S.Sa.AF - FJKM Ankadifotsy

Transcription

S.Sa.AF - FJKM Ankadifotsy
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 1
TAFAHAONA !
Fanolorana ireo Sampana,
Sampanasa sy Asa, Fikambanana
ato amin’ ny FJKM Ankadifotsy
“Izao no namelako
anao tany Kreta, dia ny
handaminanao
izay
mbola tsy tanteraka…”
Tit. 1. 5
Gazety natao hitaizana
sy hampaherezana antsika mpianankavin’ny Finoana rehetra ato amin’ny
FJKM Ankadifotsy ity
Gazety
Fafana
ity.
Amin’izao taom-pankalazana izao dia mety indrindra ny mampahafantatra
antsika ireo sampana rehetra efa mijoro, sy ireo
sampan’Asa teraka avy
tamin’ireo ary ireo Asa sy
Fikambanana isan-tsokajiny mitaona ny mpino rehetra hirotsaka an-tsehatra amin’ny fiaraha-manompo ny Tompo eto anivon’ny fiangonana misy
antsika. Ao koa ireo Vaomiera samihafa sy komity
natsangana hisahana tetik’asa ho fampandrosoana hatrany ity fiangonan’Andriamanitra ity.
Koa fantaro àry izay
sehatra hahefanao be (sy
tsara) amin’ny fanompoanao ny Tompo, fa “Moa
tsy fantatrao va, …fa tsy
vanona ny finoana tsy
misy asa?” Jak. 2:20.
Indreto ary ireo Sampana Sampan’Asa Sy
Asa, Fikambanana misy
ato amin’ny FJKM Ankadifotsy, fantaro, dia mifidiana izay tianao hanompoana ny Tompo, fa
miantso anao i Jesoa
Kristy, Ilay Tompo sy Lohan’ny Fiangonana.
Ny Mpitandrina
Ranjakavola
Indro atolotra antsika ao anatin’ny laharana manokana ity ireo karazana Sampana sy Sampanasa sy Asa, Fikambanana ato amin’ny Fiangonana. Hanampy
antsika izay tsy mbola ao anatin’ny fikambanana ny fahalalana izany, mba ho
zara fanompoana ihany koa.
VAOMIERA
Ireo vaomiera sivy ao
amin’ny mpihevi-draharaha
S.Sa.A.F
Ireo seham-panompoana
azo isafidianana
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 2
6
Aogositra 2014
S.Sa.A.F.
Ireo Sampana eto amin’ny fitandremana
Miisa valo ireo Sampana eto amin’ny fiangonana.
Samy manana ny maha izy azy, izay aseho antsika
amin’ny alalan’ny fampahalalana azy tsirairay avy. Manana safidy ny mpino amin’izay tiany sy manavanana
azy. Araka ny fitaizana azontsika, tokony ho any anaty
sampana avokoa ny mpianakavin’ny finoana rehetra.
Sampana Tanora Kristiana
Ny taona 1897 no niorina teto amin’ny FJKM
Ankadifotsy ny Sampana Tanora Kristiana ka ny
hitaiza sy hanabe ny tanoran’.ny fiangonana, hahery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy no
antom-pisiany. Ny literatiora sy ny dihy no fitaovana hanabeazana amin’izany mba hahatonga azy
ireo ho tanora feno.
Ny isan’ireo mpikambana ankehitriny dia
mahatratra 63 saingy manodidina ny 45 eo ireo
mavitrika mamonjy fivoriana. Ny fotoam-pivoriana dia isaky ny Alahady hariva ao amin’ny IFR
manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro
ka hatramin’ny
5 ora ary
amin’ny 5 ora
ka hatramin’ny
6 ora sy sasany
ny fianarana
sora-dihy.
Ny Birao
mitarika
ny
Sampana ankehitriny : ny
Filoha dia Rakotoniary Rivonantoanina
Jean Eric Johnson, Filoha mpanampy: Randriamalala Ramparany Johary sy Randrianalison Herizoa, ny mpitan-tsoratr a: Randrianarisoa Kanto
sy Andrianaivoarisoa Jessy Michou, ny mpitambola : Rabeantoandro Lantomahefa Aslan ary Ravaoarisoa Rapitsaravola Francinah mpitantsoratry
ny vola.
Nandritra ny fankalazana ny Jobily faharoa
ny taona 1997 no nisafidianana ny teny filamatra
hoe «Tanora maharitra ao amin’i Kristy, mifaly
amin’ny fanantenana », izay mbola ifotoran’ny
Sampana hatramin’izao. Isan-taona dia mifidy
teny filamatra iray ny Sampana hanankinana ny
fandaharam-pitaizana mandritra ny taona. Ity
2014 ity dia: « Amin’ny zavatra rehetra dia
mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay » no andinin-tsoratra Masina notsoahana tao amin’ny IIKor 6: 4b no
Misimisy ihany ny asa efa notanterahin’ny
Sampana nandritra izay 120 taona latsaka izay fa
tsongaina amin’izany ny « Fitoriana Filazantsara
» tany amin’ny FJKM Imerinavaratra farany teo
tamin’ny alalan’ny fitetezana tokantrano sy ny
Fampisehoana tao ampiangonana ka nahafahana
nanampy ny STK tany antoerana hanatratra ny
ezaka « Zavamaneno » ampiasain’ny
Sampana sy ny
Fiangonana.
Marihana
manokana fa
mitaiza Tanora
ny Sampana.
Amin’izao fotoana
izao
anefa dia maro
ireo heverina
fa mbola kely
taona mihitsy tonga manantevin-daharana ary dia
maromaro mihitsy izany ka miezaka ny mpitarika
sy ny birao ny hisian’ny fiaraha-monina sy fiaraha-miaina amin’izany fahasamihafana izany,
amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra.
Ny adiresy hifandraisana sy hifaneraserana : ao amin’ny Facebook STK
ANKADIFOTSY, ny +26133 19 844
04 Randrianarisoa Kanto ary ny
+26133 18 240 71 Andrianaivoarisoa
Jessy Michou
Sampana Lehilahy Kristiana
Ny alahady 30 Mey 1999 no najoro teto
amin'ny FJKM Ankadifotsy ny Sampana Lehilahy Kristiana. Hitory ny Filazantsara amin'ny lehilahy rehetra ka mba hahatonga azy ireo ho
lehilahy kristiana
mpitarika
mahomby, handray
andraikitra
eo
amin'ny fampandrosoana
ny
olona rehetra ary
maneho hatrany
ny voninahitr'Andriamanitra, mijoro
ho
vavolombelona
hampitraka ny
fiainam-panahy
sy ny fari-piainan'ny ankohonana ary maneho sy manaiky ho iraky ny Tompo
no tanjona sy tarigetran'ny SLK.
Noraisin'ny sampana ho teny filamatra ny
hoe: «Fa raha izaho sy ny ankohonako, dia hanompo an'i Jehovah izahay».
Mivory isaky ny zoma hariva amin'ny 6ora
ka hatramin'ny 7ora eto am-piangonana, fa misy koa ny fivoriana isam-bolana sy isaky
ny efa-bolana.
Maro ny asa mivaingana natao nandritra izay
fotoana nijoroany izay toy ny fanatsarana ny efitrano fonenan'ny ray aman-dreny Mpitandrina eto
Ankadifotsy, fanadiovana ny salle de classe sy fanamboarana ireo latabatra sy ny seza ao amin'ny
efitrano faha-5 tao amin'ny KTR ny taona 2002.
Fanitarana sy fanamboarana ny Akanin'Aina, fanitarana sy fanatsarana ny rihana ambany haha-
zoana mivory, hametrahana ireo arisivan’ny sampana rehetra ato amin'ny fitandremana, fanadiovana ny trano fisainana tamin'ny taona 2003 sy
2004. Asa fampaherezana sy fanohanana ny fanorenana ny
trano fiangonana tany
Ampasimbola
ny
taona 2006;
fitsidihana
sy fanohanana fanorenana trano
fiangonana
vaovao tany
Va n g a i n drano
ny
taona 2007,
fanajariana
tany sy fitadiavambola maharitra tany Mahatsinjo
(RN4) ny taona 2008, fanohanana ny fitandremana ao Mahatsinjo ny taona 2009 hatramin'ny
2012.
Ny Birao ankehitriny dia ahitana ny:
Filoha : Andriatsalama Claude Simon
Filoha mpanampy : Andriamamonjiarison
Roger sy Andriamanalina William
Mpitahiry Vola : Andriamanivo Dadah
Harison
Mpitan-tsoratry ny vola : Rakotozanany
Christophe
Mpitan-tsoratra : Randrianantoandro Tiana
Lovasoa
Mpanolo-tsaina: Randrianah Hobiarison Hery
sy Rabedaoro Fidy
Sampana Vokovoko manga
Tany amin’ny taona 1940 tany no niorina sy
nitsangana teto anivon’ny fitandremana FJKM Ankadifotsy ny Sampana Vokovokomanga. Taty
amin’ny taona 2004 kosa ny Rantsana Fanantenana.
Anisan’ny Sampana mipetraka araka ny rafitra misy eo anivon’ny FJKM Foibe ny Sampana Vokovokomanga sy ny Rantsana
Fanantenana ary najoro hiandraikitra sy hiantsoroka ireo adidy maro samihafa iandraiketan’ny
fiangonana na
anatiny na ivelany.
