M. FETHULLAH GULEN

Transcription

M. FETHULLAH GULEN
ANDRANA, FOMBA FIJERY, HEVITRA
M. FETHULLAH GULEN
ANDRANA, FOMBA FIJERY, HEVITRA
M. FETHULLAH GULEN
New Jersey
Copyright © 2012 par Tughra Books
Copyright © 2012 Işık Yayınları
Tsy azo adika na hamaroina na ovana endrika hafa amin’ny alalan’ny
fitaovana samy hafa na elektronika na mekenika ny ampahany na
manontolo amin’ity boky ity, ao anatin’izany ny fanamaroana na ny
fitehirizana ny votoatiny anatina fitaovana ho amin’izany raha tsy misy
alalana avy amin’ny mpanota.
Navokan’ny Tughra Books
345 Clifton Ave., Clifton,
NJ, 07011, USA
www.antstores.com
www.kitapkaynagi.com
ISBN: 978-1-59784-???-?
Natontan’ny
Seda Ozalit, Istanbul - Turkey
FANOROAN PEJY
TENY MIALOHA .................................................................................7
IZA MOA I FETHULAH GULEN? ............................................... 9
NANOKANA NY FIAINANY HO AN’NY
FANDRIAMPAHALEMANA SY NY
FAHASAMBARAN’NY OLOMBELONA ..................................11
NY FOTOKEVITRA IJOROANY ................................................13
LAHATSORATRA NOTSONGAINA TAMIN’NY
ASAN’I GULEN................................................................................ 19
FAMPITAHANA NY FINOANA SILAMO
AMIN’NY DEMOKRASIA ...........................................................21
EO ANTOKONAN’NY TAONA ARIVO VAOVAO ...............31
NY ILANA NY FIFANAKALOZAN-KEVITRA EO
AMIN’NY SAMY FIVAVAHANA ................................................44
NY FAMELANKELOKA HOAN’NY REHETRA .....................71
NY DJIHAD SY IREO ENDRINY SAMY HAFA ......................79
M. FETHULLAH GÜLEN SY NY FANABEAZANA.............. 83
NY FIANARANA DIA MANOMBOKA EO AMPAHATERAHANA KA HATRANY AM-PASANA ...................85
TENY NOLAZAINA MIKASIKA AN’I
FETHULLAH GULEN ................................................................. 113
NENJEHINA NY SILAMO MANDROSO SY
MENDRIKA TAO TURQUIE ...................................................115
6
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
TSY HO MPAMPIHOROHORO MIHITSY NY
MPINO SILAMO MARINA .......................................................119
I GULEN AMIN’NY MAHA MPANABE SY
MPAMPIANATRA NY FINOANA AZY ..................................126
AMPAHANY AMIN’IREO FANADIHADIANA MARO...... 141
FANONTANIANA NATAO TAMIN’I
FETHULLAH GÜLEN ................................................................. 151
"AO AMIN’NY TENA SILAMO MARINA, TSY MISY
NY ASA FAMPIHOROHORONA" ..........................................153
TENY MIALOHA
I
Fethullah Gülen dia Poeta, mpanoratra manana ny maha
izy azy, avara-pianarana, miavaka amin’ny fanomezana
ara-panahy manokana ananany, manampahaizana silamo
tena nahomby sy fanta-bahoaka tokoa nandritra izay 30
taona lasa izay. Mpianatry ny Lycée sy ny oniversite maro,
na vao nahavita fianarana sy vahoaka maro any "Turquie"
no voasinton’ny hafatra mirakitra fandeferana sy ny
famindrampo nataony tamin’ny alalan’ny fampianarana sy
ny fahiratana manokana. Ireo ezaka nataony mba hanatrarana
io tanjona lehibe io dia teraka tany ‘Turquie’ ary mianaka
amina kaontinanta maro ankehitriny ary tsapan’ny olona
amina fiarahamonina maro.
Hampifandray ny finoana sy ny fampianarana ara-tsiansa
manarapenitra no fototry ny fampianarany mba hamolavola
tontolo mahafinaritra, izay mifotrotra amin’ny asa mahomby,
ny fitiavana ny hafa, ny fifanantonana ara-pinoana sy arapomba amam-panao, sy ny faniriana hikarakara ny hafa sy ny
ahazoana ny fankatoavana avy amin’Andriamanitra.
Nataony asa fototra mba hampahafantarana amin’ny
olona ny tena fivavahana marina I Gülen, miainga amin’ny
fitiavana, ny famelana, ny fisokafan-tsaina, ny asa tsara, ny
fandriampahalemana ary ny soatoavina isan-karazany, izay
mitarika ny olombelona ho amin’ny fahamendrehana sy ny
famonjena. Heveriny fa ny fitambaran’ireo fanabeazana roa
8
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
voalaza etsy ambony no mahatonga ny olona hahafantatra
misimisy kokoa ny maha Mpahary an’Andriamanitra
manoloana ny zanakolombelona. Ny olona maro mino
izany hevitra izany sy ny tanjony dia noho ny fanabeazana,
ny fifankazahoana ara-pinoana sy ny ara-kolotsaina noho
ny asan’ireo vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana.
Ny asan’izy ireo dia niteraka sekoly an-jatony nahitampahombiazana, nahatonga ny mpandraharaha ‘Turc’ mba
hanokatra sy hamatsy ara-bola sekoly maro, kolejy, lycée
sy Université, manerana ireo firenena maro izay mbola
tsy ahitana fanabeazana manara-penitra sy ny tombotsoa
vokatri’zany. Misy sekoly sasantsasany ihany koa naorina any
Amerika sy ny Eropa.
Ity boky ity dia mitantara ny tantaram-piainan’I Gülen,
ahitana ihany koa lahatsoratra voafantina, ny fahitany ny
fanabeazana manara-penitra sy ny maha zava-dehibe azy, ny
tokony hanehoana azy amin’ny haino aman-jery. Tsy natao
ho fandokafana ny fiainany sy ny akon’izany teo amin’ny
olona maro ity boky ity; fa natao ho torolalana hanampy ireo
olona te-hahalala misimisy kokoa ny hafatr’I Gülen sy izay
maniry ny mba hanatanterahan’ireo taranaka mifandimby ny
hafatra.
IZA MOA I
FETHULAH GULEN?
NANOKANA NY FIAINANY HO AN’NY
FANDRIAMPAHALEMANA SY NY
FAHASAMBARAN’NY OLOMBELONA
FAMPIDIRANA
T
eraka tany ‘Erzurum’ atsinanan’I Turquie ny taona
1941 I Fettulah Gülen, mpadinika sy manampahaizana
silamo ary mpanoratra manana ny maha izy azy no sady
poeta koa. Nobeazina tamin’ny fahalalana ara-pinoana izy
ary ray aman-dreny ara-panahy sy manampahaizana silamo
fanta-daza no nanabe azy tamin’izany. Nianatra momba ny
fototry ny fahalalana mikasika ny fizika ary ny fiarahamonina
ankehitriny koa izy. No ho ireo fihavahana manoka ananany
ara-pikarohana sy ny fifantohany amin’ny fanampianarantena
no nahatonga azy hisongona vetivety mihoatra amin’ireo
niaraka taminy. Ny taona 1958, rehefa nahazo vokatra tsara
tamin’ny fanadinana natrehiny izy dia nahazo ny marimpahaizana ara-panjakana mikasika ny fanabeazana ary nomena
toeram-piasana tao IZMIR, izay faritany fahatelo lehibe
indrindra any ‘Turquie’. Tao no teraka ny hevitr’i Gülen ary
tsy nitsaha-nitombo ireo mpakafy azy. Tamin’ireo toriteny
sy kabary nataony, Nidradradradra ny olana ara-tsosialy tena
nahazo vahana tamin’izany fotoana izany izy: ny tanjony
voalohany dia nanosika ny tanora hampifanaraka ny ara-
12
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tsaina amin’ny ara-panahy, anaty fahendrena sy mifanaraka
amin’ny maha-olona ary ny fiheverana am-panajana ny
hafa.
Tsy nahafa-po an’i Gülen ny fampianarana eny amin’ny
tanan-dehibe fotsiny. Maro ny faritra noteteziny tany Anatolie
ary nampita hafatra tamin’ny olona izy na tany amin’ny
trano fivavahana na tany amin’ny toeram-pisakafoanana
sy ny amin’ireo toeram-pivoriana tao an-toerana. Izany no
nahafahany nampita hafatra tamin’ny sokajin’olona maro
tamin’ny mponina sy nisarihany ny sain’ireo avara-pianarana
indrindra fa ireo mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Tsy maintsy tafiditra ao amin’ny votoatim-pampianarana
ataony ny mikasika ny fivavahana, ao koa ny fanabeazana, ny
hairà, ny darwinisma, ny toekarena sy ny zo ara-tsosialy. Ny
nahatonga ny fampianarany ho lalina sy mahaliana dia no ho
ireo lohahevitra maro samy hafa ireo izay nahatalanjona ary
nahasarika ireo avara-pianarana ka nankatoaviny.
Niala tamin’ny asa fampianarana ara-panjakana I Gülen
ny taona 1981 rehefa nirin’ireo tanora sy mpianatra maro ny
ho toa azy. Nanomboka ny taona 1960 ireo ezaka nataony, ny
fanavaozana ny fanabeazana no tena nampalaza sy nanajan’ny
mponina tao Turquie azy.
Ny taona 1988 hatramin’ny 1991, nanao andian-toriteny
tamin’ireo toeram-pivavahana (mosquée) nalaza indrindra izy
amin’ny maha mpampianatra ny finona silamo azy; notohizany
hatrany tamin’izany ny fampitana ireo hafatra tiany hiampita,
tamin’ny alalan’ny valandresaka ampahibemaso, tsy tao
Turquie ihany izany fa hatrany Eropa andrefana koa.
NY FOTOKEVITRA IJOROANY
A
o amin’ny asasoratra sy ny kabariny, Gülen dia mirary
ny taonjato faha XXI ho taonjaton’ny fahaterahana
ara-panahy mavitrika ka isika no ho vavolombelon’izany.
Io fahaterahana ara-panahy io dia hampiaina indray ireo
soa toavina mahaolona, zary nanjavona nandritry ny taona
maro, ho taonan’ny fifamelana, ny fifankazahoana sy fiarahamiasa maneran-tany amin’ny alalan’ny fifampidinihana arakolotsaina sy ny fifampizarana soa toavina izay mitondra
mankany amin’ny fifandraisan’ny fomba amampanao. Teo
amin’ny sehatry ny fanabeazana dia izy no angady nananana
tamin’ny fanorenana sampan’asa fanaovantsoa maro mba
ho fanasoavana ny mpiara-belona, sady hita tao ‘Turquie’
izany no tany ivelany ihany koa. NY haino amanjery taminy,
indrindra fa ny fahita lavitra dia fitaovana hampalalana ireo
trangan-javatra lehibe mahakasika ny rehetra, na ny tsirairay
sy ny daholobe.
Tamin’ i Gülen ny lalana mankany amin’ny fahamarinana
ho an’ny rehetra dia ny famantsiam-bola ny fanabeazana
manerantany, mifanaraka amin’ny zava-misy sy tena ilaina.
Raha tsy tanteraka izany dia tsy hisy ny fifankazahoana
sy ny fifandeferana, tsy ho voahaja ny zon’ny hafa. Mba
hanatanterahana izany dia an-taonany maro no nanentanany
ireo olona sangany teo amin’ny fiarahamonina sy ireo
mpitarika vondron’olona samy hafa, ny tompon’orinasa
14
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
matanjaka, eny fa na dia ny mpivarotra madinika aza mba
hanohana fanabeazana manara-penitra. Ny fanampiana avy
amin’izy ireo no nahafahana nanangana sekoly maro tao
‘Turquie’ sy tany ivelany.
Nanambara i Gülen fa ny fomba tokana ahafahana
mampanaiky ny olona amin’ny hevitry ny tena eto amin’ity
tontolo ity dia fandresen-dahatra. Taminy dia ny tsy misy
saina no manao izay ahatongavana amin’izany amin’ny
herisetra. Te- hana-tsafidy malalaka mandrakariva ny olona
amin’ny fomba hitondrany ny asany sy hanehoany ny soa
toaviny ara-pivavahana sy ara-panahy. Amin’I Gülen ny
demokrasia ihany no rafitra politika azo iainanana amin’izao
fotoana izao na dia eo aza ny voka-dratsy entiny, ary ny
olona dia tsy maintsy miezaka manatsara sy manamafy
ireo rafitra demokratika rehetra mba hahafahana manorina
fiarahamonina hanjakan’ny fahafahana sy ny fiarovana ary ny
fanajana ny zon’ny tsirairay, ary tsy ho nofinofy intsony ao
amin’izany fiarahamonina izany ny fitovian-jo.
ASA EO ANIVON’NY FINOANA SY NY
KOLONTSAINA SAMY HAFA
Nandritra ny fotoana nisotroany ronono i Gülen no
nanokana ny heriny manontolo hampifanantona ny asan’ireo
firehan-kevitra (tsy mitovy), kolontsaina, fivavahana ary
firenena tsy mitovy. Nentina teo anatrehan’ny solontenampivavahana manerantany tany ‘Cap’, any Afrika atsimo ny
lahatsoratra nosoratany mitondra ny lohateny hoe : » Ny
ilana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny finoana samy
hafa », ny volana Desambra 1999. Voalazany tao fa : « zavatra
tsy azo ialana ny fifanakalozan-kevitra », ary ny olona, na aiza
Iza Moa I Fethulah Gülen?
15
na aiza firenena iainana, na inona na inona rafitra pôlitika
iainana, dia manana zavatra iombonana maro izay tsy inoany.
Manolona izany rehetra izany, Tamin’ i Gülen dia ilaina sady
mahasoa ny mametraka fifanakalozan-kevitra voasaina tsara
mba hanatsarana ny fifankazahoana. Mba hanatsarana izany
no nanomezany tanana tamin’ny fananganana fikambanana
mpanao gazety sy mpanoratra (1994), ary ny asan’izy ireo
izay namporisika ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifandeferana
eo amin’ny sokajim-piarahamonina samy hafa dia noraisina
am-panajana tamin’ny toerana maro. Mbola ao anatin’izany
tanjona izany ihany koa no nandraisan’i Gülen sy namangiany
olona manankaja sy mahatarika ny mponin’i Turquie, tao koa
ireo olona nanana ny maha izy azy avy amin’ny vazan-tany
efatra. Isan’ireny ny Papa Joany Paoly faha II tao « Vatican »
(efa maty), i John O’Connor arsevekan’i "New York" (efa
maty), I Leon Levy, mpitarika ny vondrona miady amin’ny
fanalam-baraka teo aloha (ligne contre la diffamation).
Nifanapatapakahitra tamin’ireny lehibem-pivavahana manana
ny maha izy azy ireny i Gülen mba hifanazava mikasika ny
fifanakalozan-kevitra eo amin’ny finoana ary mba handraisana
fanapahan-kevitra amin’io toe-javatra io. Any « Turquie »,
ny ambasadaoron’i Vatican sy ny lehiben’ny fiangonana
Orthodox, ny lehiben’ny fiombonambe armenianina ary ireo
lehiben’ny fiombonana jiosy sy olona manana ny maha izy
azy hafa dia matetika no mihaona amin’i Gülen, mampiseho
ohatra amin’ny fifanakalozan-kevitra matotra amin’ireo
olona tsy mitovy finoana amin’ny tenany izany. Tamin’ny
fihaonany tamin’ny Papa Joany Paoly faha II tany « Vatican »
(1998), nanolotra drafitr’asa mikasika ny hanafoanana ny olana
any « Moyen Orient » i Gülen, izay nateraky ny fiarahamiasa
16
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ifotony nifanaovany tamin’io firenena loharano nipoiran’ny
fivavahana telo lehibe io. Marihiny tsara ao amin’io drafitr’asa
io fa na dia sasanangy roa samihafa aza ny hairaha sy ny
fivavahana dia maneho fahamarinan iray ihany : « Matetika ny
zanak’olombelona no mandà (tsy miaiky) ny hairaha noho ny
fivavahana ary mandà ny fivavahana noho ny hairaha amin’ny
filazana fa zavatra roa mifanohitra ireo. Ny fahalalana rehetra
dia avy amin’ Andriamanitra ary ny finoana ihany koa dia
avy aminy. Noho izany, ahoana no ho afaka mifanohitra ireo
zavatra roa ireo? Ilaina ary ny fitambaran’ny ezaka ataontsika
amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-pinoana mba hanatsarana
ny fifankazahoana sy ny fifandeferana eo amin’ny olona samy
olona."
Namoaka fanehoan-kevitra tamin’ny haino aman-jery
manameloka ny fanafihana sy fampihorohoroana miseho
tany Etats –Unis ny 11 Septambra I Gülen. Heveriny fa
iny toe-javatra iny dia niteraka fanointoinana lehibe ny
fandriampahalemana manerantany izay tena manalabaraka
ny mpino. (…) tsy azo ampiasaina amin’ny anaran’ny
finoana silamo na oviana na oviana ny fampihorohorona ary
tsy tanjona silamo. Tsy "musulman" ny mpampihorohoro
ary tsy mba mampihorohoro ny "musulman". Ny musulman
iray dia fitaratra sy tandindon’ny fandriampahalemana, ny
tsara sy ny fanantenana.
Ny ezak’i Gülen ho an’ny fandriampahalemana eran-tany
dia niadian-kevitra, tafiditra amin’ny lahadinika amin’ireo
loabary andasy sy fihaonambe. "Ny fihaonamben’ireo
maherifon’ny fandriampahalemana" (11-13 Avril 2003) tao
amin’ny Oniversirte Texas ao Austin, izay nanaovana ny lisitry
ireo olon’ny fandriampahalemana nandritra ny 5000 taona
Iza Moa I Fethulah Gülen?
17
teo amin’ny tantaran’ny olombelona, voarakitra ho isan’ireo
maherifon’ny fandriampahalemana ankehitriny ny anaran’ i
Gülen, tafiditra tao koa ny anarana hafa toan’i Jesosy, Boudha,
Gandhi, Martin Luther King sy ny Mère Tereza.
Niara niasa tamina revio sy gazety maro i Gülen. Nanoratra
ny lahatsoratra miavaka tao ami’ny magazina maro izy: ny
‘The Fountain, Yeni Ümit, Sizinti, Yagmur, ireo dia magazine
sangany ara-panahy sy fanta-bahoaka indrindra any "Turquie".
Nanoratra boky mihoatra ny 40 izy, lahatsoratra an-jatony
maro ary raki-tsary sy raki-peo anarivony. Nanonona kabary
betsaka mikasika ny finoana sy ny sosialy koa izy. Maro
amin’ireo bokiny izay lafo indrindra any ‘Turquie’ no efa hita
amin’ny teny anglisy, toy ny "Prophet Muhammad: Aspects
of His Life, Questions And Answers About Faith, Pearls Of
Wisdom, Prophet Muhammad as a Commander, Essentials
Of The Islamic Faith, Towards The Lost Paradise sy Key
Concepts In The Practice Of Sufism. Boky maro ihany koa
no voadika amin’ny teny alemana, rosiana, albanay, japana,
indoneziana, espangiola, sy frantsay.
Ny toeram-pampianarana naorin’i Gülen dia nametraka
sampan’asa maro tsy natao hitadiavam-bola, vondrona sy
fikambanana maro any ‘Turquie’ sy any ivelany izay manome
vatsim-pianarana maro.
Na dia anisan’ny endrika fantatra indrindra tao amin’ny
sehatra politika aza I Gülen dia tsy nankasitraka ny hiditra lalina
amin’izany. Anisan’ny nidera an’i Gülen ireo mpanao gazety
malaza, ny avaram-pianarana, ny olon’ny haino amanjery,
ireo mpanao politika sy ny olom-panjakana ambony any
‘Turquie’ ary firenen-kafa maro. Izy rehetra ireny dia mahita
an’i Gülen ho mpanova sy mpanavao ny fiarahamonina ary
18
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mampihatra izay lazainy. Nahatsapa izy ireo fa tena olon’ny
fandriampahalemana izy, ambony fisainana sy manampahaizana
amin’ny fivavahana, mpanolotsaina, mpanoratra sy Poeta,
mpandinika lehibe ary mpitari-dalana ara-panahy izay
nanokana ny fiainany hitadiavana vahaolana amin’ny ratsy sy
ny zavatra ara-panahy tena ilain’ny fiarahamonina. Hitan’izy
ireo fa ny hetsika ataony dia tena mendrika ny fanabeazana:
fanabeazana ny fo amam-panahy sy ny saina. Io fanabeazana
io dia mikendry ny hamelona sy hanamafy ny maha olona ny
olona manontolo mba ho tonga mahay sy afaka manome zavatsoa manala fahasahiranana ny hafa.
LAHATSORATRA
NOTSONGAINA TAMIN’NY
ASAN’I GULEN
FAMPITAHANA NY FINOANA SILAMO
AMIN’NY DEMOKRASIA
N
y Fivavahana, indrindra fa ny fivavahana silamo dia
nanjary sarotra atonina nandritra ny vanimpotoana
vitsy lasa izay. Ny kolontsaina ankehitriny dia nametraka
fomba fijery antropolojika, teolojika, na psikanalitika ka
mametraka ny finoana ho zavatra azo tsapaintanana. Andaniny
ny finoana dia zavatra tsapa sy re ao amin’ny tontolo anaty, izay
mifamatotra amin’ny andavanandron’ny fiainana. Ankilany
ny mpino dia mety mandray ny finoany ho toy ny filozofia,
ho toy ny vondrona fotopisainana mazava sy fifandraisana
tsotra fotsiny amin’Andriamanitra. Tsy mitsaha – mitombo
ny fifangaroana raha ny finoana silamo no asianteny, misy
aza ny mpino silamo sy ny mpanao politika sasantsasany,
raha tokony hihevitra azy ho finoana dia mihevitra azy ho
politika sy sosiolojika ary ekonomika rano fotsiny.
Raha te-hanao fanadihadiana marina mikasika ny
finoana, ny Demokrasia sy ny Filozofia isika dia tsy maintsy
mametraka olombelona sy ny fiainany ho ivompandinihana.
Amin’io fomba fijery io, ny finoana amin’ny ankapobeny,
indrindra fa ny finoana silamo dia tsy azo ampitahaina na
atao mitovy toerana amin’ny rafitra demoktrasia na politika,
sosialy na ekonomika. Ny finoana dia mifototra indrindra
amin’ireo lafiny tsy azo ovaina eo amin’ny fiainana sy ny
fiasana, ny foto-kevitra sy ny lamina pôlitika, na sosialy na
22
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ekonomika kosa dia tsy mahakasika afatsy lafim-piainana
sasantsasany izay mety miovaova eto an-tany.
Ny Finoana dia mifamatotra amin’ny fiainana, tsy mitsahatra
ny fampiarana azy, hatramin’ny nisian’ny olombelona ary
ho mandrakizay. Ny lamina tsy avy amin’Andriamanitra dia
miovaova arakaraky ny toe-java misy, ny zava- mitranga sy
ny zava-misy manodidina azy no hanazava izany. Ny finoana
an’Andriamanitra, ny fiainana any an-koatra, ny mpaminany,
ny boky masina, ny anjely, ny lahatra sy ny anjara, dia tsy
azon’ny fivoarana ijabajabahana. Toy izany koa, ny fomba
nahariana izao tontolo izao, ny fanompoana sy ny moraly, dia
tsy hiovaova ka hanaraka fotoana sy ny fiainana eto ambany
masoandro.
Noho izany, raha hampitaha ny finoana hafa na ny finoana
silamo amin’ny Demokrasia isika dia tsy maintsy atao ao antsaina fa ny Demokrasia dia lamina tsy mitsaha-mivoatra ary
havaozina. Io lamina io dia miovaova arakaraka ny toe-javatra
sy ny toerana hampiasana azy. Mifanohitra amin’izany
anefa, ny fivavahana dia mametraka foto-kevitra tsy miova
mahakasika ny finoana, ny fifantohana amin’Andriamanitra
sy ny moraly. Araka izany, tsy misy afa tsy ny sombin’ny
endrika ivelan’ny finoana silamo ihany no azo ampitahaina
amin’ny Demokrasia.
Ny tanjona avon’ny finoana silamo sy ny halebeazany
dia misy fahasamihafana be dia be amin’ny endri-dalàna
tsy voafaritra mifehy ny fiainantsika. Ny finoana silamo dia
tsy manolotra endrika governemanta tsy azo ovaina, ary tsy
mieritreritra akory ny hanao iray amin’izany. Fa manolotra
kosa ny hevitra fototra izany manoritsoritra ny tokony ho
toetra ankapoben’ny rafipitondrana iray, ary mamela ny
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
23
vahoaka hisafidy malalaka ny karazana sy endri-pitondrana
mifanaraka amin’ny fotoana sy ny toe-javamisy. Raha mazava
izany, dia andeha isika hampitaha ny rafitra demokratika
sy ny leberaly ankehitriny amin’ny finoana silamo, mba
hazoantsika tsara ny mikasika ny fandraisan’ny finoana
silamo ny atao hoe Demokrasia.
Efa hatramin’ny ela ny hevitry ny hoe Demokrasia. Ny
Demokrasia liberaly ankehitriny dia teraka taty afaran’ny
revolisiona nataon’ny amerikanina (1776) sy ny frantsay (1789
hatramin’ny 1799). Ao amin’ny fiarahamonina Demokrasia
dia ny vahoaka no tompon’ny fehefana fa tsy misy fahefana
ambony. Amin’io karazan-drafitra politika io, ny tsirairay
no manana fahefana ambony eo amin’ny fiarahamonina ary
malalaka izy amin’ny fisafidianany izay ho fomba fiainany.
Na dia izany aza anefa dia tsy mahazo vahana be loatra ny
fitsitokotokoana. Tsaratsara kokoa ny fiainan’ny olona
mivelona eo anivon’ny fiarahamonina ary izany dia mitaky
fanekena ny fitsipika apetraky ny fiainam-piarahamonina
izay mametra ny fahafahan’ny tena.
Araka ny tenin’ny mpaminany (Mohammad), ny
olombelona rehetra dia mitovy toy ny nifim-pihogo, na eo
amin’ny firazanana, na eo amin’ny volonkoditra, na eo amin’ny
taona, na eo amin’ny tany niaviana na ny endrika ety ivelany.
Hoy ny mpaminany hoe: "Avy amin’i Adama avokoa ianareo,
ary i Adama dia tanimanga…" "Ry mpanompon’Andriamanitra!
Mifampitondrà toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy". Izay be
taona no manan-karena sy matanjaka kokoa noho ny hafa.
Ireo miandany amina fianakaviana sy foko dia tsy manan-jo
hanjaka amin’ny hafa.
24
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Tohanan’ny finoana silamo ireto hevitra fototra manaraka
ireto:
1- Ao anatin’ny fahamarinana no misy ny fahefana–
fanipahana ankitsirano ny hevitra iombonana hoe
ambonin’ny zo ny hery.
2- Ilaina ny fahamarinana sy ny fampajakana ny lalàna.
3- Tsy azo osiosena ny fahalalahana aran-tsaina sy ny zo
hiaina, ny zo hanana harinkarena manokana, ny zo
hanaranaka sy ho salama (na ara-batana na ara-tsaina)
4- Tsy maintsy apetraka ny zo hanafina ny henatra, sy ny
zo hanana ny fiainana manokana.
5- Tsy misy na iza na iza azo melohina tsy misy porofo
na melohina sy saziana amin’ny heloka vitan’ny hafa.
6- Ilaina ny fametrahana rafitra fanehoana sy fangalana
hevitra, hisian’ny teny herana amin’ny fitantanana.
Zava- dehibe avokoa ny zo rehetra ary ny zon’ny olona
iray dia tsy azo atao sorona ho an’ny tombontsoa iombonana.
Ny finoana silamo dia mametraka fa ny fiarahamonina dia
fitambaran’ny olona tsirairay misaina, manam-pahefana
amin’ny tenany manokana, tompon’andraikitra amin’ny
tenany ary manana andraikitra amin’ ny hafa. Lehibe lavitra
noho izany voalaza izany ny finoana silamo. Ny olombelona
aminy no hery manetsika ny tantara, mifanohitra amin’ny
fomba fisain’ireo filozofa fatalista mpahay tantara tandrefana
niseho tamin’ny taonjato faha 19, toy ny materialisma sy
ny historisma dialektika. Manambara izany rehetra izany
fa ny sitrapon’ny olona sy ny fitondrantenany tsirairay avy
no mamaritra ny vokatra hitranga amin’ny fiainany eto
an-tany sy any ankoatra, ny fandrosoana na fihemoran’ny
fiarahamonina iray ihany koa dia toy izany, toy izany koa
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
25
ny fahitana izao tontolo izao ary ny fomba fiainan’ny olona
ao aminy. Hoy ny Coran: "Andriamanitra dia tsy manova
velively vahoaka iray raha tsy izy ireo mihitsy no mihezaka
ny hiova [izany hoe hanova ny fomba entiny mino, ny fomba
fahitany izao tontolo izao sy ny fomba fiainany] (13:11).
Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ny fiarahamonina
tsirairay no manatanteraka ny faniriana eo ampelantanany.
Ny faminaniana dia manipika izao hevitra izao:" Ho tarihina
arak’izay sitrakareo ianareo". Izany no toetry ny foto-pisainana
demokratika izay tsy mifanohitra velively amin’ny fotokevitry
ny finoana silamo. Satria ny finoana silamo dia mametraka
ny tsirairay sy ny fiarahamonina ho tomponan’andraikitra
amin’izay zavatra tian’ny fony, noho izany ny olona dia tsy
maintsy tompon’andraikitra aminy fitantanana ny zavatra
ataony. Ambetitenin’ny Coran rehefa miresaka amin’ny
fiarahamoniana izy ny hoe: "Ry olombelona! Ry mpino!" Ny
andraikitra ankinina amin’ny lamina demokratika manarapenitra dia tsy inona akory fa ilay omen’ny finoana silamo
ny fiarahamonina ihany ka sokajiany arakaraka ny laharampahamendrehany ho toy izao:"ireo tsy maintsy ilaina,
ireo ilaina, ireo tadiavina". Ilay boky masina indrindra dia
miteny izao manaraka izao: "Ry mpino! Midira tanteraka ao
amin’ny fiadanan’Andriamanitra" mahafoiza amin’ ny zavatra
tsara izay azonareo sy ny vokatry ny tany nomeko anareo.
(2:67); Ireo vadinareo nijangajanga dia aoka ho porofon’ny
vavolombelona efatra aminareo [hanamarinana izany]
(4:15); Mandidy anareo Andriamanitra hamerina ireo zavatra
napetraka am-pitokisana tao aminareo ho an’ny tompony, ary
rehefa mitsara olona ianareo, aoka handala ny rariny (4:58),
Ry mpino, aoka ianareo handala ny rariny ary meteza ho
26
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
vavolombelona masina arak’izay andidian’Andriamanitra, na
dia amin’ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ireo
havana akaiky anareo aza (4:135); ary raha mihavana aminao
ny fahavalonao dia mihavana aminy koa (8:61); ary raha
misy olona ratsy toetra mitondra vaovao ho anareo, diniho
tsara fa sao hanointoina ny tsy manantsiny amina zavatra tsy
fantatra akory(49:6)." Raha fintinina, ny Coran dia miteny
amin’ny fiarahamonina tsy ankanavaka ary manankina aminy
ny asa manontolo izay iandraketan’ny lamina demokratika
ankehitriny. Miara-miasa sy mitsinjara izany andraikitra
izany ny olombelona tsirairay ary mametraka ny fototra ilaina
mba hanatanterahana azy. Ny rafi-pitondrana dia ahitana ireo
fototra ireo. Noho izany, dia mitaky fitondrana mifototra
amin’ny fifanarahana ara-tsosialy. Mifidy ny mpitondra ny
olom-pirenena ary mametraka filankevitra mba handinihina
ny olana iombonana. Ankoatra izany, mandray andraikitra
ny fiarahamonina manontolo amin’ny fanaraha-maso ny
fitondrana. Nandritry ny andro nitondran’ireo mpandimby
an’i Mohammad 4 (632 – 661) no tena nampiharana araka
ny tokony ho izy io endri-pitondrana io, tao anatin’izany ny
fifidianana malalaka. Noho ny fifandirana anatiny sy ny fepetra
takian’ny vanim-potoana no nampiova ny rafi-pitondrana ho
fitondram-panjakana taorian’ny nahafatesan’i Ali, mpandimby
faha efatra. Ny fahefam-panjakana dia nifandovàna, io no
mahasamihafa azy tamin’ny fotoanan’ny Khalifa. Na izany
aza anefa, na tsy misy intsony aza ny fifidianana malalaka, ny
fiombonambe silamo dia nampihatra ireo foto-kevi-dehibe
niteraka ny demokrasia malaka.
Rehefa ny anaran’ny mpaminany Mohammad no tononina
dia miteny foana hoe "ho aminy anie ny fandriampahalemana
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
27
sy ny fitahiana" ho fanajantsika azy, no sady fampianarana
ao amin’ny finoana izany, tsy aminy ihany fa amin’ireo
mpaminany hafa koa, misy toy izany koa amin’ireo mpanaradia azy, tsy hasehontsika ato amin’ny boky ny toy izany,
satria misy tsy mpino silamo hamaky ity boky ity, ireo mpino
silamo kosa aoka hanonona izany mba ho fanajana.
Fivavahana manana ny maha izy azy ny finoana silamo
mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra tokana, tompo sy
mpahary, mpahita ny miafina sy mpitantana izao rehetra izao
izy. Ny finoana silamo dia rafitra fanompoana ho an’izao tontolo
izao, izany hoe, manaraka ny lalàna napetrak’Andriamanitra,
noho izany, izay rehetra eto amin’izao tontolo izao dia ‘silamo"
ary manaiky an’Andriamanitra sy eo ambany fahefany.
Na dia ireo tsy mpino an’Andriamanitra izay misy aza dia
heverina fa anatin’ny finoana silamo satria singa madinika
indrindra amin’ny vatany dia manaraka ny rafitr’Andriamanitra,
nosoritanytamin’nyalalan’nyfahefanyhatramin’nyfahaterahany
ka hatramin’ny fahafatesany sy ny fahapotipotehan’ny nofony.
Ny finoana silamo dia mampianatra fa Andriamanitra, ny
zavaboary sy ny olombelona dia tsy mifanipaka. Maneho ny
fisian’Andriamanitra amin’ny olombelona na ireo zavaboary
na ireo tontolo maha olombelona; ny olombelona sy ny
zavaboary dia toy ny boky fahariana, ka izay voarakitra ao dia
mampahalala an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny olona
hihevitra fa ny zavatra rehetra dia an’Andriamanitra tompo iray
ihany, azy samy irery, ary ety antany dia tsy misy tsy fantany.
Noho izany, ny fahatsaran’ny olombelona sy ny fitiavany ary
ny asany dia tsy natao ho an’ny olona mitovy firazanana, na
iray foko na mitovy volonkoditra aminy ihany. Fintinin’ny
mpaminany amin’izao didy izao Izany:" Manaova toy ny
28
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mpiray tampo ianareo ry mpanompo an’Andriamanitra." Ny
zavatra iray lehibe koa dia ny fankatoavan’ny finoana silamo
ny fivavahana teo aloha. Manaiky ny mpaminany rehetra sy
ny boky masina nalefa tamin’ireo firenen-tsamihafa tamin’ny
tantara mifandimby izy. Ankoatra ny fanekena azy, ny finoana
silamo mametraka sy mino fa izany dia fepetra lehibe takiana
amin’ny maha silamo. Ny mpino silamo dia mpanara-dia an’i
Abraham, Moizy sy i Davida ary i Jesoa sy ny mpaminany hafa
rehetra. Izany finoana izany dia manazava ny fahalalahan’ny
kristianina sy ny jiosy hiaina amin’ny fivavahany manokana teo
ambany fifehezan’ny fitondrana silamo.
Mikatsaka fiarahamonina anjakan’ny fahamarinana
sy ankatoavin’Andriamanitra mandrakariva ny lamimpiarahamonina silamo. Tsy azo ekena ny fifanafihana.
Tsy maintsy mifototra amin’ny finoana, ny fitiavana, ny
fifanajana sy ny fifanampiana ny fifandraisana fa tsy amin’ny
fifandirana sy ny fitadiavana tombontsoa manokana. Ny
fanabeazana sosialy dia natao hamolavola sakana amin’ny
fanirian-dratsy ary mankahery antsika araka izay azo atao
mba hanatsarana ny tsaratsara kokoa amin’ny fitarihana
ny fontsika hanaraka tanjona ambony. Mitaky firaisankina
ny zo, mitarika tsy fisaraham-bazana sy fifanampiana ny
fahamarinana, ary miantoka ny firahalahiana ny finoana.
