Ny fomba fambolena FARY - BIMTT
Transcription
Ny fomba fambolena FARY - BIMTT
1 Mamboly fary Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha Tél: 020 22 604 04 2 Fagnoroam-pejy Anarana sianfika 3 Ny fihaviany 3 Ny toetr’andra 3 Ny fampiasana ny vokatra 3 I. Ny masom-boly 4 II. Tany manjary fary 5 IV. Fikarakarana ny tany 5 V. Famboliagna 5 VI. Fikarakarana 8 6.10. Kapa bordage 10 6.11. Para feu 10 VII. Fikapagna 11 IX. Vokatra isam-bem-belarana 15 X. Fotoam-pamboliagna 15 XI. Teknolojoiam-pitahirizagna sy fagnodidnana 15 XII. Fampiasana, famonosana ary vidim-bokatra 16 XIV. Kalitao 16 Kaom-pamokaragna 17 Tranga I: Mamokatra bora 18 Tranga II : mividy bora 19 3 Anarana sianfika: Saccharum spp Ny fihaviany Avy any vondronosy Nouvelle Guinée, Inde ary Chine no nihavian’ny fary ka niparitaka manerana ny faritry ny nosy, ny ranomasim-be pasifika, ny ranomasimbe indiana ka hatrany Malaizia sy Asia atsimo Antsinanana. Ny fary eto Madagasikara dia hita magnera ny Nosy. Tsy tena fantatra ny daty marina nidirany teto amin’ny faritra misy antsika. Efa ela no nidiran’ny fary teto Madagasikara ka ny Mpanjaka Hova (1860-1878) dia nagnorigny loziny madinidinika ny europeanina tonga teto: Fotoana tena nivelaran’ny fitrandrahana teto Madagasikara ny fotoan’ny colonisaon ka porofon’izany: Brickaville: ny 1917 Nosy be: ny 1921 Namakia: ny 1930 Ary ny SOSUMAV (Société Sucrière de la Mahavavy) : ny 1953 Fary no fagnatsovagna azy magneragna ny Nosy. Ny toetr’andra Ny hafanagna ilain’ny fary dia magnodidigny ny 20° ka hatramin’ny 30°. Mitombo tsara izy any amin’ny faritry Ambilobe ahitagna mahalegny 2000 mm ny salasalany ka mijotso ho 1500 mm amy maintany. Ny voly fary dia mateka hita amin’ny faritra tropikaly sy be hain’andro. Ny fary dia mahatanty hafanana ambony nefa tsy mahatanty hatsiaka. Ny maripana ilainy ho amin’ny fitsimohany dia eo anelanelan’ny 26°C hatramin’ny 33°C, eo amin’ny fitombony 28 – 35°C , fa ny farany ambany zakany eo am-pitotomboany dia 15-18°C mihena ny maripana alohan’ny fahatozana (maturité) ary mahafaty azy kosa ny 0°C. Ambony ny filàna ara- rano: 8-9 volana manditry ny fitombony dia ranon’orana, fa 4-5 volana eo maina amin’ny fijinjana ary 1000 ka hatramin’ny 2000 mm eo ny rotsak’orana ilainy, izany hoe 100 ka hatramin’ny 170 mm isam-bolana . Ny hazavana avy amin’ny masoandro no ilainy amin’ny fitombony sy famokarana ny siramamy ao aminy. Ny fampiasana ny vokatra Ny fampiasagna ny fary dia misy maromaro: ranom-pary ho siramamy (sary N°1,2) sy ny melasse fanodignana alkôla na toaka; bio carburant amy tomobily na fandrehitry ny herinaratra ; sakafombiby ny lohampary (SaryN°3 sy 4); faikany azo fanatantavanana ny ranom-pary ary ny vinasse dia afaka atao zezika ; vinasse atao zeziky; ny savoka amy tahompary atao menaka tarehy. SaryN° 1 SaryN° 2 SaryN° 3 SaryN° 4 4 I. Ny masom-boly Ny voly fary dia efa manana teknolojika moderna. Ny teknika fampitomboana amin’ny alalan’ny bora na zana-pary amin’ny fambolena. Fikarakarana miavaka ny tanim-pary, fikarakarana sy fiarovana ny voly ary ny fiotazana dia efa mapaika. Manana karazam-pary vaovao izay efa nandalo fanandramana, mahatanty ny toetr’andro sy ny karazan’arena misy amintsika tahaka ny M 555-60, BJ 73-14, R 570 (Sary N°7sy 8); .B 