Version imprimable
Transcription
Version imprimable
1 FIVORIAMBE FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max MPITANTSORATRA: Andriamatoa isany : - RAZAFINDRAVELO Herman - LIAHOSOA Malement FOTOANA: Zoma 6 Novambra 2015 tamin’ny 4 ora sy 35 minitra, hariva. FANDAHARAM-POTOANA: Fametraham-panontaniana ataon’ny Solombavambahoaka sy valin-teny avy amin’ny mambran’ny Governemanta. Nitohy ny Zoma 6 Novambra 2015 tamin’ny 4 ora sy 35 minitra, hariva, ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Nitarika ny fivoriana, Andrimpanjakana izany. Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max, Filohan’izany Rehefa avy niarahaba an’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ny mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra, ny mambra ao amin’ny Governemanta ary ny Solombavambahoaka, Andriamatoa Filoha, dia nanambara ny fitohizan’ny fivoriana. Rehefa izany, niangavy ny Mpitantsoratra hanao ny fiantsoana anarana. Nanatanteraka izany Andriamatoa LIAHOSOA Malement. Taorian’izay dia nambaran’Andriamatoa Filoha ny fandaharam-potoana, fametrahampanontaniana ataon’ny Solombavambahoaka sy ny valiny avy amin’ny Governemanta. Rehefa izany, novakiana ny andininy faha-102, andalana faha-2 ao amin’ny Lalàmpanorenana mamaritra izao fivoriana izao. Mbola Andriamatoa LIAHOSOA Malement, ihany no namaky izany. Andininy faha-102, andalana faha-2: Fivoriana iray isaky ny dimy ambin’ny folo andro farafahakeliny, ka ao anatin’izany ny fivoriana atao mandritra ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana voalazan’ny andininy faha-76, atokana ho an’ny fanontanian’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimiera sy ireo valiny avy amin’ny Governemanta. Nanamarika, Andriamatoa Filoha, taorian’izay fa nisy fialan-tsiny voaray avy amin’ny Minisipanjakana, Andriamatoa RAKOTOVAO Rivo ; ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa RATSIRAKA Iarovana Roland ary ny Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, izay samy namita iraka avokoa. Nanarak’izay, nanambara ny fandaminana ny ho fizotry ny fivoriana araka ny andininy faha174 amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Filoha: Voalohany, mandray fitenenana fohy Andriamatoa Praiminisitra; manarak’izany, fametraham-panontaniana avy amin’ny Solombavambahoaka nisoratra anarana. Mamaly aorian’izay ny Minisitra voakasiky ny fanontaniana. Aorian’izay, mametraka fanontaniana ireo Solombavambahoaka tsy nisoratra anarana. Valian’ny mambran’ny Governemanta 2 izany. Mametraka fanontaniana ireo solotenan’ny Vondrona Parlemantera, mamaly na milaza ny heviny mikasika izany, Andriamatoa Praiminisitra. Taorian’izay, nandray fitenenana, Andriamatoa RAVELONARIVO Jean, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Nisaotra sy niarahaba ny mpikambana rehetra ato amin’ny Antenimierampirenena ary nilaza fa vonona ny handray sy hamaly ny fanontaniana hipetraka aminy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Avy hatrany dia asa fa tsy kabary, hoy izy, ka aleo hiroso amin’ny fandaharam-potoana isika. Nanambara, Andriamatoa Filoha, fa Solombavambahoaka miisa 99 no nisoratra anarana hifandimby hametraka fanontaniana araka ny nandraisana ny anarana tao amin’ny Biraon’ny Antenimierampirenena. Nisy ny tsangan-tànana mikasika ny faharetan’ny fandraisam-pitenenana; lany fa dimy minitra isaky ny Solombavambahoaka izany ary rehefa tapitra ny Solombavambahoaka miisa folo, mamaly ny Governemanta aorian’izay. Nifandimby nandray fitenenana ny Solombavambahoaka miisa 10 ka ireto avy izany, Andriamatoa sy Ramatoa isany : - TSIVOULANGNE Maximin - RANDRIAMAHEFA Henri Charles - VOLAHAINGO Marie Thérèse - VANOVASON Jean Adrien - RAVELONANOSY Mamitiana - RASOANOROMALALA Marie Horace - ROILAHY - RAHARIMANARIVO Voahanginiaina - RANDRIAMANDIMBISOA Felix - ANDRIANARIVO Harimampianina Razakarivelo Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenana tamin’izany, isaky ny Minisitera ny lohahevitra toy izao: Minisiteran’ny Asa Vaventy: Fangatahana amin’ny fanamboaran-dalana fa maro ny Kaominina no lasa mitoka-monina vokatry ny tsy fisian’ny lalana. Fangatahana « tracks » isaky ny Distrika. Fanamboarana ireo tetezana tapaka. Fanatsarana sy fikojakojana ny lalana efa misy. Misaotra tamin’ny fahavitan’ny lalana any Farafangana; avantana amin’Andriamatoa Praiminisitra izany fisaorana izany. Aiza ho aiza ny lalana Ambinanindrano-Ambositra, izay Filoham-pirenena rehetra manao fampielezan-kevitra dia milaza fa hatao io lalana io kanefa hatramin’izao mbola tsy vitaina, mino izahay fa hojerenareo amin’izay io lalana io. 3 Minisiteran’ny Fiompiana: Fanamboarana “abattoir” sy ny fanapariahana ny vaksiny hiarovana ny omby amin’ny aretina. Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Fitarainana amin’ny tsy fananana birao hiasana any amin’ny Distrika. Fitakiana ny tokony handoavana ny “subvention” sy ny karaman’ny “Dispensateur” any amin’ny Kaominina. Mino izahay fa ho tafiditra amin’io “loi de finances” io ny momba izany. Fahavesaran’ny “procédure” mikasika ny fitantanam-bolan’ny Kaominina. Ahoana ny momba ireo lalana Kaominaly satria tsy misy fitaovana azo hetsehina hanaovana azy. Fahasahiranana tsapa eo amin’ny fitantanana ny “Commune Urbaine d’Antananarivo”. Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekretera-panjakana miadidy ny Zandarimariampirenena: Lany andro ny Toby Miaramila sy ny Tobin’ny Zandary ao Sainte Marie ka mila fanavaozana. Fitakiana ny fametrahana DAS hiadiana amin’ny asan-dahalo, indrindra amin’ny toerana sokajiana ho faritra mena. Fanamafisana ny fametrahana “Poste Avancé” amin’ny lalana RN44. Tokony hojerena ihany ireo indro kely ataon’ny Miaramila sy Zandary manao ny “opération” fampandrian-tany any amin’ny faritra ireny. Tokony hisy fandaminana aorian’izany hetsika izany. Misaotra ny ao amin’ny Zandary fa mipetraka tsara ny “discipline” ho an’ireo mpianatra ho Zandary any Ambositra. Minisiteran’ny Fitsarana: Fametrahana Tribonaly amin’ny toerana tokony hisy an’izany satria mandeha lavitra ny olona manan-draharaha momba izany. Fanamboarana ny fonja any “Sainte Marie”. Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola: Fahatsapana fa misy olana eo amin’ny resaka hetra. Misy tsy fahampiana eo amin’ny fampiasam-bola. Inona no antony tsy ahazoan’i Madagasikara fanampiana avy any ivelany. Inona no antony nahatara ny « loi de finances rectificative ». Antony ara-toekarena ve sa ara-pitantanana. Ahoana ny fanadinana amin’ny handraisana ireo “pilote de ligne”. Misy mahazo “marché” ao amin’ny ACM kanefa tsy eken’ny “agent comptable” izany. Inona no antony. 4 Minisiteran’ny Fampianarana Ambony: Miangavy ny fanantaterahana ireo Didim-panjakana amin’izao tetibola izao sy ny tetibola ho avy araka ny taratasy avy any amin’ny SECES na ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony. Minisiteran’ny Fambolena : Fangatahana vahaolana mikasika ny tavy satria simba ny tontolo iainana sy ny biby arovana ao anaty ala. Inona no vahaolana atolotrareo fa afangaron’ny olona ny doro tanety sy ny doro ala (tavy), miteraka tebiteby ho an’ny olona tsy manana tanimbary izany tranga izany any Moramanga. Minisiteran’ny Rano: Fangatahana ny fitohizan’ny asa amin’ny fametrahana rano fisotro madio (Port Bergé). Minisitera-panjakana miadidy ny Fanajariana ny tany: Ahoana no vahaolana isorohana ny ady tany eto amintsika. Io no tena anisan’ny raharaha goavana eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Inona no antony androahana ny olona amin’ny tany efa nitoerany hatramin’izay, mbola any amin’ny fitsarana ny raharaha ao Toamasina II kanefa ny fandroahana no lasa mialoha. Maro ny olona no tsy manan-kialofana ka mila jerena akaiky io toe-javatra io fa mampalahelo satria tsy misy fampandrosoana raha izay no misy. Mbola manan-kery ve ny “ordonnance n°74-021” mifehy ny fananan-tany. Mitady vahaolana koa ny vahoaka fa misedra olana amin’ny famindrana tany lova ho amin’ny anarany, misy anefa, ohatra teo Andohatapenaka, roa andro monja dia voafindra tamin’ny “SEIMAD”. Raha azo atao haingana tahak’izany, maninona no tsy ampiharina izany. Inona no antony tsy nanamboarana ny orinasa teo Andohatapenaka izay tokony hiteraka asa ho an’ny tanora fa miandry ny handraisana ny OIF amin’ny taona 2016. Ahoana marina ny momba ny “délimitation” ho an’ny Kaominina, maro ireo very tombotsoa noho ny fifanitsahan’ny famaritana azy. Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: Inona no vahaolana entinareo hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana. Fitakiana ny fanalana ny “Directeur de l’Alphabétisation” sy ireo “Chef ZAP” sasany satria tsy mahomby amin’ny asa ataony. Minisiteran’ny Fahasalamana: Fanehoana fisaorana tamin’ny fahazoan’ny toerana sasany CSB II mba ahafahana mitsabo ny mponina ary maniry ny hitaran’izany amin’ny faritra hafa. Fangatahana fitaovana momba ny “radiothérapie” isaky ny Faritany mba tsy itadiavana vola be rehefa hanao izany any ivelany. 