Taniketsa - sa fjkm andrainarivo fahasoavana

Transcription

Taniketsa - sa fjkm andrainarivo fahasoavana
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
1
Taniketsa
Gazetin’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM Andrainarivo
Miseho isan-telo volana. Laharana faha 65. Jona 2016.
Vidiny: 400 Ariary. Tranokala: www.sa-andrainarivo.mg
FANDALINANA
Mivavaka amin’iza
ny Franc-maçon?
Matoan-dahatsoratra
Ny antikristy
Ny firoboroboan'ny karazam-pivavahana
manao
fampianarana
manohitra
an'i Jesoa tsy ho Andriamanitra sady tsy Zanak'Andriamanitra ary hany Tompo sy
Mpamonjy, manohitra an'i
Jesoa tsy ho Ilay Mesia dia
manambara ny tsy finoana.
Maro noho izany no misalasala ny amin'ny finoany
na dia efa Kristiana vita batisa aza.
Sary famantarana ny Franc-maçon
Ity fandalinana ity dia famintinana ilay boky mitondra ny Lohateny hoe: "Mivavaka
amin’iza ny Franc-maçon?". Boky nosoratan’ny Mpitandrina Randriamisata Roger
ary nivoaka ny Martsa 2016. Miezaka manolotra sy mamintina izay tsara ho fantatra
ho anao mpamaky momba izany ny Gazety Taniketsa. Fa iza marina moa ry zareo?
Inona no voizin’izany fikambanana izany? Iza no mpikambana vao aminy? Inona ireo
marika hamantarana azy? Ahoana ny hevitry ny FJKM?
Andrianarivo Raphaël sy Fidson Dina Tantely
Fa iza marina moa ry zareo?
Ny Franc-maçon dia fikambanana tranainy sy mivoy ny antsoina hoe: Firahalahiana. Ny Mpitandrina James Anderson sy ilay Fizisiana Isaac Newton no namorona azy tany Angletera ny taona
1717. Fikambanana mitazona tsiambaratelo mafy sy manozona ny tenany ho faty raha manambara
izany na ilay antsoina hoe: "Le Secret d'Hyram" (tohiny P.3)
TONONKALO:
VOKA-DEHIBE:
Andriamanitra
mampandihy
no
(P.2)
Tonga efa ela, ary vaomainka miditra eto amintsika
ankehitriny
ny
fivavahana antikristy.
Maro ny fikambanampinoana isehoan’izy ireny,
ary efa eto Madagasikara sy
miasa malalaka ka ilaina
fitandremana raha tsy hilaza
afatsy
ny
"Fiangonan’i
Jesosy Kristy Iombonan’ny
Olo-masina amin’ny Andro
Farany" na ny Mormon.
TANIKETSA
FANASINA
Firenena vanona
(P.5)
"Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara"
(Heb 10. 24)
KETSA
KETSA
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
VOKA-DEHIBE FJKM ANDRAINARIVO
FAHASOAVANA
"Andriamanitra no mampadihy antsika"
"Ary aoka isika hifampandinika
hampandroso ny fitiavana sy ny asa
tsara" (Heb 10. 24)
Izany no Tenin’ny Soratra Masina
banjinina mandritra ny volana Jona
manontolo hanatanterahana ny vokadehiben’ny Fiangonana Andrainarivo
Fahasoavana amin’ity taona 2016 ity.
Salamo faha 150
Raha nandray fitenenana ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, ka nanohy ny fanentanana ny
Fiangonana, dia hoy izy:
"Ny FJKM dia manana litorjia karazany efatra, ka ny litorjia karazany fahefatra
no
ataontsika
amin'ny
Alahady 5 Jona 2016, fanokafana ny
voka-dehibe. Ilay litorjia izay tena tsy
mbola mahazatra antsika mihitsy."
"Ny Salamo faha 150 no vakina
amin'io, izay mivaky toa izao: Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo
amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy
eo amin'ny habakabaky ny heriny.
Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. Miderà Azy amin'ny fitsofana
ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy
amin'ny ampongatapaka sy ny dihy;
Miderà Azy amin'ny zava-maneno
tendrena sy ny sodina.
Andriamanitra ny diantsika. Izany no
atao hoe teolojian'ny vatana (corps).
Izany hoe asainao midera an'Andriamanitra koa ny vatanao. Izany no
ezahintsika hatao amin'ny Alahady 5
Jona."
Hetsika samihafa
Flash mob
Nambara tamin’ny fanentanana sy
ny fandresena lahatra nataon’ny Komity fa "hiavaka ny voka-dehibe
amin’ity taona ity satria fijoroana vavolombelona manerana izao tontolo
izao amin’ny alalan’ny sora-dihy mirindra na flash mob ataon’ny Fiangonana ka ho hita amin’ny internet sy
ny haino aman-jery samihafa. Somary tsy mahazatra ny hetsika hataontsika fa mila mahay mivelatra
isika mba hahakasika ny olona rehetra ny finoantsika. Mila fahasahiana
sy mijoro."
Ny voka-dehibe moa raha tsiahivina dia hetsika atao isaky ny volana
Jona mba hanavaozana ny fanoloratena ho an'ny Tompo sy hanolorana
izay vokatra tsara ho an’Andriamanitra. Raha ny ezaka tratrarina voasoratra
ao
anatin’ny
tetibolan’ny
Fiangonana dia 13.500.000 Ar.
2
Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona
tsara feo. Aoka izay rehetra manampofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia."
Izy no mampandihy
Toa izao no fanazavan’ny Mpitandrina izany.
"Azo iderana an'Andriamanitra daholo ny fitaovana rehetra. Ny fiovana
dia manahirana mandrakariva, fa
mianatra isika mankatoa an'Andriamanitra, fa tsy izay mahazatra sy maharesy lahatra ihany. Indrindra ity
Salamo faha 150 ity dia milaza hoe:
"Miderà Azy amin'ny ampongatapaka
sy ny dihy." Mandihy isika, ohatra rehefa réveillon eto am-piangonana, fa
ny olana fotsiny réveillon no anaovantsika azy fa tsy Alahady maraina.
Ny fotoana no tsy mitovy fa ny fiderana an'Andriamanitra dia iray ihany.
Efa ataontsika ny mandihy fa tsy mahazatra antsika fotsiny ny manao azy
Alahady maraina."
"Izany, ry havana no iantsoana
anao anio. Ny fanoloran-tena ho
an'Andriamanitra dia tsy asiana fepetra. Ny dikan'izany, na dia mihetsika
aza, dia mianatra mihetsika eto anatrehan'Andriamanitra isika. Ianao
anie mandihy ihany fa any an-toerankafa e! Fa ny tena tsara indrindra dia
ny mandihy eto anatrehan'Andriamanitra. Ary fiderana an'Andriamanitra
no manainga anao handihy."
