PDF format

Transcription

PDF format
Click here for French version
Didim-pitsarana laharana faha 02-HCC/AR tamin’ny 25 aprily 2008
anambarana ny vokatra ôfisialin’ny fifidianana ireo mpikambana
ao amin’ny Antenimierandoholona natao ny 20 aprily 2008.
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;
Araka ny Lalàmpanorenana ;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna
fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27 febroary 2008 anaovana ny lalàna
fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona;
Araka ny lalàna laharana faha 2000-014 tamin’ny 24 aogositra 2000 anaovana ny fehezandalàna momba ny fifidianana;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2008-306 tamin’ny 28 febroary 2008 mametra ny
isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, ny fitsinjarana ireo toerana isaky ny
Faritra ary ny fizarazarana ireo fari-pifidianana;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2008-307 tamin’ny 28 febroary 2008 anaikàna ny
sokajin’olona mpifidy mba handatsabato amin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny
Antenimierandoholona;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2008-309 tamin’ny 28 febroary 2008 mametra ny
fombafomba fampiharana ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27 febroary 2008
anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona;
Araka ny didim-pitsarana laharana 01-HCC/AR tamin’ny 11 aprily 2008 mametra ny lisitry
ny mpilatsaka hofidina ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona ny 20 aprily 2008;
Araka ny didim-pitondrana noraisin’ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana sady Minisitry ny
Fitsarana, manendry ireo mpitsara ho filohan’ny vaomiera mpanisa vato;
Araka ny didim-pitondrana noraisin’ireo Talen’ny Fitondran-draharaha ankapobe sy ny Lafintany
(DAGT), mametra ny lisitra sy ny toerana misy ny birao fandatsaham-bato;
Araka ny antontan-taratasim-pifidianana sy ny fitanana an-tsoratra nataon’ny vaomiera mpanisa
vato;
Rehefa nohenoina Ramatoa sy Andriamatoa isany Mpanolotsaina Avo momba ny Lalàmpanorenana
tamin’ny fampakaran-teny nataon’izy ireo avy;
Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;
Satria araka ny andininy faha 112, andàlana farany, amin’ny Lalàmpanorenana, “Ankoatry ny
antony ampisahanan’ny andininy hafa ao amin’ny Lalàmpanorenana azy, ary araky ny fepetra
voalazan’ny lalàna fehizoro dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no ... mitsara ny
olana mikasika ny fizotran’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary
ny fifidianana solombavambahoaka sy ny loholona”;
Satria araka ny andininy faha 33 amin’ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27 febroary
2008 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona, “Ny Fitsarana Avo momba
ny Lalàmpanorenana no mahefa hitsara izay rehetra fangataham-pitsarana na fanoherana mety
hitranga mikasika ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona.
Izy ihany no mahefa hanome ny heviny amin’ny fanafoanana tanteraka na ampahany, izay mety ho
vokatry ny tsy fanarahana ny fombafomba tena takiana. Mandritra ny fanaraha-maso ny
fankatoavan-dalàna amin’ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana avy amin’ireo birao
fandatsaham-bato sy vaomiera miandraikitra ny fanisam-bato, ny Fitsarana Avo momba ny
Lalàmpanorenana, na dia tsy misy fampakarana aza, dia afaka mandray avy hatrany ny raharaha
