Version imprimable

Transcription

Version imprimable
*! f i,'
;1--
il,
1\ -/
vi-. r.,
PIRENENA
REPOBLIKA
FAHAEFATRA
VOALOHANY
FE.POTOANA
FANAOVAN-DALANA
FAHATELO
FOTOAM.PIVORIANA
TSYARA-POTOANA
TAONA2014
DELALEGISLATION
DIRECTION
DESPROCES-VERBAUX
SERVICE
ETDESCOMPTES-RENDUS
ANALYTIQUES
FTTAIITANAAITI,TSONAINA NT TTYOruA}IBE
TAHARANAFAHA-SI EX
Fivorianafaha-7
NataonY
Alarobia6 Aogositra201-4
- Atoandro-
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Alarobia 6 Aogositra 2014
- Atoandro Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………………………………………… 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 02
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014
izay mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka …………….. 03
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 04
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………. 06
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 08
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 11
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014 izay mifehy ny trosam-panjakana
sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka ………………………………………………………………….. 15
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014 tamin’ny 10/07/2014
mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola,
ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana …………………… 21
- Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 22
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ……………………………………………………………………….. 24
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 25
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 27
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014
tamin’ny 10/07/2014 mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna
ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana ……… 33
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014 tamin’ny 10/07/2014
« relative aux sociétés commerciales à participation publique » ………………………………….. 36
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 36
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 40
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 43
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014
tamin’ny 10/07/2014 « relative aux sociétés commerciales à participation publique » … 47
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fandaharam-potoana ……………………………. 51
- Fiatoan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………… 53
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA: Ramatoa isany :
- RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine
- RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
FOTOANA: Alarobia 6 Aogositra 2014, tamin’ny 11 ora sy 5 minitra, atoandro.
FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny :
- Volavolan-dalàna laharana faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014 izay mifehy ny trosampanjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka.
- Volavolan-dalàna laharana faha-013/2014 tamin’ny 10/07/2014 mamaritra ny fombafomba
ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny
fitantanam-bolam-panjakana.
- Volavolan-dalàna laharana faha-12/2014 tamin’ny 10/07/2014 « relative aux sociétés
commerciales à participation publique ».
- Lakolosy -1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa sy Ramatoa isany, mpiara-mikambana ato amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena,
Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny Tetibola,
Ianareo rahalahy sy anabavy Solombavambahoaka hajaina isany,
Ianareo Tale Jeneraly, Tale, Teknisiana ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny
Tetibola.
Mitohy ny fivoriantsika.
Manantitra ny arahaba ho antsika Solombavambahoaka manatrika izao fivoriambe izao.
Arahabaina torak’izany koa ianao Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ary ianareo
Teknisiana miaraka aminy.
Alohan’ny hirosoana amin’ny votoatin-draharaha dia iangaviana ny mpitantsoratra hanao ny
fiantsoana anarana.
2
-2- Fiantsoana anarana Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Solombavambahoaka
ABDILLAH
ALIDY Bin Soufou
………………………
…………………………………
……………………………………………
ZAFIMAHATRATRA Abel.
Andriamatoa Filoha, 62 no isan’ny Solombavambahoaka tonga amin’izao fotoana izao.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Mpitantsoratra, nanao ny fiantsoana anarana teo.
Amin’izao fotoana izao, 67 no isan’ny Solombavambahoaka tonga. Mitombo hatrany izany,
ka heverina fa ho tonga tahaka ny tamin’ny omaly ihany ny Solombavambahoaka rehetra.
Ny fandaharam-potoanantsika izao marainan’ny Alarobia 6 Aogositra 2014 izao dia
fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny “projet de loi n°0112014 du 10 juillet 2014 régissant la dette publique et la dette garantie par le Gouvernement
central”.
Eo anatrehan’izay anefa araka ny fahitana azy, efa vonona ihany koa ny mpampakateny sy
ireo mpikambana ao amin’ny vaomieran’ny Vola sy ny Tetibola amin’ireo volavolan-dalàna
roa hafa, dia ny « projet de loi n°013/2014 du 10 juillet 2014 fixant la procédure applicable
aux infractions financières, budgétaires et comptables de gestion des finances publiques » sy
ny « projet de loi n°12/2014 du 10 juillet 2014 relative aux sociétés commerciales à
participation publique ».
Koa raha ankasitrahantsika Solombavambahoaka dia hataontsika misesy ny fandinihana ireo
volavolan-dalàna ireo, ka miroso miandalana araka izay isika.
Koa miangavy antsika Solombavambahoaka mba hanaraka izany lamina izany.
Misaotra indrindra.
Manao satroka ny Solombavambahoaka RANDRIANASOLO Jean Nicolas.
3
Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo eny ambony, miarahaba ihany koa ny mambran’ny Governemanta tonga
eto.
Ny anay, Andriamatoa Filoha, mba mangataka, raha azo atao, tokony holaniantsika izao
maraina izao ny mikasika ny resaka “finances” ity, na ny volavolan-dalàna laharana faha012/2014 koa rehefa avy eo tokony hataontsika izao daholo, satria efa manao azy izahay
izao. Izy daholo izany tenenin’ny namana izany.
Misy programa anie, Andriamatoa Filoha, ka mba miangavy izahay mba holaniantsika ireo,
satria ireto olona ireto no mikarakara ny resa-bola. Mila vola daholo isika, sahirana isika.
Omentsika alàlana ireo “Finances” ireo amin’izay malakilaky isika.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
-3- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014 izay
mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Hiroso isika raha sitrakareo, araka ny fandaharam-potoana ka ny “projet de loi n°011/2014
no hatao mialoha, manaraka rehefa avy eo ny “projet de loi n°013/2014” izay efa vonona
ihany koa ary farany, miroso amin’ny “projet de loi n°012/2014”, amin’izay mba vita
tanteraka ny mahakasika ny resaka “finances” ka afaka miroso manao asa hafa isika.
Misaotra Tompoko.
Koa miangavy anao am-panajana, Andriamatoa Mpampakateny, hiakatra etỳ anoloana,
hitondra ny tatitra mikasika izay volavolan-dalàna izay.
Ianareo mpaka sary, azafady kely, mba omeonareo sehatra ny Mpampakateny fa manjary tsy
hita izy.
Misaotra Tompoko.
4
-4- Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminy.
Nivory ny Zoma 1 Aogositra 2014, tamin’ny 6 ora sy 15 minitra, hariva, ny Vaomieran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2014
tamin’ny 10/07/2014 izay mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana
antoka.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomiera no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika ny fivoriana:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. RAZAFIMILY Constance
2. RAVELONANOSY Mamy Tiana
3. ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo
4. RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot
5. RANDRIANASOLO Jean Nicolas
Tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana:
- RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
Tonga nisolo tena ny Governementa:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1. RANDRIANTSARAFARA Voniniaina N.
2. ANDRIATSIRIHASINA Tovohery
3. RANAIVO Andrianantsaina Andry
4. RANAIVOARISOA Riana Haja
5. HERYMANN Charles
6. RAKOTONDRAZAKA Zoly
7. RANDRIAMANGAMALALA Herinirina
8. RABEMANANJARA Hasina
9. ANDRIANASOLO M. Eva
10. RANDRIANASOLO Nandrasana S.A
DOF/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
CM/DGT/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha dia nomeny an-dRamatoa Talen’ny
Trosa eo anivon’ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola ny fitenenana mba
hitondrany fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fanazavana ny volavolan-dalàna Ramatoa Tale, ka nilaza ny
antony nandrafetana azy. Nambarany tamin’izany fa natao ity volavolan-dalàna ity mba
hampanara-penitra ny fomba fitrosana sy ny fanomezana antoka ary mba hamaritana ny
5
trosam-panjakana sy izay fisokajiana azy. Nambarany koa tamin’izany, fa ny antony
manaraka dia mba hamaritana ny olona manana fahefana hanao sonia ny findramam-bola
ivelany sy anatiny ataon’ny Fanjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana
sy ny antokon-draharaham-panjakana ary mba hamaritana ny andraikitry ny tsirairay.
Nilaza ihany koa izy, fa ny antony farany nandrafetana ity volavolan-dalàna ity dia mba
ahafahana mametraka ny Fanjakana tan-dalàna.
Taorian’izany dia nanontany, Ramatoa Tale, raha toa ka misy Solombavambahoaka manana
fanontaniana. Nisy ny mpikambana tao amin’ny Vaomiera nilaza fa aleo aloha velabelarina
ny votoatin’ny lalàna.
Arak’izany dia nambaran-Ramatoa Tale ny fitsinjarana lehibe hita ao anatin’ity volavolandalàna ity. Tamin’izany no nilazany fa hita ao ny famaritana amin’ny ankapobeny ny trosampanjakana sy ny trosa voakasik’ity volavolan-dalàna ity ary ny antony itantanana ny trosampanjakana. Hita ao ihany koa ny famaritana ireo olona manana fahefana hanao sonia ny
findramam-bola ivelany sy anatiny ary ny fisokajiana ny trosam-panjakana. Manaraka izany,
hita ao koa ny paikady entina itantanana ny trosa ary ireo rafitra mandray anjara eo amin’ny
fitantanana ny trosa, izany hoe ireo vondrona teknisianan’ny trosa (Comité technique de la
dette ), Ministeran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola, ny fahefana mpanatanteraka eo anivon’ny
vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny antokon-draharaham-panjakana,
Banky Foiben’i Madagasikara, ny birao mpanatanteraka tetikasa. Farany, hita ao anatin’ity
lalàna ity ihany koa ny fitantanana ny trosa ivelany sy anatiny, ny antoka omen’ny Fanjakana
ary ny fangaraharana fanjohina sy fitsirihana.
Taorian’izany dia nanamafy, Ramatoa Tale, ny maha zava-dehibe an’io lalàna io noho izy
lalàna voalohany mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka.
Nilaza koa izy fa lalàna fototra ity volavolan-dalàna ity, fa mbola hisy ny fandrafetana didimpanjakana hafa hidirana amin’ny antsipiriany.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna ny mpikambana tao
anatin’ny Vaomiera.
Noho ny tsy fahatrarana ny fetrisa ilaina ary ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-50
ao anatin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena dia naato antsasak’adiny ny
fivoriana.
Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny mpikambana ka lany tsy nasim-panovàna sy
tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014
izay mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka, ka hoentina eo
anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany.
Nifarana tamin’ny 7 ora, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
6
-5- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Tsy omentsika tehaka ve izay tatitra nataon’ny Mpampakateny izay?
- Tehaka Manambara izany tehaka mirefodrefotra izany, Andriamatoa Mpampakateny, fa
ankasitrahana ny tatitra izay nataonao, anefa na izany aza dia mbola tsy miala eo ianao.
Misaotra anao, nitondra izay tatitra izay.
Sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana tamintsika teo.
Mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny, fa fanitsiana na fanamarihana aloha no
resahana amin’izany.
Raha tsy misy avy atỳ amintsika Solombavambahoaka, mitodika aminareo ao amin’ny
Governemanta, sao misy fanitsiana na fanamarihana tianareo hatao amin’izay tatitra izay.
Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha,
Ianareo Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena,
Isika Solombavambahoaka hajaina.
Faly miarahaba anareo Tompoko.
Misy tokoa ny fanamarihana avy atỳ aminay, fa alohan’izay angamba, mamelà ahy ianao,
Andriamatoa Filoha, mba hanolotra ny mpiara-miasa amiko izay tonga eto androany.
Voalohany amin’izany:
Andriamatoa ROBIMANANA Orlando, « Directeur Général du Trésor ».
Andriamatoa RANDRIANASOLO Jaona Brice, « Directeur de Cabinet ».
Ramatoa RAJEMISA Haingotiana, « Directeur de la Dette Publique ».
Ramatoa RANDRIANTSARAFARA Voniniaina, « Directeur d’Opération Financière ».
Andriamatoa RAJAONARIVONY Tiana, « Directeur de la Comptabilité Publique ».
Andriamatoa RAKOTONDRASAMY Liva, « Directeur des Etudes » ao amin’ny « Trésor ».
Andriamatoa ANDRIATSIRIHASINA Tovohery,
Ramatoa RAZAFINDRABE Haingo Mbola,
Ramatoa RASOARIMALALA Clarisse,
Andriamatoa RAKOTONDRAMASY Zo Herinirina
RAKOTONANDRASANA Zoelisoa,
RASOLOMALALA Minah,
ANDRIMIFIDY Soafaniry,
7
RAHARISOA Clémence,
RAKOTOMALALA Misa,
ANDRIANASOLO Avotra,
RANDRIANJANAKA Volantantely,
RAHARIJAONA Haja,
RAJAONARISON Dinaniaina,
RANDRIANASOLO Sandra Ange,
RAKOTONDRAZAKA Zoly,
HERYMANN Charles,
RAJAONARIVELO Mbolatiana,
RANDRIAMINOSON William,
ANDRIAMPARANY Niry,
RAKOTOSALAMA Tojo,
RAKOTONINDRAINY Zoely,
TOANY Holinirina,
RAMAROSON Honoré.
Ireo izahay ao amin’ny Minisitera izay tantanako, ekipan’ny “Direction Générale du Trésor”.
Mikasika ny tatitra nataon’ny mpampakateny teo, misy fanamarihana roa entinay.
Ny voalohany, eo amin’ny anaran’ny olona nanatrika “commission” teo. Mifamadika, tsy ireo
no izy, Andriamatoa Mpampakateny. Raha azo ahitsy, dia omena anao ny anarana rehefa avy
eo, Andriamatoa Mpampakateny.
Ny faharoa, ao amin’ny pejy faha-3; ao amin’ny hoe: taorian’izany dia nanamafy, Ramatoa
Tale, ny maha zava-dehibe io lalàna io. Lalàna voalohany mifehy ny trosam-panjakana sy ny
trosa izay omen’ny Fanjakana antoka. Nilaza koa izy fa lalàna fototra ity volavolan-dalàna ity,
fa mbola hisy fandrafetana. Tsy lalàna no eo fa didim-panjakana. Izany hoe fandrafetana
didim-panjakana no izy, fa tsy fandrafetana lalàna.
Izay, Andriamatoa Filoha, no fanamarihana avy atỳ aminay.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’izay fanamarihana izay ary mino aho fa hatao
avy hatrany izay fanitsiana izay.
