Télecharger au format

Transcription

Télecharger au format
FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA
Natao ny
Talata 18 Oktobra 2016
Tolak’andro
- Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................01
- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana ...........................................02
- Kabaran’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena ...................................................02
- Fiatoan’ny fivoriana ...............................................................................................................09
1
FIVORIAMBE
FILOHA: Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max
MPITANTSORATRA: Andriamatoa isany:
- LIAHOSOA Malement
- MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard.
FOTOANA: Talata 18 Oktobra 2016 tamin’ny 3 ora sy 20 minitra, tolak’andro.
FANDAHARAM-POTOANA: Lanonam-panokafana
faharoan’ny Antenimierampirenena, taona 2016.
ny
fotoam-pivoriana
ara-potoana
-1- Fitohizan’ny fivoriana - Lakolosy Andriamatoa FILOHA
Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona;
Andriamatoa Filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy;
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Adriamatoa sy Ramatoa Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara hajaina;
Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Analamanga;
Ianareo olona manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila izay manatrika etoana;
Ianareo avy amin’ny haino aman-jery samihafa.
Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina.
Miarahaba antsika tonga manatrika izao lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana arapotoana faharoan’ny Antenimierampirenena, taona 2016 izao.
Iangaviana am-panajana ianao, Andriamatoa Mpitantsoratra, hamaky ny andininy faha-75 ao
amin’ny Lalàmpanorenana.
2
-2- Famakiana ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard
Andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana: Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny
Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia ferana ho enimpolo
andro.
Manomboka ny Talata voalohany amin’ny volana Mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny
Talata fahatelo amin’ny volana Oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana
indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
-3- Kabarin’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena Andriamatoa FILOHA
Misaotra anao, Andriamatoa Mpitantsoratra, namaky ny andininy faha-75 tao amin’ny
Lalàmpanorenana teo.
Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta;
Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona;
Andriamatoa Filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy;
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny
Antenimierampirenena;
Adriamatoa sy Ramatoa Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta;
Andriamatoa sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara hajaina;
Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Analamanga;
Ianareo olona manan-kaja ambony Sivily sy Miaramila izay manatrika etoana;
Ianareo avy amin’ny haino aman-jery samihafa.
Tompokolahy sy Tompokovavy;
Ny rindrina, hono, no tongotry ny tapenaka; ny tapenaka miloloha vovonana; ny tany amandanitra kosa tokontaniben’ny Zanahary ataontsika an-tampon’ny loha.
Ny voalohan-teninay dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitantanany antsika tsirairay
avy tafavory eto indray ankehitriny, manatrika izao fivoriana ara-potoana faharoa eto
amin’ny Antenimierampirenena izao ary isaorana mandrakizay ny Anarany.
Diovy hono ny am-pamoloana fa hiakatra ny any an-tsaha, alalaho ny kianjan’ny tafahaona fa
hatomboka ny raharaha. Tafaray eto tokoa mantsy ny kijeja miara-mita, ny valala miaramanjohy ary ny harona niara-drinary. Vory lanona isika mpiray andraikitra eto amin’ny
Firenena satria zava-dehibe no atrehina. Zava-dehibe satria ny apombo no fanofa, ny akotry
no fitsimpona, fa ny lahateny manetriketrika kosa no fanao amin’ny fanokafana fotoampivoriana toy izao.
Hitratrevatreva avy hatrany ve; sanatria tsy hanao fiavin’omby masiaka koa, fa handadina
mora toa vahy lena.
3
Aroso aloha ny arahaba ho mariky ny fandraisan-tànana. Atao arahaba voninkazo izany ho
anareo rehetra ato an-trano; ka hovangian’ny lolo marevaka sy hotsidihan’ny renin-tantely,
ka ho vangian’ny fahatsarana sy hotsidihan’ny fahamamiana.
Asesika ihany koa ny fisaorana satria lehibe loatra ianareo nefa tody tonga manotrona anay
atz. Tsy an-tery anefa fa nentanim-pitiavana sy fifanomezam-boninahitra, ka vory avokoa
ianareo vahiny manan-kaja.