"Adi-hevitra tamin'izay mbola Choral ny hoe: Mahazo manao bal sa tsy
mahazo manao bal? Ny tokony ho fanontaniana dia hoe: Iza no mampadihy anao? Fa ny antsika dia
Andriamanitra no deraina. Izy no
mampandihy antsika ary Izy no anolorana ny dihy satria misy zavatra
ampitaina rehefa mandihy. Ny ataon
tsika dia ny hidera an'Andriamanitra,
hampitaintsika any amin'
Ny fanokafana izany voka-dehibe
izany dia hatao ny Alahady 5 Jona
2016. Hisy filaharana miainga eo
Ambohitrakely amin’ny 8 ora maraina, arahina fanentanana ho an’ny
ankizy amin’ny animation samihafa.
Ny Alahady 12 Jona no hanatanterahana ny lalao samihafa toy ny basket à 3, dominos, le parcour, belote,
bras de fer.
Hisy koa fifaninanan-kira ahitana
tarika misy olona 5 fara-fahakeliny,
ka any amin’ny famaranana dia mandray anjara amin’ny fanendrena izay
ho mpandresy ny mpijery.
Amin’ny Sabotsy 25 Jona dia hisy
kerimesy, manomboka maraina ka
hatramin’ny 5 ora hariva. Ahitana varotra tsakitsaky sy sakafo antoandro
na "hotely koranabe" amin’ny sarany
2000 Ar. Ny hariva no ampifalifaliana
ny ankizy amin’ny arendrina sy animation, zumba, karaoke sy hirahira
miaraka amin’ny gitara.
Ny famaranana ny voka-dehibe dia
ny Alahady 26 Jona, fetim-pirenena
rahateo, izay iarahan’ny reny Fiangonana sy ny Zanaka am-pielezana.
Toy ny mahazatra dia eo no hiarahana mihinana ny sakafo agapé sy
hanolorana ny loka tamin’ny fifaninanana samihafa.
Ny komity koa dia manomana teeshirt voka-dehibe.
José Ravoavison
Dikan-teny
Dégouter = Maharikoriko, tofoka
Dégradé = Fihenana tsikelikely
Dégringoler = Mikorosy
Déguiser = Manova bika
Dégustation = Fanandramana tsiro
Délabrer = Mandrava, manimba
VAOVAO
VAOVAO
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
3
Mivavaka amin’iza ny Franc-maçon?
Fikambanana miafina tanteraka izy fa
ankehitriny vao sahy miseho masoandro.
Fikambanana manao asa mitovy na
"Maçonnerie opérative et philosophique"
na "Franc-maçon spéculative".
James
Anderson
"Telolafin'andriamanitra" na koa hoe:
"Fitoviana, Firahalahiana, Fahafahana".
Ireo dia mifamatotra amin'ilay andriamanitra tany Egypta "Shiva" sy "Set". Ilay
kintana kosa na ny "Hexagramme" dia ny
mpamosavy sy mpanao majika no nampiasa azy kanefa dia hamantarana ny
Franc-maçon izany; izay hita ao Paris
Frantsa ao amin'ny Place de la Bastille sy
ny vola Farantsa 10.
Isaac
Newton
Loge sy Grade
Manana rafitra maty paika izy dia ny
Loge sy ny Grade ka misy hatramin'ny
"Grand commandeur du Temple" na 33
ème degré sy ny "Chevalier rose croix".
Ilay kintana
Ary ny farany dia ilay atao hoe: "Pentagramme" izay kintana fampiasan'ny
devoly fa ny tena loza dia ilay "maso
tokana" nampiasana tamin'ny "NouvelAge" ka mason'i Horus na Shiva. Misy
azy io any Etazonia ao amin'ny Chambre
de méditation ny vola Amerikana sy ny
Mpikambana
Pyramide any Egypta ary ny Fiangonana
Mormon. Maro ireo Fikambanana mitovy
Ny mpikambana vao miditra no atao aminy ary efa eto Madagasikara sy miasa
hoe: "Profane" ary hofanina ho "Initié" malalaka ka ilaina Fitandremana dia ny:
ary lasa "Apprenti" avy eo ka io no din- Mormon.
gana voalohany ho azy. Rehefa afaka eo
dia mandalo ny atao hoe: "Compagnon"
ka mahazo miteny sy maneho hevitra fa
tsy toy ny teo aloha, ary lasa "Maître"
amin'izay kanefa miankina amin'ny
"Loge" misy azy.
Ny taona 1723 ny "Grand loge d'Angleterre" dia namoaka ny lalampanorenany fa tsy fivavahana na antokompivavahana kanefa miainga amin'ny finoana izay heveriny ho andriamanitra dia
ilay antsoiny hoe: "Grand architecte de
l'Univers" na ny "GADLU".
Memphis-Misraïm.
Ireo Fikambanana voalaza ireo dia
mampiasa avokoa ny fomba Franc-maçon
dia ny fanaovana fanekena sy ny fiankohofana amin'ny GADLU ary ny fitazomana
ny tsiambaratelo efatra dia ny "secret
d'appartenance, secret des travaux, serment maçonnique ary ny secret maçonnique.
Misy ny mpanome baiko ary misy ny
mpanatanteraka. Misy ny sorona atao na
dia miezaka manafina aza ry zareo. Afaka
mibaiko Firenena iray na maromaro
mihitsy ary mpanongam-panjakana ikoizana. Mpanan-karena avokoa ny mpikambana ao ary tsy misy mahantra na iray aza
ary tena mifanampy ry zareo, ka maro no
roboka noho ny tsy fisiana sy te-hanankarena na hampitombo ny efa ananana.
Tsy iza io GADLU io fa i Lucifer ilay
mpitondra hazavana sandoka izay hivavahany.
Hevitry ny FJKM
Ety am-pamaranana dia tsara ny mampahafantatra antsika fa hatao eto Antananarivo ny fivoriamben’ny Franc-maçon
amin’ny taona 2017.
Raha mikasika ny FJKM manokana
kosa dia efa naneho ny heviny ny Synoda
lehibe natao tany Manakara ny taona 2012
fa tsy miara-miasa amin'ny Franc-maçon
ny FJKM.
Randriamisata Roger, Mpitandrina
FJKM Ambohimamory Malala Orimbato
Ilay signe satanika
Marika famantarana
Manana ny marika lehibe hamantarana
azy ry zareo dia ny tsy hamoahana ireto
zavatra telo ireto: "Fiteny, Famantarana,
Fifandraisana tànana". Ny "Compas" sy
ny "Equerre" izay manome ny atao hoe:
Rotary Club. Lions Club. Ny Grand
Rite Malgache. Ny Grande Loge Traditionnelle et Symbolique de Madagascar.