A n i s a n ’ireny adidy sy
andraikitra
ireny ny « Fitoriana ny Filazantsaran’i
Jesoa Kristy »
mba
hahatonga ny olona
ho kristiana sy
handray an’i
Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary koa ny
« Hitarika ka hahatonga » azy hifady ny zavadratsy rehetra, indrindra ny « Fifadiana ny zavamahamamo sy mahadomelina » araka ny
voasoratra ao amin’ny Ohab. 20/1. Tsy adino
koa ny « Fanampiana sy fitaizana » ireo izay efa
« voageja » mba ho afaka amin’ny fahazarandratsy.
Raha eo anivon’ny Sampana kosa, tanjona
ny « manabe sy mitaiza » ireo mpikambana ka
hahafahan’izy ireo « mitory mivantana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny asa sy fitondrantena ».
Ankoatra ireo asa fanaon’ity Sampana ity mandritra ny taona dia isan’ny asa mivaingana vitany
koa ny “Fananganana” ny Sampana Vokovoko
manga sy Rantsana Fanantenana tany amin’ny
FJKM Tankafatra Fitiavana sy ny FJKM Mahanoro
sy ny FJKM Ambohibao Avaratra. Tao koa ny fanolorana “ny varavaram-be” eo amin’ny lafiny an-
drefan’ny fiangonana FJKM Ankadifotsy tamin’ny
fanamarihina ny faha-130 taona.
« Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo
ny fireneko ? ». Io tenin’ny Soratra Masina nalaina avy amin’ny bokin’ny Estera 8/6 io no teny
filamatra ho an’ny Sampana Vokovokomanga sy
Rantsana Fanantenana eto amin’ny fitandremana
Ankadifotsy.
98 amin’izao no isan’ny mpikambana ka Andriamatoa RABEHANTA Raymond no Filoha Mpitarika,
hotronin’ireo
mpikambana ao
amin’ny birao
valo ( 8).
Tsara ny
mahafantatra fa
isaky ny Alahady fahatelo
amin’ny 10 ora
ka ao amin’ny
Ankanin’aina
Ambany no fotoam-pivorian’ny Sampana Vokovokomanga. Isaky ny Alahady hariva
amin’ny 2 ora any amin’ny Kolejy IFR kosa ny
an’ny Rantsana Fanantenana.
Birao ankehitriny :
Filoha : RABEHANTA Raymond
Filoha mpanampy I : RANDRIANARISOA
Herimamy Bernardin
Filoha mpanampy II : RALAISAN Annick
Mpitantsoratra I : HARIMAMPIONONA Tolotra Nomenjanahary
Mpitantsoratra II : RAHARIVOLATIANA
Fanomezantsoa Tahiry
Mpitahiry vola : ANDRIAMIFIDY Ramananiasy Roger
Mpitantsoratry ny vola : RAZAFINDRAOELINA Andriatahiana Rija H.
Mpanolontsaina : RANDRIANOELISON Holiarisoa – RATSIMBA Razanampandry Tafika
Sampana fifohazana (SAFIF)
Ny 4 septambra 1961 no niorina teto amin’ny
FJKM Ankadifotsy ny Sampana Fifohazana. Efa
hatramin’ny 1951 no nisy vondrom-bavaka teto
Ankadifotsy isaky ny alatsinainy hariva. Ireo mpitarika sy mpanatrika vondrom-bavaky ny fifohazana Farihimena no nanorina, anisan’izany Atoa
Rapaoly Ernest (agent général Croix bleue).
Antom-pisian’ny Safif eto anivon’ny fiangonana
ny hitory an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy.
Tanjona ny hanasitrana ny marary, hamoaka demonia, hamaha ireo voafatotry ny fanahy ratsy,
hampahery ireo efa mino.
Ny fandaharan’asa
mandavantaonan’ny SAFIF
aorian’ny
taombaovaon’ny sampana
ny
alahady faharoa amin’ny
Febroary; fanateram-bokatra ny volana
Martsa, fitsangatsanganana
ny volana Mey. Jona: famahanana ireo sahirana
ny Alarobia mialoha ny fetim-pirenena. Ny volana jolay no famangiana fiangonana, ny fonjaben’Antanimora misy ny vehivavy. Ny Aogositra
hamonjy toby lehibe na fihaonambe SAFIF foibe.
Ny septambra dia fanotronana ireo hatokana ho
mpiandry ato amin’ny SPIA. Ny Oktobra no herinandron’ny SAFIF, faranana amin’ny asa sy
fampaherezana ao anatin’ny fanompoam-pivavahana faharoa. Ny volana Novambra: mandray ny
fivoriana”komity lehibe” synodamparitany. Ary
ny Desambra famahanana ireo sahirana, mialohan’ ny Krismasy
Ny asa mivaingana nataon’ny SAFIF dia ny
fanoloana ny lamban-tsezan’ny Diakona tamin’ny
fankalazana ny faha-140 taonan’ny Fiangonana.
Tamin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny
SAFIF: fanolorana lakolosy éléctronique ho an’ny
fiangonana sy fanadiovana ny biraon’ny talen’ny
IFR ho tsangambaton’ny faha-50 taona. Fanorenana ny trano famantanana any amin’ny Toby
Kristy manafaka Ibora Antsohihy.
153 ny mpikambana ka ny 45 amin’ireo no
mpiandry, ny 10 mpiomana taona faharoa, 1 taona
voalohany. Ny Sampana dia mivory isaky ny Alakamisy voalohany amin’ny 3 ora hatramin’ny 5 ora.
Ny fotoam-pifohazana eto am-piangonana dia isaky
ny Alarobia amin’ny 2 ora sy sasany hatramin’ny
4 ora sy sasany, ny alakamisy amin’ny 5 ora sy sasany
hatramin’ny 7 ora
ary isaky ny
Alahady faharoa aorian’ny
fanompoam-pivavahana faharoa. Isaky ny
Alakamisy
voalohany
amin’ny volana
no mandray
fampianarana
avy amin’ny
Mpitandrina ny
SAFIF. Amin’ny fotoana tsy mifanitsaka amin’ny
efa fandaharam-potoan’ny sampana no hanatanterahana ny asa fampaherezana any anivon’ireo tokatrano izay mangataka izany.
Birao ankehitriny
Rajaona Soalambomanana no filoha, ny filoha
mpanampy: Rakoto Andriamanaja, ny mpitantsoratry ny fivoriana: Ratsimandresy Niriana,
ny mpitahiry vola: Andrianarisata Volatiana, ny
mpitantsoratry ny vola: Rasoanaivo Anna, ireo
mpanolo-tsaina : Razanabahoaka Adeline sy
Ranivoarisoa Odette.
Ny adiresy ifandraisana amin’ny sampana: Ny
filoha : 033.02.408.90, ny mpitahiry vola :
032.04.683.76.
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 3
S.Sa.A.F.
Ny Vondrona Fototra Laika
Ny taona 1979 no niorenany ka ny hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba hifampitaiza sy
hifanabe ary hifampahery eo amin’ny finoana, hahatonga azy ireo hanana ny fanahin’ny fahafoizana ka manjary mazoto
manome an-tsitrapo ny tombom-pahasoavana
nomen’Andriamanitra azy (herim-po, fotoana, finoana, vola, fananana, harena, talenta, fahaizana, fahalalana, sns) ho
fampandrosoana ny asan’ny fiangonana no
kendreny.
Hitondra
ny anjara birikiny, hahatonga
ny
FJKM
ho
fiangonana
malaza sy mahery tsy misy
pentipentina
na fikentronana,
mit o m b o
amin’ny zavatra rehetra
ho amin’Izay Loha no tanjony.
85 no isan'ny mpikambana ankehitriny
ka ny fanohanana ny toeram-panomanana
Mpitandrina Ivato no fandaharan’asa mandavan-taona. Isaky ny alahady fahatelo maraina, anelanelan’ny fanompoampivavahana
roa, ao amin’ny Akanin’aina, efitra mifanila
amin’ny Biraon’ny fandraharahana no fotoam-pivoriana.
Teny filamatra : « Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany » Matio 5 :47b
Ny asa mivaingana natao :
(i) 1979 – 1984 : Fandrotsaham-bola mivantana ho fanatevenana ny Kitapo Iombonana,
ambonin’izay efa fandrotsaky ny fiangonana
Ankadifotsy rahateo.
(ii) 1985 - 1991 : Fanohanana ny Toerampanomanana ho Mpitandrina eny Ivato tamin’ny alalan’ny voly kafe (1400 fototra).
(iii) 2000 ka mandraka androany : fiantohana ‘Robes pastorales’ roa isan-taona ho
an’ny mpianatra mivoaka ho Mpitandrina
eny Ivato.
(iv) 2003 : Fizakana ny 50% mahery ny fandaniana tamin’ny fikarakarana ny Zaikaben’ny
Laika Foibe.
(v) 2004 : fiaraha-miasa tamin’ny Fiangonana
Antsahambavy ao amin’ny SP Antananarivo Atsinanana (dallage, polipitra).
(vi) 2005 : fanavaozana ny trano fisainana
FJKM Ankadifotsy.
(vii) 2009 : Fanorenana Bungalow ho loharanom-bola maharitra sy ho fanohanana ny Poste
d’Evangélisation Ranomafana Ifanadiana.
(viii) 2011 :
Fiantohana ny
loko mahavita
ny atitrano
manontolon’ny FJKM
Ankadifotsy,
vita fanitarana.
(ix) Ôktôbra
2011 : Fampitaovana ny
Bungalow ao
Ranomafana
Ifanadiana ary
fitokanana ny asa vita.
(x) 2012 : Fanomezana fitaovam-pisakafoana
(‘couvert’) zato isa, ho loharanom-bola ho
an’ny Toeram-panomanana Fianarantsoa.
