Gazety Fafana laharana 152

Transcription

Gazety Fafana laharana 152
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 1
Volana Aogositra 2014 - Laharana 152
Vidiny 400 Ariary
‘‘...Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny Fàfana, ...’’ Habakoka 22
GAZETY AVOAKAN’NY FJKM ANKADIFOTSY ISAM-BOLANA
FIAINAM-pIANGONANA 13
FJKM Foibe 16
Fikambanana
Fanirahana Mpitandrina 69, diakona
sy loholona
mpampianatra 53
Noraisin-tanana ny birao
FIANJAIKA
4
Ny Pashmina
Nitombo isa ny Mpitandrina sy ny mpampianatra eo anivon’ny FJKM Foibe
satria dia nisy indray ny andiany navoaka ny alahady 27 Jolay lasa teo tetsy
Antsahamanitra.
TAFAHAONA !
Ny Teny Fanambarana nataon’ny
Tompo hoe : « Indro efa mitsangana eo
am-baravarana Aho, ka mandondona,
raha misy mihaino ny Feoko ka mamoha
ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho
ka hiara-misakafo aminy, ary izy
amiko. » Apo. 3 : 20 no malaza indrindra
amin’ny fitaomana sy ny fandresen-dahatra handray ny famonjen’i Jesoa
Kristy.
“Mandondona” (mety tsy mandondona) ny Tompo, ary miandry ny olona
izay mandre izany fandondonany izany
hamoha ny varavarana. Hita hatrany ampahariany antsika io fanomezan’ Andriamanitra safidy antsika io (Gen. 2: 16-17).
Fa mba hanairany ny fahalianan’ny tsi-
Mandray ny famonjena
ny mino
rairay (liana), dia efa ambarany mazava
ny vokatra ho azo :
- izay mihaino (Lio. 8. 18) ny Feony (ny
Teniny),
- ka mamoha ny varavarana (ny fony)
(cp Mat. 6: 6),
> dia hiditra ao aminy Aho,
> hiara-misakafo aminy,
> Ary izy Amiko.
Tsy famonjena ny fanahintsika
ihany no omen’ny Tompo, fa famonjeny
antsika amin’ny lafim-piainantsika manontolo mihitsy.
Efa vonona io famonjena io fa isika
no sisa andrasan’ny Tompo handray na
TSia izany!
Ny tenin’ny Tompo izay notoriana taminao no nanomezany finoana anao (cp.
Rom. 10: 17, Joda 3) handraisanao ilay
famonjena; fa “mandray ny famonjena
ny mino”
Tena “anjara tsara” efa voaoman’ny
Tompo ho anao io Famonjena io, ka aza
mangataka andro na manjehy ny andro ho
lava. Fa amin’izao fahavelomantsika
(dieny mbola velon’aina) izao ihany no
afaka handraisantsika io famonjena io.
(cp. Lio. 16: 19-31) ; ary ao amin’i Jesoa
Kristy ihany no ahazoantsika io Famonjena io. (cp. Lio. 14:6; Asa: 4: 12).
Koa araraoty dieny mbola misy ny fotoana ahazoana mandre ny feon’ (teny)
ny Tompo, ka handraisana io Famonjen’i
Jesoa io, fandrao tonga eo ny voromanidina (=satana), ny hain’andro (fahoriana,
fanenjehana…), ny fiahiahiana izao fiainana izao, ka tsy hahazo finoana (cp. Mat.
13: 18-22).
Efa voasoritra mazava ny fomba handraisana io famonjena io: izay tsy mbola
vita batisa, mihazakazaha hatao batisa,
izay mbola tsy mpiray latabatra
amin’ny Tompo, mihazakazaha mianatra Katekomena ; izay mbola tsy ao
anaty sampana, sampan’asa sy asa ary fikambanana, mihazakazaha mirotsaka antsehatra ho “mpitory io Famonjena io”
(cp. Apo. 12: 11… “teny filazana azy... ”
mba ho isan’ireo mpandresy tahaka Azy!
Fa ny mino rehetra eran-tany dia
efa nandray io Famonjena io. Ianareo no
sisa mbola any ivelan’ny “fanjakan’ny lanitra”.
Haingàna ianao! Raiso io famonjena
io.
Midira ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra !
Ny Mpitandrina Ranjakavola,
iraky ny Tompo.
MISONGADINA
ARO RIAKA 2
Fiantohana ho
fidiram-bolan’ny FJKM
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 2
2
Aogositra 2014
Samihafa
Ny maha-kristiana
I
Tsy miankina amin’izay mety ho fahamendrehantsika kokoa noho ny hafa na amin’ny
maha-mpivavaka antsika kokoa noho ny hafa ny maha kristiana antsika, fa miankina kosa
amin’izay fifandraisana misy eo amintsika sy ny Tompo Jesoa.
reo tsy rariny fahita eo
amin’ny fiaraha-monina,
ny fitombon’ny herisetra,
ireo fahavetavetana isan-karazany, dia anisan’ny mahazo
vahana tokoa eo amin’ny tontolo iainana ankehitriny. Ary
ireo firenena efa niova ho
kristiana aza, izay nofehezin’ny fivavahana nandritra
ny fotoana lava teo amin’ny
lafiny fitondran-tena, dia indrisy fa toa manome ohatra
mampalahelo ho an’ny firenena hafa ankehitriny.
Azo tsoahina amin’izany
ve fa tsy mitondra fahombiazana ny fivavahana kristiana,
na koa azo ilazana hoe resin’ny ratsy ny tsara?
Tsia, tsy ireo foto-kevitra
kristiana tsy akory no mampitotongana ny fiainana fa
izy Kristiana tenany ihany.
Ny azo ambara dia hoe ny
tontolo kristiana amin’ny ankapobeny dia tsy mino, ary
indrindra, tsy miaina ny fampianaran’Ilay entiny anarana
dia ilay fampianarana kanto
loatra mampianatra ny fankatoavana an’Andriamanitra sy
ny fitiava–namana. Lazain’ny olona angamba ny
amin’ireo zava-tsoa raketin’ny moraly kristiana, kanefa toa tsy tiany ny hahalala
ny amin’Ilay loharano nipoirany sy nanorina azy, dia i
Jesoa Kristy.
Fihambohamboana ve?
Ianao izay manambara ny
tenanao ho kristiana, tsapanao ve fa mitondra ny anaran’i Kristy ianao amin’izany
dia Ilay “anarana tsara izay
niantsoana anao”? (Jakoba
2.7)?
Manana zo ho amin’izany
ve anefa ianao? Angaha moa
ianao anisan’ireo mpianatr’i
Jesoa, iray amin’ireo izay nilazany hoe: “raha maharitra
amin’ny teniko ianareo, dia
ho mpianatro tokoa” (Jaona
8.31) ? Sa ny mifanohitra
amin’izany ka ho anisan’izay
nilazany hoe: “tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay, mialà amiko” (Matio
7.23).
Tsy ampy hahatonga ho
Kristiana ny maha-vita batisa
mba hanavao indray ilay fiadanana efa ananany ao anaty,
ny faharetany, ny faherezany,
ny fitokiany, ny fifaliany izay
tovoziny ao amin’ny fitiavana tsy manam-paharoan’i
Kristy ho azy. “Efa tia ahy
Ilay Zanak’Andriamanitra ka
nanolotra ny tenany hamonjy
ahy” (Galatiana 2.20).
Ny Tranoko
ka voasoratra anarana ao
amin’ny bokim-piangonana.
Tsy ireny bokim-piangonana
ireny velively no hovelarina
amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra, rehefa hiseho eo anatrehany ny nofo
rehetra, mba hitsarany azy
araka ireo asany: “Ary nisy
boky iray koa novelarina, dia
ny bokin’ny fiainana… ary
raha nisy tsy hita voasoratra
teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany
amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20.12-15).
Novakinao tsara angamba
io Tenin’Andriamanitra io ka
hitanao fa zo io. Zo izay mifototra tanteraka amin’ny asa
nataon’i Kristy fa tsy amin’ny
fahamendrehan-tsika akory,
sanatria.
Tsy
miankina
amin’izay mety ho fahamendrehan-tsika kokoa noho ny
hafa na amin’ny maha-mpivavaka antsika kokoa noho ny
hafa ny maha kristiana antsika, fa miankina kosa
amin’izay fifandraisana misy
eo amintsika sy ny Tompo
Jesoa.
Zo ve?
Mba hanomezana anao
alàlana hitondra ny anarampianakaviana dia tsy maintsy
voasoratra ara-panjakana ao
anatin’ny bokim-pianakaviana
aloha ny anaranao. Toy izany
tsy misy valaka no ampianarin’ny Baiboly antsika. Mba
hireharehantsika amin’ny fitondrana ny anaran’i Jesoa
Kristy sy hahafahantsika miditra ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, dia mila
mandia ilay antsoina hoe :
“fahateraham-baovao”
isika. Io fepetra tokana io
ihany no haha voasoratra ny
anaran-tsika ao amin’ny bokin’ny fiainana, dia ilay
“bokim-pianakavian’ny lanitra” izay andraketan’Andriamanitra ny anaran’ireo izay
mino ny Zanany Lahitokana
sy manaiky Azy ho Mpamonjy ny tenany manokana.
“Ary izay rehetra nandray
Azy dia nomeny hery ho
tonga zanak’Andriamanitra”
(Jaona 1.12).
