torolalana amin`ny fampiasana ny rindrambaiko « standards de

Transcription

torolalana amin`ny fampiasana ny rindrambaiko « standards de
TOROLALANA AMIN’NY FAMPIASANA NY RINDRAMBAIKO
« STANDARDS DE SERVICE »
LOHA-HEVITRA VOATANISA ATO :
SASINTENY................................................................................................................................................................................................................................................................. 2
DINGANA I: Fidiranana ao amin’ny rindrambaiko..................................................................................................................................................................................................... 3
DINGANA II : Solon’anarana sy teny miafina :........................................................................................................................................................................................................... 4
DINGANA III : Ireo tolotra ao amin’ny rindrambaiko ................................................................................................................................................................................................ 5
DINGANA IV : Fanovana ny teny miafina ................................................................................................................................................................................................................ 12
DINGANA V : Fijerena ny taham-pivoarana’ny fametrahana ireo rindrandamina .................................................................................................................................................. 12
1
SASIN- TENY
Ny Fanjakana Malagasy, dia mivohy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fahaiza-mitantana eo anivon’ireo sampandraharaham- panjakana rehetra.
Ny didy hitsivolana laharana 2003-1158 tamin'ny 17 Desambra 2003 momba ny Fitsipi-pitondranten’ny fanjakana sy ny fitondran-tenan'ny mpiasam-panjakana dia
mikendry indrindra ny fametrahana ny fangaraharana sy ny fitantanana mahomby. Izany vina izany no nohamafisin’ny taratasy avy amin'ny Praiminisitra laharana
faha-323-PM/CAB tamin'ny 1 Aprily 2015 mikasika ny ”Standards de Service” izay mirakitra fametrahana rindrandamina miisa roa ambiny folo (12).
Ireo teboka 12 momba ny « Standards de Service » ireo dia natao hampiharina eo anivon’ny ministera rehetra ary koa ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ary
ny fanatanterahana azy ireo dia tsy maintsy atao ao anatin’ny fotoana fohy indrindra arak'izay tratra.
Araka izany, ho fanatanterahana io adidy io, ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fikarakarana ny
Mpiasa sy ny Fanohanana (DRHA), dia namorona rindrambaiko hoenti-manara-maso ny fametrahana sy ny fivoaran’ireo rindrandamina roa ambiny folon’ny « Standards de
Service ».
Ity rindrambaiko ity no napetraka dia mba hialana amin’ny fitarazohana eo amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana, indrindra amin’ny fametrahana ireo fenitra
momba ny « Standards de Service » eo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana eto andrenivohitra sy any amin’ny faritra.
Ny tanjon’ity torolalana ity dia ny hanome fanampiana ara-teknika amin'ny fampiasana ny rindrambaiko « Standards de Service ».
2
DINGANA I: FIDIRANANA AO AMIN’NY RINDRAMBAIKO
Tsy maintsy mahazo alalàna manokana avy amin’ny mpampiasa anao ianao mba hanananao ny fenitra maha-“point focal” na “antenne regional” anao, takiana
amin’ny fanaovana ny fanaraha-maso ny fizotry ny fametrahana ireo rindrandamina roa ambiny folon’ny “Standards de Service” antony mametrahana ity rindrambaiko ity.
Mba hahazoana miditra ao amin'ny rindrambaiko « Standards de
service » dia tsy maintsy manana fahafahana hahazo ny «aterineto» na
« Intranet » ianao.
Sokafy ny tranokalam-pifandraisana (Navigateur Web): Mozilla
Firefox na Google Chrome na Internet Explorer;
Ampidiro eo amin’ny saha voatondro amin’ny tondro matsilo loha
ny rohy: http://rohi.mefb.gov.mg: 8088 / ss.com araka ny kisary eo
ambany;
Ampidiro eto ny rohy :
http://rohi.mefb.gov.mg :8088/ss.com
Tsindrio ny “Entrer”;
3
DINGANA II : SOLON’ANARANA SY TENY MIAFINA :
1
Rehefa tonga eo amin’ny « interface d’accueil » dia :
d) Ampidiro ny solon’anarana « Identifiant » ;
1
e)
Ampidiro ny teny miafina « Mot de passe » ;
f)
Tsindrio ny « Connexion » ;
Marihina fa ety amboalohany :
-
Ny solon’anarana « Identifiant » sy ny teny miafina « Mot de passe » dia ny marika maha-mpiasam- panjakana na « IM » ho an’ireo points focaux vao sambany mampiasa ity
rindrambaiko ity.
-
Raha toa ka hadinonao ny teny miafinao dia mandefasa mailaka ao amin’ny adiresy [email protected] .
4
DINGANA III : IREO TOLOTRA AO AMIN’NY RINDRAMBAIKO
Ireto avy ireo tolotra efatra (4) na "menu" hita ato amin’ity rindrambaiko ity:
- Suivi ;
- Exploitation ;
- Référentiel ;
- Admin ;
- Déconnexion : natao hialana amin’ny rindrambaiko.
