Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Alakamisy 3 Desambra 2015
Atoandro
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Fiantsoana anarana ...............................................................................................................01
- Famakiana ny tatitra .............................................................................................................02
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ..................................................................................06
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna ..........................................................07
- Adihevitra ankapobeny .........................................................................................................08
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika
ny volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 » .....................................................................09
- Fiatoan’ny Fivoriana ..............................................................................................................13
1
FIVORIAMBE
FILOHA: RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
MPITANTSORATRA: Andriamatoa RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina
FOTOANA: Alakamisy 3 Desambra 2015, tamin’ny 11 ora, atoandro.
FANDAHARAM-POTOANA: Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny
Volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 tamin’ny 4 Martsa 2015 « autorisant la ratification
par Madagascar de la convention d’entraide juridique et d’extradition contre le terrorisme
des Pays Francophones d’Afrique du 16 mai 2008 ».
-1- Fitohizan’ny fivoriana Ramatoa FILOHA
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mitohy ny fivoriana ara-potoantsika.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka tonga manatrika izao fivoriana izao.
Arahabaina torak’izany koa, Ramatoa Minisitry ny Fitsarana.
Arahabaina koa ireo teknisiana miaraka aminy.
Alohan’ny hirosoantsika amin’ny votoantin-draharaha, iangaviana ny Mpitantsoratra hanao
ny fiantsoana anarana.
Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Mpitantsoratra.
-2- Fiantsoana anarana Andriamatoa RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina
Angamba tonga dia alefantsika avy atsy ny fanaovana “présence” satria vitsy isika no tonga
eto, ka tsy hanonona anarana 151 intsony aho, azafady fa hakariko miakatra
ABDILAH
………………………………………..
…………………………………………………
………………………………………………………….
TSIVOULANGNE Maximin
Vita, Ramatoa Filoha.
2
Ramatoa FILOHA
Tompokolahy sy Tompokovavy, misaotra ny Mpitantsoratra isika tamin’ny fanatontosana ny
fiantsoana anarana teo.
Ny fandaharam-potoanantsika izao marainan’ny Alakamisy 3 Desambra 2015 izao dia
fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna
laharana faha-007/2015 tamin’ny 4 Martsa 2015 anomezan-dalana ny fankatoavan’i
Madagasikara ny fifanarahana amin’ny fifanomezan-tànana ara-pitsarana sy fifandefasana
olona voaenjika hiadiana amin’ny fampihorohoroana eo amin’ny Firenena miteny frantsay
eto Afrika tamin’ny faha-16 Mey 2008.
Koa iangaviana ny Mpampakatenin’ny Vaomiera hamaky ny tatitra momba izany.
Omena anao ny fitenenana Andriamatoa Solombavambahoaka
Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena.
MARORIKY,
-3- Famakiana ny tatitra Andriamatoa MARORIKY
Misaotra Ramatoa Filoha, nanome fitenenana.
Mamerina ny fiarahabana anareo eny amin’ny “perchoir”.
Miarahaba ny mambran’ny Governemanta izay tarihin-dRamatoa Minisitra.
Miarahaba ny namana ato amin’ny Antenimierampirenena.
Nivory ny Alatsinainy 9 Novambra 2015 tamin’ny 10 ora, maraina, ny Vaomieran’ny Lalàna sy
ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena nandinika ny Volavolan-dalàna laharana faha-007/2015
tamin’ny 4 Martsa 2015 « autorisant la ratification par Madagascar de la Convention
d’entraide juridique et d’extradition contre le terrorisme des Pays francophones d’Afrique
du 16 Mai 2008 ».
Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas, Filohan’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena,
no nitarika ny fivoriana.
