Version imprimable

Transcription

Version imprimable
T
"
ffiPffi,W!'ffi;tr;[ffimffi"9
ffiif;*
REPOBLIKA
FAHAEFATRA
FEPOTOANA
FANAOVAN-DALANA
VOALOHANY
FOTOAM-PIVOR
IANAARA.POTOANA
VOALOHANY
TAONA20'14
DIRECTION
DELALEGISLATION
SERVICE
DESPROCES-VERBAUX
ETDESCOMPTES-RENDUS
ANALYTIQUES
FTMT NTAAIiI.ÎSONAINA
Ni TTYORIA}IBE
TAHARANAFAHA-24
faha-6
Fivoriana
Nataony
Zoma76 May 2014
- Tolak'andro
Ël
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Zoma 16 May 2014
- Tolak’andro -
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………. 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 01
- Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 03
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………. 07
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 11
- Fiatoan’ny fivoriana ………………………………………………….……………………………………………….. 42
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA: Andriamatoa isany:
- MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
- LIAHOSOA Malement
FOTOANA: Zoma 16 May 2014, tamin’ny 2 ora sy 40 minitra, tolak’andro.
FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny tolopehin-kevitra momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara,
indrindra any Atsimon’ny Nosy.
-1- Fitohizan’ny fivoriana -LakolosyAndriamatoa FILOHA
Andriamatoa
isany
mpiara-mikambana
ato
amin’ny
Birao
Antenimierampirenena,
Ianareo
Solombavambahoaka
Filohan’ny
Vaomiera
Maharitra
Antenimierampirenena,
Ianareo, rahalahy sy anabavy, Solombavambahoaka namana.
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Maharitry
ato
ny
amin’ny
Mitohy ny fivoriantsika, sady miarahaba antsika Solombavambahoaka tonga manatrika izao
fivoriambe izao.
Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha dia iangaviana ny mpitantsoratra hanao ny
fiantsoana anarana.
-2- Fiantsoana anarana Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka namana rehetra.
ABDILLAH
ALIDY Bin Soufou
…………………………
………..…………………………
……………………………………………
ZAFIMAHATRATRA Abel.
2
Andriamatoa Filoha, 56 no isan’ny Solombavambahoaka
Antenimierampirenena, amin’izao fotoana izao.
tonga
ato
amin’ny
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpitantsoratra, nanao ny fiantsoana anarana.
Amin’ny lisitra eto am-pelatanako dia misy Solombavambahoaka 31 no nahatonga fialantsiny.
Koa raha sitratsika dia hiroso amin’ny fandaharam-potoana isika.
Ny fandaharam-potoanantsika amin’izao tolak’andron’ny Zoma faha-16 may 2014 izao, dia
fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny tolo-pehin-kevitra
momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara, indrindra any
Atsimon’ny Nosy.
Niasa moa ny “Commission ad’hoc”; koa heveriko angamba, fa ny fomba tokony ataontsika
dia tohizana aloha ny “commission plénière” hanaovan’ny “Commission ad’hoc” tatitra.
Rehefa vita izay dia hovohantsika ny varavarana ho amin’ny « séance plénière »
handehanan’ny adihevitra. Aorian’izay isika mandray fanapahan-kevitra.
Tsy izay?
Koa miangavy anareo mpanao gazety, Tompoko, hisintona kely ao anatin’ny fotoana tsy ho
ela.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Eny amin’ny “tableau de séance” ary hitan’ny rehetra izany na mpanao gazety koa aza, fa
“séance plénière” no misoratra ao. Koa ny famakiana an’ity, Andriamatoa Filoha, dia tsy
“confidentiel” intsony. Sao dia manjary tsy mety amin’ny asa fanaovana gazety izany. Alefaso
eto izy ireo hanatrika, fa “séance plénière” no hataontsika izao; mandeha amin’ny “vote”
isika rehefa avy eo.
Andriamatoa FILOHA
Sokafy ary ny varavarana.
Andriamatoa MARA Niarisy
Io indray na mikatona dia afaka miditra ihany ry zareo; tsy maninona.
Andriamatoa FILOHA
Aleo sokafana amin’ny maha-“séance plènière” azy. Sokafy ny varavarana dia ampandrosoy
ry zareo.
3
Andriamatoa MARA Niarisy
Andriamatoa Filoha, amin’ilay tatitra dia nampanao “multiplication” izahay omaly, ka tokony
hozaraina amin’ny Solombavambahoaka izany, mba hovakiana rehefa avy eo. Efa nahazo?
Maro no mbola tsy nahazo. Zarao ary ilay izy.
Alaina dia zaraina eto ilay tatitra.
Andriamatoa FILOHA
Hiroso izany isika, ka ny fandaharam-potoanantsika dia fivoriambe handinihana sy
handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny tolo-pehin-kevitra momba ny ady amin’ny tsy
fandriampahalemana misy eto Madagasikara, indrindra any Atsimon’ny Nosy.
Ny marainan’ny Alakamisy faha-15 May 2014, teo moa dia nisy ny fivorian’ny Vaomiera
Itambarambe, nanoritsoritana sy niandian-kevitra amin’ireo olana mitranga vokatr’ity tsy
fandriampahalemana misy eto amintsika ity. Notapahana tamin’io fivorian’ny Vaomiera
Itambarambe io fa hisy ny Vaomiera Manokana na “Commission ad’hoc”, handrafitra ny
fehin-kevitra niainga tamin’ireo hevi-dehibe nivoaka tamin’io fivorian’ny Vaomiera
Itambarambe io.
Vita soa aman-tsara ny asan’izany Vaomiera Manokana izany; koa izao aroso eto amin’ny
fivoriambe izao handraisantsika fanapahan-kevitra farany.
Koa iangaviantsika ny Mpampakatenin’io Vaomiera Manokana io, hamaky ny tatitry ny
asan’izy ireo sy ireo tolo-pehin-kevitra.
Miangavy am-panajana ny Mpampakateny.
Misaotra, Tompoko.
Miangavy antsika hizara ny tatitra am-pahanginana, Tompoko, azafady indrindra.
-3- Famakiana ny tatitra Andriamatoa LIAHOSOA Malement
Andriamatoa Filoha,
Ho antsika namana Solombavambahoaka rehetra.
Toy izao ny tatitra avy amin’ny Vaomiera Manokana, izay natsangantsika omaly.
Nivory ny Alakamisy faha-15 May 2014, tamin’ny 4 ora sy 30 minitra, tolak’andro, ny
Vaomiera Manokana namolavola ny Tolo-pehin-kevitra mikasika ny ady atao amin’ny tsy
fandriampahalemana.
Andriamatoa Mara NIARISY, Filoha no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo Mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. NIARISY Mara
2. RAKOTOMALALA Lucien
3. TOVONAY
4. MARORIKY
4
5. HANITRINIAINA Mamy Armand
6. RANDRIANANDRIAMATOAVINA J.Martin
7. RABENIRINA J.René
8. RANDRIANANDRAINA Théophile
9. RANDRIANOELINA Razafimahefa
10. RANDRIAMANDIMBISOA Felix
11. LIAHOSOA Malement
12. BEHAVANA Raveloarivonjy
13. ELITAFA Basile
14. RATOVOSON Manoelina Hery
15. ANDRIAMBOAVONJY Nantenaina
16. DINAH Romuald
17. Angèle Solange
18. MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia namariparitra ny fomba
hamolavolana ity Tolo-pehin-kevitra mikasika ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana
ity. Rehefa izany dia niroso tamin’ny adihevitra ny mpivory.
Nanontany ny mpivory, Andriamatoa Filoha, mikasika ny fandrafetana ny hevitra. Nisy
nandroso soso-kevitra hizarana telo ireo fepetra raisina ao anatin’ny Tolo-pehin-kevitra,
arakaraky ny fahamaizana (urgence) dia ny “à court terme”, “à moyen terme” ary ny “à long
terme”.
Nisy koa ny nanamarika, fa voakasik’ity tsy fandriampahalemana ity avokoa ny Faritra
rehetra eto Madagasikara, indrindra ny any atsimo, ka hozaraina faritra telo izany: Faritra
Atsimo, Faritra Afovoany ary ny Faritra Avaratra.
Ny Faritra Atsimo no tena laharam-pahamehana amin’izany, ny any Avaratra dia resaka
“Foroche” ary ny Faritra Afovoany dia fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana.
Raha momba ny any Atsimo dia efa nandefasana mpitandro filamaninana. Mety hilamina
izany ato ho ato, saingy mety hirongatra indray any amin’ny toeran-kafa, ka mety ho lany
andro ity Tolo-pehin-kevitra ity.
Efa nisy rafitra napetraky ny Fanjakana any Atsimo, nefa tsy nampiasainy izany, isika izao dia
mamelona lakolosy hanairana azy. Nanolotra soso-kevitra ny mpivory amin’ny hangatahana
fanampiana
amin’ny
fianakaviam-be
iraisam-pirenena,
hiatrehana
ny
tsy
fandriampahalemana, indrindra any amin’ny Faritra Atsimo. Tokony hisy ny “interpellation”n’ny Governemanta momba io lafiny iray io sy hamantarana ny antony tsy nahefany ny
andraikiny.
Nisy nanolotra soso-kevitra ho vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana any Atsimo, toy
ny tsy hanaovana ny “Opération Tsy Mitsitsy”, fa miteraka faty olona betsaka ary koa ny
hampiasana “hélicoptère”, ka ny Governementa no miantoka izany.
Tokony haraha-maso ihany koa ny fivoahan’ny basy antsokosoko eny Ivato, izay miteraka ny
tsy fandriampahalemana eran’i Madagasikara; fanampin’izany, ny fisian’ny kolikoly, izay
rangory fototry ny afo mikasika azy io.
5
Nankatoavin’ny Vaomiera Manokana ity Tolo-pehin-kevitra ity, ka ho entina any amin’ny
fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany.
Nifarana tamin’ny 7 ora sy 30 minitra, alina, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory,
Andriamatoa Filoha.
Toy izao no firafitry ny tolo-kevitra avy atỳ amin’ny Vaomiera:
REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana
ASSEMBLEE NATIONALE
PROPOSITION DE RESOLUTION N 01-2014/R
relative à la lutte contre l’insécurité à Madagascar,
particulièrement dans le Sud,
présentée par la Commission ad’hoc
EXPOSE DES MOTIFS
Considérant la déclaration universelle des droits de l’homme dans son ensemble, eu
égard des principes des libertés, des droits et devoirs des citoyens prévus par la Constitution
de la Quatrième République de Madagascar.
Conscient qu’il y a nécessité de lutter contre l’insécurité sur tout le territoire, en
particulier dans le Sud de Madagascar, dans la mesure où l’évolution de la délinquance et de
la criminalité a été constatée par l’ensemble des Députés.
Conscient qu’aucun développement économique et social ne serait envisageable dans
le pays sans la stabilité sécuritaire, condition sine qua none pour garantir les investissements
nationaux et étrangers.
Dans ce cadre, il est urgent d’organiser la lutte contre les différentes formes
d’insécurité à l’échelle nationale et régionale.
Ainsi, conformément aux dispositions de l’article-110 du Règlement Intérieur de
l’Assemblée Nationale, les Députés proposent la présente résolution invitant le
Gouvernement à agir et à résoudre la question d’insécurité dans le pays.
Cette proposition de Résolution vise à inciter le Gouvernement à prendre des mesures
adéquates pour y remédier.
Tel est l’objet de la présente proposition de résolution.
6
REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana
ASEMBLEE NATIONALE
ROPOSITION DE RESOLUTION N 01-2014 /R
relative à la lutte contre l’insécurité à Madagascar,
particulièrement dans le Sud
présentée par la Commission ad’hoc
L’Assemblée nationale,
- Usant de son pouvoir de contrôle de l’action du Gouvernement,
- Consciente de l’ampleur de la recrudescence de l’insécurité,
- Constatant la tergiversation des autorités dans la recherche de solution appropriée,
- Soucieuse de fournir à la population un environnement sécuritaire durable,
- Prenant acte des plaintes et désidérata de la population victime.
- Inquiète de l’impact négatif de ce phénomène sur l’économie nationale,
Après débat en séance plénière en date du 15/05/2014, invite le Gouvernement à prendre
les mesures suivantes:
1- A court terme
- Application de la Loi n°2001-004 portant Règlementation générale des Dina en matière
de sécurité publique;
- Rengagement des réservistes;
- Redéploiement juste et équitable des forces de l’ordre en mettant l’accent sur les zones
rouges;
- Création d’une unité spéciale « anti-dahalo »;
- Engagement d’opération ciblée pour les « kizo »;
- Arrêt immédiat des affectations d’éléments de forces de l’ordre au service des
« mpanarivo »;
- Affectation systématique des responsables des forces de l’ordre (gendarmes, militaires,
polices) et des responsables administratifs locaux (Délégué d’Arrondissement, Chef de
District, Commandant de Région Militaire, Magistrats…) actuellement en poste dans les
zones concernées.
- Dotation de téléphone portable, de GPS et de BLU, de matériels roulants (4x4….) et de
gilets pare-balles aux éléments des forces de l’ordre affectées dans les régions à risque.
- Utilisation de satellite pour surveiller le trafic de bovidés;
- Réparation et entretien de l’hélicoptère Alouette II;
- Augmentation du budget contre l’insécurité;
- Motivation des éléments des forces de l’ordre;
- Extension de la lutte contre les instigateurs et commanditaires des opérations « dahalo
ambony latabatra »;
- Contrôles de détentions illicites d’armes;
- Valorisation de la communauté de base (Fokontany, Fokonolona….);
- Contrôle et mise en place de guichet unique des marchés de bovidés;
- Recensement local de bovidés;
- Renforcement des capacités de contrôle des garde-côtes en vue d’éliminer l’exportation
illicite des bovidés;
7
-
Regroupement des villages;
Mise en place des Commissions régionales d’Appellation de robe (couleur) de bovidés;
Dotation d’assurance-vie pour les andrimasompokonolona;
Cloisonnement et contrôle des « couloirs de la mort ».
