1 Faly mandray anareo rehetra ny tenako amin`izao vaninandro
Transcription
1 Faly mandray anareo rehetra ny tenako amin`izao vaninandro
Faly mandray anareo rehetra ny tenako amin’izao vaninandro fankalazana ny 14 jolay, fety nasionaly frantsay, izay andro hanamarihana ihany koa ny fahafahana, mpandova ny fisainana ny taon-jaton’ny “Lumières”’ izay mipetraka ho fananana iombonana ny zanak’olombelona, ary marika ny fiafaran’ny jadona rehetra. Vanimpotoana manokana no ankalazantsika ny 14 jolay tamin’ity ity taona ity, satria betsaka ny fanontaniana sy ny fisalasalana manoloana ireo zava-nitranga sarotra nandritra ny volana maromaro izay. Eto aho dia mahatsiarao manokana an’ireo sivily tsy manantsiny ampolony lavo manoloana ny lapam-panjakana ny asabotsy 7 febroary 2009 sy an’ireo olona rehetra nianjadiam-boina nandritra ity krizy politika ity, mahatsiaro an’ireo olona rehetra izay nijaly, an’ireo izay nanan-kavana maty na izay nandalo fampijaliana. Ny famelana, izay ho avy amin’ny andro mampety azy, dia tsy tokony haniliana ny fitsarana. Ary raha ilaina ny fanampiana iraisam-pirenena hahitana ny marina, dia tokony ho hangatahina izany. Vao efa bolana monja aho no tonga teto Madagasikara, ary heveriko fa tsy manam-pahalalana ny hamaritra ny andraikitry ny rehetra ka nahatongavana amin’ izao krizy izao. Tsy hanana izany atikatika izany aho. Moramora tokoa mantsy ny mitady ara-bakiteny ny mololo ao anatin’ny masony ny olona eo akaikin’ny tena kanefa tsy mahita ny sakamandimby ao anatin’ny masony tena . Raha ny sakamandimby ntsika no asian-teny, dia heveriko fa ny fianakaviana iraisam-pirenena koa dia tokony hanontany tena momba ny toerana noraisiny na ny fihevitra tsy noraisiny tany aloha. Naninona isika no tsy niloam-bava raha vao hita taratra ny zavatra tsy nety taoriana ny fanantenana goavana nanentana ny vahoaka tamin’ny 2002 ? Naninona ireo andry ara-bola iraisampirenena no tsy niteny raha nanome vahana ny ampihimamba an’olona tsotra ny fanjakana ary nanome tombontsoa mihoatra azy raha oharina amin’ ireo mpifaninana ? Naninona ny fianakaviana diplomatika no tsy nampiaka-peo, na nampiakatra ihany fa tsy ampy, raha nihamaro ireo fanimbazimbana ny tany tan-dalana izay nahitana fanagadrana sy fandroahana tsy ankeviny, nahitana sakana ho an’ny fahafahana miteny sy ny fanaovana gazety , raha ny tahotra no nananika ny fo ? Raha nampiakam-peo mafimafy kokoa isika, raha tsy nandray ambolony an’ireo teny tsara lahatra ny manampahaizana izay naroso tamintsika , raha toa ka nanapakevitra mialoha ny hampiato ny fanampiana ara-bola isika, raha toa ka sarotiny sy henjana isika teo amin’ny fanamarinana ny volam- bahoaka sy niampanga ny fifanoheran-tombontsoa , angamba tsy niseho ireny birioka ireny, angamba ireo mpitondra teo aloha dia nankasitraka antsika noho ireo torohevitra nomena sy ny hitsipo nasehontsika. Angamba afaka nanohy ny fampandrosoany tsara i Madagasikara ary nisedra ny krizy ekonomika eran-tany tamin’ny fomba matotra. Tsy dia ilaina rohitana lava ny lasa sy ny momba ireo fifanifinjavatra maro nahatonga ireny toe-javatra ireny izay rano raraka ka tsy azo raofina intsony. Tsy tokony hafatratra amin’ny lasa ihany koa anefa ny tsiny amin’ izay fahadisoana ho vita ankehitriny. Ny fanajana ny tany tan-dalana; ny fanajana ny fahalalahan’ny gazety , ny fanajana ny fisarahan’ny fahefafana, sy ny fanajana ny fahaleovantenan’ny fitsarana : Fotokevitra ifotony avokoa ireo izay tsy azo handeferana. Araka ny fomba fiteny frantsay fahizay izay tian’ny renibeko Normandy manokana ary kaloin’i Georges Brassens ao anatin’ny hirany anankiray, aza “manavandra mihitsy amin’ny persily” (il ne faut jamais grêler sur le persil), tsy tokony hanapatra ny fahefanao amin’ny