Ireto avy ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika ny fivoriana,
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
Vaomieran’ny Lalàna:
1. RAHERISOA Vololona Victorine
2. RASOANOROMALALA M. Horace.
Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena:
1. RANDRIANASOLO Jean Nicolas
2. RAKOTONIRINA Joe Ernest
3. RALINJANAHARY Tsitohaina Valimandresy
4. MARORIKY
5. TOVONAY.
3
Tonga nanatrika ny fivoriana fa tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera:
1. RAZAFINTSIANDRAOFA Jean Brunel
Nahatonga fialan-tsiny:
Vaomieran’ny Lalàna sy Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena:
1. RASOLONOMENJANAHARY Fidélis Justin
Ireto avy ireo teknisiana nisolo tena ny Governemanta:
Ramatoa sy Andriamatoa isany:
- ANDRIAMISEZA Charles
- RAKOTONDRABE Noeline
- RALINIRINA Marie Simone
- ANDRIANARISON Maximienne
- Col MIHIA Jean Marcel
SG/MINJUS
DAJ
Chef/DAJ/MINJUS
Chef Législation/MINJUS
MDN
Fiarahabana ny mpivory no nanombohan’Andriamatoa Filoha ny fitenenany, taorian’izany
dia naneho fialan-tsiny izy noho ny fahataran’ny fanombohan’ny fotoana.
Rehefa izany dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana mba hanomezan’izy ireo fanazavana
mikasika ity volavolan-dalàna ity.
Raha nandray fitenenana ny teknisiana dia nilaza fa efa nisy didim-panjakana laharana faha2015-275 tamin’ny 4 Martsa 2015 navoakan’ny Governemanta momba ny fankatoavan’i
Madagasikara ny fifanarahana mikasika ny “entraide” sy “extradition” eo amin’ny firenena
miteny Frantsay atỳ Afrika tamin’ny 16 Mey 2008.
Fanazavana ny fizarana voalohan’ny volavolan-dalàna no nanombohany azy.
And.1: misy ny karazana voambolana maromaro sy famaritana, fangatahana “extradition”
ary fitanisana ireo “instruments universels” ao anatiny.
And. 2: fanendrena ireo olona ao anatin’io “autorités centrales” io.
And.3: filazana mombamomba ny asan’ireo “autorités” ireo.
And.4: misy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena.
And.5: manambara fa tsy azo ialokalofan’ny mpampihorohoro ny eto an-tany ka tsy azo
ivalozana ny fanenjehana.
And.6: ahitana ny fanjehena sy ny ady atao amin’ny mpampihorohoro izay tsy maintsy atao
mifanaraka amin’ny zon’olombelona.
And.7: mampiseho ny anton’ny fandavana.
Ny fizarana faharoa dia mikasika ny “entraide judiciaire”.
Nifanaraka ny tany tafiditra tamin’ity fifanarahana ity, fa hifanampy amin’ny ady atao
amin’ny fampihorohoroana. Ny SAMIFIN no miditra an-tsehatra eto amintsika mikasika ny
famotsiam-bola.
And.8 hatramin’ny 12: manasongadina ny antony, ny sehatra iharany, tsy famoahana ny
tsiambaratelon’ny banky, ny tsy fanekena fanamelohana roa samihafa ary ny endriky ny
fitoriana.
And.13: fanamorana ny fampitana ny fangatahana ny “entraide judiciaire”.
And.14: famaritana mazava tsara ny raharaha.
4
Ny and.15: manambara fa ity no “base juridique” rehefa misy fifanampiana ara-pitsarana.
And.16 sy and.17: milaza ny “confidentialité” sy ny “règle de la spécialité”.
And.18: mikasika ny momba ny antontan-kevitra sy antontan-taratasy eo amin’ny tany
anankiray.
And.19: mikasika ny “présence à l’exécution de la demande d’entraide”.
And.20: mikasika ny “légalisation et authentification”.
And. 21: milaza ny fotoana anatanterahana ny fangatahana.
And. 22 hatramin’ny 24: misy ny “restitution d’objets, dossiers ou documents à l’Etat Partie
requis”, “coût de l’entraide judiciaire » ary ny « transmissions spontanées d’informations ».
Ny fizarana fahatelo no milaza ny « extradition ».