Fifandraisana
Ny kristianisma mantsy
dia tsy araka izay iheveran’ny
sasany azy matetika hoe fombafombam-pivavahana, na
tambatra foto-pampianarana
sy fitsipika isan-karazany,
mandrara ny fanaovana izatsy
sy mandidy ny fanaovana izaroa! Fa kosa fahalalana olona
iray, dia i Jesoa Kristy, ary fifandraisana Aminy, fifandraisana eo amin’Ilay manome
ny fiainana sy isika izay mandray izany fiainana izany.
Notanterahina
indray
mandeha monja, ary tsy tapaka intsony, io fifandraisana
io, tamin’ny fotoana niovantsika fo, nony niaiky ny tenantsika ho mpanota isika ka
nandray tam-pinoana ilay famonjena natolotr’I Jesoa
Kristy maimaimpoana ho antsika, dia ny rany sarobidy izay
nalatsany ho fanafoanana ireo
helotsika.
Io fifandraisana io dia kolokoloin’ny Fanahy Masina
izay nomena ny kristiana
ARO RIAKA
Fiantohana ho fidiram-bolan’ny
FJKM
Ny Volana Jona 2013 no
nitsangana ny komity misahana
ny fidiram-bola maharitry ny
FJKM. Tapaka tamin’izany ny
fisokafana amin’ny fiarahamiasa amin’ny Assurance ARO
ka nametrahana ny „Aro
Riaka”, fiantohana ho an’ny
FJKM. Ahitana ireo tolotra rehetra miaraka amin’ny fiantohana Aro
Misy ireo tolotra rehetra
miaraka amin’ny fiantohana
Aro toy ny fiantohana fiara,
fisotroan-dronono syn y sisa.
Ho an’ireo efa manana fiantohana ao amin’ny ARO, azo
atao tsara ny manova izany
amin’ny anaran’ny ARO
RIAKA, ho an’ireo mbola
tsy manana kosa dia fotoanany izao hanokafana fiantohana sady ho fanohanana ny
fidiram-bolan’ny
FJKM.
C93; io no kaody tononina
refa handrotsaka ny fiantohana na ho an’ireo efa manana fa hanova na ho
an’ireo vaovao vao hanokatra kaonty.
Hateveno ny fidirambolan’ny Fiangonana
Raha ny tokony ho izy dia
tokony hanana fiantohana avokoa ny olon-drehetra. Fiantohana fiara ho an’izay manana
na koa fiantohana fisotroandronono ho an’ny tsirairay.
Izay rehetra efa mpikambana
ao amin’ny Aro dia afaka manova izany ary izay vao mikasa
hanokatra kosa dia misafidiana
ny fanohanana ny asan’ny fiangonana.
Nangonin’i Ony R
Vahaolana ve?
Antsoina hamaly fitiavana io fitiavana io ny kristiana. Zava-miafina lehibe
sy tokana raketin’ny fiainana anaty sy ny tara-pahazavana miseho etỳ ivelany
izany. Tsy sanatria hoe fivavahana anarany sy be fadifady fotsiny ny kristianisma,
fa kosa azo fintinina
amin’ny hoe: ny fahatsiarovan’ny saina ilay fahasoavana mitafotafo natolotr’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fahefana ananany
eo amin’ny fiainantsika,
noho izany. “Isika tia,satria
Izy efa tia antsika taloha”(1
Jaona 4.19).
Raha
tafaray
tsara
amin’ny vadiny ny vehivavy
iray, dia tsy ilain-drangahy
intsony ny mamelabelatra
amin’ity vadiny isa-maraina
izay fandaharam-potoanany
mandritra ny andro. Ho tontosain’io vehivavy io ara-dalàna sy am-pifaliana ihany
koa ny andraikiny amin’ny
fikarakarana ny ankohonany.
Mba hanaovana izay tsara
sy ankasitrahina eo imason’ny Tompo, dia ilaina ny
mifankazatra Aminy sy ny
mamantatra izay tiany sy
izay halany.
Mampianatra izany antsika ny Baiboly, ary io Baiboly io no maneho mihari hary ny fisainan’Andriamanitra manontolo. “Raha
misy tia Ahy, hoy i Jesoa,
dia hitandrina ny teniko
izy” (Jaona 14.23).
antom-piainana ve?
Azo faritana amin’izay
zavatra hita fa tiany, ny toetran’ny olona iray: Raha tia
vola izy, olona kahihitra izay;
raha tia fahefana, olona tia
hambo izay; ary raha tia an’i
Kristy izy, kristiana izay.
“Fa ny fitiavan’i Kristy
no manery anay… Maty hamonjy ny olona rehetra Izy,
mba tsy ho velona ho an’ny
tenany intsony izay velona, fa
ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5.14-15).
Raha azontsika tsara
izany, dia ho hitantsika fa tsy
idealy tsara tarehy tokony ho
katsahina fotsiny tsy akory ny
fiainana Kristiana, fa izy no
ilay hany marina satria izy no
mirakitra ny fahamarinana
momba ny mandrakizay sy
ny zava-miafin’ny tena hasambarana marina
Nangonin’I MiséVonjy
NY BAIBOLY INDRAY MIELAtRA
Ny Filazantsara araka an’ i Lioka
Mbola ao anatin’ny sokajim-boky “filazantsara” isika, izay
misy ny Lioka ary mbola anisan’ ireo filazantsara mitovy
fomba fijery na “filazantsara synoptika” koa izy ity. Ny Lioka
no boky fohy indrindra amin’izy efatra (toko 16 ihany).
Momba ny Boky
I Lioka no mpanoratra ary nanoratra ny Asan’ny Apostoly
koa na dia tsy Apostoly aza izy. Grika izy (avy amin’ny firenena jentilisa) fa tsy jiosy. Mpitsabo no asany, mpiara-miasa
tamin’ny Apostoly Paoly izy sy Marka. Tamin’ny fotoana nifatoran’ny Apostoly paoly 58-64 taorian’ny nahafatesan’i
Jesoa, tany Antiokia no nanoratana ny boky ho filazantsara ho
an’ny jentilisa (izay tsy jiosy), anefa miantefa amin’ny olona
rehetra koa.
Votoatin’ny boky
Voalaza fa “filazantsara ho an’ny malahelo” ny Lioka noho
izy mampihasikasina ireo olona voahiliky ny fiaraha-monina
anefa norain’i Jesoa. Miavaka koa ny fanazavana ireo fombafomba jiosy ankoatry ny fiainan’i Jesoa teto an-tany.
Fizaran’ny Boky
Toko 1 : 1-4: 1-13: ny nahaterahana, ny fahazazan’i Jesoa ary
ny niandohan’ny asany.
Toko 4 : 14- 9: 50 ny asan’i Jesoa tany Galilia
Toko 9 : 51- 21: 38 Jesoa niakatra tany Jerosalema sy ny asany
tao.
Toko 22 :1- 23: 56 ny nahafatesan’i Jesoa.
Toko 24 : 1-53 ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary ny
niakarany any an-danitra.
Nanangona fifiav
tSY HARItRA...
Sady nahatalanjona no nampitahotra ny zava-nitranga tao
amina tanàna iray any Rosia. Raha mamirifiry ny andro amin’izao
fotoana any amin’ny faritra sasany amin’ny elabolantany avaratra,
dia nafana kosa ny andro ary nibaliaka ny masoandro tao amin’ity
tanàna iray ity, ka toy ny mahazatra amin’ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra, dia nirotsaka nilomano na nitsotsotra teo
amin’ny torapasika mamay ny mpiala sasatra maro. Tampoka teo
anefa dia nirotsaka ny oran-kavandra, ary tsy vitan’ny havandra
madinika fa dia vaventy toy ny baolina « ping-pong » mihitsy !
Tsy nisy nanampo izany ny rehetra ka samy nikoropaka nikaroka
fialofana avokoa. Tsy nisy ny orana, fa dia havandra maina no nirotsaka mafy dia mafy, ary nahiana ho nandratra mafy mihitsy
noho ny habeny. Mahita ny toetr’andro ny sampana mpamantatra
izany, saingy tsy hitany kosa ity oran-kavandra tampoka ity. Mahavariana ny asan’Ilay Nahary. Na manam-pahaizana toy inona
aza ny olombelona, dia misy ihany ny zavatra tsy vitany. Ny minomino foana moa dia hilaza fa fambara zavatra izany tranga
izany. Tsara hofantarina ihany anefa fa efa voalahatra ny zavaboahary, ka ny fanakorontanan’ny olombelona izany dia mety
mampivadika ny fenitra izoran’ny zavatra rehetra. Avy amin’ny
asa tanan’ny olombelona no mampiova ny toetr’andro, mahatonga izany tsy hanaraka intsony ny drafitra voajanahary.
ht
FANtARO
Baraka
Ny hevitr’ity anarana iray ity dia hoe “fitahiana”. Tsy henatra toy ny amin’ny fiteny Malagasy raha afaka ny baraka.
Baraka dia zanak'i Abinoama. Izany lehilahy izany dia alahatry ny Soratra Masina ho anisan’ny lehilahy mahery, nandresy
fanjakana tamin’ny finoana, nandresy an’i Sisera niaraka tamin’ny miaramila alin-dahy rehefa nanaraka ny hafatr’ Andriamanitra nampitondrainy an’i Debora mpaminany vavy
(Mpitsara 4: 6-22, 5: 1....) Raha nanao fihirana Debora noho
ny nandresena an’i Sisera dia voatonona ao anatin’ny tontonkira ny anaran’i Baraka ary izy anisan’izay nihira ity fihirana
ity ho fiderana an’i Jehovah.