5 Mitaky ny fanampiana ny isan’ny dokotera ary ny hanaparitahana izany amin’ny toerana lavitr’andriana. Mangataka fampitaovana amin’ny fanafody tena ilain’ny mponina amin’ny toerampitsaboana rehetra. Mangataka ny fikojakojana ny hôpitaly ao Ambohimanarina. Misaotra ny Minisitry ny Fahasalamana tamin’ny fanomezana “dentisterie” sy “maternité” tany Ambositra. Misy fanafody ao amin’ny SALFA, tokony hozaraina eran’i Madagasikara ireo, mila fanampiana amin’ny fanaparitahana izany izy hamonjena ireo olona tena sahirana satria ho latsaka ny orana hiharatsy ny lalana. Miangavy fiaraha-miasa izy hahatanteraka izany. Minisiteran’ny Filaminana Anatiny: Mitaky ny fametrahana “Poste de Police” amin’ireo toerana heverina fa tena isian’ny asanjiolahy. Mitaky vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana fa mijaly ny vahoaka. Ahoana ny momba ny trano fonenana ho an’ny Polisy any Sainte Marie. Minisiteran’ny Angovo: Mila vahaolana amin’ny fampidiran-jiro ny olona satria samy te-hiaina amin’ny fahazavana. Mitaky ny fitsinjarana ara-drariny ny “redevance minière” amin’ireo toerana ahitana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany toy ny ao Ambatovy, mba hiverina amin’ireo Kaominina izany vola izany. Rahoviana marina vao ho tapitra ny “délestage”. Mimenomenona vokatr’io zavatra io ny ankabeazan’ny vahoaka. Mila vahana ny olana momba izany. Mangataka fametrahana jiro amin’iny lalana Andohatapenaka iny satria anisan’ny lalana ampiasaina indrindra kanefa maizina sady anjakan’ny tsy fandriampahalemana koa. Mitaky ny fampidirana jiro satria maro ny toerana ahitana rian-drano ahafahana misintona herin’aratra izay tokony hiarahana amin’ny ADER. Misy “groupe” tokony afaka hihodina ihany fa ny solika no tena manahirana. Minisiteran’ny Serasera: Fanamboarana ny “décodeur”-n’ny televiziona sy radio, izay simba ho an’Ankazobe, sahirana ny TVM sy ny RNM ao Ankazobe. Minisiteran’ny Mponina: Fijerena manokana ny vehivavy mba hahaleo tena amin’ny lafiny fampandrosoana satria maro an’isa izy ireo, kanefa ny 78% dia monina eny ambanivohitra ary miasa amin’ny karama farany ambany. Izany hoe miaina ao anaty fahantrana tanteraka ny vehivavy. Tsy ampy hahavita ny fampandrosoana tianay homena ny vehivavy ny eo an-tànanay, ka izany no anaovana antso aminareo tompon’andraikitra. 6 Minisiteran’ny Varotra: Fijerena ny faritra sasany amin’ny fisokafan’ny taom-pihotazana “letchi” satria ahatsapana fa misy tsindry hazolena ataon’ny mpanam-bola momba ny fanondranana ny vokatra. Aleo ianao Minisitra mihitsy no mandeha manokatra azy amin’ny fomba ofisialy. Ireo no filahatry ny Minisitera nametrahan’ny Solombavambahoaka fanontaniana tamin’ny andiany voalohany. Rehefa izany, nambaran’Andriamatoa Filoha, fa nisy taratasy avy amin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, milaza ny fahavononany hihaona amin’ny Solombavambahoaka amin’ny fotoana mahamety izany eo anelanelan’ny faha-12 ka hatramin’ny faha-30 Novambra 2015. Nomena fitenenana taorian’izay ny mpikambana ao amin’ny Governemanta hamaly ireo fanontaniana napetraka taminy. Andriamatoa RAVELONARIVO Jean, Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta. Misy ny fanontaniana ho raisiko ary misy hovalian’ny Minisitra araka izay mifandraika aminy. Manana sata manokana i Sainte Marie sy Nosy-Be. Nahazo fanampiana manokana avy tamin’ny fitondram-panjakana izy ireo. Betsaka ny asa hatao any an-toerana kanefa tsy maintsy jerena koa ny Kaominina hafa. Lalana efa anaty programa io lalana voalaza teo io. Misy ireo olana itambaran’ny Distrika rehetra toy ny tsena, ny “abattoir”, ny tsy fananantrano, ny Tribonaly Ambaratonga Voalohany sy ny fonja. Hatao izay hametrahana izany. Ny “abattoir” any Sainte Marie sy Farafangana, efa manomboka ny asa. Momba ny Kaominina vaovao; ianareo Solombavambahoaka no nangataka azy ka hojerena ny fampitaovana azy ireny, fa tsy maintsy miara-miasa kosa isika. Mikasika ny Polisy, Zandary ary Miaramila, ezaka iray tsy maintsy atao izay zavatra izay satria ny tsy fandriampahalemana izay atao vaindohan-draharaha amin’ny asan’ny Governemanta. Izay no anton’ireny atrik’asa natao ireny. Nojerena manokana ny Fampianarana Ambony ka efa nifampiraharaha tamin’ny mpampianatra mpikaroka ny fanjakana. Nisy ireo “décret” tamin’ny taona 2003, 2009, 2013, tsy nisy nampihatra izany, fa fitondrana tarihin’ny Filohampirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA no nahita ny marimaritra iraisana. Betsaka ny dorotanety eto amintsika; nandray ny andraikiny ny fanjakana. Misy ny “ordonnance n°60-137” izay nohamafisina tamin’ny “ordonnance n°78-028” milaza ny mahasaro-pady ny dorotanety satria mampigadra 6 volana ka hatramin’ny 3 taona ny fanaovana azy. Misy ny lalàna iadiana amin’io ary misy fifaninanana eny anivon’ny Kaominina sy Fokontany amin’ny fiarovana ny ala amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iaianana. Misy fanampiana omena izay Fokontany na Kaominina mahavoaaro ny ala ao aminy. 7 Mikasika ny “tracks” ho an’ny Distrika: misy fanomezana vola 200 tapitrisa Ariary ho an’ny Distrika tsirairay amin’ny Tetibola 2016 ka asa raha lanianareo ny tetibola, afaka ampiasaina hanaovana izany lalana izany hampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Momba ny Kaominina iray ao Antananarivo-Atsimondrano izay voalaza hoe « centralisée », hojerena akaiky fa voaray ny momba an’iny satria mirona amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy isika amin’izao fotoana izao. Voaray ny hafatra mikasika ny « contrat de travail » ao amin’ny ACM momba ny fanofanana ho « pilote » ary ho valian’ny Minisitra tompon’andraikitra izany. Eo amin’ny « pilote de ligne », efa miha antitra ny “pilote” eto amintsika; ny “théorie” ihany no vita eto Madagasikara fa ny “pratique” atao any ivelany. Afaka manome fiofanana ireo “pilote” tanora isika mandrapahazoany diplaoma mifandraika amin’ny fiofanana nomena azy amin’ny “école” ananantsika. Momba ny “insécurité” amin’ny lalana sy ny faritra eto amintsika: marina kanefa tsy anay irery tsy anareo irery fa iarahana mijery vahaolana ny momba azy. Tohizana amin’ny resaka kolikoly, anjarantsika no mijery izany ary misaotra amin’ny fanomezana anarana, fa tsy ekena ny kolikoly. Handray ny andraikitray izahay. Ny fandraisana mpampianatra FRAM: miisa 10 000 tamin’ny taona 2014; 10 000 koa tamin’ity taona ity ary hakarina 15 000 izany amin’ny 2016. Eo ampikarakarana ny “logiciel” mikasika ny FRAM ny Minisitera amin’izao fotoana izao. Mikasika ny rano: ny fomba fitsinjarana ny asa no nisy lesoka. Efa niangavy ny BAD izahay mba tsy ho foanana ny famatsiam-bola momba ny rano satria hosahirana ny vahoaka. Nalainy ny ambim-bola namitana ny fampidirana rano tao Maevatanana. Momba ny fangatahana “radiothérapie”, angamba ny Minisitry ny Fahasalama no hamaly azy. Heno ny hetaheta ka hojerena. Mikasika ny mampitarazoka ny “aide budgétaire” dia ny fepetra avy amin’ny mpamatsy vola no mahatonga izany. Isika koa anefa tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny tanintsika araka ny vina napetraky ny Filohampirenena. Tamin’izaho nitondra voalohany no nahazoantsika “aide budgétaire 20 Millions d’Euros” tamin’i Frantsa. Nisy “recette” tokony ho azo tamin’ny “douanes” 1 400 Milliards d’Ariary”, “1 127 Milliards d’Ariary” no azo tamin’izany; 71%-n’ny “recette” tamin’ny “loi de finances initiale”. Momba ny “recette” amin’ny “impôt”: “1594 Milliards d’Ariary”, ankehitriny “1379 Milliards d’Ariary” no azo, midika hoe 97% tamin’ny “recette” noeritreretina tamin’ny “loi de finances initiale 2015”. Nisy dinika natao tamin’ny mpamatsy vola ka mety hahazo « 45 Millions de dollars » avy amin’ny “Banque Mondiale”, “16 Millions de Dollars” avy amin’ny BAD, “15 Millions d’Euros” avy amin’ny “Union Européenne” ary « 10 Millions d’Euros » avy amin’ny Frantsay. Andrasana ny fahatongavan’ireo alohan’ny faran’ny taona. Momba ny LFR, izay voalaza hoe tara. Tsy vitan’ny lafiny teknika fa misy lafiny sosialy sy politika ihany koa. Handalo eto amin’ny Antenimierampirenena ny LFR sy LFI, ka anjaranareo no mandinika azy. 8 Mikasika ny jiro sy rano ao Ankazobe : vita ao anatin’ny herinandro izay, Andriamatoa Minisitra, satria manana traikefa amin’izany ianao. Efa voavaha ny resaka antontan-taratasy tamin’ny ADER amin’izany jiro any an-toerana izany. Hatomboka amin’ny taona 2016 ny asa momba izay. Mikasika ny vehivavy : sambany vao nisy fiahiana ny vehivavy eto Madagasikara tamin’ny famatsiam-bola “40 Millions de Dollars” avy amin’ny “Banque Mondiale”, manomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny taona 2019. Misy antony manokana matoa natsangana ny Minisitera miahy ny Mponina sy ny ara-tsosialy ary ny Vehivavy. Mikasika ny tetezana tapaka efa ho 15 taona any Toamasina; ho avy eto ny Minisitry ny Asa Vaventy, tany niaviany koa any ka ho hita eo. Omeo fanazavana mikasika ny antsipiriany amin’ny taratasy izahay momba izany fandroahana olona miisa 810 izany ary voalaza koa fa ny didim-pitsarana mbola tsy nivoaka kanefa efa natao ny fandroahana. Hojerena io olana mikasika ny fananan-tany io. Momba ny fanondranana “letchi”, eto ny Minisitra, ka izy no hilaza ny fanokafana izany amin’ny fomba ofisialy. Vokatra mampidi-bola io ka hojerena ihany koa satria misy fiantraikany amin’ny vahoaka. Momba ny “redevance minière”, eto ny Minisitra afaka hanazava azy fa misy lalana izorany daholo ny amin’izany. Tany ao Andohatapenaka : enga anie mba ho vaofindra ao anatin’ny roa andro koa izany. Misy ny “intérêt supérieur de la nation” sy « intérêt privé » ao anatin’ny zavatra rehetra. Anjaran’ny Minisi-panjakana izay ka ho hita eo ny famindrana azy. Tsy fampitahana no atao fa samy jerena ny raharaham-panjakana sy ny raharaha hafa. Misy ny “intérêt supérieur de la nation” rehefa misy fifanarahana iraisam-pirenena. Tsy manana ny antontan-taratasy momba izany aho, fa hampitoviana ny tadin-dokanga rehefa tonga ny Minisi-panjakana. Momba ny lalana Itaosy, arahabaina ianareo fa nahazo, natao iny lalana iny, teto ny Solombavambahoaka no nanamafy an’iny. Hojerena ireo lalana Kaominaly sy ny lalampirenena sasany mba hampirindra ny fampandrosoana. Mikasika ny « Commune Urbaine d’Antananarivo » : tsy misy zavatra ho vita raha adilahy politika no atao, aleo mifanatona. Azo atao ny “table ronde”. Nifanena tamin-dRamatoa « Maire » aho, nilaza tamiko izy fa misy zavatra tokony hifampidinihana. Tongava hoy aho taminy, ataovy ny « audience » kanefa hatramin’izao mbola tsy tonga izy. Aleo atao ao anaty fanajana ny soatoavina Malagasy ny zavatra tanterahina, tsy manidy varavarana izany izahay. Eo amin’ny resaka « délestage »; vita sa tsia. Vita ny “délestage” fa misy lafiny teknika irosoana amin’ny fametrahana ireo fitaovana vaovao. Mila faharetana satria firy volana aza no niainana tamin’izany, misy zavatra amboarina kely any Andekaleka dia tapitra ny “délestage”. Mikasika ny lalana any Ambinanindrano: hojerena izay, Andriamatoa Filoha Lefitra. 