Taniketsa - sa fjkm andrainarivo fahasoavana

Transcription

Taniketsa - sa fjkm andrainarivo fahasoavana
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
1
Taniketsa
Gazetin’ny Sampana Sekoly Alahady FJKM Andrainarivo
Miseho isan-telo volana. Laharana faha 55. Desambra 2013.
Vidiny: 400 Ariary. Tranokala: www.sa-andrainarivo.mg
F.J.K.M SY FIANGONANA ZANDRINY
Olon’Andriamanitra
miara-mivavaka
Niroso tamin’ny fifandraisana amin’ireo Fiangonana zandriny ny FJKM. Tsy haitraitran’olombelona ny fihaonana fa vokatry
ny fitarihan-dàlan’ny Fanahy Masina. Olon'Andriamanitra miara-mivavaka ho amin'ny fanasitranana ny taniny ny Fiangonana zokiny sy zandriny ara-tantara ka ho fantatry ny olona rehetra fa Mpianatry ny Tompo tokoa ny mino Azy.
Matoan-dahatsoratra
Fiombonana
Ireo Fiangonana Zandriny sy ny FJKM
Ho fanasitranana ny taniny
Ny toe-javatra nitranga teto amin’ny firenena ny taona 2002 dia nanamafy bebe kokoa ny fandalan’ny FJKM ny fiombonana amin’ny hafa ka nifaneraserany tamin’ireo antsoina hoe Fiangonana zandriny ankehitriny, izay niara-nitondra am-bavaka ny firenena.
Tsaroana ho nitarika izany fiombonana izany ny Mpitandrina Ramino Paul tao amin’ny FJKM
Amparibe Famonjena sy ny Pasteur Jules Randrianjohary tao amin’ny FAK na Fiainana Ao
amin’i Kristy, izay natrehin’ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala, Tonian’ny Departemantan’ny
Fiangonana FJKM tamin’izany. Matetika ny fiaraha-mivavaka dia natao tao amin’ny FJKM
Isotry Fitiavana izay niitatra hatrany amin’ny faritra samihafa teto an-drenivohitra.
(Tohiny P.3)
FFPM:
SPAA/SA:
Nahitsy ny fihirana
Tetiandro 2014
(P.2)
Fiangonana miavaka
ny FJKM, noho izy fatrapandàla ny fiombonana
amin’ny hafa. Voarakitra
ho isan’ny zava-kendreny
rahateo ao amin’ny Fotodalàna izany.
Misy fifanatonana teo
amin’ny FJKM sy ireo
Fiangonana
zandriny.
Fiombonana ihany anefa
no atao amin’izany fa tsy
fanakambanana ho lasa
Fiangonana tokana.
Maro ireo karazampiangonana zandriny. Tsy
azo atao an-kitapo iray
anefa izy rehetra fa misy
ny tsy ahitana olana firy,
nefa koa eo ireo tena
manahirana. Noho izany
ilaina ny mijery akaiky
izay tokony hifandraisana. Mahasoa mandrakariva ny fiombonambavaka!
TANIKETSA
FANASINA
(P.4)
"Ary mba hotorina amin’ny anarany
ny fibebahana sy ny famelan-keloka
amin’ny firenena rehetra."
Liok 24: 47
KETSA
KETSA
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
2
Nahitsy ny fihirana FFPM
Mankalaza ny faha 100 taonany ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) tamin’
ity taona ity. Nahitsy ny fihirana FFPM ary navoaka tamin’ny ivon’ny jobily ny Alahady 13 Oktobra 2013 tao
Antsahamanitra. Nahoana no natao ny fanitsiana?
Fihaonana tamin’ny mpampahalala vaovao nataon’ny Komity
FFPM
Ny FFPM na Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara dia Fiombonana iarahan'ny
FLM sy FJKM miasa tao anatin'ny
100 taona izao.
Sampan'asa maro no sehatra
anehoana izany fiaraha-miasan'ny
Fiangonana roa tonta izany, ka eo
ambany fiahian'ny Biraon'ny Komitin'ny Protestanta tarihin'ny Filoha
(RASENDRAHASINA Lala Haja,
Mpitandrina) sy ny Filoha Mpanampy
(Pastora Dr RAKOTO Endor Modeste), izay ifandimbiasana isantaona ny andraikitra amin'izany.
Manana Tonia sy Mpandraharaha
matihanina ny Birao Foibe ary Mpanolontsaina roa avy amin'ny FLM,
roa avy amin'ny FJKM.
Tetiandron’ny faha-100 taona
Ny teny Fanevan’izao faha 100
taona izao dia ny hoe "Miray fo
hiara-miezaka hampandroso ny
finoana ny Filazantsara". Fil 1: 27d
Manao hetsika entiny mankalaza
ny faha-100 taona avokoa ny Vondron-tSampan’asa, ny Farimbonasa
ary ny Vondronasa tsirairay ao
amin'ny FFPM, araka ny daty na vaninandrony avy ato anatin'ny herintaona.
Fa izay miavaka dia ireo iarahan’ny rehetra mankalaza an’Andriamanitra tamin’ny Alahady 07 Avrily
2013 nanokafana ny jobily tao
amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Teo koa ny ivon'ny fankalazana natao ny Alahady 13 Oktobra
2013 tao Antsahamanitra nialohavan’ny filaharambe. Ary tsy hifarana
ny fankalazana raha tsy ny Alahady
11 May 2014.
Ny Tsangambato
Ny tena mampiray ny Fiangonana
roa tonta ihany koa dia ny fananana
ny fihirana iombonana FFPM. Tsangam-bato notapahin’ny Komity fa hatolotra amin’izao jobily izao ny
fananganana "Station" radio FM
Radio Protestanta mahaleotena ho
fitoriana ny Filazantsara sy fanabeazana ny olona manontolo ary ny fihirana FFPM voahitsy.
Fanolorana ny fihirana voahitsy
Ny Alahady 13 Oktobra 2013,
ivon'ny jobily faha 100 taonan'ny
FFPM sy famaranana ny Komity
Protestanta (KP) faha 84 sy fivoriambe faha 15 ny FFPM, natao tao
amin'ny sehatra maitso Antsahamanitra no nanolorana ho an'ny Filoha
roa tontan'ny Fiangonana ny "dika
voalohany" ny fihirana FFPM vita
fanitsiana.