Ny Grand Rite Malgache Féminin. Ny
Grande Loge Nationale de Madagascar.
Ny Grand Orient de France. Ny Grande
Loge de France. Ny Jurdication Malgache
du Droit Humain. Ny Ordre Initiatique et
Traditionnel de l'art Royal. Ny Grande
Loge de Memphis-Misraim Océan Indien.
Ny Souverain sanctuaire international
(Nalaina tao amin’ilay boky mitondra ny
lohateny hoe: "Mivavaka amin’iza ny
Franc-maçon?")
Teny Malagasy
Fampiasana ny faingo mihantona
-Tsy tokony hampiasaina kitoatoa foana
tahaka ireto ny faingo mihantona:
Oh:
Arak’izany (diso)=Araka izany (marina)
K’indrio (diso)=Ka indro (marina)
VAOVAO
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
Vaovao anatiny
Vaovao ivelany
SLK FJKM ANDRAINARIVO
FOIBE FJKM
Pergola
Hafatra pentekosta
Alahady 8 Mey 2016, Alahadin’ny
Sampana Lehilahy Kristiana (SLK) sady
fanokanana ny Pergola, isan’ny tsangambato tamin’ny faha 70 taonan’ny SLK Andrainarivo sy faha 40 taonan’ny Sampana Tanora Kristiana (2011).
Ny Mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, notronin’ny Filohan’ny SLK Razafimamonjy Jean Fidèle Fernand sy
Rakotomanana Honoré, Filohan’ny Antenimieran-doholona no nanatanteraka
izany fanokanana izany, natrehin’ny vahoakan’Andriamanitra.
Raha tsiahivina dia ny Alahady 13
Mey 2012, ivon’ny fankalazana, no nametrahana ny vato fehizoron’izany Pergola izany, izay niainana ny Teny Faneva
hoe: "Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa" (Jer 5:16b).
Nanamarika ny Filoha, Razafimamonjy
Fernand tamin’izao fanokanana izao fa "
fanamby natao teo anatrehan’Andriamanitra io ka tsy ny fahatarany akory no
inona fa ny zava-dehibe dia ny fahatanterahany satria izany no sitrapon’Andriamanitra."
Atao inona moa io Pergola io? Mbola
ny Filohan’ny SLK ihany no nanazava fa
"ny Pergola dia natao ho fialokalofana,
fialantsasatra sy hanatanterahana fialamboly Kristiana, sy fandalinam-pinoana."
Ny namaranana izany Alahadin’ny
SLK izany dia ny filazan’ny Filoha fa hankalazaina amin’ny taona 2017 ny faha 75
taonan’ny Sampana Lehilahy Kristiana.
Araraoty ny Pentekosta mba hifampaherezantsika. Mbola mibahana eto
amin'ny firenentsika ny tsy finoana, tsy fihainoana ny fahamarinana dia ny fahamarinan'Andriamanitra na dia misy aza
ny Fiangonana manambara izany amin'ny
fomba maro samihafa.
Ny fampisarahana ny fiainana andavanandron'ny Kristiana maro sy ny fiainampivavahany dia mitory tsy finoana ihany
koa. Amin'ny ankapobeny dia feno hipoka
ny trano Fiangonana isak'Alahady. Kanefa toa tsy misy fiantraikany eo amin'ny
fiainan'ny mino ny finoany, ka tsy mahagaga raha tsy misy fiovana ho amin'ny fahatsarana toy izany koa ny fiainampirenena. Ny ratsy dia manohy ny ratsy
fanaony ihany, ary ny tsara aza mila ho
resin'ny fakam-panahy hanao ny fanaon'izao tontolo izao.
Eo anivon'izany tontolon'ny tsy finoana
izany isika no manamarika indray ny
andro sy fotoanan'ny Pentekosta. Mampahatsiaro antsika ny teny fanomezantokiny i Jesoa fa ny Mpananatra dia tonga
mba ho vavolombelona hanambara Azy.
Mila anatra sy fanitsiana ary fampaherezana isika Malagasy. Maro no diso lalana
mihaino sy mankato feo hafa noho Ilay
Mpananatra.
Mandroso dia mandroso ankehitriny ny
fampiasana fitaovan-tserasera samihafa.
Haingana dia haingana noho izany ny fanaparitahana vaovao, na marina izany na
diso. Toa ireny seraseram-baovao ireny
ankehitriny no henoin'ny maro, eny fa na
dia ny Kristiana aza ka mibaiko ny hetsika rehetra ataony. Ireny no mamela
dindo eo amin'izay efa inoany ka manova
izany mihitsy aza. Tsy ny Soratra Masina
intsony no loharanon'ny finoana sy mibaiko ny fiainan'ny Kristiana maro fa ny
ambaran'ny "internet".
Mbola fotoana fanararaotra anefa izao
mba handraisana Ilay Mpananatra dia ny
Fanahin'ny fahamarinana, hanitsy ny
diantsika sy hampiorina mafy ao anatin
tsika ny finoana an'i Jesoa Ilay tonga tety
amin'izao tontolo izao hitady sy hamonjy
ny very.
Manana adidy isika izay nandray ny fanahin'ny faherezana mba hampahery
ireny namantsika ireny. Manana adidy ny
Fiangonana hanambara ny marina sy ny
fahamarinana ka tsy hanaiky hanjakan'ny
ota eto amin'ity firenena ity. Jesoa dia nanana fahasahiana namotsipotsitra ny tsifahamarinana teo amin'ny fiaraha-monina.
Hanana izany fijoroana vavolombelona
izany koa ny Fiangonana sy ny Kristiana
isam-batan'olona.
Manomboka
ao
amin'ny fiangonana izany ary mitohy eo
amin'ny fiaraha-monina, eny manerana
izao tontolo izao.
Ny Fiangonana dia hifototra mafy
4
amin'ny fampianarana sy fitaizam-pinoana marina eo ambany fitarihan'ny Fanahin'ny fahamarinana mba hiorenan'ny
Kristiana tsara ka tsy hiovany amin'izaynampianarina azy. Finoana iainana, finoana marina, finoana eo ambany
fitsilovan'ny Fanahy Masina hatrany anie
ny finoan'ny Krsitiana malagasy sy ny
mponina eto Madagasikara.
Rasendrahasina Lala, Mpitandrina
Filohan'ny FJKM
AFIFAB FJKM
Gazetim-piangonana
Tao anatin’ny volana Aprily, Mey,
Jona 2016 dia nifanesy ny fiantsoana
ireo mpikirakira vaovaom-piangonana nataon’ny AFIFAB na Asa Fifandraisana sy
Fampahalalam-baovao FJKM.