Ianareo vahiny tompon-trano etsy an-danin’izany; tonga maro, mavitrika hiatrik’asa sy
hanefa adidy ka mahavelom-bolo toy ny ketsam-bary ampy rano. Singanina manokana
ianareo avy amin’ny Andrimpanjakana isan-tokony izay tonga mifanotrona aminay.
Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ianareo Minisitra mpikambana ao
amin’ny Governemanta, tafahaona aminay Solombavambahoaka eto indray; ianareo
Filohan’ny Andrimpanjakana na solotenan’ny Andrimpanjakana eto amin’ny Firenena,
ianareo Solombavambahoaka rehetra izay tonga hiatrika ny fotoam-pivoriantsika.
Manantitra ny arahaba ho antsika mianakavy no sady manolotra fisaorana feno amin’izao
fahatongavantsika manome hasina ity fotoana anio ity izao.
Inona intsony moa izany fa feno ny fepetra, ho velesina ny vz dieny mafana, ka halahatra ny
teny sakaizan’ny vava.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Araka ny Lalàmpanorenana, andininy faha-75, izay novinaky tamintsika teo, izay mifantoka
indrindra amin’ny fandinihana sy fandaniana ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana,
amin’ny taona 2017, izao fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ataontsika eto amin’ny
Antenimierampirenena izao.
Andrasana sy antenaina marimarina fa hifantoka ary hampisy adihevitra lalina tokoa ho
an’ny Parlemantera ity volavolan-dalàna ity amin’ny filan’ny vahoaka ankehitriny.
Ankoatra ireo hevitra maro izay heverina fa mety hitondra amin’ny fitoniana, tsinjovina avy
amin’ny alalan’ity Tetibolam-panjakana ity koa ny lalana ahatongavana amin’izany.
Manoloana ny hevitr’ireo mpandinika ny raharaham-pirenena sy ny mpamatsy vola,
amin’izay tokony hataontsika eo amin’ny fandehan-draharaha eto amin’ny Firenena,
anjarantsika Solombavambahoaka no manome soso-kevitra amin’ny alalan’ny fandinihana
izao tetibola izao.
Isika mantsy no tena mifanerasera akaiky amin’ny vahoaka ka mahalala ny tena zava-misy
any ifotony. Isika izao no monina amoron’ala ka mahita ny mahitsy hokapaina; monina
amoron-drano ka mahalala ny marivo hirobohana.
Misy koa ireo volavolan-dalàna samihafa izay mbola hodinihantsika mandritra ity fotoampivoriana faharoa ity. Tao ny efa nandalo teto amintsika saingy nampiandrasina. Ao koa ireo
mbola ho avy. Anisan’ny lehibe hifantohantsika amin’ity fotoam-pivoriana ity ny momba ny
Fampihavanam-pirenena. Zava-dehibe io satria iankinan-javatra maro eo amin’ny fiainampirenentsika ankehitriny sy ny ho avy.
Tsy azo irotorotoana, ka hitsofana endim-balala; kanefa tsy azo anaovana ampitsoampitso
lava ihany koa, ka ho very an-javony na hatao tari-drano an-kilahila ka ny very no betsaka.
Mila fahendrena lalina ny fandinihana azy. Mino aho anefa fa ho tontosantsika araka ny
tokony ho izy izany.
4
Ry Solombavambahoaka hajaina isany, raha eo amin’ny fampitam-baovao ny amin’izay vita
sy natao ary nolalovana teto amin’ity Andrimpanjakana misy antsika ity nandritra izay
elanelam-potoam-pivoriana izay, maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa. Tsy maintsy
ambara anefa mba tsy hahatompon-trano mihono antsika, ka ho fintinina eto izany.
Tontosa soa aman-tsara ny Fihaonana faha-42 teo amin’ireo Vondron’ny Parlemantera
mampiasa sy miteny Frantsay, “Sommet de l’APF” (Assemblée Parlementaire de la
Francophonie), tamin’ny volana Jolay lasa teo.