III.1 Ny « menu Suivi » :
Ny « menu Suivi » dia natao handraiketana ireo zava-bita mikasika ny fametrahana ireo rindrandamina 12 takian’ny « Standards de Service ».
Io « menu » io dia mizara roa (2) :
- Saisie ;
-Mise à jour.
5
III.1.1 Ny « Saisie » :
Ny "saisie" dia natao hampidirana ireo zava-bita eo anivon’ny toeram-piasana tsirairay. Amin’izany dia tokony hampiditra ny mombamomba ny toeram-piasana misy anao
na izay iandreketanao ianao
Tsindrio eo amin’ireo tondro matsilo loha mba ahafahanao misafidy ny mombamomba ny toerana hanaovana fanaraha-maso:
g)
“ Département” : dia mahakasika ny foibem-pitondrana ankapobe misy ilay toerana ;
Ohatra: Direction Générale des Douanes, Secrétariat Général, Direction Générale des Inpôts …
2
h) “Direction”: dia ny fiadidiana misy ilay toeram-piasana izay mifandraika amin’ny foibem-pitondrana misy ilay toerana ;
2
Raha eo ambany fiadidian’ny foibem-pitondrana ankapobe mivantana ilay toerana anaovana fanaraha-maso dia ilay foibem-pitondrana voatondro ao amin’ny “Département” ihany no
averina ato amin’ny saha natokana ho an’ny “Direction”.
Ohatra: raha ao amin’ny Foibem-pitondrana Ankapobe momba ny Hetra ny “Département” misy anao ka ao ny toeram-piasana anaovana ny fanaraha-maso dia ny “Direction Générale des
Impôts” ihany no safidianao ao amin’ny “Direction”
6
Ohatra: Direction des Ressources Humaines et de l’Appui, Direction de la Solde, …
i)
“Service”: ity saha ity natokana ho an’ny sampandraharaha hanaovana fanaraha-maso, marihina fa tsy votery fenoina ity saha ity;
j) “Province ” : dia ny faritany misy ilay sampandraharaha ;
Ohatra: Fianarantsoa, Toliary, Antananarivo …
k) “District “: dia ny Distrika misy ilay toerana (Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antsirabe I,);
l)
« adresse postale » : dia ny adiresy marina misy ilay toerana ;
m) « Téléphone » : nomeraom-pifandraisana hahazoana ilay sampandraharaha na ny tompon’andraikitra ;
7
n) « E-mail » : ny adiresy mailaka hahazoana ilay sampandraharaha na ny tompon’andraikaitra, marihina fa tsy voatery fenoina ity saha ity ;
o) « Nom du site » : anarana omena ilay toerana hametrahana ny « Standards de Service » ;
Ohatra : ho an’ny Immeuble Finances Antaninarenina ny « nom du site » dia site Antaninarenina.
r) Tsindrio ny « OK ».
Rehefa tafiditra ao amin’ny pejy hanaovana « Saisie » ianao dia:
3
s) safidio ny « date de suivi » : ilay volana mifanaraka amin’ny antontan’isa hampidirinao ao amin’ny toeram-piasana voatondro amin’ireo teboka g- o ;
t) Ny « Fiche n° » dia ny laharana omena ilay « Fiche » mifandraika amin’ny « saisie » hataonao ;
Marihina fa ny laharana « fiche » dia mandeha ho azy nefa tokony ho tadidiana mba ahafahanao manao « mise à jour » ;
v) Ny « Activités escomptées » dia ireo drafitr’asa kendrena hatao mifandraika amin’ireo rindrandamina 12 ny « Standards de Service » ;
y) Ny « Indicateurs utilisés » dia ireo maridrefy hapetraka isaky ny toeram-piasana mifandraika amin’ireo drafitr’asa napetraka ;
Marihina fa ny saha « activités escomptées » sy ny « indicateurs utilisés » dia tsy fenoin’ireo « points focaux » intsony fa efa mipetraka mialoha.
3
Ny volana manaraka dia tsy afaka idirana raha tsy efa manitsaka ny andro voalohany amin’ny volana anaovana ny « saisie » ; fa ny volana rehetra tany aloha kosa dia azo
anaovana «saisie » avokoa ;
Ohatra : volana Febroary isika izao nefa ny antotan’isa ho ampidirina dia mifandraika amin’ny volana Janoary dia Janoary no safidiana eo.
8
z)
Ny « valeur de l’indicateur » dia ny sandan’ny maridrefy enti-mijery ny firoson’ny asa eo amin’ireo toeram-piasana ;
aa) Ny « valeur cible » kosa dia ny tanjona hotratrarina ; tokony tsy hiova mandritry ny taona ny « valeur cible » raha toa ka tsy misy antony tsy azo anoharana.
Ohatra : fiovan’ny « organigramme », fifindran’ny toeram-piasana.