Ny fankatoavany izay nolazain’Andriamanitra taminy no
loharanon’ny fandreseny ary tsy nanadino ny nidera an’Andriamanitra izy rehefa nahazo fandresena. Hatraiza no fankatoavan’ny Kristiana ny tenin’Andriamanitra henony sy vakiany
ary toa inona no mba fankasitrahana atolotry ny Kristiana
an’ny Andriamaniny.
Nanangona fifiav
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 3
Samihafa
Voamieran’ny asa sosialy
Nizara botofotsy 150 ho an’ny sahirana
Tsy nanadino ireo olona sahirana beazina eto amin’ny FJKM Ankadifotsy ny vaomieran’ny
asa sosialy amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao ka nisy indrindra ny fanomezana
lamba mafan azy ireo.
R
ehefa tonga ny ririnina
dia fanaon’ny fiangonana FJKM Ankadifotsy ny mizara lamba
firakotra mafàna ho an’ireo
olona tena sahirana taizaina
eto anivo’ny fiangonana. Izany
asa izany dia narindran’ny
vaomieran’ ny asa sosialy. Botofotsy 150 amin’ireny « 14
points » ireny no nozaraina ho
an’ireo 150 tafo karakarain’ny
fiangonana. Niavaka kely tamin’ity taona ity ny fanomezana
satria
nasiana
kojakojan-dakozia koa toy ny
lovia sy kopy mba hampiasain’izy ireo amin’ny fotoana
hizaran’ny sampana fifohazana sakafo aty am-piangonana. Nisy fianankaviana iray
avy amin’ny mpianankavin’ny finoana koa nanolotra
vary sy laoka manta ho an’ny
Ireto ankizy ireto izao dia anisan’ireo nahazo tombotsoa tamin’ny
asan’ny vaomieran’ny asa sosialy
isam-piankohonana. Marihina
fa ny asa ataon’ny fiangonana
toy itony dia tsy asa fitserana
fa fanehoam-pitiavana hoy ny
filohan’ny vaomieran’ny asa
sosialy. Toy izay nitiavan’Andriamanitra izao tontolo
izao dia nomeny ny zanany
mba hananan’ny olona ny
fiainana mandrakizay. Mari-
hina fa efa nisy vitsivitsy ary
helatra dia efa nahatsangana
asa fivelomana ka tsy tohanan’ny fiangonana intsony.
Nanangona fifiav
Vaomieran’ny fampandrosona
Nahasoa ny tolotr’asa
Raha tsiahivina dia nanao
fampindramam-bola madinika
tsy misy zanany ny fiangonana
tamin’ny alàlan’ny vaomieran’ny fampandrosona. Olona
5 hatreto no efa nampian’ny
fiangonana tamin’ity hetsika
ity. Samy mpikambana any
anaty sampana avokoa izy
ireo. Kasaina raha sitrapon’Andriamanitra hoy ny filohan’ny
vaomiera
ny
hanaovana antso fampindramam-bola indray any amin’ny
volana Desambra any.
Misy mpandrindra sy mpanaramaso ny asa, notendren’ny vaomiera izy ireto dia
ramatoa isany: Rajaonarison
Tiana, Lalaoniriana Arlande
ary Rajosefa Hary. Raha ny fahita’izy ireo dia mandeha tsar
a ny asan’ireo nindram-bola
sahanin’izy ireo, voahaja ny
tolotr’asa nomeny. Mamerimbola tsara ireo olona 2 sahanin’izy ireo.Mahazo tombony
avokoa ny mpindram-bola.
Manao fanaraha-maso izy ireo
ary manolo-kevitra hatrany,
samy nividy ny fitaovana
ilainy avy ireo nindram-bola.
Hitan’izy ireto fa mitombo ny
asan’ireo nampiana ary mahaverina tsar any vola ireto olona
2 iandraiketany ireto.
Tafaresaka tamin’ny Gazety fafana ny roa tamin’ireo
nanao ny tolotr’asa: Nahasoa
ilay izy amin’ny ankapobeny
hoy ny iray, ary tena misy ny
fifampitokisana eo aminay sy
izy ireo tsy mba ohatran’ny
any amin’ny banque. Na izany
aza anefa nila nanao asa maromaro vao tafavoaka. Nanoso-kevitra izy ny mba
hijeren’izay hanao ity tolo-tànana ity amin’ny manaraka,
mba zavatra tokony handeha
no atao, ary mety hilamina kokoaraha asiana mpiantoka
izay olona mindram-bola sao
sanatria misy olana mitranga.
Ny iray tamin’izy ireo kosa
dia nilaza ho nahita vokatra
tsara ary nanampy tamin’ny
fidiram-bola tao an-trano ny
fiodonan’ny asa. Niatrika
olana anefa izy noho ny fihe-
nan’ny tsena, ny mpanjifa, dia
voatery nianatra zavatra hafa
haingana izy hanampiany ilay
asa. Nanolo-kevitra izy far
aha mbola ohatran’izao ny
toe-draharaha misy eto amintsika dia tsara ny malina, tsy
manao “investissement” be fa
mandiso kajy. Tsara koa raha
mba itarina io hetsika io, hananan’ny FJKM Ankadifotsy
“sous banque” hifanohanana.
Dia misaotra ny fiangonana
manokana amin’ny alàlan’ireo vaomieran’ny fampandrosona ary mamporisika
ny olona hanohana ny asan’ny
vaomiera indrindra izahay nahazo tombon-tsoa.
Nanangona fifiav
Sakafo ho an’ny zazakely
Manomboka eo amin’ny fahenim-bolany
Sehatra iray anisany mila
fitandremana eo fitaizana ny
zazakely amam-bolana ny sakafo aroso azy noho izy mbola
marefo, satria marefo ny taovam-pandevonan-kaniny, hoy
ny mpitsabo. Na ireo Reny mitaiza aza dia mahatsiaro sy
mahafantatra izany tsara
hoan'ny zazany na dia vao
voalohany mitaiza aza eo
amin'ny fiainany.Efa fandre
matetika tato ato ny fanentanan'ireo mpitsabo fa ny
nonon-dreny ihany no omena
ny zaza hatramin'ny faha
enim-bolany,
fanentanana
goavana tsy azo atao tsinontsinona izany satria izay no vokatry
ny
fikarohan'ireo
mpitsabo , tsy iadian-kevitra
eto intsony izany fa ireo torohevitra momba ny sakafo
omena ny zazakely manomboka eo amin'ny faha enimbolany no aroson'ny gazety
Fafana etoana ho antsika mba
hanampiana an'ireo Ray
anam-dReny mitaiza kely
mety sahiran-tsaina hoe inona
no sakafo omena azy rehefa
feno enim-bolana izy,tsy voa-
Ovy 2 + Karaoty 2 (potsehina)
na Koba-katsaka +Ranon-dasopy + Sira.
Laoka : Toto-kena endasina
tsy misy menaka,
na Nofon'akoho.
(azo asiana dibera na fraomazy
raha misy)
Dessert : 1/4 akondro potsehina
Mila fikarakarana manokana ny sakafo hoan’ny zaza
tery mandany vola be vao
afaka manome sakafo azy ireo
fa ireo karazana vokatra
omen'Andriamanitra ho antsika maro azo isafidianana dia
azo ampiasana tsara saingy tsy
mitovy kosa amin'ny fatra na
fangaron- tsakafon-tsika andavan'andro, mety efa manana
ny torohevitry ny renibe, ny
ray aman-dreny, ny namana
sy ny mpiray tampo efa nitaiza na koa ireny olona manana fahaizana manonkana
amin'ny resaka sakafo ho
an'ny zaza ireny isika fa famenon'izany ity atolotray ho
anao ity, ka hanombohantsika
azy ny sakafo azo omena ny
zaza manomboka eo amin'ny
faha-enimbolany.
- Nono isak'izay mitady
- 9 ora sy sasany maraina :
Kobam-bary + Ronono
- 1 ora tolakandro Pureé:
- 4 Ora sy 30 mn hariva
- 8 ora alina : Kombam-bary
na Tapioca na Vermicelle na
Koba-katsaka
(andrahoina
amin'ny ranon-dasopy asiana
sira kely)
Dessert
Mahazo mihinana fraomazy
sy dibera ny zaza, aza adinoina
ny rano eny anelanelany.
Aroso ho antsika eto ny
sakafo azo omena ny zaza
fito volana eto amin'ny gazety Fafana amin'ny volana
Septambra, ity torohevitra ity
dia azo omena an'ireo zazakely mihoatra ny enimbolana
ihany koa.
Narindra R.
Aogositra 2014
3
Dorkasy
« Fa masina ny tempolin’Andriamanitra,
dia ianareo izany »
I Kor. 3 : 17b
Sarobidy izany toerana
niantsoan’Andriamanitra antsika kristianina izany, tsy nohariany fotsiny isika dia nilaozany,
fa tena monina eto amintsika
mihitsy Izy, ka nantsoina hoe :
« tempolin’Andriamanitra izay
itoeran’ny fanahiny masina ».