osa….Miantsoroka andraikitra ankehitriny ny mpanohitra teo aloha. Manana adidy mavesatra ara-moraly izy ireo mba tsy ho voahitsakitsaka ireo zo ireo. Manana andraikitra goavana eo anoloan’ireo tanora eto amin’ity firenena ity sy ireo taranaka ho avy, ka mba tsy hampiaina indray izay niainan-dry zareo ary mba handray andraikitra sy hametra amin’ny fomba henjana ny paik’ady tsy mifanaraka amin’ny fitsipika ankapobeny. Vao avy nanome torohevitra mikasika izany ny Amnesty international izay azo hampihariana 1 ao anaty fotoana fohy. Maniry ihany koa aho mba hivaha ao anaty fotoana fohy ireo fitoriana ataon’ny fitsarana amin’ny olona manan-kaja sasantsany sy amin’ ireo parlemantera mba ahafahan’izy ireo miaro tena manoloan’ireo fiampangana hanenjehana azy ireo ary aoka ireo olona izay voaositra ny fahafahany mba tsy hijanona amin’ny fotoana tsy voafetra any am-ponja. Tsy maintsy mitodika ary tsy akihambahamba amin’ny ho aviny i Madagasikara, manorina ny trano demokratika Malagasy, ka ao anatin’izany ny zanaka Malagasy no hiaina finaritra, no handeha an-tsekoly, no hiasa, no hanorina tokan-trano ary handray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra sy tsy mitongilana. Fantatro fa miandradra mafy ny fanampian’ny fianakaviambe iraisampirenena mba hanorina izany trano demokratika izany ny mponina, mba hanome ny kojakoja , ny mpandrafitra sy ny mpiasa. Fa lazaiko marina aminareo fa vaha-olona tsy mitady lavitra izany. Anjaran’ny vahoaka Malagasy ny manamboatra izany trano demokratika izany toy ny tranoben’ny fisaina nentim-paharazana. Ny andraikitr’ireo firenena naman’i Madagasikara sy ireo fikambanana iraisam-pirenena misy eto amin’ny Nosy dia ny manamarina fotsiny fa mifanaraka tsara amin’ny fitsipika sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ny fahazoan-dalana manorina trano. Eto izahay mba hanampy an’I Madagasikara hanaja ny teny nomeny momba ny demokrasia sy ny fanajana ny zon’olombelona izay nosiniavin’i Madagasikara tsy an-tery ary fatratra tokoa. Eto izahay, mba hisoroka ny fanorenan-trano izay mety hanana endrika jadona na tsy marim-pototra. Afaka manampy anareo izahay mba hisorohana ny firodanan’ny trano raha misy ny fandalovan’ny rivo-doza manaraka, fa haveriko ihany ary am-pinoana no hilazaka izany, fa tsy afaka ny hanorina izany trano demokratika eo amin’ny toeranao Malagasy izahay. Ny malagasy irery ihany no mpanorina sy mpanangana ny lamina momba ny lalampanorenana vaovao izay heritreretanareo ho atao. Raha asian-teny ny fitsipik’ity fahazoan-dalana manorina trano ity, dia tsotra dia tsotra izy ireo. Vonona ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hanaiky mari-trano izay hiraisan’ireo ankolafy politika Malagasy izay hanana endrika fifanekena politika izay hamaly ny hetahetan’ny Malagasy maro an’isa. Tsy midika izany fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny zavatra rehetra, amin’ny ho avy sy ny vinavinan’asan’I Madagasikara ho amin’ny folo taona manaraka…Ny tanjona dia ny ahitana marimaritra iraisana momba ny fitsipiky ny lalao azo raisin’ny rehetra mba ho hisokatra, malalaka, mangarahara ny fifaninana demokratika ary mba ahafahan’ny tsirairay mampisongadina ny heviny sy ny tetik’asany. Ny tanjona dia ny ifanarahana momba ny fomba hitantanana ny tetezamita hitarafana ny loko politika rehetra sy ahazaon’ny rehetra ny toerana sahaza azy raha misy maniry izany. Ny fomba tsotra hiantohana ny fifandajana marina ny fahefana dia mety ny hamerenana mandritran’ny tetezamina ny kongresy izay misahana ny andraikitry ny lalana ary ahitana ireo depiote, loholona voafidy, sy ireo mpikambana voatondron’ny FAT sy ny ankolafin-kery politika. Ny tanjona dia ny hifanarahana momba ny fanomanana fitsapan-kevi-bahoaka