Vita izay ny fanitsiana mikasika ny tatitra, koa omen-dalana amin’izay ianao hamonjy ny
toerana misy anao, Andriamatoa Mpampakateny.
Angamba ataontsika mirefodrefotra ihany koa ny tehaka ho fankasitrahana azy.
Izao dia omena fitenenana ianao, Andriamatoa Minisitra, hanazavanao ny antonanton’ity
volavolan-dalàna ity.
Raha sitratsika rehetra, mijanona eny amin’ny toerany ihany izy ary mipetraka, satria
amin’izay mba mifanakaiky amin’ireo mpiara-miasa aminy; raha tsy hoe noho ny antony arateknika angamba no andehananao etỳ aloha, Andriamatoa Minisitra.
8
Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Mety angamba eto, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
-6- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ezahiko atao fohifohy ihany ny “présentation”. Ny tena zava-dehibe mivoitra dia iray ihany
izay milaza hoe: raha misy fitrosana ataon’ny Fanjakana, tokony harindra ary tsy hiparitaka
izany fa ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola ihany no mahazo manao sonia ary misolotena
ny Fanjakana malagasy amin’ny fitrosana any ivelany na eto an-toerana.
Izay amin’ny ankapobeny ny votoatin’ity fanolorana volavolan-dalàna mikasika ny fitrosana
ity.
Raha jerena, zavatra valo eo no horesahako eto mikasika ny fanolorana:
- ny lalàna momba ny fitrosana,
- ny sehatra voakasik’izany,
- ny fomba entintsika atao momba ny fitantanana ny trosa,
- ny fijerena hoe hatraiza no ahafahantsika mitrosa,
- manao ahoana ny endrik’ilay trosa,
- inona no antoka atao raha mitrosa,
- ny fametrahana ny mangarahara,
- ny fanaraha-maso rehefa mitrosa ny Fanjakana malagasy amin’ny ankapobeny.
Momba ny voalohany, ilaina ny fanaovana lalàna mba hisy “normalisation” ny fomba
fitrosana. Izany hoe misy “norme” apetraka raha hitrosa isika na anatiny io na ivelany.
Manaraka izay, tokony hofaritana mazava tsara, inona no atao hoe trosam-panjakana
amin’ny ankapobeny ary ahoana no fisokajiana azy. Ankoatran’izay, iza no afaka mitrosa
amin’ny anaran’ny Fanjakana. Amin’ny ankapobeny dia eo ny Fanjakana; ao ihany koa ny
“établissements publics”; ao koa izay tena lehibe dia ny “collectivités territoriales
décentralisées”.
Tsara faritana mazava ny andraikitry ny tsirairay amin’ireo sehatra telo ireo ary apetraka
mazava koa, raha mitrosa, inona daholo no fepetra angatahan’ny mpanome vola; inona no
antoka azo avy any aminy.
Efa noresahana omaly izay, anisan’izany ny fitondrana tsara tantana eo amin’ny fampiasana
ny volam-panjakana. Izany hoe tokony mangarahara ary misy fanaraha-maso ny fampiasana
ny vola notrosaina.
9
Izay amin’ny ankapobeny ny maha zava-dehibe ny ametrahana lalàna momba ny fitrosana.
Ahoana indray ny sehatra izay iharan’ny lalàna.
Araka ny noresahako teo, ny fitrosana anatiny sy ivelany izay ataon’ny Fitondrana foibe, eo
ihany koa ny fandefasana “titres et obligations” ataon’ny “trésor public”. Ny mahazatra
antsika dia ny “Bon de Trésor par Adjudication” na BTA. Eo ihany koa ny trosa ataon’ny
“collectivités territoriales décentralisées” anatiny na ivelany. Tahaka izay koa ny
“établissements publics nationaux”. Misy koa ny “emprunts publics et privés” izay
iantohan’ny Fanjakana; raisiko ohatra momba ny “établissement public” ny FTM.
Nandeha tsara ny FTM teo aloha, 10 taona taorian’izay, lasa nanana trosa be ary mbola
olana ao aminy io amin’izao fotoana izao. Fitrosana nataon’ny FTM tamin’ny “Banque
Mondiale” tamin’ny fotoan’androny izany. Ilaina ny fampahafantarana izany ary izay no
maha zava-dehibe ity lalàna natolotry ny tahirim-bolam-panjakana ity.
Ny « emprunts publics et privés garantis par le Gouvernement central »: raha misy orinasampanjakana mitrosa dia tokony mazava tsara ny “garanti”. Ohatra azontsika raisina amin’izany
ny “société ADEMA” izay nisy « emprunt » natao ka Governemanta no niantoka azy,
niarahana tamin’ny “Coopération Française”; mbola manefa an’io trosa io ry zareo
hatramin’izao.
Manao ahoana kosa ny tetikady na paikady entintsika mitantana ny trosa.
Hametraka sy hanao izany ny ao amin’ny “direction de la dette publique” izay tarihandRamatoa Tale ao amin’io sampandraharaha io. Mba ahafahantsika mijery lavitra, telo taona
no fotoana ametrahantsika azy ary apetraka ao amin’ny tovana momba ny lalàna mifehy ny
Tetibola izany.
Inona no ao anatiny?
Ny ao anatiny dia ahitana ny hoe: inona no tanjona rehefa mitrosa, ahoana no endrik’ilay
trosa, inona no tontolo ara-toe-karena misy ny trosa, avy aiza ny trosa ary ahoana no tokony
hatao.
Tsara ny manamarika fa amin’ny ankapobeny ny fomba fitrosantsika dia mbola ifanarahana
amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI, izay mametra fa tsy tokony hihoatra ny
1,5% ny zanabola raha misy trosa atao. Raha mihoatra an’izay kosa, tsy maintsy mila
fandinihana.
Ankoatran’izay, ahoana no fomba ahafahantsika mitrosa. Tsy hoe hitrosa foana isika ka
hitrosa tsy misy fetrany, fa jerena ihany hoe iza no afaka manao izay trosa izay. Misy
karazany telo, izay efa noresahako teo ihany, ny fahafahana mitrosa.
Ao ny Fitondrana foibe izay ny Minisitry ny Vola sy ny Tetibola no tompon’andraikitra
voalohany ary afaka manome fahefana olona hafa izy.
Eo koa ny “collectivités territoriales décentralisées”, izany hoe ny “Chef de l’organe exécutif”
kanefa mila fahazoan-dalana avy amin’ny Minisitry ny Vola sy ny Tetibola.
Ohatran’izay koa ireo “établissements publics”, afaka mitrosa izy fa mila fangatahana
mialoha amin’ny Minisitry ny Vola sy ny Tetibola.
Manao ahona no endriky ny fitrosana.
10
Raha ao amin’ny Fitondrana foibe dia misy ny « emprunts publics », « émissions de titres et
obligations » Raha momba ny trosa eto an-toerana koa, misy ny atao hoe “avance”. Misy ny
fanaovana “émissions de titres ou obligations”, misy ny fiantsoana amin’ny fampiasana ny
tahiry eto an-toerana izay misy.
Raha ho an’ny “établissements publics” sy ny “collectivités territoriales décentralisées”
mikasika ny fitrosana eto an-toerana na ny “emprunts publics” amin’ny ankapobeny izany
dia misy ny fanampiana na fandraisan’ny fitondram-panjakana anjara amin’ny trosa ataony.
Eo ihany koa ny findramam-bola eo amin’ireo “institutions financières” na “banque
primaire” na “agence de micro crédit”.
Ahoana kosa no endriky ny antoka.
Voalohany, ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola irery no afaka manome antoka ary ny
fanjakana dia anisan’ny manana “action” ao anatiny, mba ahafahan’ireo tokony hahazo
tombotsoa amin’izany, araka ny noresahako teo hoe ny “collectivités territoriales
décentralisées”, ny “établissements publics”, ny “sociétés anonymes”.
Tsy maintsy misy fanadihadiana momba ny fanomezana antoka ary misy fijerena ataon’ny
tahirim-bolam-panjakana izay vao afaka milaza hoe misy antoka na tsia.
Inona kosa no andraikitry ny mpahazo tombotsoa amin’ny fitrosana.
Tokony misy ny fanoratana ny trosa ao anatin’ny tetibolam-panjakana ary misy fanarahamaso ny trosa nataon’ireo “institutions financières” voalaza teo ireo.
Raha momba ny “bonne gouvernance” kosa dia tsy maintsy apetraka araka ny sata ny
mangarahara, ny fanaraha-maso ary ny fanaovana ny tomban’ezaka. Atao isan-taona ny
fanaovana ny mangarahara sy ny tomban’ezaka ary arahana torak’izany koa ny paikady
narafitry ny “direction de la dette publique”. Tokony hisy ny “audit interne” amin’ny “gestion
de la dette publique”, indrindra amin’ny “projet” sy ireo fitrosana nahazo antoka avy
amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola. Ilaina noho izany ny “audit” sy ny “contrôle
externe”.
Tsara ny manamarika fa ny “audit interne” dia ahafahana mijery hoe aiza ny lalana haleha,
inona no zavatra vita, inona no tokony hatao.
Ny “audit externe” kosa dia fomba ijerena hoe manana “indépendance” ve isika ary ahitana
fomba fijery hafa amin’ny fitantanana ny trosam-panjakana.
Farany, tokony hisy ny fanaraha-maso ny “compte” sy fanaraha-maso amin’ny
fanatanterahana ny “projet”.
Izay, Andriamatoa Filoha, raha amin’ny ankapobeny, ny mikasika ity volavolan-dalàna
momba ny fitrosana ataon’ny fitondram-panjakana malagasy ity araka ny fizarana telo teo
dia ny Fitondrana foibe, ny “collectivités territoriales décentralisées” ary ny “établissements
publics”.
Misaotra indrindra naharitra nihaino.
11
Vonona izahay hanome valim-panontaniana mahafa-po anareo raha misy fanontaniana na
fanampim- panazavana hatao.
Misaotra, Tompoko.
- Tehaka -7- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Izany tehaka mirefodrefotra izany, Andriamatoa Minisitra, dia fankasitrahana tamin’ny
fanazavana narosonao teo.
Ramatoa sy Andriamatoa Solombavambahoaka hajaina isany, misaotra an’Andriamatoa
Minisitra isika tamin’ny fanazavana izay narosony teo.
Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika, koa izay handray fitenenana, angatahana mba
hanangan-tànana handraisana ny anarany.
Andriamatoa Solombavambahoaka, RAZAFIMILY Constance.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance
Misaotra Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anao sy ny mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa Filoha, tsy hitako loatra ny zavatra iadian-kevitra amin’ity. Resaka trosa ity,
fanatsarana ny hoe ahoana no fepetra raha ohatra mampitrosa vola, satria maro tokoa ny
olona amin’izao fotoana izao no manao “escroquerie”, manao sonia any, mitrosa vola any
amin’ny anaran’ny fanjakana. Raha ohatra ry zareo tompon’andraikitra amin’ny resaka
fitantanam-bola no mahita hoe tokony hamafisina ny famoaham-bolam-panjakana, ataoko
angamba fa tsy misy olana ny handanianay Solombavambahoaka an’ity zavatra ity.
Mitaona ny rehetra handany azy.
Misaotra Tompoko.
- Tehaka Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka HOUSSEN Abdallah.
12
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-dia aminy.
Mikasika ity lalàna ity, raha resaka “fond” tsy misy olana fa tokony mandeha ho azy, fa misy
“forme rédactionnelle” kely tianay amboarina satria somary mavesabesatra ny famakianay
azy.
Ao amin’ny « article premier: dans le cadre de la présente loi, on entend par dette publique,
la somme des engagements d’emprunts intérieur et extérieur des organismes publics ».
Io « mot » hoe « somme » io no somary manahirana kely ahy. Vola ve io sa fitambaran’ny
“dette extérieure” sy ny « intérieure ». Raha ny fandinihako azy, ohatran’ny hoe
fitambaran’ny “dette extérieure” sy « intérieure » io. Noho izany, esorina ny teny hoe
« somme » fa avy hatrany dia atao hoe : « dans le cadre de la présente loi, on entend par
dette publique, les engagements d’emprunts intérieur et extérieur des organismes publics »,
amin’izay tsy manahirana.
Izay izany no “Remarque” voalohany.
Amin’ny « article » faharoa: « font partie de la dette publique et doivent être enregistrées en
tant que telles les opérations ci-après ».
Hitako fa mavesatra koa io. Ilaina ve ny hoe « doivent être enregistrées », raha ohatra efa
milaza isika hoe « font partie de la dette publique les opérations ci-après ». Tokony
ampidirina ao ve ny hoe « doivent être enregistrées en tant que telles ». Inona no tombotsoa
ampidirantsika an’io. Manavesatra « phrase » mantsy io. Ny fandinihako azy dia tokony
mijanona amin’ny hoe : « font partie de la dette publique », avy hatrany dia hoe « les
opérations ci-après ».
Fahatelo manaraka izay, atỳ amin’ny “domaine d’application, section 3: sont soumis aux
dispositions de la présente loi”, ireo voatanisa eo ambany ireo. Koa raha hanao ny
« économie d’article » isika, tokony miala izany io « article 5 » io, satria raha vao « soumis
aux dispositions de la présente loi » ireto « emprunts » voalazanareo ireto; ny dikan’izay
raha vao tsy ao anatin’io dia efa tsy « soumis » amin’ity lalàna ity. Heveriko fa mavesatra koa
ny filazana amin’ny « article 5 » hoe « ne sont pas soumis aux dispositions de la présente loi:
les emprunts » sy ny sisa. Izany hoe ankoatran’ireo raha vao tsy any izy dia tsy atỳ. Mamatotena isika, ampidirintsika ao hoe ireto avy no tokony iharan’ity lalàna ity, ampidirintsika koa
hoe ireto avy no tsy tokony ho tafiditra aminy. Raha sanatria misy tsy tafiditra ao, lasa
voafatotry ny lalàna isika. Resaka “rédaction” ny ahy: tokony hiala izany ny “article-5”, fa
mijanona amin’ny “article 4” ihany. Izay tsy tafiditra ao moa dia tsy tafiditra ao anatin’ny
lalàna mazava ho azy.
Izay ihany ny ahy, Andriamatoa Filoha sy Andriamatoa Minisitra.
