toriteny-fpma-melun

Transcription

toriteny-fpma-melun
« Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra » - Mat 3 :2
Herinandro vitsivitsy mialohan’ny Noely na ny Krismasy, dia entin’Andriamanitra miaraka mankany
an’efitra isika, mba handre ny hafatr’ilay Mpialoha làlana, dia fanasàna vaovao antsika mba hibebaka. Toa
an’i Marka sy Lioka, dia manomboka ny fitantaràny ny fiainan’I Jesosy miseho vahoaka i Matio amin’ny
famaritana ny fanompoana na ny ministère n’i Jaona Mpanao Batisa. « Ary tamin’izany andro izany dia
niseho Jaona Mpanao-batisa, nitory tany anefitr’i Jodia nanao hoe : mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny
fanjakan’ny lanitra » !
Tsotra ny hafatr’i Jaona Mpanao-batisa : « Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra ».
A – Ny fibebahana.
Inona moa no atao hoe fibebahana, ry havana ? Rehefa miteny Jaona hoe: “mibebaha ianareo”, inona no
dikan’izany ho an’ireo mponina tao Jerosalema, ho an’ireo mponina eran’I Jodia ireo firenena
manamorona an’I Jordana?
Ny fototra ny hoe “mibebaha ianareo” dia midika hoe: miovà hevitra, ovay ny fomba fisainana, mialà
amin’ny…, na ilaozy ny…. Ny fibebahana ao amin’ny Baiboly mandrakariva dia noho ny antony arapahotàna, dia ny fahotàna izay manohitra an’Andriamanitra. Ka izay tian’I Jaona hambara izany dia hoe:
“mialà amin’ny fahotanareo manohitra an’Andriamanitra”. Azo ampiana hoe: raha tokony hiala amin’ny
zavatra iray dia tsy maintsy mtodika amin’ny zavatra iray hafa. Ilaozana ny fahotana ka mandeha lalan-kafa
mihitsy. Ny hoe “mibebaha ianareo” izany, midika hoe: “mialà amin’ny fahotanareo ka mitodiha
amin’Andriamanitra”. Miseho amin’ny endrika telo ny fibebahana: endrika ara-tsaina, endrika arapihetseham-po, ary endrika ara-piniavana – izay miresaka momba ny finiavantsika.
1 - Alohan’ny ahafahantsika miala amin’ny fahotantsika dia tsy maintsy manaiky isika fa efa nanota.
Fantaro fa misy zavatra sasantsasany tamin’ny alàlan’ny asa, t@ ny eritreritra, t@ ny fiteny nataontsika
izay fahotàna amin’Andriamanitra; araka ny vavaka fifonana fanao ao amin’ny Fiangonana Loterana
Malagasy: “Nanota taminao tamin’ny hevitra sy ny teny ary ny asa izahay”. Tsy maintsy tazonina ny
fahamarinan’izany. Tsy fibebahana ny fahatakarana fotsiny ny fahotantsika. Afaka mahatakatra izay
nataontsika isika kanefa tsy mieritreritra izay olana na vokatra haterany.
2 - Mitana ny anjara asany ny endrika ara-pihetseham-po raha voaporofo ny zava-misy. Misy “reaction”,
horohoro vokatry ny nataontsika, ary manohina ny fo izany. Kanefa na dia misy aza izany dia mbola tsy
fibebahana izany. Mety ho tsapatsika hatrany anatintsika fa nanao ratsy isika, nanafintohina
an’Andriamanitra isika, kanefa fihetseham-po avy amin’ny tahotra ihany izany – inona no hanjo ahy….afabaràka aho.
Mety malahelo mihitsy aza isika noho ny fahotantsika. Ny Baiboly dia miresaka io alahelo io ao amin’ny 2
Korintiana 7:10 “Fa ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana;
1
fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao”. Ny alahelon’izao tontolo izao izay resahin’I
Paoly dia mijanona ho alahelo. Eo ny nenina, alahelo…fa tsy manova na inona na inona. Fa mila endrika
fahatelo isika hamenoana ny làlana mankany amin’ny fibebahana marina: endrika araka ny finiavantsika.
