Andriamatoa isany
Transcription
Andriamatoa isany
1 FIVORIAMBE FILOHA: Andriamatoa RAZAFIANDRIAMBELO Njato Harinony Ihajamanana MPITANTSORATRA: Andriamatoa isany : - RAMAHEFASOA Barbin - TSIVAKA Sylvien Raharison FOTOANA: Alarobia 28 Novambra 2012, tamin’ny 9 ora sy 40 minitra, maraina. FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolan-dalàna laharana faha-018/2012 tamin’ny 18 Jolay 2012 manome alàlana an’i Madagasikara hirotsaka ho mpikambana ao amin’ny Fifanarahana Iraisampirenena Arabarotra mahasahana Entam-barotra. - Lakolosy -1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy indray ny fivoriantsika. Faly miarahaba antsika ato amin’ny Birao Maharitra, ary faly miarahaba koa antsika rehetra mpikambana ato anatin’ny Kongresin’ny Tetezamita. Arahabaina torak’izany koa, Andriamatoa Tale Jeneraly avy ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy Ramatoa “Chef de Service” avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Ny fandaharam-potoanantsika izao maraina izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika « Projet de loi n°018/2012 du 18 juillet 2012 autorisant l’adhésion de Madagascar à la Convention des Nations Unies sur les Contrats de Vente Internationale de Marchandises (CVIM) ou Convention de 1980 ». Koa iangaviana, Andriamatoa Mpampakatenin’ny Vaomiera hamaky ny Tatitra momba izany. Eny, satroka! Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo ao amin’ny Birao Maharitra. Miarahaba ny namana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita sy ny Tale Jeneraly ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra ary ny solontena avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Tsy izahay manambany ireto olona ireto, Andriamatoa Filoha, fa raha nivory isika tao amin’ny “Conférence des Présidents”, ity no tsy mampisy hasina, sanatriavina, an’ity 2 Kongresin’ny Tetezamita ity. Tokony ho Minisitra no tonga eto, ka tokony ahemotra ity zavatra ity. Ahemory io, satria mbola maro ny zavatra tokony ho resahin’ny Minisitrareo, ka tokony ho tonga aty aminay izy. Tokony ahemotra, Andriamatoa Filoha, ity fivoriana ity. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Misy satroka atsy, azafady. Andriamatoa RAFARAMANDIMBY Boana Jean Pierre Manao azafady, Andriamatoa Filoha. Tamin’ny asam-baomiera izay nataonay dia nisy fialan-tsiny nataon’ireo Teknisiana ireo amin’ny andraikitra izay sahanin-dRamatoa Minisitra. Izay no antony tsy nahafahany teto, ka tsara ihany ny hanoritsoritana an’izay. Efa nisy asa nataonay, ka tsara angamba raha miroso isika, satria Teknisiana afaka manazava izay tokony atao ireo olona ireo. Andriamatoa FILOHA Tahaka ny nandraisantsika fanapahan-kevitra farany teto ihany, misy hevitra roa izany ato: misy miteny hoe ahemotra ilay izy; misy miteny hoe alefa ilay izy. Koa aleo raisina ny fanapahan-kevitra, toy ny tamin’ny farany teo. Koa atsangano ny tanan’izay miteny hoe tohizana ny fivoriana fa tsy ahemotra. - Mpikambana amin’ny Kongresin’ny Tetezamita miisa 36 no nanangan-tanana Atsangano no tanana izay miteny hoe hajanona ny fivoriana. - Mpikambana amin’ny Kongresin’ny Tetezamita miisa 31 no nanangan-tanana Izay tsy milaza ny heviny. - Mpikambana amin’ny Kongresin’ny Tetezamita miisa 2 no nanangan-tanana Tohizana izany fivoriana, koa iangaviana ny Mpampakantenin’ny Vaomiera hamaky ny tatitra. Misy satroka azafady! 3 Andriamatoa RAZAFINDRANADA Régis Azady aloha, misy manontany hoe, mahafeno fetr’isa ve sa tsia. Izay aloha eo ihany, fa ny anay, Andriamatoa Filoha, rehefa vita ity dia mba mangataka “huis clos” izahay, satria ny nifanarahana tamin’Andriamatoa Kestora tamin’ny “Conférence des Présidents”, alohan’ny Alakamisy, hoy izy, ny “carburant”. Ny zavatra henonay tamin’Andriamatoa Morel teo dia tsy misy indray ny “carburant”, hoy izy. Koa mangataka “huis clos” izahay rehefa vita ity. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Andriamatoa DAMY Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mazava izany fa tsy ampy ny fetr’isa, ka inona no handaniana andro eto? Ravao any ity zavatra ity, Andriamatoa Filoha, satria 31 miampy 36 mitontaly 67 izay. Inona no zavatra ho dinihina eto amin’izany, mandany andro fotsiny. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Raha ny tokony izy dia atao foana ilay fivoriana aloha, fa rehefa tsy tratra ny “quorum” avy eo, izay vao ahemotra amin’ny fivoriana manaraka ny fanapahan-kevitra, na firy na firy tonga, fa tsy maintsy atao aloha ilay fivoriana. Omena ny Mpampakateny ny fitenenana, Tompoko. -2- Famakiana ny tatitra Andriamatoa RAFARAMANDIMBY Boana Jean Pierre, Filoha Lefitry ny Vaomieran’ny Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo Filoha mpitantana. Manantitra ny arahaba ho anareo Teknisiana tonga manatrika izao fivoriambe izao. Am-pifaliana no iarahabana antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Manasa anareo haharitra hiaino ity tatitry ny Vaomieran’ny Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna sy ny Vaomieran’ny Varotra ity. Toy izao izany. 4 Nivory ny Talata 27 Novambra 2012, tamin’ny 3 ora sy sasany, tolak’andro, ny Vaomiera mitambatra niarahan’ny Vaomieran’ny Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna sy ny Vaomieran’ny Varotra, nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-018/2012 tamin’ny 18 Jolay 2012 manome alalana an’i Madagasikara hirotsaka ho mpikambana ao amin’ny Fifanarahana Iraisampirenena Ara-barotra mahasahana Entam-barotra. Andriamatoa RAVELOSON Constant, Filohan’ny Vaomieran’ny Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana. - Vaomieran’ny Lalàna sy ny Fanaovan-dalàna, Andriamatoa isany: 1. RAVELOSON Constant 2. RAFARAMANDIMBY Bona Jean Pierre 3. RASATA TELSON Mahefa Eric 4. LAURENT Parfait Fontaine 5. SAZALAHY Tsianihy 6. MARIJAONA 7. MAROTSAHA - Vaomieran’ny Varotra, Ramatoa sy Andriamatoa isany: 1. RANDRIAMIFIDY Johnny Herman 2. RAKOTOBE Andrianaly 3. MANITRA Ireo teknisiana avy ao amin’ny Minisitera tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany: - IRIMANANA Emilson Eninkaja SG/Ministère du Commerce - LEONNEL DGCE/Ministère du Commerce - ANDRIANARISON Estelle Chargé d’Etudes/Ministère du Commerce - RAKOTOMALALA Nadia Chef de Service de la Vulgarisation Juridique/MINJUS - A. Seth KOTOSON Magistrat/MINJUS Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hitondrany fanazavana mikasika ny antonanton’ny volavolan-dalàna. Rehefa nandray fitenenana ny teknisiana dia nanolotra fialan-tsiny noho ny tsy fahatongavan’ny Minisitra roa tonta, izay manatanteraka andraikitra hafa. Nambaran’ny teknisiana avy ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra fa ny maha zava-dehibe ity volavolan-dalàna ity dia mba ahafahana miala amin’ny disadisa sy hampiroboroboana ny toekarena sy ny varotra iraisampirenena eo amin’ny sehatra tsy miankina. 5 Zavatra iray tsy maintsy misy eo amin’ny varotra iraisampirenena ny fifanarahana arabarotra; ity fifanarahana ity dia noheverina fa ao daholo ny sehatra rehetra hiarovana izany. Izany no nahatonga ny Firenena Mikambana nanao ity fifanarahana ity tany amin’ny taona 1980. Nambarany ihany koa fa misy ny andraikitry ny mpivarotra sy ny mpividy mba hampirindra mazava tsara ny varotra (vente internationale) izay atao sy ny fahafantarana ireo fepetra rehetra hidirana amin’izany varotra iraisampirenena izany. Raha nanohy ny fanazavana ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia nanoritsoritra fa zava-dehibe ity volavolan-dalàna ity, fa raha varotra ato anatiny dia ny lalàna eto an-toerana no mihatra fa ity indray dia fifanarahana momba ny fifanekena ara-barotra iraisampirenena. Rehefa vita ny fifaneken’ny roa tonta dia afaka mihatra avy hatrany io fifanarahana io. Noho izany, isan’ny zava-dehibe no hidirantsika amin’ity fifanarahana ity. Ny tanjona amin’izany dia ny hahamora ny paikady entina hiarovana ny fifanarahana arabarotra. Firenena miisa 71 no efa nankatoa azy io, ka ny tombotsoa ho azo amin’izany dia: - fampitomboana ny fifampitokisan’ny mpamatsy vola; - fanovana ny fomba fiasa manaraka ny toetr’andro; - fanamaivanana sy fanesorana ny sakatsakana eo amin’ny lesoka mety hisy; - ny fidirantsika amin’izany dia manatsara ny “cadre juridique” amin’io sehatra io. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana ny mpivory. 1. Hatramin’izay efa nisy ny fifanarahana ara-barotra nataon’i Madagasikara, koa fanohizana ve sa fanavaozana ho amin’ny endrika vaovao izy ity? 2. Inona no tombotsoa azon’ny Fanjakana amin’izany? 3. Ny Firenena Mikambana ve no tompon-kevitra sa izy no miantoka ity fifanarahana ity? 4. Misy latsakemboka ve aloan’ny mpikambana? 5. Ity fifanarahana ity ve karazana antoka ho an’ireo mpampiasa vola eto amintsika? 6. Raha mijery ny andininy faha-11 dia tsy misy ny fifanarahana ara-barotra eo amin’ny roa tonta, ahoana ny fipetrak’io andininy io? 7. Inona no lafiratsin’ity fifanarahana ity? 8. Azo atao ve ny maka mpandraharaha, satria entinareo ato amin’ny Parlemanta ity fifanarahana ity nefa izahay tsy mpandraharaha? 9. Inona no hitondrana ity fifanarahana ity eto amin’ny Parlemanta, kanefa resaka tsy miankina izy ity fa tsy Fanjakana? 10. Nahoana isika no tsy niditra tamin’io fifanarahana io hatramin’izay, kanefa efa ho 32 taona lasa no nisian’izy io, sa misy “opportunité” misokatra? Valim-panontaniana nomen’ny teknisiana. 1. Efa nisy fifanarahana ara-barotra teo aloha, ka ny fanjakana no nanao izany, fa ity fifanarahana ity dia fifanarahana ara-barotra eo amin’ny olon-tsotra. 2. Amin’izao fotoan’andron’ny fahalalahana izao, ny Fanjakana dia tsy manao raharaham-barotra intsony fa mametraka lamina, rafitra mba hahamora izany fifanarahana izany. 6 3. Ny Firenena Mikambana no nametraka ity fifanarahana ity, fa rehefa mpikambana ao anatiny dia voafehin’ity fifanarahana ity avokoa. 4. Tsy misy ny fifanarahana ara-bola aloan’ny mpikambana. 5. Ity fifanarahana ity dia karazana lalàna iray izay mifehy ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny mpivarotra sy ny mpividy. Efa mifanaraka ny roa tonta fa ity fifanarahana ity no arahina, mba hialana amin’ny tsy fitandremana izay mety hitranga. 6. Tsy natao hanaitra ny fisian’io andininy faha-11 io fa misy ny fitsipika fototra (principe directeur) mifehy ny varotra, izay manavaka amin’ny fifanarahan’ny olon-tsotra (contrat civil). Ny tanjona dia ny ahaingana kokoa ny fifanakalozana, satria ny zavadehibe dia tsy ny fifanarahana fa ny fifampitokisana. Matetika tsy maintsy miainga amin’ny fifanarahana an-tsoratra hatrany ny fifanarahana ara-barotra. 7. Tsy voatery voafehin’ny fifanarahana ara-barotra, na mpikambana aza ilay firenena, fa azony atao ny manao fifanarahana manokana. Ny zava-dehibe dia ny andraikitry ny mpivarotra sy ny mpividy raha ohatra mifanaraka fa tsy hampihatra ity fifanarahana ity ny roa tonta, azo atao ihany koa izany. 8. Entina aty amin’ny Parlemanta ity fifanarahana ity mba holanian’ny mpivory. Afaka misafidy ny mpandraharahantsika, na mety na tsy mety aminy ity fifanarahana ity. 9. Ny Fanjakana no manao sonia ny fifanarahana fa ny tsy miankina (privé) no mahazo tombontsoa. 10. Tamin’ny taona 1980 no lany tao amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana io fifanarahana io. Efa nisy ihany ny fandalovany teto amin’ny Antenimierampirenena tamin’ny 17 Desambra 2008, fa ny famoahana azy hanankery (promulgation) no sisa. Miankina amin’ny laharam-pahamehan’ny politika ankapoben’ny fanjakana no hanentanany indray ny fifanarahana. Efa nodinihina teo anatrehan’ny « Comité de Reforme des Droits des Affaires » (CRDA) izany ka lany tao. Noho ny tsy fahatratrarana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia naato 30 minitra ny fivoriana, mba hanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Kongresin’ny Tetezamita. Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny Volavolan-dalàna ny mpivory ka lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsina ny Volavolan-dalàna laharana faha-018/2012 tamin’ny 18 Jolay 2012 manome alalana an’i Madagasikara hirotsaka ho mpikambana ao amin’ny Fifanarahana Iraisampirenena Ara-barotra mahasahana Entam-barotra ka hoentina handraisana fanapahan-kevitra farany any amin’ny fivoriambe. Nifarana tamin’ny 5 ora, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha. - Tehaka Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakanteny, nitondra izay tatitra izay. Izao isika dia hiditra amin’ny fanamarihana na fanitsiana momba ilay tatitra novakiana tamintsika teo. Iangaviana hanangan-tanana izay handray fitenenana, Tompoko. 7 -3- Fanamarihana sy fanitsiana momba ny tatitra Andriamatoa RABARY Thierry Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha. Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra. Fanamarihana kely fotsiny, Andriamatoa Filoha, ao amin’ny pejy faha-3, eo amin’ny “paragraphe 1”, ery amin’ny farany. Volavolan-dalàna angamba io fa tsy hoe “volavolan-dalanany”. Ilay hoe: “Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny ny Teknisiana ny fitenenana mba hitondrany fanazavana ny antonanton’ny volavolan-dalàna”. Ny manaraka dia amin’ny pejy fahatelo ihany, eny amin’ny “paragraphe” alohan’ny farany. Ilay hoe: “Ny tanjona amin’izany dia ny hanamora ny paik’ady entina hiarovana amin’ny fifanarahana ara-barotra. Firenena”, “n” iray ihany angamba io, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Asa raha mbola misy fanamarihana avy amintsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita? Raha tsy misy dia omena an’Andriamatoa Tale Jeneraly avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra ny fitenenana, raha misy fanitsiana tiany atao momba ilay tatitra teo. -4- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Andriamatoa LEONNEL, « DIRECTEUR GENERAL DU COMMERCE EXTERIEUR, MINISTERE DU COMMERCE » Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filoha ; Ianareo mambran’ny Birao Maharitra ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ; Ianareo rehetra mambra ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita. Faly miarahaba anareo, ary maneho fisaorana lehibe ho anareo noho ny namelanareo anay hamelabelatra fohifohy, hiara-hidinika sy hitafatafa aminareo mikasika ity volavolan-dalàna mangataka ny hidiran’i Madagasikara amin’ny “Convention des Nations Unies sur les Contrats de Vente Internationale des Marchandises, ou Convention de 1980” ity. Mialohan’ny hanohizako ilay famelabelarana, mamelà ahy ahy, Andriamatoa Filoha, hamerina etoana ny fialan-tsinin-dRamatoa Minisitry ny Varotra sy ny Minisitry ny Fitsarana izay tokony hanatrika antsika tokoa amin’ity fivoriambe ity, fa samy namita iraka any ivelany 8 moa ry zareo ka tsy afaka nanatrika antsika eto, dia izay no ametrahana ny fialantsiny aminareo. Izay ny amin’ny fialan-tsiny, Andriamatoa Filoha, fa misaotra kosa ny Mpampakanteny, izay nanao ny tatitry ny asan’ny Vaomiera teo. Izahay avy amin’ny Minisitera roa tonta moa dia tsy misy zavatra hambara mikasika iny tatitra iny, fa nahatsapa fa feno tokoa iny tatitra iny, araka ny famelabelarana izay nataonay nandritra ny asam-baomiera sy ny fanontaniana tao ary ny fizotran’ny famaliana ny fanontaniana. Na izany na tsy izany aza, mamelà ahy ahy ianareo, Andriamatoa Filoha, ianareo mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, mba hamaritra kely amin’ny teny fohifohy, tsy ho lava, ity “Convention des Nations Unies sur les Contrats de Vente Internationale de Marchandises ou Convention de 1980” ity. Ny varotra any ivelany moa dia anisan’ny fitaovana anankiray fampiroboroboana ny toekarenan’ny firenena anankiray. Izany tsy midika hoe manambany ny varotra anatiny, fa anisany, hoy aho. Amin’izao fanalalahana izao moa, ny Fanjakana dia tsy manao asam-barotra intsony. Na izany na tsy izany, tsy maintsy misy ihany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny mpandraharaha. Ka anisan’ny andraikitra lehibe izay iantsorohan’ny fitondram-panjakana amin’izay ny fametrahana ny lamina sy ny fepetra rehetra mba ahafahan’ny mpandraharaha manatontosa amin’izay fomba mora dia mora ny raharaha ara-barotra, ka ahafahany manao izany asa aman-draharaha izany. Fantatsika koa moa izany fa izay zavatra izay dia tsy maintsy misy fifanarahana eo amin’ny firenena, na firenena iray tsotra io, izay fantasika amin’ny hoe “bilatéral”, na vondrona, na vondrona lehibebe kokoa tahaka ny Firenena Mikambana, tahaka izay hitantsika eto. Ny fifanarahana moa tsy maintsy ny Fanjakana no manao azy. Izay no mahatonga ity volavolan-dalàna ity ho ny Fanjakana no mametraka azy. Ny lalàna koa, fantatsika fa rehefa misy “engagement” ataon’ny Fanjakana dia tsy maintsy ampandalovina eo anivon’ny Parlemanta, dia ny Kongresin’ny Tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita moa izany, amin’izao fotoana izao. Ho fanarahana an’izay “procédure” izay no nahatonga azy ity nentina aty aminareo aty. Efa vita ny asam-baomiera ka izao entina amin’ny fivoriambe izao. Amin’ny resaka iraisampirenena dia tena misy « risque » tokoa io varotra io. Izahay ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra dia afaka manamafy an’izany eto amintsika, kanefa tsy azo ialana io zavatra io. Ka mba ahatontosa izay varotra izay dia tsy maintsy apetraka ny lamina mba hampizotra tsara izay lafiny ara-barotra izay. 9 Raha miresaka izany ara-barotra izany isika, ny tonga ao an-tsaina voalohany dia ny mpivarotra sy ny mpividy. Matoa tontosa ny varotra iray dia tsy maintsy manao ny adidy tandrify azy avy ny roa tonta, izany hoe ny mpivarotra sy ny mpividy. Ny mpivarotra moa izany tsy maintsy mandefa ilay entana mifanaraka amin’izay tadiavin’ilay olona, amin’ny fotoana izay ilan’ilay olona azy; ny mpividy koa mandray, mijery an’ilay entany ary mandoa ny vidin’ilay izy. Izay izany ny fizotrany, raha fehezina fohifohy ny varotra iraisampirenena. Na dia eo aza izany, tsy miala amin’ny tsena iraisampirenena ny disadisa, na eo aza ny fahavononan’ny tsirairay. Indraindray koa, misy ihany ny tompon’andraikitra sasantsany amin’ny ara-barotra manana finiavana, ataoko hoe finiavana, satria izay zavatra izay dia tsy maintsy misy. Ka rehefa misy izay finiavana izay, na misy izay disadisa izay, tsy maintsy misy sehatra iray hijerena an’izay, hamahana an’izay, ary misy lalàna koa ampiharina, hoe inona moa izany ny lalàna ampiharina, izay mifehy ny varotra iray manokana izay natao izay. Izay no nahatonga ny “Nations Unies” nametraka an’ity “contrat” ity, mba hifehy, ary hita ao daholo, ao anatin’ity “convention” ity ny “obligation”-n’ny mpivarotra sy ny mpividy, ny fepetra rehetra ary ny “forme de contrat” na ny fifanarahana izay atao. Efa voalaza teo moa fa ity “convention” ity, tsy voatery hoe rehefa mambra anatin’ity isika dia tsy maintsy hanaraka an’ity daholo ny mpandraharaha, fa malalaka ny mpandraharaha, ka rehefa hitan-dry zareo fa ity no mety dia ity no ampihariny; raha misy moa “contrat” hafa heverin-dry zareo fa mety kokoa noho ny “spécificité” manokana ho an’ny fandraharahana izay ataony dia afaka manao an’izay izy. Ity zavatra ity moa, araka ny voalaza teo, tsy misy vola aloantsika, tsy misy “contribution”. Na izany na tsy izany, ahitana tombontsoa maromaro ity, ary tsy hiverenako intsony fa efa voalazan’ny Mpampakateny teo fa be dia be ny tombontsoa ho hitantsika amin’izy ity. Tsy hivalampatra betsaka amin’izay aho, Andriamatoa Filoha, ianareo mambran’ny Birao Maharitra, isika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, fa vonona izahay hitondra an’izay, raha mbola misy fanampim-panazavana ilainareo. Ny hamaranako ny fitenenana voalohany eto, Andriamatoa Filoha, dia manainga antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita mba handany an’ity volavolan-dalàna ity, izay manome alalana an’i Madagasikara hirotsaka ho mpikambana amin’ny “Convention des Nations Unies sur les Contrats de Vente Internationale de Marcahandises”. Mikasika ny varotra entana izany ity “contrat” ity. Andriamatoa Filoha; Ianareo mambran’ny Birao Maharitra; Isika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Mametraka fisaorana ho anareo naharitra nihaino izay famelabelarana nataonay izay. Misaotra, Tompoko. - Tehaka - 10 Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Tale Jeneraly, nitondra an’izay famelabelarana izay. Izao isika dia hiditra amin’ny adihevitra ankapobeny, koa iangaviana isika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita izay handray fitenenana mba hisoratra anarana, Tompoko. Omena fitenenana ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RATSIMBAZAFY François. -5- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa RATSIMBAZAFY François d’Assise Misaotra, Andriamatoa Filoha Miarahaba antsika mianakavy, na lahy na vavy. Raha namaky an’ity lalàna ity aho dia gagagaga ihany, satria raha tsy diso aho, efa voasoratra ao anatin’ilay “mondialisation” na “globalisation” ity “contrat civil” ity. Ao anatin’io “mondialisation” na “globalisation” io, izay azoko tsorina aminareo fa izany “mondialisation” izany, “c’est l’autorisation aux grands de manger les petits”. Ao anatin’io “globalisation” io anefa dia efa misy andininy vitsivitsy mba miaro ilay « petits, contre les grands ». Asa azonareo izay zavatra izay. Ry zareo anefa mbola nanao karazandrazana “assurances” indray, miaro ny “contrat civil”. Ny an’ny frantsay dia nataony hoe “coface”. Ka ny fanontaniana apetrako dia hoe, isika ve mba manana “assurances” na “coface” miaro ny “contrat civil”-ntsika eto Madagasikara mivoaka any ivelany? Misaotra, Tompokolahy. Misaotra, Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTONDRABE Jean, ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTONDRABE Jean Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome fitenenana. Miarahaba anareo mambran’ny Birao Maharitra. Miarahaba anareo teknisianina. Miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Ny ahy dia fanontaniana tsotra, Tompoko. Mba te-ahafantatra aho, iza daholo moa ny firenena efa nanao sonia ity “Convention” ity? Tsara ny mahafantatra an’ilay izy, satria fifandraisana iraisampirenena ilay izy, ka iza moa no tena mety ho “partenaire”-ntsika? Ohatra fotsiny: i Chine ve efa nanao sonia an’io? 11 Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Misy satroka, azafady. Andriamatoa RAFARAMANDIMBY Boana Jean Pierre Azafady, Andriamatoa Filoha. Isan’ny zavatra notakianay tao izay zavatra izay. Efa nomeny anay ilay izy, ka raha misy te hahazo an’ilay izy, manatona ahy vetivety fotsiny angamba. Izay ilay izy. Raha vakiana dia lava be. Miisa 71 anie! Andriamatoa Filoha angamba mamaly an’izay, fa ity ilay izy. Any amin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ianareo mangataka an’izay fa tsy aty amiko angamba. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TSIEBO Mahaleo Richard Victor, ny fitenenana. Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Richard Victor Misaotra, nanome fitenenana, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo Teknisiana izay tonga eto. Miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita ihany koa. Izy ity moa, rehefa namaky azy izahay, Andriamatoa Tale Jeneraly, ny zavatra tena hita, tsy zava-baovao ny mahita fa amin’izany “convention internationale” izany, “contrat de vente” moa izy eto, dia ny “côté positif”-n’ilay izy hatrany no avoitra. Mazava ho azy moa fa izany zavatra hampandaniana izany dia tsy maintsy handresendahatra. Ny zavatra hitantsika amin’ilay resaka fanatontoloana anefa, ilay fanatontoloana moa tsy safidy intsony izy io, hoe hiditra izahay na tsy hiditra, fa zavatra efa iainana, tsy maintsy iainana. Ka ny zavatra hitantsika amin’izao dia tahaka ny mitanty ny fiantraikan’ilay “mondialisation” foana ny tany lazaina fa andalam-pandrosoana. « Euphémisme » moa izay « en voie de développement » izay, fa raha ny tena marina dia tany mahantra. Tsotra ny ahy: amin’ity “Convention” ity ve, efa mitsinjo ny fanamorana ho an’ireo mpandraharaha eto an-toerana ianareo ao amin’ny Minisitera? Raha miteny mpandraharaha eto an-toerana aho, tsy hoe ny PME, ny PMI ihany, fa mpandraharaha koa ny olona manao asa-tanana madinika, mpandraharaha koa ny olona manao fambolena, fiompiana madinika, “micro opérateur” ireny. 12 Ka mba tsy hitarika fahavoazana ho an’ny mpandraharaha madinika ilay izy, efa misy “mesure d’accompagnement” ve noeritreretin’ny Minisitera, na efa atao, na mbola ho atao, mikasika an’izy ity, mba tsy ho lasa “victime” amin’ny zavatra ataontsika indray ny mpandraharaha eto amintsika. Izany hoe, ny “solvabilité du marché intérieur” mihitsy no tokony ho jerena, mba tsy hitohizan’ilay « économie extravertie » fa mba “développement endogène” sy “autocentré” no atao. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Andriamatoa Tale Jeneraly. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, nitondra izay fanontaniana izay. Mikasika ilay lisitry ny firenena teo, isika izay mila an’ilay izy dia ao amin’ny “Service des Relations avec les Parlementaires” no maka ny “photocopie”-n’ilay izy. Tsy atao ho antsika rehetra, satria mety misy tsy mila an’ilay izy ka manjary very fotsiny ny volantsika. Izao dia omena fitenenana indray ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTOBE Andrianaly. Mandalo ao izay mila fa efa misy betsaka ao. Maka fotsiny, fa tsy ho an’ny isantsika rehetra. Mino aho fa misy tsy maka akory, satria tsy mandalo aty akory aza. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa RAKOTOBE Andrianaly Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome fitenenana. Miarahaba anareo eny amin’ny “perchoir”. Miarahaba anareo vahiny. Misy fangatahana kely. Hoatran’ny tsy dia mazava amiko loatra, ato amin’ny pejy faha-3, ery amin’ny faramparany ery: “Ny tanjona amin’izany dia ny hahamora ny paikady entina hiarovana ny fifanarahana ara-barotra. Firenena 71 no efa nankatoa azy, sy ny sisa”. Dia eo amin’ny tsipika voalohany hoe: “fampitomboana ny fifampitokisan’ny mpamatsy vola”. Eo no somary tsy azoko kely. “Convention commerciale” ity, kanefa ny fahazoako an’ilay mpamatsy vola dia “bailleurs de fonds”. Izany hoe, vola averina ny azy, na zavatra hoatran’izay. Eo no tsy azoko kely: fifanarahana ara-barotra ilay izy, ka angaha misy mpamatsy vola amin’ilay izy? Sa mety ho diso tsipelina? Misaotra betsaka, Tompoko. 13 Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, MASY Goulamaly, ny fitenenana. Ramatoa MASY Goulamaly Misaotra, nanome fitenenana. Miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita rehetra. Miarahaba anareo Teknisiana koa. Noho ny maha mpandraharaha ny tenanay dia hoatran’ny voasarika amin’ity zavatra ity, ka misy fanontaniana kely, Andriamatoa Tale Jeneraly. Izao ve isika vao hiditra amin’izany fifanarahana iraisampirenena ara-barotra izany? Izao ve isika vao hiditra, ka afaka handany an’ity lalàna ity? Faharoa, inona no antony mbola tsy nampiditra antsika, raha ohatra ka mbola tsy niditra isika hatramin’izay? Misy antony manokana ve izany? Fahatelo, sao dia vao mainka hamatotra antsika bebe kokoa ity fifanarahana ity, satria raha jerena dia efa misy foana ny varotra ataontsika amin’ilay fifanarahana iraisampirenena, fa ny kalitao foana no olana. Raha jerentsika ny “letchis”, ny tsaramaso na ny “vanille” naondrantsika ireny dia hoatran’ny misy miverina rehefa tonga any. Ka sao vao mainka hamatotra antsika ity, dia vao mainka hamono ny mpandraharaha eto amintsika? Misaotra betsaka, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, ANDRIAMIHAJA Pierre, ny fitenenana. Andriamatoa ANDRIAMIHAJA Pierre Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita rehetra sy ny vahiny. Mpandraharaha madinika ny tenako, ary efa somary mba nandalo tamin’ny “Chambre de Commerce” maromaro teto Madagasikara. Izaho izany dia mahatsapa fa misy mitanila ny zavatra ataon’ny Minisiteran’ny Varotra. Ny fifanarahana ifanaovantsika ato anatin’ny COI na ny resaka “abaissement tarifaire” dia mbola tsy hita izay tena fipaikany, satria mbola i Maurice sy Madagasikara ihany angamba no nanaiky an’izy io, kanefa misy ireo “régions” izay “favorisées par la nature” any amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, mifandray amin’ny firenena ato anatin’ny COI. Mbola tsy fantatra, hatraiza no hiafaran’io resaka “abaissement tarifaire inter-COI” io, raha resaka varotra no resahina. 