And.33: manambara fa na tsaraina na alefa any amin’ny tany niaviany ny mpampihorohoro.
And.34: “infractions donnant lieu à extradition”.
And. 35: milaza ireo lalàna mikasika ny fampijaliana na “torture”.
And.36: mikasika ny antony hafa mety hahatonga ny fandavana.
And.37: manambara fa tsy maintsy fantatra raha misy eto amintsika ny famaizana.
And.38: ahitana ny endriky ny fangatahana sy ny votoatiny.
And.39 hatramin’ny 42: mitanisa ny « acheminement de la requête », « procédure
d’extradition simplifiée », « légalisation et authentification » ary « complément
d’information ».
And.43: azo atao ny misambotra ilay olona mialoha nefa tsy azo tazonina rehefa tsy
tomombana ny antontan-taratasy momba azy.
And.44 sy 45: milaza ny « droit applicable » sy ny « décision relative à la requête ».
And.46: misy ny fepetra mikasika ny “remise de l’individu”. Azo avotsitra ilay olona na azo
ahemotra ihany koa ny fitsarana.
And.47 hatramin’ny 49: mitanisa ny “remise conditionnelle ou reportée de l’individu”,
« remise d’objets » ary ny « règle de la spécialité ».
And.50: mamela ny fandalovan’ilay olona nahazo famindran-toerana (extradition) eo
amin’ny firenena iray.
And.51: filazana ny “concours de requêtes”.
And.52: milaza fa ny firenena izay mangataka ny ialany no miantoka ny saram-pitaterana
itondrana azy.
Ao amin’ny fepetra farany dia milaza fa afaka mametraka “amendement” ny firenena
mpikambana aorinan’ny dimy taona mampanan-kery ity fifanarahana ity.
Tsara ho marihana fa miaina ao anatin’ny Firenena Mikambana i Madagasikara ka efa
nankato lalàna iraisam-pirenena marobe hatramin’ny taona 2005 izay natao tany “Egypte”
ny taona 2006, tany “Russie” ny taona 2007, tany “Burkina Faso” ary farany tamin’ny taona
2008 tany “Rabat”.
Nanome baiko ny firenena eran-tany ny Firenena Mikambana hivondrona sy hanao fitaovana
iadiany amin’ny mpampihorohoro. Misy Malagasy nandray anjara feno tamin’ny
famolavolana ity fifanarahana ity.
Tsara ho marihana fa ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy no Filoha Lefitra tamin’io fivoriana
tany “Rabat” io.
Manan-kery ity fifanarahana ity raha ankatoavin’ny firenena folo (10) atỳ Afrika.
5
Marihina araka ny tomban’ezaka natao tany “New York” tamin’ny volana Jolay 2015 teo fa
efa nankato fifanarahana amin’ny ady amin’ny fampihorohoroana 13 amin’ny 16 i
Madagasikara.
Maro ireo fanontaniana naroson’ny Solombavambahoaka mikasika ity fifanarahana ity.
Fanontaniana:
1. Mahatsara antsika ve sa tsia ny fandaniana io volavolan-dalàna io?
2. Tamin’ny taona 2008 ity fifanarahana ity, efa nisy tranga niseho ve taty amintsika
mikasika ity fampihorohoroana ity ary iza no “terroriste” ahiahiana?
3. Halatr’omby ve ao anatin’ny asa fampihorohoroana?
4. Tsy mba nijery ny antony nahatonga ny fampihorohoroana iraisam-pirenena ve
nialoha ny nanaovana ity fifanarahana ity satria saika Silamo no manao izany?
5. Betsaka ireo Afrikana tonga eto amintsika manao asa fividianam-bato izay tsy aradalàna ny taratasy momba azy ireo. Ahoana ny fandraisana andraikitra mikasika
izany?
6. Tsy tokony hiampy ve ireo Minisitera hiditra ao amin’ny SNOLT satria ny lalàna
mihitsy no tsy mihatra ka tokony hampiharina hialana amin’ny fampiharana ny Dina
izay manome fahasahiranana ny vahoaka?
