Ny omby - valeriefortdauphin

Transcription

Ny omby - valeriefortdauphin
Ny omby
Avy amin’ny teny tibétain « zeba » izay midika hoe « tafo » ny teny hoe:omby.
Manana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny omby. Ny vanim-potoana lehibe rehetra dia
ampiasaina azy avokoa. Eo foana izy amin’ny fomba amam-panao rehetra: manomboka amin’ny
fahaterahana ka hatramin’ny fahafatesana; eny fa na dia ao aorian’ny fahafatesana aza dia mbola
hampiasaina izy amin’ny famadihana. Ny fanajana ireo fomba amam-panao ireo dia mamelona hatrany ny
fihavanana eo amin’ny taranaka mifandimby rehetra.
Ny Mpanjaka Ralambo, tamin’ny vanim-potoanan’ny faha-mpanjaka, no nampianatra ny vahoaka nihinana
hen’omby. “Jamoka” no niantsoana ny omby tamin’izany.
Tamin’ny taona 1840 no nampidiran’I Jean Laborde ny omby misy trafo Voalohany teto Madagasikara. Ny
“Bos indicus” no razamben’ny omby Malagasy. Avy any Inde izy io ary ny 90% n’ny omby eto dia avy
aminy avokoa.
Manomboka amin’ny omby dia “Malas” ka hatramin’ny omby fiompy dia samy hafa ny toe-batany,
arakaraky ny toerana ahitana azy eto amin’ny Nosy. Izany dia vokatry ny fampanarahana sy ny fizarana
amin’ny tontolo iainana. Miavaka ny ombilahy satria ahitana trafo misy menaka, mifono hoditra malefaka,
eo an-tampon-tsorony. Vokatry ny fitombon’ny bibikely izay nivelona tamin’ny omby tany aloha tany no
niandohan’io trafo io.
Tombanana ho omby iray isaky ny mponina no hita eto Madagasikara. Samy manana ny famantarana azy ny
omby tsirairay avy. Izany dia hita amin’ny alalan’ny rimbana eo amin’ny ravin-tsofiny. Io no enti-manavaka
azy amin’ny andian’omby hafa sy ny omby dia.
Manomboka any amin’ny faritra andrefana ka hatrany amin’ny faritra atsimo dia tsy lehilahy izay tsy
manana omby. Matetika, rehefa misy fomba amam-panao , dia vonoina ny omby ary zaraina ny henany.
Izany dia ho mariky ny fihavanana sy ny firaisan-kina izay tena zava-dehibe tokoa ho an’ny mpiray tanàna.
Any amin’ny Mahafaly, rehefa misy maty, ao aorian’ny fomba amam-panao rehetra, dia apetraka eny
amin’ny sisim-pasana miaraka amin’ny aloalo ny tandrok’omby. Toy izany koa ,any Atsimo, any amin’ny
Atandroy rehefa misy maty dia maro ny omby vonoina entina mikarakara ny fandevenana. Ny voninahitra sy
ny maha-mpanarivo ny olona maty iray dia voaporofo amin’ny isan’ny omby novonoina tamin’ny
fandevenana azy. Matetika dia apetraka koa eny amin’ny sisim-pasana ny tandrok’ireo omby maty ireo.
Any afovoan-tany, vonoina ny omby rehefa manao hasoavan-jaza, amin’ny andro “fandroana” ary amin’ny
“famadihana”.
Any amin’ny Bara sy ny Atandroy, rehefa tonga taona ny zatovolahy ka hanambady, dia mangalatra omby
(raha tsy manana),omby mazavaloha, ho entiny mangataka izay ho vadiny any amin’ny Ray aman-dReniny.
Vonoina koa ny omby mba hampitoniana ny fahatezeran’ny Razana, mba hanaovana “joro” (fangatahana
fitahiana amin’ny Razana),hatao fanati-pisaorana ary handroahana ny fanahy ratsy mpisompatra (Bilo) .
