Discours de Mr Le Bâtonnier et Parrain Me André RANDRANTO

Transcription

Discours de Mr Le Bâtonnier et Parrain Me André RANDRANTO
Discours du Bâtonnier Parrain de la 5è promotion MIARO Me André Randranto
Cérémonie de sortie officielle des élèves de l’IFPA - 5e promotion
17 février 2012
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Manao azafady indrindra raha hivolana mialoha ny maro hifandimby ny tenako, satria tsy
hitsikitsika akory ka hisonenika alohan’ny tranga, ary kavin-drozaroza ka ho jejo alohan’ny
tompony, fa noho ny fandaminana moa dia ny tenako no nosafidianan’ireto zandry, zanaka
ireto ho « Mpiahy » azy ireo, ka izay no hananako anjara fitenenana.
« MIARO », izany no anarana nosafidianan’ireto mpianatra eo amin’ny andihany faha-5,
nivoaka teo amin’ny sekoly miana-draharaha ho Mpisolovava ireto.
Teny tsotra sady mahafaoka be satria ny fiarovana ny mpiara-belona no fototra hijoroan’ny
asan’ny Mpisolovava, asa nosafidianan’izireo ho atao.
« Miaro », amin’ny lafiny iray koa dia azo lazaina ho fialàna amin’ny fotoana, nisintahany
tamin’ny fanaovany ny fianarany, mba hiverenany eo anivon’ny be sy ny maro, ka hiaro na
hifangaro amin’izao tontolo izao, indrindra indrindra amin’ireo zoky izay nialoha lalàna, ka
efa eo anivon’ny fianakaviam-ben’ny fiarovana.
Amin’ny maha andininy faha-5 an’ireto Mpianatra ireto eo anivon’ny sekoly dia mamelà ahy
ianareo hamerina aminareo ny anganon’ny Ntaolo mikasika ny nampisaraka ny rantsana
dimy.
Samy manana ny heviny hono ny rantsana dimy ka toy izao :
Hoy ny ankihikely : noana aho izany.
Namaly kosa ny manaraka hoe, noana ka tsy mangalatra.
Fa hoy kosa ny manaraka : mangalatra ka ho tsy very.
Dia hoy ny fanondro : very ka tsy avotana.
Fa hoy kosa ny ankihibe : hihatakataka aho fa olon-dehibe.
Izany hono no nampisaraka ny rantsana dimy sy ny nahatonga azy ho lava sy fohy, arira arira,
angano angano, izaho mitantara, ianareo mihaino.
Ny nampatsiahivana fohy iny anganon’ny Ntaolo iny dia ny tsy hijanonanareo amin’ny lafy
ratsiny ihany, fa hijerena kosa ny hanatra tsara tokony ho raisina. Ratsy ny fisaratsarahana
ka tokony hiray hina hitambatra, araka ilay hevitra faharoa : ny dikan’ny hoe Miaro,
Mifangaro.
Ny tondro tokana tsy mahazo hao hoy ny tenin-drazantsika ka mahaiza miray hina, tandrovy
lalandava ny fihavanana ary dia soava tsara ry zandry isany.
Honorables invités,
Nous assistons aujourd’hui à la sortie de la 5ème Promotion de l’IFPA, la promotion
« MIARO » qui signifie « défendre ».
C’est le nom que ces étudiants ont choisi.
Pour des étudiants qui se prédestinent à embrasser la profession d’Avocat, le choix est tout
trouvé, car c’est l’essence même de la profession que de défendre.
Au nom de la Promotion est accolé les trois principes essentiels pour l’exercice de la
profession d’Avocat que sont la Confraternité, la Dignité et la Probité.
Parmi les 16 principes essentiels écrits et non écrits, au niveau de nos dispositions
réglementaires, qui régissent la profession d’Avocat, vous avez décidé de mettre en exergue
ces trois principes :
Ils s’agit certainement d’un choix délibéré, ces trois principes vous serviront en tout cas de
repères, tout au long de votre vie professionnelle, ce sont vos signes de ralliement, vos
balises. Dans leur ouvrage portant sur les règles de la profession d’Avocat, les Bâtonniers
Henri ADER / André DAMIEN ont écrit que la confraternité est le fondement même de la
profession d’Avocat.
En effet, l’Avocat appartient à un ordre et il ne doit pas oublier les liens qui l’unissent à ses
confrères, les valeurs communes sur lesquelles reposent leur profession. Il doit donc
s’efforcer d’entretenir des bonnes relations avec ses confrères et ne pas oublier la solidarité
qui les unit.
La « Dignité » se rapporte à la fois au respect de soi-même et au respect que l’on mérite, au
respect que l’Avocat doit inspirer aux autres, par sa noblesse, sa retenue et sa réserve.
La notion de « Probité » est plus difficile à cerner, en tout cas elle consiste à respecter les
devoirs imposés par la justice et l’honnêteté, elle implique une honnêteté scrupuleuse dans
le comportement.
Chers Etudiants, en appliquant ces trois principes en tant que ligne de conduite, vous serez
certainement bien armés pour entamer votre vie professionnelle.
En tout cas, je vous souhaite bon vent, en attendant de pouvoir vous appeler dans un futur
proche, Chères Consœurs et Confères.