Karazam-bibidia arovana - Faritra Atsimo Andrefana

Transcription

Karazam-bibidia arovana - Faritra Atsimo Andrefana
ONE/MO/DOC/38/KP_SUO1
REPOBLIKAN’ I MADAGASIKARA
Tanindrazana – Fahafahana - Fandrosoana
Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Ala
Office National pour l’Environnement
KARAZAM-BIBIDIA AROVANA
- Faritra Atsimo
2009
Andrefana -
SASIN-TENY
Efa an-taona maro no manankery ny didy aman-dalàna malagasy izay mifehy
ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana ary ny biôdiversite ao anatiny,
saingy vitsy ihany ny olon-tsotra sy ny mpanapa-kevitra isan’ambaratonga no
mahalala izany eny anivon’ny toerana misy azy avy. Hany ka noho ny tsy
fahalalana na ny tsy firaharahiana dia lasa fomba mahazatra tsy misy
mpanara-maso ny fangalàna na famarotana antsokosoko ireo karazanjavamananaina ireo, na eto an-toerana izany na mankany ivelany. Eo koa ny
tsy fahalalan’ny mponina ny lanja ara-pihariana sy ara-ekôlojian’ny tontolo
iainana sy ireo harena voajanahary, ary indrindra moa ny antsointsika hoe
biôdiversite.
Manampy trotraka izany trangan-javatra izany ny tsindry mianjady amin’ireo
rohivoahary izay loharanon-karena voajanahary ho antsika malagasy no sady
toeram-ponenana miantoka ny fahaveloman’ireo karazam-bibidia maro isankarazany.
Ity « tahirin-kevitra fampahafantarana sy fanabeazana » izay novokarin’ny
Foibem-pirenena momba ny tontolo iainana, Ivo nasiônalin’ny Foibe
Ifanakalozana torohay araka ny Fifanarahana momba ny fahasamihafana
biôlôjika [Point focal national du Centre d’échange d’informations (CHM) de
la Convention sur la Diversité Biologique (CDB)] eto Madagasikara ity dia
mikendry indrindra ny fampahafantarana ireo karazam-bibidia arovana amin’
ireo mpanapa-kevitra isan’ambaratonga indrindra indrindra, fa eo koa ny
mpianatra sy ny mpanabe momba ny tontolo iainana ary ny olon-tsotra.
Ny tena tanjona dia ny fampivelarana ny fampahatsiarovan-tena amin’ny
tokony ho izy amin’ny lafiny zo aman’andraikitry ny tsirairay
isan’ambaratonga mikasika ny fiarovana sy fitahirizana ary ny fampiasana
amin’ny fomba maharitra ireo karazam-biby atahorana ho lany tamingana.
Tena ilaina ary laharam-pahamehana eto anivon’ny firenena ary isa-paritra
arak’izany ny fanabeazana, fanofanana, fampahalalana sy fanentanana ny
mponina mikasika ny fiarovana sy fikajiana ireo karazam-bibidia ireo.
Manana andraikitra lehibe sy mandray anjara mavitrika amin’izany ny
fitondra-mpanjakana sy ireo mpiray ombon’antoka aminy eo amin’ny lafin’ny
fampandrosoana maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Didim-panjakana mikasika ny fanakilasiana
ireo karazam-bibidia eto Madagasikara
Ny fanakilasiana ireo karazam-bibidia eto Madagasikara dia mizara
ho sokajy telo (Volavolan-dalàna laharana faha-126 tamin’ny
3 oktobra 1960 sy Didim-panjakana laharana 2006-400 tamin’ny 13
jona 2006) :
- ireo karazam-bibidia arovana (sokajy I) dia mizara ho kilasy roa :
• ireo karazana ao amin’ny sokajy I, kilasy I : ny fihazana, ny
fisamborana, ny fihazonana, ny fihinanana sy ny famarotana
amin’ny endriny rehetra dia voarara afatsy ny fisamborana sy ny
fandefasana any ivelany noho ny antony fianarana na
fifanakalozana ara-tsiansa (Didy 61-093 tamin’ny 16 febroary
1961, andininy faha-15 sy 16)
• ireo karazana ao anaty sokajy I, kilasy II : ny fihazana na ny
fisamborana, ny famarotana na ny fampiasana amin’ny
fanatanjahan-tena dia mety ho azo atao rehefa nahazoana
alalana ka manaraka ny fepetra apetraky ny lalàna. Ny
mpitantan-draharaha misahana ny Fifanarahana iraisampirenena mametra ny famarotana ireo karazam-biby sy karazanjavamaniry na CITES no mametra ny isany isan-taona.
- ireo karazana tsy mahasoa (sokajy II) : ny fihazana, ny fisamborana
ary ny fihinanana azy ireo dia azo atao mandava-taona.
- ireo karazana fihaza (sokajy III) : ny fihazana sy ny fisamborana azy
ireo dia azo atao saingy mandritra ny vanimpotoana isokafan’ny
fotoam-pihazana irery ihany.
Ny fihazana sy ny fisamborana ireo karazana tsy mahasoa sy ireo
karazana fihaza mba ho varotana dia tsy maintsy ahazoana alalana
amin’ny fanjakana ary andoavam-bola.
Na dia eo aza ireo didy aman-dalàna mifehy ny fiarovana ireo
karazam-bibidia isan-karazany, ny FIKAJIANA sy ny
FANAJANA ary ny FITANTANANA ARA-DRARINY ireo
ROHIVOAHARY VOAJANAHARY izay toeram-ponenan’ireo
biby ireo no tena fomba azo antoka indrindra enti-miaro azy.
Ahafahana mitaratra ny fahasalaman’ny tontolo iainantsika ny
fahaveloman’izy ireo ao amin’ny faritra iray.