Tamin’izany no nitenenan’ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala,
Filohan'ny FFPM, hoe "Ampirimo
amin'izay iny fihirana FFPM eny antananao iny fa manomboka eto dia
ity dika vaovao ity no hampiasao".
Nahitsy ny fihirana FFPM
Nasiam-panitsiana ny fihirana
FFPM mba hiverenan'ny maha-izy
azy. Maro ny hira ao anatin'ny fihirana FFPM no niova koa nanapa-
kevitra ny hanitsy izany ny
tompon'andraikitra.
"Tsy mifanaraka amin'ny tonony
sy ny feony namoronan'ny tompony
azy intsony ankehitriny ny hira
sasany. Maro ireo Fiangonana milaza ho Protestanta no manova ny
feon'ny hira ary mampihena ny andinin-kira, izany hoe raha tokony hisy
andininy telo ny hira iray dia lasa andininy roa sisa no voasoratra ao
anatin'izany fihirana izany", hoy ny
fanazavana avy amin'ny Tonian'ny
FFPM, ny Mpitandrina Rasoavimbahoaka Fanja-Navalona.
"Mety hisy ihany koa ny fanovàna
ny voambolana sasany mba hifanaraka amin'ny teny sy ny hevitra teolojika, ankoatra ny fanitsiana entina
amin'ny tonony sy ny feon'ny hira.
Harena ny fihirana ka tokony harovana sy karakaraina mba tsy ho potika ny maha-izy azy, ary izay no
tanjona", raha ny fanamarihana azo
avy amin'ny tompon'andraikitra
hatrany.
"Tsy halefa fotsiny amin'izao
isam-piangonana akory io fihirana
voahitsy io fa tsy maintsy misy ny
fanentanana ny olona hampiasa azy
sy ny fampianarana ireo hira rehetra
ao anatiny, indrindra fa ireo hira nasiam-panitsiana", hoy ihany ny nambaran'ny Tonian'ny FFPM.
Ny FLM sy ny FJKM kosa no
hanelezana izany voalohany.
Nanangona: J.R
Sary: Harilala Randrianarison
Sary famantarana ny faha 100 taona
Dikan-teny
Décollage = Fiaingana
Décoller = Manendaka
Décolorer = Mampiofo
Décombres = Korontan-trano rava
Décomposer = Manasaratsaraka
Décompte = Fitsinjaram-bola
VAOVAO
VAOVAO
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
3
Olon’Andriamanitra miara-mivavaka
Fifonana
Nitranga indray ny olana teto
amin’ny firenena ny taona 2009, dia nifoha indray ny fifanatonana teo amin’ny
FJKM sy ireo Fiangonana zandriny. Novohizina ny hevitra fa mila miombona
ny samy Fiangonana sy ny Kristiana vao
ho sitrana ny fery mikiky ny firenena.
Fihaonana lehibe voalohany nifanomezana ny Alarobia 24 Jona 2009 teny
amin’ny Fiangonana RHEFI (Rhema Fanafahana International) Androndrakely.
Fanompoam-pivavahana
notarihin’ny
Fiangonana zandriny fa ny FJKM kosa
no nitory ny Tenin’Andriamanitra. Ny
teny avy ao amin’ny Hosea 2:1-2 no nohazavain’ny Mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala. Teny izay manambara
indrindra ny amin’ny fampiraisana sy ny
fampiombonan’Andriamanitra ny mpirahalahy tafasaraka sy nifandrafy, dia Joda
sy Isiraely.
Teo amin’ny dinika nifanaovana dia
nifamboraka ny tao am-pony, tsy nisy fihafahafana ny rehetra. Nilaza ny Fiangonana zandriny fa malahelo izy ireo, noho
ny niantsoan’ny FJKM azy ho sekta.
Niaiky koa anefa izy ireo fa efa nanaratsy ny FJKM ho Fiangonana tsy mifoha, tsy misy Fanahy Masina, maty.
Naneho ny avy amin’ny FJKM fa vonona hifampitaiza ka tsy hampiasa ny
voambolana hoe sekta intsony. Zavadehibe ny fampivondronana ny hery sy
ny fifankatiavana, satria ny fahavalo
iombonana dia satana ary eo koa ny fidiran’ny fivavahana Silamo.
Io fihaonana io no nifampiantsoana
voalohany ny anarana hoe Fiangonana
zokiny sy Fiangonana zandriny.
Inona no efa nifanarahana
Zavatra telo loha no nifanarahana ambava tamin’ny fihaonana natao ny
Alatsinainy 13 Jolay 2009 teny
Androndrakely.
-Tena iray. Tompo tokana no ankalazaina, ary samy zanak’Andriamanitra
avokoa ny rehetra.
-Fifankatiavana. Miaina ny fifankatiavana eny anivon’ny fiaraha-monina,
ho fijoroana vavolombelona fa mpianatr’i Kristy
-Jesoa Kristy irery no Tompo sy
Mpamonjy. Hiaraka ampanjaka an’i
Kristy irery eto Madagasikara.
Ahoana ny hevitry ny Foibe FJKM
Mba ho fampiharana izany dia nanoratra taratasy tany amin’ny Synodamparitany ny Foibe FJKM ny 15 Jolay 2009.
Fanehoan-kevitr’ireo tompon’andraikitra samihafa
Rasendrahasina Lala, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM
"Tsy mbola manana anarana raikitra iantsoana azy
izao fiombonana izao. Santatry ny ho avy izao. Ny fifaliantsika dia ny fifampizarana ny fomba fanompoana an'
Andriamanitra. "Fa tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina" (Sal 133: 1). Tsy tokony hifangalatra isika, izany hoe: tsy tokony hanjono anaty
vovo, fa mbola be ny ondry any ivelan'ny vala mila
antsika ny fanangonana azy ireny. Ara-tantara ihany ny maha-zokiny sy zandriny, fa isika rehetra dia samy manaiky an' Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Mampahery antsika rehetra ny FJKM hazoto hitana ny
firaisana."
Randrianaivoravelona Adolphe, Pasteur RHEFI
Filohan’ny Fiombonana
"Zava-dehibe ny fisian'ny fifanatonana teo amin'ny
FJKM sy izahay Fiangonana taty aoriana. Fandresena lehibe eo anatrehan'Andriamanitra izany. Marina fa tsy
mbola matanjaka be araka ny nieritreretana azy ny fisehony, nefa inoana fa tafavoaka foana io. Tsy avy amin'ny
olona koa io fa avy amin'ny Tompo. Tsy mbola misy anarana iantsoana izay fiombonana izay aloha fa Fiango
nana zokiny sy Fiangonana zandriny araka ny fisiany fotsiny no ifampiantsoana. Aoka hotandrovana tsara izao fihavanana izao. Rehefa mivavaka any
an-trano dia tonony mandrakariva izao fiombonantsika izao."