Ny Mpitandrina Rabemanahaka Jean Williberton nonanorina azy
Ireo Birao ankehitriny
Filoha (032 04 603 76) : Atoa RALAIRIJAONA Zo Lalaina
Filoha mpanampy-I (032 07 555 66) : Atoa
RANDRIAMANALINA Aimé
Filoha mpanampy-II (032 04 370 14) : Atoa
RAMAROKOTO Faly
Mpitahirivola (22 414 48) : Rtoa RAZAFINDRAMANANA Iharisoa
Mpitantsoratry ny vola (032 04 099 28) :
Rtoa RANOROVOLOLONA Francette
Mpitantsoratra (032 44 840 14) : Atoa RABETRANO Seth
Mpanolotsaina (033 11 668 40) : Rtoa RAZAFIMBELO Claudine
Adiresy ifandraisana :
[email protected]
Sekoly Alahady
Ny Sekoly Alahady (miainga amin’ny
zaza vao telo na efa-taona monja, akanin-jaza
fahizany ) no fototra (taninketsa) ho amin’ny
finoana sy ny fahalalana an’Andriamanitra ary
antenaina fa
mbola ho fototra sy ho loharano
tsy
mety ritra ny
Sekoly Alahady
eto
amin’ny
FJKM Ankadifotsy
eo
amin’ny fampielezana sy
ny fitoriana
ny Filazantsara.
Efa tany amin’ny taona 1891 tany no niorenany, izany hoe efa 123 taona no nisian’ny
Sampana Sekoly Alahady teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy.
Afaka mirehareha ny sampana satria navelan’Andriamanitra hitombo amin’ny finoana
hatrany raha afaka nankalaza ny faha-100 taonany tamin’ny taona 1991 sy ny faha-120
taona ny taona 2011.
Manodidina ny 2000 eo izao ireo ondry ka
mpampianatra 120 ary mpandraharaha 18 no
mikarakara sy miandraikitra azy ireo.
Azo lazaina fa taninketsan’ny sampana rehetra misy eto anivon’ny fitandremana Ankadifotsy ny Sampana Sekoly Alahady satria
saika nandalo tao aminy avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana any anatin’ny sampana
na fikambanana misy.
Isaky ny alahady eo anelanelan’ny fanompoam-pivavahana roa no mianatra ny Sekoly
Alahady, ankoatran’ny alahady Fandraisana,
ary misy fanadinana telo ao anatin’ny taompianarana iray
izay miafara
amin’ny fizarana valisoa
mialoha ny
fakan-drivotra
lehibe.
Tsara no
manamarika
fa eo ambany
fiahian’ny
FA R I M BONA
ny
Sampana Sekoly Alahady ka ny alahady farany
amin’ny volana jolay (izay iray volan’ny Farimbona) no fizarana ireo valisoa.
Ireo mpikambana ao amin’ny birao
Filoha : RANAIVO Andriamaroahina Tovonjanahary
Filoha mpanampy : RAKOTOVAO Rija
Nivoson
Mpitantsoratra I : RAMISASOA Elia
Mpitantsoratra II : RASOAZANAJAFY
Nirina
Mpitahiry vola : RANAIVOMAMPIANINA Lalaina
Mpitantsoratry ny vola : RASOAZANAKOLONA Jerison
Mpanolontsaina : RAJAONA Rakotonomenjanahary – RAKOTOVAO
Ramarozaka Léon
Aogositra 2014
7
Sampana Mpanazava sy Tily
Ny taona 1951 no niorina teto amin’ny
FJKM Ankadifotsy ny Sampana Mpanazava sy
Tily
Ny fanabeazana ara-batana, ara-tsaina sy
ara-panahy
no antom-pisiany, ary han o m a n a
olom-banona
no tanjona.
“Tily,
Mpanazava,
hatrany hatrany vonona” no teny
filamatry ny
sampana.
Amin’ny mahasampana azy dia manana ny fandaharan’asany izy ireo, toy ny fivoriana isaky ny
sabotsy, ny lalao teknika, ny fiofanan’ny
mpiandraikitra, loham-bondrona, komitim-pivondronana, ny fihaonam-be, ny lasy lehibe.
Misy ny asa nataon’ny sampana teto aniIreto avy ireo nanangana io
sampana io :
- Sefo Bitro na Itpkl Rabakoson
- Itpkl Aimée Raoeliarijaona
- Sefo Sasà na Atoa Rasolonjatovo
Georges
Ireto indray no birao mitarika ny Sampana :
Filoha: Rasoambolatiana Veromanitra
Filoha mpanampy : Rakotobe Diarimampianina na Atsanga Mampifaly
Mpitantsoratra : Andriamanantena
Ravo Irène
von’ny fiangonana, ao ny tsangambato faha50 taona “Chapiteau Fiangonana”, fanajariana
ny efitra faha-8 ao amin’ny IFR teo amin’ny
faha-60 taona.
Marihina
fa feno 90
taona amin’ ity ny Tily eto
Madagasikara, feno 50
taona kosa ny
Vo r o n k e l y.
Ta m i n ’ n y
2011 no efa
feno 70 Taona ny mpanazava eto Madagasikara.
170 eo ho eo no isan’ny mpikambana.
Isaky ny sabotsy tolakandro manombo ka
amin’ny 2 ora no fotoam-pivoriana ao
amin’IFR, EPP Ankadifotsy II, Ecole Ranaivosoa, indraindray any ivelany na ankalamanjana.
Ratompolalinoro Patricia
Mpitahiry vola: Rakotomalala Harimanana
Mpitantsoratry ny vola: Ranaivoson
Solo
Mpanolotsaina: Razafinjatovo Mihanina Tomponiera
Hery Randriambololona
Ny adiresy hifandraisana kosa dia
ireto : [email protected]
034 01 403 24
BP 3891
Koa amin'izany, ry rahalahy
malalako, dia miorena tsara, aza
miova, ary mahefà be
mandrakariva amin'ny asan'ny
Tompo, satria fantatrareo fa tsy
foana tsy akory ny fikelezanareo
aina ao amin'ny Tompo.
(I Kor. 15 : 58)
Sampana Dorkasy
Ny Sampana Dorkasy eto Ankadifotsy dia
niorina tamin’ny taona 1898. Ny tena antompisiany dia ny fanaovana asa soa. 186 ireo mpikambana ankehitriny. Noraisina ho teny
filamatra ny
hoe: “Dorkasy miasa
amin’ny fitiavana”.
Ta n j o n ’ n y
sampana: “ny
vehivavy mah a r i t r a
amin’ny asa
f a n o m poana”.Ny
fotoana sy ny
toeram-pivorian’izy ireo
dia isaky ny Talata amin’ny 2 ora sy sasany
eto am-piangonana.
Ny fandaharan’asa mandavan-taona indray
dia maro tokoa ary miova hatrany isam-bolana.
Anisan’ireny ny taombaovaon’ny filoham-boninahitra amin’ny Janoary, ny fianarana hira sy fety,
fampianaram-pinoana ataon’ny Raiamandreny
Mpitandrina, ny fianarana Soratra Masina, ny
fampianarana: “vehivavy mendrika”, “ny mahaiza mandray, mahaiza mizara”.
Anisan’izany koa ny famonjena ny fiarahamivavaky ny Dorkasy 3 trano (FJKM Ankadifotsy, Antanimena andrefana sy Atsinanana), 4
trano (fiaraha-mivavaka sy mitsangatsangana…)
ary 7 trano.
Ny lasy tselatra, ny fivor i a m b e
synodam-paritany. Marihin’izy ireo
koa ny Alahadin’ny Dorkasy Foibe
sady anaovany ny fanateram-bokatry
ny sampana
dia ny Alahady voalohany amin’ny volana Jona. Miavaka
ny fetin’ny reny ao amin’ny sampana satria aorian’ny fiaraha-misakafo dia zaraina fanomezana avokoa ireo mpikambana rehetra. Ary ny
volana Desambra, misy ny “sakafo Krismasy”
izay fiaraha-misakafon’ny Dorkasy rehetra.
Ny hifandraisana amin’ny sampana dia
ny 033.14.140.53 Rtoa Landy mpitantsoratra.
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 4
8
Aogositra 2014
S.Sa.A.F.
Ireo Asa eto amin’ny
fitandremana
Maro lafy ny asa eto amin’ny Fiangonana. Azo atao
koa ny miditra any anatin’izy ireny rehefa tsy ao
anaty sampana. Ohatra amin’izany ny Gazety Fafana, ny Site Web, ny VTM... (AFIFAB) Ahafahana
manehy ny talenta entina hanompoana ny Tompo
izany na heverina aza fa asa tena asa no atao ao. Ny Vaomieran’ ny Teknolojia Maoderina VTM
Ny taona 2009 no niorenan’ny Vaomieran’ny Teknolojia Maoderina teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ny mpanorina dia
ny Mpitandrina
Ranjakavola. Ny
antom-pisiany dia
ny hiandraikitra
ny teknolojia feo
sy sary
e t o
amin’ny
fitandreIreo birao ankehitriny : Andriantsalama
Rakotobe Mbolatiana no filoha, ny filoha
mpanampy : Randrianantenaina Gabriel, ny
mpitahiry vola : Ramarokoto Rija, ny mpitantsoratry ny vola : Ratsimba Rantoanina Vahatra, ny mpitan-tsoratra : Rasoambolanoro
Finoa- namalala ary ny mpanolo-tsaina : Ramaroson Satry
mana. Anisan’ny Asan’ny fiangonana ny
VTM.. Tanjona ny hanatanteraka ny fampandehanana sy ny fikojakojana ary ny fikirakirana ny fitaovana
feo sy sary mba
hanome voninahitra an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana. Asa
mivaingana
vao notanterahina farany t eo
ny fanoloana
ireo vidéoprojecteurs anankiroa simba .