Sokajy I, kilasy I
• tsy azo hazaina
• tsy azo samborina
• tsy azo ompiana
• tsy azo hanina
• tsy azo varotana amin’ny endriny rehetra
• AFA-TSY ny fangalàna sy ny fandefasana
any ivelany noho ny antony fianarana na
fifanakalozana ara-tsiansa
SAHONA
Amphibiens - Anoures
Halava : lahy, 31-40 mm; vavy, 36-42 mm.
Toerana onenana : faritra malalaka sy maina, hivoka (haabo 0-900 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina; mivelona an-tany.
© M Vences & F Glaw
Sahoboriborin’ny
Atsimo Andrefana
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety – famarotana tsy
ara-dalàna.
Scaphiophryne brevis
Microhylidae
Toerana onenana : ala maina, savoka, hivoka, tanimùbary, ambony
hazon’akondro na via
Fomba fiaina : mivelona ambony hazo
© M Vences & F Glaw
Sahonkazon’ny
Andrefana
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala –
famarotana tsy ara-dalàna.
Boophis doulioti
Mantellidae
Halava : 50-60 mm.
Toerana onenana : ala maina; ala maina mihintsan-dravina (ahitana
sakeli-drano na lakan-drano).
© M Vences & F Glaw
Sahonkazo
fotsivavan’ny
Andrefana
Boophis occidentalis
Mantellidae
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala –
famarotana tsy ara-dalàna.
Reptiles - Squamates
Biby mandady
Halava : 158 cm.
Toerana onenana : ala maina, ala mando, savoka,
ala mihasimba, manakaiky tanàna (anaty fako).
Fomba fiaina : mavitrika alina, mipetraka eny
ambony hazo amin’ny antoandro, mandady na
mihanika hazo amin’ny alina.
Foto-tsakafo : biby mampinono amin’ny
ankapobeny.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala na dorotanety - famarotana tsy
ara-dalàna.
Mandobolontany
Sanzinia
madagascariensis
volontany
Boidae
Totalin’ny halava : 129 cm.
Toerana onenana : savoka (toerana be bozaka).
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona
ambony hazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
dorotanety – famarotana tsy ara-dalàna.
Filoala
Langaha pseudoalluaudi
Colubridae
Biby mandady
Reptiles - Testudines
Halava : loha sy vatana, 50 cm.
Lanja : hatramin’ny 16 kg.
Toerana onenana : alandroy tsiloina ahitana atiala
misy bozaka, ala maina mihintsan-dravina.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : zavamaniry, voankazo, tsimoka isankarazany, zavamaniry manangon-drano.
© WildMadagascar.org
Sokatra, sokake
Geochelone radiata
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala na dorotanety - famarotana tsy aradalàna.
Testudinidae
Halava : loha sy vatana, latsaky ny 15 cm.
Toerana onenana : dongom-pasika amorondranomasina, zavamaniry amin’ny faritra maina
ambony tany fasika.
© James Harding /
www.animaldiversity.ummz.umich.edu
Kapika, sokabato,
tsakafy
Pyxis arachnoides
Testudinidae
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona an-tany; tsy
mihetsiketsika mandritra ny maintany fa misitrika
ambany lafi-javamaniry.
Foto-tsakafo : ravinkazo tanora, olitra bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety famarotana tsy ara-dalàna.
Aves - Anseriformes
VORONA
Halava : vatana, 42-45 cm.
Toerana onenana : heniheny, farihy tsy
dia lalina misy atsanga, vavarano,
honko (haabo manakaiky ny
ranomasina).
Fomba fiaina : miaraka hatramin’ny 40;
misakafo vao maraina sy amin’ny
takariva, miala sasatra mandritry ny
andro.
Loza mananontanona ny fahavelomany : fahapotehana na
fihasimban’ny toeram-ponenany noho ny fanajariana ho
tanimbary na noho ny fihamainana – fitrandrahana honko tsy
ara-dalàna – jono - fihazana – fahalotoan’ny fari-drano noho
ny fampiasana zezika simika sy fanafody mpamono bibikely.
© Steve Bird
Mireha, sadakely,
fotsielatra
Anas bernieri
Anatidae
Aves - Pocipediformes
Halava : vatana, 19 cm.
Toerana onenana : fari-dranomamy tsy dia lalina voahodidina na
rakotra zavamanirin-dranomamy toy ny voahirana
(haabo 0-2000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; miaraka marobe.
Foto-tsakafo : trondro madinika, bibikely an-dranomamy.
Loza mananontanona ny fahavelomany : fahapotehana na
fihasimban’ny toeram-ponenany noho ny fanajariana ho
tanimbary na ny fihamainana na ny fihanahan’ireo karazanjavamaniry toy ny tsikafona – fampidirana trondro vahiny
mpihinana ny trondro zanatany – jono – fihazana – fahalotoan’ny
fari-drano noho ny fampiasana zezika simika sy fanafody
mpamono bibikely.
Kiborano, vivy, tsiriry
Tachybaptus pelzelnii
Podicipedidae
VORONA
Aves - Falconiformes
Halava : vatana, 52-62 cm.
Toerana onenana : ala maina sy ala mando nanahary,
faritr’ala tsy dia simba loatra (haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala;
tokandrery amin’ny ankapobeny.
Foto-tsakafo : vorona an’ala, zanak’akoho sy vorona
fiompy, gidro.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
© Ben Rackstraw
Rehito, rehila, firasabe
Accipiter henstii
Accipitridae
Halava : vatana, 34-40 cm.
Toerana onenana : ala maina sy ala mando
nanahary na tsy dia nihasimba, alandroy tsiloina
tsy dia maina.
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala;
tokandrery.
© Peregrine Fund
Firasa, tsipera, pera
Accipiter
madagascariensis
Accipitridae
Foto-tsakafo : bibikely, sahona, biby mandady,
vorona.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
Aves - Falconiformes
VORONA
Halava : vatana, 40-45 cm.
Toerana onenana : karazan’ala rehetra, savoka
(haabo 0-1600 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; vorona an’ala;
tokandrery.