9 Zandary ao Ambositra : nampiakarina 1 200 ny isan’ny mpianatra noraisina, ny an’ny Polisy miisa 870; midika fa fitiavana hanafoana ny tsy fandriampahalemana ny anton’izany. Mikasika ny SALFA: eo ny Minisitra hamaly ny fizarana fanafody. Hisy “paramédicaux” miisa 500 horaisina manerana an’i Madagasikara araka ny tapaka tao amin’ny “Conseil des Ministres” mba ho fanatsarana eto amintsika ary 6 taona no miasa any amin’ny toerana anendrena azy, ampanaovina sonia mihitsy fa tsy hoe hamboarana “certificat médical” dia miverina eto Antananarivo indray. Izay no valin-teny azo omena, hoy Andriamatoa Praiminisitra; ka omena an’ireo Minisitra ny fitenenana raha hanampy ry zareo. Taorian’izay valin-teny izay, nanao satroka ny Solombavambahoaka RALINJANAHARY Tsitohaina Valimandresy sy ny Solombavambahoaka RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina, nanamarika fa mbola vitsy ny Solombavambahoaka nandray fitenenana, ny fotoana mandroso alina, ho tratra maraina ny fivoriana raha tahak’izay no halavan’ny valimpanontaniana hataon’ny Minisitra tsirairay. Noho izany, ilaina ny fandaminana ny fomba fiasa. Nanamarika, Andriamatoa Filoha, fa raha samy handany ny 5 minitra nomena azy ny Solombavambahoaka, mety haharitra 8 ora ny fandraisana fitenenana fa mbola tsy miaraka amin’ny valiny avy amin’ny Governemanta izay; tsy voatery holaniana koa io 5 minitra omena io. Aleo ovaina ny fomba fiasa raha izay no izy: omena fitenenana daholo ny Solombavambahoaka vao mamaly ny mambran’ny Governemanta. Rehefa natao ny tsangan-tànana: - Solombavambahoaka miisa 62 no nanangan-tànana Izay mitsipaka. - Solombavambahoaka miisa 3 no nanangan-tànana Izay tsy milaza ny heviny. - Tsy misy Lany fa omena fitenenana daholo ny Solombavambahoaka rehetra; aorian’izay vao mamaly ny mambran’ny Governemanta. Nametra-panontaniana avy eo ny Solombavambahoaka miisa 87 ; tsy nandray fitenenana kosa Andriamatoa RABENIRINA Jean Jacques. Teny anelanelan’ny fametraham-panontaniana, nisy fotoana nitarihan’Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard, Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’Antsiranana sy Andriamatoa RAZAFINDRAVELO Hermann, Filoha Lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toamasina ny fivoriana. 10 Marihana koa fa tonga nanatrika izao fihaonana izao ihany, Andriamatoa RAKOTOVAO Rivo, Minisi-panjakana misahana ny Fotodrafitrasa, ny Fampitaovana ary ny Fanajariana ny Tany, na dia nametraka fialan-tsiny satria vita ny iraka nataony. Ireto avy ireo Solombavambahoaka nifandimby nametra-panontaniana, Andriamatoa sy Ramatoa isany: - RAZAFIMILY Constance - RAHARIJAONA - RAHERISOA Vololona Victorine - TOVONAY - ELITAFA Basile - RAHOLIJAONA Harson - FARHAD Houssen - RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine - ALIDY Bin Soufou - MASY GOULAMALY Marei Jeanne d’Arc - RAMAHERIJAONA Hajanirina Lanto - ANGELE Solange - RAZAFINDRAKOTO Harifanja Francette - RANDRIANASOLO Dera Louis Charles - VELONTSARA Paul Bert - RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina - RAPHAELIEN Solofoniaina Emilien Narison - ANDRIANIRINA Josoa Marohajaniaina - RABENIRINA Jean Réné dit Game - NASSER Ahmed - RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges - RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona - RANDRIAMBOLAINA Gerry - VOLONY Jimmy - RANDRIAMAMPIANINA Ramilison - LIAHOSOA Malement - RABEKIJANA Solofo Hery - RAZARANAINA Nomenirina - HOUSSEN Abdallah - RAZANAMAHASOA Christine Harijaona - TODY Arnaud - RAVONINJATOVO Sahoby - IJO - RANDRIAMIALISOA Willison - RAZAFANANDRASANA Raulan - LEVAO Nitadiavina - RAZAFIMANDIMBY Germain Boniface - RAVELOHANITRA Nirina - RAZAHA Tondraha - RAJAOZANANY Jean Claude - RAHANTANIRINA Lalao - ZAFIMAHATRATRA Abel - NIARISY Mara 11 - MAHARAMBY Ndalana Espérant MANANJARA Ruffine Aurélie RAKOTONIRINA Joe Ernest RANDRIANASOLONIAIKO Steny Thierry MARORIKY RAVELOARIVONJY Behavana RALINJANAHARY Tsitohaina Valimandresy RANDRIARIMALALA Harijaona MILAVONJY Andriasy Philobert MAMOD ALI Hawel RIVOTIANA Richard Jean Bosco DINAH Romuald RANDRIANANDRAINA Théophile Christian RASOARIMALALA Georgette RATOVOSON MANOELINA Hery RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin RAKOTOMALALA Lucien RAHARINIRINA Sidonie RABEMANANJARA née Ramanandraisoa Célestine RANDRIANASOLO Jean Nicolas MOHAMAD Ahmad ANDRIAMASIMANANA Aurelie HELSON Brisson Erafa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard RATSIMBAZAFY Luc RAFENOMANANTSOA Tsirimaharo Ny Aina KATHY RANDRIANATOAVINA Jean Martin SOLAIMANA Mahamodo JEAN MICHEL Henri RAZANAKOTO NAHARIMAMY Lucien Irmah DELPHINE Florentine RAJAONSON Lantoarijaona Maminiriana Tsitohaina JEAN François Michel RANDRIANASOLO Volatiana Pauline RAZANADRABEARIMANANA Jacques Aurelien FAMINDRA Justin TSABOTOKAY Honoré RAHASIMANANA Paul Bert RANDRIA Joseph RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel HARINOSY Rabenerika Charlot RAMAROLAHY Maurice 12 Toy izao no ventin-kevitra Solombavambahoaka. nisongadina tamin’ireo fanontaniana napetraky ny Minisitra ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Solika: Tsy mazava ny politikan’ny fitondrana mikasika ny “goudron” ao Bemolanga, ilana fanazavana ny momba izany. Inona no fepetra tokony horaisina amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny Sinoa eto amintsika, ry zareo indray no toa lasa tompon’ny tanintsika. Handraiso fepetra koa ny fanomezana “redevance minière” ny Distrika sy Kaominina manodidina amin’ireo toerana itrandrahana harena an-kibon’ny tany. Mahavariana ny zava-mitranga amin’ny “projet” fitrandrahana vỳ ao Soalala, noho izany mangataka fanazavana amin’izany izahay. Mitondra tombotsoa ho antsika ve ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa sa tsia. Jereo izany mba ho tombotsoan’ny Faritra satria tsy ahatsapana fandrosoana ny toerana anaovany izany. Ahoana ny momba “terre rare” ao Ambanja. Misy “société” hanao “exploitation” ka inona no tokony hataontsika mikasika izany satria vitsy ny firenena ahitana azy. Mba itadiavo vahaolana ny angovo sy solika satria io no “blocage de développement” eto amintsika. Miteraka fahantrana mangitsokitsoka ho antsika izany satria mitovy ny vidintsolika “à la pompe” eto amintsika sy ny any Etazonia kanefa ny karamantsika no farany ambany raha ampitahaina amin’ny firenen-kafa. Minisiteran’ny Serasera : Mangataka ny fampitaovana ny TVM sy ny RNM amin’ireo Distrika tsy manana “émetteur” satria tokony hitovy ny fomba fahazoana vaovao ho an’ny rehetra. Mitaky ny hanesorana ny mpiasan’ny RNM izay manimba endrika ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao. Mila fanazavana mikasika ny mpiasan’ny TVM any Ambatondrazaka mikasika ny fomba fiasany. Minisiteran’ny Asa Vaventy: Toy ny teo aloha, niverina ny fangatahana ny fanamboaran-dalana sy tetezana amin’ireo toerana andalovan’ny lalam-pirenena sy Kaominina ary Distrika. Torak’izany koa ny fisaorana tamin’ireo lalana vita. Mangataka ny hanohizana ny asa efa natomboka tamin’ny fanamboaran-dalana satria vao maika mihasimba ny lalana ka miteraka fahasahiranana maro toy ny tsy fahafahana mamoaka ny vokatra, ny fitondrana marary hamonjy toeram-pitsaboana. 