3 – Afaka mahatakatra ny fahotantsika isika, ary afaka mahatsapa koa ny lanja sy ny vokatry ny
fahotantsika… kanefa raha mijanona amin’izany isika dia tsy misy tombony ho antsika izany. Mila manampiniavana handà ny fahotàntsika sy maniry fiovana isika. Tokony hihetsika, hanao zavatra isika hialàna
amin’ny fahotàna sy hiainana amin’ny fomba hafa.
Ny tokony hatao dia azo fintinana amin’ny teny anakiroa: “mibebaha ianareo”. Kanefa Jaona dia manome
anton’ny tokony hibebahana ihany koa: “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.
B- Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra
Manolotra fotoana mety ahafahantsika manaraka ny sitrapon’Andriamanitra I Jaona Mpanao-batisa
alohan’ny hahatongavany hitsara izao tontolo izao ka Izy tenany no handray an-tànana ny zava-drehetra.
Ny anarana hoe “Jaona” dia midika hoe: “mamindra fo Andriamanitra”, ary ny hafatra nentin’I Jaona dia
mampiseho ny famindrampon’Andriamanitra. Fa ankoatr’izay dia hafatra mifono fampitandremana ihany
koa. Ho avy ny fitsaràna kanefa afaka miala amin’izany ianareo raha mibebaka amin’izao fotoana izao. Tsy
misy ny zavatra tsy ampoizina ka hisy olona hilaza hoe “tsy nahalala an’izany aho….” (efa niteny I Jaona). Ny
hafatr’I Jaona sy ny fahatongavan’I Jesosy dia mampiseho mazava fa mbola manana fotoana isika, kanefa
fotoana voafetra, mba handaminantsika ny momba antsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Hafatra mahagaga, ho an’ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena, ka mitady mpamonjy mba handringana ny
Romana ary hanafaka azy tamin’ny fampahoriana no nentin’I Jaona. Nambaran’I Jaona tamin’Isiraely fa
manomboka eo amin’izy ireo ny fanjakana vaovao. Hoy izy: “ Ianareo, tokony hiova ianareo”. Fa ny hafatr’I
Jaona momba ny fiovam-piainana dia tsy nahasakana ny olona tsy ho avy. Tonga izy ireo mba hiaiky ny
fahotany sy handray ny batisan’I Jaona.
Fa tsy olona teny amoron-dàlana ihany no tonga nijery an’I Jaona tany an’efitra. Mba nandeha tany koa
ireo mpitondra fivavahana, fa nanao teny mahery vaika ho azy ireo Jaona: “ Ry taranaky ny menaràna, iza
no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?. Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana
ianareo; ary aza manao anankampo hoe: manana an’I Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa
Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’I Abrahama avy amin’ireto vato ireto”.
Raha ny “fibebahana” no votoatin’ny hafatra nentin’I Jaona, fiovam-piainana kosa no tokony ho vokatry ny
hafany. “Ny fahatezerana ho avy” nambaran’I Jaona dia tsy inona fa ny fitsaran’Andriamanitra. Hitantsika
lavidavitra any amin’ny Filazantsara fa Jesosy dia hitsara ireo mpitondra fivavahana amin’ny fampiasana
teny mitovitovy amin’izay nambaran’I Jaona (Ohatr: mpihatsaravelatsihy). Mariky ny tsy fankasitrahana ny
miantso olona hoe “menarana”. Raha ny marina izany dia ny menarana no ratsy indrindra amin’ny biby
rehetra, ilay biby nozonin’Andriamanitra, ka ny fampiasana ny teny hoe menaràna dia ilazana izay rehetra
ratsy.