raha heveriny fa nisy fandikana ireo didy aman-dalàna na noho ny antony mikasika ny filaminambahoaka”;
Ary ny andininy faha 50 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2008-309 tamin’ny 28 febroary
2008 mametra ny fombafomba ampiharana ny hitsivolana laharana faha 2008-002 tamin’ny 27
febroary 2008 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Antenimierandoholona dia milaza fa “Ny
Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana no mamoaka amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika
sy amin’ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana ôfisialy ao anatin’ny fito andro manomboka ny
nandraisany farany ireo antontan-taratasy avy amin’ny vaomiera tena miandraikitra ny fanisam-bato
sy ao aorian’ny fanamarinana ny fifanarahany amin’ny didy aman-dalàna”;
Koa satria ny alarobia 23 aprily 2008 no nandraisana farany ny antontan-taratasim-pifidianana avy
amin’ny vaomiera mpanisa vato ao Betsiboka, dia ara-potoana tsara izany izao famoahana vokapifidianana atao androany izao;
Satria rehefa natao ny fanarahana ny fombafomba takiana amin’ny antontan-taratasy sy ny
fanaraha-maso ny fankatoavan-dalàna amin’ny fitanana an-tsoratra ny raharaham-pifidianana, dia
tsy nahitana fandikana;
ny amin’ny fitoriana :
Satria, andaniny, araka ny fitoriana tamin’ny 20 aprily 2008, Atoa isany MAMINIRINA Josoa
Eugène sy RANDRIAMAHAROSON Joëlson, delegen’ny lisitra “Mania Miraihina”, dia
mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny fifidianana mpikambana ao amin’ny
Antenimierandoholona tao amin’ny birao fandatsaham-baton’ny distrikan’i Manandriana, faripifidianan’Amoron’i Mania, noho ny mpifidy nandeha ho any amin’ny birao fandatsaham-bato
tamin’ny fiaran’ny tomponandraikitry ny antoko “Tiako i Madagasikara” eo an-toerana ary noho ny
latsabato nanomboka tamin’ny 9 ora sy 15 minitra ka nifarana tamin’ny 9 ora sy 50 minitra na dia
noferan’ny didy aman-dalàna ho amin’ny 4 ora hariva aza ny fikatonan’ny birao fandatsaham-bato;
ka izany dia miendrika ho faneriterena ny mpifidy;
Satria, ankilany, araka ny fitoriana natao ny 20 aprily 2008, Atoa RAZAFINDRABE Jean Richard
Benoît, solontenan’ny kandida RAKOTOZANDRINDRAINY Rasoamampionona ao amin’ny
lisitra “Mania Miraihina” dia mangataka ny hanafoanana ny vokatry ny fifidianana mpikambana ao
amin’ny Antenimierandoholona, tao amin’ny birao fandatsaham-baton’ny distrikan’i Manandriana
sy Ambatofinandrahana, noho ny antony mitovy amin’izay voalaza tetsy aloha;
Satria, farany, Atoa RAKOTOMANGA Martin, delegen’ny kandida RAKOTOZANDRINDRAINY
Rasoamampionona, araka ny fitoriana tamin’ny 20 aprily 2008, dia mangataka koa ny hanafoanana
ny vokatra tao amin’ny birao fandatsaham-baton’ny distrikan’Ambatofinandrahana, noho ireo
antony voalaza ireo ihany;
Satria ny sokajin’olona mpifidy amin’ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny
Antenimierandoholona dia tsy misy afa-tsy olomboafidy dia ny ben’ny tanàna sy ny mpikambana
ao amin’ny Filankevim-paritra; koa noho izany, ny isan’ny sokajin’olona mpifidy isaky ny distrika
dia voafetra ihany na toy inona na toy inona velaran’ny fari-pifidianana;
Satria na manao ahoana na manao ahoana, ny mpifidy dia afaka misafidy malalaka ny fomba
fitaterana heveriny fa mety hankanesany any amin’ny birao fandatsaham-bato, na mandeha irery na
miaraka;
Satria rehefa tapitra nandatsa-bato avokoa ny mpifidy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana, dia tsy