Ny 19 Aprily teo dia ireo Fiangonana
na Synodamparitany mamoaka Gazety
no nantsoina hivory voalohany mba "ho
fanatsarana sy fampitambarana ny hery
amin’ny fitaizana ny Kristiana". Maro ny
nandefa solotena ka tamin’izany no namariparitana ny zava-misy amin’ny ankapobeny.
Nitohy ny 26 Mey, ho an’ireo tomponandraikitry ny tranokalam-pifandraisana
na site web ao amin'ny Fiangonana
FJKM ny antso. Nafana ny fifanakalozana teo amin' ny mpandray anjara rehetra ka tapaka nandritry io fihaonana io fa
hatsangana ny antsoina hoe: "Groupe de
travail" hiara-misaina sy hihevitra ny lafiny fampandrosoana ny Site Web rehetra eto anivon' ny FJKM.
Ny 9 Jona, tontolo andro, no hanatontosana ny fampiofanana ny mpikirakira
ny gazetim-piangonana rehetra. Eny
amin'ny trano CFD Ampandrana manomboka amin' ny 9 ora maraina.
SP AA12
Fitokanana ny FJKM
Ambohimalaza Firaisana
Kanana Vaovao
Avo tsy takatra ny fahasoavan’Andriamanitra ary vita soa ny fanorenana ny
trano Fiangonana Ambohimalaza Firaisana Kanana Vaovao.
Entanina ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana rehetra hanatrika ny fitokanana izany trano Fiangonana izany,
raha sitrapon’Andriamanitra, ny Sabotsy
30 sy Alahady 31 Jolay 2016.
Ny Alahady 17 Desambra 2010 no nanapa-kevitra ny fivorian’ny Mpandray fa
hanangana trano Fiangonana ka izao
vita izao.
Finoana iainana
"Ary ho vavolombeloko...
hatramin'ny faran'ny tany"
Asa 1. 8
Ampiasao ny internet, facebook,
twitter... hijoroanao
vavolombelon’i Jesoa Kristy
VATSY
VATSY
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
Daty malaza
Tononkalo
1889
20 JUIN. Niala teto Antananarivo,
androany Alakamisy ny tafika faharoa ho
any Soalary (Tuléar).
Rehefa heno teto Antananarivo fa tsy
nanjary ny tafika nentin-dRainimiadana,
dia noheverin’ny Premier Ministre haingana izay hasolo azy, ka ny Prince Ramahatra no notendrena ho lehibeny.
Manamboninahitra vitsivitsy sy ny lefiny,
ary ny mpanompon’ireo ihany no niaraka
tamin-dRamahatra, fa any amin’ny seranana samy hafa, any amorontsiraka atsinanana izy, vao hamory miaramila. Ny
sambo "Normandie" dia nomena azy
hitondra ny miaramila sy ny fitaovana ary
ny hanin-kohanina.
Rehefa tonga tao Toamasina izy, dia
nanangona miaramila, nefa tsy nisy
azony noraisina afa-tsy vatan-dehilahy
100 tao; ny vary kosa dia nahavory betsaka izy. Dia niainga ny sambo "Normandie" nitondra an-dry zareo, ka tonga tao
Faradofay; tao no toerana natao hitobian’ny mpitafika rehetra.
Tany Fianarantsoa koa dia nisy didy
nampamory ny vatan-dehilahy rehetra,
hakana miaramila 1000 lahy hanampy ny
tafika any Tuléar. Nony henon’ny olona
anefa fa halefa any Tuléar izy, dia be
tsaka no nandositra. Izay sisa tafajanona
dia nentin-dRafanoharana, Komandin’
tafika tao, ho any amin-dRamahatra, any
Faradofay. (Hitohy)
Ny DATY MALAZA,
nosoratan’i RABARY, Pasteur
Tantara mitohy
Firenena vanona
Tsy misy firenena vanona
Raha ny mponina ao aminy
No tsy manana hambom-po
Hahalala ny fisiany
Sy ny hasina ijoroany,
Ka tsy mety harebirebin’
Iza n’iza, n’ino-n’inona
Hamadika ny tanindrazany!
Fa
Tsy ho vanona tsy akory
Ny firenena mamintsika
Raha mbola misy ireo mahay,
Lalin-tsaina, fetsy ratsy,
Manabotry firenena!
Tsy ho vanona tsy akory
Ny firenena mamintsika
Raha mbola misy mpanam-bola
Sahy mivaro-tanindrazana!
Tsy ho vanona tsy akory
Ny firenena mamintsika
Raha mbola misy izay mpitondra
Fitaovan’ny vahiny mamba!
Tsy ho vanona tsy akory
Ny firenena mamintsika
Raha mbola misy be galona
Sahy mandripaka vahoaka...
Saino izany anio!
IRAKO AMMI
Fanambadiana tonga lafatra
Ny tànany henjana sy mafy, no toy ny milaza ny fandreseny tamin’ny tolona nataony.
Na dia efa zokiolona aza Ikaky Ranaivo, dia mbola matanjaka, ary ekenteny eo amin’izay misy azy. Trano tsy dia
manao ahoana loatra no itoerany. Efa lehibe avokoa ny zanany ka lasa niparitaka
nitady ravinahitra. Vao roa taona sy tapany izay no nahafatesan’ny vadiny, dia i
Neny Razay. Tsy misy latabatra akory ao
aminy, fa kidoro iray mihorona eo anjoron-trano, tsihy mivelatra eo afovoantrano, ary ankalana telo: Ny iray fitoerany,
ny iray an’Itompokovavy, ary ny iray ho
an’ny vahiny. Nipetraka izahay mianaka,
ary rehefa vita ny fifanatsafana sy vazivazy madinika, dia notantaraiko azy ny
zavatra rehetra mitranga amin’ny fiainan’
ny tokantranonay.
- Ny ela nihetezana, lava volo. Ny fahendrena, an’ny zokiolona, fa ny fahalalana no anay, ry Ikaky, hoy aho.
Manatona anao aho, fa sady itokiako hianao fa tia ahy tahaka ny nateraka, no
azoko toky ny taonanao be, fa naharaofanao fahendrena tamin’ny fiainana.
Omeo toro-hevitra aho, ry Ikaky, omeo
toro-lalana aho. Tiako ho sambatra ny tokantranoko, tiako hifankatia hoatry ny fifankatiavanay tamin’ny voalohany izy
mianaka; hianao sisa no fanantenako.