2
Mahery vaika izay nambaran’I Jaona. Fa maninona izy no miseho ho tsy mahalala fomba? Satria ireo
mpitondra fivavahana tamin’izany fotoana izany dia mpihatsaravelatsihy. Miseho ho mpivavaka, miseho ho
masina, miseho ho tsy manantsiny, kanefa tsy izany akory. Natao ho saron-tava fotsiny ireo mba hampiaiky
volana ireo izay mijery azy ireo. Manohina ny fototry ny olana ny tenin’I Jaona: “Mamoaza voa mendriky ny
fibebahana”.
Tena niombon-kevitra amin’I Jaona ireo mpitondra fivavahana ireo. Ilaina tokoa ny manao zavatra. Saingy
ny hafa no tokony hanao izany fa tsy ry zareo… satria tsy nanana olana teo aminy tokony hanaovany izany
ry zareo. Izany no olana. Nino Ireo mpitondra fivavahana fa tsy ilaina ny miaina fiainana mendrika eo
anatrehan’Andriamanitra satria efa zanak’I Abrahama izy ireo. Efa ao anatin’ny fianakaviana izy ireo, ary ho
azy ireo, dia tsy ny fihetsiny no heverina ho zava-dehibe (tsy mi-compte). Fa mahita mazava I Jaona. Hoy izy
… “Tsy midika na inona na inona, izay maha-izy anareo, izay firehan-kevitra hijoroanareo, izay rohy
mampifamatotra anareo”. Ny fariseo sy ireo sadoseo mantsy dia nitondra ny maha-mpikambana azy ireo
amin’ny firenena Israely ho toy ny famantarana, toy ny passipaoro, toy ny visa izay milaza hoe “Olona ho
an’ny lanitra”. Tsy mi-compte izany rehetra izany hoy Jaona.
Eto dia misy lesona ho antsika mpivavaka, ry Havana. Inona no mba famantarantsika, ny pasipaorontsika,
ny visa-ntsika ao amin’ny fiangonana? Mety ho zavatra betsaka izany : ny fahelàna tao amin’ny fiangonana,
ny fototra maha-kristiana ela, toy ny fananana ray aman-dreny na razam-be kristianina; ny fahalalana lalina
ny baiboly; ny fifandraisan’ny fianakaviana; ny toerana sy andraikitra raisina ao amin’ny fiangonana; ny
isan’ireo fivoriana izay natrehana, ny asa natao. Tsy midika ninoninona ireny rehetra ireny raha manamafy
fontsika isika ka tsy misy nenina na fibebahana noho ny ota. Ary tsy mahavonjy antsika ireo karazana
famantarana rehetra ireo. Titres daholo izany fa tsy mitondra amin’ny famonjena..
Andriamanitra dia mitady ireo izay mibebaka ary avy eo manohy miaina amin’ny fiainam-pibebahana.
Izany tsy midika hoe mitondra akanjo fisaonana, tsy midika izany hoe manao endrika mampalahelo toy
ireny nivoaham-paty ireny. Fa ny dikan’izany kosa dia hoe tsy manota toy ny fanao teo aloha intsony.
Miaina amin’ny fomba hafa mihitsy. Fototra izany ary tokony ho fototra mihitsy satria ny fahotana dia
olana lehibe izay ilana firotsahana an-tsehatra ifotony mihitsy.
