fiantsoana mpividy na mpanodina varimbazaha vokatra eto

Transcription

fiantsoana mpividy na mpanodina varimbazaha vokatra eto
FIANTSOANA MPIVIDY NA MPANODINA VARIMBAZAHA VOKATRA ETO
MADAGASIKARA
Ny Fandaharan’asa MATOYdia vatsian’ny Fiaraha-miasa Soisy ary tantanan’ny ONG SAHA,
AIM et HELVETAS. MATOY dia miaraha-miasa mivantana amin’ny mpandraharaha aratoekarena mba hampirindra miaraka ny filan’ny tsena sy ny mpamatsy vokatra.
Ny taona 2013, MATOY no nanomboka miara-miasa mivantana amin’ny orinasa Les Moulins de
Madagascar Lafarinina ary manamora ny fifandraisan’ny mpiara-miombon’antoka
mpanodinana varimbazaha vokatra eto an-toerana sy ny fanodinana ho lafarinina eto antoerana izay araka ny fenitry ny tsena.
Manitatra ny fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha hafa ny Programa ankehitriny.
Ireo tambazotran’ny mpamatsy varimbazaha eto Vakinankaratra, izay mamatsy ny orisanasa
mpanodina lafarinina « KOBAMA taloha », dia afaka mamokatra mihoatra ny 800 taona ny
2016. Ary tsy nitsahatra nitombo avo roa heny ny vokatra isaky ny taom-pamokarana.
Ity Antso ity dia natao mba hanampy ireo tambazotran’ny mpamatsy varimbazaha vokatra
eto an-toerana hanomana dieny izao 2016 izao ny famokarana sy famatsiana varimbazaha
amin’ny taona 2017 arakaraky ny tadiavin’ny tsena.
Noho izany dia asaina ireo mpandraharaha mpanao mofo, mpanangom-bokatra, mpividy na
mpanodina lafarinina liana hanjifa sy hampiasa varimbazaha vita 100% eto Madagasikara ,
mba handefa filazana sy tolotra mba ho voaray anatin’ny mpividy manomboka ny taona
2017.
Ireo mpandraharaha varimbazaha izay voasafidy dia homen’ny Fandaharan’asa tohana
hatramin’ny faran’ny taona 2016, mahakasika ireto :
-
Fihaonana amin’ireo tambazotran’ny varimbazaha vokatra eto an-toerana :
mpamokatra, mpamatsy, mpitatitra
Fanamorana ny fifampiraharahana ara-barotra amin’ny mpamatsy vokatra
Fampiofanana mahakasika ny varimbazaha
Fitsidihana ireo tambazotran’ny mpamatsy vokatra miainga amin’ny mpamokatra
hatramin’ny fitaterna ny vokatra
Fanohanana ny planina fandraharahana ifandrimbonana manomboka ny 2017
Mba hahafahana mahafantatra tsara ireo tontolon’ny fandraharahana varimbazaha
dia asaina mba hanatrika ny fihaonana momba ny varimbazaha vokatra eto antoerana izay hatao ny 1 jolay 2016 izao izay liana. Manao fangatahana fanasana
mialoha ny 20 jona 2016 amin’ny adiresy etsy ambany izay liana.
Izay mila fanazavana fanampiny, sy ireo hametraka ny taratasy fanambarana ny fividianana
varimbazaha dia asaina hametraka ny fangatahana amin’y adiresy eto ambany fara-fahatarany ny zoma15 jolay 2016
PROGRAMME MATOY
Lot V J II Ter A Ambohimiandra
[email protected]; copie à [email protected]; [email protected];
Tél : 032 11 639 03 - 032 11 639 04

Documents pareils