Mitondra fahasambarana ety antany sy any andanitra ny
fitarihana ny fanahy ho amin’ny mendrika kokoa.
Mivoatra manaraka ny fivoaran’ny fotoana ny Demokrasia,
Nandalo dingana maro teo aloha izy ary tsy mitsaha-mivoatra
sy mihatsara hatrany hatrany. Izany lalana nodiaviny izany no
nahatonga azy ho lamina iray tena mifanaraka amin’ny maha
olona sy marina, lamina mifototra amin’ny tsara sy ny zava-misy.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
29
Raha heverina ho toy ny vondrona iray ny zanak’olombelona,
tsy atao ambanin-javatra ny tontolo ara-panahy sy ny fisiany
ary tsy adinoina koa fa ny fiainan’ny olombelona dia tsy
voafetra eto amin’ity fiainana mandalo ity ary ny tsirairay dia
mangetaheta ny fiainana mandrakizay, mbola ho tonga lafatra
ny Demokrasia ary hitondra fahasambarana misimisy kokoa ho
an’ny zanak’olombelona, ny finoana silamo rahateo hanampy
azy amin’ny fandalana ny fitovianjo sy ny fifandeferana ary ny
fahamarinana.
Fanamarihana:
Cet article a d’abord été publie dan SAIS Review ; 21 :2 (été automne
2001) : 133-38. Reimprime avec permission .
1
Abu Shuja’ Shirawayh ibn Shahrdar ad-Daylami,Al-Firdaws fi
Ma’thur al-Khatab (Le Jardin Celeste Compose de Selections
des Paroles de Prophete) (Beyrouth: Dar al-Kutub al-Ilmya,
1986),4:300.
2
Pour la deuxième partie de hadith, voir les sections "Nikah"
(contrat de mariage) dans Abu‘Abdullah Muhammad ibn Isma’il
al-Bukhari, ed., al-jami’ as-Sabih (Une Compilation des Tradition
Authentique du Prophète) (Istanbul : al-Maktabat al-Islamiya ,
n.d), ch.45 ; "al-Birr wa as-Sila" (Etre Bon et Visiter ses Proches)
dans Imam Husayn Muslim ibn Hajjaj, ed.,al-Jaami’as-Sahih,op. cit.,
ch.23 ; et pour la première partie voir "Tafsir" (Les commentaires
Coraniques) et ‘‘al-Manaqib" (Les Vertus du Prophète et de Ses
Compagnons) dans Abu ‘Isa Muhammad
Ibn’Isa al-Tirmidhi, al-Jami’as-Sahih (Beysouth : Dar Ihya atTurath al-Arabi, n.d.), chs. 49 et 74, respectivement. Le texte
original en arabe n’inclut pas le mot "sœurs" dans l’injonction .
toute fois, la forme masculine utilisée fait référence a la fois aux
hommes et aux femmes, comme c’est le cas dans beaucoup de
langues. L’équivalent en français pourrait être le mot "humanité"
30
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
qui se réfère aux hommes et aux fammes.En disant "o serviteur de
Dieu"
Le Prophete sous-entend aussi les femmes, car tous deux sont
égaux dans leur servitude a Dieu.
Une approche comparative de l’islam et de la démocratie pages 19
3
See Karl R. Popper,The Poverty of Historicism,trad. Sabri Orman
(Istanbul: Insan Yayinlari, 1985).
4
Ala al-Din ‘Ali al-Muttaqi al-Hindi, Kanz al-’Ummal fi Sunan alAqwal wa al-Af’al (tresor de Ceux qui oeuvrent pour l’Amour des
Paroles et des Acte du Prophete) (Beyrouth: Mu’assasat al-Risala,
1985), 6 :89
EO ANTOKONAN’NY TAONA
ARIVO VAOVAO
N
y maraim-baovao, ny fiposahan’ny masoandro, ny
lohataona dia midika fanombohana vaovao, tsy misy
hafa amin’izany ny taonjato vaovao sy ny taona arivo vaovao.
Eo anatrehan’izany, teren’ny fotoana tsy misy fitsaharana
ny zanak’olombelona ka mitady fiainam-baovao sy rivotra
malefaka kokoa noho ny rivo-baovaon’ny maraina ary naniry
sy nanantena ho tafavoaka moramora ny haizina ho any
amin’ny fahazavana toy ny mandingana tokonana
Tombatombana fotsiny no azotsika atao raha ny mahakasika
ny fotoana nipoiran’ny lehilahy sy vehivavy voalohany niaina
teto an-tany. Toy izany koa ny niandohan’ny lanitra sy ny tany
araka ny nandaharan’Andriamanitra azy; araky ny maha izy azy
tanteraka sy ny lanjany, izay nataony mba ho an’ny olombelona.
Araka ny tety andro mahazatra dia eo antokon’ny taona arivo
faha telo aorian’ny nahaterahan’i Jesoa isika (ho azy anie ny
fandriampalemana), Ny fotoana anefa miodina sy miroso
manodidina ny zava-misy mifamahofaho, araka ny fomba
samy hafa entina mandrefy azy misy eto an-tany. Ohatran’ny
fandrefesana ny fotoana tena ampiasaina ankehitriny dia
milaza fa eo amin’ny faritra handinganana arivo taona vaovao
izao tontolo izao. Ny refy andro jiosy indray dia milaza fa eo
amin’ny tapany faharoan’ny taona arivo fahavalo isika izao, ary
ny rafi-potoana Hindo dia miaina anaty ny vanim-potoana Kali
32
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Yuga isika . Ary raha manaraka ny refy andro silamo, isika dia
mamarana ny tapany voalohany amin’ny taona arivo faharoa.
Tsy maintsy tsiahivintsika fa na dia miovaova ny fomba
fandrefesana fotoana, na dia ekena fa zato taona aza ny
taonjato iray dia mendrika ho lazaina taonjatato iray koa ny
60 taona hiveloman’ny olona iray. Raha io fomba fijery io dia
efa ao anatin’ny taona arivo fahaefatra aorian’ny nahaterahan’i
Jesoa isika izao ary ao anatin’ny taona arivo fahatelo aorian’ny
fanombohan’ny refy andro silamo. Sokafako izany ady
hevitra izany noho ny disadisa ara-panahy miseho, indrindra
fa any amin’ny tany tandrefana izay mety hiteraka toe-javatra
mahatsiravina amin’ny taona arivo manaraka.
Mivelona ao anatin’ny fanantenana mandrakizay ny
zanak’olombelona ary zanaky ny fanantenana. Na dia eo aza
ny fisian’ny vatana nefa tsy misy ny fanantenana dia toa maty
ihany ny afom-piainany. Mitovy lanja tanteraka amin’ny
finoana ny fanantenana. Ny ririnina dia ampahefatry
ny taona iray ary na ny ririnim-piainan’ny olona iray
na ny an’ny fiarahamonina dia fotoana fohy ihany. Ny
asan’Andriamanitra dia mitohy mihodina am-pahendrena
anaty famindram-po, tahaka ny andro sy ny alina mifandimby
ny fanantenana, mamelombelona ny fanahy, tahaka ny taona
vaovao mampitsimoka fanantenana fa hahita lohataona sy
fahavaratra indray, ary na eo aza ny fiaina-mangidy fohy eo
amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny tantaram-pirenena dia
eo ihany koa ny fotoan-tsambatra.
Izay manam-pinoana, mahatakatra sy mahay mandanjalanja
tsara, dia mahafantatra fa ny fihodikodin’ny andro, dia fahendrena
avy amin’Andriamanitra ka tsy tokony hampatahotra na hahalasa
saina. Ny mifanohitra amin’izany aza, loharanom-pandinihana
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
33
sy fahatsapana izany ary fampahatsiahivana ho an’izay manana
fo mahatsapa, sy fanahy mahay mandray ary sofina mahay
mihaino. Toy ny niforonan’ny andro tao anatin’ny alina sy ny
namolavolana ny lohataona teo am-pandrin’ny ririnina no
hanadiovan’ny fiainantsika amin’ny fahalotoana.
Mamokatra izy ary manome voa izay nantenaina taminy
amin’io fotoana io. Ao anatin’io koa no hahatonga ny maha
olombelona, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra hitombo
talenta, ka ny hairà hamony toy ny raozy hamorona ny teknolojia
araka ny fivoaran’ny fotoana, ary ny olombelona hiroso tsikelikely
mankany amin’ny ilay tsy maitsy hiafarany.
Rehefa hitantsika izay fijery ankapobeny izay, izay sady
tsy hevitra olon-tokana no tsy hevitra an-tendrony fa ny
zavamisy sy azo tsapain-tanana teo amin’ny tantaran’ny
olombelona, tsy mety ny mametraka fa mety amintsika
ny ririnina satria mihomana ery isika mandray azy, na ny
vanimpotoana fangirifiriana mitovitovy aminy, toy ny aretina
sy ny fahasimban-javatra. Rehefa marary dia toherin’ny vatana
ny aretina, mandritra izany, mihamafy ny hery fiarovana no
sady miha mandroso ny fitsaboana, noho izany, tsy dia hoe tsy
ilaina loatra ny aretina na hoe manimba fotsiny. Toy izany koa
ny loza ety antanety sy ny lanitra. Raha araka ny fomba fijery
teolojika sy moraly, ireny loza ireny dia vokatry ny haratsiantoetra sy ny fahotantsika izay efa mila hampihovitrovitra ny
tany aman-danitra ary koa vokatry ny fihoaram-pefy sy ny
tsy fanarahan-dalana (lalanam-pinoana na fiarahamonina).
Ny loza dia mampiseho amin’ny olombelona ny taratry ny
tsy mety nataony ka mampifoha azy amin’ny torimason’ny
tsy fitandremana ary miteraka ny fivoaran’ny "géologie" sy ny
haimaritrano sy ny fomba entina miatrika ny loza. Na izany
34
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
aza anefa, miteraka fahasimban-javatra ho an’ireo mpino tsy
manan-tsiny ka hamoizany harena, sy hamoizany ny ainy,
manimba ny zanak’olombelona tokoa ireny loza ireny.
Ary raha mamaky ny "Coran" isika dia mahita izao teny
izao: "Raha tsy nataon’Andriamanitra nifampisakana ny
olona dia ho potika avokoa ny tempoly sy ny fiangonana sy
ny sinagoga ary ny masdjid (mosque) izany hahatsiarovana
mandrakariva ny anaran’Andriamanitra"(22:40). Izany hoe,
raha tsy nisy izany, Andriamanitra dia tsy ho fantatry ny
olona, tsy hanaiky ny fisiana na iza na iza eo amboniny ny
olombelona ary tsy hino fa hotsaraina ireo zava-bitany any
ankoatra, hirenireny fahatany izy sy hampanjary ny tany ho
toerana tsy azon’ny olombelona iainana koa. Mbola ao koa
ity didin’Andriamanitra ity: "Mety hankahala zavatra iray
ianareo kanefa tsara aminareo izy, ary mety ho tia zavatra
iray izay ratsy aminareo ianareo" (2:216), ohatra, mety ilaina
ny ady. Misy ny fepetra sy ny lalana manokana mifehy azy,
noho izy natao hanatsarana ny toe-java-misy mba ahitana
fahasoavana, tsy mety anefa ny maniry mba hiady satria
ratsy ny loza aterany. Mamela toeram-ponenana potipotika
sy fianakaviana rava sy maty vady maro ary kamboty betsaka
mitomany izany.
Na izany na tsy izany anefa dia tsy azo atao ambany
maso tsy hita na odiana tsy fantatra ny zava-misy eo
amin’ny fiainana. Ny zanak’olombelona dia fitaratra
itarafana ny andraikitr’Andriamanitra sy ny anarany ary
miavaka amin’ny zavaboary hafa rehetra noho izy nomena
voninahitra ho mpiandraikitra hanabe voa ny tany amin’ny
anaran’Andriamanitra. Raha tsy raisiny ny fahendrena ary
tsy fantany ny tanjona miafina ao amin’ny tsara sy ny ratsy
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
35
izay isedran’Andriamanitra azy amin’ny lalan-kizorany, tsy
afaka handresy ny fahakiviana sy ny fakam-panahy izy. Ho
azy ireo dia toy izay hita ao amin’ny asa soratr’ireo tsy mino
afatsy ny fiainana an-tany "existansialiste", miova ny fiainana
kanefa tsy misy dikany, zavapoana tsy ilaina akory ny fisiana,
tsy misy dikany na dia kely aza, aleo mamono tena ary ny
fahafatesana dia manjary zavamisy tsy azo ioharana.
NY TENA TOETRA FOTOTRY NY
ZANAK’OLOMBELONA
Hitantsika teo ny fototra iorenan’ny zavatra tiana horesahina
ka afaka mandinika ny amin’ny taona arivo fahatelo amin’izay
isika izao.
Ny tantaran’ny zanak’olombelona dia nanomboka tamin’ny
olona roa, izy ireo mifameno no maneho ny fototra maha
olombelona ny olombelona. Tamin’io fotoanan’ny ray sy ny
reny voalohany io sy ny taranaka avy aminy dia nanana fiainana
milamina ny olona. Namolavola fiarahamonina tsy misaramianakavy izay nanjakan’ny firaisantsiana, nifampizara toerana
sy fomba fiaina mitovy.
Tamin’izany fotoana izany dia afaka nivelona tsara toy
izany koa ny olona. Ny zava-misy manodidina ny fiainany,
ny firafiny ara-batana, ny toetoetra fototra ananany, ny filàna
tena tsy azony ialàna, ny fahaterahana sy ny fahafatesany,
ny safidin’ireo ray amandreny sy ny isam-batan’olona, ny
tontolo voajanahary manodidina azy dia tsy nisy fiovana.
Ny fahamarinana sy ny soa toavina dia tsy mba azo ovaina
fa takiana sy ilaina ary saro-pady tokoa; Ka ny fivoarana sy
ireo filàna azo ovaovaina eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy
mifototra sy manaja ny fahamarina sy ny fahamasinan’io
36
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fototra tsy miova voalohany io, noho izany ny fahasambarana
eto an-tany dia afaka mifampitohy sahady amin’ny alok’ilay
fiainana any ankoatra.
Nolazaintsika tery ambony ireo zavatra manimba sy ratsy
toy ireo toetra sasantasany ananan’ny zanak’olombelona,
ny fankahalana, ny fialonana, ny fifandrafesana, ny fanirina
hanjakazaka, ny fitiavantena fahasiahana, ny hafetsena sy izay
mety niseho tany aloha. Ny olona ihany koa dia manana hery
sy filàna hafa mba hampitohy ny fiainany, toy ny mihinana
sy misotro, ny filan’ny nofo sy ny hatezerana. Ny filàna
rehetra sy ny fanirian’ny olombelona dia tsy maintsy ahitsy
sy ampifanarahana amin’ireo soa toavina tsy azo ovaina, izay
tsy mety lefy sy iraisan’ny rehetra izay mahakasika ny toetra
fototry ny zanak’olombelona. Raha izany no dinihina, ny
filana hihinana sy hisotro, ny faniriana mbamin’ny faniriandratsy sy ny fahatezerana dia azo fehezina sy ovana ho lasa
fitaovana hanaovana zavatra mendrika.
Toy izany koa, ny fitiavantena sy ny fankahalana dia azo
ajariana ho loharano hipohiran’ny tsara sy ny hatsaram-po.
Ny fialonana sy ny fifandirana dia azo ovana ho fifanampiana
amin’ny fanaovana asa soa. Ny eritreritra te-hanimba ny
hafa dia azo ovana ho fiadiana amin’ilay ratsy (satana) izay
tena fahavalon’ny olombelona goavana indrindra ary entina
manohitra koa ny fifahavalozana sy ny fankahalana. Ny
tsy fahalalana onona sy ny didoha dia mety hampitombo
ny hafanampon’ny olona iray ary mitarika azy hahavita asa
tsara tsy misy fijanonana. Ny fitiavantena dia maneho ny
lafiratsin’ny fanahy izay mitady hanao amboletra sy handoto
ny fanahy raha tsy toerina amin’ny asa ratsiny.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
37
Ny heritreri-dratsy rehetra dia azo ovana ho loharano
ipoiran’ny tsara, amin’ny alalan’ny fanazaran-tena hiala aminy
sy ny fanoherana azy. Izany no hatratraran’ny olombelona ny
fahamboniana indrindra manoloana ireo zavaboary hafa, ny
fanavatsavan’ny olombelona ny lalan’ny fanovana ny hery
ao aminy no hahatonga azy ho tena olona tonga lafatra, ka
hanjary ho fitaratra sy ho modely amin’ny zavaboary misy
eto ambany masoandro.
Manoloana an’izany toe-javatra izany anefa, tsy manaraka
mandrakariva izany lalana mahitsy izany ny zavamisy eo amin’ny
fiainan’ny zanak’olombelona. Mbola mandresy ny olombelona
matetika ny toetra sy ny eritreri-dratsiny, mbola mifehy azy
tanteraka, ka na dia ny fivavahana izay natao hitarika azy ireo
hanao tsara sy ho tsara fo aza dia tsinotsinoaviny, ataony toy
izany koa ny hatsaram-po sy ny fanaovana ny tsara izay loharano
hipoiran’ny fahamendrehana. Ny fiainan’ny zanak’olombelona,
na tsirairay na izy rehetra dia ny fivondronan’ny heriny sy ny
ady ataony amin’ny tenany ary ny fisehon’izany ety ivelany.
Io toe-javatra io no mamolavola ny maha olona ny olona ny
fiarahamonina, ny tantara, ny sahan’ady, ny tolona, ny ady
goavana, ny fangejana sy ny halozana. Ireo toe-javatra ireo no
hamolavolan’ny zanak’olombelona ny maha izy azy.
Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mioty ny vokatry ny ezaka
ataony mandrakariva. Hatramin’ny fiandohan’ny tantarany
dia fiainan-tsambatra no niainan’ny zanak’olombelona,
fiarahamonina tsy misaramianakavy izay nifampizarana
ny hafaliana sy ny fahasahiranana, nanjary jioga arafesina
miaraka ami’ny rojon’ny fangejana namatotra ny vozona sy
ny tongotra anefa izany noho ny fialonana, ny tsy fahalalana
onona ary ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa sy ny zony.
38
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Vokatr’izany dia novonoin’i Kaina i Abela. Teo no nidiran’ny
olombelona tamin’ny lalan’ny fisaraham-bazana. Na dia
mandalo sy mifandimby toy ny andro aza ny taona arivo maro
dia mbola mitohy hatrany ny tsingerim-pizaran-taona.
NY TAONA ARIVO FAHAROA
Ny taona arivo faharoa dia niara-nanomboka tamin’ny ady sy
ny fanafihana nataon’ny « mongole » ny mpino silamo, izay
nisongadina teo an’ivon’ny tany sy ny tantara. Na dia teo aza ny
ady sy ny faharavana sy ireo heloka vita, na tamin’ny anaran’ny
fivavahana, na tamin’ny fampisondrotana ara-toekarena sy
politika ary miaramila, dia tamin’io taona arivo io no tena
nampirongatra ny fandrosoana tantsinanana, izay mifototra
indrindra tamin’ny soa toavina ara-panahy, metafizika, ho
an’ny rehetra sy tsy manampetra, sy ny fandrosoan’ny tany
tandrefana mifototra tamin’ny hairà fizika. Izany no niteraka
fikarohana goavana ara-jeografia sy ara-tsiantifika.
Na izany aza anefa, samy naka ho azy ny fandrosoana
tatsinanana sy tandrefana. io fisaraham-bazana io izay tsy
tokony nisy mihitsy, dia mifototra amin’ny tsy finoana ny
fisian’Andriamanitra sy ny fihononana fotsiny amin’izay
hitamaso sy azo tsapain-tanana nataon’ny andaniny ary ny
fanirian’ny ankilany ny zavatra ara-panahy, ny metafizika sy
ny soa toavian tsy miova sy mandrakizay.
Vokatr’izany, ny taonjato taorian’io taona arivo io
dia nahitana fahasimban-javatra mahatsiravina. Noho ny
fitomboan’ny fiavonavonana sy ny fitiavantena, satria hono nahita
fahombiazana, dia voatery miharitra ny fanandevozan’izao
tontolo izao, miharitra vono olona mihoampampana ny
zanak’olombelona, fihetsiketsehana namoizana ain’olona tsy
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
39
hita pesipesenina, ady mandatsa-drà sy fahasimban-javatra,
fanavakavahana ara-bolokoditra sy rafitra ekonomika sy
sosialy miangatra, ary rindrim-by no najoron’ny fitondrana
sasany, foto-kevitra mifanohitra tanteraka amin’ny marina, ny
fahafahana, ny fahamendrehana sy ny haja maha olombelona.
Noho izany anton-javatra izany sy ny fanambarana ao
amin’ny baiboly no antony natahoran’ny olona tandrefana
maro ny hiverenan’izao tontolo izao indray ao anatin’ny rà
mandriaka sy ny fasimbana. Miahiahy sy mitaintaina izy ireo
amin’ny fiavian’ny taona arivo vaovao.
NY ANTENAINTSIKA
Zary toa tanana kely iray izao tontolo izao noho ny fivoarana
teo amin’ny sehatry ny serasera sy ny fitaterana manara-penitra.
Arak’izany, ny andrasana dia ny hoe ireo firenena vitsy an’isa
ireo ihany ve no tompon’andraikitra amin’ny fiovana ifotony
misy, ka izay mihonona fotsiny amin’ny sisin-taniny dia
hijanona tsy hahafantatra ny zava-misy ankehitriny. Andron’ny
fifandraisana sy ny fifanomezan-tanana izao taona misy antsika
izao. Ny firenena sy ny mponina dia mila fifampiankinana,
izany no mahatonga ny fifanantonany amin’ny fifandraisana.
Io tambazotram-pifandraisana io izay tsy ahitana taratra
fanjakazakana miharo amboletra fa mifototra amin’ny
tombontsoa iombonana sy miantoka ny anjara masoandron’ny
osa. Ankoatr’izany, noho ny fandrosoan’ny teknika sy ny
elektronika, ny fifandraisana sy ny fifanakalozam-baobao
dia manjary azon’ny rehetra atao. Vokatr’izany, homena
ny laharampahamehany ny isambatan’olona ary ny rafipitondrana tsy refesimandidy dia tsy maintsy hiova ho
fitondrana demokratika izay manaja ny zon’olombelona.
40
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Satria ny olona tsirairay dia mifampiankina, noho izany ny
zon’ny tsirairay dia tsy azo atao sorona ho an’ny fiarahamonina
fa ny zom-piarahamonina no tsy maintsy miankina amin’ny
zon’ny tsirairay. Noho izany anton-javatra izany, ny
zon’olombelona sy ny fahafahana fototra izay ambaran’ny
fivavahana no nahatonga ny olona tandrefana iray trotraky
ny ady hiova fo. Laharampahamehana tokoa ireny rehetra
ireny, Lohalaharana amin’ireny zo ireny ny zo hiainana izay
ankatoavin’Andriamanitra ary avy aminy. Mba hanamafisana
ny maha zava-dehibe izany zo izany amin’ny mpino silamo,
ndeha ho ambarantsika eto ny iray amin’ireo foto-kevidehiben’ny Coran: "Na iza na iza mamono olombelona izay
tsy nandatsaka aina, tsy nanakorontana teto an-tany akory,
dia toy ny mamono ny olombelona manontolo. Ary izay
manavotra ain’olona dia toy ny mpanavotra ny fiainan’ny
zanak’olombelona manontolo" (5:32).
Ny zo hafa dia ny fahalalahany mieritreritra sy misaina ary
maneho hevitra; ny zo hanan-javatra sy zo hiaro ny fiainantokatranony manokana amin’ny herisetra; ny zo hanorintokatranosyhanan-taranaka;nyzohifaneraserasynyfahalalahany
hietsiketsika, ny zo ho beazina sy ny fahalalahan’izany. Ny
fotokevitry ny lalàna silamo dia mifahatra amin’ireo zo ireo
kanefa mbola misy hafa koa hifotorany, toy ny fiarovana ny
aina, ny fivavahana, ny fananana, ny famokarana sy ny fisainana
ary koa ny fitovian’ny zanak’olombelona tsirairay mifototra
amin’ny maha olombelona azy, ny fanaovana anjorom-bala
ny fanavakavahana ara-pirazanana, ara-bolokoditra sy ny teny.
Ireo zo ireo sy ny fahafahana no tsy maintsy hifotorana sy
hanorenana ny taona arivo vaovao.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
41
Mino aho ary manantena fa ny tontolon’ny taona arivo
vaovao dia tontolo sambatra kokoa, marina sy mamindra fo
kokoa, mifanohitra amin’ireo fanahian’ny sasany. Faka iray
no nipoiranan’ny finoana silamo, ny kristianina, ny jiosy ary
mitovy fototra sy mivelona amin’ny loharano iray. Na dia
heverina ho toy ny fivavahana mifanohitra aza izy ireo nadritry
ny taonjato maro, ny zavatra iombonany sy ny andraikitra
iraisany dia hanorina tontolo mahafinaritra ho an’ny
zavaboarin’Andriamanitra manontolo, izany no ilana kabary
andasy sy fifanakalozan-kevitra. Io fifanakalozan-kevitra io dia
efa mihitatra hatrany amin’ny finoana any Azia sy any amin’ny
faritra hafa. Mahavelom-panantenana ny vokatra amin’izany.
Toy izay efa nambarantsika tery ambony, io fifampiresahana
io no dingana tsy maintsy ilaina sy ankatoavin’ny fivavahana
rehetra ary ao no ahitana hifanantonan’ny tsirairay sy
hifanomezany tanana.
Ny taranaka teo aloha no vavololombelon’ny ady
mangotraka izay tsy tokony hisy: dia ny adin’ny hairà, sy
ny fivavahana. Io fifandirana io no niteraka ny tsy finoana
an’Andriamanitra sy ny materialisma izay misy fiantraikany
bebe kokoa tamin’ny fivavahana krsitianina mihoatra
amin’ireo fivavahana hafa. Tsy afaka hanohitra ny hairà
ny fivavahana satria ny tanjony dia ny hahafantatra ny
zavaboary sy ny zanak’olombelona izay endrika mampiseho
ny asan’Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny heriny. Ny
tenin’Andriamanitra no loharano nipoiran’ny fivavahana,
maneho izany ny tantaran’ny zanak’olombelona izay hita
anaty boky masina toy ny Coran, ny filazantsara, ny Torah
sy ny hafa. Noho ny ezaka nataon’ny telojiana kristianina
sy silamo ary ny mpahay siansa no nampilamindamina
42
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ny fifandirana teo amin’ny siansa sy ny fivavahana izay
nandritry ny an-jato taonany, ary efa fantatra ny zavatra
mampifanolana azy.
Ny fiafaran’io fifanolanana io dia ny fametrahana lamimpanabeazana vaovao izay mampifandray ny fahalalana arapivavahana sy ara-tsiansa, ny ara-moraly sy ny ara-panahy izay
manefy taranaka mazava fo amin’ny fahalalana ara-pivavahana
ary ny sainy dia azavain’ny siansa, tanora manana toetra
mendrika ny maha olombelona sy ny soa toavina ara-moraly,
tsy atoro voanjo adina amin’ireo fepetra ara-tsosialy ekonomika
ary politika amin’ny vanim-potoana iainany. Ity tontolontsika
antitra ity dia ho vavolombelon’ny lohataona mamirapiratra
alohan’ny hiafarany. Hahita ny fialan’ny elanelana eo amin’ny
mahantra sy ny manan-karena io lohataona io, ny fitsinjarana
ara-drariny ny haren’izao tontolo izao arakaraky ny asany
sy ny vola ary ny filana; ny fandevenana ny fanavakavahana
ara-bolokoditra sy ara-pirazanana, ny teny sy ny fahitana
izao tontolo izao, ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny
tena fahafahana. Hahazo ny laharampahamehany ny isambatan’olona, afaka hanabe voa ny maha izy azy, ho lasa laharana
ambony indrindra amin’ny zanak’olombelona izy noho ny
elatry ny fitiavana, ny fahalalana sy ny finoana.
Mandritra io lohataona vaovao io, ny olona dia hahatsapa fa
ny toerana misy ny siansa sy ny teknolojia ankehitriny dia mbola
toy ny an’ny zaza vao mandady. Mahavita mankany amin’ny
abakabaka mora kokoa noho ny mankany amin’ny firenena
iray ny olona. Ny mpandeha amin’ny lalan’Andriamanitra dia
izay tena feno fitiavana ary tsy manan-toerana ao aminy ny
fifandrafesana, izy irery no hitondra ny hafatra ho an’ny tontolo
hafa.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
43
Ekena tokoa, io lahataona io dia mifototra amin’ny fitiavana,
ny fangorahana, ny famindram-po, ny fafanakalozan-kevitra ny
fifandeferana, ny fifanajana, ny fahamarinana sy ny zo. Ao amin’io
vanim-potoana io no tena hahatsapan’ny zanak’olombelona ny
tena maha izy azy. Ny hatsaram-po sy ny fiheveran’ny hafa, ny
fangorahana sy ny fahamarinana no tena mamolavola ny maha
izy azy izao tontolo izao. Na inona na inona hitranga, na ho
ela na ho haingana, tsy maintsy hizotra amin’io lalana io izao
tontolo izao ary tsy azon’iza na iza sakanana izany.
Mivavaka isika ary mangataka amin’ilay tsy misy fetrany
ny indrafony mba ho tanteraka ny faniriantsika sy ny zavatra
andrasantsika.
Fanamarihana:
•
Ity lahatsoratra ity dia an’i M.Fathullah Gulen nivoaka tamin’ny
gazety The Fountain 3:29 (Janvier-mars 2000): 7-8.
NY ILANA NY FIFANAKALOZAN KEVITRA
EO AMIN’NY SAMY FIVAVAHANA
FAMPIDIRANA
A
nkehitriny, resahin’ny olona matetika ny mikasika ny loza
ateraky ny ady sy ny fifanolanana tsy misy fitsaharany,
ny fahalotoan’ny rano sy ny rivotra iainana, ny tsy fahampiantsakafo, ny fihenandanjan’ny soa toavina ara-moraly, sy ny sisa.
Vokatr’izany, lasa laharampahamehana ny fandriampahalemana,
ny fitadiavana fahafaham-po, ny fiarovana ny tontolo iainana,
ny fahamarinana, ny fifandeferana sy ny fifanakalozan-kevitra.
Ary mbola eo koa ireo fepetra mahavelom-panantenana satria
izay rehetra miezaka ny hamaha ny olana dia mikatsaka ihany
koa ny fiarovana ny tontolon’ny zavaboary, sy ny fomba
hamehezana ny fitaovam-piadina mahery vaika. Eo ihany
koa ireo resaka vetaveta miparitaka amin’ny haino aman-jery
indrindra fa ny interinety.
Ireny olana ireny no niteraka ny fotokevitra materialista
izay misakana ny finoana tsy hanana ny akony intsony eo
amin’ny fiainana ara-tsosialy amin’izao androntsika izao.
Vokatr’izany tsy lavorary intsony fandanjalanjana misy eo
amin’ny maha olombelona sy ny zavaboary, eny fa na dia ny
samy olombelona aza ankehitriny. Ampahan’olom-bitsy no
mba mahatsapa fa ny firindrana ara-tsosialy sy ny fanajana ny
zavaboary, ny olona samy olona sy ny isam-batan’olona dia
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
45
tsy hisy, raha tsy miaraka ny ara-materialy sy ny ara-panahy.
Ny fanajana ny zavaboary, ny fandrianampahalemana sy
ny fahamarinana eo amin’ny fiarahamonina, ny tena maha
izy azy ny tsirairay dia tsy hisy mihitsy raha tsy manaja
an’Andriamanitra.
Ny fivavahana no mampifanantona ireo noheverina
fa mifanohitra, ka anjary afaka hiaraka: siansa/ fivavahana,
aty antany/ any ankoatra, voary/ boky masina, ara-batana/
ara-panahy, vatana / fanahy. Afaka manangana fiarovana
amin’ny famotehana ateraky ny materialisma siantifika ny
finoana, mametra ny siansa amin’izay tena toerana tokony
hitsy azy marina, ary afaka mampitony ireo fifandiran’ny
firenena samy firenena sy ny mponina samy mponina
hatramin’izay fotoana lava izay. Ny hay zavaboary (sciences
naturelles) izay tena manoritra tokoa ny lalana mazava
mankany amin’Andriamanitra indray no lasa sakana tsy
misy toa azy, antony iray lehibe mahatonga ny tsy finoana
an’Andriamanitra. Lasa fototra niavian’io tsy finoana io ny
tandrefana, hita taratra tanteraka teo amin’ny kiristianisma
ny hevitry ny tsy mpino, tsy azo hialana noho izany ny
fifanakalozankevitry ny mpino silamo sy ny Kristianina.
Ny tanjon’ny fifampidinihana eo amin’ireo finona misy
eto an-tany dia tsy hoe ny fampitsaharana ny materialisma
siantifika sy ny foto-kevitra materialista mpanimba fotsiny.
Ny maha fivavahana ny fivavahana mihitsy no mitaky io
fifanakalozan-kevitra io. Samy resy lahatra ny kristianisma
sy ny jodaisama ary ny silamo, eny na dia ny hindoisma sy
ny finona hafa aza fa fototra iray ihany no nipoirana, ary
ny bodaisma aza dia mbola izany koa no tanjony. Amin’ny
maha mpino silamo, dia manaiky ny mpaminany rehetra
46
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
sy ny boky masina rehetra nalefa tamin’ireo firenena samy
hafa namakivaky ny tantara aho. Fepetra takiana mba haha
mpino islam izany, Mpanaradia an’i Abrahama sy i Moizy
sys y Davida ary i Jesoa sy ireo mpaminany hafa ny mpino
silamo. Ny tsy finona ny iray amin’ireo mpaminany ireo
sy ny boky masina dia midika fa tsy fanarahana ny finoana
silamo. fantatsika amin’izany ny mahatokana sy ny maha
iray ny fivavahana, izay fandaminana ny fahasoavana sy ny
famindram-po avy amin’Andriamanitra, ary ny fiankinam-po
amin’ny fivavahana dia manenika an’izao tontolo izao. Noho
izany, tambazotra mahasahana ny olombelona manontolo ny
finoana ny fivavahana, lalana iray mampivondrona ny olona
hankeo amin’ny firahalahiana.
Ankoatran’ny fomba entiny misafidy ny fomba hiainany
ny finona amin’ny andavan’androny, dia eo ireo soatoavina
iombonana iaraha-manaiky toy ny fitiavana, ny fifanajana,
ny fandeferana, ny famelan-keloka, ny famindram-po, ny
zon’olombelona, ny fandriam-pahalemana, ny firahalahiana,
ny fahafahana, izay tena takian’ny fivavahana tokoa. .Ny
ankamaroan’ireo soa toavina ireo dia ambony tokoa araka ny
hafatra nampitain’i Moizy sy Jesoa ary Mohammed, na tao
amin’ny hafatra nampitain’Boudha sy Zarathoustrany, Laotsen sy ny Conficius ary ireo manampahaizana hindo hafa.
Ao amin’ny faminaniana iray izay taterin’ny hadith
(fomba amam-panaon’ny mpaminany Mohammad), voalaza
fa hiseho i Jesoa amin’ny fiafaran’izao tontolo izao. Tsy
mahafantatra isika na hiseho nofo sy rà izy, fa ny fantatra dia
rehefa manakaiky ny ora farany ny fitiavana, ny fiadanana, ny
firahalahiana, ny famelankeloka, ny fiheverana ny hafa, ny
famindram-po sy ny fanadiovam-panahy, dia ho tahaka ny
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
47
tamin’ny andron’i Jesoa. Ary satria nalefa ho an’ny Jody i jesoa
ary mpaminany hebreo rehetra dia mitory izany fahendrena
izany avokoa , noho izany, ilaina ny fifanakalozan-kevitra
amin’ny Jody, ilaina toy izany koa ny fiarahamiasa ary ny
fifandraisana akaiky amin’ny mpino silamo sy ny Kristianina
ary ny jodaisma.