Ny zava-dehibe tokoa ny asa fa,ompoan’I Jaona Mpanao-batisa, ry Havana, nefa Jaona , izy tenany no
milaza fa Ilay ho avy dia mbola lehibe lavitra noho izy. Jaona dia lehilahy nanetri-tena. Ny kendren’ny asa
fanompoany dia tanjona tokana dia hampiseho, hampahafantatra an’I Jesosy. Tsy diso hevitra I Jaona. Tsy
nampiseho fotsiny sarin’I Jesosy malemy sy tsara fanahy izy. Ny nasehony dia Jesosy ilay Mpanjaka
mpandresy, Jesosy ilay Mpitsara mandresy izay manome ny famonjena amin’ny fotoana voafetra. Araka ny
fahitan’I Jaona azy, ny fihavian’I Jesosy fanindroany dia tsy mitovy tamin’ny fahatongavany voalohany. Ny
amin’ny mololo sy ny voambary dia manome antsika sary izay miverina im-betsaka ao amin’ny
fampianaran’I Jesosy. Izany sary izany dia mampiseho ny fisarahana mandrakizay ho an’ireo izay mihaino sy
manao ho zava-dehibe ny hafatra sy ireo minia tsy te-hahalala izany. Ny fanjakan’ny lanitra izay akaiky, izay
efa misy ao am-pon’ireo kristiana an-tapitrisany, no ho tonga, ary amin’izay fotoana izay, tsy ilaina intsony
ny hafatra na ny toriteny satria efa tontosa ny zava-drehetra.
3
Ho famaranana ary dia mieritreritra aho amin’ny tokony hataontsika amin’ity hafatr’I Jaona ity amin’ny
maha-Fiangonana antsika. Ho an’ny Fiangonana, sy ho antsika tsirairay, ny hafatra izay nambaran’I Jaona
dia mampatsiahy antsika fa maika ny fitoriana ny Filazantsara. Ny hafatra hoe “mibebaha ianareo” dia
amin’ny fotoana voafetra ihany ka aorian’izay mety tsy famonjena homena intsony. Marina fa tsy
fatantsika ny daty raikitran’Andriamanitra, kanefa izany tsy midika fa afaka mionona amin’ny voninahitra
efa azo isika, tsy mandrimandry manana aretina. Tsy fotoana hilazana izao hoe: “mbola manana fotoana
hitoriana ny filazantsara izahay, mba hilazanay ny momba an’I Jesosy. Hataonay rahampitso izany”.
Tandremo fa mety ho tara loatra ny ampitso na ny andro manaraka an! Amena.
Toriteny alahady 04 desambra 2016
Pasteur Roger RAFANOMEZANTSOA
4
Convertissez-vous, car le Règne des cieux est là - Matthieu 3:2
A quelques semaines de Noël, Dieu nous ramène ensemble au désert, pour y entendre l’appel du
Précurseur, une nouvelle invitation à nous convertir. Comme Marc et Luc, Matthieu commence son récit
de la vie publique de Jésus en décrivant le ministère de Jean le « Baptiseur ». « En ces jours-là paraît Jean le
Baptiste, qui proclame dans le désert de Judée : « Convertissez-vous, car le Règne des cieux est proche » !
Le message de Jean Baptiste était simple: "Repentez-vous, car le royaume des cieux est proche."
A - La repentance
Qu'est-ce que la repentance? Quand Jean dit "repentez-vous" que veut-il dire aux habitants de Jérusalem,
de toute la Judée et de tout le pays qui borde le Jourdain?
A la base "repentez-vous" veut dire "changez d'avis", "changez votre façon de penser", "détournez-vous
de...". La repentance dans la Bible a toujours comme objet le péché, le péché contre Dieu. Ce que Jean dit
en effet c'est "détournez-vous de votre péché contre Dieu." On peut ajouter que, si on doit se détourner
de quelque chose, il faut se tourner vers quelque chose d'autre. On tourne le dos au péché et va dans une
autre direction. "Repentez-vous" donc c'est "Détournez-vous de votre péché et tournez-vous vers Dieu». Il
y a trois aspects à cette repentance: Un aspect intellectuel, un aspect émotionnel et un aspect volition - ce
qui parle de notre volonté.
1 - Avant de pouvoir nous détourner de notre péché il faut reconnaître que nous avons péché. Il faut
comprendre qu'il y a certaines choses - des actes, des pensées, des paroles - que nous faisons que Dieu
appelle "péché" ; selon la prière de repentance dans l’Eglise Luthérienne malgache : « Nous avons péché
contre toi par nos pensées, paroles et actes ». Il faut saisir cette vérité. Mais simplement comprendre
notre péché, cela, ce n'est pas de la repentance. Nous pouvons bien comprendre ce que nous faisons sans
croire que cela pose un problème pour autant.