Foto-tsakafo : bibikely vaventy, biby mandady
madinika.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala na dorotanety - famarotana tsy
ara-dalàna - fihazana.
© Peregrine Fund
Bobaka
Aviceda
madagascariensis
Accipitridae
Halava : vatana, 35 cm.
Toerana onenana : ala nanahary rehetra, ala tsy
dia nihasimba (haabo 0-2000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala;
tokandrery.
Foto-tsakafo : bibikely, sahona, biby mandady,
vorona.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
© Vernon Lundy
Hitsikitsik’ala
Falco zoniventris
Falconidae
VORONA
Aves - Falconiformes
Halava : vatana, 68 cm.
Toerana onenana : ala maina sy ala mando nanahary,
faritr’ala mihasimba (haabo 0-2000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala;
tokandrery na miaraka mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely, voronkely, atody, sahona, biby
mandady na mikisaka.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
© Vernon Lundy
Fihiaka
Polyboroides radiatus
Accipitridae
Halava : vatana, 54-59 cm.
Toerana onenana : morom-parihy rakotra zavamaniry,
honahona, tanimbary, hivoka (haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady.
Foto-tsakafo : sahona, biby mandady madinika, biby
mikiky, vorona.
Loza mananontanona ny fahavelomany : fahapotehana
na fihasimban’ny toeram-ponenany noho ny fasika na
ny fihamainana na ny dorotanety - famarotana tsy aradalàna - fihazana.
© Peregrine Fund
Fanindry, kipanga
Circus macrosceles
Accipitridae
Aves - Passeriformes
VORONA
Halava : vatana, 15 cm.
Toerana onenana : ala maina nanahary
(haabo 900 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; miaraka 2
hatramin’ny 8; mivelona an-tany.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna.
© Wim van der Schot
Phyllastrephus apperti
Pycnonotidae
Halava : vatana, 16 cm.
Toerana onenana : toerana ahitana zavamaniry na hazo
maniry ambony vatolampy (haabo 700-1000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety famarotana tsy ara-dalàna.
© Per Smitterberg
Singetringetry (lahy)
Pseudocossyphus
bensoni
Turdidae
Halava : vatana, 16 cm.
Toerana onenana : alandroy tsy dia maina ambony
fasika, manaraka morondranomasina
(haabo 0-190 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; tokandrery na
miaraka mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety
- famarotana tsy ara-dalàna - fihazana.
© Tom Stephenson - www.discoverlife.org
Tsibotrosy (lahy)
Pseudocossyphus
imerinus
Turdidae
VORONA
Aves - Passeriformes
Halava : vatana, 14-15 cm.
Toerana onenana : kirihitra Euphorbia matevina.
Fomba fiaina : mavitrika andro; miaraka mpianakavy
amin’ny ankapobeny.
© Per Smitterberg
Totokarasoka
Calicalicus rufocarpalis
Vangidae
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala (fanaovana harina, fanapahana
hazo, fiompiana osy anaty ala …).
Halava : vatana, 13 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
mando (haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; vorona an’ala;
tokandrery na miaraka mpivady.
© D Shackelford /
Rockjumper Birding Tours
Asity
Philepitta schlegeli
Foto-tsakafo : voankazo - bibikely
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala - famarotana tsy ara-dalàna.
Philepittidae
Halava : vatana, 47 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina
ambony tany fasika, tsy dia be bozaka ary ahitana lafika
ravinkazo matevina (haabo 0-80 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady; mivelona an-tany.
© Ben Rackstraw
Bokitsy, tolohoranto
Uratelornis chimaera
Brachypteraciidae
Foto-tsakafo : bibikely, tsibolo na bibitsaonjo, kankana.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety famarotana tsy ara-dalàna.
Aves - Cuculiformes
VORONA
Halava : vatana, 38 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina
ambony vatosokay na fasika, faritra mihasimba
manodidina (haabo 0-180 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
tsiroaroa na mpianakavy; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo (Cassia meridionalis).
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny
ala (fanamboarana harina).
© Per Smitterberg
Tivoka, arefy
Coua verreauxi
Cuculidae
Halava : vatana, 62 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina,
alandroy tsy dia maina, ala manaraka morondrano
(haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; tokandrery na miaraka
mpivady na miaraka mpianakavy; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : bibikely, vihy indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny
ala noho ny tavy - dorotanety - fihazana.
© WildMadagascar.org
Lejabe, eoke, goribe
Coua gigas
Cuculidae
Halava : vatana, 42 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
mando (haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala noho ny tavy – fihazana tsy aradalàna.
© Pavel Hosek
Akoke, gory, aliotsy,
leja
Coua coquereli
Cuculidae
VORONA
Aves - Gruiformes
Halava : vatana, 32 cm.
Toerana onenana : alandroy tsy dia maina na somary
mihasimba ambony tany fasika, tsy dia be bozaka ary
ahitana lafika ravinkazo matevina
(haabo 10-100 m).
© Ben Rackstraw
Naka
Monias benschi
Mesitornithidae
Fomba fiaina : mavitrika andro ; miaraka maromaro.
Foto-tsakafo : vihy, biby tsy manana hazon-damosina,
voankazo madinika.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala (hatsaka, fanaovana harina,
fanaovan-trano …) – fihazana (ataon’ny olombelona,
alika na voalavo).
Primates - Lémuriens
GIDRO
Halava : vatana, 20-23 cm; rambo, 20-27 cm.
Lanja : 120-270 g.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina.
Fomba fiaina : mavitrika alina; matory mandritra ny ririnina.
Foto-tsakafo : voninkazo, voankazo, vihy, bibikely sy biby
madinika manana hazon-damosina indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala
(hatsaka, fanaovana harina …) - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
© lemur.duke.edu
Tsidihy, matavirambo,
kelibehohy, bodonohy
Cheirogaleus medius
Cheirogaleidae
Halava : vatana, 12-14 cm; rambo, 13-14,5 cm.