2- A moyen terme
- Légalisation du Dina;
- Augmentation des effectifs des éléments des forces de l’ordre;
- Mise en place des Postes avancés, notamment dans les Zones rouges;
- Désenclavement (infrastructures routières, téléphonie mobile);
- Institution de Tribunal Spécial et de Maison d’Arrêt pour les dahalo;
- Dissuasion des dahalo (mesures : interdiction de séjour, déportation…);
- Eradication des actes de banditisme (dahalo, foroche…);
3-A long terme
- Mise en place de structure permanente et indépendante chargée de la lutte contre
l’insécurité, particulièrement contre le « dahalo »;
- Révision des textes réglementaires sur la détention des mineurs délinquants;
- Mise en place « barrage économique » par Commune;
- Scolarisation obligatoire des enfants;
- Rétablissement de l’enseignement de l’éducation civique à l’Ecole Primaire;
- Refonte totale des textes réglementaires obsolètes;
- Institution de Dina Régional et Inter-Régional;
- Relance économique visant la création d’emploi;
Antananarivo le 16 mai 2014
LA COMMISSION AD’HOC
-TehakaIzay, Andriamatoa Filoha sy ho antsika Solombavambahoaka namana, no asa nataon’ny
Vaomiera omaly.
Teo dia Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard, indray no nitarika ny
fivoriana.
-4- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Misaotra an’Andriamatoa Mpampakanteny isika tamin’izay tatitra nataony izay.
Andriamatoa Mpampakateny, angamba eo ihany aloha ianao.
Marihina, fa tao anatin’io “Commission ad’hoc” io ihany koa, Andriamatoa Filoha Lefitra,
MAHAZOASY Freddie.
Misokatra ho antsika ny fitenenana. Koa izao no hanaovantsika azy, atombotsika amin’ny…
8
Satroka?
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Alohan’ny hidirantsika amin’ilay “débat” amin’ny “séance plénière” dia izay tao anatin’ny
“Commission ad’hoc”, ka mbola manana “remarque” no tokony hiteny voalohany hoe: inona
no zavatra latsaka tato; inona no tsy ampy ato.
Koa izaho izay miteny izao dia misy latsaka tsy tafiditra tamin’ny vakiteny nataon’ny
“Rapporteur” teo, tiako mba ho lazaina.
Aorian’izay vao miditra amin’ny “débat” isika rehefa vita izany.
Misaotra, Andriamatoa Filoha, fa faranako ny fitenenako.
Andriamatoa FILOHA
Ekentsika ve aloha izay fomba fiasa izay?
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha.
Fanamarihana telo no ataoko:
Ny iray ato amin’ny “à long terme”, ao amin’ny “page-3” milaza hoe: « mise en place de
barrage économique par commune ». Hangatahan’ny namana ho « spécialement pour bois
de rose et vanille » io.
Aleo « spécifier »-na sahala amin’izay, fa tsy « globaliser »-na hoatra an’ity. Misy zavatra iray,
mikasika « Région » iray.
Ny faharoa: « contrôle et mise en place de guichet unique des marchés de bovidés » ho an’i
Mandoto. Izy no nangataka io. Aleo « spécifier »-na satria ny namantsika rehetra tsy nisy
nangataka an’io, fa namana iray ihany, satria ilainy io “guichet unique” io.
Ny fahatelo, Andriamatoa Filoha, asa na ny solomasoko no tsy mahita tsara, fa ny zavatra tsy
hitako ato dia ny « fampiatoana ny fanondranana omby velona na omby maty, amin’ny
sambo na amin’ny fiarabe ». Izay no ohatra ny tsy voasoratra ato, fa nilatsaka.
Ny tena noeritreretin’ny “Commission ad’hoc” dia ny “transaction” toa misy foana, satria
mivarotra omby isika Malagasy eto. Matin’ireo “électeurs” ireo isika raha toa misakana an’io,
fa tsy azo entina “camion” ny omby; na maty io na velona ary indrindra moa fa ny fitondrana
azy amin’ny sambo, izay mampita azy any amin’ny firenena hafa any.
Andriamatoa FILOHA
“A court terme” ve izay, Andriamatoa Solombavambahoaka sa ahoana?
9
Andriamatoa MARA Niarisy
“A court terme” izay, Andriamatoa Filoha. “A court terme” no nanaovantsika an’io raha tsy
diso aho tamin’izay.
Izay ireo “remarques” telo teo.
Ny farany, Andriamatoa Filoha, amin’ny fanazavana teo, toa tsy azoko loatra amin’ilay “à
court terme”, misy an’ireto: “dotation de téléphone portable”; satria raha ny fahalalako azy
dia “extension” no noresahintsika tao. “Extension des réseaux”. Ny « réseau Airtel », ny
“réseau TELMA”, ny “réseau ORANGE”, mba hipaka any amin’ny Fokontany any amin’ireo
“Zones Rouges”. Tsy maintsy izay aloha no atao, vao mila “portable”. Hatao inona moa
“portable” raha tsy tonga any ny “réseaux”. Ilay “extension des réseaux”, mba hipaka any
amin’ny Fokontany any amin’ireo Faritra Mena na misy asan-dahalo no tokony imasoana
atao “à court terme” aloha.
Ny lalana koa sahala amin’izay. Tena atao “à court terme”, fa tsy “à moyen terme” iny. Tena
fanamboaran-dalana, mba hisian’ny « communication » haingana na « téléphone »
amin’ireo Faritra Mena, hialana amin’ny asan-dahalo.
Izay angamba, raha tsy diso aho, no tokony ho ao amin’ny “à court terme”.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Eny ary.
Misaotra, betsaka Andriamatoa Filohan’ny “Commission ad’hoc”.
Izay no fanamarihana. Sao dia mbola misy fanamarihana hafa avy amin’ireo “membres”
aloha.
Satroka, Andriamatoa Solombavambahoaka ABDILAH.
Andriamatoa ABDILAH
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Mahita zavatra latsaka koa aho ato anaty tatitra, satria omaly dia nametraka fitarainana
mikasika ny raharahan’omby any aminay izahay.
Ianareo tao anaty “commission” dia nisy solotenantsika avy any Antsiranana, efa nisy ny
bokin’omby. Noterena ny vahoaka hanao “carte d’identité”-n’omby. Amin’ny fomba ahoana
ny olona izay manana omby 2 000 no hanana “carte d’identité”-n’omby 2 000, satria ny
omby miteraka isan’andro. Mahita izahay, fa hampitombo ny asan-dahalo any aminay izany,
satria efa manomboka misy amin’iny Faritr’i Vohémar iny, faritra efa mpiompy omby. Koa
tokony foanana ary apetraka amin’ity ny fanafoanana ny fanaovana karatr’omby.
Andriamatoa FILOHA
Tsy efa fanehoan-kevitra ve izay?
10
Andriamatoa ABDILAH
Io anie no noteneninay teto omaly.
Andriamatoa FILOHA
Satroka mantsy no nangatahanao fitenenana teo.
Andriamatoa ABDILAH
Ampidiro ary izay, fa fehezan-teny latsaka iny.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Nisy satroka teo. “Membre de Commission ad’hoc” hafa, izay maniry handray fitenenana
aloha. Anareo ny fitenenana.
Andriamatoa MARORIKY
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba ny namana Solombavambahoaka isany.
Ato amin’ny “à moyen terme” dia misy teny hoe: « mise en place des postes avancés,
notamment dans les zones rouges ».
Voaresaka tao omaly, fa tsy « postes avancés », fa « compagnies », satria ny « postes
avancés » izany anie ka olona 8, 10. Isika raha miresaka « zones rouges » dia mandeha amanjatony ny dahalo. Tsy « postes avancés » izany io, fa « compagnies » no tokony ho ao ary
« par District » raha azo atao.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Eny ary. Misaotra betsaka Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mbola ho antsika ao anatin’ny « Commission ad’hoc » izany ny fitenenana amin’izao fotoana
izao.
Ramatoa Solombavambahoaka.
Ramatoa ANGELE Solange
Misaotra anao nanome ny fitenenana Andriamatoa Filoha.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka namana rehetra.
Ny “opération” karapanondro, amin’ity “à long terme” ity dia tsy voasoratra.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
“Opération” karapanondro?
11
Ramatoa ANGELE Solange
Karapanondro, tsy omby izany io fa ho antsika olona indray.
Andriamatoa FILOHA
Ho an’olombelona, izay mantsy no tsara hazava.
Ramatoa ANGELE Solange
Izay no miteraka ny asan-dahalo, ilay olona tsy manana karapanondro, fa mandehandeha
amin’izay tiany andehanana.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka, Ramatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RANDRIAMANDIMBISOA Félix Marie Louis
Misaotra Andriamatoa Filoha.
Ny « postes avancés », Tompoko, dia ho anay eto andrenivohitra. Koa mangataka, mba
hajanona eo ihany ny « postes avancés ».
Misaotra, Tompoko.
-5- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Izany hoe « postes avancés et compagnies ».
Izay no mikasika ny fandraisan’ny mpikambana tao anatin’ny « Commission ad’hoc »
fitenenana.
Hosokafantsika ho an’ny Solombavambahoaka izao ny fitenenana. Koa raha sitrakareo,
betsaka ve ny olona handray fitenenana aloha?
Eny ary. Atombotsika ato aloha ilay izy, dia miakatra, avy eo mandeha atỳ dia miakatra.
Mety izay?
Andriamatoa ABDILAH
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tokony apetratsika ato koa ny fandrarana ny “abattage” anelakelan-trano eto Antananarivo.
Andriamatoa FILOHA
Eto Antananarivo ihany io fa tsy eran’i Madagasikara?
Andriamatoa ABDILAH
Eto no tena misy “abattage” eny anelakelan-trano rehetra eny. Tsy misy “contrôle” ny omby
tonga avy any, tonga dia mandeha atỳ. Tsy misy fanaraha-maso. Koa na inona na inona
ataontsika, raha tsy foanana ny “abattage” anelakelan-trano dia manahirana.
12
Manaraka izany ny “carte d’identité”-n’omby. Ny an’ny vahoaka aza tsy vitantsika ny “carte
d’indentité nationale”; Ramatoa Solombavambahoaka aza teo nangataka an’izany. Foanana
ny “carte d’identité”-n’omby, satria na ny an’ny vahoaka aza tsy vita, fa izay no mampitombo
ny asan-dahalo.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Voaray, manaraka.
Andriamatoa ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra.
Ny olana raha tahakan’ny anay any Manandriana dia ny bokin’omby. Izany hoe raha misy
olona mivarotra omby matetika tsy voatsipika ny boky. Mividy omby halatra izy ary
ampidiriny ao ambala indray, ka lasa mitovy amin’ny omby madio. Tokony hasiana
“commission” hanao “contrôle” ny fivarotana omby sy fanipihana ny bokin’omby any
amin’ny tantsaha.
Tahaka izany koa ny omby very. Rehefa very ny omby dia miasa ihany koa ilay “commission”
manao “contrôle” an’ilay boky, satria raha manana omby 50 Rakoto ka very iny dia
mampangalatra omby 50 izy, ampidiriny asolony ny ombiny ao anaty bokiny; lasa manana
omby madio ihany izy.
Izay no anisan’ny mampirongatra ny halatr’omby any amin’ny “zones rouges”.
Mikasika ny “Poste avancé” sy ny “Compagnie” ny manaraka izay.
Tokony apetratsika tsara ato amin’ny “à moyen terme” io “Poste avancé” io hoe: isaky ny
“Commune” no asiana azy, isaky ny “District” no asiana “Compagnie”, indrindra any amin’ny
“zones rouges”, raha tsy dia ilain’ny hafa izany.
Misy koa ny atao hoe fikambanana ZAMA. Any aminay no mampiasa an’io. Tokony homena
“subvention” avy amin’ny fanjakana, mba hampitaovana an’io, toy ny “lampe de poche”, ny
akanjo sy ny telefaonina, satria ny tantsaha no manarama azy ireny. Izany hoe: tokony
hampian’ny fanjakana izy ireo. Mba ampidirintsika ato anatin’ity zavatra ataontsika ity izay.
Misaotra indrindra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Atsahatra vetivety kely ny fandraisam-pitenenana, fa misy fampandrenesana
tian’Andriamatoa “Questeur I” atao.
“En séance plénière” ve ilay izy, sa “à huis clos”, Andriamatoa « Questeur »?
Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry
Haiko ihany ny miteny azy ato amin’ny fivoriambe.
Andriamatoa FILOHA
Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa “Questeur”.
13
Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Rahampitso amin’ny 9 ora, maraina, isika hivory eto. Amin’ny herinandro ambony ihany koa
isika dia mbola hivory, satria misy omby tratrako omaly; eo amin’ny 800 eo no isany, ka mila
jerentsika.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
- Tehaka Andriamatoa FILOHA
Misaotra an’Andriamatoa “Questeur”.
Mitohy ny adihevitra.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa DINAH Romuald
Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra.
Amiko manokana dia misy teny kely tiako anampiana ny natao tamin’ny alina.
Izao mantsy ny zava-misy: ireo zavatra tsy ara-dalàna misy any amin’ny Faritra rehetra; ny
vahoaka tsotra izay tsy manana fahefana hiteny, izay rahonana hogadraina rehefa miteny;
ireny no tena mahita ny zavatra tsy mety amin’ny Faritra rehetra. Koa noho izay zavatra izay,
satria misy zavatra ohatran’izao: isika izao dia miresaka “Poste avancé”, indraindray izy ireny
indray no mitsikombakomba amin’ilay olona. Tsy izy rehetra, fa zava-misy izany. Koa hoy aho
hoe: maninona ary, satria isika Solombavambahoaka no nofidian’ny Vahoaka hisolo vava azy,
mety tsy hamitaka azy, tsy hanolo-bato mafana azy. Maninona raha mba misy
fanomezantsika fahefana ny vahoaka eritreretintsika, satria tsy manana ny fahefana hiteny
amin’ny toerana misy azy izy, mba mifandray amintsika atỳ mivantana raha misy manampahefana hitany fa mitsikombakomba amin’ny olon-dratsy. Mifandray amintsika izy amin’ny
alàlan’ny telefaonina; milaza hoe atỳ aminay misy manam-pahefana hoatran’izao, misy
zavatra tahaka izao dia navadika hoatran’izao. Anjarantsika amin’izay no manao
fanadihadiana na mifandray amin’ny tompon’andraikitra any; mamotopototra an’iny zavatra
iny.