14 Ity lalàna tenenintsika ity dia isan’ny lalàna ifampifehezan’ny mpandraharaha amin’ny firenena roa samy hafa, na firenena ao anatin’ireo 71 mambra ao anatin’ny “Nations Unies” ireo. Koa raha raisintsika izany i Maurice dia misy mpandraharaha avy eto Madagasikara afaka mifandray amin’ny mpandraharaha maorisiana, dia ity lalàna ity izany no ifampifehezana, raha sanatrian’ny vava ladian’ny lela ka misy ny olana. Maninona no tsy ilay fifandraisantsika ara-barotra, ilay “abaissement tarifaire” izay no nokarakarainareo aloha, mba ahatonga ny mpandraharaha eto Madagasikara hifankahazo tsara amin’ny COI, izay isika vao miditra amin’ireo firenena hafa? Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena fitenenana ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RABARY Thierry Risman. Andriamatoa RABARY Thierry Risman Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha. Mamerina ny arahaba teo ihany. Fanamarihana roa ary fanontaniana iray no apetrako, Andriamatoa Filoha, ho an’ny Teknisiana. Ny voalohany dia mahakasika ilay ao amin’ny tatitra, pejy faha-5. Misy teny ao amin’ny valim-panontaniana faha-3 hoe: “Ny Firenena Mikambana no nametraka ity fifanarahana ity, fa rehefa mpikambana ao anatiny dia voafehin’ity fifanarahana ity avokoa”. Ny fanontaniako, Andriamatoa Filoha, dia ny hoe, rehefa mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana ve dia voafehin’ity fifanarahana ity avokoa? Raha izany no izy, inona no mbola antony hanaovana ity fifanarahana ity; fa raha tsy izany kosa ilay izy dia mila hovàna ny firafitr’io valinteny io. Ny fanontaniana faharoa dia mikasika ilay valinteny faha-10: “Tamin’ny taona 1980 no lany tamin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana io fifanarahana io. Efa nisy ihany ny fandalovany teto amin’ny Antenimierampirenena tamin’ny 17 Desambra 2008, fa ny famoahana azy hanan-kery na “promulgation” no sisa. Dia somary manontany aho hoe, maninona no tsy tonga dia ny “promulgation” no atao, fa maninona no mbola mandalo eto amintsika? Ny farany, tsetsatsetsa tsy haritra kely fotsiny, ao amin’ilay “préambule”-n’ilay “Convention”, ery amin’ny “paragraphe” voalohany, misy teny eo amin’ny fehezanteny fahaefatra eo: « Considérant que le développement du commerce international sur la base de l’égalité des avantages mutuels est un élément important dans la promotion des relations amicales entre les Etats ». 15 Raha mijery an’io aho dia mieritreritra fa an’isan’ny olana ho an’ny vokatra eto amintsika, tahaka ny « vanille » dia ny vidiny eo amin’ny « marché international ». Ity « Accord » ity ve isan’ny mametraka izay « prix » izay mba hitovy daholo ny handraisan’ny rehetra azy eo amin’ny tsena, sa mbola fifanarahana amin’ny mpivarotra sy mpividy ihany? Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RANDRIAFENO Jerôme, ny fitenenana. Andriamatoa RANDRIAFENO Jerôme Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anareo Teknisiana avy amin’ny Governemanta. Ny fanontaniako dia tsotra. Raha misy tsy fetezan’ilay olona mifanaraka, miditra an-tsehatra ve ilay Firenena misy azy, sa izy roa ireo ihany no manao ilay tribonaly? Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Hamarana ny fandraisana fitenenana ny Mambran’ny Kongresin’ny VOAHANGINIRINAZAFIMANDIMBY Marie Laurette. Tetezamita, Ramatoa VOAHANGINIRINAZAFIMANDIMBY Marie Laurette. Misaotra betsaka, Tompoko, nanome ny fitenena. Miarahaba antsika rehetra, indrindra fa ianareo Teknisiana avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Minisiteran’ny Fitsarana. Andriamatoa Tale Jeneraly, misy zavatra tsy tafiditra ato, ka izay no tiako ho resahina aminareo, mikasika an’ireo mpitondra entana mivoaka ivelany mamonjy “foire”. Mijery ny lalàna ny tenako, satria varotra iraisampirenena no tena masaka anatin’ity zavatra ho tapahana ity. Tena zavatra mahamenatra sady manahirana ny Malagasy anefa io “foire” karakarain’ireo Malagasy any ivelany ireo. Ny zava-misy, rehefa amin’ny fetim-pirenena malagasy, amin’ny 26 Jona dia manao ny any amin’ny “Ambassade” malagasy any ivelany, dia misy koa fikambanana hafa manao aorian’izay, mikarakara “foire”, dia manafatra ireo mpanao asa-tanana avy aty Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia ny mpivarotra no betsaka noho ny mpitsidika ny “stand”. Ny zavatra manahirana dia matiantoka ireo Malagasy mpanao asa-tanana izay tonga any, ny entana tsy misy mpividy, ny vola betsaka no lany amin’ny “frais”, satria tsy mandeha fiara fa fiaramanidina no miasa, ao ny mandefa “container”, ka tena sahirana mihitsy ny tenanay tamin’izay fotoana izay, nanafatra “artistes”. Ka moa ve ifanarahanareo ao amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny “Tourisme” io fandehanan’ireo mpanao asa-tanana mivoaka any ivelany isan-taona ireo, satria lasa amidy mora ireo asa-tanana ireo rehefa tena tsy mahalafo ka manimba ny asa-tanantsika Malagasy. Tokony mba jerenareo akaiky izay zavatra izay fa tena mahamenatra sady mampalahelo, 16 satria lasa mitrosa ny olona, araka ny fitarainan’ireo mpanao asa-tanana ireo. Ny mpikarakara an’ireo any ivelany no tena mahazo tombony, satria ahofany “500 euros, 700 euros” ny “stand” iray, nefa ny entana amidin’izy ireo zara raha mahalafo “200 euros” isan’andro, ny foara anefa atao ao anatin’ny herinandro. Izay izany, Andriamatoa Tale Jeneraly, no mba tiako hampitaina aminareo. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny solontena avy amin’ny Minisitera ny fitenenana, hamaliany ireo fanontaniana napetratsika teo ireo. Andriamatoa LEONNEL, TALE JENERALIN’NY VAROTRA IVELANY, MINISITERAN’NY VAROTRA Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome fitenenana. Isaorana ihany koa ianareo mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita nametraka fanontaniana, ary isika Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita rehetra ato. Ny fanontaniana voalohany dia napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RATSIMBAZAFY François d’Assise, mikasika ny “mondialisation”, ny fiantraikan’izay, ary ny fisian’ny rafitra anankiray ho fiarovana, tahaka ny “coface” Misy eto amintsika ve io “coface” io? Ny azoko lazaina aloha dia mbola tsy misy eto ny “coface”. Na izany tsy izany, ity volavolan-dalàna ity dia anisan’ny rafitra anankiray heverina fa hiarovana ny mpandraharaha amin’ny varotra ivelany, satria voapetraka mazava tsara ao mihitsy ny andraikitry ny mpandray anjara, raha mpivarotra isika. Ho antsika mpivarotra aloha, raha manondrana entana isika, ny zavatra ilaintsika voalohany dia ny handraisain’ilay olona ny entana sy ny handoavany an’ilay vola. Marina tokoa fa manana andraikitra koa isika amin’ny fandefasana ilay entana mba hifanaraka tsara amin’ny entana tadiavin’ilay olona ny ara-kalitao. Mbola tsy misy, hoy aho, ilay “coface”, fa ity no anisan’ny fitaovana anankiray heverina hiarovana ao anatin’ilay “mondialisation”. Fanontaniana manaraka, avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTONDRABE Jean. Efa novalian’Adriamatoa Filoha teo fa raisina ato aminareo ihany ny lisitry ny mpikambana. Ny fanontaniana manaraka dia napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TSIEBO MAHALEO Richard Victor. Miala tsiny mialoha aho eto, Andriamatoa Filoha, isika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, raha misy tsy azoko na misy diso kely ilay anarana. Ialàko tsiny mialoha izay zavatra izay, fa indraindray tsy heno tsara ilay izy. Izy dia manontany mikasika ny fisian’ny “mesure d’accompagnement”, ny “solvabilité”. Ho an’ireo mpanao asa-tanana, ity “Convention” ity ve mitsinjo ny asa-tanana? 17 Voaresaka teo izany ny “contrat international”, ny “convention” izay milaza mialoha ny andraikitry ny mpivarotra sy ny mpividy; dia resaka “mondialisation” izay. Ny fanamarihana tiako apetraka fotsiny dia tsy ny “multinationale” fotsiny no jeren’ity “Convention” ity, fa eo koa ny mpanao asa-tanana. Mifandray amin’izay ihany, misy fanontaniana koa aoriana ao, ka rehefa varotra iraisampirenena, na “société” lehibe, na mpanao asa-tanana, na mpamboly, na “entreprise individuelle”, rehefa varotra iraisampirenena dia azo ampidirina anatin’ity, raha tahiny ka mifanaraka ny roa tonta fa ity no ampiharina. Na miditra amin’ity aza isika, tsy voatery ity fifanarahana sy ity lamina anankiray ity no atao, fa io dia araka ny safidin’ny mpandraharaha ihany. Ny nametrahana an’ity fotsiny dia mba misy ity, dia afaka mampiasa an’ity isika. Ny fanontaniana manaraka dia avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTOBE Andrianaly. Ao amin’ny pejy faha-3, mikasika ny fampitomboana ny fahatokisan’ny vola. Ny fidirantsika amin’ity “Convention” ity dia anisan’ny fametrahana lamina iray ahafahana manatontosa ny andraikitra ara-barotra amin’ny fomba tsotra ary amin’ny fomba milamina, indrindra ahafahana miantoka izany fifanarahana ara-barotra izany. Miala tsiny raha mifangaro teny frantsay kely ny fanazavana. Ny mpamatsy vola resahina eto dia tafiditra amin’izay ny “investisseur”, satria raha tonga amin’ny toerana iray ny “investisseur” dia tsy izay ihany ny zavatra jereny, fa anisan’ny zavatra jereny voalohany ao anatin’io ny hoe, inona moa ny lalàna mifehy ny varotra ao amin’io toerana iray io, inona ny « garantie » izay mety ho hitako amin’io firenena io raha mifandray ara-barotra aminy aho. Tafiditra amin’izay daholo moa ny fifanarahana rehetra, na ara-barotra, mba hisian’ny tsena tena milamina. Ity zavatra iray ity, na tsy mahafantatra ny lalàna eto amintsika aza ilay olona, rehefa fantany fotsiny fa ny “Nations Unies” no nametraka ity, mambra amin’ity i Madagasikara, dia afaka matoky ny mpamatsy vola fa rehefa varotra ifanaovana amin’i Madagasikara dia afaka “traité”-na ao anatin’ity “Convention des Nations Unies” ity, na ny “Contrat de Vente Internationale”. Izay izany no anisan’ny tafiditra ao anatin’io. Ny mpamatsy vola koa, raha jerena ny isan’ny famatsiam-bola ataon’ny firenena iray, raha jerena ny “risque”-n’ny mpandraharaha ao anatin’io dia heverina fa ity zavatra ity dia anisan’ny fanatsarana izay “risque” eo amin’ny mpandraharaha izay. Fanontaniana manaraka, avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, MASY Goulamaly hoe, sao vao mainka hamatotra antsika ity fifanarahana ity. Efa noresahiko teo fa tsy misy fifamatorana mihitsy ity, satria lamina iray izay mipetraka ahafahantsika misafidy fotsiny io, fa raha misy fifanarahana ara-barotra ataon’ny mpandraharaha amin’ny “partenaire” any ivelany dia malalaka izy misafidy ny “forme de contrat” izay apetrany fa tsy misy fatotra mihitsy, raha ohatra ka tafiditra amin’ity isika. Fanontaniana manaraka, avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, ANDRIAMIHAJA Pierre. Fanamarihana kely aloha no ataoko amin’izay. Raha jerena ny firenena mikambana ao amin’ny COI dia i Madagasikara, Maurice, Seychelles, Comores. Misy an’i La Réunion koa, fa iny moa “territoire d’outremer” ka misy “spécificité” manokana kely izy. Raha ohatra isika izao hanondrana zavatra amin’ireo firenena ireo, azoko lazaina eto mikasika ny “abaissement tarifaire” fa ny “situation” misy amin’izao fotoana izao, satria ireo 18 firenena rehetra resahiko ireo dia sady mambran’ny COI no mambran’ny COMESA koa, ary maromaro koa ny mambran’ny SADC, dia ao anatin’ny “zone de libre échange” tanteraka isika, raha manao fifanarahana ara-barotra amin’ireo, ka ny “certicificat d’origine” fotsiny no isafidianantsika. Isika aza no misafidy amin’izay, ka raha ohatra metimety amintsika ny lamin’ny COI dia “certificat d’origine du COI” no ampiasaintsika; raha lamin’ny COMESA no metimety amintsika dia ny “certificat d’origine du COMESA” no ampiasaintsika, satria raha tahiny ka misy ny disadisa, na dia tsy eo aza ity dia misy ihany ny rafitra ao anatin’ireo vondrona ara-barotra ireo hamahana izay disadisa izay. Fanontaniana manaraka, napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RABARY Thierry Risman, mikasika ny tatitra amin’ny “point 3”, ao amin’ny pejy faha-5. Tena marina tokoa ny fanamarihanao, ary ialàna tsiny, mikasika ny fanamarihana teo izay. Isaorana koa ianao nametraka izay fanamarihana izay. Izany hoe, rehefa mambran’ny Firenena Mikambana isika dia afaka manao an’ity, miditra amin’ity “Convention” ity, fa rehefa mivarotra kosa isika, amin’ny firenena tsy nankato ity “Convention” ity, dia tsy mihatra aminy ity. Izay no tena zava-misy. Fanontaniana manaraka, napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RANDRIAFENO Jérôme. Miditra an-tsehatra ve ny firenena raha ohatra ka misy ny disadisa? Izay no fahazahoako ny fanontaniana, fa raha diso aho, mangataka fanitsiana ihany aho avy eo. Ny fifanarahana ara-barotra, raha ny tokony ho izy dia fifanarahana “privé” ho an’ny mpandraharaha eto amintsika sy ny mpandraharaha any ivelany. Izay no antony ametrahana an’ity