Lanja : 58-67 g.
Toerana onenana : ala maina, alantsilo tsy dia maina, ala
manaraka morondrano, alatsilo, savoka (haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : biby tsy manana hazon-damosina, voankazo,
voninkazo, mamimbony, sahona kely, biby mandady, solohoto.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala
(hatsaka, fanaovana harina …) - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
© pin.primate.wisc.edu
Tsidy, koitsiky,
titilivaha, pondiky
Microcebus murinus
Cheirogaleidae
Halava : vatana, 25 cm; rambo, 31-32 cm.
Lanja : 300-320 g.
Toerana onenana : ala maina (haabo 0-700 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : biby tsy manana hazon-damosina, voankazo,
voninkazo, mamimbony, sahona kely, biby mandady, vorona
madinika, tsiranoka bibikely, biby mampinono mpikiky.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala
(hatsaka, fanaovana harina …) - famarotana tsy ara-dalàna –
fihazana (olombelona, karazam-biby mpihaza).
Tsiba, titilivaha,
siba, setohy
Mirza coquereli
Cheirogaleidae
Solohoto : résine
GIDRO
Primates - Lémuriens
Halava : vatana, 12-13 cm; rambo, 14-15 cm.
Lanja : 46-79 g.
Toerana onenana : zavamaniry tsiloina karankaina; kirihitrala
maina; ala manaraka morondrano (haabo 0-250 m).
© newscientist.com
Tsidy
Microcebus griseorufus
Cheirogaleidae
Fomba fiaina : mavitrika alina; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : voankazo, bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala
(hatsaka, fanaovana harina …) - dorotanety - famarotana tsy aradalàna - fihazana.
Halava : vatana, 26-30 cm; rambo, 24-28 cm.
Lanja : 760-950 g.
Toerana onenana : ala maina (haabo 0-900 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina; matory mandritra ny vanim-potoana
ririnina.
© Karl Lehman
Boengy
Lepilemur ruficaudatus
Lepilemuridae
Foto-tsakafo : ravinkazo indrindra indrindra, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala
(hatsaka, fanaovana harina …) - famarotana tsy ara-dalàna fihazana.
Halava : vatana, 24-26 cm; rambo, 21-26 cm.
Lanja : 500-700 g.
Toerana onenana : alatsilo karankaina, ala manaraka morondrano,
ala maina (haabo 0-300 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina.
© WildMadagascar.org
Songiky
Lepilemur leucopus
Lepilemuridae
Foto-tsakafo : ravinkazo indrindra indrindra, voninkazo na voankazo
amin’ny main-tany.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny ala famarotana tsy ara-dalàna - fihazana.
Primates - Lémuriens
GIDRO
Halava : vatana, 39-46 cm; rambo, 56-63 cm.
Lanja : 2,3-3,5 kg.
Toerana onenana : ala maina, kiritr’ala misy
tsilo, ala mando, savoka, ala manaraka
moron-drano.
Fomba fiaina : mavitrika andro; an-tany no
tena ahitana azy.
Foto-tsakafo : voankazo, ravinkazo,
voninkazo, bozaka, hodikazo (avy amin’ny
kily indrindra indrindra).
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala (hatsaka, fanaovana
harina …) – dorotanety - famarotana tsy aradalàna – fihazana (olombelona, biby sy
vorona ary bibilava mpihaza).
© primates.com
Maky, hira
Lemur catta
Lemuridae
Halava : vatana, 35-48 cm; rambo, 44-55 cm.
Lanja : 2,2-2,3 kg.
Toerana onenana : ala maina, ala mando,
ala an-tendrombohitra (haabo 0-1700 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro (mavitrika alina
rehefa main-tany); mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : ravinkazo, taho, voninkazo,
tsimoka, hodikazo, vihy, ranonkazo, voankazo
(avy amin’ny kily indrindra indrindra).
Loza mananontanona ny fahavelomany :
faharipahan’ny ala (hatsaka, fanaovana harina
…) - famarotana tsy ara-dalàna - fihazana.
© primates.com
Halo, varika,
varikamavo
Eulemur rufus
Lemuridae
GIDRO
Primates - Lémuriens
Halava : vatana, 40-48 cm; rambo, 50-60 cm.
Lanja : 3-3,5 kg.
Toerana onenana : ala maina, ala an-tendrombohitra,
alandroy tsiloina, kirihitrala, forêt lacustre (0-1300 m), ala
mando mihaabo ambany.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : ravinkazo, voninkazo, voankazo, vihy.
© primates.com
Sifaka, sifaka bilany
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny
ala (hatsaka, fanaovana harina …) - dorotanety famarotana tsy ara-dalàna - fihazana.
Propithecus verreauxi
verreauxi
Indriidae
Halava : vatana, 23-29 cm; rambo, 29-37 cm.
Lanja : 330 g.
Toerana onenana : ala maina mikitroka mihintsandravina (haabo 0-800m), tanin-kazo.
Fomba fiaina : mavitrika alina; mivelona ambony hazo;
tokandrery na miaraka mpivady.
© Russell Mittermeier
Tanta, tantaraolana,
vakivoho
Phaner pallescens
Cheirogaleidae
Foto-tsakafo : ranonkazo, ditinkazo, voninkazo, tsimoka,
mamimbony, tsiranoka avy amin’ny bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : faharipahan’ny
ala (hatsaka, fanaovana harina …) - dorotanety famarotana tsy ara-dalàna – fihazana (olombelona, biby
mpihaza).
Na dia eo aza ireo didy aman-dalàna mifehy ny fiarovana ireo
karazam-bibidia isan-karazany, ny FIKAJIANA sy ny
FANAJANA ary ny FITANTANANA ARA-DRARINY ireo
ROHIVOAHARY VOAJANAHARY izay toeram-ponenan’ireo
biby ireo no tena fomba azo antoka indrindra enti-miaro azy.
