PV 99

Transcription

PV 99
1
FIVORIAMBE
FILOHA : Andriamatoa RAKOTOARIVELO Mamy
MPITANTSORATRA : Andriamatoa isany :
- HENRI Jean Michel
- RAMAHEFASOA Barbin
FOTOANA : Talata 30 Oktobra 2012, tamin’ny 10 ora sy 25 minitra, maraina.
FANDAHARAM-POTOANA : Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny
Volavolam-pandaharam-potoana manomboka ny Alatsianainy 29 Oktobra 2012 ka
hatramin’ny Alarobia 7 Novambra 2012.
- Lakolosy -1- Fitohizan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Tompokolahy sy Tompokovavy, mitohy indray ny fivoriantsika.
Faly miarahaba antsika rehetra, tonga manatrika izao fotoana androany maraina izao.
Miarahaba ihany koa ny solontenan’ny Governemanta izay miaraka mivory amintsika eto,
amin’izao maraina izao.
Ny fandaharam-potoanantsika androany maraina dia fivoriambe handraisana fanapahankevitra mikasika ny fandaharam-potoanantsika manomboka ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012
ka hatramin’ny Alarobia 7 Novambra 2012, izay novolavolaina tamin’ny fivorian’ny
“Conférence des Présidents” omaly Alatsinainy 29 Okotobra 2012, tolak’andro.
Koa iangaviana, Andriamatoa Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’Antsiranana, hamaky ny
famintinana izany fivorian’ny “Conférence des Présidents” izany.
Omena anao ny fitenenana.
-2- Famakiana ny tatitry ny “Conférence des Présidents” Andriamatoa TSIVAKA Sylvien Raharison
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Nivory ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012, nanomboka tamin’ny telo ora, tolak’andro, ny
« Conférence des Présidents ».
2
Andriamatoa Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy RAKOTOARIVELO, no nitarika ny
fivoriana.
Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny “Conférence des Présidents” sy ny solontenan’ny
Governemanta tonga nanatrika izany.
Andriamatoa sy Ramatoa isany :
BUREAU PERMANENT
N°
01
02
03
04
05
06
07
NOM ET PRENOM(s)
Mr Mamy RATOKOARIVELO
Mr ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain
Mr ZAFILAHY Stanislas
Mr TSIVAKA Raharison Sylvien
Mr RAHAROARILALA Tinoka Roberto
Mr JEAN Michel HENRI
Mr VANOVASON Jean Adrien
Mr MANANTSOA Victor
ATTRIBUTION
Président
Vice-Président
Vice-Président
Vice-Président
Vice-Président
Premier Questeur
Deuxième Questeur
Ministre
chargé
Relations
avec
Institutions
des
les
PRESIDENTS DES COMMISSIONS PERMANENTES
N°
08
09
10
11
12
13
14
15
16
17
NOM ET PRENOM(s)
Dr LEMALADE Eric
ATTRIBUTION
Président de la Commission de la Réconciliation
Nationale et Amnistie
Mr RAVELOSON Constant
Président de la Commission Juridique et de la
Législation
Mr DOX ZABOFIGERA Didier
Président de la Commission de la Défense
Nationale
Mr RAMANANIRINA Ian Wilfried
Président de la Commission de la Sécurité
Mr RAVELOSON Thierry Francis
Président de la Commission des affaires
étrangères et des Relations Internationales
Mr RAZAFINDRABARY Richard
Président de la Commission du Développement
Rural et de l’Agriculture
Mr RANDRIANANTENAINA Olivier Président de la Commission de l’Elevage
José
Mme RANDRIANJANAKA Jugeless Président de la Commission de la Pêche et des
Annicka Ula
Ressources Halieutiques
Mr RABIALAHY Jean Paul
Président de la Commission de l’Aménagement
du Territoire et de la Gestion Foncière
Mme RAHARIMALALA Lydia
Président de la Commission des Postes, des
Télécommunications et des Nouvelles
Technologies
3
18
Mr MAKA Alphonse
19
Mme RAKOTOMANGA LANTO
20
Mr FOLOZARA Andriamisy Josia
Honoré
Mme RAZAFIARISOA Jacqueline
Président de la Commission de la Population
Voahangilalao Alice