- Oh, ry ilay Anjoanina, hoy ity feo farimparina alaina avy ao am-po. Tsy
omeko tsiny ialahy lehiroa. Tanora vao
maitso
volo,
vao
miana-mandeha
amin’ny fiainana. Tsy mbola mahalala ny
adim-pitia hianao anaka, ary izao vao nahita ny adin’ny rafozana sy ny vinanto.
- Efa reko ihany ny rafozana sy ny vinanto, ry Ikaky, kanefa nifankatia be izy
mianaka taloha.
Somary nikentrona kely Ikaky Ranaivo, toa manokatra ny fitadidiany ao
an-tsaina; dia nikohaka kely, vao niteny.
- Eny, anaka, hoy izy, ny reny matetika dia tia ny zananilahy, noho ny vavy
aza. Mierim-pitia amin’ny zanany izy, indrindra rehefa handeha hanambady ilaikely. Amin’ny voalohany dia mifankatia
izy sy ny vinantony, satria afaka manoro
azy izy, ary mbola voakarakaran’ny vinanto tsara koa ny vadiny.
Aty aoriana anefa tsy afaka manoro
5
Olo-malaza
Andriamanana,
Mpitandrina
(1855 - 1927)
Mpitandrina nahavita be teto
amin'ny Firenena raha ny lehilahy.
Nahay asa-tanana tokoa izy ary tena
havanana mihitsy; nahafantarana azy
ny fanoratana ireny takela-pahatsiarovana ireny noho izy tsara soratra.
Nahay fianarana ary tojo tamin' izay
niriany. Nahay ny teny Anglisy ary
havanana tokoa. Ramatoa Rasoavelo
no nampakariny ho vady an-defimandriny. Ny 18 Janoary 1891, rehefa feno 46 taona izy dia voafidy ho
Mpitandrina faha enina tao Ambavahadimitafo. Niasa naharitra tao tokoa
ka nahatozo teo amin'ny fanompoana
sy ny fanitarana ny Fiangonana ary
nahataona olona maro hanatona
an'Andriamanitra; raha mbola nafana
dia nafana ny fanejehana ka nihalefy
tamin'ny fitondrany ny Mpanjaka
Ranavalona II. Efa nampianatra tao
Ambohijatovo Avaratra ihany koa
Andriamanana, Mpitandrina. Nodimandry izy ny taona 1927 rehefa nahavita ny fihazakazahany.
Nanangona: Raphaël
betsaka intsony izy, satria efa tokony ho
afaka mitantana irery ny tokantranony ny
vinanto, ary efa miha-mankaleo azy ny fihainoana baiko lava isan’andro. Rehefa
matetika mantsy ny fanoroana, dia manjary baiko, anaka, hoy izy. Mihasarotra
araka izany koa ny fiainan’ny tokantrano.
Miampy zaza izany, dia vao mainka mihasahirana ny vehivavy. Tsy dia voakarakara firy intsony, hianao, ka tsy tantin’ny
reninao izany noho ny fitiavana anao. Be
koa ny zavatra atao tsy mifanaraka
amin’izay heverin’ny sainy, na dia ny nahandro sakafo ataon’ny vadinao ho anao
aza, satria ny fitiavana samy manana ny
azy. Izy mahalala ny zavatra tianao, satria efa nitaiza anao maharitra mandra-pivoakanao haka vady. Ny vadinao koa
manao izay heveriny ho mendrika sy
tsara; na dia tsy azoazonao aza fahiny,
fy aminao mby ankehitriny, satria ny
olon-tianao no nanao azy ho anao, dia
malahelo ny reninao.
Fa ny tena lehibe, anaka, hoy ihany
izy, nanohy ny teniny, dia adim-pitia: Tsy
eken’ny reninao ny ho latsa-pitia ao aminao noho ny vadinao.
(Hitohy)
Nosoratan’i Ramarolahy Marc N
ZEZIKA
ZEZIKA
Ny hevitrao
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
Atolotry ny Prezida Synodaly Antananarivo Atsinanana
Rabenantoanina Philibert, Mpitandrina.
Ny fomba fanatanterahan’ny Fiangonana ny adidiny
amin’izao andro sarotra izao
Andro sarotra
Ny tiana ho lazaina amin’ny hoe
"andro sarotra" dia ny vanim-potoana
isian’ny fahasahiranana sy fahantrana ary
krizy eo amin’ny fiaraha-monina, ka
miantraika any amin’ny isan-tokantrano
ary mahatonga ny tsirairay tsy hahavita
ny adidiny.
Ny hevitry ny adidy ao amin’ny
Fiangonana
Tsy hoe vola ny adidy fa fitaovana
entina manatanteraka ny adidy. Araka ny
voalazan’ny mpandinika dia teny roa
natambatra ny adidy: a+didy ka misy
heviny telo.
1-Ny tovona "a" dia manambara sy
milaza ary manondro ny asa atao. Raha
misy fototeny iray asiana tovona "a" eo
anoloany dia manondro ny asa atao. Oh:
Fototeny petraka asiana tovona "a" = apetraka. Izany hoe ny adidy dia asa atao ka
raha mbola velona dia misy ny asa ary
manana anjara amin’izany aho.
2-Tany ampiandohana dia nampiasaina
ny mpisolo anarana hoe: "Ahy", ka rehefa
niteny dia hoe: "Ahy ny didy". Saingy
raha tenenina miaraka dia latsaka ny "hy"
ka lasa hoe a+didy. Oh: An’iza io zavatra
io? Valiny: "a" io raha tenenina, fa "ahy"
raha soratana. Ka ny tovona "a" eto dia
milaza fananana, noho izany ny adidy dia
ahy, tompony sy tsy afa-miala aho. Ahy
io, ny olona afaka no tompon’ny didy sy
afaka manao didy fa ny voageja sy voasazy dia iharan’ny didy. Olona afaka aho
satria nafahan’i Kristy.
3-Amin’ny teny hafa dia manambara fandavana ny tovona "a" (préfixe privative)
izay midika hoe "tsy". Oh: a+normale =
anormale (tsy ara-dalana) ka ny a+didy =
tsy didy. Izany hoe tsy terena fa atao ampitiavana, vokatry ny fo sy amin’ny fifaliana, ka izay manam-pitiavana no manao
azy.
Araka izany dia mahatsiaro aho fa
misy asa tokony hataoko. Ahy io asa io
ary tsy an-tery fa ataoko am-pitiavana sy
amin’ny fifaliana noho ny amin’ny
Kristy naniraka ahy sy nanafaka ahy ary
tia ahy.