Ny omby hatao sorona dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny vanim-potoana hampiasaina azy , ary koa
mendrika ny voninahitry ny olona hanao sorona. Noho izany dia fidina mialoha izay omby hampiasaina
amin’izany. Ny tena tsara dia ny omby volavita: fotsy mainty ny volony,fotsy ny lohany, misy soritra fotsy
ny lamosiny ary fotsy koa ny feny. Ao koa ny omby volotsara: fotsy sy mainty ny volony. Farany ny omby
vanga izay ahitana pentina fotsy eny amin’ny tongony. Vitsy no sady lafo ary sarotra tadiavina ny omby
volavita sy ny omby volotsara. Noho izany indrindra dia ny mpanjaka sy ny mpanankarena ary ny be
voninahitra ihany no afaka mampiasa azy ireny.
Miavaka amin’ny lokon’ny volony ny omby(volavita,volotsara). Ao koa ny vanga. Arakaraka ny lokony no
ahafantarana koa ny firazanan’ny omby. Ny malia antsoina ihany koa hoe omby dia ireo omby izay
navelan’ny tompony hiriaria nandritra ny fotoana ela tany an’ala na tany anaty bozaka be tany amin’ny
faritra sasantsasany.
Ao koa ny zafindraony azo avy amin’ny fampanarahana omby zanatany tamin’ny omby eoropeana tamin’ny
tanjato faha-19.
Ny omby rana dia azo avy amin’ny fampanarahana karazan’omby samy hafa tany aloha tany.
Ny omby “barea” dia omby tsy ompiana fa dia, tsy misy trafo izy ary ny tandrony dia fohy kokoa noho ny
omby gasy. Any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Mahajanga no ahitana azy.
Ny renitelo dia vokatry ny fampanarahana tsy voajanahary fa nampanarahana ny teknika vaovao. Manompy
mena ny lokony ary mazava volo ny teheazany sy ny hodiny. Sokajiana ho razan’omby tsy fahita raha tsy
aty Madagasikara izy io, nefa ny niandohany dia vokatry ny fikarohana sy ny fampanarahana natao tany
Kianjasoa tamin’ny taona 1930.
Misy fifandraisany amin’ny vintana teo amin’ny Ntaolo Malagasy ny lokon’omby.
-Ny mainty : ADIJADY (osy)
-Ny manja na volavita: ALAHAMADY (ondrilahy)
-Ny mainty fotsy tongotra: ADAORO (ombalahy)
-Ny mainty misy patina eo amin’ny tavany: ADIZAOZA (kambana)
-Ny mavomena: ASORONTANY (foza)
-Ny fotsy mainty fotsy vozona :ASOMBOLA (liona)
-Ny mavomena misy mainty na manja: ADIMIZANA (mizana)
-Ny manja mangirana:ALAKAOSY (mpitifitra tsipika)
Mitana toerana lehibe ny omby eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy . Na dia efa maty aza ny
omby dia mbola misy ilana azy ihany: atao sakafo ny henany, anaovana asatanana ny tandrony sy ny
hodiny. Eny fa na dia any anaty angano sy arira aza dia mbola voatanisa ao koa izy. Any anaty lava-bato sy
toerana an-dakira tsy misy mahafantatra any aza, hono, dia tandremo fa mety hifanehitra amin’ny sogomby
ianao. Mba mailo ihany fa matanjaka be no sady mampidi-doza izy io ary mety hamely tampoka anao!
Ohabolana mikasika ny omby
“Ny omby mahia tsy lelafin’ny namany”
Un zébu gras ne lèche pas un zébu maigre.
Ce proverbe malgache signifie: dans la société, souvent, les riches ne fréquentent pas les pauvres.
Traduction : Mme Alphonsine RASOARINORO
Enseignante à
l’Ecole Française
De Fort-Dauphin
(18 mai 2012)

Documents pareils