Ny fomba fambolena KAONSODA - BIMTT

Transcription

Ny fomba fambolena KAONSODA - BIMTT
1
Mamboly kaonsoda
Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha
Tél: 020 22 604 04
E-mail: [email protected] Web: www.bimtt.mg
2
Fanoroam-pejy
1.
Ny toetrany
3
2.
Karazany
3
3.
Toetr’andro sy toetry ny tany
3
a.
Toetr’andro
3
b.
Toe-tany
3
4.
Fanomanana ny tany
4
5.
Fambolena
5
6.
Fikojakojana
6
7.
Fahavalo
6
8.
Ny fampiasana azy
7
1-
Ny ranon-jezika na purin 7
2-
Fanafody fiarovana ny voly
9
3-
Ny pommade kaonsoda
9
4-
Fanafody ho an’ny olona
11
5-
Sakafom-biby
11
3
1.
Ny toetrany
Fianakaviam-ben’ny BORRAGINACEES
Antsoina amin’ny anarana malagasy hoe
kaonsoda
Zava-maniry manjanaka ary velona mandavataona na dia osaosa aza amin’ny ririnina.
Lavalava sy be velarana toy ny ravim-paraky
saingy voloina toy ny ravin-tseva.
2.
Karazany
Roa karazana ny kaonsoda: Consoude de russie sy grande consoude.
3.
Toetr’andro sy toetry ny tany
a.
Toetr’andro
Mety mandavan-taona eto Madagasikara ny
kaonsoda. Amin’ny fotoanan’ny ranon’orana
no tsara ambolena azy ka vetivety foana izy dia
hanjanaka marobe.
b.
Toe-tany
-Tany lonaka
-Tany mando lava
na azo tondrahana
amin’ny
fotoanan’ny
haintany.
-Andohasaha na
manamorona ny
tatatra
4.
Fanomanana ny tany
-
Asaina ny tany dia alamina amin’ny fihogo tany.
-
Manao kilavaka tsy dia lalina loatra ary mielanelana 60 cm.
-
Raha toaka mbola tsy lonaka tsar any toerana hisy azy dia asiana zezika komposta na zezika
biolojika araka izay misy.
-
Ny antsasaky ny lavaka no asiana zezika ka ampifangaroana tsara amin’ny tany.
-
Tondrahana ho mando tsara ilay lavaka ka havela hitsika tsar any rano.
4
5
5.
Fambolena
Zanany no afindra ka toy
izao no fanaovana azy:
-
Tapahina amin’ny
antsy maranitra ny iray
ampahatelon’ny faka
sy ny ravin’ny zanaka
kaonsoda alohan’ny
hamindrana azy.
-
Atsoboka ao
anatin’ny ranon-jezika
ny fakany.
-
Afangaro ny
tain’omby sy ny tany
vao mitovy fatra ary
tondrahana rano ho
mando.
6
-
Manao lavaka
amin’ny antsetra
(transplantoire) ary dia
asitrika ao ny fakan’ny
kaonsoda hatreo amin’ny
fotony.
-
Tondrahana kely
fotsiny avy eo mba
hirafetan’ny tany sy mba
tsy hidiran’ny rivotra
-
Alofana izy
mandra-pitsiry raha
amin’ny haintany no
namindrana azy.
6.
Fikojakojana
-
Tondrahana
amin’ny fotoanan’ny
haintany.
-
Hevoana sy
avaina raha feno ahitra
hafa.
-
Jinjaina miaraka
amin’ny tahony izy
rehefa mandrobona be
satria mifanaloka.
-
Afindra ny
zanany rehefa betsaka
mba hitomboany
haingana.
7.
Fahavalo
Fahavalo
Asany
Fitsabaoana
Olimpanjehy
Mihinana ny raviny
Ranon-jezika avy amin’ny
kaonsoda naotrika
7
8. Ny fampiasana azy
1-
Ny ranon-jezika na purin
a)
Ny fanomanana azy
Ravina kaonsoda iray kilao ampiana rano sahabo ho folo litatra, alona ao anaty sinibe tany mandritra
ny 15 andro ; avadika sy haroina isaky ny telo andro. Tokony misarona tsara ny fitaovana fandomana
sady atao amin’ny toerana tsy dia azon’ny andro be loatra.
Rehefa tapitra ny 15 andro dia vonona azo ampiasaina izy
b)
Ny fomba fampiasana azy
Maka iray litatra amin’ilay ranona kaonsoda teo ary tapohina rano madio 09 litatra ary iny no
anondrahana ny fotoboly.