7. Mba efa nojerena ve ireo olontsika migadra an-taonany maro any “Maurice”?
Valiny:
1. Mahatsara antsika ity fifanarahana ity satria efa tamin’ny taona 2008 no
nanasoniavan’ny Minisitry ny Fitsaranan’ireo firenena Afrikana miteny Frantsay izany
ary manamora ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany.
Misy lalàna izay tsy ao anatin’ny Fehezan-dalàna Famaizana antsika Malagasy nefa
ato anatin’ity fifanarahana ity, toy ny fanenjehana ny firenena miray tsikombakomba
amin’ny asa fampihorohoroana sy fanamorana ny “entraide judiciaire” ka ity
fifanarahana ity no mamaritra azy.
2. Efa nolaniana ny lalàna 2014-005 miady amin’ny fampihorohoroana sy ny heloka
bevava iraisam-pirenena voaomana ka tsy hiandry iharany vao handany ity volavolandalàna ity, fa tokony hiomana mba tsy hisy zavatra handringotra amin’ny
fampihorohoroana mety hitranga.
Efa misy eo anivon’ny “Primature” ny SNOLT izay mamelabelatra momba ny
fampirohorohoana sy tokony hanao ny politikam-pirenena hiadiana amin’izany ary
efa nahazo fanampiana avy tamin’ny firenena mikambana aza izy io. Araka izany dia
tokony mba hanana tetibola manokana io fikambanana io.
3. Ireo karazana heloka voalaza ao anatin’ity fifanarahana ity no voafaritra ho anisan’ny
fampihorohoroana, fa afaka manolotra soso-kevitra isika mikasika ny halatr’omby
any aoriana.
4. Fitaovana enti-miady sy fiarovana ihany no nanaovana ity fifanarahana ity kanefa
tokony hojeren’ny firenena tsirairay avy ny tsy hisian’ny fitongilanana amin’ny olona
ao aminy ka hanjary hiteraka fifankahalana sy herisetra izay “terrain propice” ho
an’ny fampihorohoroana. Noho izany tsy voatery ho Silamo ireo mpampihorohoro.
5. Betsaka tokoa ny vahiny tonga eto amitsika, tsy Afrikana ihany fa ny Sinoa koa, ka
tokony handray andraikitra ny rehetra tandrify izany toy ny Minisiteran’ny
Raharaham-bahiny sy ny miandraikitra ny fifindra-monina ao amin’ny Minisiteran’ny
Atitany.
6
6. Ny rehetra no tompon’andraikitra amin’ny lafiny fampiharana lalàna. Efa misy ihany
koa ny CIS, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena ary ny “Interpol de
Madagascar” izay manana sampandraharaha miady amin’ny fampihorohoroana.
7. Tsy misy “convention bilatérale” toa an’i Frantsa sy “Comores” amin’ny “Maurice” sy
Madagasikara fa misy kosa ny “accord” tamin’ny taona 2008 eo amin’ny roa tonta
mikasika ny fahafahana mampody ny gadra.
Efa natomboka ny fampodiana azy ireo hanatanteraka ny sazy eto an-toerana saingy
tsy ampy ny enti-manan’ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’izany ka ireo izay afamiantoka ny fampodiana ny havany ihany no nahazo izany.
Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory.
Noho ny tsy fahatratrarana ny fetr’isa hahazoana mandray fanapahan-kevitra dia niato 30
minitra ny fivoriana ho fanajana ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena.
Rehefa izany dia nankatoavin’ny Vaomiera mitambatra ny volavolan-dalàna laharana faha007/2015 tamin’ny 4 Martsa 2015 « autorisant la ratification par Madagascar de la
Convention d’entraide juridique et d’extradition contre le terrorisme des Pays Francophones
d’Afrique du 16 Mai 2008 » ka hoentina handraisana fanapahan-kevitra farany eo anivon’ny
fivoriambe.