Misaotra anareo naharitra nihaino.
Misaotra Tompoko.
13
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RAPHAELIEN Solofoniaina Emilien
Narison. Nisintona fitenenana izy.
Ny Solombavambahoaka LEVAO Nitadiavina, voafidy tany Marolambo.
Andriamatoa LEVAO Nitadiavina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Momba ny fahafahan’ny “collectivités territoriales” mitrosa no fanontaniana tiako apetraka.
Misy fetrany ve ny fitrosana sa izay azony trosaina dia trosainy daholo sa raha vao
“collectivité” dia misy fetra tsy maintsy arahana.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tapitra angamba ny fanontaniana sa mbola misy.
RANDRIAMAHEFA Henri Charles, omena anao ny fitenenana.
Ny
Solombavambahoaka
Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba ny mambran’ny Governemanta sy ny mpiara-dia aminy.
Fanontaniana tsotra, Andriamatoa Filoha, no apetrako. Eo amin’ny resaka “bon du trésor par
adjudication” na ny findraman’ny Fanjakana vola amin’ny olom-pirenena malagasy na
vahiny. Eo amin’ny famerenana ny trosa no tiako ametrahana fanontaniana. Raha misy
fahataran’ny Fanjakana amin’ny famerenana ny volan’ny olona sy ny zanabola amin’ny “bon
du trésor”; misy “pénalisation” omena azy ve sa ahoana.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Solombavambahoaka RANDRIANASOLO Jean Nicolas.
Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas
Tsy ho lava resaka aho, Andriamatoa Filoha.
Nandinika an’io izahay tao amin’ny “commission”. Nisy “Juriste” niaraka taminay tao.
Mpahay lalàna roa no niaraka taminay nandinika an’io zavatra io.
Andriamatoa Filoha, ny fanamarihana nataon’ny Zokibe Solombavambahoaka HOUSSEN
Abdallah teo dia efa nodinihanay tao, kanefa mety mbola hanazava an’izay ireo olona ireo
rehefa avy eo. Ny ahy ny fiangaviako, aleo laniantsika ity fa mbola betsaka ny zavatra hatao
azafady. Andriamatoa Filoha, nandinika an’ity tao amin’ny “commission” izahay, iray ora sy
sasany no nandinihana azy ary nojerena “point par point” mihitsy.
14
Tsy mandà ny iresahanareo aho, fa zoko ny miresaka satria Solombavambahoaka aho;
tamin’ny ianao niteny tsy nosakanako.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka laharana faha-144, Andriamatoa
VELONTSARA Paul Bert.
Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Fanazavana angamba no tiako hisy bebe kokoa, Andriamatoa Minisitra, momba ny “article
57” amin’ny fanaovana “rapport annuel”. Amin’ny fotoana manao ahoana no
ahatongavan’ny “rapport” atỳ amin’ny Antenimierampirenena. Izay no fanontaniana
apetrako.
Faharoa, amin’ny resaka “transparence, suivi et contrôle”, ao amin’ny « article 61, section
3 », misy hoe: « audits et/ou contrôles externes ». Ny Parlemanta no lazainy ato hoe afaka
mangataka « audit externe ». Vitan’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena irery ve
ny manao an’izay sa Solombavambahoaka maromaro no afaka mangataka io « audit » io?.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Tsy misy handray fitenenana intsony avy atỳ amin’ny Solombavambahoaka, koa dia omena
anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anareo nametraka fanontaniana ihany koa.
Ny Solombavambahoaka HOUSSEN Abdallah, misaotra anao tamin’ny fanamarihana.
Angamba esorina ilay “somme totale” voalaza io.
Ny fanamarihana faharoa, mitombina ihany koa. Ny “article 5” raha tsy mampaninona anao,
mba resahana miaraka ny “Directeur de la dette publique” rehefa avy eo.
Mikasika ny “limite” amin’ny trosa ataon’ny “collectivité décentralisée” dia tsara aloha ny
manamarika fa sambany isika vao nanolotra lalàna ohatra izao ary anisan’ny anomezana
fahefana antsika “collectivité décentralisée” ny fahafahana manao “emprunt” mba ho
fampandrosoana ny faritra misy antsika tsirairay avy.
Alohan’ny zavatra rehetra anefa, misy fanadihadiana sy fandalinana ataon’ny Minisiteran’ny
Vola sy ny Tetibola, izany hoe ataon’ny tahirim-bolam-panjakana, mijery raha zakan’ilay
faritra ny trosa atao, inona no tombotsoa ho azon’ny faritra, tsy dia ho ela ve ny fandoavana
15
ny vola. Izay no tsy maintsy jerena, fa izay « analyse » izay, tsy midika hoe sakana velively
amin’ny fahafahana sy fahaleovantenan’ny faritra tsirairay raha te-hitrosa izy.
Ny momba ny BTA. Ny BTA dia “contrat” ataon’ny Fanjakana sy ny “privé”. Tsy azo atao tara
mihitsy fa rehefa tonga ny fotoana fandoavana ny “taux d’intérêt” dia aloa izany, tsy azo
asiana fahatarana.
Ny “rapport annuel” dia mifandray amin’ny « audit et contrôle externe » ilain’ny Parlemanta.
Angamba, Andriamatoa Solombavambahoaka, rehefa lany ity dia any amin’ny « décret
d’application » no mamaritra hoe iza ao amin’ny Parlemanta no tokony ho afaka mangataka
ny « audit externe » amin’ny fanarahana ny fampiasana ny trosam-panjakana.
Tahaka izay koa ny “rapport annuel”. Raha ny tokony ho izy, azo atao ara-potoana ihany
izany, fa araky ny lalàna satria mifandray amin’ny tetibolam-panjakana izy io dia tokony
hanaraka ny “loi de règlement”.
Izay angamba, Tompoko, no famaliana ny fanontaniana.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Mbola misy manan-kolazaina ve ny Solombavambahoaka?
Manao satroka ny Solombavambahoaka IJO.
Andriamatoa IJO
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ao amin’ilay « section 4, article-62 »: tsy diso fanoratra ve ny teny « seines » amin’ny
fehezan-teny manao hoe « et/ou à des règles seines de gestion ».
Misaotra Tompoko.
-8- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014 izay mifehy ny trosam-panjakana
sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Moa ve mbola misy Solombavambahoaka te-handray fitenenana?
Tsy misy.
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka hajaina, ny isantsika tonga ato
amin’izao fotoana izao dia 109.
16
Satria tsy misy manan-kolazaina intsony, koa raha ankasitrahantsika dia hiroso amin’ny
fandraisana fanapahan-kevitra isan’andininy amin’ity volavolan-dalàna ity isika.
Ahitana lohateny miisa 4 ary misy andininy miisa 66 ity volavolan-dalàna ity.
“TITRE PREMIER: DISPOSITIONS PRELIMINAIRES”
Azafady, miala tsiny fa mifangaro ny teny frantsay sy malagasy. Mizara ho “Chapitre 4”,
ahitana andininy 23.
« CHAPITRE PREMIER: Généralités »
Ahitana andininy miisa 6. Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-6: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany ny andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-6:
tsy nasiam-panovàna izany.
- Solombavambahoaka miisa 82 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana Lany ny andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-6: tsy nasiam-panovàna.
« CHAPITRE II: Engagement Financier »
Ahitana andininy miisa 6. Andininy faha-7 ka hatramin’ny andininy faha-12: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany ny andininy faha-7 ka hatramin’ny andininy faha-12: tsy
nasiam-panovàna.
- Solombavambahoaka miisa 85 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànanaIzay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana -
17
Lany ny andininy faha-7 ka hatramin’ny andininy faha-12: tsy nasiam-panovàna.
« CHAPITRE III : Stratégie de Gestion de la Dette »
Ahitana andininy miisa 2: andininy faha-13 sy andininy faha-14.
Atsangano ny tànan’izay mandany ny andininy faha-13 sy andininy faha-14.
- Solombavambahoaka miisa 86 no nanangan-tànana Iza no mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Iza no tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 4 no nanangan-tànana Lany ny andininy faha-13 sy andininy faha-14 ; izany hoe ny « Chapitre III: Stratégie de
gestion de la dette ».
“CHAPITRE IV: Cadre Structurel”
Ahitana andininy miisa 9: andininy faha-15 ka hatramin’ny andininy faha-23: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany ny andininy faha-15 ka hatramin’ny andininy faha-23: tsy
nasiam-panovàna izay.
- Solombavambahoaka miisa 85 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana Lany izany ny « CHAPITRE IV: Cadre Structurel ».
« TITRE II : GESTION DE LA DETTE »
Mizara ho “Chapitre III” ary ahitana andininy miisa 29.
18
“CHAPITRE PREMIER: Emprunt Extérieur”
Ahitana andininy miisa 9: andininy faha-24 ka hatramin’ny andininy faha-32: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany.
- Solombavambahoaka miisa 88 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Lany ny « Chapitre Premier: Emprunt Extérieur ».
« CHAPITRE II : Emprunt Intérieur »
Ahitana andininy miisa 7: andininy faha-33 ka hatramin’ny andininy faha-39: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany an’io “Chapitre II” io.
- Solombavambahoaka miisa 89 no nanangan-tànana -
Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana Lany ny « Chapitre II: Emprunt Intérieur ».
« CHAPITRE III : Garanties »
Ahitana andininy miisa 13: andininy faha-40 ka hatramin’ny andininy faha-52: tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany io “Chapitre III” io.
- Solombavambahoaka miisa 89 no nanangan-tànana -
19
Iza no mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Lany izany ny « Chapitre III: Garanties ».
« TITRE III: TRANSPARENCE, SUIVI ET CONTROLE ».
Mizara ho “Chapitre II” ary ahitana andininy miisa 10.
« CHAPITRE PREMIER: Transparence ».
Ahitana andininy miisa 5: andininy faha-53 ka hatramin’ny andininy faha-57, tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany an’io “Chapitre Premier: Transparence” io.
- Solombavambahoaka miisa 89 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Lany amin’ny isa 89 ny « Chapitre Premier: Transparence ».
« CHAPITRE II : Suivi et Contrôle ».
Ahitana ny andininy miisa 5: andininy faha-58 ka hatramin’ny andininy faha-62, tsy nasiampanovàna.
Atsangano ny tànan’izay mandany an’io « Chapitre II: Suivi et Contrôle » izany.
- Solombavambahoaka miisa 89 no nanangan-tànana Atsangano ny tanan’izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana -
20
Lany ny « Chapitre II: Suivi et Contrôle ».
« TITRE IV: DISPOSITIONS FINALES »
Ahitana ny andininy miisa 4: andininy faha-63 ka hatramin’ny andininy faha-66, tsy nasiampanovàna.
Izay mandany an’io, atsangano ny tànana.
- Solombavambahoaka miisa 89 no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Lany ny « Titre IV: Dispositions Finales ».
Vita izay ny fijerena isan’andininy; izao kosa isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahankevitra ankapobeny. Koa izay mandany an’ity « Projet de Loi n°011/2014 du 10 Juillet 2014
régissant la dette publique et la dette garantie par le Gouvernement Central » ity, atsangano
ny tànana.
- Solombavambahoaka miisa 91 no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny.
- Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Ambarako ary fa lany tamin’ny isa 91 ny « Projet de Loi n°011/2014 du 10 Juillet 2014
régissant la dette publique et la dette garantie par le Gouvernement Central ».
Taorian’izay fandaniana ny volavolan-dalàna izay dia omena anao, Andriamatoa Minisitra, ny
fitenenana raha toa misy teny tianao holazaina.
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Tompoko.
21
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy dia hiteny zavatra betsaka, fa misaotra anareo Solombavambahoaka izay tarihinao,
Andriamatoa Filoha. Isaorana manokana koa ianao tamin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna
ity.
Araka ny noresahako teo, roa no tombotsoa azontsika amin’ity volavolan-dalàna ity.
Voalohany indrindra, mba mangarahara tsara ny fomba fitantanana ny trosa eto
Madagasikara.
Tsara ny manamarika fa ny tahan’ny trosantsika malagasy dia mbola 30%-n’ny harin-karena
faobe; mihoatra lavitra noho izany ny an’ireo firenena mandroso, toy ny any “Etats-Unis,
Europe”, avo roa na telo heny raha mitaha amintsika.
Ny anankiray tena lehibe koa dia ny fahafahan’ny “collectivité décentralisée” hampandroso
ny faritra misy azy raha mahazo an’ilay vola trosaina.
Mamerina ny fisaorana ho antsika rehetra.
Misaotra Tompokolahy.
Mankasitraka Tompokovavy.
-9- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014 tamin’ny 10/07/2014
mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola,
ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Araka ny fanapahan-kevitra izay noraisintsika teo dia hiroso avy hatrany amin’ny fandinihana
ny volavolan-dalàna laharana faha-13/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014, mamaritra ny
fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana antsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana. Miangavy anao am-panajana indray, Andriamatoa
Mpampakateny, hiroso etỳ anoloana, hitondra ny tatitra momba izany.
Raha ao, Andriamatoa Kesitora, iangaviana mba hiomana amin’ny ody ambavafo. Rehefa avy
eo samy mamonjy mangingina any, mba ahafahantsika manohy ny asa.
Misaotra Tompoko.
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Mpampakateny.
22
- 10 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Nivory ny Zoma 1 Aogositra 2014, tamin’ny 7 ora sy fahefany, hariva, ny Vaomieran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014
tamin’ny 10 Jolay 2014 izay mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna
ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana.
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomiera, no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana,
Andriamatoa isany:
1. RAZAFIMILY Constance
2. RAVELONANOSY Mamy Tiana
3. ANDRIANARIVO Harimampianina
4. RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka
5. RANDRIANASOLO Jean Nicolas
6. RANDRIAMBOLAINA Gerry
Tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa
RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina.
Tonga nisolo tena ny Governemanta
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1 - RANDRIANTSARAFARA Voniniaina N.