Mr RANDRIAMANANA Jean de Dieu Président de la Commission de l’Education
Nationale
Mr PAUL BERT
Président de la Commission de l’Enseignement
Supérieur et Recherche Scientifique
Mr RABESAIKA Guillaume
Président de la Commission de la Fonction
Publique, de l’Emploi, du Travail et des Lois
Sociales
Mr VAHINY Roger
Président de la Commission de l’Industrie et de
l’Economie
Mme RAZAKANIRINA Lucie Edwige Président de la Commission de l’Artisanat
Mr BENON Guy
Président de la Commission des Mines
Mr MAROTSAHA
Rapporteur, représentant le Président de la
Commission des Affaires Culturelles
Mr RANDRIAMPILAMANANA
Rapporteur Général de la Commissions des
Rostand
Finances
21
22
23
24
25
26
27
28
29
Président de la Commission de l’Information et
de la Communication
Président de la Commission du Genre et des
Affaire Sociales
Président de la Commission de la Santé
GROUPES PARLEMENTAIRES
N°
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
NOM ET PRENOM(s) DES REPRESENTANTS
RASOLOARINAIVO Andriamamonjy Lanto
MASO José Michel
LAURENT Parfait Fontaine
RANDRIANANDRASANA Masy
Nirina RAJAONARISON
RAZAFINTSEHENO Ravao Harimiza
AMABLE André Benjamin
RAVELONANOSY Mamy
DAMY
RAZANAMINO Lisiniaina
CLODE Albertine Rosalie
ANDRIAMAHEFARISOA Etienne
ANDRIAMALALA Mamisoa Freddy
TSIEBO Mahaleo
Dr Lucien ROTOLOJANAHARY
NOELY
HONORE Xavier Roberson Mampiory
GROUPES PARLEMENTAIRES
AREMA
ESCOPOL
ESCOPOL
ESCOPOL
ESCOPOL
HPM
MDM
Mouvance RAVALOMANANA
MONIMA-UAMAD
NOTABLE
NOTABLE
PHAT
TGV
TGV
TGV
UDR-C
UDR-C
4
Fiarahabana ireo mpikambana tonga nanatrika ny “Conférence des Présidents” no
nanombohan’Andriamatoa Filoha ny fitenenana.
Niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra misahana ny Fifandraisana amin’ireo
Andrimpanjakana, misolotena ny Governemanta, ny tenany.
Novakiana avy eo ny volavolam-pandaharam-potoana nivoaka tamin’ny fivorian’ny Birao
Maharitra ny marainan’ny Alatsinainy 29 Oktobra 2012.
Nanazava avy eo, Andriamatoa Filoha, fa noezahina mba ho tapitra ny Talata 30 Oktobra
2012 ny asan’ny Kongresy amin’ity herinandro ity, mba ahafahan’ireo mpikambana mamonjy
ny toerana iadidiany avy.
Nisokatra avy eo ny adihevitra, ka nanomboka izany Andriamatoa Minisitra, solontenan’ny
Governemanta.
Nanamafy ny fialan-tsinin’ny Governemanta izy, noho ny tsy nahatanterahana ny “séance
des questions-réponses” tapaka tamin’ny fandaharam-potoana farany, ary nisaotra ny
Kongresin’ny Tetezamita nanaiky ny hanaovana izany ny Alatsinainy 5 Novambra 2012,
tolak’andro.
Maro ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta hanao fitsidihana any amin’ny Faritra
amin’ny faran’ity herin’andro ity, koa miangavy, hoy izy, mba haroso ny Alarobia 31 Oktobra
2012, tolak’andro, ny fanaterana ireo fanontaniana ho an’ny mpikambana ao amin’ny
Governemanta.
Nanaiky izany fangatahana izany ny “Conférence des Présidents”.
Taorian’ny adihevitra fohy dia niroso tamin’ny fanapahan-kevitra ny mpivory.
Lany tsy nisy nitsipaka, tsy nisy tsy nilaza ny heviny, ilay volavolam-pandaharam-potoana, ka
hoentina eo amin’ny fivoriambe, handraisana fanapahan-kevitra ny Talata 30 Oktobra 2012,
amin’ny folo ora, maraina.
Toy izao ary ny volavolam-pandaharam-potoana tapaka tao amin’ny fivorian’ny
« Conférence des Présidents » :
ORDRE DU JOUR
pour la période du lundi 29 octobre 2012 au mercredi 07 novembre 2012
LUNDI 29 OCTOBRE 2012
10H00 : Réunion du Bureau Permanent (Bureau des Conseillers du Président)
15H00 : Conférence des Présidents (Salle B.P.)
5
MARDI 30 OCTOBRE 2012
10H00 :
SEANCE PLENIERE
Adoption de l’ordre du jour.
