Inona no marina?

Transcription

Inona no marina?
LOHAHEVITRA FAHEFATRA
« Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray
ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. » (Jaona 18:38)
INONA NO MARINA?
AZA METY HOFITAHINA!
Indray mandeha ingahy David Copperfield, iray amin'ireo mpanao majika fanta-daza maneran-tany, dia
nampanjavona fiaramanidina iray teo ambonin'ny seranam-piaramanidina teo imason'ireo mpijery azy. Avy teo dia
nataony nanjavona ihany koa ny "Statut de la liberté" (sarivongan'ny fahafahana) tany Etazonia. Faly aok'izany ireo olona
nanatrika ilay fampisehoana, ary izany rahateo no tena tadiavin'ingahy Copperfield mba ahazoany vola. Fa ahoana kosa
raha toa ka tsy ny hanao majika fotsiny no tena ataony, fa ny hamitaka mihitsy?
Androany isika dia hijery an'ilay boky mitantara ny fitaka lehibe indrindra natrehan'ny taranak' olombelona, ary
tsy lavitra antsika izany fitaka izany.
Efa ho 6000 taona lasa izay, nitsiry tao anatin 'ilay anjely ambony indrindra
tao an-danitra, dia i Losifera izany, ny faniriana hitovy amin' Andriamanitra. Tsy te-hilefitra teo ambanin'ny fahefan'ilay
Mpahary an'izao tontolo izao izy. Te ho andriamanitry ny tenany izy, kanefa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ihany.
Vokatr'izany, dia nisy ady tany an-danitra. Nazeran'Andriamanitra izy sy ireo anjely niara-nikomy taminy.
Taorian'izay, dia namitaka ireo olombelona voalohany teto an-tany i Losifera, izay nantsoina hoe Satana
taorian'io fikomiany io. Nolazainy tamin'izy ireo fa raha te hahita fifaliana izy ireo dia tokony hisafidy ny hanao ny tenan'izy
ireo ho andriamaniny tahaka izay efa nataony ihany koa izy ireo. Nilaza tamin'izy ireo izy fa tsy ilain'izy ireo ny mankato
an'Andriamanitra, fa afaka manaraka izay fiheviny izy ireo. Mampalahelo fa nihaino izany fitaka izany ny olombelona, ka
tsy nijery an'Andriamanitra. Nanaiky ny laingan'ny Satana izy ireo.
Niezahan'i Satana hatrany ny hitondra sandoka amin'ny zavatra tsara rehetra nataon'Andriamanitra. Manome
fifaliana sandoka izy, làlam-pamonjena sandoka, fiankohofana sandoka, mesia sandoka maro. Fa ny famitahana mbola
ho avy hiezahany hamitahana na dia ny vahoakan'Andriamanitra aza, dia ny fiavian'i Kristy sandoka mialoha kelin'ny tena
fiavian'i Kristy marina. Izao no voasoratra ao @ Matio 24:5 "Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no
Kristy, ka maro no ho voafitany." Manamafy an'izany ny Matio 24:24 "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany
sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza
dia hofitahiny."
Aza mety hofitahina isika ry havana, aza mety ho voafandrika ao anatin'izany fitaka izany, aza mandray izany
sandoka izany. Mazava ny voalazan'ny Baiboly mahakasika ny fiverenan'i Kristy fanindroany, ilaintsika ny mianatra
an'izany raha tsy te hovoafitaka isika. Izao ihany koa no fampitandreman'ny Baiboly mahakasika ny fiverenan'i Kristy
fanindroany: "Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo;
Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino."
Inona no ho fihetsikao raha toa ka misy olona mamirapiratra ohatra an'i Kristy ka manasitrana olona? Dia milaza
ilay olona fa izy tokoa no Kristy, ka afaka manasitrana ny aretina rehetra. Aseho ao amin'ny fahitalavitra ny sariny. Koa
raha holazaina fa any Frantsa no misy an'io kristy sandoka io, ho any Frantsa va ianao hitondra ny vadinao voan'ny
homamiadana mba hositraniny?