Marinasy, Mpitandrina
Sekretera Jeneralin'ny FJKM
"Ny Fiangonana zandriny dia ireo Fiangonana niforona taty aoriantsika FJKM. Nifampitsara isika sy izy ireo
ka ny fahatsapana ny tsy mahamety izany no nahatonga
io fifanatonana io. Satria tsy mety, amin'ny maha Kristiana mitory an'i Jesoa Kristy tokana izany. Ny fototra
iorenan'ny fifanatonana dia ny fitoriana ny Filazantsara
fa avela ny fifanenjehana satria iray ny finoana fa ny Fiangonana no samihafa. Andao atrehina ny firoboroboan'ny finoana Silamo sy ny fanompoantsampy. Mandeha roa ny fifanatonana dia isika manatona azy ary izy manatona antsika. Mpitandrina nametrahan'ny Foibe FJKM andraikitra, manaraka
manokana izay fifanatonana izay, Radimison Jonah, Tonian'ny Departemantan'ny Fiangonana, Andriamasinoro Fidimalala, Poget Helivao."
"Ho fiaraha-mijoro vavolombelona eo
anivon’ny fiaraha-monina sy ho fiainana ny Tenin’ny Tompo ary manoloana
ny antson’ny Fiangonana mba hihavana
sy hifamela dia zava-dehibe ny hisian’ny
fifanajana sy fifankatiavana eo amintsika Fiangonana zokiny sy ireo karazam-piangonana zandriny."
Ny Mpiandraikitra Foibe koa
tamin’ny fivoriany ny 14-21 Oktobra
2009 dia nandray fanapahan-kevitra.
"Omena tsodrano ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny mpanatanteraka
hanohy ny ezaka amin’ny fifanatonana
efa natao tamin’ny Fiangonana zandriny."
Maro ny fifanasana sy fiaraha-mivavaka taorian’izany. Ny fifanatonana teo
amin’ny FJKM sy ireo Fiangonana zandriny anefa dia tsy hikendrena ho lasa
Fiangonana tokana akory fa atao mba
hiainana ny voalazan’ny Fotodalàna andininy faha 40. "Misokatra ho an’ny
olona rehetra tsy misy avakavaka ny
Fiangonana".
José Ravoavison
Teny Malagasy
Ny mariky ny fijanonantsoratra
-Teboka telo: Manambara zavatra
tokony holazaina nefa najanona.
-Faingo: Fampiatoana kely mba hanavaka izay voalaza teo aloha ka ny teny
manaraka dia fanampin’izay voalaza
ihany.
VAOVAO
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
Vaovao anatiny
Vaovao ivelany
S.A ANDRAINARIVO
MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM
Vokatry ny fanadinana
Hafatra
Toa izao ny vokatry ny fanadinana
tamin’iny taom-pianarana 2012-2013 iny
ho an’ny Sekoly Alahady eto amin’ny
FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
K
K1
K2
K3
K4
K5
K6
K7
K8
20/20
10
10
15
1
5
19-12/20
25
25
21
43
47
21
19
6
11-0/20
15
15
11
16
28
16
5
5
Notoloran’ny Synodamparitany maripankasitrahana ireo rehetra nahazo
naoty 20/20 sy 19/20 tamin’ny K6, K7,
K8. Ny fizaran-doka kosa dia hatao ny
Alahadin’ny Sekoly Alahady 8 Desambra
2013.
SAFIF ANDRAINARIVO
Chorale Mi-Ray
Nanangana Antoko Mpihira, Antsoina
hoe "Mi-Ray", ny Sampana Fifohazana
eto amin’ny Fitandremana Andrainarivo
Fahasoavana ny Alahady 27 Oktobra
2013. Ny Filohan’ny SAFIF Synodamparitany, Atoa Ralambomahay Hendrininosy, Mpitandrina no nitokana izany,
izay nambara fa "mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny Zaikabe Fifohazana
izao."
Teny Fanevan’izy ireo ny Romana 15:
6. "Ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra".
Manana ny Birao mitantana azy koa ny
chorale Mi-Ray izay Rajoelison Falihery
no Filohany. Hira klasika no nanokafan’izy ireo ny fihiràny nefa amin’ny
maha Fifohazana azy dia inoana fa tsy
hohadinoiny ny hira Zafindraony!
Ireo mpikambana ao amin’ny
chorale "Mi-Ray"
AMAM ANDRAINARIVO
Vita ny fankalazana
Nofaranana ny Alahady 10 Novambra
2013 tao amin’ny FJKM Andrainarivo
tamin’ny antsan-kira niarahan’ny Maintimolaly sy ny am-perin’asa ny faha 45
taon’ny Sampana Antoko Mpihira
Antsan’ny Mamatonalina. Tamin’izany koa
no nanolorana ny fitaovana fanamafisampeo hitoriana ny Filazantsara.
Ny Mpiandraikitra Foibe FJKM izay
nivory tao amin'ny CFD Ampandrana ny
16-21 Oktobra 2013, dia mametraka izao
hafatra izao:
o Misaotra an'Andriamanitra isika
noho ny fitahiany sy ny fahasoavany tsy
manam-petra fa miroso ny asan'ny Fiangonana ary niara-niasa taminy isika
mpanompony rehetra tamin'ny fanefana
ireo adidy aman'andraikitra niombonantsika. Antenaina fa hitera-bokatsoa hatrany ho an'ny asan'Andriamanitra izany
o Nahazoana vokatra tsara ny Sekoly
FJKM teo amin'ny fanadinana ara-panjakana. Koa isaorantsika an'Andriamanitra
izany sady ampaherezina ireo
tompon'andraikitra
isan'ambaratonga
mba hanohy ny ezaka vita.
o Mampahery ny tompon'andraikitra
rehetra manerana ny sahan'ny FJKM,
amin'ny fanatanterahana ireo asan'Andriamanitra nampanaoviny antsika toy ny
fanohizana ny ezaka Jesoa Kristy ho an'i
Madagasikara (JKM), ny fiaraha-mientana amin'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha 45 taonan'ny
Fiangonana misy antsika, ka hanarenana ny foto-drafitrasa eo amin'ireo Toeram-Panomanana Mpitandrina sy ny
Mpampianatra FJKM.
o Entanina hatrany ny Kristiana rehetra hivavaka sy hiasa ho an'ny fanitarampiangonana eto an-toerana sy any ivelany araka ny baikon'ny Tompo voaraintsika hitory ny Filazantsara "hatrany
amin'ny faran'ny tany" (Asa 1:8).
o Momba ny fiainam-pirenena:
Mametraka ny adintsika eo amin'
Andriamanitra ny hanokafana ny Radio
Fahazavana sy ny hamerenana ireo
fananan'ny FJKM izay nalain'ny
Fanjakana isika.