Manoloana ireo fihaonam-be iraisam-pirenena izay hisesisesy horaisina eto amintsika, izay
santatra am-bava rano ihany iny vita iny; izay nahafahana nampiseho sahady fa vitantsika
Malagasy ny mandray izany ary vitantsika tsara.
Manararaotra misaotra ireo rehetra nisehatra, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ary
ireo nanome voninahitra iny Fihaonana an-tampony iny izahay ary singanina manokana
amin’izany ny Filohampirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA, izay tsy nikely soroka fa
nanao arak’izay tratra, niara-nisalahy hatrany am-piandohana, eny fa hatramin’ny fanasana
sy fampandrosoana teny amin’ny Lapampanjakana Iavoloha ireo Parlemantera vahiny sy
Malagasy nandray anjara tamin’izany.
Tsy ampihambahambana no ilazana, araka ny feo heno tamin’ireo vahiny, fa tsy nitsangamenatra ny Parlemanta Malagasy sy ny Firenentsika tamin’ny fandraisana iny Fihaonam-be
iny ary afaka mirehareha mihitsy isika amin’izany.
Nandritra izay fotoana tsy nihaonana izay, nitohy hatrany ny asa teto amin’ny Lapa, tamin’ny
alalan’ny fanatanterahana fiofanana samihafa ho an’ny mpiasa teto amin’ny
Antenimierampirenena mba hanatsarana ny fahaiza-manao sy hanatevenana ny traikefa
ananana. Teo indrindra ihany koa ny fandraisana ireo vahiny manan-kaja isan-tokony avy any
ivelany. Singanina amin’ireny ny fitsidihana nataon’Andriamatoa Joachim CHISSANO, iraky ny
SADC tonga teto amintsika mba hijery ny fizotran’ny raharaham-pirenena. Zava-dehibe mba
tiako homarihina etoana ihany koa ny nahavitan’ny fifanarahana eo amintsika
Antenimierampirenana sy ny ORTM izay niarahana tamin’ny PNUD, ka hanaovana ho
vaindohan-draharaha sy fanomezan-danja ny fandavorariana ny fampitam-baovao amin’ny
vahoaka manerana ny Nosy. Andrin’ny demokrasia ifampitaizantsika io lafiny fampitambaovao io. Fototra ahafahan’ny olom-pirenena manaraka sy mandray anjara amin’ny
fiheverana ny raharaham-pirenena tokoa mantsy ny fahazoam-baovao. Ireny raharaha
samihafa ireny izay mampiseho fa Andrimpanjakana manana ny mahaizy azy ity
Antenimierampirenena ity ary miezaka hatrany ny ho mendrika izany.
Ankoatr’izay, tao ireo iraka nataon’ny Solombavambahoaka sy ny mpikambana ao amin’ny
Birao Maharitra na tany amin’ny Faritra izany na tany ivelany. Mahakasika izay indrindra,
singanina ny Fihaonana an-tampony faharoa ho fanamarihana ny nahaterahan’ny Vondrona
maneran-tany momba ny Fandriampahalemana ny 18 Septambra “2nd Annual
Commemoration of September 18th World Alliance of Religion’s Peace (WARP)” izay
narahan’ny famolavolana ny fampiharana ny Lalàna Iraisam-pirenena momba ny
Fampitsaharana ny ady rehetra sy fampanjakana ny fandriampahalemana maneran-tany,
“mise en œuvre du droit international pour la Cessation de la Guerre et Réalisation de la Paix
Mondiale”, tany “Séoul” Korea Atsimo izay nandraisanay anjara amin’ny maha Filohan’ny
Antenimierampirenena.