Maro ireo toe-javatra itoviana izay azo ametrahana
fifanarahana tsara eo amin’ny mpino silamo sy ny kristianina
ary ny jody mpino an’Andriamanitra. Toy izao no anamarin’i
Mickael wyschogrod, mpampianatra filozofia amerikanina
azy, misy lafin-kevitra na ara-teoria na dogmatika izay tokony
hampifandray ny mpino silamo sy ny jody, toy izay misy eo
amin’ny jody sy ny kristianina. Ankoatra izany, ao amin’ny
tantara sy ny zava-misy, dia hita fa ny mpino silamo dia tsara
fitondrantena manoloana ny jody, tsy misy fifanavakavahana
teo amin’izy ireo na dia kely aza ary tsy misy fifamonoana
mihintsy, tsy nisy izany tsy fanajana ny zo fototra maha
olombelona izany ary tsy nisy fifandringanana. Ny mifanohitra
amin’izany tanteraka no nisy, nampiantranoin’ny mpino
silamo ny Jody tamin’ny fotoana nisy korontana, toy ny
nandraisan’ny "fanjakana Ottoman" azy ireo rehefa noroahana
tany Andalousie (Espagne) izy.
NY ZAVATRA SAROTRA TOJO NY MPINO
SILAMO MANDRAY ANJARA AMIN’NY
FIFANAKALOZAN-KEVITRA
Ny kristianina sy ny Jody sy ny mpino hafa dia afaka mifanakalo
hevitra tsara rehefa misy ny fahasarotan-javatra ao aminy.
Tiako ny hampatsiahy etoana ny anton-javatra maromaro
mahatonga ny fahasarotan’ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny
48
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mpino silamo. Ary zary anton-javatra mahatonga ny finoana
silamo tsy hazava amin’olona ankehitriny.
Raha araka ny voazan’i Fuller sy Lesser maro be ny
mpino silamo novonoin’ny hery tandrefana tao anatin’iny
taonjato iray lasa iny monja miohatra amin’ny kristianina
matin’ny silamo hatramin’ny maha tany ny tany. Mpino
silamo maro no nanao fanadihadiana feno tsara ary mino fa
ny politikan’ny tandrefana dia novolavolaina hamoriporetana
ny tanjaky ny silamo. Izany traikefa ara-tantara izany no
mitarika ny silamo hahazo fanabeazana sy manan-keritreritra
hino fa ny tandrefana dia tsy mitsahatra amin’ny fanafihana
maty paika ny silamo, izay efa natombony tao anatin’ny arivo
taona mihoatra, ary ny tena loza, ataony amin’ny fitaovana
matanjaka sy tena hary fomba. Vokatr’izany, Ny fiantsoan’ny
fiangonana hifanakalo hevitra dia tsy misy mankasitraka.
Ankoatra izany, niditra tao amin’ny taonjato faha roapolo
izay teo ambany fanjakazakan’i Eoropa tanteraka ny tontolo
silamo. Narodana ny fanjakana Ottoman, ilay manda fiarovana
lehiben’ny fivavahana silamo, mbola ny hetraketrak’i Eropeanina
ihany no nahatonga izany. Nanampy tanteraka ny mpino silamo
hanohitra ny fanafihan’ny hafa i "Turquie". Nanampy trotraka
izany koa ny fifandirana anatiny nisy tao "Turquie" teo amin’ny
antoko Demokraty sy ny antoko "Populaire" nandritry ny taona
faha dimampolo izay nitarika ireo mpandala ny fomban-drazana
sy ny avara-pianarana sasantsasany hilaza ny finoana silamo ho
toy ny tsanga-kevi-pifanolanana sy fanoherana ary toy ny fomba
politika fa tsy fivavahana makao am-po sy ao amin’ny fanahy
sy saina. Ny fiheverana ny finoana silamo ho toy ny tsangakevi-piandaniana ataon’ireo firenena silamo sasantsasany, ao
anatin’izany i "Turquie", dia nanamafy io fomba fihevitra io.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
49
Vokatr’izany, ny laisista sy ny hafa dia nanomboka nahabe
fanahiana ny mpino silamo sy izay zavatra rehetra mahakasika
azy.
Hita ho toy ny tsanga-kevitra pôlitika ny finoana silamo
satria nandray anjara mavitrika izy tamin’ny ady ho an’ny
fahaleovantenan’ny mpino silamo (musulmans). Izany no
ilazan’ny sasany azy ho toy ny tsangan-kevi- pahaleovantena.
Ny tsanga-kevitra dia miteraka fisaraham-bazana fa ny
fivavahana kosa midika ho firaisankina, fiombonana noho
ny fahazavan-tsaina amin’ny finoana sy amin’ny fahafahampo sy fiadanam-po, mora tohina ny fieritreretana ka izany
no hitany ary ny traikefa koa dia nahatsapa fa izany marina.
Amin’ny maha finoana azy, ahitana ny fahamarinana tena
ilaina ao aminy, toy ny finoana, ny fitiavana, ny famindrampo sy ny fitsinjovana ny hafa. Ny famafana ny sombinkevitra ao amin’ny finoana izay hevitra politika amboletra
sy ny fotokevitra manokana maha vahoaka ny vahoaka
no nahatonga ny rindrim-be manasaraka ny silamo sy ny
tandrefana, ka nentina nanaratsy ny finoana silamo.
Ny fanambaniana ny fivavahana silamo nataon’ny kristianina
ara-tantara koa dia nahakivy ny mpino silamo ka nahatonga
azy ireo hihataka ny tokonam-baravaran’ny fifanakalozankevitra eo amin’ny samy hafa finoana. Nandritra ny taonjato
maro no namaritan’ny kristianina fa ny finoana silamo dia
sombitsombiny sy nalain-tahaka avy amin’ny Jodaisma sy
ny Krsitianisma, ary niheverany ny mpaminany ho toy ny
mpamitaka, mpisoloky gaigilahy, mpanohitra an’i Kristy, na koa
hoe sampy tompoin’ny mpino silamo. Ny boky sasany nivoaka
vao tsy ela dia manosopotaka azy ho toy ny olona manana
hevitra hafahafa, resy lahatra fa tsy maintsy mahomby na inona
50
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
na inona hitranga ary mampiasa izay fitaovana azo ampiasaina
manontolo mba hahazahoana fahombiazana
ZAVATRA TSY AZO IHODIVIRANA NY
FIFAMPIDINIHANA
Zavatra tsy azo ihodivirana ny fifanakalozan-kevitra eo
amin’ny fivavahana samy fivavahana ankehitriny. Ny dingana
voalohany amin’ny firosoana amin’izany fifanakalozankevitra izany dia ny fanadinoana ny lasa, tsy jerena intsony ireo
tsy fitovian-kevitra amin’ny dogma fa ny fototra iombonana
no atao laharampahamehana mba ialana amin’ny fifandirana.
Any amin’ny tandrefana, atomboka amin’ny fandinihana
akaiky ireo avara-pianarana sy olom-piangonana efa manana
fiovam-pijery, manoloana ny hevitr’i Louis Massignon (efa
maty) mikasika ny finoana silamo manao hoe : « Ny finoan’i
Abrahama dia miha mafy orina noho i Mahommad ». Ary
mbola noamafisiny fa nandray andraikitra mendri-piderana
tamin’ny tontolo nanana fifamatorana tamin’ny krsitianina
ny finoana silamo satria : « fivavahan’ny finoana ny fivavahana
silamo. Tsy mba finoana nateraky ny filozofia fa finoana ny
Andriamanitr’i Abrahama sy Isaaka ary Ismaela, finoana ny
Andriamanitsika rehetra. Ny finoana silamo dia mirakitra
ny tsiambaratelon’ny sitrapon’Andriamanitra ». Mino ny
maha avy amin’Andriamanitra ny Coran sy ny faminanian’i
Mohammad izy.
Toy izany koa no fahitan’ny mpaminanintsika ny an’ny
Tatsiananana. Ankoatr’ireo olom-piangonana kristianina sy
olom-pivavahana, maro koa ireo mpandinika tandrefna no
naneho fihetsehana tsara mikasika ny fivavahana silamo sy ny
mpaminany ary mankasitraka ny antso amin’ny fifanakalozan-
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
51
kevitra toy ireto tanisaina manaraka ireto: Charles J Ledit,
Y. Moubarac, Irène M. Dalmais, L. Gardet ?orman Daniel,
Michel Lelong, H. Maurier, Olivier Lacombe et Thomas
Merron.
Ankoatra izany, tsy azo tsinontsiniavina ihany koa ny
fanambaran’ny Konsily vatikanina II farany teo mikasika ny
finoana silamo izay nanokatra ny dingam-pifanakazozankevitra eo amin’ny finoana samy finoana. Midika izany fa
miova ny fiheveran’ny Fiangonana katolika romanina ny
finoana silamo. Hoy ny Papa Paoly faha IV nandritry ny
tapany faharoan’ny Konsily:
"Ny fiangonana dia mijery ampahendrena ireo mpino
silamo izay midera sy manaja an’Andriamanitra tokana,
velona sy mbola ho velona mpamindra fo sy mahery
indrindra, mpahary ny lanitra sy ny tany ary niresaka tamin’ny
olombelona. izy ireo dia mikatsaka mandrakariva amin’ny
fanahiny manontolo ny fanajana ny lalàn’Andriamanitra,
na dia tsy tia misehoseho loatra, toy ny nataon’i Abrahama
tamin’Andriamanitra; Izany no fitaratry ny finoana silamo .
Na dia tsy manaiky an’i Jesoa ho Andriamanitra azy izy ireo
dia mandray azy ho ny mpaminany, manaja an’i Maria reniny
virijiny, ary matetika manonona ny anarany amimpanetretena. Ankoatra izany, miandry ny andro ny fitsarana farany
hananganan’Andriamanitra ny maty rehetra izy ireo. Tsy
izany ihany fa manandratra avo ny fiainana ara-moraly sy
manompo an’Andriamanitra izy ireo, indrindra indrindra fa
amin’ny fivavahana, ny fahafoizana sy ny fifadian-kanina"
Nambarany koa fa ny fiangonana katolika dia mankasitraka
ny toetra tsara rehetra izay marina sy mifanaraka amin’ny
maha olona avy amin’ireo finona. Ny fiangonana katolika dia
52
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tsy manary na dia zavatra kely indrindra ka marina sy masina
avy amin’ireny finoana ireny.
Manamafy ny fiangonana fa ho an’ireo fiarahamonina
mihanoka amin’ny fandrosoana, Mba hamonjena ny tena
dikan’ny fivavahana sy ny fanompoana an’Andriamanitra
– ilaina tokoa ny fandrosona mifototra amin’ny
fahamarinana- dia hanolo-tena ny fiangonana noho
izy mpisolovavan’Andriamanitra manone ireo zo avy
amin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona.
Vokatr’izany dia nisy tatitra an-tsoratra mitondra
lohateny hoe: "Fanambarana mikasika ny fifandraisan’ny
Eglizy amin’ireo finoana tsy kristianina" neken’ny konsily
izy io, toy izao ny votoatiny:
"Amin’izao androntsika izay mampitambatra akaiky
isan’andro isan’andro ny olombelona sy mampitombo ny
fifandraisan’ny mponina samy hafa izao, (…) miandry ny
valin’ny ankamantatra miafina ao amin’ny fiainany avy amin’ny
fivavahana ny olombelona, zavatra mampikorontana mafy ny
tany hatramin’ny omaly ka mandraka ankehitriny: Inona ny
olombelona? Inona no hevitra sy tanjon’ny fiaianana? Inona ny
tsara ary inona ny fahotana? Avy aiza no nipoirany ary inona no
tanjon’ny fangirifiriana? Aiza no lalana tena mitondra mankany
amin’ny fahasambara marina? Inona no dikan’ny fahafatesana,
ny fitsarana sy ny fitsanganan-ko velona, ary farany , inona ny
misitery miafina tsy hay lazaina farany manodidina ny fisiana
izay nipoirantsika sy mbola andrasana?
Rehefa avy notenenina fa manandrana mamaly ireo
fanontanina ireo amin’izay hiheverany azy ny fivavaha isankarazany, ary ny Fiangonana dia tsy manary tanteraka ny
lanjan’ny fivavahana hafa, dia mampirisika ny kristianina
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
53
hanao ny fanakalozan-kevitra amin’ny mpino ao amin’ny
fivavahana hafa ny konsily:
"Mampahery ny zanany am-pitandremana sy ampitiavana ny fiangonana, amin’ny fifanakalozan-kevitra sy
ny fiaraha-miasa hifanaovana amin’ireo tsy kristianina, mba
ho vavolombelon’ny finoana sy fiainana maha kiristianina,
hankasitraka sy hahatahiry ny soatovaina ara-panahy, aramoraly sy ara-kolotsaina izay ananany" Tsara ho tsipihintsika
ihany koa fa ny Papa Joany Paoly faharoa dia milaza ao amin’y
bokiny mitondra ny lohateny hoe "Eo an-dalan’ny fanantenana"
fa na dia ao aza ny tsy fitandremana sy fiahiahian’ny mpino
silamo dia izy ireo no tena midera an’Andriamanitra ankitsimpo, sy amin’ny fomba mendrika; hoy indrindra izy
amin’ireo mpamaky: ny kristianina dia tsy maintsy mandray
ny mpino silamo ho ohatra velona.
Ankoatra izany, ny fanoheran’ny silamo ny foto-kevitra
materialista sy ny anjara andraikitra sahaniny amin’izao
tontolo moderna izao, dia mahavariana ny mpandinika
tandrefana. Tena manamafy izany izao fanamarihan’ny E.H
Jurji manaraka izao:
"Ny fahamendrihany sy ny fahaleovantena ananany ary
ny hafanam-pony azo tsapain-tanana, amin’ny tolona ataony
amin’ny ho amin’ny firaisankina hanohitra ny foto-kevitra
mampiazarazara, ny fanoherany mafy ny fifampitsetsefana,
ohatra ireo hafatra avy amin’ny tenin’ny faminaniana
nalefany ho an’ny zanak’olombelona mpikomy sy ny liandrà, dia miavaka mihintsy ny fomba etin’ny finoana silamo
mihatrika ny tontolo moderna. Tsy mifangaro ary tsy mba
voarovitry ny forongon-kevitra teolojika tsy mazava; tsy
voalevina ao ambanin’ny enta-mavesatry ny dogma, fa ny
54
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
hery entiny manantanteraka ny andraikiny dia avy amin’ny
fahareseny lahatra fa tsara ny finoana silamo".
Niady saika nandritry ny 1400 taona ny silamo sy
ny tandrefana. Raha ny fomba fijerin’ny tandrefana dia
nandrahona sy nanafika ireo sehatra rehetra nisokatra tany
aminy ny silamo, zava-misy mbola tsy adino izany. Izay
midika fa izany tolona izany no manosika ireo mpino silamo
hanohitra ny tandrefana, fa tsy tokony hararaotina na ovina
na ovina na ny finona silamo na ireo mpino silamo. Ny
fandrosoana’ny fitanterana sy ny fifandraisana dia nanova
izao tontolo izao ho toy ny tanana kely iray, mifanentana
tanteraka fifandraisana. Tsy afaka hampanjavona na oviana
na oviana ny mpino silamo sy ny taniny ny tandrefana ary tsy
afaka hametraka ny tongony any amin’ny tanin’ny tandrefana
ny miaramila silamo.
Ny zavatra mahafinaritra amin’izao andron’ny
fanatontoloana izao dia efa samy mahatsapa ny maha zavadehibe ny fifanantonana ireo mpifanandrina roa ireo. Marina
fa manana ny fahamboniany eo amin’ny lafiny siantifika,
teknolojika sy toe-karena ny tany tandrefana, manana ireo
fomba ambony lanja sy tena ilaina koa anefa ny silamo: ny
finoana silamo, araka izay hita ao amin’ny Coran sy ny Sounna
(teny mirakitra ny fomba amam-panaon’ny Mpaminany
Mohammad) izay mamelombolo hatrany ny finoany, na
amin’ny famporisihiana amin’ny tsara na ny tontolony arapanahy, nandritry ny taonjato 14 farany. Manampy izany, ny
fahafahany mampitsiry hatrany ny fanantenany, na dia efa
niniana noporiporetina nandritry ny taonjato maro aza ny
fiainany, eny fa na dia ireo vahoaka maro sasany tafaroboka
ao anaty onaonan’ny materialisma aza.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
55
Noho ny fivavaha mbola tsy afa-miala amin’ny ady sy
ny fanafihana ataon’ny tsy mpino izay mifototra amin’ny
siansa sy ny filozofia, dia tsy misy afaka hanambara fa tsy
hitsoka mafy intsony izany rivotra izany amin’ny ho avy.
Ireny anton-javatra rehetra ireny sy ny hafa, no tsy mamela
ny mpino silamo hijery sy hampitovy ny finoana silamo
amin’ny tsangan-kevitra politika na lamina ara-ekonomika, ka
mahatonga azy tsy ankasitraka ny tandrefana sy ny kristianina
sy ny jody sy ireo fivavahana hafa toy ny bodisma; mahampy
loatra ny tranga navoitran’ny tantara, ho entiny mamaritra
ny maha izy azy.
Rahoviana ireo mihevitra ny finoan silamo ho toy ny
lamina politika fotsiny fa tsy finoana tena manana ny maha
izy azy , no hankasitraka izay vitany sy ny momba azy,
indrindra indrindra fa ny fametrahany fa ny politikany
no silamo, aharihariny fa hery manosika azy ireo na ny
isam-batan’olona na ny firenena dia ny fahatezerana sy ny
fankahalana ny fihetsika sy fomba hafa toy izany.
Na inona na inoa zava-mitranga, dia tsy maintsy manaiky
sy manangana toetra silamo ho fototra iaingana amin’ny
asa isika fa tsy ny toe-javatra mandoro ankehitriny. Nilaza
ny mpaminany fa ny tena mpino silamo dia izay azon’ny
olona antoka fa tsy hanao ratsy na ny lelany na ny tanany,
ary izy no mendrika ho tarafin’ny fandriam-pahalemana eto
amin’izao tontolo izao. Ny mpino silamo dia mandrakariva
voaravaky ny fihetseham-po ambony izay taratry ny aty
fanahiny. Lavitra ny fanasaziana ny fampijaliana sy ny
fampangirifiriana, mifanohitra amin’izany ny mpino silamo,
tandindon’ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana.
Aminy, tsy misy mahasamy hafa ny famonoan’olona
56
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
amin’ny fanompana amin’ny vava, toy ny fitenenan-dratsy,
ny fanendrikendrehana, ny ompa sy ny fanesoana.
Tsy maintsy ny fotokevitra silamo no iaingantsika
voalohany. Ny mpino silamo raha miteny dia tsy maneho
fiandaniana amina antokom-potokevitra na politika iray, avy eo
mody manamboamboatra izany hanahatahaka ny fotokevitra
silamo na manao ny nofinofy ho tsangakevitra. Raha afaka
miala amin’io firehana io isika dia hahita ny fibalikan’ny
endriky ny finoana silamo. Ny endrika dison’ny finoana
silamo ankehitriny izay vokatry ny fanodinkodinanan’ny
mpino sy ny tsy mpino silamo azy dia mampihorohoro ny
mpino silamo sy ny tsy mpino silamo.
Manoritra zavatra manandanja mahakasika ny fahitan’ny
tandrefana ny finoana silamo I Sidney Griffith: "tsy
ampianarina amin’ny maha finoana azy ny finoana silamo ao
amin’ny sampana fianarana teolojia any amin’ny Oniversite
amerikanina fa amin’ny maha foto-kevitra politika azy,
ampianarina any amin’ny sampana "science politique" na
any amin’ny sampana fianarana ny fifandraisana iraisampirenena". Ahitana toy izany koa any amin’ny firenena silamo
sasany izay miaina amin’ny kolontsaina tandrefana, sy ny
faritra tsy silamo any Azia sy Afrika. Ny tena mahazendana
dia maro ireo vondrona izay miseho amin’ny endrika silamo
kanefa tsy manao afa tsy ny manamparitaka sy ny manamafy
io endrika io.
NY ANTSO MANERANTANY ATAON’NY SILAMO
AMIN’NY FIFANAKALOZAN-KEVITRA
Efa taonjato 14 izay, nanao antso lehibe indrindra amin’ny
firaisam-pinoana tsy mbola nisy toy izany ny finoana
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
57
silamo, miantso ny mpino ny boky masina rehetra ny
Coran: "Ry vahoakan’ny boky (kristiana sy jody), avia,
manantona ny teny itovizana iombonantsika sy ianareo: tsy
hanompo afa tsy Andriamanitra isika, tsy hanambatra azy
amin’ny zavatra hafa, ary tsy ho raisintsika ho tompo na iza
na iza ankoatran’Andriamanitra, raha manome lamosina izy
ireo, lazao hoe: mitsangana ho vavolombelona fa izahay no
mpanetry tena" (3:64)
Ny antso nalefa ny fahasivitaona amin’ny tetiandro silamo
dia natomboka tamin’ny teny hoe (tsy misy) araka ilay teny
fitsanganana ho fa volombelona hoe: Lâ i lâha illa Allah (tsy
misy zanahary afa tsy Andriamanitra).
Ankoatry ny maha baiko hanao zavatra tsara azy,
dia miantso ihany koa amin’ny famelana ny ratsy, mba
hahafahan’ireo mpandala ny finoana mampisongadina ny
mapiavaka azy. Io fitsanganana ho vavolombelona io koa dia
malalaka tanteraka, mba hahamora ny faneken’ireo antokompinoana, amin’ny fotoana hitenenana izany atso izany,
hamaly ny mpino silamo hoe: "Anareo ny finoanareo fa ahy
kosa ny finoako".(109:6); izany hoe, raha tsy ekenareo izany
antso izany, aleo ho an’Andriamanitra. hanohy ny lalana efa
nofinidinay izahay ary avelanay hanohy izay efa nombanareo
ianareo.
I Elmalili Hamdi Yazir, Turc mpandalina ny Coran
malaza dia nanao fanamarihana tsara ho fantatra ao amin’ity
andininy ity: "Naheno izy, fa ahoana no hahafahan’ny boky
sy ny hevitra maro sy firenena samy hafa ary fivavahana maro
mitambatra ao anaty fomba fisainana iray manandanja sy ho
tenin’ny fahamarinana iray, ary ahoana no nampianaran’ny
mpino silamo ny zanak’olombelona ny lalàm-pahafahana
58
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
sy ny lalana iray mitondra mankao amin’ny famonjena izay
migodana, sady misokatra no marina. Nohamasisiny tsara sy
mazava fa tsy natao fotsiny ho an’ny Arabo sy ny tsy arabo
ihany izy io. Tsy mety amin’ny saina tery sy mizarazara ny
finoana, fa mila saina malalaka sy misokatra.
Nataon’ny finoana silamo ho antsika izany fahalalahantsaina izany, izany làlam-pamonjena malalaka sy lalàmpahafahana izany. Bediuzzaman Said Nursi dia nanazava
io halebeazan’ny finoana silamo tamina saina lalina izay
tafalentika tamin’ny fanahiny, tao amin’ny Mosquée Bayezid
any Istanbul i Said Nursi:
"Indray andro aho nandinika ny mpisolotena "Izahay"
tao amin’ny andinin-tsoratra masina: ianao irery ihany no
derainay, ary ianao ihany no angatahanay famonjena (1:5),
ary ny foko nitady ny antony ampiasaina ny "izahay" fa tsy
"Izaho". Tampoka teo, fantatro ny fahamarinany sy ny zavamiafin’ny fivavahana iombonana, noho io mpisolotena
"izahay" io.
Tsapako fa rehefa miaraka mivavaka amin’ny rehetra
ao amin’ny moske Bayezid aho dia toy ny mpanampy ahy
avokoa ny tsirairay; ary rehefa mamaky ny Coran ao amin’io
toerana io aho, dia vavololombelona manampy ahy avokoa
ny tsirairay. Nahazo hery avy amin’ny maha zava-dehibe
fanompoana iraisana aho, mba hanehoako ilay fanompoako
kely, tsy ampy, manoloana ilay Masina"
Avy eo koa, niseho tamiko ny zava-marina hafa iray:
Ny mpivavaka tamin’ny mosquée rehetra tao Istanbul
dia nitambatra ka niaraka tao amin’ny Mosquée Bayezid.
Tsapako fa toa manamafy ny zavatra nosaintsainiko izany,
ary mampiray ahy ao amin’ny fivavahan’izy ireo. Tamin’io
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
59
fotoana io, nahatsapa tena aho fa Mosquée ety an-tany no
misy ahy, nanao faribolana manodidina ny ka’ba. Ary hoy
aho: "Dera ho anao ry tompon’izao tontolo izao. Manana
mpiomba maro aho; teny mitovy no tononon’izy ireo, moa
va tsy ilay noventesiko tao amin’ny tonom-mbavako ihany
ka mainka mampiorina ahy"
Rehefa izany marina izany no miseho, dia tsaroiko ho
toy ny mitsangana ka mivavaka nanolona ny ka’ba masina
aho. Nohararaotiko izany, noraisiko ho vavolombelona
ireo laharan’ny mpivavaka ary hoy aho: ‘hitsanganako
vavolombelona fa tsy misy zanahary ankoatr’Andriamanitra;
ary hitsanganako vavolombelona fa Mohammed dia
mpitondra ny hafatr’Andriamanitra. Nankiniko amin’ny
vato masina, io asam-panahy io. Raha efa izany, zavatra
hafa indray no nitranga. Hitako nizara faribolana telo ny
firaisam-bavaka nisy ahy.
Ny boribory voalohany dia fiombonan’ny mpino silamo
sy izay mino ny fisian’Andriamanitra tokana. Tao amin’ny
boribory faharoa no nahitako ny voary manontolo nanatanteraka
ny fivavahan-dehibe sy ny fiantsoana an’Andriamanitra. Tao
amin’io fiombonambe io aho, ary ny sokajy sy ny karazan-javatra
rehetra tao dia revo namaky tonom-bavaka tamin’ny fombany
avy, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny mpitondra
hafatra. Tao amin’ny fari-bolana faha telo no nahitako firibolana
mahavariana kely kanefa rehefa tena dinihina amin’ny asa vitany
sy ny toetrany dia tena lehibe tokoa, ny singa kely indrindra
mamorona ny vatako manontolo, hatramin’ny any anatiko, dia
revo mameno ny asa-mpanompoany sy ny fanankasitrahany.
Raha atao amin’ny teny fohy, ny mpisolotena "izahay"
ao amin’ny hoe "tompoinay" dia manondro ireo faribolana
60
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
telo ireo. Azoko sary an-tsaina ny Mpaminanintsika, ilay
mpandika sy mpampita ny Coran, tao Médine, tao izy no
niteny tamin’ny zanak’olombelona hoe: "Ry olombelona,
tompoy ny Tompo Andriamanitrareo: (2:21). Toy ny olondrehetra, dia nandre ny baikony tamin’ny fanahiko aho, ary
toy izany koa ireo mpiombona rehetra tao amin’ny faribolana
telo ka namaly hoe: "ianao irery ihany no ho tomponay".
AHOANA NO ATAO EO ANATREHAN’IREO
MPANARAKA FIVAVAHA HAFA
Milaza izao Andriamanitra:" Inty no boky tsy mampisalasala
izay voarakiny, torolalana ho an’ireo manam-pinoana" (2:2).
Avy eo izy dia manazava fa ny mpino dia:
"Izay mino ny fiainana ankoatra sy manatanteraka ny
fivavahana ary mandany ampahamendrehana ny fananana
nomeko azy: izay mino ireo nambara taminao sy nambara
talohanao (ry Mohammad) ary mahatoky ny fiainana any
ankoatra" (2:3-4)
Mampiasa fomba filaza malefaka sy tsy mivatravatra ny
Coran, hatrany amboalohany, miantso ny olona hanaiky
ny mpaminany teo aloha sy ny bokiny ny "Coran".Tena
misy dikany amiko ny fananana ny fepetran’ny CORAN
hatrany ampiandoana raha eo amin’ny fanombohana ny
fifampidinihana amin’ireo mpanaraka fivavahana hafa. Ao
amin’ny andininy iray hafa, mandidy antsika Andriamanitra:
"Aza miady hevitra afa tsy amimpahamendrehana amin’ny
olon’ny boky masina" (29:46).
Mamaritra ny paika sy ny fomba izay tsy maintsy
ampiharina raha hanao fifanakalozan-kevitra io andininy io.
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
61
Tena mifanaraka tsara amin’izany ny hevitr’I Bediüzzaman
amin’ny endrika sy fomba fiadian-kevitra. "Na iza na iza
dia mahatsiaro fahasambarana amin’ny fandresena ny
mpifanandrina aminy nandritra ny ady hevitra iray, tsy
manana famindram-po ary vonona hanao ny tsy rariny".
Azavaina misimisy kokoa io toe-javatra io: "Tsy mahazo
na inona na inona amin’izany ianao. Na resy ianareo na
mpandresy ny mpifanandrina aminareo, fotoana hanitsiana
na dia ny iray monja amin’ireo fahadisoanareo izany
sady nanovozana zava-baovao". Tsy natao hanomezana
fahafaham-po ny filantsika samy irery ny ady hevitra fa mba
hahitana ny marina. Voamarina ao amin’ny Coran izany:
"Tsy misakana anareo hanasoa sy hampihatra ny rariny amin’
ireo tsy mbola namono anareo noho ny finoana sy nandroaka
anareo tamin’ny toeram-ponenanareo Andriamanitra,
tian’Andriamanitra tokoa ny mpandala ny rariny.(60:8)
Marina tokoa, misy maro ireo andininy ao amin’ny Coran
mitsikera mafy ireo olon’ny boky (kristiana sy jody). Raha ny
marina ireny tsikera ireny dia mitsikera ny fitondratena ratsy,
ny hevi-dratsy, ny fanoheran ny marina, ny fampiadiana, ireo
toetra tsy maha te hidera.
Na ny baiboly koa aza mbola ahitana tsikera mafimafy
kokoa momba ireo tsikera mahakasika ny toetra tsy
mendrika ireo. Na izany aza, aorian’ireo tsikera toa masika sy
manindrona ireo dia ahitana teny malefaka namohazana ny
fo ho amin’ny fahamarinana ary mifototra ao ny fanantenana.
Manampy izany, ny tsikera sy ny fandraran’ny Coran ireo
fitondran-tena sy toetra sasantsasany ananan’ny Jody sy
kristianina sy ny mpino andriamanitra maro dia miantefa
amin’ny mpino silamo izay miaina amin’izany iahany koa.
62
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Miombon-kevitra amin’io lafin-javatra io koa ny mpiara-dia
sy ny mpandinika ny Coran.
Ny finoana avy amin’Andriamanitra dia mankahala
mafy ny korontana, ny fitaka, ny fifandirana sy ny
fangejana. Ara-bakiteny, ny finoana silamo dia midika ho
fandriampahalemana", "filaminana" ary "fahamendrehana".
Ny fandriam-pahalemana no fototra ara-boajanahary
hiorenany, ny fiarovana ary ny firindran’izao tontolo izao,
ny silamo dia mahita fa fanimbana ka tsy maintsy fehezina
ny ady sy ny fifandirana. Mba fidiana kosa anefa ny fomba
entina miaro tena, toy ny vatana miady amin’ny otrik’aretina
manafika ihany io. Misy fitsipika mifehy ny fiarovan-tena.
Ny silamo dia miaina foana hatrany ny fandriampalemana
sy ny fahamendrehana, mametraka koa fa mitera-doza ny
ady, ka nametrhany fitsipi-dalao mba handanjalanjana sy
hamerana azy, ohatra, nalainy ny fandriampalemana sy
ny fahamarinana teto amin’izao tontolo izao ka nataony
fototra, toy ny ambaran’ity andininy manaraka ity:
"Aoka ny fankahalanareo vahoaka iray tsy hitarika anareo
hiala amin’ny rariny" (5:8)
Ny silamo dia namaritra ny fitsipiky entina miaro-tena
izay mifototra amin’ ny fiarovana ny finoana, ny aina, ny
fananana, ny saina sy ny voninahitra. Ny paika manaradalàna
moderina dia nanao toy izany koa.
Ny silamo dia nanome haja ambony ny ain’ny
zanak’olombelona. heveriny ho toy ny famonoana ny
olombelona manontolo ny famonoana olona iray, satria ny
vono olona iray monja dia miteraka hevitra fa azo vonoina
ny olon-drehetra. I kaina zanak’i Adama no namono olona
voalohany. Na dia tsy nolazain’ny Coran sy ny Sounna aza
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
63
ny anaran’izy ireo, dia nianarantsika tao tamin’ny Baiboly fa
vokatry ny tsy fifanarahana nisy teo amin’i Kaina sy Abela,
noho ny fialonana, dia novonoin’i Kaina tsy an-drariny i
Abela. Nisokatra teo ny vanimpotoanan’ny ra mandriaka.
Noho izany anton-javatra izany no nitateran’ny hadith iray
ity tenin’ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra ity:"isaky
ny misy olona novonoina tsy an-drariny, dia mizaka ny
ampahany amin’ny fahotany ny zanaka lahimatoan’i Adama
(kaina), satria izy no nanao izany heloka izany voalohany
indrindra. Manambara koa ny Coran fa:"Na iza na iza
mamono olona iray kanefa io olona io tsy namono olona na
mamafy korontana teto antany dia heverina ho nahafaty ny
olon-drehetra. Izay mamonjy ain’olona iray, dia mpanavotra
ny olon-drehetra "(5:32)
IREO FEPETRA TSY MAINTSY ILAINA
AMIN’NY FIFAMPIDINIHANA: NY FITIAVANA,
NY FIFANDEFERANA SY NY FAMELANKELOKA
ARY NY FIHEVERANA NY HAFA
y finoana no mibaiko ny fitiavana, ny fiheverana ny hafa, ny
fandeferana sy ny famelan-keloka. Izany no antony ilazako
teny vitsivitsy mikasika ireo soa toavina fototra natao hoan’ny
rehetra ireo.
Singa iray manana ny maha izy azy ao amin’ny zavaboary
ny fitiavana, fanilo lehibe, fahefana mankadiry enti-manohitra
ny vato misakana. Manabe ny fanahy izay manana izany izy,
manomana azy amin’ny làlan’ny mandrakizay. Izay nifandray
amin’ny fiainana mandrakizay am-pitiavana, hamboly izay
azony tao amin’izany fiainana mandrak’izay izany ao am-
64
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
pon’ny hafa. Ny fiainany dia hatolony ho an’io asa masina io,
ho zakainy ny mafy rehetra noho ny fitiavany ny andraikiny.
Ho ventesiny hatramin’ny fara- fofon’ainy ny teny hoe
fitiavana, hisefo ny rivo-pitiavana hatrany izy rehefa hitsanganko velona amin’ny andron’ny fitsarana.
Ny fiheverana ny hafa, dia fihetseham-pon’olombelona
masina tokoa, mahatonga ny fitiavana. Izay manana fitiavana
lehibe no mahery fo amin’ny zanak’olombelona, ary izany
no hamongotra hatramin’ny fakany ny havonavona sy ny
lolom-po. Ny mehery fo toy ireny dia mbola ho velona na
aorian’ny fahafatesany aza. Ny fanahy votaiza toy izany dia
mandrehitra afom-pitiavana vaovao ao anatin’izy ireo ary
mampanjary ny fony ho loharanom-pitiavana sy fiheverana
ny hafa, ho raisin’ny hafa ary ho mamy hoditra. Hahazo ny
zo hiaina mandrak’izay ao amin’Andriamanitra. Tsy hahafafa
ny dindony na ny fahafatesana na ny andron’ny fitsarana.
Ny fitiavana no lalana mivantana hidirana ao am-pon’ny
hafa, làlan’ny mpaninany. Tsy ho voailika izay manaraka
izany. Maro ny hampiantrano azy na atosiky ny hafa aza izy
ireo. Rehefa izy no manam-pitiavana, tsy misy afaka hanakana
azy tsy hahatratra ny tanjony.
Miteny ny fitiavana sy ny fifampiheverana avokoa ny
rehetra. Raha izany, azo heverina ho rindram-pifampiheverana
ny tontolo rehetra. Tsy maintsy maneho fiheverana manoloana
ny zavaboary rehetra ny olombelona, satria takian’ny maha
olombelona azy izany. Isaky ny olona mapiseho fiheverana, dia
miha mitombo ny voninahiny, ary isaky ny manao ratsy izy,
manao amboletra sy misetrasetra, dia ho alam-baraka sy ho
esoina. Nampahafantatra antsika ny mpaminany fa hiditra ao
am-paradisa ny vehivevy janga iray, mendrika azy izany satria
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
65
nampisotro rano alike nangetahata iray izy, ho any amin’ny
helo kosa ny vehivavy hafa iray satria namela saka ho fatin’ny
anoanana.