Nifarana tamin’ny 12 ora sy 20 minitra, atoandro, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny
mpivory, Andriamatoa Filoha.
Misaotra, Ramatoa Filoha.
-
Tehaka -
-4- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpampakateny, nitondra izany tatitra izany.
Hiroso amin’ny fanamarihana na fanitsiana ny tatitra izay novakiana tamintsika teo aloha
isika, fa mbola tsy miditra amin’ny adihevitra ankapobeny.
Koa atsangano ny tànan’izay handray fitenenana handraisana ny anarany; avy amintsika
Solombavambahoaka aloha, aorian’izay vao ny Governemanta.
Atsangano ny tànantsika izay handray fitenenana.
Tsy misy?
Avy aminareo ao amin’ny Governemanta.
Tsy misy?
Tsy nisy nandray fitenenana na ny avy ato amin’ny Solombavambahoaka na ry zareo avy
amin’ny Governemanta; noho izany, omentsika lalana hamonjy ny toerany ny
Mpampakateny ary isaorana ianao.
7
- Tehaka Midika ho fisaorana anao izany tehaka ataon’ny namantsika izany.
Fanamarihana: tsy dia maro loatra isika no tonga eto; na izany aza, miroso hatrany foana
isika amin’ny fandinihana lalàna satria maro ireo namantsika izay manomana ny
fandehanany any ivelany, na iraka any ivelan’Antananarivo izany na any ivelan’i
Madagasikara ary anisan’izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena.
Koa ialana tsiny amintsika, fa tsy hoe tsy zava-dehibe akory ity lalàna ity, tena zava-dehibe
ho antsika tokoa izy ity.
Vita izay ny momba ny tatitra; omena fitenenana, Ramatoa Minisitra, hamelabelatra amin’ny
ankapobeny momba ity volavolan-dalàna ity.
Marihina fa afaka mangataka fitenenana hatrany ianareo mandritra ny adihevitra.
Omena anao ny fitenenana, Ramatoa Minisitra.
-5- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry
ny Fitsarana
Misaotra, Ramatoa Filoha.
Ramatoa Filoha ;
Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ;
Ianareo Solombavambahoaka hajaina rehetra.
Miarahaba anareo rehetra, amin’izao fifankahitana eto izao.
Misaotra ny Mpampakateny nanazava ny fanapahan-kevitra noraisina tao amin’ny vaomiera.
Nazava tokoa ny tatitra izay nataony teo.
Fampahatsiahivana fohy no hataonay ka nahatonga ny nandrosoana ity fangatahana
fankatoavana eto anatrehanareo ity. Iarahantsika mahalala fa io asa fampihorohoroana io
dia loza mitatao ho an’ny filaminana sy fandriampahalemana eran-tany. Betsaka ny zavatra
simba sy aina afoy vokatr’izany. Vao haingana isika rehetra no nahita ny zava-nitranga tany
Frantsa.
Tsy noho izany ihany, fa isika koa araka ny voalaza tamin’ny tatitra teo dia efa nanao sonia
maromaro mba hiarahana miady amin’ity asa fampihorohoroana ity. Vokatr’izany indrindra
no angatahana fankatoavana, mba ho fandaniana ity “entraide judiciaire et extradition
contre le terrorisme” ity izay fitaovana hanamorana ny fahafahantsika mampihatra ny lalàna
izay efa nolaniantsika. Fitaovana koa hanamorana ny fifandraisana amin’ireo firenena
niaraka nanao sonia tamintsika momba ity fifanarahana iraisam-pirenena ity.
Raha sendra misy tranga, ho mora kokoa ny fanatanterahana ny fanenjehana ireo olona izay
nanao izany asa fampihorohoroana izany na dia efa nitsoaka any ivelany aza; na koa avy
namita asa ratsy tany ivelany ka sanatria mialokaloka atỳ amintsika; anisan’ny fitaovana azo
ampiasaina ny fandaniantsika ity “convention” ity.