Raha Izy ilay masina indrindra aza manakaiky, monina amintsika, dia rariny
loatra raha mikolokolo ny tenantsika isika mba hahatanteraka io tenin’Andriamanitra
io.
Izany no niantsoany ny vehivavy dorkasy an-dramatoa
Robilalao Saholy avy ao
amin’ny IPAC tamin’ny talata
8 Jolay teo.
Andriamanitra raha nahary
ny olombelona dia nataony
aloha ny vatana tamin’ny alalan’ny vovon-tany ary avy eo
nofofoniny fofon’aina maha
velona dia ny fanahiny izany.
Koa tsy ampy raha ny ara-panahy ihany no heverintsika fa
mila karakaraina koa ny vatana. Ny tarehy aloha no tena
noresahana tamin’io fotoana
io fa mbola amin’ny manaraka
ny hoditra rehetra.
Voalaza fa ny hoditra dia
manana anjara toerana lehibe
eo amin’ny teoran’ny vatan’ny olombelona satria izy
no mampifandray ny tena
amin’ny tontolo manodidina
toy ny rivotra, loto, hafanana,
hatsiaka, sns. Izay miteraka
ratra tsy ho an’ny hoditra
ihany fa na ireo taova ao anaty
aza. Noho izany dia mila kolokoloina satria miaro ny tenantsika. Fantatra koa fa
amin’ny faha-25 taona na
faha-30 taonan’ny olona dia
manomboka miha antitra ny
hoditra, izay hamafisin’ny faharatsian’ny rivotra iainana,
ny sakafo tsy voalanjalanja, ny
toaka, ny sigara, « ny troubles
hormonaux » indrindra fa ny
vehivavy mitsaha-piterahana
ka mikentrona ny endriny.
Anisan’ny fitaovana mahomby hoenti-miady amin’izany fahanteran’ny tarehy
izany ny fihinana sakafo voalanjalanja sy madio « manger
pour être belle » ; mazotoa mihinana legioma, voankazo, ro-
nono, sns. Fa manaova koa fanatanjahan-tena in-telo isankerinandro na ny mandeha
tongotra sady manao respiration no tena tsara.
ireo misy otrikaina vitsivitsy azo raisina :
- Vitamine A : mitahiry ny
« élasticité » ny hoditra sy
miaro ny fahasimban’ny sela,
izay hita amin’ny atody, ronono, huile de foie de mouru
- Provitamie A : mahatsara ny
« teint » hita amin’ny haricot
vert, karoty, poivron, …
- Vitamine C : manafotsy ny
« teint » hita amin’ny orange,
fraise, tomate.
- Vitamine E : manamandina
ny hoditra sy manatsara ny
sela, hita amin’ny akondro,
zavoka.
Tandremo fa misy karazany telo ny hoditra dia ny
peau sèche, peau mixte, peau
grasse ka tokony mifanaraka
amin’izany ny fikolokolona
atao.
Fomba fikolokoloana mivantana ny tarehy :
Fantatra fa mandritra ny
andro dia misy sela maty noho
izany dia sasana amin’ny savony ny tarehy isa-maraina,
avy eo dia hosorana lait ary
kobanina amin’ny lotion na
rano+ vinaigre.
Vita izay dia atao ny gommage izay manala ny loto sy
ny sela maty ka lasa mihafotsy
ny tarehy. Azo atao ny mampiasa : 2 cuillères à soupe de
fraise purée + 2 cuillères à
soupe de yaourt nature + 1
cuillère à café de miel, ajanona 5 hatramin’ny 10 mn dia
akobana amin’ny rano matimaty isaky ny tapa-bolana.
Tsara raha atao massage
isan-kerinandro ny tarehy ary
somary tsongotsongoina na
kapokapoina mba hahatsara
ny élasticité ny hoditra.
Izay aloha ny ambangovangony azo ambara fa ny hamaranana azy dia tsara kokoa
raha « produits naturels » no
ampiasaina.
Dia samia mikendry izay
hahasoa ny tempolin’Andriamanitra.
Ramatoa Ranjakavola
Ramatoa Robilalao Saholy avy ao amin’ny IPAC
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 4
4
Aogositra 2014
MBA SAINO
ambany elatrao
Ambany elatrao, Ry Tompo be fitia
No satriko raha izaho no hizorako amin’ny dia
Saingy lalan-tsarotra mideza no tsy maintsy hizorana
K’indraindray aho mivena, mitady zavatra hifikirana.
Kolosaina
Fianjaika
Ny pashmina
Etole,Châle, écharpe,...
izay no amantaran’ny
maro azy. Pashmina
ihany koa no iantsoana
ny lamba fitondrantsika,
fantatra amin’ny velarany somary lehibe ary
vita amin’ny lamba malefaka. Avy any amin’ny
faritra Inde, Népal iny ny
niaviany. Efa maro ny
akora nanamboarana
azy amin’izao toy ny
laine, ny soie , ny viscose, fa tany am-boalohany dia vita tamin’ny
volon’osy ny pashmina.
Misy karazany maro izy
ireny, misy ny loko tokana na “uni” ary ahitana ny loko rehetra na
matroka na marevaka,
misy ihany koa ireo misy
sarisary.
Ny Anaranao mahery tsy mba afaka ao am-bavako
Raha tojo izay mahatery no voatonona tsy tanako
Saingy indrisy toa tsianjery miverina tsy tana
O ry Tompoko mahery ! hifonako raha mety ho adalana.
Voatanisako isan’andro, eny isan’ora Ianao
Na vao miposaka ny masoandro na ilentika andrefana ao
Saingy indrisy fa ny alina hanjakan’ny fahanginana
Mampivily mahafanina tsy hanjakan’ny filaminana.
Ny Elatrao ve ry Tompo no tsy maharakotra ahy?
Fa ny tebitebin’ity foko mampangovitra fanahy.
Mampihaotra ny saina mampanahy ny ampitso
O ry Tompoko Lalaina, toroy làlana aho tsy ho diso.
Hahatsapa hatrany fa ny teninao izay tsy miova
no fanefitra eto an-tany ho an’ny taranaka mpandova.
Ho andry fiankinana raha tojo fisedrana
sy làlam-pahamarinana hizorana ho an’ny Kanana.
MiséVonjy
Bel’air, 03 jolay 2013 mitataovovonana
Mety amin’ny vaninandro rehetra
Ilaina foana ary tsara
ananana anaty fitoeran’akanjo ny Pashmina, tsy mifidy vanim-potoana, afaka hanaovana na andro ririnina na andro mafana.
Tsy mifidy ihany koa na
fitafy mianjaika na fitondra andavanandro. Mety
ampiarahana aminy na
robe na jupe eny na pataloha ary. Atao ambony
manteau izy amin’ny
andro mangatsiaka na
ririnina. Mety ihany koa
na afatotra amin’ny
tenda miaraka amin’ny
akanjo maivana.
MAZOtOA HOMANA
Gauffre
Zavatra ilaina hoan’olona 4 : Lafarinina 450 g, bibera 250
g, atody 3, ronono 15 cl, crème fraîche 10 cl, siramamy
100g, levure ½ sachet, sira iray tsongo.
Epoina ao anaty lapoaly ny dibera ka avela marimaritra.
Afangaroy ao anaty lovia jobo iray lafarinina sy ny ronono
ary afangaroy
tsara. Vakio
ny atody ary
saraho ny tapotsiny sy tamenany,
rehefa izay dia
k a p o h y
amin’ny fouet
miaraka ny tamena’atody sy ny siramamy mandrapaha-fotsiny. Afangaroy amin’ilay lafarinina sy ronono teo aloha izay fangaro
izay avy eo. Ampio ilay dibera noepoina sy ny crème
fraîche ary ny levure ary arotsahy ilay sira iray tsongo. Alefao ao anaty machine fanaovana gauffre ka rehefa vita dia
arosoy mafana ka rarafana sucre glace kely eo amboniny
raha misy.
Dia mazotoa homana àry isika rehetra!
R.Sidonie
tONONKALO
Fa fahazavana
Fa fahazavana ato am-poko ny teninao
Mitsilo lalandava ‘reo fikasana tiana atao
Ka ny ampitso tiako hizorana tsy hay
Ireo teninao no fanilo manazava ho amin’izay…
Hizorako sy tombon’andro mbola hiainako
Hamitako ‘reo adidy mba ho masina ny fiainako
Anivom-pahatokisana sy fanantenana Anao
Ho mpitari-dàlana hanitsy raha mivily izay atao.
Ny alin’ny fiaina aizim-pito tsy takatro
Tsy maintsy hiainako ho resena ka filamatro
Ireo teninao izay fanilo hanazava
Sy filamatra hijoroako toky lalandava
Ary ny ezakin’ny fiaiana tombon’andro omenao
Hirerehavako sy hiderako fa tsara Ianao
Satria ny teninao no fanilo sy fahazavako
fanantenana tsy miova loko ao an-tratrako.
MiséVonjy
Bel’Air 27 Janoary 2014 @
3 ora fgolakandro sy 15 minitra
Ireto atoro anao fomba
vitsivitsy fitondrana ny
Pashmina.
Nangonin’I Ony R
Maloiloy sy mando rehefa mandeha lavitra, inona no atao?
Tonga ny fotoam-pialantsasatra, maro amintsika no
mikasa hiova rivotra kely.
Ireto misy toro-hevitra ho
an’ireo tsy mahazaka mandeha fiara.