51-129. Karazampary vokatra eo anelanelana (milieu). Ao amin’ny C.M.C.S. (Caisse Malagasy de la Canne à Sucre) no ahitana azy ireo. Sary N° 8 Sary N° 7 Koa satria saika manana fototra fary ny isam-pianankaviana, dia samy manao ny pepinière-ny daholo ny mpamboly 75 %, ny 25% vidina eny amin’ny mpamokatra masomboly. Fagnanaovana bora Homanina mialoha ny bora, tsara raha bora azo avy amin’ny tanim-pary vao, ka 8 hatramin’ny 10 volana no ampiasaina (Sary N°8). Enna miaraka amin’ny mololony ny fary mba hiarovana azy amin’ny hain’andro sy fiarovana ny masony tsy ho poka mandritry ny fitaterana sy fanapatapahana azy. Raisina ny bora, alana ny raviny sisa tavela sy fantenana ny tsara, esorina ny misy ratra sy misy lavaka na lanim-biby na misy soritrarena. Tapahana mitovy elanelana mba hisy masony 3 na 4 eo ho eo (Sary N°9 sy 10). Ho an’ny tanim-pary iray hektara dia mila bora 4-8 taonina. Raha tanin-janampary (pépinière) 1 hektara dia tokony hahavitana 8-15 ha. Sary N° 7 Sary N° 9 Sary N° 10 Sary N° 11 Azo atao ny manisy fanafody miaro amin’ny holatra ny bora raha tsy fambolena biolojika Ny loham-pary (mbola marefo ny masony) (Sary N°12, 13) sy ny vodim-pary efa misy vahany (Sary N°14) dia tsy tsara atao bora Sary N° 12 Sary N° 13 Sary N° 14 tsy mety 5 II. Tany manjary fary Ilaina ny fahaizana mifanna ny tany ambolena fary noho ny fambolena azy miavaka, mitaky fanajarianna sy tany azon-drano, nefa afaka mamela ny fakany na ny bora hiaina ara-dalana sy tsy ho azon’ny fahalovana. Ireto aby ny tany mety amboliagna fary: Betro na tongoanaomby na lonaka (riche en humus); Tany kapila vaky; Jiajia vilo (limono-sablonneux); Tany mena mifangaro jia; Tany ditra fifangaro jia; Tany fasifasira (amorondranomasigny); Ny fary dia tokony ho volena amin’ny tany laimaka, Raha toerana misolampy (Tanety) no anaovana lonaka ary tsy azon-drano. (Sary n°15) ny fambolena dia tokony asiana tata-drano manodidina ny voly (sary n°16) Sary N° 15 Sary N° 16 Azo volena fary ihany koa ny tany misimsy fasika, fa asiana fandonahana hitondrana komposta, na zezipahitra. IV. Fikarakarana ny tany Manandanja lehibe amin’ny fambolem-pary ny tany noho izy ifaharan’ireo fakany sy mamatsy ny ankabeazan’ny sakafo ilain’ny fary. Tanjona: natao mba hanesorana ireo ambin’ny voly fary teo aloha na zezi-bilona novolena (ho an’ny tany vao), ahafahana mampiditra zezika sy manome fepetra vaovao ilain’ny voly fary ho amin’ny fitombon’ny fakany ary manamora ny fanitsiana ny soritra ametrahana ny bora ; 4.1. Mamira Ampiasagna goro na boriziny sy famaky ny mamira tany amboliagna fary. 42. Torotoro Manapoka sy mampifangaro ary manamboatra ny lalandrivotra. Manapoka ny baingan-tany sy manala ny ambin’ny voly taloha, mampitovy ny tany mba hanamorana ny fahazoandrano sy fihazonana amin’ny antoniny ny maripanan’ny tany. V. Famboliagna (Plantaon) : 5.1. Tapaka bora sy magnondragna Tapahagna ny bora eny amin’ny tanin-janapary (pépinière), Sary N°20, 21 6 Sary N° 19 Sary N° 21 Sary N° 20 5.2. Mitatry Aondragna agnaty saretry na remorque tracteur (Sary N°22); taterigny amy tany amboliagna ka tokony ambela amy plasy manintsinintsy. 