Tena zava-dehibe ny mahafantatra izay ambaran'ny Baiboly momba ny andro farany satria mety hahatratra anao
ihany koa izany fitaka izany. Koa inona àry no abaran'ny Baiboly momba an'izany. Izao no teny fikasana nataon'i Jesosy:
"Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana
maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha
SSPM - IOUM
handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako
no hitoeranareo koa." (Jaona 14: 1- 3)
Milaza Jesosy eto fa hiverina indray. Maherin'ny 1500 ny toko sy andininy ao @ Baiboly no miresaka momba
izany fiavian'i Kristy fanindroany izany. Andininy 1 @ 25 kosa ao @ Testamenta Vaovao no milaza an'izany.
Nilaza Jesosy hoe ho avy indray, fa tsy hoe mety ho avy indray. Mety reraky ny fiainana ianao androany. Aza adino
anefa fa tena tia anao i Jesosy. Tsy ho maty ho anao fotsiny Izy, fa tia anao fatratra ka ho avy ny andro, andraisany anao
ao an-tranony indray, hiara-honina aminy. Andeha àry hojerentsika @ tsipiriany izay voalazan'ny Baiboly mahakasika
izany fiavian'i Kristy fanindroany izany mba tsy hahavoafitaka antsika.
1) Milaza ny Baiboly fa tena ara-bakiteny izany fiaviany izany. Tsy ho fahatongavana ao am-po, na fahatsapana
mampientanentana ao am-po izany, fa tena fotoana iray eo @ tantara. Tahaka ny famoronany, ny fahafatesany teo @
hazo fijaliana, dia ho tena toe-javatra hitranga izany, fa tsy tahaka ny fofona ranomanitra izay re fotsiny fa tsy hita.
Hoy ny Baiboly ao @ Titosy 2:13: "miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny
voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy." Mbola misy fanantenana ihany ho an'ity
planeta reraka, mifamaofao, mikorontana, anjakan'ny herisetra maro samihafa ity. Efa tonga teto voalohany i Jesosy
Kristy, ary mbola ho avy fanindroany indray. Tena toe-javatra hitranga eo @ tantara izany fiaviany izany.
2) Ny tenan'i Kristy mihitsy no hiverina, fa tsy handefa iraka hisolo tena Azy Izy. Tadidinareo ve rehefa hiakatra ho andanitra Jesosy, dia nibanjina ny lanitra ela dia ela ireo mpianany. Raha mbola nijery izy ireo dia nisy anjely roa niseho
taminy ka nanao hoe: "Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra." (Asa 1: 11). Ilay Jesosy niakatra teny @ rahona no mbola
hiverina indray eny @ rahona. Niakatra tamim-boninahitra Izy ary mbola hiverina amim-boninahitra ihany koa. Ilay Jesosy
izay nikasika ny mason'ny jamba dia nahiratra, nikasika ny sofin'ny marenina dia naheno, nanasitrana ny tànana
malemin'ilay lehilahy paralytika, niteny sy nanangana ny maty, izany Jesos izany no mbola hiverina amim-boninahitra,
hidina avy eny @ rahon'ny lanitra.
3) Ny fiavian'i Kristy dia ho hitan'ny maso rehetra: Tsy zavatra miafinafina io fiverenany io. Feno dia feno ny
fanambaran'ny Baiboly ao @ Apokalypsy 1:7 : "Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia
izay nandefona Azy aza." Ny maso rehetra no hahita ny fiverenan'i Kristy. Na ny tanora na ny antitra; na ny mahantra na
ny manan-karena; na ny nahita fianarana na ny tsy nahita fianara; na ny mpino na ny tsy mpino; na ny mainty na ny fotsy
dia samy hahita Azy maso avokoa. Hoy ny Matio 24:30 : "Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra
ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona
avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy."
Tsy fiverenana mangingina na miafinafina na tsy fanta-pantatra izany. Raha tonga teto an-tany t@ voalohany
Kristy dia olona vitsy no nahita Azy: magy telo lahy, mpiandry ondry vitsivitsy. Fa @ fiaviana faharoa kosa dia ny
trompetran'Andriamanitra no hanambara ny fiaviany.
4) Fahefatra, ny fiavian'i Kristy dia ho fotoana ho re manakoaka maneran-tany:
Hahita avokoa ny maso rehetra,
ary handre avokoa ny sofina rehetra. Raha miresaka ny momba an'ity fiaviana ity, dia izao no ambaran'ny Apokalypsy
16:18, 20 : "Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany
hatrizay nisian'olona teny ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany ... Ary ny
nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony."