misy manakana ny mambran’ny birao fandatsaham-bato tsy hamarana ny asany mialohan’ny ora
voatondron’ny lalàna;
Satria ny fepetra noraisina handaminana ny latsabato dia tsy azo heverina ho fanerena mivantana na
ankolaka manohintohina ny fahalalahan’ ny safidy raha toa ka mifanaraka amin’izay voalazan’ny
Fehezan-dalàna momba ny fifidianana ny fizotry ny fifidianana tao anaty birao fandatsaham-bato:
fifidianana malalaka, amin’ny anaran’ny tena ary miafina;
Koa tokony ho lavina ny fitoriana izay mifototra amina tombatombana fotsiny;
*
*
*
Satria araka ny fitoriana natao ny 20 aprily 2008, Andriamatoa BERNARSON, delegen’ny lisitra
“Tragnambolava” tao amin’ny distrikan’i Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany, dia mangataka ny
hampiharana ny lalàna amin’ny toe-javatra heveriny fa mifanohitra amin’ny lalàna manan-kery;
Satria ny antony voalazany ao amin’ny fitoriany dia nisy ben’ny tanàna miisa 25 niara-nisakafo
antoandro ny 19 aprily 2008, ka ny ben’ny tanànan’i Manakara, Andriamatoa GISCARD, no
nitarika azy ireo; io ben’ny tanàna io dia nanao ny asan’ny mpanisa vato ary nisy ben’ny tanàna telo
hafa avy amin’ny kaominin’i Mangatsiotra, Betampona ary Ampasimanjeva tonga nandatsa-bato
nefa tsy nahazo fiantsoana;
Satria, andaniny, ny mpitory dia tsy afaka nitondra porofo manamarina fa ny fiarahan’ireo ben’ny
tanàna 25 nisakafo antondro ny ankatoky ny fifidianana dia tena nisy fiantraikany mivantana
tamin’ny vokatry ny fifidianana sy ny fahamarinany;
Ary ambonin’izany, ny andraikitry ny delegena kandida voatendry ho ao amin’ny birao
fandatsaham-bato ny andron’ny fifidianana, dia mijanona amin’ny fizahana fototra izay zavamitranga ao amin’io birao fandatsaham-bato io; ka noho izany, tsy azony atao ny mandroso zavatra
niseho ny ankatoky ny fifidianana na tao ivelan’ny birao fandatsaham-bato;
Satria, ankilany, ny ben’ny tanàna dia mpifidy ary ny mpanisa vato dia tendrena amin’ireo mpifidy
manatrika eo;
Satria, farany, ny mpifidy dia nantsoina araka ny fombam-pifandraisana rehetra hanatrika ny
fifidianana ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona ny 20 aprily 2008; koa hita tamin’ny
fandinihana ny antontan-taratasy fa ireo ben’ny tanàna voalaza fa tsy nahazo fiantsoana dia tonga
nandatsabato; koa na manao ahoana na manao ahoana, ny taratasy fiantsoana dia tsy anisan’ireo
taratasy takiana raha handatsa-bato rehefa voasoratra ara-dalàna ao anaty lisi-pifidianana ireo
mpifidy ireo;
Koa noho izany, tsy mitombina ireo fanakianana naroso eo ambony ireo;
Ary dia lavina ny fitoriana fa tsy marim-pototra;
*
*
*
Satria araka ny fitoriana tsy misy datin’andro, voaray ara-potoana tao amin’ny firaketan-tsoratry ny
Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Atoa isany ABDOUH Yakoub sy BEMAZAVA Gérard,
delegen’ny kandida RAKOTOMAMONJY Jean Max, dia mangataka ny hampiharana ny lalàna
amin’ny solombavambahoaka HERY ao Vohémar noho ity farany ity nitondra ny mpifidy tamin’ny
fiarakodia ho any amin’ny birao fandatsaham-bato, avy eo nitondra azy ireo niverina mba
hanontaniana izay vato narotsany;
Satria ny mpitory dia tsy manaporofo fa ireo zavatra voalazany ireo, izay nitranga ivelan’ny birao
fandatsaham-bato, dia nisy fiantraikany mivantana tamin’ny safidin’ny mpifidy na nanohintohina
ny fahamarinan’ny latsabato;
Koa lavina ny fitoriana fa tsy mitombina;
*
*
*
Satria araka ny fitoriana tamin’ny 20 aprily 2008, ny kandida RAKOTOARISON Faraniaina Yves
Aimé dia mangataka ny hanafoanana ny voka-pifidianana tao amin’ny birao fandatsaham-baton’ny