Tena mahatsara voly tokoa satria betsaka azota ao anatiny ,izany hoe azo asolo ny urée.
Mila fitandremana satria mety mandoro ny voly raha marihatra loatra
Marihina fa azo atao koa ny mampiasa ny ravina kaonsoda hafangaro amin’ny fako hanaovana
compost.
8
9
2-
Fanafody fiarovana ny voly
a)
Ny fanomanana azy
Mitovy amin’ny fanomanana purin ihany
b)
Ny fomba fampiasana azy
Tatavanina ny ranona
kaonsoda avy nalona ka ny
ranony no ampiasaina.
Maka iray litatra amin’io
rano efa voatatavana io
ka tapohina rano madio 9
litatra ary iny no afafy eny
amin’ny voly. Mandroaka
ny bibikely mpanimba ny
voly .Averina matetitetika ohatra isaky ny folo andro.
3-
Ny pommade kaonsoda
a)
Ny fanomanana azy :
* Maka ravina kaonsoda dia sasana hadio tsara ary avy eo totoina halemy tsara. 20
* Avy eo maka fakana kaonsoda koa dia sasana hiala ny fotaka sy ny hodiny maintimainty ary totoina
halemy tsara ihany koa.
* Maka 12 sotro amin’ny
ravina voatoto afangaro
amin’ny fakany voatoto 6
sotro
* Afanaina amin’ny afo
malefaka ny menaka diloilo
atsasa-kilao.
Rehefa mafana ny menaka
dia arotsaka ny ravina sy ny
faka efa voatoto.
* Avela eo ambony afo malefaka
mandrampaha tsy misy raotra azy
intsony , aza hadinoina ny miharo azy tsy
ankijanona mandritra izy eo ambony afo.
10
11
* Rehefa izany dia tsihifina hisaraka ny
menaka sy ny faikana kaonsoda. Atao
anaty boaty ny paomady azo.
Ampiasaina amin’ny volo miongotra
na hanorana na hanalana tasy amin’ny
tarehy ary azo ahosotra amin’ny fery
koa na atao fanorana.
Marihina fa azo ampiasaina avokoa na
ny menak’omby na menakisoa.
4-
Fanafody ho an’ny olona
a)
Hitsaboana fery:
Kikisana amin’ny vato na fikokisana hafa ny fakana kaonsoda dia ahosotra manodidina ny vay mifonto.
b)
Aretim-bavony:
Ravina kaonsoda dimy tsy antitra be fa antonony no arotsaka ao anaty rano mangotraka iray litatra
mandritra ny dimy minitra.Avela hangatsiaka tsara ary tehirizina atao fisotro: iray kaopy maraina iray
kaopy atondro ary iray kaopy ny hariva.
c)
Areti-kibo:
Ravina telo arotsaka ao anaty rano mangotraka mandritra ny dimy minitra ary iny no atao rano fisotro.
d)
Fanaintainana eny amin’ny vanintaolana na nofo:
Ravina kaonsoda enina atao ao anaty rano mangotraka iray litatra mandritra ny dimy minitra ary avela
12 ora vao sotroina ka: tapaky ny kaopy isaky ny misotro alohan’ny sakafo maraina sy ataoandro ary
hariva. Azo atao koa ny mandro amin’ny kaonsoda; ka ravina folo no ketrehina amin’ny rano folo litatra
ary androana na andomana ny faritra vizana na manaintaina.
5-
Sakafom-biby
Koa satria be azota ny kaonsoda tena tsara hatao sakafon’ny biby mandinika kanefa tandremana
mba tsy hihoatra ny 1/9 lanjan’ny vilona omena isan’andro ny lanjan’ny kaonsoada omen any biby
isan’andro. Azo atao tsara koa anefa ny manome ny kaonsoda ho sakafon’ny biby toy ny akoho sy ny
kisoa.
Tena mampitombo ny atody azo ny fanomezana kaonsoda ny akoho manatody na dia ny akoho
manatody lava aza. Tsapa koa fa tena mahatohitra aretina toin’ny barika sy ny pest any akoho
mihinana kaosoda.
12
Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha
Tél: 020 22 604 04
E-mail: [email protected] Web: www.bimtt.mg

Documents pareils