2 - L'aspect émotionnel joue son rôle quand les faits sont avérés. Il y a une réaction, une horreur de ce que
nous avons fait, cela touche à notre cœur. Mais même cela ce n'est pas de la repentance. Nous pouvons
bien sentir dans nos tripes que nous avons faites du mal, que nous avons offensé Dieu, mais ce sentiment
peut venir simplement de la peur - qu'est ce qui va m'arriver... je suis dévoilé.
Nous pouvons même être tristes à cause de notre péché. La Bible parle de cette tristesse dans 2
Corinthiens 7:10 "En effet, la tristesse selon Dieu produit une repentance à salut dont on ne se repent
jamais, tandis que la tristesse du monde produit la mort." La tristesse du monde dont Paul parle ne reste
que de la tristesse. C'est du regret, du chagrin... mais rien n'est résolu. Il nous faut un troisième aspect
pour compléter le chemin vers la vraie repentance: l'aspect de notre volonté.
5
3 - Nous pouvons comprendre notre péché, nous pouvons sentir le poids et l'effet de notre péché... mais si
nous restons ainsi, nous ne gagnerons rien. Il nous faut un acte de la volonté pour rejeter notre péché et
pour vouloir changer. Nous devons agir, faire quelque chose - tourner le dos au péché et vivre autrement.
Tout cela est compris en deux mots "repentez-vous". Mais Jean donne aussi une raison pour se repentir:
"Le royaume des cieux est proche."
B - Le royaume est proche
Jean offre l'opportunité de nous mettre en règle avec Dieu avant qu'il ne vienne pour juger le monde et
pour régler les choses lui-même. Le nom 'Jean' signifie "Dieu est miséricordieux" et le message que Jean
apporte montre la miséricorde de Dieu. Encore, le message de Jean est un avertissement. Le jugement va
venir mais vous pouvez y échapper si vous vous repentez maintenant. Il n'y aura aucune surprise, personne
ne peut dire "je ne le savais pas..." Le message de Jean et la venue de Jésus nous montrent clairement que
nous avons du temps, un temps quand même limité, pour nous mettre en ordre avec Dieu.
Pour un peuple opprimé, qui cherchait un sauveur qui détruira les romains et qui les délivrera de
l'oppression, c'était un message étonnant. Jean dit à Israël que le nouveau royaume commence chez eux. Il
dit "Vous, vous devez changer". Mais le message étonnant de Jean de changer de vie n'a pas empêché les
gens de venir. Ils sont venus confesser leur péché et recevoir le baptême de Jean.
Mais ce n'était pas seulement "l'homme de la rue" qui est allé voir Jean dans le désert. Les chefs religieux
sont allés aussi, et Jean réserve pour eux ses paroles les plus féroces : "Races de vipères, qui vous a appris à
fuir la colère à venir? Produisez donc du fruit digne de la repentance, et ne prétendez pas dire en vousmêmes: Nous avons Abraham pour père! Car je vous déclare que de ces pierres-ci Dieu peut susciter des
enfants à Abraham."
Si le cœur du message de Jean est la repentance, la conséquence de son message doit être un changement
de vie. La colère à venir dont Jean parle, c'est le jugement dernier de Dieu. Nous voyons plus loin dans les
évangiles que Jésus jugera les chefs religieux dans les mêmes termes. Appeler quelqu'un "vipère" n'était
pas un compliment. En fait c'est dire qu'il est le pire de tous les animaux, l'animal maudit par Dieu,
synonyme de tout ce qui est mauvais.
