Ny 13-14-15 Novambra 2015, olom

Transcription

Ny 13-14-15 Novambra 2015, olom
NY 13-14-15 NOVAMBRA 2015, FANKALAZANA FARATAMPON’NY TAONA HO
AN’IREO MANOKAN-TENA AMIN’ANDRIAMANITRA any MADAGASIKARA
‘NDAO HIENTAN-KAFALIANA AO AMIN’I KRISTY ISIKA’(Papa François)
Ny 13-14-15 Novambra 2015, olom-boatokana eo amin’ny 1700, avy amin’ny
Diôsezy 21 manerana ny Nosy, no nihaona teto Antananarivo, teny amin’ny Paroasy
Md Joseph Anatihazo Isotry.
Ny Fivondronan’ny relijiozy lahy
sy vavy malagasy efa nanentana ny
« Fikaonan-doha mikasika ny fiainana
voatokana eto Madagasikara » tamin’ny
2010-2011, no nikarakaraka izao
fihaonambe
izao.Anisan’ny
mpandrindra i Masera Marianne, Sœurs
du Christ amin’ny maha filohan’ny
Fivondronan’ny Fikambanan-drelijiozy
azy.
Masera Dominique Ladureau, mpikamban’ny birao Fivondronan’ny Fikambanandrelijiozy faritr’i Afrika sy Madagasikara (COSMAM), nisolo tena ny olom-boatokana
avy amin’ny Kôntinanta.
NY MAMPIAVAKA, HAFALIANA, MAHA-MPAMINANY no lohahevitra telo
lehibe nodinihina, notsongaina tamin’ny hafatry Papa François ho an’ny olomboatokana.
Samy nahatonga solontena ny Diosezy 21 sy ny
fikambanan-relijiozy. Masera 40 ny Sœurs du
Christ, Ny kôminôten’Ankilizato no tsy afaka
nandray anjara noho ny halavirana.
Ny firahalahiana dia nanampy tamin’ny fandinihana sy ahafahana :
 Manohy ny ezaka efa natomboka tamin’ny « Fikaonan-doha » Symposium
 Manamafy ny fiombonana eo amin’ny samy olom-boatokana
 Mampihatra ny hafatry ny Papa François ho an’ny olona manokan-tena
amin’Andriamanitra
Vavaka mitodika amin’i Masina Maria
ny sabotsy 14 novembra hariva.
Namonjy fodiana amin’ny vavaka ho an’ny fiainanay andavandro
izahay…
« Ny fiainanay am-pifaliana anie hahitan’ny olona taratra fa kanto sy
mahasambatra ny manara-dia Anao, ry Jesoa Kristy»

Documents pareils