distrikan’i Betroka noho ny lehiben’ny distrika nanery ny mpifidy handatsa-bato ho an’ny
kandidan’ny antoko “Tiako i Madagasikara”, tamin’ny alàlan’ny fandrahonana ho roahina sy
fanenjehana eo amin’ny Bianco ireo ben’ny tanàna manan-draharaha tsaraina ao amin’ny Fitsarana
Tampony; teo koa ny fampanantenana vola sy finday ary poketram-behivavy avy amin’ny
kandidan’ny “Tiako i Madagasikara” raha mampiseho ny vaton’ny mpitory izay tsy narotsaka tao
anaty vata fandatsaham-bato;
Satria ny fijoroana vavolombelona nataona ben’ny tanàna dimy, izay teo amin’ny Fitsarana Avo
momba ny Lalàmpanorenana dia tsy azo heverina ho porofo ampy hanamarinana fa an-katerena no
nifidianan’ireo nandatsa-bato;
Ary ankoatra ireo vavolombelona avy amin’ny mpitory dia tsy nisy na iray aza mpifidy hafa
nanambara fa noterena ny safidiny;
Satria, ankoatra izany, ny fanadihadiana natao dia nahitana fa na dia nilaza aza ireo vavolombelona
fa efa fantany mialohan’ny datin’ny fifidianana ireo toe-javatra ireo, na ny mpitory na ireo
vavolombelona ireo dia tsy nihevitra fa mety ny hitondrana ny raharaha eo anatrehan’ny
manampahefana mahefa;
Satria, farany, na manao ahoana na manao ahoana, ny antontan-taratasim-pifidianana eo ampelatànan’ny Fitsarana Avo, izay voasonian’ny delegen’ny mpitory sy ny vavolombelona amin’ny maha
mpanisa vato azy ireo, dia manamarina fa nizotra ara-dalàna ny raharaham-pifidianana tao amin’ny
birao fandatsaham-bato;
Noho izany, ireo zavatra voalaza dia tsy ampy hilazana fa nisy ny fanohintohinana ny
fahamarinan’ny latsabato;
Koa lavina ny fitoriana fa tsy marim-pototra;
Noho ireo antony ireo
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana
Dia mamoaka izao didim-pitsarana izao :
Andininy voalohany.- Azo raisina nefa lavina satria tsy marim-pototra ireo fitoriana fito natao
an’Atoa isany MAMINIRINA Josoa Eugène sy RANDRIAMAHAROSON Joëlson,
RAZAFINDRABE Jean Richard Benoît, RAKOTOMANGA Martin, BERNARSON, ABDOUH
Yakoub sy BEMAZAVA Gérard, MAMINIRINA Josoa eugène, RAKOTOARISON Faraniaina
Yves Aimé.
Andininy faha 2.- Ambara amin’ny fomba ôfisialy araka izao manaraka izao ny voka-pifidianana sy
ireo izay voafidy ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona:
Andininy faha 3.- Didina ny hamerenana ny lany tamin’ny fanontàna printy ny taratasim-bato
amin’ny kandida nahazo folo isan-jaton’ny vato manan-kery farafahakeliny.
Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitsarana izao ary hatao petadrindrina ao amin’ny foiben-toeran’ny Fitsarana etoana.
Nifampidinihana araka izany tao amin’ny foiben-toerany mba hambara amin’ny fotoam-pitsarana
ampahibemaso ny zoma dimy amby roapolo aprily taona valo sy roarivo, tamin’ny folo ora
misandratr’andro, ka ireto avy no tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :
Atoa RAJAONARIVONY Jean-Michel, Filoha
Atoa IMBOTY Raymond, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Rtoa RAHALISON RAZOARIVELO Rachel Bakoly, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABENDRAINY Ramanoelison, Mpanolotsaina Avo
Atoa ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Mpanolotsaina Avo
Rtoa RASAMIMANANA RASOAZANAMANGA Rahelitine, Mpanolotsaina Avo
Atoa RABEHAJA-FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo
Atoa RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Mpanolotsaina Avo
Rtoa DAMA RANAMPY Marie Gisèle, Mpanolotsaina Avo
Ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.