lamina ity, mba ahafahana, raha sanatria ka misy disadisa, mandravona an’izay. Na izany na tsy izany, ny disadisa dia misy ihany. Na dia tsy ao anatin’ity fifanarahana ity aza, raha ohatra misy disadisa eo amin’ny mpandraharaha iray, mpandraharaha malagasy indrindra indrindra, sy ny “partenaire”-ny any ivelany, dia miditra foana, na fanampiana fotsiny aza, ny Minisiteran’ny Varotra, ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Masoivohontsika any ivelany, mitondra fanampiana ho an’ny mpandraharahantsika, raha sanatria ka tojo olana izy amin’izay fandraharahana izay. Fanontaniana manaraka, mikasika ny mpitondra entana mamonjy “foire” any ivelany. Marina tokoa izay. Izany hoe, ny Minisiteran’ny Varotra dia misy fanampiana ataony ho an’ireny mpamonjy “foire” any ivelany ireny, raha ohatra ka misy fitondrana entana na misy “autorisation de sortie” maromaro, arakaraka ny entana, no homena. Izay zavatra izay dia natao indrindra ho fanamorana ny fandraisana anjaran’ny mpandraharaha amin’ireny “foire” ireny. Teo moa dia misy sosokevitra napetraka, ka raisinay antanan-droa izay sosokevitra izay, ary isaorana mialoha. Raha misy zavatra manokana eto, satria misy “spécificité” ihany ireny “foire” ireny, misy ny olana izay tojo an’ireny mpandraharaha ireny, raha misy “cas” hoatran’izay dia efa voaray ny sosokevitra ka isaorana, fa ny varavaran’ny Minisiteran’ny Varotra dia misokatra ho antsika, azo dinihina tsirairay izay olana tojo ny mpandraharahantsika any. 19 Izay angamba, Andriamatoa Filoha, ny mikasika ireo fanontaniana napetraka teo. Izay ihany koa ny valim-panontaniana noheverinay atolotra ho an’izay. Mamerina ny fisaorana, Andriamatoa Filoha. Misaotra antsika koa, nametraka ireny fanontaniana ireny. Misaoatra, Tompoko. -6- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny « Projet de loi n°018/2012 du 18 juillet 2012 autorisant l’adhésion de Madagascar à la Convention des Nations Unies sur les Contrats de Vente Internationale de Marchandises (CVIM) ou Convention de 1980 » Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Tale Jeneraly, nitondra izay valim-panontaniana izay. Koa satria tsy misy manan-kolazaina intsony, dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahankevitra mikasika an’ity “Projet de loi n°018/2012 du 18 Juillet 2012” ity isika. Marihina fa ahitana andininy miisa roa ny volavolan-dalàna. Araka ny voalazan’ny Andininy faha-99 ao amin’ny Didim-pitondrana laharana faha-30/CT/P, mikasika ny Fitsipika Anaty mifehy ny Kongresin’ny Tetezamita dia tsy azo kitihina ireo andininy ao anatin’ny fifanarahana, fa na ankatoavina, na tsipahina, na ahemotra ny fandinihana azy. Raha jerena ny isantsika tonga nameno ny “fiche de presence” androany dia 155. Tsy feno izany ny “quorum” ka voatery ahemotra amin’ny manaraka ny fandaniana an’ity volavolan-dalàna ity. Amin’izay fotoana izay, araka ny Fitsipika Anaty, na firy na firy isika tonga mandany azy dia lany avy hatrany ilay izy, raha sitratsika. -7- Fiatoan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, ampahafantarina isika fa aorian’izao fotoana izao dia mbola hitohy ny fivoriambe, handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny “Projet de loi n°025/2012 du 10 octobre 2012, autorisant la ratification du Protocole de Nagoya”. Hiato kely 10 minitra na 15 minitra ny fivoriana, hanomezantsika lalana ireto vahiny avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto, dia hitohy indray ny fivoriantsika rehefa avy eo. Misaotra, Tompokolahy. Mankasitraka, Tompokovavy. - Tehaka - Lakolosy - 20 Niato tamin’ny 10 ora sy 45 minitra, antoandro, ny fivoriana. -8- Fitohizan’ny fivoriana - Nitohy tamin’ny 11 ora sy 30 minitra ny fivoriana, ka Andriamatoa TSIVAKA Raharison Sylvien, Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’Antsiranana indray no nitarika izany – Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy ny fivoriantsika. Miarahaba antsika tonga manatrika izao fivoriana izao. Arahabaina torak’izany koa ny solontenan’ny Governemanta avy amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala. -9- Fanohizana ny fandinihana ny « Projet de loi n°25/2012 autorisation la ratification du Protocole de Nagoya sur l’accès aux ressources génétiques et le partage juste et équitable des avantages découlant de leur utilisation relatif à la Convention sur la Diversité Biologique » Andriamatoa FILOHA Ny tohin’ny fandaharam-potoanantsika izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasikany « Projet de loi n°25/2012 autorisation la ratification du Protocole de Nagoya sur l’accès aux ressources génétiques et le partage juste et équitable des avantages découlant de leur utilisation relatif à la Convention sur la Diversité Biologique ». Marihina eto moa fa ny marainan’ny Alakamisy 22 Novambra 2012 dia efa nisy ny fandinihana azy ity, ary efa novakiana tamintsika ny tatitry ny Vaomiera mikasika io volavolan-dalàna io. Nisy anefa ny fangatahan’ny mambra ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ny hanemorana ny fandinihana azy ity nohon’ny tsy fahatongavan’ny solontenan’ny Governemanta, koa dia izao nahemotra androany izao ny fandinihana azy. Koa omentsika fitenenana avy hatrany ny solontenan’ny Governemanta hamelabelatra amin’ny ankapobeny ny antonanton’ity volavolan-dalàna ity. Marihina fa afaka mangataka fitenenana hatrany ianareo mandritra ny adihevitra rehetra. Alohan’ny handraisanareo fitenenana anefa dia nametraka fialantsiny ny Filoha Lefitra izay nitarika ny fotoana teo fa misy raharaham-pianakaviana mikasika fandevenana tsy maintsy atrehiny, koa ialana tsiny ny tsy maha-eo ny mpitari-draharaha tamin’ny voalohany. Omena anareo ny fitenenana, AndriamatoaTeknisiana. 21 - 10 - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Andriamatoa RANDRIANARISOA Manganirina, SEKRETERA JENERALIN’NY MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY ALA Andriamatoa Filoha Lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita, Ianareo ao amin’ny Birao Maharitry ny Kongresin’ny Tetezamita, Ianareo namana, havana mambran’nyKongresin’ny Tetezamita, Tompokolahy sy Tompokovavy. Ny teninay voalohany dia faly miarahaba anareo, satria tafahaona indray ato amin’ity sehatra maha-te ho tia ary itoeran’ny fahaizana sy ny mariky ny fiaraha-monina, dia eto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany. Nohon’ny fahatongavanay eto dia faly miarahaba anareo izahay, ary misaotra indrindra ihany koa, satria tonga amin’ilay fitenenana hoe, fotoam-bita moa, Tompoko, tsy mahaleo ny sampona, dia nanaiky ianareo ny hamerenana indray ny fandinihana sy ny fanazavana momba ity “Protocole de Nagoya” ity. Na izany na tsy izany anefa, tsy hainay ny tsy hitondra ny teny fialan-tsiny. Mitondra ny teny fialan-tsiny izahay, satria araka ny teniko teo, ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona, ka olona iray no tonga nanatrika anareo teto tamin’ilay daty 20 Novambra izay voatondro ary notanisain’Andriamatoa Filoha Lefitra teo. Izany endrika izany akory tsy midika, sanatriavin’ny vava ary halavirinay mihitsy, ho tsy nanaja anareo izahay, fa mamelà ahy ianareo hanao tamberina kely nahatonga an’izay zavatra izay. Ny voalohany, Ramatoa RAKOTONIAINA Naritiana no “Secrétaire Exécutif du Projet Sage”, ao anatin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala. Izy no “Secrétaire Exécutif”-n’io “Sage” io. Izy no “point focal”, izany hoe, tompon’andraikitra voalohany momba ny “Protocole de Nagoya”, ary izy no nitarika ny ekipa teknikan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala tamin’ny fandinihana io “Projet de loi” io tao anivon’ny Commission de l’Environnement”. Izay ny anankiray. Ary rehefa tonga ilay fotoana hiatrehana ny “séance plénière” dia tsy teto an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, izay Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Ala mpisolo toerana. Rehefa tsy eto an-toerana àry ny Praiminisitra dia tsy nisy olona afaka manome “mandat”, na ny Sekretera Jeneraly, na ny “Représentant du Premier Minisitre” izay miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, na ny “Directeur de Cabinet du Premier Ministre” hisolotena azy hiatrika izay “séance plénière” izay. Noho izay tsy fisian’ny fahazoan-dàlana ho anay telo mirahalahy mianaka hitarika ny delegasionan’ny Minisitera izay, Tompoko, no nahatonga anay tsy tonga tamin’iny fotoana iny. Koa mbola averiko, tsy hoe tsy fanajana fa zava-dehibe loatra izay fahazoan-dàlana izay. Ka izay, Tompoko, no nahatonga anay tsy tonga tamin’ny fotoana. 22 Mbola averiko etoana fa tsy fanamaivananany fiantsoana akory izay, fa izay no tena antony lehibe. Na izany aza anefa, isaoranay etoana ny fandavantenanareo ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, na dia olon-tokana aza no teto, dia mbola navelanareo aloha. Voalohany, hanazava kely amin’ny ambangovangony, inona ny atao hoe “Protocole de Nagoya”, ary efa ampela-tananay daholo ny fanontaniana heverinay fa mifanandrify amin’io “Protocole de Nagoya” io, fanontaniana izay heverinay fa midika sy mitory fa tena lalainareo ary hajainareo tokoa izany “Protocole” izay heverina fa hihatra eto amin’ny Tany sy ny Firenena izany. Izay dia isaorako anareo mihitsy, satria ny fanontaniana tonga ato aminay dia mitory an’izany. Ary aorian’ny famerenana ny fanazavana fohy ataoko momba ny “Protocole de Nagoya” dia hiditra avy hatrany amin’ny famaliana ny fanontaniana izay efa tonga ety ampela-tananay aho. Na izany na tsy izany anefa dia tiako ihany ny manamarika aloha, iza moa izahay tonga eto ireto. Ny tenako moa dia RANDRIANARISOA Manganirina, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, izay mbola averiko ihany fa nahazo ny fahazoan-dàlana avy amin’Andriamatoa Praiminisitra, hitarika ireto ekipa teknika miaraka amiko ireto. Ny fahazoan-dàlana dia tamin’ny Alatsinainy teo, tany amin’izy niatrika ny fivoriana lehibe izay niarahantsika naheno sy nahita ny zavatra nitranga tao anivon’ny “Conseil Supérieur de la Transition” no nilaza hoe, efa izao no mahazo, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, ka ianao indray no miatrika ny ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita amin’ny Alarobia. Tiako ny milaza an’izay zavatra izay. Tsy miamboho adidy akory izy, sanatriavin’ny vava, fa amin’izao isika miteny izao dia mbola maromaro ny zavatra sahaniny. Eto anilako, Andriamatoa RABEMANANTSOA Jean Claude, Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Ala. Eo akaikiny, Andriamatoa Mamy RAZAFY, Teknisiana, “Chef de Service” ao amin’ny “Biodiversité”. Torak’izany koa Andriamatoa SAHOBY, ao amin’ny “Direction de la Biodiversité et du Système des Aires Protégées”. Ary Andriamatoa RANAIVOARISOA, avy amin’ny “Sage”, izay misolotena an-dRamatoa RAKOTONIAINA Naritiana, izay niatrika irery anareo teto, fa amin’izao isika miteny izao dia efa any Parisy izy. Izay moa no nahatonga an’iny fotoana iny koa, satria mbola miatrika fivoriana tohin’itony “Protocole” itony ihany izy amin’izao isika miteny izao. Izay izany no ekipa miatrika anareo eto amin’izao fotoana izao. Mbola ho avy eo, Andriamatoa Paul RAHARISON, izay Tale Jeneralin’ny Tontolo Iainana misolo toerana, satria ny Tale Jeneralin’ny Tontolo Iainana dia any “Doha, Katar” amin’izao fotoana izao, miatrika ny fivoriana momba ny “changement climatique”, izay efa nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo, ary mbola hitohy hatramin’ny herinandro ambony. Ny tenako moa mbola hanaraka any, hamonjy ny tapany farany amin’izay fivoriana any “Doha” izay, manomboka amin’ny Alatsinainy. 23 Izay no ela ary heveriko fa tsara ihany ny nisian’ny fampahafantarana ny mpiara-miatrika sy ny mpiara-miasa amin’ny tenako androany, satria araka ny teny teo, na ho anay koa aza dia sadaikatra mihitsy izahay, ary lehilahy moa izahay ireto no miatrika anareo ka tsy maintsy mijoro, fa menamenatra mihitsy, satria dia tovovavy kely irery no nalefanay niatrika teto tamin’iny fotoana iny. Menamenatra ny tena, hoy aho, anefa adidy izy ity, andraikitra nekena ka ho sahaninay, dia heverinay ho tanterahina an-tsakany sy an-davany. Dia mbola mamerina ny fisaorana, Tompoko, amin’izay fanekenareo anay izay. Izy ity izany dia “Protocole” no hankatoavintsika, « Protocole de Nagoya sur l’accès aux ressources génétiques et le partage juste et équitable des avantages découlant de leur utilisation ». Izay « Protocole » izay dia miainga aloha, voalohany indrindra, ary matoa isika tonga amin’ny “ratification”-n’ilay “Protocole” izao dia satria isika nanao ny « ratification de la Convention sur la diversité biologique », izay natao tamin’ny taona 1994. Ny « Protocole de Nagoya » indray dia tamin’ny 29 Okotobra 2010 no neken’ny firenena maro tany Nagoya. I Madagasikara dia nanao sonia io “Protocole” io tamin’ny taona 2011. Io “Protocole de Nagoya” io dia tafiditra ao anatin’ny “article 15” amin’ny “Convention sur la diversité biologique”. Izany hoe, miainga amin’ilay « Convention sur la diversité biologique » izay nekentsika. Miditra isika, amin’izao fotoana izao, amin’ny “ratification du Protocole de Nagoya”, satria isika nanao sonia ary nankato ilay “Convention sur la diversité biologique”. Amin’izao isika miteny izao, ary izay no isaorana ny Kongresin’ny Tetezamita manokana, amin’ny firenena miisa 94 izay nanao “signature” an’ilay « Protocole » dia isika izao no firenena faha-7, dia misy anankitelo hanaraka antsika, tonga amin’ny “ratification” eo anivon’ny Parlemanta, ary anisan’ny sambany ary tena lohalaharana, anisan’ny 10 voalohany i Madagasikara amin’ny “ratification”-na lalàna iraisampirenena tahaka izay. Izay no anaovako hoe, miarahaba manokana ny Kongresin’ny Tetezamita ny tenako, satria