Ny fisotroana dite nasiana
sakamalao kely na ravina solila - 30 min mialoha ny fiaingana dia tena fomba mahomby. Avaozy isaky ny 4 ora
izany raha dia lavitra no atao.
Afaka asiana fehezana persily
koa eo anelanelan’ny nono, na
petahana sparadrap na scotch
eo amin’ny foitra. Ny fahombiazan’ireo rehetra ireo nefa
dia miankina amin'ny fepetra
maromaro.
Ireto no mety hampando:
fandehanana mafy amin'ny
fiolanana, mozika ambony
loatra, fofona mahery (solika, ranomanitra, sigara, sakafo…), toerana tsy ampy
rivotra, harerahana, fitaintainana na fahasorenana, famakiana
zavatra
am-pandehanana (finday,
boky,…)
Ny toerana mety indrindra: Raha handeha fiara iomboanana
dia
aleo
eo
akaikin’ny mpamily na eo afovoany no mipetraka, ireo seza
ireo mantsy no mari-toerana
indrindra. Na koa, mipetraha
amin'ny toerana akaiky varavarakely mba hahazo rivodrivotra, aza mijery any amin'ny
sisiny fa any anoloana hatrany.
Ho an’izay efa afaka mitondra
fiara tsara (manana fahazoandalana sy mahafehy familiana
ary efa zatra lalana), mety hanampy anao tsy hando ny mamily fiara !
Fadio ny mamaky boky,
milalao amin'ny finday na karazana kilalalo mampiasa
maso sy mampiondrikondrika.
Torak‘izany koa ny manao
akanjo tery indrindra ny eo
amin’ny faritry ny tratra, sy
vavony. Ho an’ireo sokajin’olona misolomaso, mariho
mialoha hoe raha mety kokoa
aminao ny manala solomaso
rehefa mandeha fiara na tsia?
Miankina amin'ny tsirairay
mantsy izany fa tsy voatery hitovy ny fahatsapana.
Ny sakafo dia ezaho ho
maivana, tsy dia be menaka na
saro-devonina no hanina rehefa alohan’ny handeha lavitra. Toa izany koa rehefa eny
an-dalana. Ny kafe, dite hafa
ankoatry ny vita amin'ny sakamalao na solila, ary ny zavapisotro misy cola dia tsy tsara
sotroina eny an-dalana fa mahatonga ny vatana vao maika
hanary rano be ka mety handrerak’aina.
Rehefa tonga any an-toerana dia mety hitohana ny fivalanana raha naharitra loatra
ny dia. Hanampy anao ny fisotroana ranom-boasary na
ranom-boatabia hamerenana
ny fiasan’ny tsinay amin'ny
laoniny.
Mirary fialan-tsasatra sambatra ho antsika rehetra !
Nanangona
RANDRIATSARA Iony
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 13
Fianam-piangonana
Loholona sy Diakona
L
Tao Moramanga no nifamotoana ny diakona sy loholona avy ato amin’ny FJKM nanatrika
fampiofanana azy ireo. Fotoana nampahatsiahivana ny andraikitr’izy ireo amin’ny fiandrasana ny ondrin’Andriamanitra.
no
tompon'andraikitra
amin'izany fa ny Diakona sy
Loholona ihany koa satria dia
anisan'ny
fanekena
fito
ataon'ny Diakona ny ho naman'ny Mpitandrina, ka
hiara-miasa aminy amin'ny
fahazotoana, eo amin'ny fiandrasana ny ondrin'Andriamanitra.
Na dia tao anaty orana sy
hatsiaka aza no nanombohan'ny andro voalohany dia tsy
nampihemotra ireo mpiofana
izany fa efa niomana avokoa
ny rehetra ary ny andro roa farany dia tao anaty masoandro
mibaliaka.
Nahatratra 3 514 ny isan'ny
Diakona sy Loholona tonga nanatrika iny fihaonambe iny ary
ireo avy amin'ny Synodam-paritany faha 19, izany hoe ny
avy amin'Iarivo Avaradrano,
izay misy ny fitandremana Ankadifotsy, no maro an'isa tamin'izany.
Lohahevitra dimy no nifampizaran'ny mpampiofana
nandritry ny telo andro nahare-
Solotenan’ny diakona sy loholona avy eto amin’ny FJKM Ankadifotsy
nanatrika ny fampiofanana tany Moramanga
tan'ny fiofanana, ka ny andro
voalohany dia ny Diakona sy
Loholona miaina ny fanantenana ny maraina ary ny Diakona sy Loholona mizara ny
famonjena ny tolakandro. Ny
alakamisy maraina kosa dia ny
Diakona sy Loholona miatrika
ny adidiny sy ny asa iombonana ary ny tapak'andro hariva
dia ny Diakona sy Loholona
miatrika ny vinan'ny FJKM.
Ny zoma maraina izay andro
famaranana dia ny Diakona sy
Loholona manompo ao anaty
rafitra Presbiterana Synodaly.
Notsinjaraina ho amin’ny
tamin’ny toerana telo ny Diakona sy Loholona FJKM rehetra tamin’izao fiofanana izao
nisy ny tany Moramanga, Mahajanga ary Manakara.
Nifampizarana arak’izany
ny fampiofanana saingy ny filohan'ny FJKM, ny mpitandrina
Lala Rasendrahasina no nitety
ireo toeram-piofanana ireo.
Ho an'ny fitandremana Ankadifotsy manokana dia iny fihaonambe tany Moramanga
iny no andraikitra voalohany
nosahanin'ny Firaisan'ny Diakona sy Loholona izay vao
natsangana teto anivon'ny
fiangonana. 46 izy ireo no namonjy iny fiofanana iny.
MiséVonjy
Sampati
Nahazo mpitarika telo ny Mpanazava,
ary tonia vaovao kosa ny tily
Vonona sy sahy, izay no
azo hamaritana ny toetran’izy
telo mirahavavy nanatanteraka
ny fanekeny teo anoloan’ny
Fiangonana ny Alahady 20
Jolay lasa teo. Tsy iza izany fa
Ratovo Miary Nirina sy Randrianarisoa Mihaso Antenaina,
izay samy mpanazava maitso
mitarika ireo zazavavy 12 ka
hatramin’ny 16 taona ; ary Ratovo Oelintsoa Mirana izay
mpanazava mena mitarika zazavavy 16 taona no miakatra.
Raha ny fanazavana nomen’i
Cheftaine Miary Nirina dia taorian’ny antson’ny Tompo, izay
niseho tamin’ny fitsirian’ny
hevitra hitarika, no nanosika
azy hanaraka fiofanana.
Dingana efatra no tsy
maintsy narahiny tao anatin’izay fiofanana izay dia ny
Tsimoka, ny Mamontsina, sy
ny Mamony I ary ny Mamony
II. Samy nisy fitsapam-pahaizana avokoa ireo dingana ireo
ka rehefa tafita tamin’izy rehe-
Ireo mpitarika vaovao ao amin’ny Mpanazava sy Tily
tra ireo izy vao afaka niroso tamin’izao fanekena izao. Ireo
fiofanana ireo no nianarany ny
rehetra ilaina amin’ny fiandreketana ankizy sy ny fomba fisainan’ny ankizy. “Tsy mora
ny mitarika ankizy na dia efa
nandalo teo amin’ny taonan’izy
ireo aza aho taloha. Ilaina
manko ny mahazo ny olan’izy
ireo ahafahana manampy azy.
Ary rehefa hiarahana amin’ny
Tompo izany asa izany dia vita
foana” hoy Cheftaine Miary
Nirina, 22 taona ankehitriny, nizara taminay ny traikefany.
Fa tamin’ io Alahady io
ihany koa no nanolorana ho
Tonia Tily an’i Razafintsalama Olontiana Mahenintsoa
antsoina amin’ny anarana
hoe Angiky Mandalina eo
anivon’ny skoto. Izy indray
izany izao no mpandrindra
ny fizotry ny asa rehetra eo
anivon’ny fikambanana ary
mipetraka ho elanelan’ny
mpiandraikitra rehetra sy ny
komitim-pivondronana faha
XVII (iantsoana ny komitimpivondranana eto amin’ny
FJKM Ankadifotsy). Rehefa
voafidy teo anivon’ny Filankevitry ny mpiandraikitra
Tily izy, dia natolotra ny Komitim-pivondronana, ity farany kosa no natolotra azy
teo anivon’ny Faritany Tily
Antananarivo Afovoany.
Ny skoto, raha ny hafatra
nampitain’ireo mpitarika ireto
dia tsy mijanona fotsiny eo
amin’ny resaka lasy fa tena fanabeazana ara-batana, aratsaina, sy ara-panahy mihitsy.