Efa nanandrana natory tao anaty kotrokorana ve ianao? Tafatory ve ianao? Ka ho tafatory ve ianao @ fiverenan'i
Kristy fanindroany? Hoy ny Baiboly: "Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny
feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha." Tadidio
anefa fa Satana mety hiseho any Angletera, na any Sina, na any Afrika. Ataony marary ny olona, avy eo dia izy ihany no
manasitrana azy. Jesosy irery ihany no hiseho eny an-danitra, ao anatin'ny fahazavana mamirapiratra. Hahita Azy avokoa
ny mason'olona rehetra eran'izao tontolo izao. Jesosy irery ihany no afaka hidina avy any an-danitra, miaraka @
trompetran'Andriamanitra. Jesosy Kristy irery ihany no afaka manangana ny maty. Rehefa hidina Izy, dia hiantso hoe: "Ry
SSPM - IOUM
Maria, ry Rakoto, ry Rasoa, avia miakara" Jesosy, ilay Mpanome aina, ilay Mpamorona no afaka manangana ny maty.
Mety nitomany ihany, satria namoy ny zanakao, ny reninao, ny rainao, ny zokinao, ny zandrinao. Misy vaovao mahafaly
anefa ho anao. Hidina avy any an-danitra ny Tompo, @ fiantsoana mafy sy ny feon'arkanjely. Tsy hisy intsony ny
fahafatesana, ny alahelo, ny ratram-po satria ho avy indray Kristy.
Raha tsy mino an'Andriamanitra ianao, inona no avalinao momba ny fahafatesana? Ahoana no amahan'ireo tsy
mino an'Andriamanitra ny olan'ny fahafatesana? Ahoana no hampiononana ny alahelo? Ny Baiboly dia milaza mazava
tsara fa Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany, naniraka an'i Jesosy rehefa nikomy ny planeta tany tany, izay
mbola hiverina indray, Izy no hamaha ny olan'ny fahafatesana, alahelo, fanaintainana. Hoy ny Baiboly: "ary rehefa afaka
izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny
Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika." (Tes. 4: 17)
Mety hisy hilaza fa namaky boky momba ny "fakana ankiafinafina" Raha izaho manokana dia aleoko ny
mandray izay voalazan'ny Baiboly, ilay boky miresaka momba ny fiavian'i Kristy fanindroany. Mampianatra ny Baiboly fa
ho avy @ fiantsoana i Kristy, hisy feon'arkanjely hanakoaka, hotsofina ny trompetran'Andriamanitra, avy eo dia hahita an'i
Jesosy avy am-boninahitra sy amin-kery isika. Hovana ary hakarina hitsena azy eny @ habakabaka isika.
Ahoana kosa ny amin'ny hoe ho avy tahaka ny mpangalatra i Kristy? Ao @ Baiboly, ny filazana ny fiavian'i
Kristy tahaka ny mpangalatra dia manoritra tsy ny fomba hiaviany fa ny fotoana hiaviany. Raha atao @ fiteny hafa dia hoe
miomana isika fa tsy fantatsika ny fotoana hiavian'ny Tompo. Tahaka ny tsy hilazan'ny mpanagalatra ny fotoana
hiavian'ny sy ny tsy fahafantarantsika izany dia tahaka izany koa ny fiavian'i Kristy. Tsy fantatsika ny fotoana hiavian'ny
mpangalatra ka tsy maintsy miambina mandrakariva isika. Tsy fantatsika ny fotoana hiavian'i Kristy, ka tsy maintsy
miomana isika.