LISITRA NY OLONA LANY
REGION
NOM ET PRENOMS
LISTE
VOIX SE
%
11 ANALAMANGA
RAJEMISON Rakotomaharo
TIAKO
I
147
MADAGASIKARA
147
100,00
%
12 BONGOLAVA
RAVATOMANGA Roland
TIAKO
I
31
MADAGASIKARA
31
100,00
%
13 ITASY
RAKOTOARIVENTINY Charlie
TIAKO
I
34
MADAGASIKARA
56
60,71%
14 VAKINANKARATRA
RABENATOANDRO
Lantoniaina Nirina Harintsoa
TIAKO
I
92
MADAGASIKARA
92
100,00
%
21 DIANA
LAURENT
Parfait
Jean TIAKO
I
63
MADAGASIKARA
65
96,92%
22 SAVA
TSIANDOPY Jacky Mahafaly
TIAKO
I
60
MADAGASIKARA
84
71,43%
31 AMORON'I MANIA
RANDIMBISOA
Chrysostome
Jean TIAKO
I
32
MADAGASIKARA
59
54,24%
THU - JAUNE Horace Mann
TIAKO
I
89
MADAGASIKARA
96
92,71%
33 HAUTE MATSIATRA
RANDRIASANDRATRINIONY
Yvan
TIAKO
I
89
MADAGASIKARA
89
100,00
%
34 IHOROMBE
TELOLAHY Berthin
TIAKO
I
30
MADAGASIKARA
30
100,00
%
35 VATOVAVY-
ANDRIANJANAKA
Vincent
41 BETSIBOKA
FERNAND Jeannot
TIAKO
I
40
MADAGASIKARA
40
100,00
%
42 BOENY
DOLSAIN Guy Arvely
TIAKO
I
50
MADAGASIKARA
50
100,00
%
43 MELAKY
SAMUEL Christophe
TIAKO
43
100,00
32
ATSIMOATSINANANA
MAFILAZA
Rémy TIAKO
I
140
MADAGASIKARA
I 43
146 95,89%
MADAGASIKARA
%
JOSOA Alfred
TIAKO
I
113
MADAGASIKARA
115 98,26%
RAMAROSOA Emiline
TIAKO
I
82
MADAGASIKARA
85
96,47%
52 ANALANJIROFO
IPIRINA Jean de la Croix
TIAKO
I
38
MADAGASIKARA
68
55,88%
53 ATSINANANA
BEZARA Manassé Jean de la TIAKO
I
92
Croix
MADAGASIKARA
92
100,00
%
61 ANDROY
ANDROKAE Jules
TIAKO
I
56
MADAGASIKARA
56
100,00
%
62 ANOSY
SOJA Jean André
TIAKO
I
36
MADAGASIKARA
68
52,94%
115
100,00
%
57
87,72%
44 SOFIA
51
63
ALAOTRAMANGORO
ATSIMOANDREFANA
64 MENABE
DINA née FOTOMANANTENA TIAKO
I
115
Jeanne
MADAGASIKARA
NGOLO Gilbert Evenon
TIAKO
I
50
MADAGASIKARA
French version begins here
Arrêt n°02-HCC/AR du 25 avril 2008
portant proclamation des résultats officiels
de l’élection des membres du Sénat du 20 avril 2008
La Haute Cour Constitutionnelle,
Vu la Constitution ;
Vu l’ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute
Cour Constitutionnelle ;
Vu l’ordonnance n°2008-002 du 27 février 2008 portant loi organique relative au Sénat ;
Vu la loi n°2000-014 du 24 août 2000 portant Code électoral ;
Vu le décret n°2008-306 du 28 février 2008 fixant le nombre des membres du Sénat, la
répartition des sièges dans chaque Région et le découpage des circonscriptions électorales ;
Vu le décret n°2008-307 du 28 février 2008 portant convocation du collège électoral pour les
élections des membres du Sénat ;
Vu le décret n°2008-309 du 28 février 2008 fixant les conditions d’application de l’ordonnance n
°2008-002 du 27 février 2008 portant loi organique relative au Sénat ;
Vu l’arrêt n°01-HCC/AR du 11 avril 2008 portant liste des candidats à l’élection des membres du
Sénat du 20 avril 2008 ;
Vu l’arrêté du Garde des Sceaux, Ministre de la Justice nommant les magistrats présidents des
commissions de recensement matériel des votes ;
Vu les arrêtés des Directeurs de l’Administration Générale et Territoriale des Régions fixant la liste
et l’emplacement des bureaux de vote ;
Vu les documents électoraux et procès-verbaux émanant des commissions de recensement matériel
des votes ;
Ouï Mesdames et Messieurs les Hauts Conseillers Constitutionnels en leurs rapports respectifs ;
Après en avoir délibéré conformément à la loi ;
Considérant qu’aux termes des dispositions de l’article 112, in fine, de la Constitution, « Outre les
questions qui lui sont renvoyées par d’autres articles de la Constitution, la Haute Cour
Constitutionnelle, dans les conditions fixées par une loi organique …. Statue sur le contentieux des
opérations de référendum, de l’élection du Président de la République, des élections des députés et
des sénateurs » ;
Considérant que selon les dispositions de l’article 33 de l’ordonnance n°2008-002 du 27 février
2008 portant loi organique relative au Sénat, « La Haute Cour Constitutionnelle est compétente
pour connaître de toute requête ou contestation qui pourrait s’élever en matière d’élection des
membres du Sénat.