5.3. Soritry laly (Sillon): Famaritana ny toerana amboliagna ny bora: 15- 20 sm ny halaliny ary 0,90-1,80m ny elanelany amy sillonneur na la charrue (Sary N°23, 24) mba hanamorana ny fametrahagna ny bora. Fanamarihana: Ny famaritana ny toerana hambolena ny bora dia tokony tsy atao mira zotra amin’ny fiavian’ny riaka sy ny fiovan’ny zotran’ny rivotra mba hiarovana ny voly amin’ny fiantraikany. Jerena ihany koa ny fiavian’ny masoandro. 5.4. MAMBOLY Fomba fambolena Ny fahombiazan’ny fambolena dia miankina amin’ny fitsirin’ny fary izany hoe miakina amin’ny hatsaran’ny bora (salama, misy ranony, masony mbola tanora matoe na efa manomboko mivonto nefa mbola tsy misy fakany ary tsy misy ratra na soritrarena sy ny ando eo amin’ny manodidina. Apetraka ao anan’ny faritra voasoritra ny bora voahomana sy salama ary tsara, dia totofana tany 2-5 sm eo ho eo.Tsy tokony ho tara loatra ny famaritana aorian’ny hersazy fa efa lehibe ny ahitra, fa tokony 7 ka hatramin’ny 10 andro mialohan’ny fambolena. Ny bora dia apetraka amin’ny lavaka izay efa voasoritra mialoha. Azo atao mandeha tsi-1-1 (Sary N° 25) raha ampy ny fepetra takina, na tsi-1,5-1,5 na tsi-2-2 ny bora rehefa apetraka. Rehefa vita izany dia totofana arakaraky ny toe-trandro: raha mangatsiaka dia atao manify ny tany manototra azy: 2-3 sm; raha mafana sy mando dia atao somary lalina: 4-5 sm ary raha maina, dia atao lalindalina. Apetaka eny amin’ny sisin’ny tanim-pary efa voahomana, tapahana (Sary N°25, 26). Sary N° 25 Sary N° 26 Tsinjaraina (Sary N° 27, 28) sy apetraka ao anaty lavaka (Sary N°29, 30, 29, 30, 31, 32, 33). Sary N° 27 Sary N° 31 tsy fanao Sary N° 28 Sary N° 32 tsy fanao Sary N° 29 Sary N° 33 tsy fanao Takofagna tany na tagnana dia diadiavigny (Sary N°34) na amy recouvreur (Sary N°35) ka: - 7-10cm raha maiky andra. 4-5cm raha mafana ny andra. 2-3cm raha manintsy andra. Tokony ho voavoly alohan’ny favian’ny varatraza fa mora maiky ny tany amboliagna (ny tsiko mapalaky maiky tany). Fary voavoly 15 andra (Sary n°36), fanjava araiky (Sary n°37) ary telo fanjava (Sary n°38) Sary N° 36 Sary N° 37 Sary N° 38 7 8VI. Fikarakarana (entreen) 6.1. Fampidiran-drano Fampidiran-drano: Ny fary dia mila rano 100 hatramin’ny 170mm isam-bolana. Ho an’ny tanim-pary tanora: Fampidiran-drano voalohany dia atao ny andro nanaovana ny fambolena na ny ampitso satria ny bora dia mila hamandoana mba hahamora ny fivakin’ny masony sy hivoahan’ny fakany, ka 1000m³/ha , 10 na 15 sm eo ho eo. Fampidiran-drano faharoa 8 na 10 andro aoriana. Fampidiran-drano fahatelo 3 herinandro aorianan’ny faharoa. Fampidiran-drano isaky ny telo herinandro ka 10 sm ny haavony, im-8 na in-9 eo ho ny fampidirandrano atao raha fary vao. Raha solofom-pary (repousses) dia fampidiran-drano isaky ny telo herinandro ka 10 sm ny haavony, in-5 na in-6 ny fampidiran-drano isan-taona. Marihina ihany koa fa ny fatran’ny fampidiran-drano dia miakina amin’ny karazan-tany satria haingana kokoa ny fidiran’ny rano amin’ny tany maivana noho ny tany mavesatra. Ny fanondrahana dia tantanana sy fehezina ho an’ny fambolena manarapenitra sy ampy fitaovana, satria azo fantarina sy arahimaso ny filana ara-rano eo amin’ny voly fary. Lanjalanjaina ny fanondrahana mba tsy ahatonga ny “lessivage” manary ny rano sy ireo singa mahalonaka na “element ferlisant” ilain’ny fary. Ireo tany mavesatra (argileux) mitazona rano kokoa noho ireo