Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra

Transcription

Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra
Niray hevitra ny olona hanangana indray ny Tempoly
rehefa niverina avy any am-pahababoana.
Ny bokin’i Ezra sy Nehemia ary Estera dia samy
milaza ny:
Ny fiverenan’ny Jiosy avy any Babilona
Ny fivavahana Jodaisma taorian’ny Fahababoana
Ireo zava-manodidina ny fananganana
ny Tempoly
 Resy lahatra hanorina indray ny Tempoly ny olona.
(Ezr.3,1-11) saingy maro ny vato misakana: OLANA
Ny sakana nataon’ny tompontany.(Samaritana)
(Ezr.4,4-6)
Misy ireo mpitady tombontsoa manokana sady
manana kajy hafa handravana ny tetikasa. (4,9-16)
Nanjaka ny fanolorana saina hafahafa ny Mpitondra
(4,16) izay niteraka ny fihemoran’ny asa. (4,24)
Ny fandrosoan’ny Asa
 Antoky ny fandrosoan’ny asa ny fisian’ny Mpaminany
(Hagay sy Zakaria) manao tsara ny asany.(5,1)
 Mijery izay mikely aina amin’ny asany Jehovah
Andriamanitra. (5,5)
 Mandroso ny asa rehefa resy lahatra ny amin’ny
asan’Atra ny mpitondra Fanjakana. ( Oh: 6,3.11 ss…)
 Rehefa samy manao ny andraikitra tandrify azy ny
Fanjakana sy ny fiangonana dia nitsangana ny tempoly
Ny TEMPOLY izay mbola mitoetra ho mariky ny
fisian’Atra sy ny fahavelomany ,ny heriny sy ny
fahefany eo anivon’ny vahoakany.
NY VOKATRY NY FIJOROAN’NY TEMPOLY.
 Fifalian’ny Fiangonana (6,16)
 Fandrosoan’ny Fanoloran-tena (6,17)
 Ny fivoaran’ny rafitra sy ny Fandaminam-piangonana
(6,18ss…)
 Ny fandrosoan’ ny Tenin’Atra (7,10.21-23)
 Nahatonga faharesen-dahatry ny Mpanjaka
(Mpitondra fanjakana) ny amin’ny Finoana
an’Andriamanitra. (7,26-28).
HENTITRA NY AMIN’NY LALANA MOMBA NY
FANAMBADIANA I EZRA
Tsy nanaikyny Hifanambadian’ny Jiosy amin’ny Jentilisa i
Ezranoho ireto antony ireto:
 Melohin’ny Lalana Jiosy ny manam-bady hafa firenena
( Eks34,11-16)
 Anisan’ny fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i
Abrahama ny tsy hanambadiana an’ireo Jentilisa
(Gen.24-2/ 27;46-28,9)
Ny fanambadiana hafa firenena (Jentilisa)= Fanaovana
fanekena aminy.
• Mba tsy hanaraka ny fombany (Gen.20,18) indrindra
eo amin’ny ara-pivavahana.
 Manohitra ny teny fampanantenana ny fanambadiana
Hafa firenena ary tena fahavetavetana eo imason’i
Jehovah (Ezra.9,1ss…)= Fandikana ny Lalan’A/tra
 Ezaka nataon’i Ezra ny nibebaka ho an’ireo vahoaka
Jiosy ireo(Ezr.9,3-5)
 Nohamafisin’i Ezra fa tokony hisaraka izay efa niroso
tamin’izany. (Ezr.10,3-5)
 Nanaiky ny tenin’i Ezra ny olona. (Ezr.10,19)
Boky nanovozan-kevitra: Ankoatra ny Diksionera
amin’ny Baiboly sy ireo Fitarihan-teny samy hafa dia
ireto:
1. Frank MICHAELI, Le Livre de Chroniques, d’Esdras,
et de Nehemie, Commentaire de l’Ancien Testament,
Ed Delachau et Niestle, Suisse, 1967.
2. D.J.CLINES,The New cintury Bible commentary,
Ezra, Nehemiah, Esther,Ed. Marshall Morgan and
Scott,USA, 1984.

Documents pareils

Karazam-bibidia arovana - Faritra Atsimo Andrefana

Karazam-bibidia arovana - Faritra Atsimo Andrefana saingy vitsy ihany ny olon-tsotra sy ny mpanapa-kevitra isan’ambaratonga no mahalala izany eny anivon’ny toerana misy azy avy. Hany ka noho ny tsy fahalalana na ny tsy firaharahiana dia lasa fomba ...

Plus en détail