hanatsarana ny lalampanorenana, momba ny fandaharam-potoana fifidianana sy ny fomba hanatanterahina azy. Ny tanjona dia ny hifanarahana momba ny fametrahana ny Vaomiera Nasionaly Mahaleotena momba ny fifidianana , momba ny fomba hiantohana ny tsy fiandaniana sy ny tsifiangaran’ ny Fitondrana mandritran’ny fampielezan-kevitra. Ny tanjona dia ny hifanarahana momba ny fanovana ny lalam-pifidianana sy ny fanamarinana ny lisimpifidianana. Ary ny tanjona, dia ny mandray anjara amin’ny kilalao demokratika , hisy ny mapndresy , hisy ny resy, ary ireo rehetra ireo dia afaka mandalina ny famaritanana ny atao hoe demokrasia araka ny fijerin’ I Aristoty azy “ny marika iray amin’ny fahafahana, dia mifandimby toerana ny mpitondra sy ny hentina”. 2 Ao anatin’izany rehetra izany, mety hanontany ianareo hoe dia aiza ny anjara toeran’i Lafrantsa ? Ny toeran’i Lafrantsa, toy neny Vondrona eoropeanina, dia tsotra : Manaraka ny fihevitry ny Firenena Mikambana, ny firaisambe afrikiana , ny SADC, ny fikambanana iraisam-pirenena ny tany miteny frantsay , ny fianakaviambe iraisam-pirenena voalaza tamin’ny fivorian’ny “Groupe International de contact” tany Addis-Abeba ny 30 aprily lasa teo, izay maneho indrindra ny famporisihiana ho amin’ny vaha-olona politika Malagasy iarahan’ny rehetra (inclusive) hitantana ny tetezamita ho amin’’ny famerenana ny lamina momban’ny lalampanorenana vaovao. Ny sisa rehetra dia resabe avokoa. Voanontany matetika Lafrantsa raha toa ka mankatoa ny Fahefafana Avo ny Tetezamita (FAT). Ny valinteniko dia tsotra : Lafrantsa dia tsy maneho fankatoavana amina governemanta, ary tsy mankatoa ny governemanta ankehitriny, na ny taloha, na ny manaraka, fa mankatoa Fanjakana, ka noho izany mankatoa an’I Madagasikara ny fitondrana frantsay. Lafrantsa dia miray hina tanteraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary miteny amin’ny FAT sy ny ankolafin-kery politika Malagasy fa ny fitadiavana fivoahana amin’ny krizy amin’ny fomba mandeha irery, dia vao mainka hampitombo ny olana fa tsy hanome vaha-olona. Mbola izay ihany koa ny hafatra nomen’ny mpitarika ny Vondrona eoropeanina suédois, ary manararaotra aho miarahaba ny fahatongavan’ny masoivoho Lindt eto amin’ity toerana ity, sy ny Vaomiera eoropeaniona ho an’ny FAT ny herinandro lasa teo nandritra ny fanokafana ny fifanarahana andininy 96. Mino aho fa ren’ny tomponandraikitra politika Malagasy rehetra izany hafatra izany. Ireo izay mihevitra ny handa, na eto izy na any , izany fifandinihina politika izany dia naman’ny manilika tena. Ireo, eto na ery, izay mihevitra ny hametraka fepetra aloha ny hiverenana amin’ny fifampidinihina dia namany manilika tena. Ireo, eto na ery, izay mihevitra ny hampiasa amboletra na izay mety endrika herisetra rehetra mba hakana indray ny fahefana dia namany manilika tena. Lafrantsa dia nanao safidy nasionaly ny hanohy ny tetik’asa fiaraha-miasany, izay manome lanja kokoa ny sosialy sy ny lafiny maha-olona , araka ny tolo-kevitra navoaka tao amin’ny filazana natao tany Addis-Abeba ny 30 aprily 2009, satria heverinay fa ny zava-dehibe indrindra dia ny tsy hamela ny vahoaka Malagasy, izay anisan’ny mahantra indrindra erantany, hizaka ny vokatra ratsy ny fampiatohana ny fanampiana. Ny ady amin’ny fahantrana, ny fandefasana ny ankizy any an-tsekoly, ny fahazaon’ny vehivavy fitsaboana fototra, ny ady amin’ny SIDA sy ny aretina miverimberina, ny fanantanterahana ny Tanjona ny Arivo Taona ho amin’ny Fampandrosoana (OMD) dia tanjona lehibe dia lehibe, car sarotra ihany , araetika sy ara-moraly, ny hampamatotra izany amin’ny fiafaran’ny dinika politika. Fa izay fanohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy izay dia tsy afaka ny hitohy maharitra, indrindra