Fahamarinana lehibe ny famelan-keloka. Tsy azo sarahina
amin’ny fahamarinana ny famelan-keloka, ary ny famelankeloka tsy azo sarahina amin’ny fahamarinana. "Avy amin’ny
kely ny fahadisoana, ary ary amin’ny lehibeny famelankeloka" Hatsaran’izany fomba fiteny izany!. Marina izany!
Ny dikan’ny hoe voavela heloka dia mila fiovana, fiverenana
amin’ny tena izy sy fandinihan-tena. Noho io anton-javatra
io no maha mpiasa mendri-piderana indrindra eo imason’ilay
Mpamindra fo sy Mandrakizay, ireo mihezaka sy mitaintaina,
mamerina sy mikatsaka ny famelan-keloka.
Ny zavaboary rehetra na ny manan’aina na ny tsy manan’aina
dia tafiditra ao anatin’izany famindra-po izany, noho ny
olombelona, ary toy izany koa no nanaovan’Andriamanitra ny
famelan-keloka eo amin’ireo olombelona sany hafa, nataony
nanana anjara toerana ao am-pony ny famelan-keloka. Na
i Adama, ilay olombelona voalohany aza dia nahazo izany,
tamin’izy nandika ny lalan’Andriamanitra, ary izany dia toetra
voajanahary ao anatin’ny olombelona, nahazo ny famindrampon’Andriamanitra izy ary nasandratra ho mpaminany.
Isaky ny diso lalàna ny olona ka mitazona io tady
mahagagan’ny famelankeloka io, miha menatra hatrany
izy noho ny ahadisoany izay miteraka fahakiviana, mahazo
ny famindram-po tsy manam-petra izy ary mianatra ho
mpandefitra eo anatrehan’ny hafa. Hoy i Jesoa tamin’ny
vahoaka izay te-hitora-bato vehivavy iray: "Izay tsy nanonta
taminareo no aoka hitora-bato azy". Nahoana ny olona
mahafantatra ny tokony ataony, ary mahafantatra izany hevitra
66
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
saro-pady izany, no hahasahy hisaina hitoraka ny ankoatrany,
nefa mety ho izy mihitsy no mendrika ho torahana. Tsia,
ireo olona mampalahelo tia mihenjana amin’ny ankoatrany
ihany no manao toy izany.
Ny lolom-po sy ny fialonana dia zavatry ny afobe
nafafin’ilay ratsy teo amin’ny olona. Tsy mba mitovy
amin’ireo mpitarika ho amin’ny ratsy sy manova ny tany
ho lavaky ny elo isika fa tsy maintsy mamela heloka azy
ireo, na dia havarin’izany olona izany any andavaka aza. Ny
fanararaotan’ireo izay tsy mamela heloka sy tsy mandefitra,
mamela ny hafa no nahatonga ny taon-jato roa farany ho
vanim-potoana hampatahotra indrindra teo amin’ny tantara
manontolo. Raha mbola hanjaka amin’ny ho avy ny olona
toy ireo, hampangovitra izany. Noho izany, ny valisoa
tsara indrindra azon’ny taranaka ankehitriny homena ny
sy ny zafikeliny dia ny tsy maintsy mampianatra azy ireo
hamelana heloka, eny fa na dia manoloana ny toetra ratsy
indrindra sy vanimpotoana mandreraka indrindra aza. Mino
isika fa ny fandeferana sy ny famelan-keloka no hanasitrana
ny ankamaroan’ireo ratrantsika, ka mba hampanjary ny
fahamasinany dia tokony ho eny an-tanan’ny mahay
mandanjalanja ny fampiharana azy ny famelan-keloka.
Alehibiazintsika ny fandeferantsika mba tsy hahitantsika
ny fahadisoan’ny hafa, manaja ny fahasamihafan-kevitra ary
mamela heloka izay azo avela heloka. Na dia voahosihosy aza
ireo zo azo andeferana ananatsika, tsy maintsy hajaintsika ny
maha olona ny olona, apetratsika amin’ny toerany tandrify
azy ny fahamarinana, na dia eo aza ireo hevi-dratsy sy ireo
hevitra tia- setrasetra, arahintsika ny tenin’i Mpaminany,
tandrovintsika ny ra tsy hilatsaka, ho valiantsika amin’ny
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
67
fomba malefaka, toy ny voalazan’ny andininy ao amin’ny
Coran manao hoe: "Teneninareo mora izy" (20:44).
Mihezaka isika mba hahatsapan’ny fon’ny hafa, ampitiavana,
tambitamby, fahamendrehana no anaovana izany. Tsy
maintsy mpandefitra kokoa isika amin’ny hevitra tsy mitovy,
fa izany no hahafehezantsika ny fontsika, ny fanahintsika
sy ny fisainantsika ho tsara, na tsy mampianatra antsika na
inona na inona aza.
Ny fandeferana izay ampiasaintsika matetika mba ho
fanajana, famindram-po, fahatsarana, faharetana dia singa
manana ny lanjany amin’ny fotokevitra ara-moraly. Izy io koa
dia sady loharano lehiben’ny fitsipi- pitondrantena ara-panahy,
no toetra masin’ireo vehivevy sy lehilehy voa volavola.
Eo ambany mason’ny fandeferana, dia omeny vahana ireo
mpino mendrika ary velariny tsy hanam-petra, miha tery
kosa ny hadisoana ka hanjavoana tsy misy tarany intsony.
Fomban’Ilay tsy mba voafehin’ny habakabaka sy ny fotoana
ny mampiasa hatrany ny fandeferana, ary manantena isika
fa samy hahazo ny fandeferany na isika na ny voary rehetra.
Malalaka tokoa ny famindram-pony, namindrany fo na dia
ilay vehivavy janga nampisotro rano alika aza, ka nanjary afaka
nandona ny "varavaran’ilay Mpamindra fo" sy nizotra amin’ny
lalantsara mitondra mankany am-paradisa. Toy izany koa,
noho ny fitiavana lalina izay tsapany ho an’Andriamanitra sy
ny mpitondra ny hafany, ho afaka amin’ny fahazaran-dretsiny
ny mpisotro taoka ary hanjary ho mpanaradia ny mpaminany.
Ary koa, noho ny famindram-po kely nataon’Andriamanitra,
voavonjy tamin’ny arentin-dratsiny ny mpamono olona:
niverina nankany amin’ny laharan’ny avo indrindra izy ary
nahatratra izany, nilaozany lavitra ilay izy teo aloha.
68
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Maniry isika tsirairay ary fa hijery amin’io maso io, ary
manantena isika fa ny rivo-malefaky ny famindran-po sy ny
famelan-keloka hitsoka tsy miato eo amin’ny manodidina
antsika. Maniry avokoa isika hamerina ny lasantsika sy ny
ankehitrinintsika amin’ny rivotry ny fandeferana sy ny
faharetana izay manempo sy manova, mamotsy sy manadio,
ary mampizotra mankamin’ny ho avy lavitr’ahiahy. Tsy
tiantsika ho tsikeraina ny lasantsika, sy ho amaizinina ny hoavy
noho ny ankehitriny. Isika rehetra miandry ny fitiavana sy
ny fanajana, manantena handray fandeferana sy famelana ary
maniry ho fihinin’ny fahafahana sy ny fitiavana. Manantena
fandeferena sy ny famelan’ireo ray amandreny amin’ny
hadisoana tao an-trano, sy ny an’ny mpampianatra antsika
noho ny fitodran-tena ratsy tao an-tsekoly, ireo tsy manantsiny niharan’ny tsy rariny sy ny fangejantsika, manantena
fanafahana amin’ny sazin’Andriamanitra any ankoatra.
Kanefa, ndeha isika hivonona tsara handray izay miandry
antsika. Izay tsy mamela heloka dia tsy ho voavela heloka.
Raha tsy manaja ny hafa isika, tsy ho voahaja ihany koa. Izay
tsy tia dia tsy mendrika ho tiavina. Izay tsy manambitamby
ny zanak’olombelona amin’ny fandeferany sy ny famelankelony dia tsy hahazo na fiantrana na famelan-keloka.
Izay nanozona ny hafa, tsy tokony hiandry afa tsy ozona
valin’izany. Izay nandrabiraby dia ho rabirabiana ary izay
mikapoka dia ho kapohina. Raha manaraka ny lalana
voasoritra ho azy ireo mpino silamo, nandefitra ireo ompa,
araka ny fotokevitry ny Coran, toy ny hoe: "Raha sendra ka
nandalo ireo manaonao foana izy ireo, dia miserana sy manaja
tena (25:72) ary izay mahafehy ny fahatezerana sy mamela
heloka ny hafa dia Andriamanitra tia ny mpanao ny tsara
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
69
(3:134) ka mandefera ary mamela heloka. tsy tianareo ve ny
hamelan’Andriamanitra ny helokareo? (24:22) manaova ny
tsara na ampahibemaso na miafina, ary mamela heloka ny
ratsy…(4:134) andefero izy ireo ary avelao ny elony, tia izay
manao ny tsara Andriamanitra (5:13) si, usant d’indulgence,
vous passez outre et leur pardonnnez leur ecarts cela est
meilleur aupres de Dieu (64:14) raha mandefitra ianareo ary
mamela heloka sy mamindra fo dia tena Mpamindra fo sy
Mpamela heloka tokoa Andriamanitra(64:14), (tsy ampiasa
saina isika) ireo hafa ankoatra izany kosa hampihatra ny
fahamarinan’ilay Mpandahatra toy ireo ompa voasoratra eo
ambony.
TENY FARANY
Ireo maniry hanome hendrika vaovao izao tontolo izao
dia ny tenany aloha no tokony hovany. Avy eo vao mitaridalana ny hafa ho any amin’ilay tontolo tsara kokoa. Dioviny
aloha ny tenany hiala amin’ny fialonana, ny lolom-po sy ny
fankahalana, izay vao mandravaka ny ety ivelany amin’ny
fahamasinana. Tokony mba hihezaka aloha hiala amin’ny tsy
fahaizana mifehy ny tena sy tsy fanarahana fitsipika, miezaka
manova ny fihetse-pony, mba mihezaka hahasarika sy
malemy paika. Kanefa, tsy afaka hitsetra hatrany hatrany ny
hafa foana izy fa fihetse-po kely saika hanaitra ny torimasony
fotsiny izany, vetivety dia hanjavona.
Ny hatsaram-po, ny hatsaran-tarehy, ny fahamarinana
no fototry ny maha izy azy ny tontolon’ny olombelona;
na inona na inona mitranga, hahita io tena maha izy azy io
izao tontolo izao indray andro, ary tsy misy na iza na iza
hahasakana izany.
70
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Fanamarihana:
1
Ismail, R. Faruqi, Ibrahimi Dinlerin Diyaloğu, (Traduction),
Istanbul, 1995, 51-53. Originalement intitule Dialog of
Abrahamic Faiths.
2
Graham E. Fuller et Ian O. Lesser, Kuşatilanlar-Islam ve
Batı’nın Jeopolitiği, (traduction), Istanbul, 1996, 41-42.
Originalement intitule A Sense of Siege : The Geopolitics of
Islam and the West.
3
Sidney Griffith, "Sharing the Faith of Abraham: The ‘Credo’of
Louis Massignon," Islam and Christian-Muslim Relations 8,
no.2:193-210.
4
Traduit de Suat Yıldırım, Kiliseyi İslam ile Diyalog İstemeye
Sevkeden Sebepler (Qu’est-ce qui a amené l’Eglise a établir le
dialogue avec l’Islam ?), (traduction), Yeni Ümit, no 16, 7.
5
Abu’l-Fazl Ezzati, İslam’ın Yayılış Tar ihine Giriş, (traduction),
Istanbul, 1984, 348.
6
Sidney Griffith, zaman.
7
Elmalılı Hamdi Yazır, Hak Dini Kur’an Dili, Istanbul, 2 :113132.
8
Said Nuri, The Letters, 29eme Lettre.
9
L’Evangile selon Saint Jean, Chapitre 8, Veset 7.
NY FAMELANKELOKA
HOAN’NY REHETRA
N
y fiainana dia fahasoavana iray lehibe hita soritra sy
manan- danja avy amin’Andriamanitra, ary ny fiainana
marina sy mandrakizay dia ny any ankoatra. mba hahazoantsika
io fiainana io, anaty fankasitrahana an’Andriamanitra, naniraka
mpaminany sy soratra masina tamim-pamindram-po Izy.
Noho izany antony izany no hitanisany ireo fahasoavana
nomeny ny zanak’olombelona, ao amin’ny toko iray antsoina
hoe : "ar-Rahman"(Ilay be indrafo), eo am-panombohana dia
efa hoy sahady Andriamanitra: "Ilay be indrafo, nampianatra
ny Coran, nahary ny olombelona, nampianatra azy hiteny
mazava" (55:14)
Ny zava-drehetra ety an-tany dia fanomanana ny any
ankoatra, ny zavaboary rehetra dia natao hanomana izany
tanjona izany. tazana eny amin’izay rehetra mihetsika
ny lalàny, ary ny fahobiazana rehetra dia avy amin’ny
famindrapony. Misy ireo korontana ara-tsosialy na tranga
ara-boajanahary sasany toa mahakamo eo amboalohany, tsy
afaka mihevitra izany ho tsy mifanaraka amin’ny famindrampon’Andriamanitra anefa isika. Toy ny rahona manjombona
na ny tselatra sy ny kotroka, izay mampatahotra, kanefa
milaza vaovao tsara ho antsika dia ny fiavian’ny orana, ka ny
voary manontolo no mihira fiderana ho an’Ilay be indrafo.
72
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Toy ny loharano madio teo anivon’ny tany karakaraina
i Mahommad, loharanon’ny fahazavana ho an’ny aizina
mikitroka. Ny famindram-po dia toy ny fanalahidy
mahagaga teny an-tanany, satria io no fanokafany fo mafy sy
feno arefesina izay heverin’ny olona ho tsy afaka misokatra
intsony, nefa nihoatra izany ny zava-bitany. Nandrehitra ny
fanilon’ny finoana tao am-po izy.
Ilay irak’Andriamanitra dia nampianatra ny finoana silamo,
finoana avy amin’Ilay be indrafo ho an’izao tontolo izao, nefa
dia sahin’ny sasany, izay mitonona ny tenany fa mpandala ny
maha olona, lazaina fa hoe "fivavahan’ny mpampiasa sabatra
hono". Diso tanteraka izany;
Ilaina ihany koa ny manasokajy ny famindram-po sy
manavaka izay mendrika azy, satria raha ny amboadia no
hamindrana fo dia vao mainka mihinana, ary raha tokony
ho faly amin’izay efa azony izy, dia ny mitady fanampiny
no ataony. Ny famindram-po amin’ny mpanao ratsy dia
mampitombo ny haromotany ary mampahery azy hanohitra
ny hafa. ny tena marina, mitarika ny olona hiala amin’ny
fanaovan-dratsy ny famindram-po tena izy. Ilay mpitondra
ny hafatr’Andriamanitra, raha nilaza tamin’ny mpanaradia azy fa tokony hampiana na ny mpanandala ny rariny na
ny mpanao ny tsy rariny, nangataka fanazavana izy ireo fa
toa misy fifanoheran-javatra, Ary hoy izy: "Ampio izy ireo,
sakano hiataka ny fanaovana ny tsy rariny". Noho izany, ny
famindram-po dia mitaky fa ireo mpanakorontana dia tsy
omena ny fomba hanatanterahiny izany na samborina. Raha
tsy izany hanao izay sitrapony araka izay tiany izy.
Ny famindram-pon’ilay irak’Andriamanitra dia hoan’ny
voary manontolo. Fantany fa ny fanomezana alalana ny olona
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
73
handatsa-drà sy lian-drà hamehifehy ny hafa, dia endrika
fahavetavetava mahatsiravina indridra raha sanatria ka misy.
Noho izany, nantitranteriny fa famindram-po no ahafahan’ny
zanak’ondry miaina am-piadanana, lavitry ny fanafihan’ny
ambodia. Mazava ho azy, tiany raha hahazo fitantanana avokoa
ny rehetra. Izany rahateo no andraikitra masina sahaniny:
"Mety ho ketraka mafy ianao tamin’ny zavatra nataon’ izy
ireo, raha niala tsiny fa tsy afaka hino ity fanambarana ity !"
(18:6). Rehefa naratra mafy tamin’ny ady tao Ohod izy, dia
nanandratra ny tanany ary nivavaka hoe: "Ry Andriamanitra!
Avelao ny helony fa fa tsy fantany izay ataony".
Ireo vahoaka tao Makka (La Mecque), izay vahoaka
niaviany, nampijaly azy fatratra ka mahatonga azy hifindra
monina tany Madina. Taorian’io, ny dimy taona nanaraka
dia tsy nisy fandriampahalemana. Kanefa rehefa azony,
tsy nisy ra latsaka, ny fanjakana tao Makka, ny taona faha
21 taorian’ny faminaniana, dia nametraka fanontaniana
tamin’ireo tsy mpino tao Makka izy hoe: "inona no havaliko
anareo". Namaly tsy ampiambahanbana izy ireo hoe: "ianao
dia olo-mendrika, taranak’olo-mendrika" nampahafantatra
azy ireo ny fanapahan-keviny izy: "mandehana ianareo, fa
androany dia tsy hanasazy anareo aho, Hamela ny helokareo
anie Andriamanitra. Be indrafo izy".
Nampiseho ny famelankeloka ambony indrindra ho
an’ireo tsy mpino ny irak’Andriamanitra: "tena efa tonga
teo aminareo ilay mpaminany izay olona avy aminareo
ihany, havesatra aminy ny olana mahazo anareo, hitandrina
anareo tsara izy, ireo mpino handeferany sy hamindrany
fo.(9:128), aza mitsiriritra mijery ny fahasoavana nomeko
ireo mpivady amin’izy ireo, aza mitsetra azy ireo, ary manetre
74
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tena amin’ireo mpino (15:88), ny Mpaminany dia tian’ireo
mpino miohatra amin’ny tenany (33:6), ary ny hadith
milaza hoe: "… Izay maty arahin-trosa na namela olona tsy
manam-piahy, tongava aty amiko, izaho no miantoka izany."
(Bukhari, Kitâb at-tafsîr)
Mahazo ny famindram-pony na ireo mpiatsara ivelatsihy
sy tsy mpino aza. Fantany ireo mpiatsara ivelatsihy kanefa
tsy mba notebahany mihitsy, nomeny ny zo maha olompirenena feno, noho izy ireo mbola maneho ny finoana sy ny
fampiharana ny finoana .
Ireo tsy mpino dia voalazan’Andriamanitra fa haringany,
maro ireo vahoaka efa naringany fahiny: "tsy hanasazy
azy ireo eo anatrehanao Andriamanitra; tsy hanasazy azy
ireo Andriamanitra raha mangata-pamelana izy ireo."
(8:33). Mahakasika ireo tsy mpino nandritry ny vanimpotoana nifandimby io andidiny io. Tsy handringana olona
Andriamanitra raha mbola misy mpino mankatoa ny iraka
nalefany. Fanampin’izany, navelany hisokatra ny varavaran’ny
fibebahana hoan’ny olona tsirairay, eny fa na dia ny mpanota
aza . Na iza na iza manaiky ny finoana silamo na mangatapamelana amin’Andriamanitra, dia hekena ny fibebahany na
dia ratsy toy inoana aza ny fahotana vitany.
Ny mpino silamo dia mampiseho ny endriky ny
fandeferana amin’ny tsy mpino. Rehefa nahita lahy antitra
80 taona tsy mpino io ‘Omar dia tafapetraka izy ary nisento.
Rehefa nanontaniana izy hoe fa nahoana dia namaly hoe:
"Nomen’Andriamanitra fiainana lava izy kanefa tsy nahita ny
lalana mahitsy". I ‘Omar dia mpanaradia ny irak’Andriamanitra
izay niteny hoe: "Tsy nalefa hanozona ny olona aho fa nalefa
ho mpamindra fo" ary "Izaho no i Mohammad sy Ahmad
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
75
(ilay noderaina) sy Mouqaffi (Mpaminany farany); izaho
no i Hachir (eo anoloany no hananganan’Andriamanitra ny
maty rehetra teo alohany); Mpaminan’ny famelan-keloka
(hisokatra ho azy hatrany ny varavaran’ny fibebahana), ilay
Mpaminany be indrafo.
Nangoraka zaza koa ny irak’Andriamanitra, raha
mahita zaza mitomany izy dia mipetraka teo an’ilany ary
manambitamby azy. Toy ny fitaintainan’ny reny amin’ny
zanany ny fitaintainany na mihoatra izany. Hoy izy indray
andro: Raha nitarika fivavahana iny indrindra aho no nandre
zaza mitoreho, dia nataoko haingana, sao mijaly ny reniny".
Noraisiny ny zaza ary notrotriny. Rehefa nitrotro ny ireo
zafikeliny malalany roa, i Hassan sy Houssaïn izy indray
maka, dia hoy i Aqra ibn Habis taminy: "mananjanaka folo
aho, ary tsy nanoroka na oviana na oviana ny iray taminy".
Namaly azy ny irak’Andriamanitra: "Izay tsy mitsetra ny hafa
dia tsy hitserana koa izy". Amin’ny fitantarana hafa, hoy izy
tamina tambanivohitra arabo iray: "Inona no azoko atao anao
raha alan’Andriamanitra ao am-ponao ny famindram-po"?
Mbola nilaza izao koa izy: "Manàna famindram-po
amin’ireo izay ety ambonin’ny tany mba famindra fo aminao
ilay any an-danitra". Raha narary i Sa’d ibn ‘Ubada indray
andro dia namangy azy ny irak’Andriamanitra, nitomany
izy raha nahita ity namany tamin’endrika mampalahelo,
nilatsaka ny ranomasony ary hoy izy: "Tsy manameloka noho
ny ranomaso sy ny alahelo Andriamanitra fa manameloka
amin’izay vitan’ity", ary notondroiny ny lelany. Nitomany
mafy izy rehefa maty i ‘Othman ibn Mad’un.
Namely tehamaina ny mpanompo vaviny ny iray tamin’ny
fokon’I Bannu Muqarrin indray andro. Nambarany tamin’ny
76
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mpaminany izany, nampanantsoiny, ary hoy izy: "Nikapoka
azy tsy amin’antony ianao. Votsory izy". Naleony namotsotra
ny andevony toy izay ho voasazy amin’ny nataony, any ankoatra. Ilay irak’Andriamanitra dia miaro sy manampy ny
maty vady, ny kamboty sy ny mahantra ary ny manankilema,
eny fa na dia talonan’ny naha Mpaminany azy aza. Rehefa
nandao ny lavabato antsoina hoe Hiraa izy, ary nihetsi-po
tokoa, noho ny tenin’ny faminaniana volohany ka niverina
tany aminy, hoy i Khadija vadiny taminy: "Mahatoky aho
fa ianao no ho mpaminanin’ny Oumma (vahoaka silamo),
satria ianao milaza ny marina hatrany, mendri-pitokisana
ianao, mandala fihavanana, manampy ny mahantra sy ny osa,
manaja vahiny".
Hatramin’ny biby rehetra aza mahazo ny famindrampony. Nianarantsika taminy fa "ny vehivavy janga iray dia
notantanin’Andriamanitra tamin’ny fahamarinana ary tafiditra
ao am-paradisa noho ilay alika mahonena, saika matin’ny
hetaheta, nomeny rano. Etsy andaniny, hatsipy any anaty afo
ny vehivavy iray satria namela saka ho matin’ny anoanana".
Indray andro, rehefa avy nanatanterakany raharaha miaramila
izy ireo dia nisy ireo mpanara-dia azy naka zana-borokely
tao anaty tranony mba ho safosafoina. Tsy nahita ny zanany
tao ny reniny rehefa niverina ary nanidintsidina teo amin’ny
manodidina sady nihiakiaka mafy. Tezitra ny mpaminany
rehefa nambara azy izany ary nandidy ny hamerenana ny
zana-boronkely any amin’ny akaniny.
Rehefa tany Mina izy, nahazo bibilava iray saika ho vonoiny
ny mpiaradia taminy sasany, soa ihany fa afa-mitsoaka ilay izy.
Nahatazana izany avy lavitra ny irak’Andriamanitra ka nanao
fanamarihana hoe: "Avotra tamin’ny haratsianareo izy, toy
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
77
ny nanavotana anareo tamin’ny faharatsiany". Mitantara i Ibn
‘Abbas fa nahita lehilahy iray ny Mpaminany, eo imason’ilay
ondry ho vonoiny izy no mandranitra ny antsiny, dia hoy izy
nanontany: "fa tianao ho vonoina im-piry izy io".
Nanafoana ny fanavakavahana ara-bolonkoditra sy arapihaviana rehetra ny mpaminany. Tezitra mafy tamin’i Bilal
i Abou Dharr indray andro ka nanevateva azy hoe: "Inona
koa izay ianao taranaky ny mainty!". Nambaran’i Bilal tamindranomaso ny mpitondra afatr’Andriamanitra izany. Nanome
tsiny an’i Abou Dharr ny mpaminany: "mbola miaina anaty
habadoana (jahiliyya) foana ve ianao?". Nanenina tanteraka
izy, Nitsotra tamin’ny tany i Abou Dharr ary niteny hoe: "Tsy
hiarina aho raha tsy mametraka ny tongony eo an-dohako i
Bilal".Namela ny helony i Bilal ary nihavana izy ireo.
Fanamarihana:
Ity lahatsoratra ity dia an’iFethullah Gülen, Sonsuz Nur, 9eme Ed.
(Izmir: Nil Yayinlari, 1997), 1:377-97.
1
Ibni Hisham, as-Sira an-Nabawiya, 4:55; Ibn Kathir, al-Bidaya
wa an-Nihaya, 4:344.
2
Muslim, Sahih, "al-Birr," 87.
3
Ahmad ibn Hanbal, Musnad, 4:395; Muslim, Sahih, "Fadha’il,"
126.
4
Bukhari, Sahih, "al-Adhan," 65; Muslim, Sahih, "as-Salat," 192.
5
Sahih al-Bukhari, "al-Adabn" 18.
6
Bukhari,Sahih, "al-Adab," 18; Muslim,Sahih, "Fadh’il," 64; Ibn
Maja, as-Sunan, "al-Adab," 3.
7
Tirmidhi, as-Sunane, "al-Birr," 16.
8
Bukhari, Sahih "al-Jana’iz," 44; Muslim, Sahih, "al-Jana’iz," 12.
9
Muslim, Sahih, "al-Ayman," 31, 33; Ibn Hanbal, Musnad,
3:447.
78
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
10
Ibn Sa’d, at-Tabaqat al-Kubra, 1:195.
11
Bukhari, Sahih, "al-Anbiya" 54, "Mussaqat", 9; Muslim, Sahih,
"as-Salem," 153; Ibn Hanbal, Musnad, 2:507.
12
Abu Dawud, as-Sunane, "al-Adab," 164, "al-Jihad," 112; Ibn
Hanbal, Musnad, 1:404.
13
Nasa’i’as-Sunane, "al-Hajj," 114; I, Hanbal, Musnad, 1:385.
14
Hakim, al-Mustadrak, 4:231, 233.
15
Bukhari,Sahih, "al-Iman," 22.
NY DJIHAD SY IREO
ENDRINY SAMY HAFA
(Anisan’ny iray amin’ireo hevitra tsy azon’ny mpino silamo sy
ny Tatsinanana loatra ny DJIHAD. Manadihady io hevitra io
i Fethullah Gülen ao amin’ny bokiny mitondra ny loha-teny
hoe: "Ila-Yi Kelimetullah veya Cihad" (Omeo voninahitra ny
ANARAN’ANDRIAMANITRA: ny DJIHAD ) sy amin’ireo
valinteny nomeny mikasika azy io tamin’ny fametrahampanontaniana taminy. Ampahany tamin’io boky io sy ny
fametraham-panontaniana natao taminy ireto manaraka ireto)
INONA MOA NY DJIHAD ?
A
vy amin’ny foto-teny arabo dj-h-d, ny DJIHAD izay
midika hoe mampiasa ny heriny manontolo, na koa
hoe: miroso amin’ny tanjona amin’ny fahefany rehetra sy ny
heriny ary manohitra ny zava-tsarotra.
Noho ireo trangan-javatra teo amin’ny finoana silamo,
dia niova dika ny DJIHAD: Ny ezaka atao amin’ny
lalan’Andriamanitra. Izany no heviny izay tonga ao an-tsaina
matetika ankehitriny. Zavatra roa no voakasik’io ezaka io:
ny anaty sy ety ivelany. Ny anatiny dia ny ezaka atao mba
hanatrarany ny maha izy azy, ny faritra ivelany kosa dia
ny fitaovana ampiasaina hanatrana ny maha-izy azy. Ilay
voalohany no DJIHAD lehibe ary ny faharoa kosa no DJIHAD
kely. Ny voalohany dia mikendry ny handresentsika ireo
80
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
filan-dratsy izay misy ao anatintsika sy ny maha-isika antsika,
dia ny fanahy sy ny làlany mankany amin’ny fahalalana, izay
miafara amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fitiavany
ary ny fahasambarana. Ilay faha-roa kosa dia mikendry
hanafoana ireo ratsy manelanelana ny olona amin’ny finoany
mba ahafahany manana safidy malalaka amin’ny fandraisany
ny andraikiny amin’io làlalana io.
ENDRIKY NY DJIHAD
Ny djihad kely dia tsy midika fotsiny hoe mifanandrina.
Raha ny tena marina, ny djihad kely dia manana hevitra sy
fampiharana malalaka, mety ho zavatra kely, fahanginana,
fiketronana na tsiky, fivoahana na fidirana anaty vodron’olona,
izany hoe, izay atao rehetra ho an’ny fitiavan’Andriamanitra.
Ny fahaiza-mifehy ny fitiavana sy ny hatezerany arakaraky ny
fankasitrahany dia tafiditra ao anatin’ny DJIHAD kely avokoa.
Araka izany, ny ezaka hanovana ny fiarahamonina rehetra
sy ny olona dia anisan’ny DJIHAD kely avokoa, toy izany
izay ataontsika ho an’ny fianakaviantsika, ny manodidina, ny
mpifanolo-bodirindrina sy ny manodidina rehetra.
Anisan’ny heviny, ny DJIHAD kely dia ho an’ny
zavatra azo tsapain-tanana fa ny DJIHAD lehibe kosa dia
mahakasika ny tontolon’ny fanahy, satria tolona hifanaovana
amin’ny tontolo anatintsika sy ny filan-dratsy. Raha mahita
fahombiazana amin’ireo DJIHAD ora ireo, dia ho tanteka
ny fifandanjana tadiavina. Ary raha tsy eo ny iray, potika ilay
fifandanjana. Ny mpino dia hahita fiadanana sy hery vaovao
raha mifandanja ireo DJIHAD ireo.
Maro ny lalana mitondra ireo voary mankany
amin’Andriamanitra. Tantanan’Andriamanitra amin’ny iray
Lahatsoratra Notsongaina Tamin’ny Asan’i Gülen
81
na ny maromaro amin’ireo làlana ireo izay mitady ny fiadanana
noho ny fitiavana Azy. Sokafany ho an’ny tsara ny lalany, ary
arovany tsy hizoran’ny ratsy. Ny rehetra dia samy mizotra eo
ampovofoan’ny lalany, ny tezitra, ny kinga saina, ny be sitrapo,
ary eo afovoan’ny lalany koa no mizotra ireo manao djihad sy
ireo mpanompo, izay midika fa Andriamanitra dia nitantana
ny olombelona amin’ny lalan’ny fandriampahalemana.
Ny DJIHAD kely dia fanetrentsika tena mba ho
fanatanterahina ny didin’Andriamanitra ; ny DJIHAD lehibe
dia ny ady atao amin’ny fisainan-dratsy sy ny fihetseham-po
tia manohitra sy tia manimba(ratsy fanahy, mankahala, be
sitra-po, tia tena, mpanambony tena,mihevi-tena ho zavatra,
mpanao ratsy, sns) ka mahatonga antsika tsy ho mendrika;
satria io dhijad io dia sarotra raha mihoatra amin’ny jdihad
lehibe, Izay rehetra tsy mahomby amin’ny DJIHAD lehibe
dia tsy hahomby amin’ny DJIHAD kely koa
Hoy i Aïcha mitanatara:
"Indray alina, nangataka tamiko ny Irak’Andriamanitra:
"Ry Aïcha, moa va afaka miaraka amin’ny Tompoko aho
amin’ity alina ity ?" Ampahamendrehana no angatahany
fankatoavana). Ny fahamboniana sy ny fahamendrehana
dia anisan’ny toetra tsara maneho ny maha izy azy ny
mpaminany. Dia namaly aho: "Ry Irak’Andriamanitra, tiako
ny miaraka aminao, kanefa mbola tiako kokoa noho izany
izay tianao". Nisasa ny mpaminany ary nivavaka. Novakiany
ity andininy ity: "Ny fahariana ny lanitra sy ny tany, ny
fahasamihafana misy eo amin’ny alina sy ny antoandro
dia milaza zavatra ho an’izay manan-tsaina." (3: 190), ary
nilatsaka mandra-maraina ny ranomasony."
Maneho ny zava- mihafina ao anatin’ny Mpaninantsika
sy ny DJIHAD lehibe nataony izany. Ny djihad dia ny
82
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
firindran’ny fisokafana amin’ny tontolo anatiny sy ivelany. Ny
ho mendrika ara-panahy sy ny hampanjary ny hafa ho toy izany
dia zava-dehibe tokoa. Ny ezaka atao amin’ny fanadiovana ny
fanahy dia antsoina hoe djihad lehibe, ary ny fanampiana ny
hafa hanao toy izany no antsoina hoe djihad kely. Raha vao
misaraka izy roa dia tsy DJIHAD intsony ny DJIHAD. Ny iray
miteraka ny toetra tsara, ny iray miteraka ny fikorontanana.
Sambatra izay mikatsaka fandriampahalemana, tsy ho an’ny
tenany fotsiny fa ho an’ny hafa ihany koa, sambatra izay sady
mamonjy ny tenany no mamonjy ny faha.
Fanamarihana:
Ity lahatsoratra ity dia an’i Fethullah Gülen, I’la-yi Kelimetullah
veya Cihad (Izmir : Nil Yayinlari, 1998) sy Asrin Getirdiği Tereddütler (Izmir : TÖV Yayinevi, 1997) 3:186-219.
1
Ibn Kathir, Tafsir (Al ‘Imran), 190.
M. FETHULLAH GÜLEN SY
NY FANABEAZANA
"Manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana i
FETHULLAH Gülen. Tsy ny fanabeazana ny saina ihany fa
na ny fanabeazana ny fo sy ny fanahy ihany koa. Nampalaza
azy ny fitadiavana ny fomba rehetra hampaherezana ny
olona hanangana toeram-panabeazana na tao Turquie na
tany ivelany. Ato amin’ity fizarana ity no hanehoantsika
ny heviny mikasika ny fanabeazana sy ireo asa fanabeazana
ataon’ireo mpandraharaha Turka any ivelan’i Turquie."
NY FIANARANA DIA MANOMBOKA
EO AM PAHATERAHANA KA
HATRANY AM PASANA
Fampidirana
A
ndraikitra fototra sy tanjon’ny fiainan’ny zanak’olombelona
fitadiavana fahalalana. Ny fiezahana amin’izany no
antsoina hoe fanabeazana, ary dingana mankany amin’ny
fahatsarana izay azontsika, na ara-panahy na ara-batana,
ka nahavoafidy antsika ho modely tonga lafatry ny voary.
Teo am-pahaterahana, tamin’ny fiatombohan’ny fiainana
an-tany raha vao nitsimoka ny fanahy ho amin’ny fiainana
mandrakizay, dia narefo sy ory isika. Ny ankamaroan’ny biby
kosa anefa raha vao tonga eto an-tany dia efa tonga lafatra, toa
efa nomanina ho lafatra. Ao anatin’ny ora vitsy, andro na volana
vitsivitsy monja dia efa hainy izay ilainy amin’ny fiainany sy
ny fifandraisany amin’ny tontolon’ny voary hafa. Ohatra, ny
fody sy ny tantely dia efa maoty sy mahazo ny toe-batana
ary ny filana ara-piaraha-monina ilaina ao anatin’ny roapolo
andro monja; isika olombelona dia mila 20 taona raha kely
86
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
indrindra vao mahatratra ny fahamatorana azo ampitahaina
amin’izany. Teraka isika, sady marefo no tsy mahafantatra
ny lalam-piainana ary tsy maintsy mikiakiaka mitomany mba
hahazo fanampiana amin’izay ilaintsika. Afaka taona iray eo
ho eo, mitsangan-drery sy miana-mandeha isika. 15 taona
vao heverina fa afaka manavaka tsara sy ny ratsy, ny manimba
sy ny mahasoa isika. Toa ny fiainana iray manontolo mihitsy
no lany vao mahazo ny fahalalana sy ny fanahy matotra.