Elle est seule compétente pour apprécier la nullité totale ou partielle qui pourrait résulter de
l’omission de formalités substantielles. Lors du contrôle de la légalité des procès-verbaux des
bureaux de vote et des commissions de recensement matériel des votes, la Haute Cour
Constitutionnelle, en l’absence de tout recours, peut se saisir d’office lorsqu’elle estime qu’il y a eu
violation des dispositions législatives ou réglementaires, ou pour des motifs d’ordre public » ;
Que l’article 50 du décret n°2008-309 du 28 février 2008 fixant les conditions d’application de
l’ordonnance n°2008-002 du 27 février 2008 portant loi organique relative au Sénat dispose que «
La Haute Cour Constitutionnelle, dans les sept jours qui suivent la réception du dernier pli fermé
émanant de la dernière commission de recensement matériel des votes et après contrôle de
l’observation des lois et règlements, procède en audience solennelle à la proclamation des résultats
des élections » ;
Que ce dernier pli, en provenance de la commission de recensement matériel des votes de Betsiboka
étant parvenu au siège de la juridiction le mercredi 23 avril 2008, la proclamation effectuée ce jour
rentre bien dans le délai prescrit ;
Considérant qu’à l’issue des opérations de contrôle matériel des votes et du contrôle de légalité,
aucune irrégularité n’a pu être constatée ;
En ce qui concerne les requêtes :
Considérant, d’une part, que par requête en date du 20 avril 2008, sieurs MAMINIRINA Josoa
Eugène et RANDRIAMAHAROSON Joëlson, délégués de la liste « Mania Miraihina », demandent
l’annulation des résultats de l’élection des membres du Sénat dans le bureau de vote du district de
Manandriana, circonscription électorale d’Amoron’i Mania, aux motifs que les électeurs se sont
rendus au bureau de vote à bord de véhicules appartenant au responsable local du parti « Tiako i
Madagasikara » et que les opérations électorales ont débuté à 09 h 15 minutes pour se terminer à 09
h 50 minutes contrairement à la réglementation qui fixe l’heure de fermeture à 16 heures ; que cela
constitue une contrainte morale exercée sur les électeurs ;
Que, d’autre part, par requête du 20 avril 2008, sieur RAZAFINDRABE Jean Richard Benoît,
mandataire du candidat RAKOTOZANDRINDRAINY Rasoamampionona de la liste « Mania
Miraihina », demande l’annulation des résultats de l’élection des membres du Sénat dans les
bureaux de vote des districts de Manandriana et Ambatofinandrahana, pour les mêmes faits que cidessus ;
Qu’enfin, sieur RAKOTOMANGA Martin, délégué du candidat RAKOTOZANDRINDRAINY
Rasoamampionona, par requête en date du 20 avril 2008, demande également l’annulation des
résultats dans le bureau de vote du district d’Ambatofinandrahana, pour les mêmes motifs ;
Considérant que le collège électoral pour les élections sénatoriales est composé uniquement d’élus
que sont les maires et les conseillers régionaux ; que de ce fait, le collège électoral de chaque
district est nécessairement en nombre réduit quelle que soit l’étendue de la circonscription ;
Considérant qu’en tout cas, les électeurs sont libres de choisir les moyens de transport qui leur
semblent opportuns pour se rendre au bureau de vote, individuellement ou collectivement ;
Considérant que lorsque tous les électeurs inscrits sur la liste électorale ont rempli leur devoir
civique, rien ne pourrait s’opposer à ce que les membres du bureau de vote procèdent à la clôture
des travaux avant l’heure légalement prévue ;
Qu’ainsi, des mesures pratiques d’organisation du scrutin ne sauraient être considérées comme
constituant des contraintes directes ou indirectes portant atteinte à la liberté de choix des électeurs
dès lors que les opérations électorales à l’intérieur du bureau de vote se sont déroulées
conformément aux prescriptions du Code électoral quant au caractère libre, personnel et secret du
vote ;
Qu’il y a lieu de rejeter les requêtes basées sur de simples présomptions ;
*
*
Considérant que par requête en date du 20 avril 2008, sieur BERNARSON, délégué de la liste «
Tragnambolava » présentée dans le district de Manakara, Région Vatovavy Fitovinany, demande
l’application de la loi pour des faits qu’il estime contraires à la législation en vigueur ;
Qu’aux motifs de sa requête il expose que 25 maires ont déjeuné ensemble le 19 avril 2008, sous la