nanaiky ary nitondra ny fanevan’i Madagasikara avo dia avo. Anisan’ny voalohany isika, dia zava-dehibe mihitsy izay, ary izay zavatra izay, Tompoko, no itenenako fotsiny hoe, vonona isika amin’izay lafiny izay. Inona ary moa no tena zava-dehibe? Ny zava-dehibe ao anatin’ity “Protocole de Nagoya” ity dia izy no “sécurité juridique”. Amin’ny fampiharana lalàna anankiray dia izy no tena “sécurité juridique”, izay miainga amin’ny fototra anankitelo, na “piliers”. Ny “pilier” voalohany dia mitory ny “souveraineté de l’Etat Malagasy, izay afaka manao ny “ratification” ary milaza fa vonona amin’ny “ratification” amin’itony “protocole” iraisampirenena tahaka itony. Izay no“pilier” voalohany. Ny faharoa dia ny fahazoantsika ny “consentement d’une autorité compétente nationale”. Efa nekentsika fa misy « autorité compétente » eto anivon’ny Firenena, afaka hijery, hanaramaso ary hitantana ny “accès aux ressources génétiques”. Izany “ressources génétiques” izany dia aina. Aina amin’ny zava-manan’aina rehetra, satria izy no iaingàny. Izay aloha ny “ressource”, base”-n’ny zavatra manan’aina rehetra. Koa misy ny “autorité compétente” hijery sy hanaraka an’izay, dia ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala no manatanteraka an’izany isika miteny izao. 24 Farany, ny fametrahana ny marimaritra iraisana amin’ny fanekena iraisan’ny daholobe ny fanatanterahana ny fanomezana ny “ressources”. Izany hoe mpanome, sy ho an’izay mpandray. Izany hoe, “fournisseur” sy “acquéreur”-n’izany “ressources génétiques” izany. Ireo izany no « piliers » anankitelo izay tsy maintsy jerentsika tsara, ary heverintsika fa manana ny lanjany manokana mihitsy amin’ny zavatra tahaka itony. Ireo “piliers” ankitelo ireo no manampy ny Firenena Malagasy amin’ny serasera rehetra mikasika io “Protocole de Nagoya” io. Mino sy manantena aho fa efa mazava tsara, ary efa voadinika araka ny tafatafa sy dinidinika mialohan’izao fivoriana izao, satria maro ny mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita efa niresadresaka taminay, nilaza fa efa azo tsara ny momba an’ilay “Protocole”, ka tsy iverenako intsony ny fanazavana ny an-tsipirian’io “Protocole” io, fa ny famerenana ny hoe, inona no nahatonga an’ilay “Protocole de Nagoya”, inona ilay fototra na “piliers” anankitelo izay nilanja io “Protocole de Nagoya” io, ny famerenana an’izay no heveriko fa tokony ary tsy maintsy tanterahiko androany. Eto aho, raha sitrakareo, afaka miditra avy hatrany ve ny tenako, Andriamatoa Filoha Lefitra, amin’ny famaliana an’ireo fanontaniana izay efa napetraka teto, sa misy teny hafa tokony hampidirina aloha? Misaotra, Tompoko. - 11 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Misaotra ny solontenan’ny Governemanta isika amin’izay famelabelarana nataony izay. Izao isika dia hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny, ka izay handray fitenenana dia iangaviana hanangan-tanana handraisana ny anarany. Araka ny resaka nataon’Andriamatoa Sekretera Jeneraly teo anefa, efa misy fanontaniana maromaro efa tonga any amin-dry zareo, kanefa raha mbola misy te-hametraka fanontaniana dia raisinay ny anarany, mba ahafahantsika miditra amin’ny adihevitra ankapobeny. Misy manao satroka. Ramatoa ZAFITSARA Elisette Misaotra, nanome fitenenana. Fanamarihana fotsiny ny ahy, raha mety dia aleo valiana aloha ilay fanontaniana, satria mety misy olona tsy teo ka ny zavatra efa voavaly no mbola haverina hanontaniana. 25 Andriamatoa FILOHA Omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné, ny fitenenana. Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Vola Dieu Donné Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Fanontaniana apetrako aminao, Andriamatoa Filoha. Raha miroso miroso hatrany isika, raha tsy ampy àry ve ny « quorum » dia afaka miroso foana ve isika? Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Miroso ihany isika aloha, fa rehefa tonga amin’izay “quorum” izay dia eo isika vao mijery azy. Manao satroka ny Mambra amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, LEDIMY Jean Joachim. Fanontaniana? Ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TSIEBO Mahaleo. Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Victor Richard Misaotra, manome ny fitenenana, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anareo avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, ary misaotra anareo tonga maro androany. Andriamatoa Filoha, izy ity moa dia “Protocole de Nagoya”, izany hoe fifanarahana iraisampirenena. Tsy hanome sosokevitra momba azy ity ny tenako, satria na ekena, na lavina. Efa nahemotra moa izy ity ka tsy hisy intsony ny fanemorana azy. Raha mamaky ny “Exposé des motifs” sy ny zavatra voalaza ato ny tenako, rehefa ampiharina ity zavatra ity, sady hisy ny fitsinjarana ara-drariny, ary samy hitavana ny tombontsoa azo avy amin’ny harem-pirenena na “ressources naturelles” daholo ny vahoaka. Ny zavatra iainantsika hatramin’izay, amin’ny “convention” sahala amin’ireto, eo amin’ny fanaovana “ratification” dia tena hita hoe izao no tombony ho azo aminy, fa rehefa atao ny “évaluation” aty aoriana dia tsy tena hita mivaingana ny fiantraikany. Ohatra, mikasika ireny “parcs” ireny, misy ny “droit d’entrée dans les aires protégées”. Ahoana no fiantraikan’izay eo amin’ny fiainan’ny olona? Amin’ny maha solontenan’ny vahoaka ny tena dia mba mitady mihitsy aho, Andriamatoa Sekretera Jeneraly sy ny mpiara-miasa aminao, mba misy “exemple terre à terre” holazaina eto mikasika ny “impact direct” na “indirect” amin’ity zavatra ity, eo amin’ny fiainan’ny vahoaka andavan’andro; ary koa ny “mesure d’accompagnement” amin’izay zavatra izay. Raha ny fototr’izay, izany hoe ny zavatra voalazany ato dia resy lahatra ny tenako, fa izay “passage” amin’ny “convention écrite” sy ny tena “impact réel” amin’ny fiainan’ny olona izay no itadiavanay ohatra azo tsapain-tànana. 26 Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, LEDIMY Jean Joachin, ny fitenenana. Andriamatoa LEDIMY Jean Joachim Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika rehetra. Miarahaba anareo solontenan’ny Governemanta. Ny fanontaniana apetrako ary efa napetrako tany amin’ny asam-baomiera ihany fa ianareo mihitsy no tiako hamaly azy dia hoatran’ny misy zavatra mitady hifangaro amiko, izany hoe, sao dia misy zavatra mifanitsaka eo amin’ny “Protocole de Nagoya” sy ny “Convention Internationale sur le Commerce des Espèces en danger” na ny CITES. Izay no zavatra anankiray. Marina fa misy “accès aux ressources génétiques”, kanefa samy misy fidiram-bola izy io, raha tsy diso aho, ho antsika Malagasy, na ny CITES, na ity vao ho « ratifié »-ntsika ity. Hoatran’ny misy zavatra tsy dia mazava amiko ilay izy. Izay no tena marina, koa mila fanazavana bebe kokoa, sao misy zavatra mifanitsaka. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné no omentsika fitenenana. Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné Miarahaba anao, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny namana ao amin’ny Birao Maharitra. Miarahaba anao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, solontenan’ny Minisitera. Lasa eritreritra aho, satria marobe ny vokatra avy eto Madagasikara no efa betsaka lasan’ny olona teo aloha, ary rehefa miverina avy any ivelany ny vokatra dia lafobe ny ividianantsika azy eto. Hanome ohatra aminao aho: ny “rovamicine”. Fanafody no asiako fitenenana eto. Ny “principe actif de la rovamicine” dia anaty alan’i Madagasikara no nakana azy, nentin’ilay olona nahita an’ilay “principe actif” any ivelany ny ravinkazotsika, dia nahodiny tany aminy, ary nomeny ny anarana hoe “rova”. Rehefa marary ny Malagasy, boaty kely anankiray misy “rovamicine 20 comprimés” no vidina aman’alina. Telo alina Ariary. Inona, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, no tombony ho an’ilay Malagasy kely any anaty ala, nahita an’ilay ravinkazo misy ny “principe actif” nahazoana an’ilay fanafody lafo vidy. 27 Faharoa, ny fanontaniana apetrako aminao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, hankatoavina izy ity, fa raha ny fahitako azy dia hoatran’ny te-hipetraka fotsiny ao aminareo ao io zavatra io, ary tsy misy hahalala an’io akory ny Malagasy rehetra. Ny mba faniriako, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, rehefa “ratifiée” ity zavatra ity dia entano ny Malagasy, indrindra ireo mpanao raokandro malagasy, mba hahazo tombontsoa amin’ity “Protocole” ity, ary hahazoan’ny Malagasy tsy vakivolo tombontsoa ihany koa, satria ireo Malagasy namantsika any ambanivolo any dia tsy mba mahalala ny zavatra misy, ary tsy fantany akory fa tokony mba hisy tombontsoa ho azy ity zavatra ity. Izay no fiangaviana aminao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, aelezo io zavatra io, avoahy amin’ny haino aman-jery mihitsy mba ho fantatry ny olona fa misy tombontsoa ho azy, misy tombontsoa ho antsika Malagasy ireto zava-maniry eto amintsika izay entin’ireo olona any ivelany ireto, amboariny amin’ny fomba fanaovany azy, rehefa miverina eto dia lafo tsy toko tsy forohana, ho antsika Malagasy. Koa tokony samy maka ny anjarany isika. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Misaotra, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, sy ny mpiara-miasa akaiky aminao. Andriamatoa FILOHA Misaotra ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné isika, tamin’ny fandraisany anjara. Izao dia ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, Dokotera RATSIMBAZAFY François d’Assise, no omena fitenenana. Andriamatoa RATSIMBAZAFY François d’Assise Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny vahiny ny tenako. Ny tenako moa efa niresaka ihany tamin’iny voalohany iny, kanefa mba misy fanontaniana kely ireto. Andriamatoa Sekretera Jeneraly teo dia niteny « diversité biologique, donc on parle de faune et de flore ». Manaraka izay, niteny « sécurisation » izy teo. Izaho anefa hoatran’ny mieritreritra fa ry zalahy any ivelany ireo dia efa ela be no nitrandraka zavatra teto amintsika, ka « légitimisation » angamba no tsaratsara kokoa noho ny « sécurisation ». Mandray ohatra anankiray aho. Ny tenako moa efa niasa tao Bealanana ka mahalala tsara an’iny faritra iny. Misy hazo atao hoe « Belbong » izay nangalana ny fanafody fantatsika tsara atao hoe « tanakan », ho totohin’ny nataon’ny Dokotera RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné teo. Misy zavatra tena mahamay an-dry zareo ireo koa, dia ny “sonar”. Ao Bealanana ao no misy danihy ngeza indrindra, ka tadiavin-dry zareo koa ny « hormone » mibaiko an’ireo fanihy ireo, izay mandeha. Mahaliana anareo angamba io zavatra io. Mandeha izy, nefa tsy midona amin’inona na inona mihitsy. Ny hamaranako ny teniko, ny fanekentsika an’ity zavatra ity dia manery antsika hanao “laboratoire” manara-penitra, satria tsy manana an’izany isika. Faharoa, mikarakara “généticiens”, satria tsy manana “généticiens” isika. 28 Fahatelo farany, manery antsika hanana « banque des données »-n’ireo zavatra ireo, satria tsy manana an’izany isika. Misaotra, Tompokolahy. Misaotra, Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita RATSIMBAZAFY François d’Assise. Izao dia omentsika ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TIANDRAZA Réné de Mon Espoir, ny fitenenana. Andriamatoa TIANDRAZA Réné de Mon Espoir Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, sy ireo Teknisiana miara-dia aminao. Ny ahy angamba tsy dia fanontaniana fa mametraka fotsiny hoe, moa ve mba harakareo ao amin’ny Tontolo Iainana fa misy hazo any atsimo atao hoe “mpanjaka ben’ny tany”. Tsy fantatro moa izay tena ilazana azy io na inona, fa ireny hazo ireny dia ataon’ny olona kitay. Tsy fantatro, hatraiza ny fiarovana ataonareo mikasika an’ity zavatra ataonareo ity, fa ireny zavatra ireny dia raofin’ny olona fotsiny, ataony kitay, tapatapahan’ny olona fotsiny, anefa anisan’ny “espèce endémique” eto amintsika. Eo no mba tianay isarihana ny sainareo, ho fiarovana na fijerenareo azy akaiky. Any atsimon’ny Faritanin’i Toliara iny no misy azy. Faharoa manaraka an’izay, “à jour” ve ny “statistique” ao amin’ny “Environnement”, raha mikasika ny fiarovana, ahitana hoe, zavatra tsy hananan’ny olona maro fa isika eto ihany no manana azy. Azonareo omena ve firy, na aiza avy no toerana mety ahitana ireny zavatra harovana ka tsy ahitana fanapotehana na fanimban’olona ireny. Misaotra, Andriamatoa Sekretera Jeneraly. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Izao dia omena ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTONIAINA Dominique, ny fitenenana. Andriamatoa RAKOTONIAINA Dominique Misaotra, nanome ny fitenenana, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny solontena avy ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana. Fanontaniana apetraka: sao dia miteraka tsy fampandrosoanana eo amin’ny Firenena izy io, satria iarahantsika mahalala fa mety hanelingelina ny tontolo iainana izy io. Fanontaniana izay. 29 Faharoa, efa natsidiky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita tao ambony tao teo moa ny fanontaniana: sao dia tokony atao any amin’ny faritra, tsy mifidy na faritra aiza na faritra aiza ny “laboratoire”, noho ny toe-tany, satria iarahantsika mahalala ihany ny toe-tany eto andrenivohitra Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Isaorana ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita RAKOTONIAINA Dominique, tamin’ny nandraisany fitenenana. Tapitra ny lisitry ny mpametraka fanontaniana tonga aty aminay. Satria misy fanontaniana efa tonga mialoha tany amin’ny Teknisiana, dia omentsika azy ireo ny fitenenana. Miaraka valiana daholo, na ilay fanontaniana teo aloha, na ilay vaovao. Koa omena anareo ny fitenenana, Tompoko. - 12 - Valin-teny ataon’Andriamatoa RANDRIANARISOA Manganirina, SEKRETERA JENERALIN’NY MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY ALA Andriamatoa RANDRIANARISOA Manganirina, SEKRETERA JENERALIN’NY MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY ALA Misaotra indrindra, Tompoko. Andriamatoa Filoha, Ianareo ao amin’ny Birao Maharitra, Ianareo mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Hiroso avy hatrany amin’ny valin’ireo fanontaniana efa tonga taty aminay aho, ary ireo koa moa ny namana mpiara-miasa hanomana sy hijery haingankaingana izay valiny mahafa-po ho an’ireo vao nametraka fanontaniana teo. Ny fanontaniana teo aloha moa dia efa ato daholo ny valiny, araka ny teniko teo. Misy ihany anefa, tiako ny manamarika avy hatrany, ireo fanontaniana tonga taty, kanefa hoy izahay hoe, na manana ny valiny aza izahay, mba hialàna amin’ny mety ho fifangaroan’ny fahazoana ny “Protocole de Nagoya” dia mbola averiko ihany, na manana ny valiny aza izahay, araka ny fanontaniana efa napetraka taty aminay, raha tsy mahakasika ny “Protocole de Nagoya” dia aleo tsy valiana, satria manjary mifangaro ny fahazoantsika ny “Protocole de Nagoya”. Ny lazaina aminareo kosa, raha misy fotoana tianareo hihaonana aminay manokana mikasika ny fanontaniana izay napetraka, vonona izahay ny hamaly azy. Ohatra amin’izany ny fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, SAZALAHY Tsianihy, mikasika ny “proposition d’utilisation en terme financier”, momba ny ao Ambatovy sy Tsimiroro. Tsy hoe tsy fantatray izany, fa tsy mikasika mivantana an’ity “ressources génétiques” ity, dia hoy aho hoe, aleo tsy valiana androany fa manjary mampifangaro zavatra izay. 30 Torak’izany koa ny fanontanian’Andriamatoa TIANDRAZA Réné de Mon Espoir, mikasika an’Ambatovy. Tsy mandà izahay, hoy aho, mikasika ny tontolo iainana ilay izy, fa tsy mikasika ny “ressources génétiques”, ka tsy mety. Averiko amin’izay, averiko tsara mihitsy ny “ressources génétiques” dia singa avy amin’ny zava-manan’aina, zavatra velona. Ny resaka resahintsika ireto izao dia efa miditra any amin’ny “minerai”. Ny “minerai” indray dia efa “transformation”-na zavatra “solide”, efa tsy misy aina fa “minerai” ilay izy. Izay dia efa misy fahasamihafana be dia be, ka aleo tsy tenenina ny zavatra tsy manan’aina amin’ny “Protocole” iray, satria miresaka “diversité biologique”, izay iresahana ny singa amin’ny zava-manan’aina. Izay no mahatonga ahy, ary tiako ny manamarika an’izay ka aza lazaina, aoka mba tsy hiteny isika hoe, maninona no tsy valiana ny fanontanianay. Sanatriavina, tsy ialàna akory ilay izy, hoy aho, averiko ihany, fa mba tsy hifangaroan’ny fahazoan’ny rehetra ny resaka “Protocole” dia nataonay fanahy iniana ny tsy hiresahana azy, raha ohatra tsy mifampitohy amin’ny resaka “Protocole de Nagoya”. Izay no izy. Eny àry, hiditra amin’ny valim-panontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RATSIMBARISON Georges Clément. Ny fanontaniana nipetraka dia hoe: moa ve mahakasika faritra vitsivitsy eto Madagasikara ny “Protocole de Nagoya”, sa eo anivon’ny Firenena iray manontolo no ampiharana azy. Amin’ny maha-“protocole” iraisampirenena azy mihitsy dia fehezin’ny “texte international” izy, ka mahakasika an’i Madagasikara iray manontolo fa tsy mijanona fotsiny eny anivon’ny faritra vitsivitsy. Tiana ny milaza fa rehefa misy ny “ressources génétiques”, raha zavamanan’aina no resahina, misy an’izany manerana an’i Madagasikara, noho izany, voakasika daholo ny faritra rehetra eto Madagasikara. Firy ny tetibola ampiasaina amin’ny fanatanterahana an’io “Protocole de Nagoya” io eo anivon’ny Kaominina? Ny valiny dia tsotra: eo am-panombohana isika izao, mbola vao eo amin’ny lafiny “ratification”. Averiko ihany fa firenena miisa 94 no nanao sonia azy, koa raha tsy tapitra manao “ratification” ny firenena miisa 94 ireo dia tsy mbola atao ny fampiharana azy eo amin’ny lafiny iraisampirenena. Ho haingana be ny fanatanterahana ny “ratification” ho an’ireo firenena ambiny, ankoatran’ireo 10 izay manao “ratification” amin’izao fotoana izao, ka rehefa vita ny “ratification” ataon’ny firenena miisa 94 vao ho tonga ny filazana ny “budget” hampiasaina iraisampirenena mihitsy, isaky ny firenena, amin’ny fampiharana an’io “Protocole de Nagoya” io. Amin’izay isika vao afaka miresaka ny vola na “budget” azo ampiasaina, fa mbola eo am-panombohana isika amin’izao fotoana izao. Mitovy amin’izay ny valinteny ho an’Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, SAZALAHY Tsianihy, satria miresaka “budget” ihany koa izy. Ho an’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita avy any Besalampy: inona, hoy izy, no “grand fléau” mikasika ny tontolo iainana, mifandraika amin’ny “feu de brousse”, izay misy “décret” manome alàlana an’io zavatra io, mikasika ny “gestion des ressources naturelles”, ka tsy mila “budget” mifandraika amin’ny doro-tanety izay ve, satria toa nahazo “budget” manokana ny 31 “Direction de la Valorisation des Ressources Naturelles” ao amin’ny Minisitera, mikasika an’izay. Eto aho dia milaza fa ny “budget spécial”, mbola averiko foana izay, natokana amin’ny “feu de brousse”, io zavatra io dia “stratégie” no napetraka, fa raha momba ny “communauté de base” kosa, izay misy ny “ressources génétiques”; izany hoe, nampifandraisany mihitsy ny fanimbana ny “ressources naturelles” sy ny “ressources génétiques”, dia hoy aho hoe, izay no mahatonga antsika hametraka ny “communauté de base” ho mpiambina voalohany indrindra, ny olona eny an-toerana no mpiambina voalohany indrindra ny harena misy eo amin’ny faritra misy azy. Noho izay maha tompon’andraikitra voalohany azy izay dia izy no manana “attribution spécifique” amin’izay fotoana izay. Izay andraikitra izay no tokony ho jerena, ary misy “sensibilisation” foana atao mikasika an’izay fandraisan’ny “communauté de base” andraikitra izay. Haka ohatra mivantana aho izao. Amin’izao isika miteny izao dia samy nahare isika fa may ny “baobab” vao novolena tany amin’ny “Allée de baobab”. Miresaka doro tanety isika dia maka ohatra mihitsy aho, mba hahamora ny fanazavana, ka rehefa may iny faritra vao avy nambolen-kazo iny dia tsy hita ilay “auteur”. Ho an’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, rehefa misy zavatra mitranga hoatran’izay, ny atao voaloahany dia mijery ny “auteur”. Rehefa tsy “indentifié” ilay “auteur” dia ny fokonolona eo amin’ilay toerana no anontaniana voalohany. Mandeha ny “enquête”, ka rehefa tsy mahavita mamaly ny fokonolona dia izy no raisina ho manana “responsablité” voalohany ao anatin’ny loza mitranga tahaka an’izay. Naka ohatra mihitsy aho hoe, rehefa ny fokonolona no “responsale” dia nanaiky ny fokonolona fa hamerina ary hamboly amin’ny faritra may teo amin’ilay toerana misy ny “Allée de baobab”, ka “sur les 443 pieds”, izay no isan’ny “baobab” nambolena tamin’ny 20 Aprily 2012, dia androany no nanao an’izay fambolena izay ny fokonolona. Androany izy no nanao ny fambolena ny zavatra may, ka nahavita namboly 200 fototra izy ireo. Izay no tena niharan’ny famaizana tamin’ny “Allée de baobab”. Mandalo any an-toerana ny Minisitry ny Kolontsaina amintsika miteny izao, satria manana an’izay kolontsaina izay iny toerana iny, dia nanaiky ny Minisitry ny Kolontsaina, niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Ala, nanao an’izay fambolena izay. Ny “Air Madagascar” indray izao dia mitaraina, satria be dia be ny “touristes” nanao “annulation”. Izay moa no zavatra mampalahelo mihitsy amin’ny tarehin-javatra misy eto Madagasikara, raha vao misy fahasimbana, ary heverin-dry zareo fa “criminelle” no nahatonga ny famaizana, vetivety dia tonga any amin’ny “internet” ny vaovao, ka ny “touristes” saika handeha aty Madagasikara dia nanao “annulation de voyage” avokoa ny ankamaroany. Koa mitaraina ny “Air Madagascar”, noho izay zavatra izay. Ka ny toromarika natao tamin’ny Talem-paritry ny Tontolo Iainana, satria efa nandray andraikitra ihany ny fokonolona, dia mba atao izay hanesorana, hanadiovana haingana, amin’ny fotoana haingana ny “trace” mety ahafantarana fa may io “Allée de baobab” io, satria tsy sarotra izany. Eto aho dia mamerina amintsika fa ilay vao novolena anie no tena nandairan’ny afo, fa ireo “baobab géant” rehetra izay efa naniry tao dia tsy nisy voakasika. Koa natao fotsiny izay hanesorana sy hanadiovana haingana, fa tsy sarotra izany, tsy sarotra ny manadio azy io. Esorina ny “trace” ahitana hoe may, karazana “nettoyage” izy amin’izay 32 fotoana izay, diovina tsara mba tsy hisy ilay “trace”-na may, dia miverina amin’ny laoniny haingana dia haingana izay fahatongavan’ny mpizahatany izay. Miala tsiny aho raha somary lavalava kely tamin’iny, fa ilaina ny nanomezana ohatra, satria misy fifandraisany mihitsy io, hoy ny fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita avy any Besalampy, ny momba ny doro tanety sy ny “ressources génétiques” ary ny fandraisana anjaran’ny “communauté de base”. Izay no nahatonga azy nitatra kely, satria “exemple” tena “d’actualité” no noraisiko. Izany hoe, mamaly ny tenintsika teo, isak’izay fanontaniana mipetraka dia milaza hatrany hoe, mba ataovy tena “précis” ilay izy, mba ahafantarana hoe azo tsara ilay “exemple”, ary hiditra mihitsy amin’izay resaka “précision” izay moa ny tenako, mba ahafahantsika mahazo tsara an’ity “Protocole de Nagoya” ity. Ny fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita RATSIMBAZAFY François d’Assise dia mikasika ny “portée”-n’ity “Protocole” ity. Moa ve tsy tafiditra ao anatiny ny “recherches scientifiques” sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana? Tafiditra tokoa, Tompoko, ireo olona ireo, ary anisan’ny tompon’andraikitra. Averiko ihany, ny Fikarohana Siantifika amin’ny maha-mpikaroka azy, ary ny Fahasalamana, satria fiarovana aina no resahina, rehefa zava-manan’aina dia tafiditra ny Minisiteran’ny Fahasalamana. Miaraka mihitsy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala sy ny Minisitera tompon’andraikitra toy ireny, dia ny Fikarohana Siantifika sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana, teo amin’ny famolavolana. Raha ny fanazavana an’ity “Protocole” ity, mialohan’ny fandefasana azy tany amin’ny Filankevitry ny Governemanta, niaraka taminay tao ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Minisiteran’ny Fikarohana Siantifika. Aza adino fa ao anatin’ilay “Protocole” dia misy ireo “terme” anankiroa izay tena mazava tsara, dia ny “partage juste et équitable”. Mazava izay zavatra izay. Mba hisian’ny “partage juste et équitable” dia tsy maintsy mazava koa ny andraikitry ny Minisitera na ny “acteur responsable” ao anatin’ilay “Protocole de Nagoya”. Moa ve manome « accès aux étrangers, légalement », hiditra amin’ny fitantanana ny « ressources génétiques »-ntsika ity « Protocole de Nagoya » ity? Noho izany, tsy tokony hisy ve ny « laboratoire performant »? Izay no fanontaniana napetraka teo. Tsy misy ve karazana “transfert de technologie” na “formation de chercheur de haut niveau”? Dia hoy aho hoe, ny “transfert de technologie” ho an’ny « pays fournisseur », raha vao misy zavatra iraisampirenena dia misy ny atao hoe “norme internationale”. Noho izany, ny “pays fournisseur” dia tokony misy “cadre de haut niveau”, afaka hilaza hoe karazan-javatra toy izao no azo alefa mitety firenena, na mivoaka ny Firenena Malagasy, mankany amin’ny firenena ivelany. Izany hoe, ny “pays fournisseur” sy ny “pays récepteur” dia tsy maintsy mitovy ny “niveau technologique” iresahana. Noho izany, ho antsika, satria matetika ny “pays fournisseur” dia avy aty amin’ny « pays sous-developpés » na « en voie de développement », dia tsy maintsy misy aloha “transfert de technologie” atao amin’izy ireo. Na ato anatin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, na ny Minisiteran’ny Fikarohana Siantifika, na ny Minisiteran’ny Fahasalamana dia tsy maintsy misy “formation” mifandraika, na fanaovana “mise à niveau” mikasika izay “transfert de technologie” izay. 33 Nisy fanontaniana vao napetraka teo, fanampiny nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY François, ka tonga dia ampidiriko. Ilay resaka “sécurisation” dia voaresaka tsara mihitsy izay ato anatin’ilay “Protocole”, ary izay “sécurisation” izay no tena zava-dehibe. Izay no mahatsara an’ity “Protocole de Nagoya” ity, satria manomboka izao dia hisy ny “traçabilité”. Izay mantsy no tena fahavoazana matetika. Tsy misy “trace”, na nisy naka aza ny zavatra avy eto amintsika, indraindray tsy fantatra akory satria tsy misy “traçabilité” ilay izy, hanarahana azy. Rehefa vita ny “ratification du Protocole de Nagoya”, vita daholo ny “ratification” eo anivon’ny firenena miisa 94 nanao sonia, manomboka mihatra ilay “traçabilité”. Noho izany, mitombina hatrany ny “sécurisation”. Izay no nahatonga anay nampiasa ilay “terme” ato anatin’ny “Protocole” hoe “sécurisation”. Ny zavatra toy itony dia matetika efa voavolavola tao anivon’ilay fivoriana, tamin’ilay fotoana mialohan’ny hanaovana sonia. Noho izany, efa noeritreretina tsara mialohan’ny hanovana sonia ny fampiasana ny “mot” rehetra izay ampiasaina. Koa tsy hanova indray izay “mot” ampiasaina ao anatiny isika, fa hitondra fanazavana kosa hoe, maninona no nampiasaina ny “terme” toy izao fa tsy ny « terme » toy izao. Izay no fomba fiasa amiko, ary mbola averiko ihany, sanatriavina tsy hoe mandà ilay sosokevitra, fa misy ny fomba fiasa mbola azo atao sy ny zavatra efa nihoarana ka tsy azo ampiasaina intsony, ka “tel mot à changer par tel autre mot”. Zavatra efa nekena ary efa voasonia teo anivon’ny fivoriambe iraisampirenena ny “Protocole” toy izao. Ny fanontaniana napetrak’Andriamatoa TSIEBO Mahaleo dia hoe, moa ve voaresaky ny “Protocole de Nagoya” ny “crédit carbone” sa tsia? Ny “crédit carbone” dia fehezin’ny “Convention des Nations Unies” mikasika ny « diversité biologique » ihany, ary miditra ao anatin’ny « changement climatique ». Ny “Convention de Nations Unies sur les changements climatiques” no mifehy ny « crédit carbone ». Ny « Protocole de Nagoya » kosa miditra ao anatin’ilay « Convention sur la diversité biologique ». Tsara ny milaza an’izay zavatra izay. Mbola averiko ihany, ny momba ny “changement climatique” dia izao isika mivory izao no mandeha ny “Conférence des parties” any “Doha, Quatar”. Momba ny “Convention sur la diversité biologique” kosa, izay idiran’ity « Protocole de Nagoya » ity, efa vita tany « Hyderabad », tany Inde, tamin’ny volana lasa teo, ny “Conférence des parties” momba an’io. Noho izany, samy hafa mihitsy ny toerana misy ny « crédit carbone », izay miditra ao anatin’ny “changement climatique”, izay dinihina amin’izao fotoana izao, sy ny “Protocole de Nagoya”, izay efa vita tamin’ny volana lasa teo ny fandinihana azy, momba ny “Conférence des parties” Moa ve ny Vondron’Olona Ifotony mba mahazo? Nisy fanontaniana ihany koa teo mikasika an’izay. Miala tsiny aho amin’izay zavatra izay, fa ny fanontaniana dia efa misy tafiditra ato. Moa ve ny Vondron’Olona Ifotony dia manana “accès” amin’ny “partage des gains par la vente de carbone”? Mbola “carbone” foana io, fa hovalianay ilay izy eto, satria ao aoriana dia hisy an’ilay hoe, ny « bois de rose » ve tafiditra anatin’io “Gestion du Protocole” io? Ny valiny dia tsotra be. Ity “Protocole” ity dia ny “ressources génétiques” no karakarainy. 