2 - ANDRIATSIRIHASINA Tovohery
3 - RANAIVO Andrianantsaina Andry
4 - RANAIVOARISOA Riana Haja
5 - HERYMANN Charles
6 - RAKOTONDRAZAKA Zoly
7 - RANDRIAMANGAMALALA Herinirina
8 - RABEMANANJARA Hasina
9 - ANDRIANASOLO M. Eva
10 - RANDRIANASOLO Nandrasana S.A
11 - RAJEMISA Haingotiana
12 - RAHARISOA Clémence
13 RANDRANJANAKA Volatantely
14 - RAKOTOMALALA Misa
DOF/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
CM/DGT/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
DDP/MFB
DDP/SSP
DDP/SGDE
DDP/SSP
Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny ny teknisiana ny
fitenenana mba hitondrany fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna.
Na dia efa nisy aza ny lalàna nentina nanenjika ny fandikan-dalàna mikasika ny fitantanambolam-panjakana, tsapa fa tsy nahomby loatra izany satria betsaka tamin’ireo olona no
ahiahiana nanodikodim-bolam-panjakana sy ireo heloka mitovitovy aminy no afaka madiodio
23
rehefa entina eny amin’ny Fitsarana. Ny anton’izany dia noho ny fananan’ireo olona
mpanara-maso na « agents verbalisateurs » fahalalana matotra satria mitaky fanadihadiana
lalina ny asany.
Ity volavolan-dalàna ity dia ahitana fepetra maromaro mba hanamafisana sy hanenjanana ny
fanenjehana ny fanodikodinana volam-panjakana. Ny tanjona dia ny hampanan-kery bebe
kokoa ny tatitra amin’ny alàlan’ny fitsirihana ataon’ireo mpanara-maso ka hampisalorana
azy ireo ho « officiers de police judiciaire » sy hanomezana fitaovana mahomby eo ampanatanterahana ny asany.
Misy andininy 25 ary ahitana toko 5 ity volavolan-dalàna ity.
Ny Toko voalohany dia mamariparitra ireo sehatra ampiharana ity lalàna ity, toy ny heloka,
fikasana hanao heloka ary ny firaisana tsikombakomba, hita sy helohin’ny “code pénal”.
Ny Toko II dia mitanisa ireo olona omen’ny lalàna fahefana hanao fitsirihana ny fandikandalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny volam-panjakana sy ny endriky ny
fitanana an-tsoratra ataon’ireo mpanara-maso.
Ny Toko III dia mitanisa ireo fomba sy ny endriky ny fanenjehana ataon’ny mpanara-maso.
Ny Toko IV no ahitana ireo antoka sy ny fiarovana ataon’ny Fanjakana amin’ny “agents
verbalisateurs”.
Ny Toko V dia milazalaza ny “dispositions diverses”.
Rehefa izany dia nisy Solombavambahoaka iray nametraka fanontaniana raha toa ka
mahasahana an’i Madagasikara manontolo ny tahirim-bolam-panjakana.
Nambaran’ny teknisiana fa isaky ny faritra ihany no misy ny solotenany.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna ny mpivory. Noho ny tsy
fahatratrarana ny fetr’isa ilaina amin’ny fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-50
amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena anefa dia naato 30 minitra ny
fivoriana.
Taorian’izany dia nolanian’ny mpivory tamin’ny endriny tsy nasiam-panovàna sy tsy nasiampanitsiana ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014 izay
mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny
fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana ary hoentina eny anivon’ny fivoriambe
handraisana fanapahan-kevitra farany.
Nifarana tamin’ny 8 ora, alina, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
- Tehaka -
24
- 11 - Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Izay tehaka mirefodrefotra izay no andraisana ny tatitra nataonao, Andriamatoa
Mpampakateny, koa isaorana ianao araka izany.
Sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana tamintsika teo;
avy atỳ amintsika Solombavambahoaka aloha.
Tsy misy.
Mitodika aminareo ao amin’ny Governemanta, sao misy fanamarihana. Andriamatoa
Minisitra, omena anao am-panajana ny fitenenana.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Eo amin’ny pejy faha-3, misy fanitsiana atao amin’ny fehezan-teny manao hoe: rehefa izany
dia nisy Solombavambahoaka iray nametraka fanontaniana raha toa ka mahasahana an’i
Madagasikara manontolo ny tahirim-bolam-panjakana. Tsy ampy hoe: mpanao fanarahamaso eo alohan’ny tahirim-bolam-panjakana.
Manaraka eo ambany, Andriamatoa Mpampakateny, nambaran’ny Teknisiana fa isaky ny
faritra ihany no misy mpanara-maso, asiana hoe: “cellule d’inspection” eo aorian’io.
Izay, Andriamatoa Filoha, no fanamarihana avy atỳ aminay.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Voaray angamba ny fanitsiana teo. Isaorana anao nanome an’izay fanamarihana roa izay.
Tompokolahy sy Tompokovavy Solombavambahoaka isany, Andriamatoa Minisitra sy
ianareo Tale, ianareo teknisiana ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola, vita izay ny
mikasika ny tatitra.
Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny Tetibola,
hanazavanao ny antonanton’ity volavolan-dalàna ity. Marihina fa afaka mangataka
fitenenana hatrany ny solotenan’ny Governemanta, mandritra ny adihevitra rehetra rehefa
avy eo.
Omena anao ny fitenenana Tompoko.
25
- 12 - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Tsy ho lava angamba izy ity, fa ezahana hofintinina.
Efa navoitran’ny Mpampakateny teo ihany hoe mba ahafahan’ny mpanara-maso ny asa atao
ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.
Izay ny iray voalohany, fa ny tena lehibe amin’ity tolotra volavolan-dalàna ity dia mba
ahafahan-dry zareo mpanara-maso ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana, izany hoe ny
“Inspecteur du trésor” manao fanaraha-maso. Tsy eo anivon-dry zareo ihany, miala tsiny
amin’ny teny baiko, fa amin’ny “chaîne de la dépense”. Izany hoe afaka mankany amin’ny
“Ordonnateur” ny “Inspecteur du trésor” rehefa manao “vérification” raha ilaina izany. Mba
hitovy sata, tahaka ny ao amin’ny « Direction générale de l’impôt » sy ny « Direction de
douane » izay manana « caractère OPJ” ny “Inspecteur vérificateur du trésor ».
Misy “Chapitres” dimy ity volavolan-dalàna ity, araka ny noresahako teo. Tsy dia hiditra lalina
amin’izay aho fa resaka “référence” no ankabeazany.
Ny « Chapitre I: Dispositions préliminaires »,
ny « Chapitre II: Constatation des infractions », ny « Chapitre III: De la poursuite des
infractions », ny « Chapitre IV: Garanties de sécurité, protection et obligations des
verbalisateurs » izay eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana. Farany, ny « Chapitre V:
Dispositions Diverses ».
Mikasika ny « justification »-n’ny zavatra tokony atao, mba ahafahana manafaingana ny
fanaraha-maso ataon’ny ao amin’ny « trésor » ary tsy hiandry fotoana ela fa tokony entina
any amin’ny fitsarana raha ohatra misy zavatra tsapa fa tsy mety amin’ny fitantanana ny tetibolam-panjakana ary mba ahafahana misakana ny olona tsapa fa efa nanodikodim-bolampanjakana, sao handositra izy na mitady fomba hafa hialana.
Farany, mba hialana amin’ny fomba fijery hafa amin’ny “texte” sy lafiny ara-teknika eo
amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, izay mety tsy ho voafehin’ny rehetra fa ry zareo ao
amin’ny tahirim-bolam-panjakana no mahalala azy bebe kokoa.
Tsara ny manamarika amintsika rehetra fa ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola dia
Minisitera iray ihany izahay ary raha ny “chaîne de la dépense” no jerena, marina fa ny
Minisitra no mitantana azy, mandrindra azy, manome baiko fa samy mahaleo tena ny
« Direction générale » tsirairay ao. Ny « Direction générale de contrôle financier », mahaleo
tena, ny « Direction générale du budget », mahaleo tena, ny « autorité de régulation de
dépense publique », mahaleo tena ary ny « Direction générale du trésor » koa tahaka izay.
Tiako ny mampahatsiahy antsika eto fa ny “Cour des comptes” tena sarotiny amin’ny asa
ataon’ny “trésor public” ary efa nisy fotoana aza, izay aloha matetika tsy azontsika loatra,
nisy fotoana raha manome baiko ny « Directeur Général du trésor » ary raha hitan’ny
« comptable public » hoe tsy mety ny asa, tsy voatery handoa izany vola izany izy. Tsara
azavaina amintsika izany ary izay no “aspect” ato anatin’ity “justification” ity.
26
Manaraka izay, ny “dispositions préliminaires”. Hitantsika ao ny “texte”, ny “références”
rehetra momba azy. Ilaina izay kanefa tsy ho voatanisantsika daholo, fa tsara ho fantatsika
fotsiny hoe ireo no laharan’ny “article” ilaina ary ny “complicité” dia hitantsika amin’ny
« article-59 » sy « article-60 » ao amin’ny “code pénal”. Ilaina io mba ahafahana mametraka
ny andraikitry ny “agent verbalisateur” manao “constatation” ny zava-misy.
Ao amin’ny « Chapitre II: constatation des infractions ». Ny « article-128 » ao amin’ny « Code
de Procédure Pénale » no mametraka azy. Misy ny « auditeurs »-n’ny « trésor », misy ny
« agents d’administration », misy ny « Officiers de Police Judiciaire, prévu par l’article-126 du
Code de Procédure Pénale ».
Mifandray amin’ny « Chapitre II » ihany koa ny « valeur juridique »-n’ny « procès-verbaux »
ary mety ho tonga hatrany amin’ny « instruction de défaut ». Eo koa ny fijerena ny
« procédure » izay mametraka tsara ny maha ara-dalàna ny zavatra atao.
Ny « rapport » dia ao anatin’ny « partie intégrante »-n’ny « procès-verbaux » ary manana
« valeur d’expertise technique ».
« Chapitre III: De la poursuite des infractions ».
« Moyen mis à la disposition des verbalisateurs » io ary avy amin’izay no ahafahan’ny
« verbalisateurs »-n’ny « trésor » manao ny asany; ao koa ny fijerena ny « documents »
rehetra izay mety ilaina, hanamarinana ny zava-misy. Misy ny « droit de suite sur les fonds
détournés, leur fruit et perquisition », ao koa ny « mesure conservatoire confrontant les
dispositions de la loi n°95-032 ».
Mikasika ny « Garanties de sécurité, protection et obligations des verbalisateurs », ao
amin’ny « Chapitre IV » dia anjaran’ny Fanjakana no manao izany amin’izay mety ho
fampitahorana na loza mety hahazo ny « verbalisateurs ». Eo anatrehan’izany anefa, ny
« verbalisateur » dia manana andraikitra mampiseho ny « commission d’emploi » mandritra
ny fanatanterahany ny asany. Izany hoe mampiseho « carte » sy « lettre de mission » ny
« verbalisateurs » rehefa manao ny asany.
Farany, ao amin’ny “Chapitre V”, araka ny noresahako teo, tsy misy zavatra firy fa
“dispositions diverses” izay mety ilaina amin’ny fanatontosana ity volavolan-dalàna ity.
Izay amin’ny ankapobeny, Andriamatoa Filoha, ianareo Solombavambahoaka namana ny
mikasika an’ity “projet de loi” ity; araka ny voalaza teo dia anomezana fahefana bebe kokoa
ny “agents vérificateurs”-n’ny « trésor » amin’ny fanaraha-maso ny volam-panjakana ary
averiko indray mandeha, fa mbola tafiditra ao anatin’ny fametrahanay ny fitantanana
manara-penitra sy amin’ny fomba ara-dalàna, mangarahara ny volam-bahoaka ity volavolandalàna ity.
Izay no azo ambara fa raha misy fanontaniana, afaka mamaly ihany izahay.
Misaotra antsika naharitra nihaino.
Misaotra Tompokolahy.
Mankasitraka Tompokovavy.
27
- 13 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Ankasitrahana ianao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanazavana narosonao teo.
Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika ka izay te-handray fitenenana, angatahana
hanangan-tànana mba handraisana ny anarany.
Ramatoa Solombavambahoaka laharana faha-58, RAFENOMANANTSOA Tsirimaharo Ny Aina.
Ramatoa RAFENOMANANTSOA Tsirimaharo Ny Aina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba anareo teknisiana. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra ihany koa.
Ao amin’ny “Chapitre 3, article-12, alinéa-2”, eo amin’ny resaka “amende” ho an’ny olona
manembatsembana ny “contrôle”; raha ny fahafantarako azy ny « infraction financière,
budgétaire, comptable » izany, zavatra goavana be; izany hoe tsy vola kely no mety
voahodikodina ao. Mety ve, mba hialana amin’izay fanembatsembanana izay, satria 400 000
Ariary hatramin’ny 2 000 000 d’Ariary no sazy, hitako hoe maivamaivana ihany izany
miohatra amin’ny “infraction” misy. Azo ampitomboina ve io « amende » io mba hiarovana
bebe kokoa an’ireo olona manao “contrôle” sy hialana amin’ny fanembatsembanana mety
hitranga.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Ramatoa Solombavambahoaka.
Omena anao avy hatrany ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra, hamaly an’izay fanontaniana
izay.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fanontaniana napetrakao teo.
Raha ny tena marina, izay isika vao tena hiditra amin’ny fanasaziana. Izany hoe terena ilay
olona mba ahafahantsika hahazo ny vola faran’izay haingana. Ny tanjona dia ahoana no
fomba atao ahafahana mamerina ny vola faran’izay haingana.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Omena fitenenana, Andriamatoa HOUSSEN Abdallah, voafidy tany Soalala.
28
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra.
Inona moa no maha samihafa an’ity amin’ny “détournement” fahita isan’andro? Mahita
mantsy aho eto hoe “infraction fournit, réunit ou obtient des fonds”. Tena tsy azokazoko ilay
izy. « Manipulateur de deniers publics » ve ilay olona henjehina sa olon-tsotra? Raha ohatra
« manipulateur de deniers publics » izy, raha ny fahafantarako azy ary raha « détournement
de fonds » dia miankina amin’ny “valeur”-n’ny zavatra tsapa tao anatiny no mahatonga azy
ho “crime” na « délit ». Raha “crime”, tsy fantatro, asa na firy « millions » izy izay; raha
“délit” kosa, mety ho hafa. Ny antony itenenako an’izay mantsy dia amin’ilay “terme
tentative” ampiasainareo ato. Raha “délit”, tadiavina ny “précision” mikasika ny “tentative”,
satria misy “tentative de délit” izay tsy mahavoasazy. “Non punissable” izany ilay “tentative”,
fa misy “tentative criminelle”, iny kosa “punissable, poursuivable”. Tiako ho fantatra, inona
no maha samihafa an’ity amin’ny “détournement de deniers publics” fahitantsika isan’andro
ary ny olona enjehina amin’ity “infraction financière et budgétaire” ity ve “manipulateur” na
“détenteur” na “dépositaire”-na vola sa olona avy etỳ ivelany?