Ahafahana mitaratra ny fahasalaman’ny tontolo iainantsika ny
fahaveloman’izy ireo ao amin’ny faritra iray.
Sokajy I, kilasy II
• azo hazaina
• azo samborina
• azo varotana
• azo ampiasaina amin’ny fanatanjahan-tena
• SAINGY mila fahazoana alalana sy fanarahana
ireo fepetra apetraky ny lalàna.
Biby mandady
Reptiles - Squamates
Totalin’ny halava : 68-81 mm (lahy), 74-80 mm (vavy).
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina.
Fomba fiaina : miteronterona ambony rantsan-kazo
amin’ny alina; anaty fakon-dravina amin’ny tany
mandritra ny andro.
Rakolaka tandrefana
Brookesia brygooi
Chamaeleonidae
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Totalin’ny halava : 81-93 mm.
Toerana onenana : ala maina nanahary ; ala mando
nanahary; ala somary nihasimba.
© Pavel Hosek
Fomba fiaina : miteronterona ambony rantsan-kazo
amin’ny alina; anaty fakon-dravina amin’ny tany
mandritra ny andro.
Rakolaka
bory tandroka
Foto-tsakafo : bibikely.
Brookesia stumpffi
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Chamaeleonidae
Totalin’ny halava : 293 mm (lahy), 228 mm (vavy).
Toerana onenana : karazam-ponenana samihafa
(bozaka maina an-tendrombohitra, ala maina mihintsandravina, alatsilo karankaina, ala mando.
Fomba fiaina : mavitrika andro ; sady mihanika hazo no
mandady amin’ny tany.
© Pavel Hosek
Tanalahy
Furcifer lateralis
Chamaeleonidae
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala - dorotanety.
Reptiles - Squamates
Biby mandady
Totalin’ny halava : 685 mm (lahy), 400 mm (vavy).
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina mihasimba,
bozaka maina an-tendrombohitra, ala mando mihasimba.
OK
WildMadagas
car
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely, voronkely na androngo indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy ara-dàlana
– faharipahan’ny ala - dorotanety.
© WildMadagascar.org
Tarondro,
sakorikita bevata
Furcifer oustaleti
Chamaeleonidae
Totalin’ny halava : 565 mm (lahy), 213 mm (vavy).
Toerana onenana : ala karankaina efa simba, ala mando
nanahary indraindray.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy
ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
© WildMadagascar.org
Sakorikita be
Furcifer verrucosus
Chamaeleonidae
Totalin’ny halava : 338 mm (lahy), 177 mm (vavy).
Toerana onenana : alatsilon’ny atsimo andrefana.
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy aradàlana – faharipahan’ny ala.
© Olaf Pronk
Tarondroben’ny
Atsimo andrefana
Furcifer antimena
Chamaeleonidae
Biby mandady
Reptiles - Squamates
Totalin’ny halava : 308 mm (lahy), 177 mm (vavy).
Toerana onenana : ala maina.
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona ambony
hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
© bluechameleon.org
Tarondro tsara
tarehy, tandrondro
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Furcifer labordi
Chamaeleonidae
Tarondroben’
Andrenalamilavola
Furcifer tuzetae
Chamaeleonidae
(tsy nahitana sary)
Totalin’ny halava : 395 mm (lahy), vavy (tsy mbola
fantatra).
Toerana onenana : tsy mbola voafaritra.
Fomba fiaina : mavitrika andro.
Foto-tsakafo : bibikely, voronkely na androngo
indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana.
Totalin’ny halava : 223 mm.
Toerana onenana : tany maina misy fasika.
Fomba fiaina : mavitrika andro ; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : voninkazo, voankazo.
© Pavel Hosek
Dangalia
Chalarodon
madagascariensis
Iguanidae
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana.
Reptiles - Squamates
Biby mandady
Totalin’ny halava : 252 mm.
Toerana onenana : ala maina.
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona ambony hazo
(hita eny amin’ny tany ihany koa indraindray).
Foto-tsakafo : voninkazo, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
© Pavel Hosek
Androngovato misy
sanga
Oplurus cyclurus
Iguanidae
Totalin’ny halava : 96 mm.
Toerana onenana :
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona ambony
hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana.
Atsatsamaitso
tandrefana
Phelsuma modesta
Gekkonidae
Totalin’ny halava : 154 mm (lahy), 144 mm (vavy).
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
simba amoron’ny ala mando, toeram-ponenan’ny
olona, tanin’akondro na voanio.
Fomba fiaina : mavitrika andro ; mivelona ambony
hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
© M. Lubojinski
Atsatsatra tandrefana
Phelsuma dubia
Gekkonidae
Biby mandady
Reptiles - Squamates
Totalin’ny halava : 102 mm.
Toerana onenana : ala maina, bozaka tsiloina,
toeram-ponenan’ny olona.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony
hazo.
Foto-tsakafo : bibikely, ranom-boankazo.
© WildMadagascar.org
Loza mananontanona ny fahavelomany :
famarotana tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala
(hatsaka - fanaovana harina …) - dorotanety.
Atsatsatra fotsikibo
Phelsuma mutabilis
Gekkonidae
Halava : vatana sy loha 210-254 mm.
Toerana onenana : ala maina, kirihitrala.
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona
ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely, ranom-boankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
famarotana tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala
(hatsaka - fanaovana harina …) - dorotanety.
© Bo Mortensen
Atsatsabe
Phelsuma standingi
Gekkonidae
Reptiles - Squamates
Biby mandady
Totalin’ny halava : 100-110 mm.
Toerana onenana : alatsilo.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona ambony hazo.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy
ara-dàlana – faharipahan’ny ala na dorotanety.
Atsatsatra tatsimo
Phelsuma breviceps
Gekkonidae
Halava : loha sy vatana 130-152 mm, rambo 198 mm.
Toerana onenana : alatsilo, ala maina manara-drano.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : voninkazo, voankazo.
