaiky izay azon’ny fiangonana atao amin’ireo asa fanaovan-tsoa isan-karazany ato anatiny na any ivelany. Mikendry izay hitaizana ka tsy hanampiana mandrakizay ny sahirana fa mba hahazaka tena any aoriana. Izy ireo koa no mitantana sy mizara ireo fanampiana ho an’ireo «sahirana» izay omen’ny fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra mpianankavin’ny finoana amin’ny fiantombohana sy firavan’ny fanompoam-pivavahana. Ireo Diakona 140 mianadahy eto amin’ny Fitandremana Ankadifotsy dia samy manana zara fanompoana manokana any amin’ny vaomiera misy azy avy ankoatran’ireo fanompoana iombonan’ny diakona ireo. Misy vao- miera 7 ao amin’ny mpihevidraharahan’ny fitandremana Ankadifotsy ; hanompoan’ireo diakona, ny diakona tsy amperin’asa sy loholona ary ireo filohan-tsampana. Ireo vaomiera ireo dia eo ambany fiahian’ny Biraon’ny fiangonana sy ny mpihevi-draharaha avokoa ; toy ny sampana, sampan’asa ary asa sy fikambanana rehetra eto amin’ny fitandremana . Ny vaomieran’ ny fanabeazana Ny fanabeazana dia mifanindran-dalana amin’ny asa misiona sahanin’ny fiangonana.Mikendry izay ho fitaizana ireo tompon’andraikitra any amin’ny sampana sampan’asa, asa ary fikambanana indrindra ireo mpitaiza tanora. Mandinika izay fanohanana sekoly, mpampianatra, mpianatra teolojia,…Mamolavola lasim- piofanana hiarahana miasa amin’ny Farimbona. Manana solotena ao amin’ny filan-kevitry ny sekolin’ny fiangonana IFR hisolotena ny mpihevi-draharaha amin’ny fampandehanana ny sekoly amin’ny lafiny rehetra. Ny sekoly izay an-dalana amin’ny fanorenana trano sekoly fanampiny ankehitriny. Ny vaomieran’ ny fampandrosoana Mikendry ny hanao asa fampandrosoana isan-karazany ho loharanom-bola maharitra eto anivon’ny fiangonana. Mi- kendry ny hanao asa lehibe sy mivaingana eto amin’ny fiangonana. Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 8 12 Aogositra 2014 S.Sa.A.F. Ny vaomieran’ ny fiombonampiainana Izy ireo no mamelona ny fifandraisan’ny fiangonana ato anatiny sy amin’ny any ivelany. Mba hisy fiombonan’aina tokoa eo amin’ny samy mpiara-manompo. Manomana ny hetsika ivelany ataon’ny fiangonana, mandrindra ny fitsangatsanganan’ny fiangonana. Ny vaomieran’ ny raharaha Manatanteraka ireo asa madinika hatao eto am-piangonana miaraka amin’ny biraom-piangonana. Ireo asa vaventy dia tapahina eo anivon’ny mpihevi-draharaha hatrany. Andraikitr’izy ireo ny fividianana ny divay, ny fikojakojana sy fanamboarana ny fitaovana simba ka soloina, mijery sy manaraha-maso ny fanaka sy ny fitaovan’ny fiangonana, ny trano fiangonana, ny Akanin’aina ary ny trano fidiovana, mandrindra izay tahirin’entana ary manao izany rehetra izany an-tsoratra. Ny vaomieran’ ny Fiainam-panahy Taorian’ny fandraisan-tanana ireo loholona 18 mianadahy ny alahady 22 Janoary 2012 dia nijoro teto amin’ny FJKM Ankadifotsy, eo anivon’ny mpihevi-draharahan’ny fiangonana ny vaomieran’ny fiainam-panahy. Ny foto-kevitra sy ny tanjona tamin’ny fametrahana izany vaomiera izany dia hitandro ny filaminan’ny fiangonana ho voninahitr’Andria- manitra ka hampanaja lalandava ny foto-dalana sy ny fitsipika, ny fitsipika anatiny ary ny fanapahan-kevitry ny amabaratongan-drafitra. Ny vaomiera dia manaja ny fanadaminana sy fitantanan-draharaha ary ny foto-dalana sy ny fitsipika mbamin’ny fanapahan-kevitr’ireo amabaratongan-drafitra ny FJKM, ary koa ny fitsipika anatiny ato amin’ny fitandremana. Ny faritra sy ny firaisam-pokontany misy ireo zanaky ny FjkM Ankadifotsy Ny Firaisam-pokontany Antananarivo I: misy Faritra dimy (5) dia ny faritra