Indray andro, nisy fianakaviana nifindra ho any Toronto, Canada. Navelan'izy ireo tany an-tokontany ny
fanatonony hena. Ny alina nanaraka an'io dia nandeha tany an-tsena ny mpianakavy. Rehefa niverina avy tany izy ireo
dia gaga fa tsy teo intsony ilay fanatonona. Roa alina taorian'izay dia nipoitra indray ilay fanatonana niaraka tamin'izao
taratasy izao: "Miala tsiny fa nanatona hena izahay dia nindraminay ny fanatononareo. Indreto misy takila roa
ahazoanareo manatrika fampisehoana iray, mba ho fialan-tsiny avy aminay." Faly ireo mpianakavy fa ny fanatonona
niverina, tapakila azo. Ny alina manaraka an'io àry dia lasa nijery an'ilay fampisehoana izy mianakavy. Raha mbola tany
amin'ilay fampisehoana izy ireo, ireo mpangalatra kosa niditra tao an-tranony ka nandroaka ny entana rehetra tao. Ireo
tapakila nomena azy ireo izany dia fandrika mba hamakiana ny tranony.
Na dia ho avy tahaka ny mpangalatra aza Kristy, tsy tokony ho zavatra tampoka ho antsika izany, satria efa
nanome famantarana ny fotoana hiaviany Izy. Ho avy Kristy, eny @ rahon'ny lanitra, ary hahita Azy ny maso rehetra
(Apok. 1: 17). Hahare Azy koa ny sofina rehetra, satria ho avy @ kotrokorana sy horohorontany Izy (Apok. 6: 14),
@ feon'arkanjely (I Tes. 4:16). Ho avy hanangana ny maty Izy, araka izay voasoratra ao @ 1 Korintiana 15:52, 53: "fa
vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny
trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa itý mety lo itý tsy maintsy hitafy ny tsifahalovana, ary itý mety maty itý tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana."
Milaza ny Baiboly fa rehefa maty isika dia matory. Noho izany dia tahaka ny indray mipi-maso ny
fahafatesana. Mety lo ity vatako ity, ary rehefa miha antitra aho dia maro ireo aretina mahazo ahy. Milaza anefa ny
Baiboly fa ity mety lo ity dia mbola hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity dia mbola hitafy ny tsy fahafatesana.
Hadino avokoa ireo aretina mpahazo sy ry ireo alahelo noho ny fisarahana. Hatao veloma mandrakizay ny homamiadana,
ny diabeta, ny tosi-drà, ny tebiteby, ny adin-tsaina. Rehefa ho avy Kristy dia homeny vatana vaovao, tsy mety maty, be
voninahitra isika.
Mety misy manontany amntsika momba an'ilay fanoharan'i Kristy mikasika ireo olona roa miasa any an-tsaha, ny
iray hakarina ary ny iray kosa havela. Ny Baiboly dia tsy mampianatra velively hoe ireo izay avela eto an-tany dia avela
velona. Inona tokoa moa ny mahazo an'ireo izay ho tavela ety an-tany? Hoy ny Baiboly mamaly an'izany: "fa tonga ny
andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona?" (Apok. 6: 17) Milaza ny Baiboly fa ireo nihodina tsy
nandray ny fitiavan'i Kristy dia "niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra; ary hoy
SSPM - IOUM
izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'Ilay mipetraka eo
ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry." (Apok. 6: 15, 16)
Maniry hamonjy ireo lehilahy sy vehivay Andriamanitra, kanefa rehefa mifikitra @ fikomiana izy ireo, ka
manohitra an'Andriamanitra, dia manapa-kevitra hiaina samirery, ivelan'ny fahefan'Andriamanitra sy ny fitiavany. Koa
rehefa ho avy Kristy, ireo olo-mariny dia hakariny ho any an-danitra, fa ny famirapiratan'ny voninahiny kosa dia
handringana ny mpanota tsy nibebaka. Hoy ny 2 Tesaloniana 1:7, 8 : “Ary ny hanome fitsaharana anareo izay
ampahorina kosa mbamin'ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin'ny anjelin'ny
heriny, amin'ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny
filazantsaran'i Jesosy Tompontsika."
Rehefa ho avy Jesosy Kristy, dia tsy hisy afa-tsy antokon'olona roa ihany: ireo voavonjy sy ireo very. Ireo izay
nibebaka ka niala t@ fahotana dia ho voavonjy, fa ireo izay nandà ny fitiavan'i Kristy kosa dia haringana, rehefa ho avy
Izy. Tsy milaza velively ny Baiboly fa mbola ho velona ireo olona havela ety an-tany. Ny mifanohitra amin'izany no zavamisy araka ny voalaza ao @ 2 Tesaloniana 2: 8 : "izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary
hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany."