tany maivana (Sableux), raha hanondraka isika dia ny tany mavesatra mila rano betsaka mihoatry ny tany maivana na dia mitovy ny halalin’ny famaharany. Eo amin’ny “vitesse d’infiltraon” ihany koa dia ny fidiran’ny rano amin’ny tany maivana malaky kokoa noho ny amin’ny tany mavesatra.Ny fanondrahana noho izany dia miankina ihany koa amin’ny taonan’ny fary sy ny toetr’andra ary ny halalin’ny famaharan’ny fakan’ny fary (profondeur de l’enracinement). Ny taonan’ny fary dia miakina amin’ny firakofana, ny toetr’andro, ranon’orana sy “évaporaon” ateraky ny hain’andro sy ny fitsokan’ny rivotra. Ny fanondrahana na fampidiran-drano dia atao arakaraky ny filan’ny voly fary ny rano. Azo fantarina ny fotoana ilan’ny voly fary rano amin’alalan’ireto fomba manaraka ireto: (i) Fanarahamaso ny fivoaran’ny hamandon’ny tany; (ii) Fanamarihana ny zava-miseho mandritra ny fitomboany ary ny fanaovana tomban’ezaka ny “évapo-transpiraon”. Famoahan-drano: Ny fary dia velona amin’ny tany miazon-drano. Ny famoahan-drano dia ilaina amin’ny fitombon’ny fakampary , ny fanafanana ny tany , ny fitomboan’ny fary, ny fiadiana amin’ny arena sy ny ahi-dratsy ary ny fahatozan’ny fary 6.2 Fanoloagna ny tsy maniry Afaran’ny kapa voalohany no manolo azy ary bora nalaigny tamy pepinère araiky namboly ary mitovy taogno. 6.3. Fitsaboagna ny marary Insectes terricoles: biby mivelogno ao agnaty tany amboliagna fary ka mihingna ny vahany sy vololony. Inseccides: mety ho simika na biolozika 9 6.4. ZEZIKA DOSE 1 : Tokony atao diagnosc foliaire mba hahaizagna ny zezika tadiavin’ny voly fary Fary vao : • N : 100Kg • P2O5 : 50Kg • K2O : 100Kg Solofapary (repousse) : • N : 100Kg • P2O5 :50 Kg • K2O :150 Kg 6.5. KAPA : Fanalana ahi-dratsy Ny ahi-dratsy dia misy ny “Monocotyledone” misy ravina mahifitra sy feno volo izay mateka manelingelina ny fampiasana ny ahody ahitra (herbicide), ka sarotra vonoina sy ny “Dicotyledone” misy raviny matahitra ary mora mandray ny ahody ahitra (herbicide),” ka mora potehina, ahitra maharitra sy maniry amin’alalan’ny voany ka tokony kapaina mialohan’ny famelanany, ary maniry amin’alalan’ny bora na “stallon” koa izy ireo ka tokony hampiasana fanafody famonoana ahitra (Herbicide systemique). Ny fanafody famonoana ahitra na herbicide ampiasaina amin’ny voly fary dia miantefa amin’ny ravina na amin’ny tany ihany koa. .Misy karazany maromaro ny Herbicide: • “Herbicide sélecf” mifidy ahi-dratsy , ary tsy misy fiantraikany amin’ny voly fary; • “Herbicide total”: tsy mifidy ahitra ary mila tandremana tsara ny fatrany sao mahafaty ny voly fary; • “Herbicide de contact” fanafody miditra any anaty ahitra; • “Herbicide de translocaon” fanafody raisin’ny zavamaniry ao anany manaraka ny lalan-kanina (sève) manatanteraka ny asa famonoan’ireo taova isankarazana ao amin’ny zavamaniry; • “Herbicide à acon résiduelle”ireo fanafody miasa amin’ireo taova anan’ny tany amin’ny zavamaniry. KAPA 1 (1er Sarclage): Kapaina sy diovina tanteraka manaraka ny lalim-pary. Tsy avela hisy zava-maniry hafa eo amin’ny manodidina ny zana-pary (Sary n°39, 40, 41). Miankina amy fisian’ny ahidratsy ny fikapagna. Sary N° 39 Sary N° 40 Sary N° 41 10 Kapa +Betany (2ème Sarclage+ buage) : Mikapa sy manototro ny vodifary Sary n°42, 43. Sary N° 42 Sary N° 43 6.6. Zezeika dozy faha 2: Miankina amy tany sy fary. 6.7. Tsongo nofotro Fagnesoragna ny ahidratsy agnelagnelan’ny vatampary. 