Adidy fototra ny mihezaka ho tomombana, ny hanavaka
tsara ny lalan-kizorana, ny fahaiza- mamakafaka, ny fomba
entina mino. Eo am-panantanterahana ny fanompoana ilay
Mpahary, Mpamorona ny ho avy sy Mpiaro, ary eo ampidirana ny misiterim-pahariana, noho ny fahamendrehana
sy ny fahafahana hananantsika, dia mikatsaka ny hanatratra
ny ambaratonga maha olombelona isika, mba ho mendrika
ilay fiainan-tsambatra sy mandrakizay any amin’ny tontolo
ankoatra isika. Tontolo tena izy.
Ny maha-olona antsika dia taratry ny fahadiovan’ny
fontsika. Ireo rakotry ny fisainan-dratsy, ny fanahiny potiky
ny fitiavan-tena, dia mitovy tsy misy valaka amin’ny olondrehetra, saingy mbola ho porofoina raha olombelona tokoa
izy. Samy mampiasa ny vatany ny olon-drehetra, kanefa vitsy
dia vitsy ireo afaka manabe ny fanahiny sy fony. Ny fanazarantena voalohany dia ny hahatonga ny vatana ho tomady, ny
faharoa kosa dia ny fanazarana ny tontolo ara-panahy.
NY FAHAFAHA-MANAONTSIKA SY NY
FANABEAZANA
Nosokajiana ho vondroa telo hatramin’ny fotoanan’ny Ibu
Miskawayh ny fahafaha-manaon’ny olombelona: ny fihevitra,
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
87
ny fahatezerana, ny faniriana. Ny fihevitra, dia mahakasika
ireo fahafahantsika mamolavola zavatra, maka sary an-tsaina,
mandinika, mitadidy, mianatra, sy ny sisa. Ny fahatezerana,
dia ny fahafahantsika miaro tena izay faritan’ny lalàna silamo
fa ilaina mba hiarovana ny finoantsika sy ny fivavahantsika, ary
ny fahatonian-tsaina sy ny fananana, ny aina sy ny fainakaviana
ary ny zava-masina hafa. Ny faniriana, dia anaran’ireo hery
manetsika ny filàna maha-biby antsika.
"Natao mena miraviravy ho an’ny olona ny fitsiriritana
vehivavy, zanaka, tahirim-bolamena sy ny volafotsy, ny
soavaly voabaiko, ny biby fiompy sy ny saha; fahafinaretan’ny
fiainana an-tany ireny, any amin’Andriamanitra kosa ny
fiverenana tsara" (3:14)
Io hery manosika io koa dia hita ao amin’ireo zavaboary
hafa. Tanterahany araka izay tiany ny faniriany, araka izay
takatry ny sainy, ataony araka izay fomba hamaritany ny
fiarovan-tenany sy ny fanjakany, voafetra anefa izany ho
an’ny zavaboary rehetra fa tsy mba toy ny olombelona. Fa
isika tsirairay avy dia malalaka amin’ny fahaiza-mitsara ny
tenany, ka hifehy ny safidiny araka ny lalana. Ka ny fahaizana
mametraka lalana no mamaritra ny maha olona antsika,
Arakaraka izay manodidina antsika sy ny zava-misy, io
hery io matetika dia miseho endrika fialonana, fankahalana,
fiantsina, fihatsarambelatsihy, sy avonavona. Mila fifehezana
tsara avokoa ireny rehetra ireny.
Tsy natao ho vatana sy saina fotsiny isika. Manampanahy izay tsy maintsy omena fahafaha-po. Raha tsy misy
io dia tsy afaka ny hahita ny tena fahasambarana marina sy
fahatomombanana isika. Tsy hisy ny fahafaham-po arapanahy raha tsy amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy
88
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ny finoana azy. Raha mianona fotsiny amin’ny tontolo
ara-batana isika dia tsy ho tafavoaka. Afaka mandresy izany
amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiderana isan’andro isika. Ka
hifehy tena hampihatra ny fahaiza-manaontsika. Tsy hamafa
ny safidintsika isika, fa hampiasa ny fahaiza-mitsara tena
malalaka mba hamehy sy hanadio azy, hitarika azy mankany
amin’ny fahamarinana. Ohatra, tsy afaka manafoana ny
fanirian’ny filan’ny nofo isika, fa afaka manome fahafahampo izany, manambady ara-dalàna mba hananana taranaka.
Ny fahasambarana dia ny fahaizantsika mifehy ny vaikan’ny
filantsika ara-nofo, mametra azy ho ara-dalàna, maotina sy
mendrika fa tsy ho amin’ny filibana sy fahavetavetana.
Toy izany koa, ny fialonana dia azo avadika ho toetsaina
tsy misy lolom-po, ka hahatonga antsika ho toy ireo
mendrika sy mpanao asa soa. Ny fampiharana ny marina
izay fantatsika dia hampitatra ny fahalalantsika, ka hahatonga
antsika hahay mandanjalajna sy ho hendry. Ny fahaizamifehy ny hatezerana dia hahatonga ny olona ho feno heripo sy faharetana. Fehezo ary ny filàna sy ny faniriantsika dia
ho maotina kokoa isika.
Raha heverina ho toy ny ivom-paribolana iray ny
fahamasinana, ka ny hetsika rehetra lavitr’izany ivo izany
no ndeha heverina fa fahavetavetana, izay miha loza hatrany
isaky ny mihataka ilay ivo, Ny fahamasinana iray dia
voadidina fahavetavetana tsy voaisa, ny ivo tokoa dia tokana
fa ny teboka manodidina azy no tsy hita pesipesenina, feno
teboka avokoa izay rehetra topazana, ary ny tsy ivo rehetra
dia fahavetavetana.
Misy zavatra roa lehibe mifamatotra amin’ny fahamarinana
ara-moraly: na izy banga na izy mihoatra. Raha ampitahaina
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
89
amin’ny fahendrena ireo zavatra roa ireo dia tsy inona fa ny
hadalàna sy ny fahamasinana. Raha amin’ny herim-po indray
dia ny hakanosana sy ny tsy fitandremana. Raha amin’ny
fahamaotianam-pitondran-tena indray dia ny fahasarotankenatra sy ny tsy fahatsiarovan-tena. Noho izany, ny
fahatomombanan’ny olombelona (izay tanjona lehiben’ny
fisiantsika) dia mifototra amin’ny fahaiza-mandanjalanja
am-pahamendrehana ireo zavatra roa mifamatotra amin’ny
fahamarinana ireo. I "Ali ibu Abi Talib dia milaza fa:
"Nataon’Andriamanitra mahira-tsaina, tsy mila fiaraisana
ara-nofo na hafinaretana na hatezerana ny anjely, ny biby
kosa nataony tezitra, be sitrapo, tsy misy fahiratan-tsaina. Ny
olobelona kosa nomeny voninahitra ka nomeny azy daholo
izany toetra rehetra izany. Noho izany, ny faharanitantsainan’ny olona iray raha ahavitany manohitra ny filandratsiny sy ny herisetrany dia ho ambony noho ny anjely izy,
satria izy amin’ny maha olombelona azy no niezaka hahazo
izany, fa tsy mba toy ny zava-nitranga tamin’ny anjely.
Tsy vita ny manatsara ny fiarahamonin’ny zanak’olombelona
raha tsy asandratra ho amin’ny laharana maha-olona izy, fa tsy
hoe aringana ny taranaka ratsy. Raha mitsiry ny fivavahana
sy ny fombafombam-pinoana sy ny fahalalana ny tantara ka
mitsimoka amin’ny firenen-drehetra, dia hisy taranaka tsy
hampoizina hipoitra, hitombo ny habeny, hisolo terana ireo
taranaka ratsy mendrika aringana."
NY TENA HEVITRA MARINA SY NY TENA
LANJA MARIN’NY FANABEAZANA
Ny fanabeazana amin’ny fampianarana sy ny ohatra tsara dia
asa ambony, izay ambaran’ny Anaran’Andriamanitra Masina
Rabb (mpanabe). Raha maha-tanteraka io asa io isika dia izay
90
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
vao azo lazaina fa tena olona sy mpanome vokatsoa ho an’ny
fiaraha-monina.
Ain-dehiben’ny fiarahamonina sy ny tsirairay ny
fanabeazana. Voalohany, ny fahadiovan’ny fihetse-pontsika
no mamaritra ny maha olona antsika. Ireo rakotry ny
haratsim-panahy, giazan’ny fitiavan-tena dia toa mbola
ohatran’ny olombelona ihany, mampanontany tena hoe tena
olombena marina ve izy ireo. Saika ny olon-drehetra no
afaka mikolokolo ny vatany, fa vitsy amin’izy ireo kosa no
afaka manabe ny fanahiny sy ny fieritreretany. Faharoa, tsy
ho tanteraka mihitsy ny fanatsarana ny fiarahamonina iray
raha tsy beazina ho olombelona aloha ny taranaka, fa tsy hoe
aringana ireo taranaka ratsy. Rehefa mitsimoka ny fitiavana
fivavahana, sy ireo fombafombam-pivavahana, sy fahalalana
ny tantara ka haniry any amin’ny firenen-drehetra, dia hisy
taranaka vaovao tsy nampoizina hipoitra ary hisolo ireo
taranaka ratsy mendrika aringana.
Miankina amin’ny tanora ao aminy ny ho avin’ny firenena
iray. Ny olon-drehetra izay te-hanana ho avy mahafinaritra
dia tsy maintsy mandany mondronkery mba hanabeazana
ny zanany fa tsy mandany izany amin’ny zavatra hafa. Ny
firenena iray tsy miraharaha ny tanora ao aminy fa mamela
azy hanjakan’ny kolontsaina avy any ivelany dia mety tsy ho
fantatra intsony ary ho osa ara-kolotsaina sy ara-politika.
Ny antony nampahatonga ny hadalàna mihoapapan’ny
taranaka ankehitriny sy ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitarika
sasany ary ny olana hafa manenika ny firenena dia noho
izany sy izay teo amin’ny fitondrana tao anatin’ny 25 taona.
Toy izany koa, izay manabe ny tanora ankehitriny dia ho
tompon’andraikitra amin’ireo adalana sy fahamarinana
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
91
hiseho afaka 25 taona. Izay te-hamolavola ny ho avin’ny
firenena dia afaka manao izany amin’ny fanomezan-danja ny
fanabeazana sy ny fampianarana raisin’ny tanora ao aminy. Ny
tena fiainana dia tsy hisy raha tsy miaraka amin’ny fahalalana.
Noho izany, izay manao ambanin-javatra ny fianarana sy ny
fampianarana dia azo heverina ho toy ny "maty" na dia velona
aza, satria noharina mba hianatra sy hampianatra ny hafa izay
azontsika isika.
Ny fanapahan-kevitra tsara dia miankina amin’ny
fahasalaman’ny saina amam-panahintsika. Ny fahaizana (ao
anatin’izany ny fahalalana ara-tsiansa) dia manazava sy manabe
ny saina; Izany no mahatonga ny saina tsy misy fahalalana tsy
ho tonga amin’ny fanapahan-kevitra tsara ary matahotra ny ho
diso lalana sy ho very mandrakariva.
Tsy tena olombelona isika raha tsy mianatra sy
mampianatra ary mitsinjo ny hafa. Sarotra ny mihevitra fa tena
olombelona ireo bado sy tsy manam-panirina mba hianatra
na dia kely aza, ary mampanontany tena koa ireo manampahaizana nefa tsy mivoatra tsy miova, mba ho ohatra ho
an’ny hafa, tena olombelona ve izy ireo. Ny voninahitra sy
ny fahamendrehana azo avy amin’ny fahalalana dia ambony
sy maharitra kokoa noho izay azo avy amin’ny zavatra hafa.
Hitantsika teo ny maha-zava-dehibe ny fianarana sy ny
fampianarana, tsy maintsy faritantsika ihany koa, inona no
ianarana sy ny ampianarina, tsy maintsy faritantsika tsara izay
zavatra ianarana sy ampianarana, rahoviana ary ahoana. Eny
fa na dia ny fahalalana ny momba ny tenany sy ny maha izy
azy aza, ny hahazahoana azy dia ny toro- lalana, ny fanazavana
ny lalana nizoran’ny fivelaran’ny maha olona. Noho izany,
ny fahalalana rehetra tsy mitondra tombotsoa ho an’ny
92
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mpianatra dia enta-mavesatra ho an’izay mianatra azy, ary ny
fahalalana tsy hitarika antsika mankamin’ny tanjona ambony
dia fitaka.
Ny fahalalana azo amin’ny antony tsara dia loharano tsy
manam-paharitana, fahasoavana ho an’izay nampita azy. Izay
manana io loharano io dia ho tadiavin’ny hafa mandrakariva,
toy ny loharano mamy sy mitarika ny olona amin’ny tsara. Ny
fahalalan izay mianona fotsiny amina foto-kevitra poakaty sy
amina fakopakok’evitra tsy voatsakotsako, izay mampifoha
fanendrikendrehana ao an-tsaina sy manamaiziana ny fo, dia
toy ny "bolonga-pako" didinin’ny fanahy diso fanantenana sy
misavoraka. Noho izany, ny fahalalana tokony hikatsaka ny
tena maha olona sy ny misiterin’ny fahariana. Ny fahalalana
rehetra na izay lazaina fa siantifika aza dia tsy marina raha tsy
manazava ny zava-miafina maha-olombelona ny olombelona
sy ny azin’ny fisiana.
Ny ho avin’ny olona tsirairay dia mifamatotra akaiky dia
akaiky amin’izay zavatra azony sy nironany fony hatry ny
fahazazany sy ny fahatanorany. Ny zaza sy ny tanora raha
nobeazina tao anatin’ny tontolo mampifoha hafanam-pony
amin’ny fisainana ambony, tsy ho ela izy dia hanana saina
matanjaka ary ho porofon’ny fahamarinana sy ny hatsarampitondrantena.
Na dia tsy maintsy beazina amin’ny fomba hentitra sy
feno fitandremana toy ny voninkazo aza ny zazavavy mba
ho tonga mpanabe malefaka sy mitandrina, dia tsy maintsy
atao koa izay hampahatonga azy ho mpiaro tsy milefitra ny
fahamarinana. Raha tsy izany, hamolavola azy ho osa sy tsy
hanakery amin’ny tambitamby voakaly isika. Aza adino fa
liona ny liona vavy.
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
93
NY FIANAKAVIANA, NY SEKOLY SY NY
MANODIDINA
Ny firenena te-hanana ho avy azo antoka dia tsy azony atao
odian-tsy hita fanabeazaa ny zanany. Ny ankohonana, ny
sekoly, ny manodidina sy ny haino aman-jery dia tsy maintsy
miara-miasa mba ahazoana ny vokatra tadiavina. Raha tsy
mitovy firehana ireo hery ireo dia hisy fiantraikany mifanohitra,
amin’ny tanora, ka hahatonga azy hizotra amin’ny fahadisoana
ka handraraka ny herim-pony. Ny haino aman-jery indrindra
indrindra dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanabeazana
ny tanora, tsisy valaka amin’ny fanabeazana tovozin’ny
fiarahamonina. Tsy maintsy atao tomombana araka izay azo
atao koa, ny fandaharam-pianaran’ny sekoly, ny fitondrantena sy ny fari-pahalalan’ny mpampianatra, ny fitaovana
ilaina amin’ny fitantanana. Ny ankohonana ihany koa dia tsy
maintsy manome tontolo mahafinaritra sy mendrika ary tena
ilaina amin’ny fanabeazana ny zaza.
Nandritra ny taon-jato voalohan’ny silamo, na ny saina
na ny fanahy dia samy niezaka mafy hahalala izay sitrak’ilay
Andriamanitry ny lanitra sy ny tany. Ny dinidinika, adihevitra,
ny fifandraisana sy ny zava-nitranga rehetra dia toa nihompana
tamin’izany avokoa. Vokatr’izany, ny tsirairay, araka ny
fahafahany manao, dia samy nampiseho ny maha izy azy sy
ny hatsara-panahiny tamin’ny tontolo manodidina azy. Toy
ireny hoe lasa mpanabe ireny ny zavatra rehetra tamin’izany,
ka samy manomana ny fanahy sy ny sain’ny tsirairay avy
ary mampivoatra ny fahafahany, mba hisondrotan’ny faripahalalan’ny momba ny finoana silamo.
Ny sekoly voalohany hanovovantsika ny fahalalana tena
ilaina hahatonga antsika ho tomombana tsara dia ao an-
94
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tokatranon’ny Ray aman-ndReny. Io tokantrano io no fototra
tsara indrindra ho an’ny fahalalana ny taranaka ao aorina
sy mba hiantohana lamina sy rafitra ara-tsosialy mirindra.
Mitohy mandrity ny androm-piainana izany andraikitra izany.
Izay voaraintsika ao an-tokantrano dia mamela marika tsy
voafafa amintsika. Ankoatra izany, ny tondro zotra omen’ny
fianakaviana ny zaza ao an-trano (ny fifandraisana amin’ny
rahalahy sy ny anabavy, ny kilalao sy ny sisa) dia mitohy hatrany
an-tsekoly (naman’ny zaza, ny bokiny, ny toerana alehany).
Tsy maintsy manabe ny sain-janany amin’ny fahalalana ny ray
aman-dreny mialohan’ny tsy hidiran’ny zavatra tsy manjary ao
an-tsainy, satria ny fanahy tsy misy fahamarinana na fahalalana
dia saha hitsimohana sy hanirian’ny fisainan-dratsy.
Tsy afaka handray fahalalana tsara ao an-tokatrano
ny zaza, raha tsy hitany ao ilay fahamendrehana. Noho
izany, ny tanjon’ny fanambadiana dia tsy maintsy afototra
amin’ny fiainam-pianakaviana mendrika sy mandray anjara,
indrindraindrindra amin’ny fizoran’ny fiainam-pireneny sy
ny fiainan’ny zanak’olombelona amin’ny ankapobeny. Ny
filaminana sy ny fahasambarana, sy ny fiahiana misy ao antokatrano no mahatonga ny fahaizana mandanjalanja, fahaizamitondra tena, ary finoana iombonan’ny mpivady. Alohan’ny
hanapahan-kevitra hivady, dia tokony hifanadihady tsara ny
lahy sy ny vavy ary manao ho zava-dehibe ny fahadiovantsaina, ny hafamaotinana, ny toetra sy ny fahamarinana,
fanampin’izany ny fari-pananany sy ny bika aman’endrika.
Ny faharatsiana sy ny ditran’ny zaza dia taratry ny tontolo
nanabeazana azy. Ny fiainam-pianakaviana tsy mendrika
dia mandoto tokoa ny sain’ny zaza no sady mandoto ny
fiarahamonina.
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
95
Ao an-tokatrano, ny lehibe dia tsy maintsy mendrika
manoloana ny kely, ary ny kely manaja ny lehibe, mba
hisian’ny fifanajana. Tsy maintsy mifanaja sy mifankatia ny
ray aman-dreny, ary tsy maintsy manabe ny zanany aminkatsaram-po sy manaja ny fihetseham-pony. Tsy maintsy
marina eo anatrehan’ny zanany tsirairay avy izy, tsy manavaka
azy ireo. Raha mampahery ny zanany hampivelatra ny fahaizamanaony, sy hanavotra ny tenany tenany, sy ny fiarahamonina
ny ray aman-dreny, dia nanangana andry tsy voazera ho an’ny
tanindrazany. Raha tsy mampianatra ny fihetseham-po sy ny
fanabeazana izay ilaina ho ao amin’ny zanany izy dia mamaha
sy mandefa maingoka ao amin’ny fiarahamonina.
Ny toetra mendrika dia fahamarinana hanomezan-danja
izay manana azy. Ireo izay manana toetra mendrika dia
mamy hoditra na dia tsy dia manana fari-pahalalana ambony
loatra aza izy. Ny vondrom-bahoaka tsy manana kolontsaina
sy fanabeazana dia toy ny olona tsy tomombana, satria tsy
ahitana fahatsarana ao amin’ny fifankatiavan’izy ireo, tsy misy
firaisankiana. Ho kivy mandrakariva ireo izay mametraka
fitokisana aminy, ary izay mirehareha aminy dia tsy hahazo
ny fanoanany ao aoriana kely.
NY SEKOLY SY NY MPANABE
Ny sekoly dia heverina ho toy ny laboratoara manome
fanafody hiarovana sy hanasitranana ny aretina eo amin’ny
fiainana. Ireo izay manam-pahalalana sy fahendrena ka
manomana sy mitantana no mpanabe.
Ny sekoly no toerana ianarana izay rehetra mikasika ity
fiainana ity sy ny any an-koatra. Manazava ny zava-mitranga
sy ny hevitra tena ilaina izy, ary mamela ny mpianatra
96
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
hahafantatra ny olombelona sy ny zavaboary manodidina
azy. Manokatra haingana ny lalan’ny fikarohana ny dikan’ny
zavatra rehetra sy ny zava-nitranga , ary mitarika ny mpianatra
handinika sy hanana fanantenana, raha atao bango tokana ny
sekoly dia toy ny toeram-panompoana iray, ireo mpahay
fivavahana no mpanabe. Izay mamafy masomboly madio sy
miaro izany no tena mpanabe marina. Mikarakara izay tsara sy
madio izy ary mitantana azy amin’ny fiainana, manampy azy
hiatrika ny zava-misy. Mba ho toeram-panabeazana marina
ny sekoly dia tsy maintsy atao ampy fitaovana tsara aloha
ny mpianatra, omena fitiavana, sy atao mahafehy ny tenimpireneny, toe-tsaina mendrika sy ny lanja maha-olombelona
ny olombelona. Tsy maintsy atao fototra hiorenany arapiarahamonina izany.
Zavatra roa samihafa ny fampianarana sy ny fanabeazana.
Maro ny olona no mahay mampianatra fahalalana vitsy kosa
ireo izay afaka manabe. Ny vahoaka izay arafitry ny olona
tsy manana hevitra ambony, sy fitondran-tena mendrika
sy soa toavin’ny maha-olombelona dia toy ny olona tsy
tomombana, izay tsy atokisana amin’ny fitiavany na amin’ny
firaisankina raha misy ny fanafihana. Tsy maintsy ho diso
fanantenana izay mametraka fitokisana amin’izy ireo ary ireo
izay miantehitra aminy dia ho laozany amin’ny andro iray.
Ny fomba tsara indrindra hampitaovana soa toavina dia ny
fanabeazana ara-pinoana matanjaka.
Ny fitohizana fiarahamonina iray dia miankina amin’ny
fotokevitra hijoroany, sy ny fahaiza-mitondra tenany sy ny
fandrosoana siantifika sy teknolojika ny fiainan-koavin’ny
fiarahamonina. Izany no tsy maintsy hampianarana ny
hairaha sy ny taozavatra any ampianarana raha vao ao amin’ny
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
97
ambaratonga voalohany. Ny tena toeram-panabeazana tsara
dia tsy toerana tsara tarehy fampianarana am-bava fotsiny fa
toeram-pibeaza hamolavolan’ny mpianatra ny hoaviny.
Manandanja lehibe ami’ny fanabehazana ny faharetana.
Andraikitra faran’izay masina kanefa faran’izay sarotra
indrindra ny fanabeazana ny olona. ankoatry ny fisehoana ho
ohatra tsara, tsy maintsy manampaharetana ny mpanabe mba
hotonga amin’izay tanjona tian-kotsatsarina. tsy maintsy
mahafantatra tsara ny mpianany izy ary miresaka ny aminy
araka ny fahiratan-tsainy sy ny fony ary ny fanahiny sy ny
fihetsaham-pony. ny fomba tsara indrindra hanabeazana
ny mpianatra dia ny mampiseho fitandremana manokana
amin’izy tsirairay, ary tsy azo adinoina fa samy hafa ny olona
tsirairay avy.
Ny sekoly dia manome lesona tsy ankiato ny mpianany
na dia mangina aza. Noho izany, na dia sombiny tamin’ny
ambaratongam-piainana ihany aza isika no tao, nefa dia
anjakany avokoa ny trangam-piainantsika. Mandritra ny
fiainany sisa, dia izay nianarany tany ampianarany no
amokarany, ary hita taratra eny aminy hatrany hatrany.
Ny mpanabe dia tsy maintsy mitady ny lalàna makany
amin’ny fon’ny mpianatra ary mamela dindona tsy maty
vonoina ao an-tsainy. Tsy maintsy hadihadiany tsara ny
vaovao ho lazany ny mpinatra, sivaniny tsara ao amin’ny
fanahiny sy ny fahaiza-mandray ny fony. Ny lesona tsara
dia tsy ampita fotsiny toy ny milaza vaovao, toy izany koa
ireo fahalalana tena ilain’ny ankizy. Ampahafantarina azy
hatramin’ny tontolo tsy hita maso. Hahatonga ny mpianatra
hahay handalina izany, mba hahafantarany ny marina
98
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fonosin’ny zavatra rehetra, ka ny zava-mitranga rehetra no
hampahafantatra azy ny fiainan-tsy hita.
SAMPANDRAHARAHA MIKARAKARA NY
FANABEAZANA MANERAN-TANY
Zavatra maro no efa voasoratra sy voalaza mikasika ny
fanabeazana. Hojerentsika amin’ny zavatra telo tena
mifamatotra akaiky io resaka io: ny toe-tsaina maha olona,
ny fiarahamonim-pirenena, ary izao tontolo izao.
Niharan’ny akon’ny fisainan’ny tandrefana ankehitriny
nandritry ny taonjato maro isika. Maro ireo zavatra tsara
ambony ananany, saingy maro koa ireo hadisoana vitany
nadritra ny vanim-potoanan’ny tantara nolalovany, sy ireo
fepetra hafahafa naterak’izany. Nandritry ny moyen-Age,
tamin’ny Eropa nentin’ny fiangonana tamin’ny rafi-pitondrana
ara-pinoana na notarihin’ny mpanjaka notendren’ny Eglizy,
nisy ny fifandraisana teo amin’ny tandrefana tamin’ny tontolo
silamo, indrindra fa ny tany Andalousie sy Croisades. Raha
lazaina amin’ny fomba hafa, nanokatra ny varavarana ho
amin’ny fiainam-baovaovao sy hetsi-panavaozana izany. teo
koa ny antony hafa, toy ny tsy fahampian’ny tany, ny fahantrana
sy ny tsy maintsy hanomezana fahafaham-po ny filana vaovao
sy ny maha nosy ny firenena sasany toan’i Grande-Bretagne
izay tsy maintsy mampiasa fitateran-dranomasina, izay nitarika
fikaroana ara-jeogrfoka maneran-tany.
Ny antony voalohany nahatonga ireo fivelarana ireo
dia ny hanome fahafampo ny filana ara-pitaovana. Teo
ihany koa ny fampandrosoana ny fikarohana siantifika mba
hanoherana ny fiangonana, sy ny fampianarana kristiana,
ny fifandiran’ny fahalalana sy ny fiangonana teo amin’ny
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
99
Eropeanina. Nanomboka teo no nisarahan’ny fivavahana sy
ny fahalalana ary maro ny olona nanalavitra ny fivavahana.
Izany fivoarana izany dia niteraka nankamin’ny materialisma
sy ny kominisma. Raha ny tontolo jeograpia ara-tsosialy, dia
singa iray nahavita be teo amin’ny tantaran’ny tandrefana ny
olombelona: nanao ny fanararaotana iraisam-pienena, ny ady
lahy tsy misy fitsaharany, ny ady lehibe roa, ny fizararazarana
izao tontolo izao hitsitokotoko.
Ny tandrefana dia nifehy ny tontolo miaramila sy ny
tontolon’ny toe-karen’izao tontolo izao nandritra ny taonjato maro. Ny fifandirana nisy toe amin’ny fiangonana sy
ny fahalalalana dia nanahirana ireo manam-pahalalana maro,
tamin’ny taonjato farany teo. Ny tarapahazavana nanomboka
ny taonjato faha XVIII vao mba nahitana fa ny zanakolombelona
dia manam-panahy. Teo koa, ny hetsiky ny mpomba sy ny
materialista, izay nihevitra ny olombelona ho vatana fotsiny.
Vokatr’izany, teraka sy nifandimby ny olona ara-panahy. Ary
tsy manitatra isika raha milaza fa ny kirizy sy ny tsy fisian’ny
fahafaham-po ara-panahy no tena antony mahatonga ny
fiadiana tombontsoa izay nameno ny taonjato roa farany teo,
ary tonga tamin’ny fangirifiriana lalin’ny ady lehibe roa.
Amin’ny maha mpitana ny fotokevi-pinoana amin’ny
tena maha izy azy sy ny tantara samy hafa, dia manan-javatra
atolotra ny tandrefana isika (izay hifandraisan-tsika lalina
amin’ny lafiny toekarena, sosialy ary miaramila), sy hoan’ny
zanakolombelona amin’ny ankapobeny. Lohaharana amin’ireo
zavatra ireo ny fomba fahazoantsika sy ny fahintantsika ny
maha olombelona. Tsy ny antsika ihany io fahitana io na hoe
hevitra savoandanitra fotsiny. Ny mifanohitra amin’izany, izy
100
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
io dia fomba fijery azo tsapaintanana efa hatrizay, mamaritra
ny maha antsika antsika .
Ny zanakolombelona dia tsy zavaboary ahitana vatana sy
saina sy fihetseham-po na fanahy fotsiny, fa fitambaran’ny
fifandrindrana misy eo amin’ireo singa rehetra ireo. Isika tsirairay
dia vatana iray fototra mitovy filana, ary saina manana filana
hafa, saro-tadiavina noho ny vatana, izay atosiky ny fanahiana
fonosin’ny lasa sy ny ho avy, ka mametra-panontaniana mitady
valiny manao hoe: "iza aho? Inona izao tontolo izao? Inona no
andrasan’ny fiainana sy ny fahafatesana amiko? Iza no nandefa
ahy teto an-tany? Ary amin’ny tanjona inona? Aiza no hiafarako?
Fa maninona aho no miaina? Iza no mpitaridalana ahy amin’ny
fivahiniko eto an-tany?".
Manampy izany, amin’ny maha zanaboary nomena
fihetsempo ny olombelona dia tsy mety afa-po amin’ny
saina fotsiny izy. Zavaboary nanam-panahy koa izy, io no
mamaritra aminy ny maha olombelona azy. Ny olona tsirairay
avy dia natao mba hino. Na ny lahy na ny vavy dia noho
izany no hikelezany aina sy hamoronany ny lamina rehetra.
Homena ny anjara toerany sy ny lanjany izay nahazo ireny
rehetra ireny, ary rehefa afa-po amin’izay nilaintsika isika vao
hianoka fahasambarana, eto dia hita fa ny fandrosoana sy ny
fahombiazan’ny olombelona, mba hametrahana ny maha izy
azy, dia tsy ho tanteraka raha tsy eo ny fanabeazana.
Mba hahazoana tsara ny mahazava-dehibe ny fanabeazana,
dia jereo fotsiny ny maha samy hafa ny olombelona sy ny biby.
Ny saina no fiatombohantsika – izay mivelatra hatrany amin’ny
mandrakizay – tonga tety an-tany tamin’ny fahaterahantsika.
Osa dia osa isika raha vao teraka, tsy nahavita tena, mahonena
ny endrika nisy antsika, niankin-doha tanteraka amin’ny hafa.
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
101
Nefa ny biby, dia tonga teto an-tany ary toa efa tomombana
hatrany amin’ny fanjakana nisy azy fahiny. Ora roa, na andro
roa na roa volana aorian’ny nahaterahana dia efa azony izay
fahalalana ilainy, ny fifandraisany amin’ny manodidina azy sy
ny lalan’ny fiainana, ary mahafehy malaky izay ilainy amin’ny
fiainana mba ho velona ary miasa irery. Isika kosa dia mila
roapolo taona vao mahatratra ny fetra misy ny fody sy ny tantely
ao anatin’ny roampolo andro; ny tena marina dia noho ny
fahasoavan’Andriamanitra no nahatonga azy hahatratra izany.
Midika izany fa tsy mila mianatra ny biby vao tomombana, tsy
mila mandroso vao mahalala, na mampiseho ny fahosany sy
ny fitavozavozany mba hahazo fanampiana. Ny andraikiny dia
miasa araka ny fahefana efa ao anatiny ary manompo mavitrika
ny mpahary azy.
Isika kosa tsy maintsy mianatra ny zava-drehetra rehefa
tonga eto an-tany, satria tsy mahalala na inona na inona
momba ny fitsipiky ny fiainana. Noho izany ao anatin’ny
roapolo taona, na mety ho ny fiainana manontolo mihitsy aza,
dia mbola tsy mahafantatra tsara ny natiora sy hevitry ny lalana
sy ny fitsipika mifehy ny fiainana na ny fifandraisana amin’ny
tontolo. Nalefa eto tamin’ny endrika osa sy mampahonena
isika. Ohatra, tsy afaka mitsangana amin’ny tongotra raha tsy
afaka iray na roa taona. Ankoatra izany saika mila ny fiainana
manontolo isika mba ianarana izay mety sy tsy mety hoantsika
marina. Raha tsy teo ny fiainam- piarahamonina, tsy afaka
nanavaka ny tsara sy ny ratsy isika.
Izany dia midika fa andraikitra lehibe ho antsika, amin’ny
maha zavaboary nanana toetra madio, tonga teto amin’ity
fandraisam-bahiny ity antsika, ny hametraka fitoniana, sy
hanazava ny fisainana, ny fiheverana, sy ny finoana, mba
102
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ahafahantsika mahazo toetra faharoa, ary ho mendrika
mba hanohy ny fiainantsika, ao amin’ilay fanjakana
manaraka ambony sy mendrika tokoa. Fanampian’izany, eo
ampanataterahantsika ny asa-panompoana, dia tsy maintsy
mampiasa ny fo amam-panahy, sy ny fahaiza-manao ao
anatintsika isika. Ny fahitana ny tontolontsika anatiny sy
ivelany, izay misy ny misitery maro sy sarotakarina, no
hahatonga antsika hahafantatra ny zava-miafin’ny fisiana ka
hisandratantsika eo amin’ny laharanan’ny maha olona.
Ny fifandirana nisy teo amin’ny fahalalana sy ny fiangonana
sy ny vokatra naterany, dia ny materialisma, izay mihevitra
fa ny zavaboary rehetra dia mitovy amin’ny olombelona, toa
vainga-javatra nohariana mba hanome fahafaham-po ny filana
ara-batana fotsiny. Ka nahatonga antsika miaina ao anatin’ny
fahapotehan’ny tontolo voajanahary eto an-tany ankehitriny.
Dinihontsika kely ange, boky iray azo tsapain-tanana,
ahitana voambolana, fony izy mbola tao amin’ny fanahy sy tao
an-tsain’ny mpanoratra. Tsy misy fifanoherana eo amin’ireo
zavatra roa ireo, samy maneho ny fahamarinana mitovy ary
mirakitra zavatra mitovy, ao anaty tontolo roa samy hafa.
Toy izany koa, ny trano iray dia nanana ny fisiany ara-panahy
tao an-tsain’ny mpahay mari-trano, na koa sarisari-trano kely
maneho endrika trano. Izay nanjary lasa trano mivongana
azo tsapaintanana sy mijoalajoala. Tsy misy fifanoherana
amin’ireo fitaovana maro maneho hevitra iray ireo, zavatra
raketina iray, sy fahamarinana iray ao anaty tontolo telo
samy hafa. ny mitady fisiana fifanoherana anatin’izany dia
fandaniam-potoana tsotra izao.
Toy izany koa, tsy hisy mihitsy ny fifanoherana eo amin’ny
CORAN, soratra masina (avy Tompon’ny teny), sy izao
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
103
tontolo izao (avy amin’Ilay Tompon’ny fahefana sy ny sitrapo)
ary ny saina nanadihady azy ireo. Izao tontolo izao dia Coran
miaina avy amin’ilay Andriamanitra Tompon’ny fahefana sy
ny sitrapo. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: izao
tonotlo izao dia Coran lehibe midadasika. Raha avadika ny
resaka dia izao, voalaza amin’ny fomba maro izao tontolo
izao, Ny Coran dia izao tontolo izao, voarakitra an-taratasy.