Fandaminam-potoana ahavitana
ny adidy
Hoy ny Tenin’Andriamanitra: "Fahaizana mandamina tsara no entina miady"
(Oha 20. 6). "Ary mba tsy handanianareo
ny andro sisa iainanareo amin’ny filan’
ny nofo fa araka ny sitrapon’Andriamanitra" (1 Pet 4. 2). "Ka hararaoty ny
andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao
fiainana izao" (Efe 5. 16). Hoy koa ny
fanekena: "Hamonjy ny fivoriana rehetra
araka izay farany azoko atao."
Indro misy toro-hevitra 12 atoro anao:
1-Tanisao ny asa rehetra hatao
2-Jereo izay maika sy izay afaka miandry, ahafahana mifidy ny laharam-pahamehana
3-Atambaro sy ataovy miaraka izay
afaka mifampitohy (Oh: Manatitra mpianatra, miantsena, manatitra taratasy)
4-Aza mangataka andro fa vitao avy
hatrany
5-Hajao ny fotoana nifanomezana
6-Mandrafitra fandaharam-potoana raikitra
7-Ampiaraho izay asa afaka miaraka
8-Ataovy amin’ny toerana iray ny fitaovana miaraka ampiasaina araka ny sokajiny avy (taratasy, dossier, lakilé...)
9-Raha maro ny asa dia ifampizarao,
omeo fahefana sy andraikitra ny hafa
izay tokony hahavita izany
10-Omany isan-kariva sy ento ambavaka ny asa rahampitso mba tsy ahatonga anao hikoropaka
11-Omeo lanja ny fotoana, ataovy ho
sarobidy, ary aza mandany fotoana
amin’ny zavatra tsy mahasoa
12-Asio fotoana handinihan-tena sy tomban’ezaka, tamin’izay nampiasanao ny
fotoana nomen’Andriamanitra (Hitohy)
Fantaro ny Fiangonantsika
KRISTY FIAINANA ANTANETILAVA
Faritra Ambatomanga no misy ny fitandremana. Niorina tamin’ny taona
1954 ary ny Misionera Frantsay no namaky lay tany amin’iny ilany Atsinanana iny. Ny Sekoly Alahady kosa dia ny taona 1955 no niorenany. Ny Mpitandrina Andriantsihoarana Jossy no mitondra ao ankehitriny. Misy mpianatra
52 mahery sy mpampianatra 6 ka vehivavy avokoa. Azo lazaina fa mandroso
tsy misy olana ary hita taratra izany amin’ny fahazotoana mamonjy fiofanana
sy fitoriana ny Filazantsara amin’iny ilany Atsinanana somary mianatsimo iny.
Nanangona: Andrianarivo Raphaël
6
Ny tanànantsika
Fieferana
15 km mianavaratra. Eo amin’ny
Somacou Ilafy no mivily mianavaratra Atsinanana. Fokontany folo no
mandrafitra azy ary Commune iray
Ambanivohitra izy. Mpamboly legioma sy mpiompy ny olona ao.
Mponina tao Analamanitra sy Ambohitrombihavana no nifindra monina
tao. Ny Mpanjaka Andriambelomasina no nahatonga ny tanana ho Fieferana. Rangaina izay misy ny FJKM
iray ka anisan’ireo Fokontany folo
dia manana tantara tsy hay kosehina
naha Fieferana an’i Fieferana. Andriantompompanarivo no lehibe tao
Ikolonjy ka namitram-pihavanana
tamin’ny
Mpanjakan’Ambohimanga
fehizay. Ahitana vato miendrika sarina fo ao amin’ny Commune Fieferana. Izay nifanaovan’ireo olombe
velirano.
Ireo papa nifandimby
Honorius : 1216 - 1227
Grégoire IX : 1227 - 1241
Celestin IV : 1241 - 1241
Innocent IV : 1243 - 1254
Alexandre IV : 1254 - 1261
Tsara ho fantatra
Ny IK-KIL na paradisan’ny
afobe any Meksika
Toerana mahafinaritra izy saingy
mampidi-doza noho ny halalin’ilay
hady misy rano mikoriana tsy hita
fiantombohana. Jerem-potsiny no tsy
azo sangiana sy hilalaovana ilay
rano.
Le pays du monde
BIRMANIE
La République de l'Union de Birmanie est un pays d'Asie du Sud-Est.
Elle est bordée par la mer d'Andaman
au sud et par le golfe du Bengale au
sud-ouest, avec environ 2000 km de
côte au total. La libéralisation du
pays a conduit l'Union Européenne et
les États-Unis à suspendre en 2012
l'embargo qu'ils imposaient au pays
depuis les années 1990. Devise
Nationale: "Le bonheur se trouve
dans une vie harmonieusement, disciplinée". Hymme National: "Nous
aimerons la Birmanie". Forme de
L'Etat: République parlementaire.
Langue officielle: Birman. Capitale:
Naypyidaw. Superficie: 676552 Km2.
Population:
36000000
habitants.
Independance: 4 Janvier 1948. Réligion: Bouddhisme, Chretienne et
Musulmane. Monnaie: Kyat. Le pays
est devenu la République Socialiste
de l'Union de Birmanie le 4 janvier
1974.
SAMIHAFA
SAMIHAFA
Sakafo
Salade de riz
Zavatra ilaina:
Macédoine 2 kapoaka. Vary 1kg. Persil 1 fehezany. Poivron 4 lehibe. Totokena 1/4kg. Sakamalaho. Oignon 2. Tongolo gasy hasiny 3. Menaka 1 sotro lehibe
fihinanana anendasana. Champignon 2
sachet amin’ilay 500 Ar. Sardine. Fromage. Atody. Voatabia.
Ireto kosa atao sauce vinaigrette.
Vinaigre 2 sotro lehibe fihinanana.
Menaka 4 sotro lehibe fihinanana. Sira.
Fikarakarana azy:
Endasina kely ny macédoine sy totokena, miaraka champignon efa nalona ary
voatetika madinika. Ampiana sakamalaho
voakiky, sira, tongolo gasy, oignon iray.
Ny poivron, persil, tongolo oignon iray
dia tetehina madinika ka atao ao anaty
sauce vinaigrette.
Andrahoina ho masaka tsara ny vary
(atao henjakenjana) dia loarana.
Rehefa hihinana azy vao afangaro izy
rehetra ary asiana sardine sy fromage
voakiky.
Décoration: Persil araradraraka, voatabia, oeuf dur.
Dia mirary anao hazoto homana izahay.
Kilalaon-tsaina
A-Valin’ny kilalaon-tsaina
(Martsa 2016)
1- Paska Jiosy:
-Vonoina ny zanak’ondry lahy
-Hatetina amin’ny tolam-baravarana
roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny
trano ny rany
-Atsatsika ny hena
-Hanina miaraka amin’ny mofo tsy
misy masirasira sy anana mangidy
2-Teny mifanaraka na mitovy hevitra:
a=d1 (Ran’ny zanak’ondry = Ran’i
Kristy)
b=a1 (Nandresy an’i Farao = Satana)
d=e1 (Fihetsika teo ampihinanana =
Maika ny famonjena)
e=b1 (Jesoa = Paska ho antsika)
3-Tarehimarika maningana:
Ny 33 satria ny tarehimarika rehetra
dia isa telo mifanesy hatrany.