conduite du sieur GISCARD, maire de Manakara ; que le même maire a officié en tant que
scrutateur lors du dépouillement et que trois autres maires des communes de Mangatsiotra,
Betampona et Ampasimanjeva sont venus voter en l’absence de convocation ;
Considérant, d’une part, que le requérant n’est pas en mesure d’apporter la preuve que le fait pour
les 25 maires d’avoir déjeuné ensemble la veille du scrutin a eu une incidence directe et certaine sur
l’issue et la sincérité du scrutin ;
Que de surcroît, en sa qualité de délégué de candidat désigné pour être présent dans le bureau de
vote le jour du scrutin, il ne peut constater que des faits qui s’y sont passés et ne saurait dès lors se
prévaloir de faits survenus la veille du jour du scrutin ou à l’extérieur dudit bureau de vote ;
Considérant, d’autre part, que le maire a la qualité d’électeur et qu’il est de règle que les scrutateurs
sont désignés parmi les électeurs présents ;
Considérant, enfin, que pour l’élection des membres du Sénat du 20 avril 2008, les électeurs ont été
convoqués aux urnes par tous les moyens de communication disponibles ; qu’il ressort de
l’instruction du dossier que les maires supposés non convoqués ont pu régulièrement voter ; qu’en
tout cas, la convocation ne figure pas parmi les pièces requises pour voter du moment qu’ils sont
inscrits dans la liste électorale ;
Qu’ainsi, les moyens ci-dessus invoqués sont inopérants ;
Que par conséquent, il y a lieu de rejeter la requête comme non fondée ;
*
*
*
Considérant que par requête non datée enregistrée au greffe de la Haute Cour Constitutionnelle dans
le délai prescrit, sieurs ABDOUH Yakoub et BEMAZAVA Gérard, délégués du candidat
RAKOTOMAMONJY Jean Max, requièrent l’application de la loi à l’encontre du député HERY de
Vohémar aux motifs que ce dernier a transporté les électeurs par voiture jusqu’au bureau de vote
puis les a ramenés chez eux pour les interroger sur le choix qu’ils ont fait ;
Considérant que les requérants ne rapportent pas la preuve que les faits invoqués survenus à
l’extérieur du bureau de vote ont eu une incidence directe sur le vote des électeurs et ont altéré la
sincérité du scrutin ;
Qu’il y a lieu de rejeter la requête comme non fondée ;
*
*
*
Considérant que par requête en date du 20 avril 2008, le candidat RAKOTOARISON
Faraniaina Yves Aimé demande l’annulation des résultats du scrutin dans le bureau de vote du
district de Betroka aux motifs que le Chef du district de Betroka a contraint les électeurs à voter
pour le candidat du parti « Tiako i Madagasikara », d’une part en menaçant les maires, dont
l’élection est encore en litige devant la Cour Suprême, de révocation et de poursuite par le Bianco
et, d’autre part, en leur promettant une récompense constituée d’une somme d’argent, d’un
téléphone portable et d’un sac pour dame, sur présentation du bulletin du requérant non versé dans
l’urne ;
Considérant que le témoignage de cinq maires venus se présenter au siège de la Haute Cour
Constitutionnelle ne constitue par une preuve suffisante pour établir avec certitude que les électeurs
ont voté sous la contrainte ;
Qu’à part les témoins cités par le requérant, aucun autre électeur ne s’est manifesté pour soutenir
que son choix a été imposé ;
Qu’en outre, il ressort de l’instruction que bien que les témoins aient affirmé avoir été en
connaissance des griefs invoqués avant la date du scrutin, ni le requérant ni lesdits témoins n’ont
estimé nécessaire de saisir les autorités compétentes ;
Considérant enfin et en tout état de cause que les documents électoraux en possession de la Cour de
céans, signés par le délégué du requérant et par les témoins en leur qualité de scrutateurs, attestent
que les opérations électorales se sont régulièrement déroulées dans le bureau de vote ;
Qu’ainsi, les allégations avancées ne suffisent pas à établir qu’il y a eu altération de la sincérité du
scrutin ;
Qu’il y a lieu de rejeter la requête comme non fondée ;
Par ces motifs,
La Haute Cour Constitutionnelle
Arrête:
Article premier.- Sont recevables mais doivent être rejetées comme étant non fondées les sept
requêtes présentées par sieurs MAMINIRINA Josoa Eugène et RANDRIAMAHAROSON Joëlson,
RAZAFINDRABE Jean Richard Benoît, RAKOTOMANGA Martin, BERNARSON, ABDOUH
Yakoub et BEMAZAVA Gérard, MAMINIRINA Josoa Eugène, RAKOTOARISON Faraniaina
Yves Aimé.
