FITSIPIKY NY FIFANINANANA

Transcription

FITSIPIKY NY FIFANINANANA
fitsi
FITSIPIKY NY FIFANINANANA
FIFANINANANA NASIONALY HO FAMPIROBOROBOANA NY FAMORONANA
TETIK’ASA HO FAMPANDRAISANA ANDRAIKITRA NY TANORA,
AMIN’NY FARITRA 22 ETO MADAGASIKARA
1. Iza avy ireo afaka mandray anjara ?
Ny fifaninana dia misokatra ho an’ireo fikambanana tanora afaka hamorona tetik’asa, manerana ny
faritra 22 eto Madagasikara
Ireo fikambanana afaka mandray anjara :
 Ny fikambanana miasa ho fampandrosoana ny toerana misy azy
 Ny fikambanana na tambazotram-pikambanana manana antompisiana aradalana eny
anivon’ny talemparitra miahy ny Tanora
 Ny fikambanana tanora izay manana mpikambana anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 30 taona
 Ny fikambanana efa nanana tetik’asa maharitra sy manana tetik’asa ho tanterahina eo amin’ny
toerana misy azy
 Ny vondrom-pikambanana mandray anjara dia tsy tokony hihoatra ny 3 ny fikambanana ao
anatiny izay manolotra tetik’asa iray
2. Inona avy ireo tokony ho hita ao anatin’ilay tetik’asa ?
Tokony aompana amin’ireto lohahevitra ireto ny tetik’asa :





Ny fahasalamana
Ny fiofanana
Ny andraikitra amin’ny maha olompirenena
Ny asa sy ny fandraharahana
Ny tontolo iainana
Ny tetik’asa tsirairay avy dia tokony hisy fifandrindràna amin’ny sampandraharaha misy eo antoerana mifanandrify amin’ny lohahevitra nosafidiany.
Ny tetik’asa dia afaka aseho amin’ny alalan’ireto asa manaraka ireto :
-
Ny fanentanana, fanomezam-baovao ho fanovàna ny fitondran-tena
Ny fanatanjahan-tena na kolontsaina entina hampitàna hafatra
Ny fifandresen-dahatra
Ny fanadiovana, fanadiovana faobe, fanatsaràna fotodrafitr’asa
Ny fanamafisana ny fahaiza-manao
Ny asa madinika mampidi-bola misy akony eo amin’ny fiaraha-monina
Tsy ho raisina ny tetik’asa :
-
mamofompofona na manome lanja antoko na fikambanan’antoko politika
tetik’asa mampidi-bola fa tsy mitondra fampandrosoana ho an’ny fiaraha-monina
andoavana karama
mamatsy ara-bola tetik’asa efa vita na eo andalam-pamitàna
Tsy tokony hihoatra ny 3 volana ny fanatanterahana ny tetik’asa
3. Ahoana no fandefasana ny tetik’asa ?
Ny fikambanana rehetra te handray anjara dia afaka mandefa ny antontan-taratasy momba ny
tetik’asany alohan’ny faha-24 septambra 2014 any amin’ny talem-paritra miadidy ny tanora, ny
tranoben’ny tanora amin’ny toerana misy anareo.
Ireo antontan-taratasy momba ny tetik’asa dia tokony hamaly ny fanontaniana rehetra voafaritra ao
amin’ny modely fandraisana anjara izay hita eny amin’ny peta-drindrina eo anivon’ny talem-paritra
miadidy ny tanora, ny biraon’ny distrika sy ny tranoben’ny tanora any amin’ny toerana misy anareo.
Ny modely fandraisan’anjara dia azo alaina ao amin’ireto tranonkalam-pifandraisana ireto :
-
Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena : http://www.mjs.gov.mg
UNFPA eto Madagasikara : http://countryoffice.unfpa.org/madagascar
Pejy FACEBOOK n’ny Tanora Garan’Teen
Ny anton-taratasy fandraisan’anjara dia azo aterina ao amin’ny biraon’ny Talem-patritra ny Tanora
na ny tranoben’ny tanora na koa alefa mailaka amin’ny adiresy : [email protected]
Raha mila fanazavàna fanampiny dia antsoy ireto laharana manaraka ireto :
032 74 139 18 na 034 24 486 02
Tanora miray hina sy mandray andraikitra, omeo lanja ny firotsahanao!

Documents pareils