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, nametraka ny fanontaniana teo.
Tsara ny manamarika alohan’ny hamaliako ny fanontaniana, fa ity volavolan-dalàna ity dia
fanomezana fahefana ny “agents verbalisateurs” handeha hanao ny “procédure” hatrany
amin’ny “ordonnateur”, satria teo aloha, mijanona ho “constatation de fait” atỳ amin’ny
“comptable” irery ihany ny asa; amin’ity kosa, afaka miakatra any amin’ny “ordonnateur”
izy.
Faharoa, tsara ny manamarika fa izay rehetra mikirakira ka nanodinkodina volam-panjakana
dia tafiditra ao anatin’ny “crime” daholo fa tsy hoe misy “définition” hafa, Andriamatoa
Solombavambahoaka.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Omena fitenenana Andriamatoa REMI dit DJAO Jean, voafidy tany Antsohihy.
29
Andriamatoa REMI dit DJAO Jean
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome fitenenana.
Raharaha ikambanana ity zavatra ity, ka tsara mihitsy izany. Misaotra an’Andriamatoa
Minisitra, niteny hoe manome fahafahana an’ireo “Directeurs” rehetra ao amin’ny
Minisitera.
Ny zavatra hitako, tamin’ny televiziona izany fa tsy niafina; Andriamatoa ROBIMANANA
Orlando io dia lehibe nofidin-dry zareo tao amin’ny « trésor », Andriamatoa Filoha. Nivoaka
tamin’ny fahitalavitra izany zavatra izany. Noho izany, hainy ny asany ary mbola
mampianatra eny amin’ny oniversite koa izy.
Aleo fidintsika ity fa tsy tokony handany andro intsony isika satria hahazo vola maro amin’ity
zavatra ity isika.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao Andriamatoa Solombavambahoaka.
Mbola misy Solombavambahoaka handray fitenenana ve?
Omena fitenenana, Andriamatoa HOUSSEN Abdallah.
Andriamatoa HOUSSEN Abdallah
Miala tsiny aho, Andriamatoa Filoha Lefitra, avy any Mahajanga fa tsy izay angamba no
tokony fomba fiasantsika ato. Marina, izaho tsy mandà fa mahay ny Tale Jeneralintsika. Izaho
tsy mandà an’izay na ny Minisitra mahay daholo ireo, ny teknisiana torak’izay, kanefa ny
olombelona rehetra anie mety diso. Mety misy zavatra kely tsy mandeha amin’ny lalany ka
izay no nahatonga hoe tsy mety raha avy dia atao. Toa olona tsy hanao zavatra isika ato,
manala baraka kosa izany.
Andriamatoa Minisitra, marina daholo ny voalazanao teo, fa ny “articles 401, 460, recel” io
raha ny fahafantarako azy; ny “articles 460, 461, 379, 401, “vol” ireo. Ny fahafantarako azy,
“terme” milaza avy hatrany hoe “complicité” io “fourniture de moyen” io, kanefa tonga dia
avahanareo amin’ny “complice” hoe “fournit, réunit ou obtient des fonds”. Izany hoe misy
vola nalainy tany ho any; tsy mazava amiko ilay izy, izay no tena marina. Amin’ireto “articles”
ireto, aiza ho aiza ny fipetraky ny “détournement de deniers publics” fahitantsika isan’andro.
Andriamatoa Minisitra, tsy hifamaly isika fa raha amin’ny “code pénal”, raha ny
fahafantarako azy taloha tamin’izahay tao amin’ny Fampanoavana dia avahana tsara ny
“détournement de deniers publics criminel et détournement de deniers publics délictuel”.
Raha “délictuel” dia misy “montant”, ambanin’ny 1 000 000 Fmg izy izay. Rehefa
mihoatran’izay dia “criminel”. Izay no nahatonga ahy niteny hoe raha “détournement
délictuel” tokony marihana tsara, fa ny “tentative” rehetra amin’io tsy maintsy iharan’ny
lalàna, satria misy “tentative punissable et non punissable”.
Raha “délictuel” dia mila “précision” hoe ity “tentative de délit” ity “punissable”.
Andanin’izay, raha “crime”, tsy mila “préciser”-na intsony satria « toute tentative de crime
est punissable ».
Izay no mahatonga ahy miteny hoe ireto “articles” ireto toa mifanipaka amin’ny “code
pénal”, satria ny “articles 460 et 461, recel” ireo; ny “articles 379 et 401” kosa “vol” ireo.
30
Ny hoe “fournit, réunit ou obtient des fonds”, toa mifanipaka ihany amin’ireo satria ny “vol”
raha ny fahafantaranay azy dia misy “soustraction frauduleuse”.
Tsara angamba raha mba miresaka, mifanazava amin’ny teknisiana “pénaliste”. Efa nandalo
“conseil des Ministres” ity ary efa hitan-dRamatoa Minisitra, izay « juriste de droit privé » sy
« pénaliste » koa raha ny fahafantarako azy.
Misy zavatra maromaro tsy metimety ity raha ny fahitako azy, Andriamatoa Minisitra. Noho
izany, tsara raha mifanatona dia amboarina izay tokony amboarina, fa holanianay ihany ity
na dia izany aza.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena fitenenana manaraka, Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina. Manaraka
azy ny Solombavambahoaka RAZANAMAHASOA Christine Harijaona.
Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Ombako manana ny tenin’ny namana teo. Raha holaniantsika ity lalàna ity, tsara ihany raha
mifanatona fa misy zavatra mila arindra. Manjary manome vahana ilay mpitsara hisafidy izay
lalàna tiany ampiharina; rehefa tiany atao “détournement de deniers publics” dia ataony,
arakaraky ny olona tsarainy. Izany hoe lasa “subjectif” be ity zavatra ity. Rehefa tiany
henjehina amin’ny “détournement de deniers publics” ilay olona dia ataony an’izay fa raha
tiany hafahana, maivamaivana kokoa ny fanenjehana. Noho izany, tsara raha arindra kely ity
zavatra ity.
Fanitsiana kely amin’ny « article-13 » ny ahy amin’ilay hoe: « Les verbalisateurs peuvent,
dans les conditions prévues par la présente loi, procéder à des visites de domiciles, des
moyens de transport et des visites corporelles ». Tokony hovaina hoe « contrôle » angamba
io « visites » io, satria ny “moyens de transport” tsy “visiter”-na, ny “corps” koa tsy “visiter”na, fa savaina. Ovaina hoe « contrôle » amin’izay mba moramora kokoa ny famakiana azy.
Tahaka izay koa ny ao amin’ny « article-14, 15, 16 »; ovaina daholo, atao ho « contrôle » ny
teny hoe « visites » rehetra ao.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona.
Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona
Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba ny ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola ary ireo teknisiana miaraka
aminy.
31
Ny lalàna sahala amin’ireto rehefa natao dia hitady ny “efficacité”-ny ary itadiavana ihany
koa amin’izay hampandaitra izay “efficacité”-ny. Izany hoe fanafainganana kokoa, satria
iarahantsika mahalala fa misy paik’andro azo anenjehana an’ireo olona nanao “infractions”
na ny heloka vita tamin’ny fanodinkodinana na fangalarana volam-panjakana. Amin’ity
volavolan-dalàna ity, toa tsy tsikaritra ato ny fe-potoana omena ireo manam-pahefana
hanao izany fanenjehana izany. Tsara angamba, raha faritana amin’ity volavolan-dalàna ity
ny fe-potoana hoe manomboka amin’ny fotoana nahalalana fa nisy heloka momba ny
fanodinkodinana natao izany. Manomboka hatreo, ho an’ireo olona irahina manao
famotorana, tokony homena fe-potoana izy ireo hoe toy izao ka hatramin’izao; izany hoe
“délai imparti pour justement de clôturer ou pour mener une enquête”, satria zavatra hita sy
tsapa izany. Mazàna misy “infractions” maro “constatées”, nefa tsy misy fe-potoana voafetra
anaovan’ireo “verbalisateurs” ny famotorana sy ny asa hafa tokony hatao, koa rehefa tonga
eo amin’ny sehatra tokony hanenjehana azy dia maty paik’andro ny raharaha. Tsara
angamba raha “spécifier”-na ato anatin’ity “projet de loi” ity ny « délai pour mener les
investigations et enquêtes ».
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Averina aminao indray ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra antsika rehetra tamin’ny fanamarihana teo. Misaotra ihany koa tamin’ny
fanazavan’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah teo, fa tamin’ny ankapobeny aloha, efa misy
“Juristes” roa tao amin’ny “Conseil du Gouvernement” nijery azy io, ny Minisitry ny
Fitsarana, ny Minisitry ny Asam-panjakana, Andriamatoa MAHARANTY Jean de Dieu,
“juriste” koa izy. Izay no fanamarihana amin’ny ankapobeny.
Raha vao hoe volam-panjakana voahodinkodina izany dia tokony tsy misy “seuil” intsony fa
tonga dia ao anatin’ny “crime” daholo.
Ny fanamarihana nataonao teo, raisina an-tànan-droa izany, fa afaka mifanatona hijerena
izay tokony hifanamboarana. Angatahanay ny handaniana an’ity volavolan-dalàna ity mba
tsy ho tara loatra isika.
Misaotra ihany koa tamin’ny fanamarihana nataon-dRamatoa Filoha Lefitra teo. Voaray iny.
Ny fanamarihan-dRamatoa Solombavambahoaka RAZANAMAHASOA Christine Harijaona teo:
raha ny eritreritray, tokony hanaraka ny fepetra tafiditra ao anatin’ny “droit commun” ny fepotoana fa tsy voatery ho faritana ato ny momba izany.
Izay angamba Tompoko.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
32
Andriamatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Minisitra.
Moa ve mbola misy Solombavambahoaka manan-kolazaina?
Omena an’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc, ny fitenenana.
Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc
Fanamarihana kely fotsiny, Andriamatoa Minisitra, satria nisy zavatra nitranga taminay
Solombavambahoaka: eo amin’ny “déclaration de patrimoine”. Ianao teo niteny hoe ny
“Directeurs Généraux” rehetra dia nahazo fahafahana hitantana volam-panjakana. Ny
“définition”-n’ny “infraction” mihitsy no tiako holazaina; ny DG rehetra na ny “hauts
employés de l’Etat” rehetra ve izany no tokony hanao “déclaration de patrimoine”, satria
mety hihena angamba ny “infraction” raha fantatra daholo ny vola raisin’ny tsirairay ary
jerena ihany koa ny fananantsika tsirairay na ny fananan’ny olona tsirairay avy.
Izay Andriamatoa Minisitra, no mba tiana tenenina kely, satria betsaka loatra ny
“enrichissement sans cause” eto amin’ny firenena. Zavatra iray tsy mampandroso an’i
Madagasikara ve izany, fa raha olona iray mikarama “5 000 000 Fmg” no manana trano
mitentim-bidy “5 milliards Fmg”, hafahafa ihany.
Raha ny tenanay manokana dia manontany hoe: sao tokony hanao “déclaration de
patrimoine” daholo ny rehetra, amin’izay tsy mila manao “enquête” na manao
“investigation” intsony isika, fa jerena fotsiny izay tafiditra amin’ny “infraction”.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavamboaka.
Mbola averina aminao indray ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka RATSIMBAZAFY Luc, nanambara an’izay.
Ny « Directeurs Généraux » rehetra, ny « Directeurs », indrindra ny “corps”-n’ny “Comptable
publique” rehetra, ny « Inspecteur de Trésor » dia manao « déclaration de patrimoine »
daholo ireo. Tamin’izaho « Directeur Général »-n’ny INSTAT, nanao « déclaration de
patrimoine » aho, torak’izany koa ny « Directeur Général »-n’ny « Budget » ary ny Minisitra
moa mazava ho azy, fa manao izany. Ilaina ilay izy, fa tsy anjaranay kosa ny mijery ny momba
ny « enrichissement sans cause »; mety lalàna hafa no mametraka an’izay.
Misaotra Tompoko.
33
- 14 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014
tamin’ny 10/07/2014 mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna
ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Moa ve mbola misy manana fanamarihana na fanontaniana ny Solombavambahoaka?
Tsy misy.
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoaka, hajaina isany; misaotra antsika tamin’ny
fandraisana anjara feno tamin’iny volavolan-dalàna iny. Misaotra an’Andriamatoa Minisitra
koa nitondra ny fanazavana teo.
Raha sitrakareo, hiroso isika satria azo ireo sosokevitra teo. Misy ny fifanatonana izay tokony
atao eo amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola sy ny mpahay lalàna, amin’ny
hanatsarana ny andininy sasan-tsasany.
Raha sitrakareo, hiroso amin’ny fijerena ny isan’andininy mahakasika an’ity volavolan-dalàna
laharana faha-13/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014 ity isika izay mamaritra ny fombafomba
ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny
fitantanam-bolam-panjakana.
Ahitana “Chapitres” miisa 5 ary misy andininy miisa 25 ity volavolan-dalàna ity.
« Chapitre I: DISPOSITIONS PRELIMINAIRES »
Ahitana andininy miisa 3: andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha-3, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera, “sous-réserve” araka
ny fanitsiana natao teo.
- Solombavambahoaka miisa 65 no nanangan-tànana Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana -
34
« Chapitre II: DE LA CONSTATATION DES INFRACTIONS »
Ahitana andininy miisa 8: andininy faha-4 ka hatramin’ny andininy faha-11, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera, “sous-réserve”-n’ny
fanitsiana natao.
- Solombavambahoaka miisa 65 no nanangan-tànana Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana « Chapitre III: DE LA POURSUITE DES INFRACTIONS »
Ahitana andininy miisa 10: andininy faha-12 ka hatramin’ny andininy faha-21, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera, “sous-réserve”-n’ny
fanitsiana natao teo ihany.