Izay no mba hitako ary tokony afaka manatanteraka an’izany isika. Ohatra: mba misy
laharana telefaonina ato amintsika ifandraisana amin’ny olona mivantana; satria ny zavamisy avy amin’ny vahoaka dia tsy sahy miteny izy, noho ny tahotra hogadraina, matahotra
valifaty. Matetika izy manan-kambara fa tsy sahy miteny. Indraindray amin’ny alàlan’ny
antso an-telefaonina ry zareo no afaka mifandray hoe: misy dahalo hitanay nangalatra omby
avy tato, fantatray vahoaka; nambaranay tamin’ny manam-pahefana tarỳ izany, fa tsy
noraharahiany. Izy no manambara an’io amintsika, isika amin’izay no mifandray amin’ilay
manam-pahefana any; manadihady, fa tsy ambara ny anaran’olona niantso antsika.
Izay no soso-kevitro, fa ny fomba ahafahantsika manatanteraka azy no atao.
Misaotra antsika.
14
Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa Solombavambahoaka, mba ho fanampim-panazavana: ilay telefaonina ve
mandeha amin’ny manam-pahefana aiza, amin’ny “BIANCO” ve, sa amin’ny “Gendarmerie”,
sa amin’iza, satria misy « numero vert » ny “BIANCO” raha hoatra ka any ilay izy.
Andriamatoa DINAH Romuald
Amiko manokana aloha, ny “BIANCO”, izaho dia efa tsy matoky azy. Sahiko ny miteny
an’izay. Mivantana amintsika Solombavambahoaka, satria isika olomboafidy no miasa ho
azy, fa raha mbola mandeha any amin’ny “BIANCO” izany dia mivadika “blanco”.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Misy manao satroka.
Andriamatoa HARINOSY Rabenerika Charlot
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anao, miarahaba antsika Solombavambahoaka rehetra.
Zavatra hafa mihitsy ity, fa tsy resaka momba ny omby, nefa moa omby ihany no
notenenin’Andriamatoa “Questeur” azy teo dia lasa izy. Aleo mba fantatra tsara Tompoko ny
zavatra noteneniny teo, fa mila mangarahara isika. Vola ve no hozaraina rahampitso sa
omby? Raha omby mantsy, mila mitondra tady mahazaka isika, hamatorana ny omby.
Angaha tsy zontsika ny mahafantatra ny tokony ho raharahantsika?
-TabatabaHay, izay ilay izy, ianareo no efa mahalala; izay no tsy fantatray, fa tsy maninona. Zonay ny
manontany.
Misaotra, Tompoko.
Izay ilay izy? Tsara ho henon’ny mpanao gazety koa anie, tsy maninona. Misy antony izay,
misy lafiny tsara sy lafiny ratsy daholo ny zavatra rehetra. Mazava hoy aho izay. Mazava izay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina.
Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina
Misaotra, Tompoko.
Solombavambahoaka ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina, avy any Ambatondrazaka,
laharana faha-7.
15
Fanampiny kely fotsiny, amin’ity zavatra ataontsika ity. Mangataka manokana izahay avy ao
Ambatondrazaka, satria efa nisy miaramila 12 nalefa any, hanomana ny fipetrahan’ny
miaramila any. Angatahanay izy io, mba tena hatao “légale” na “officielle”, tena hampiana,
hipetraka hisy toby miaramila mihitsy, satria efa nomen’ny fanjakana trano izy ireo, ao
amin’ny “station agricole” ao amin’ny FOFIFA no misy azy.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena fitenenana manaraka …
Misy satroka?
Azafady.
Eny ary, Solombavambahoaka MARA Niarisy.
Andriamatoa MARA Niarisy
Tena satroka, Andriamatoa Filoha.
Anankiray izay noresahan’ny namana izay, ka tokony faritantsika tsara eto ny faharetan’ny
“intervention” ataon’ny Solombavambahoaka.
Andriamatoa FILOHA
Hatramin’izao aloha dia mbola 2 minitra ihany ary voahaja.
Andriamatoa MARA Niarisy
Rehefa mihoatra ny 2 minitra, Andriamatoa Filoha, dia tapaho.
Iray izay.
Faharoa, isika mambra ato anatin’ny “Commission ad’hoc”, raha ohatra ka misy “débat” hafa
ivelany, arakaraka ny fanehoan-kevitry ny namana eto, ka mila valiantsika dia mamaly isika
“Commission ad’hoc”, fa tsy tokony handray “débat” na hanolotra soso-kevitra hafa koa
ankoatra ny tatitra novakin’ny “Rapporteur Général” teo. Tsy mety raha izaho tao anatiny,
izay efa nanao “débat” no hanolotra hevitra hafa vaovao eto indray. Tsy mety izay zavatra
izay.
Ny zavatra fahatelo, Andriamatoa Filoha, misy “décalage” ny fanazavana ity “exposé des
motifs” ity sy ny zavatra noresahantsika tamin’ny teny Malagasy. Koa mba mangataka ny
“Rapporteur général” aho, hitondra fanazavana hoe: inona no nahatonga antsika nandrafitra
an’ity. Ny “tendance”-n’ny Solombavambahoaka namana eto izao dia hiteny ny Distrika misy
azy, nisy foto-kevitra anefa nandrafetantsika an’ity sy nitondrantsika ny “débat”. Manome
an’ity “conclusion” ity isika ho an’i Madagasikara; araka ny teninao teo hoe telo, dia ny any
Atsimo, Afovoany, Avaratra. Ny dikan’izany, tsy tokony hiresaka mikasika ny Distrika misy azy
ny Solombavambahoaka. Tsy izay no ataontsika eto, fa tsy ho vita androany izy ity raha izao
no hitondrana azy. Koa mangataka anao, Andriamatoa “Rapporteur Général”, fa ny tetika
itondrantsika ny fivoriana amin’ity “exposé des motifs” ity izao tsy ampy, fa lasa manana
“tendance” hiditra amin’ny antsipiriany isika.
Izay no fangatahako, ho antsika “Commission ad’hoc” hitondra fanazavana, avy eo vao
manao “débat général” isika. .“Débat général” mikasika ny “insecurité” eto Madagasikara fa
16
tsy “débat” ho an’ny Distrikan’Ankazoabo, Andilamena, Kandreho; tsy izay no ataontsika eto,
Andriamatoa Filoha.
Raha mety izay, dia mangataka anao aho, Andriamatoa “Rapporteur général”, mba jereo
izay; satria manana “motifs” isika. Raha amin’ny teny malagasy, ity am-pelatanako ity, misy
“décalage” amin’ny “exposé des motifs” ary indraindray tsy voasoratra ato akory ary lasa
hoatran’ny “diplomatique” be ilay izy, hoatran’ny manafosafo isika, hoatran’ny tsy mahasahy
miteny ny tena marina isika.
Izay no somary mampatahotra ahy amin’ity, satria tsotsotra ny “exposé des motifs”, raha
oharina amin’ny adihevitra tamin’ity tao anatin’ny “Commission ad’hoc”.
Koa miangavy aho, mba asio fanazavana kely izay, Andriamatoa Filoha, amin’izay angamba
afaka manampy ny namantsika hoe: tahatahaka izao no tokony ho endriky ny “débat” sy
soso-kevitra ataontsika amin’ny “séance plénière” eto.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra amin’ny fanampim-panazavana.
Mba « intégrer »-na kely izay, Andriamatoa Mpampakateny Jeneraly, ilay fampidirana natao
omaly tao anatin’ny «Commission ad’hoc ». Izay no ampiana.
Fandraisana fitenenana manaraka, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa LIAHOSOA Malement
Karazana “format” ihany Izy ity. Raha amin’ny endriky ny « forme » amin’ny “exposé des
motifs” dia zavatra roa samihafa no ahitantsika azy. Ity izao dia misy “partie” tena ilay
“résolution”-ntsika, misy koa « partie » somary “introductive”, manao ny “exposé des
motifs”. Raha misy soso-kevitra tianareo ampidirina ankoatra ireto nolazaiko ireto,
fotoanany angamba izao, anatsarantsika an’ity “formulation” efa nentintsika ity.
Andriamatoa FILOHA
Satroka ny anao sa fanehoan-kevitra.
Andriamatoa MARA NIARISY
Satroka momba ity “exposé des motifs” ity, Andriamatoa Filoha.
Ohatra: ato anatin’ity “motifs” noresahantsika ity dia nahasahy niteny isika, fa anisan’ny
olana amin’ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny kolikoly ataon’ireo tompon’andraikaitra,
“corruption des grands responsables”. Teneno mazava tahaka izay, mba ho hain’ny olona: ny
fahantrana eto Madagasikara, ny “chômage”, ny tsy fahampian’ny “patriotisme” sy ny
« culture convixe » ananan’ny mpitondra fanjakana. Tena malalaka, ka tsy hitako, fa
« rédaction » efa karazana « universelle » ihany ity ary fanao matetika ny tahaka izao. Ny
“greffe” nataontsika, avohay aloha ny “greffe”-ntsika ho fantatry ny Governemanta, fa aza
pasohana ilay izy. Isika tsy manompa olona, isika tsy miteny ratsy olona, fa ny voambolana
ahafahan’ny olona hoe tena izao no tokony ataon’ny Governemanta; izay no avoaka eto.
Ohatra hoe: « défaillance et faiblesse de l’Etat » ary izay no olana amin’ny « insécurité ».
Malalaka, malefaka ny fitenenana. Tokony hamoaka isika hoe: inona marina no olana, satria
isika no miaina any amin’ny vahoaka any, isika no mahalala izany. Izay tena mamaha olana,
17
izay no avoahy amin’ny “exposé des motifs” ho fantatry ny Governemanta. Izay anie no ilana
“formulation” manokana.
Andriamatoa FILOHA
Voaray, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa MARA Niarisy
Ny farany, Andriamatoa Filoha, dia izao: mangataka isika famindrana toerana faobe ho
an’ireo tompon’andraikitra, fa rehefa avy eo amin’izay isika manao “systèmatique”, isaky ny
telo taona. Izay no tamin’ny omaly. Amin’izao, na iza na iza ireo mpitondra fanjakana misy
amin’izao fotoana izao na amin’ny “Administration Générale” izany na amin’ny “forces de
l’ordre” na aiza dia manao famindrana toerana faobe ary ny “texte” milaza hatramin’izay
hoe: isaky ny telo taona dia afindra, izay no atao rehefa avy eo.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka, sady Filohan’ny “Commission ad’hoc”.
Ny Solombavambahoaka manaraka.
Andriamatoa JEAN Daniel
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Tsindriako eto ny tenin’ny rahalahy ato, mikasika ny ZAMA. Tena mamokatra io ZAMA io any
amin’ny faritra misy anay. Ny fisian’io no mba mahatonga ny fisian’ny fandriampahalemana
any aminay; kanefa ny zavatra manahirana any amin’izao, izay tokony hojeren’ny fanjakana
akaiky, misy ireo malaso ireo no manao ZAMA, miambina tanàna. Tokony jerena ny taratasy
eo am-pelatanany, satria feno ZAMA ny Distrikan’i Bekily, nefa tsy misy taratasy na dia kely
aza.
Misaotra, Tompoko
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka LEVAO Nitadiavina.
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina, Solombavambahoaka voafidy tao Marolambo.
Zavatra tsotra ny ahy no tiako hosoratana ato anatin’ity. Amin’ny resaka “durée”: “à court
terme”, firy volana moa izany “à court terme” izany? “A long terme et à moyen terme”: tsy
voafaritra ilay izy. Ny “à long terme” mety ho 10 taona, mety ho 20 taona. “A court terme”
izany mety ho 5 taona; tsy fantatro. Firy marina, mba ahafahan’izy ireo mahafantatra tokoa
hoe: ity marina no fotoana tadiavintsika aminy. Izay fotsiny.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Georges.
18
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmont Georges
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Teo amin’ny “opération carte d’identité”, izay novoizina teo ny ahy. Hoatran’ny nanaitra ahy
kely ary nahafinaritra ahy ilay izy, fa tsy adalan’ny Repoblika Voalohany no nanao ny
“identification directe”-n’ny “carte d’identité”. Amin’izao fotoana izao, izaho atỳ
Arivonimamo, anefa afaka manao risoriso amin’ny Filohan’ny Fokontany any Bekily,
mangataka karapanondro any an-toerana. Teto Arivonimamo aho no nangataka, noho izany,
mety ny tamin’ny Repoblika Voalohany hoe: tsy maintsy olona teraka tany amin’ny toerana
nahaterahany, any izy no manao ny karapanondrony, any no manao “contrôle” hoe: aiza ity
olona ity.
Faharoa, eo amin’ny “abattage” famonoana omby; nanao “recoupement” kely aho. Gaga
aho fa misy Sinoa manondrana omby eny Ivontovorona, alefany any “Chine”. Tokony ho
fantatra hoe: alefa aiza daholo ireo. Misy manao koa eny Ambohimanambola.
Fahatelo, eo amin’ny “recrutement”, aza hadinoina, fa mbola sahirana isika. Angatahiko
ampidirina ao anatin’ity ireo “Sous-officiers”, “Officiers” Zandary sy Miaramila, niara-niofana
tao Antsirabe, samy mahay ireo ka ireo no atao OPJ. Tsy mampiditra intsony, fa ireo no
entina miady amin’ity asan-dahalo ity, miaraka amin’ireo jeneraly marobe ireo.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tapitra ny tao amin’ity ilany ity.
Eny, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin, Solombavambahoaka voafidy tao
Ambohimahasoa.
Misaotra anareo “Commission ad’hoc” tamin’ity zavatra ity; saingy ny mampanontany tena
dia izao: amin’ilay “à court terme”, misy hoe: “rengagement des réservistes”. Io no mba
tiana azavaina kely, satria ny “réservistes” moa mazava ho azy, fa afaka manampy. Ny zavamisy amin’izao fotoana izao, mazana any ambanivohitra any, misy olona mahay mampiasa
basy. Ireo miaramila avy nanao fanompoam-pirenena mihitsy, tsy “rengagés” izy ireo.
Tokony mba apetraka ato koa izay ho an’ireo nanao fanompoam-pirenena, tao amin’ny
“Forces Armées” ireo.
Manarakaraka izay, “engagement d’opération ciblée pour les Kizo”. Tsara faritana ny atao
hoe: Kizo, satria hoatran’ny anay any amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, izay efa nambarako
teto omaly, misy toerana tena fitobian’ny dahalo mihitsy. Tsy tokony angatahana andro io;
tokony atao sava hao ary tokony tafihana mihitsy aza. Toerana atao hoe: Malody, ao amin’
Distrikan’Ikalamavony. Io no tena poizina ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Faritra
19
Amoron’i Mania. Tokony faritana tsara mihitsy ilay “cible”. Ny anay ao amin’ny Faritra
Matsiatra Ambony dia io kizo ao Malody, Distrikan’Ikalamavony io no izy.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Eny ary, misaotra Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RATEFIARIVONY Jaona.