Bako Rakotonavalona
Noraisin-tanana ny
birao
Natao ny alahady 27
Jolay lasa teo teto amin’ny
FJKM Ankadifotsy ny fandraisan-tanana ny biraon’ny
Fikambanan’ny Diakona sy
Loholona (FDL) ka ireto avy
izy ireo :
- Filoha :
Andriamamonjiarison Roger
- Filoha mpanampy :
Rakotondrazah Eudes Agan
- Mpitantsoratry ny hevitra :
Razafindrajery Rakotoarifetra
Lalaina
- Mpitantsoratry ny vola :
Ratsimba Razanamampandry
Tafika
- Mpitahiry vola :
Rasata Andrianombana John
- Mpanolo-tsaina :
Randrianaivo Andriamanantena
Rakotobe Diary Mampianina
R.Sidonie
Ireo biraon’ny fikambanan’ny diakona sy loholona
nampahafantarina ny fiangonana
Alahadin’ny STK
Nasaina ny StK avy
any amin’ny FJKM
Imerinavaratra
« Tanora fanantenan’ny ho
avy », io no lohahevitra nampitondraina ny hetsika nokarakarain’ny Sampana Tanora
Kristiana teto amin’ny FJKM
Ankadifotsy ny alahady 13
Jolay 2014 lasa teo, izay alahadin’ny STK manerana ny sahan’ny FJKM. Tanora manana,
miaraka ary mandresy miaraka
amin’i Jesoa Kristy amin’ny ho
avy, hoy ny katekista avy any
amin’ny FJKM Imerinavaratra
raha nandray fitenenana. Nanamarika ity iray volan’ny Farimbona ity nyfanasana ny STK
Imerinavaratra.
Raha ny FJKM Imerinavatra no asiana teny dia manana
mpandray 92, ary 150 kosa ny
vita batisa, ary kristiana 600
eo ho eo indrindra ka rehefa
voka-dehibe no ahitana io isa
io.
Hira fiderana an’Andriamanitra nelanelanina tononkalo
ary fanentanana narahina dihy
kosa no no nentin’ny FJKM
Imerinavaratra niaraka tamin’ny STK Ankadifotsy nanafana ny hetsika tamin’io
fotoana io.
Hita taratra tamin’ireo tanora ireo ny saina mahay mankalaza sy midera an’Andriamanitra. Marihina fa natolotra
ny FJKM Imerinavaratra ny rakitra manontolo voaangona tamin’io fotoana io.
Tojo R./ Ianja R.
Sampati foibe
Faha-90 taonan’ny tily eto Madagasikara
Hisy ny lasy lehibe sady
fivoriamben’ny Tily rehetra
eto Madagasikara izay hatao
any Ambatomanga ny 23 hatramin’ny 28 Aogositra 2014
ho avy izao. Ny 26 Aogositra
dia andron’ny tari-panofanana
na TEM. Ny 29-30 Aogositra
no hisy ny fihaonamben’ny filoha. Aorian’ny fivoriamben’ny Tily eto Madagasikara
io no hanaovana ny fifidia-
nana ny filohan’ny Foibe tily
amin’ny taom-panompoana
2014-2018.
Efa nisy tamin’ity taona
ity ny fampirantina lehibe izay
natao tao amin’ny lapan’ny ta-
13
Fikambanana diakona sy loholona
Loholona sy Diakona tompon’andraikitra
oholona sy DiakonaTompon'andarikitra.
Isan'ny fanamarihina
navoitran'ny mpampiofana ho
an’ireo Loholona sy Diakona
tonga maro nanatrika ny Fihaonamben'ny Diakona sy Loholona tany Moramanga, tao
amin'ny Lycee FJKM, ny 16 ka
hatramin'ny 18 Jolay 2014 lasa
teo.
Raha tsy mandeha na tsy
mandroso ny fitandremana
iray, hoy ny mpampiofana dia
tsy ny Mpitandrina irery ihany
Aogositra 2014
nanan’Antananarivo nanehoana ny ampahan’ireo asa
nataon’ny mpikambana nifandimby tao anatin’ izany fikambanana izany.
Nanangona fifiav
Nafana ny fotoana niarahana tamin’ny STK avy ao amin’ny Imerinavaratra
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 14
Tantely amam-bahona
Aogositra 2014
Rankizy o !
Ankamantatra
Lah. 035
Mba tsapao hoe ny fahalalanao ny Soratra Masina.
Mario iza avy amin’ireto no toerana voalaza fa nadalovav’ny Apostoly Paoly tamin’ny diany nitory ny filazantsara ao amin’ ny Testamenta vaovao :
Korinto, Egypta, Efesosy, Kyprosy, Salamisy,Etiopia, Perga, Antiokia, Ikonioma, lystra, Derbe, Makedonia, Troasy, Beria, Tesalonika, Atena, Pafo.
Iray tamin’ny apostoly aho. Nantsoin’ny
fanahy handeha amin’ny làlana avy any
Jerosalema mankany Gaza. Nitory tany
Samaria aho, nentin’ny Fanahy aho ka tsy
hitan’ilay lehilahy Etiopiana rehefa avy nanao
Batisa azy ka tany Azota indray aho no hitan’ny olonan nitory Filazantsara mandrapahatongako tany Kaisaria. Iza ary aho?
Valiny Lah. 035 : Korinto, Efesosy, Kyprosy, Salamisy, Perga,
Antiokia, Ikonioma,lystra, Derbe, Makedonia, Troasy, Beria, Tesalonika, Atena, Pafo.
Valiny Lah. 035 : FIlIPO Apostoly
teny Miafina
1
A
2
A
y
A
3
A
4
y
5
y
6
A
7
O
8
A
9
y
10
A
11
A
12
y
13
A
14
A
15
y
16
A
18
A
O
19
A
20
Lah. 035
1. ny apostoly tena voaresaka ao
amin’ny bokin’ny Asa. 2. niara- nanao
lay tamin’i Paoly. 3. toerana hanombohana ny fitoriana filazantsara. 4. lidia
mpivarotra lamba…5. Tabita na.
6. mpanao ody. 7. Paoly nijoro teo
anoloan’ny…. 8. Barnabasy na. 9. naman’iPaoly. 10. vadin’i Feliksa.
11. mpandon-koditra
any
Jopa.
12. Diakona tany Kankrea. 13. nikasa
hividy ny fahefana mametra-tànana
hanomezana Fanahy Masina. 14. notorahim-bato i... 15. vadin’i Safira.16.
Josefa levita avy any Kyprosy na koa
i….17. Nofatoran’ny synedriona. 18.
naminany fa hisy mosary.19. tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra
dia nohanin’ny kankana ka maty. 20.
Barnabasy sy Saoly nalefa ho…
Valiny Lah. 034 :
y
17
Lah. 035
14
A
1. Anaty lafaoro - 2. Manda - 3. Tempoly
4. Barnabasy - 5. Fitomaniana - 6. Ry
Zanak‘Olona - 7. Ezekiela - 8. Mikaela 9. Fandringanana - 10. Tranony - 11. Sabata - 12. Rafozany - 13. Andrea - 14.
Mpamafy - 15. Tantely Remby - 16. Niova
Tarehy - 17. Jehovah-Saloma - 18. Samsona - 19. Rahaba - 20. lydia
Isa ao amin’ ny Baiboly
Lah. 035
Tantely amam-bahona :
Volana Jolay 2014
Arahabaina
“Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : tsy tsara raha
irery ralehilahy, dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. »
Gen.2. 18
- Rabesahanina Zakarison Masoandro Toky Anjara sy Rafanomezantsoa Tahiana
- Manitra Andriantsilavo Nomentsoa sy Ratrimoharinaivo
Sitraka Hery Tiana
- Ralamboseheno Aldini Du Sienne Laurent sy Raoelina
Rijaniaina Mbolatiana Lily
- Rabesetra Cinthy Ny Ando sy Ramanakoarivo Lisy Felampaniry
- Rakotomahefa Dimby Ny Aina Fiononana sy Ranaivoson Landivolarivo Nambinintsoa
- Ravelonarivo Tolojanahary Heritiana sy Rafenoarisoa
Eleonora
- Andriasata Solofoson Odon José sy Mandimbiharilala
Haingotiana Landrisoa
- Randrianarisoa Rivo Narindra sy Andrianaivozanany
Miora Balisama
- Rarivotolotra Radoniaina sy Razafindrakoto Randrianary Tefiharisendra Narindra Michaëlle
Fiononana
« Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba
hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany… »
- Rakotoarisoa Justin
- Ramiandrasoa Monique
- Rakotondrazaka Harivelo
- Randrenarison Paul
- Randrianjafinirina Bruno
- Rajaonarivelo André
- Razaiarisoa Julienne
BAtISA
« …dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahy Masina nidina
teo amboniny… » Lio. 3. 22
- Rakotoniaina Anjara Maël Anthony
- Randriamampianina Mitia Iderana
- Razanajoelina Jonathan Royer Jean
tENY tONDRO
Omeo hoe firy no isan’ny :
1. dian’i Paoly nitory filazantsara..............................................................................................
2. nifidianana hisolo an’i Jodasy...............................................................................................
3. teny hoe: “trinite” ao amin’ny Baiboly ...................................................................................
RNh
4. mofo sy hazandrano nampihinanan’i Jesoa olona tsy omby dimy arivo ..............................
5. sobiky nanangonana ny sisa ................................................................................................
6. diakon’ny fiangonana voalohany ..........................................................................................
7. fiangonana tany Asia nampanoratan’Andriamanitra Epistily ................................................
vAlINy : a- Tilapia / b- Gisa /
d- Pirina / e- Tantely / f- Omby
/ h- Boriky / g- Saka
Valiny Lah. 034 :
T
S
A
K
O
T
S
A
K
O
Y
Mpindrana mahay mankasitraka
Maro ireo tsy mahatakatra ny tena hevitra tian’ny Ntaolo nampitaina tamin’ny
alalan’ny ohabolana “Ny adala no toa andrainy”. Mifandray sy mifanindran-dalana
amin’io tsara ilay filamatra hoe “Lanja
miakatra ny fiainana”.