Noho izany, raha lazaina ny tena marina, ny finoana dia tsy
manohitra na mamefy ny fahalalana sy ny asa fikarohana.
Ny finoana dia torolalana hoan’ny fahalalana , mamanitra
ny tena tanjony, ary mampialoha lalana ny fahaiza-mitondratena sy ny soa toavina maha olona ny olona mba hitarihana
azy. Raha fantatry ny tandrefana izany fahamarinana izany,
ary raha tsikaritra ny fifandraisan’ny finoana sy ny fahalalana,
tsy toy izao no zava-nitranga. Tsy nitera-boka-dratsy fa
ny tsara hatrany ny fahalalana, ary tsy nanokatra ny lalana
makany amin’ny famokarana bomba sy fitaovam-piadiana
mamono maro samy hafa.
Misy sasany ankehitriny milaza fa ny finoana dia miteraka
fisaraham-bazana, sy fifamonoana. Tsy azo lavina fa ny finoana,
indrindra fa ny silamo dia tsy tompon’andraikitra velively,
tamin’ireo taonjato farany nahitana ny fitsetsefana tsy andrariny, na tamin’ny ady sy ny tolon’ny taonjato faha XX
izay nahafatesan’olona anetsiny maro sy namela maty vady
sy kamboty, maratra sy tsy manan-kialofana. Ny fitiavankarenan’ireo nanam-pahalalalana, ny fahitana ny fiainana sy
izao tontolo izao, izay nanda ny fiarahana amin’ny fivavahana
sy ny ady tombontsoa no nitarika ny fanararaotana toy izany.
Ao koa ny fahalotoan’ny tontolo iainana, izay avy amin’ny
fitiavan-karenan’ireo mpanompo fahalalana, izay niavahan’ny
104
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fomba fisainana moderna tandrefana. Noho ny fihanaky ny
fahalotoana izay nanjo ny fomba fisainana, vokatry ny tsy
finoan’ireo nanam-pahalalana, ka nihevitra fa ny ny zavaboary
dia vaingan-javatra tsy misy dikany natao, mba hanaparan’ny
vatana ny filany. Kanefa, ny voary dia lehibe lavitra noho ny
vainga na zavatra, manana ny hasiny, sehatra hisehoan’ny
fahasoavan’ny anaran’Andriamanitra.
Ny voary dia takelaky ny fahatsarana manana dikany lalina
sy mivelatra, izay manana endrika toy ireo hazo mivahatra
amin’ny fakany, vonikazo mamony, voankazo mamy sy
manitra tsy misy toa azy, orana, renirano mikoriana, rivotra
avoaka sy fohina, tany mamokatra miantoka ny sakafon’ny
zavaboary rehetra. Ny fanahy sy ny fon’ny olona ihany koa dia
toy ny tantely mamy mandraraka ny tsirony, izay asehon’ny
voary amin’ny fanahintsika, didinin’ireo tantely manidina,
sy ny fomba fitsarantsika sy ny fananantsika fanantenana,
ny tantelin’ny finoana ihany, no fahamarinana, ny fitiavana
ny olombelona sy ireo zavaboary, noho ny fitiavana ilay
mpahary, ny fifampitsinjovana, ny fahafoizan-tena mba
hamelana ny hafa hiaina, sy ny fikarakarana ny voary, dia avy
amin’izany tantely mandraraka ny tsirony izany.
Araka ny hevitr’i Bedinzzaman [Said Nursi], ny fanabeazana
no fahazavana ho an’ny fanahy amin’ ny alalan’ny fahalalana
sy ny fahaizana, ny fo kosa amin’ny alalan’ny finoana sy ny
fahamasinana, izany fahatsapana izany no hanandratra ny
mpianatra ho amin’ny lanitry ny maha olona, amin’ny elany
roa, ary mandrisika azy hitady ny fankatoavan’Andriamanitra
amin’ny fanampiana ny hafa, manana zavatra maro hatolotra.
Manavotra ny fahalalan’ireo renoky ny harena izy, ary manakana
azy tsy ho babon’ny harena, sy tsy ho maizim-panahy fa
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
105
hanasoa. Manaka azy tsy hanjary fitaovana mamono ihany koa.
Ny fahalalana hoy i Einstein dia tsy hamela ny finoana hanankilema. Tsy mamela azy hisaraka amin’ny faharanitan-tsaina
ihany koa, na faharanitan-tsaina eo min’ny fiainana na arapahalalana, na toy ny rafitra mihoa-papana manorina rindrina
hampisaraka vahoaka amina firenena.
MANOMPO NY OLOMBELONA NOHO
NY FANABEAZANA
Noho ny fivoarana malaky teo amin’ny fitanterana sy ny
serasera dia nanjary toy ny tanana kely iray izao tontolo izao.
Toy ny mpifanolo-bodirindrina ny ny firenen-drehetra.
kanefa tsiahivina, indrindra amin’ity tontolo misy antsika
ity, tsy hitokisana mihitsy ny hisiana firenena iray, raha tsy
tandrovina ny tsipika manavaka ny firenen-drehetra, anaty
firenena misaratsaraka sy ny firenena natambatra, izay tsy
afaka miaro ny maha izy azy, sy ny antony mampisy azy sy
ny endrika hiavahany dia hanjavona. Tahaka ny firenendrehetra, ny tena hiavahantsika dia ny fivavahana, ny fiteny,
sy ny tantara ary ny tanindrazana. Ambaran’i Yahya kemal
(poeta sy mpanoratra Turc malaza) amin’ny alahelo lalina
ao amin’ny bokiny "ilay tanana tsy misy antso ho amin’ny
fivavahana" ny kolontsaintsika sy ny fandrosoantsika dia avy
amin’ny silamo sy Azia afovoany, ary niazo an’i Anatolie sy
Eropa sy Afrika nandritra ny taonjato maro.
Hoy ny fomba fiteny malaza iray: "ny mpifanolobodirindrina dia mifampila mandra-pahafatiny". Raha tsy
manana na inona na inona ianao, nadia zavatra kely tsy misy
dikany aza, kanefa ilain’ny hafa, tsy misy olona hanisy dikany
anao. Toy izay efa nolazaintsika tery aloha, manan-javatra
106
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
maro tokony homena ny zanak’olombelona isika, nefa
mbola tsy nampiharitsika. Ankehitriny, misy fikambanana
maro mpanao asa soa, tsy miankina amin’ny fanjakana,
namorona sampan’asa sy ivo toerana, izay manampy ny
hafa amin’ny fomba mendrika. Ny fankatoavana tanteraka
ireo sekolintsika izay miparitaka manerantany na dia tsy
maintsy niaritra fahasahiranana maro aza, dia afaka mitraka,
hifanesehana, feno hiboka, afaka mifaninana na mihoatra
ny an’ny tandrefana mihitsy aza, voaporofo fa mifanohitra
amin’izay nolazaintsika.
Amin’ny maha vahoaka Turk antsika, nisedra olana maro
isika nandritra izay taonjato farany izay. Ny tena fototr’ireny
dia, variana sy sodokan’ny endrika ivelan’ny finona silamo
fotsiny isika, hadinontsika ny harem-mbe tao anatiny. Fotoana
fohy tato aorina, nangalatahaka be fahatany ny hafa isika,
noheverintsika fa mifanohitra koa ny silamo sy ny fahalalana
mendrika. Nanazava isika ary fa ny fahalalana dia tsy inona
fa ny fahafantarana sy fikarohana ny lalàn’Andriamanitra izay
taratry ny fahefany sy ny sitrapony, ny mampiavaka azy amin’ny
Coran, ny Coran dia teny avy amin’Andriamanitra. Ny tsy
fivakian-doha, dia mitarika antsika hitompo teny fantatra
amin’ny fahalalana, ny fisainana, ny fitantanana; fahadisoampanantenana iray mitondra amin’ny korontana ho an’ny olondrehetra sy ny rafi-pitondrana; fifangaron’andrikitra, sy ahiahy
manoloana ny tsinjara asa.
Raha atao amin’ny teny fohy, ny fahavalontsika lehibe
telo dia habadoana, ny fahantrana sy ny fizarazarana anatiny.
Ny fahafahalalana, ny asa sy ny fivondronana no fanohitra
amin’io loza io. Ary ny habadoana no olana lehibe indrindra,
tsy maintsy toheritsika amin’ny fanabeazana, io no fanohitra
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
107
mahomby indrindra hanompoana ny tanindrazantsika. Ary
ankehitriny, miaina ao anatin’izao tontolo izao zary la tanana
kely isika, dia azo antoka fa fomba mahomby hanampiana
ny maha olona, ny fisian’ny fifanankalozan-kevitra amin’ny
hafa kolontsaina.
Kanefa mialoha an’izany, andraikitra amin’ny maha olona
ny fanabeazana, satria nateraka mba hianatra sy hanao izay
hahatomombana antsika amin’ny alalan’ny fanabeazana
isika. Raha lazaina fa "efa taloha be izany fa tsy mety ; na
aza manavao; na manimba" , i Bediuzzaman dia misarika ny
saintsika amin’ny vahaolana sy ny ho avy. Ka niteny hoe "ny
lohahevitra hiadiankevitra, dia tsy tokony hifampidinihana
amin’ny mpitarika fivavahana kristiana" izay midika fa
nanokatra hadihevitra tamina mpanara-dia fivavahana hafa izy.
Raha arakany voalazan’ny Djalal d-Din ar-Rumi dia hoe: "Ny
tongotro ilany eo afovoany, ny ilany any amin’ny fitondrampanjakana roa ambiny fitopolo (vahoakan’izao tontolo izao) toy
ny tondro avaratra", i Bediunzzaman dia namaritra faribolana
lehibe hivondronan’ny mpino Andriamanitra tokana. Toa
midika izany fa lasa ny fotoanan’ny herisetra, hoy izy: "ny
fomba enti-mandresy ny olo-mandroso dia ny fandresendahatra", manamarika koa izany fa ny fifampiresehana, ny
fandresen-dahara sy ny ady hevitra amafisina amin’ny porofo
dia tena ilaina ho an’izay mikatsaka ezaka ho an’ ny fivavahana.
Ary arosony fa: "amin’ny ho avy dia hiverina fahaizana sy ny
fahalalana ny olona, ary eo amin’izany hoavy dia ny saina sy
teny no hanjaka", namporisika ny teny sy ny fahalalana izy.
Ary farany, natao amina lafiny hafa ny politika sy ny fidirany
mivantana, nanoritra ny lalana mivantana ho an’ny asam-
108
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
pinoana sy ny firenena izy, ho an’ny vanimpotoana niainany
sy amin’ny ho avy.
Rehefa mazava izany foto-kevitra izany, dia manentana
ny olona aho, hanasoa indrindraindrindra ny firenena sy ny
zanak’olombelona amin’ny ankapobeny, amin’ny alalan’ny
fanabeazana. Niantso azy ireo aho hanampy ny fanjakana
sy hanabe ny vahoaka amina fanokafana sekoly. Amin’ny
alalan’ny fanabeazana no handresena ny habadoana, amin’ny
asa sy ny fananam-bola no handresena ny fahantrana, ary
amin’ny firaisankina sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny
fifandeferana no handresena ny fisaratsarahana sy ny fivakisana
anaty. Kanefa ny olana rehetra eo amin’ny zanak’olombelona
dia miankina aminy ihany, ary ny fanabeazana no lalana
mahomby fa tsy ny rafitra politika sy ny sosialy tsy mitondra
mankaiza, na hamokatra aza dia mety ho fotoana kely ihany.
NY SEKOLY
Taorianan’ny naneken’ny fanjakana Turc ny fisokafan’ny
sekoly tsy miankina, maro ny olona nisafidy ny handany antsitrapo ny hareny hanompoana ny tanindrazana, mialohan’ny
handehanany any amin’ny tontolo hafa aoriana’ny fialana
ami’ity fiainana fandalovana ity. Ary nataony taminkafanampo sy finoana izany. Efa mila tsy fantatra intsony ireo sekoly
maro naorina na ny teto na ny tany ivelany. Tsy misy na
inaona na inona nataoko afa-tsy ny niangavy sy nanentana,
tsy fantatro akory ny ankabeazan’ireo orinasa sy ny toerana
misy azy, izay nanorina ireny sekoly ireny.
Matetika aho no tsy maintsy manaraka io toe-javatra io
amin’ny haino aman-jery sy matoandahatsoratra mivoaka
amin’ny gazety soratr’ireo mpanao gazety mendrika toa an-dry
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
109
Ali Bayramoglu, Sahin Alpay sy ny atilgan bayar. Sekoly maro no
nisokatra amin’ny toerana maro eran’izao tontolo izao, hatrany
Azerbaidjan ary Filipina sy any St Petersbourg (renivohitra
Rosianina tsarista) ka hatrany Moscou (renivohitra Rosianina
kominista), izay dia noho ny fanampian’ny jody mipetraka
amin’ny tanindrazantsika sy mpandraharaha goavana antsoina
hoe Uzeyir Garih, any Yakutsky. Ireo sekoly ireo dia misokatra
saika any amin’ny firenen-drehetra, afa-tsy ny toy ny tany Iran
izay tsy manome alalana.
Ny mpanoratra sy mpandinika izay nitsidika azy ireo dia
nanamafy fa ireo sekoly ireo dia vatsiana sampan-draharaha
mpanao asa soa any Turquie. Ny ankabeazan’izy ireo dia sarapisoratana anarana no fandraisany anjara amin’ny ara-bola.
Ny manampahefana ao an-toerana dia mandray anjara lehibe
amin’ny fanorenana ny sekoly amin’ny fanomezana tany, na
trano, sy ny fandoavana ny karaman’ny mpampianatra na
ny tale raha ilaina izany. Ny mpampianatra izay miezaka
manompo ny fireneny, ny tanindrazany sy ny maha-olona,
sy izay mahatsapa fa ny tena dikan’ny fiainana dia mifototra
amin’ny fanampiana ny hafa dia miasa aminkafanm-po na
dia kely azy ny karama.
Tamin’ny voalohany, niahiahy tamin’ny fanohanany ireo
tompon’andraikitra nampanaovina iraka tany ivelany satria tsy
fantany tsara izay zavatra hitranga any. Ankehitriny kosa, ny
ankabeazan’izy ireny dia manampy ny sekoly. Ankoatra ireo
filoham-pirenena Turc roa ingahy Turgut Ozal (efa maty)
sy Ingahy Sulyeman Demirel sy Mustafa Kalemli filohan’ny
antenimiera Turc teo aloha sy ny minisitry ny raharahambahiny Hikmet Cetin dia nanohana ireo sekoly ireo ary
nitsidika azy.
110
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Tsara ny nanehoantsika etoana ny fanamarihan’ny Ali
Bayramoglu, mpanao gazety nitsidika ny ankabeazan’ireo
sekoly ireo:
"Ireo sekoly ireo dia tsy manome fampianarana ara-pinoana
ary tsy mametraka tontolom-pinoana amin’ny asa atao any
an-tsekoly tahaka ny filazan’ny sasany. Naorina tahaka ny
Lycée Anadolu izy ireo, omena laboratoara sy fitaovana
teknolojika manara-penitra. Ny fianarana dia omena
araka izay fandaharam-pianarana faritan’ny Ministeran’ny
fampinarana. Tsy ao anaty fandaharana ny fivavahana.
Ny mpanao gazety Alibulaç izay nitsidika ireo sekoly ireo
koa dia manamarika fa tsapany ho tsy dia madio loatra ny
trano fidiovana ary iniana atao izay mba tsy hieritreretana
fa mariky ny fivavahana izany. Ny zavatra atao any antsekoly dia manaraka ny filozôfian’ny hery fampianarana
sy ny lalana velona ao amin’ilay firenena resahina. Ohatra,
any Ousbékistan, rehefa avy mianatra ny teny turc sy ny
teny anglisy ny mpianatra ao amin’ny kilasy fanomanana
dia nianatra taranja siatifika amin’ny teny anglisy amin’ny
mpampianatra turc sy ny siansa mikasika ny olombelona sy
ny sosialy any Ouzbek miaraka amin’ny mpanabe avy ao antoerana. Ny tanjon’ireo sekoly dia tsy ny hanome fanabeazana
ara-pinoana na hampita fahalalana ara-pivavahana."
Ny fanjakana tao an-toerana dia liana tamin’ny
fotok’evitra laika mihoatra ny fanjakana Turk. Ny mpanao
gazety mazava saina toa an-dry Alpay sy Bayar dia nanazava,
ohatran’ireo faha rehefa nandinika, toan-dry i Bayramoglu,
manamarika fa tsy manana ahiahy kely akory amin’ny ho
aviny ireo firenena ireo, mikasika ireo sekoly ireo. Tamin’ny
fanazavana nataony tamin’ny kabary fanokafana ny sekoly
tany Moscou, nanambara ny lehiben’ny departemanta
misahana ny fanabeazam-pirenena any Moscou hoe: "vanim-
M. Fethullah Gülen Sy Ny Fanabeazana
111
potoana manan-danja roa no niseho tamin’ny tantaran’ny
Rosia tsy ela kory izay. Ny fipetrahan’i Gagarin teny amin’ny
volana ny iray. Ny iray kosa dia ny fisokafan’ny sekoly turc
eto amintsika". Nofaritany ho toy ny vanim-potoana manantantara io.
Ho an’ny sasany, ity fiainana ity dia mikendry tanjona
tokana dia ny fanomezana fahafaham-po ny sitrapon’ny
vatana mandritra ny andro ivahinianana eto an-tany. Ny
hafa kosa dia tsy miombon-kevitra amin’izany fa manome
hevitra hafa mikasika ny fiainana. Amiko, ny fiainana dia
fankan-drivotry ny mpivahiny izay nanomboka any amin’ny
tontolon’ny saina amam-panahy ary mitohy mandrakizay
any am-paradisa izay nomanin’Andriamanitra ho antsika, na
any amin’ny afobe.
Tena zava-dehibe ity fiainana ity satria fanomanana
ny fiainana any an-koatra. Noho izany, dia misy fomba
hianantsika ny fiainana mba hahazoana ny fiainana
mandrakizay sy hahazoana ny fankasitrahan’ilay mpanome
ny fiainana. Voalohany indrindra, Io lalana io dia tsy maintsy
mandalo amin’ny fankatoavana tanteraka an’Andriamanitra,
ny ankohonana, ny manodidina, ny mpifanolobodi-rindrina
sy ny tanindrazana ary ny firenena sy ny zanak’olombelona sy
ny zava-boary. Zon’ny tsirairay io andraikitra io, andraikitsika
ny mampita izany.
Fanamarihana:
Cet article et d’abord paru dans Fethullah Gülen ; Advocate of
Dialogue, Ali Unal et Alphonse Williams, comps., (Fairfax , VA :
The Fountain, 2000), 305-31.
112
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
1
Ibn Miskawayh (c.930-1030) : moraliste musulman, philosophe
et historien. Son traite sur la moralité Tahdhib al-Akhlaq,
influence par le concept aristotelicien du moyen age, est
considere comme l’un des meilleurs ouvrages de philosophie
islamique. Son histoire universelle kitab Tajarib al-Oumam
wa Ta’aqoub al-Himam (Eclipse du Califat ‘Abbaside), a été
remarquee pour son utilisation de toutes les sources disponibles
et stimula grandement le developpement de l’historiographie
islamique.
2
Cette opposition était due a deux facteurs : l’Eglise catholique
refusait d’accepte les nouveaux concepts et decouvertes
scientifiques, et la classe moyenne qui emergeait voulait se
liberer de la discipline religieuse.
3
Les lycées Anadolu sont des établissements d’Etat ou les sujets
scientifiques son enseignes en anglais.
TENY NOLAZAINA MIKASIKA
AN’I FETHULLAH GULEN
NENJEHINA NY SILAMO MANDROSO
SY MENDRIKA TAO TURQUIE
O
nur Elgin, tanora turc vao misandratra, dia nahafantatra
tsara ny antony handaniana ny fotoam-pialantsasatry
ny fahavaratra mba hianarana ny siansa fizika. Nolazainy
tamin’ny teny anglisy mazava, nazavainy fa tiany hahomby
ny sekoliny, mba ho an’ny fireneny sy izao tontolo izao.
Ny Lycée hianaran’i Onur, "kolejy Fatih", anisan’ireo
toeram-pianarana an’ny vondrona silamo, mitambatra amin’i
Fethullah Gulen, mpitarika fivavahana, 62 taona, mipetraka
any Pennsylvanie, any Etats-Unis. Ankoatra ireo sekoly anjatony any Turquie, any Balkans sy any Azia afovoany, io
vondrona am-piralahiana io dia nitantana fahitalavitra sy radio
ary an-toeram-paokarana dokambarotra, gazety mpiseho
isan’andro sy banky, mitondra foto-kevitra silamo ireo rehetra
ireo ary manana ny ivon-toerany ao Istanbul.
Na dia tsy fantatra any Etats-Unis loatra aza izy, nandritry ny
taona maromaro no naha solontenam-panjakanan’ny Turquie
an’i Gulen tany, izay nampanantena endri-pandrosoana ny
finoana silamo. Nangataka ny fandeferana izy, nihaona tamin’i
Papa Joany Paoly faharoa sy lehibem-pivavahana maro sy
mpanao politika, anisan’izany ny Praiminisitra sy ny filohampirenena Turc.
Kanefa tamin’ity volana ity, taona iray taorian’ny nanaovana
fikarohana, nandefa baiko hisammborana an’i F. Gulen ny
116
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fitsarana miandraikitra ny filaminan’ny fanjakana Turc. Nisy
mpampanoa lalàna iray nanameloka azy ho mpamporisika ny
mpanaradia azy hiray tsikombakomba amin’ny fanafoanana
ny governemanta laika turc. Heloka mitondra mankany
amin’ny fanamelohana ho faty. Tsy tonga dia nanameloka
azy ny manam-pahefana fa ny taratasy filazana fanamboarana
kosa dia napangatsiatsiaka ny vondron’ny mpanara-dia azy
ary nampiahiahy ireo izay tsy nitambatra tamin’ny hetsika
nataony.
Tamin’io fotoana io ihany, tafiditra tamina toe-javatra iray
izay tena novoizin’ny haino aman-jery ny fitondrana, mikasika
ny faniriany handroaka mpiasam-panjakana an’arivony izay
noheveriny fa miray tendro amin’ireo vondrona silamo na
ny mpampisaratsaraka. Nangataka ny hahazoany manao ny
fandroahana amin’ny alalan’ny famoahan-dalana ataon’ny
governemanta ny praiminisitra Bulent Ecerit. Nolavin’ny
filoham-pirenena, Ahmet Necdet Sezer, in-droa anefa ny
amoahana izany volavolan-dalana izany. Nohamafisin’i Sezer
fa ny solombavambahoaka no mametraka ny fanjakana. Ka
napetraky ny Governemanta eo anatrehan’ny antenimiera io
toe-javatra io ho dinihina amin’ny manaraka.
Niteraka fitakiana ny fialan’i Sezer io toe-javatra tsy dia
manao ahoana io, izy izay vao nanomboka niasa ny volana
mai. Toa vao maika nampitombo ny fifandirana nitohy teo
amin’ireo mpiandany tanteraka amin’ny rafi-pitondrana laika
toe amin’ny firenena sy ireo mankasitraka ny fifandeferana
eo amin’ny fivavahana sy ny fahafahana maneho hevitra
malalaka izany.
Tamin’ny valinteny nataony tao amin’ny New york
time no nilazany izao hevitra izao: nangina tsy niteny tao
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
117
anatin’ny taona iray i Gulen mahakasika ny fanamelohana
azy. Nofaritany ho toy ny fanapotehana ataon’ny "vondrona
mpanavakavaka kanefa eken-teny izay manana fahefana ao
amin’ny sehatra politika" izy io.
Nolazainy fa tsy mitady hanagana fitondrana silamo izy fa
manohana ny ezaka natao mba hahatonga ny governemanta
hijery ny foko sy ny hevitra samihafa, ho toy ny vodronkolontsaina mirafitra, fa tsy ho toy ny hevi-panavakavahana.
"Tsy maintsy hasandratra ho toy ny an’ny tandrefana ny
fitsipiky ny demokrasia sy ny fitsarana", hoy i Gulen. Izay
manaraka fitsaboana any Etats-Unis nadritry ny taona lasa
ary manambara izy fa antony ara-pahasalamana no manakana
azy tsy hody any Turquie"
Ny mpitondra miaramila turc dia efa nihevitra hatramin’ny
ela fa toy ny loza mitatao ho an’ny fanjakana i Gulen. Toa
manafy io ahiahiny io ny zava-niseho taona iray taty aoriana,
rehefa navoaka tamin’ny fahitalavitra ny rakitsary izay toa
nanentanany ireo mpanaradia azy, hiditra am-pitandremana
sy am-pahanginana ao amin’ny governemanta.
Niteny Ingahy Gulen fa notsoahina tamin’ny teniny
izy ireny, ny sasany aza efa simba. Nohazavainy fa nanoro
hevitra ireo mpanara-dia azy mba hanam-paharetana izy
rehefa manoloana mpiasam-panjakana mpanao kolikoly na
mpampiasa tsy manam-pandeferana manoloana ny mpiasa
izay manaraka ny fivavahana silamo.
"Notsongaina ny teny sy ny fehezanteny ary natambatambatra
mba hanalam-baraka, mba hahazoana ny sary, milaza ny tian’ilay
olona ao ambadik’izao zavatra izao ho lazaina," hoy ny fiarovantenany. Tsy mahafa-po tsara ny mpanaraka ny foto-kevitra laika
izay mihevi-tena ho mpiahy an’i Turquie moderina izay naorin’i
118
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Mustafa Kemal Ataturk ny taona 1923 ny valintenin’i F. Gulen.
Ho azy ireo, ny sekoly sy ny orinasa tantanan’ireo mpanara-dia
azy dia namafy ny voan’ny fitondrana silamo.
Maro amin’ireo Turc mivoa fo no nahita ireo orinasa sy
sekoly mandala ny fotokevitra silamo ho mameno ny banga
navelan’ny politika sy ny fanavakavahana eo amin’ny fitondrana.
Ny fikarohana nataona sampan’asa tsy miankina turc mikasika
ny lafiny toekarena sy sosialy dia nahita fa ireo vondrona silamo
ireo dia tsy nahasarika ny mahantra fotsiny fa ireo tena silamo
izay mahatsiaro tena ho voahavakavaka ihany koa.
Ny sekoly nifandray amin’i Gulen dia tsy mampianatra
afa-tsy izay fanabeazana ara-pinoana eken’ny fanjakana,
amin’ny teny turc sy anglisy. Ny sara-pisoratana anarana dia
tafakatra an’arivony dolara isa-taona ary ny mpianatra dia tsy
maintsy mianatra mafy.
"Amin’ny fomba fijery mahataka-davitra, ny sekoly dia
tokony tohanan’ny fanjakana, satria maneho ny fisian’ny
Turki manoloana ny firenena rehetra," hoy I Ozdem
Sanberk, lehiben’ny sampan-draharahan’ny fikarohan aratsosialy sy ekonomika.
Ao amin’ny sekoly Fatih, any ami’ny tanana manodidina
an’i Istanbul, i Elgin kelyn 16 taona dia tsy manan-keritreritra
velively ny hanongana ny governemanta. Ny tanjony tokana
amin’izao fotoana izao dia mianatra tsara ny siansa fizika mba
ho anisan’ireo ekipan’ny oniversiteran’ny firenena turc.
Fanamarihana:
Ity matoan-dahatsoratra ity dia niseho voalohany tao amin’ny "The
New York time" ny volana aogositra 2000. Ary naverina natota
rehefa nahazo alalana.
TSY HO MPAMPIHOROHORO MIHITSY
NY MPINO SILAMO MARINA
A
ra-bakiteny, ny silamo dia midika hoe "fanetretena".
Ny silamo dia finoan’ny fifaliana, fandriampahalemana
sy ny filaminana. Ny andry ijoroan’ny finoana silamo dia
hitambaran’ny mpino silamo rehetra eo amin’ny fiainany,
rehefa hanao soalat (vavaka fanao) izy ireo, manapaka ny
fifamatorany rehetra amin’izao tontolo izao izy, miondrika ary
miankohoka eo anatrehan’Andriamanitra, avy eo, mitsangana
izy, atsangany koa ny tanany ho fanomezam-boninahitra.
Rehefa avy mivavaka izy, toy ny manomboka fiainambaovao. Mamarana ny fivavahany amin’ny fiarahabana izay
eo ankavanany sy ankaviany izy ary mirary fahasalamana
sy filaminana ary fandriampahalemana ho azy ireo, avy eo
mandeha manatona ny olon-kafa.
Ny miarahaba ny hafa sy ny maniry fandriampahalemana
ho azy dia zavatra mendri-piderana indrindra amin’ny mpino
silamo. Ary rehefa nanontaniana ny mapminany heo ‘inona
ny zavatra mendrika indrindra amin’ny silamo?" dia namaly
toy izao izy: "ny manome sakafo ho an’ny hafa ary miarahaba
ny olom-pantatra sy ny tsy fantatra"
NY FANENDRIKENDREHANA FA
MPAMPIHOROHORO
Mahamenatra dia mahamenatra ny mahita silamo
izay mifototra amin’izany foto-kevitra izany, mifangaro
120
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
amin’ny mpampihorohoro. Fahadisoana ara tantara izay
efa nomarihantsika ery ambony izany, raha ny rafitra
naorina tamin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana
no atambatra amin’ny fampihorohoana, izay mihevitra
izany dia maneho ny tsy fahafantaran’ny sainy na inona na
inona, sy ny tsy fahaizan’ny fanahiny mandray. Tsy maintsy
heverina amin’izay loharano nipoirany marina ny silamo
sy amin’ireo izay mendrika hisolotena azy ara- tantara, fa
tsy amin’ny asan’ireo olom-bitsy nanova endrika azy. Ny
fivavahana silamo dia fivavahan’ny famelan-keloka sy ny
fandeferana. Ny fototry ny fitiavana sy ny fandeferana toa
an-dry Mawlana, Yunus Emre, Ahmed Yesevi, Bedinzzaman
sy ny hafa mitovy aminy no tena naneho ny endriky
ny finoana silamo tamin’ny fomba tsara indrindra ary
voasoratra ao amin’ny tantara amin’ny maha ohatra azy ireo
amin’io fandeferana io izy ireo.
NY DJIHAD AMIN’NY SILAMO
Ny DJIHAD dia zavatra iray maha silamo ny silamo mifototra
amina foto-kevitra manokana izay mikendry indrindra
ny hanafoana ireo sakana mankamin’ny fiarovana sy ny
fanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra. Azo atao
ny mitanisa ohatra maro ara-tantara mifanaraka amin’io toejavatra io. Amin’ny maha-firenena ny firenena dia nanohitra
hery tsy hay tohaina tamin’ny faritra maro isika, toy ny tany
Ganakkale sy Tripoli. Raha tsy manao toy izany isika dia
ho nilaza taminireo fahavalo te hibahana ny firenentsika
hoe: "tonga hampandroso anay ianareo. Maha-te hidera ny
ataoanareo. Tonga soa, raiso fa nitondra miaramila ianareo".
Ho ady mandrakariva. Zava-misy tsy azo ialana eo amin’ny
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
121
fiainan’ny zanak’olombelona izany. Na izany aza anefa, ny
andininy tao amin’ny CORAN nambara tamin’i Mohammad
dia manavaka tsara ny fe-petra ilaina mba hanamarinana ny
DJIHAD, dia adikan’ny sasany vilana, mba ahafahana milaza
fa io no tanjona fototry ny silamo. Raha ny tena dikany,
ireo olona izay tsy mahazo ny dikan’ny silamo, dia tsy afaka
hahita ny fifandanjana, ka hanavaka ny tena zava-dehibe sy ny
pitsopitsony, manginy fotsiny ny efa fankahalany, mitarika azy
manova endrika ny finoana silamo. Ny fon’ny tena vondrona
silamo anefa dia feno fitiavana sy fifankazarana ho an’ny voary
tontolo. Hoy ny soratry ny poeta iray indray andro: "nateraky
ny fitiavana i Mohammad, raha tsy nisy an’i Mohammad,
fitiavana inona no mety ho nanana !"
NY FITIAVANA NO MANAMAFY NY FISIANA
Ekena, olon’ny fitiavana i Mohammad. Fantatra amin’ny
anarana hoe: "Habîboullâh" avy amin’ny teny hoe "Habib"
midika hoe "tia an’Andriamanitra sy tiany". Ireo olon’ny
fivavahana toa an-dry Imam Rabbani, Khalid sy Shah
Waliyullah Dahlawi dia nanamafy fa ny farany ambony
indrindra dia ny fitiavana.
Nanao ny voary rehetra tamin’ny fitiavana Andriamanitra
ary ny silamo dia novolavolaina tamin’ny sombiny manify
tamin’io fitiavana io. Araka ny fitenin’ny olom-pivavahana iray
lehibe hafa dia ny fitiavana no antony mampisy ny zavaboary.
Tsy azo lavina fa ny silamo dia afaka mampiasa hery amin’ny
fiarovan-tena. Indraindray anefa ny olona sasany mandray
io zavatra mandalo io ho tena mandrafitra ny fon’ny silamo.
Kanefa ny finoana silamo dia tena filaminana. Indray andro,
nizara tamiko ny fihetsehampony ny namako ary nilaza
122
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tamiko hoe "Miresaka amin’ny olon-drehetra ianao kanefa tsy
mametraka fepetra. Hamotika ny fahamatorantsika izany avy
eo, nianarana tamin’ny finoana silamo anefa fa tsy maintsy
manohitra ny olona sasany amin’ny anaran’Andriamanitra. Io
fisainana io dia avy amin’ny fandikana tsy amim-piheverana
ny hevitra satria milaza izy fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy
ankahalaina. Amin’ny silamo, ny voary rehetra dia tsy maintsy
tiavina amin’ny anaran’Andriamanitra. Ny zavatra tokana tsy
maintsy ankahalaina ary tsy maintsy toherina dia ny hevitry
ny fihetseham-po maloto sy ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fametavetana. Tian’Andriamanitra ho zava-boary
tonga lafatra ny olombelona: "Nomeko voninahitra tokoa
ny taranak’i Adama" (…) ary nomeko laharam-boninahitra
ambony noho ireo izay nohariako izy ireo.) ary azo lazaina fa
ny rehetra samy nahazo kely na betsaka io toetra io avokoa.
Ary rehefa mandalo tamin’ny filaharan’ny mpandevina jiosy
dia nijanona mba haneho ny fanajany ny irak’Andriamanitra.
Rehefa notsiahivina izy fa jiosy ilay olona nalevina teo, dia
mamaly izy hoe: "angaha tsy olombelona izy". Nasehony koa ny
lanja omen’ny silamo ny maha olombelona ny olombelona.
Eny, izany sy izany no fahalebeazan’ny fanajan’ny
Mpaminanintsika ny olombelona. Ireo izay mifototra amin’ny
rafitra sasantsasany ary misy silamo manazava kanefa manao
dika vilana sy tsy mahafantatra akory ny foto-pinoana silamo
ka tafiditra amin’ny fanafihana mampihorohoro izao tontolo
izao, dia tsy tokony tadiavina eo anivon’ny silamo fa tsara kokoa
raha ao amin’ireo olona ireo ihany, any amin’ny dika vilany sy
izay nanosika azy hanao izany, tsy finoana mpampihorohoro
mihitsy ny silamo, ny mpino silamo mahafantatra tsara ny
finony dia tsy tokony heverina fa mpampihorohoro.
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
123
Na dia misy aza ny zavatra maningana indraindray, ny
famoaboasan’ny turc ny foto-pinoana silamo dia marina.
Raha afaka nanaparitaka ny famoaboasana ny finoana silamo
manerantany nataon’ireo fototry ny fitiavana toa an-dry
Mawlana sy ry Yunus Emre isika, ary raha afaka nampita ny
hafa-pitiavany, ny fifanakalozan-kevitra sy ny fandeferana
amin’ireo izay mangetaheta izany, nirohatra nakeo antsandrin’izany fitiavana sy fandriapahalemana ary fandeferana
voalazatsika izany, ny olon’ny vazan-tany rehetra.
Midadasika tanteraka ny fandeferanan’ny finoana silamo,
noraran’ny mpaminany tokoa ny fanononana teny manidrona.
Na dia miezaka mafy aza i Mohammad dia tsy nanjary ho
silamo i Abou Jahl ary maty nampahonena. Soa ihany fa ny
anarana hoe Jahl dia midika hoe bado. Vokany, io olona maizintsaina io dia nandany ny fiainany manontolo nanoherana ny
mpaminany. Taoriana kely ny nahazoana an’i La Mecque, ny
zakalahin’i Abou Jahl dia nanompa an-drainy teo am-pivoriana
ary nomelohin’ny mpaminany noho izany.