Ampaherezina ny FFKM eo amin'ny
ezaka fampihavanana ataony mba hanohizany izany hatramin'ny farany.
o Ny Fiangonana mpaminany ho
an'ny firenena dia manentana ny Kristiana sy ny vahoaka rehetra manerana
ny Nosy mba :
-Hametraka ny maha Kristiana sy ny
maha olon'Andriamanitra ho ambonin'ny
zavatra rehetra ka tsy hivarotra ny
safidiny.
-Hiaina amin'ny tahotra an'Andriamanitra ka tsy hanaiky ho fitaovana hiray
tsikombakomba amin'ny tsy marina noho
ny fiandaniana amin'olona.
-Hitandro tahaka ny anakandriamaso
ny fahamarinana sy ny fihavanana
amin'ireo fifidianana ara-dalàna rehetra
izay hatao eto Madagasikara.
"Hitahy anareo anie ny Tompo ka
hiaro anareo !" (Nomery 6: 24)
Ny Filohan'ny FJKM
RASENDRAHASINA Lala Haja,
Mpitandrina
4
FJKM ANY AMERIKA
Fjkm Québec
Najoro ny 29 Septambra 2013 ny
Synodamparitany faha 38 eo anivon’ny
FJKM ary notokanana tamin'ny fomba
ofisialy ny Alahady 12-13 Oktobra 2013
ny Fiangonana FJKM Québec Canada
izay Fiangonana FJKM voalohany any
Amerika Avaratra. Tonga nitarika ny fotoana ny Filohan'ny Synodamparitany
Vatofehizoro Ampitandranomasina SP37
ny Mpitandrina Charles Rakotonirina. Izy
ihany koa no nisolo tena ny Filohan'ny
FJKM ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina sy ny Birao Foibe FJKM. Nanampy
azy tamin'izany ny Mpitandrina Hanta
Lalasoa Andrianarisoa avy ao amin'ny
FJKM Gland Suisse sy ny Mpitandrina
Perline Cooper izay nitondra ny tenin'Andriamanitra.
SPAA/SA (12)
Tetiandro 2014
-Alakamisy 9 Janoary: Fiarahabana
taom-baovao ny President Synodaly, izay
hatao etsy amin'ny Centre d'Acceuil
Ambohimangakely amin'ny 2 ora tsy diso.
Entanina isika izay afaka.
-Sabotsy 9 Febroary: Fifampiarahabana taom-baovao iarahana amin'ny
Biraon'ny Faritra 5. Fandraisana ny
tetiandro sy ny tetikasa avy amin'izy ireo
ary fiarahabana ny Filohan'ny Sekoly
Alahady Synodamparitany Antananarivo
Atsinanana, izay hatao ao amin'ny Fitandremana Isoavina Fihavaozana. Hanomboka amin'ny 9 ora tsy diso
-Sabotsy 15 Martsa: Fiofanana Mpampianatra rehetra, izay hatao amin'ny Fitandremana Ambatomanga Fiderana,
Faritra
Ambatomanga.
Hanomboka
amin'ny 9 ora hatramin'ny 3 ora
-Sabotsy 12 Aprily: Fiofanana Mpampianatra rehetra, izay hatao ao amin'ny
Fitandremana Tranovato Faravohitra,
Faritra Faravohitra, hanomboka amin'ny
9 ora hatramin'ny 3 ora.
Finoana iainana
Ianareo zandry sekta
Ianareo zoky maty
Ny fiombonana ao amin’i Jesoa Kristy
Tompo dia mandrava ny efitry ny
fisarahana
VATSY
VATSY
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
Daty malaza
Tononkalo
Tantaran’ny
Fikambanana
Mampiely Baiboly
Malagasy (FMBM)
Aprily 1980: Naverina any ivelany ny
fanaova-printy ny Baiboly sy ny
Testamenta Vaovao noho ny fahasarotan’ny fitaovana. Nitsangana ara-panjakana ny Fikambanan’ny Mpamafy.
Jolay 1984: Nisokatra ny Biraon’ny
CMM (Cassette Ministry à Madagascar)
21 Jona 1985: Nankalazaina eran’i
Madagasikara ny faha 150 taonan’ny
Baiboly Malagasy ary nandraisan’ny
Fiangonana Kristiana rehetra anjara.
Natao andro tsy niasana io Zoma io.
Febroary 1986: Vita amin’ny horonam-peo ny Testamenta Vaovao manontolo, Dikanteny Protestanta.
22 Jona 1986: Lany tao amin’ny Fivoriambe faha XI ny lalam-panorenana
vaovao mitondra ny FMBM.
21 Jona 1990: Feno 25 taona katroka
ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Fivoriambe faha XIII. Fitokanana ny
"Kianjan’ny Baiboly".
21 Aprily 1991: Vita printy ary natolotra tao Antsahamanitra ny Testamenta
Vaovao, Dikanteny Iombonana eto Madagasikara (DIEM).
1994: Notokanana ny Tobimpamatsiana any Toliara.
(Hitohy)
Tantara mitohy:
Raha vao tonga aho, dia nitsena ahy
toy ny fanaony izy. Tsaroako ho avo roa
heny mihitsy ny firehitry ny afom-pitiavanay.
- Nivo a, faly ve ise, hoy aho.
- Ise angaha tsy mba faly, hoy izy,
sady norohany aho.
- Koa inona no omen’ise ahy, noho
ny hafalian’ise?
- Ny fitiavako, hoy izy...Ny fitiavako.
Ary ny an’ise, inona?
- Ny ahy an, izao avy no omeko
an’ise : omeko bà-kely ise an, sady norohako ny takolany, dia omeko fitiavana
ise an, dia omeko fanomezana koa ise,
sady natolotro ilay fonosan’entana novidiko. Novahan’i Nivo ilay izy, ka akory ny
hafaliany nahita ity akanjo tsara tarehy.
