Fiarabana sy hafatra pasitera Gizy noho ny taona

Transcription

Fiarabana sy hafatra pasitera Gizy noho ny taona
« Fa izay rehetra nandray {ny Mazava} dia nomeny fahefana ho tonga
zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay … naterak’ Andriamanitra ...
Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy
fahasoavana » (Jao. 1, 12‐13 sy 16).
Ry « zanak’Andriamanitra » havako,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy
Jesosy Kristy Tompo.
Ireo teny ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona ireo no entina miarahaba antsika rehetra
nahatody soa ny Noely 2014 sy nahatratra izao taona vaovao 2015 izao. Ny hoe miarahaba
antsika dia :
• manambara ny fisaorantsika an’Andriamanitra noho ny nanomezany antsika
tombon’andro mbola hahafahantsika manana anjara amin’ny famindram‐pony,
miaina eo ambany fitahiany ary mandray porofom‐pitiavana isan’andro avy Aminy,
• teny entina mitaona antsika mba hahay hanisa ny androntsika, hahazoantsika fo
hendry (Sal. 90, 12),
• milaza ny toky ananantsika fa tena tsara ny taona 2015 sy ny andro sisa rehetra
omen’ny Tompo Andriamanitra hiainantsika satria Izy no manome sy mitantana azy.
Ny irariana dia ny hanekentsika ny hanokatra ny fiainantsika ka handraisantsika izay
fanomezan‐tsoa rehetra avy amin’Andriamanitra Tompontsika. Satria mitobaka ny
fanomezan’ny Tompo antsika ny famindram‐pony sy ny fitahiany ka anaporofany amintsika,
amin’ny fotoana rehetra, ny Fitiavany antsika.
Santionany amin’izany ny ananantsika ny fiangonana sy ny sampana rehetra ao aminy, ao koa
ny asa iombonana rehetra eto anivon’ny FPMA. Misy isan‐karazany ireo fandaharana izay
anoloran’ny Tompo hery ho antsika amin’ny alalan’izy ireny. Izany no antony anasana sy
amporisihana antsika mba handraisantsika anjara mavitrika amin’izy ireny.
Koa eto am‐pamarana dia izao no hafatra avela amintsika : « Mifalia mandrakariva amin’ ny
Tompo ; hoy izaho indray : Mifalia » (Fil. 4, 4). Manome fifaliana ho anao Andriamanitra ka
raiso ho fiainanao izany amin’ity taona 2015 ity.
Ho aminareo anie ny Fiadanana.
Pasteur GIZY Ratiambahoaka Donald.
Nancy, 8 janoary 2015.

Documents pareils