13-14-15
21-22-23
26-27-28
51-52-53
30-31-32 ary 33
4-Asa marika:
160+40x2-56 = 344
160-40:2-56 = 4
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
B-Kilalao vaovao
Fahasalamana
1-Fenoy ny banga.
Zakaiosy dia:
-Lehiben’ny.................................
-Lehilahy.....................................
-Olona manana...........................
-Nonina tao.................................
-Nitady an’i..................................
2-Ireto ny taranaky Abrahama sy Saraha. Fenoy izay anarana tsy feno.
Abrahama + Saraha
?
?
Rebeka
?
R............
S............
L............
J............
I.............
Z...........
D...........
7
Rahely
J.............
B.............
Tsiky kely
Antson’ny Tompo
Hoy ilay Mpitoriteny an-dalana sady
nijery tsara an’i Rasolo.
- Miantso anay ny Tompo!
Hoy Rasolo niteny irery.
- Ary Izy izany ilay numéro inconnu
niantso ahy teo fa tsy noraisiko.
Mahareta
Nimenomenona Ramatoa Ranivo avy
any am-piangonana, nitantara tamin’ny
vadiny izay niandry trano tamin’ny pentekosta.
- Mandreraka rangahy fa lava be ny
raharaham-piangonana, niampy ny lavanty, avy eo ny toritenin’i Pasitera adiny
iray.
-Eh! hoy ilay vadiny, ianao izany tsy
mba nilatsahan’ny Fanahy Masina, fa nilatsahan’ny fanahy ratsy dia mitondra
lagy mody io..
Sao dia fetsy
Gaga i Ranaivo fa mbola nitondra
billet amidy ho amin’ny fanitarana tao
aminy fanindroany ity Diakona iray.
- Ekeko fa momba ny fanitarana ny
Fiangonana ity billet voalohany namidinao, fa ilay faharoa ity no tsy azoko hoe
fanitarana inona?
- Hay ve e! fanitarana ny tranonay indray io ka!
Nanolotra tsiky kely ho anao :
Mamisoa Razakantoanina
Sakafon’ny zaza
5-Ny fanovana ny sakafon-jaza dia
tsy tokony hifanandrify amin’ny fotoana hisian’ny fahasorenan’ny zaza,
ohatra rehefa marary na rehefa
amin’ny fotoana anaovana vakisiny,
na amin’ny fotoana fanirian’ny nify,
mba hisorohana ny fahalai-komana.
6-Mila fitandremana ny fanasarahanono, mba tsy hisy fiantraikany
amin’ny fahasalaman’ny zaza.
Tsy azo atao ny fampisaraha-nono
tampoka fa tsy maintsy atao miandalana. Tsy atao mifanandrify amin’ny
fotoana mamparisarisa ny zaza na
amin’ny fotoana itsirian’ny nify ny
fanasaraha-nono.
7-Toerana madio sy milamina no
ampisakafoana ny zaza. Tokony
hanana lovia aman-tsotro voatokana
ho azy ny zaza.
8-Ny olona ampisakafo ny zaza dia
tokony hadio, falifaly, hanana faharetana, mahay maneho teny mamy,
mahay miresaka aminy, satria ny
zaza dia milalao eo am-pihinanana.
B-Filàna ara-tsakafo eo amin’ny
zaza
-Protides:
Miantoka ny fanorenana ny
nofon’ny zaza. Mampirindra ny famoriana ny nofon’ny zaza. Mampirindra
ny fitombony ara-batana sy aratsaina. Eo amin’ny 2g isan-kilao
amin’ny lanjan’ny zaza isan’andro no
protides ilainy.
Oh: Zaza milanja 7kg:2x7 = 14g
isan’andro
Ireto avy no sakafo ahitana azy:
*Protides azo avy amin’ny biby:
atody akoho, trondro, patsa, hena, ...
*Protides azo avy amin’ny zavamaniry:
tsaramaso,
voanjobory,
voanjo lava, ...
Eo amin’ny telo volana sy tapany
eo dia efa manomboka ampidirina
miandalana "protides" ny sakafonjaza. (Hitohy)
Etsy kely anie
"Arakaraka ny amporisihina sy
anohanana ny Sekoly no ahitanay
na tsy ahitanay vokatra"
Ny Sekoly no santatry ny asan'ny
Misionera Mpamakilay teto Madagasikara ary hery sy fototra nampiorina ny
Fiangonantsika
FANDALINANA
FANDALINANA
Boky Masina
Joela
Boky faha 29 ao amin'ny, Testamenta
Taloha, Baiboly Protestanta. Boky faharoa amin'ny Mpaminany madinika. Misy
toko 4. Sokajy Tanakh ao amin'ny Baiboly Hebreo. Mitondra ny anaran'i Joela
ny boky. Heverin'ny mpandinika fa izy no
nanoratra azy.
Iza moa i Joela?
"Jehovah no Andriamanitra" no dikan'
ny hoe Joela. Anarana tena be mpanana
tamin'izany fotoana izany fa olona 15 no
mitondra io anarana io ao amin'ny Baiboly.
Kely dia kely ny zavatra fantatra
momba azy: Joela, zanak'i Petoela. (1.1),
Mpaminany niasa tao amin'ny fanjakana
Joda, angamba nipetraka sy niasa tao
Jerosalema. Tsy fantatra ny fotoana niasany sy nanoratany. Tsy voalaza mihitsy
ny Mpanjaka tamin'izany. Mety ho teo
anelanelan'ny taona 835 sy 400 tal JK
izany. Tokony ho tamin'ny 830 tal JK
nanjakan'i Joasy Mpanjakan'i Joda (tsy
mbola rava ny fanjakana Isiraely) na koa
taorian'ny fahababoana i Joela no niasa.
Avy amin'i Jehovah ny hafatra nentin'i
Joela Mpaminany izay natao ho an'ny
olona rehetra. (anti-panahy, vahoaka).
Mpaminanin'ny Pentekosta i Joela.
Tanteraka ao amin'ny Asan'ny Apostoly
2.16-21 ny faminaniany voalaza ao amin'i
Joela 3.1-5 ny amin'ny hilatsahan'ny
Fanahy Masina amin'ny olona rehetra tsy
misy ankanavaka.