(Participants : tous les membres du Congrès de la Transition)
(Salle des Séances)
MARDI 30 OCTOBRE 2012
TRAVAUX DES COMMISSIONS
15H00 : *Commission Juridique et de la Législation (saisie au fond)
*Commission de la Population (saisie pour avis)
Projet de loi n°2012-009 du 02 mai 2012 modifiant et complétant certaines
dispositions de la loi n°2007-040 du 14 janvier 2008 relative à la délivrance des
jugements supplétifs d’actes de naissance dans le cadre du Programme National
de Réhabilitation de l’Enregistrement des Naissances « Ezaka Kopia ho an’ny
Ankizy »
(Participants : les membres des commissions concernées)
(Salle B.P.)
15H00 :*Commission des Finances et du Budget (saisie au fond)
*Commission du Développement rural et de l’Agriculture (saisie pour avis)
Projet de loi n°024/2012 du 03 octobre 2012 autorisant la ratification de l’Accord
de Financement entre la République de Madagascar et le Fonds International de
Développement Agricole (FIDA) et le Fonds Fiduciaire du Mécanisme de
Cofinancement Espagnol pour la Sécurité Alimentaire relatif au Programme de
Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole
(FORMAPROD)
(Participants : les membres des commissions concernées)
(Salle des Séances.)
LUNDI 05 NOVEMBRE 2012
SEANCE PLENIERE
15H00 : SEANCE DES QUESTIONS DES MEMBRES DU CONGRES DE LA TRANSITION ET DES
REPONSES DU GOUVERNEMENT
(Participants : tous les membres du Congrès de la Transition)
(Salle des Séances)
6
MARDI 06 NOVEMBRE 2012
SEANCES PLENIERES
10H00 : Projet de loi n°2012-009 du 02 mai 2012 modifiant et complétant certaines
dispositions de la loi n°2007-040 du 14 janvier 2008 relative à la délivrance des
jugements supplétifs d’actes de naissance dans le cadre du Programme National
de Réhabilitation de l’Enregistrement des Naissances « Ezaka Kopia ho an’ny
Ankizy ».
(Participants : tous les membres du Congrès de la Transition)
(Salle des Séances)
16H00 : Projet de loi n°024/2012 du 03 octobre 2012 autorisant la ratification de l’Accord
de Financement entre la République de Madagascar et le Fonds International de
Développement Agricole (FIDA) et le Fonds Fiduciaire du Mécanisme de
Cofinancement Espagnol pour la Sécurité Alimentaire relatif au Programme de
Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole
(FORMAPROD)
(Participants : tous les membres du Congrès de la Transition)
(Salle des Séances)
MERCREDI 07 NOVEMBRE 2012
10H00 : Réunion du Bureau Permanent (Bureau des Conseillers du Président)
15H00 : Conférence des Présidents (Salle B.P.)
Toy izay ny vakiny ato, Andriamatoa Filoha.
-3- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitra, namaky ny tatitry ny fivorian’ny “Conférence des
Présidents” omaly tolak’andro.
Alohan’ny hidirantsika amin’ny adihevitra ankapobeny dia omena fitenenana aloha ny
solontenan’ny Governemanta, raha misy fanamarihana tiany atao mikasika ilay zavatra
novakiana teo.
Andriamatoa RAKOTOZAFINDRABE Naivo Marius, SEKRETERA JENERALIN’NY MINISITERA
MISAHANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY ANDRIMPANJAKANA
Miarahaba anao am-panajana, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba am-panajana ireo mpikambana amin’ny Birao Maharitra sy isika mpikambana
amin’ity Andrimpanjakana mahefa ity.
7
Andriamatoa Minisitra moa nanatrika ny “Conférence des Présidents”, araka ny tatitra teo.
Androany izy dia manantitra ny fialan-tsiny izay efa nataony omaly rahateo, noho ny tsy
fahafahany manatrika ity sy manaja antsika amin’ny fanatrehana an’ity “séance plénière” ity.
Tsy misy teny hambara firy fa ny fanaterana ny fisaorana tamin’ny fanekena ny sosokevitra
fanovàna nataon’Andriamatoa Minisitra amin’ilay fandaharam-potoana teo.
Misaotra, Tompoko.
-4- Adihevitra ankapobeny Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Sekretera Jeneraly.
Izao isika dia hiditra amin’ny adihevitra ankapobeny, ka izay manana fanamarihana mikasika
ity volavolam-pandaharam-potoana ity dia iangaviana hanangana ny tanany.
Satroka iray aloha ety ambany ety.
Misy handray fitenenana ery ambony ery, ka omena azy aloha ny fitenenana.
Andriamatoa ZAFILAHY Rakotomandimby Stanislas
Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha.
