Mamboly pi poa - BIMTT-Birao Ifandraisan`ny Mpampiofana ny

Transcription

Mamboly pi poa - BIMTT-Birao Ifandraisan`ny Mpampiofana ny
1
Mamboly pipoa
Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha
Tél: 020 22 604 04
E-mail: [email protected] Web: www.bim.mg
2
Fanoroam-pejy
1.
Fahalalana ankapobeny
3
2.
Karazany sy toetrany
3
3.
Fampiasana ny vokatra
4
4.
Toetrandro sy toe-tany
4
5.
Fanomanana ny fambolena
4
6.
Fandonahana ny tany
4
7.
Fomba famafazana
4
8.
Fikojakojana
4
9.
Vokatra
5
10. Fitahirizana
5
11. Fiarovana sy fitsaboana
5
13. Tombotsoa
7
12. Kaom-pamokarana (10ara)
7
1.
Fahalalana ankapobeny :
Ny pipoa dia avy any Asia afovoany no fiaviany.
Anarana sianfika : Pisum Savum
Fiankavian’ny Legumineuse:
2.
Karazany sy toetrany
a-
Toetrany :
-
Mandrotsa-boa
Mandeha tsiroaroa ny raviny
-Mitovy amin’ny lolo ny felany
-Misy kambo mitondra azota ny fakany (nodosité)
b-
Karazany:
Maro karazana ny pipoa :
Pipoa mandadina (Pet pois du pays
= serpee) : fotsy sady malama ny voany ary
mahatratra 1,50m – 2m ny haavon’ny ladina ;
Pipoa tsy mandadina (Corne de belier) :
maitso sady miketrona ny voany ary mahatratra
30cm -70cm ny haavony, fotsy ny felany. Lava kokoa
akorany (mahatratra hatramin’ny 6cm) izay feno
voa
Pitipoa maitso hanina aman-kodiny (Carouby
de Maussane : Mange tout) volopmparasy ny felany,
fisaka sady vaventy ny ratsany/akorany; mitovy
amin’ny tsaramaso tanora. Mange tout
3
4
3.
Fampiasana ny vokatra:
Misy karazany arakaraka ny filana sy ny ampiasana
azy ny pipoa:
a-
Sakafon’ny olombelona :
fomba maro no azo ampiasana ny pipoa :
Laoka : afangaro amin’ny hena;
Lasopy : miaraka amin’ireo karazana légioma
;
Fanokafam-bavony : salady amin’ny
vinaingitra : lakirema miaraka amin’ny
tamenak’atody.
Fanamarihana: Azo ampiasaina na mando na
maina ny pipoa.
b-
6.
Fandonahana ny tany
Mandritra ny fiasana ny tany no hitondrana
ny zezika. Tsara raha kaomposta sy zezika masaka
tsara :150 kg/are + lavenona 50 Kg/are ;
7.
Fomba famafazana
Masomboly 400g/ara no ampiasaina ;
Alatsaka manara-tsoritra roa mielanelana
30cm ny voa ;
Atao dia-panorina amin’ny soritra eo anilany
izay mielanelana 15cm ;
Sakafom-biby fiompy:
omby, bitro, sns … (ireo pipoa be proteina) :
Afangaro miaraka amin’ny ahitra ny taho ny
pipoa sy ny raviny ary ny rotsany misy voa tanora.
Tehirizina (ensilage)
4.
Toetrandro sy toe-tany
a-
Toetandro :
Voly a hatsiaka sy hamandoana ny pipoa ;
Tsy mahazaka hafanana miohatra ny 25°C ;
Ny volana Marsa ka hatramin’ny volana
aogositra no fotoana fambolena azy.
b-
Toe-tany :
Eny an-tanimbary atao voly avotra no tena
mahatsara azy.
Tsy a tany be fasika;
Tsy a tany asidra koa.
Azo atao eny amin’ny baiboho koa anefa fa mila
manondraka na mitarika rano.
5.
Fanomanana ny fambolena:
a-
Masom-boly:
Alefa ao anaty ranom-panafody fitsaboana
ny masom-boly voafanna mialoha ny fambolena,
ka ireo izay mitsingevana dia esorina ;
Maharitra hatramin’ny 2 taona ny masomboly raha tsara ny fitehirizana azy.
b-
Ny toeram-pambolena:
Asaina avy hatrany ny tany raha vao miala ny
vokatra teo aloha, avela 1-2 volana vao volena;
Atao lalin’asa 25cm ka hatramin’ny 30cm
mba hanamora ny fitsihan’ny rano;
Hevoina ny tany ary potehina ny bainga avy
eo aravina tsara ny tany ;
Valavalaina 50cm ny sakany, ny halavany izay
ana, ary ny aavony 15cm -20cm
Totofana 3-5cm ny voa, somary tsindriana
kely mba hifandray tany ny voa dia tondrahana rano
amin’izay.
8.
Fikojakojana
Voly tena mila rano ny pipoa, ilaina ny
