PV 99
Transcription
PV 99
1 FIVORIAMBE FILOHA : Andriamatoa RAKOTOARIVELO Mamy MPITANTSORATRA : Andriamatoa isany : - HENRI Jean Michel - RAMAHEFASOA Barbin FOTOANA : Talata 30 Oktobra 2012, tamin’ny 10 ora sy 25 minitra, maraina. FANDAHARAM-POTOANA : Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Volavolam-pandaharam-potoana manomboka ny Alatsianainy 29 Oktobra 2012 ka hatramin’ny Alarobia 7 Novambra 2012. - Lakolosy -1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy indray ny fivoriantsika. Faly miarahaba antsika rehetra, tonga manatrika izao fotoana androany maraina izao. Miarahaba ihany koa ny solontenan’ny Governemanta izay miaraka mivory amintsika eto, amin’izao maraina izao. Ny fandaharam-potoanantsika androany maraina dia fivoriambe handraisana fanapahankevitra mikasika ny fandaharam-potoanantsika manomboka ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012 ka hatramin’ny Alarobia 7 Novambra 2012, izay novolavolaina tamin’ny fivorian’ny “Conférence des Présidents” omaly Alatsinainy 29 Okotobra 2012, tolak’andro. Koa iangaviana, Andriamatoa Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’Antsiranana, hamaky ny famintinana izany fivorian’ny “Conférence des Présidents” izany. Omena anao ny fitenenana. -2- Famakiana ny tatitry ny “Conférence des Présidents” Andriamatoa TSIVAKA Sylvien Raharison Misaotra, Andriamatoa Filoha. Nivory ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012, nanomboka tamin’ny telo ora, tolak’andro, ny « Conférence des Présidents ». 2 Andriamatoa Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy RAKOTOARIVELO, no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny “Conférence des Présidents” sy ny solontenan’ny Governemanta tonga nanatrika izany. Andriamatoa sy Ramatoa isany : BUREAU PERMANENT N° 01 02 03 04 05 06 07 NOM ET PRENOM(s) Mr Mamy RATOKOARIVELO Mr ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain Mr ZAFILAHY Stanislas Mr TSIVAKA Raharison Sylvien Mr RAHAROARILALA Tinoka Roberto Mr JEAN Michel HENRI Mr VANOVASON Jean Adrien Mr MANANTSOA Victor ATTRIBUTION Président Vice-Président Vice-Président Vice-Président Vice-Président Premier Questeur Deuxième Questeur Ministre chargé Relations avec Institutions des les PRESIDENTS DES COMMISSIONS PERMANENTES N° 08 09 10 11 12 13 14 15 16 17 NOM ET PRENOM(s) Dr LEMALADE Eric ATTRIBUTION Président de la Commission de la Réconciliation Nationale et Amnistie Mr RAVELOSON Constant Président de la Commission Juridique et de la Législation Mr DOX ZABOFIGERA Didier Président de la Commission de la Défense Nationale Mr RAMANANIRINA Ian Wilfried Président de la Commission de la Sécurité Mr RAVELOSON Thierry Francis Président de la Commission des affaires étrangères et des Relations Internationales Mr RAZAFINDRABARY Richard Président de la Commission du Développement Rural et de l’Agriculture Mr RANDRIANANTENAINA Olivier Président de la Commission de l’Elevage José Mme RANDRIANJANAKA Jugeless Président de la Commission de la Pêche et des Annicka Ula Ressources Halieutiques Mr RABIALAHY Jean Paul Président de la Commission de l’Aménagement du Territoire et de la Gestion Foncière Mme RAHARIMALALA Lydia Président de la Commission des Postes, des Télécommunications et des Nouvelles Technologies 3 18 Mr MAKA Alphonse 19 Mme RAKOTOMANGA LANTO 20 Mr FOLOZARA Andriamisy Josia Honoré Mme RAZAFIARISOA Jacqueline Président de la Commission de la Population Voahangilalao Alice Mr RANDRIAMANANA Jean de Dieu Président de la Commission de l’Education Nationale Mr PAUL BERT Président de la Commission de l’Enseignement Supérieur et Recherche Scientifique Mr RABESAIKA Guillaume Président de la Commission de la Fonction Publique, de l’Emploi, du Travail