Ny teny filamatry ny VTM dia ny hira
432 : 2. Ny isan’ny mpikambana ankehitriny dia 27.
Ny toeram-pivoriany dia FJKM Ankadifotsy.
Ny adiresy hifandraisana dia ny :
033.11.007.09 [email protected]
Gazety FAFANA
Mpanao gazety maro avy amin’ny haino
aman-jery sy gazety ary mpanoratra maro
samihafa, no mandrafitra ny GAZETY FAFANA. Indreto ireo sombitsombiny amin’ireo
mpikambana ao.
Site Web na tranonkalam-pifandraisana
www.fjkm-ankadifotsy.mg
Ny voalohan’ny taona 2004 no nanapahan’ny mpihevi-draharaha fa hanangana ny
«siteweb» n’ny fiangonana, katamin’ny Oktobra 2004
no nandehanany voaloh a n y .
Anisan’ny
mpanorina
ry Ramarolahy
José
Sylvain,
Nantenaina
Rakotondrazafy, Ranaiv o s o n
H e r i v o n j y,
Christian Rabefaniraka, Rivoniaina Rija Rakotomalala.
Antom-pisian’ny siteweb ny hananan'ny
Fiangonana fitaovana hitoriana ny filazantsara
hatrany amin’ny faran’ny tany.
Tanjona :
Ny tanjona voalohany dia ny hitory ny
filazantsara manerana an’i Madagasikara
hatrany amin’ny faran’ny tany. Eo koa ny
fifampitaizan'ny mpikambana ny amin' ny
fanompoana ao anatin'ny Fikirakirana ny
Teknolojia Web (Fandinihana ny tenin'Andriamanitra, Asa fanamboarana teknika, Fanoratana, Fampianarana, ...) Fampahafantarana ny asa samihafa atao ato amin'ny Fitandremana, ahafahan'ireo izay tsy afaka manatrika mivantana ny fotoam-pivavahana
Alahady maraina Manaraka ny ampahan’izany mivantana na tsy mivantana. Mba
ho voatahiry ny toriteny, ny fampianarana
ary ny asa ataon’ny fiangonana.
Fandaharan’asa mandavan-taona : Manao
ny ezaka rehetra hamelomana sy hanatsarana ny site
web-n'ny Fiangonana. Mpikambana 20 eo ho eo no
tonga mivory sy manao ny asa fanompoana.
Teny filamatra : Fa
hahazo hery
i a n a r e o
amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina
aminareo, ary
ho vavolombeloko any
Jerosalema sy
eran'i Jodia sy
Samaria ary
hatramin'ny
faran'ny tany.
Asa.1: 8
Ny asa mivaingana natao: nanova ny
“design” teo aloha ho amin’ny endriny ankehitriny.
Fandefasana tsy mivantana ary tsy tapaka
ny toriteny Video ny Alahady. Fandefasana Mivantana ary tsy tapaka ny toriteny Feo isaky ny
Alahady. Fandefasana ny toriteny azo raisina
amin’ny iphone. Mitohy ny ezaka amin’ny hisian’ny feo amin’ireo fampianarana toy ny Katekomena.
Fotoana sy toeram-pivoriana : Alahady
fahatelo amin'ny Fidirana Faharoa na interculte rehefa tsy misy sekoly alahady, ao
amin'ny ankanin’aina ambony
Ireo Birao ankehitriny dia Ralainirina
Dina Randriantsizafy, Iony Randriantsara,
Rajo Ramiaranalison, Tokimahefa Rajaobelina, Rija Ratefiarivony, Veronica Andrianarison, ANDRIAMANIVO Tiana.
Ny adiresy hifandraisana :
[email protected].
Ireo Sampanasa eto amin’ny
fitandremana
Eo ihany koa ny sampanasa izay mifototra kokoa amin’ny fitoriana ny
filazantsara mivantana. Maro ihany koa no miandraikitra izany eto ampiangonana. Raha manana faniriana hanao izany ianao, azonao atao
tsara ny manantona ireo tompon’andraikitra amin’izany.
Asa Fitoriana Filazantsara
Sampan’asa
mifototra
amin’ny fitoriana ny Filazantsara
an’i Jesoa Kristy ny AFF. Araka
izany dia sehatra natao hiasa, hitory ny fitiavan’Andriamanitra
antsika tamin’ny alalan’ny nanomezany ny Zanany lahitokana
dia i Jesoa Kristy ho an’ny olona
rehetra amin’ny alalan’ny TAFIKA MASINA . Manambara
an’i Jesoa Kristy sy ny famonjena nataony no antom-pisiana
sy tanjon’ny AFF.
30 eo ho eo ny mpikambana.
Ny birao ankehitriny dia: Randriatsarambololomanana Hajason
Mamy no filoha nitarika ny fikambanana efa ho 20 taona izao, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
no filoha mpanampy, Andriamose
Rondrotiana Zoeliarilala no mpitantsoratra, Ranivoarisoa Odette,
mpitahiry vola, Ramamonjisoa
Oely Hanitriniony, mpitan-tsoratry ny vola. Ireo mpanolo-tsainz
dia: Ramananjo Alain, Raharimalala Saholy, Randrianary Voahanginirina
ary
Razafiarizay
Faliarisoa.
Ankehitriny dia miditra
amin’ny rafitra vaovao nohavaozin’ny Mpitandrina Ranjakavola ny AFF, rafitra izay
natao hanakaiky ny tari-dalana
nomen’ny Foibe FJKM.. Koa
ny atao hoe AFF ankehitriny
dia ny AFF (izay voalaza etsy
aloha), ny Tafika Masina (izay
iantsoana hatrany ny fiangonana manontolo miofana isaky
ny sabotsy hariva eny amin’ny
IFR), ny Mpamaky Teny Ankadifotsy ( MTA ), ary ny Fikambanan’ny Kilasin’ny Baiboly sy
Mpitoriteny ( FKBM ).
Io rafitra AFF vaovao io dia
mihaona isaky ny sabotsy hariva amin’ny 4 ora aorian’ny
fianarana Katekomena, miofana miaraka amin’ny Mpitandrina Ranjakavola.
Ny asa fananganana fiangonana olona sy trano no asa
mivaingana sy makadiry
amin’izany anisan’ireny ny
tany Anosibe an'Ala, Maromitety, Soalala, Sahatavy,
Mandoto, Amborompotsy,
Ambohidehilahy, nisy koa ny
Tafika Masina teto amin’ny
SPIA ..., nanampy tamin’ny
fanorenana ny fiangonana
Mandoto, esira, Ambohidehilahy... Amin'izao fotoana izao
dia manampy amin'ny fanorenana ny fiangonana ao Ambodivonkely.
Ny AFF teo aloha kosa dia
mbola manohy ny vondrombavaka tsy tapaka isaky ny sabotsy maraina amin’ny 7 ora ao
amin’ny Akanin’aina. Ary
mbola mihaona manao ny dinik’asa isaky ny sabotsy voalo-
han’ny volana any amin’ny tokantranon’ny mpikambana iray
(sady famangiana ilay tokantrano io no fampaherezana azy
ary fitaizana hanamafy orina
ny fifankatiavana eo amin’ny
samy mpikambana
Fifandraisanaamin’ny
AFF :
Randriatsarambololomanana
Hajason Mamy (filoha)
Tél. 034 20 356 53.
Mailaka :
[email protected]
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 5
S.Sa.A.F.
Aogositra 2014
9
Ireo Fikambanana eto amin’ny
fitandremana
Tsy latsak’izany rehetra izany ny fikambanana maro samihafa, izay azo idirana koa. Mifototra amun’ny fitaizana sy ny fitoriana koa ireo fikambanana ireo fa tsy fikambanana fotsiny ihany. Manan-tsafidy koa izay mbola tsy anaty sampana, sampanasa sy asa ny ho any anaty fikambanana.
Fikambanan ny Kilasin ny
Baiboly sy Mpitoriteny (FKBM)
Ny taona 1981 no niorenan’ny Kilasin’ny
Baiboly ary ny Mpitandrina RABEMAHAHAKA Jean Williberton no mpanorina.
Ny antom-pisiana dia ny mianatra ny Soratra
Masina ary ny mizara izay notovozina ho an’ny
hafa koa izany hoe : miaina sy mampihatra izay
fampianarana nomena.”
Ireo mpandrindra ankehitriny : RAMAMONJISOA, Lantovololona Bodomahefa,
RANDRIAMIARINTSAINA Moïse ary ANDRIANORO Haingo.
Teny filamatry ny FKBM ny hoe : Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny Teny vavolombelonao (Salamo 119.111a)
Ny fandaharan’asa mandavan-taona dia
miantomboka amin’ny fifampiarahabana taombaovao , fisindana ho fanomanan-tena amampanahy (recollection), lasin’asa, fitsangatsanganan’ny mpikambana miaraka amin’ny ankohonana,
famangiana
fiangonana,
famelabelaran-kevitra.
Ny asa mivaingana natao
dia famelabelaran-kevitra
isan-taona eto
amin’ny FJKM
Ankadifotsy.
Fisindana ho fanomanan-tena amam-panahy isan-taona, famangiana FJKM Ambararatabe, Imeritsiafindra
Filadelfia, FJKM Ambatomitsangana Fanantenana;
FJKM Imerinavaratra.
Fankalazana ny faha-30 taona ; tsangambato ny polipitra fitaratra ho an’ny fiangonana.
Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao teto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ny fitarihana fotoana isaky ny
alakamisy maraina, fiaraha-miasa tamin’ny
vaomieran’ny filazantsara sy ny eokiomenisma
FJKM Ankadifotsy. Fitsanganan’ny FKBM ao
amin’ny FJKM Andohafarihy Andriamigodana
Ambatolampy.
Marihina fa : Nanana ny biraony manokana
ny FKBM nanomboka ny jolay 2003 hatramin’iny taona lasa 2013 iny. Talohan’izay dia nianatra Soratra Masina toy ny Sekoly Alahadin’ny
olon-dehibe fotsiny ihany ny mpikambana. Noho
ny fandaminana tato amin’ny Fitandremana misy
antsika dia nakambana tamin’ny Sampan’Asa Fitoriana ny Filazantsara ny birao (A.F.F.) nanomboka izao taona 2014 itsahintsika izao.
Ireo olona mianatra ao amin’ny fikambanan’ny kilasin’ny baiboly sy mpitoriteny :
- Ao ireo ray aman-drenin’ ny mpianatra SekolyAlahady miandry ny zanany mianatra.
- Misy ny tsy mbola mpandray mianatra ao
satria arak’izay fahafahan’ny tsirairay sy ny
faharesen-dahatra .Misy ireo mpianatra katekomena tsy afaka mianatra ny sabotsy hariva.
Ireo olona vo nona hianatra sy handalina ny
Tenin’Andriamanitra ka hizara izay azony
amin’ny hafa.
Maro an’isa ny mpikambana ao amin’ny
FKBM no mandeha miantafika rehefa tonga ny
fotoan’ny
Tafika Masina iombonana
eo
anivon’ny
fiangonana.
A n i s a n ’ n y
mampiavaka azy
amin’ny
S E FA L A
sy
SETELA ny fandaharan’asa tanterahina isantaona izay efa voalaza tetsy ambony. Tsy
misy fepetra ny fidirana ao. Ny Mpitandrina
no tomponandraikitra voalohany amin’ny
fampianarana ny Tenin’Andriamanitra, sy
izay olona tendren’ny Mpitandrina.
Tanjona ny hahamaro ny kristiana nandray
tokoa an’i Jesoa Kristy, ka hijoro ho vavolombelony.
Ny isan’ny mpikambana : 125. Ny fotoana sy toeram-pivoriana : eo an-tokontanimpiangonana isaky ny alahady, afa-tsy ny andro
fety kristiana sy alahady fandraisana; eo anelanelan’ny fotoam-pivavahana voalohany sy
faharoa
Ny laharana hifandraisana dia ny 033 24 164
77 / 032 46 774 73 / 034 14 954 69
Farimbona Fanatanjahan-tena
sy Fialamboly - 3F
Tamin’ny 9 Desambra 2001 no niorenan’ny
3F teto anivon’ny FJKM Ankadifotsy. Ny Komitin’ny Farimbona no nanorina azy tamin’izany.
Ny antom-pisiany dia ny mba hampiray ny tanora
mpitia fanatanjahan-tena eto anivon’ny
fiangonana. Ny tanjona
ao anatin’ny 3F
dia ny hahatonga
ireo mpitia fanatanjahan-tena ho
tia an’i Jesoa
Kristy.
Ireo birao mpitantana ankehitriny: ny filoha dia
Rakotomalala
Riva, ny filoha
mpanampy: Razafindrazaka Heroda, ny mpitahiry vola dia Randriambololona Narison, ny mpitantsoratry ny vola
dia Ranaivoarivelo Hery, ireo mpitantsoratra dia
Ramanandraibe Lalaina sy Rabemanotrona Dina
ary ireo mpanolo-tsaina dia Ravalison Miharimbola sy Andriamamonjisoa Dimby. Ny teny fila-
matra dia ny ITim. 4: 8a Fa mahasoa amin’ny zavatra rehetra”. 60 no isan’ny mpikambana.
Ny birao dia mivory isaky ny Alakamisy voalohany sy fahatelo eto am-piangonana amin’ny
12: 15 mn.
Ny
fandaharan’asa eo anivon’ny 3F ankoatry
ny fanatanjahantena isaky ny herinandro dia misy
fiaraha-mivavaka
isam-bolana tarihin’ny Raiamandreny Mpitandrina,
ny regroupement,
ny fiatrehana ireo
fifaninanana
eo
anivon’ny
synodam-paritany, Famelabelaran-kevitra, tournoi fialam-boly.
Ny asa mivaingana natao dia ny nanangana
na ny taranja ping pong sy tsipy kanetibe.
Ny adiresy hifandraisana amin’izy ireo
dia ao amin’ny Facebook 3F.
Fikambananan’ny mpihiran’ny
Farimbona zokiny
Taona : Tamin’ny fankalazana ny faha-130
taonan’ny FJKM Ankadifotsy no niforonany fa
ny taona 2010 no nijoroany ara-dalàna teo anivon’ny Fiangonana. Ny mpanorina dia ireo rehetra niara-nihira tao anatin’ny Mpihiran’ny
Farimbona hatrizay. Itompokolahy fRASOLOFONIAINA Yvon (Papà) no nampivondrona
azy ireo.
Ny antom-pisiana :
hampivondrona indray
ireo zoky rehetra tia mihira. Teny filamatra :
“Mandehana
any
amin’izao tontolo izao
ianareo ka mitoria ny
Filazantsara amin’ny
olombelona rehetra”
Marka 16:15 Tanjona
ny fanohizana hatrany
ny fiderana an’Andriamanitra an-kira, fitaomana ny vahoakan’Andriamanitra hidera Azy amin’ny
alalan’ny hira na dia efa zokiny aza
Tanjona : Fanohizana hatrany ny fiderana an’Andriamanitra an-kira, Fitaomana
ny vahoakan’Andriamanitra hidera Azy
amin’ny alalan’ny hira na dia efa zokiny
aza
Ny asa mivaingana natao : Antsa notanterahina teto am-piangonana sy ny fiangonana
manodidina an’Antananarivo (Anjozorobe,
Ambohidratrimo…) Ny isan’ny mpikambana :
70 eo ho eo
Ny fandaharan’asa mandava-taona dia ny
mitory ny Filazantsara an-kira. Misy koa fampianaram-pinoana iarahana amin’ny Ray
aman-dReny Mpitandrina isaky ny sabotsy
mialoha ny alahady fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
Ireo birao ankehitriny : Mpandrindra ankapobeny : RAJAONSON Patrick, ny mpitantsoratra
ANDRIANARISON
RAOELIHARIZO Gisèle, ny mpitahiry
vola dia RAVELOJAONA Elyse. Ireo pandrindra ara-teknika : Jean Célestin ANDRIAMANANTOANINA, Jean Solo
RAZAFINDRAJERY, Modeste RANDRIANANTENAINA ary ny mpanolotsaina dia RABETRANO Alice.
Fikambanan’ny SEMIA
Sekolin’ny Misiona Ankadifotsy, sehatra nosokafan’ny Mpitandrina Ranjakavola hanofanana ireo rehetra izay hanao
asa fanompoana eto amin’ny fitandremana Ankadifotsy. Ireo nahavita ny fiofana teny amin’ny Sefala sy Setela…no
miara-miofana ao isaky ny Sabotsy faha-
telo eto ammpiangonana,
ao ambony rihina. Ny Raiamandreny
Mpitandrina
no mpanofana.
Mpamaky Teny eto Ankadifotsy
Tafatsangana tamin'ny taona 1988 ny Fikambanana MTA ka ny mpitandrina Jean W.
Rabemanahaka no mpanorina azy. Fampandraisana anjara ny isam-batan’olona ho vavolombelon’ny famonjen’i
Kristy, ka miombona ho fanjakàmpisorona; ary
koa ho fahalavorarian’ny vakiteny
no antom-pisiany.
Teny filamatr'izy
ireo ny hoe :
“Mandra-pihaviko, tandremo ny
famakian-teny” I
Tim 4 : 13
Tanjona tamin’ny nananganana azy ny
fizarana ny Tenin’Andriamanitra, sy mba hahatanteraka ilay
teny fanevan’ny Fitandremana FJKM Ankadifotsy hoe “Velona ho an’ny hafa”.
Mahatratra 30 ireo mpikambana ao
amin'ny MTA amin'izao fotoana izao ka isaky
ny sabotsy maraina amin'ny 7ora eto ao ampiangonana no fivoriana.
Ny fandaharan’asa mandavantaona : fampiofanana ao anatin’ny Fikambanana, eto
amin’ny FJKM Ankadifotsy, ary koa any ivelany (ho an’ireo Fiangonana mangataka fiaraha-miasa momba
izany), fanatanterahana ny hetsika
Questions Pour Un
Chrétien
eto
amin’ny
FJKM
Ankadifotsy na any
amin’ny Fitandremana hafa.
Fandaharampotoana miaraka
amin’ny lisitr’ireo hamasinina
ho Mpandray ny
fanasan’ny Tom po sy ny fitaovana
hoentimampahafantatra misimisy kokoa ny Baiboly no fandaharam-potoana hafa ataon'ny
fikambanana MTA.
Ny famakiana teny sy ny fampiofanana
amin'izany ary ny torolalana sy fanatanterahana ny Question Pour Un Chrétien no asa mivaingana efa vita.
Ny adiresy ifandraisana amin'izy ireo :
[email protected] ;
https://www.facebook.com/pages/Mpamaky-Teny-Ankadifotsy/383559868428922?ref_type=bookmark
na ny laharan-tariby: 0 34 11 676 30 na 0 34 38 289 88
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 6
10
Aogositra 2014
S.Sa.A.F.