- Solombavambahoaka miisa 65 no nanangan-tànana Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Solombavambahoaka miisa 2 no nanangan-tànana « Chapitre IV: GARANTIES
VERBALISATEURS »
DE
SECURITE,
PROTECTION
ET
OBLIGATIONS
DES
Ahitana andininy miisa 2: andininy faha-22 sy ny andininy faha-23, nolanian’ny Vaomiera tsy
nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 67 no nanangan-tànana -
35
Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Tsy misy « Chapitre V: DISPOSITIONS DIVERSES »
Ahitana andininy miisa 2: andininy faha-24 ka hatramin’ny andininy faha-25, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 66 no nanangan-tànana Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Tsy misy Lany ny “Chapitre V”.
Vita izay ny fijerena ny isan’andininy. Izao isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahankevitra amin’ny ankapobeny amin’ity volavolan-dalàna laharana faha-13/2014 tamin’ny 10
Jolay 2014 ity, mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, aratetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana.
Atsangano ny tànan’izay mandany ity volavolan-dalàna ity.
- Solombavambahoaka miisa 68 no nanangan-tànana Izay mitsipaka?
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny?
- Tsy misy Ambarako fa lany ny volavolan-dalàna laharana faha-13/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014
mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola, ara-tetibola ary ny
fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana.
36
- Tehaka Araka ny fomba mahazatra, tsy hita izay maharatsy azy, taorian’ny fandaniana izany
volavolan-dalàna izany, omena fitenenana ianao, Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny
Tetibola, raha toa misy teny tianao ambara.
Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Teny fohy ihany: misaotra antsika rehetra nandany an’ity volavolan-dalàna mikasika ny
fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana ity. Porofo izany, fa ity Andrimpanjakana
ity dia tena miandany amin’ny fitondrana tsara tantana, izay isaorana betsaka anareo.
Misaotra Tompokolahy.
Misaotra Tompokovavy.
- Tehaka - 15 - Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014 tamin’ny 10/07/2014
« relative aux sociétés commerciales à participation publique » Andriamatoa FILOHA
Fankasitrahana no setrin’ny teny nataonao teo, Andriamatoa Minisitra, koa dia noraisin’ny
Solombavambahoaka tamin’ny tehaka nirefodrefotra izany.
Izao isika, raha sitrakareo, hiroso amin’ny volavolan-dalàna fahatelo indray, fa rehefa avy eo
isika vao miala sasatra.
Koa miangavy anao am-panajana, Andriamatoa Mpampakateny, hiverina etỳ anoloana
indray, hitondra ny tatitra nataon’ny Vaomiera.
Volavolan-dalàna laharana faha-12/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014 « relative aux sociétés
commerciales à participation publique ».
- 16 - Famakiana ny tatitra Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomenjaka
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Nivory ny Zoma 1 Aogositra 2014 tamin’ny 4 ora sy 45 minitra, tolak’andro, ny Vaomieran’ny
Fitantanam-bola sy ny Tetibola, nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-012/2014
tamin’ny 10 Jolay 2014 « relative aux sociétés commerciales à participation publique ».
Andriamatoa RAZAFIMILY Constance, Filohan’ny Vaomiera, no nitarika ny fivoriana.
37
Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana,
Andriamatoa isany:
1 - RAZAFIMILY Constance
2 - RAVELONANOSY Mamy Tiana
3 - ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo
4 - RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka
5 - RANDRIANASOLO Jean Nicolas
Tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera tonga nanatrika ny fivoriana
Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
Tonga nisolo tena ny Governemanta
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
1 - RANDRIANTSARAFARA Voniniaina N.
2 - ANDRIATSIRIHASINA Tovohery
3 - RANAIVO Andrianantsaina Andry
4 - RANAIVOARISOA Riana Haja
5 - HERYMANN Charles
6 - RAKOTONDRAZAKA Zoly
7 - RANDRIAMANGAMALALA Herinirina
8 - RABEMANANJARA Hasina
9 - ANDRIANASOLO M. Eva
10 - RANDRIANASOLO Nandrasana S.A
DOF/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
CM/DGT/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
DBIFA/MFB
CM/DGT/MFB
Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamatoa Filoha, dia nomeny ny teknisiana ny
fitenenana mba hitondrany fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna.
Nitondra fialan-tsiny avy amin’Andriamatoa Minisitra sy ny Sekretera Jeneraly ary ny Tale
Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, Ramatoa Tale ao amin’ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny Tetibola, satria mbola misy adidy maika nosahanin’izy ireo.
Nambaran-dRamatoa Tale fa ity volavolan-dalàna ity dia hanafoana ny lalàna laharana faha67-007 tamin’ny 28 Jona 1967 momba ny petrabolam-bahoaka amin’ny fikambanam-barotra
tsy anavahana anarana sy ny fitsipi-pifehezana ny orinasam-piharian-karena iombonana.
Manaraka izany dia ato anatin’ity volavolan-dalàna ity avokoa ny petrabola ataon’ny
Fanjakana foibe na ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny antokon-draharahampanjakana.
Ny antony nanaovana ity volavolan-dalàna ity dia ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny
fomba fitantanana ny petrabolam-bahoaka rehetra.
Ny tanjona kendrena amin’izany dia:
• Ny hananana fikambanam-barotra mihodina tsara ho tombotsoam-pirenena sy ho
tombotsoan’ny mpiasa toy ny karama ara-dalàna, fiakaran’izany karama izany mba
hiakaran’ny fahefa-mividy sy tombotsoa ara-tsosialy ara-dalàna indrindra fa ny
fisotroan-dronono.
38
• Tsy hiteraka fatiantoka ho an’ny Fanjakana intsony toy ny fandoavana ny CNaPS sy
karama tsy voaefa, ny hetra tsy miditra, ny findramam-bola hanatanterahana ny
fisitahan’ny Fanjakana, ny vola isan-karazany nindramin’ny fikambanam-barotra
tamin’ny fanjakana nefa tsy voaveriny sns…
• Tsy hiteraka fatiantoka ho an’ny fikambanam-barotra hafa koa izay mety hisy
petrabolam-bahoaka (ohatra: Jirama) na tsia.
• Mba hahazoan’ny tompon’ny petrabola tombom-barotra kosa satria izay no antony
anaovana petrabola.
Tsy tokony hisy intsony ny atao hoe fikambanam-baro-panjakana na fikambanam-barotra
nasionaly sy ny orinasam-piharian-karena iombonana ho fanajana ny lalàna laharana faha2003-036 tamin’ny 30 Janoary 2004 momba ny fikambanam-barotra.
Tsy tokony hisy Minisitra na “commissaire de Gouvernement” intsony tendrena amin’ny
alàlan’ny didim-panjakana mba hanara-maso ny fikambanam-barotra misy petrabolambahoaka any amin’ireo fivoriambe ary ny fitsipi-pikambanana dia tsy azo atao didy intsony,
ohatra didy hitsivolana.
Ny didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny Ministeran’ny Vola sy ny fandaminana
ankapoben’io Ministera io dia manavaka mazava tsara ny Fanjakana tompon’ny petrabola
izay ankinina amin’ny Tahirim-bolam-panjakana mpitana ny taratasim-panamarinana ny
petrabola sy ny kaontim-bola mahakasika izany (ohatra ny fahazoana tombombarotra).
Ny Ministeran’ny Vola no mitondra ny petrabolam-panjakana ao amin’ny renivolan’ny
fikambanam-barotra sy mitantana ny petrabolam-panjakana ary izy no tompon-kevitra
amin’ny fanendrena ireo mpitantana ny fikambanam-barotra ananan’ny Fanjakana
petrabola be indrindra.
Voafaritra mazava tsara ao amin’ny andininy faha-8 sy faha-9 ny fiaraha-miasan’ny
Ministeran’ny Vola sy ny Ministera teknika.
Ny Ministera Teknika kosa izay mamolavola sy mampihatra ny politika ankapoben’ny
Governemanta amin’ny sehatrasa sahaniny dia tsy mahazo mitsabaka amin’ny fitantanana
ny fikambanam-barotra, fomba fanao nahazatra izay nahapotika ny fikambanam-barotra nisy
petrabolam-panjakana izany.
Raha mikasika ny fikambanam-barotra misy ny petrabolam-panjakana dia ny tahirim-bolampanjakana irery ihany no misolo tena ny Fanjakana any amin’ny fivoriambe.
Ireo fanontaniana napetraky ny mpivory:
1 - Ao amin’ny Volavolan-dalàna laharana faha-012/2014 sy ny laharana faha013/2014 dia misy resaka mikasika ny CTD nefa mbola tsy voadinika ny lalàna
mikasika azy ireo. Afaka miroso ve isika amin’izany?
2 - Inona no andraikitry ny Ministera mpiahy?
3 - Inona no antony nanovàna ity lalàna teo aloha ity?
39
4 - Ahoana raha tsy mifanaraka amin’ity lalàna ity ny lalàna efa misy amin’ireo
orinasa ireo?
5 - Inona avy ny asan’ny “Commissaires du Gouvernement” teo aloha?
Ireo valim-panontaniana nomen’ny teknisiana:
1 - Tsy tokony hanakana antsika ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity izany fa afaka
miroso amin’ny fandinihana isika.
2 - Tsy miditra amin’ny resaka fanendrena olona ao anatin’ny filankevim-pitantanana sy
ny fitantanana ara-bola ny ministera mpiahy fa ny fifandraisana no anjara asany
ohatra ny orinasa HASIMA dia ny fifandraisan’ny orinasa sy ny mpamboly no
andraikiny.
3 - Misy antony roa no nahatonga izany dia tsy mifanaraka intsony amin’ny toetr’andro,
ny fomba fanendrena ny olona hanara-maso ny orinasa tsy mazava ny andraikiny. Ny
tahirim-bolam-panjakana no misolo azy satria efa io no asany amin’izao fotoana.
4 - Ny fikambanam-barotra misy petrabolam-panjakana dia omena enimbolana
handrindra ny fitsipi-pikambanana amin’ity lalàna ity manomboka amin’ny
famoahana azy.
5 - Manana fahefana ambonin’ny “Conseil d’Administration” sy afaka manafoana ny
“Conseil d’Administration” koa izy, afaka miantso fivoriana ny “Conseil
d’Administration” ihany koa izy ary afaka manara-maso ny mpiara-miombon’antoka,
amin’izay dia tena tompon’ny orinasa izy ary ny fanjakana no tena tompon’ny
fanaraha-maso.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna ny mpivory.
Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana manapa-kevitra dia naato 30 minitra ny
fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antemierampirenena.
Nolanian’ny Vaomiera tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna ny
volavolan-dalàna laharana faha-012/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014 “relative aux sociétés
commerciales à participation publique” ka hoentina handraisana fanapahan-kevitra farany
eo anivon’ny fivoriambe.
Nifarana tamin’ny 6 ora, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa
Filoha.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
40
Andriamatoa FILOHA
Toa misy tsy mitehaka ny sasany, sa tsy faly tamin’ny tatitra nataon’ny Mpampakateny teo
ve.
Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izay tatitra izay.
Sao misy manana fanamarihana na fanitsiana momba ny tatitra novakiana tamintsika teo
isika Solombavambahoaka?
Tsy misy.
Mitodika aminareo ao amin’ny Governemanta indray: Andriamatoa Minisitra, sao manana
fanamarihana ianareo?
Tsy manana fanamarihana ihany koa, Andriamatoa Minisitra.
Noho izany, vita ny mikasika ny tatitra; mahazo miverina mipetraka ianao ary raisina amin’ny
tehaka mirefodrefotra izany.
- Tehaka Ankasitrahantsika ny asa nataon’ny Mpampakateny.
Amin’izao fotoana izao, omena fitenenana ianao, Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny
Tetibola, hanazavanao amin’ny Solombavambahoaka, ny antonanton’ity volavolan-dalàna
ity.
Omena anao am-panajana ny fitenenana.
- 17 - Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Filoha,
Ianareo Mambran’ny Birao Maharitra,
Isika Solombavambahoaka namana, hajaina.
Efa voalaza teo daholo amin’ny ankapobeny fa angamba zavatra telo no tiako hotsindriana,
aorian’izay dia fanehoana fohifohy fotsiny.
Tsara ny manamarika fa manerana izao tontolo izao, ny tahirim-bolam-panjakana no
tompon’andraikitra voalohany amin’ny fametrahana vola sy fitadiavana zanabola mba
ahafahana mampandeha ny raharaham-pirenena. Matetika moa amintsika Malagasy, ny
“trésor” izany dia “caissier”. Marina fa “caissier” izy, fa tsy “caissier” fotsiny, fa ny “trésor
public” no tena “expert financier” ho antsika eto Madagasikara.
Mba asiana tehaka kely raha tsy mahadiso antsika, Tompoko.
Izay ny iray.
- Tehaka -
41
Faharoa, efa nolazain’ny Mpampakateny teo ary isaorana azy, fa ny tanjona dia hoe: raha
ohatra misy fandraisan’ny Fanjakana fametrahana vola na « participation » amin’ny
« capital », tsara raha mba misy “rentabilité” marina izy ireny fa tsy lasa any amin’izay tsy
tokony halehany.
Fahatelo, tiako ny manambara aminareo fa efa nanao “communication” koa izahay tao
amin’ny “Conseil du Gouvernement” ary nametraka soso-kevitra ny avy amin’ny Tahirimbolam-panjakana, fa noho ny fahitana ny zavatra ratsy teo aloha dia nametraka izahay hoe
ny Lehiben’ny Andrimpanjakana, ny Minisitra, ireo olona ireo, tsy tokony ho « Président du
Conseil d’Administration de sociétés » mihitsy ary tafiditra ao anatin’izay koa ny
“Etablissements Publics Nationaux”.
Izay telo izay no tena zava-dehibe amin’ity, fa ny ambiny kosa, fanazavana fohifohy ihany.
Ny “motif de réforme” dia fanatsarana bebe kokoa ny “gestion de portefeuille” ho antsika
eto Madagasikara ary io no andraikitry ny “experts financiers” ao amin’ny “trésor” fa tsy
voatery hoe “caissier” fotsiny.
Efa nohazavain’Andriamatoa Mpampakateny teo hoe avahana tsara ny “Etat puissance
publique” sy ny “Etat actionnaire”. Tsara ny mametraka an’izay fa ny olana misy aminay
amin’izao fotoana izao anie, raha niavaka tsara izy io, tsy anjaranay ao amin’ny
Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola mihitsy no hanefa ny trosan’ny “pétrolier” ao amin’ny
JIRAMA. Izay no ohatra iray azo raisina ho antsika.