NY FANAJANA HO AN’NY ZANAK’OLOMBELONA
Amin’ny Hadith (fitanisana ny teny sy ny asa nataon’ny
mpaminany) hafa, ny irak’Andraimanintra dia milaza fa ny
manompa ny Ray aman-drenin’ny hafa dia fahotana lehibe.
Nanontaniana izy amin’ny hoe ary raha ny rafozany no ompainy.
Dia novaliny fa raha manompa ny Ray aman-dRenin’olonkafa, hompainy io voahompa io koa ny Ray aman-dReniny ary
meloka izy, fa izy ihany no naha voahompa azy ireo.
Nanao izay azony natao kosa ny mpaminany mba
hanehoana ny fanajana ny hafa, ny zavamisy ankehitriny,
misy ireo olona maniratsira fivavahana rehefa manompa ny
124
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
hafa, izany dia mampiseho mazava fa tsy azony ny tenin’ny
mpaminaniny. Tsy manana toerana na dia kely aza ho an’ny
fankahalana, na ao amin’ny silamo na any amin’ny tontolo
mpanovaova loko ilay Irak’Andriamanitra Mohammad.
NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA
Rehefa mamaky ny CORAN dia mahita fa mifototra
amin’ny famelan-keloka sy ny fandeferana tanteraka izy.
Amin’ny sourate "ny fianakavian’i Imran ao amin’ny
CORAN, dia ahitana izao: "Ireo izay mahafoy ny arenany na
amin’ny fifalina na amin’ny fahoriana, ireo izay mahafehy ny
fahatezerany sy mamela ny heloky ny hafa, Andriamanitra
dia tia ny mpanao soa" (3: 134). Ndeha hazavaintsika misimisy
kokoa: heverintisika fa tojo trangan-javatra izay nahatezitra
ianao ; ohatra nisy olona nanevateva sy nanompa anao.
Araka izay azo atao, tsy tokony hamaly ianao fa mody tsy
mahafantatra. Ny CORAN dia mamaritra izay tokony
hitondran’ny olona mendri-pitondran-tena ny tenany na dia
antain’ny fotoana hamelezan’ny mpifanandrina aminy azy
tampoka aza: "mbola tsara fo izy na dia efa mifanojo amina
toe-javatra mahatezitra mafy aza, nateliny toy ny itelelemana
tsilo ny hatezerany ary nakimpiny ny masony manoloana
ny fahadisoan’ny hafa." Tena mazava ny teny arabo amin’io
andininy io. "Kadhm", izay midika hoe: Atelemo izay tsy azo
atelina, ary eto ny "Kâdhim" dia ny mitelina fahatezerana. Ao
amin’ny andininy hafa, hoy Andriamanitra amin’ireo mpino
azy: "Izay tsy manao vavolombelona sandoka, raha sendra
tafandalo amin’ny toerana mamoafady izy dia miala ampahamendrehana" (25:72)
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
125
FOMBA SILAMO IRAY
Rehefa mijery ny fiainana masin’ny mpaminany isika dia
mahita fa mampihatra izay rehetra voalazan’ny CORAN
izy. Ohatra, rehefa namaly ilay nijangajanga tonga teo aminy
mba hilaza ny ratsy nataony sy mangataka ny fanadiovana
ny fahotany na toy inona na toy inona saziny, dia hoy izy:
"Miverena any aminao ianao ary mibebaha. Tsy misy fahotana
izay tsy hain’Andriamanitra avela". Mitantara ny Hadith hafa,
ny fomba nandehanan’ny olona nankeo amin’ny mpaminany
mba hanameloka mpaangalatra. Eo amin’ny fotoana izay
tokony hilazana ny sazy, niverin-dalana ilay mpitory ary
namela ny helok’ilay mpangalatra, ary hoy i Mohammad: "Fa
maninona no tsy navelanao hatrany am-piadohana izy?"
Noho izany rehefa jerena amin’ny antsipirianay miainga
avy amin’ny tena loharano mipoirany ny zava-drehetra, dia
hita fa ny fomba ampiharin’ireo izay mankahala sy manohitra,
na ny silamo na ny Jody na ny Kristiana, tsy misy afa-tsy izy
ireny ihany no voatsindron’ny hatezerana, ho esoina hoe
"Tsy mendrika", tsy misy hifandraisany amin’ny finoana
silamo. Toy izay voalazantsika tery ambony, ny silamo dia
fivavahan’ny fitiavana sy ny fifandeferana , ny mpino silamo
dia mpiahy ny fitiavana sy ny fankahazoana, lavitry ny asa
fampihorohoana ary manadio ny tenany tsy hisy endriky ny
fialonana sy ny ady.
Fanamarihana:
Navoaka voalohany tao amin’ny Turkish Daily News ny 19
septembre 2001 ity matoan-dahatsoratra ity, ampahany tao amin’ny
boky mitondra ny lohateny hoe: "tolerance and atmosphere of
dialogue in Fethullah Gulen’s writing ans sayings. Navoaka indray
rehefa nahazoana alalana.
I GULEN AMIN’NY MAHA MPANABE
SY MPAMPIANATRA NY FINOANA AZY
V
oasarika hamantatra ireo sekoly tarihin’ny mpikambana
ao amin’ny vondrona manaraka ny foto-kevitr’Ingahy
Gulen aho. Nanosika ahy hanadihady ireo hasasarany izany,
mba hahafantarako ireo hevitra nahatonga ny tetik’asampanabeazana izay manaraka ny fomba fijerin’i Fethullah
Gulen sy ireo mpanaradia azy.
Hanombohana azy, tsara ny manamarika ny fifandraisana
misy eo amin’ny M.Gulen sy ireo sekoly izay tsotra kokoa ny
miantso amin’ny hoe: "Ny sekolin’i Gulen" na koa hoe "Ny
sekolin’ny hetsik’i Gulen". I Gulen dia fantatra fa mpanabe.
Matetika izy no mametraka fanavahana mazava eo amin’ny
fampianarana sy ny fanabeazana. "Ny ankamaroan’ny
olombelona dia mety ho mpampianatra, fa vitsy dia vitsy
kosa ny isan’ny mpanabe", hoy izy.
Naveriny ihany koa fa tsy manana sekoly izy. "reraka ny
mamerimberina aho fa tsy manana sekoly na iray aza", hoy
izy tamim-pisentoana. Naorina ny sekoly rehefa nifanaraka
ny tsirairay sy ny firenena izay nandray azy sy ny orinasampampianarana miorina amin’io tanjona io. Ny sekoly tsirairay
dia rafitra fitantanana mahaleotena, fa ny ankabeazan’izy
ireny dia miankina amin’ny orinasa Turc mba ahafahana
miantoka ny sekoly sy ireo olona hiandraikitra azy.
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
127
Ny nahitako voalohany ny iray, dia ny taona 1995,
tany zamboanga, ao any amin’ny nosin’ny Mindanao , ao
atsimon’ny Philippines, rehefa fantatro fa misy sekoly turc
kilometra vitsivitsy avy ao amin’ny tanan-dehibe. Rehefa
nanakaiky ny sekoly aho , ny zavatra voalohany nisarika ny
saiko dia ny nahita ny soratra lehibe eo amin’ny vavahadin’ny
sekoly izay mivaky hoe "Sekolin’ny fandeferana Philippe sy
Turc". Zavatra nahagaga izany tranga izany tany Zamboanga,
tanan-dehibe ahitana kristiana (50%) sy silamo (50%) miaramonina; hita anatin’ny faritra nanjakana’ny Fanjakana
mpizarazara Moro (silamo) nandritrin’ny roampolo taona,
niady tamin’ny miaramilan’ny governementan’ny Philippines.
Ao anatin’ny faritra ahitana ny fakàna an-keriny isan’andro sy
ady an-trano, fifampitifirana, fanamborona, fanjavonana sy
vono olona ataon’ny miaramila sy ny milisy , ny sekoly dia
manome fahalalana ny ankizy kristiana filipiana sy ny ankizy
silamo filipiana, no sady misy fanabeazana avo lenta, sy fomba
fiaina sy ny fifandraisana tsara amin’ny hafa.
Ny Jezoita namako sy ny mpampianatra laika any Alténéo
(Zamboanga) dia manamafy, fa hatramin’ny niandohan’ny
sekoly fandeferana Filipina sy turc, dia manana fifandraisana
sy fiaran-miasa tsara amin’ireo rafim-panabeazana kristiana
any amin’ny faritra.
Hatramin’io fotoana dia afaka namangy sekoly hafa aho,
ary niadihevitra mikasika politikam-panabeazana tamin’ireo
mpanabe sy mpandraharahan’ny sekoly. Ny vaikan’ny fahalalana
omena amin’ny fandaharam-pianarana, ny informatika sy ny
fiteny avy any ivelany dia hita taratra amin’ireo fahombiazana
maro amin’ireo fifaninanana oniversitera. Tao amin’ny kolejy
iray ao Bichkek, ny resaka tamin’ny vondronam-pianatra
128
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
kirghizes, kilasy fahadimy, nandrtitrin’ny atsasakadiny aho.
Rehefa nifanarana ny teniko, nangataka tamin’ny mpianatra
ny ny mpampianatra mba hanavaka ny fomba fanononana sy
ny teny izay manamporofo fa miteny anglisy amerikana aho fa
tsy britanika. Gaga dia gaga aho fa tsy nananosarotra ireo zaza
akory ny nanao izany.
Nataoko fa hahita tontolo sy fandaharam-pianarana
mifototra manokana amin’ny finoana silamo aho. Raha mbola
torovan’ny hagagana nohon’ny tsy fahitako ny tetikasampanabeazana nositonina avy amin’ny finoana iny aho no
nahazo valin-teny hoe satria ny mpianatra dia ahitana kristiana
sy silamo ao Zamboanga, ao koa ny Bodista sy ny Hindo ao
Kirghizistan, koa ny ampitaina amin’ny mpianatra dia ireo
sotoavina iombonana ihany, toy ny fahamendrehana, ny
fahazotoana, ny fahaiza-mandrindra, ny fanitaran-tsaina, fa tsy
hoe fanabeazana ny fototra amin’ny fivavahana.
Nanosika ahy handalina ny asa soratrin’ny Fetullah
Gulen ireo fihaonana ireo mba ahafahako manamarina ny
antony sy ny fotokevi-panabeazana manodidina ny sekoly
sy mpanabe, sy mba ahafantarana ny paikadin’ny Gulen
izay mampahatonga azy ho mpanabe afaka misarika ny hafa
amin’ny fomba fijeriny.
NY FAHITAN’I FETULLAH GULEN NY
FANABEAZANA
Nadritry ny folo taona nanaraka ny fametrahana ny Repoblika
turc, silamo turc maro no nitsikera ilay fandaharam-pianarana
nantsoina hoe "fanavaozana manara-penitra" izay naroson’ny
Governemanta satria nametra anjambany fotsiny izay zavatsara sy izay zavatra ratsy tao amin’ny riban’ny Eropeana. Tsy
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
129
fantany fa ny fidirana ho laika dia vokatry ny dingana hiroso
amin’ny fanaraham-penitra fotsiny, ny vokatra azo anefa dia
toa fanoherana ny fivavahana. Nohamafisin’izy ireo fa ny
hevitra izay mitondra mankany amin’ny fanavaozana manarapenitra dia ny faharesen-dahatra ara-poto-kevitra milaza hoe
ny fivavahana no vato misakana amin’ny fampandrosoana ary
nanjary natao an-jorom-bala teo amin’ny fiaraha-monina,
ny Ekonomia sy teo amin’ny politika raha tiana handroso
ny firenena. Ny zotran’ady nofaritana nandritra ny folo
taona, taorian’ny fametrahana ny Repoblika ary namafisin’ny
rafi-panabeazana nifaninana dia niteraka ny ady hevitra,
teo amin’ny "finoana" sy ny "maha laika" tany Turquie,
adihevitra izay nandrenesana mandrakariva ny fiandanian’ny
ankamaroan’ireo mpandinika.
Amiko ny antony iray izay nahatonga ny olona hivondrona
"ankavanana" sy "ankavia" , na "laika" na ny "finoana" hanohitra
an’i Fethullah Gulen matetika dia tsy te hiandany amin’io
hevitra heveriny fa efa nilaozan’ny teotr’andro io izy, dia
aleony manome paikady mifototra amin’ny ho avy izay
heverina fa hampitsahatra ny adihevitra misy fa tsy miandany
amin’ny atsy na aroa. Ny vahaolan’i Gulen dia manamafy ny
tanjona tian’ny fanavaozana nanara-penitra ho tratrarina izay
navoakan’ny Goernemanta Turc, no sady nampiseho kosa
dingana arahan’ny fampanaraha-penitra tena mahomby,
fampivelarana ny maha-olona manontolo. Ami’ny fomba
fiteny ara-pedagojia, tsy maintsy mijery ireo zavatra atao
loha-laharana mahakasika ny fampianarana izay efa misy
ary mampiditra azy ireo amin’ny fomba fanabeazana vaovao
izay tsy maintsy ahitana ireo zavatra takian’ny toe-javatra
ankehitriny.
130
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Tsy misy itovizan’izany mihitsy amin’ireo tetik’asa izay
mitady hamerina na hampiditra indray ny zavatra efa lany
andro. Lavina kosa ny hoe, ny fanabeazana atolotr’ireo sekoly
mifamatotra aminy ireo dia faka-panahy hamerina indray ny
rafitra "Ottoman" na hametraka indray ny "Califat", nohamafisin’i
Gulen mafy fa: "raha tsy misy fankatoavana sy fanarahana ny
fepetra vaovao dia ho fanjavonana no vokany".
Na dia ilaina aza ny fampanaraha-penitra araka ny
heviny, nitera-doza ny fialana tanteraka amin’ny lasa. Raha
tsy mahafantatra ny soatoavina fahiny, ny tanora dia beazina
tsy hanana soatoavina afa-tsy ny fahombiazana ara-materialy.
Ny soatoavin’ny tontolo tsy azo tsapaitanana, toy ny
fahalalinan-kevitra sy fihetsem-po, ny fahazavam-pisainana,
ny fahafantarana ny kolontsaina, hatramin’ny fanasoavana ny
fanahy dia toa hodian’ireo vondrom-panabeazana moderne
tsy ho hita, izay mikendry fotsiny hamoaka mpiasampanjakana maro eo amin’ny tsena faobe.
Mpianatr’iza no afaka hikarakara tsara ny asany kanefa
tsy nahazo ny famolavolana ilaina mba ahazoana ny tena
fahafahan’ny olombelona. Ny Mpitarika politika sy ireo
mifehy ny lafiny toe-karena dia mankasitraka ny fanabeazana
"tsy ahitana soatoavina" fa ny fanatanterahana asa fotsiny,
mba ahafahan’izy ireo manara-maso mora foana ny mpiasa
"nofanina fa tsy nobeazina". Nohamafisin’i Gulen fa raha te
hifehy ny fibaikona vahoaka ianareo, ampy ny tsy fanomezana
azy fahalalana fotsiny izao. Tsy afaka miala amin’ny karazampangejana ny olona raha tsy amin’ny alalan’ny fanabeazana,
ny lalana mankany amin’ny fahamarinana sy filaminana
ara-tsosialy dia mifototra amin’ny fanabeazana mifanaraka
amin’ny zava-misy sy ho an’ny rehetra, satria io no zavatra
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
131
tokana hanome ny fifankazahoana sy ny fandeferana
ilaina amin’ny fanajana ny zon’ny hafa. Avy amin’i Gulen,
tsy ny fametrahana ny filaminana ara-tsosialy ihany no
voaelingelin’ny fanabeazana tsy mirindra, fa indrindra
indrindra koa ny fahalalana ny zon’olombelona, ny fanekena
rehefa resy lahatra, ny fandeferana manoloana ny hafa.
Raha nobeazina tsara hahay hisaina sy hanaja ny lanjan’ny
filaminana ara-tsosialy, ny zon’olombelona sy ny fandeferana
ny olona, ho afaka hitondra fanovana mba hampiharana ireo
rehetra heveina fa mitera-boka-tsoa.
Raha tsy maintsy ovana ny fanabeazana dia tsy azo
adinoina ihany koa ny fanofanana ny mpanabe. Nomariahan’i
Gulen fa "tsy mitovy ny fanabeazana sy ny fampianarana."
Ny ankamaroan’ny olombelona dia mety ho mpampianatra
fa tena voafetra ny isan’ny mpanabe. Ny fahasamihafana
amin’ireo zavatra roa ireo dia mifototra amin’izao zavatra
izao: raha samy mampita ny zava-baovao sy ny teknika
ny mpampianatra sy ny mpanabe dia itsy farany ihany no
afaka mampipongatra ny maha-olona ny olona ao amin’ny
mpianatra, manaitra ny fisainany sy ny fandinihany, manampy
azy amin’ny famolavolana ny toetrany ary mahatonga azy
hahay hitondra tena samirery amin’ny fandeferana sy ny tena
hevitry ny asany. Faritany ho toy ny "jamba mitarika jamba"
ireo izay mampianatra mba ahazoana karama fotsiny fa tsy
mba mampita famolavolana ny toetra ho an’ny mpianatra.
Ny tsy fahampian’ny rindran-damina eo amin’ireo rafipanabeazana mifanenjika sy mifanohitra no niteraka ilay
ambaran’i Gulen hoe "ady mafy tsy tokony hitranga: Ny
fifanoheran’ny fahalalana sy ny fivavahana. Io fifanoherandiso io no mandany ron-doha an’ire manam-pahaizana,
132
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
mpitondra fivavahana sy mpanao politikan’ny vondrona roa
nandritra ny taonjato faha sivy amby folo sy faha roapolo,
ary niterka ny faha-samihafan’ny fomba sy ny filozofiampanabeazana. Ny mpanabe laika manara-penitra dia mahita
ny finoana ho toy ny fandanian’andro fotsiny ka tsy ilaina,
ary ny tena ratsy, heveriny ho vato misakana amin’ny
fandrosoana. Teo amin’ireo manam-pahaizana mandala ny
finoana indray, ny ady hevitra dia tonga hatrany amin’ny
fanariana ny fampanaraha-penitra ary nijery ny fivavahana
ho toy ny "tolo-kevitra politika fotsiny fa tsy fivavahana
amin’ny tena heviny sy andraikiny." Mihevitra izy fa ao
anatin’ny fampiroborobona ny fanabeazana izay hanofanana
amin’ny fomba matotra ireo manam-pahaizan’ny finoana,
mba hahafehy ny fahalalana sy ny haitao hafa, ary hapetraka
ho fitaratra ara-panahy sy ara-pinoana, no hanafoana ny
fifanoherana misy eo amin’ny fahalalana sy ny fivavahana na
ho fantatra fara faharatsiny ny antony".
Mba hanatanterahana izany, notsiahiviny ny tsy maintsy
ilàna fomba fanabeazana vaovao "izay manambatra ny
fahalalana ara-pinoana, fahalalana siantifika, ny fitondrantena sy ny ara-panahy, mba ahafahana mamokatra olona
mazava tanteraka, sy manana fo voazavan’ny fahalalana
ara-pinoana sy ara-panahy ary saina voatsilon’ny fahalalana
mendrika". Olona vanona hiaina, hanaja ny fitondran-tena
sy ny toetra maha olombelona, no sady "mahafantatra ny
fepetra mikasika ny teo-karena sy sosialy ary politika amin’ny
vanim-potoana iainany".
Maro ireo voambolana saro-takarina ao amin’ny asa soratr’i
Gulen mikasika ny fanabeazana izay tokony hazavaina mba
hialana amin’ny dika vilana. Ny voalohany dia ny hoe: "ara-
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
133
panahy" na "soatoavina ara-panahy". Nefa tsy misy ifandraisany
akory amin’ny resaka "fivavahana". Izay ampiasaina mba
hampangina ireo mpomba ny finoana, amin’izao fiarahamonina tsy misy finoana ankehitriny izao. Ampiasain’i Gulen
amin’ny dikany malalaka kosa ireo voambolana ireo. Aminy,
ny ara-panahy dia tsy mahakasika fotsiny ny fampinarana
manokana mikasika ny finoana fa ao koa ny famoronana,
ny lojika, sy ny fahasalaman’ny saina ary ireo harena arapihetsem-po rehetra. Amin’ireo teny fototra nosoratany koa
dia ahitana "famindram-po" sy "fandeferana". Ny andraikitry
ny fanabeazana dia ny hampiditra toetra "tsy manam-petra"
ao amin’ny mpianatra, amin’ny fanabeazana azy amin’ny
taranja siatifika , izay anterina fa tokony ho "marina".
Misy voambolana hafa fampiasan’i Gulen matetika
ihany koa, tsy maitsy jerena akaiky, miteny matetika ny
filàna ny soatoavina "ara-kolotsaina" sy "fahiny". Ny antsony
amin’ny fampidirana izany ao amin’ny fanabeazana dia
tsikeraina fa fiantsona hiverina any amin’ny fiaraha-monina
faha-"Ottoman" talohan’ny faha-Repoblika. Nomelohina
ho toy ny "Irtidjâjî" izy, izay azo adika amin’ny hevitra turc
hoe "fanoherana miverin-dalana" na "fondamentaliste",
fanamelohana notoheriny hatrany izany hoy izy miaro
ny heviny, miteny hoe: "Irtidjâ dia midika hoe fiverenana
amin’ny lasa na mitondra ny lasa ho amin’ny ankehitriny.
Anisan’ny olona nisafidy ny fiainana mandrakizay aho fa tsy
ny ampitso ihany, liana amin’ny ho avin’ny firenentsika aho
ary miezaka araka izay azoko atao mba hanompoana azy. Na
tamin’ny teny noteneniko na tamin’ny soratra nosoratako na
amin’ny asa rehetra ataoko, tsy miombona mihitsy amin’ireny
hevitra mampihemotra ny fireneko ireny aho, aoka mba
134
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tsy hisy hiteny fa "Irtidjâ" ny finoana an’Andramanitra. Ny
finoana, ny fahaiza-mitondra tena no fonosin’izany.
Raha miteny ny soa toavina ara-kolotsaina sy ny fahiny,
izany dia toy ny mijery ny lasan’i Turquie, fotoana lasa
nanovozam-pahendrena miadana izay mbola manan-javatra
maro hatolotra ho an’ny olona ankehitriny, ary mbola maro
ireo fahendrena fahiny ireo no tena ilaina sy mifanaraka
amin’ny filan’ny fiaraha-monina ankehitriny. Ankoatra izay,
noho ny fitiavana hanovo ny fahendrena fonosiny no tsy
hanariana ny lasa, ny fakam-panahy hamerina manontolo ny
lasa dia hevitry ny fohy fisainana, rakotry ny tsy fahombiazana.
Azo lazaina fa ny hevitr’i Gulen dia milaza fa ny fanariana
ny ezaka mba hiala amin’ny lasa dia fanariana ny ezaka mba
hametraka fiarahamonina moderina ihany koa.
Amin’i Gulen ny fironan’ireo mpitaky fiovana "ho
afaka amin’ny gejan’ny lasa" dia fanomezam-pahasoavana.
Ireo rehetra mangeja sy tsy mampivoatra avy amin’ny
lovatsika sy ireo tsy misy liana azy intsony dia mendrika
ho soloina, tokony hamafisina kosa ireo rehetra manafaka
sy mifanaraka amin’ny maha olona, raha tiana hanangana
ho avy mahafinaritra, ireo taranaka vaovao. Mazava fa ny
fisainany dia tsy voafetran’ireo ady hevitra anatiny, mikasika
ny politika an’i Turquie, na ny ho avin’ny fiaraha-monina
silamo fotsiny. heviny momba fanabeazana dia mahasahana
ny fiaraha-monina manontolo manerana izao tontolo izao.
Te hamolavola mpitaky fiovana manana ny maha izy azy izy,
ka sady mahafehy ny tontolon’ny fampitaovana no manana
ny fanahy maha olona. Hoy izy: "izay te hanova izao tontolo
izao dia tsy maintsy manova ny tenany aloha voalohany
indrindra". Mba hahafahany mitondra ny hafa amin’ny lalana
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
135
mitondra amin’ny tontolo mahafinaritra, tokony dioviny
ny tontolo ao anatiny, alany ao ny fankahalana, ny lolompo
sy ny fialonana, ary ravahany fahamarinana ny tontolony
ety ivelany. Ireo izay lavitry fanajan-dalàna sy ny fahaizamifehy tena sy tsy afaka manadio ny sainy, dia mba miezaka
mamola-tena ety am-boalohany. Tsy ho ariny ny mahita ny
hafa, hifoha ny fanahiny, ka hanjavona tsy ho ela izany.
Manamafy i Gueln fa: "tsy tena olona ny olona iray raha
tsy mianatra, mampianatra sy mihevitra ny hafa. Sarotra ny
mihevitra fa olona ny bado tsy manana fanirina mba hianatra.
Mampanontany tena ihany koa ny manam-pahaizana tsy
mba miova na mivoatra, mba ho fitaratra, mba olona ve izy
ireny".
I FETULLAH GULEN AMIN’NY MAHA
MPAMPIANATRA NY FOTO-PINOANA SILAMO AZY
Ny maha mpanabe an’I Gulen no tena hifotoran’ity matoandahatsoratra ity. Ny andraikiny amin’ny maha manampahaizana sy mpampianatra ny finoana dia hevitra mendrika
ho jerena amin’ny manaraka, mendrika ho hadihadiana ny
fisainany mikasika ny finoana, amin’ny maha mpandinika
liam-pandrosoan’ny finoana silamo azy. Tsy omby izany
loahahevitra izany ity matoan-dahatsoratra ity, tsy ho feno
anefa ny fandinihana ny fahitany ny fanabeazana raha tsy
mijery ireo asasorany mikasika ny finoana silamo.
Amin’ireo bky telopolo nosoratan’i Gulen dia ahitana
sasantsasany manambara ireo kabary sy toriteny nataony
tamin’ny mpianatra sy ny mpino. Ny sasany indray dia
valim-panontaniana napetraky ny mpianatra taminy. Ary ny
ampahany sisa rehetra amin’ireo asany dia fandalinana ny
136
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fiainan’i Mpaminany Mohammad sy tari-dresaka momba
ny "sofisma", ny fomba nentina namaly ireo fanontaniana
taloha dia ny fahalalana navoitran’ny Kalâm, tsangankevitra manana ny toerany amin’ny finoana silamo. Tsy ireo
manam-pahaizana manokana loatra no tena hiompanany fa
ny vahoaka silamo manontolo nahazo fanabeazana.
Inona ary no azo ambara amin’ny paikady manokan’i
Gulen amin’ny fanadihadiana ireo fototry ny finoana
silamo sy ny fahiny. Voalohany, ny zavatra mahasarika ny
mpamaky dia fanatitraterany mikasika ny fitondran-tena
sy ny fahamendreham-pitondran-tena, izay nohamafisiny
tsara ho ivo ifotoran’ny finoana avy amin’ny CORAN fa
tsy fahazarana fotsiny. Noamafisiny tsara fa tena ilaina ny
fivavahana isan’andro, i Gulen dia mihevitra fa ny fahitsian’ny
toetra no fo hiainan’ny finoana. "Ny fitondran-tena hoy izy no
fototra maha finoana ny finoana ary anisan’ireo hafatra fototra
avy amin’Andriamanitra. Raha manana ny fahamarinana sy ny
fitondran-tena mendrika, dia tena mahery fo - izany mihitsy-,
ny mahery fo lehibe voalohany dia ireo mpaminany, avy
eo izay manaraka azy am-po madio sy fitiavana. Ny mpino
silamo marina izay maneho fitondran-tena mendrika ho
an’ny rehetra no tena mpino silamo. Nohamafisiny ny heviny
tamin’ny filazana "Hadith" an’i Mohammed izay milaza hoe:
"Ny finoana silamo dia ny fahamendrehan’ny fitondran-tena,
nirahina mba hanatomombana sy hameno ny fahamendrehampitondran-tena aho."
Ny endrika isaloran’ny fiaimpiainan’ny silamo dia ny
miara-mientana mba hanangana olona mendrika sy mahitsy,
tsy manam-paharoa. Raha ny hevitra malalaky ny voambolana
hoe: islâm na fanolorana ny fiainana ho an’Andriamanitra, dia
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
137
azo lazaina fa ny sekoly naorina tamin’ny hetsika niaraka amin’i
Gulen dia nosintonina tamin’ny hevi-pahendrena mifototra
amin’ny loharano nipoiran’ny finoana silamo, kanefa kosa tsy
natokana fotsiny ho an’ny "Omma" (fitambaran’ny vondrona
silamo). Amin’i Gulen, rehefa miteny hoe hamolavola mpianatra
dia "ny fahavononana ny hiaina amin’ny endrika tena maha
olona sy ny fitondran-tena mendrika" izay "ho ravaky ny endrika
ivelan’izao tontolo izao amin’ny endri-pahamarinana rehetra",
manolotra fepetra ara-pahendrena iraisana izay nianarany tao
amin’ny finoana silamo amin’ny maha silamo azy. Mazava ho
azy koa, tsy nihevitra izy fa ny fahamarinanana, ny maha olona
ny olona, ny fahaiza-mitondra tena dia natokana fotsiny ho an’ny
mpino silamo, satria ireo mpianatra tsy mpino silamo ihany koa
dia nianatra tao amin’ireo sekoly ireo, ary tsy noresena lahatra
hanjary ho silamo.
Mazava amin’izany fa ny finoana silamo dia toy ny
"fitaovana manao izay hahatomombana ny olona, mamela
ny olona hiverina amin’ny maha anjely azy, Ka raha lalana
mitondra amin’ny fahaiza-mitondra-tena ny islam, dia tsy
maintsy heverina fa toy ny fivelarana ara-boajanahary sy tsy
azo ialana ao amin’ny fomba silamo ny sofisma (Tasawwuf).
I Gulen dia manome famaritana ny sofisma ho toy ny "ezaka
mitohy mba hialana amin’y hevi-dratsy rehetra sy fitondrantena tsy mendrika, ary ny mba ahazoana ny fahamarinana".
Mankato ny sofisma izy, toy ny mpitarika ara-panahy teo
amin’ny tantaran’ny silamo ary nampiseho tamin’ny taranaka
silamo ny fomba hanarahana ny lalana mankany amin’ny
fahamedrehan’ny olombelona.
Ny famakiana ny foto-kevitra sofista no mitarika ny sasany
hanondro azy ho nanorina hetsika sofisma vaovao "Tariqat".
138
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
Nolaviny mafy fa tsy miandany na oviana na oviana amin’ny
"tariqat" izy ary tsy nanorina ny sofisma vaovao, naverin’i
Gulen F. fa ny manameloka ny sofisma, ilay totolo arapanahin’ny finoana silamo, dia mitovy ami’ny fanoherana ny
finoana silamo ihany. Hoy izy: "efa im-piry no nilazako fa tsy
mpikambana amina laharana ara-pinoana aho". Amin’ny maha
finoana ny finoana silamo dia mifatotra voajanahary amin’ny
tontolo ara-panahy izy. Raisiny ho toy ny foto-kevitra ijoroana
ny fitsipika maha-finoana azy. Ny fihafina, ny fiantrana, ny
fanajana, ny hatsaram-po sy ny fahatsorana dia ilaina tokoa
amin’izany. Ao amin’ny tantaran’ny silamo, ny fitsipika tena
mifamatotra amin’io hevitra io dia ny sofisma. Ny manohitra
azy dia manohitra ny tena maha finoana silamo ny finoana
silamo. Averiko indray anefa fa tsy mitambatra amin’ny
vondrona soufi na oviana na oviana aho, tsy mbola nanana
fifandraisana na inona na inona tamin’izy ireo aho"
Fanamarihana:
Resume d’un article presente par Dr. Thomas Michel, Secretaire
General du Departement de Vatican pour le Dialogue Interreligieux,
dans le "F. Gülen Symposium" (Geogetown University, avril
2001). Reimprime avec permission.
1
Pearls of Wisdom (Izmir : Kaynak, 1998), 1:36.
2
Lynn Emily Webb, Fethullah Gulen: Is There More to Him
Than Meets the Eye?, 106.
3
Webb, Fethullah Gulen, 86.
4
Towards the Last Paradise, 16.
5
"M. Fethullah Gulen: A Voice of Compassion, Love.
Understanding and Dialogue," Introduction sur M. Fethullah
Gulen, "The Necessity of Interfaith Dialogue: A Muslim
Teny Nolazaina Mikasika An’i Fethullah Gülen
139
Approach," presente Au Parlement des Religions du Monde,
Le Cap, Afrique du Sud, Dec. 1-8, 1999.
6
Pearls of Wisdom, 1:36.
7
"The Necessity of Interfaith Dialogue," 39.
8
Ibid., 20.
9
Ibid., 39.
10
Ibid.
11
Cf., "On accorde trop peu d’attention et d’importance a
l’enseignement des culturelles, bien qu’elles soient essentielles
a l’education. Si un jour nous arrivons a leur accorder
l’importance qui convient, nous aurons atteint un objectif
capital." Pearls of Wisdom, 1:35.
12
Cf. Towards the Lost Paradise, 16, et Pearls of Wisdom, 1:4445.
13
Webb, Fethullah Gulen, 95.
14
"The Necessity of Interfaith Dialogue," 30.
15
Towards the Lost Paradise, 30.
16
Prophet Muhammad: The Infinite Light, 2:153-54.
17
Key Concepts in the Practice of Sufism, 1.
18
Webb, Fethullah Gulen, 102-3.
AMPAHANY AMIN’IREO
FANADIHADIANA MARO
ATAO DIKA VILANA NY FINOANA SILAMO
T
sy maintsy jerena indray ny fomba fiheverantsika ny
finoana silamo. Amin’ny maha silamo antsika, tsy maintsy
manontany tena isika hoe: maninona ny hafa no mandroso
kanefa isika mihemotra eto amin’ity tany ity. Ho raisina ny
CORAN sy ny Sounna izay loharano fototra ary hajaina ny
endrika lehibe ananan’ny finoana silamo, ary heverina fa isika
izao no zanaky ny ankehitrio, tsy maintsy manontany ny lasa
sy ny ankehitriny isika. Hitady ireo izay afaka miheritreritra
sy ireo mpikaroka aho, mba hametraka ny fifandanjana ilaina,
eo amin’ ireo endrika afaka miova sy ny endrika fototra tsy
azo ovaina misy ao amin’ny finoana silamo, ary hajaina tsara
ireo fitsipika mifehy ny làlana, toy ny fitsipiky ny fanafoanana,
ny fanavahana manokana, ny fanaovana jery faobe, sy ny
fitsikerana, mba hahafahana mampiseho ny finoana silamo
sy hahazoana azy amin’ny fomba mandroso. Ny taonjato 5
voalohany nisian’ny silamo dia taonjato nahitana mpikaroka
sy manampahaizana maro. Nandritra io vanimpotoana io dia
nisy dia nisy tokoa ny fahalalahana ara-tsaina.
TSY MISY DOGMATISMA AMIN’NY
FINOANA SILAMO
F : Ahoana ny hevitry ny silamo mikasika ny dogmatisma ?
V: Raha midika ho fanekena sy fandikana anjambany tsy
misy fahalalahan-tsaina sy fampiasana ny fahafahan’ny saina
handinika ny dogmatisma dia tsy misy azy ao amin’ny finoana
silamo. Indrindra fa ao amin’ny famolavolana ny fivavahana
144
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
izay nivelatra tany amin’ny tany tandrefana izay mihevitra fa
zavatra roa samy hafa ny fahalalana sy ny finoana. Amin’ny
silamo kosa dia mifameno ireo zavatra roa ireo. Manizingizina
ny hampiasan’ny tsirairay ny fahafahany misaintsaina ny
CORAN (miheritreritra, misaina, mandinika, mamakafaka,
mitsikera, manombana, sy ny sisa…).
F: Inona no azonao lazaina mikasika ny andininy ao
amin’ny CORAN mifikitra ao amin’ny lalàna fototra ?