34 Ny “bois de rose” dia manana “ressource génétique” manokana mihitsy, ankoatran’ny mahazavamanan’aina azy. Raha misy anefa fangatahana fiaraha-miasa ataon’ny firenena anankiray rehefa vita tanteraka ny “ratification”-n’ny “Protocole de Nagoya”, na misy firenena anankiray mangataka hoe, ahoana ny fomba entina hanatsarana, ahoana ny fomba hampitomboana haingana, mba tsy hiandry 50 taona na 100 taona vao tena mahazo hery tsara ny ny “bois de rose”; raha misy firenena te-hanampy antsika amin’ny fikarakarana an’izay, azo atao tsara ny midinika amin’izay, fa ny “Protocole de Nagoya” dia mamaritra tsara hoe, ahoana ny “partage juste et équitable”-n’ny tombontsoa azo avy amin’ilay izy. Dia eo no mamaritra tsara amin’izay fotoana izay, raha ohatra ka hiditra amin’izay ny firenena anankiroa. Izany hoe, i Madagasikara manana “bois de rose”, ity firenena ity te hanatsara ny “ressource génétique”, azavaina tsara ao anatin’ilay “Convention” izay ifanarahana ny hoe, hatraiza ny tombontsoan’ny Firenena Malagasy, hatraiza ny tombontsoan’ny firenena anankiray. Miditra foana izay, rehefa “ressource génétique” amin’ny zava-manan’aina no resahina. Mbola fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TSIEBO Mahaleo ihany: ny “Protocole de Nagoya” ve “soft low” sa “hard low”? Eo dia sahirana aho, satria lalàna ilay “low”. “Soft” sy “hard” ny tiana tenenina amin’io. Ny “soft” dia “cool”, hoy ny fitenenana, fa ny “hard” misy fepetra goavana mifehy azy. Izay zavatra izay koa dia mahafinaritra ny fahaizana manaja an’ilay izy, ary izay no mahatonga anay hilaza hoe, mahafinaritra ny manana Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita te handalina ny lalàna izay entina eto. Tsotra ny valiny: misy “disposition contraignante” ao anatin’ilay « Protocole de Nagoya ». Ny “terme juridique” mihitsy izay ampiasaina eto izay. Ny atao hoe “disposition contraignante” dia misy fepetra mafonja mifehy ilay lalàna. Noho izy “contraignante” izay dia “hard low” izany izy. Izany hoe, lalàna henjana. Izay no valiny mikasika an’iny. Fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RANAIVO Alain: azonareo hazavaina ve, inona ny dikan’ny “en connaissance de cause”, izay hita fa miverimberina matetika ao anatin’ilay “Protocole”. Io dia midika fa « toutes les activités et le développement des résultats obtenus par les recherches dont l’accès aux ressources génétiques en question a été demandé, font l’objet d’une entente entre la partie fournisseur et la partie utilisatrice des ressources ». Izany hoe, matoa mifanaraka ny « pays fournisseur » sy ny « pays utilisateur »-n’ny « ressource » dia mahafantatra izany ianao ny asa atao sy ny fampandrosoana takian’izay. Rehefa hanao sonia ianao dia « en connaissance de cause » no manao an’ilay sonia. Noho izany, « en connaissance de cause » koa no manaja ny zavatra rehetra mifehy ny fampiharana ilay lalàna, ary aza adino ilay noteneniko teo hoe, « disposition contraignante ». Izay no mahatonga ilay « en connaissance de cause ». Tsy misy resaka fanaovana « compromis » mihitsy, tsy misy fandamindaminana io, fa rehefa misy “pays fournisseur”, misy “pays utilisateur” mifanaraka, izay lalàna rehetra mipetraka ao anatin’ilay « Protocole de Nagoya » dia tsy maintsy arahina fa tsy miovaova akory . Mba omeo, hoy ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RANAIVO Alain, ny “mécanisme de contrôle”, manomboka amin’ny « phase » eny am-piaingana, mandra-pahatonga amin’ilay “produit final”. 35 Lalàna iraisam-pirenena izy ity, ka fifandraisana iraisam-pirenena no « résultat » hitranga. Noho izany, tsy maintsy misy karazana “check point”, milaza hoe miainga aiza isika ary ho aiza. Izay no dikan’ilay “traçabilité”, araka ny fomba filazana azy amin’izao isika miteny izao. Amin’izay fanaovana « traçabilité » izay dia fantarina tsara mihitsy, isaky ny « ressource génétique », satria mety tsy ho isika irery, mety tsy ho firenena iray no « fournisseur » fa mety ho maromaro. Izay no mahatonga ny tsy maintsy hijerena hoe, aiza no misy an’ilay “ressource génétique” aloha, dia anontaniana daholo. Ho an’ny “pays fournisseur” izay. Misy koa ny “pays utilisateur”, dia tsy maintsy jerena koa ny olona mpanafatra. Dia eo amin’izay no hijerena hoe, ilay “fournisseur A” ve no nandefa tany amin’ny “pays utilisateur X”, sa ilay “fournisseur B” no nanao an’iny. Tsy maintsy jerena tsara izay. Izay ilay “check point” sy “traçabilité”. Izay no dikan’ilay zavatra. Misy ve, amin’izao fotoana izao, ny “taux de redevance”? Misy « partage juste et équitable » ilay izy, dia ao anatin’izay koa, misy ny “redevance”. Mazava ihany koa fa tsy maintsy fantatra izay, satria tsy misy mihitsy ny hoe, ny “bénéfice” ihany no isaina fa ny “redevance” na ny “taxe” tsy voaisa, fa misy daholo izay rehetra izay. Izay no maha “équitable” azy. Izany hoe, ny « bénéfice » ho an’ny “fournisseur”, ny “taxe” na ny « redevance » ho an’ny « utilisateur ». Tsy maintsy mazava tsara izay zavatra izay. Mbola averiko foana, “partage juste et équitable des bénéfices”. Mazava be izay zavatra izay. Tsara ny manamarika izay. Ny fanontaniana manaraka dia napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TIANDRAZA Réné de Mon Espoir. Momba ny « relation interministérielle: y a-t-il de collaboration avec le Ministère des Mines »? Izay ny fanontaniana voalohany. Efa noteneniko teo fa ny « Protocole de Nagoya » dia mikasika singa momba ny « ressource génétique ». Izany hoe zava-manan’aina, ary ny « mines » dia tsy tafiditra ao anatiny, satria izany “mines” izany dia efa “transformation” na « minerai » ilay izy. Zavatra “plus ou moins solide”, tsy velona akory, ka tsy tafiditra ao anatin’ilay “ressources génétiques” ny “mines”. Hafa indray ny “terminologie” iresahana azy, ary zavatra hafa no mifehy azy, raha “mines” no resahina. Koa ialàna tsiny fa tsy tafiditra ao anatin’ny “Protocole de Nagoya” ny “Ministère des Mines”. Izay no nahatonga ahy tsy nitanisa azy tao anatin’ilay fiaraha-miasa amin’ny Minisitera hafa, fa ny Minisiteran’ny Fikarohana Siantifika sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana no miara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala mikasika ny “ressources génétiques”. Momba ny “permis environnementaux”, mikasika ny “pesticide” izay mitondra « dégât » amin’izao fotoana izao amin’ny “apiculture”. “Point important” tonga aty amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala, amin’izao fotoana, ny mikasika an’izay “pesticide” izay. Mamono ny tantely ilay izy, saingy ialako tsiny indrindra amin’Andriamatoa Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, raha tsy hiresaka ilay izy aho eto, satria tsy voakasika izay zavatra izay. Hafa indray ny “Convention” mifehy ny “pesticide”, dia ny “Convention de Bâle”, izay hitantsika fa tsy amin’ity. Koa aleo tsy resahintsika ilay izy, fa rehefa misy ny fotoana dia azontsika atao ny mbola miresaka izay amin’ny fotoana hafa. Mba tsy hifangaroan’ny resaka dia aleo somary dinganina izay resaka izay. 36 Momba ilay “partage équitable” sy ny “exploitation”, izay koa dia aleo hazava tsara, fanontaniana vao napetraka androany izy ity. Mpanjaka ben’ny tany no ohatra noraisinao teo, fa raha tonga ny fotoana ahavitan’ny “ratification” eo anivon’ny firenena rehetra nanao Sonia ka hampiharina ny “Protocole de Nagoya”, dia misy firenena anankiray liana amin’ny mpanjaka ben’ny tany, raha momba ny “ressources génétiques” no itadiavany fanampiana, maharitra be ny “longivité”, ny fotoana ahatongavan’ny “maturité”-n’izany mpanjaka ben’ny tany izany. Firy taona vao mahazo an’iny “forme” iny izy, ka raha misy firenena te hanampy antsika momba ny “croissance”n’ilay mpanjaka ben’ny tany, momba ilay “forme”, raha tokony mbola amboarimboarina kely ilay izy, raha “ressources génétiques” no kitihina, dia misy fifandraisana tsara amin’izay fotoana izay, tsy maintsy atao tsara ilay “partage équitable” amin’ny hoe, iza no hiara-hiasa amintsika amin’izay lafiny izay; inona no tombontsoa ho azontsika, inona no tombontsoa ho azon’ilay firenena? Raha karazana “destruction” kosa no mitranga, “texte” hafa indray no mifehy an’izay fa tsy ity “Protocole de Nagoya” ity. Raha “destruction”, hoy aho, dia misy “texte” maromaro indray, “texte forestier” mikasika an’izay, fa tsy amin’ny “Protocole de Nagoya” ilay izy. Izay no valiny azo omena mikasika izay zavatra izay Izay no fanontaniana voaray teo aloha. Mbola averiko indray, misy fanontaniana sy fanamarihana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita isany, MASO José sy LEDIMY Jean Joachim tamin’iny fotoana iny, saingy momba ny tsy fahatongavanay sy ny zavatra nitranga tamin’iny fotoana iny ilay izy, ka angamba tsy hiverenana intsony iny. Tsy nisy fanontaniana tena nipetraka mantsy, fa karazana fanamarihana no zavatra nitranga. Ny momba ny androany amin’izay no hojerentsika. Eto dia omeko avy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Ala ny fanomezana ny valiny sasany momba ireto fanontaniana izay napetraka androany ireto, satria mifanitsy any aminy ilay izy. Koa omeko azy ny fitenenana, raha tsy mahadiso, Andriamatoa Filoha Misaotra, Tompoko. - 13 - Valin-teny ataon’Andriamatoa RABEMANANTSOA Jean Claude, TALE JENERALIN’NY ALA, MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY ALA Andriamatoa RABEMANANTSOA Jean Claude, TALE JENERALIN’NY ALA, MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY ALA Voalohan-teny dia fiarahabana anareo namana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, mifankahita amin’ny tenanay. Tsy ataoko lava, na teknika loatra ny valinteny amin’ny fanontaniana napetraka teo, fa ataoko amin’izay mety ahazoantsika azy malaky dia malaky. Fanontaniana napetraky ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TSIEBO Mahaleo. 37 Ny “Protocole de Nagoya” dia “protocole” anankiray iresahana ny “accès” amin’ny “ressources génétiques”. Izany hoe, tsy dia mifandraika loatra amin’ny fitrandrahana fa mankany amin’ny fahazoana an’ilay zavatra mihitsy. Mety tsy ho trandrahina fa “accès direct”. Ny Mambran’ny Kongresin’ny TetezamitaTSIEBO Mahaleo moa dia nilaza fa rehefa atao ny « évaluation »-n’ny « Protocole » tahaka an’itony, matetika tsy dia hita loatra ny fiantraikany amin’ny fiainana andavan’andron’ny besinimaro. Misy ve, hoy izy, “exemple terre à terre” maneho ny fiantraikany mivantana any amin’ny vahoaka? Ny “Protocole de Nagoya” dia voalaza fa fizarana tombontsoa ara-drariny sy mahomby. Izay no voalaza ao anatin’ny “Protocole de Nagoya”. Koa raha hilaza ny fiantraikany isika dia mbola tsy izao no ho hitantsika izay, satria ny “Protocole”, raha ankatoavintsika dia mametraka rafitra maromaro hanatanterahana an’izany “Protocole” izany; ary mametraka koa fa ny fankatoavana ny “Protocole” dia fahazoana loharanom-bola hanatanterahana ny “Protocole”. Na izany, misy “exemple terre à terre” azo omena, satria karazany efa ao anatin’ny “Protocole” ihany ny ohatra. Raha nandeha tany “Europe” ny tenanay tamin’ny volana Marsa tamin’ity taona ity dia nitsidika “parc géologique et botanique” maromaro tany antoerana, ary anisan’izany ny “Parc de Vincennes” sy ny “Muséum National d’Histoire Naturelle” ao “Paris”. Tamin’io farany io dia nisy fifanarahana fa ireo zavatra rehetra avy aty Madagasikara aranty ao amin’ny “Muséum National d’Histoire Naturelle de Paris” ireo dia tokony ahazoan’ny Malagasy tombontsoa. Manavao ny “Parc de Vincennes” ry zareo amin’izao fotoana izao, ka ao anatin’io “Parc de Vincennes” io dia misy faritra manokana mihitsy ho an’i Madagasikara, ka biby sy zavamaniry avy aty Madagasikara no aseho ao. Noho izay fampisehoana ny zava-maniry sy biby avy aty Madagasikara manokana izay dia nangataka famatsiam-bola ny tenanay, mba hahazoan’ny Firenena Malagasy tombontsoa amin’izay zavatra nalefantsika any. Tamin’ny Zoma teo ny iraky ny “Museum Nationale d’Histoire” any “Paris” no nihaona taminay. Koa misy “quelques millions d’Euros” hananganana “parc géologique”, hanofanana ny taranaka malagasy amin’ny fikarakarana biby sy fikarakarana zava-maniry aty Madagasikara, any amin’ny faritra atsimo, ohatra, ilay izy. Izany dia “exemple terre à terre” azo lazaina. Ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, LEDIMY Jean Joachim dia nametraka fa sao dia misy fifangaroana na fifanitsahana amin’ny “Protocole” anankiroa, dia ny “Protocole de Nagoya” sy ny “Convention Internationale sur le commerce des espèces menacées d’extinction”. Samy misy fidiram-bola mantsy ireo, hoy izy, ka hazavao tsara ny sainay. Samy hafa ny “Convention” sy ny “Protocole”.Ny “Convention Internationale sur le commerce des espèces menacés d’extinction” dia fifanarahana iraisampirenena nankatoavintsika Malagasy, miandraikitra ny fivarotana na “échange” mikasika ireo zavatra misy eto amin’ny firenentsika, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny firenentsika, kanefa atahorana ho lany taranaka. Io « Convention Internationale sur le commerce » io dia mizara telo, izany hoe, misy “annexes” miisa telo. Ny “Annexe 1” dia misy ny “lémuriens” rehetra, sy zavatra maromaro. Izay lisitra tafiditra ao anatin’io “Annexe 1” io dia tsy azo atao mihitsy ny mivarotra azy. 38 Ny “Annexe 2” kosa dia misy zavatra maromaro ao. Ohatra, ny “baobab”, ny “orchidé”, sy ny sisa. Ireo zavatra ireo dia atahorana, any aoriana any. Ny “Annexe 1” moa tena efa lany taranaka, izay no nampidirana azy amin’ny “Annexe 1”; fa ny “Annexe 2” dia atahorana, any aoriana any, raha tsy mitandrina amin’ny “échange” mikasika an’ireo, na ny fifampivarotana mikasika an’ireo. Mety ho lany taranaka ka tsy hisy intsony. Noho izany, ny zavatra tafiditra ao anatin’io “Annexe 2” io dia tsy maintsy asiana “quota” isan-taona, ary ifanarahana amin’ny firenen-dehibe rehetra ao anatin’io “CITES” io. Ohatra fotsiny, ny katsatsaka na ilay antsointsika hoe « felziomma »; katsatsaka maitsomaitso any amin’ny “côte” ireny, misy “quota” azontsika alefa isan-taona, fa tsy mahazo mihoatra an’izay isika. Ohatra iray tafiditra ao anatin’io “Annexe 2” io fa najanona taty aoriana, ary eo am-paniriana ny hampidirana azy ao anatin’ny “Annexe 2” indray isika, haverina ao anatin’ny “Annexe 2”, dia ny fivarotana ny “peau de crocodile”. Nihoatra “quota” isika tamin’izany fotoana izany, ka tsy maintsy misy fanamboarana natao. Ny “Annexe 3” kosa dia ireo mbola tsy atahorana aloha, saingy tsy maintsy misy fepetra sy didy aman-dalàna apetraka eto amin’ny firenentsika mba hitantanana azy. Ny “Protocole de Nagoya” kosa dia ny « partage d’intérêt juste et équitable » no voalazany. Izay no maha samy hafa an’ireo. Izany hoe, ny ao anatin’ny « CITES » dia ny fandraràna ny fivarotana, ary ny fandoavana “rédevance” ihany no ao; fa ny “Protocole de Nagoya” dia ilay tombony, ny “bénéfice” mihitsy, ankoatran’ny “rédevance » na ny “ristourne” no voalaza ao. Tsy maintsy misy lalàna na fepetra apetratsika ao aoriana ao, rehefa “ratifié” ity “Protocole de Nagoya” ity, mametra hoe, raha mivarotra karazana « chauve-souris géant » isika, araka ny voalaza teo, raha mivarotra an’izany isika dia inona no tombony azon’ny faritra nihavian’izay; inona no tombony azon’ny Fanjakana Malagasy. Izay no voalaza ao anatin’ity “Protocole de Nagoya” ity. Ny an’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné kosa dia hoe: efa betsaka ny zavatra teto amintsika no lasa any ivelany, anefa rehefa “transformé” izy ireny dia lasa lafo. Nandray ohatra izy, momba ny “rovamicine”. Hoy izy hoe, inona no tokony ho an’ny vahoaka malagasy, amin’ny fandefasana an’izany. Rehefa “ratifié” ilay izy, ahoana ny fomba hampahafantarana ny vahoaka malagasy any ambanivolo an’ity “Protocole” ity. Tsy tokony haparitaka ve ity “Protocole” ity any aoriana any? Misaotra ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné, satria izay no tsy maintsy atao rehefa “ratifié” ity. Tsy maintsy atao ny fampahafantarana ny olona rehetra izay mety hiharan’ity “Protocole” ity any aoriana any. Rehefa avy eo, hapetraka ny “structure” rehetra hanaovana ny “mise en oeuvre du Protocole de Nagoya”. Efa misy vola azo hetsehina eo amin’ny “Fonds Mondial pour l’Environnement”, manodididna ny « un million de dollars ». Azo hetsehina io vola io, hanaovana “sensibilisation” sy « renforcement de capacité ». 39 Eto moa, Andriamatoa Sekretera Jeneraly dia tany « Seychelles », tamin’ny fivoriana natao tany, ka ny Filohan’ny Vaomieran’ny Tontolo Iainana tany aminy dia nanao “sensibilisation” ho antsika amin’ny hankatoavantsika an’ity zavatra ity. Marina ny voalazan’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné teo, satria raha mandray ohatra isika, ny talapetraka na ny « pervenche de Madagascar », rehefa « transformé” dia manasitrana hatramin’ny « cancer ». Tany amin’ny taona 1988 tany ho any dia nahita “revue” izahay, momba ny « valeur »-n’ny « catarentus » na ny « pervenche de Madagascar » niala teto Madagasikara nankany Etazonia. Tsy fantatro intsony fa tamin’izany fotoana izany no nahatratra hatrany amin’ny « 300 milliards de dollars » ny vidiny, ny “valeur”-ny. Mba ohatrinona tamin’izay anefa no niverina taty Madagasikara? Noho izany, rehefa « ratifié » eto amintsika ity « Protocole de Nagoya » ity dia mety ho ataontsika ny fangatahana « droit de royalties ». Mety hametraka lalàna amin’izany isika, ary mety ho entina eto izany, mba ahazoana « équitablement » amin’ny « bénéfice » azo amin’izay. Ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RATSIMBAZAFY François, dia niresaka ny « Convention sur la diversité biologique ». Ahoana ny « sécurisation »-n’ny zavatra eto amintsika. Izy dia nanolotra sosokevitra hoe, misy fanihy lehibe anaovana fanandramana any ambanivolo eto amintsika. Tokony hisy famoronana “laboratoire”, na fanofanana « généticien », na fametrahana “banque des données”. Izay mihitsy no anaovana ny « sensibilisation ». Tsy maintsy atao ilay izy, rehefa “ratifié” ity “Protocole de Nagoya” ity. Ao anatin’izay « sensibilisation” izay dia misy fanontaniana amin’ny ambaratongan’olona tsirairay iantraikan’ity “Protocole de Nagoya” ity hoe, manana « laboratoire » ve isika, hanodinana ireny vokatra eto amintsika ireny, mba tsy ho any ivelany intsony no hanodinana azy. Tsy ny Fanjakana Malagasy no hanangana “laboratoire”, fa hanentana ireo mpanam-bola ny Fanjakana Malagasy hametraka an’izany “laboratoire” izany, raha izay no ilaintsika. Ohatra koa, misy ve ny “généticien” mahafantatra ny atao hoe “gêne”-na zavatra, na biby, na ravinkazo mety misy eto amintsika? Mety misy izany, saingy noho ny fivoaran’ny toetr’andro sy ny fivoaran’ny “technologie” dia mety angamba ny hangatahana olona hanofana ny olona hahafehy an’izany teknolojia vaoavao izany, fa tsy ho any ivelany foana. Ohatra nentiko teo ny fifanarahana amin’ny “Muséum National d’Histoire Naturelle de Paris” teo, ka anisan’ny zavatra nangatahina ny fanofanana. Ny resaka “lémuriens” no ifandraisana amin’ny “Parc de Vincennes” sy ny zava-maniry any atsimo. Izahay dia mieritreritra fa tokony hanana “vétérinaire” momba ny “faune” isika. Anisan’ny ao anatin’ny “budget” noresahina taminy ny fanofanana “vétérinaire” momba ny “faune”. Ny “vétérinaire” misy eto amintsika dia ho an’ny omby, ny kisoa, sy ny sisa, fa tsy misy “vétérinaire” mikasika ny “lémurien” na zavatra hafa eto. Ao anatiny koa ny fanofanana “botaniste” malagasy. Misy “botaniste” eto, kanefa sarotra no ahitana “botaniste” tena mahay ny “caractèristique”-n’ny zava-maniry eto Madagasikara. Koa tsy maintsy hofanina ireo. 40 Tahaka an’izay koa, ao anatin’ity “Protocole de Nagoya” ity dia tsy maitsy hangataka fanofanana olona maro isika. Avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, TIANDRAZA Réné de Mon Espoir: moa ve ny ao amin’ny Tontolo Iainana ao mahafantatra fa ataon’ny olona kitay ny mpanjaka ben’ny tany. Misy “stratégie à jour” ve, ahafantarana ny zavatra harovana? Ny mpanjaka ben’ny tany dia ao anatin’ny « Catégorie 1 » amin’ny zava-maniry misy eto Madagasikara. Izany hoe, tsy azo trandrahina mihitsy, ary ny Faritanin’i Toliara tamin’izany fotoana izany dia namoaka « arrêté provincial » manao hoe, tsy azo atao ny manapaka ny mpanjaka ben’ny tany; tsy azo atao ny manondrana ny mpanjaka ben’ny tany. Isika moa eo amin’ny vanim-potoana manahirana ihany amin’izao fotoana, fantatray izany zavatra izany, saingy manahirana ny hampihatra ny lalàna. Na izany na tsy izany, horaisina ny andraikitra hanajanonana an’izany fitrandrahana izany. Ny “statistique à jour” mikasika ny zavatra harovana eto Madagasikara dia efa misy, satria ao anatin’ny CITES dia fantatra daholo, firy no isan’ny hazo na biby sisa eto Madagasikara. Izay no amerana ny “quota” ao anatin’ny CITES. Avy amin’ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAKOTONIAINA Roland Dominique: sao dia miteraka tsy fampandrosoana ny fampiharana an’ity “Protocole de Nagoya” ity; sao dia tokony atao any amin’ny faritra hafa ny « laboratoire »? Ho ahy, Tompoko, izany “Protocole de Nagoya” izany dia fanomezana antsika tombondahiny ahazoantsika milaza hoe, tsy omenay ny zavatray, tsy alefanay ny zavatra izay misy eto aminay, satria tadiavinareo io matoa ianareo mandeha aty aminay. Ny “Protocole de Nagoya” dia sehatra iray ahazoantsika mametraka an’izay. Koa ny fanahiana sao dia hiteraka tsy fampandrosoana ilay izy, mifanohitra amin’izay ny zava-misy, satria vao mainka aza miteraka fampandrosoana ho an’ny faritra. Ny fametrahana “laboratoire” dia tsy ny Fanjakana no hametraka azy, fa izy no mamporisika an’ireo mpanam-bola sy manam-pahaizana hanao an’izany. Koa anjaran’ny mpamorona azy no misafidy ny toerana hametrahany ny “laboratoire”. Misaotra, Tompoko. - 14 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny « Projet de loi n°025/2012 du 10 octobre 2012 autorisant la ratification du Protocole de Nagoya sur l’accès aux ressources génétiques et le partage juste et équitable des avantages découlant de leur utilisation relatif à la Convention sur la Diversité Biologique » Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Tale Jeneraly. Koa satria tsy misy manan-kolazaina intsony, hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny « Projet de loi n°025/2012 du 10 octobre 2012 autorisant la ratification du Protocole de Nagoya sur l’accès aux ressources génétiques et le partage juste et équitable 41 des avantages découlant de leur utilisation relatif à la Convention sur la Diversité Biologique » isika. Marihina fa ahitana andininy miisa roa ity volavolan-dalàna ity. Ary araka ny voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny Didim-pitondrana laharana faha-30-CT/P mikasika ny Fitsipika Anaty mifehy ny Kongresin’ny Tetezamita dia tsy azo kitihina ireo andininy ao anatin’ny fifanarahana, fa na ankatoavina, na tsipahina, na ahemotra ny fandinihana azy. Koa izay mandany an’io volavolan-dalàna io, atsangano ny tànana? - Nanangan-tanana ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita tonga nivory rehetra Izay mitsipaka? - Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny? - Tsy misy Araka ny fanisana eto ampela-tananay, ny isan’ny tonga dia 155; ny tsy tonga dia 202; ary ny voaala tsiny dia 9. Koa satria tsy tratra ny “quorum” dia ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandaniana an’ity volavolan-dalàna ity. Misy manao satroka. Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Victor Misaotra, nanome ny fitenenana, Andriamatoa Filoha. Ny fahazoako azy, Andriamatoa Filoha, efa fanindroantsika izao no nandinika an’ity zavatra ity. Ny porofo dia ny fanontaniana napetraka teo aloha no isan’ny novaliany teo. Araka ny lalàna mifehy antsika anefa, rehefa miverina fanindroany sahala amin’izao dia izay tonga eto no manapaka azy. Tokony hoe, satria izahay maro an’isa no efa nanangan-tanana teo, iny no mandany azy. Tsy ity ihany no zavatra hodinihintsika, fa efa akaiky ny 16 Desambra 2012 hifaranan’ny fotoam-pivoriana. Andriamatao FILOHA Isika nivory tamin’ny farany iny dia mbola tsy nisy resaka “vote” tamin’iny, mbola tsy nisy resaka “délibération” tamin’iny. Noho izany, tsy maintsy ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandaniana an’ity volavolan-dalàna ity. Marihina fa afaka mangataka fitenenana hatrany ianareo mandritra ny adihevitra rehetra. Sao dia manan-kolazaina ny solontenan’ny Minisitera, Tompoko? 42 Misy satroka. Ny Mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné. Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Vola Dieudonné Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Marina tokoa fa tamin’ny farany teo dia mbola tsy nisy fanapahan-kevitra, kanefa izao: afaka mangataka izahay hoe, afaka adiny iray ao aoriana dia aroso indray ny fandaniana azy. Koa mangataka adiny iray izahay, dia miverina eto isika. Misaotra, Tompoko. - 15 - Fiatoan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Ao amin’ny “article 47” dia 24 ora no voalaza ao, “minimum”, Tompoko. Tompokolahy sy Tompokovavy, mialohan’ny hiatoan’ny fivoriana dia tiako ny mampahatsiahy antsika fa anio tolak’andro, manomboka amin’ny 3 ora dia hisy ny fivorian’ny “Commission de l’Energie”, “saisie au fond”; ny “Commission du Développement Rural et de l’Agriculture” sy ny “Commission Juridique et de la Législation” ary ny “Commission du Commerce”, « saisies pour avis”, hanohy ny fandinihana ny « Proposition de loi n°002/2012/PL portant réglementation de la production et de la commercialisation de l’éthanol combustible, présentée par le membre du Congrès de la Transition, RAZANAKOLONA Marthe Marie Arsène ». Koa manentana antsika izay voakasik’izany mba hamonjy an’io asam-baomiera io. Miato hatreo ny fivoriantsika. Misaotra, Tompoko. - Lakolosy Niato tamin’ny 1 ora sy 10 minitra, antoandro, ny fivoriana. NY FILOHA RAZAFIANDRIAMBELO Njato Harinony Ihajamanana