Andriamatoa RATEFIARIVONY Jaona
Solombavambahoaka RATEFIARIVONY Jaona, Solombavambahoaka voafidy tao Tsaratanàna.
Efa voasoratra ato ihany, Andriamatoa Filoha ny hoe: “contrôle de détentions illicites
d’armes”. Mbola manamafy izahay hoe: fanaovana haza lambo ireo mitahiry basy mahery
vaika. Tsy ny dahalo no atahorana, fa ireo basy any aminy. Raha dahalo, mety ho vitan’ny
moraingy sy totohondry ihany dia samy miala, fa ny basy any aminy no tena olana. Ireo basy
any aminy ireo, avy aiza ireo sy ny sisa. Tokony hatao haza lambo ireny olona mitazona
“Kalachnikov, Masse 36” ireny.
Faharoa, raha namaky ny tatitra avy tamin’ny “Commission ad’hoc” izahay hoe: iza no
heverintsika hanome fanampiana an’ireo olona noravan’ny dahalo ireo. Ny
Solombavambahoakan’Amboasary sa Solombavambahoakan’iza. Asio “crédit” ao amin’ny
fanjakana, hanomezana fanampiana an’ireo olona ireo. Asiana “fonds” manokana sady
asiana “taux” koa hoe: raha toy izao no zavatra nahazo dia tokony hisy fanampiana toy izao
koa, avy amin’ny fanjakana, omena an’ireny olona ireny.
Iangavianay mba ho soratana izay soso-kevitra izay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Solombavambahoaka manaraka.
Andriamatoa TSABOTOKAY Honoré
Solombavambahoaka TSABOTOKAY Honoré, laharana faha-142, voafidy tao amin’ny
Distrikan’i Vohipeno.
Ny zavatra tiako tsindriana, satria omaly isika nametraka tsara hoe: “à court terme”. Ny
Faritra Atsimo iny dia tokony ho jerena, “dans deux mois” ohatra. Izay no notenenintsika
omaly, efa tokony hisy “résultat” omen’ny Governemanta antsika ao anatin’ny roa volana,
mikasika ny fandaminana an’io. Isika omaly nametraka tsara hoe: raha sanatria tsy vitany
izay, aleo ry zareo miala teo. Izay no noresahantsika omaly. Tsy tokony safosafoina ity
zavatra ataontsika ity, fa atao mivantana amin’izy ireo.
Faharoa manaraka izay, tokony ho fantatra mazava tsara ny vaovao momba andRemenabila. Sahirana ny vahoaka hoe: maty sa velona Remenabila ary ny fisiandRemenabila no mahatonga an’izao zavatra izao.
20
Ny resaka “bois de rose”, satria nozarainareo faritra telo izy ity: Avaratra, Atsimo, Afovoany.
Raha ny tena marina, misy koa any Andrefana, misy any Atsinanana; izay moa no fizaranJanahary azy io.
Manana olana ny atỳ Atsinanana. Izahay any Atsinanana any misy dahalo kelikely, fa tsy
betsaka, ity halatra taolam-paty ity no tena manahirana anay. Tokony ampidirina ao
anatin’ity izay, satria miteraka olana ara-tsosialy goavana io fanimbazimbana ny hasintsika
Malagasy io.
Ny “bois de rose”, mitady vola no ataontsika. Maninona io vola mivoaka tsy ara-dalàna
amin’ny “bois de rose” io; raha ny “hélicoptère” no olana amintsika, ny volan’ny “bois de
rose” mahavita an’izany. Tokony ampidirina ao anatin’ity koa ny “bois de rose”; atao mazava
tsara ao, satria tena mitaraina amin’io ny namantsika. Misy taratasy azontsika any anatiny
any, ataovy indray mandeha ny “proposition”-n’ity, atao mazava ary mivantana; mba
hisian’ny zavatra azo tsapain-tanana rehefa manao “rencontre” amin’ny mpikambana ao
amin’ny Governemanta isika.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Misy satroka vetivety ato dia rehefa avy eo izany.
Andriamatoa ABDILAH
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Satroka sady miteny ihany.
Izao Andriamatoa Filoha no satroka ataoko: isika ato milaza hoe “à court terme, à moyen
terme, à long terme”. Amin’izao fotoana izao, efa misy tsy manan-kialofana ny vahoaka. Ny
fiantsoana ny Governemanta dia tokony ataontsika amin’ny Alatsinainy na Talata. Ity zavatra
ity dia maika. Raha mbola hiandry roa volana dia ho faty ny olona any. Efa maro no
notenenin’ny gazety hoe: tsy manan-kialofana, tsy misy sakafo. Aleo atao amin’ny
Alatsinainy ny fiantsoana ny Governemanta.
Satroka izay.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka, Andriamatoa ABDILAH.
Tokony hifanaraka isika hoe: ny “à court terme” dia atao “urgent”. Mety izay.
Andriamatoa TODY Arnaud
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha, amin’ny “à court terme”, amin’ny pejy ao ambadika misy hoe:
“augmentation du budget contre l’insécurité”.
21
Eo ambany koa misy hoe: “motivation des éléments de forces de l’ordre”. Tokony asiana
fanazavana kely, satria hoatran’ny misy “confusion”. Io “augmentation du budget” io, tokony
ho tafiditra ao anatiny ny vola atao “motivation des éléments de forces de l’ordre” na
esorina ny “augmentation du budget”, tonga dia « motiver »-na mivantana ny “forces de
l’ordre” manao « descente ».
Izay no soso-kevitray: tokony atambatra io na misy foanana.
Eo ambanimbany eo, manaraka an’io, misy hoe: “contrôle de détentions illicites d’armes”.
Tokony esorina koa io teny hoe :“illicites” io, satria tsy mbola fantatra na “illicite” na “licite”
ny basy haraha-maso, fa atao hoe: “contrôle de détentions d’armes” ihany.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Solombavambahoaka SEBANY Mohamed.
Andriamatoa SEBANY Mouhamed
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mikasika ny ady atao amin’ny “banditisme” na ny dahalo na ny “foroche”, hitanay fa natao
“à moyen terme” izany. Raha apetratsika “à moyen terme” io, mety efa ho lasa
“professionnelle” ireo “foroches” ireo amin’izay. Tokony ampidirina amin’ny “à court terme”
ihany na ho “renforcer”-na ny any Atsimo izay “zone rouge”, tokony tsy miala any antoerana ny mpitandro filaminana sasantsasany. Izay mijanona any an-toerana dia tokony efa
miady amin’ireo “foroches” sy ny dahalo, izay mbola mianatra mandeha, tsy mitovy amin’ny
any Atsimo.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RANDRIANJANAHARY Soloniaina Olivier
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba antsika, Solombavambahoaka, manatrika izao fivoriana izao.
Marina fa samy manana ny Faritra misy azy. Eo amin’ny Faritra misy ahy, satria ny asandahalo dia mitovy, samy misy daholo.
Tiako jerena manokana, Andriamatoa Filoha, mba ampidirina amin’io tatitra io, ao amin’ny
Faritra Afovoany, momba ny « quartier mobile » izay miara-miasa amin’ny fampandriana
fahalemana. Raha jerena ny « quartier mobile », miasa andro aman’alina izy ireny, nefa tsy
mandray tambin-karama. Noho izany tokony ho jerena ny « motivation » omena an’ireo
« quartiers mobiles » ireo amin’ny asa izay ataony.
22
Manaraka izay, mangataka izahay, farafaharatsiny mba hisy “poste fixe” isaky ny Kaomina;
raha tsy tratra izay, ny Kaominina mifanakaiky no asiana “poste avancé” ary raha maromaro
dia atambatra ho “Brigade”.
Izay no zavatra takinay, satria tsy any Atsimo ihany no misy faty olona, fa atỳ amin’ny
Distrikan’Ampatolampy koa misy faty olona. Ny mahagaga amin’izao fotoana izao atỳ
amin’ny Distrikan’Ampatolampy, tsy misy omby marobe hangalarina, fa telo aman’efatra ny
omby ao. Azon’ny mpangalatra ny omby, dorany ny tranon’olona, satria tafobozaka; tara eo
ny olona mamono ny afo, ny dahalo mpangalatr’omby lasa. Noho izany, mangataka izahay,
mba hasiana “poste fixe” isaky ny Kaomina, Tompoko.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra an’Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
RAZAFINANDRASANA Raulan, voafidy tao anatin’ny Distrikan’i Vatomandry.
Antso avo ho an’i Madagasikara rehetra mihitsy ny ahy.
Efa be izay atrikasa na lalàna natao teto amin’ny tany sy ny Fanjakana izay, fa ny olana dia ny
“application de la loi”. Raha tsara rafitra tahaka ny inona aza ny lalàna, raha vita tsara
hoatran’ny inona aza ny paikady, raha mbola atao anaty “tiroir” ity raharaha ity dia ho heripo very maina. Raha ny lalàna misy anie, hatramin’izay ka hatramin’izao dia efa ampy
andaminana an’ity firenena ity. Ny fampiharana azy no goragora na heverina ho tsy misy
mihitsy izay no olana, satria na napetraka aza ny SAMIFIN, napetraka ny BIANCO, napetraka
ny rehetra, fa ny omaly ihany no androany.
Eto aho dia miangavy mihitsy hoe: raha vitantsika aza ity na “à court terme” na “à long
terme”, ka tsy ampiharina toy ny rano atondraka an-damosin’ny ganagana ihany. Miangavy
aho, ny « application de la loi » no tena zava-dehibe.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra betsaka amin’ny tsindrim-peo amin’ny fampiharana ny lalàna.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface
RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface, voafidy tao amin’ny Distrikan’Ihosy.
Efa maro izay voalaza momba ny tsy fandriampahalemana izay; fa ny tiako soritana eto dia
momba ny FIB, satria ny FIB no manahirana indrindra any aminay. Ny fahafantarana an’izany
FIB izany amiko, any amin’ny Kaomina no tokony hisy azy. Iarahantsika mahalala fa ny FIB dia
80 Ariary no vidiny, ho an’ny olona mpihary omby, satria karapanondron’omby izy iny. Izay
zavatra izay no iangavianay amin’izao fotoana izao; satria ny fakana FIB any amin’ny
“Région”-n’Ihorombe dia tsy mety aminay mihitsy. Ny antony: marobe ny Zandary sy ny
23
Polisy misava mandrapahatonga any Ihosy. Noho izany any amin’ny Kaomina no hisy azy ary
hajanona amin’ny vidiny 80 Ariary ny FIB. Izay no lalàna efa nipetraka hatramin’izay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa Solombavambahoaka, tsy miombon-kevitra amin’ny Solombavambahoaka
ABDILAH, izany ianao momba ny FIB?
Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface
Tsy miombon-kevitra aminy mihitsy aho raha mikasika ny FIB, satria any aminay, ekeko fa
karapanondro iny, ny ahy ny FIB dia sahala amin’ny karapanondro ihany. Ilaina mihitsy ny FIB
any aminay.
Sahala amin’ny karapanondro ihany ny FIB, satria iny no iaingan’ny omby avy any amin’ny
toerana misy azy. “Identification” io, sahala amin’ny hoe “certificat d’origine” any amin’ny
toerana iaingan’ny omby. Any amin’ny toerana misy azy, iny no mi-“certifier”-ny niavian’ny
omby. Tokony any amin’ny toerana niavian’ny omby no ipetrahan’ny FIB mba ahafahan’ny
omby mandeha miadana miala any ary mamonjy ny toerana izay halehany, 80 Ariary izay no
vidiny isaky ny omby ary mety ho vitan’ny olona manana omby 2 000 anie izany. Tsy hitako
izay olana raha mandoa an’izay izy raha izay no mampety azy. Antonony angamba izay, raha
mety apetraka amin’izay 80 Ariary izay, sady apetraka any amin’ny Kaomina koa.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Avy niatrika an’io resaka tsy fandriampahalemana io tany amin’ny torena misy ahy ny
tenako.
Maromaro ny resaka nataon’ny Solombavambahoaka teo izay. Raha momba ny resaka Dina
dia soso-kevitra no omena: zontsika Solombavambahoaka no mametraka an’io raha misy ny
“approbation”-n’ny Tribonaly. Mametraka an’io izahay izao. Ao anatin’ny asa momba izany
izahay izao. Mametraka an’io isaky ny Kaomina ary hita fa mety tokoa. Mametraka “boite
noire”, araka ny notenenin’ny namana avy any Tsiroanomandidy teo. Apetraka isaky ny
Kaomina izany, misy telefaonina zaraina. Izaho Solombavambahoaka manokana no manome
azy, fa tsy niandry fanampiana avy tamin’ny fanjakana.
Ny olana hitako araka ny notenenin’ny Solombavambahoaka teo dia ny « affectation
systématique des responsables des forces de l’ordre ». Tsara izany, fa any aminay ny
Zandary, ny Polisy sy ny “Chef de District” mbola tsy ampy 6 volana no tonga tao dia
hosoloina sahady ve?
24
Ny zavatra tiako tenenina fotsiny dia izao: any aminay, ao Ambalavao, misy Polisy efa ho 20
taona niasa tao ary mazava fa ry zareo mihitsy no manao zavatra ratsy. Nandoa 3 000 000
Ariary izaho izao nampiditra FIP sy GIR any an-toerana; tonga dia nilamina ny tanàna. Olona
4 isaky ny Kaomina dia milamina ny tanàna, nefa ny Zandary ao miisa 70. Aiza ary ny olana.
Tokony ampiharina ny hoe: izay miasa mihoatra ny telo taona amin’ny toerana iray dia miala.
Tsy ao anatin’ilay “Province”, fa miala ny “Région” mihitsy izy. Azo lazaina hoe ry zareo no
maniraka ny olona hanao zavatra ratsy, satria mahagaga ihany fa olona 4 dia afaka
mandamina tanàna iray, fa ny olona 80 tsy afaka manao na inona na inona.
Andriamatoa FILOHA
Roa minitra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Manaraka.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Satroka, Andriamatoa Filoha.
Mitodika amintsika Solombavambahoaka aho.
Mba mangataka fahanginana, Tompoko, azafady.