8
Raha jerena ity “convention” ity dia misy fizarana telo, izay lalovako vetivety ihany.
Ny tapany voalohany, ahitana andininy fito misy ny fepetra ankapobeny mikasika ny
fifanomezan-tànana ara-pitsarana “entraide judiciaire” sy ny “extradition”.
Ny faharoa, misy koa ny fepetra manokana amin’ny fomba fanatanterahana ny “entraide
judiciaire” indrindra amin’ny paik’ady heloka.
Amin’ny tapany fahatelo, ahitana ary mivoitra manokana ao ny atao hoe “extradition”. Ny
foto-kevitra amin’izany, tsy misy azo ialokalofan’ny mpampihorohoro na aiza na aiza,
indrindra eto amintsika koa.
Manana adidy koa izany isika Fanjakana izay nanao sonia an’io “convention” io na hanolotra
ny olona izay takiana henjehina na manao ny fanenjehana avy hatrany.
Izay raha bangoina tsotsotra ny votoatin’ity fifanarahana momba ny “entraide et
extradition” ity, ka angatahanay fankatoavana aminareo Solombavambahoaka.
Misaotra Tompoko.
- Tehaka -6- Adihevitra ankapobeny Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Minisitra, tamin’ny famelabelarana nataonao teo.
Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika koa izay handray fitenenana, iangaviana
hanangan-tànana mba handraisana ny anarany.
Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain.
Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain
Misaotra, Ramatoa Filoha.
Miarahaba an-dRamatoa Minisitra sy ny teknisiana miaraka aminy.
Mazava angamba ny voalazan’ny Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Fiarovam-pirenena teo;
mazava koa ny teny nataon-dRamatoa Minisitra.
Ny fahitana azy, Ramatoa Filoha, “ratification” izy ity. Izany hoe, zavatra ilain’ny firenena
eran’izao tontolo izao. Tsy hitako sakana tsy tokony handaniantsika azy, fa mitaona ny
Solombavambahoaka rehetra handany avy hatrany.
Misaotra Tompoko.
9
Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Satria tsy misy manan-kolazaina intsony, hiroso amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ity
volavolan-dalàna ity isika.
Mbola misy handray fitenenana; ny Solombavambahoaka RAZANAMAHASOA Christine
Harijaona
Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona
Misaotra, Ramatoa Filoha.
Miarahaba anareo Birao Maharitra.
Miarahaba ny Minisitry ny Fitsarana sy ny “staff technique” ao amin’ny Minisitera.
Miarahaba antsika Solombavambahoaka namana rehetra.
Tsy fanamarinana angamba ny ahy fa fisaorana sy fankasitrahana an-dRamatoa Minisitry ny
Fitsarana satria ny “ratification” mikasika ny “extradition” amin’ny “terrorisme” amin’ny
“espace francophone africaine” dia anisan’ny zavatra lehibe indrindra amin’ny amaritana ny
tranga misy amin’izao fotoana izao amin’ny fahatahorana an’izany.
Ny tsy fanatanterahana azy ity tokoa mantsy no sakana, indrindra ho antsika, ho an’ny
firenentsika tsy ho tafiditra ao anatin’ny “groupe” ka mety hahatonga ny firenena Malagasy
ho ao anatin’ny “liste noire” amin’ny “groupe” manenjika ny “terrorisme”.
Anisan’ny mamporisika ny “ratification” momba azy ity izahay, Ramatoa Filoha sy ianareo ao
amin’ny Birao Maharitra.
Koa manainga ny Solombavambahoaka namana rehetra hiroso amin’izany ary mba ho
famantarana fa tia ny fampandrosoana ao anaty fandriampahalemana sy ny fiaraha-miasa
iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fampihorohoroana isika.
Misaotra Tompoko
-7- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika
ny volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 » Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka.
Marina daholo ny voalazan’ny namantsika teo.