6.8. Fagnalagna ravigny (Epaillage): Mba ha mora ny fivezivezen’ny tsiko sy taramasoandro sy ny ravimpary avelo ho lo amy laly ho zezika (Sary N°44) Sary N° 44 6.9. Bira alohan’ny la coupe Tokony ho biraigny na firaigny ny alampary alohan’ny la coupe. 6.10. Kapa bordage Mila kapaigny ny bordazy ny fary. 6.11. Para feu Diovina tsara ny efatra metatra manodidina ny tanim-pary mba hiarovana amin’ny doro-tanety. (Sary n° 45). Sary N° 45 11 VII. Fikapagna (la coupe): Ny fiakaran’ny vokatra sy ny fitaterana Fikapagna: Ny fikapana ny fary dia atao rehefa mitovy ny fatran’ny siramamy amin’ny fotony sy ny tendrony ary ambony tsara ny fatran’ny siramamy ao aminy. Azo atao ny mamantatra izany amin’ny alalan’ny fitrebohana, ny fahamavon’ny raviny, ny fivontosan’ny masony… fa ny tena tsara dia mampiasa “Réfractometre de poche”. Ny fatrany tadiavina dia 12,5 % ny lanjan’ny taho. Ny fary dia mety tsy matoy akory nefa mitrebona. Amin’ny andavan’andro, ny fikapana ny fary dia miova araka ny: Taonana’ny fary: • • 12-14 volana raha fary vao; 12 volana raha solofom-pary. Ny karazany: • Ny S17 dia matoy Jolay-Aogositra; • Ny Ragnar sy ny Pindar dia matoy ny Septambra sy Oktobra; • Ny B37-172 sy Q57 dia matoy Novambra sy Desambra; Ny mpamboly aty Ambilobe dia mampiasa ny S17, NCO 310, R570, M 555-60, ERROS, B51-129 sns. 7.1. Fanapahagna(la coupe): Fanapahagna Omano mialoha ny fitaovana ilaina amin’ny Fanapahagna fary: goro na boriziny. Ny goro ampiasaina dia tokony “sterilisé” na atsoboka amin’ny ranom-panafody mba hisorohana ny fihanaky ny arena. Tapahina amin’ny fotony ny tahom-pary au ras du sol (Saryn°46, 47,48,49,51), ary kajiana mba tsy ho voakapa ny zanapary, tsoahina ireo ravina sisa tavela, ireo fitsimohana ary ny fakany. Tapahina ny lohany (Saryn°50). Raha ilaina dia zaraina roa. Sary N° 46 Sary N° 49 Sary N° 47 Sary N° 48 Sary N° 50 Sary N° 51 Ny fitateragna 12 Atao entana ireo tahom-pary mba hanamorana ny fitaterana azy amy sarety. VIII. Ny ahi-dratsy, ny aretgny, ny biby mpanimba ny voly 8.1. Ny ahi-dratsy Maro karazagna ny ahidratsy rafin’ny fary ka ireto ny sanonany: Vahivahy (famehifary) (Sary N°53) Vahimasako (Sary N°54) Somobengy(Cyperus) (Sary N°55) Langariatra (Sary N°56) Tainkiltro (Sary N°57,58 ) Kalay(graminée) Bakabaka Bararata Sary N° 53 Sary N° 56 Sary N° 54 Sary N° 57 Sary N° 55 Sary N° 58 13 8.2. ARETIGNY: Arena parazity: avy amin’ny ratra, arena vokatry ny olatra, arena avy amin’ny mikroba ary arena avy amin’ny tsy fahampian-tsakafo; Ireo karazan’arena: Maladie de fidji, Rabougrissement, Morve rouge, Stries chloroque, Tiges et boutures rougies, Pourriture rouge des boutures kanefa ireto no tena fahita aty faritry Ambilobe. Agnarany Fantraikany Fagnefitry Fary sembagna (mal formaon) Sary N°59 Vatagna sy vaniny Hombotagna sy roagna ny fary Charbon (Sary N° 60) Champignon (Sary N°61) Strie chloroque Vatany (madiniky) Jofoigny ny vatany Ravigny jaune (tsy ampy sakafo ny fary) Vatam-pary + ravigny (borer) Traitement bouture Hombotagna sy roagna ny fary Traitement boutures sy fampisagna zezika Fanafody Pokabone Fomba fiadiana amin’ny arena: • • • • Fanaovana