Raha ny fahenoako ny fitarainan’ny Solombavambahoaka namana avy any Atsimo sy ny
ranomason’ny avy any dia misarika ny saintsika Solombavambahoaka avy amin’ny Faritra
hafa aho. Mahafantatra tsara ny fahararian’ny zavatra ataon’ny “Foroche” sy ny tariny aho;
fa raha isika mihaino hoe: tanàna iray tsy misy trano mihitsy, Tompoko, any Atsimo, aoka
isika mba hanana “Solidarité Parlementaire”, aoka isika hifankatia, hifampitsinjo amin’ny
olan’ny namantsika izay efa mihoapampana. Mba miangavy antsika Solombavambahoaka,
tsy hijery zavatra hafa aloha amin’ny “à court terme” ary hilahatra, handondona ny
varavaran’ny Minisitry ny Fiarovana hoe: ataovy ny hampilamina ny any Atsimo io, fa mafy
anie zalahy io zavatra io; sao dia heverinareo fa moramora io olana any Atsimo io.
Andao isika hitodika hianatsimo, isika rehetra, “on attaque dès maintenant”.
- Tehaka -
Faharoa, maninona moa no resahina io “bois de rose” io, nefa tsy namono olona. Andraso io
na “à moyen terme” na “à long terme”, ny « fonds » rehetra azo tamin’ny nanaovana « bois
de rose » ireo, alefaso any Atsimo aloha. Maty ny olona any Atsimo, fa tsy nisy olona naratra
mihitsy anie momba ny “bois de rose”. Ataovy « à long terme » io, fa ny « à court terme »,
aza asiana resaka intsony ny « bois de rose », fa andao isika rehetra hianatsimo.
Miangavy, Tompoko, azafady. Mafy io olana io, miteny anareo aho.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RAVELONANOSY Mamy Tiana Télésphore Gérard
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy hamerina ny soso-kevitry ny namana teo intsony aho fa manampy amin’ilay “à court
terme”.
25
Mandrapahavitan’ny “opération”, tokony ajanona aloha ny “transport”-n’ny omby amin’ny
fiara.
Iray izay.
Ny faharoa, amin’ny “à long terme”, ilay “mise en place de structure”, tokony miampy
“politique” sy “plan” io, fa raha ny “structure” no tonga dia apetraka, somary lasa aloha
ihany. Ny drafitra mihitsy aloha no apetraka, ohatra: ahoana ny Polisy, ahoana ny Zandary,
ny Miaramila lasa marobe anefa isika tsy hiady sisin-tany, isika tsy haninona. Ny Zandary sy
izay hiady amin’ny dahalo, hiaro ny “sécurité”, ireo no atao marobe. Izay politika izay no
tokony arindra, avy eo vao ny “structure”.
Misaotra, Tompoko.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha, amin’ny « Renforcement des capacités de contrôle des gardes-côtes en
vue d’éliminer l’exportation illicite des bovidés » ny ahy.
Tsara io fa tokony ampiana, izany hoe misy “convention” miaraka amin’ny « pays de l’Océan
Indien », satria miala atỳ amintsika izy « illicite », fa rehefa miditra any, faly be ny olona
mihinana ny hen’omby avy atỳ amintsika, mandefa « filet » mankany andafy; lafo be,
ahazoany vola be mihitsy. Tokony mba asiana “convention” sy “sanction” ho an’ireo firenena
rehetra mandray ny omby “illicite” avy atỳ amintsika. Izy tsy hanenjika mihitsy, zarany aza
tonga any daholo ny omby, indrindra any “Comores”, miditra “licitement” mihitsy ny omby
avy atỳ Madagasikara, satria izy tsy miompy sady tsy dia miasa loatra.
Mangataka an’Andriamatoa Solombavambahoaka MARA Niarisy, mba ampiana kely, asiana
“convention avec les pays de l’Océan Indien”, asiana “sanction” ho an’izay firenena mandray
ny hena “exportation illicite” ary tena “convention sérieuse” mihitsy fa tsy ataotao fotsiny.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao.
Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc
RATSIMBAZAFY Luc, voafidy tao Ambohidratrimo.
Soso-kevitra efatra ny ahy. Tsy fantatro na hoe tokony atao izao dia izao na ao anatin’ny “à
long terme” na “à moyen terme”.
Soso-kevitra voalohany, tokony hisy ny « regroupement des bovidés dans une zone
sécurisée ». Maninona ireo tompon’omby rehetra ireo aloha, raha manangana
« fédération » dia mitambatra. Firy avy no isan’ny ombin’ny tsirairay. Asaivo atambany dia
atao amin’ny toerana iray. Rehefa mipetraka amin’ny toerana iray ny omby, vala be mihitsy
izany no atao, asiana Zandary miandry ao. Mety ny “contrôle” ao anatin’io amin’izay fotoana
izay.
26
Efa ao koa ny « vétérinaire ». Misy hetram-panjakana koa amin’ny mpivarotr’omby, satria ny
mpivarotra omby anie manam-bola daholo, « milliardaires » daholo ireo. Mahagaga ihany
hoe maninona no tsy ahafahan’izy ireo maka miaramila manokana, hiaro ny ombiny; na
samy manome omby zato isam-bolana izy, na folo isam-bolana. Mino aho, io « augmentation
du budget »-n’ny Fanjakana io, mety ho lasa « augmentation du budget »-n’ny
« fédération »-n’ny mpiompy omby eto Madagasikara ary manana « groupement spécial »
mpiahy ry zareo amin’izay.
Zavatra iray azo apetraka koa ny « assurance vol », satria rehefa « assurée » ny omby,
ohatran’ny entana rehetra io, raha azo antoka ny zavatra entina any aminy, mety miova kely
koa ny zavatra ataony.
Ny zavatra farany tianay ahatongavana dia amin’ny “mise en place des postes avancés”.
Angamba atao « immédiat » io, fa tsy any amin’ny “à moyen terme”.
Hoy aho hoe: ny mpiompy omby rehetra dia tokony hivondrona daholo aloha handray antànana ny hoaviny izy rehetra ireo, manampy fotsiny ny fitondrana avy eo.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson
Andriamatoa Filoha sy ny Solombavambahoaka namana.
Solombavambahoaka avy any Tsiroanomandidy.
Tsara ny loha-hevitsika. Ny tiako hamarinina kely fotsiny dia ity “Loi n°2001-004” ity, momba
ny Dina izany. Ny traikefa niainako, amam-polo taona nanaovana gazety, nanenjika dahalo,
tsapa ny fandraisana andraikitry ny vahoaka. Io no tena heveriko fa tsara, ankoatra ny
fametrahantsika “Unité spécial”, izay tokony hatao isaky ny “Groupement” na isaky ny
Kaompanian’ny Zandarimaria. Tokony miditra manao soso-kevitra ao anatin’io “Unité” io ny
Solombavambahoaka, mijery ny Distrika misy azy, satria matetika aho mandray fanapahankevitra ny mpitandro ny filaminana dia tsy mifanaraka loatra amin’ny ilain’ny vahoaka.
Ny zavatra mitranga any amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy, tao anatin’ny roa taona
nampandriana tany.
Miala tsiny raha lavalava. Iaraha-mahalala fa roanjato isam-bolana no omby very. Angamba
hitanareo amin’izao fotoana izao fa tsy misy afa tsy 10 na 15 isam-bolana eo sisa no omby
very any Tsiroanomandidy. Ny antony dia ny fametrahana ny Dinam-piaraha-monina izay.
Niainga avy amin’ny fampihavanana Malagasy. Miala tsiny amin’ny teny hoe:
fampihavanana, fa any no fototr’io. Ifamaliana ny asan-dahalo. Noho izany mila apetraka ny
Dinam-piaraha-monina mifanaraka amin’ity Lalàna laharana faha-2001-004 ity. Heverina koa
fa mbola mila fanatsarana ity Lalàna ity mba hifanaraka amin’ny zava-misy.
Nisy halatr’omby miisa 200 omaly tao amin’ny Distrika misy anay; efa manao ny “système”n’ny any Atsimo ny olona any. Miala tsiny, fa efa manomboka tonga any aminay ilay izy izao.
Omby any amin’ny 200 na 250 no indray alainy. Rehefa alainy io dia alainy amin’ny atoandro
tahaka izao ora iresahantsika izao. Rehefa alainy ny omby dia alefany tsikelikely ary mitodika
any Miandrivazo sy mahazo an’iny Menabe sy ny ampahany mianatsimo iny. Maty ny
ankamaroany. Ny olana anefa dia tsy mitam-basy ny vahoaka, vitsy ny basy ary sarotra ny
fahazoan’ny vahoaka azy ao anatin’ny fanajana lalàna. Ny mpitandro filaminana, tsy ampy
fitaovana, izy ireo anefa no manampy amin’ny fifampitifirana amin’ny dahalo. Miombonkevitra amin’ity “Unité Spéciale anti-dahalo” ny mpitandro filaminana ity amin’ny isika
27
miteny izao, izay hapetraka isaky ny “Compagnie de la Gendarmerie”. Tokony hapetraka
haingana io.
Ny mampateza ny fandriampahalemana, Tompoko, satria manana traikefa maharitra
tamin’ny fametrahana Dina ny tenanay dia tsy misy afa tsy ny fampihavanana eny ifotony.
Ny vahoaka samy vahoaka no mifampitantana, mifampiaro, tsy mifanisy ratsy, izay ihany no
tena fomba maharitra, satria ao amin’ny Distrika misy anay; zaraina amin’ny namana izany,
raha ao anatin’ny enim-bolana nanaovana fandriampahalemana dia mahatratra 400 na 600
any ny olona efa nanao asan-dahalo, koa raha ireo no gadraina daholo na ny fonja aza tsy ho
ampy. Mila fanovàna mihitsy ny fiaraha-monina mba hisian’ny fandriampahelemana.
Soso-kevitra no apetraka eto: fametrahana ny “Unité Spéciale” no “à court terme” tokony
hataontsika.
Tapitra ny teniko fa tsy hohalavaiko intsony.
Efa lasa any aminareo koa izao ny olona tany aminay, ankoatran’ny omby very. Aza taitra
ianao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Eny, Tompoko, manamafy aho amin’ny tokony hampitaovana ny Fokonolona ao anatin’ny
Dina sy ny hanomezana hery haingana azy ary tokony hisy “Comité” iraisan’ny Minisitera avy
any amin’ny “Primature” hampihatra izany.
Misaotra, Tompoko.
Ramatoa RASOANOROMALALA Marie Horace
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Tena miombom-po tanteraka amin’ny « insécurité » misy any Atsimo izahay. Isika efa
nanapa-kevitra fa hijery ny « résolution »-n’io « insécurité » eto Madagasikara io.
Izay no andraisanay fitenenana, ao amin’ny « résolution à court terme », andalana
mialohan’ny farany, misy soratra hoe: « dotation d’assurance-vie pour les andrimasompokonolona ». Sitrakay indrindra, Tompoko, raha ampiana hoe : « plus de motivation surtout
pour les six Arrondissements d’Antananarivo, Renivohitra ».
Izay no voalohany. Efa voalaza teo ihany fa manamafy, Tompoko.
Aoka isika hifampihaino, Tompoko. Tsy mitabataba izahay rehefa miteny ianareo teo.
Faharoa, amin’ilay hoe “pour les andrimasom-pokonolona”. Ilay “terme” mihitsy no tiana
hovàna hoe: Vaomieran’ny fandriampahalemana, satria raha nahatsikaritra isika, ny
andrimasom-pokonolona dia “terme” nampiasaina tamin’ny fisian’ny “mouvement
populaire”. Isaky ny misy “mouvement populaire” dia ampiasaina ny hoe: andrimasompokonolona. Soloina hoe: Vaomieran’ny Fandriampahalemana io, Tompoko.
Izay ihany.
Misaotra, anareo naharitra nihaino.
28
Andriamatoa RAKOTOMANANA Solonirina Andriambelovololona
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra ny “commission ad’hoc”.
Raha ny fijeriko an’ity “résolution” ity dia efa miendrikendrika “planification stratégique”.
Mba hahatonga azy ho “planification stratégique”, mba tsara ihany raha asiana
“responsable” isaky ny zavatra noresahana teo. Ny “à court terme”, iza no “responsable”;
mba ahafahan’ny Governemanta mitsara antsika koa hoe manampy azy isika amin’ny
fanatanterahana ny fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RAMAHASINDY Koko Herisoa
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Soso-kevitra no entina, Andriamatoa Filoha.
Ato amin’ny “proposition”, ao amin’ny « à moyen terme » misy hoe: « Légalisation du
Dina ». Amiko, tokony ampidirina atỳ amin’ny « à court terme » io. Tsy fantatro hoe ahoana
no fotoana amin’ny “à court terme”. Ao amin’ny “urgent” no tokony hisy an’io.
Faharoa, manaraka an’io « augmentation des effectifs des éléments des forces de l’ordre »
io. Tokony hatao aty amin’ny “à court terme” io.
Izay no soso-kevitro.
Teo dia Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max, Filohan’ny Antenimierampirenena indray
no nitarika ny fivoriana.
Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy niteny aho teo fa navelako niteny ny rehetra. Tao anatin’ny “Comité ad’hoc” ny tenako
ary namoaka hevitra. Mbola tsy hitako ato anatin’ny “rapport” ilay izy hatramin’izao.
Voalohany, nilaza aho tao amin’ny Vaomiera hoe: «mise en place de corridor de transfert de
bovidés»; tokony hatao ao amin’ny «à moyen terme» izay.
Faharoa, tsy maninona ity na “à long terme”, fa tokony hatomboka alohaloha ihany. « Mise
en place de conception de document de stratégie en matière de sécurité territoriale avec sa
stratégie de mise en œuvre ».
Fahatelo, « conception d’un système numérique de suivi de bovidés ». Tsy maninona koa ity
raha « à long terme ».
Fahefatra, ity indray dia “relative” amin’ny zavatra miseho any Avaratra. « Révision des
textes relatifs à l’interpellation, l’arrestation et la détention des mineurs délinquants »
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
29
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Misy satroka anankiroa, Andriamatoa
Marohajaniaina, avy any Ambatodrazaka
Solombavambahoaka
ANDRIANIRINA
Josoa
Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniana
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Fanampiny kely fotsiny, erỳ amin’ny faran’ity zavatra ataontsika ity. Fanamarihana mihitsy
amin’ity zavatra ity: mba asiana “réserve” amin’ny farany ka asiana soratra hoe mba ilàna
vokany, farafahatarany ao anatin’ny roa volana ary lazaina fa mbola hiampy ity, araka ny
tatitra sy ny vaovao misy. Hoatran’izay, fa tsy haiko ny “phrase” handaminana azy. Mba
asiana “réserve”, amin’izay tsy hananosarotra raha misy zavatra ampiana.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka MARA Niarisy, Filohan’ny “Comité ad’hoc”.