Rasonombalahy
Zonosaurus trilineatus
Gerrhosauridae
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy
ara-dàlana – faharipahan’ny ala - dorotanety.
Halava : loha sy vatana 130-165 mm.
Toerana onenana : alatsilo amin’ny ankapobeny.
Fomba fiaina : mavitrika andro; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : voninkazo, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy
ara-dàlana – faharipahan’ny ala - dorotanety.
© Korbinian Moser
Androngon’i Toliara
Zonosaurus
quadrilineatus
Gerrhosauridae
Biby mandady
Reptiles - Squamates
Halava : loha sy vatana 73-79 mm, rambo 30-49 mm.
Tahafisak’i Malahelo
Uroplatus malahelo
Toerana onenana : ala velona.
Fomba fiaina : mavitrika alina, mivelona ambony hazo.
Gekkonidae
Foto-tsakafo : bibikely.
(tsy nahitana sary)
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
Totalin’ny halava : 870 mm.
Toerana onenana : karazan-toerana maina maro.
Fomba fiaina : mavitrika alina na somambisamby;
mivelona an-tany amin’ny ankapobeny na ambony
hazo indraindray (ambany vato na anaty lava-kazo
mandritra ny andro).
© Pavel Hosek
Renimbitsika
Madagascarophis
meridionalis
Foto-tsakafo : sahona, biby mandady, vorona.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – dorotanety.
Colubridae
Totalin’ny halava : 140 cm.
Menarana
mazava loko
Toerana onenana : ala maina.
Leioheterodon geayi
Fomba fiaina : mavitrika andro, mivelona an-tany.
Colubridae
Foto-tsakafo : biby mikiky (voalavo …), androngo.
(tsy nahitana sary)
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
Aves - Passeriformes
VORONA
Halava : vatana, 20 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina,
honko (haabo 0-900 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; vorona an’ala;
tokandrery na miaraka mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala sy ny honko
(hatsaka - fanaovana harina …).
© James Williams
Mokazavona,
kinkimavo
Tylas eduardi albigularis
Vangidae
Halava : vatana, 20 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, alandroy
nanahary tsy dia maina, savoka (haabo 0-2000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady na miaraka amin’ny Vangidae hafa.
Foto-tsakafo : bibikely, tsibolo na bibitsaonjo, biby
mandady madinika, voronkely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana tsy
ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka - fanaovana
harina …).
© Steve Bird
Vanga, voromasiaka,
tsakeky, tretreky
Leptopterus viridis
Vangidae
Halava : vatana, 14 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
mando ary alandroy nanahary tsy dia maina, honko,
savoka, tanimboly (kininina, kafe, manga) sy faritr’ala
manamorona tanàna (haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; miaraka maromaro
hatramin’ny 25.
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
© Per Smitterberg
Pasasatra, tsaramaso,
sarigaga, soroanja,
razangoaka,
fotsy tretreka
Leptopterus chabert
Vangidae
VORONA
Aves - Passeriformes
Halava : vatana, 24 cm.
Tsilovanga
Xenopirostris xenopirostris
Vangidae
(tsy nahitana sary)
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina
(haabo 0-100 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala; matetika
tokandrery na miaraka mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely, biby madinika mandady na
mikisaka.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – dorotanety.
Halava : vatana, 20 cm.
Toerana onenana : ala maina nanahary na somary
nihasimba (haabo 0-900 m); ala mando nanahary
(haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; vorona an’ala; miaraka
mpivady na mpianakavy (miisa 4 hatramin’ny 8).
© Giuliano Gerra & Silvio Sommazzi
Siketriala, poapoabava
Schetba rufa
Foto-tsakafo : bibikely, androngo madinika.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Vangidae
Halava : vatana, 25-29 cm.
Toerana onenana : karazan’ala nanahary rehetra,
hivoka, honko, faritr’ala manamorona rano, tanimboly
(kafe, jirofo, manga), hazo manamorona tanàna
(haabo 0-1800 m).
© Pavel Hosek
Vangasoratra,
tsilovanga, fifiokala,
bekapoaky
Vanga curvirostris
Vangidae
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery amin’ny
ankapobeny.
Foto-tsakafo : bibikely, biby mandady madinika,
sahona.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala ((hatsaka fanaovana harina …).
Aves - Passeriformes
VORONA
Halava : vatana, 12 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina
(haabo 0-100m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na miaraka
mpivady, miaraka amin’ny karazam-borona hafa.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka – fanaovana harina …).
© Ben Rackstraw
Newtonia archiboldi
Sylviidae
Halava : vatana, 12 cm.
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
mando nanahary sy savoka manakaiky azy (haabo
800-1800 m), alandroy tsy dia maina, honko
(haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery amin’ny
ankapobeny.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
© animalpicturesarchive.com
Kimitsy, kimimitsy
Neomixis striatigula
Sylviidae
Halava : vatana, 15 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina,
savoka, faritra tsy dia be hazo, tanimboly, hivoka ary
mahalana ala maina mihintsan-dravina
(haabo 0-700 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; miaraka marobe.
Foto-tsakafo : vihy, bibikely, tsibolo na bibitsaonjo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : dorotanety fihazana.
© Steve Bird
Fodisahy, fodibeotse,
zaky, draky, tsiaka
Ploceus sakalava
Sylviidae
VORONA
Aves - Passeriformes
Halava : vatana, 18 cm.
Toerana onenana : heniheny, honko (haabo 0-2000 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery amin’ny
ankapobeny.
© Mike Danzenbaker
Vorombararata
Acrocephalus newtoni
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : fihamainan’ny
toeram-ponenana - famarotana tsy ara-dàlana.
Sylviidae
Halava : vatana, 15 cm.
Toerana onenana : alandroy nanahary tsy dia maina
sy ny faritra mihasimba eo akaikiny (haabo 0-500 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; miaraka ho 4
hatramin’ny 10.
Foto-tsakafo : bibikely sy tsibolo na bibitsaonjo.