Mizara roa ireo mari-drefy ampiasaina :
- « Valeur Oui /Non » : fandrefesana ny fahatomombanana na tsia ilay rindrandamina « Standards de Service » ; amin’izany dia misafidy ny « Oui » na « Non» ianao araka ny
tsikaritra hita ao amin’ny toeram-piasana anaovana ny fanaraha-maso eo amin’ny saha « valeur de l’indicateur », ny « valeur cible » kosa dia tsy miova fa « Oui » hatrany.
- « Valeur numérique » : fandrefesana ny tahan’ny fahatontosan’ireo rindrandamina « Standards de Service » eto dia tarehimarika no enti-mandrefy na eo amin’ny « valeur
cible » na eo amin’ny « valeur de l’indicateur ».
4
ab) Ny « avancement » dia fandrefesana ny fizotry ny fametrahana ireo rindrandamina « Standards de Service » ;
ad) Ny « problèmes soulevés » dia natokana ho fitanisana ireo olana hitanao eny anivon’ny toeram-piasana anaovana ny fanaraha-maso ka manakana ny
fahatomombanan’ireo rindrandamina napetraka ;
ae) Ny « solutions apportées » kosa dia saha natokana hametrahana ireo vahaolana hitanao ho entina mamaha ireo olana ;
af) Tsindrio ny « Enregistrer » raha hamarana ny « saisie » nataoano ianao ;
Misy « Enregistrer » isaky ny pejy ampidirana antotan’isa. Rehefa manindry ny bokotra « Enregistrer » amin’ny pejy iray ianao dia voatahiry avokoa ireo antotan’isa
nampidirinao teo aloha.
4
Raha « valeur Oui/Non » no ampiasaina dia ny firoson’ny fametrahana ireo rindrandamina no miseho ao amin’ireo tondro matsilo loha « Non commencée/ En cours/ Achevée », raha toa ka
ny « valeur numérique » kosa no ampiasaina dia ny tahan’ny fizotry ny asa no miseho.
9
Tsy voatery anananao avokoa ireo antotan’isa mikasika ireo rindrandamina 12 vao afaka manao « Saisie » ianao fa azonao ampidirina izay eo ampelatananao ary
manao « mise à jour » ianao rehefa misy antotan’isa vaovao tonga.
III.1.2 Ny « mise à jour » :
Ny « mise à jour » dia natao hanampiana ireo antotan’isa nampidirina tao amin’ny « saisie ».
Tsy voatery hitadidy ny laharana « fiche » sy ny daty nanaovana « dernière modification » ianao fa ny iray amin’ireo dia efa ampy.
ag) Ny « fiche n° » dia ny laharan’ny « fiche » nanaovanao « saisie » tao amin’ny teboka « t » mifandraika amin’ireo antotan’isa vaovao hampidirinao ;
ah) Ny « dernière modification » dia ny daty nanaovanao « saisie » farany ;
ai) Tsindrio ny « Afficher ».
10
aj) Rehefa miseho ny hafatra voatondro eo amin’ ny sary dia tsindrio ny
« OK » mba hanamarinana fa hanao « mise à jour » ilay « fiche » mitondra ny
laharana voatondro ianao, na safidio ny "Annuler" raha toa ka hisafidy
"fiche" hafa ;
Hahita takelaka mitovy amin’ny fomba fanaovana « saisie » ianao, safidio ny rindrandamina tianao hatao « mise à jour » ary ampidiro ireo mari-drefy (« valeur de
l’indicateur » sy « valeur cible ») araka ny voalaza ao amin’ireo teboka « z, aa, ad, ae ».
ak) Eny ampamaranana ny « mise à jour » tsindrio ny « Enregister ».
11
DINGANA IV : FANOVANA NY TENY MIAFINA
Ny « menuAdministration »:
Izy ity dia natao hanampiana ireo mpitantana ny rindrambaiko sy ireo mpampiasa
azy ahafahana manova ny teny miafina.
al) « Entrez l’ancien mot de passe» : ampidiro ny teny miafina teo aloha ;
Raha mbola tsy nanova ny teny miafina ianao dia ny IM- nao no teny miafina.
am) Ampidiro eo amin’ny saha « Entrez votre nouveau mot de passe » ny teny
miafina vaovao izay tokony hisy rindran-teny (litera sy/na tarehimarika) valo
(8);
an) Avereno ampidirina eo amin’ny saha « Entrez à nouveau le mot de passe
pour confirmer » ny teny miafina vaovao mba hanamafisana izany ;
ao) Tsindrio ny « Valider ».
DINGANA V : FIJERENA NY TAHAM-PIVOARANA’NY FAMETRAHANA IREO RINDRANDAMINA
Ny « menu Exploitation » :
Ny « menu exploitation » dia mirakitra ireo antontan’isa sy ireo taham-pivoaran’ny
fametrahana ireo rindrandamina 12.
ap) Tsindrio eo amin’ny saha « Exploitation » ; avy eo « Statistique » na
« dynamisme » ;
ar) Safidio ireo volana, ireo rindrandamina, ny foibem-pitondrana sy ny faritra misy ilay
toerana anaovana ny fanaraha-maso ;
as) Tsindrio ny OK.
12

Documents pareils