Koa raha tsy manan-kambara intsony isika dia hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra
mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 tamin’ny 4 Martsa 2015 fanomezandalana ny fankatoavan’i Madagasikara, ny fifanarahana amin’ny fanomezan-tànana arapitsarana sy fifandefasana olona voaenjika hiadiana amin’ny fampihorohoroana amin’ny
firenena miteny Frantsay eto Afrika, tamin’ny faha-16 Mey 2008.
10
Marihina fa ahitana andininy miisa roa ity volavolan-dalàna ity.
Ary araka ny voalazan’ny andininy faha-161 ao amin’ny didim-pitondrana laharana faha-67AN/P mikasika ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena dia tsy azo kitihana ireo
andininy ao anaty fifanarahana, fa na ankatoavina na tsipahina na ahemotra ny fandinihana
azy.
Amin’izao fandraisana fanapahan-kevitra izao dia ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika
Anaty koa no ampiharintsika.
Koa izay mandany ity volavolan-dalàna ity, atsangano ny tànana
- Ny Solombavambahoaka rehetra tonga nivory no nanangan-tànana Izay mitsipaka.
- Tsy misy Izay milaza fa ahemotra ny fandaniana azy.
- Tsy misy Izay tsy milaza ny heviny.
- Tsy misy Ambarako fa lany ity volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 ity.
Taorian’izay fandaniana ny volavolan-dalàna izay, omentsika fitenenana, Ramatoa Minisitra,
raha toa misy teny tiany ambara.
Omena anao ny fitenenana, Tompoko.
Ramatoa RAMANANTENASOA Noëline, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry
ny Fitsarana
Misaotra, Ramatoa Filoha.
Ramatoa Filoha ;
Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra ;
Ianareo Solombavambahoaka hajaina.
Tsy manana teny holazaina firy izahay, fa ny fisaorana sy fankatelemana no atolotray anareo
amin’ny fiaraha-miasa izay niarahana teto ary manaporofo ny fitsinjovana sy ny fiahiahiana
mandrakariva ho tombotsoa ambonin’ny firenena mba ahafahantsika miara-milahatra
amin’ireo firenena hafa izay samy miady amin’ity asa fampihorohoroana ity.
Mankasitraka sy mankatelina izahay avy ato amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny
solotenan’ny Governemanta iray manontolo.
Misaotra Tompoko.
11
Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Ramatoa Minisitra.
Tompokolahy sy Tompokovavy, isaorantsika Ramatoa Minisitra sy ireo teknisiana niaraka
taminy tamin’ny fiaraha-midinika sy ny fanomezam-panazavana mikasika ity volavolandalàna ity.
Mialohan’ny hiatoan’ny fivoriana, tiako ny mampahafantatra antsika fa anio tolak’andro….
Misy satroka, omenao ny fitenenana Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain;
manaraka ny Solombavambahoaka RANDRIAMAMPIANINA Ramilison.
Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain
Raha ny fahafantarana azy, tsy mahatratra ny fetr’isa isika izao. Aleo angamba manaraka ny
Fitsipika Anaty ihany isika, ka rahampitso maraina no atao ny “deuxième adoption”;
amin’izay na firy na firy mandany azy dia lany ny lalàna, Ramatoa Filoha.
Misaotra Tompoko.
Ramatoa FILOHA
Misaotra, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Omena fitenenana ianao.
Andriamatoa RANDRIAMAMPIANINA Ramilison
Misaotra, Ramatoa Filoha, nanome ny fitenenana.
Izay ihany no saika hoteneniko kanefa mba misy tsetsatsetsa tsy aritra miseho amin’iny RN7
iny, Ramatoa Filoha. Tsy eto moa ny tompon’andraikitra ao amin’ny Minisiteran’ny Asa
Vaventy ka miangavy, Tompoko, ny ilazana izany resaka izany eto. Niara-nahita tamin’ny
fahitalavitra isika fa nisy ireo mpampianatra avy niofana tany Mahajanga, niharan-doza
tamin’iny lalana RN7 iny, tao avaratr’Antanifotsy: telo no maty ary valo maratra mafy any
amin’ny hôpitalin’Antsirabe.