© Mike Danzenbaker
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – dorotanety.
Aritiky
Thamnornis
chloropetoides
Sylviidae
Halava : vatana, 20 cm (lahy), 15 cm (vavy).
Toerana onenana : ala mando, ala maina mihintsandravina (haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala; miaraka
ho 3 hatramin’ny 10.
© Mike Danzenbaker
Droadroaka,
tekitekiala, tetraka,
toaiky
Phyllastrephus
madagascariensis
Pycnonotidae
Foto-tsakafo : bibikely, tsibolo na bibitsaonjo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
Aves - Strigiformes
VORONA
Halava : vatana, 30 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina, ala
maina mihintsan-dravina, ala mando, faritra ahitana
hazo
(haabo 0-800 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina ; tokandrery na miaraka
mpivady.
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
© Buffi & Corsi
Tovotovoka,
vorondolo
Ninox supercilaris
Strigidae
Halava : vatana, 40 cm (lahy), 50 cm (vavy).
Toerana onenana : ala maina mihintsan-dravina, ala
manaraka morondrano, savoka, ala mando
(haabo 0-1800 m).
Fomba fiaina : mavitrika alina; vorona an’ala;
tokandrery.
Foto-tsakafo : sahona, vorona, biby mampinono
madinika.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …).
© WildMadagascar.org
Hanka, anka, hakaña
Asio madagascariensis
Strigidae
VORONA
OK Don
Roberson
© Tom Stephenson
www.discoverlife.org
Aliotse, akoky, gory,
beloha
Coua ruficeps
Aves - Cuculiformes
Halava : vatana, 42 cm.
Toerana onenana :alandroy tsiloina tsy dia maina, ala
maina mihintsan-dravina, savoka, hivoka tsy dia
ahitana bozaka matevina loatra (haabo 0-850 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; tokandrery na miaraka
mpivady na mpianakavy; mivelona an-tany.
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo indraindray.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala - dorotanety.
Cuculidae
Halava : vatana, 40-44 cm.
Toerana onenana : karazan’ala nanahary rehetra,
savoka (haabo 0-1200 m).
© Tom Stephenson
www.discoverlife.org
Tivoka, abosanga,
tokambolo , tsiloko,
tsikokofotsy
Coua cristata
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na
miaraka mpivady na mpianakavy; mivelona ambony
hazo.
Foto-tsakafo : bibikely, biby mandady madinika,
sifotra, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Cuculidae
Halava : vatana, 40 cm.
Toerana onenana : alandroy tsiloina tsy dia maina,
faritr’ala maina tsy ahitana bozaka (haabo 0-200 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; tokandrery na
miaraka mpivady; mivelona an-tany na ambony hazo.
© Mike Danzenbaker
Aliotse, kadibake
Couoa cursor
Cuculidae
Foto-tsakafo : bibikely.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala.
Aves - Psittaciformes
VORONA
Halava : vatana, 14-16 cm.
Toerana onenana : faritra tsy dia be hazo, hivoka,
alandroy tsiloina tsy dia maina, moron’ala, tanimboly
(haabo 0-1500 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro ; miaraka maromaro
hatramin’ny 30.
Foto-tsakafo : vihy.
Loza mananontanona ny fahavelomany : fihazana famarotana tsy ara-dàlana – dorotanety.
© Per Smitterberg
Sarivazo, karaoka,
kariaka, sarengy,
kariga, kitrehoka,
fodindriaka
Agapornis cana
Aves - Falconiiformes
Psittacidae
Halava : vatana, 48-51 cm.
Toerana onenana : karazan’ala nanahary rehetra,
savoka, faritra vatoana mihaabo ambony (haabo
0-2300 m).
Fomba fiaina : mavitrika andro; vorona an’ala;
tokandrery na miaraka mpivady.
Foto-tsakafo : sahona, biby mandady na vorona
madinika.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
famarotana tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala
(hatsaka - fanaovana harina …) – fihazana.
© James Williams
Hindry, bobaka,
beririnina, bemanana,
bevorotse
Buteo brachypterus
Accipitridae
Biby mampinono
hafa
Mammifères - Carnivores
Halava : loha sy vatana, 32-40 cm; rambo, 28-30 cm.
Lanja :499-589 g.
Toerana onenana : alatsilo karankaina maniry ambony
vatosokay, faritra mihasimba amoron’ala.
Fomba fiaina : mavitrika alina; anaty lavabato mandritra
ny andro.
Galidictis grandidieri
Eupleridae
Foto-tsakafo : biby tsy mananahazon-damosina toy ny
maingoka, biby mpikiky, vorona na biby mandady.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – dorotanety - fihazana.
Halava : loha sy vatana, 60-80 cm; rambo, 60-80 cm.
Lanja : 6-8 kg.
Toerana onenana : karazan’ala nanahary rehetra.
Fomba fiaina : mavitrika alina (mavitrika andro ihany
koa rehefa main-tany mahavitsy ny sakafo); mivelona
an-tany sy ambony hazo; tokandrery.
Foto-tsakafo : gidro, vorona, biby mpihinanana bibikely,
biby mpikiky, bibilava, trandraka, vorona fiompy antanàna.
Loza mananontanona ny fahavelomany : famarotana
tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala (hatsaka fanaovana harina …) – fihazana.
Fosa, tratraka, viro
Cryptoprocta ferox
Viverridae
Mammifères - Chiroptères
Biby mampinono
hafa
Fivelarana miaraka amin’ny elatra : 268 mm
Lanja : 3,5-5 g
Toerana onenana : ala nanahary, savoka (anaty
zohy na lakato) na toeram-ponenan’ny olombelona.
Fomba fiaina : mavitrika alina ; miaraka maromaro
iray karazana sy amin’ny karazana hafa.
Emballonura atrata
Emballonuridae
(tsy nahitana sary)
Foto-tsakafo : bibikely, voankazo.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
famarotana tsy ara-dàlana – faharipahan’ny ala fihazana
Fivelarana miaraka amin’ny elatra : 415-454 mm
Lanja : 20-29 g
Toerana onenana : zohy na lakato.