et des Lois Sociales Mr VAHINY Roger Président de la Commission de l’Industrie et de l’Economie Mme RAZAKANIRINA Lucie Edwige Président de la Commission de l’Artisanat Mr BENON Guy Président de la Commission des Mines Mr MAROTSAHA Rapporteur, représentant le Président de la Commission des Affaires Culturelles Mr RANDRIAMPILAMANANA Rapporteur Général de la Commissions des Rostand Finances 21 22 23 24 25 26 27 28 29 Président de la Commission de l’Information et de la Communication Président de la Commission du Genre et des Affaire Sociales Président de la Commission de la Santé GROUPES PARLEMENTAIRES N° 30 31 32 33 34 35 36 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 NOM ET PRENOM(s) DES REPRESENTANTS RASOLOARINAIVO Andriamamonjy Lanto MASO José Michel LAURENT Parfait Fontaine RANDRIANANDRASANA Masy Nirina RAJAONARISON RAZAFINTSEHENO Ravao Harimiza AMABLE André Benjamin RAVELONANOSY Mamy DAMY RAZANAMINO Lisiniaina CLODE Albertine Rosalie ANDRIAMAHEFARISOA Etienne ANDRIAMALALA Mamisoa Freddy TSIEBO Mahaleo Dr Lucien ROTOLOJANAHARY NOELY HONORE Xavier Roberson Mampiory GROUPES PARLEMENTAIRES AREMA ESCOPOL ESCOPOL ESCOPOL ESCOPOL HPM MDM Mouvance RAVALOMANANA MONIMA-UAMAD NOTABLE NOTABLE PHAT TGV TGV TGV UDR-C UDR-C 4 Fiarahabana ireo mpikambana tonga nanatrika ny “Conférence des Présidents” no nanombohan’Andriamatoa Filoha ny fitenenana. Niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra misahana ny Fifandraisana amin’ireo Andrimpanjakana, misolotena ny Governemanta, ny tenany. Novakiana avy eo ny volavolam-pandaharam-potoana nivoaka tamin’ny fivorian’ny Birao Maharitra ny marainan’ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012. Nanazava avy eo, Andriamatoa Filoha, fa noezahina mba ho tapitra ny Talata 30 Oktobra 2012 ny asan’ny Kongresy amin’ity herinandro ity, mba ahafahan’ireo mpikambana mamonjy ny toerana iadidiany avy. Nisokatra avy eo ny adihevitra, ka nanomboka izany Andriamatoa Minisitra, solontenan’ny Governemanta. Nanamafy ny fialan-tsinin’ny Governemanta izy, noho ny tsy nahatanterahana ny “séance des questions-réponses” tapaka tamin’ny fandaharam-potoana farany, ary nisaotra ny Kongresin’ny Tetezamita nanaiky ny hanaovana izany ny Alatsinainy 5 Novambra 2012, tolak’andro. Maro ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta hanao fitsidihana any amin’ny Faritra amin’ny faran’ity herin’andro ity, koa miangavy, hoy izy, mba haroso ny Alarobia 31 Oktobra 2012, tolak’andro, ny fanaterana ireo fanontaniana ho an’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Nanaiky izany fangatahana izany ny “Conférence des Présidents”. Taorian’ny adihevitra fohy dia niroso tamin’ny fanapahan-kevitra ny mpivory. Lany tsy nisy nitsipaka, tsy nisy tsy nilaza ny heviny, ilay volavolam-pandaharam-potoana, ka hoentina eo amin’ny fivoriambe, handraisana fanapahan-kevitra ny Talata 30 Oktobra 2012, amin’ny folo ora, maraina. Toy izao ary ny volavolam-pandaharam-potoana tapaka tao amin’ny fivorian’ny « Conférence des Présidents » : ORDRE DU JOUR pour la période du lundi 29 octobre 2012 au mercredi 07 novembre 2012 LUNDI 29 OCTOBRE 2012 10H00 : Réunion du Bureau Permanent (Bureau des Conseillers du Président) 15H00 : Conférence des Présidents (Salle B.P.) 5 MARDI 30 OCTOBRE 2012 10H00 : SEANCE PLENIERE Adoption de l’ordre du jour. (Participants : tous les membres du Congrès de la Transition) (Salle des Séances) MARDI 30 OCTOBRE 2012 TRAVAUX DES COMMISSIONS 15H00 : *Commission Juridique et de la Législation (saisie au fond) *Commission de la Population (saisie pour avis) Projet de loi n°2012-009 du 02 mai 2012 modifiant et complétant certaines dispositions de la loi n°2007-040 du 14 janvier 2008 relative à la délivrance des