5
Zava-dehibe tokoa izany satria eo amin’ny lafiny rehetra, ilaina ny fitsaharan’ny fifandrafiana
ary hahatanterahan’ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao. Anisan’ny
nanolotra soso-kevitra isika Malagasy ho vahaolana hahatongavana amin’ny
fandriampahalemana maharitra antoky ny fampandrosoana dia ny fiaraha-mientan’ny
Firenena rehetra mba hanohana ny fehin-kevitra tamin’izany ho tafiditra amin’ny antanantohatry ny famolavolana Lalàna eo anivon’ny Firenena tsirairay avy sy ny Firenena
Mikambana, “Législations Nationales de tous les Pays et à l'Organisation des Nations-Unies”.
Nasongadina tokoa ny soatoavina Malagasy, ny fitandroana ny fihavanana, ny fikatsahana
mandrakariva ny fifampidinihana, ny fifanakalozan-kevitra, ny fifandresen-dahatra, ny
fifandaminana izany. Ny tantara rahateo manaporofo, fa tsy misy tsy fitovian-kevitra ka tsy
ho voavahan’ny dinika an-databatra boribory. Tsy misy mahazo tombony amin’ny
fifandrafiana ary matetika ny tsy manan-tsiny no mizaka ny tsy eran’ny aina na iharan’ny
vokadratsin’ny ady.
Manentana antsika Parlemantera Malagasy mba handray andraikitra feno amin’izay tokony
hanatanterahana izany.
Tao koa ireo fivoriana sy iraka samihafa notanterahin’ny Solombavambahoaka tany ivelany,
toy ny fanaraha-maso ny fifidianana tamin’ireo Firenena ato amin’ny Faritry ny
Ranomasimbe Indiana, ny fivorian’ny ACP-UE tany « Bruxelles », ny Parlemanta Panafrikana
tany « Egypte », niarahana tamin’ny FMI tany « Washington », sns, sns…
Mahakasika ireo asa natao ireo ihany : tiana ny mampahafantatra sy manao tatitra eto, fa
saika efa nahavita nanangana Komitim-paritra momba ny fampandrosoana teny anivon’ny
Distrika nahavoafidy azy avy ny Solombavambahoaka amin’ny hitantanana ny vola Roanjato
Tapitrisa Ariary sy ny famolavolana tetik’asa hampiasana izany.
Toy izay, raha fintinina ny fampitam-baovao ny amin’ireo asa teto amin’ity Andrimpanjakana
ity nandritra izay elanelam-potoam-pivoriana izay.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Raha ny raharaham-pirenena no resahina, izao no tsapa sy iainana ankehitriny: miezaka ary
miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ireo fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny
fitondram-panjakana tarihin’ny Filohampirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA.
Manasongadina izany ireo fanokanana zava-bita maro tamin’ny Faritra samihafa. Marina fa
mbola betsaka ny tokony hatao raha ampitahaina amin’ny zava-maika maro eto amin’ny
Firenena sy ny filàn’ny valala tsy mandady harona kanefa ekena avy hatrany fa ezaka lehibe
ary vokatra hita maso maneho ny dingana vita ireny asa tanteraka ireny ka tsy azo
tsinontsinoavina. Heverina fa tokony hatao zava-dehibe ny fifampitaizana amin’ny
fanomezan-danja ary indrindra ny fiarovana azy ireny, mba tsy hahatonga antsika ho lany
andro mandroso dia miverina, mandrava dia manangana.
Ny zava-bita mantsy mitoetra ary natao hanasoavana ny rehetra na inona firehan-kevitra na
inona fironana politika. Lova mipetraka ho an’ny taranaka aman-jafy ireny.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
6
Fanta-poko, fantam-pirenena fa katsahin’ny sasany fatratra tato ho ato ny hanaovana izao
fitondrana izao ho toy ny tandrok’osilahy, ka tsy ampy iray zeha dia miolaka sady mihemotra.
Miharihary koa fa misy tsy mahari-boan-kena, misy ny te-hanentan-tsy ritra, misy ireo
manina ny tongolon’i Egypta. Mbola tsy maina akory ve ny ravina nihinana tamin’ny
lanonana nanomezan’ny vahoaka azy ny fitokisany, ka tadiavina sarahina sahady izy ireo?