V: Misy endrika raikitra sy tsy miova ao amin’ny zavaboary
sy ny fiainana. Satria ny "lalàn’ny natiora" dia tsy miova na
oviana na oviana ary koa ny endrika manandanja maha olona
ny olona (ny natiorany ; ny filana fototra ao aminy, sy ny
fihetseham-pony, sns) tsy miova mihitsy ireny, ny fivavahana
izay natao hoan’ny olombelona koa dia tsy maintsy manana
foto-kevitra tsy miova sy soa toavina mandrakizay. Ankoatra
izany, ny lalàn’ny fitondran-tena toy ny fitokisana, ny
fifehezan-tena, ny fahamendrehana, ny fanajana ny zoky olona
(indrindra fa ny Ray aman-dreny), ny fiantrana ny fitiavana sy
ny fifanampiana dia soa toavina eken’ny rehetra mandrakariva.
Toy izany koa, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny filokana,
ny fanevatevana, ny fijangajangana, ny halatra, ny fitaka sy ny
fomba tsy mendrika rehetra mba hahazoam-bola dia zavadratsy tsy eken’ny rehetra ary fantatra sy voaporofo. Ny
fanekena sy ny fiheverana ny lalàna sy ny soatoavina moraly
dia tsy dogmatisma.
Na izany aza, toy ny fivavahana rehetra ihany, manana
fomba fijery dogmatika ny finoana silamo. Ohatra, ny
Dhâhirisma dia nanomboka nandritry ny nanjakan’ny kalifa
‛Ali, tohin’ireo mpiala an-daharana Kharidjita. Ireo vondrona
ireo dia tsy manaiky afa tsy ny hoe: Ireo andininy masina
Ampahany Amin’ireo Fanadihadiana Maro
145
dia raisina ara-bakiteny, ary mandà ny fitsipika fototra toy
ny fanafoanana, ny fanavahana manokana, sy ny jery faobe.
Tany am-piandohana dia tsy novolavolaina ho toy ny
sekolim-potokevitra izy io. Na izany aza anefa dia nisy olona
toandr’i Dawud adh-Dhahiri sy ry Ibn Hazm namolavola azy
ho toy ny rafitra tany Andalousie ary namoaka boky momba
io hevitra io. Afaka fotoana fohy dia noraisin’ireo olona
nironan’ny maro toandr’i Ibn Taymyya, sy ireo fakatahaky ny
manampahaizana maro toa an-dr’i Ibn Qayyim al-Jawziyya,
Imam Dhahabi sy Ibn Kathir. Teraka tamin’izany koa ny
Wahhabisma. Na izany aza anefa, olona vitsy dia vitsy no
nanaraka ireny.
NY SILAMO, NY TEOKRASIA SY NY TIRANIA
(L’islam, la théocratie et la tyrannie)
F : Misy amin’ny silamo toy izay heverin’ny haino amanjery ve ny tsy refesi-mandidy sy ny fitondrana ara-pinoana ?
V: Misy olona sasantsasany dia afaka mampiasa ny
zavatra rehetra na tsinontsinona akory aza mba hanaovana
ny ratsy, afaka mitrandraka ny finoana silamo koa izy ireny
ary mampiasa ny fivavahana mba hanjakana tsy ho refesimandidy. Kanefa izany tsy azo ilazana fa manana endrika
tsy refesi-mandidy ny finoana silamo. Heveriko fa ny hevidiso dia avy amin’ny tsy fahazahoana tsara io toe-javatra io.
Ny silamo dia tsy mitovy amin’ny fitondrana ara-pinoana
izay manana hevitra hafa ho toy ny rafi-pitondrana fidin’ny
ray aman-drenim-piangonana. Amin’ny silamo dia tsy
misy antanantohatra eo amin’ny mpitondra fivavahana arapanjakana na rafita entin’ny mpitondra fivavahana.
146
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
NY FONDAMANTALISMA
Ny fondamantalisma dia midika hoe fanekena am-bokony
sy finoana anjambany. Tsy mitovy amin’izany ny silamo na
dia misy milaza aza fa fondamantalisma ny fihetsiketsehana
Iranianina sy Saodianina. Tsy midika izany fa mankasitraka
ny fondamanatalisma ny silamo. Ny zava-misy iranianina sy
saodianina dia manana ny mampiavaka azy manokana izay
avy amin’ny fotokevitra arahiny. Ny ankamaroan’ny silamo
dia tsy mankasitraka azy ireo na iray aza. Tena fahadisoana
lehibe ny manaiky ny finoana silamo ho fondamantalima na
ny mpino silamo ho fondamanatalista. Izany hevitra izany
dia nandalo fotsiny tamina fifangaroana fomba fihevitra.
Izany no tsy maintsy hazavaina voalohany.
NY VEHIVAVY SY ZON’NY VEHIVAVY
F : Ahoana ny hevitrao mikasika ny zon’ny vehivavy ?
V : Toe-javatra tena malalaka izay manokatra ady hevita
izany. Sarotra amiko ny hamintina ny hevitro mikasika io
toe-javatra io. Andaniny, tsy nasiana fanavahana ny lehilahy
sy ny vehivavy. Ankilany, misy fahasamihafana ara-batana
sy ara-pisainana amin’izy ireo. Amiko, ny lehilahy sy ny
vehivavy dia ny ambadika sy ny mbadiky ny fahamarinana
iray, toy ny lafiny roan’ny vola iray. Tsy nisy ny lehilahy raha
tsy teo ny vehivavy, na ny vehivavy raha tsy teo ny lehilahy ;
niara-nohariana izy roa. Na ny paradisa aza dia tsy paradisa
marina raha tsy miaraka ao izy roa. Izany no niarahan’i
Adama nonina tamin’ny vehivavy. Mifameno ny lehilahy sy
ny vehivavy.
Ampahany Amin’ireo Fanadihadiana Maro
147
Ny mpaminanintsika, ny CORAN sy ny fampianarany
dia tsy mandray ny lehilahy sy ny vehivavy ho voary misaraka.
Mino aho fa ny olana eto dia ny fandraisan’ny olona hevitra
avy amin’ny fanakorontanana ny fifandanjana.
F: Misy ohatra ve amin’ny andraikitry ny vehivavy ?
V: Ao amin’ny tontolo sosialin’ny fiarahamonin’ny mpino
silamo, ahitana finoana silamo "mbola tsy misy pentina"
avy amin’ny fomba amam-panao sy fomban-drazana tsy
silamo, ny vehivavy dia mandray anjara mavitrika amin’ny
fiainana andavanandro. Ohatra, nandritry ny vanim-potoana
voalohan’ny silamo, I Aïcha vadin’ny Mpaminany dia
nitari-tafika. Izy koa dia manam-pahaizana ara-pinoana izay
hajain’ny rehetra ny heviny. Miara mivavaka amin’ny lehilavy
ao amin’ny trano fivavahana ny vehivavy. Tao anaty trano
fivavaha aza, dia nisy vehivavy antitra nifanditra tamin’ny kalifa
amina resaka fampiharan-dalàna. Hatramin’ny taonjato faha
XVIII, nandritry ny vanimpotoana "ottomane", ny vadin’ny
masoivoho anglisy dia nidera fatratra ny vehivavy silamo ary
nilaza am-pahamendrehana ny andraikitr’izy ireo ao amin’ny
fiarahamonina sy ao amin’ny fianakaviana silamo.
NY TSIRAIRAY SY NY ZON’NY
ISAMBATAN’OLONA
Tsy tokony hiahiahy isika amin’ny isam-batan’olona sy
amin’ny fivelarany na amin’izay mety ho ataony amin’ny
olon-kafa satria ny CORAN dia mahita ny olona tsirairay
ho endrika iray mitovy amin’ny voary rehetra. Ny manavaka
azy dia ny loharanom-pihetseham-po sy ny fisainana izay
mamelona azy. Rehefa mandinika tsara sy mahafantatra tsara
ny olona ary tonga amin’ny fetra farany ambony dia ho tsapany
148
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
ny zavatra ilainy itondrana ny fiainana ara-piarahamonina.
Ho tsapany fa tsy afaka ny ho irery izy, tsy tokony hanao ratsy
ny hafa, izay miaina ao anaty fiaraha-monina.
Ny olona voataiza tamin’io foto-kevitra io dia tsy
manararaotra ny fahefany sy ny fahafahany mba hanimbana ny
hafa fa hisafidianany amim-pahamalinana ny tombotsoan’ny
manodidina azy, sy hitondra izany ho azy ireo, tsy maitsy
hivoatra izy. Raha tsy izany, hisy fanamelohana sy fitsarana,
mpangeja sy voageja, mpanao ratsy sy hianjadian’ny hetraketraka
tsy hisy fijanonany. Izay endrika iray mampalahelo misy eo
amin’ny Turquie liam-pandrosoana.
NY MAHAOLONA
F : ahoana ny fahitan’ny silamo nymaha olona ?
V : Ny fitiavana no anisan’ny lafin-kevitra voateny
betsaka indrindra ary tena ilain’izao androntsika izao. Ny
fitiavana dia raozy malefaka mandrakariva ao anatin’ny
finoana sy ao anatin’ny fanjakan’ny fo. Alohan’ny zavadrehetra, noravahan’Andriamanitra fitiavana izao tontolo
izao, ny feon-kira mahatalanjona sy mahafinaritra indrindra
eto amin’ny fisiana dia ny an’ny fitiavana. Ny tady mafy
mamatotra ny fianakaviana, ny fiarahamonina sy ny firenena
dia ny fitiavana. Ny fitiavana hoan’ny rehetra dia tazana
eny amin’ny rindran-damina aminy fifanampiana sy ny
fifanoanan’ny singa isanisany.
Marina tokoa izany fa ny hery lehibe indrindra ao
anaty fanahin’ny fisiana dia ny fitiavana. Raha mbola samy
singan’ny firindran’ny tontolo, dia saika ny voary tontolo
no mitondra tena sy milalao amin’ny fombany manokana
mahatalanjona, izay azony avy amin’Andriamanitra, amin’ny
feon’ny fitiavana. Miampy izany, io fifanakalozam-pitiavana
Ampahany Amin’ireo Fanadihadiana Maro
149
eo amin’ny zavaboary sy ny olombelona io dia toa tsy tsapany
akory, satria ny sitrapon’Andriamanitra no mifehy tanteraka
ny zavaboary izay tsy manan-tsitrapo. Amin’io falin-kevitra
io ny zanak’olombelona dia mandray anjara sy mahatsapa io
rindram-pitiavana eo amin’ny fisiana io, ary mampivelatra ny
fitiavana araka izay itiavany azy ; mitady ny fomba hanehoany
izany amin’ny maha olona izy. Noho izany, mba tsy haovana
tsinontsinona ny fitiavana ao anatin’ny fanahiny, sy ny
anaran’ny fitiavana ao aminy dia tsy maintsy manohana sy
manome fanampiana marina hoan’ny hafa izy. Tsy maintsy
miaro ny firindrana nakapobeny izay ao amin’ny fanahin’ny
fisiany, amin’ny fanajana ny fitiavana izay mitoetra ao
amin’ny fanahin’ny fisiana toy ny lalàna voajanahary.
Ao amin’ny foto-kevitry ny silamo, ny hevitra sy ny
fanomezan-danja ny fitiavana dia tena mifandanja. Ny
mpangeja sy ny mpanao herisetra dia mandà ny fitiavana,
satria ny fitiavana sy ny famindrampo aseho amin’ny mpanao
herisetra dia mahatonga azy hanao herisetra mafimafy kokoa,
mampirisika azy hamotika ny zon’ny hafa koa izany. Izany no
tsy hanehoana ny famindrampo amin’ireo izay mandrahona
ny fitiavana hoan’ny rehetra.
Ny famindram-po atao amin’ny mpamadika no tena zavatra
ratsy indrindra, fanaovana tsinotsinona ny niaram-boina. Hoy
ny Mpaminany : « Ampio ny rahalahinao na mpangeja izy
na nogejaina. Afaka manampy ny mpangeja ianao, amin’ny
fampihatona ny fangejana ataony ».
Fanamarihana:
1
Hulusi Turgut, Sabah, Mars. 23-31, 1997.
2
Eyup Can, "Atteindre l’horizon avec Fethullah Gülen," (trad.)
Zaman, Aout 1995.
150
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
3
Ibid.
4
Ibid.
5
Ertuğrul Özkök, "Hodjaefendi Parle," (trad.) Hurriyet, Janvier.
23-30, 1995.
6
Lady Mary Wortley Montague.
7
Nevval Sevindi, "Interview de Fethullah Gülen a New York,"
(trad.) Yeni Yüzyil, Aout 1997.
8
S. Camci et Dr. K. Unal, Tolerance et Atmosphere de Dialogue
dans les Ecrits et les Paroles de Fethullah Gulen (trad.) (Izmir :
Merkur Yayinlari, 1999), 218-22.
FANONTANIANA NATAO
TAMIN’I FETHULLAH GÜLEN
"AO AMIN’NY TENA SILAMO MARINA,
TSY MISY NY ASA FAMPIHOROHORONA"
Tsy dia tia niteny loatra ny mpino silamo nandritra ny taona
maro : « Tsy misy ifandraisany amin’ny fampihorohoroana
ny silamo ». Nitranga anefa ny fanafihana ny 11 Septambra.
Vokatr’izany, firenena maro no niaran’ny daroka baomba,
anisan’izany i Turquie. Fantatra fa avy amintsika ny nanao
ny herisetra. Tsy isika silamo ve no nangorohoro alohan’ny
hafa ? »
Ankehitriny, azo ambara fa tsy takatra ny saina loatra ny
silamo. Tsy maintsy miteny ny silamo hoe "Ao amin’ny tena
silamo marina, tsy misy ny fampihorohoroana". Amin’ny
silamo, ny famonoana olona iray dia loza toy ny tsy finoana.
Tsy misy ny mpamono olona tsy meloka. Tsy misy afaka
mamono olona tsy manan-tsiny na dia amin’ny fotoanan’ny
ady aza. Tsy misy na iza na iza koa afaka manome "fatwa"
(fanapahan-kevitra ofisialy avy amin’ny silamo) mikasika io
toe-javatra io. Tsy misy afaka manapoaka ny vatany, tsy misy
na iza na iza afaka hiriorio ao anaty vahoaka miaraka amin’ny
baomba afatotra amin’ny vatana. na inona na inona finoan’ireo
vahoaka ireo, tsy eken’ny finoana izany. Na dia amin’ny
fotoanan’ny ady izay sarotra ametrahana fandanjalanjana aza,
tsy azo atao izany amin’ny finoana silamo, hoy ny silamo:
"Aza mikasika ny ankizy madinika na ireo olona mivavaka ao
am-piangonana". Tsy indray mandeha no nilazana an’izany
154
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fa naverimberina nandritry ny tantara. Izany no nolazain’ny
mpampianatra antsika sady Mpaminany lehibe, Mohammad,
nolazain’i Abou Bakr, izany no nolazain’i Omar sy nolazain’i
Solahaddin Ayyoubi taty aoriana kely sy nolazain’I Alparslan
sy Klisarshan. Ny Sultan Mehmet II koa dia nilaza zavatra
mitovy amin’izany. Avy eo ny renivohitr’i Constantinople
izay nanjakan’ny korontana dia nanjary ho Istanbul. Tsy
nanao ratsy tamin’ny Armenianina ny Grika tao amin’io
tanan-dehibe io, ary ny armenianina koa tsy nanimba ny
Grika. Ny mpino silamo rehetra koa dia tsy nanao ratsy na
tamin’iza na tamin’iza. Fotoana fohy taty aoriana, notafihina i
Constantinople, misy sary lehiben’ny mpanafika mipetaka eo
amin’ny rindrin’ny trano fonenan’ny Patriarche. Mandreraka
ny mahafantatra fa ny fitondrantena hafahafa dia nipoitra
tamin’io vanim-potoana io. Ny tantara dia nilaza fa ny Sultan
dia niantso ny Patriarche mba homeny ny fanalahidin’ny
tanàna. Mandraka ankehitriny, mbola milaza izany ampanajana ny Patriarcat. Amin’izao androntsika izao kosa, ny
silamo sy ny zavatra hafa koa dia tsy mazava araka ny tokony
ho izy. Nanaja mandrakariva ny fahasamihafan-kevitra ny
mpino silamo, ary tokony ho azo tsara izany raha tena tehahafantatra ny lanjany marina.
Malahelo aho milaza fa any amin’ireo tany iveloman’ny
silamo, misy mpitarika fivavahana sasany sy mpino silamo
vitsivitsy tsy matotra, tsy manana fitaovam-piadiana afa-tsy
ny fandikana anjambany ny silamo. Ampiasainy hisintonana
ny olona hirona ao anatin’ny ady izany, izay tsy ilaina afa tsy
amin’ny tombotsoany. Ny silamo anefa dia finoana marina
ary tsy maintsy raisina amin’ny fomba marina. Eny amin’ny
làlan’ny finoana dia tsy mahazo mampiasa fomba diso na
Fanontaniana Natao Tamin’i Fethullah Gülen
155
oviana na oviana. Amin’ny silamo, tsy maintsy manaradalàna hatramin’ny farany ny zavatra rehetra, ary tsy maintsy
toy izany koa ny fitaovana rehetra hanatrarana azy. Amin’io
fomba fijery io, tsy misy na iza na iza ho tonga any am-Paradisa
amin’ny famonoana olona. Ny silamo dia tsy afaka miteny
hoe: "andeha aho hamono olona, aorian’izany ho tonga any
am-Paradisa". Tsy mety ho azo amin’ny famonoana olona
ny fankatoavan’Andriamanitra; ny tanjona iray lehiben’ny
mpino silamo dia ny hahazo ny fankatoavan’Andriamanitra;
ankoatra izany ny fampahafantarana an’izao tontolo izao ny
anaran’Andriamanitra mahery indrindra.
Moa va mandinika izy ireo: fahiny, nisy ny ady sisin-tany,
ankehitriny kosa lasa sahan’ady izao tontolo izao, Mahita
izany ho ady na djihad va izy ireo ? Mihevitra va izy ireo fa
hisokatra ho azy ireo ny varavaran’ny Paradisa ?"
Mazava ny fitsipiky ny finoana silamo. Tsy mamela ny
olona hamaky ady izy. Ny vondrona na tambajotra hafa
koa dia tsy afaka mamaky ady. Ny fanjakana ihany no afaka
manao izany. Tsy azo atao ny ady raha tsy efa misy filoha
na miaramila milaza mialoha fa hisy izany; Raha tsy izany
dia asa fampihorohoroana. Amin’ny tranga mateti-pitranga
sasany angonina –miala tsiny aho amin’ny fomba fiteny- ny
vondrona jiolahimboto. Ny sasany indray vondrona olona
hafa mihitsy no angoniny. Raha nomena alalana hamaky
ady ny olona tsirairay, ho nanjaka ny korontana; satria na dia
fahasamihafana kely fotsiny aza dia mety ho efa hampijoro
ny rindrina eo amin’ny olona samy olona. Tsy misy na iza na
iza afaka milaza hoe: "Hamaky ady amin-dranona aho". Ny
olona mandefitra manoloana asa fitsikilovana kristiana no azo
156
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
melohina toy izao: "ity rangahy ity, nanampy ny kristiana ary
nanao izay hamparefo ny finoana silamo. Tsy maintsy miady
aminy ary vonoina izy", hiteraka fahavakisan’ady izany. Tsy
mora ny mamaky ady. Raha tsy ny fanjakana no mamaky ny
ady dia tsy misy olona afaka miditra amin’izany. Na iza na
iza manao izany na dia manampahaizana deraiko fatratra, aza
mamorona ady, mifanohitra amin’ny foto-pisainana silamo
izany. Voafaritra mazava tsara amin’ny finoana silamo ny
fitsipiky ny ady sy ny fandriampahalemana.
"Raha mifanohitra amin’ny foto-pisainana silamo izany,
nahoana no toy izao ny finoana silamo ?"
Araka ny hevitro dia tsy misy tontolo islamika tena
marina. Misy fotsiny toerana onenan’ny mpino silamo.
Ny toerana sasany dia ahitana silamo misimisy kokoa noho
ny hafa. matetika dia raisina ho toy ny fomba fiainana
loatra ny finoana silamo, kolontsaina fa tsy fivavahana.
Misy mpino silamo manorina finoana silamo arakaraky ny
fomba fisainany. Eto aho dia tsy mandray ho ohatra ireo
mpino silamo mpanararaotra sy mpaka an-tendrony aho,
fa amin’ireo silamo tsotra miaiana amin’ny maha silamo
araka izay tiany. Ny fepetra voalohany mba ho tena silamo
marina dia ny mino tanteraka sy miaina mifanaraka amin’ny
finoana. Ny mpino silamo dia tsy maintsy manao ny
andraikitra mifanaraka amin’ny finoana silamo. Sarotra ny
mampiseho toerana iray amin’ny saritanin’izao tontolo izao
ahitana fiarahamonina tena miaina amin’io foto-kevitra sy
filozofia io. Ny filazana fa misy izany dia teny maha tohina
ny silamo. Ary ny milaza koa fa tsy misy ny silamo dia teny
maha tohina ny zanak’olombelona. Tsy miheritreritra aho
Fanontaniana Natao Tamin’i Fethullah Gülen
157
fa ny mpino silamo dia afaka mandray anjara feno amin’ny
fametrahana ny fifandanjan’izao tontolo izao ankehitriny.
Tsy ahitako fomba fijery havita izany amin’ireo manampahefana ankehitriny. Na dia misy taratra kely manomboka
miha mazava aza, dia mbola manjaka amin’ny tontolon’ny
mpino silamo ny habadoana.
Voamarika izany mandritry ny hajj (fivahiniana masina),
mandritry ny fifampiresahana sy ny ady hevitra; hita ihany
izany amin’ny fivorian’ireo solombavabahoaka jerena
amin’ny fahita lavitra.
Ambany dia ambany ny toe-tsaina. Tsy manana ny
fahafahana hamaha ny olana eto ambonin’ny tany ny mpino
silamo amin’izao fotoana izao, atsy ho atsy angamba.
"Te-hilaza va ianao fa tsy tokony ho ampiasana ny fomba
fiteny hoe "tontolo silamo ?"
Tsy misy izany.Tsy misy tontolo azo lazaina fa silamo
ankehitriny fa ny isam-batan’olona ihany. Misy mpino
silamo etsy, misy mpino silamo manerana izao tontolo
izao; mitokatokana, samy maka ho azy ny tsirairay. Izaho
manokana dia tsy mahita mpino silamo tonga lafatra. Raha
tsy afaka mifandray amin’izy samy izy ny mpino silamo ary
manorina firaisankina, miasa miaraka mba hamaha ny olana
iombonana, mamantatra sy mandinika ny tontolo, mihevitra
izany amin’ny fahazavan’ny CORAN, mandinika tsara ny
ho avy sy mamolavola tetik’asa mifanandrify amin’izany ary
mamaritra ny toerana misy azy amin’ny ho avy, dia tsy afaka
ny hihevitra aho ka hiteny fa misy ny tontolo silamo, samy
maka ho azy ny tsirairay. Azo atao aza ny milaza fa misy mpino
silamo manana ny marina azy samy irery. Tsy azo vinavinaina
158
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
fa hisy ny fahazoana ny finoana silamo hiombonan’ny silamo
rehetra, izay voamarin’ny manampahaizana manokana, avy
amin’ny fomba matotry ny CORAN ary novolavolaina tsara.
Tsy misy azo tsapaina afa-tsy ny fibahanan-toeran’ny silamo
ho kolontsaina.
Toy izany no efa nisy hatramin’ny taonjato faha V taorian’ny
fifindra-monina (taonjato faha XI taorian’i J-C). nanomboka
tokotokony ho tamin’ny vanimpotoanan’ny Abbassides io
firehana io na tamin’ny fisehoan’ny seldjoukides. Niha mafy
izy taorian’ny fanafihana an’i Istanbul. Tsy nisy fandalinana
vaovao intsony taty amin’ny fotoana manaraka. Hety dia hety
ny lafim-pisainana. Natao izay hahatery ny dadasi-panahy
tao amin’ny silamo. Nanomboka nipoitra tao amin’ny
tontolo silamo ireo olona mirorosaina: olona tsy azo anarina,
tsy afaka mandefitra manoloana ny hafa na hisokatra aminy.
Io hateren-tsaina io koa dia nahazo ny toeram-ponenan’ireo
mpitondra fivavahana silamo ary na tany amin’ireo "madrasa’
(sekoly fianarana teolojia) aza, akory ny alahelo. Marina, ireo
toerana rehetra ireo dia mila fanovana avy amin’ny olona
tsirairay amin’ny toerana misy azy avy.
"Toa misy sampana any Turquie ny tambajotrampampihorohoroana al-Qaïda. Afaka manazava ny lafiny
ara-pivavahana amin’io toe-javatra io va ianao. Mbola misy
lafiny hafa koa va ?"
Ny olona iray tena halako indrindra eto ambonin’ny
tany dia i Oussama Ben Laden satria nametaveta ny endrika
fototry ny finoana silamo izy. Nampiseho endrika sy sary
mampandoha izy. Na dia manao ny ezaka goavana aza isika
Fanontaniana Natao Tamin’i Fethullah Gülen
159
mba hanamboarana ny zavatra simba rehetra dia mila taona
maro izany.
Hatraiza hatraiza dia tenenintsika io fiovan-dratsy io.
Nanoratra boky mikasika azy io isika. Dradradradraintsika
mafy fa "tsy izany ny silamo". Nosoloin’i Ben Laden tamin’ny
heviny sy ny faniriany manokana ny lojika silamo. Nahavita
zavatra mahatsiravina izy sy izay nanampy azy. Raha misy
olona mitovy aminy na eto an-tany na aiza dia tsy inona
akory fa biby.
Melohintsika ny toetran’i Ben Laden. Matetika, ny mahavita
fomba feno habibiana toy ireny dia ireo tany ahitana endrika
silamo ety ivelany fotsiny – ary averiko indray fa tsy mahatsapa
aho fa misy ny tontolo silamo fa toerana misy silamo monina
fotsiny- mamaha ny olana misy ao aminy manokana.
Tsy tokony hovaina va ny fisainana rehefa mifidy ny
solontenany sy mpitarika ? na manao fanovana ? mba
ahafahan’ny taranaka vaovao sy tanora voataiza mahita
masoandro,Tokony hihezaka ny mpino silamo hamaha ny
olana misy eo aminy. Iray amin’ireny ny fampihorohoroana
fa mbola misy hafa koa: ny zava-mahadomelina, ny sigara,
ny fizarazarana, ny korontana sivily, ny fahantrana tsy misy
fitsaharany, ny henatra fa ny vahiny indray no mitantana, eo
ambany ziogany sy giazana tsy misy fitsaharany.
Ahoana no filazan’i Mehmet Akif Ersoy izany, maro etsy sy
eroa ny karazan’olana: ny fanandevozana, ny fiankinandoha,
ny fanambaniana, ny fanekena ny fahazaran-dratsy. Ireo
fanevatevana an’Andriamanitra ireo dia tsy maintsy arodana
eto amin’ny firenentsika. Mino aho fa ny fomba hialana
amin’izany dia ny fananana toetra tsara, ary mba hananana ny
fahatsarana dia tsy maintsy tia an’Andriamanitra.
160
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
"Ireo olona mankasitraka ny fampihorohoroana dia nitombo
teo amintsika fianakaviana silamo. Mino ve isika fa "silamo"
izy ireo. Inona loatra no najo azy ka lasa mpampihorohoro ?
Tsy meloka va isika amin’izany ?"
Fahadisoantsika izany, fahadisoan’ny firenena ary
fahadisoan’ny rafi-panabeazana. Ny tena mpino silamo dia
izay mahafantatra tsara ny finoana silamo amin’ny endriny
manontolo, ary tsy mety hanjary mpampihorohoro. Sarotra
ny mihevitra hoe afaka hanjary mpino silamo ny olona avy
nanao sy niaina tao amin’ny fampihorohoroana. Ny fivavahana
dia tsy manaiky ny famonoan’olona mba hanatrarana tanjona
iray. Kanefa inona no ezaka nataontsika mba hanabeazana
ireny olona ireny amin’ny tokony ho izy mba hahatonga azy
ho tena olombelona ? fototra inona ifamatorantsika amin’izy
ireny? andraikitra toy inona no nasehontsika hanabeazana
azy mba hahafahantsika manantena dieny ankehitriny fa tsy
hiditra amin’ny asa fampihorohoroana izy ?
Azo arovana amin’ny loza tsy ho tonga mpampihorohoro
ny olona raha mifamatotra mafy amin’ny foto-kevitra silamo,
amin’ny finoana, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
ary amin’ny fahatahorana ilay andro fitsarana, sy fatahorana
ny fandikana ny didin’Andriamanitra. Kanefa isika dia tsy
mety ho ohatry ny fanabeazana tsara amin’io toe-javatra io.
Na dia misy ihany aza ny fanirina hiditra amin’io lalàna io
ankehitriny dia misy mpiray tanidnrazana sasantsasany tsy
manao afa tsy izay tsy hahombiazan’izany.
Misy manohitra ny fanatanterahantsika ny zavatra tena
ilaintsika. Mihevitra izy ireo fa ny fampianarana ny kolontsaina
sy ny fitondran-tena any am-pianarana dia tsy maintsy
raràna. Isika anefa dia nilaza fa tsy maintsy ampianarina
Fanontaniana Natao Tamin’i Fethullah Gülen
161
any ampianarana izay tsy maintsy tokony ho fantatra mba
ahafahana miaina tsara. Ny mahakasika ny fahasalamana sy
ny fahadiovana dia ny dokotera no hampianatra azy. Any
an-tsekoly kosa no ampianarina izay rehetra mifamatotra
amin’ny fiainana, any an-tokatrano, sy amin’ny fifandraisan’ny
mpivady, ary amin’ny fanabeazana ny zaza. Kanefa misy ny
ambony noho izany. I Turquie sy ny firenen-kafa ankoatry ny
silamo dia mangirifirin’ny zava-mahadomelina, ny loka sy ny
kolikoly. Maro ny olona any Turquie voarohirohy amin’ny
halatra sy ny fanaovana kolikoly. Io hadalana io dia tsy hita
loatra amin’ireo toerana azo iainana sy azo ivezivezena. Misy
anefa toerana tsy azo aleha, ahitana olona tsy azo anontaniana,
sy tsy azo vangiana satria voaaro izy ireo. ka zary voageja sy tsy
azo fantarina.
Teto amintsika no naha lehibe ireny rehetra ireny, zanatsika
izy rehetra ireny. Fa naninona no tsy zarizary? Naninona no
lasa mpanao an-keriny? Naninona no niala amin’ny soridalana maha olona? Naninona no miara- miaina amin’ireo
mpiray tanindrazna aminy nefa mandrava efa?
Teto amintsika no naha lehibe azy ireny, Nisy fahambangana
noho izany ny fanabeazana azy, misy tsy ampy sy misy lesoka
izay tsy maintsy jerena sy fongorana. Raha afohezina dia misy
ny lohalaharana tsy nomena fanabeazana ny zanak’olombelona.
Noho izany misy taranaka diso làlana sy potika.
Ny tanora tsy mahazo fahafaham-po dia manjary tsy
manam- panahy. Misy olona sasany manararaotra ny
fahosany dia manome azy vola mba hanodinkodinana azy.
Zary lasa lohahevitra firesaky ny gazety, nozarina fomba ratsy
ireny tanora ireny mba hahafahana mibaiko azy, Ampiasaina
hamono olona izy ireny mba hanafenana ny hadalana sy ny
162
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
tanjona tian-kotratrarina, entina hamono olona. Misy olona
sasany manana fanirian-dratsy dia manodinkodina ireny
tanora ireny.
Novana ho sari-olona izy ireny. Nisy vanimpotoana
namonoana olona maro tany Turquie. Nisy vondrona
iray mamono olona, dia manao toy izany koa ny vondrona
hafa. tafiditra tao anatin’ny ady mafana ny olon-drehetra
mandrapahatongan’ny fanelanelanan’ny tafika ny 12 Martsa
1971 sy ny 12 Septambra 1980.1 Toa lian-drà amin’ny hafa
ny tsirairay. Mifamono ny olona mba hahatongavana aminjavatra sasany.
Fampihorohoroana avokoa izany, ireo izay amin’ny
vondrona itsy, ireo izay amin’ny vondron izatsy, dia izy
avokoa. Ny tsirairay anefa mitondra famantarana mifanohitra
amin’izay ataony. Hoy ny hafa: "ny tanindrazako syny
mpiray tanindrazana amiko no anaovako izany", hoy indray
ny hafa "Miady amin’ny kapitalisma sy ny fitsetsefana tsy
an-drariny aho". Teny lazaina fotsiny ihany. Efa voalazan’ny
CORAN masina ny maha "Teny tsy misy heviny" ireny. Tsy
misy na iza na iza mitondra hasina afaka manome rariny ny
korontana. Kanefa mbola tohizan’ny olona ny famonoana.
Samy namono amin’ny alalan’ny heviny ny olona tsirairay.
Firy no maty tamin’ny anaran’io hevitra lian-drà io. Tsy
misy maha samihafa an’izany amin’ny asa fampihorohorona.
Ny olon-drehetra dia nanao ny fahadisoana toy izany fa tsy
ny silamo ihany. Satria ny rehetra no nanao azy ireny, ireo
vono olona, maty ny iray dia maty ny iray, nanjary tanjona
iray "azo atao". Lasa fahazarana ny famonoana olona. Very
kolontsaina amin’ny vono olona avokoa ny olon-drehetra
na dia eo aza ny voninahitra lehibe ananany. Indray andro,
Fanontaniana Natao Tamin’i Fethullah Gülen
163
nisy namana fantatro tsara namono bibilava. Nahazo
maripahaizana tao aminy fianarana teolojia izy ary mpivavaka
ao amin’ny mosquée. Tsy niresaka taminy nandritry ny iray
volana aho. Ary hoy aho taminy: "Anisan’ny zavaboary iny
bibilava iny, noho izany manan-jo ho velona. Zo inona no
nahafahanao namono azy ?"
Ankehitriny kosa, na olona folo na roapolo no maty, izao no
tenenina: "Tsy mampaninona izany, tsy dia maro no niarandoza". Io herisetra tsy mbola fahita io dia nanjary neken’ny
olona maro ary mitombo tsy misy toy izany. Hoy ny filazana:
"Soa ihany fa roapolo fotsiny no maty". Raha fehezina dia ny
fiarahamonina manontolo mihintsy no lasa manaiky io toejavatra io ho anisan’ny fiainany andavanandro.
Ny fanabeazana ihany no afaka manakana toe-javatra toy
izany. Ny lalàna sy ny fitsipiky ny fitondrana koa dia afaka
manakana azy. Misy vondrona manavakavaka sasantsasany izay
voaaro tsara sy tsy voasambotra noho izany, manaiky ny maha
zava-dehibe izany zava-betaveta sy mampidina ny laharan’ny
zavatra tena mahasoa hitovy amin’ny zava-betaveta. Misy ny
vahaolana hanoherana izany. Tsy maintsy hazavaina fa tsy
mety ho mpampihorohoro ny mpino silamo. Nahoana no
hanazavaina izany ? Satria ny olona dia tsy maintsy mahatsapa
fa raha manao ny ratsy izy, na dia bitika sy kely aza, tsy maintsy
hanadinana azy ety an-tany sy any an-koatra2 izany.
Araka izany, ny teny ao amin’ny CORAN masina dia
milaza fa ny famonoana ny tsy manantsiny dia mitovy amin’ny
famonoana ny zanak’olombelona manontolo. Ibn Abbas aza
dia mbola nanampy fa ny mpamono olona dia ho any amin’ny
afobe mandrakizay. Io sazy io dia mitovy amin’izay omena ny
tsy mpino. Midika izany fa izay mamono ny tsy manantsiny
164
M. Fethullah Gülen: Andrana, Fomba fijery, Hevitra
dia hiaritra toy ny tsy mpino. Ary amin’ny finoana silamo,
amin’ny andron’ny fitsarana farany, ho ampidinin-daharana
ho toy ireo tsy nanaiky an’Andriamanitra sy ny Mpaminany.
Raha izany no hevitra ifotoran’ny fivavahana dia tsy maintsy
ampianarina any an-tsekoly.
Fanamarihana:
Ity lahatsoratra ity dia fanontaniana napetraky Nuriye Akman
tamin’i Gulen, Nivoaka tamin’ny gazety Zaman teo an’elanelan’ny
22 Mars sy Avril 2004.
1
I Turquie dia niharan’ny fanonganam-panjakana in-telo
nataon’ny miaramila, nandritra ny tapany faharoa tamin’ny
taon-jato faha 20, Ny daty voalaza dia nifandraika tamin’ny
fanonganam-panjakana faha roa sy faha telo, vokatry ny
fikorontanan’ny vahoaka.
2
CORAN, Toko : Ny horohorontany 99 : 7-8

Documents pareils