Eo ihany koa ny fandaminana ny asan’ny “actionnaire” ao anatin’ny « société ». Misy lalàna
andrindrana an’izay dia ny “loi-n°2003-036 droits communs sur les sociétés commerciales”.
Io tabilao manaraka io no maneho amintsika fa raha ny zava-misy, ny “société” izay misy ny
“Etat 100%” na “majoritairement” misy « participation de l’Etat », io « colonne » farany io
dia milaza fa 2% fotsiny no anjaran’ny « dividende » raha 100% ny “Etat”.
Raha « majoritairement » ny “Etat” ao dia 8% fotsiny, anefa jereo eo ambany eo
« minotairement » ny « Etat », izay ohatrantsika amin’ireny amin’ny « sociétés commerciales
pétrolières » ireny, toy ny JIRAMA, GALANA, TOTAL, hitanareo koa ny Banky, ny
« dividende »-ny dia 89%. Izay no mahatonga antsika hiezaka, mba ho tahaka izay no
fitantanana fa tsy sanatrian’izany miditra ny volam-panjakana, tsy misy zavatra azo akory ao
anatiny na mety ho fatiantoka aza no ho azo avy aminy.
Toa izao no endriky ny volavolan-dalàna:
Misy “22 articles” ka ny “Titre premier” dia ahitana ny “mise en cohérence”, araka ny
noresahako teo, eo amin’ny « sociétés commerciales » izany.
Ny « Titre II: de la représentation des actionnaires publics ».
Araka ny noresahako teo hoe: eran-tany, ny solotenan’ny Fanjakana dia ny « trésor public »,
izay ny “Directeur Général” no solotenany na izay olona « délégué » ao aminy izay ao
anatin’ny « direction générale du trésor » ihany.
Eo ihany koa ny « collectivités territoriales décentralisées » izay soloin’ny « Président de
l’organe exécutif » tena ary ho an’ny EPIC na ny « Etablissements Publics à Caractère
42
Industriel et Commercial » dia ny « Directeur Général » na ny « Directeur » arakaraky ny
« situation » misy azy.
Ny “Titre III”, mifandray amin’ny teo ihany.
Raha ny “Etat” no jerena, ny « sociétés soumises aux tutelles financière et technique, qui ont
l’initiative de budget de participation »; atao « par décret » amin’ny « Conseil des Ministres »
ny momba izany.
Raha eny anivon’ny « collectivité territoriale décentralisée » kosa, miainga any amin’ny
« Président de l’organe exécutif » ny « initiative » raisina.
Farany, ho an’ny « Etablissements Publics à Caractère Industriel et Commercial », ny
« initiative » dia miainga avy amin’ny « Directeur Général » na ny « Directeur ».
Ao amin’ny « Titre IV: de l’administration et direction de la société à participation
publique ».
Raha « société anonyme » ilay izy dia miaraka amin’ny « Administrateur Général », arakaraky
ny « nombre des actionnaires égal ou inférieur à trois ».
Raha « société anonyme avec conseil d’administration » dia tarihin’ny « Président du Conseil
d’Administration » miaraka amin’ny « Directeur Général » raha ohatra misy « participation
majoritaire »-n’ny Fanjakana, fa ny « Président Directeur Général » na « Président du Conseil
d’Administration » na « Directeur Général pour les Sociétés à participation minoritaire de
l’actionnaire publique ».
« Aucune nomination au niveau des conseils d’administration ne peut se faire par voie
réglementaire sous peine de nullité »; izany hoe tokony handeha « par décret » ny
fanendrena olona raha ny marimarina kokoa. Tsy tokony ho ny mambran’ny “Conseil
d’Administration” no manendry azy.
Ny “Titre V” farany, fanaovana “mise à jour”; izany hoe raha misy “société” tsy nanaraka
an’ity dia manana enim-bolana izy aorian’ny fivoahan’ny lalàna, raha lany soa aman-tsara ity,
hanaovany “regularisation” an’izay rehetra izay.
Izay, Andriamatoa Filoha, ianareo Solombavambahoaka, no fanambarana fohifohy mikasika
ity “projet de loi” farany ity, koa vonona ny hamaly ny fanontaniana avy aminareo aho
rehefa avy eo.
Misaotra Tompokolahy.
Misaotra Tompokovavy.
- Tehaka -
43
- 18 - Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’izany fanampim-panazavana narosonao teo
izany.
Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika amin’izao fotoana izao; koa izay handray
fitenenana, angatahana hanangan-tànana handraisana ny anarany.
Ny Solombavambahoaka RANDRIAMAHEFA Henri Charles, omena anao ny fitenenana.
Manaraka azy ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA Michelle.
Manaraka, ny Filoha Lefitra RAZAFINDRAVELO Hermann.
Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Mahakasika ny orinasa FANALAMANGA no andraisako fitenenana eto, satria raha mijery
an’ity volavolan-dalàna ity aho, tafiditra ao ny orinasam-panjakana izay “société anonyme”
izy io raha tsy diso aho ary rafitra “administrateur délégué général” izy teo aloha. Amin’izao
fotoana izao « Directeur Général par intérim » no ao, izany hoe misy volam-panjakana miasa
izany ao. Raha manaraka an’ity rafitra ity izany dia misy “Conseil d’Administration”, ka niova
ho “Directeur Général”.
Izao no fanontaniako: rehefa lany ve ity lalàna ity, satria efa nisy karazana « appel d’offres »
natao hanendrena Tale Jeneraly. Efa ela izy io kanefa hatramin’izao mbola tsy tonga ihany.
Efa nisy sivana maro natao, tsy fantatra hoe rahoviana marina no hampiharina.
Izay ny anankiray.
Eto amin’ny hoe tsy miditra amin’ny fanendrena olona ho ao anatin’ny Filankevimpitantanana sy ny fitantanana ara-bola ny Minisitera mpiahy. Ohatra ny « société
FANALAMANGA » io izao, ianareo ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola no “tutelle”
ao, « représenté par le Directeur Général du trésor ». Ohatran’ny tsy mety amiko raha
ianareo no hiala ao, lasa fifandraisana fotsiny. Izay no tsy mazava amiko. Tokony hiditra ao
mihitsy ianareo, mba hialana amin’ny gaboraraka mety hiseho amin’ny fitantanana sy ny
zavatra tsy mety rehetra ao. Izany hoe tokony ho ao ianareo, fa tsy resaka fifandraisana
fotsiny.
Izay no ohatran’ny tsy mazava amiko, koa tsara ny hanazavanareo mikasika an’io andininy io,
Andriamatoa Minisitra, satria io “société FANALAMANGA” io no mba “bois de rose”-nay.
Izahay tsy manana an’izany fa io no harem-pirenena lehibe any Moramanga. Mampidi-bola
be izy io na ny “résine” izany na ny resaka hazo. Izay no mahatonga anay ho “fier” amin’io,
ka saro-piaro amin’ny orinasanay any Moramanga io izahay.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
44
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena anao ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka RATSIVALAKA Michelle, ny
fitenenana.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Misaotra anao amin’ny fitehafanao, Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas.
Ny zavatra tiako lazaina, Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminy dia izao: amin’izao
fotoana izao amin’ny asanay ato amin’ny Antenimierampirenena, misy ny asa momba ny
“problème foncier”.
Momba ny SEIMAD no tiako resahana: mba mangataka izahay, Andriamatoa Minisitra, jereo,
avoahy ny « dossier » momba ny SEIMAD ao aminareo, satria ny 98% ao dia “action”-n’ny
fanjakana daholo, izany hoe ny 2% no mivarotra ny tanin’ny SEIMAD. Tsy eto Antananarivo
ihany, fa hatraiza hatraiza ary efa manao “enquête parlementaire” izahay izao, efa mandroso
ny fitadiavana ireo fizarana tany, fivarotana tany tsy an-drariny, ny fananan-tany tsy mazava.
“Problème foncier” izany, vao afak’omaly izahay no nanao “travaux de commission” mikasika
izay.
Koa mangataka izahay, mba avoahy ny “dossier”-n’ny SEIMAD satria ianareo no tompony,
“majoritaire” ao ianareo, kanefa ny tany hatramin’ny “parking” aza dia amidin’ny “Directeur
Général” daholo. Tsy azonay loatra izay zavatra izay.
Efa nijery tany amin’ny “domaine” izahay, efa nijery ny “certificat de situation juridique”n’ny tany rehetra izahay fa ohatran’ny tsy rariny loatra, satria antsika Malagasy, an’ny
Fanjakana ny SEIMAD anefa ny fivarotana ny tanin’ny SEIMAD tsy ara-drariny. Mangataka
izahay ny hanaovanareo an’izay ary mba omeonareo anay koa ny “résultat” sy ny “dossier”
any aminareo. Moa ve rehefa mivarotra tany, misy “accord” avy aminareo izay “majoritaire,
super majoritaire” mihitsy. Noho izany, tsy maintsy misy “accord” avy aminareo vao mahazo
mivarotra tany manerana an’i Madagasikara ny SEIMAD.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka,
Antenimierampirenena RAZAFINDRAVELO Hermann
Filoha
Lefitry
ny
Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa Minisitra sy ireo mpiara-dia aminy.
Misy an’ireo karazana “société anonyme avec Conseil d’Administration” ireo ato. Mba tiako
ho fantatra, Andriamatoa Minisitra, rehefa hoatran’io izy, inona no “critère” ahafahanareo
45
mametraka ny “entité” izay mandrafitra an’io “Conseil d’Administration” io? Izay no
fanontaniana voalohany.
Ny “statut”-n’izy ireny ve EPIC sa manana “statut particulier” ny orinasa tahak’ireny? Ao
anatin’izay koa ny manana “Administrateur Délégué” etsy ambony.
Farany, ohatran’ny an’ny SPAT ao Toamasina na ny “Société de Port Autonome de
Toamasina”, tsy fantatray ny momba an’io, fa mba manontany amin’ny maha
Solombavambahoaka avy any Toamasina anay, amin’ny maha Filoha Lefitry ny Faritanin’i
Toamasina anay. Misy “participation de l’Etat” ve ao anatin’io sa ahoana, fa raha ny
fahafantaranay azy toa “société d’Etat” ihany izy io.
Izay no fanontaniana, fa misaotra betsaka.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Raha sitrakao, Andriamatoa Minisitra, omena anao indray ny fitenenana.
Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean, Minisitry Vola sy ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra antsika amin’ilay fanontaniana teo.
Ho an’Andriamatoa Solombavambahoaka RANDRIAMAHEFA Henri Charles, misaotra anao
amin’ny hoe: saro-piaro amin’ny FANALAMANGA ianao fa izahay, indrindra ny Tale
Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, tao anatin’ny 3 taona izay efa mba niady mafy ny
hanatsarana azy io.
Ny ifandraisan’ireo fanontaniana telo ireo, raha mipetraka ity lalàna ity dia miroso amin’ny
fanarahan-dalàna, tena fanarahan-dalàna isika fa tsy “intérêt particulier” na “intérêt
politique” na “intérêt”-n’ny Minisitra na “intérêt”-n’ny “Chef d’Institution” no itondrana ny
orinasa izay ananan’ny Fanjakana malagasy petra-bola eto Madagasikara.
Ohatran’izay koa ny an’ny SPAT teo, satria raha vao lany ity lalàna ity dia hiroso amin’ny
fanendrena ny “Directeur Général de FANALAMANGA” isika. Fantatray tokoa ny olana nisy
tao hatramin’izay ary izahay dia anisan’ny saro-piaro tahaka anao koa amin’ny tombotsoa sy
ny lazan’ny FANALAMANGA izany.
Momba ny SEIMAD: voaray ny hafatrao, Ramatoa Solombavambahoaka, fa ny tena marina
raha mikasika ny SEIMAD sy ny SPAT, ifandraisan’ny Minisitera hafa ihany koa izy ireo, fa tsy
voatery hoe izahay irery ihany. Indraindray aza, misy olana ihany ato amin’ny Minisitera;
samy te-hitantana azy daholo na ny Minisiteran’ny “Finances” na ny Minisitera hafa.
Raha ny SEIMAD izao, ny tena marina, tokony hivantana any amin’ny Minisi-panjakana
miandraikitra ny “Infrastructures, de l’Equipement et de l’Aménagement” ny fanontaniana
teo.
Ny SPAT koa ohatran’izay ihany, Andriamatoa Filoha Lefitra. Ifandraisana amin’ny
Minisiteran’ny Fitaterana io, fa ny “Etat” dia “majoritaire” koa ao anatin’ny SPAT.
46
Izay no tena anton’ity lalàna ity, mba hi-“régulariser”-na ny “situations” rehetra,
hirosoantsika amin’ny ara-dalàna ary mba mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay ao
anatin’ny “société d’Etat”.
Ny “membre du Conseil d’Administration”, tahaka izay ihany koa. Raha tsorina, mba hialana
amin’ny hoe: misy namako tsy tafiditra ao, ovaina fotsiny ny “texte” dia ampidirina indray ny
namana. Izay no anisan’ny irosoantsika amin’ity lalàna ity.
Izay angamba raha valiana ireo fanontaniana nipetraka teo.
Misaotra antsika nametraka azy teo. Koa mba miangavy anareo mba handany azy.
Misaotra Tompokolahy.
Misaotra Tompokovavy.
- Tehaka Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Izany tehaka mirefodrefotra izany anie midika fa mbola hisy Solombavambahoaka handray
fitenenana.
Ramatoa MASY GOULAMALY Marie Jeanne d’Arc
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Miarahaba anareo mambran’ny Governemanta sy ny mpiara-miasa rehetra. Miarahaba ny
Solombavambahoaka rehetra.
Ny voan-dalana rehefa avy eo resahantsika.
Andriamatoa Minisitra, misy fanontaniana manitikitika ny saiko, satria araraotina ihany ny
fahitana anao eto; mikasika ny “GasyNet”.
Firy isan-jato no miditra any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ary firy isan-jato ihany koa
ny an’ny “GasyNet”, satria toa efa “privatisé” izy io, kanefa hoatran’ny hoe misy volantsika
ao aminy. Rehefa mijery izahay, lafo be mihitsy ny fanaovana “dédouanement” eto
amintsika raha ampitahaina amin’ny vidin’ny fiarakodia na vidin-javatra hafa tokony hovidina
avy any ivelany.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.