indrindra amin’ny alalan’ny famantarana sy torolalana amin’ny asa vaovao, raha toa ka tsy mivoitra ny lalana ifanarahana ny rehetra izay mitondra amin’ny lamina momba ny lalampanorenana vaovao. Ankoatr’izay dia tsy afaka ny tsy hiteny aho manoloana ireo fiampangana maro karazana izay natao tamin’ny fireneko volana vitsivitsy izay. Ireny fiampangana laroina safeliteny tsy marim-pototra, fanazavana misompatra, siosio diso dia tafahotra loatra no sady tsy misy heviny. Mendrika ho bantiana izy ireny raha toa ka tsy niandraiketan’ny mpanao politika sasantsany. Te hino aho fa ho an’iretsy farany, ireny teny ireny izay tafavoaka noho ny asosorana sy fahatezerana, izay tsy mba namana mahatoky, dia mandiso ny hevitr’ireo izay niteny azy. Isaorako eto ireo minisitra na parlementera taloha, maromaro izy ireo, no niala tsiny manokana taty amiko noho ireny teny tsy voahevitra ireny . Ary haveriko eto amin’ny fomba manetriketrika fa Lafrantsa dia tsy afaka ny tsy ho tohina amin’ny zava-misy eto Madagasikara, fa mazava ho azy tsy afaka ny hitsabatsabaka amin’ny raharahan-tokantrano ny Fanjakana mpiara-miasa sy tompon-pahefana izy. 3 Ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta, voarakitry ny tantara iombonana tao anatiny ny fifanajana hatrany dia manome vokany manokany : 22 hatramin’ny 25 000 teratany frantsay, ny ankabeazan’ireo mizaka zom-pirenena roa dia mipetraka eto Madagasikara; 70 ka hatramin’ny 80 000 ny teratany Malagasy na Malagasy-frantsay mipetraka any Frantsa; 13 000 ny mpianatra ka ny 7 000 amin’izany dia Malagasy no mianatra amin’ny sekoly frantsay eto Madagasikara; ny orinasa frantsay izay manao fihariana eto Madagasikara dia miisa aman-jatony ary miasa miaraka amina teratany Malagasy manana petra-pola ; mitohy ny fifandraisana ara-piralahina amin’ny alalan’ireo nosy rahavavy La Réunion sy Mayotte; 20 000 malagasy no mankany Frantsa isan-taona ary 86% dia mahazo visa. Noho izany, ny tombontsoa iraisana ho an’ny ho avin’I Madagasikara dia tsy ho afaka ny tsy ho amin’ny mangarahara tanteraka : Ny fandriampahalemana, ny famarinan-toerana, ny fitantanana demokratika marina, ny fampandrosoana ara-ekonomika ka ny kendrena dia ny firoborobon’ny fifanakalozana ara-barotra ho an’ny andalany sy ny ankilany, ny fisokafan’ny Nosy amin’ny mpandraharaha vahiny. Amin’ny vanin’andro ankehitriny, dia tsy afaka intsony ny hanana fisainana mpanindrahindra ny tanindrazana sy ny firenena na koa fisainana iaro ny famokaran-karempirenena. Isaky ny misy orinasa miorina eto Madagasikara, na kanadiana io, na amerikanina, na renione, na avy any Azia, dia tokony ho tsarovana fa hitondra harena , hamorina asa, , ary hanome asa ho an’ny orinasa mpiantoka isan-karazany izy ireny. Tsy hisy fampandrosoana maharitra tanteraka raha tsy misy ny fandraisana anjara ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny fitsipika tsy miangatra sy madio eo anivon’ny fifaninanana sy ny fanajana ny fifanekena voasonia. Ny fampandrosoan’I Madagasikara dia mandalo amin’ny fisokafany amin’izao tontolo izao, mandalo amin’ny fidirany araeconomika amin’ny faritra manodidina, ao anatin’ny fikambanana toy ny Vaomiera ny Faritry ny oseana Indiana na ny SADC mba hitrandraka lalam-barotra vaovao, ny fanohizana ny fifanaraha ara-barotra misy paik’ady toy ny AGOA miaraka amin’ny Etazonia ary ny “Accord de Partenariat Economique” miaraka amin’ny Vondrona eropeanina. Eto dia manararaotra aho ny misaotra ny fianakaviambe frantsay noho ny andraikitra izay nasehony tamin’ny fotoana sarotra nodiavina tamin’ny voalohan’ny taona ireny, izay nampiseho fihetsika tony, tsy nampiseho tebiteby na niaina tamin-korohoro. Hisaorako manokana ireo mpiandraikitra, olom-boafidy, ireo solontena fikambanana, ireo