- Oay, tsara loatra izy izany.
- Ise koa anie tsara ka mendrika ny
tsara e...
Nanaovany ilay akanjo. Nojereny tao
anaty fitaratra, ka hoatry ny natao ho azy
ny habeny. Rehefa izany, dia nanatona
ahy izy. Nipetraka teo anilako. Nibanjina
ahy, ka sady nitsiky izy no indreny, toy
ny perla niraradraraka namonto ny
Nahoana?
Tompo o, nahoana moa ny saiko
No tsy mankatoa anao
Minia mamilivily ny aim-panahy,
Tokon'ny ho an'ny namako ?!
Satria izay rehetra hitako
ao am-piangonana
Mamendrofendro, mpanondro
molotra;
Tsy mitovy firazanana
sa mahantra sy niangarana,
Tsy mendrika hanonona ny
an'Andriamanitra!
Nahoana moa isika lazaina fa
mpanara-dia an'i Kristy
No hafahafa tsy hay ambara
Tsy mampandroso ny Fanahy
Mampihemotra Fitiavana
Fitiavana toriana dradradradraina
ho an'ny hafa
Tsy ho an'ny hafa fa ho an'ny hafa,
Hafa nampiavaka ny tenany ho mahay
noho ny hafa,
Ka ny hafa te-hanompo
tsy havela mba hitory....
Hitory sy hampianatra izay mba
nilofosany
Hatahorana fandrao hanimba ny
hasin'ny Fiangonana.
Mahonena fa Nahoana ?
Tsy fantatro satria niezahana nafenina
tamin'ny manan-tsaina
Ka ny manan-tsofina indray no
hampilaza ny tsirariny,
Tompo o! Ovay ny Foko
ho mora hanarina
Ny adalan'izao tontolo izao, izao efa
nampahamenatra ny Hendry
5
Olo-malaza
Andriamanamizao,
Mpitandrina
(1845-1904)
Teraka tao Antsahatsiroa ny 22 Aprily
1845. Rainimamonjisoa izay, Mpitandrina
tao Analakely, no rainy ary Ramiarana no
reniny.
Nianatra tao amin’ny Kolejy Ambohimanoro, ary nikoizana tamin’ny taranja
kajy Andriamanamizao.
Nilomano tao anatin'ny fitaizana Kristiana amin'ny maha Mpitandrina ny rainy.
Nampianarina hijoro amin'ny fahamarinana sy ny fitiavan-tanindrazana. Nijoro
vavolombelona tamin'ny fo madio tsy
misy fihatsarambelatsihy. Nanana fandavan-tena hanampy ny mpiara-belona
tamin'ny lafiny rehetra, tsy nifidy
saranga na lehibe na kely.
Mpitory teny malaza koa izy ka maro
ireo olona voataonany ho an'Andriamanitra. Mpanompo nahantra sy nandefitra,
tsy tia rendrarendra, nampifanatona ny
manana sy ny osa ara-pivelomana ary
nandà tanteraka ireo mety ho tombontsoa manokana na karama be nomena
azy tamin'izany satria hoy izy hoe "Ny
asan'Andriamanitra dia tsy karama fa
fanompoana".
Niasa teny Fenoarivo izy ny taona
1874 ary nitandrina ny Fiangonana tao
Antsampanimahazo. Indrisy fa namoy ny
ainy teo amin’ny faha 59 taonany, ny 15
Aogositra 1904.
Nanangona: Raphaël
Fanambadiana tonga lafatra
tratrany ny ranomasony. Roa ny fihetseham-pony tamin’izay: Faly loatra izy, fa
toy ny lefo-maranitra manindrona hatrany
amin’ny aty fanahy ny fifaliana. Nalahelo
koa izy, fa tsy mba nanan-katolotra ho
ahy.
Noheveriny ho zavatra bitika teo anatrehako angaha ny fitiavany. Tsy fantany,
"fa na misy olona manome ny fananany
rehetra ao an-tranony aza hamidy
fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy".
- Nivo a, hoy aho. Mihoatra noho ny
harena sarobidy rehetra ny halehiben’ny
fitiavanao. Ampy ahy, diso ampy ahy loatra aza izany. Nitsiky izy, raha vao nahare
izany, noraisiny ny tànako, dia nofihininy
mafy. Nibanjina ahy izy, ary nofafako moramora tamin’ny rantsan-tànako ny ranomaso nanorika ny tavany.
********************************
Toy ny fanaonay, dia mandeha mitsangantsangana izahay ny Asabotsy
hariva. Feno enim-bolana izao ny kibon’i
Nivo.
- Telo volana, sisa hoy aho, dia ho
tonga ny zaza.
- Iza no hatao anarany?
- Ny anarany? Izao no hatao: Raha
vavy, dia hianao no manome ny anarany
manontolo, fa raha lahy kosa, dia izaho
no manome ny anarany.
- Eny ary, koa raha ratsy ny anarana
hitako?
- Asanao...Hianao ihany no nanao ny
anarana, ary ny zanakao ihany no omenao azy, koa sahy hanolotra ny ratsy ve
hianao? Ny anarana koa anie betsaka e,
sady hianareo vehivavy ihany aza, no
mahita kipitson’anarana be angolany be
ireny. Ny adi-varotro fotsiny, dia izao:
Aza atao anaram-bazaha fa ataovy gasy
an.
- Izaho koa anie tsy dia tia ireny anaram-bazaha ireny e, soa ihany ny ahy, fa
nataon’izy mivady gasy.
Dia mijerijery mangazay. Mitsiriritra
kilalaon-jaza sahady. Raha vavy izy,
rahoviana no hilalao an’itony. Raha lahy,
rahoviana no hahazo an’irony?
Raha vao somambisamby ny andro, dia
namonjy fodiana izahay. (Hitohy)
Nosoratan’i Ramarolahy Marc N
ZEZIKA
ZEZIKA
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
Akon'ny Fihaonambe Sekoly
Alahady FJKM tany Antsirabe
Fihaonambe faha V no nataon'ny Sekoly Alahady FJKM tany Antsirabe ny 4-8
Septambra 2013. Nanatrika izany ny Sampana Sekoly Alahady eto amin'ny FJKM
Andrainarivo Fahasoavana, izay nisy 90. Sady lasy no Fihaonambe ho anay io
fotoana io.