Fikambanan’ny Diakona
tsy Amperin’asa sy Loholona
« Mazotoa fa aza malaina, ary aoka hafana
fo amin’ny fanompoana ny Tompo ». Rom.
12/11.
Io no teny fanevan’ny Fikambanan’ny Diakona Tsy Amperin’asa sy Loholona mijoro eto
anivon’ny fitandrema FJKM Ankadifotsy, izay
naorin’ny
Mpitandrina
Rabemanahaka
tany
amin’ny
taona 1988,
volana Oktobra.
Ho fanohizana
ny
asam-panompoana efa nanoloran’izy
ireo tena no antom-pisian’ny fikambanana ka
sady miara-miasa amin’ny Mpitandrina sy
ny Mpihevidraharaha amin’ny fotoana
ilan’izy ireo izany no mandray anjara
arak’izay azo atao amin’ny asa sahanin’ny
fiangonana. Mijoro ho vavolombelona
amin’ny maha-kristiana sy araka ny Filazantsara ary indrindra ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana.
Ao anatin’izany fanohizana ny fanoloran-tena nataon’izy ireo izany no mbola
hanampiany ny Sekoly IFR, ny Madiniky
ny Tompo sy ny fampitaovana ny Tafika
Masina ary ny Famangiana Fiangonana.
Tafiditra ao ana tin’iza ny ny nanoloran’izy
ireo “Lustres”
anankiroa ho
an’ny Fiangonana.
40 no isan’ny
mpikambana amin’izao
fotoana izao ka
Andriamatoa
Noëlson RAKOTONDRAZAFY
no
filoha
mpi tarika otronin’ireo mpikambana 9 mandrafitra ny birao.
Mivory indroa isan-taona ny fikambanana: alahady fahaefatra amin’ny volana
Aprily sy Alahady fahaefatra amin’ny volana Oktobra ao amin’ny efitra fiandrasana
Akanin’aina.
“Aina no fetra” (Fihirana FFPM 298) no
teny filamatra
Birao ankehitriny :
Filoha : RAKOTONDRAZAFY Noelson
Filoha Mpanampy : ANDRIAMASINORO
Charles
Mpitantsoratra : RASOLOFONIAINA Olga
Mpitantsoratra mpanampy : RAJAONARIVONY Laurette
Mpitahiry vola : SAHONDRANIAINA
Lydia
Mpitantsoratry ny vola : RANIVOARIVELO
Laurette Farasoa
Mpanolontsaina : RAZAFINDRANGITA
Odette - ANDRIATSALAMA Aimée ANDRIATSILAVO Réné - RASALAMA
Sahondra.
Fifandraisana
033 02 301 95 / 032 75 265 00 / 033 73
265 00 / 033 79 84 202 / 034 09 981 70
Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona
anareo Izy. (Jak. 4 :8a)
Ny mpihiran’ny Farimbona
Natsangan’ny Mpitandrina Rabemanahaka
Jean W. teto anivon’ny Fiangonana ny atao hoe
FARIMBONA tamin’ny taona 1963 (Sehatra
iray
ivondronan’ireo Sampana
rehetra mitaiza sy
manabe ny tanora
teto
amin’ny
FJKM
Ankadifotsy). Tamin’ireo
no nakàna izay
mahay sy tia mihira
miaraka
amin’ireo katekomena vitsivitsy nazoto,
ka
nananganana ny
Antoko mpihira «
NY MPIHIRAN’NY
FARIMBONA » ny faramparan’ny taona 1963
. Teo no nahaterahan’ NY MPIHIRAN’NY FARIMBONA.
Maro ireo nifandimby nitarika ny Mpihiran’ny Farimbona : Heritsimba Ramarokoto,
Maminiaina Razafindrabe, Aimé Raoeliarijaona, J. Célestin Andriamanantoanina, S.A
Daniel Ramarokoto, Yvon Rasolofoniaina, Razafindrajery Jean, Randrianantenaina Modeste,
Elisah Andriamanantoanina, Aina Rasoanaivo
izay mbola mitarika ankehitriny ary i Johns
Rajaobelimahefa.
Ny antom-pisiany dia ny hitaizana sy hanabeazana ireo tanora ao amin’ny fikambanana
aloha, ary indrindra ny asa fitoriana an-kira
amin’ny mpiara-belona ; tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritany koa .
Dimampolo (50)
eo ho eo ireo mpikambana tena am-perinasa
amin’izao
fotoana izao. Mivory
sy mianatra hira isaky
ny sabotsy hariva
amin’ny 4ora30mn ao
am-piangonana.
Efa manomana ny
ho avy izay handimby
azy ny Mpihira ka
naorina ny Taninketsan’ny Mpihiran’ny
Farimbona ny taona
1982. Ny ankizy manomboka dimy na enin-taona no efa ampianarina ao. Maro ihany koa no efa nifandimby
nitarika sy nampianatra ka tao ry Chef Johnny,
Chef Riri, Chef Dadah ... Maro amin’izy ireny
no mandrafitra ny Mpihiran’ny Farimbona
amin’izao fotoana izao.
Mankalaza ny faha-50 taona niorenany izy
ankehitriny. Ny teny faneva: « Haleloia, Fa
tsara ny mihira ho an’Andriamanitsika ; Eny,
mamy sady mendrika ny fiderana».(Salamo
147 :1) Tsangambato ho fanamarihana izany
ny fanolorana Orgue Cathédrale ho an’ny Fiangonana.
Ireoe birao mandrafitra sy
mpitarika :
- Filoha : RAJAOBELIMAHEFA Johns
-Mpitantsoratra : ANDRIANJAFISON
Sandra
- Mpitahiry vola : RAZAFINIMPIASA
Njaka Nirimampionona
- Mpitantsoratra ny vola : ANDRIANAN-
TOANDRO Claudia
- Mpanolontsaina : RABEMANANJARA
Nantenaina
- Chef de chœur : RASOANAIVO Aina
- Chef de chœur TNK : RAJEMIARIMIRAHO Lazaniaina
- Mpandrindra ara-teknika sady mpitendry :
RATSIMBAZAFY Anja
Fikambanan’ny Mpiasan'ny
Fahasalamana
“Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho” (Lioka 10:35b)
Ny taona 1995 no nandraisan’ireto mpitsabo vitsivitsy fanapahan-kevitra ny
amin’ny tokony hamonjena mpiaramivavaka
tsy
salama mandritra
ny fanompoam-pivavahana. Nentanina
àry
ireo
nomen’Andriamanitra fahasoavana
eo amin’ny sehatra
ara-pitsaboana hanavao ny fanoloran-tenany amin’ny
fanompoana an’i
Jesoa Kristy Tompo, ka handray an-tanana sy
am-pitiavana izay andraikitra masina izay. Niorina teo ny fikambanana.
Natomboka tamin’ny fividianana sy fanangonana fanafody hoenti-miatrika fitsaboana ny
hetsika. Nihanazava koa ny tanjona fa tsy hianona fotsiny amin’ny fitsaboana. Tokony handraisana fepetra ny fisorohana mialoha izay
mety hahasembana ny fahasalaman’ny mpiaramivavaka, ny fanomezana toromarika sy torohevitra. Ankoatr’izay ny fanoloran-tanana sy
fanotronana ary famaliana ny antson’ny Sampana, Sampan’Asa, Asa, Fikambanana, Vaomiera isan-tokony ato am-piangonana.
Manampy amin’ny fikarakaràna ireo sahirana
koa ny fikambanana, amin’ny alalan’ny fia-
raha-miasa akaiky amin’ny Sampana Fifohazana sy ny Vaomiera Sosialy. Mandritra izany
no ampitàna ny farafahakeliny tokony ho fantatry ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe
momba ny fitandroana ny fahasalamana.
Tanjona masina
sy lavitra ezaka kosa
ny
hananganana
“Dispensaire” iray,
hisokatra ho an’ny
olona rehetra tsy salama, fa tsy ho an’ny
mpiara-mivavaka
ihany, ho fampiharana ny teny filamatra
“Velona ho an’ny
hafa”. Laharam-pahamehana tsy azo hihodivirana koa ny fanatevenana sy
fanavaozana ny tahirim-panafody hampiasaina.
Efapolo (40) ireo mpikambana amin’izao
fotoana izao, ahitàna dokotera, mpitsabo
mpanampy, mpampivelona, mpanindrona,
mpandraharaha, sy ny sisa, izany hoe ireo rehetra miasa anivon’ny sehatry ny fahasalamana. Misokatra hatrany ho an’ny
mpiasan’ny fahasalamana tsy anavahana
anefa ny fikambanana.
Marihina fa azon’ny mpiara-mivavaka rehetra manana olana ara-pahasalamana mandritra ny fanompoam-pivavahana atao ny
manatona diakona na mpandraharaha, hitondra
azy eny amin’ireo mpitsabo izay efa manana
toerana fipetrahana voatokana.