Fizarana
Mizara roa ny boky:
Toko 1.1-2.17: fiantsoana fibebahana
Toko 2.18-4.21: fitahiana vokatry ny
fandraisana ny fanahin'Andriamanitra
Votoatiny:
-Ny andiam-balala: Nosoratana taorian'ny
loza nateraky ny fanafihan'ny andiambalala izay tokony ho tsaroan'ny taranaka maro mifandimby, mba hiomanany
tsy handa an'i Jehovah. Oharina amin'ny
tafika mahery mpandroba izy io. Ny fanafihany mitarika mosary sy fahafatesana.
Miantraika any amin'ny olona rehetra ny
vokany: mpitarika (mpisorona), olon-tsotra (mpamboly, mpimamo); mijaly hatramin'ny omby aman'ondry. Manambara ny
tsy hafalian'Andriamanitra ny ratra avy
amin'ny valala. Noho izany tsy maintsy
mitalaho famonjena avy amin’i Jehovah
ny olona rehetra.
Taniketsa - Laharana faha 65 - Jona 2016
-Ny fanompoam-pivavahana ankasitrahana: Manome modely eto Joela
amin'ny fomba fangatahana ny famonjen'Andriamanitra: mitanisa ireo fahavoazana, mitaraina Aminy. Ny fibebahana
izany hoe ny fialana amin'ny fahotana no
hahazoan'ny
zanak'Isiraely
fitahiana
indray. Tsy fibebahana ivelany anefa fa
fibebahana anaty "Ary ny fonareo no triatriaro" (2.13a). Nasaina hisaona ny
vahoaka ho mariky ny fibebahana marina.
Tokony hivavaka, hitomany sy hidradradradra mandritra ny alina, manatona Azy
am-panetrentena, manao fifadian-kanina
an-tsitrapo mba ahafahana mifantoka
tanteraka amin'Andriamanitra.
-Ny andron'i Jehovah: Antomotra ny
andron'i Jehovah. Lehibe sy mahatahotra
tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha ny fihaviany: mahatahotra ho an'ireo
fahavalon'Andriamanitra. Misy famantarana sy fambara mahatsiravina mialoha
azy dia fiovana be dia be tsy fahita eny
amin'ny zavaboahary. Tsy hiseho ireo
trangan-javatra ireo raha tsy amin'ny fiafaran'ny tantara.
Andro fitsarana ny andron'i Jehovah:
ny zanak'Isiraely hotsaraina araka ny
fahotany, ny jentilisa hotsaraina araka
izay nataony tamin'ny zanak'Israely (4.28; 11-12; 19). Mampiomana sy mamporisika antsika hatahotra an'Andriamanitra
sy hiverina Aminy izany.
-Ny
famonjena:
Mampanantena
Andriamanitra fa izay miantso ny anarany, anarana ahazoana famonjena,
amin'ny fo entanin'ny finoana, no hovonjena. (2.1 ; 2.11b ; 1.15 ; 3.4 ; 4.14).
Mampanantena famonjena ho an'izay
mibebaka marina Izy. Tokony hatoky
an'Andriamanitra ary hanaiky ny famonjeny raha tsy izany dia hiara-levona
amin'ireo tsy manaiky hibebaka. Mangataka famindrampo amin'Andriamanitra
mba tsy hampiharana ny loza sady ho
fanomezam-boninahitra Azy.
Valitenin'Andriamanitra manoloana ny
fibebahana: hiverina ahavokatra ny tany
satria Andriamanitra dia mamindra fo
amin'ny olony: hiala ny valala, ho avy ny
orana…
-Ny filatsahan'ny Fanahy Masina: Fitahiana ambonimbony kokoa ny filatsahan'ny Fanahy Masina amin'ny nofo
rehetra, izay tanteraka tao amin'ny Asa
2.16-18. Midika izany fa hanana anjara
fanompoana sy fanatanterahana ny
asan'Andriamanitra
ny olona rehetra
(lehilahy, vehivavy, lehibe, kely, hatramin'
ny andevo... )
Zava-kendrena:
Fitoriana ny Filazantsara
8
Fanombohana
sy
fanatanterahana
amin'ny ampahany ny fitahian'Andriamanitra ihany ny filatsahan'ny Fanahy
Masina, izay zava-dehibe lavitra mihoatra amin'ny fihavian'ny ranonorana. Ny
fahatanterahana farany dia tsy ho avy
raha tsy amin'ny andro hiverenan'i Kristy
indray.
Hafatra sy fiainam-panahy
-Loza nihatra: valala, haintany,
mosary midika ho antso amin'ny fibebahana
-Fotoana
fandinihan-tena,
fotoanan'ny famindrampo ny filatsahan'ny
Fanahin'Andriamanitra
-Toa izao no fanompoam-pivavahana
ankasitrahan'Andriamanitra manoloana
ny loza sy atambo: fitarainana amin'ny
alalan'ny fivoriana masina, fifadiankanina, fidradradradradrana sy fisaonana
mandritra ny alina, fitomaniana, fiverenana amin'Andriamanitra amin'ny fo
rehetra (1.13a, 14 ; 2.12 ; 2.15)
-Ny andron'i Jehovah dia milaza ny
andron'ny Mesia (Isaia, Ezekiela, Amosa,
Obadia, Zefania, Malakia). Amin'izany dia
hiharan'ny fitsarana tsy misy famindrampo ny olona izay manipaka ny fahasoavan'Andriamanitra.
Midika
famindrampo sy fitahiana mandrakizay
izany ho an'ireo izay mibebaka ka
miantso ny anaran'i Jehovah
Fehiny
Efa antomotra ny andron'I Jehovah.
Mibebaha, fa tsy mbola tratra aoriana ny
fangatahana famelan-keloka, hoy Joela.
Mbola misy ny fotoana ahafahantsika
miantso ny anaran'i Jehovah mba ho voavela ny fahotantsika ary mba hovonjena
isika.
Niry Ravonison
Taniketsa
Gazety avoakan’ny
Sampana Sekoly Alahady
FJKM ANDRAINARIVO
FAHASOAVANA
Talen’ny famoahana:
RAVOAVISON José
Tél: 033 14 755 43
Tonian’ny fanoratana:
RASOAZANAKOLONA Cédric
Tél: 033 09 651 36
Mpitantsoratry ny fanoratana:
RAVONISON Nirinasoa
Tél: 033 14 515 36
Tale ara-barotra:
ANDRIANARIVO Raphaël
Tél: 033 12 749 19
Adiresy:
Lot II U 57 Bis Andrainarivo 101 Antananarivo Madagascar
Site: www.sa-andrainarivo.mg
E-mail: [email protected]
Printy: Imprimerie du Centre
Nivoaka: Jona 2016
Natonta: 250

Documents pareils