taona FIFANINANANA SARY LOGO FAHA 80 TAONA Lot II L 10 Bis

Transcription

taona FIFANINANANA SARY LOGO FAHA 80 TAONA Lot II L 10 Bis
Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara
Komity Mpanomana ny faha 80 taona
Sampana Serasera / Fifaninana
Antananarivo, faha 28 avril 2011
« Fiangonan’Andriamanitra velona…andry sy fiorenan’ny fahamarinana »
I Tim. 3 : 15
FIFANINANANA SARY
Fifaliana ho anay komity mpanomana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-80 taonan'ny FFBBM
ny mampandre antsika fiangonana……………………………………. fa hisy fifaninana sary famantarana na LOGO
hanamarihana izany sy ho fanentanana
Toy izao manaraka izao àry ny andinindininy :
1- Ny fifaninana dia misokatra ho an'ny mpino Batista rehetra tsy ankanavaka, tsy hamerana taona.
2- Ny lohahevitra avoaka an-tsary dia ny andin-tSoratra Masina ao amin'ny I Tim. 3 : 15 syny faha 80
taona
3- Ny sary atao dia :
- sary tsotra, izany hoe sary misy heviny, mora tadidiana. Sary azo atao amin’ny lohan’ny taratasy
ifandefasana, azo atao T-shirt, azo atao amin’ny site web, azo atao amin’ny affiche kely na goavana ;
- loko ampiasaina lokon’ny LOGO FFBBM efa misy : manga, volo-parasy, tokotaniny fotsy ;
- taratasy ampiasaina : fotsy mirefy 21x29,7cm(A4) ;
- soratra tsy maintsy hita ao : FFBBM, 80 taona, 1932-2012 ka ny ‘caractère’ ampiasaina amin’ny FFBBM
(io ihany) dia ny « Georgia » na ny mitovitovy aminy (mitovitovy amin’ny soratra baiboly) ;
- Ny tekinika sy fitaovana rehetra azo anaovana sary dia azo ampiasaina avokoa.(vita tànana, na ordinateur).
4- Ny fomba handefasana ny sary :
- Atao anaty valopy iray ny sary , hidina tsara , ary tsy asiana anarana na marika hahafantarana ny tompony io valopy
io.
- Atao anaty valopy iray hafa ny anarana, taona, finday, adiresy, ary ny fiangonana nihaviana ; hidina tsara , ary tsy
asiana anarana na marika hahafantarana ny tompony koa io valopy io.
- Ireo valopy roa ireo no atao anaty valopy fahatelo andefasana azy amin'izao adiresy izao - Atao anaty valopy
iray hafa ny anarana, taona, adiresy, laharana finday ary ny fiangonana nihaviana.
- Ireo valopy roa ireo no atao anaty valopy fahatelo andefasana azy amin'izao adiresy izao :
FIFANINANANA SARY LOGO FAHA 80 TAONA
Lot II L 10 Bis Ankadivato
101 Antananarivo
5- Daty farany fandraisana ny sangan’asa vita dia ny talata faha 15
hanamarina izany.Azo aterina tanana na alefa paositra.
juin 2011, ny fitomboky ny paositra no
6- Ny Sary telo volohany dia hahazo fankasitrahana ary ny Sary rehetra voaray dia hijanona ho fananan’ny FFBBM
ary azony ampiasaina amin’izay ilana azy.
7-Marihina fa ny mpitsara sy ny mpikarakara rehetra dia tsy afaka mifaninana
Raha misy manana fanontaniana na fanamarihana na soso-kevitra dia afaka mandefa izany amin'izao adiresy voalaza
etsy ambony na manoratra amin’ny email : [email protected] .
Dia mamporisika ny fandraisantsika rehetra anjara ho voninahitr'Andriamanitra,
Misaotra Tompoko.
Ny Mpiandraikitra 

Documents pareils