Ny fanoron-dratsy no miverina amin’ny tany nialana, fa izay mivonon-kandroso kosa
mikatsaka hatrany ny fomba hanamafisana ny firaisan-kina hitondra ho amin’ny
fahombiazana. Io firaisan-kina io no tena tokony hatao zava-dehibe, fototra mafy orina
ametrahana ny tena fanarenana sy fampandrosoana ny Firenena.
Ny firaisan-kinan’ny manontolo mihitsy no andrandraina mba ahafahana mandroso haingana
kokoa ho amin’ny fahombiazana tian-ko azo eo amin’ny fiatrehana ny fahasahiranan’ny
Firenena ankehitriny.
Manampy antsika amin’ny lafiny maro ireo mpiara-miombon’antoka amintsika avy any
ivelany, amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola isan-tsokajiny, saingy isika Malagasy eto antoerana no tompon-draharaha ka tsy maintsy misikim-ponitra hatrany.
Soatoavina lehibe fototry ny fiaraha-monina Malagasy ny fandalam-pihavanana. Fomba
ahafahantsika mifampitarika amin’ny tena firaisan-kina maharitra sy mahomby izany.
Ny hevitra tsy mitovy anie misy ary mbola hisy mandrakariva kanefa heveriko, fa azo atao
tsara ny mifanaja sy mifanome voninahitra amin’ny hevitra ijoroana, fa tsy voatery hifanao
am-borovoro tahaka ny tadio eto hatrany isika.
Ny filazana ny fisian’ny vilany mitongilana tokony harenina; na iza milaza izany na iza ary na
avy aiza na avy aiza endriky ny fandraisana anjara amin’ny hanatsarana ny fiainam-pirenena
sady endriky ny fiainantsika ny demokrasia, ka tsy tokony hararaotina hambolena korontana
sy fampisavorovoroana ny Firenena.
Tsy mahatsara ny Firenena ny hifanondro lefo-maranitra lava eto. Tokony halavirina tahaka
ny fasam-bao ny fisetrasetrana sy fihetraketrahana na avy aiza na avy aiza no manao izany.
Ankehitriny, eo amin’ny ivon’ny fotoam-piasany ny fitondram-panjakana ary miatrika sy
manatanteraka ny fandaharan’asany. Saro-dazaina tsy ho tonga ny mpandeha raha mbola
eny antsasa-dalana kanefa ny andro mbola tsy hariva; finganinao angamba izy ka taraiky, ka
raha izay dia tsy hifaka.
Iarahantsika miaina sy mahita ny asa, ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana sy ny vokany:
“Facilité Elargie de Crédit”, FMI, “Banque Mondiale” ary ny BAD; miara-miaiky ny tetik’asa
izay kasain’ny fitondram-panjakana, miara-miaiky ihany koa isika fa tsy mora ny manarina ny
lesoka nateraky ny krizy nifandimby sy izay mety ho vokatry ny tantaram-pirenena ihany koa.
Maro ireo liana hoe: inona ny hevitry ny Antenimierampirenena manoloana ny toedraraham-pirenena ankehitriny izao?
Tsotra, Tompoko, no valiny: tsy miova amin’izay efa nambaranay hatramin’izay izahay
manao hoe: ilaina hatrany ny fitoniana eto amin’ny Firenena ary tsy mitsahatra izahay
manao antso avo amin’izany.
Ity fitoniana ity akory ka tsy fanehoan-kevitra na fomba fijery, fa tena takian’ny Firenena
amin’ny vanin’andro iainantsika ankehitriny. Mino izahy fa tsy hisy hanohitra ny
mampitombina izany. Takian’ny vanim-potoana iainantsika sy ireo sata maha Repoblikana sy
Demokratika an’i Madagasikara ny fanajana ny safidy sy ny fe-potoana iasana izay nomen’ny
vahoaka tompon’ny Fahefana ny olona izay nametrahany fitokisana.