Milaza ny Baiboly fa ho tahaka ny t@ andron'i Lota ny fiavian'i Kristy: ny antoko iray voavonjy, ny antoko iray
levona. Ny antokon'olona iray dia hiteny hoe: "Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro
Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika." (Isaia 25:9) Izy ireo dia tsy
mba nanaiky ireo kirsty sandoka. Ilay antoko faharoa kosa dia ireo izay hiantsoantso ny vatolampy sy ny tendrombohitra
hanao hoe: "afeno izahay amin'ny tavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny
fahatezeran'ny Zanak'ondry; fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo, ka iza no mahajanona?" (Apok 6: 16,
17) Koa safidio dieny izao ary ny antoko tianao hisy anao, satria tsy ho ela intsony, dia hitranga izany toe-javatra izany.
Aza mangataka andro intsony, satria tsy fantatrao ny havoakan'ny ampitso. Safidio ny zavatra tianao hitranga tsy ho ela
intsony eo @ fiainanao: na ianao anisan'ireo hitsena an'i Kristy ka ho hifaly sy ravoravo amin'izany andro izany, na ianao
anisan'ireo miantsoantso ny tendrombohitra sy ny vatolampy mba handrakotra anao.
5) Fotoana be voninahitra ho an'ny tontolo rehetra izany.Hoy ny Baiboly ao @ Matio 24:30: "...ary hahita ny
Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy." Izao koa no voalaza ao @ Matio
24:27: "Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny
Zanak'olona."Ho avy amin-kery sy voninahitra Jesosy Kristy. Ho hita manerana izao tontolo izao izany voninahiny izany.
Hahita an'izany ny masoko sy ny masonao, ary ny mason'izao rehetra izao.
6) Fotoana faratampony ny fiavian'i Kristy fanindroany.Fotoana faratampon'ny tantaran'ny tany izany. Ho tafatoetra
mandrakizay ny ho avin'ny olombelona tsirairay. Hifarana hatreo ny ady ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Afaka mandray
an-tànana sahady izany ho avinao izany ianao dieny ankehitriny. Izao no fahitana nomena an'i Jaona ao @ Apokalypsy
19:11: "ARY nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe:
Mahatoky sy Marina....Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly
fotsy .... Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena." Izany sabatra
izany no hamelezana an'i Satana sy ireo ratsy fanahy niandany taminy.
7) Ny fiavian'i Kristy dia fotoana famerana ny mandrakizay Tsy hisy afa-tsy antokon'olona roa amin'izay fotoana izay,
ary tsy hisy ahazoana manarina ny lasa intsony. Ny fanapahan-kevitrao androany no hametra ny mandrakizainao. Hoy ny
Joda 14, 15 : "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky
ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy
ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy".
Koa ahoana ny aminao? Efa nanolotra ny fiainanao ho an'i Kristy ve ianao? Rehefa ho avy Izy, hahita ireo
havanao efa nodimandry ve ianao, dia ireo izay nanolotra ihany koa ny fiainany ho an'i Kristy? Hoy ny Baiboly ao @
Matio 13:49: "hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina." Ny fanapahan-kevitra no
hametra ny hoavinao. Ny fahafoizana ny lanitra dia fahafoizana ny zava-drehetra, fahafoizana ny fiarahana mandrakizay
amin'ireo hava-malalanao. Indray andro any, tsy hisy ady intsony. Hofafana avokoa ny ranomaso rehetra. Tsy hisy
SSPM - IOUM
aretina, na fanaintainana na fahafatesana intsony. Tsy hisy hadisoam-panantenana intsony. Misy zavatra tsara mihoatra
an'izany ve? Misy zavatra tsara mihoatra ny miaraka amin'i Kristy ve? Raha izaho manokana, dia izany no andrandraiko,
izany no tsara tiako hitranga eo @ fiainako, izany no zavatra tsara sy manan-danja indrindra ho ahy. Raha mitovy hevitra
amiko ianao, dia andeha hametraka ny fiainantsika ho eo amin'i Kristy.