Article 2.- Sont proclamés officiellement comme suit les résultats et les élus membres du Sénat :
ELECTION DES SENATEURS DU 20 AVRIL 2008
LISTE DES ELUS
REGION
NOM ET PRENOMS
LISTE
VOIX SE
%
11 ANALAMANGA
RAJEMISON Rakotomaharo
TIAKO
I
147
MADAGASIKARA
147
100,00
%
12 BONGOLAVA
RAVATOMANGA Roland
TIAKO
I
31
MADAGASIKARA
31
100,00
%
13 ITASY
RAKOTOARIVENTINY Charlie
TIAKO
I
34
MADAGASIKARA
56
60,71%
14 VAKINANKARATRA
RABENATOANDRO
Lantoniaina Nirina Harintsoa
TIAKO
I
92
MADAGASIKARA
92
100,00
%
21 DIANA
LAURENT
Parfait
Jean TIAKO
I
63
MADAGASIKARA
65
96,92%
22 SAVA
TSIANDOPY Jacky Mahafaly
TIAKO
I
60
MADAGASIKARA
84
71,43%
31 AMORON'I MANIA
RANDIMBISOA
Chrysostome
Jean TIAKO
I
32
MADAGASIKARA
59
54,24%
THU - JAUNE Horace Mann
TIAKO
I
89
MADAGASIKARA
96
92,71%
33 HAUTE MATSIATRA
RANDRIASANDRATRINIONY
Yvan
TIAKO
I
89
MADAGASIKARA
89
100,00
%
34 IHOROMBE
TELOLAHY Berthin
TIAKO
I
30
MADAGASIKARA
30
100,00
%
35 VATOVAVY-
ANDRIANJANAKA
Vincent
41 BETSIBOKA
FERNAND Jeannot
TIAKO
I
40
MADAGASIKARA
40
100,00
%
42 BOENY
DOLSAIN Guy Arvely
TIAKO
I
50
MADAGASIKARA
50
100,00
%
43 MELAKY
SAMUEL Christophe
TIAKO
I
43
MADAGASIKARA
43
100,00
%
44 SOFIA
JOSOA Alfred
TIAKO
I
113
MADAGASIKARA
115 98,26%
RAMAROSOA Emiline
TIAKO
I
82
MADAGASIKARA
85
96,47%
52 ANALANJIROFO
IPIRINA Jean de la Croix
TIAKO
I
38
MADAGASIKARA
68
55,88%
53 ATSINANANA
BEZARA Manassé Jean de la TIAKO
I
92
Croix
MADAGASIKARA
92
100,00
%
61 ANDROY
ANDROKAE Jules
56
100,00
32
51
ATSIMOATSINANANA
ALAOTRAMANGORO
MAFILAZA
Rémy TIAKO
I
140
MADAGASIKARA
TIAKO
I 56
146 95,89%
MADAGASIKARA
62 ANOSY
63
ATSIMOANDREFANA
64 MENABE
SOJA Jean André
TIAKO
I
36
MADAGASIKARA
DINA née FOTOMANANTENA TIAKO
I
115
Jeanne
MADAGASIKARA
NGOLO Gilbert Evenon
TIAKO
I
50
MADAGASIKARA
%
68
52,94%
115
100,00
%
57
87,72%

Documents pareils