Fomba fiaina : mavitrika alina; miaraka maromaro
iray karazana sy amin’ny karazana hafa.
Foto-tsakafo : lolo amin’ny ankapobeny.
Loza mananontanona ny fahavelomany :
famarotana tsy ara-dàlana – fihazana.
Otomops
madagascariensis
Molossidae
(tsy nahitana sary)
Lisitr’ireo karazam-biby (kilasy I, sokajy I)
SAHONA
Sahoboriborin’ny Atsimo Andrefana
Scaphiophryne brevis
Sahonkazon’ny Andrefana
Boophis doulioti
Sahonkazo fotsivavan’ny Andrefana
Boophis occidentalis
BIBY MANDADY
Mandobolontany
Sanzinia madagascariensis volontany
Filoala
Langaha pseudoalluaudi
Sokatra, sokake
Geochelone radiata
Kapika, sokabato, tsakafy
Pyxis arachnoides
VORONA
Mireha, sadakely, fotsielatra
Anas bernieri
Kiborano, vivy, tsiriry
Tachybaptus pelzelnii
Rehito, rehila, firasabe
Accipiter henstii
Firasa, tsipera, pera
Accipiter madagascariensis
Bobaka
Aviceda madagascariensis
Hitsikitsik’ala
Falco zoniventris
Fihiaka
Polyboroides radiatus
Fanindry, kipanga
Circus macrosceles
Phyllastrephus apperti
Singetringetry (lahy)
Pseudocossyphus bensoni
Tsibotrosy (lahy)
Pseudocossyphus imerinus
Totokarasoka
Calicalicus rufocarpalis
Asity
Philepitta schlegeli
Bokitsy, tolohoranto
Uratelornis chimaera
Tivoka, arefy
Coua verreauxi
Lejabe, eoke, goribe
Coua gigas
Akoke, gory, aliotsy, leja
Coua coquereli
Naka
Monias benschi
GIDRO
Tsidihy, matavirambo, kelibehohy, bodonohy
Cheirogaleus medius
Tsidy, koitsiky, titilivaha, pondiky
Microcebus murinus
Tsiba, titilivaha, siba, setohy
Mirza coquereli
Tsidy
Microcebus griseorufus
Boengy
Lepilemur ruficaudatus
Songiky
Lepilemur leucopus
Maky, hira
Lemur catta
Halo, varika, varikamavo
Eulemur rufus
Sifaka, sifaka bilany
Propithecus verreauxi verreauxi
Tanta, tantaraolana, vakivoho
Phaner pallescens
Lisitr’ireo karazam-biby (kilasy I, sokajy II)
BIBY MANDADY
Rakolaka tandrefana
Brookesia brygooi
Rakolaka bory tandroka
Brookesia stumpffi
Tanalahy
Furcifer lateralis
Tarondro, sakorikita bevata
Furcifer oustaleti
Sakorikita be
Furcifer verrucosus
Tarondroben’ny Atsimo andrefana
Furcifer antimena
Tarondro tsara tarehy, tandrondro
Furcifer labordi
Tarondroben’Andrenalamilavola
Furcifer tuzetae
Dangalia
Chalarodon madagascariensis
Androngovato misy sanga
Oplurus cyclurus
Atsatsamaitso tandrefana
Phelsuma modesta
Atsatsatra tandrefana
Phelsuma dubia
Atsatsatra fotsikibo
Phelsuma mutabilis
Atsatsabe
Phelsuma standingi
Atsatsatra tatsimo
Phelsuma breviceps
Rasonombalahy
Zonosaurus trilineatus
Androngon’i Toliara
Zonosaurus quadrilineatus
Tahafisak’i Malahelo
Uroplatus malahelo
Renimbitsika
Madagascarophis meridionalis
Menarana mazava loko
Leioheterodon geayi
VORONA
Mokazavona, kinkimavo
Tylas eduardi albigularis
Vanga, voromasiaka, tsakeky, tretreky
Leptopterus viridis
Pasasatra, tsaramaso, sarigaga, soroanja, razangoaka,
Leptopterus chabert
fotsy tretreka
Tsilovanga
Xenopirostris xenopirostris
Siketriala, poapoabava
Schetba rufa
Vangasoratra, tsilovanga, fifiokala, bekapoaky
Vanga curvirostris
Newtonia archiboldi
Kimitsy, kimimitsy
Neomixis striatigula
Fodisahy, fodibeotse, zaky, draky, tsiaka
Ploceus sakalava
Vorombararata
Acrocephalus newtoni
Aritiky
Thamnornis chloropetoides
Droadroaka, tekitekiala, tetraka, toaiky
Phyllastrephus madagascariensis
Tovotovoka, vorondolo
Ninox supercilaris
Hanka, anka, hakaña
Asio madagascariensis
Aliotse, akoky, gory, beloha
Coua ruficeps
Tivoka, abosanga, tokambolo , tsiloko, tsikokofotsy
Coua cristata
Aliotse, kadibake
Couoa cursor
Sarivazo, karaoka, kariaka, sarengy, kariga,
Agapornis cana
kitrehoka, fodindriaka
Hindry, bobaka, beririnina, bemanana, bevorotse
Buteo brachypterus
Lisitr’ireo karazam-biby (kilasy I, sokajy II)
BIBY MAMPINONO HAFA
Galidictis grandidieri
Fosa, tratraka, viro
Cryptoprocta ferox
Emballonura atrata
Otomops madagascariensis

Documents pareils

Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra

Teolojia Fototra ao amin`ny Bokin`i Ezra  Anisan’ny fepetra napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny tsy hanambadiana an’ireo Jentilisa (Gen.24-2/ 27;46-28,9) Ny fanambadiana hafa firenena (Jentilisa)= Fanaovana fanekena aminy. • Mba t...

Plus en détail