Nosokafan'ny Filohan'ny Biraon'ny
Mpiandraikitra Foibe FJKM Atoa Lala
Rasendrahasina, Mpitandrina
tamin'ny fanompoam-pivavahana ny
Alarobia 4 Septambra tolakandro tao
amin'ny kianja Saint Joseph Ambavahadimangatsiaka, ny Fihaonambe.
Ny lohahevitra nibaiko izany
Fihaonambe izany dia ny hoe "Ny
Tenin'Andriamanitra,
loharanon'ny
fanantenana"
Fandaharam-potoana
Fiofanana momba ny Haibaiboly
na fahalalana momba ny Baiboly no
naka ny ampaham-potoana be
tamin’ny fihaonana. Ankoatry ny
fiaraha-mivavaka isa-maraina sy ny
varotra fampirantiana nadraisan’ny
Foibe sy ny Synodamparitany ary ny
lalao samihafa nifaninanan’ny
mpianatra.
Fehin-kevitra
Ny Alahady 8 Septambra no
namaranana ny Fihaonambe, tao
amin'ny kianja Saint Joseph, nialohavan'ny filaharana niainga tamin'ny
faritra samihafa.
Tamin'io fanompoam-pivavahana
famaranana io no nanambaran'ny
Filohan'ny Sekoly Alahady Foibe
FJKM, Atoa Andriamasinoro Fidimalala, Mpitandrina ny vokatry ny fivorian'ny Komity Lehibe izay natao ny
3-4 Septambra tao Antsirabe ihany.
1.Momba ny lesona sy ny
fampianarana ary ny fanadinana
-Ho an'ny Fiangonana mahita fahasahiranana dia azo vitaina ao anatin'ny 2 taona ny lesona ao amin'ny
Kilasy iray. Ny taona voalohany dia
ianarana ny lesona 1-2-3 sy 7-8-9.
Ny taona faharoa no hamitàna ny
lesona faha 4-5-6 sy 10-11-12.
Antsoina hoe Kilasy A sy B ireo.
-Hisy sokajy roa ny laza adina
amin'ny fotoam-panadinana.
-Ny mpampianatra rehetra dia entanina hifindra Kilasy ampianarina
isan-taona mba hitomboan'ny fahalalana
sy
andraisana
traikefa
amin'ny fampianarana Sekoly
Alahady.
2.Momba ny sekolin'ny
mpampianatra
Hatsangana ny Sekoly Alahady
Manofana Mpampianatra FJKM na
SAMM FJKM.
3.Fiainan'ny Sekoly Alahady eny
anivon'ny Synodamparitany
Izay mpanofana omen'ny Sekoly
Alahady Foibe fahefana ihany no
mahazo manofana mpampianatra
Sekoly Alahady any anivon'ny Synodamparitany sy any amin'ny Fitandremana, ankoatra ny Mpitandrina.
4.Mikasika ny piraty
Entanina isika rehetra mba hiady
amin'ny hosoka na piraty amin'ny
boky na zavatra hafa vokarin'ny
Foibe Sekoly Alahady.
5.Ivontoerana Ankadiefajoro
Averina ny tetik'asa Ivontoerana
Ankadiefajoro na toerana fanofanana mpampianatra. Entanina noho
izany ny fitondran'ny isam-batan’
olona ny atao hoe "anjara biriky".
Ny Fihaonambe VI manaraka dia
ho fantatra aorian'ny hanatanterahana ny Zaikabe hatao any Morondava ny taona 2015.
Ireo mpizaika
avy niofana
tao amin’ny
FJKM
Katedraly
Mahafaly
(KAMAFA)
Antsirabe
6
Ny tanànantsika
Sabotsy
Namehana:
Tanàna iray natao hitoeran'ireo
mpanompon'andriana fahizay. Izy
ireo no tompon'Avaradrano izay
nampanjaka an'Andrianampoinimerina sy nisy ny vadiny ary lasa
tendrombohitra roambinifolo.
Manandriana:
Atsinanana izay somary mianavaratra kely an'Asabotsy Namehana
no misy azy. Toerana dezaka tokoa
fahiny ary famaharan'ny fahavalo.
Anosy Avaratra:
Lalan-tokana
raha
ho
any
amin'ny Rovan'Ambohimanga izany
fahiny ary efa vita lalam-pirenena
kosa ankehitriny.
Ambohimanga:
Rova nitoeran'Andrianampoinimerina, mbola hita ao ankehitriny.
Ireo papa nifandimby
Jean XI : 931 - 935
Leon VII : 936 - 939
Etienne IX : 939 - 942
Martin II : 942 - 946
Mba andramo ihany
Similicuir
Fomba fanadiovana fanaka vita
amin'ny "similicuir". Asiana ronono
velona ny eponge, ka iny no hikosehana ny fanaka.
Arovy ny volonao
Mampiasà
"shampooing
très
doux" rehefa manasa loha. Somary
orina kely ny hodi-doha mandritry
ny fanasana loha (rano matimaty no
ampiasaina fa tsy rano mahamay)
ary farano amin'ny rano manga
tsiaka.
Arovana tsy ho maina ny volo
amin'ny alalan'ny fanaovana
"masque" na "bain d'huile"
Mihinana sakafo ara-pahasalamana
ilain'ny
volo
hitazonana
hatrany ny hatsarany, sakafo be
protida, sofra, fer, zinc, vit B
( Oh: tamenak'atody, lentilles,...
SAMIHAFA
SAMIHAFA
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
Sakafo
Coupe de crudité
facile accompagné
de pâte
Zavatra ilaina:
Oignon 4, sauce vinaigrette, macaroni
1kap, atody 1 atao mayonnaise,
voatabia 3, concombre 3, poivron 3,
carotte 3, mortadelle 50g, mofo dipaina 1,
menaka, sira.
Zavatra anehoana azy : coupe 3, lovia
fisaka 3.
Fikarakarana azy:
Natao ho an’olona telo.
Fisapisahana ny oignon ary alona
amin'ny sauce vinaigrette. Afangaro miaraka amin’ny macaroni sy ny mayonnaise
avy eo. Loarana atao maka sisiny amin’ny
lovia fisaka mba ahafahana mametraka
ny coupe ary asiana mofo didiny telo.
Kikisana ny karaoty. Atao endrika efamira ny concombre, poivron. Atokatokana
ireo ka samy asiana sauce vinaigrette.