mpiara-miasa eny amin’ny masoivoho rahavavy sy ny konsioly izay niara-niasa tamin’ny ity masoivoho ity sy ny konsioly jeneraly mba hiantohana ny fiarovana ny rehetra. Ary farany dia miarahaba ireo mpanolotsaina voafidy na voafidy indray tamin’ny volana jiona farany ao amin’ny “Assemblée des Français de l’Etranger” aho ary mahaleova, mahalasana amin’ny andraikitra vaovao izay miandry anareo ary maneho ny fisaorana ho an’ireo mpanolotsaina teo aloha aho noho ny asa izay vitandry zareo. Tsy afaka ny hamarana ity lahateniko ity aho raha tsy hizara aminareo ny tsiry -panantenana goavana tsapako raha nigadona teo Madagasikara ny tenako. Izany mari-peo panantenana izany , dia tiako ny milaza aminareo fa henoko tamin’ny Malagasy rehetra izay sendra ahy hatramin’ny nahatongavako, na inona firona politikany, na inona fiaviny, na inona saranga misy azy: Tsy inona izany fa ny faniriana hanova zavatra, ny hampiova an’I Madagasikara, ny hatoky an’I Madagasikara. Izany fanantenana izany dia henoko teny amin’ireo tantsahan’Itasy izay nitantara tamiko ny fahavononany hampitombo ny vola miditra ao aminy sy handefasana ny zanany any an-tsekoly. Izany mari-peo panantenana izany dia hitako tamin’ny ireo fianakaviana sy zanak’I Père Pedro , teny amin’ny sekoly frantsay eto Antananarivo, teny amin’ny sekoly ny fianakaviambe Bohra, tany amin’ny sekoly ny faritra Atsimo na tany amin’ny toerana iva teto an-drenivohitra. Eny rehetra ireny dia liana ny hianatra, ny hafantatra, 4 ny ahita zava-baovao, ny hisondrotra amin’ny alalan’ny fanabeazana ny mponina. Izany fananteanana izany dia hitako raha nitsidika orinasa Malagasy sy Malagasy-frantsay maro ny tenako, ary na dia teo aza ny fahasahirana dia tsy nisy niteny hoe “hikatona izahay ka handeha hody”, fa ny mifanipaka amin’ izany aza no re hoe “te hino izahay ary te hanao fihariana : ampio izahay handresy lahatra ny mpiandraikitra politika mba atakatra ny zavamisy marina ”. Izany mari-peo izany, dia henoko tamin’iray tamin’ireo parlemantera voasambotra tamin’ny volana aprily teo izay nilaza tamiko tamin’izy hitako tany am-ponja hoe “ny zavatra voalohany ataoko raha vao mivaoka ny fonja aho, dia ny hanolotra lalana mba hanatsarana ny fiaianan’ireo Malagasy rehetra izay tsy maintsy miditra an-ponja mba tsy hiainandry zareo intsony izao fepetra tsy mendrika ny maha-olona izao”. Izany fanantenana izany, dia hitako teny amin’ireo mpiandraikitra fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana izay matetika teratany Malagasy, izay miasa eto Madagasikara ary nilaza tamiko ny finoany fa tsy afaka ny hijanona amin’izao ny toe-javatra, tsy afaka avela ny fahantrana handavo andra-olombelona. Ny faniriako dia mba ho hody ventiny izany fanantenana rehetra izany rehefa tonga ny fankalazana ny faha 50 taona ny fahaleovantenan’I Madagasikara amin’ny 2010 ! Raha hamarana ity kabary ity aho dia tsapako fa tsy niresaka momba ny zavatra maro izay mampiahiahy an’izao tontolo izao ny tenako , tsy niresaka ny krizy ara-bola eran-tany sy ny fiantraikany ho an’I LaFrantsa aho, ary ny governemanta frantsay dia vonona ny hiatrika izany eo ambany fitarihan’ny filoha Nicolas Sarkozy sy praiministra François Fillon , tsy niresaka ny korontana misy any Iran na any Shina, na ny fandrahonana ataon’I Korea avaratra eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena aho… Foto-kevitra goavana sady mety hiteraka boka-dratsy avokoa ireo, ary hantenaiko fa tsy hanome tsiny ahy ianareo raha toa ka tsy hanao resaka lava momba izany ny tenako, ary fantatro fa toy ahy, dia dondona ihany koa ianareo rehetra ny hanangana ny veratsika ho an’I Madagasikara, ho an’I Lafrantsa ary ho an’I fifankatiavana frantsay-malagasy ./. (dikan-teny malalaka) 5