jugements supplétifs d’actes de naissance dans le cadre du Programme National de Réhabilitation de l’Enregistrement des Naissances « Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy » (Participants : les membres des commissions concernées) (Salle B.P.) 15H00 :*Commission des Finances et du Budget (saisie au fond) *Commission du Développement rural et de l’Agriculture (saisie pour avis) Projet de loi n°024/2012 du 03 octobre 2012 autorisant la ratification de l’Accord de Financement entre la République de Madagascar et le Fonds International de Développement Agricole (FIDA) et le Fonds Fiduciaire du Mécanisme de Cofinancement Espagnol pour la Sécurité Alimentaire relatif au Programme de Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole (FORMAPROD) (Participants : les membres des commissions concernées) (Salle des Séances.) LUNDI 05 NOVEMBRE 2012 SEANCE PLENIERE 15H00 : SEANCE DES QUESTIONS DES MEMBRES DU CONGRES DE LA TRANSITION ET DES REPONSES DU GOUVERNEMENT (Participants : tous les membres du Congrès de la Transition) (Salle des Séances) 6 MARDI 06 NOVEMBRE 2012 SEANCES PLENIERES 10H00 : Projet de loi n°2012-009 du 02 mai 2012 modifiant et complétant certaines dispositions de la loi n°2007-040 du 14 janvier 2008 relative à la délivrance des jugements supplétifs d’actes de naissance dans le cadre du Programme National de Réhabilitation de l’Enregistrement des Naissances « Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy ». (Participants : tous les membres du Congrès de la Transition) (Salle des Séances) 16H00 : Projet de loi n°024/2012 du 03 octobre 2012 autorisant la ratification de l’Accord de Financement entre la République de Madagascar et le Fonds International de Développement Agricole (FIDA) et le Fonds Fiduciaire du Mécanisme de Cofinancement Espagnol pour la Sécurité Alimentaire relatif au Programme de Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole (FORMAPROD) (Participants : tous les membres du Congrès de la Transition) (Salle des Séances) MERCREDI 07 NOVEMBRE 2012 10H00 : Réunion du Bureau Permanent (Bureau des Conseillers du Président) 15H00 : Conférence des Présidents (Salle B.P.) Toy izay ny vakiny ato, Andriamatoa Filoha. -3- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitra, namaky ny tatitry ny fivorian’ny “Conférence des Présidents” omaly tolak’andro. Alohan’ny hidirantsika amin’ny adihevitra ankapobeny dia omena fitenenana aloha ny solontenan’ny Governemanta, raha misy fanamarihana tiany atao mikasika ilay zavatra novakiana teo. Andriamatoa RAKOTOZAFINDRABE Naivo Marius, SEKRETERA JENERALIN’NY MINISITERA MISAHANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY ANDRIMPANJAKANA Miarahaba anao am-panajana, Andriamatoa Filoha. Miarahaba am-panajana ireo mpikambana amin’ny Birao Maharitra sy isika mpikambana amin’ity Andrimpanjakana mahefa ity. 7 Andriamatoa Minisitra moa nanatrika ny “Conférence des Présidents”, araka ny tatitra teo. Androany izy dia manantitra ny fialan-tsiny izay efa nataony omaly rahateo, noho ny tsy fahafahany manatrika ity sy manaja antsika amin’ny fanatrehana an’ity “séance plénière” ity. Tsy misy teny hambara firy fa ny fanaterana ny fisaorana tamin’ny fanekena ny sosokevitra fanovàna nataon’Andriamatoa Minisitra amin’ilay fandaharam-potoana teo. Misaotra, Tompoko. -4- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly. Izao isika dia hiditra amin’ny adihevitra ankapobeny, ka izay manana fanamarihana mikasika ity volavolam-pandaharam-potoana ity dia iangaviana hanangana ny tanany. Satroka iray aloha ety ambany ety. Misy handray fitenenana ery ambony ery, ka omena azy aloha ny fitenenana. Andriamatoa ZAFILAHY Rakotomandimby Stanislas Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha. Faly miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita. Ny tiako holazaina amin’ilay zavatra novakiana teo, ity teny malagasy ity mantsy indraindray manahirana ihany. Voamarika ato hoe, niarahaba manokana Andriamatoa Minisiteran’ny Fifandraisana amin’ireo Andrimpanjakana. Izany Minisitera izany dia birao, fa Andriamatoa Minisitry ny Fifandraisana no izy ; fa tsy Andriamatoa Minisiteran’ny Fifandraisana. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita, amin’izay fanamarihana izay. Misy satroka iray ato. Andriamatoa RAFARAMANDIMBY BOANA Jean Pierre Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny Birao Maharitra. Miarahaba ny solontenan’ny Minisitra. 8 Tsy fanamarinana mikasika an’ity ny ahy, Andriamatoa Filoha, fa mangataka izahay izay soloako tena eto, « huis clos », alohan’ny handaniana an’ity, satria raharahantokantranontsika ity. Misaotra, Tompoko. Andriamatoa FILOHA Hafakely indray izany « huis clos » alohan’ny fivoriana izany. - Tehaka Aleo ataontsika aloha ny fivoriana. Tsy misy manahirana akory ity zavatra ity, fa avy eo isika manao “huis clos”. Aza miana-dratsy amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ianareo. - Tehaka -5- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolam-pandaharam-potoana. Andriamatoa FILOHA Izao isika dia hiditra avy hatrany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ity volavolam-pandaharam-potoana ity. Iza no mitsipaka ? - Tsy misy Iza no tsy milaza ny heviny ? - Tsy misy Iza ary no mandàny ity volavolam-pandaharam-potoana ity ? - Mpikambana amin’ny Kongresin’ny Tetezamita miisa 195 no nanangan-tanana Koa dia ambarako àry fa lany soa aman-tsara teto amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ity volavolam-pandaharam-potoana manomboka ny Alatsinay 29 Oktobra 2012 ka hatramin’ny Alarobia 7 Novambra 2012 ity. Tompokolahy sy Tompokovavy, ho atao ny “huis clos” rehefa avy eo, koa iangaviana isika mba samy hijanona daholo. 9 -6- Fiatoan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA Alohan’ny hamaranana ity fotoana ity dia ampahatsiahivina fa anio tolak’andro, manomboka amin’ny telo ora, misy ireo asam-baomiera izay efa novakiana tamintsika teo. Tsy haverina intsony fa ny voalohany dia mikasika ny “projet de loi” momba ilay “Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy”. Ny faharoa dia ilay “projet de loi” mikasika ilay fametrahana ny “FORMAPROD”. Koa manentana antsika izay voakasik’izany mba samy hamonjy ireo asam-baomiera ireo. Ny Alatsinainy 5 Novambra 2012, amin’ny telo ora, tolak’andro, hisy ny fivoriambe izay hametrahantsika ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita fanontaniana amin’ny mpikambana amin’ny Governemanta ary hamalian’izy ireo an’izany. Araka ny fangatahan’Andriamatoa Minisitry ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana moa, raha sitratsika dia harosontsika amin’ny Alarobia 31 Oktobra 2012, rahampitso izany, amin’ny 12 ora, antoandro, ny fotoana farany hanateranareo ny fanontaniana ao amin’ny “Service des Relations avec les Parlementaires”, fa tsy amin’ny Zoma 2 Novambra 2012, araka ny notapahantsika tamin’ny fivoriana farany teo. Tamin’ilay fivoriana farany teo mantsy dia amin’ny Zoma 2 Novambra 2012 izany, nefa inoako fa vitsy amintsika no ho tonga eto amin’izay. Koa iangaviana isika mba samy hanatitra an’izay fanontaniantsika izay, rahampitso amin’ny 12 ora, antoandro, farafahatarany, ao amin’ny “Service des Relations avec les Parlementaires”. Miato hatreo aloha ny fivoriantsika, « huis clos » rehefa avy eo. Misaotra, Tompokolahy. Mankasitraka, Tompokovavy. - Lakolosy Niato tamin’ny folo ora sy efapolo minitra, antoandro, ny fivoriana. NY FILOHA RAKOTOARIVELO Mamy