safidy ireo karazam-pary tsy mora andairan’ny arena Fanaovana safidy tsara ny bora Fampiasana fanafody simika na biolojika Fandiovana ny tany Manimba voly tahaka ny “chenille” manimba ny taho, ny “Borer blanc” manimba ny tsirim-pary vao sy ny tsirim-pary vao avy notapahana, avy any ambany ka hatrany amin’ny taho ka manamaina ny am-pary ka mitarika fahafatesan’ny voly fary; Borer rose manimba ny fary tanora 20-30sm, ny “larve” manimba ny taho eo amin’ny vaniny. Ny fisehony dia mihamaina ny ravina afovoan’ny zana-pary ary mitarika fahafatesan’ny fary. “Borer ponctués”: ny lolo vavy manatody ao anan’ny ravim-pary, rehefa foy dia miditra ao anan’ny fary eo amin’ny vaniny, manomboka manimba izy rehefa misy vaniny iray na roa ny fary, ny fahasimbana dia manimba ny vaniny ary lasa mena sy lo ny vaniny, mampihena ny lanjan’ny fary sy ny hamamin’ny siramamy. Ny “coleopteres”: Vers blanc manimba ny fakany sy ny “Héteronychus” manimba ny faritra ambanin’ny tany, izany dia mahafaty ny zana-pary vao, mateka ny fary volena fahavaratra no tratrany ary miloko mavo sy mihamaina ny ravina afovoany. “Hemipteroïdes-Homopteres: Cigales dia mihinana ny tsiron’ny fary eo amin’ny fakany,ka tsy mitombo ny fary; “Cochenille farineuse” mandavaka ny taho eo amin’ny tonony ary mitsentsitra ny “sève”(ranonkanina). Ireo bibikely mahatonga arena: «Pucerons du maïs» mahatonga ny mozaïque sy ny “Prekinsiella sacharicida “mahatonga ny “Fidji”. 14 Sary N° 62 Sary N° 63 Sary N° 64 Sary N° 65 Sary N° 66 Sary N° 67 Sary N° 68 Sary N° 69 Sary N° 70 Alohan’ny hampiasana fanafody dia tsara raha manantona haingana tompon’andraikitra za-draharaha. Izany no atao mba ahafantarana ny olana mitranga sy ahafahana mampiasa fanafody mifanaraka amin’ny trangan-javatra miseho. Ankoatr’ireo arena sy bibikely voatanisa teo aloha ireo dia manan-pahavalo hafa ihany koa ny fary: Toy ny afo (Sary N°71) Kajoy (voalavo) Aomby (Sary N°72) Olombelogno (Magnoro, mangalatra) Sary N° 71 Sary N° 72 Noho ny ologno izay mangalatra mandavataogno dia mihena ny vokatra azo amidy. Azo atao ny 15 miambina ny alam-pary mba hiarovagna amy halatra. Azo atao koa ny magnamboatra ny kara-pamokarana isaky ny mpamboly.Vao tsy ela dia namolavola DINA ny Fkambana’ny Mpamboly sy ny CMCS (Caisse Malagasy de la Canne à Sucre) mba hisorohagna ny fandrobatana (divagaon des boeufs) sy halatra ny fagnoroagna farin’ologno ka hambrsagna ny fampiaragana azy. IX. Vokatra isam-bem-belarana (producvité) Atao entagna ireo tahom-pary mba hanamorana ny fitaterana azy. Afaka avory amin’ny place araiky koa, ary alahatra tsara amin’ny “inter-ligne” raha atao amin’ny masinina ny fanangonana azy, nefa tandremo sao magnodragna vato fa mandrobaka ny milina agny loziny. Raha noroagna ny fary dia tsy tokony hioatra ny 24 ora ny fetr’andro hanatorotoroana (broyage) azy; ezahigny tsy hihoatry ny 48 ora izany. Tokony ho tonga malaky any amin’ny loziny ny fary voatapaka mba hisorohana ny “inversion du saccharose” sy ny faharobatany. Ny vokatra azo amin’ny fary vao dia mahatratra 80-100 taonina isaky ny hektara ary mety mihoatra ny 120T/ha. Amin’ny mpamboly madinika dia ambany ny vokatra 40-60T/ha noho ny antony maro. Ny solofom-pary (repousse) dia manome 50-100T/ha. Mihena anefa izany