faha-11, faha-12, faha 13, faha-14 ary faha-15: dia ny eny amin’ny Cité des 67 Ha, Ankasina, Andohatapenaka, Antaniavo . Ny Cité Ampefiloha, Andavamamba, Anosipatrana Cité Ambodin’Isotry, Isotry, Isoraka, Tsaralalana, Manarintsoa, Andranomanalina, Ambatonakanga. Analakely, Soarano, Cité Gare Soarano, Antohomadinika. Ambondrona, Faravohitra, Mandrosoa, Ambatovinaky, Ambohijatovo, Amparibe, Ankadivato, Ambodifilao. Ny Firaisam-pokontany Antananarivo II : misy Faritra fito (7): ny faritra faha-21, faha-22 faha-23 izay misy an’Anjohy, Ambohimitsimbina, Ankazotokana. Mahazoarivo, Antsalova, Ambohitsoa. Cité Mandroseza, Ambohimiandra. Cité Ambohipo, Ambolokandrina. Antsahabe, Ankorahotra, Tsiadana. Ambanidia, Ambatoroka. Manakambahiny. Ny firaisam-pokontany Antananarivo III : misy fizarany telo: ny faritra fahatelo Andrefana misy faritra: 08, faritra faha-31, faha-32, faha-33.... Ny faritra fahatelo Atsimo misy faritra: 04 ary ny faritra fahatelo Atsinanana misy faritra: 05 faritra faha-31, faha-32, faha-33…. Ny faritra fahatelo Andrefana misy an’ Ankadifotsy Antanifotsy : IVK, IVP, IVL, Ankadifotsy Befelatanana: IVK, IVP, IVN, Ankadifotsy Ambodivona: IVP, IVM, Ankaditapaka Avaratra: IVN, IVRAmbohibary Antanimena: IVR, Ankorondrano Atsinanana: IVO, Ankorondrano Andrefana : IVO, Tsaramasay, Ankazomanga : IVT Ny faritra fahatelo Atsimo misy ny Behoririrka Ambatomitsangana : IVF, IVD, IVE, Behoririrka Ankaditapaka : IVE, IVG, Antaninandro, Tsiazotafo, Andravoahangy ambony : IIA, IIF, IIK, IID, Betongolo, Ambohitrakely, Ankadivato, Antsakaviro, Antsahabe, Bel Air, Antanimora, Fort Duchesne ; IIR, IIJ, IIM, II I, VF ; Ambaranjana IIV, Cité Planton IIU, Ampandrana Atsinanana IIT, Ampandrana Andrefana II A, Besarety IIT, IIV, Amparibe. Ny faritra fahatelo Atsinanana misy ny: Soavinandriana, Mahavoky, Andravoahangy ambany IIM, Ambodivona, Andravoahangy ambany IVI, Mandialaza IVI, Mandialaza IVH, Mandialaza IVJ, Andravoahangy ambony IVB, Ambatomitsangana IVC, Avaradoha IIP. Firaisam-pokontany faha-IVdia misy Faritra telo dia ny faritra faha-41, faha-42, faha-43: Andriamanangona, Andrefan’i Manajara, Anosibe. Andrefan’Ambohijanahary III G, III M.Imahamasina, Tsimbazaza, Tsarafaritra, Anjahana, Ankadilalana, Soanierana, Fiadanana. Firaisam-pokontany faha-V izay misy faritra fito: ny faritra faha-51, faha- 52, faha-53. Izay misy an’ Ambohidahy II E, Ambohimirary II E, Ankadindramamy II H, Mahazo, Andraisoro, Soamanandrariny, Ampanotokana, Ambatomaro, Ampasampito. Ambatobe II N, Nanisana II A, Soavimbahoaka II A, Ankerana. Anjanahary II A, Anjanahary II N, Anjanahary II O. Anjanahary II S, Ambatomainty II B, Amboditsiry II A. Manjakaray: IIC, II D, II B. Analamahitsy tanàna II N, Analamahitsy cite, Ambohitrarahaba II J, Ambodivoanjo, Ivandry II J, Amboniloha II I, Ambohijatovo II J, Alarobia, Soavimasoandro, Mahatony, Androhibe.. Ny firaisam-pokontany faha- VI misy faritra efatra: faritra faha-61, faritra faha-62, …. dia Ambodivonkely: IVB, Antanety Atsimo: IVD, Ambohimanandray: IVG, Ambohidahy: IVF Ny faritra lavitra: mizara efatra : ny lavitra Atsinanana : Nandihizana, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Ambohimanambola. Ny lavitra Atsimo: Andoharanofotsy, Ambatofotsy, Ankaraobato, Tanjombato. Lavitra Andrefana: Andohatanjona, Itaosy, Fenoarivo, Ampitatafika. Lavitra Avaratra: Ambohimanga, Antanambao, Anosy Avaratra, Sabotsy Namehana, Ambohipanja, Ankadikely, Ambohidratrimo, Ivato, Ambohibao, Talatamaty, Ambohimanarina. Isaorana manokana an’Atoa Raderason Hery ny sarin-tany.