Ireto ireo mpikambana mandrafitra
ny Birao Mpandrindra ankehitriny :
Docteur RANOHAVIARIVELO Gisèle
RALIDININA Rasolomalala
RAVOLOLONARIMANGA
RABESON Andrianomenjanahary Andy
Henintsoa
RAKOTONINDRIANA R. Malala
ANDRIANTOVO RAKOTONARIVO Onjalalaina
RAKOTONDRAMANANA Bakoarisoa
RALANTOMALALA Herisoa Verohanitra
Saha Edena
Tamin’ny taona 2007 no niorenan’ny fikambanana SAHA EDENA teto amin’ny
FJKM Ankadifotsy. Ny mpanorina dia Ramatoa isany Ranjakavola Jacqueline,
Ravalison Anjanoro, Ravololomboahangy Saholy,
Rakotobe Bakoly,
Rajaobelimahefa
Liliane sy ireo namaly ny antso ka
nahafeno 10 ny
vondrona ny taona
2007. Ny 6 Mey
2007 no nanomboka ny asa ka
vondrona roa no
nanao izany. Ny
fandravahana ny alitara sy ny tranon’Andriamanitra no tena antom-pisiany. Ny teny filamatr’izy ireo dia ny Matio 6: 28 “Diniho ny
fanirin’ny voninkazo any an-tsaha”
Ny fandaharan’asan’izy ireo mandavantaona dia ny mandravaka ny fiangonana. Ny
asa mivaingana nataony dia fampianarana ny
mpikambana ny atao hoe: “IKEBANA”, fampianarana ny fandaminana sy fandrindrana ny
karazam-bonikazo ho tonga fehezana iray
“bouquet” anaty vazy.
Izany fampianarana
izany dia nandritry ny
6 herinandro tamin’ny taona 2013.
Nanamarika ny
faha-7 taona nijoroany ny Saha Edena
tamin’ilay famelabelaran-kevitra not
arihin’ny Mpitandrina
Ranjakavola “Ny fanambadiana miorina
ara-tsoratra Masina”
ny 11 Mey 2014 lasa
teo. Ary natao ho fanaovan’ny Saha Edena hetsika ny Alahady faharoan’ny volana Mey tolakandro.
Ny mpikambana ankehitriny dia 90 vavy
(ny Eva) miampy ireo vadiny (Adama) ho
an’izay manana. Mizara ho vondrona 21 izy
ireo mifandimby isaky ny herinandro.
Ireo birao ankehitriny :
Ny filoha dia Ravalison Anjanoro, ny filoha
mpanampy : Ranaivomampianina Harivola, ny
mpitahiry vola : Bodo Ralison, ny mpitan-tsoratry ny vola : Rajaonarisoa Tiana, ny mpitantsoratra: Ranaivosoa Michelle sy Rajaonarison
Niritiana. Ny mpanolo-tsaina : Rasoarimanana
Niriniaina sy Rakotobe Bakoly.
Ny Sabotsy voalohany amin’ny volana no
mivory izy ireo ao amin’ny akanin’aina
ambany “sous sol”.
Ny adiresy hifandraisana amin’ny Saha
Edena dia ny 034.01.309.86 033.12.404.17 – 033.12.227.18 –
033.11.877.60 – 033.11.251.11.
Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia
hiadana; Izany no hahatongavan'ny
soa aminao. (Joba 22 : 21)
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 7
S.Sa.A.F.
Tanora zokiny
Tamin’ny taona 1967
no niforonan’ny fikambanana Tanora Zokiny
teto anivon’ny Fiangonana FJKM Ankadifotsy.
« Miorena tsara, aza
miova » (I Kor 15 : 58a)
no teny filamatra entin’izy ireo. Fikambanana natao ho an’ireo
izay tsy afaka ho any
amin’ny STK intsony,
kanefa maniry hanohy ny
fanompoana
hatrany.
Tanjon’ny fikambanana
ny fitoriana ny filazantsara sy fitaizana ny finoan’ny
tsirairay.
Fijoroana ho vavolombelon’i Kristy hatrany ary
velona ho an’ny hafa.
Ny mpitandrina Rabemanahaka Jean W.
mivady no nanorina ny
fikambanana tanora zokiny. Nanampy azy
ireo tamin’izany Atoa
isany Rakotonirina sy
Raharisoa Justine. Ramamonjisoa Ernest mivady. Randrianasolo
Venance Thomas mivady.
Mivory isam-bolana, ny alahady faharoa, ary manao
vondrom-bavaka indroa isan-taona ny fikambanana. Mamangy ny fiangonana hafa ihany koa ny fikambanana. Mamang y n y z a z a k a m b o t y.
Manampy ireo ny fisindana hombam-bady aman-janaka ary
ny fisindana fialantsasatra.
Asa maro no efa nataon’ny fikambanana teto
anivon’ny fiangonana. Ny
fikambanana tanora zokiny
no nanao ny seza vato ao atsinanan’ny Fiangonana ho
tsangam-bato faha 30 taonany . Ny trano fisainana
faharoa tamin’ny tsangambaton’ny faha-40 taona. Po-
Ny fikambanana sakaizan’ny
Baiboly
eto
amin’ny fitandremana Ankadifotsy dia niorina tamin’ny
taona
1980.
Andriamatoa Ramamonjisoa Ernest mivady no
mpanorina. Ny antom-pisiany dia ny hizara sy hampiely ny Baiboly ary
hitaona ny olona rehetra ho
tena sakaizan’ny Baiboly.
Ny Salamo 119: 11 “Ato
am-poko no iraketako ny
teninao, Mba tsy hanotako
aminao”.
Ny tanjona eo anivon’ny fikambanana dia ny
ahavitana mizara Baiboly
amin’ireo fiangonana entina Katekista eto amin’ny
SPIA misy antsika, izay
raha ny lisitra avy eo anivon’ny synodam-paritany
dia misy 39, ka vao ny 12
amin’ireo izao no tratra. Eo
koa ny famangiana fiangonana any amin’ny faritra
saro-dàlana, fizarana Baiboly sy fihirana amin’ny
anaran’ny fiangonana Ankadifotsy.
38 ny mpikambana ka
ny 5% ihany no lehilahy
ary 90 taona no zokiny indrindra, 20 taona eo ho eo
ny zandriny indrindra. Anisan’ny asa nivaingana vitan’ny fikambanana ny
fizaran-tohatra eo am-bavahady, nanolotra lamba
latabatra Masina.
Ny birao ankehitriny dia Ratsimbazafy Eva Désirée no
filoha, Ramihamintsoa Joséphine no filoha mpanampy,
Fara Rasoavonindriaka sy Rakotobe Ony Zavasoa no
mpitantsoratra, Rajaonera Aimée no mpitahiry vola, Raharindrazaka Lanto no mpitantsoratry ny vola ary
Rakotonanahary Sahondra no mpanolotsaina.
Fifandraisana : RATSIMBAZAFY Eva : 0341689892
Mpitandrina
teny
amin’ny kolejy Teolojika
Ivato. Mamangy ny Fiangonana izay hita fa mila
fanampiana sy fanohanana, izay fanao indray
mandeha isan-taona.
90 ny mpikambana
ankehitriny
Mahatratra 90 ny isan’ny
mpikambana ankehitriny, ka
80 taona ny zokiny indrindra
ary 17 taona ny zandriny indrindra. Raoerasoa Lanto no
11
filoha ankehitriny. Raharimalala Claurette ny filoha
mpanampy Raharimanana
Norovola ny sekretera voalohany; Ramanarivo Nivo
Aimée ny sekeretera faharoa. Rasoarindriana Jeanne
Edwige ny mpitahiry vola.
Rasoanirina Florine ny mpitan-tsoratry ny vola. Ireto
avy ny mpanolotsaina : Andriamanantena Denis, Ramasomanana Raharisoa
Lalao,
Ravonimahefa
Romy.
VAOMIERA
Ny asa fanompoan’ny Diakona sy ireo vaomiera misy azy
ireo avy.
S
eha-panompoana mankadiry ny maha diakona
eo anivon’ny fitandremana iray. Izy ireo no modely
sy mpitarika ny olona ho ao
amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
15 minitra mialoha ny fanompoam-pivavahana
dia
manao fanomanam-panahy ny
diakona mialoha ny hirosoany
amin’ny raharahan’Andriamanitra.
Fikambanan’ny Sakaizan’ny Baiboly FSB
lipitra voamboana eo afovoany, Caisson eo amin’ny
vavahady atsinanana sy andrefana. Namatsy ny mpanao tafika masina mandeha
mitory ny filazantsara.
Nandoko sy nanao “carreaux” ny salle 3 IFR.
Raha ny asa ivelan’ny
Fiangonana indray, mamangy sy manome fanampiana
ny
zaza
kamboty eny Tangaina sy
eny amin’ny Topaza. Nanohana ireo mpiomana ho
Aogositra 2014
Fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana
miaraka amin’ny fanisana
rakitra, ny fanasana ny
veram-pandraisana, ny fikarakarana ny divaimpandraisana, fandaminana
sy fitarihina ireo mpianankavin’ny finoana any
amin’ny faritra misy azy
avy, ny fandraisana adidy,
ny fandaminana ny fidirana sy ny fivoahan’ny
Ny vaomieran’ ny
fitoriana ny filazantsara
Manao ho vaindohan-draharaha ny fitoriana ny filazantsara amin’ny olona rehetra sy
ny olona manontolo.Mandrindra ny asa fitoriana filazantsara
ataon’ny fiangonana izay
manao fanorenana fiangonana
any Ambodivonkely ankehitriny. Manohana ny asa fitoriana ataon’ny synodam-paritany sy ny foibe FJKM.
Ny vaomieran’ ny asa
sosialy
Izy ireo no mijery akaiky
izay azon’ny fiangonana atao
amin’ireo asa fanaovan-tsoa
isan-karazany ato anatiny na
any ivelany. Mikendry izay hitaizana ka tsy hanampiana
mandrakizay ny sahirana fa
mba hahazaka tena any aoriana. Izy ireo koa no mitantana
sy mizara ireo fanampiana ho
an’ireo
«sahirana»
izay
omen’ny fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra
mpianankavin’ny finoana
amin’ny fiantombohana sy
firavan’ny fanompoam-pivavahana.