13 Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana: Tahaka ny teo aloha ihany, tokony ho azo atao ny manova ny « secrétaire trésorier et comptable »-n’ny Kaominina mba hisian’ny firindran’ny asa eo aminy sy ny Ben’ny Tanàna vaovao. Mitaky ny fanesorana ny « Chef de District » iray izay tsapa fa toa izy indray no mampisy ny asan-dahalo. Mitaky ny hanomezana ny vola ho fampandrosoana ny Distrika na ny “Fonds Local de Développement” ho an’ny “Collectivités Territoriales Décentralisées”. Inona no paikady hisorohana ny loza amin’izao fotoam-pahavatra izao, mba tsy hitrangan’ny zava-nisy tahaka ny teo aloha. Mbola nisy koa Solombavambahoaka nampahatsiahy ny fandoavana ny karaman’ny Sefo Fokontany sy ny “subvention communale” toy ny teo aloha. Ahoana ny fitsinjarana ireo « tôles » nomen’ny BNGRC. Tokony handraisana fepetra izany satria mety hisy toerana voa mafy kanefa tsy hahazo azy ireo. Ahoana ny fomba fiasan’ny BNGRC fa maro ny Distrika hadino taorin’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo ireny. Tamin’ny fifidianana “Maire” teo, nampakarina ny HVM, nahintsana ny “indépendant”, ny TIM, ny MAPAR, ny VPM-MMM. Mangataka ny hijerenareo izany toe-javatra izany satria efa niakatra “cassation” ny raharaha amin’izao fotoana izao. Fangatahana ny hanomezana ny karaman’ny “dispensataire”, ny mpiasan’ny “Etat Civil” sy mpiasan’ny “Région” toy ny teo aloha ihany koa. Fanomezana fahalalahana ny “Maire” hifidy izay olona tokony hiara-miasa aminy. Minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra: Ahoana ny mikasika ny famatsiam-bola izay tapitra kanefa maro ny “pylônes” mbola tsy voatsangana, tsy misy fifandraisana azo atao vokatr’izay. Teo koa ny naneho fisaorana tamin’ny fahazoana izany satria afaka mifandray amin’ny faritra hafa. Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony: Mangataka ny hanokafana « centre » ho an’ny « Baccalauréat » ho an’ireo toerana tokony hisy an’izany. Mijaly koa ny mpianatra rehefa hiatrika fanadinana amin’ny fandehanana dia an-tongotra lavitra, tahak’izay koa ny Raiamandreniny. Inona no fanazavana entinareo mikasika ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra any “Chine”; tena misedra olana na ny mpianatra na ny Raimandrenin’izy ireo. Inona no fepetra ilaina amin’ny fanokafana “Lycée” sy “Université privée”; tsapa fa maro izany amin’izao fotoana izao. Mila jerena ny momba azy ireny. 14 Isaorana ny Minisitera tamin’ny fikarakarana ny mpiasam-panjakana eny amin’ny oniversite. Tokony hitohy izany ezaka natao izany. Mitaraina ireo “centres nationaux des recherches” fa sahirana be amin’ny lafiny ara-bola. Inona no vahaolana entin’ny Minisitera momba izany. Minisiteran’ny Tontolo Iainana, ny Ekolojia ary ny Ala: Vaky ny “réserve” ao Ambatovaky, misy mitrandraka ny “rubis” sy vatosoa ao anaty “parc”; tokony hojerena akaiky ny mikasika izany satria sao lany ny harem-pirenena. Manomboka mahatsapa ny maharatsy ny “sachet plastique” ny any amin’ny Faritany ka ho avy ny rary, ny satrana; mila ampiana noho izany ny mpanao asa-tànana Malagasy satria anisan’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fampiasana ny zavatra vita eto amintsika. Mbola misy Distrika miaina amin’ny fanaovana tavy. Mitatra ny velaran-tany tsy azo ambolena, simba ny nofon-tany ; omeo vahaolana mba hialana amin’io fomba iray io. Inona no vahaolana raisina amin’ny ady amin’ny doro tanety na misy aza ireo sazy omena ireo tratra manao izany. Aiza ho aiza ny momba ireny « bois de rose » tratra ireny. Ahoana ny anjara vola tokony ho azon’ny Distrika nivoahany? Minisiteran’ny Fiompiana: Mangataka ny fanafoanana ny “abattoir” satria anisan’ny mampirongatra ny asan-dahalo ny famatsiana omby an’ireo toerana ireo. Inona no politika ampiasaina amin’ny “facteur de production”, manao “abattage” hatrany anefa isika fa tsy misy “production” ho fanatsarana ny omby. Tokony hisy “politique sectorielle de production” fa tsy faly hanao “abattage” fotsiny. Minisiteran’ny Asa, ny Fampianarana ara-teknika ary ny Fanofanana arak’asa: Mangataka ny fanokafana ireo foibe fanofanana arak’asa any amin’ny Faritra mba hahazoan’ny tanora mirotsaka avy hatrany amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fanofanana azy ireny. Aiza ho aiza ny tohin’ny “atelier” natao momba ny famoronana asa ho an’ny tanora? Tokony hojerena koa ny fananganana ny sekoly fampianarana teknika eto amintsika. Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: Hazavao aminay, iza marina no tena tompon’ireo nosy manodidina antsika na ny “îles eparses” satria tena mahabe resaka izany ankehitriny. Minisiteran’ny Harena an-dranomasina sy ny Jono: Mangataka fanazavana mikasika ny orinasa “AQUALMA” izay miompy makamba eto amintsika. Tsy miasa io orin’asa io ankehitriny. Inona no fepetra raisin’ny Minisitera manoloana izany? 15 Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fiahiana ny Vehivavy: Ahoana ny momba ny “allocation familiale” ho an’ny vehivavy, tsapa fa tsy hita taratra izany hatramin’izao. Aiza ho aiza ny fanomezana ny “indemnisation des victimes” tamin’ny tranga nahafaty andRamatoa Nadine RAMAROSON. Miangavy anareo tompon’andraikitra ho tonga hijery ifotony any atsimo raha misy tokoa ny kere any an-toerana na tsia. Inona no politikam-panjakana ho an’ny olona sokajiana ho marefo, hatramin’izao toa tsy tsapa ny fisian’izay politika izay. Minisiteran’ny Fizahan-tany, ny Fitaterana ary ny Famantarana ny Toetr’andro: Inona no “loi de référence” mifanandrify amin’ireny “communiqué” navoaka mikasika ny fiarakodia « volant à droite » ireny. Mba mila fanazavana mikasika izany. Manantena anareo ao amin’ny Minisitera fa hanome “pompier” ny tanàna tena mila izany ary mino koa izahay fa handeha indray ny “Boeing 737” izay ananantsika. Tokony hovelomina indray ny « piste d’atterrissage » ao Beloha Androy mba ahafahan’ny fiaramanidina mipetraka. Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola: Maninona no tsy raisinao izahay Solombavambahoaka, Andriamatoa Minisitra, amin’ny “audience” ataonay. Mba mila ovaina izay fomba fiasa izay satria an’ny Malagasy rehetra ny asa ataonao. Mitaraina ny “secteur privé” fa izay miasa mafy ihany no tataovana hetra betsaka; inona no vahaolana arosonareo ho azy ireo. Misaotra ny Minisitera fa vita ny tranon’ny “trésor” any Ikongo. Miangavy ny hametrahana tetibola ho an’ny Distrika ao anaty “loi de finances”; ny antony mila fandrosoana ny Distrika eto Madagasikara. Mangataka “franchise” amin’ireo fanomezana atao amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa avy any ivelany satria tsy itadiavam-bola ireo entana ireo fa fanampiana ho an’ny Kaominina. Momba ny “pension de veuvage”, mangataka “révision” mikasika izany fa tena ambany loatra ny vola raisin’ny mananotena. Mbola nisy namerina ihany koa ny fangahatahana fanazavana momba ny « élargissement des recettes fiscaux ». Fangatahana vahaolana mikasika ny CCAL, lasa vola baoritra io zavatra io ankehitriny. Mangataka ny fampitomboana ny isan’ny « percepteur principal » fa mijaly ny beantitra rehefa mandray vola fisotroan-dronono. 16 Mangataka fanazavana ihany koa amin’ireo Distrika manana Solombavambahoaka 2 amin’ny mety ho fampiasana ny vola “200 Millions d’Ariary” homena ny Distrika. Inona no antony mahatonga ny fijanonan’ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i ToliaraSoalala. Minisiteran’ny Rano: Fangatahana fametrahana rano fisotro madio ho an’ny mponina sy fanaraha-maso izay efa ananana satria misy tsy mety loatra ny fitantanana azy. Mangataka fametrahana “tuyauterie” fa maro no efa antitra, very ny ankamaroan’ny rano, lany andro amin’ny filaharana rano ny olona noho izay antony izay. Isaorana ny Minisitera tamin’ny fanomezana “groupe, tuyau” ary vola tamin’ireo faritra nahazo izany. Nitondra fampandrosoana izy ireny ka ezahana ny hitandrina azy araka izay azo atao. Manolotra soso-kevitra amin’ny fametrahana vovon-drano amin’ireo Fokontany madinika tokony hanaovana izany. Misaotra ny Minisitera fa tanteraka ny fampandehanana ny rano nangatahana tamin’ireo toerana nanao izay fangatahana izay. Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina : Soso-kevitra amin’ny tokony hananganana orinasa hiadiana amin’ny “exode rural”, lasa ireo olon-dehibe sisa no manao ny asa fivelomana eny ambanivohitra. Mangataka ny hanokafana indray ny orinasa « MAGRAMA » any Ambatofinandrahana. Mitondra fisaorana ho an’ny Minisitera tamin’ny fanokafana ny orinasa SIRAMA ao Brickaville; mitondra asa ho an’ny mponina izany ka ampitaina ny fankasitrahana. Maninona no manangana “industrie de transformation” sy “zone franche” isika mba ahafahana manodina avy hatrany ny vokatra eto amintsika. Ambany ny vidin’ny entana aondrantsika raha mitaha amin’ny vidin’ny entana afarantsika; izay no antony anaovana izany soso-kevitra izany aminareo. Novelomina ny orinasa mpanao siramamy ao Nosy-Be ka maniry ny hiverenan’izany tahaka ny teo aloha izahay any an-toerana. Inona no olana tsy anokafana ny orinasa TIKO. Tsy any Antsirabe ihany no hahazo tombony amin’izany fa faritra maro. Hadinoy amin’izay ny loko politika fa ny tombotsoam-pirenena no tokony hobanjinina amin’izao fotoana izao. Raha amin’ny fampiasana “sachet plastique”, ny “fécule de manioc” vitan’ny orinasa TIKO no anisan’ny vahaolana koa izany no anamafisana ny tokony hisokafany. 