7
Zὸ sy adidy ny mampaneno lakolosy satria isika rehetra mahalala tsara fa tsy azo eritreretina
ny hikatsahana ny fandrosoana raha tsy misy ny fitoniana. Hatao sorona lava ve ny vahoaka,
ka ho toy ny voalavo norangotim-piso, ka na tsy maty aza ringi-bolo mitsipozipozy. Tsia,
Tompokolahy sy Tompokovavy; tsy izany no mendrika ny vahoaka Malagasy.
Ilainy sy mendrika azy ny miaina milamina, hihatsara ny toe-piainany amin’ny andavan’andro
ary afaka hanomana ny taranaka fara-mandimbiny ho olom-pirenena vanona, ka ho azon’ny
Firenena andrandraina rahampitso.
Manao antso avo hatrany izahay ankehitriny, amin’ny maha Solombavambahoaka sy
tompon’andraikitra ato amin’ny Antenimierampirenena: aoka isika rehetra samy hijery sy
hibanjina miaraka ny tombotsoam-bahoaka, handresena ny fahantrana ary hampandroso ny
Firenena.
Tsy te-hanan-dratsy mantsy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, ka mandroso sosokevitra hatrany satria ilaina ny hanohizana ireo ezaka eo amin’ny lafiny sosialy sy izay
mampitaraina ny vahoaka isan’andro.
Isaorana eto ny Fitondram-panjakana izay miroso tanteraka amin’izany. Moa ve tsy efa
mifantoka betsaka amin’ny lafiny fandriampahalemana ny ezaka tato ho ato ary anisan’izany
ireny fikaonan-doha sy famolavolana paik’ady isan-karazany ireny.
Fotoana tokony hisian’ny filaminana tanteraka rahateo eto amin’ny Firenena izao telo volana
farany izao. Fotoana andraisantsika ireo fihaonam-be iraisam-pirenena hotanterahana eto
amin’ny tanintsika. Fotoana iandrandrana sahady ihany koa ny fetin’ny faran’ny taona.
Atao eto amintsika ny fihaonana faha 19-n’ny COMESA; vahiny marobe no mivahiny eto
amintsika amin’izao fotoana izao. Afaka iray volana mahery kely dia hotanterahana eto
amintsika ihany koa ny fihaonana an-tampony faha-16-n’ny Frankôfônia.
Vanim-potoana lehibe sy manan-tantara eto amin’ny Firenena ireo. Hitodika atz amintsika
Malagasy ny mason’izao tontolo izao. Ny haino aman-jery sy gazety an’arivony maneran-tany
any ivelany any dia hanara-maso momba an’i Madagasikara. Fotoana tokony hisian’ny
fitoniana tanteraka izao no sady fifanomezan-kasina eo amintsika eto an-toerana, fanajana
ihany koa ireo vahiny an’arivony hampian-tranoantsika. Ny vahiny aza manome hasina
antsika, ka isika indray ve no tsy hifanome hasina.
Voninahi-pirenena no arovana miaraka amin’izany, ka samy tompon’andraikitra avokoa ny
olom-pirenena rehetra. Tsy ny Fitondram-panjakana ihany na ny mpitondra no mandray
fivoriana iraisam-pirenena goavana toy itony, fa i Madagasikara manontolo.
Hatreto aloha, ankoatran’ny nandraisana ny Fivoriana faha-42 teo amin’ireo Vondron’ny
Parlemantera mampiasa sy miteny Frantsay, efa nisinisy ihany teto Antananarivo ny
fanazaran-tena fanampiny tamin’ny alalan’ny fandraisana ireo Fivoriana iraisam-pirenena
samihafa izay nahafahantsika naka traikefa hatrany sy nanaporofo fa mahavita isika ary
mahavita tsara.