Teteho efamira koa ny mortadelle sy voatabia voavaofy alàna voany. Asio sira
antonony. Arotsaka mifanesy ao anaty
coupe ny poivron, ny carotte, ny concombre, ny voatabia, ary ny mortadelle. Apetraka ambony lovia fisaka ny coupe.
Mazotoa homana ô !
Namie & Vola
3- Sudoku N°17
1
8
7
4
3
6
9
2
5
2
4
9
5
7
1
3
6
8
6
5
3
2
8
9
7
4
1
4
9
1
3
6
8
5
7
2
8
3
2
7
1
5
4
9
6
Fahasalamana
5
7
6
9
2
4
8
1
3
7
6
4
8
5
2
1
3
9
3
1
8
6
9
7
2
5
4
9
2
5
1
4
3
6
8
7
B-Kilalao vaovao
1- Fandaharan-teny
Ireto litera ireto dia andinin-tSoratra Masina anakiray avy ao amin’ny
Matio 5:3-11. Rehefa isainao ireo
dia miisa 33. Koa izay andininy, ao
amin’io andininy vaolaza eo ambony
io, ka misy litera 33 no valiny.
Alaharo ary.
RAF
SMATAY
ABTNRHNN
ZMIAYANA
RANTIOIA
2- Sudoku N°18
9
8
1
5
7
5
3
8
1
4
3
8
9
5
4
2
3
9
6
2
4
8
8
6
4
9
6
1
Tsiky kely
Marina tokoa
Kilalaon-tsaina
A-Valin’ny kilalaon-tsaina
(Septambra 2013)
1- Ady saina
FANALA
ALOKA
NOFO
AKO
LA
A
2- Amidio izay rehetra anananao
ka omeo ny malahelo, dia hanana
rakitra any an-danitra hianao; ary
avia hanaraka Ahy (Mar 10: 21b)
Fa miezaka aho hihazona izay
nihazonan’i Kristy Jesoa ahy (Fip 3:
12)
7
Niantsoantso mpandeha ilay resevera
taxi be teny Antanimena.
Hoy Rasolofo fifohazana taminy:
- Hira zafindraony no mety amin’izany
feon’ise izany !
Jereo tsara
Alahady maraina nianatra Sekoly Alahady. Nifamadika ny kahie fitondra mianatra sy ny kahie Sekoly Alahady nentin’i
Doda. Nanontany ary ny mpampianatra.
- Iza ireo roalahy mpianatr’i Jesoa
voalohany?
Tsy nahavaly i Doda
- Jereo ny kahie rehefa tsy tadidy, hoy
Ramatoa Mpampianatra
Namadibadika ny kahieny i Doda dia
niteny
- Ikotofetsy sy Imahaka tompoko !
Nanolotra tsiky kely ho anao:
Mamisoa
Ny fampinonoana
Na dia misy karazany telo aza ny
fampinonoana, dia ny fampinonoandreny ihany no amporisihana
ombieny ombieny, satria ny rononondreniny ihany no sakafo sarobidy
mifanentana indrindra amin’ny toetenan’ny zaza.
Tsy ampiasaina ny fanomezana
ronono hafa ankoatry ny rononondreniny, raha tsy efa tratry ny tsy
fidiny.
Vitsy dia vitsy mantsy ny sokajin’olona tsy mahazo mampinono. Ny
dokotera ihany no afaka milaza fa tsy
tokony hampinono ny vehivavy iray
nohon’ny fisin’aretina ao aminy.
1-Ny fampinonoan-dreny
(allaitement maternel)
Mitombo hatrany ny fikarohana
atao manerana izao tontolo izao mikasika ny fampinonoan-dreny. Ny vokatry ny fikaonan-doha sy ny
fifanakalozan-kevitra
misy
teo
amin’ireo manampahaizana mpandinika tao amin’ny fikambanana
iraisam-pirenena momba ny fahasalamana: UNICEF, OMS, ny
fikambanana iraisam-pirenena miady
amin’ny hanohanana (FAO), sns...
dia
miombon-kevitra
ny
maro
amin’ireo dokotera nandalim-pahaizana manokana momban’ny fitsaboana ny zaza (pédiatre) fa ny
rononon-dreny dia tsy hay tahafina.
Amin’izao fotoana izao dia misy
ezaka lehibe ataon’ny fikambanana
iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) sy ny UNICEF
amin’ny firenena maro (ao anatin’izany i Madagasikara) mba hamporisihina ny fampinonoan-dreny.
Anisan’ny ezaka imasoan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana koa ny
mikasika izany.
(Hitohy)
Etsy kely anie
Ny Gazety Taniketsa dia mirary
Krismasy sy Taom-baovao
sambatra ho an’ny mpamaky
"Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny
olona ankasitrahany." (Lio 2:14)
FANDALINANA
FANDALINANA
Taniketsa - Laharana faha 55 - Desambra 2013
Boky Masina
Mpitoriteny
Ny Mpitoriteny, boky faha 21 ao
amin'ny Baiboly Protestanta, fahaefatra
amin'ny boky Poetika no hojerentsika.
Toko 12 no mandrafitra azy. Sokajy
Soratra izy ao amin'ny Baiboly Hebreo.
Ny teny Hebreo "Kohéleth", olona mitarika amin'ny fivoriam-piangonana, no
nadika ho mpitoriteny. Iray amin'ireo
horonana dimy izy ary vakin'ny Jiosy
isaky ny fetin'ny Tabernakely.
Mpanoratra sy daty nanoratana
Mety ho Solomona, zanaky Davida,
mpanjaka tany Jerosalema no nanoratra
(Mpitoriteny 1: 1). Nanjaka ny filaminana
ara-panjakana tamin'ny androny, tsy nisy
ady, niroborobo ny filozôfian'ny "fahendrena". Taorian'ny fahababoana tany
Babylona no nandrafetana ny boky.
Votoatin'ny boky
Fijerin'olon-kendry manoloana ny fiainana "aty ambanin'ny masoandro" no
velabelarina eto. Miverina in-27 ny hoe
"aty ambanin'ny masoandro", fiteny tsy
hita afa-tsy ao amin'ny Mpitoriteny. Mirakitra fahendrena ny boky. Tsy fahendrena nentim-paharazana toy ny voalaza
ao amin'ny Ohabolana fa fahendrena vokatry ny fandinihana ny zava-nitranga teo
amin'ny
fiainana
andavanandron'ny
olombelona tsy maintsy maty.