17 Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena: Mijaly ny tambanivohitra amin’ireo zavatra tsy mety ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny « Opération Fahalemana »; maro ny olona maty amin’ny tsy antony, tondro molotra dia mitifitra avy hatrany ny Miaramila. Miangavy ny fametrahana “camps militaire” na « caserne » ho an’ny Zandary, fa tena mijaly amin’ny asan-dahalo ny any ambanivohitra. Ilaina koa ny fampitomboana ny DAS sy ny Miaramila ao anatiny, fa ireo no akaiky kokoa ny vahoaka amin’ny fitandroana ny filaminana. Mangataka fanomezana tany sy fitaovam-pambolena ho an’ny Miaramila amin’izay mba sady mitandro ny filaminana ry zareo no mamokatra ihany koa. Mba jereo manokana ny Miaramila zazavao, fa raha mahazo fiofanana araka ny tokony ho izy, mety hihatsara ny filaminana eto amintsika. Tokony homena fampitaovana koa ny mpanao kalona satria ireo no miara-mampisy ny fahalemana. Miandry “opération” toy ny fahalemana koa ny faritra avaratra koa inona no antony tsy anaovana izany any an-toerana. Maro ny toerana sy faritra mandry fahalemana noho ny fampiharana ny Dina, koa maninona raha mba ankatoavina amin’izay izany amin’izao fotoana izao mba hampihena ny asandahalo. Tsy tokony hihoatra ny roa na telo taona amin’ny toerana iray ny “Commandant de Brigade” fa miteraka kolikoly noho ny fahazarana eo amin’ny mpiara-monina sy ny asa ataony. Mangataka mba hasiana kaompanian’ny Miaramila isaky ny Distrika mba hahamora ny fandraisana andraikitra sy fandraisana baiko. Avy aiza ny basy omen’ny “Srilankais” fanomezana rehefa mivarotra vato aminy ny mpitrandraka vato. Ara-dalàna ve ny fanaovany izany sa tsia. Minisiteran’ny Fahasalamana: Toy ny teo aloha, mangataka CSB I sy SCB II ary fampitaovana ireo toerana efa manana izany. Fangatahana « bloc opératoire », « ambulance », dokotera, mpampivelona, dokotera mpandidy, indrindra amin’ireo Disitrika saro-dalana. Miangavy ny fanatsarana sy fampitaovana ny hôpitaly fa mijaly ny marary amin’ny fividianana fanafody ivelan’ny trano itsaboana azy. Miangavy ny hamitana ny hôpitaly manara-penitra izay tsy vita hatramin’ny farany. Mangataka fanazavana mikasika ny “médecin inspecteur” ao Ambatondrazaka amin’ny fomba fiasany. Mitaky fandraisana fepetra amin’ny tsy fitandremana ataon’ny mpampivelona koa eo ampanaovana ny asany; miankina aman’aina mantsy ny asa tanterahany. 18 Mbola mipetraka ve ny fampiakarana CSB II ny CSB I ao amin’ny « réforme sur le secteur santé »? Isaorana ny Minisitera tamin’ny fanavaozana ny « bloc opératoire » ho an’ireo nahazo izany kanefa mangataka ny hampitaovana azy. Mangataka ny hanesorana ny dokotera vavy ao Andranovorivato-Fianarantsoa fa mimenomenona ny marary mila fitsaboana any an-toerana. Minisiteran’ny Angovo: Mangataka ny fampidirana jiro na fametrahana « panneau solaire » mba hahazoana herin’aratra fa tena mbola misy ny fahapahan’izany any amin’ny faritra maro eto amintsika ; na izany aza misaotra amin’ny fahatongavan’ny « groupe électrogène », mba misy ihany ny hazavana sy ny fandrosoana entiny. Isaorana amin’ny ezaka ataon’ny JIRAMA satria mba elaela izay no tsy nisian’ny « délestage », nihena ny fimenomenomana. Eo anatrehan’ny vidin-jiro sy rano, mangataka ny hampitoviana ny “facture” aloa ho an’ny faritra rehetra satria misy toerana sasany lafo dia lafo izany raha oharina amin’ny eto andrenivohitra. Aiza ho aiza ny momba ny “centrale thermique”, ho vita alohan’ny faran’ny taona ve ?. Minisiteran’ny Filaminana Anatiny: Mangataka ny hampitomboana ny “Commissariat de Police” manerana ny Nosy noho ny firongatry ny asan-jiolahy ; miteraka fahasahiranana koa ny fitondrana ny jiolahy amin’ny fanaovana famotorana amin’ny fahalaviran’ny toerana misy ny biraon’ny Polisy. Mila fitaovana hanaovana ny asa, toy ny fiara koa ny Polisy saika manerana ny faritra eto Madagasikara. Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria: Betsaka loatra ny zava-mitranga eto amintsika na andrenivohitra izany, indrindra eny ambanivohitra amin’ny asan-dahalo; inona no vahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana fa miaina ao anaty tebiteby sy tahotra ny vahoaka: tsy afa-mamokatra, tsy mandry an-trano fa any an-tsaha; maro tsy voatanisa. Zavatra azo tsapain-tànana no ilain’ny vahoaka, ka omeo vahaolana mikasika ny hamahana ny tsy fandriampahalemana misy amin’izao fotoana izao. Inona no tsy ampidirana ny Faritra sasany amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana. Mangataka ny fametrahana “poste avancé”-n’ny Zandary amin’ny toerana anjakan’ny asandahalo mba hampalaky ny fandraisana andraikitra manoloana izany ary koa mba ahafahan’ny mponina manao ny asa fivelomany ampilaminana. Mangataka ny fampitomboana ny isan’ny Zandary hisahana izany asa fampandriana fahalemana izany. Ahoana ny fanamboarana ireo tafo simba amin’ireo “caserne” iasan’ny Zandary, tsy misy tetibola natokana ho an’izany ve. 19 Raha mandeha eny amin’ny lalam-pirenena, be loatra ny fisavana ataon’ny Zandary kanefa rehefa misy fanafihan-dahalo, tsy misy mpitandro filaminana mitranga manao ny asany. Fanamarihana izay ka inona no tokony vahaolana atolotrareo. Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: Raha ny zavatra tsapa, misy ny “affectation politique” amin’ny famindrana toerana ireo mpampianatra ; eo anatrehan’izay, milaza ny “Chef CISCO” fa izany hono no baikon’ny Minisitra ; ahoana marina ny mikasika izany. Malahelo izahay raha ny zava-misy amin’ny toerana somary lavitra ny renivohitra na Faritany izany na Distrika na Kaominina satria mitotongana ny fampianarana, vitsy dia vitsy ny ankizy no tonga any amin’ny “classe de troisième”. Hanao ahoana ny ho avin’izy ireo sy ny firenena. Mitaky fandraisana andraikitra avy aminareo ny famporisihana ny Raimandreny sy ankizy hanohy ny fianarany. Mijaly amin’ny resaka trano sy birao hiasany ny “Chef CISCO” sy ny mpiara-miasa aminy koa mangataka ny hanamboarana izany ho azy ireo, indrindra ho an’ny toerana lavitra anareo tompon’andraikitra. Aiza ho aiza ny fangatahana natao hatramin’izay amin’ny tokony hanovàna ny CEG ho lasa “Lycée” rehefa mahafeno ny fepetra takiana ho amin’izany. Maro ny ezaka natao, hita fa nisy fitomboana ny isan’ny mpianatra koa maninona raha ampiana koa ny efitrano fianarana. Teto, niverina indray ny fitakiana ny fandoavana karaman’ny “maître FRAM” sy ny fananganana “Lycée agricole” mba hanomanana ny mpianatra hahay hiatrika ny fampandrosoana ny fambolena aorian’ny fianarany. Ho an’ny toerana sasany, lasan’ny olona ny tokotanin’ny “Lycée”, koa inona no fepetra raisin’ny Minisitera ho azy ireny. Inona avy no “critère” handraisana « maître FRAM », tsapa ny fisian’ny kolikoly ao anatiny ka tokony hojerena satria maro no lasa matiantoka tamin’ny fampianarana nataony. Minisiteran’ny Fambolena: Aiza ho aiza ny fanamboarana lakan-drano sy tohadrano hanondrahana ny velaran-tany ambolena mba hampitombo ny vokatra. Maro ny toerana voakasik’izany ka miangavy ny Minisitera mba hijery sy hanatanteraka izany. Iza no tompon’andraikitra amin’ny fandoavana ny karaman’ny CSA sy ny SEECALINE? Inona no vahaolana entina miady amin’ny kere any amin’ny faritra atsimo. Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana: Mbola 1 000 Ariary ihany no vidin’ny « letchi » efa ho 10 taona lasa izay, torak’izay koa ny vidin’ny akondro. Izany hoe tsy miakatra mihitsy tao anatin’ny taona maro. Mila fandraisana andraikitra io teo-javatra io fa ny mpanondrana ihany no tena mahazo tombony; ny 20 mpamboly kosa mianona amin’izay vola kely azony isan-taona amin’ny fotoana iakaran’ny vokatra. Omeo “prix de base” hiaingana ny tantsaha satria raisin’ny mpanangona vokatra amin’ny vidiny ambany loatra ny vokatra indrindra ny vary. Mijaly ny mpamboly ka mila ny fanampiana avy aminareo. Saro-pady any amin’ny faritra SAVA ny voly lavanila. Mandalo herinandro fotsiny ny teknisiana, tsy misy ny zavatra azo tsapain-tànana sy ny valin-teny mahafapo avy aminy. Inona no tokony hatao amin’ny fanatsarana ny vidim-bokatra any amin’iny faritra iny. Minisiteran’ny Fanatanjahantena: Maro ny fangatahana natao momba ny fanamboarana kianja fanaovam-baolina nataon’ny Distrika; aiza ho aiza izany amin’izao fotoana izao. Ahoana ny amin’ireo “gymnases” noresahana ny fanatontosana azy. Tokony ho tohizana ny asa kanefa ny kianja efa ilalaovana sahady. Fisaorana tamin’ny fanamboarana ny “stade” nataon’ny Minisitera kanefa aoka mba hazava kosa ny fitantanana azy ireo. Minisi-panjakana miadidy ny Fotodrafitrasa, ny Fampitaovana ary ny Fanajariana ny Tany: Maro ny tanim-panjakana no refesin’ny olon-tsotra, mba hitanareo ve izany ary inona no tsy andraisanareo fepetra aminy. Atahorana hitera-doza ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa; mila fanaraha-maso izany ka izay no antony ampitanay ny toe-draharaha aminareo. Ny fananan-tany no tena misy olana eto amintsika ary anisan’ny tena raharaha be indrindra eny amin’ny fitsarana; inona no vahaolana satria na samy teratany Malagasy aza lasa miady mihitsy, tsy mifankahazo intsony ny mpihavana. Misy koa olona sasany efa nipetraka 50 taona tamin’ny tany onenany avy eo misy olona milaza fa tompon’ny tany; roahina miala eo ny olona nanamaintimolaly ny tany. Inona no vahaolana manoloana izany raharaha sarotra izany. Maro ny mpanao hosoka amin’ny fandrefesan-tany, mbola ilana vahaolana koa izay zavatra izay. Betsaka ny toerana mbola tsy manana biraon’ny fananan-tany; mitaky ny hahazo izany izahay mba ialana amin’ny fivezivezena amin’ny toerana lavitra. Lasa kamo ny olona hikarakara ny taniny kanefa miteraka olana izany atỳ aoriana, indrindra ho an’ny taranany. Mangataka “plan” mba ho fanitarana ny tanànan’i Toamasina satria tsy fantatra ny tokony hatao manoloana ny fitombon’ny mponina; mihamaro ny fanitarana tsy ara-dalàna raha mandeha amin’izao. Olana koa no aterak’izay avy eo. Ahoana ny fanatanterahana ny PIC 2, fa miandry an’izany ny vahoaka satria eritreretina fa hitondra fandrosoana ny fanaovana azy. 21 Mitaky ny fanalana