Andao ary hanao tongotra miara-mamindra, soroka miara-milanja; raharaha ikambanana izy
ity. Voninahitra sy tombotsoa iombonana no katsahina sy arovana eto. Anjarantsika
mpitondra sy mpanao politika miaraka amin’ny vahoaka ary ny Firenena iray manontolo no
mampiseho izay fahaizana miaro ny voninahi-pirenena izay ary mitrandraka tombotsoa
amin’ny alalan’izao Fihaonana an-tampony izao.
8
Eto koa moa ianareo Mpanatanteraka, andao hatevenina ny fiaraha-miasa, fa aza
varimbarian’ny lavitra, ka sao tsy mahita ny ambany maso, fa hatony akaiky ihany ny
Parlemantera amin’ny fihainoana ny hetahetan’ny isam-paritra. Niray feo hatrizay ny
Solombavambahoaka ato amin’ny Antenimierampirenena, ka hikatsaka hatrany ny fitoniana
satria samy resy lahatra fa izay no hahasoa ny Firenena.
Tafajoro ankehitriny ny Komitim-pirenena Mahaleo Tena momba ny Zon’Olombelona na ny
CNIDH. Isaorana ny Filohampirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa fanamby sy dingana
iray lehibe no vita teo amin’ny fahavononany hiroso hatrany amin’ny fitandroana ny zὸ
maha olombelona ary takian’ny vanin’andro izay misy antsika rahateo izany na eto amin’ny
samy mpiray Tanindrazana no sady mason-tsivana ihany koa eo amin’ny fianakaviam-be
iraisam-pirenena.
Inoana fa ho amperin’asa io vaomiera io manomboka izao, ka hahazo ireo fitaovana sy
kojakoja ilainy hanatanterahany antsakany sy andavany ny andraikiny.
Handinika ny Tetibolam-panjakana, taona 2017 rahateo ny Antenimiera roa tonta,
ampaherezina hatrany ny hisian’ny fifandinihana eo amin’ny Mpanatanteraka sy ny sehatra
tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra arak’izany.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Alohan’ny hamaranana ny lahateny, mamelà ahy ianareo hampahatsiahy kely sy hamerina
eto ny tenin’ny Tale Jeneralin’ny FAO raha nidina ifotony tany amin’ny Faritra Anosy sy
Androy ny Delegasiona notarihiny sy ny avy ao amin’ny PAM ny voalohandohan’ny volana
Septambra teo, mikasika ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimo izany.
Fantatra tamin’izany fa mahatratra 1,4 tapitrisa ireo olona miaina ao anatin’ny kere ary 6
hetsy amin’ireo no tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mavaivay, ka anisan’ny tena lasibatra ny
zaza amam-behivavy. Tsy misy, hoy izy, ny rano madio hosotroina; tsy misy ny sakafo
hohanina; maina ny tany, mijaly ny biby fiompy ary indraindray aza voatery amidy mora.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mitodika manokana amintsika Solombavambahoaka namana rehetra ny tenako eto ampamaranana. Asa sy andraikitra lehibe no miandry antsika amin’ny fiatrehana izao fivoriana
ara-potoana faharoa izao. Mino aho fa hanana fahavononana feno hiatrika ny asa isika ary
haneho fahavitrihana lalandava eo amin’ny fanatanterahana ny fandinihana ireo volavolandalàna maro samihafa hatolotra hanapahantsika hevitra araka ny fahefana sy ny hasina
nomen’ny vahoaka antsika.
Ataoko ho zava-dehibe ny maneho fisaorana eram-po sy fankasitrahana eran-tsaina antsika
Solombavambahoaka rehetra sahady amin’izany fandavan-tenantsika izany.
Mankahery sy maneho fisaorana sahady ihany koa ho an’ireo mpandraharaha sy mpiaramiasa rehetra isan-tokony eto anivon’ny Antenimierampirenana aho amin’ny hanohizanareo
sy ny fahavononana tanteraka amin’ny fanatanterahana ny asa amin’izao fotoam-pivoriana
izao. Fotoana hampiharanareo rahateo ny tombom-pahalalana sy fanatevenana ny traikefa
azonareo tamin’ny fiofanana izay natrehanareo izany.

Documents pareils