Niara-niantsena t@ reniny ity ankizivavy kely iray indray andro. Niditra tao anaty fivarotana iray izy ireo, dia
nahita rojo ilay ankizivavy ka niangavy an-dreniny mba hividy ilay rojo. "Tsy ampy ny volako" hoy reniny, "fa amin'ny
heriny androany dia fitsingerenan'ny taona nahaterahanao ka hahazo vola avy @ bebenao ianao. Dia miasa kely ao antrano ianao, dia omeko vola koa ho karamanao." Faly dia faly ilay ankizivavy, ka vao tonga tany an-trano izy dia efa
nanomboka nanao raharaha sahady mba hahazoana vola hamidy an'ilay rojo. Nony afaka herinandro dia tonga ny
tsingerintaonany, dia nomen'ny bebeny vola izy. Rehefa natambany ny vola azony tamin-dreniny sy azon'ny t@ bebeny
dia hitany fa efa ampy hividianana an'ilay rojo ireo. Dia novidiany ilay rojo. Faly dia faly tokoa izy mitondra an'ilay izy, ary
asehony amin'izay olona rehetra mifanena aminy. Indray alina, nankao aminy ny rainy dia niteny hoe: "Niry ô, tia an'i
dada ve ianao?"
- "Eny," hoy izy namaly.
- "Omeo ahy àry ilay rojo novidinao iny e!"
- Tiako dada, fa aleo ity saribakoliko ity no omeko an'i Dada an!
- Eny àry, hoy rainy, matoria tsara
Niverina indray ilay rainy ny alina manaraka an'iny, dia mbola nangataka an'ilay rojo, fa sarin'alika kely indray no
nomen'ilay ankizivavy.
Ny alina fahatelo, mbola tsy niditra ny varavarana akory ilay raim-pianakaviana, dia efa nahare ny fitomanin'ilay
ankizivavy kely. Niditra izy ary tonga dia natolotr'ilay ankizivavy azy ilay rojo. Dia nisava paosy ilay rangahy ary namoaka
boaty kely avy tao. Nisokatra ny mason'i Niry raha nahita ny famirapiratr'izato rojo tao anatiny. "Hitanao ity," hoy rainy "ity
dia rojo vita @ perila soa sarobidy, tsy ohatr'iny novidinao iny izay vita @ vato hosoka. Omeko anao izy ity, satria efa
nomenao ahy ilay hosoka teny aminao iny."
Inona ireo zavatra hosoka, mandalo ihany mbola fihininao? Fahazaran-dratsy ve, sigara ve, toaka ve,
fijangajangana ve? Manomana ilay soa sy tsara ary sarobidy indrindra ho anao Kristy, fa miandry kosa ny hanoloranao ny
tenanao ho Azy. Hosoka ihany, mandalo ihany, mety ho lo ihany ny zava-tsoan'ny tany, fa indray andro any, mbola
hatolotra ho antsika ilay maharitra mandrakizay.
Afaka manao fahagagana ho anao Kristy androany, afaka manova ny fonao Izy androany mba ho vonona
amin'ilay andro lehiben'ny fiverenany. Koa miresaha Aminy hoe "Tompo, atolotro ho anao ny zava-drehetra androany. Te
ho zanakao aho, te hahita ny voninahitrao aho rehefa ho avy tsy ho ela intsony Ianao, dia hiara-honina Aminao
mandrakizay."
Mety misy miady mafy ny sasany aminareo, aoka ho fantatsika fa tsy misy zavatra mendrika ny hamoizantsika
ny fiainana mandrakizay ny zavatra mandalo ety.
Mety misy mahatsapa ihany koa ny antson'i Kristy mba hiala amin'ireo fahazaran-dratsy kanefa misalasala noho
ny mety ho vokatr'izany. Fantatry Kristy ny fisalasalanao, lazao aminy fotsiny ny fahavononanao hiala amin'ireo toetra
ratsy ireo, fa Izy no hanome hery ho anao. Sokafy ny fonao, sokafy ny tànanao dia raiso ny tànany.Apetraho eo Aminy ny
fanahianao rehetra. Dia hahazo antoka ianao fa rehefa hiverina tsy ho ela intsony Izy, dia ho faly sy ho ravo hiaraka
Aminy mandritra ny mandrakizay ianao.
SSPM - IOUM

Documents pareils