fanondrahana mateka raha maina ny andro ;
Kendrena mba ho amin’ny fotony no
tondrahana ny pipoa fa tsy eny amin’ny ravina;
Afaka 10 na 15 andro dia maniry ny pipoa
ka tsara raha sosohana ireo voa tsy maniry ;
Fiavana voalohany ny pipoa rehefa tapitra
maniry avokoa, ka tandremana tsy ho voadona ny
fototra;
Totofana ny fototra rehefa mahatratra 10cm
ny haavony;
Fiavana faharoa rehefa feno 3-4 ny raviny
arahina fanotofana hatrany ;
Raha hita fa saozanina na botry kely ny
pipoa dia asiana zezika masaka na kaomposta
ihany ;
Mba hitazonana ny hamandoana amin’ny
tany dia tsara raha asiana mololo eny anelanelan’ny
soritra;
Hoan’ireo pipoa mandadina dia asiana
rantsankazo na tady norariana hanohanana azy sy
handadiany (1m-1,8m ny haavony).
10. Fitahirizana
-
9.
Anaty boaty (conserve)
Vokatra :
Afaka 3 na 4 volana dia vokatra ny pipoa ka zo
tangosana satria efa feno voa tsara ny akorany :
Raha mando na mangatsiaka ny andro dia
apetraka amin’ny toerana maina sy misy rivotra,
mandra-pahamatoy tanteraka ny pipoa ;
Intelo na inefatra mitango ny pipoa ary
amin’ny fitangosana farany dia ongotana tanteraka ;
Raha avela ho maina am-potorana dia asiana
fanafody mba tsy ho lanin’ny bibikely mpanimba
voa;
Ny “Mange tout” kosa dia tangosana amin’ny
maha tanora ny akorany;
Mahatratra 3-5Kg /m² ny vokatra raha lena
ary 1-2,5Kg kosa raha maina.
Maina : Tsy miala ny hodiny (borobory) na
miala ny hodiny ka misaraka roa.
11. Fiarovana sy fitsaboana :
Fifandimbiasam-boly farafahakeliny 4-5
taona hiarovana azy amin’ny fahavalo sy ny arena.
a-
Atao ny fiarovana :
Raha vao manomboka mitsiry ireo ravina roa
voalohany
Manomboka mamelana;
Rehefa manomboka miseho ny rotsany ;
Aorianan’ny fiotazana voalohany;
Amin’ny fotoana hisian’ireo fahavalo mialoha
ny fiavana;
Tandremo tsy hitondrana zezipahitra tsy
masaka izay manamora ny fihanakin’ny biby
mpanimba ny voly.
5
6
b-
Fitsaboana :
Arena : Maro ireo arena mahazo ny pipoa:
Kifotsindravina na Oidium : Miseho tahaka
ny vovoka fotsy mitangorona eny amin’ny ravina sy
ny hodin’ny akora ary ny taho madinika
Kimavo na Mildiou: Misy faritra bobongolo
manopy mavo ary misy vovoka fotsy miparitaka eo
amin’ny lafy ratsin’ny ravina
Kimanja na Anthracnose : Tasy mivolontakatra amin’ny ravina na hodin’ny akora; toy ny
may ny manodidina, ary misy lavaka boribory feno
penna fotsifotsy ao anan’ny hodin’ny akora ;
Rouille : Tasy manja manonpy mena ny
ravina sy ny taho rehetra.
Sitone
Chenille na olitra
Mildiou
Fahavalo : Voly tena an’ny fahavalo ny pipoa toy
ny :
- Les pucerons (Acyrtosiphon pisum) : Mihinana ny
voa sy ny taho
- Olitra (Euprocs Producta) : Mihinana ny ravina
Sitones
Thrips
Tordeuses
Bruches de pois
Famendrahana ny voly amin’ny taharo na sakay
pilokely sy paraky ary savony gasy
Averina isaky ny 2 herinandro ny fitsaboana.
Bruche du pois
Tordeuse du pois
ramerina
7
13. Tombotsoa
- Fanafody : Miaro amin’ny arena maro noho izy mitondra otrik’aina
100g pipoa dia mitondra:
- Rano
12g
- Calorie
330Kcal
- Prodes
23g
- Glucides
56g
- Lipides
1,7g
- Vitamines isankarazany : Vit B1, Vit B2, Vit B3/PP, Vit C,
- Sira mineraly : Ca, Fer, K, P, sns…
- Hafa :
12. Kaom-pamokarana (10ara)
Mivoaka
Asa
Masom-boly
Fitaovana isan-karazany
Fiasana tany sy fanomanana
Zezika
Fiavana sy fanondrahana
Fikojakojana
Fiotazana
Tombony
Fitambarany
Vidiny
4 000
10 000
6 000
25 000
6 000
10 000
6 000
8 000
75 000
Miditra
Fivarotana
Voa (lena)
Vidiny
75 000
75 000
8

Documents pareils