Ny lafiny fivoarana eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny olombelona no
voakasika eto raha vantanina ny resaka.
Tokony handroso hatrany isika fa tsy
ekena ny fihemorana. Manomboka eo
amin’ny fianakaviana tsirairay no tokony
hahitàna taratra izany, ary hitatra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny
vokatra ho azo. Mila mihoatra an-drainy
hatrany ny zanaka eo amin’ny lafim-piainana maro (fahendrena, fahalalana, faripahaizana, sy ny sisa). Famolavolàna
zanaka manana hambompo ka mametraka ny fanamby hanatrarana izany no
andraikitra miandry ny ray amandreny
rehetra. Tena maninana (défier) mihitsy
no resaka eto, saingy maninana amin’ny
lafiny tsara sady mendrika ny halain-tahaka.
Fa lanja miakatra toy izay koa ny fiainan’ny olombelona eo amin’ny sehatry
ny fikarohana. Diso mirimorimo loatra
mihitsy aza raha tombanana ka sady mitera-boka-tsoa no mampidi-doza amin’ny
ankapobeny. Nisy mpandinika efa nanambara ampahibemaso mihitsy fa “ny
fahalalana no mahabe fahoriana”. Mahasadaikatra tokoa ny fandrenesana fa ny
noheverina hoenti-manamora ny fiainana
indray no sanatria hampidi-doza. Ny fihazakazahan’ny famoronana fitaovampiadiana, ohatra, no namoizana aina sy
fananana tsy hita noanoa maneran-tany.
Mbola mitohy hatramin’izao nefa ny fikarohana, ary ifaninanan’ny firenena
maro mihitsy aza. Manginy fotsiny ny tetibolampanjakana aompana amin’io sehatra ny fitaovam-piadiana io.
Maro ireo seha-pikarohana efa ahitana
taratra fa mirimorimo izaitsizy ny fikarohana. Mampiteny ny moana ny vokatra
azo satria nisy tamin’ireny noheverina fa
nofinofy tsy ho azo tanterahina ireny no
efa iainana ankehitriny.
Iaraha-mahita ohatra fa efa ela no tsy
mitombina intsony ilay fanoharana fampiasan’ny Ntaolo razantsika hoe “Ny fanahy ratsy no azo ovàna fa ny tarehy ratsy
tsy azo ovàna”. Nirodana tanteraka io rehefa nisy ny “Chirurgie esthétique”.
Azon’ny manam-pahaizana atao tsara ny
manova ny endrik’olombelona (tarehy no
resahina eto). Nisy mihitsy aza ny olo-malaza iray mainty fihodirana sady nanankatao izay nahavatra nampanova ny
volon-kodiny ho fotsy. Samy nanana ny
fomba nandraisany iny toe-javatra iny ny
tsirairay. Tao ireo nidera ny fahaizan’ny
mpikaroka fa efa lasa lavitra tokoa ny
siansa. Tsy vitsy koa nefa ireo nanome
tsiny fa efa maninana an’Andriamanitra
amin’ny fahaizana ny olombelona. Isika
tsy hitsara fa ny zava-nisy ihany no nilaza
azy. Niaraha-nahafantatra ny niafaran’iny
fanovan-tarehy sy volon-koditra iny: tsy
voafehin’ireo mpitsabo maro nosandaina
volabe intsony ny fihasimban’ny fanovàna
rehetra natao.
Efa hamolavola olombelona amin’ny
alalan’ny “Clonage” koa ireo mpikaroka.
Indrisy anefa …tsy nisy mbola nahatohitra
ny fahafatesana aloha hatreto ireo naninana an’Andriamanitra fa samy nandao ny
tany avokoa rehefa voaantso. Tsotra ny antony : avy tamin’Andriamanitra sady voafetra ny fahalalan’olombelona. Mpindrana
ihany isika ka tsy afaka hilahatra velively
amin’ny Mpampindrana. Tsakotsakoy àry!
“Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra
noho ny tany no hahavon'ny lalako noho
ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.” (Isaia 55:9)
S.A.
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 15
Samihafa
TeNY FiAiNANA
Aza misotro divay na
toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao
amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna
mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny
fara mandimby izany)
Levitikosy 10: 9
> VOLiNTSAiNA
Ny lanjan’
andriamanitra
Ny Silamo nandritry ny volana lasa teo dia nanamarika ny ramadany, fifadiana fifehezan-tena
ho fanajany ny andriamaniny. Ny
mpanompo sampy manolotra izay
rehetra takian'ny sampy na inona
na inona, fa ny kristiana kosa hoy
aho manao ahoana no mba haja sy
voninahitra omeny an'Andriamaniny. Ny Apostoly Jaona milaza
ao amin'ny filazantsara hoe:
"Jesoa tsy maintsy mitombo fa izy
kosa tsy maintsy mihena". Ambaka va isika?
fifiav
Soon And Very Soon
Choir :
Soon and very soon, we are going to see the king (3x)
hallelujah, hallelujah we are going to see the king
No more crying there, we are going to see the king (3x)
hallelujah, hallelujah we are going to see the king
No more dying there we are going to see the king (3x)
hallelujah, hallelujah we are going to see the king
Solo :
Should there be any rivers we must cross,
should there be any mountains we must climb.
God will supply all the strength that we need
give us grace 'til we reach the other side
We have come from every nation,
god knows each of us by name,
Jesus gave his blood and he washed our sins
and He washed them all away.
yes, there are some of us
who have laid down there lifes
but we all shall live again
on the other side
> PeRiKOPA AOGOSiTRA
“Mandray ny
Famonjena ny Mino”.
03 Aogositra
Sal. 116 : 12-19 – Lio.2 :
25-35 – IKor. 11 : 23-26.
10 Aogositra
Isaia 61 : 10-11 – Jao. 12 :
20-33 – Efe. 6: 10-20.
17 Aogositra
Sal. 119: 105-112 – Mar. 9 :
33-41 – Asa. 16 : 25-34.
24 Aogositra
Jer. 17 : 14-18 – Mat. 10 :
40-42 – ITes. 5 : 4-11.
31 Aogositra
Sal. 121 : 1-8 – Mat.14 :
24-36 – Rom. 13 : 11-14.
FARIMBONA reniny
Famaranana ny faha-50 taonany
Sady famaranana ny iray
volan’ny Farimbona no namaranana ny fankalazana ny
faha-50 taonan’ny Farimbona
reniny ny alahady 27 Jolay
2014 takariva. Ny taniketsan’ny Mpihira no nanokatra
ny sehatra, tamin’ireo hira fi-
derana
kanto
niarahana
tamin’ireo ankizy, notohizan’ny mpihiran’ny Farimbona izany avy eo. Tany
am-pamaranana ny lanonana
no nilazana ny fanoloran’ny
komitin’ny fankalazana ny
“parc informatique” misy fi-
fandraisana eny amin’ny IFR
izay hanomboka hisitrahan’ny
mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io.
Izany no nofidian’ny komity
ho tsangambaton’ny faha-50
Farimbona reniny raha tsiahivina.
FifiAV
Famandrihana gazety
azonao tanterahina manomboka izao ny famandrihana (abonnement) ny gazety FaFana
hahamora kokoa ny fahazoanao azy. Famandrihana efa-bolana.
toy izao no fepetra
amin’ny famandrihana :
raisina ao amin’ireo
mpikambana mivarotra gazety ny « coupon » amin’ny vidiny
1600 ar*. isaky ny alahady Fandraisana (ivoasy
gazety)
han’ny
alahady tsotra (anelanelan’ny fotoam-pivavahana voalohany sy
faharoa) no ahazoana
mandray ny anjara gazetinao rehefa mampitapakila
ny
seho
Fam an dr i ha na
amin’ny mpikambana
ao amin’ny FaFana
ianao.
15
Aogositra 2014
ANDRIANARISOA
ANDRIAMANANONY
tsiorimahefa
"Ampitomboin'Andriamanitra hatrany ny talenta rehefa
anompoana Azy. Izy rahateo no
nanome fa mpindrana ihany
aho.” Ireo no fanambaran'i Tsiory raha nanontaniana ny antony
andraisany andraikitra sahady
amin'ny fitendrena ato am-piangonana.
ANDRIANARISOA ANDRIAMANANONY Tsiorimahefa no anarany feno. 22 taona
izy. Tamin’ny faha-11 taonany
no nitendreny gitara voalohany,
ary nampitsiry ny fitiavany handalina izany bebe kokoa hatrany.
Nanamafy ny fitiavany mozika
ny nidirany tao amin’ny Taninketsan’ny Farimbona. Nanampy
azy betsaka koa ny talenta tao
aminy izay karazan'ny nolovàny
avy tamin'ireo loharano nipoirany ka nahafahany nampianatena aloha tany am-piandohàna.
. Nohatevenina tamin'ny fianarana tao amin'ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) izany
taty aoriana.
Fialamboly ankafiziny indrindra ny mozika, izay ambarany fa manampy azy betsaka
amin'ny fianarana sy ny fivelarana bebe kokoa amin'ny lafimpiainana maro. Torak’izany koa
ny fanatanjahantena (basket ball,
foot ball…) , ny manodidina ny
hiaka farany eo amin’ny teknolojia vaovao momba ny serasera
sy ny fifandraisana.