araka ny fahanterany. Raha voly miandry ranon’oragna, ny vokatra dia mety hahatratra 65-75 T/ha nefa raha tany azon-drano tsara dia mety hahatratra 85T/ha farafahakeliny na 100T/ha mihitsy aza. Ny voly fary dia natao mba ahazoana taho izay mitahiry ranom-pary hakana siramamy. Azo ho hanina mivantana na ankolaka ny fary ary afaka ahodina. Mandritra ny efatra na dimy taogno ny voly fary dia hahazoagna vokatra ary afan’izay tokony havaozigny na vonigny fa tsy mamokatra eky. X. Fotoam-pamboliagna Fanjava Famboliagna Fahatoezana Fanapahana (La coupe) Mars Aprily Mey Jona Jol Aog. Sept. Okt. Nov. Des. Jan. Feb. XI. Teknolojoiam-pitahirizagna sy fagnodidnana Stockage :Mila toeragna manintsinitsy toy vodikakazo ny fary rehefa voatapaka satria mijotso ny rano ao agnany raha avela amy masoadra. Fagnomanagna : Torotorogny ’déchiquetée amy lamasiny ny vatampary. Extracon: broyage amy moulin. Clarificaon : fagnesoragna ny loto sy impurités ka tavagnana. Evaporaon : Hampadevizigny amy maripana samihafa ka lasa gaz ny rano. Cristallisaon : Ny sirop azo dia fanaigny amy maripana 55°C. Malaxage-turbuficaon : Haroharogny amy centrifugeuse mba hizaran’ny cristaux de sucre sy sirop d’égouts. Première reprise des égouts: Ny sirop d’égouts dia haroharogny ka mahazo ny siramamy. Deuxième reprise des égouts : Ny sirop d’égouts fanindroany ka mahazo siramamy sy mélasse. Sechage : Atapy ny cristaux de sucre. Emballage : Atao agnaty gony ny siramamy raha siramamy mena dia tonga ho hanina na amidy .Ny siramamy fotsy dia mila atao raffinage. XII. 16 Fampiasana, famonosana ary vidim-bokatra Ny 95 % ny vokatra dia amidy aby fa ny 5 % ampiasaigny amy atao masomboly na hohanigny. Ny fomba famonosana ny vokatra (sy ny vidiny raha hamidy): Rahampamonosana Gony plasky Carton Lanjana isam-beny (vidiny) 1 500 10 000 Lanjam-pamonosana faobe(vidiny) Hita misoratra eo amin’ny fonom-bokatra: Equee standard desne au marquage des sacs Variétés: (1) Origines : Ambilobe Campagne ou Année: N° du sac: Poids brut: Poids net: Nom de l’exportateur: 1: R 570 na NCO 310 Itan-kafatra mahasoa Sucre de Madagascar Itam-pamatarana ny mpamokatra Logo exportateur Designaon de l’Exportateur Pays d’origine: Sucre de Madagascar Qualité du produit Poids : Adresse de l’Importateur Ita hafa XIV. Kalitao Ny fenitra dia lalàna iraisam-pirenena momba ny kalitao. Ny Kalitao dia fitambaran’ny toetra tsara mapiavaka ny vokatra ka misarika ny mpanjifa. Ny tsena iraisam-pirenena dia mitaky ny vokatra manara-penitra sy manana Kalitao indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana .Ny fahazahoana alalana manondrana vokatra ohatra dia afa-misaraka amin’ny fahafantarana ny « norme et qualité » ilay vokatra. Tsy latsadanja amin’izany ny « tracabilité » izany hoe fahafantarana ny toerana namokarana, ny karazapary nampiasaina. Ho an’ny vokatra ahondrana dia tsy maintsy ilana taratasy fanamarinana (cerficat), nefa lafo sy sarotra ny fahazoana azy. Kaom-pamokaragna (Taona voalohany: rendement/ha: 100T/ Ha) 17 Ny kaonm-pamokarana omena eto dia izay manaraka an’ity fisy teknika ity, fa tsy ny voly nenn-drazana. Canne vierge (fary vao) Lahasa na acvités I. Fagnomanagna tanimboly - Mamira(Défichement) -Tongy 1( Labour 1) - Torotoro 1 (Pulverisage1) -Tongy 