Ireo Diakona 140 mianadahy eto amin’ny Fitandremana Ankadifotsy
dia samy manana zara fanompoana manokana any
amin’ny vaomiera misy
azy avy ankoatran’ireo
fanompoana iombonan’ny
diakona ireo. Misy vao-
miera 7 ao amin’ny mpihevidraharahan’ny fitandremana
Ankadifotsy ; hanompoan’ireo
diakona, ny diakona tsy amperin’asa sy loholona ary ireo filohan-tsampana. Ireo vaomiera
ireo dia eo ambany fiahian’ny
Biraon’ny fiangonana sy ny
mpihevi-draharaha avokoa ;
toy ny sampana, sampan’asa
ary asa sy fikambanana rehetra
eto amin’ny fitandremana .
Ny vaomieran’ ny
fanabeazana
Ny fanabeazana dia mifanindran-dalana amin’ny asa
misiona sahanin’ny fiangonana.Mikendry izay ho fitaizana ireo tompon’andraikitra
any amin’ny sampana sampan’asa, asa ary fikambanana
indrindra ireo mpitaiza tanora.
Mandinika izay fanohanana sekoly, mpampianatra, mpianatra
teolojia,…Mamolavola lasim-
piofanana hiarahana miasa
amin’ny Farimbona. Manana
solotena ao amin’ny filan-kevitry ny sekolin’ny fiangonana
IFR hisolotena ny mpihevi-draharaha amin’ny fampandehanana ny sekoly amin’ny lafiny
rehetra. Ny sekoly izay an-dalana amin’ny fanorenana trano
sekoly fanampiny ankehitriny.
Ny vaomieran’ ny
fampandrosoana
Mikendry ny hanao asa
fampandrosoana isan-karazany
ho loharanom-bola maharitra
eto anivon’ny fiangonana. Mi-
kendry ny hanao asa lehibe sy
mivaingana eto amin’ny fiangonana.
Fafana 152_15ème_Sampana:Mise en page 1 27/07/2014 17:49 Page 8
12
Aogositra 2014
S.Sa.A.F.
Ny vaomieran’ ny fiombonampiainana
Izy ireo no mamelona ny fifandraisan’ny
fiangonana ato anatiny sy amin’ny any ivelany.
Mba hisy fiombonan’aina tokoa eo amin’ny
samy mpiara-manompo. Manomana ny hetsika
ivelany ataon’ny fiangonana, mandrindra ny fitsangatsanganan’ny fiangonana.
Ny vaomieran’ ny raharaha
Manatanteraka ireo asa madinika hatao eto
am-piangonana miaraka amin’ny biraom-piangonana. Ireo asa vaventy dia tapahina eo anivon’ny mpihevi-draharaha hatrany. Andraikitr’izy ireo ny fividianana ny divay, ny fikojakojana
sy fanamboarana ny fitaovana simba ka soloina,
mijery sy manaraha-maso ny fanaka sy ny fitaovan’ny fiangonana, ny trano fiangonana, ny
Akanin’aina ary ny trano fidiovana, mandrindra
izay tahirin’entana ary manao izany rehetra
izany an-tsoratra.
Ny vaomieran’ ny Fiainam-panahy
Taorian’ny fandraisan-tanana ireo loholona
18 mianadahy ny alahady 22 Janoary 2012 dia
nijoro teto amin’ny FJKM Ankadifotsy, eo anivon’ny mpihevi-draharahan’ny fiangonana ny
vaomieran’ny fiainam-panahy.
Ny foto-kevitra sy ny tanjona tamin’ny fametrahana izany vaomiera izany dia hitandro ny
filaminan’ny fiangonana ho voninahitr’Andria-
manitra ka hampanaja lalandava ny foto-dalana
sy ny fitsipika, ny fitsipika anatiny ary ny fanapahan-kevitry ny amabaratongan-drafitra.
Ny vaomiera dia manaja ny fanadaminana sy
fitantanan-draharaha ary ny foto-dalana sy ny
fitsipika mbamin’ny fanapahan-kevitr’ireo amabaratongan-drafitra ny FJKM, ary koa ny fitsipika anatiny ato amin’ny fitandremana.
Ny faritra sy ny firaisam-pokontany
misy ireo zanaky ny FjkM Ankadifotsy
Ny Firaisam-pokontany Antananarivo I: misy Faritra dimy (5) dia ny faritra faha-11, faha-12, faha 13, faha-14
ary faha-15: dia ny eny amin’ny Cité
des 67 Ha, Ankasina, Andohatapenaka,
Antaniavo . Ny Cité Ampefiloha, Andavamamba, Anosipatrana Cité Ambodin’Isotry, Isotry, Isoraka, Tsaralalana,
Manarintsoa, Andranomanalina, Ambatonakanga. Analakely, Soarano, Cité
Gare Soarano, Antohomadinika. Ambondrona, Faravohitra, Mandrosoa,
Ambatovinaky, Ambohijatovo, Amparibe, Ankadivato, Ambodifilao.
Ny Firaisam-pokontany Antananarivo II : misy Faritra fito (7): ny faritra
faha-21, faha-22 faha-23 izay misy
an’Anjohy, Ambohimitsimbina, Ankazotokana. Mahazoarivo, Antsalova,
Ambohitsoa. Cité Mandroseza, Ambohimiandra. Cité Ambohipo, Ambolokandrina. Antsahabe, Ankorahotra,
Tsiadana. Ambanidia, Ambatoroka.
Manakambahiny.
Ny firaisam-pokontany Antananarivo III : misy fizarany telo: ny faritra
fahatelo Andrefana misy faritra: 08, faritra faha-31, faha-32, faha-33.... Ny
faritra fahatelo Atsimo misy faritra: 04
ary ny faritra fahatelo Atsinanana misy
faritra: 05 faritra faha-31, faha-32,
faha-33….
Ny faritra fahatelo Andrefana
misy an’ Ankadifotsy Antanifotsy :
IVK, IVP, IVL, Ankadifotsy Befelatanana: IVK, IVP, IVN, Ankadifotsy
Ambodivona: IVP, IVM, Ankaditapaka Avaratra: IVN, IVRAmbohibary
Antanimena: IVR, Ankorondrano Atsinanana: IVO, Ankorondrano Andrefana : IVO, Tsaramasay, Ankazomanga : IVT
Ny faritra fahatelo Atsimo misy ny
Behoririrka Ambatomitsangana : IVF,
IVD, IVE, Behoririrka Ankaditapaka :
IVE, IVG, Antaninandro, Tsiazotafo,
Andravoahangy ambony : IIA, IIF,
IIK, IID, Betongolo, Ambohitrakely,
Ankadivato, Antsakaviro, Antsahabe,
Bel Air, Antanimora, Fort Duchesne ;
IIR, IIJ, IIM, II I, VF ; Ambaranjana
IIV, Cité Planton IIU, Ampandrana Atsinanana IIT, Ampandrana Andrefana
II A, Besarety IIT, IIV, Amparibe.
Ny faritra fahatelo Atsinanana misy
ny: Soavinandriana, Mahavoky, Andravoahangy ambany IIM, Ambodivona, Andravoahangy ambany IVI,
Mandialaza IVI, Mandialaza IVH,
Mandialaza IVJ, Andravoahangy ambony IVB, Ambatomitsangana IVC,
Avaradoha IIP.
Firaisam-pokontany faha-IVdia
misy Faritra telo dia ny faritra faha-41,
faha-42, faha-43: Andriamanangona,
Andrefan’i Manajara, Anosibe. Andrefan’Ambohijanahary III G, III M.Imahamasina, Tsimbazaza, Tsarafaritra,
Anjahana, Ankadilalana, Soanierana,
Fiadanana.
Firaisam-pokontany faha-V izay
misy faritra fito: ny faritra faha-51,
faha- 52, faha-53.
Izay misy an’ Ambohidahy II E,
Ambohimirary II E, Ankadindramamy
II H, Mahazo, Andraisoro, Soamanandrariny, Ampanotokana, Ambatomaro,
Ampasampito. Ambatobe II N, Nanisana II A, Soavimbahoaka II A, Ankerana. Anjanahary II A, Anjanahary II
N, Anjanahary II O. Anjanahary II S,
Ambatomainty II B, Amboditsiry II A.
Manjakaray: IIC, II D, II B. Analamahitsy tanàna II N, Analamahitsy cite,
Ambohitrarahaba II J, Ambodivoanjo,
Ivandry II J, Amboniloha II I, Ambohijatovo II J, Alarobia, Soavimasoandro, Mahatony, Androhibe..
Ny firaisam-pokontany faha- VI
misy faritra efatra: faritra faha-61, faritra faha-62, …. dia Ambodivonkely:
IVB, Antanety Atsimo: IVD, Ambohimanandray: IVG, Ambohidahy: IVF
Ny faritra lavitra: mizara efatra : ny
lavitra Atsinanana : Nandihizana, Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Ambohimanambola. Ny lavitra Atsimo:
Andoharanofotsy, Ambatofotsy, Ankaraobato, Tanjombato. Lavitra Andrefana:
Andohatanjona,
Itaosy,
Fenoarivo, Ampitatafika. Lavitra Avaratra: Ambohimanga, Antanambao,
Anosy Avaratra, Sabotsy Namehana,
Ambohipanja, Ankadikely, Ambohidratrimo, Ivato, Ambohibao, Talatamaty, Ambohimanarina.
Isaorana manokana an’Atoa Raderason Hery ny sarin-tany.

Documents pareils