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tena satroka, Andriamatoa Filoha.
Tezitra isika, raha nanao an’ iny tatitra iny tamin’ny teny frantsay ny Praiminisitra. Koa ny
zavatra halanao atao aminao aza atao amin’olona. Tsy tokony atao amin’ny teny frantsay
izany ity zavatra ity.
Izaho, Andriamatoa Filoha, mety hahazo ihany, fa indraindray misy “philosophie” ny “débat”nay tato, tsy hitanao taratra amin’ny teny frantsay izay tokony avoaka eto.
Mangataka aho, mba adikao amin’ny teny malagasy aloha, ahafahantsika miady hevitra.
Marobe ny “philosophie” tena tsy tafiditra ato amin’ity “traduction en français” ity.
Haka ohatra iray aho, Andriamatoa Filoha: Ato izahay milaza hoe: « Arrêt immédiat des
affectations d’éléments de forces de l’ordre au service des « mpanarivo »».
Raha mamaky an’io ianao izao, ho ahy nidinika tao dia mahafantatra, fa izay olona tsy mahita
an’ity “document” ity ka tsy nandinika azy dia hilaza izy hoe: inona no tena tiana tenenina
eto. Ho ahy dia adikako hoe: tsy ekena ny fiambenan’ny miaramila ny harena any amin’ny
“privé”. Eny amin’ny “Gastro Pizza” io izao, misy miaramila ao. Ireny tranona Sinoa sy Karana
ireny dia ahitana miaramila miambina daholo. Raha avoaka amin’ny teny malagasy dia “tout
le monde comprend” hoe: ajanony io, satria mampihena ny isan’ny miaramila any amin’ny
“camp” no sady miara-petsapetsa amin’ny dahalo ireo olona ireo rehefa hariva.
Ilay foto-kevitra amin’ny tena hamoahana azy amin’ny teny malagasy, tsy dia hitako taratra
loatra, Andriamatoa Filoha, amin’ilay teny frantsay ato.
Izay no angatahiko raha mety. Raha tsy mety, ajanony fa izaho anie mba mahay teny
frantsay ihany na dia kelikely ihany aza. Tsy dia tena ao anatin’ny fisainana malagasy izany
raha ity eto ity no dinihana. Isika koa diso matoa nalahelo tamin’ny Praiminisitra, niteny
frantsay teto, kanefa isika indray no miteny frantsay ato amin’ny Antenimierampirenena.
30
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Satroka manaraka. Rehefa avy eo, omena fitenenana ianao,
Solombavambahoaka, tapitra eo angamba ny fandraisam-pitenenana.
Andriamatoa
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Fanampin’izay, amin’ny “Légalisation du Dina”. Somary sahirankirana aho amin’ny famakiana
azy, satria raha manao “Légalisation”-n’ny Dina isika, amiko, hatao lalàna izany ny Dina. Izay
raha amin’ny teny malagasy. Isika ato anie no manao lalàna, koa inona no anaovantsika
“résolution” halefantsika any amin’ny Governemanta, anefa isika ato no tokony manao azy.
Isika no mpanao lalàna. Tena mifanipaka, “contradiction” izany, araka ny notenenin’ny
namako tato, ny amin’ny teny Malagasy sy amin’ny teny vazaha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka avy any Toliary I.
Andriamatoa RAZAHA Tondraha
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa RAZAHA Tondraha, Solombavambahoakan’i Toliary I, laharana faha-35.
Soso-kevitra, Andriamatoa Filoha, no arosonay. Tsy hainay hoe aiza ho aiza no hampidirana
azy, na “à moyen terme” na « à long terme », fa na inona na inona zavatra hapetratsika, na
inona na inona « stratégie » hapetratsika eto na hametraka « Poste avancé » isaky ny
Firaisana isika; mahatsapa izahay, marina fa ny « force » dia mety hanao « action » amin’ny
dahalo, handeha hanao « action » ry zareo, fa eny anelanelany eny, satria ny vola dia fakampanahy. Sanatria tsy mi-« soupçonner » olona izahay, fa ny vola dia fakam-panahy, mety
miova hevitra eny an-dalana eny ry zareo.
Andriamatoa Filoha, soso-kevitra no aroso: aminay any Atsimo any dia misy ny atao hoe
“nimonimo”. Asa na ho tsara ny soso-kevitro na tsia.
Ny “nimonimo” io raha azavaina dia tahakan’lay olona ao amin’ny Fokontany ao efa manao
“organisation” hanafika olona iray. Ao anaty Fokontany ao, mahalala fa Ranona no
hotafihana. Koa mba miangavy izahay, Andriamatoa Filoha, raha azo atao, mba “motiver”-na
ilay olona ao amin’io Fokontany io. Izany hoe mi-“avorter” mialoha an’ilay olona hotafihana
izy, amin’izay mba afaka maka miaramila ilay hotafihana. Ny olana anie, tsy “motiver” izy dia
manao “croiser les bras” fotsiny, miaro ny tenany ao an-trano, tsy afaka manambara hoe
hotafihana Ranona.
Soso-kevitra arosonay izay, Andriamatoa Filoha, fa misaotra nihaino ahy.
31
Andriamatoa FILOHA
Misaotra an’Andriamatoa Solombavambahoaka.
Solombavambahoaka ABDILAH, voafidy tany Vohémar.
Andriamatoa ABDILAH
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Ianao moa vao tonga, Andriamatoa Filoha. Olona hafa no nitari-draharaha teo, ka mety
hanahirana anao ny hanaraka ny adihevitra.
Ity zavatra ity dia “urgent”. Tsy misy “à court terme” izany. Aleo amin’ny Alatsinainy
“interpeller”-ntsika ny Governemanta.
Efa maro ny olona maty ary tsy manan-kialofana, izay no anaovantsika ity adihevitra ity
maika. Koa averiko indray, “interpeller”-ntsika ny Governemanta.
Raraka an-drano ity zavatra ity, raha ohatra ka alefantsika toy izao. Misy fe-potoana iray
volana handinihana an’io ny Governemanta, izay no “structure” amin’ny “Proposition de Loi”
ataontsika. Aleo tonga dia “interpeller”-ntsika ry zareo. Tonga eto izy ireo amin’ny
Alatsinainy dia mandray fanapahan-kevitra. Raisina eto ny an’ny Solombavambahoaka sy ny
an’ny Mpanatanteraka.
Iray izay.
Faharoa, mikasika ny FIB.
Mizara roa io rahalahy. Ireo manaiky mahavita mandoa 80 ariary isaky ny omby dia mandoa
ny FIB any aminy izy ireo. Izahay tsy mahavita, satria na ny “Carte d’Identité”-n’ny zanakay,
ny Kopian’ny zanakay tsy vitanay; ka ahoana no handoavanay 400 fmg isaky ny omby? Izahay
any Vohémar tsy handoa ary tena manohitra an’io zavatra io.
Miangavy izahay, Andriamatoa Filoha, mba zaraina roa io. Izay handoa karatr’omby dia
mandoava, avelao izy hanery ny vahoakany any handoa an’izany. Izahay any Vohémar kosa
tsy handoa karatr’omby na iraimbilanja aza, satria na ny zanakay aza tsy vitanay ny mandoa
ny karany.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa Solombavambahoaka, aleo ary horaisintsika indray mandeha farany ny “série”n’ny Solombavambahoaka handray fitenenana.
Atsangano ny tànan’izay handray fitenenana dia taperintsika hatreo ny “série”-n’izay hiteny.
Solombavambahoaka RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian sy ny Solombavambahoaka
avy any Tsiroanomandidy dia tapitra ny fitenenana.
32
Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ny ahy fohifohy ihany, Andriamatoa Filoha.
Ny ahy momba ny FIB noresahin’i Zokibe teo.
Raha vao tsy misy taratasy anie ny omby dia mora angalarina. Tsara ho fantatra izay, satria
tsy voalaza mazava hoe avy aiza ilay omby raha tsy misy taratasy.
Faharoa manaraka an’izay, Andriamatoa Filoha, momba ny resaka Dina.
Ny Dina matoa misy toerana maromaro mampihatra azy. Ny dikan’izay, efa manara-dalàna
izy, efa nandalo tamin’ny fitsarana. Koa raha neken’ny fitsarana izany dia manara-dalàna ary
afaka ampiharina.
Tsy resaka halatr’omby ihany ny Dina, fa “sécurisation”-n’ny “environnement” koa toy ny
ala. Raha misy Fokontany manana Dina dia afaka miteny hoe: raha misy doro-tanety eto
amintsika dia mandoa vola, arakaraky ny doro-tanety miseho eo an-toerana. Tsy resaka
omby irery io, fa araka ny notenenin’ny namana Solombavambahoaka teo: fiarahana
amin’ny vahoaka io, tsy misy lalàna fa “Règlement Intérieur”. Raha eken’ny fitsarana izany
dia ampiharina. Izay ny momba ny Dina.
Misaotra, indrindra.
Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson
Misaotra, Tompoko.
Saika hanampy kely aho: marina ny hoe isika no manao lalàna, tamin’ilay Lalàna laharana
faha-2001-004. Efa amperin’asa io ho an’ilay Dina. Misy koa anefa ato anatin’ny
“légalisation”-n’ny Dina. Ny “procédure” fananganana Dina eny ifotony matetika no
manahirana, fanamarihana fotsiny, miombon-kevitra amin’ny namana niteny teo aho, fa ny
Dina dia tsy ny asan-dahalo irery ihany, fa misy ny fahasalamana sy ny fandriampahalemana
ankoatry ny tontolo iainana voaresaka ao. Io no tokony irosoana.
Ny olana eto amintsika amin’ny fampiharana ny Dina na Melaky na Bongolava na Faritra aiza,
rehefa “homologuer”-n’ny fitsarana, Tompoko, ilay izy dia mihatra. Mihoa-pefy ny
mpampihatra azy, izay no olana amin’ny fampiharana ny Dina, ka lasa miverina indray ny tsy
fandriampahalemana, raha tsy hiteny afa tsy ny momba an’i Melaky amin’izao fotoana izao,
izay nandry fahalemana tao anatin’ny fitondrana teo aloha teo iny. Amin’izao anefa dia
miharava tsikelikely izany.
Ao moa ny Solombavambahoaka avy any Melaky, hanamarina an’izay.
Raha mety, ny fampiharana ny Lalàna laharana faha-2001-004, ny vahaolana dia fanomezana
fampitaovana ny vahoaka, fametrahana “Unité spéciale anti-dahalo” isaky ny Kaompania na
“Groupement”.
Mandinika indray mandeha an’io Lalàna laharana faha-2001-004 io isika, izay no tena tsara
atao satria efa tamin’ny taona 2001. Andriamatoa IMBIKY Anaclé, Minisitry ny Fitsarana
tamin’izay fotoana izay dia niresaka tamiko matetika. Ary eo am-pamolavolana ny dingana
manaraka momba ny fametrahana ity volon’omby iraisana ity isika izao.
33
Tapitra ny fotoana koa dia mankasitraka, fa fanatsarana no ataontsika. Tsy hanao lalàna
vaovao hafa indray isika, fa fanatsarana an’io 2001-004 io no atao, satria izay foana no tsy
mampateza ny Dina eto Madagasikara.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, voafidy tany Vangaindrano no Solombavambahoaka
miteny farany.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Amin’ny resaka Dina io, Andriamatoa Filoha: nanao an’io ny vahoaka sy ny fokonolona, nefa
manohitra izany na ny “Procureur” na ny Zandarimaria na ny Polisy, satria lasa tsy hisy
intsony ny kolikoly rehefa misy ny Dina.
Any aminay Atsimo Atsinanana raha tratran’ny “flagrant délit”, aleo ampiharina any aminay
Atsimo Atsinanana ny “Dina Menavozo”. Tapahana ny vozona rehefa tratra, “flagrant délit”
ilay olona. Izay no mampijanona an’io. Raha ohatra hoe alefa ny miaramila fa misy
“Opération” hatao, betsaka ny “victime” amin’izay; na tondro molotra fotsiny aza dia efa
mitifitra ny miaramila. Mitady vola ry zareo, ka raha tsy manome vola ilay olona dia
mandeha ny tifitra. Matimaty fotsiny ilay olona tsy manan-tsiny.
Ny Fokonolona no tena mahafantatra hoe ity olona ity dia tena nangalatra, tena “flagrant
délit”, amin’izay dia tokony hisy ny fanapahana vozona.
Izay no atao hoe “Dina Menavozo”.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Averina amin’Andriamatoa LIAHOSOA Malement, ny fitenenana dia hiroso amin’ny
fanapahan-kevitra isika.
Andriamatoa LIAHOSOA Malement
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
“Rapporteur”-n’ity “Commission” ity no asa nataoko teo. Misy ny fomba fiasa nataontsika
omaly, satria nisy an’ilay “travaux de secrétariat”, ka somary harivariva ihany; alina ihany
isika vao nirava ny omaly iny. Niasa ny “Secrétariat” nanomboka tamin’ny fidiran’ny Birao.
Ataontsika hoe tamin’ny iray ora na tamin’ny iray ora sy sasany vao vitan-dry zareo ity
“document” izay novakiana tamintsika teto ity. Raha ny tokony ho izy, satria hitako tsara ny
“suggestion”-n’ny Solombavambahoaka MARA Niarisy teo. Raha ny tokony ho izy, rehefa
vitan’ny “travaux de secrétariat” izy ity dia niverina tatỳ amin’ny “Comité”, fa noho ny
fahamehana, hoy isika omaly, androany dia androany ihany no atao ity raharaha ity. Araka
ny fahitana azy izao anefa dia misy “amélioration” tokony entintsika amin’ny “présentation”n’ny “texte”, mba hifanaraka amin’ny soso-kevitra nataontsika teo.