ny lehiben’ny “domaine” ao Manakara fa tena manimba fiaraha-monina ny zavatra ataony. Ahoana ny fampanantenana ny “port” manara-penitra. Hatao ihany ve sa resaka fotsiny. Anisan’ny mitarika fampandrosoana anefa ny fahavitan’izany. Nanambara izay niteny rehetra fa mahantra i Madagasikara satria misy “déséquilibre de répartition géographique” amin’ny zavatra ataon’ny Governemanta, aza atao tahaka izany fa vonjeo ny any ambanivohitra sy ireo toerana tena mitoka-monina tanteraka. Lafobe ny “taxe” eny amin’ny “port” satria simba ny toeram-piantsonana, mipetraka lavitra ny sambo noho izay antony izay. Omeo vahaolana momba izay, toy ny fanamboarana ny fahasimbana na ankoatr’izay; ianareo no tokony hahalala izay atao mikasika izany. Lohataona ny andro; maro ny haitrano atahorana hitranga, efa natao ny fangatahana “pompier” isaky ny Distrika koa asa manao ahoana ny momba izany. Minisiteran’ny Fitsarana: Nisy « patron »-n’omby voasambotra ; nahazo “mandat de dépôt” izy, avy eo anefa navotsotra. Ahoana no tena fomba fiasa fa na ny Zandary izay nadray ny andraikiny aza dia gaga tamin’io toe-javatra io. Inona no ataon’ny Minisitera amin’izay tranga izay. Maro ny Distrika tsy manana Tribonaly Ambaratonga Voalohany; mangataka ny fametrahana izany satria maro ny voka-dratsy ateraky ny tsy fananana azy. Maninona no misy olana ny famindran-toerana ny mpiasan’ny fitsarana; tsy toy ny olondrehetra tokony hafindra toerana ve izy ireo. Minisiteran’ny Asa-tànana sy ny Kolotsaina: Noho ny zava-nitranga teny amin’ny rovan’Ambohidratrimo, mba mangataka “gardien” hiambina izany ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Nisy nangalatra ny volan’ny artista tao amin’ny OMDA tany Toamasina, hiakatra fitsarana izany ka mila ampahafantarina anareo. Tsingerin-taona nahamay ny rovan’i Manjakamiadana androany, tokony mba ametrahanao ny dian-tànanao izany vanim-potoana izany. Ny fanontaniana izay tokony nivantana tamin’Andriamatoa Praiminisitra kosa dia momba ny fanatanterahana ny « Politique Général de l’Etat ». Aiza ho aiza izany satria tsapa fa mihamaro ny « 4Mi » na mpangataka eny an-dalana ; tsy eto andrenivohitra ihany no ahitana izany fa saika isaky tanàna lehibebe eto amintsika. Be loatra koa ny elanelana mampisaraka ny tontolo ambonivohitra sy ambanivohitra. Inona no tokony vahaolana hatao amin’izany. Mandeha tsara ve ny fanatanterahana ny PGE isaky ny Minisitera. Misy tanjona napetraka ve azo itsarana azy ireo amin’ny fanaovany ny asany. 22 Raha azo atao, mangataka ny fitondrana mba hamaly ny fanambaran’ny “ambassadrice de France” tamin’ireny teny nataony ireny. Taorian’ny fametraham-panontaniana nataon’ny Solombavambahoaka, niangavy ny hidiran’ny mpivory rehetra ato anaty efitrano, Andriamatoa Filoha, fa hiroso amin’ny famaliana izany ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Naneho fisaorana ny Solombavambahoaka tamin’ny fahavitrihana, Andriamatoa Filoha, nangataka koa mba ho tahaka izao hatrany izany fahatongavana izany. Taorian’izay, nomeny an’Andriamatoa Praiminisitra avy hatrany ny fitenenana. Rehefa nandray fitenenana, Andriamatoa RAVELONARIVO Jean, Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta dia nilaza fa mbola vonona ny hamaly ny fanontaniana ny mambran’ny Governemanta, saingy homeny ny Minisitra aloha ny fitenenana hamaliany izay tandrify azy ireo. Andriamatoa ANDRIAMANARIVO Mamy, Minisitry ny Fahasalamana Ny Minisiterako no nahazo fanamarihana be indrindra; midika izany fa anisan’ny laharampahamehana. Eo amin’ny resaka fotodrafitrasa: miisa 142 ny CSB II vita. Ny programa amin’izao fotoana izao, CSB II roa isaky ny Faritra no tokony hatao. Amin’izao itenenana izao, misy CHD II miisa 8 no vita hatramin’ny 80% ny asa fanamboarana azy. Mikasika ny CHU na ny hôpitaly be: efa manomboka mamatsy ara-pitaovana azy izahay ary efa nasiana “Professeur” daholo ireny miasa amin’ireny toeram-pitsaboana ireny. Misy koa ny “redéploiement” natao tamin’ny dokotera mpandidy ary hivoaka tsy ho ela ireo dokotera mpandidy hiasa amin’ny sehatry ny fahasalamana. Momba ny « paramédicaux » : miisa 500 izy ireo ary avy amin’ny “établissement privé”, any amin’ny Faritra no handefasana azy hanatontosa ny asany. Misy fepetra araka ny voalaza tany aloha ny fanatanterahany ny asany amin’ny toerana handefasana azy ireo. Raha eo amin’ny fandraisana mpiasa : miisa 500 koa no horaisina mialohan’ny faran’ny taona, ao anatin’izany ny dokotera, ny « personnel administratif et technique ». Marihana fa tsy hisy risoriso ny fandraisana azy ireo ; fanampin’izay, haparitaka eran’i Madagasikara koa aminy asa hataony fa tsy hivangongo amin’ny tanàn-dehibe fotsiny. Mikasika ny fitaovana toy ny “radio” : hividy “radio” maromaro ny Minisiteran’ny Fahasalamana ka hahazo voalohany amin’ny fizarana izany ny Distrikan’i Vangaindrano sy i Marovoay. Momba ny « radiothérapie »: tokony nanomboka tamin’ny taona 2012 ny fampiasana azy. Niarahana niaina ny zava-nisy ; hanomboka tsy ho ela ny fampiasana izany ary tena avo lenta satria ny « agence internationale de l’énergie anatomique » mihitsy no hiaraka aminay hanao izany “centre de radiothérapie de haut niveau” raha izay no azo ilazana azy. 23 Andriamatoa RAKOTOARIMANANA François Maurice Gervais, Minisitry ny Fitantanambola sy ny Tetibola. Tsy marina ny hoe : tsy mahazo « audience » ny Solombavambahoaka mankany aminay satria maromaro ihany ianareo Solombavambahoaka no efa noraisinay. Raha sanatria ka misalasala, azo atao ny miantso an-telefaonina. Mikasika ny “stratégie” amin’ny “élargissement de recette fiscal”: atao izay hampiakarana ny vola miditra amin’ny alalan’ny hetra sy fadin-tseranana. Izay no tetika azo ampiasaina hatramin’izao. Anisan’ny “stratégie” ny “vérification” atao amin’ny “société intouchable” raha izay no azo ilazana azy satria mety tsy no-« vérifier »-na mihitsy izy taloha noho ny antony samihafa na « vérification de complaisance » no natao taminy. Efa atao izany amintsika miteny izao. Manarak’izay, misy ny « renforcement de collaboration » eo amin’ny « Impôts » sy ny « Douanes ». Ilaina izany satria misy “informations” mety ananan’ny “Douanes” kanefa tsy ananan’ny “Impôts”. Hita amin’ny alalan’io fiaraha-miasa io ny “fausse déclaration” ataon’ny mpanafatra entana. Amin’ny « stratégie » ampiharina, hisy ny fametrahana « 500 pièces enregistreuses » avy amin’ny JICA izay fiaraha-miasa avy amin’ny firenena « Japonais », hapetraka any amin’ny « Restaurants », « Quincailleries », na « Entreprises » mba ahafahana manara-maso ny « chiffres d’affaires » ataony. Ao ihany koa ny fampidirana ao anatin’ny « secteur formel » ireo sehatra « informel ». Misy ny fandoavana ny “impôts sur les revenus intermitents” amin’izay fotoana izay. Momba ny CCAL : tsy afenina fa niakatra be tokoa ny « flux »-n’ny CCAL tato ho ato, tsy amin’ny tsy fakana lasantsy ihany fa eo koa ny fanakalozana azy ho vola. Noho izay fiakarana izay, betsaka ny trosa tokony nefaina kanefa misy amin’ny tetibola. Iaraha-mahalala fa ny « aide budgétaire 2015 » izay tokony hiditra dia andrasana amin’io volana Desambra ho avy io. Tsy ny “aide budgétaire” no andoavana ny CCAL fa ny RPI na ny « Ressource Propre Interne »-ntsika ihany. Izany hoe nanampy vola isika. Efa manomboka mandoa azy ny Fanjakana amin’izao ary mifampiraharaha amin’ireo « pétroliers » ireo. Mikasika ny karaman’ny FRAM sy ny Sefo Fokontany : hojerena akaiky mba tsy hisy loatra ny fahatarany; tahak’izay koa ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra any “Chine” sy Frantsa. Eo ampikarakarana izany ny Minisitera amin’izao fotoana izao. Ny olana amin’ny “projet” nosahanin’ny CCPREAS: hojerena manokana ny momba azy ireny. Jeneraly RAKOTOZAFY Dominique Jean Olivier, Minisitry ny Fiarovam-pirenena Fisaorana amin’ny fanampiana na “soutien moral” tamin’ny « Opération Fahalemana » ho an’izay rehetra nanao izany. Raha omena ny « bilan » tsotsotra dia tahak’izao manaraka izao ; teo amin’ny telo volana latsaka teo no nanombohan’ny « opération ». Omby very: 5 913, omby tafaverina amin’ny tompony: 5 432, dahalo voasambotra: 66, basim-borona tsy ara-dalàna : 68; Miaramila naratra: 18 ary ny Miaramila maty: 9. Saonjo iray lohasaha ka tsy ilaozan’izay mamarara. Misy ny tsy mety nefa narenina tsikelikely izany zavatra izany. 