Misy dikany ve ny fiainana? Ny
fisian'ny olombelona? Mitondra hatraiza
ny zava-tsoan'ny tany? Nahoana no tsy
maharitra ny fahasambarana ety antany?
Nikaroka, nandalina, namotopototra,
nanadihady ny Mpitoriteny. "Ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka
amim-pahendrena ny zavatra rehetra
izay atao aty ambanin'ny lanitra"
Mpitoriteny 1: 13a
Valiny: sanganehana izy, vaka ny
sainy fa hay mandalo, tsy azo antoka,
misy tsininy ireo loharanom-pifaliana (fahatanorana, harena, voninahitra, asa,
fahendrena, fahamarinana…). Loza mitatao ny tsy fahamarinana sy ny fahafatesana, ny tsy fahafantarana ny ho avy sy
ny fandaharan'Andriamanitra ka
mampandry andriran'antsy.
Vokany: ketraka, kivy very hevitra izy
ka aleo mifaly fa samy ho faty ihany.
Nitady fahafahapo maharitra, tanteraka,
azo antoka amin'ny zavatsoan'ny tany izy
kinanjo diso fanantenana ka zary nivarilavo amin'ny fahafinaretan'izao tontolo
izao izay mandalo sy mihelina ihany. Tsy
nijery afa-tsy ny anio izy hanetsemana ny
banga. "Tsy misy mahasoa ny olona
mihoatra noho ny mihinana sy misotro
ary ny mampahafinaritra ny tenany
amin'ny fisasarany." Mpitoriteny 2: 24a
Tsapany taty aoriana ny faharatsian'ny
fiainana tsy miaraka amin'Andriamanitra.
Noraisiny ny hany vahaolana azo antoka
: Andriamanitra Mpahary, ny finoana an'
Andriamanitra Mpahary.
Zava-poana ny zavatra rehetra
"Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana,
eny, zava-poana ny zavatra rehetra!"
Mpitoriteny 1: 2
Miverina in-29 ao amin'ny Mpitoriteny
ny hoe "zava-poana". Ny zava-poana
(hevel), dia midika ara-bakiteny ho
entona, fofonaina, rivotra. Io no nadika
hoe Abela ao amin'ny Genesisy. Ny
zava-poana dia mielina, marefo, tsy misy
antony, tsy azo antenaina, tso-drivotra
miserana, aloka mandalo, fiainana tsy
maharitra, tsy azo ianteherana, tsy mahasoa, tsy misy fotony, tsinontsinona, misy
fetra, misambo-drivotra…
Zava-poana ny fahafinaretana, ny asa,
izay rehetra nisasarana, ny fahendrena,
ny fitsarana, ny fahamarinana, ny harena,
ny fivavahana atao am-pahazarana, ny
fisian'ny olombelona…
Mora simba ny fahasambarana ary
zava-poana ny fisasaran'ny olona ahazo
azy.
Firafitry ny boky
Toko 1: 1-11 : Teny fampidirana : tsy
misy zava-baovao fa ny eo ihany no
miverina
Toko (1: 12) - 6 : Zava-poana ny fahafinaretan'izao tontolo izao
Toko 7-(12: 8) : Ny fahatahorana an'
Andriamanitra no hany loharanompiadanana sy fahafinaretana
12: 9-14 : Teny famaranana: tandremo
ny didin'Andriamanitra
Tanjona
-Manaitra ny mpamaky tsy ametraka
fitokisana na amin'inona na inona afa-tsy
amin'Andriamanitra irery, izay hany
fototra azo antoka, maharitra, tsy miova.
Zava-kendrena:
Fitoriana ny Filazantsara
8
-"Mampianatra ny olona fa Andriamanitra no mampisy vidy ny fiainana:
mitsara ny olona rehetra araka ny asany.
Izy, mitondra fanantenana maharitra ny
finoana Azy. "Inona no soa azon'ny olona
amin'ny fisasarany rehetra izay
isasarany aty ambanin'ny masoandro?"
Mpitoriteny 1: 3
Manamafy izany i Jesoa: "Fa inona
moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny
ainy? Ary inona no homen'ny olona ho
takalon'ny ainy?" Matio 16: 26
-Asaina hifaly amin'ny zavatsoan'ny
tany isika fa tsy hiantehitra aminy (8: 15;
9: 7; 11: 9).
-Mitarika ny mpamaky hanana
finoana mari-pototra an'Andriamanitra
(fahendrena saro-takarina) ny fahafantarana mazava tsara ny toe-piainan'olombelona.
Fehiny
Tsy mirakitra tenin'Andriamanitra ny
boky. Tsy voalaza ny momba ny
fikasan'Andriamanitra sy ny famonjena,
ny Mesia, ny fahasoavana, ny fiderana.
Na izany aza mino an'Andriamanitry ny
Israely ny mpanoratra (miverina in-39 ny
teny hoe Andriamanitra) : Andriamanitra
mpahary (12: 1) ; tsara (3: 11) ; mpanao
ny zavatra rehetra tsy takatry ny sain'ny
olona (11: 5; 8: 17) ; atahoran'ny olona
(3: 14; 5: 6; 7: 18) ; ivavahana (4: 17) ;
mpitsara (3: 17; 11: 9; 9: 7; 12: 14).
"Andriamanitra no atahory, ary ny
didiny no tandremo, fa izany no tokony
hataon'ny olona rehetra. Fa ny atao
rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho
amin'ny fitsarana ny zava-miafina
rehetra, na soa na ratsy." Mpitoriteny 12:
13-14
Niry Ravonison
Taniketsa
Gazety avoakan’ny
Sampana Sekoly Alahady
FJKM ANDRAINARIVO
FAHASOAVANA
Talen’ny famoahana:
RAVOAVISON José
Tél: 033 14 755 43
Tonian’ny fanoratana:
RAJOELISON Daniel
Tél: 033 12 856 99
Mpitantsoratry ny fanoratana:
RAVONISON Nirinasoa
Tél: 033 14 515 36
Tale ara-barotra:
ANDRIANARIVO Raphaël
Tél: 033 12 749 19
Adiresy:
Lot II U 57 Bis Andrainarivo 101 Antananarivo Madagascar
Site: www.sa-andrainarivo.mg
E-mail: [email protected]
Printy: Imprimerie du Centre
Nivoaka: Desambra 2013
Natonta: 250

Documents pareils