34
Te-hanao soso-kevitra aho, Andriamatoa Filoha, raha azo atao hoe: “adopter”-ntsika ve io,
dia manao “réserve” amin’izay tokony ampidirina na miverina indray mandeha miasa ny
“Commission ad’hoc”, tena hamarana ny “document” izay halefantsika any amin’ny
Governemanta.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Izao no saika soso-kevitro: nanao ny tatitra ny “Commission ad’hoc” ary tena isaorana tokoa
ianareo Solombavambahoaka fito ambin’ny folo mianadahy, nanatanteraka ny asa antsakany sy an-davany. Tena isaorana eram-po, eran-tsaina izany.
Rehefa vita ny tatitra nataonareo dia mbola nisy ireo hevitra izay nentin’ny
Solombavambahoaka, hanatsarana ny tolo-kevitra izay niainga avy aminareo.
Iray izay.
Misy ihany koa ny tolo-kevitra naroson’ny namana omaly, nisy latsaka teny ampandehanana
ary ankoatran’izany, izay heveriko fa ilaina dia ny handikana ity zavatra ity amin’ny teny
malagasy.
Saika hanao izao soso-kevitra toy izao aho, raha sitrakareo.
Mbola iangaviana indray mandeha ny “Commission Ad’hoc”, hitondra fanatsarana ny tolokevitra araka ny hevitra rehetra naroso teto. Mialohan’izany anefa dia hiroso amin’ny
tsangan-tànana isika hoe: lanintsika ve ity tolo-kevitra ity rehefa atao ny fanitsiana sy ny
fanatsarana rehetra izay natao teo. Rehefa lany moa izy amin’izay fotoana izay dia ny
“Commission Ad’hoc” no mamita ny asa, ary miroso isika.
Misy hevitra iray hafa koa manao hoe aleo alefa ny “Commission Ad’hoc” hanatsara an’io,
araka ireo zavatra voalaza teo ireo; miverina eto indray isika, ka amin’izay fotoana izay vao
manao ny fandaniana.
Ireo izany no hanaovantsika tsangan-tànana, raha sitrakareo.
Raha misy moa manana hevitra hafa dia angatahina haroso eto, mba iarahantsika manapakevitra.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa Solombavambahoaka MARA Niarisy, Filohan’ny Vaomiera, manao satroka.
Andriamatoa MARA Niarisy
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ny hevitra voalohany dia ekena, Andriamatoa Filoha.
Roa no fanamarihako ataoko:
Handio an’ity izahay ary handray ny soso-kevitra nataon’ny namana teo, fa ny angatahina dia
tsy tokony resahina ato anatin’ny “résolution” ny olana ao anatin’ny Distrika iray. Mijery
mikasika ny “nationale” isika eto ary nisy fangatahana nataon’ny namana RAVELOARIVONJY
Behavana teo; tsy eo izy fa lasa nivoaka. Izahay moa somary “mal placé” ihany niteny hoe:
izahay any amin’ny Faritra Atsimo aloha no mba jereonareo, fa izy namana any Avaratra,
35
isaorana azy izany, fa mba atao “cas particulier” ary “urgent” ny mikasika anay avy Atsimo
eto.
Efa ato daholo ny ankabeazany, afa tsy ny hoe misy olona tena manindry mafy mikasika ny
Distrikany. Tsy ataonay ao anatiny iny raha eken’ny maro, fa handio an’ity izahay.
Ny faharoa, manamafy ny tenin’ny Solombavambahoaka ABDILAH teo. Ity zavatra vitantsika
ity anie, tsy atao anaty “boîte au lettre” fotsiny dia alefa any amin’ny Governemanta, fa ho
“interpeller”-na ny Governemanta, ka eo anatrehan’ny Governemanta isika no mamaky sy
manatitra ity “résolution” ity.
Dieny izao, Andriamatoa Filoha, tokony efa andefasanao taratasy ny Governemanta.
Hotapahantsika eto hoe amin’ny Alatsinainy na Talata, fa hodiovinay ity, raha eken’ny
namana, afa-tsy ilay hoe ajanona ny mahakasika ny Distrika tsirairay. Manapaka isika hoe
amin’ny Alatsinainy ny Governemanta no tsy maintsy tonga eto, ka zavatra madio no vakiana
amin’izay fotoana izay. Manatrika ny Governemanta dia manome soso-kevitra eo no ho eo
izy, amin’ity “résolutiuon” ataontsika ity.
Izay angamba no fanamboarana kely hatao aminy raha mety, Andriamatoa Filoha.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Ekena izay.
Manao satroka ny Solombavambahoaka voafidy tany Vatomandry.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Noho ny fahamaikan’ity raharaha ity anie no niverenantsika, Andriamatoa Filoha. Ao
anatin’ny “Ordre du jour”-ntsika dia tsy tokony miverina androany, fa hoe maika ity raharaha
ity, aim-bahoaka no vonjena.
Tsy ny mahatsara rafitra an’ity zavatra ity no zava-dehibe, fa ny hanatanterahan’ny
Governemanta maika ny famonjena ny ain’olona, amin’ny raharahan-dahalo. Raha ny
hevitro, matoky ny “Commission Ad’hoc” aho; ny “interpellation”-n’ny Governemanta no
tokony apetraka hamonjena an’ireo havana izay hitantsika fa mahonena dia mahonena
tokoa ny amin’ny asan-dahalo.
Efa “défi” amin’ny fitondram-panjakana anie no ataon’ny dahalo izao, satria isan’andro dia
hoe tongava ianareo. Tokony hamoaka ny “défi”-ny koa fanjakana hoe tsy ampy anay
ianareo ry dahalo.
Izay no zava-dehibe, fa tsy hoe ity zavatra ity hatsaraina na atao inona, fa rehefa tonga any
ny miaramila dia vonoy ny dahalo. Milamina ny tany. Tsy ny amalona ho azo na tsy ho azo no
olana, na ny rano ho ritra, fa hoe milamina ny tany.
Misaotra, Tompoko.
36
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Raisinay ny andraikitra amin’ny fahatongavan’ny Minisitra eto. Eto dia hanontany anareo
izahay hoe, rahoviana no andro handraisantsika azy ireo?
Andraso aloha, isika milaza fa maika ity zavatra ity. Amin’ny Alatsinainy ve, satria izao no
mahatonga ahy manontany an’izay: sao dia tonga eto ry zareo amin’ny Alatsinainy, ka ho
vitsy indray isika no tonga eto. Koa mba miangavy, lazao ny fotoana maha eto antsika,
mahavonona antsika handraisana azy ireo.
Ny Alatsinainy sa Talata hariva, satria ny Talata maraina mantsy misy “Conseil du
Gouvernement” sa ajanona ny “Conseil du Gouvernement”, fa tonga atỳ ry zareo?
Raisintsika indray ny «série»-n’ny Solombavambahoaka handray fitenenana, ka rehefa avy
eo isika mandray fanapahan-kevitra.
Saika mba hiangavy antsika aho, ataontsika Alatsinainy. Inona ary no mahatonga antsika
hanao hoe: maika ity zavatra ity, kanefa avy eo indray isika no mangataka fotoana
hanemorana azy. Raha tsy vonona isika ny Alatsinainy maraina dia ataontsika Alatsinainy
hariva. Alatsinainy, maraina, amin’ny 10 ora?
Misy manao satroka efatra dia mandray fanapahan-kevitra isika.
Satroka, ny Solombavambahoaka HOUSSEN Abdallah.
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Voalohany aloha, tsara no ahafantarantsika fa tsy ny Governemanta iray manontolo no
antsointsika ho tonga eto, fa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Atitany.
Andriamatoa FILOHA
Ny eritreritro dia ireto no antsoina: “Forces Armées, Sécurité Intérieure, Ministre de
l’Intérieur, Elevage, Justice ary ny « Secrétaire d’Etat à la Gendarmerie».
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Andriamatoa Filoha, mbola tsy vita ilay fanadiovana. Ny fanadiovana ny asan’ny
“Commission” ity, io no tokony atao mialoha. Raha sanatria mbola tsy voadio ity, anefa
tonga eto ry zareo amin’ny Alatsinainy dia manjary menatra isika. Aleo aloha vitain-dry zareo
izay, na Alatsinainy maraina na Alatsinainy tolak’andro, na Talata maraina isika no manao
azy. Aleo diovina aloha ilay “texte”.
Andriamatoa FILOHA
Ny soso-kevitr’Andriamatoa Solombavambahoaka izany dia hoe madio ity zavatra ity vao
miantso an-dry zareo; sa efa “anticiper”-na hoe madio izy amin’ny Alatsinainy dia antsoina ry
zareo ho tonga eto amin’izay zareo.
Ahoana ianareo ao amin’ny “Commission Ad’hoc”?
Rehefa voavaly izay fanontaniako izay dia mahazo miteny ianareo nanao satroka sasany teo.
Andriamatoa Solombavambahoaka. Eny, Tompoko.
37
Andriamatoa MARA Niarisy
Andriamatoa Filoha, tsy lojika anie isika indraindray, fa isaorana anareo namana tena
manindry hoe: anareo any Atsimo.
Isika manao hoe “urgent, urgent”. Tsy haiko na tsy azoko ny dikan’ny “urgent”, maika. Ity
zavatra ity atao amin’ny tokony mahamaika azy, mihemotra indray isika. “Contradictoire”
anie izany, Andriamatoa Filoha.
Raha sahala aminay avy any Atsimo no anontaniana, Andriamatoa Filoha, na Sabotsy
maraina aza dia vita io.
Raha ohatra isika hanao “défi”, ka hanaraka ny tenin’Andriamatoa Solombavambahoaka teo
izay dia avelao izahay Solombavambahoaka avy any Atsimo ireo ihany no hikarakara an’ity.
Diovinay io, izahay tena “victime”, tena “intéressé” amin’ny “sécurité”; aleo izahay
Solombavambahoaka avy any Atsimo no handio an’ity. Vitanay rahampitso io, Andriamatoa
Filoha, raha izay no anaovanareo azy. Raha tsy hanampy anay ianareo, mandehana ianareo
manao “vacances”; mandehana manao “week-end” ianareo rehetra. Avelao izahay
Solombavambahoaka avy any Atsimo no mandio azy. Vitanay io; manana “ordinateur”
izahay; manana “imprimante” hanaovanay an’io izahay.
Tapaho na amin’ny Alatsinainy izy ity na rahoviana na rahoviana, fa izahay
tompon’andraikitra mandio an’ity, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Azafady, tsy misy satroka intsony.
Voizintsika hatrany hatrany ny firaisan-kina, fanamafisana ny firaisan-kina.
Ny fehin-kevitra izay naroso teto dia heveriko fa tsy maro intsony ny zavatra tokony ampiana
ary ny fandikana an’io amin’ny teny malagasy, mety tsy dia handany fotoana lava antsika
intsony. Noho izany, miangavy anareo 17 mianadahy ao amin’ny “Commission ad’hoc” sy
izay tsara sitra-po, mety ho afaka hanampy azy, mba hamita an’io zavatra io. Mifanampy
ianareo ato amin’ny “Administration”-n’ny Antenimierampirenena miantoka ny hahavita
an’io zavatra io, amin’ny Alatsinainy amin’ny 9 ora, maraina.
Andriamatoa Sekretera Jeneraly, voarainao izay?
Noho izany, ianareo ao amin’ny “Commission ad’hoc”, angatahana hamita an’io androany.
Tsy maro intsony ny asa atao amin’io; asa adiny iray na roa; adiny telo farafahelany.
Angatahana mba hovitanareo io. Raha tsy vitanareo androany dia vitainareo rahampitso
maraina ary amin’ny Alatsinainy amin’ny 9 ora, maraina, mba vonona io zavatra io.
Amin’ny 10 ora, maraina, mivory indray ny Birao Maharitra amin’ny “proposition de l’ordre
du jour”-ntsika amin’ny herinandro manaraka. Amin’ny 11 ora, atoandro kosa manomboka
isika, manao “séance plénière” miaraka amin’ny mambran’ny Governemanta izay
“concerné” amin’io zavatra io.
Izay?
- Tehaka -
38
Atsangano àry ny tànan’ny mankasitraka izay fanapahan-kevitra izay?
- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Izao no tiako hamafisina.
Omena satroka ny Solombavambahoaka miisa dimy.
Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina
Izao fotsiny ihany ny ahy.
Azafady, sao dia tokony omena an’ireo Minisitera “concernés” mialoha ny zavatra lanintsika.
Miteny fotsiny aho, sao dia izay no rafitra tokony alehany.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Izao fotsiny no tiako tenenina, Andriamatoa Filoha.
- Lakolosy Andriamatoa FILOHA
Azafady, aza mitabataba isika.
Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Izao no tiako tenenina, Andriamatoa Filoha: ato anatin’ity “résolution” ataontsika ity dia
misy fampijanonana ny fanondranana omby any ivelany. Ny tiako ahatongavana, tokony
mba ataontsika ao anatiny koa ny Minisitry ny Fiompiana, satria izy no afaka hi-“abroger”
an’izay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Efa ao ny Minisitry ny Fiompiana.
Solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry.
Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan
Ny olana dia ilay voasoratra tao amin’ny tabilao tamin’ny herinandro lasa iny. Talata ny
Solombavambahoaka vao mivory. Koa iangaviana ianareo, mba hamerina indray, handefa
amin’ny haino aman-jery hoe: mivory ny Solombavambahoaka amin’ny Alatsinainy.
Afabaraka eto isika raha tonga eto ireo olona ireo, kanefa tsy ampy ny “quorum”. Tokony
alefa amin’ny haino aman-jery manomboka androany izay zavatra izay hoe: tsy maintsy
tonga mivory amin’ny Alatsinainy, fa zava-dehibe no hivoriana.
Misaotra, Tompoko.
39
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Hatao izay soso-kevitrao izay.
Andriamatoa Solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo.
Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tiako ampiana kely ilay teo: ny filazana, ny “Communication” ataovy hoe maraina, fa sao
hariva ry zalahy vao tonga, efa voadona mantsy isika tamin’ny farany teo.
Faharoa manaraka izany, ilay fiantsoana: tamin’ny andron’ny “Congrès”, rehefa tena
henjakenjana ny lalao dia solo tena no alefan’ny Minisitra eo. Tena “éxiger”-na mihitsy mba
ho ny Minisitra tompon’andraikitra no ho tonga eto, fa tsy ny “remplaçant”-ny.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana
Azafady, Andriamatoa Filoha.
Misy fomba mahomby be amin’ny fiasantsika hatrizay, nefa tsy sahinay ny handray
andraikitra raha tsy mahazo “accord” avy aminareo.