47
Andriamatoa RAZAFINDARAVONONA Jean, Minisitry ny Vola ny Tetibola
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Misaotra, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fanontaniana teo.
« Minoritaire » isika ao anatin’ny « GasyNet » ary 30% no antsika ao anatiny.
Ny fanamarihanao tamin’ny resaka fiarakodia teo, tsy tadidiko fa toa efa nisy “collectivité”nareo omaly nilaza an’izany hoe lafo loatra ny fanaovana “dédouanement de voiture” eto
amintsika, indrindra ho an’ny “classe moyenne”. Voaray izay ka hampitaina any amin’ny
“Directeur Général de Douane” rehefa avy eo.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra.
Mbola misy Solombavambahoaka handray fitenenana ve?
Tsy misy intsony, izany no dikan’izay fahanginana izay.
Misy manao satroka irỳ aoriana irỳ.
Andriamatoa VANOVASON Jean Adrien
Miala tsiny, Andriamatoa Filoha.
Ny fangatahanay, Andriamatoa Filoha, rehefa manao “vote”, raha tsy misy ny zavatra mety
hanaovana « réserve », mba ataovy miaraka ny « vote » fa aza atao « par article », amin’izay
mba malaky isika.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
- 19 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014
tamin’ny 10/07/2014 « relative aux sociétés commerciales à participation publique » Andriamatoa FILOHA
Mbola tsy nisy nitehaka teo. Ny dikan’izany dia misy “procédure”. Ny “procédure” tsy
maintsy arahantsika: alefa « par article » aloha avy eo « par chapitre ». Rehefa avy eo vao
atao amin’ny ankapobeny, sao tsy manara-dalàna ny zavatra ataontsika eto.
Koa satria tsy misy Solombavambahoaka manana fanontaniana na fanamarihana intsony, ka
hiroso amin’ny fijerena isan’andininy amin’ity « projet de loi n°012/2014 du 10 juillet 2014
relative aux sociétés commerciales à participation publique » isika.
48
Ahitana “Titres” miisa 5 ary misy andininy miisa 22 ity volavolan-dalàna ity.
« TITRE I: GENERALITES »
Ahitana andininy miisa 2: andininy voalohany sy faharoa, nolanian’ny Vaomiera tsy nasiampanovàna.
Izay manaiky, atsangano ny tànana.
- Solombavambahoaka miisa 78 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Lany izany iny andininy voalohany sy andininy faharoa ao amin’ny “Titre I” iny.
« TITRE II: DE LA REPRESENTATION DES ACTIONNAIRES PUBLICS ».
Ahitana andininy miisa 3: andininy faha-3 ka hatramin’ny andininy faha-5, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahakevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 76 no nanangan-tànana Atsangano izany ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Lany izany ny andininy faha-3 ka hatramin’ny andininy faha-5.
« TITRE III : DE L’ORGANISATION, DE LA CREATION, DE LA FUSION DES SOCIETES, DE LA PRISE
DE PARTICIPATION ».
Ahitana andininy miisa 8: ny andininy faha-6 ka hatramin’ny andininy faha-13, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
49
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahakevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 76 no nanangan-tànana Atsangano izany ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambarako fa lany ny “Titre III”.
« TITRE IV : DE L’ADMINISTRATION ET DIRECTION DE LA SOCIETE A PARTICIPATION
PUBLIQUE ».
Misy andininy miisa 5: andininy faha-14 ka hatramin’ny andininy faha-18, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 76 no nanangan-tànana Atsangano izany ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambarako fa lany ny andininy faha-14 ka hatramin’ny andinin’ny faha-18, ao anatin’ny “Titre
IV”.
“TITRE V: DISPOSITIONS FINALES”.
Ahitana andininy miisa 4: ny andininy faha-19 ka hatramin’ny andininy faha-22, nolanian’ny
Vaomiera tsy nasiam-panovàna.
Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny Vaomiera.
- Solombavambahoaka miisa 76 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy -
50
Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Vita izay ny fijerena ny isan’andininy.
Hitanao, Andriamatoa Solombavambahoaka, fa manaraka ny “procédure” isika kanefa
miroso hatrany.
Izao dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ankapobeny amin’ny “projet de loi
n°012/2014 du 10 Juillet 2014 relative aux sociétés commerciales à participation publique”
ity isika.
Koa miangavy antsika, atsangano ny tànan’izay mandany an’ity volavolan-dalàna ity.
- Solombavambahoaka miisa 76 no nanangan-tànana Atsangano ny tànan’izay mitsipaka.
- Tsy misy Atsangano ny tànan’izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambarako fa lany ny volavolan-dalàna laharana faha-012/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014
« relative aux sociétés commerciales à participation publique ».
- Tehaka Araka ny mahazatra, izay tsy hita ny maharatsy azy, taorian’ny fandaniana ny volavolandalàna, omena anao am-panajana indray ny fitenenana, Andriamatoa Minisitry ny Vola sy ny
Tetibola, sao misy teny tianao ambara.
Omena anao ny fitenenana, Tompoko.
Andriamatoa RAZAFINDARAVONONA Jean, Minisitry ny Vola sy ny Tetibola
Misaotra Tompoko, nanome ny fitenenana.
Andriamatoa Filoha, faly izahay fa nahavita dingana lehibe isika eto Madagasikara amin’ny
fametrahana fitondrana tan-dalàna amin’ny fitantanana ny volam-panjakana, ny volambahoaka eto Madagasikara ary heverinay fa manana ny maha izy azy i Madagasika manana
anareo Solombavambahoaka izay mankato sy manamafy ny fitondrana tsara tantana.
Misaotra Tompokolahy.
Misaotra Tompokovavy.
51
- 20 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fandaharam-potoana Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, fa tena nankasitrahan’ny Solombavambahoaka tokoa
ny fandraisana fitenenana nataonao teo.
Tompokolahy sy Tompokovavy Solombavambahoaka hajaina isany; alohan’ny hiatoan’ny
fivoriana dia tiako ny mampahafantatra antsika fa anio tolak’andro, mbola hisy fivoriambe
handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha009/2014 tamin’ny 10 Jolay 2014 “modifiant et complétant certaines dispositions de la loi
n°2003-038 du 03 Septembre 2004 sur le fonds de commerce”. Raha ny fandaharampotoanantsika anefa amin’ny 5 ora, hariva, no tokony hanaovana azy io; ny andro anefa
ririnina ka vetivety dia milentika ny masoandro; koa raha sitrakareo dia hanolotra sosokevitra aho: arosontsika amin’ny 4 ora, tolak’andro, ny fandaharam-potoana raha mety.
- Tabataba Raha ekenareo dia harosontsika amin’ny 4 ora, tolak’andro, izany. Tsy ekena?
Atsangano ny tànan’izay manaiky.
Amin’ny firy no mety, amin’ny telo ora?
Azafady, aza miaraka miteny isika fa rehefa misy fanontaniana mipetraka, mba misy
mandray fitenenana.
Atsangano ny tànan’izay mahalany fa ataontsika amin’ny 3 ora, tolak’andro.
- Solombavambahoaka miisa 27 no nanangan-tànana Azafady, misy manao satroka anankiroa.
Ramatoa Solombavambahoaka RATSIVALAKA Michelle.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Azafady, Andriamatoa Filoha.
Volavolan-dalàna laharana faha-11, 12 ary faha-13 no nataontsika androany. Ny volavolandalàna laharana faha-12 izay tokony hataontsika ny Alakamisy anefa vitantsika androany.
Koa maninona raha atao amin’ny Alakamisy ny volavolan-dalàna laharana faha-09 satria efa
vitantsika daholo anie ireo telo tokony hatao.
52
Andriamatoa FILOHA
Omen-dalana ianareo avy ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Tetibola ary omena
fisaorana.
- Tehaka Izany tehaka mirefodrefotra izany, Andriamatoa Minisitra sy ianareo teknisiana dia
manambara ny hafalian’ny Solombavambahoaka nandray anareo teto androany.
Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle
Atao ny Alakamisy, satria isika efa nahavita ny zavatra tokony hataontsika; ny volavolandalàna laharana faha-012 efa natao androany.
Andriamatoa FILOHA
Azafady, mahazoa toerana ianareo Solombavambahoaka namana hajaina, handraisantsika
fanapahan-kevitra.
Misy hevitra roa niseho teo, misy manao hoe: aleo atao rahampitso; misy ny sasany milaza
hoe atao androany.
Iza no mahalany fa ataontsika androany.
Azafady mba mandraisa toerana ianareo Solombavambahoaka handraisantsika fanapahankevitra haingakaingana.
Iza no mahalany fa harosontsika androany izany?
Rehefa avy eo isika mandinika ny fotoana indray.
- Solombavambahoaka miisa 29 no nanangan-tànana Iza no milaza fa hatao rahampitso maraina?
- Solombavambahoaka miisa 24 no nanangan-tànana Hiroso androany izany isika, amin’ny firy no hanaovantsika azy androany. Ora no
tenenintsika fa tsy avy misakafo izany. Amin’ny 3 ora, satria amin’ny 1 ora sy sasany anie
izao.
Iza ary no mahalany fa hatao amin’ny 2 ora, kanefa tsy maintsy ampandrenesina aloha ny
Minisitry ny Varotra.
Iza no milaza fa atao amin’ny 3 ora, tolak’andro.
- Solombavambahoaka miisa 30 no nanangan-tànana -
53
-2t- Fiatoan'ny
- -'
fivoriana
AndriamatoaFILOHA
Arosoamin'ny3 ora, tolak'andro
ity
an'ity volavolan-dalàna
, izanyny fivorianamahakasika
androanyary mbola manaingaam-panajanasy am-pitiavana,
mba tokony ho tonga maro
isikahandinikasy handanyan'ityvolavolan-dalàna
,,:.',
ity.
Miraryantsikarehetrahazotohomanaaryhifankahita
indrayrehefaav:ieo.
Misaotra
Tompokolahy.
Mankasitraka
Tompokovavy.
- Lakolosy
Niatotamin'nyL ora sy 30 minitra,atoandro,ny fivoriana.
FIZAHAN-TAKELAKA
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ………………………………………………………………………………………………… 01
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 01
- Fiantsoana anarana ……………………………………………………………………………………………………. 02
- Teny nataon-dRamatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine …………………… 02
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 02
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas ………………………………………… 03
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014
izay mifehy ny trosam-panjakana sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka …………….. 03
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 03
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 04
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka Pierrot ……. 04
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ………………………………………………………………………. 06
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 06
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 06
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 07
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 08
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 08
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 08
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 08
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 11
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 11
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance …………………………………………………….. 11
- Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah …………………………………………………………… 12
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 13
- Teny nataon’Andriamatoa LEVAO Nitadiavina ……………………………………………………………. 13
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ………………………………………. 13
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas …………………………………………. 13
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 14
- Teny nataon’Andriamatoa VELONTSARA Paul Bert …………………………………………………….. 14
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 14
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 15
- Teny nataon’Andriamatoa IJO ……………………………………………………………………………………. 15
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana
faha-011/2014 tamin’ny 10/07/2014 izay mifehy ny trosam-panjakana
sy ny trosa izay omen’ny Fanjakana antoka ………………………………………………………………….. 15
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry Vola sy ny Tetibola ………………………………………………………………………………………… 21
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014 tamin’ny 10/07/2014
mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna ara-bola,
ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana …………………… 21
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 21
- Famakiana ny tatitra …………………………………………………………………………………………………. 22
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomezanjaka ……………….. 22
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ……………………………………………………………………….. 24
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 24
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola …………………………………………………………………………………… 24
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 25
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 25
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 27
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 27
- Teny nataon-dRamatoa RAFENOMANANTSOA Tsirimaharo Ny Aina …………………………. 27
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 27
- Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah …………………………………………………………… 28
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 28
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 28
- Teny nataon’Andriamatoa REMI dit DJAO Jean …………………………………………………………. 29
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 29
- Teny nataon’Andriamatoa HOUSSEN Abdallah ………………………………………………………….. 29
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 30
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina …………………………… 30
- Teny nataon-dRamatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona ………………………………… 30
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 31
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 31
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 32
- Teny nataon’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc ………………………………………………………….. 32
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 32
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-013/2014
tamin’ny 10/07/2014 mamaritra ny fombafomba ampiharina amin’ny fandikan-dalàna
ara-bola, ara-tetibola ary ny fitanana an-tsoratra ny fitantanam-bolam-panjakana ……… 33
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 33
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRANOVONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 36
- Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014 tamin’ny 10/07/2014
« relative aux sociétés commerciales à participation publique » ………………………………….. 36
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ……………………………………………………………………………… 36
- Famakiana ny tatitra ………………………………………………………………………………………………….. 36
- Teny nataon’Andriamatoa RANAIVOSON Andrianavalona Fanomenjaka …………………… 36
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 40
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna …………………………………………………. 40
- Teny nataon’Andriamatoa RAKOTONDRAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola ……………………………………………………………………………………. 40
- Adihevitra ankapobeny ………………………………………………………………………………………………. 43
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 43
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ……………………………………… 43
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 44
- Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ………………… 44
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann ……………………………………………. 44
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 45
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDRAVONONA Jean,
Minisitry Vola sy ny Tetibola ………………………………………………………………………………………… 45
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 46
- Teny nataon-dRamatoa MASY GOULAMALY Marie Jeanne d’Arc ……………………………… 46
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDARAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola ny Tetibola ………………….……………………………………………………………………. 47
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 47
- Teny nataon’Andriamatoa VANOVASON Jean Adrien …………………………………………………. 47
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-12/2014
tamin’ny 10/07/2014 « relative aux sociétés commerciales à participation publique » … 47
- Teny nataon’Andriamatoa RAZAFINDARAVONONA Jean,
Minisitry ny Vola sy ny Tetibola …………………………………………………………………………………… 50
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fandaharam-potoana ……………………………. 51
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 51
- Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ……………….. 51
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 52
- Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle ………………… 52
- Teny nataon’Andriamatoa FILOHA …………………………………………………………………………….. 53
- Fiatoan’ny fivoriana …………………………………………………………………………………………………… 53