Ce que Jean dit est assez fort. Pourquoi être si impoli? C'est parce que les chefs religieux de l'époque
étaient hypocrites. Ils prétendaient avoir la piété, ils prétendaient être saints, irréprochables mais ils ne
l'étaient pas. Ce n'était qu'un masque fait pour impressionner ceux qui les regardaient. Les paroles de Jean
touchent au cœur du problème : "Produisez donc du fruit digne de la repentance".
Les chefs religieux auraient été tout-à fait d'accord avec Jean. Il fallait faire quelque chose! Mais c'était
pour les autres, non pas pour eux ... il n'y avait pas de problème chez eux. Et ça c'est le problème. Les chefs
religieux croyaient qu'ils n'avaient pas besoin de vivre une vie correcte devant Dieu parce qu'ils étaient
déjà enfants d'Abraham. Ils faisaient déjà partie de la famille et, pour eux, leur comportement ne comptait
6
pour rien. Mais Jean voit clair. Il dit "Ce que vous êtes, vos positions, vos liens, votre histoire ne compte
pour rien." Les pharisiens et les sadducéens portaient leur affiliation à la nation d'Israël comme un insigne,
comme un passeport, un visa qui disait "Une personne pour le ciel."
Et il y a une leçon ici pour nous, les religieux. Quel est notre insigne, notre passeport, notre visa dans
l'église? Cela peut être beaucoup de choses: L'ancienneté - les années dans l'église ; un arrière-plan
chrétien de longue date - des parents chrétiens, des grands-parents chrétiens, une connaissance profonde
de la bible. Les connections familiales ; la position tenue dans l'église ; le nombre de réunions auxquelles
nous avons assistés ; les services rendus. Ces choses ne comptent pour rien si notre cœur est dur et sans
remords. Et en plus, ces choses ne nous sauvent pas.
Dieu cherche ceux qui se repentent et puis qui vont vivre une vie de repentance. Cela ne veut pas dire
porter des vêtements de deuil, cela ne veut pas dire avoir un air sombre et morne. Cela veut dire ne
péchez plus comme avant. Vivre autrement. C'est radical, cela doit être radical parce que le péché est un
problème grave qui demande une intervention radicale.
Le ministère de Jean était très important mais Jean, lui-même, a dit que celui qui viendrait était plus grand,
plus important. Jean était un homme très humble. Son ministère n'avait qu'un seul but pour finir - montrer
Jésus. Mais Jean ne se trompe pas. Il ne présente pas seulement l'image d'un Jésus doux et gentil. Il nous
présente Jésus le roi vainqueur, Jésus le juge triomphant qui offre le salut pour un temps limité. Le
deuxième avènement de Jésus que Jean avait dans sa vision ne sera pas comme le premier. La paille et le
grain de blé nous donnent une image qui reviendra à plusieurs reprises dans l'enseignement de Jésus.
L'image c'est de la séparation éternelle entre ceux qui écoutent et tiennent compte du message et ceux qui
l'ignorent. Le royaume qui est proche, qui existe déjà dans le cœur de milliards de chrétiens, va arriver et à
ce moment-là le message ne sera plus annoncé car tout sera accompli.
Pour terminer, je réfléchissais à ce que nous devons faire avec ce message de Jean en tant qu'église. Pour
l'église, aussi bien qu'en tant qu'individus, le message que Jean proclame nous rappelle qu'il nous faut une
certaine urgence dans l'évangélisation. Le message, "Repentez-vous", à une date limite après laquelle le
salut ne sera plus offert. Il est vrai que nous ne connaissons pas la date que Dieu a fixée, mais cela ne veut
pas dire que nous pouvons nous endormir sur nos lauriers. Ce n'est pas le moment de dire: "Nous avons
encore le temps pour évangéliser, pour parler de Jésus. Nous le ferons demain". Fais attention, demain, ou
le jour après sera peut-être trop tard. Amen !
Prédication dimanche 04 décembre 2016
Pasteur Roger RAFANOMEZANTSOA
7

Documents pareils