Faly miarahaba antsika mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita.
Ny tiako holazaina amin’ilay zavatra novakiana teo, ity teny malagasy ity mantsy indraindray
manahirana ihany.
Voamarika ato hoe, niarahaba manokana Andriamatoa Minisiteran’ny Fifandraisana
amin’ireo Andrimpanjakana.
Izany Minisitera izany dia birao, fa Andriamatoa Minisitry ny Fifandraisana no izy ; fa tsy
Andriamatoa Minisiteran’ny Fifandraisana.
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita, amin’izay
fanamarihana izay.
Misy satroka iray ato.
Andriamatoa RAFARAMANDIMBY BOANA Jean Pierre
Misaotra, Andriamatoa Filoha.
Miarahaba ny Birao Maharitra.
Miarahaba ny solontenan’ny Minisitra.
8
Tsy fanamarinana mikasika an’ity ny ahy, Andriamatoa Filoha, fa mangataka izahay izay
soloako tena eto, « huis clos », alohan’ny handaniana an’ity, satria raharahantokantranontsika ity.
Misaotra, Tompoko.
Andriamatoa FILOHA
Hafakely indray izany « huis clos » alohan’ny fivoriana izany.
- Tehaka Aleo ataontsika aloha ny fivoriana. Tsy misy manahirana akory ity zavatra ity, fa avy eo isika
manao “huis clos”.
Aza miana-dratsy amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ianareo.
- Tehaka -5- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolam-pandaharam-potoana. Andriamatoa FILOHA
Izao isika dia hiditra avy hatrany amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ity
volavolam-pandaharam-potoana ity.
Iza no mitsipaka ?
- Tsy misy Iza no tsy milaza ny heviny ?
- Tsy misy Iza ary no mandàny ity volavolam-pandaharam-potoana ity ?
- Mpikambana amin’ny Kongresin’ny Tetezamita miisa 195 no nanangan-tanana Koa dia ambarako àry fa lany soa aman-tsara teto amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ity
volavolam-pandaharam-potoana manomboka ny Alatsinay 29 Oktobra 2012 ka hatramin’ny
Alarobia 7 Novambra 2012 ity.
Tompokolahy sy Tompokovavy, ho atao ny “huis clos” rehefa avy eo, koa iangaviana isika
mba samy hijanona daholo.
9
-6- Fiatoan’ny fivoriana Andriamatoa FILOHA
Alohan’ny hamaranana ity fotoana ity dia ampahatsiahivina fa anio tolak’andro, manomboka
amin’ny telo ora, misy ireo asam-baomiera izay efa novakiana tamintsika teo.
Tsy haverina intsony fa ny voalohany dia mikasika ny “projet de loi” momba ilay “Ezaka Kopia
ho an’ny Ankizy”.
Ny faharoa dia ilay “projet de loi” mikasika ilay fametrahana ny “FORMAPROD”.
Koa manentana antsika izay voakasik’izany mba samy hamonjy ireo asam-baomiera ireo.
Ny Alatsinainy 5 Novambra 2012, amin’ny telo ora, tolak’andro, hisy ny fivoriambe izay
hametrahantsika ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita fanontaniana amin’ny mpikambana
amin’ny Governemanta ary hamalian’izy ireo an’izany.
Araka ny fangatahan’Andriamatoa Minisitry ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana
moa, raha sitratsika dia harosontsika amin’ny Alarobia 31 Oktobra 2012, rahampitso izany,
amin’ny 12 ora, antoandro, ny fotoana farany hanateranareo ny fanontaniana ao amin’ny
“Service des Relations avec les Parlementaires”, fa tsy amin’ny Zoma 2 Novambra 2012,
araka ny notapahantsika tamin’ny fivoriana farany teo. Tamin’ilay fivoriana farany teo
mantsy dia amin’ny Zoma 2 Novambra 2012 izany, nefa inoako fa vitsy amintsika no ho
tonga eto amin’izay.
Koa iangaviana isika mba samy hanatitra an’izay fanontaniantsika izay, rahampitso amin’ny
12 ora, antoandro, farafahatarany, ao amin’ny “Service des Relations avec les
Parlementaires”.
Miato hatreo aloha ny fivoriantsika, « huis clos » rehefa avy eo.
Misaotra, Tompokolahy.
Mankasitraka, Tompokovavy.
- Lakolosy Niato tamin’ny folo ora sy efapolo minitra, antoandro, ny fivoriana.
NY FILOHA
RAKOTOARIVELO Mamy

Documents pareils