24 Fepetra noraisina tamin’ny fahafatesan’olona tany Midongy-Atsimo: efa “Mandat de dépôt” ny olona nanao izany. Ny tany Tsiroanomandidy: efa nidina tany an-toerana nanadihady ny zava-nisy ny tompon’andraikitra “2ème Adjoint”-n’ny CEMGAM ary nesorina tany mihitsy aloha ny “élements” rehetra, mba tsy hisian’ny korontana mandrampandray fanapahan-kevitra vaovao. Momba ny fangatahana DAS: ezahana ny hanaovana izany na vaovao io na fampitomboana ny “effectif”. Voaray ny fangatahanareo. Mikasika ny “reengagement”: voafetra ny “poste budgétaire” ka tsy ho vita ny handraisana ireo miaramila avy nanao “service légal” rehetra. “Obligatoire” ny “service légal” satria tsy vitan’ny hoe fanabeazana fa anisan’ny mahatonga ny “cohésion nationale”. Ny fomba fitaizana no hatsaraina sy ny fanomanana azy hiverina any amin’ny “vie civile”. Voaray ny resaka momba ny “corruption” sy ireo zavatra nanahirana ny Fokonolona, ny “affectation”-n’ny Miaramila izay tsy manaraka ny zavatra tokony hataony. Voaray avokoa ny fangatahanareo araka ny voasoratra ato. « Controleur Général de Police » RANDIMBISOA Blaise Richard, Minisitry Filaminana Anaty Voaray daholo ny fangatahanareo teo koa raha bangoina tokana dia fangatahana « Commissariat », « Poste de Police », fitaovana, fiara, « motos » ; fampitomboana ny « effectifs » ; raha tsy hitanisa afa-tsy ireo « zone rouge » tahaka an’Ikalamavony, Ikongo, Mandoto, Fenoarivo-Be. Malalaka ny varavaranay ary isaorana anareo Solombavambahoaka fa tsara ny fiarahana, voaray daholo ianareo izay mankany amin’ny biraonay. Miezaka hatrany ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka hanome fahafaham-po amin’ny fandriampahalemana. Tsy misy fampandrosoana ho vanona raha tsy misy fandriampahalemana ka hotanterahina araka ny fahitan’ny Minisitera ny hamehana raha mikasika ny fangatahanareo. Jeneraly PAZA Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria Amin’ny herin-taona raha sitrapon’Andriamanitra, hisy tetikasa hafa hiadiana amin’ny dahalo. Tsapa fa tsy vahaolana loatra ny fanokafana “poste fixe” na “poste avancé”. Ny antony: miparitaka ny Zandary, ny fitaovana anefa ny eo am-pelan-tànana ihany no entina miady. Tratran’ny be noho vitsy indraindray, ka mandevina ny zandry kely no ataonay. Hatsangana amin’ny herin-taona ny “unité spéciale anti-dahalo”. Hifampitady amin’ny dahalo io « unité » io, ao Betroka no hametrahana azy voalohany satria maro ny Zandary no maty tao. Ny Tafika kosa hapetraka ao Ihosy. Ny fangatahana “poste avancée” sy “poste fixe”: mila trano sy fitaovana ireo ka lasa miparitaka ny hery. Ireo “zones rouge” aloha no laharam-pahamehana, ezahina noho izany ny hanatevenana ny “effectif” amin’ny faritra hafa izay mangataka izany. 25 Misy ny “corruption” : raha mahafantatra ianareo, omeo anay ny anarana fa ho gadraina, tsy olana izany. Maintirano: nandefa Zandary efapolo izahay tamin’ny voalohan’ny taona nandamina ny raharaha tany. Nisy matin’ny tazo ny Zandary tamin’izany ary nalaiko tany an-toerana mihitsy. Ny dikany, mampandry tany ny Zandary. Tsaratanana: « zone rouge », mila ezaka manokana hatao aminy. Soanierana-Ivongo : Ampy io Zandary miisa 11 io raha ny fiheverana azy. Marovoay : marina fa mirongatra ny asan-dahalo, tsy dahalo fotsiny fa ireo mpamotsy omby halatra mihitsy. Ho azo amin’ity herinandro ity ireo olona ireo raha ny fiheveranay azy. Ny “Commandant de Brigade” ao Vohipeno hoe tsy atao maharitra ao: apetraka ny Zandary, misy mitory avy eo. Izay tonga eo tsy mahafa-po. Ho hita eo ny hanaovana azy. Izay no valiny azo omena, ireo tsy voavaly hataonay an-taratasy ka halefanay atỳ aminareo. Andriamatoa RAMPARANY Anthelme, Minisitry ny Fiompiana Resaka “abattoir” no tena natao teo, izay io no “finalité”-n’ny fiompiana. Ny tanjon’ny fiompiana dia fivarotana ary eo no ahitana ny « abattoir ». Marihana fa misy ny Solombavambahoaka nangataka “abattoir” ary misy koa ny nangataka ny hanafoanana azy. Misy ny “mésure d’accompagnement” marobe avy atỳ ambony na “en amont” napetraka mba hatao modely hampiroboroboana ny fiompiana. Ao anatin’izay ny tsy maintsy anaovan’ireo olona manao “abattoir” ny fiompiana na ny “ranching” sy ny “farming”. Ny “ranching” sy ny “farming” dia natao hitsinjovana ny isan’ny omby mba tsy ho lany tamingana. Izany hoe ireo manao fandraharahana mikasika an’io, tsy maintsy manao ny fiompiana. Ao anatin’izany ny “amélioration des races” satria mihakely ny “gabarit”-n’ny ombintsika eto Madagasikara. Andraikitry ny mpandraharaha no manatsara ny “gabarit” na manatsara ny taranany. Ao anatin’izay ny “sécurisation” hiarovana ny “traçabilité”-n’ny omby eto Madagasikara. “Projet” fanamby apetrakay ato amin’ny Minisitera io ary manao “expérimentation” amin’ny “boucle électronique” apetraka amin’ny sofin’ny omby mba ahafantarana ny mombamomba ny omby; izany hoe ny FIB sy ny kavina izay vidin’ny mpiompy lafobe no atambatra amin’ny “boucle” iray amin’izay fotoana izay, mihena any amin’ny 10 000 Ariary raha lafo indrindra ny vola lany amin’ny omby iray raha mihoatra ny 20 000 Ariary izany amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny Fanjakana amin’ny “sécurisation”-n’ny “cheptel” Malagasy ireo “opérateurs” ireo. Izay no ifanarahana. Manaraka, ny fanatsarana ny sakafom-biby : amin’izao fotoana izao, mihahaka ankalamanjana ny omby, mandoro tanety ny mpiompy satria mihevitra hoe hisy ahitra hitsiry avy eo. Tsy maintsy manao “élevage contractuel” koa ny “opérateur” izay mitovitovy amin’ny zavatra atao amin’ny fambolena hasy any atsimo. Ny “opérateur” no mifampiraharaha amin’ny mpiompy maromaro. Izy no mamatsy na manamora ny famatsiana fanafody ho an’ny biby, ho an’ny mpiompy sy ny fikarakarana ny fahasalaman’ny biby. Rehefa tonga ny fotoana ivarotana ny vokatra, ny “opérateur” no tsy maintsy ivarotana azy. 26 Any amin’ny faritra Atsimo sy faritra Anosy no ametrahanay ny “modèle” mikasika ny “abattoir”. Misy ny antsoina hoe “projet BOVIMA” ka izay “opérateur” tsy manaraka ny fenitra apetraka amin’io, tsy maintsy esorina aminy ny “licence” na ny “agrément d’exportation”. Miisa 400 isan’andro ny omby vonoina hohanina eto Antananarivo kanefa miisa 192 isan’andro no “capacité d’exportation faisable” azo atao eto amintsika raha ohatra ka tsy misy “effort” atao amin’ny “insemination artificielle”. Fepetra takiana amin’ny mpiompy ny tsy maintsy itodihany any amin’ny fivarotana na ny tsena; raha tsy misy ny “marché” dia tsy hisy ny “production” na ny famokarana. Efa misintona mpandraharaha sy “investisseur” izay hamokatra hena hiasa eto amintsika izahay izao. Efa misy any ivelany omby azo akana hena izay azo atao tsara eto Madagasikara koa. Andriamatoa RAKOTOVAO Rivo, Minisi-panjakana misahana ny Fotodrafitrasa, ny Fampitaovana ary ny Fanajariana ny Tany Tsotra ny antony mahatonga ny risoriso amin’ny fananan-tany: tsy fananana birao manerana an’i Madagasikara io sehatra iray io. Hasiana ezaka lehibe ny mikasika izany. Mangataka anareo hifanampy amin’izany satria betsaka ny toerana tokony hametrahana azy ary ho hitanareo ao anatin’ny “loi de finances” vaovao ny ezaka hatao amin’izany mba hampanatonana azy eny amin’ny vahoaka. Faharoa, ny fanamafisana ny BIF na ny Birao Ifotony ny Fananan-tany. Tsy marina ny tsaho alefa amin’izao fotoana izao fa hofoanana ny BIF fa fanamafisana no hatao betsaka; fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny “Maire” vaovao koa satria efa natao izany nanomboka tamin’ny taona 2005 kanefa noho ny tsy fahafantarana no nahatonga ireny ady lahy tsy misy farany ireny. Raha 120 000 no isan’ny “certificat foncier”, ny antsasany mahery mbola tsy nisy naka tany amin’ny birao. Anisan’ny nanaovana “opération” betsaka indrindra i Fianarantsoa kanefa mipetraka ao amin’ny biraonay ao ny karatany izay mahafehy mihitsy sy milaza fa efa anao ny tany. Mipetraka ao fotsiny kanefa tsy andoavana na ariary aza. Mila fitaizana sy fanentanana any ifotony any izany teo-javatra izany. Tsy misy politika fa ny lalàna no atao. Ny lalàna no mametra hoe ny tompon’ny tany no tompony fa tsy hoe manana “projet” ianao dia apetrakao amin’ny tanin’olona. Lasa miady hevitra ianao hoe ny “projet” nataoko ve no tsara sa ny “projet”-n’ny tompony? Ny lalàna narahana, atao amin’ny tokony ho izy ny zavatra atao, izay no mampety ny zavatra atao. Amafisina eto fa tsy misy fanenjehana be fahatany eto, ny lalàna no ampiharina. Amafisina ihany fa ny tany ao Andohatapenaka amin’ny « abattoir » dia tanim-panjakana io toerana io. Tsy ny TIM sy ny HVM akory no miady tany, fa ny kapitenin’ny indostria iray no mitady hibodo ny tanim-panjakana ka tsy azonay ekena izany. Ny “travaux d’urgence”, aleo Andriamatoa Praiminisitra no hamaly azy. 27 Ny any Miandrivazo sy Toliara, anisan’ny “travaux d’urgence” ireny, zavatra lehibe ireny ka mila iandrasana ny mpamatsy vola. Andriamatoa RAVELONARIVO Jean, Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Misaotra ireo Minisitra nanome valin-teny sy nitondra ny fanazavana teo. Misy fiantombohan’ny zavatra rehetra ary misy ny fiafarany. Efa nanomboka tamin’ny 10 ora, maraina, isika no teto, ora iray ihany no niatoana nisakafoanana. Andriamatoa Filoha efa Raiamandreny ka mitaky ihany ny torimaso satria efa reradreraka; izahay mbola vonona satria tanora. Raisiko ny an’ireo Minisitra sasantsasany satria ny Fanabeazana Fototra, ny “Enseignement Technique et Professionnel”, ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana siantifika, zavatra iray ireo; izany hoe mikasika ny fampianarana daholo. Nahavita izay vitany aloha ny fitondram-panjakana sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Betsaka ny sekoly vita. Raha ny noeritreretina tao amin’ny programan’asa, 95% hatreto no vita. Mikasika ny CEG sy Lycée, mitovy amin’izay ihany; ny sasany efa mipetraka, ao koa ny mangataka. Hamafisina ny fangatahana ka hotanterahana. Mikasika ny “Enseignement Technique et Professionnel” : misy ny nahazo betsaka. Ao anatin’ny politikan’io Minisitera io, mikendry mba ho isaky ny “Région” no hisy fampianarana ara-teknika iray farafaharatsiny ary roa isaky ny Distrika no kendrena ao amin’ny Paikady Natao Dinasa; nohamafisin’ny Paritra Malagasy zary Ohabolana koa izany. Niteny ny Solombavambahoaka avy any Port-Bergé teo fa tsy ao anatin’ny PND i SOFIA. Tsia, Tompoko, tafiditra ianareo. Ny Filohampirenena rehefa nametraka ny PND dia voasoritra tsara ao anatiny, ao amin’ny Tanjona faha-3 izay misy ny “croissance inclusive” sy ny “encrage territorial” fa ny “développement équilibré, harmonieux et durable de 22 Régions de Madagasikara” no atao; tsy marina ny voalaza. Tafiditra ao ny Faritr’i SOFIA. Nisy ny fanaovana ny “Internat”, 10 miliara ariary isaky ny Faritra. Nisy ny fampidirana rano fisotro madio izay mitentina 186 miliara ariary. Nisy ny fananganana sekoly, 466 miliara ariary isaky ny Faritra no nanaovana izany. Nisy ny “entretien routier” izay mitentina 5 miliara ariary isaky ny Distrika ary tsy afaka miala amin’izany koa ny fotodrafitrasa lehibe izay tsy voatanisa arakaraka ny Faritra iray. Momba ny Fampianarana Ambony: ho tanterahina ny fananganana “Université” any Ihosy fa rariny dia rariny izany. Renay ny fangatahan’ny Solombavambahoaka avy any Maroantsetra mikasika ny “Université”. Voarainay izay satria manahirana koa ny lalana amin’iny Faritra iny. Rariny dia rariny raha omena koa ianareo. Tsy diso anjara amin’izany ny Faritr’i Melaky. Koa izay tsy manana, ezahina ny hananany, izay efa manana, arahabaina. 