Manomboka mahamenatra, Andriamatoa Filoha, ity resaka fivoriana ity. Tokony ataontsika
fomba fiasa ity manaraka ity: misy olona tompon’andraikitry ny fifandraisana tonga dia afaka
miasa ato amintsika. Raha averina dia afaka mandray andraikitra izy mianadahy ary raha
ohatra ka handefa filazana amin’ny fahitalavitra dia mba asaina ataon-dry zareo, amin’ny
fahitalavitra rehetra ary “imposer”-na ry zareo hoe: averimbereno hoatra ny “publicité”-n’ny
zavatra hafa; averina indimy na inenina amin’ny fahitalavitra. Raha tsy vitan’izy ireo izany,
omeo andraikitra izahay handeha hiditra amin’ny fahitalavitra rehetra ireo, hiteny hoe:
alefaso ity, alefaso izao.
Hainay ny fanaovana an’io “communication” io, Andriamatoa Filoha, fa raha isika no midona
eto ity, olona folo no sisa eo, lasa manahirana.
Farany dia farany, sao dia tokony omena “prime” ireo mivory isan’andro, satria misy anie ny
sasany, Andriamatoa Filoha, tsy mandeha ato, fa mirenireny eran’ny lalana fotsiny, ataony
hoatran’ny tsy fantany ny fivoriana ato. Tompon’andraikitra isika, Solombavambahoaka
isika; omena “prime” izahay mivory isan’andro.
Momba ny “communication”, Andriamatoa Filoha, ampitao atỳ aminay malakilaky ny
“ordre”, fa hoatran’ny tsy ampy raha indray mandeha fotsiny no lazain’ny fahitalavitra.
Misaotra, Tompoko.
40
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Izao ny ahy: aoka aloha isika mba ho hentitra amin’ny fanapahan-kevitra, marina fa maika ity
zavatra ity, efa nisy fanapahan-kevitra tato hoe ny Alatsinainy sy Zoma tsy misy fivoriana,
kanefa amin’ny mahamaika an’ity zavatra ity dia hivory isika amin’ny Alatsinainy. Misy olona
mody any Ambatolampy, misy mody any Antsirabe, Manjakandriana, Arivonimamo. Sao
hanairana antsika izany Alatsinainy maraina izany, aleo Alatsinainy hariva na Talata, satria
mahamenatra raha tonga ilay olona antsointsika, nefa tsy ampy ny “quorum”-ntsika.
Izay no zavatra mahazatran’ny Parlemanta, sarotra ny fisian’ny fivoriana ny Alatsinainy
maraina, kanefa mika ny zavatra ataontsika. Tsy any Atsimo ihany, fa na any aminay any
Vangaindrano aza, misy mpangalatr’omby koa. Tokony zavatra mipetrapetraka tsara no
atolotra ny Governemanta, fa tsy hoe maika dia maimaika eo hanoratra azy, nefa tsy
voafono ao daholo ny hevitsika. Tsy azo ekena izany.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Angatahana ianareo Solombavambahoaka mba tsy handray fitenenana intsony, fa raha tsy
izany mihodina eto fotsiny isika ka tsy hisy fandraisana fanapahan-kevitra.
Andao isika hiroso.
Voalohany, mikasika ny resaka “prime” ho an’izay mivory. Tsy “prime” ho an’ny mivory no
atao, fa ny “Règlement Intérieur”-ntsika no milaza hoe: omena arakaraky ny “assiduité”-n’ny
Solombavambahoaka tonga mivory ny “indemnité de session”. Ny dikan’izany: ny
Solombavambahoaka tsy tonga dia tsy tokony hahazo “indemnité” mifanandrify amin’ny tsy
fahatongavany.
Izay no momba an’iny.
Faharoa, amin’ny lafiny “procédure”: marina tokoa ny zavatra voalazan’ny
Solombavambahoaka avy any Vatomandry teo ary mitombina koa ny nolazainareo
Solombavambahoaka rehetra, amin’ilay hoe isika nandray fanapahan-kevitra, fa ny Talata
tokoa isika no tokony hivory. Ity zavatra ity anefa misy “urgence”. Noho izay fahamaikana
izay dia tokony hiroso, kanefa na eo aza izany, misy zavatra azontsika lazaina hoe
“impondérable”. Izany hoe tsy azontsika ialàna.
Ny tsy azontsika ialàna dia ity:
Voalohany, ny fivorian’ny Birao Maharitra dia amin’ny Alatsinainy amin’ny 10 ora. Tsy azo
ihodivirana ny amin’io. Noho izany ny Alatsinainy amin’ny 10 ora, dia tsy maintsy mivory ny
Birao Maharitra.
Faharoa, izay zavatra tapaky ny Birao Maharitra, satria handinika ny fandahara-potoana
amin’ny herinandro manaraka io, izay dia tsy maintsy entina eto aminareo holaniana, izay
vao azo ampiharina.
Noho izany dia mandroso izao soso-kevitra izao:
41
Ny Alatsinainy amin’ny 10 ora, mivory ny Birao Maharitra. Amin’ny 11 ora, manao
Fivoriambe isika mandany ny “ordre du jour”-ntsika amin’ny herinandro manaraka. Ao
anatin’izany ny fivoriana hataontsika amin’ny Alatsinainy tolak’andro, amin’ny 2 ora.
Amin’izay isika no miantso ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta “concernés”, mivory
miaraka amintsika eto, izay fotoana ahataperan’ny fivoriana, amin’izay isika no mirava.
Sahala amin’izay, mitohy hatrany ny fandaharam-potoana sasany.
Izay no angatahako hanaovantsika tsangan-tànana, Tompokolahy sy Tompokovavy, haroso
aminareo eto, holaniana.
- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana Lany izany.
Amin’ny 10 ora, maraina, mivory ny Birao Maharitra ao amin’ny “Salle BP”.
Amin’ny 11 ora, Fivoriambe, ato amin’ny “Salle de Séances”, handaniana ny “ordre du jour”
izay novolavolain’ny Birao Maharitra.
Amin’ny Alatsinainy, amin’ny 2 ora, tolak’andro, mivory eto ny Solombavambahoaka rehetra
“en Séance Plénière”, hitondra ny Fehin-kevitra madio sady atolotsika ny Mpikambana ao
amin’ny Governemanta izay voakasika; indrindra ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry
ny Filaminana Anatiny, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana, ny Sekreterampanjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Minisitry ny Fiompiana, ny Minisitry ny Varotra, ny
Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Minisitry ny Fitsarana.
Ampy izay, satria mbola ho avy ny fotoana handalovan’ireny Minisitra ireny atỳ amintsika,
amin’izay fotoana izay isika no miteny.
Izay izany, Minisitra valo.
Averiko indray mandeha: Ny Foloalindahy, ny Fiompiana, ny Sekreteram-panjakana miadidy
ny Zandarimaria, Minisitry ny Atitany, “Sécurité Intérieure”, “Elévage”, “Commerce”, “Poste,
Télécommunications et des Nouvelles Téchnologies » ary ny « Ministre de la Justice.”
Sivy izany.
Alohan’ny hiravantsika dia nahazo taratasy avy amin’ny « Ministre des Travaux Publics” aho,
izay manambara fa ny Zoma amin’ny 10 ora, maraina, eny amin’ny « Hôtel Carlton », ao
amin’ny “Salle Ravinala” dia hivory, hanao dinikasa miaraka aminy isika. Rehefa vita ny
dinikasa dia misakafo ao amin’ny “Hôtel Carlton” ihany. Raha mbola tsy vita moa, afaka
manohy isika aorian’izay.
Koa izay rehetra mangetaheta mikasika ny lalana sy ny tetezana na fotodrafitrasa momba ny
lalana dia entanina, Tompoko, mba ho tonga maro isika, satria isika Solombavambahoaka
rehetra no nasainy amin’io fotoana io.
Izay angamba ny fivoriantsika androany.
Farany, ny Solombavambahoaka avy any Maroantsetra.
Andriamatoa DINAH Romuald
ldi..
' :il
42
AndriamatoaDINAHRomuald
lzahay, Andriamatoa Filoha, dia miangavy rehefa vita ny mikasika ity tsy
f a n d r i a m p a h a l e m a ni tay , i z a h a ya v y a n y a m i n ' n y F a r i t r ' A n a l a n j i r odf oi a m i a n g a v ym b a
h a s i a n t s i k fao t o a n a m a n o k a n a h
, a n d i n i h a n an y f a n o n d r a n a n a n - t s o k o s o k iot y h a r e m pirenenaity. lzao no antony:mahakivyireo mpamatsyvolan'nyfirenentsikaio resakaio no
s a d ym a n a l a b a r a knay f i r e n e n a s, a t r i ag a b o r a r a k aA.m i n ' i z a yk o a m i t o n d r af a h a n t r a n ah o
an'nyvahoakaary tombotsoan'olom-bitsy
no hita aminy.
fa tsy tombotsoam-bahoaka
-6- Fiatoan'nyfivorianaAndriamatoaFILOHA
V o a r a yA
, n d r i a m a t oS
ao l o m b a v a m b a h o a k a .
M i a n g a v ya n a o ,h a n o r a t r a
t a r a t a s ya t ! a m i n ' n yB i r a oM a h a r i t r am
, b ah a m p i d i r a naan ' i z a ya o
a n a t i n ' n yl a h a d i n i kaam i n ' n yf i v o r i a n ah a t a oa m i n ' n yA l a t s i n a i n y .
Misaotra,Tompoko.
Tapitrany fand aharam-potoa
nantsika androany.
H o f a r a n a n t s i knay f i v o r i a n a .K o a d i a m i r a r y f a r a n ' n y h e r i n a n d r os a m b a t r ah o a n a r e o
S o l o m b a v a m b a h o aakray m i a n g a v ya n a r e oa o a m i n ' n yV a o m i e r aM a n o k a n ah a n a t a n t e r a k a
ny asa.
- Lakolosy
A m i n ' n yA l a t s i n a i nnyo f o t o a n a n t s i k a .
M isaotra,Tompokolahy.
M ankasitraka,Tompokovavy.
Niatotamin'ny4 ora sy 50 minitra,hariva,ny fivoriana.
';
FIZAHAN-TAKELAKA
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………. 01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 01
- Teny nataon’Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard ………………………. 01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 02
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 02
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 03
- Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 03
- Teny nataon’Andriamatoa LIAHOSOA Malement ………………………………………………………. 03
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………. 07
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 07
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 08
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 08
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 09
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 09
- Teny nataon’Andriamatoa ABDILAH ………………………………………………………………………….. 09
- Teny nataon’Andriamatoa ABDILAH …………………………………………………………………………… 10
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 10
- Teny nataon’Andriamatoa MARORIKY ……………………………………………………………………….. 10
- Teny nataon-dRamatoa ANGELE Solange …………………………………………………………………… 10
- Teny nataon-dRamatoa ANGELE Solange …………………………………………………………………… 11
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 11
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMANDIMBISOA Félix Marie Louis ……………………… 11
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 11
- Teny nataon’Andriamatoa ABDILAH …………………………………………………………………………… 11
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 12
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa ……………………………….. 12
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 12
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry …………………………… 12
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 12
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLONIAIKO Siteny Thierry …………………………… 13
- Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ……………………………………………………………….. 13
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 14
- Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ………………………………………………………………. 14
- Teny nataon’Andriamatoa HARINOSY Rabenerika Charlot …………………………………………. 14
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina ……………………………… 14
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 15
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy ………………………………………………………………….. 15
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 16
- Teny nataon’Andriamatoa LIAHOSOA Malement ………………………………………………………. 16
- Teny nataon’Andriamatoa MARA NIARISY ………………………………………………………………….. 16
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 17
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 17
- Teny nataon’Andriamatoa JEAN Daniel ………………………………………………………………………. 17
- Teny nataon’Andriamatoa LEVAO Nitadiavina ……………………………………………………………. 17
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 17
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmont Georges ………………………. 18
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 18
- Teny nataon’Andriamatoa RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin ………………………….. 18
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 19
- Teny nataon’Andriamatoa RATEFIARIVONY Jaona ……………………………………………………… 19
- Teny nataon’Andriamatoa TSABOTOKAY Honoré ……………………………………………………….. 19
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 20
- Teny nataon’Andriamatoa ABDILAH …………………………………………………………………………… 20
- Teny nataon’Andriamatoa TODY Arnaud ……………………………………………………………………. 20
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 21
- Teny nataon’Andriamatoa SEBANY Mouhamed …………………………………………………………. 21
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANJANAHARY Soloniaina Olivier ………………………….. 21
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 22
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface …………………………….. 22
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 23
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface …………………………….. 23
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian …………………….. 23
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 24
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana …………………………………………… 24
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELONANOSY Mamy Tiana Télésphore Gérard …………… 24
- Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ……………….. 25
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 25
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc …………………………………………………………. 25
- Teny nataon’Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson ……………………………………………………… 26
- Teny nataon-dRamatoa RASOANOROMALALA Marie Horace ……………………………………. 27
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANANA Solonirina Andriambelovololona ………… 28
- Teny nataon’Andriamatoa RAMAHASINDY Koko Herisoa …………………………………………… 28
- Teny nataon’Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard ……………………….. 28
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 29
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina ……………………………… 29
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy ………………………………………………………………….. 29
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 30
- Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah …………………………………………………………… 30
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAHA Tondraha ……………………………………………………………. 30
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 31
- Teny nataon’Andriamatoa ABDILAH …………………………………………………………………………… 31
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian …………………….. 32
- Teny nataon’Andriamatoa RAHOLIJAONA Harson ………………………………………………………. 32
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 33
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance …………………………………………………….. 33
- Teny nataon’Andriamatoa LIAHOSOA Malement ………………………………………………………. 33
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 34
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy …………………………………………………………………… 34
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 35
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan …………………………………………… 35
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………. 36
- Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah ………………………………………………………….. 36
- Teny nataon’Andriamatoa MARA Niarisy ………………………………….……………………………….. 37
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 37
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina ……………………………… 38
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien ………………………………………………….. 38
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 38
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan ……………………………………………. 38
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 39
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges ……………………… 39
- Teny nataon’Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana ……………………………………………. 39
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 40
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance …………………………………………………….. 40
- Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ……………………………………………………………….. 42
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 42
- Fiatoan’ny fivoriana ………………………………………………….……………………………………………….. 42

Documents pareils