Milalao anaty tarika iray
mpiangaly mozika Jazz antsoina hoe "ELIXIR" i Tsiory.
Tsy ny gadona rehetra nefa no
hiraina sy lalaovin'ny tarika fa
saika ireo gadona avy any Amerika-Atsimo na "Latino", indrindra indrindra ny "Bossa
Nova". Ny hifehezana ny fitendrena gitara araka izay fetra homen'ny Tompo azy no tena mba
tanjona kendreny. Milalao zavamaneno hafa koa i Tsiory, toy
ny Piano, ny Synthétiseur.
Resy lahatra ny tovolahy fa
tsy mba mibirioka any amin'ny
lalan-tsy izy (toy ny filokàna na
fidorohana zava-mahadomelina) ny ankabeazan'ireo tanora
liana amin'ny mozika, indrindra
ka sady mianatra no mivavaka
ary manompo an'Andriamanitra
amn'ny alalan'ny talenta nomena azy izy ireny.
Niditra mpikambana tao
amin’ny VTM i Tsiory ny taona
2012. Tamin’izany no nanombohany nitendry tato ampiangonana nandritra ireo « cultes ho
an’ny tanora », fiaraha-miasa
teo amin’ny VTM sy ireo sampana samihafa. Efa nisy koa ny
fandraisany anjara niaraka tamin’ireo mpitendry zava-maneno tanora nandritra ny
fanompoam-pivavahana sy fanamasinana fanambadiana.
Hafatra avy amin’i Tsiory
ho an’ny mpiara-mivavaka eto
Ankadifotsy, indrindra ireo tanora ny amin’ny tokony hanompoana an’Andriamanitra
amin’ny alalan’ireo fahasoavana rehetra azo avy Aminy,
araka ny tononkira avy ao
amin’ny Fihirana FFPM 432:2,
izay nakàna ny teny filamatry
ny VTM rahateo: “v”.
R.Sidonie
Miseho isam-bolana
Tale :
Ny mpitandrina
RANJAKAVOLA
Tonia :
Yves A. SAMOELIJAONA
Komity fanoratana :
ANDRIANARISON Veronica
RAHAINGOMALALA Sidonie
RANDRIANTSARA Iony
RANJAKAVOLA Jacquelline
RATSITOARISON Hanta
RAZAFINDRANGALY Ninie
RAVALOMANANA Navalona
ANDRIANARISOA Solofo
RAKOTOMALALA
Rivoniaina Rija
Mamy RAZAFY
RANAIVOSON Herivonjy
RAKOTONAVALONA Bako
RAKOTOARIVELO Tojo hery
RATSIMBA R.Tahiry
RAKOTONIRINA N.H.
RAZAKA Ianjaniaina
RAFENOMANANA Narindra
RAZAFIMBELO Ony
Rindra ara-takelaka :
RANAIVOSON Haja
Mailaka :
[email protected]
Tél. : 034 84 497 64
Mpanonta :
*azo atao ny mamandrika gazety mihoatra ny iray isam-bolana (amin’ny vidiny 400 Ar. ny iray).
Adiresy :
Lot IVN 50 A
Ankadifotsy - 101 Tanà
GSM : 033 14 281 27
Fafana 152 okokok:Mise en page 1 30/07/2014 09:03 Page 16
16
Jolay 2014
Fiainam-piangonana
Fanompoana
an-tsary
Fanirahana Mpitandrina 69,
mpampianatra 53
FJKM Foibe
Nitombo isa ny Mpitandrina sy ny mpampianatra eo anivon’ny FJKM Foibe satria dia nisy
indray ny andiany navoaka ny alahady 27 Jolay lasa teo tetsy Antsahamanitra.
N
atao tetsy Antsahamanitra ny fanompoam-pivavahana
fanirahana ny andiany “ Fanilo, fanasina sy fahazavana”
ho Mpitandrina sy mpampianatra FJKM ny Alahady 27
Jolay tolakandro lasa teo. Ny
Mpitandrina Lala Rasendrahasina, Filohan’ny FJKM no
nitarika izany. 69 no Mpitandrina vaovao eto amin’ny
sahan’ny FJKM hiasa manerana an’i Madagasikara
ary 53 ny mpampianatra
avy ao amin’ny IFRP hiasa
amin’ireo sekoly FJKM.
Ny Mpitandrina Rakotoarivony Hubert, mpanolotsaina MF no nitondra ny
hafatr’Andriamanitra. Ny
Lioka toko fahatelo no niompànan’ny hafatra ny amin’i
Jaona niantso mafy tany
FKBM tany Ambatolampy
Vonona hiatrika ny adidiny sy ny andraikiny ireo Mpitandrina sy mpampianatra
vaovao vao nivoaka ny alahady 27 Jolay lasa teo
an’efitra. Nozaraina ny zavamiafinin’ny fitoerana any
an’efitra tamin’izany, izay
toeram-mpanomanana, nakàny ny tantaram-piainan’i
Fantaro ny Tatitra Isan’ ny FJKM
(antotan’isa tamin’ny Aprily 2014)
Isan’ny Fitandremana :
1799
Isan’ny Fiangonana :
7356
Isan’ny Mpitandrinalahy :
1006
Isan’ny Mpitandrinavavy :
343
Isan’ny Katekista Delege :
685
Isan’ny Sekoly FJKM :
596
Isan’ny mpampianatra :
2 624
Isan’ny mpianatra sekoly FJKM :
90 975
Isan’ny kristiana FJKM :
1 228 430
Isan’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo : 985 141
Isan’ny vita Batisa :
2 043 658
Isan’ny Diakona FJKM :
88 856
Fitandremana vitsivitsy no tsy feno.
Nangonin’i Ony R
Josefa nanazavana izany fa
misy ny mandalo ao anaty lavaka, figadrana,…toerana fanefen’Andriamanitra ny any
any an’efitra mba hanànana
faharetana.Notsindriny mafy
fa sarotra ny hiainana izany
raha tsy olona resy lahatra sy
voantso. Ary iraka ny hitaona ny karazan’olona rehetra hibebaka. Mitokia amin’Andriamanitra izay naniraka
fa tsy mijery ny tombontsoan’ny tena manokana fotsiny hoy ny hafatra raha tsy
te-ho vaky sambo am-pandehànana. Mila mahafantatra ny antom-pisiny sy ny
niantsoana azy ny tsirairay,
toa an’i Lotera. Nidrana tenin’olo-malàza roa izy tao
anatin’izany: M. Gandhi
“Atomboy aminao ny fiovàna izay tianao ho hita
amin’ny hafa”sy Henri Ford
“rehefa tsy mifandraika
amin’ny marina ny zavatra,
dia aza manova ny marina
fa ny zavatra ovàna”. Taorian’ny hafatra dia nitondra
amim-bavaka ireo mpanompon’Andriamanitra vaovao
sy ny fiangonana ny Mpitandrina Ramarokoto Haingo,
mpampianatra TPM Fianarantsoa. Niroso tamin’ny fanirahana taorian’izany. Anisan’izany Raharijaona Mitandrintsoa Patrick mivady,
niza-draharaha teto amin’ny
fitandremana Ankadifotsy
sady zanaky ny fiangonana
rahateo. Izy ireo dia voairaka any amin’ny synodamparitany Mevarano Miray.
Ny Gazety Fafana dia miarahaba sy mirary azy mivady
ahefabe amin’ny asan’ny
Tompo.
fifiav
Diakona sy loholona tany Moramanga
Ny Taniketsan’ny mpihira nidera an’Andriamanitra
tamin’ny famaranana ny faha-50 taonan’ny Farimbona
Saha Edena
Fanasana
Fifaliana lehibe ho an’ny fikambanana
Saha Edena eto amin’ny fitandremana Ankadifotsy ny milaza fa afaka mandray antànana ny fikarakarana ny alitara sy ny
fiangonana manontolo ny mpikambana ao
amin’ny Saha Edena.
Izay mety ho sarany dia araka izay filàna sy hetahetan’ny tsirairay. Irin’ny fikambanana indrindra ny mba hanatonan’ireo
hikarakara ny fanambadiany rehetra eto
am-piangonana ny fikambanana handraisan’izy ireo izay torohevitra tsara ho fantatra ny amin’ny fandravahana ny
fiangonana. Ireto ihany ny laharana azo
antsoina momba izany : Ny filoha Ramatoa
Anja 034.01.309.68 na ny: 033.12.404.17
– 033.12.227.18 – 033.11.877.60 –
033.11.251.11. Afaka manatona mivantana
an-dRamatoa Ranjakavola koa amin’izany.
Ny filohan’ny Saha Edena

Documents pareils

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny

famintinana ireo vaovao nisongadina nandritra ny ary fa ny Loholona Honoré Rakotomanana no voafidy ho Filohan’izany andrim-panjakana izany. 60 no isan’ireo nifidy azy. Nandritra ny lahateny nataony no nanipihany fa ankoatra ny fandinihana sy fand...

Plus en détail

«Novonjena tamin-Kery teo Andalantsaran`ny Helo »

«Novonjena tamin-Kery teo Andalantsaran`ny Helo » Ankehitriny, am-polony taona taorian’izany rehetra izany, dia mbola mitamberina toy ny tselatra ao antsaiko ny zava-nisy taloha, kanefa mbola zazalahy kely vao efatra na dimy taona aho tamin’izany....

Plus en détail