28 Mikasika ny rano : betsaka ny nahazo nefa betsaka koa no tsy nahazo. Misy ny vita fa somary simba ka tsy maintsy harenina. Henon’ny Minisitra izany satria eto izy ary hotanterahina izany. Mikasika ny Asa Vaventy : ho avy eto amin’ny Antenimierampirenena izy eo anelanelan’ny 12-30 Novambra 2015, izy no hitondra valin-teny na momba ny lalam-pirenena izany na mikasika ny lalana Kaominaly. Mikasika ny Fiompiana. : niverimberina ny “abattoir” ao Ihosy ; hodinihanay ny amin’io zavatra io. Ao no tena ivon’ny fangalarana omby ka rariny raha hojerena ny momba azy. Raha amin’izao fotoana izao, ilaina ve izany ; “rentable” ve raha hiady amin’ny halatr’omby. Trafonkena nome-mahery iny ka samy mitsakotsako, am-po mieritreritra. Hojerenay ny andraikitra mifanandrify amin’izany. Mikasika ireo vahiny : betsaka ny niteny hoe misy Sinoa atsy sy eroa; nisy niteny koa hoe misy “Srilankais”. Ity no mba angatahako aminareo Solombavambahoaka : miangavy anareo re Tompoko, rehefa hitanareo ny zavatra iray, mandefasa taratasy atỳ amiko. Izaho tsy mba ela amin’ny “expédition” amin’ny zavatra iray. Hazavao aminay an-taratasy fa handray ny andraikitray izahay. Mampalahelo izany « Srilankais » mizara basy izany. Ny ametrahana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka no ataontsika eto. Izany mizara basy izany ve dia mbola tokony hipetraka eto Madagasikara na tokony mbola hanao “opération” ao. Miala tsiny aminareo aho, fa raha henonay efa ela izany efa tsy teto izy ireo; na farafaharatsiny manao “stage temporaire” eto amintsika. Momba ny Sinoa: omeo anay ny taratasy ahafahanay mandray “décision”. Tsy vitanay irery izany fa isika mitambatra no mahavita azy. Izany no mampisy ny gaboraraka. Rehefa tsy azonareo amin’ny fihaonana aho, ao ny “Directeur de Cabinet”-ko afaka mandray ny taratasy. Mitovy amin’izay ny mikasika ny “cacao” any Ambanja. Mbola tsy nanome “autorisation” olona hanaovana “liquidation” aho nanomboka ny 14 janvier à 23h 30 ka hatramin’izao. Samy hijery izany taratasy izany isika fa tsy ianao irery no hijery azy. Manaraka, fanontaniana niverimberina teo ny momba ny zavabitan’ny fanjakana sy hoe inona no politika. Tsy haiko ny politika fa ny Filohampirenena no miahy ny Malagasy tsy ankanavaka, lany tamin’ny fomba demokratika; efa nametraka ny politika ankapobeny ny fitondrampanjakana; voasoritra ao amin’ny PND izany ka nentinay teto tamin’ny programan’asan’ny Governemanta. Mba vakio ihany iny boky na manahirana ny mason’ny sasany, fa iny no politikam-pirenena amin’ny ankapobeny. Izay no malaza ankehitriny ny Paikady Natao Dinasa miaraka amin’ny Paritra Malagasy zary Ohabolana. Mikasika ny « Iles eparses ». Tsy hiteny betsaka aho satria efa novalian’ny Filohampirenena ara-dalàna omaly teny amin’ny rova ny momba azy ka tsy afaka hiteny betsaka aho. Efa nandray andraikitra ny Filohampirenena ary efa voasoratra tamin’ny “Résolution n°3491” tamin’ny 12 Desambra 1979 izay nilazan’ny Firenena mikambana an’i Frantsa hidinika amin’i Madagasikara; raha ny “souveraineté” momba an’io dia an’i Madagasikara izy ireo. Efa 29 nandray andraikitra ny Filohampirenena. Efa misy ny “voie diplomatique”, efa misy ny “commission” ka tsy anjarako no hitantara zavatra betsaka. Mikasika ny politika amin’ny kere: isika moa nandova ny lasa ary tsy mitsoaka ady. Misy ny politika natao momba ny kere ary mitady vahaolana izahay. Misy milaza hoe misy maty, hono, any Atsimo ; tsy marina izany. Mbola tsy nanala ny “opération” nataonay tany izahay. Efa eo ampanaovana sonia ny vola “42 Millions de Dollars” avy amin’ny Amerikana isika izao, nandalo tamin’ny USAID izany. Tadidio anefa fa nanome vola “4,5 Millions de Dollars” ry zareo, “en espèce”, ho entina miady amin’ny kere any Atsimo; iarahana amin’ny PAM, UNICEF, FNUAP, BNGRC ary ny ONN ka Disitrika dimy no hanaovana izany. Ao anatin’izay ny “agriculture”, ny “semence”, ny “élevage”. Ao ihany koa ny fieritreretana hisarihana ny rano, izay eo ampanaovana ny “étude” amin’izao fotoana izao. Izany no itenenana fa misy ny paikady anaovana ny asa. Tsy namela ny Faritra Androy sy Anosy ny fitondram-panjakana ary efa miatrika ny fiavian’ny orana sy tondra-drano ihany koa isika. Mikasika ny “cyclone” sy ny toetr’andro: efa nomena fitaovana ny Distrika miisa 20 ary ny Kaominina miisa 171; manana “vedette”, “signal d’alarme”, “manuel électrique”, fitaovana isankarazany ary misy koa ny trano andraisana ny “stock”-n’ny BNGRC any Fénérive-Est, Sambava, Mahajanga, Ambanja, Farafangana, Toliara ary Morondava. Ny “site de recasement”, misy lehibe ao Itaosy ary mbola misy hatsangana koa hitsinjovana ny ankizy mianatra. Ny fambolena: betsaka ny tohadrano efa namboarina. Maro ny nangatahanareo teo ary ho atao satria zava-dehibe imasoan’ny Filohampirenena ny fambolena ary isika no efa lany fa sompitry ny vary atỳ amin’ny ranomasim-be Oseana Indiana. Aza hadino fa vao haingana no vita sonia ny “34 Millions de Dollars” hambolena vary any amin’ny faritr’i Menabe, Manja, any amin’ny Faritr’i Melaky, avy amin’ny FIDA izany vola izany. Tany hatramin’ny « 25 000 hectare » no hanaovana ny fambolena. Misy ny “625 Millions de Dollars” homen’ny BAD mikasika ny fambolem-bary manomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny taona 2019. Misy fampivoarana ny dikan’izay rehetra izay. Mikasika ny “mine”: tsy ho ela dia hivoaka ny “Code minier” sy ny “Code pétrolier” satria efa nisy ny fivoriana notarihiko tao amin’ny Primatiora ary mbola hisy koa amin’ny herinandro mikasika azy roa ireo ihany. Ny dikan’izay, tsy ho ela dia hivoaka ny mikasika azy ireo. Hisy ny “redevance” ao ary tsy hitovy amin’ny “redevance” teo taloha; hanasoavana ny vahoaka Malagasy izany fa tsy hiditra any ampaosin-dRAVELONARIVO Jean na hiditra ampaosin’ny Filohampirenena. Izay no mampitarazoka azy satria tsy ho 1% na 2% intsony fa ao ny teknisiana manao azy. Mbola manana fahavononana izahay ato amin’ny Governemanta hiara-hiasa aminareo. Mazava ny tenin’ny Filohampirenena, fa tsy handrava ny Solombavambahoaka ny antony ametrahana ny Loholona. Atambaro ny hery ary manantena ny fiaraha-miasa lalandava izahay. Trano atsimo sy avaratra isika ka izay tsy mahalen-kialofana ; trafon-kena omemahery, am-bava mitsakotsako, am-po mieritreritra. 30 Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy. Toarian’izay, nisaotra an’Andriamatoa Praiminisitra, tamin’ny valim-panontaniana nomeny, Andriamatoa Filoha; nisaotra ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay niezaka namintina ny valim-panontaniana. Nambarany fa iaraha-mahita ny fahavononan’ny Governemanta amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Solombavambahoaka. Ny Solombavambahoaka koa efa nanambara rahateo ny fahavononana ary hita fa tena vonona ianareo ny hanome fahafaham-po tamin’ny valimpanontaniana tsirairay. Ny andro efa mandroso ho maraina. Raha ny tokony ho izy, tokony handray fitenenana tsirairay ny solotenan’ny Vondrona Parlemantera kanefa heverina fa efa voalaza teo tamin’ny ankapobeny ny zavatra rehetra. Izany hoe tsy, tsy nandray fitenenana intsony ny solotenan’ny Vondrona Parlemantera tamin’ity fihaonana ity. Taorian’izay, nanantitrantitra ny fisaorana tamin’ny fahavitrihan’ny Solombavambahoaka, Andriamatoa Filoha. Tena nidera ny Solombavambahoaka androany tamin’ny fahatongavana niatrika ny fivoriana. Nambarany fa tokony ho izao hatrany no hatao, tsy misy mitsoaka; taloha mantsy mametraka fanontaniana dia lasa. Voaporofo ny fahavononan’ny andaniny sy ankilany hiara-miasa ary izay no ilain’ny firenena amin’izao vaninandro izao. Teo am-pamaranana dia nampahatsiahy ny fandaharam-potoana manaraka, Andriamatoa Filoha, ka ny Alatsinainy 9 Novambra 2015 amin’ny 9 ora, maraina, hisy ny Asam-baomiera. Nanentana ny Solombavambahoaka voakasik’izany mba hamonjy izany izy. Nambaran’Andriamatoa Filoha koa fa avy nandray ny Tetibola taona 2016 sy ny Volavolandalàna fanitsiana ny Tetibola taona 2015 ny Birao Maharitra ka hivory ny Alatsinainy 9 Novambra 2015 amin’ny 11 ora, atoandro. Niato ny Asabotsy 7 Novambra 2015, tamin’ny 2 ora sy 35 minitra, maraina, ny fivoriana. NY FILOHA RAKOTOMAMONJY Jean Max