2( Labour 2) -Torotoro 2 (Pulverisage2) - Sillon TOTALINY 1 II. Famboliagna -Tapaka bora+magnondragna - Mitatry - Mamboly TOTALINY 2 III. Fikojakojagna -Traitement -Famafazagna zeziky -Kapa(Déserbage): 1er Saclage 2eme Saeclage+Buage - Famazagna zezika 2eme dose - Tsongonofotro - Bira alohan’ny la coupe -Kapa bordage -Para feu TOTALINY3 IV. Fikapagna(la coupe) - Brulis -Fikapagna - Fitondrasagna TOTALINY 4 TOTALINY Andron’asan’olognoH/J na Lera iasan’ny tracteur (Heure) 30 3h30 3h30 3h30 3h30 4h30 30 17h30 KaramaFofetaire /Ha(Ar) 50 000 40 000/voyage 250 000 120 00 120 00 60 000 60 000 60 000 80 000 32 000 8 000/ Gabarit 17 100/voyage 18 Tranga I: Mamokatra bora Vola mivoaka Antony I.Fagnomanagna tanimboly - Mamira (Défichement) -Tongy 1(Labour 1) -Torotoro1 (Pulverisage1) -Tongy 2(Labour 2) -Torotoro2 Pulverisage2) - Sillon II. Famboliagna 1. Tapaka bora+ magnodragna 2. Fitondrasagna 3. Famboliagna IV.Fikojakojana - Traitement Insecte tericole (ari chloreferrique) Inseccides (cemothel) - Zezika : • N • P • K - Kapa : Main d’oeuvre1er sarclage Main d’œuvre 2eme sarclage+butage - Zezika 2ème Dose Tsongonofotro (enlevement herbes inter canne) -Bira -Kapa bordage -Parafeu II. La coupe - Main d’eovre Brulage - Main d’œuvre la coupe (1Gab=2T) - Fondrona tracteur Tombom-barotra TOTALINY Sora-bola(Ariary) 30HJx4 000= 120 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 4H30 x50 000Ar/H=225 000 Vola miditra Antony I.Vidina fary : Vidina fary Sora-bola 100T x 62 000 = 6 200 000 TOTALINY 6 200 000 50 000 x 1 = 50 000 40 000/voyage x 2 = 80 000 250 000x1= 250 000 100Kg x2 000=200 000 50Kgx 2 000= 100 000 100Kg x2 000=200 000 50Kg x2 000=100 000 100Kg x2 000=200 000 120 00Ar x 1= 120 000 120 00Ar x 1= 120 000 200Kg x2 000Ar/ Kg=400 000 60 000Arx 1= 60 000 60 000Arx 1= 60 000 60 000Arx 1= 60 000 80 000Arx 1= 80 000 32 000Ar x 1= 32 000 8 000Ar/Gx 50Gab=400 000 17 100Ar/Tx 100T= 1 710 000 983 000 6 200 000 19 Tranga II : mividy bora Vola mivoaka Antony I.Fagnomanagna tanimboly - Mamira (Défichement) -Tongy 1(Labour 1) -Torotoro1 (Pulverisage1) -Tongy 2(Labour 2) -Torotoro2 Pulverisage2) - Sillon 30HJx4 000= 120 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 3H30 x 50 000Ar/H=175 000 4H30 x50 000Ar/H=225 000 II. Famboliagna 1. Tapaka bora+ magnodragna 2. Fitondrasagna 3. Famboliagna 50 000 x 1 = 50 000 40 000/voyage x 2 = 80 000 250 000x1= 250 000 IV.Fikojakojana - Traitement Insecte tericole (ari chloreferrique) Inseccides (cemothel) - Zezika : • N • P • K - Kapa : Main d’oeuvre1er sarclage Main d’œuvre 2eme sarclage+butage - Zezika 2ème Dose Tsongonofotro (enlevement herbes inter canne) -Bira -Kapa bordage -Parafeu II. La coupe - Main d’eovre Brulage - Main d’œuvre la coupe (1Gab=2T) - Fondrona tracteur Tombom-barotra TOTALINY Sora-bola(Ariary) Vola miditra Antony I.Vidina fary : Vidina fary Sora-bola 100T x 62 000 = 6 200 000 TOTALINY 6 200 000 100Kg x2 000=200 000 50Kgx 2 000= 100 000 100Kg x2 000=200 000 50Kg x2 000=100 000 100Kg x2 000=200 000 120 00Ar x 1= 120 000 120 00Ar x 1= 120 000 200Kg x2 000Ar/ Kg=400 000 60 000Arx 1= 60 000 60 000Arx 1= 60 000 60 000Arx 1= 60 000 80 000Arx 1= 80 000 32 000Ar x 1= 32 000 8 000Ar/Gx 50Gab=400 000 17 100Ar/Tx 100T= 1 710 000 983 000 6 200 000 20