Raha nandeha niakatra taty indray izahay androany, efa misy anankiray voa indray ao
amintsika miteny izao, fiara 4x4.
Ny tiana ahatongavana, Tompoko, manao tatitra raha mba azo atao, Ramatoa Minisitra, mba
ento any amin’ny fitondram-panjakana any ambony any na any amin’ny Minisitry ny Asa
Vaventy, fa tokony hesorina io kihon-dalana, io “tournant” io fa tena maro ny olona maty ao.
Tsy vitan’ny hoe omaly sy androany ihany, fa tao anatin’ny iray volana angamba, efa
fiarakodia teo amin’ny fito teo no voa tamin’io toerana io.
Izay no fiangaviana, Tompoko, raha azo atao.
Misaotra Tompoko.
12
Ramatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka.
Miangavy an-dRamatoa Minisitra isika mba hampita izany any amin’ny Governemanta.
Mikasika ny hoe tsy mahatratra fetr’isa isika. Raha nihaino tsara ny zavatra novakiako teo
isika, voalaza fa amin’izao fandraisana fanapahan-kevitra izao dia ny andininy faha-86 ao
amin’ny Fitsipika Anaty no ampiharintsika. Tsara ho fantatsika ihany izay; tsara ihany raha
mba vakiana iny “Règlement Intérieur” iny, fa ao anatin’ny “article 86” no milaza izany.
Miangavy kely an’Andriamatoa Mpitantsoratra mba hamaky izany satria ampiharintsika
foana izay rehefa amin’ny “situation” ohatran’izao.
Misaotra Tompoko.
Andriamatoa RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina
Izao no voasoratra ao amin’ny « chapitre-XV : Des Modes De Votation:
Article 86 : Sans préjudice des dispositions de l’article 70 du présent Règlement Intérieur,
l’Assemblée est toujours en nombre pour délibérer et pour régler son ordre du jour.
Les votes émis par l’Assemblée sont valables quel que soit le nombre des présents si, avant
le début de la séance, le Président n’a pas été appelé, sur demande personnelle du président
d’un groupe, à vérifier le quorum en constatant la présence, dans l’enceinte du Palais, de la
majorité absolue du nombre des députés calculée sur le nombre de sièges effectivement
pourvus.
La demande personnelle du président d’un groupe n’est recevable que si la majorité des
députés qui constituent ce groupe est effectivement présente dans l’hémicycle.
Lorsqu’un vote ne peut avoir lieu faute de quorum, la séance est suspendue après l’annonce
par le Président du report du scrutin qui ne peut avoir lieu moins de quinze minutes après; le
vote est alors valable, quel que soit le nombre des présents ».
FIZAHAN-TAKELAKA
Pejy
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................01
- Fiantsoana anarana ...............................................................................................................01
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina ...................................01
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................02
- Famakiana ny tatitra .............................................................................................................02
- Teny nataon’Andriamatoa MARORIKY ..................................................................................02
- Fanamarihana na fanitsiana ny tatitra ..................................................................................06
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................06
- Famelabelarana ny antonanton’ny volavolan-dalàna ..........................................................07
- Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline,
Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ............................................07
- Adihevitra ankapobeny .........................................................................................................08
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................08
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain ............................................09
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................09
- Teny nataon-dRamatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona .........................................09
- Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika
ny volavolan-dalàna laharana faha-007/2015 » .....................................................................09
- Teny nataon-dRamatoa RAMANANTENASOA Noëline,
Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ............................................10
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................11
- Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain ............................................11
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAMPIANINA Ramilison .............................................11
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................12
- Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANARISOA Guy Célin Rivoniaina ...................................12
- Teny nataon-dRamatoa FILOHA ............................................................................................13
- Fiatoan’ny Fivoriana ..............................................................................................................13

Documents pareils